You are on page 1of 14

"tl'NY MPANENTANA

MEN

Raha mila fanazavana fanampiny dia rnanatona ao arnin'nv :

Direction de l'Education Fondamentale et Prescolaire, Mlnistere de l'Education Nationale, Anosy

Porte 410, 412· BP: 267· Tel. : (261) 202630268

UNICEF

Maison Commune des Nations Unies, Zone Galaxy Andraharo

BP 732 • Tel. : (261) 20 23 300 92

unicef_

iJiOBOlANANA AMIN'NV FAMPIASANA INM EliliAOMAM-PANENTANANA

lSI

Zovy no tsy mahalala ilay fitenenana hoe: IINy hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara"

lantohantsika ho an'ny zanantsika ny fiaingana tonga lafatra eo amin'ny fiainana.

Fototra hanorenana ny maha-olona ny fahazazana eo anelanelan'ny 0 ka hatramin'ny 6 taona.

Tsy ny fidirana an-tsekoly akory no fiandohan'ny fivelaran-tsaina. Ahazoana vokatra tsara ny fanabeazana mandritra ny fahazazana, vokatra hita maso eo amin'ny fampianarana ambaratonga voalohany ka mandra- pahalehibe ny zaza. 10 no vanim-potoana tsara ifehezan'ny zaza ny fahaiza-manao ahatomombana ny fianarana sy ny fiainany any aoriana.

Miroso amin'ny MAP ny governemanta mba ampivoarana misimisy kokoa ny fahazazana.

Ao amin'ny teny ifanomezana fahatelo : "Fanovana ny fanabeazana", fanamby voalohany "omena ny zaza ny fitaovana ilainy eo amin'ny fampivelarana azy mialoha ny tena fidirana antsekoly" dia sahan'asa roa lehibe no voafaritra :

1 20% ny zaza no hisitraka ny fibeazana fototra amin'ny 2012.

2 100% ny kaominina no manao sahan'asa fanentanana ny ray aman-dreny.

Ny Minisiteran'ny Fanabeazam-Pirenena miaraka amin'ny UNICEF dia namolavola fitaovana entina manamora ny fampandehanana ny sahanasa faharoa, izany hoe, ny fanentanana ray aman-dreny.

Ny ray aman-dreny tokoa mantsy no tompon' andraikitra voalohany amin'ny zaza. Raha tiana ho tomombana ny fampivelarana ny zaza ary mba ho tsara fototra ny fiainany, dia ny fanatsarana hatrany ny fahaiza- manaon'ny ray aman-dreny no antoka lehibe amin' izany. Manana anjara lehibe eo amin'io sehatra io ihany koa ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina.

Araka izany, ny tantsoroka ampitain'ny mpanentana ho an'ny ray aman-dreny sy ny fiarahamonina dia haompana amin'ny fanatsarana ny fahaizana amam- pahala Ian' izy ireo, ho entiny mikolo sy manabe ny zaza mba hirosoana any amin'ny fiaingana tonga lafatra ho an'ny zaza Malagasy tsy ankanavaka.

NY FAMPIVELARANA FENO NY ZAZA

Torohevitra ho an'nv mpanentana

Olom-pirenena ihany koa ny zaza. Noho izany, manana zo izy ary voasoratra ao amin'ny Fifanarahana iraisam-pirenena momba ny Zon'ny ankizy izany.

Zo fototry ny zaza ny mahazo izay ilainy ahafahany hiaina sy hivelatra. Ireo ray aman-dreniny no tompon' andraikitra voalohany amin'ny fampivelarana sy ny fitaizana azy mba hahafahany manana anjara amin'ny ho avy.

Hiaina ny zony amin'ny mahaolom-pirenena azy ny zaza rehefa any aoriana any (hianatra, handova, hifidy, hanambady ... ) hany ka ilaina ny fanoratana ny anarany any amin'ny Kaominina misy ny toerana nahaterahany ao anatin'ny 12 andre aorian'ny andre nahaterahany. Ny reniny na ny rainy na izay olona nanatrika ny fiterahana, anisan'izany ny dokotera na ny mpampivelona no manatanteraka io fanoratana ny anaran'ny zaza io. Raha toa ka tsy mbola mpivady ara-dalana ny ray aman-dreny dia ny rainy no manao ny fanambaram-pahaterahana mba ho voasoratra ao amin'ny kopia nahaterahan'ny zaza ny anaran'io rainy io.

Mila mivelatra amin'ny lafiny rehetra ny zaza : ara-batana, ara-pihetsika, ara-pitiavana, ara-tsaina, ara-piarahamonina.

Ny fivelaran'ny atidoha sy ny saina dia zava-dehibe tokoa mandritra ny 3 taona voalohany ka hatramin'ny fahafiton'ny taonany. Ho kinga sy hahay hitondra tena tsara ny zaza raha tomombana ny fikarakaran'ny ray aman-dreniny azy raha 0-3 taona izy. Misy fiantraikany eo amin'ny fahakingany hianatra sy eo amin'ny fitondrantenany ny fomba fampivelarana azy.

Raha toa ka mahafa-po ny fampivelarana azy dia ho lavitra azy ny olana tahaka ny tsy fanarahana ny fampianarana an-tsekoly, ny tsy fahasalamana matetika, ny fitokatokanana na fahasarotankenatra tafahoatra, ny fahadisoana ara-piarahamonina na fitondran-tena be setrasetra ... ).

Rehefa feno 4 sy 5 taona kosa ny zaza dia mila misokatra amin'ny manodidina azy. Manomboka miha-mahaleo tena sy manana fifandraisana amin'ny olon-kafa ankoatry ny ray aman-dreniny. Manorina fifandraisana izy amin'izany. Araka izany dia ampio izy hamantatra ny manodidina azy sy hampivelatra tanteraka ny maha-izy azy amin'ny fankaherezana azy, amin'ny filalaovana miaraka aminy, amin'ny fanomezana azy fahafahana ifanerasera amin'ny ankizy sy olon-dehibe hafa.

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-ORENY

Mila mivelatra amin'ny lafiny rehetra ny zaza alohan'ny hidirany an-tsekoly :

Ara-batana (salama, madio : mahay manasa tanana rehefa avy any an-kabone, alohan'ny hisakafo, mandro in-1 isankerinandro farafahakeliny, miborosy nify isaky ny avy misakafo mahay mifehy sy mandrindra ny fihetsika : mahay mihazakazaka, mitsambikina, mihanika, milalao baolina, manao kisarisary, manoratra, mamona tady ... )

" Ara-piarahamonina sy ara-pihetseham-po (mahay miara-miasa amin'ny hafa, manana namana maharitra aminy, tsy matahotra miteny, manomboka zavatra iray ary mamita hatramin'ny farany izany, mahay mandray andraikitra madinidinika (mandamina lovia sy sotro ... )

Ara-pitenenana : mazava raha miteny, manontany, mamaly fanontaniana, mahay

4 mihaino tantara, liana amin'ny boky.

