Fa Izay Manana No Homena; Ary Ny Amin’izay Tsy Manana, Na Dia Izay Ananany Aza Dia Halaina Aminy by Dag Heward-Mills by Dag Heward-Mills - Read Online

Book Preview

Fa Izay Manana No Homena; Ary Ny Amin’izay Tsy Manana, Na Dia Izay Ananany Aza Dia Halaina Aminy - Dag Heward-Mills

You've reached the end of this preview. Sign up to read more!
Page 1 of 1

Andriamanitra

Toko 1

Izay manana sy Izay tsy manana

Marina ve izany?

Fa izay manana no homena ary amin’izay tsy manana dia izay ananany aza dia halaina aminy

Marka 4:25

Tsy maintsy marina izany na dia toy ny Soratra Masina hafahafa aza! Ohatran’ny tsy rariny ilay izy! Nahoana no ireo izay efa manam-bola no mbola hahazo bebe kokoa? Nahoana no tokony ho very koa izay anjaran’ny manana kely? Nahoana izany amin’ny fiainana andavanandro no izay manana ihany no tovonana? Nahoana loatra no hoe ny zavatra mifanohitra tanteraka amin’izay andràndraintsika no mitranga?

Na dia toy ny tsy rariny aza io Soratra Masina io dia marina noho ny antony anankiroa.

Marina io satria Jesosy no niteny azy. Ny lanitra sy ny tany dia ho levona fa ny teniko tsy mba ho levona (Matio 24:35). Ny tenin’i Jesosy no teny mahery vaika indrindra faratampony amin’izay notenenina hatramin’izay.

Ny antony faharoa mahamarina io Soratra masina io dia satria hitantsika izany eo amin’ny manodidina antsika. Ny tsirairay dia te hahazo misimisy avokoa fa tsy ny rehetra no mahazo misimisy. Koa iza ary izany no mahazo misimisy?

Isika rehetra dia samy miandrandra fa ireo izay tsy manana dia tokony hampiana mba hanana. Tiantsika raha mba manana izay tena ilaina farafaharatsiny ny tsirairay. Kanefa ny fiainana sy ny tantara dia samy maneho amintsika fa izay manana ihany no hahazo bebe kokoa amin’ny zavatra. Jereo fotsiny ny manodidina anao dia ho hitanao fa izay tsy manana firy dia vao maika votsitra aza ny kely ananany! Hitantsika fa marina ny tenin’i Jesosy.

Ity boky ity dia mahakasika izany Soratra Masina toy ny hafahafa izany. Ho hitanao ato fa mihatra amin’ny fiainana hita ety ivelany sy ara-panahy ity Soratra Masina toy ny hafahafa ity. Andao ho jerena ny dikan’ny hoe izay manana.

Izay Manana Zavatra Hita Maso

1. Izay manana vola, trano, fiara dia hanana vola, trano, fiara bebe kokoa

Ny mpanan-karena (izay manana) dia lasa miha mpanàna kokoa ary toy ny tsy misy mahaory azy, fa ny mahantra dia mihamahantra isan’andro.

Afrika, ilay kontinanta farany mahantra eto an-tany dia ny hany faritra tokana eto an-tany izay mihamahantra hatrany nandritr’izay 30 taona lasa izay. Amerika sy Eropa izay efa mpanankarena dia nitombo fanànana ary nampitombo ny tahirim-bolamenany, ny harenany sy ny fanànany. Afrika kosa etsy an-daniny izay, izay tena mila trano hiasana na hitoerana dia nanapotika ny kely izay nananany tamin’ny alalàn’ny ady an-trano sy adim-poko.

Mazava fa ny olona efa nahatsangana trano iray dia mety hahatsangana trano maromaro ihany. Ny tsy mbola mahatsangana izany dia mety tsy hanangana mihintsy any amin’ ny ho avy. Mety ho votsotra aminy na ny tranony ankehitriny aza. Mety ho voaroakan’ny tompon-tranony aza ilay olona tsy nahatsangana trano.

Ny olona manana fiara dia mety hanana maromaro ao aoriana ao. Ny olona mahantra tsy manana fiara fa mandeha bus na taxi dia mety hitohy handeha bus sy taxi ihany any aoriana any.

