You are on page 1of 127

Ny Fiangonana Mpandresy

Tarafina amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly

A.L. & J. Gill

Qqq.gillministries.com

Ireo boky ao amin’ity Sokajy ity

Ny Fahefan’ny Mpino

Ahoana no handresena ka tsy ho resy intsony

Ny Fiangonana Mpandresy

Tarafina amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly

Ny Famatsin’Andriamanitra ho amin’ny Fanasitranana

Mandray sy Mizara

Ny Herin’ny Fanasitranan’Andriamanitra

Ireo fanomezam-pahasoavana ao amin’ny Asa Fanompoana Apostoly, Mpaminany, evanjelistra,Mpitandrina, mpampianatra

Fiderana sy Fiankohofana

Tonga Mpidera an’Andriamanitra

Fahagagan’ny Filazantsara Ny Drafitr’Andriamanitra Hanatrarana Izao Tontolo Izao

Modeli-piainana Ao amin’ny Testamenta Taloha

Endriky ny Olom-baovao

Mahafantatra hoe Iza mo ianao ao amin’i Kristy

Ny Fiainana tsy takatry ny saina

Amin’ny Alalan’ireo Fanomezan’ny Fanahy Masina

Ireo Mpanoratra

A.L. sy Joyce Gill dia fanta-daza maneran-tany amin’ny maha Mpandaha-teny sy Mpampianatra Baiboly azy. Ny Asa Fanompoana Apostolikan’i A.L. dia nitondra azy tany amina firenena maherin’ny dimampolo maneran-tany, nitory teny mivantana tamina vahoaka iray hetsy mahery sy tamina vahoaka antapitrisany maro tamin’ny alalan’ny Haino Aman-jery.

Maherin’ny roa tapitrisa ireo Boky sy Asa Sorany lafo any Etazonia. Ampiasaina any amina Sekoly Ara Baiboly sy Seminera maneran-tany ireo bokiny izay voadika amina Fitenim-pirenena

maro.

Ny

Fahamarinan’ny

Tenin’Andriamanitra

izay

manova

fiainana

dia

tonga

any amin’ny

fiainan’ny hafa amin’ny alalan’ny toriteny, fampianarana, asa soratra , horonan-tsary ary

horonam-peo.

Ny fanehoana ny voninahitra sy ny herin’Andriamanitra mahatalanjona ao amin’ireo seminera ataony amin’ny alalan’ny fiderana sy fiankohofana rehefa takatry ny mpino ny fomba hananana fifandraisana akaiky sy fiankohofana marina miaraka amin’ny Tompo. Maro ireo nahita seha- pandresena vaovao sy faharisihana tamin’ny alalan’ny lesona momban’ny fahefan’ny Mpino.

I Gill mivady dia nanofana kristiana maro hiditra ao amin’ny asa fanompoana mahatalanjona avy amin’Andriamanitra miaraka amin’ny herin’ny Fanasitranan’Andriamanitra manasitrana amin’ny alalan’ny tànany. Maro ireo nianatra ny tsy handeha araka ny lalàn’ny natiora rehefa afaka ka hiasa ao amin’ireo fanomezam-pahasovana sivin’ny Fanahy Masina any amin’ny asa fanompoany sy ny fiainany an-davan’andro.

I A.L sy Joyce dia samy manana marim-pahaizana “maitrise” amin’ny Teknolojia. I A.L ihany koa dia manana “doctorat” amin’ny Filozofia Teolojika tao amin’ny “Visiona Christian University”. Ny Asa fanompoan’izy ireo dia manana fototra mafy eo abonin’ny Tenin’Andriamanitra, mifantoka amin’i Jesosy, matanjaka amin’ny finoana, ary ampianarin’ny Herin’ny Fanahy Masina.

Ny Asa fanompoany dia fanehoana ny Fitiavana ao am-pon’Andriamanitra. Ny toriteniny sy ny fampianarany dia arahan’ny hosotra mahery, famantarana, fahagagan’ny Herin’Andriamanitra.

Ireo izay manatrika ny fivoriana ataony dia mahatsapa fifohazam-panahy anisan’izany ny hosotry ny fifaliana, fitomaniana eo anatrehan’ny Tompo ary ny asa lehiben’ny hery sy ny voninahitr’Andriamanitra

.