Ara-tsaina : tia karokaroka, be fanontaniana, mamantatra zavatra amin'ny alalan'ny fitsapana, ny fanamboloana, ny fihainoana, mahay mampitaha zavatra samy hafa, mahay mampiasa ny teny marina entina manazava zavatra iray, mifantoka, mahay manaja fitsipika.

FAHASALAMANA ANTOKY NY FAMPIVELARANA

Torohevitra ho an'nv mpanentana

lIaina misakafo ny zaza, tsy hiantohana ny fahasalamany fotsiny ihany fa hampivelatra azy aratsaina ihany koa. Mila hani-mahavelona manokana ny atidoha hampitombo azy sy hahatonga azy hiasa ara-dalana, Ny zaza tsy ampy sakafo dia mora andairan'aretina, marefo ara-batana sy ara-tsaina ka tsy haharaka tsara ny fianarana.

Sakafo feno otrikaina, miovaova ary voalanjalanja no ilain'ny ankizy. Toy ny olona rehetra ao amin'ny fianakaviana dia afaka mihinana legioma sy anana masaka, voankazo, menaka, trondro, atody, akoho, hena, hanina vita amin'ny ronono izy. Tandremo anefa fa tokony ho kely ny fatran-tsira sy ny hanitra isan-karazany, ny siramamy ary ny tavi-kena omena azy. Aza omena afa-tsy rano madio na ranom-boankazo ny zaza fa tsy ranom-boankazo misy gazy. Mila misakafo in-telo isan'andro izy sy sakafo maivana anelanelam-potoana ny maraina sy ny tolak'andro (ohatra voankazo na mofo mamy kely na mangahazo misy totom-boanjo na katsaka misy siramamy ... )

Ny rano azo sotroin'ny zaza dia rano avy nampangotrahina na nasiana Sur'Eau ihany. Tsy maintsy tehirizina anaty fitoeran-drano misarona ny rano fisotro madio ary zinga na sotrobe na fitaovana hafa voadio no anovozana azy.

Tokony ho entina eny amin'ny tobim-pahasalamana indray mandeha isan-telovolana ny zaza hanarahana ny fitomboany. Tsy maintsy lanjaina izy amin'izany. Tsy salama ny ankizy iray tsy mitombo. Tokony homena vitamina A sy "fer" ary fanafody kankana izy. Tsy maintsy arahi-maso indray mandeha isan-taona farafahakeliny ny fahasalamany hijerena ny olana ara-pahitana, arapandrenesana ary ny nify simba izay ilaina tsaboina dieny mbola kely. Raha toa ka mbola tsy vita vakisiny izy talohan'ny faherintaonany dia tsy maintsy tanterahina haingana izany.

Raha mitondra ny tsimok'aretina VIH/ SIDA ilay zaza dia tsy maintsy entina matetika eny amin'ny tobim-pahasalamana harahi-maso ka hahazo ny fitsaboana tokony homena azy avy amin'ny dokotera na ny mpitsabo voaofana.

Ny fanarahana toromarika ara-pahasalamana toy ny fiarovana amin'ny tazomoka ary ny fanarahana fitsaboana ara-dalana no fiarovana tsara indrindra amin'ny aretina. Raha toa ka marary na maratra ny zaza dia mila entina avy hatrany eny amin'ny tobim-pahasalamana. Betsaka araka izany ny loza voasoroka raha voaaramaso tsara ny zaza.

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

1. Omeo sakafo misy otrikaina, miovaova sy voalanjalanja mifanaraka amin'ny taonany ny zaza

2. Raha tsy vita talohan'ny faherintaonan'ny zaza ny vakisiny miisa dimy dia tanteraho avy hatrany ( BeG, DTcoq, lefakozatra, kitrotro, aretin'aty B)

3. Aza adino ny manome vitamina A, ody kankana ary lifer" ny zaza isaky ny enimbolana any amin'ny tobim-pahasalamana sady mandanja

4. Aza hadino ihany koa ny manao fizahana maso, sofina ary nify indray mandeha isantaona farafahakeliny

5. Ento haingana eny amin'ny tobim-pahasalamana ny zaza raha toa ka misy soritr'aretina miseho (hafanana, kohaka, fivalananana ... ) na ihany koa maratra

4. Ampisotroy rano betsaka (rano nampangotrahina, iray sy valo) ary omeo sakafo bebe kokoa izy raha mivalana hanonerana ny very

5. Arovy amin'ny aretina ny zaza amin'ny fahadiovan'ny vatany, ny sakafo, ny fitafiany, ny kilalaony, izay mikasika azy. Mampangotraha rano amonoana ny otrikaretina

6. Zaro ham piasa "pO (tavimandry)" izy ary ariho any amin'ny lava-piringa ny maloto

7. Ampianaro hanasa tanana amin'ny savony na lavenona izy isaky ny avy manao maloto sy alohan'ny hisakafo

8. Mampiasa lay misy ody moka isorohana ny tazomoka

9. Mba hisorohana ny loza dia aza avela irery ny zaza, ary ataovy amin'ny toerana tsy takany ny zavatra rehetra mety hampidi-doza (fanafody, antsy, solika, ... )

10. Omeo azy ny fitsaboana sahaza azy araky ny tenin'ny dokotera raha mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA izy

MIANATRA IREO FOMBA

TSARA FITANDROAM-PAHASALAMANA

Torohevitra ho an'nv mpanentana

Mba hampivelatra tsara ny zaza anaty fahasalamana dia tokony hanana fomba fiaina ara-pahasalamana sy hampita izany amin'ny zanany ny ray aman-dreny mba hahaizany ny zanany mitandro ny fahasalaman'ny tenany any aoriana.

Maro ny aretina azo sorohana amin'ny fanajana ireo fomba fitandroam-pahasalamana tsotra sy mora arahana ireo. Mifindra amin'ny alalan'ny otrikaretina ao anatin'ny diky ny aretim-pivalanana. Noho izany tsy maintsy mampiasa lava-piringa ary diovina matetika izany. Raha toa ka tsy misy lava-piringa dia any amin'ny toerana lavitry ny trano ipetrahana, lavitry ny fantsakana, lavitry ny lalana sy toerana filalaovan'ny ankizy no manao maloto ary alevina avy hatrany izany.

Fakana tahaka no tena fomba fianaran'ny zaza: ny ray aman-dreny aloha no tokony hanaja ny fitsipi-pahasalamana mba hanome ohatra ny zanany. Tokony efa hahalala ny tokony hataony ny zaza alohan'ny handehanany any an-tsekoly.