2. Izay manana asa dia mbola hahazo tolotr’asa bebe kokoa

Izay manana asa dia mety mbola hahazo asa bebe kokoa. Raha lehiben’ny mpahandro ao amin’ny Hotel Golden Tulip ianao dia mety hanantona anao koa ny mpiandraikitrin’ny Hotel Sheraton mba hanao anao ho lehiben’ny mpahandro ao aminy. Mampalahelo fa ny olona izay vao avy nanao fiofanana tao amin’ny sekoly fianarana mahandro eo amin’ny toerana misy azy dia sarotra ho azy ny ho lasa lehiben’ny mpahandro ao amin’ny Hotel Sheraton. Izay manana asa dia azo antoka fa hahazo asa hafa. Ny olona miasa amin’ny banky iray dia mety hampiasain’ny banky hafa ho amin’ny asa mety ho tsaratsara kokoa aza. Mampalahelo fa ny olona nahavita taona faharoa teny amin’ny oniversite dia tsy hotadiavan’ny banky. Izany olona izany dia hitotototo mafy hitady asa, ary hasaina hivezivezy foana.

3. Izay manana zanaka iray dia hanana zanaka maro.

Ireo izay efa manan-janaka tamin’ny fomba tsotra dia hiteraka koa ny manaraka. Efa mahazatra ny mahita vehivavy izay tsy faly amin’ny vohoka izay entiny. Ireo olona ireo dia efa manan-janaka maromaro. Mampalahelo fa ireo izay tsy manan-janaka mihitsy dia mitolona mba hanana na dia iray aza. Tranga toy ny mifanohitra izany nefa zava-misy eto an-tany.

4. Izay manana fahefana pôlitika dia hanana fahefana pôlitika bebe kokoa.

Ny fianakaviana manana fahefana politika dia mety mbola hanana izany bebe kokoa. Mety hanontany angamba ianao hoe Nahoana no tokony hanana filoham-pirenena anankiroa ny fianakavian’ny Bush? Nahoana ny fianakavian’ny Kennedy no tokony hanana filoha anankiroa?

Mety mba ho tianao hisy filoha na olo-malaza hivoaka avy amin’ny fianakaviana sasany. Kanefa ny tena mety hitranga dia avy amin’ny fianakaviana efa malaza ihany no hivoahan’ny filoham-pirenena misimisy.

5. Izay manana fahalalana no hahazo fahalalana bebe kokoa.

Ny hitranga dia ao amin’ny fianakaviana efa misy dokotera na mpisolo vava no hivoahan’ny dokotera sy mpisolo vava hafa koa. Mety ho sarotra ho an’ny fianakaviana tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny hiteraka dokotera sy mpanao fikarohana.Koa tanteraka indray ny Soratra Masina. Ireo izay manana olona manam-pahaizana ao amin’ny fianakaviany dia hanana olona manam-pahaizana bebe kokoa ao amin’ny fianakaviany. Izay tsy manana olona manam-pahaizana kosa na ny kely anànany aza dia mbola ho votsitra aminy.

6. Izay manana namana amin’ny toerana ambony dia hanana namana bebe kokoa.

Ny olona mahalala olona ambony dia vao maika hahalala olona ambony bebe kokoa araka ny handrosoan’ny fotoana. Ny tambanivohitra na olona tsy nianatra izay tsy mahafantatra na enjeniera, na dokotera dia tsy mbola hahalala ihany amin’ny taona ambony. Ny marina dia noho ny fahantrany dia tsy hisy olona ho liana aminy intsony, ary hihavitsy ny namany.

7. Izay malaza dia hitombo laza.

Ny olona izay malaza dia hitombo laza raha manohy izay zavatra ataony izy. Ny olona tsy misy mahafantatra any ambanivohitra dia ho mety ho sarotra aminy ny halaza amin’ny taona ho avy.

Izay Manana Zava-Panahy

1. Izay manana fahalalana an’Andriamanitra dia mety hitombo amin’izany fahalalana izany.

Mety hitombo amin’ny fahatahorana sy fahalàlana an’Andriamanitra ilay olona. Izay manana hosotra dia hitombo amin’ny hosotra ihany amin’ny taona ho avy.

