NY RENALAN’I MADAGASIKARA (Les Baobabs de Madagascar

)

Ny renala na reniala dia teny Malagasy entina iantsoana hazo mankadiry iray fantatra amin’ny anarana koa hoe “baobab”. Ny teny hoe baobab dia teny senegaly nalaina avy amin’ny teny arabo hoe “bu hibab” izay midika hoe voankazo maro vihy, an-jatony mantsy ny isan’ny vihy ao anatin’ny voan’ny renala iray. Ny Malagasy kosa niantso azy hoe renala na reniala satria toy ny izy no renin’ireo hazo rehetra izay misy noho izy tena lehibe tokoa. Ao anatin’ny fianakaviamben-ny andasonia no misy ny renala. Miisa valo ny karazana reniala eran-tany ary toerana telo ihany no ahitana izany dia Afrika, Aostralia ary Madagasikara. Ny fito amin’izany dia eto Madagasikara avokoa. Ny ankapobeny momba ny renalan’I Madagasikara no andeha horesahina voalohany. Ho hitantsika ao amin’ny tapany faharoa kosa ireo soa azo avy amin’ny reniala.

I.

Ireo renialan’I Madagasikara.

Fito no isan’ny sokajin’ny renala eto Madagasikara ka ny enina amin’ireo dia tsy hita afa-tsy eto Madagasikara irery ihany. 1. Adansonia grandidieri: 30 ka hatramin’ny 40m ny haavony(hauteur),ary 3m ny savaivony(diametre).Any Morondava faritra andrefan’ny nosy no misy azy. Fotsy miendrika lakolosy ny voniny, ary boribory ny voany.

2. Adansonia suarezensis, araka ny anarany dia any Diego Suarez, faritanin’Antsiranana, no ahitana azy. Mitovy amin’ny grandidieri ny voniny saingy lehibebe kokoa.

3.

Adansonia perrieri: mety hahatratra 30m ny haavony, hita any amin’ny faritra avaratr’I Madagasikara. Lavalava ny voa avoakany.

4. Adansonia rubrostipa na koa hoe fony : izy no anisan’ny reniala kely indrindra satria tsy mihoatra ny 5m ny haavony. Miendrika tavohangy ny fotony. Mivonimboasary(orange) ny felany(pétale) sy ny lahimboniny(hétamine), manopy volomparasy kosa ny vavimbony(pistil). Boribory ny voany. Ny « baobab amoureux »ao Belo-sur-Tsiribihina dia anisan’ny rubrostipa.

5. Adansonia madagascariensis iizay hita any amin’ny faritanin’i Mahajanga dia mamelana mena matsoraka mitovy halava amin’ny lahimbony vonimboasary sy vavimbony mena. Boribory kosa ny voany.

6. Adansonia za: mety ho tonga 30m ny haavony, ny sasany koa nefa tsy mihoatra ny 5m.Sahala aminn’ny an’ny rubrostipa ny voniny, lavalava kosa ny voany. Ny renala lehibe indrindra eto Madagasikara izay hita any Ampanihy (Faritany Toliara) dia karazany za, 23,38m ny manodidina ny fotony(circonférence), ary mananika ny 2000 ny taonany.

7. Adansonia digitata : izy ty dia mitovy amin’ireo karazany hita any Afrika. Somary lavalava ny voany. Ilay hitantsika ao amin’ny renivohitr’i Maahajanga izay 21,70m ny manodidina azy, ary efa hahatratra 800 taona.