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

1. Marnplasa foana lava-piringa ary diovy matetika izany

2. Ampianaro hanasa tanana amin'ny rano madio sy savony na lavenona (raha tsy misy savony) isaky ny handray hanina na alohan'ny hisakafoana ary isaky ny avy manao maloto ny zaza. Tokony hamafa tanana amin'ny lamba famaohana madio izy na avela ho maina amin'izao ny tanany raha tsy misy lamba

3. Ampianaro hanao maloto samirery ny zaza. Tokony hahay izany izy alohan'ny handehanany hianatra.

4. Ampianaro hiborosy nify isaky ny avy misakafo izy isorohana ny fahasimban'ny nify

5. Sasao amin'ny rano sy savony ny tarehiny isorohana ny areti-maso izay mety hitarika fahajambana

6. Sasao ny vatany iray manontolo indray mandeha isan-kerinandro farafahakeliny

7. Rano madio avy amin'ny fantsakana na rano efa nangotraka ampiasaina. Tokony ho tehirizina anaty siny misarona ny rano madio

8. Andrahoy ny hanina hamono ny otrikaretina ary aza tehirizina mihoatra ny ora roa mba tsy ho azon'ny otrikaretina indray

9. Sasao amin'ny rano madio ny voankazo sy ny legioma na voasy

10. Ataovy madio lalandava ny fitaovana an-dakozia ( kaseraola, antsy, lovia, lamba famaohana) isorohana ny otrikaretina

11. Misarika biby kely sy voalavo mpitondra aretina ny fako. Aleveno na dory isan'andro ny fako.

NY FAMPIVELARANA ARA-PIHETSIKA

Torohevitra ho an'nv mpanentana

Manomboka amin'ny faha-4 ka hatramin'ny faha-5 taonany ny zaza dia misy fihetsika sasantsasany izay efa tokony ho hainy. Tokony hahafehy ny fandrindrana ireo hetsika lehibe izy toy ny hoe : mihazakazaka, mitsambikina, mihanika, misavily, manao dia miverina, milalao baolina.... ny fifehezana ireo fihetsika ireo dia manampy azy tsy haratra na handratra ny hafa rehefa milalao na manao fihetsehana.

Tokony hahay hitandrina ireo hetsika madinika ihany koa izy ary hahay mampiasa ny tanany sy ny masony miaraka (manipika, manao sary, manety amin'ny hety voatokana ho an'ny ankizy, manao tohy vakana na voan-javatra, maka voanjo ary manao izany ao anaty goro ... ). Ny fahaizana mandrindra fihetsika madinidinika ataon'ny rantsana sy ny tanana dia tena zava-dehibe amin'ny fianarana manoratra.

Manampy ny zaza hahaleo tena ny fianarana ireo fihetsika ireo. Mianatra miakanjo sy manala akanjo samirery izy amin'izany (manidy bokotra, mamatotra tady kiraro, manakatona "fermerture ... ), misakafo irery (mampiasa sotro rovitra, sotro ... ), mikarakara samirery ny vatany (manasa tanana, miborosy nify, mibango volo ... )

Mazava ho azy fa tsy afaka mianatra samirery ireo fihetsika ireo ny zaza ! mila fampirisihana sy fanampian'ny ray aman-dreniny izy. Mampianatra azy hahaleo tena izy ireo amin'ny filalaovana miaraka aminy matetika sy amin'ny fanazarana azy hamerimberina moramora sy amim-paharetana ireo fihetsika vaovao. Mahareta amin'ny famerimberanana matetika ny zavatra iray izany no hahaizan'ny zaza ary mora aminy ny mianatra raha toa ka dokadokafana sy amporisihina izy !

Raha manana fahasembanana ny zaza dia omena risi-po hampiasa vatana araka ny fahafahany ka tsy hiantehitra amin'ny olona. Zaro izy hihetsika samirery tsy mila fanampiana be loatra ary amporisiho bebe kokoa noho ny ankizy hafa.

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-ORENY

1. Asehoy ny zanakao ny fomba fiakanjoana (manidy bokotra, mamatotra tady kiraro ... )

2. Asehoy ahoana no fampiasa sotro sy sotro rovitra eo ambony latabatra. Manana fahare-

tana, mety hisy sakafo latsaka foana aloha mandra-pahazatra azy

3. Asehoy azy ny fomba fanasana tanana, fiborosiana nify, fanasana tarehy

4. Entano izy hanao ireo zavatra ireo samirery ary ankasitraho izay vitany

5. Miaraha milalao aminy matetika ka ento eny amin'ny toerana ahafahany mihazakazaka, mitsambikina, mihanika (toerana midadasika tsy misy manelingelina, toeram-pilalaovana, saha ... ) izy

6. Zaro izy hilalao miaraka amin'ny ankizy (ny dihy, ny hira misy gadona arahana fihetsika dia manampy azy amin'ny fampivelarana ara-pihetsika

7·0meo fitaovana izy hahafahany manao sary, manoritsoritra, mamindrafindra zavatra, manohy voan-javatra amin'ny kofehy ... ireo fitaovana ireo dia mety ho hita eo amin'ny toerana misy anao fa tsy voatery hividy akory . Ohatra fasika na rano ary boaty maromaro hamindrafindrany azy, kofehy na voan-javatra hatohiny, baolina hamboarina amin'ny tady sy ravin'akondro ...

8. Aza avela irery mihitsy ny zaza isorohana ny loza

NY FAMPIVELARANA ARA-PITENENANA

Torohevitra ho an'nv mpanentana

Arak'izany dia tokony efa : Hiteny mazava tsara, hanontany sy hamaly fanontaniana, ho liana mihaino tsara izay lazaina aminy na izay zavatra tantaraina aminy, hanatanteraka toromarika tsotra, hankafy tantara sy boky (raha misy izany eo am-pelantanany), hamantatra tarehimarika vitsivitsy (na tarehin-tsoratra), hanao sary sy handika tarehimarika (na soratra)

Eo amin'ny faha-4 taonany dia efa mahay teny betsaka ary afaka manao fehezanteny ny zaza.

Miteny betsaka izy, tia mitantara izay manjo azy, izay eritreretiny sy izay tsapany.

Liana amin'ny zavatra marc izy ary be fanontaniana. Alohan'ny hidirany hianatra izy dia tokony ho efa vonona hianatra hamaky, hanoratra ary hahazo ny lesona ampianarina.

Ny ray aman-dreny sy ny manodidina no manampy ny zaza hiteny amin'ny alalan'ny firesahana aminy matetika, amin'ny fihainoana azy, na amin'ny fitantarana na famakiana angano ho azy, amin'ny fanononana ny anaran'ny zavatra na ny olona manodidina azy, amin'ny fanontaniana sy famporisihana azy hamaly, amin'ny teny tsotra sy marina fa tsy mampiasa fitenin-jazakely, amin'ny famporisihana azy hiresaka amin'ny ankizy sy olon-dehibe hafa.

Betsaka kokoa ny fahombiazany eo am-panombohany ny fianarany raha toa ka efa mahay miteny tsara sy liana amin'ny tantara sy ny boky izy.

Aza hadinoina fa ny famporisihana sy ny fandokafana azy no fomba tsara indrindra hananan'ny zaza ny fitiavana hianatra!