2. Ny evanjelista izay efa nahataona fanahy maro dia mbola hahataona fanahy maro kokoa amin’ny taona ho avy.

Mety hanao fitoriana miha goavana hatrany izy. Raha ny evanjelista tsy mahavory olona firy kosa dia hihena miandalana na ny isan’ny olona voavoriny aza. Ilay lehilahy tanora izay nahataona fanahy tokana nandritry ny fiainana Kristiana niainany dia tsy hahataona na iza na iza amin’ity taona ity.

3. Ny Pasitera izay manana fiangonana lehibe dia hanana fiangonana goavana amin’ny taona ho avy

Ny Pastera iray izay manana fiangonana lehibe dia mety hanana fiangonana lehibe kokoa hatrany. Ny fiangonana kely dia hihakely. Mety ho lasa ny mpikambana ao amin’ny fiangonana kely ary mety hikatona mihintsy izany mitaha amin’ny fiangonana lehibe.

4. Ny mpanompo voahosotr’Andriamanitra dia lasa manana hosotra sy fahasoavana bebe kokoa.

Toa, mahatratra refy avo kokoa izy ireo, ary manao zavatra goavana kokoa ho an’ny Tompo. Ny olona izay tsy manana fanomezam-pahasoavana dia lasa miha tsy mahasarika miandalana. Lasa nilaozan’ny hosotra aza izy ireo.

5. Ny Pasitera manana trano fiangonana dia vao miha-manangana trano fiangonana maro kokoa.

Ireo izay tsy manana trano fiangonanana dia ampitahorina amin’ny fandroahana eo amin’ny toerana izay hofainy. Ny mpikambana ao amin’ny fiangonana toa lasa mankany amin’ny fiangonana lehibe kokoa, ka mampihena ny isan’ny mpino izay efa vitsy rahateo amin’ny fiangonana kely.

6. Ny fiangonana mampidi-bola dia hampiditra vola betsaka ihany koa amin’ny taona ho avy

Ny fiangonana kely vola dia hahavery ny fidiram-bolany sy ny mpikambana ao aminy amin’ny taona ho avy manaraka.

7. Ny mpitory Filazantsara izay nanofana olona mpitarika maro dia hanofana bebe kokoa hatrany.

Ny olona tsy mbola nanofana mpitarika hatrizay dia mety tsy hanana izay handimby azy.

Fa Maninona No Toy Izany Ilay Izy?

Fa maninona no tena marina ilay teny nolazain’i Jesosy manao hoe izay manana dia homena bebe kokoa

Nahoana no izay manana dia hanana bebe kokoa

Ireo izay manana dia nisy zavatra nataony tao nahatonga azy ireo nahazo izay ananany ankehitriny. Mazàna ireo izay manana dia manohy manatanteraka ny fitsipiky ny fitomboana.

Nahoana Izay Tsy Manana Dia Hahavery Izay Ananany

Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo

Matio 25:28

Ireo izay tsy manana betsaka dia tsy mampihatra ny fitsipika sasany na manaraka ny hevitra izay mitarika any amin’ny harena. Mazàna, ireo izay tsy manana dia manohy sy mikiry ao amin’ny fitsipika ratsy sy hevitra tsy mahomby izay nitarika azy ireo tamin’izao toeram-pahantrana nisy azy izao. Nahatonga ny fahantran’izy ireoho lalina izany sy vao maika nahasarotra ny olana mahazo azy.

Ny fandinihina tsotra ireo firenena Afrikana sy ny toe-karenany dia haneho fahantrana lalim-paka sy sarotra izay efa nisy nandritry ny 50 taona. Raha fahagagana iray no nilaina hanalanaan’ny Afrika tamin’ny fahantrana kôlônialy dia fahagagana an’arivony no ilaina hamoahana an’ny Afrika avy ao amin’ny toerana misy azy ankehitriny.

Ny antony dia satria ny olana sy ny zava-tsarotra mahazo an’ny Afrika dia mitombo, nihamaro sy nivelatra ho lasa saro-bahana ka mila vahaolana mifanaraka amin’izany ihany koa.

Ny ministera izay miady mafy ao anatin’ny krizy lalina, fahantrana sy fahasarotana matetika dia manana olana mihoatra noho ny hita maso. Matetika dia olana efa naharitra, saro-bahana, efa nitoetra ela ireny olana misy ireny. Izany olana izany matetika dia fahasarotan’ny olana efa sarotra. Izany no mampiteny an’i Jesosy hoe, Izay manana dia homena ary izay tsy manana ny ananany aza dia ho votsitra eny aminy.