Teny Ho an’ireo Mpampianatra sy ireo Mpianatra

Hoy Jesosy : » Haoriko ny fiangonako, ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy. »

Ity fandalinana ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ity dia maneho io Fiangonana io miasa ho modely ho an’ny fiainantsika sy ny asa fanompoantsika ankehitriny. Izy ity dia hanetsika ny mpianatra ka hitarika azy ho amin’ny seha-piainana mahatalanjona, amin’ny alalan’ny famantarana sy fahagagana mitranga eo amin’ny fiainany andavanandro.

Mialohan’ny ampianarano ity lesona ity, izahay dia manoro anao mba hamaky tsara ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ambara-pahavonto tsara ny fanahinao. Ilaina koa ireo mpampianatra mba hianatra ireo Epistily ao amin’ny Testamenta Vaovao satria misy ifandraisan’izy ireo amina tranga, toerana, olona, sy fahamarinana hita ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly.

Arakaraky ny hafantaranao ireo fahamarinana sy fomba fiainana, ary ny modelin’ny asa fanompoana ampitain’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly no hifindran’izany fahamarinana izany ho ao amin’ny fanahinao. Noho izany ity boky ity dia hanome anao ny drafitra harahana hampitana izany fahamarinana izany amin’ny hafa.

Tsy misaraka amin’ny mpampianatra mahomby ny fijoroana vavolombelona. Tsy nijoro vavolombelona ny mpanoratra mba hafahan’ny mpampianatra manovo fanoharana avy amin’ny traik’efany manokana, na avy amin’ireo olon-kafa izay azon’ny mpianatra alain-tahaka.

Tsy azo adinoina velively fa ny Fanahy Masina no tonga mampianatra antsika ny zavatra rehetra, ka rehefa mianatra isika , na mampianatra, dia mila hatrany mahazo fahafahana sy tari-dàlana avy amin’ny Fanahy Masina.

Ity boky ity dia natao ho an’ny fianarana manokana na iarahana, ireo Sekily ara-Baiboly, sekoly Alahady ary ny vondrom-bavaka ao an-tokatrano. Ilaina manana ity boky ity ny mpampianatra sy ny mpianatra mandritra ny fianarana.

Ny boky misy fanamarihana, fehezanteny voatsipika izay nosaintsainina sy notadidina tsara no tsara indrindra. Misy toerana navela ho anareo mba hanaovanareo fanamarihana manokana. Nasina fanoroam-pejy koa ny boky mba hitadiavanareo haingana ny andinin-tsoratra Masina. Io endriny manokana io dia afahan’ny olona rehetra izay nianatra ity boky ity mampianatra ny hafa.

Hoy Paoly tamin’i Timoty:

“Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoly, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.” 2 Tim 2:2

Ity fampianarana ity dia natao toy ny fampiharana mivantana ao amin’ny fampianarana ara- baiboly ao amin’ny Minisiteran’ny Asa Fampandrosoana,fomba manokana natao ho any fampianarana voarindra. Io dia voatokana hanatsarana ny fiainana, ny asa fanompana, ary ny fampianaran’ireo mpianatra amin’ny ho avy. Amin’ny alalan’ity boky ity, afaka mampianatra ny hafa mora foana ireo mpianatra teo aloha.

Famoroam-pejy

Lesona 1

7

Ny fiandohan'ny Fiangonana

Lesona 2

144

Ny Fampanantenana ny hery

14

Lesona 3

22

Ny fahatongavan’ny Fanahy Masina

Lesona 4

288

Ady noho ny Anaran’i Jesosy

28

Lesona 5

377

Ny Planin’i Jesosy ho an’ny FiangonanaError! Bookmark not defined.

Lesona 6

511

Ohatra ho an’ny vanim-potoana ankehitriny

Lesona 7

59

Petera Zozoro

Lesona 8

70

Petera Vato

Lesona 9

800

Ny Fahafatesana no hahazoako tombony

80

Lesona 10

88

Evanjelsira Filipo

Leson a 11

944

Ny fiovam-pon’i Saoly

Lesona 12

1033

Ny Asa fanompoana sy ny fahafatesan’i Paoly

Lesona 13

1177

Isika no Fiangonana Mpandresy Tsy misy Famaranana

126

Dikan-tenin’i Jacqeline Harrison(Lesona 1,2,6-13) sy Christine Stiff (lesona 3-5)

FIZARANA I

NY FAHATERAHAN’NY FIANGONANA

Lesona 1

Ny Fiandohan’ny Fiangonana

FAMPIDIRANA AO AMIN’NY BOKIN’NY ASAN’NY APOSTOLY

Fizarana roa

Ny Fiandohan’ny Fiangonana dia voafaritra ao amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly. Izay no mahatonga ity lesona ity mifantoka amin’ny fianarana io boky io. Io boky io dia azo omena anarana hoe; « Asan’ny Apostoly tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.” Na koa, “Ny Asan’ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ireo Apostoly. » Tsy ho vita ny hianatra ny fiandohan’ny Fiangonana na ny bokin’ny Asan’ny Apostoly raha tsy fantatra aloha hoe Iza ny Fanahy Masina. Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia tsy tokony hianarana toy ny boky tantara tsotra, fa boky mirakitra ny planina sy ny tanjon’Andriamanitra ho an’ny Fiangonana ankehitriny.