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

1. Anaovy tantara ny zanakao dia mba asaina mamorona koa izy na manohy tantara

2. Mitenena miadana sy mazava tsara rehefa miresaka aminy. Teny marina ampiasaina fa aza mampiasa tenin-jazakely

3. Manaova kilalao mitadidy teny sy mamerina izany araka ny filaharany

4. Manondroa zavatra momba ny manodidina azy na eo amin'ny petadrindrina na anaty boky ary asaivo lazainy ny anaran'ireo zavatra ireo

5. Asaivo milazalaza momba lreo sary hitany anaty boky na eo amin'ny manodidina azy ireo izy

6. Ametraho fanontaniana misy ny teny hoe "oviana, maninona, inona, taiza, nahoana" izy ary ampio izy hamaly izany, avelao izy hikaroka ny valin-teny marina fa aza tonga dia omena azy izany

7. Amakio boky izy raha afaka manao izany ianao na miangavia olona eo amin'ny manodidina hanao izany

8. Ampianaro azy daholo ny anaran'ny faritra eo amin'ny tenany, ny an'ny biby, ny tsironkanina ( mamy, masira .. ) ny fofona (manitra, maimbo, ) ny karazan-doko

MIANATRA MISERASERA

Torohevitra ho an'nv mpanentana

Zava-dehibe eo amin'ny fampivelarana ny fahaizana miserasera. Ny zaza mahay milaza izay ilainy, ny heviny ary mahafantatra izay ilain'ny hafa sy ny heviny dia mivoatra.

Ho mora sady haingana aminy ny mianatra ary hivelatra tsara ny fiseraserany amin'ny hafa.

Mety ho am-bava ny serasera. Noho izany dia tokony hahay maneho ny heviny amin'ny alalan'ny fampiasana ny teny ny zaza.

Mety miseho amin'ny endrika hafa koa anefa ny serasera : fampiasana fihetsika ohatra na fampisehoana eo amin'ny endrika izay tian-kambara, mety koa an-tsary, na amin'ny alalan'ny hosodoko, na hira, na feon-kira, na sary sokitra, na tononkalo ... tsy maintsy mihaino ny zanakao ianao ary manara-maso tsara ny fihetsiny sy ny zavatra ataony mba hahazoanao ny tiany hambara aminao ka amalianao azy araka ny tokony ho izy.

Ny zaza tsy mahay na tsy sahy maneho ny heviny dia mety ho saro-kenatra loatra na manambony tena loatra, na tsy mahay manazava ny ny zavatra ilainy na izay mahazo azy, hany ka hananosarotra ny fiarahany amin'ny hafa.

Avelao ary ny zanakao hilaza ny heviny, hanontany, hanambara ny fihetseham-pony ... tokony hahatoky tena izy ary tsy hatahotra hiteny mba hahafantarany ny tontolo manodidina azy ary hahalala ny fisiany ao amin'io tontolo io.

Ampirisiho izy haneho ny heviny amin'izay fomba rehetra azo atao!

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-ORENY

1. Ampirisiho ny zanakao hilalao miaraka amin'ny ankizy hafa

2. Avelao izy hiresaka amin'ny olona ivelan' ny tontolo misy azy

3. Henoy am-paharetana izy na dia mila fotoana maharitra aza vao mahita ny teny marina holazainy

4. Tsarao moramora izay lazainy raha misy disc ny fiteniny

5. Anontanio izy toy ny hoe "inona no nataonao androany ?" III nona no kilalao nataonao sy ny namanao ?" Resaka matotra no atao aminy

5. Valio tsotra sy mazava ny fanontaniany fa aza mampiasa tenin-jazakely

6. Raha azo atao dia omeo kisarisary na sary na boky izy ary ampirisiho izy hitanisa ny zavatra hitany na asaivo tantarainy izay zavatra mitranga hitany manodidina azy

7. Omeo fitaovana izy hanehoany ny heviny amin'ny fomba isan-karazany : penisilihazo hanaovany sary, tany na fasika hovolavolainy, na zavatra efa tsy ilaina intsony hanamboarany sary sokitra na zavatra azo arafitra (baoritra, gazety, tavoahangy na baoritra pilasitika, tapa-kazo, vorodamba ... )

8. Milalaova miaraka aminy matetika

FAMPIVELARANA ARA- TSAINA

Torohevitra ho an'nv mpanentana

nana azy dia ilain'ny zaza amin'ny fiainany ho avy.

Vao 3 na 4 taona ny zaza dia efa mianatra ny fototry ny fandinihana ara-Iojika sy ara-tsiansa. Hametrapanontaniana mara amin'ny tenany izy ary hiezaka hahafantatra ny fomba fiasan'ny tontolo misy azy amin'ny alalan'ny faminavinana, famoahana tsoa-kevitra, na fandinihana.

Eo amin'ny faha-3 taona dia efa mivelatra hatrany amin'ny 80% ny atidoha ary ny 50% n'ny fahakigantsain'ny olon-dehibe iray dia efa azon'ny zaza amin'ny fahaefataonany. lreo zavatra ianarany mandritra ireo taona voalohany sy ny fanotro-

Rehefa mikirakira zavatra izy na milalao na mifampizara traikefa amin'izy samy ankizy dia handray tsikelikely ireto fitsipika fototra ireto: ny fandaminana (mampitaha, mandrefy, mandamina ... ), ny fahafahana manisa, ny fifandraisana misy eo amin'ny antony sy ny vokany, ny fahalalana momba ny toerana sy ny fotoana, ny fahafahana mamaha olana sy ny mitadidy zava-baovao.

Ny fampivelarana ara-tsaina ny zaza dia amin'ny alalan'ny fifandraisany amin'ny ankizy na olondehibe, ny ray aman-dreny dia afaka manampy ny zanany hianatra zava-baovao sy hitadidy izany. Amin'ny alalan'ny fampiasana ireo fitaovana eo amin'ny fiainana andavanandro dia afaka mampianatra azy ny fitsipika fototra mifehy ny fotoana, toerana, hadiry, refy, lanja ary habe.

Rehefa feno 4 taona ny zaza dia tokony hahay handamina ny zavatra manodidina azy, hamantatra ny karazana lake samy hafa, hanamboatra tilikambo amin'ny boaty na baoritra, hahavita sary maneho endrik'olona, hanomboka hahay ny fatran-javatra, hanomboka hamantatra fotoana, hampitaha zavatra ka hanavaka ny haben'izany.

Raha tsy sarotra amin'ilay zaza ny mifehy ireo fitsipika fototra ireo alohan'ny fidirany mianatra dia ho mora aminy ny mianatra indrindra fa ny taranja kajy.