Inona No Tsy Maintsy Hataontsika?

Inona no tsy maintsy hatao ankehitriny? Tsy maintsy fantarintsika amin’ny fo tsy miangatra ireo antony mahatonga ny tsy fitoviana ety an-tany, ara-panahy sy ara-bola. Tsy maintsy fantarina ny fifahasamihafana madinika izay mahatonga izay tsy fitoviana goavana hitantsika izao. Isika tsy maintsy mampihatra ny lesona avy tamin’ Izay manana. Tsy misy fanitsiana vita haingana rehefa hiala amin’ny fahantrana ho any amin’ny fananana harena.

Tsy boky mikasika ny fanambinana ity. Tsy misy maharatsy ireo boky nosoratana mikasika ny fanambinana. Mino ny fanambinana aho. Ity kosa anefa dia boky mandeha lalina kokoa noho izany mba hahatakatra ilay teny feno zava-miafina nolazain’i Jesosy: Izay manana no homena, ary amin’izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. Rehefa ampiharinao ireo fitsipika voalaza ato dia ho lasa izay manana ianao.

Tena mahagaga, ny fikarohana nataon’ny mpikaroka eo amin’izao tontolo izao dia manamafy ny fahamarinan’ny tenin’i Jesosy. Ny fijerena akaiky ny zavatra izay hitan’ny olon’izao tontolo izao dia teny manampy hahatakarana ny antony mahatonga an’izay manana handray betsaka fa ny tsy manana kosa dia halaina aminy na izay ananany aza.

Tena lalina ny tenin’i Jesosy. Na tsy nisy fikarohana aza, ny tenin’i Jesosy dia teny manazava ny mampisy ny manan-katao sy ny tsy manan-katao eto an-tany.

Aza atao tsinontsinona ny fahalalana sy ny fahendrena izay voambara ato amin’ ity boky ity. Raiso amin’ny fahamatorana izany satria ny Fanahin’Andriamanitra dia Fanahin’ny fahalalana.

Ny marina dia tsy misy fahendrena tahaka ny an’ ny Jesosy ary tsy teny tahaka ny Teniny.

Ho levona ny lanitra sy ny tany fa ianao hahita fa izay manana dia handray bebe kokoa fa izay tsy manana kosa dia hahavery izay kely ananany.

Toko 2

Izay Manana Dia Hahazo Bebe Kokoa Satria Manana Toetra Tsara Sy Toe-po Mety Izy

Ary ankoatra izany, dia manaova izay zotom-po rehetra, ary amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsaina dia fahalalana; Ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-po dia faharetana, ary amin’ny faharetana dia toe-panahy araka an’Andriamanitra; Ary amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavana ny rahalahy dia fiantrana. FA RAHA AO AMINAREO IZANY, SADY ANANANAREO BETSAKA, dia tsy AVELAN’IZANY TSY HAMOA NA TSY HAHAVOKATRA amin’ny fahalalana an’I Jesosy Kristy Tompontsika ianareo

2 Petera 1:5-8

Io Soratra Masina eo ambony io dia maneho fa raha misy zavatra maromaro anananareo dia tsy ho momba, na tsy hamoa na tsy hamokatra izany ianareo. Ireo zavatra lazain’i Petera ho toetra tsara toy ny hahatonga anao hahomby dia fahazotoana, finoana, fahatanjahan-tsaina, fahononam-po, sns… Ireo no toetra tsara ao anatin’ny olona izay hitondra fahavokarana sy famoazana ho azy.

Ny toetra tsara ao amin’ny olona iray no mahatonga azy hamadika ny sehatra tsy mamoa, tsy mahavokatra sy tsy ambinina mba tsy ho toy izany intsony. Ny fahamombana dia miresaka ny amin’ny toerana ahazoana vokatra kely.Ny saha maina sy tsy mamokatra ho an’izay tsy manana dia manambara ny tsy fahampian’ny toetra tsara ao amin’ny olona iray. Inona avy ireo toetra tsara ao amin’ny olona mahatonga azy ho lasa izay manana. Izay no anton’ity toko ity. Misy toetra sivy tsara sady lehibe miara-dalàna amin’ny fahavokarana sy fahabetsahana.