Tsara ny mampahatsiahy fa i Paoly dia nitory ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy tamin’ny Efesiana. Tsara ihany koa ny mahatakatra ny fomba nampahafantarany izany, satria io dia modelin’ny Fitoriana Filazantsara ankehitriny. Tsy niova modely na fomba fiasa Andriamanitra. Mila mitady fomba hanatrarana ireo manodidina antsika sy izao tontolo izao isika toy ny nataon’ireo Mpianatra voalohany.

Mpino

Mitovy

voalohany.

ny

hery

azontsika

sy

ny

nomena

ireo

Azo zaraina roa ny bokin’ny Asan’ny Apostoly.

Toko

1

ka

hatramin’ny

12

Petera

sy

ny

Asa

Fanompoany. Petera Apostolin’ny Jiosy

 

Toko

13

ka

hatramin’ny

28

Paoly

sy

ny

Asa

Fanompoany Paoly Apostolin’ny Jentilisa.

Ireo Apostoly Voalohany

Maro ireo voalaza ao amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly izay hianarantsika sy halaintsika tahaka mba hanaovantsika ny asa fanompoantsika ankehitriny:

Petera

Stefana

~ 7 ~

Filipo

Paoly

TANTARAN’NY BOKIN’NY ASAN’NY APOSTOLY

Fiangonana Fito Lehibe

Ireo Fiangonana fito lehibe voalaza ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia tany amin’ny faritr’i Turquie amin’izao fotoana izao. Ivelan’io faritra io no nisy ny fiangonan’i Jerosalema sy Antiokia.

Lioka , Mpanoratra

I Lioka no nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, Mpitsabo Grika avy any Antiokia. Izy no hany Jentilisa nanoratra boky ao amin’ny Testamenta Vaovao. Arak’izany, ny asa sorany dia vokatry ny fikarohana mikasika ireo tantara, am-bava na an-tsoratra momba an’I Jesosy. Toa I Lioka no Mpahay Tantaran’ny Fiangonana voalohany indrindra.

Lioka 1: 1- 4 Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin’ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin’ny voalohany: dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao. Tsy nanoratra mikasika azy manokana i Lioka. Fantatsika fa niaraka tamin’i Paoly tamin’ny làlana sasany nalehany i Lioka, ary tamin’izany no nanoratany ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ka izany no nahatonga azy hiteny hoe « izahay »

Asan’ny Apostoly 16 : 10 Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin’izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny Filazantsara amin’ny olona any. Fantatsika fa Mpitsabo i Lioka:

Kolosiana 4: 14 Manao veloma anareo Lioka malala, Mpanao fanafody, sy Demasy. Nisy fotoana i Lioka irery sisa no niaraka tamin’i Paoly fa niala avokoa ny hafa rehetra.

2 Tim 4: 11a Lioka ihany no ato amiko.

~ 8 ~

Ny Fotoana Nanoratana

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia nosoratana manodidina ny 63-65 A.D, ary mirakitra asa fanompoana nandritra ny 30 taona. Ity fianarana ity dia tsy manome fampianarana feno sy mahafapo ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, fa izy dia mifantoka amin’ny fiadohan’ny Fiangonana sy ny fampianarana azontsika sintonina ho an’ny Fiangonana ankehitriny.

NY NITENENANA VOALOHANY NY TENY HOE « FIANGONANA »

Ny teny hoe « Fiangonana » dia hita voalohany indrindra ao amin’ny baiboly fony Jesosy niresaka tamin’ireo Mpianany tany Kaisaria-filipo. Matio 16: 18 Ary izao milaza aminao koa: Ianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy. Vao avy nanao ny fanekem-pinoany Petera: « Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra Velona. » Avy eo Jesosy niteny hoe amin’ny fahamarinana, eo ambonin’io vatolampy io no hanorenany ny Fiangonany. Jesosy dia tsy niresaka Fiangonana voalohany avy eo Fiangonana manaraka, fa Fiangonana iray ihany. Zavatra roa no noamafisiny momba izany. Voalohany indrindra, Izy Tenany no hanorina azy. « Haoriko ny fiangonako. » Faha roa : « Ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy. » Ny vavahadin’ny helo izay nambaran’i Jesosy dia ireo fanapahan’i satana. Hoy Jesosy hoe haoriny ny Fiangonany ary satana tsy hahavita hamotika izany. Ny Fiangonana izay haorin’I Jesosy dia Fiangonana matanjaka sy mpandresy.