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

Mba hampivelatra ny fitadidiana, ny fahaiza-mamorona ao amin'ny zaza sy hanampiana azy hahay hamaky teny sy hanoratra dia:

1. Zaro ny zanakao hanisa hatramin'ny 10 amin'ny fampiasana vatokely, voankazo, voan-java-maniry ...

Iraho izy haka akondro 1, na kaopy 2, na sotrokely 3 ary isao miaraka aminy izany

2. Raha azo atao dia soraty ny isa ka ampianaro izy hamantatra izany

Ampianaro izy hamantatra ny karazana lake : mavo ny akondro, maitso ny ravin-kazo, mena ny kaopy

3. Ampianaro izy hamantatra ny toerana ipetrahan'ny zavatra iray: ambony, ambany, akaiky, ivelany, anaty, ambadika, aoriana, eo aloha,

4. Ampianaro izy hahalala ny fotoana, ampiasao ny teny hoe: omaly, anio, rahampitso, ny andre samy hafa anatin'ny herinandro, ny datin'andro nahaterahany, voalohany, faharoa, rehefa avy eo ...

5. Ampianaro azy ny fatran'ny zavatra iray sy ny fahabetsahan-javatra. Ohatra: tsy misy na inona na inona ao anaty vera, feno rano ny vera, tsy misy rano ny vera, betsaka ny rano ao anatin'ity vera ity noho itsy vera itsy. Betsaka na vitsy ny manga ao anaty harona.

6. Ampianaro izy hanavaka ny endrin-javatra samy hafa: boribory ny sobika, efajoro ny baoritra ...

7. Ampianaro izy hanao sary maneho endrika: boribory (masoandro), efajoro (baoritra), mahitsizoro {trano) ...

8. Ampianaro izy hamantatra habe samy hafa amin'ny fampitahana zavatra, biby ... lehibe ny omby, kely ny akoho; lehibe ny omby noho ny akoho ...

NY FAMPIVELARANA ARA-PITIAVANA

Torohevitra ho an'nv mpanentana

Ankoatry ny sakafo sy ny fikarakarana ara-pahasalamana, ny zaza dia mila fitiavana sy fikarakarana ary fandrisihana manokana mba hampitombo sy hampivelatra azy.

Ny fifandraisana am-po voalohany azony dia ho tonga ohatra ho azy : ny fifandraisana am-po amin'ny ray aman-dreniny dia manome toky azy hahafahany mamantatra ny tontolo misy azy sy manorina fifandraisana tsara amin'ny ankizy sy olon-dehibe hafa.

Ny zaza sembana dia manana olana manokana ka mila fitiavana sy fiheverana bebe kokoa. Raha mahatsapa izy fa voaaro sy tiana, mahazo fankaherezana sy fandrisihana dia hianatra sy hivelatra haingana kokoa. Mila mifandray amin'ny olon-kafa ao amin'ny fianakaviany izy. Mila milalao, mihetsika, resahina, jerena, mihaino feon-kira sy feo samy hafa, mila tantara izy, mila tambitamby sy safosafo izay maneho fitiavana izy ... tsy dia manana olana ara-pifandraisana, mahita fahombiazana amin'ny fianarana sy eo amin'ny fiainana ny ankizy tiana. Na dia sahirana aza ianao dia rnanokana fotoana farafahakeliny indray mandeha isan'andro hilalaovana miaraka amin'ny zanakao, hiresahana aminy sy hifaneraserana aminy.

Mahery vaika sady miharihary ny fihetseham-pon'ny zaza ka tsy azo tsinontsiniavina. Raha mitomany na matahotra na tezitra izy dia ilaina ny maneho aminy fa azonao ny fihetsem-po ary manome toky azy. Ny tsy firaharahana, ny fanesoana na ny herisetra atao aminy dia mitarika azy ho saron-kenatra na mahery setra hany ka tsy hahay haneho fihetseham-po intsony izy ary hitarazoka ny fampivelarana azy.

Hanomboka haneho mazava hatrany hatrany ny fihetseham-pony izy (ny hafaliany, ny alehelony, ny fitiavany ... ) ary handrindra izany tsikelikely. Hasehony ihany koa fa mahaliana azy ny hafa. Ilaina izany ny fankaherezana azy hilalao miaraka amin'ny ankizy hafa sy ny fampianarana azy tsikelikely hanaja ny hafa, hahazo namana, hizara ny kilalaony ... Tsy mora aminy anefa izany ka ilaina ny faharetana ary tokony hazavaina aminy am-pahatoniana ny fandehan-javatra. Hanomboka hikolokolo ny maha izy azy sy hampianatra azy hahatoky tena izany.

Mahatsapa tokoa ny fihetseham-pon'ny ray aman-dreniny sy ny manodidina azy ny zaza na dia mbola kely aza. Ny fiainam-pianakaviana ahitana fifandonana sy herisetra dia hisy voka-dratsy eo amin'ny fampivelarana azy ara-pitiavana.

Tsy misy fahasamihafana ny fikarakarana ilain'ny zazalahy sy ny zazavavy eo amin'ny lafiny arabatana sy ara-pitiavana. Mitovy ny fahafahana ananan'izy ireo eo amin'ny fomba fahazoam-pahalalana sy ny fikarakarana manokana ary ny fitiavana.

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

Mba hampivelatra ny zaza ara-pitiavana dia :

1. Trotroy ny zanakao ary tambatambazo

2. Iresaho izy, rnlhlra ho azy, anaovy tantara izy

3. Omeo toky izy ary lazao fa tia azy ianao

4. Aza avela irery izy

5. Teneno moramora izy na dia sahirana na tezitra aza ianao

6. Valio am-pitiavana ny fitiavana asehony

7. Milalaova miaraka aminy ary asehoy azy fa liana amin'ny zavatra ataony na tantarainy aminao ianao

8. Asehoy azy ny fahatokisanao azy amin'ny zavatra hainy atao

9. Ampaherezo sy ankasitraho izy

10. Ampirisiho izy hiaraka hilalao amin'ny ankizy hafa

NY FAMPIVELARANA ARA-PIARAHAMONINA

Torohevitra ho an'nv mpanentana

Mianatra miaina ao amin'ny fiarahamonina ny zaza amin'ny fijerena sy famerenana ny ataon'ny hafa. Ny olona rehetra eo amin'ny tontolo misy azy izany dia manan-danja avokoa ary manana anjara asa eo amin'ny fampivelarana sy fampianarana azy : ny ray aman-dreny mazava ho azy, fa ireo olona hafa ao amin'ny fianakaviana koa (ny iray tam-po aminy toy ny anabavy, rahalahy, rahavavy, ny raibe sy renibe, dadatoa sy nenitoa sy ny zanak' ireo, sy ireo olona ao amin'ny fiaraha-monina, (ny mpifanolobodirindrina, ny namana, ny mpampianatra, ny mpiasa eny amin'ny tobim-pahasalamana, ny pretra ... ).

Rehefa 3 taona ny zaza dia haha-

tsapa ny fisiany amin'ny alalan'ny fitondran-tenan'ny olona mifandray aminy. Raha mahatsapa izy fa ekena sy hajaina dia hahatoky tena sy hanaja ny hafa. Raha matoky tena izy dia ho mora hahazo namana sy hanorina fifandraisana amin'ny hafa ka tsy hanana olana ara-piarahamonina amin'ny ho avy. Ny zaza mahatoky tena dia hahay hiara-monina amin'ny manodidina azy sy mora iaraha-miasa ary tsy ho tia tena be loatra.