Hita ao anatin’ny tenin’Andriamanitra etsy ambony ireo toetra tsara ireo. Ireo no toetra manokana mila ananana hahatonga ny olona hanankarena.Tsy maintsy fantarinao, ampirisihina ary avelanao ho ao anatinao ireo mba hahatonga anao ho izay manana. Ny Baiboly dia mampianatra antsika fa rehefa mahazo toerana ireo toetra ireo dia tsy hisy intsony ny fahantrana, tsy fahavokarana sy ny fahamombana.

Ireto avy ireo toetra tsara ireo: zotom-po, finoana, fahatsaram-panahy, fahalalana, fahononana, faharetana, toetra araka an’Andriamanitra, fitiavana ny rahalahy sy fiantrana. Satria dia tena zava-dehibe ireo toetra ireo dia tsy maintsy mahafantatra zavatra sasantsasany momba azy tsirairay ianao ary mahatakatra ny fomba fiasany.

TOETRA TSARA: ZOTOM-PO

Famaritana ny zotom-po: Ezaka mitohy sy maharitra ataon’ny olona iray mba hamahana olana, handresena zava-tsarotra, hahavitana zava-dehibe.

Zavatra Efatra Tokony Ho Fantatrao Mikasika Ny Zotom-Po

1. Ny zotom-po dia toetra mahatonga ny olona hanan-karena

Ny ankamaroan’ny olona manan-karena dia olona mazoto avokoa.

Ho tonga mahantra ny miraviravy tananaamin’ny asany; fa MAMPANAN-KARENA NY TANANA MAZOTO.

Ohabolana 10:4

2. Ny zotom-po dia mahatonga ny olona ho lasa mpitarika

Ny ankamaroan’ny mpitarika dia manan-karena sy ambinina satria mialoha ireo olona izay tarihiny izy.

Ny tanan’ny MAZOTO HANAPAKA, fa ny malaina dia ampanompoina.

Ohabolana 12:14

3. Ny zotom-po dia toetra anànan’ny olona ka mahatonga azy hanana hevitra izay hitarika azy any amin’ny fahabetsahana sy harena.

NY HEVITRY NY MAZOTO DIA MAMPANAN-KARENA; fa ny maimaika rehetra dia hahantra ihany.

Ohabolana 21:5

4. Ny zotom-po dia toetra mitarika amin’ny fisandratana

Mahita olona mailaka amin’ny asany va ianao? EO ANATREHAN’NY MPANJAKA NO HITSANGANANY, fa tsy hitsangana eo anatrehan’ny olona ambany izy."

Ohabolana22:29

Ao amin’ny tantara, ny zotom-po dia mamorona olona mahomby sy manan-karena. Ny fandinihina akaiky ireo mpitarika, miliônera, sy ny olon’ny fahabetsahana dia maneho miharihary zotom-po miavosa sy asa mafy.Ny tantara nitsanganan’ny KFC dia tranga maneho ny maha zava-dehibe ny fahazotoana.

Ny fomba namoronan’ny zotom-po ny Kentucky Fried Chicken (KFC) ilay fandraharahana malaza eran-tany

Rehefa nisotro ronono Kolonely Harland Sanders tamin’ny faha 65 taonany, dia tsy nanana zavatra haseho raha tsy fiara Cadillac iray, karama fisotroan-dronona 105 $ sy boky fianarana mahandro akoho.

Fantany fa tsy afaka hionona hivelona amin’ny fisotroan-dronony izy, dia noraisiny ny boky fianarana mahandro akoho ka niainga izy sy ny fiarany handeha hamory harena. Ny drafitra noeritreretiny voalohany dia hamarotra fianarana mahandro amin’ireo tompon’ny toerana fihinanana. Ary izy ireo dia hanome azy 5cents isaky ny akoho lafo, ampahany amin’ny vidin’ilay akoho.

Torak’izany ilay faharoa.

Torak’izany ihany koa ilay fahatelo.

Torak’ izany hatrany teo amin’ireo arivo manaraka.

Ny marina, ny dokam-barotra 1008 nataony dia nahazoany fandavana avokoa. Kanefa