8. Adansonia gibbosa no tokana tsy hita eto Madagasikara fa any Astralia no misy azy.

Marihina fa mitombo ny haben’ny foton’ny renala rehefa amin’ny vanim-potoanan’ny orana. Telo ka hatramin’ny enim-bolana isan-taona ihany no ahitana raviny, ary tsy misy afa-tsy iray volana amin’izay no mamelana izy. Mamoa mandritra ny volana maro kosa nefa izy, maitso ny lokon’ny voa tanora ary miha-volontany(marron) izany rehefa mihamatoy, voloina ny hodiny. Volana novambra na janoary no mamony ny renala eto Madaagasikara. Miovaova araka ny endriky ny voniny ny fomba fitsirian’ny renala(reproduction), raha mihoaka toy ny an’ny digitata ny voniny dia ny fanihy(chauvesouris) no mampitsiry azy, raha mitraka kosa ny voniny dia ny gidro(lémurien) na ny lolo mpivoaka amin’ny alina(papillon nocturne) no miantoka ny fitsiriany. Mandritra ny alina mantsy ny famonin’ny renala, manomboka misokatra ny voninkazony amin’ ny faran’ny tolakandro ary mihintsana rehefa ho tonga ny maraina. Mety ho velona hatramin’ny 5000 taona ny renala iray.

II. Ny soa azo avy amin’ny reniala. Azo ampiasaina avokoa ny faritra rehetra amin’ny renala. Mety hahazoana sakafo toy ny tantely, holatra(champignon), ravintoto. Na koa akàna akora fanaovana fanaka sy fitaovana isan-karazany na atao fanafody koa. Santionany ammin’izany ihany no andeha hotanisaintsika. 1. Ny fotony(tronc): ny hodi-kazo nototoina dia mahatsara hoditra rehefa ahosotra. Ataon’ny olona tafo koa izany na kikisana hanjary tady. Ny any amin’ny faritra maina toy ny any atsimo dia misy ny mandoaka ny fotony mba hahazoana rano. Mitahiry rano 300 hatramin’ny 500 taonina ny fototra renala lehibe iray. Rehefa kikisana ny hodin-kazo dia hahazoana seva(sève) hanaovana rihitra(pâte) fanamboarana taratasy. 2. Ny raviny(feuille) dia misy manao ravintoto. Ao koa ny mampangotraka azy mba hahazoana tambavy noho ny ravinybe vitamina A, prôteina, sira mineraly toy ny kalisiôma, maneziôma,

vy, pôtasiôma, manganezy, fôsfôro, zinc. Azo atao sakafo ho an’ny omby koa amin’ny fotoanan’ny hain-tany. Any afrika dia afangaron’ny olona amin’ny lasaosy isan-karazany na koa amin’ny “cereales” ny raviny nohamainina. 3. Ny voniny(fleur), fakàn’ny tantely maminy hahazoana tantely tena tsara karazana. 4. Ny voany(fruit), azo hanaovana ranom-boankazo sady manala hetaheta no mahasalama. Ny nofony dia be kira(fibre) sy vitamin ary sira mineral sy fôsifôro, ary mitahiry kalisiôma in-telo avo heny noho ny ronononomby. Misy manao menaka koa ny voany. 5. Ny vihiny(graine) izay betsaka vitamina E dia azo hanina maina toy ny voanjo na atono atao solon-kafe. Misy koa ny manodina (transformer) azy ho savony. Ary tena zezika tsara ho an’ny zava-maniry koa ny vihiny. Mety tsy dia heverintsika koa nefa tena zava-dehibe ho an’ny hafa ny fialokalofana eo ambaniny sy ny finoan’ny sasany ny vintana ateraky ny “baobab amoureux” ho an’ireo mpifankatia.

Eto am-pamaranana dia tsaara ny mampatsiahy fa noho ny fiovan’ny tontolo iainana erantany ary indrindra ny fanimbana ny ala misy eto Madagasikara dia anisan’ny zava-maniry miha-lany tamingana ny reniala. Raha ny voka-pikarohana nataon’ny manam-pahaizana dia tsy nisy zanaka reniala naniry intsony ny faritra maro eto Madagasikara tao anatin’ny 300 na 400 taona. Adidintsika tanora Malagasy ankehitriny no mitady vahaolana iarovantsika ity harem-pirenentsika ity.