Rehefa 4 taona ny zaza dia hanomboka hahaleo tena sy ho zatra fiainana isan-karazany. Ho liana amin'ny fahasamihafana eo amin'ny lahy sy ny vavy izy ary indraindray ny kilalao ataony ihany koa dia hifanaraka amin'ny mahalehilahy na ny mahavehivavy azy.

Hanomboka hianatra hifehy ireo fihetseham-po toy ny hatezerana sy ny fialonana izy. Mila fotoana anefa izy hifehezana izay fihetseham-pony izay. Ampisehoy azy fa mahatsapa ny fihetsehampony ianao ary ampio izy hahay haneho izany nefa tsy mandratra ny hafa. Ohatra: mila mianatra milalao miaraka amin'ny ankizy hafa izy ary mizara kilalao nefa tsy miady. Ampio izy amin'ny fotoana sarotra ka am-paharetana sy am-pahatoniana no anaovana izany.

Zava-dehibe ny fahaizana mifehy ny fihetseham-po sy ny fifarimbonana amin'ny hafa. Tokony hahay haka namana ny zaza sy hitazona izany namana izany. Ny fianarana ireo fitsipi-pahalalampomba ara-piarahamonina (mahay mizara, manaja ny hafa, mahay misaotra, manao azafady ... ) dia hanampy azy hanorina fifandraisana ara-piaraha-monina mirindra.

Tokony hahay handray andraikitra tsotsotra izy (mandamina kilalao, mametraka ireo fitaovam-pisakafoana eo amin'ny latabatra, manampy ny zandriny miakanjo ... ), hahay hanaraka toromarika tsotra, hamarana asa iray izay natombony.

Rehefa feno 6 taona ny zaza ka tsy mbola mahafehy ireo fitsipika ara-piarahamonina ireo dia ho sahirana amin'ny fianarana sy amin'ny fiainana ho avy.

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

1. Zaro ny zanakao hifandray amin'ireo olona ao amin'ny fianakaviana sy ny fiarahamonina na olon-dehibe na ankizy

2. Zaro izy hilalao anaty vondrana miaraka amin'ny ankizy hafa

3. Azavao aminy am-pitiavana sy am-pahatoniana ireo fitsipika mifehy ny fiainana sy ny kilalao iarahana anaty vondrona (mahay manaja ny fitsipika, mizara kilalao, tsy tezitra rehefa resy, manaja ny hafa, manampy azy ireo, mahalala fomba ... )

4. Aoka ianao ho ohatra tsara alainy tahaka. Hajao ny fitsipika takianao hajainy

5. Henoy izy rehefa miteny zavatra aminao, rnanokana fotoana iarahana aminy, milalaova miaraka aminy, ampisehoy azy fa mazava aminao ny fihetseham-pony, ampisehoy fitiavana izy

6. Ampio izy hahay hifantoka amin'ny fampianarana azy hipetraka tsara sy hihaino tantara mandritra ny minitra vitsivitsy

7. Kolokoloy ao aminy ny fahaizana mandray andraikitra amin'ny fangatahanao ny fanampiany hanatanteraka asa tsotsotra (mitondra entana kely), na asa an-tokantrano tsotsotra (mandamina kaopy tsy mety vaky!), na manampy ny zandriny hiakanjo ... Ampaherezo izy hamita izay asa natombony

8. Ankasitraho matetika izy ary asehoy azy fa tretrika ianareo ny amin'ny zavatra hainy atao

IREO FETRA SV FANDRARANA

Torohevitra ho an'nv mpanentana

Ny zaza dia tsy mahay manavaka ny azo atao sy ny tsy azo atao, izay mampidi-doza sy tsy mampidi-doza ho azy (mihanika amin'ny tohatra ... ) izay mety mahatonga fahasorenana ho an'ny hafa (mikapoka ny zandriny lahy kely ... ), ireo fitsipika ahafahana

miaina anaty fiaraha-monina

(mahalala fomba, manaja ny

fitaovan'ny hafa ... ).

Ny ray aman-dreny izany dia tsy maintsy mametraka lreo fitsipika sy fetra tsy azon'ny zaza ihoarana izay hahatonga azy hivelatra tsy misy ahiahy sy hananany fifandraisana mahafa-po amin'ny hafa.

Zava-dehibe tokoa ny miresaka sy manazava aminy ny fandehan-javatra. Mila fantany ny antony tsy azony anaovana zavatra sasany ohatra hoe maninona izy no tsy mahazo milalao zavatra mora vaky na mampidi-doza. Raha tsy misy io fanazavana io dia mangaihay izy hany ka haneho ny hatezerany. Hazavao miandalana izany ary avereno matetika araka izay azo atao.

Tokony ho tsotra sy mazava ny fitsipika ary mifanaraka amin'ny taonan'ny zaza sy ny fahafahany mandray izany. Tokony haharitra sytsy miovaova isan'andro lreo fitsipika na koa miova arakaraka ny olona miteny !

Liana amin'ny zavatra mara ny zaza ary tia mikitikitika. Zava-dehibe araka izany ny fisorohana ny loza: ampirimo lavitra ny zaza ny zava-drehetra mampidi-doza ho azy. Aoka ho azonao antoka tsara fa afaka mamantatra ny tontolo misy azy tsy misy loza izy.

Ny mikapoka zaza, ny mikiakiaka aminy, ny manao herisetra aminy dia mety hampitarazoka ny fampivelarana azy, na handratra aza, hahatonga azy ho saro-kenatra na ho lasa mahery setra ihany koa. lIaina araka izany ny manazava aminy mazava sy am-pahatoniana ny tokony hataony sy ny tsy tokony hataony. Tsy maintsy ankasitrahina izy isaky ny mitondra tena tsara.

Raha toa ny zaza ka manao zavatra tsy azony atao kanefa ianao efa mandrara azy matetika tsy hanao izany dia tsy amin'ny alalan'ny herisetra no anehoanao ny tsy fahafalianao (ohatra : raha misitona ny volon'ny zandriny lahikely izy na dia efa nampitandremanao aza dia apetraho amin'ny zoron-trano mandritra ny iray minitra izy ary hazavao aminy ny antony tsy azony hisintonany ny volon'ny zandriny).

Amin'ny alalan'ny famerimberenana sy ny fakana tahaka no ianaran'ny zaza. Tokony hampiseho ohatra tsara ho azy ianao amin'ny fanajana ny fitsipika napetrakao. lanao no ohatra tsara ho azy : raha mikapoka azy ianao dia hikapoka ny ankizy hafa izy. Raha manompa ianao dia hanompa ihany koa izy.

Ampianaro ny zaza fa zony ny manao "tsia" ary tokony handositra izy ka hitady fiarovana amin'ny olona fantany tsara raha misy olona manelingelina na manao ratsy azy ( mikapoka azy, manompa azy, manery azy hanaraka olona tsy fantatra, mikasika ny mahalehilahy na ny mahavehivavy azy ... ), na ihany koa misy ankizy hafa mitarika azy hanao kilalao mampidi-doza.

Arovy amin'ny fanararaotana ara-pananahana izy : ampianaro azy ny anaran'ireo faritra amin'ny vatany ary lazao azy fa tsy misy olona afaka hanery azy hanao zavatra tsy araka ny sitrapony na hitazona tsiambaratelo tsy lazaina amin'ny ray aman-dreny. Tokony hahatsapa izy fa mahatoky anao ary hahatsapa ihany koa fa afaka miresaka aminao zavatra rehetra izy. Raha toa ka misy herisetra mihatra aminy dia henoy izy, omeo toky ary lazao azy fa tsy fahadisoany izany. Raha toa ka misy fanararaotana azy dia mety hitondra takaitra ny zaza. Noho izany dia mila henoina sy karakaraina izy.

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

1. Apetraho mazava ny fitsipika ary omeo fanazavana izy momba izany ("tsy mahazo mihanika eo amin'nytohatra ianao, mampidi-doza anao izany ary mety haratra mafy ianao raha mianjera eo")

2. Omeo ohatra tsara izy, hajaonao ray aman-dreny ny fitsipika napetrakao (mahay misaotra, manao azafady ... )

3. Mahereta ary averimbereno aminy ireo fitsipika ireo kanefa aza mikiakiaka na maneso na mikapoka azy

4. Raha sazianao izy dia aza atao an-kerisetra izany ary aoka tsy haharitra fa azavao aminy moramora ny anton'izany sazy izany ( "Nasaiko mijoro tsy mihetsika etsy an-joron-trano ianao satria misitona ny volon'ny rahalahinao kanefa izaho efa niteny taminao matetika hoe tsy azonao atao izany satria marary azy.")

5. Ankasitraho izy rehefa mitondra tena tsara

6. Alaviro azy ny zava-mampidi-doza rehetra

7. Ampianaro izy hanao "tsia" ary hahalala fa tsy misy olona mahazo misetrasetra aminy na manery azy hanaraka izany olona izany na mampanao zavatra mampidi-doza azy

FAMPIVELARANA NY FANIRIANA HIANATRA

Torohevitra ho an'nv mpanentana

Voajanahary ao amin'ny ankizy ny faniriana te-hahalala. Vao fony kely izy dia efa te-hahafantatra ny manodidina azy, ny fandehan-javatra: te-hanandrana, te-hitsapa, te-hanimbolo, te-hahita, te-hihaino... tsy misy zavatra tiany ohatry ny hoe mifanehatra amin'ny zava-baovao.

10 toetra voajanahary ao aminy io dia manampy azy handroso sy hianatra ka tokony hovolavolain'ny ray amandreny sy ny olona rehetra izay eo amin'ny manodidina ny zaza (ireo havany sy ny ao amin'ny fiaraha-monina misy azy). Matetika anefa reraka ny ray aman-dreny ary tsy manana hery hamaliana ireo fanontaniana tsy misy fiafarany ataon'ny zanany. lalao anefa ny mandrara ny ankizy tsy hametraka fanontaniana sy ny mandrara azy tsy hila lao satria izany fahalinany izany dia porofo maneho fa mivelatra tsara izy. Araka izany dia rnanokana fotoana isan'andro ho azy, hilalaovana miaraka aminy, hiresahana aminy, hitantarana tantara aminy, hampianarana azy hanisa, hanao sary ...

Mianatra amin'ny alalan'ny fampirisihana azy ny zaza. Tsy maintsy hampitomboina araka izany ireo sehatra hahafahany mamantatra, mamorona, mamaly ireo fanontaniana, mieritreritra, maneho hevitra amin'ny alalan'ny fitenenana na fomba hafa (sary, famolavolana sary mivongana, hira ... )

10 fitiavana hahalala io dia zava-dehibe tokoa rehefa hiditra hianatra ny zaza. Raha toa izy ka nampirisihana sy nampaherezina dia ho fahafinaretana ho azy ny fianarana, hahomby kokoa izy eo amin'izany ary ho mora sy ho haingana ny fandrosoan'ny fahalalany.

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-ORENY

1. Ento mitsangatsangana eny amin'ny tontolo voajanahary sy eny amin'ny toerana iombonan'ny rehetra ny zanakao. Ampanaovy kilalao mampiasa herim-batana izy (mitsambikina, mihanika, mihazakazaka, mandihy ... ), ampianaro izy hahay hamantatra zavatra na olona eo amin'ny manodidina azy miaraka amin'ny anarany

2. Omeo fahafahana mifanerasera amin'olon-kafa ao amin'ny fianakaviana na ny mpiaramonina aminareo izy ary zaro hilalao miaraka amin'ny ankizy hafa, irery na anaty vondrona

3. Araka izay azo atao dia omeo fahafahana hampiasa boky izy, anaovy hira syampianaro hira izy, itantarao angano izy, omeo fitaovana izy hampitomboina ny fahaiza-mamorona sy ny fanehoan-kevitra ao aminy (penisilihazo, boaty, goba, fasika, rano ... )

4. Amporisiho izy hilaza ny zavatra hitany sy tsapany ary hitantara

5. Ampaherezo izy hametraka fanontaniana, iresaho izy, aza valiana fotsiny amin'ny "eny" na "tsia" izy fa omeo fanazavana fohy sy tsotra

6. Resaho momba ny sekoly sy ny zavatra ianarany ary ny namany ho hitany any izy

MIANATRA AMIN'NV ALALAN'NV LALAO

Torohevitra ho an'nv mpanentana

Zo fototry ny zaza ny mila lao ary voasoratra ao amin'ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny Zon'ny ankizy izany.

Mitovy lenta amin'ny filan'ny zaza sakafo ny milalao raha eo amin'ny fampivelarana azy no jerena. Fomba iray entiny mianatra sy mamantatra ny tontolo manodidina izany ary mazava ho azy fa mitondra fahafinaretana ho azy. Noho izany dia tsy maintsy hajaina ny filan'ny zaza mila lao ary mila hampirisihina hila lao izy ary handray anjara amin'izany.

Mampivelatra ny zaza amin'ny lafiny rehetra ny lalao : ara-piarahamonina, ara-pihetseham-po, ara-batana syaratsaina.

Amin'ny alalan'ny fanandramana sy ny fanaovana fahadisoana no ianaran'ny zaza rehefa mila lao izy : ohatra ampifanongoany ny boaty mandram-pirodan'izany hany ka ataony avokoa izay tsy hampirodana azy rehefa avy eo. Horaketiny an-tsaina araka izany inyfomba iny ary mora ho azy ny mitadidy izany satria izy ihany no nahita izany vahaolana izany ka tsy ho olana ho azy ny hamerina azy.

Amin'ny alalan'io kilalao io ihany dia hanomboka hahay handrindra ny fihetsiny izy, handray ireo boaty, hame-

traka izany, hisambotra izany raha latsaka, hametraka izany mahitsy tsara sy amim-pahamalinana .

Hampitombo ihany koa ny fifantohana eo amin'ny zaza, ny fahaiza-miteny, ny gadona amin'ny

alalan'ny fihainoina tantara sy hira sy ny famerenany izany.

Hamantatra ihany koa ny fifandraisana misy eo amin'ny antony sy vokany izy (ny feo ateraky ny fitaovana iray raha kapohina na ahetsika ... ), ny fotoana sy ny fifandimbiasana ara-potoana (tsy maintsy mandala dingana manaraka fandaminana vao mahatafatsangana tilikambo amin'ireo boaty).

Mampitombo ny fahaiza-mamorona sy ny fampieritreretana ao amin'ny zaza ny lalao. Izy ihany mantsy no hikaroka ireo vahaolana (ohatra ny mba tsy hampirodana ireo boaty mifanongoa) ka hampitombo ny fahatokisan-tenany izany. Hampivelatra ny fahavitan-tenany izany sy ny fandraisany andraikitra. Hahatsapa izy fa afaka mahavita zavatra samirery.

Mampivelatra ny zaza eo amin'ny fifandraisany ara-piaraha- monina ny kilalao iombonana. Ny filalaovana miaraka amin'ny hafa dia hampianatra azy hizara, hiandry ny anjarany, hanao zavatra iarahana amin'ny hafa, hanampy ny hafa, ary koa hifamaly sy hitady vahaolana amin'izany fifamaliana izany!

Loharanom-pahalalana sy fivoarana ny kilalao rehetra na dia tsotra aza. Ireo olona manodidina ny zaza dia tokony handrisika azy hilalao na ihany koa hilalao miaraka aminy, hanome fahafahana ho azy hilalao miaraka amin'ny ankizy sy olon-dehibe hafa, manome kilalao azy na fitaovana hahafahany milalao.

Tsy voatery hividy kilalao foana anefa fa boaty, fasika, tany, rano, ravina, tapa-kazo, poti-damba, zavatra eo am-pelantanana tsy ampiasaina intsony dia efa azo hanamboarana kilalao (mamboatra baolina amina ravin'akondro, saribakoly amina poti-damba, fiarakodia kely amboarina amin'ny boaty vy fasiana sakafo ... ) Tsarovy fa tian'ny zaza raha ny ray aman-dreny no mamboatra kilalao ho azy na manampy azy hamboatra iray ho azy!

Aza adinoina mihitsy fa tsy azo avela irery mihitsy ny zaza fa tsy maintsy misy olona miandraikitra (zatovo na olon-dehibe) mba hisorohana ny loza izay mety hitranga tampoka. Aoka mba ho tontolo azo antoka no ilalaovany: ampanalaviro azy ireo fitaovana sy zavatra mampidi-doza (antsy, hety, fanafody ... ), aza avela hanakaiky afo, na dobo, na lavaka na fatsakana izy, omeo fitaovana mifanaraka amin'ny taonany sy tsy mampidi-doza azy izy ( ohatra tsy omena hetin'ny mpanjaitra izy fa hety ho an'ny ankizy boribory loha) ...

TOROHEVITRA HO AN'NY RAY AMAN-DRENY

Karazana kilalao iarahana atao amin'ny ankizy :

Kilalao fampivelarana ny ara-batana :

• Kilalao mitaky tombona : mandeha ambony tady mahazaka mipetraka amin'ny tany fa tsy mihantona (sady mandeha eo amboniny izy no maka sary an-tsaina hoe mihantona ilay tady) : mandeha tsotra na mihazakazaka ka mijanona tampoka raha vao maheno paika

• Kilalao mitaky fahakingam-batana : lreo karazan-dalao fanao ivelan'ny trano toy ny hazakazaka, tsambikina, mihanika, migorisa. Ohatra : ny saka sy voalavo (manenjika ny voalavo ilay saka ka avotra ilay voalavo rehefa tafahanika eny ambony zavatra), antsavily, korisa, dihimbazaha.

• lreo lalao mampiasa ratsam-batana : kilalao mampiasa baolina (hatsipy ny baolina avy eo tatazana, baolina kitra),

sabaka, lalao tsambikin'ondry, fanetezana, fandokoana, fanditiana

Kilalao fampivelarana ny fitenenana :

• Anaovy tantara ary raha azo atao amakio tantara na angano izy

• Milalaova tantara an-tsangana kely ka saribakoly ahetsika (poti-damba na hazokely)

• Ampianaro hira maneho ny faritra samy hafa eo amin'ny vatana izy no sady manonona ny anarany. Milaza anarambiby, zavatra, asa (fomba fanamboarana mofo), anaran-java-boahary manodidina azy (ala, rano .. ) ary aseho azy ireo.

• Manaova ankamatatra (inona ary izany ? Zava-maitso mitsambikina nefa miaina anaty rano ?) Kilalao fampivelarana ny saina

Fampivelarana ny fianarana manoratra : vakio mafy ny tantara iray, Asaivo averiny soratana amin'ny penisilihazo eo

• ambony taratasy na eo ambony fasika na tany lreo tarehintsoratra.

Fampivelarana ny fianarana kajy: tanisao ny isan'ny vatokely ohatra: vatokely 10, voankazo 10. Mihira ho azy ary avy

• amin'izany hira izany no hanatsoahina isan-javatra na biby. Asaivo soratany amin'ny penisilihazo eo ambonytaratasy ireo tarehintsoratra na eo ambony fasika na tany.

Fampivelarana ny fianarana momba ny habe, hadiry, akora, fampitahana: fenoy rano ny zinga na sio ary asaivo

• arotsany ao ny vato, ny tavoahangy pilasitika, hazokely, dia ampijereo azy hoe iza no mitsingevana ary iza no milentika. Afaka mitsangantsagana miaraka aminy ianao ary ampirisiho izy handroaka zavatra eny an-dalana izayazonareo faritana (haben'izy ireo, ny lokony, fofony, tonony). Mamplasa zavatra samy hafa lake sy habe (boaty, lovia ... ) amin'ny alalan'ireo zavatra ireo dia ampianaro azy ny fampitahana ka marnplasa ny teny toy ny hoe "lehibe noho ny ... " kely noho ny." apetraho amin'nytoerana samy hafa lreo zavatra lreo hanoroana azy ny hoe II ambony, ambany, anaty ivelany, ankavia, ankavanana".

Kilalao fampivelarana ny fifaneraserana sy ny fifandraisana ara-piarahamonina :

• Omeo fahafahana hifaneraserany sy hahafahany miara-milalao amin'ny ankizy hafa

• Ampirisiho izy hanao kilalao miaraka amin'ny ankizy hafa ka omeo izay fitaovana ilainy izy amin'izay maka tahaka (kivarivary, maka tahaka fitafy ... )

• Ampirisiho izy hanao kilalao iraisana: karazan-dalao mampiasa baolina, fangalampiery

You might also like