Tantaran’ny Fiangonana

Ireo toko 28 ao amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mitantara tranga maro teo anivon’ny Fiangonana izay nolazain’i Jesosy fa haoriny, mikasika ny Fanahy Masina. Ny sori-dàlany Ny Tanjany Ny Toerany Ny Tanjony (hafahan’ny mpino manatontosa ny Iraka Lehiben’i Jesosy »)

Matio 28:19 Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny Anaran’i Ray sy ny zanaka ary ny Fanahy Masina.

~ 9 ~

NY « IRAKA LEHIBE »

Tsy nampianatra ny mpianatra zavatra tsy ho vitany Jesosy. Mialohan’ny nandaozany ity tany ity, Jesosy dia nanome azy ireo ny toromarika farany izay antsoina hoe “Iraka Lehibe” ao amin’ity lesona ity.

Marka 16: 15 ary hoy Izy taminy: mandehana any amin’izao tontolo izao, ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Ary Izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ny Anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tànana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny. Jesosy nampianatra ny mpino mba handeha ho any amin’izao tontolo izao hitory ny Filazantsara. Niteny Jesosy fa izay mino ny Anarany dia harahin’ny famantarana izay manamarina ny teniny.

Marka 16:20 Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitoriteny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ny famantarana izay nomba azy. Tsy niova ny planin’ny Tompo. Ankehitriny koa izy dia mbola mangataka antsika mba handeha ho any amin’izao tontolo izao hitory ny Filazantsaran’I Jesosy Kristy amin’ny olombelona rehetra. Mila mino isika fa hanaraka antsika ihany koa ireo famantarana sy fahagagana ireo noho ny Anarany. Ny « ZAVATRA REHETRA » ho an’ny fandresentsika

Matio 28: 18-20 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe:

Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra manao batisa azy ho amin’ny anaran’i ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo. Ary indro; Izaho homba anareo mandrakariva ambara- pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Manana ny fahefana rehetra Jesosy Amin’ny alalan’izany fahefana izany, isika dia nantsoina hanao mpianatra ny firenena rehetra Mila ampitaintsika aminy izay rehetra nampianarina antsika Mombatsika hatrany Jesosy, amin’ny toerana rehetra, ankehitriny ambara-pahatogan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Miaraka amin’ny tanjona hanambara ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra eto ambonin’ny tany.

~ 10 ~

NY FAMPAHAFANTARANA NY FANAHY MASINA

Jesosy dia hanorina Fiangonana matanjaka izay tsy ho resin’i satana ka izany no antony maha zava-dehibe ny tokony halalana tsara ny modelin’ny fiandohan’ny Fiangonana. Mba hatakarana ny fivelaran’ny Fiangonana, dia ilaina ny mahafantatra ny antony mahatonga ny Fanahy Masina ho ety an-tany ankehitriny.

Mpanolo-tsaina

Nilaza Jesosy fa tsara ny fialany mba hatongavan’ny Fanahy Masina:

Jaona 16:7 Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialako; fa raha tsy hiala Aho dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho; dia hirahiko ho aty aminareo Izy.

Ilay Mpandresy Lahatra

Jaona 16 : 8-11 Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana : ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy ; ny fahamarinana, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo ; ny fitsarana, satria ny andrianan’izao tontolo izao dia efa voatsara.

Ilaina eo amin’ny fiainantsika

Jesosy dia niteny mba hiandry ny filatsahan’ny herin’ny Fanahy Masina eo amintsika mba ho vavolombelony isika eo an-tànanatsika, ny manodidina antsika, ary hatrany am- paran’ny tany.

Asan’ny Apostoly 1 : 4, 5,8 Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an’i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ny ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy ; fa jaona nanao batisa tamin’ny rano ; fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.

Fanehona ny Telo Izay Iray

Mampianatra antsika momba an’Andriamanitra Ray ny Testamenta Taloha. Amin’ny fianarana ny Testamenta Vaovao, isika dia mahita ny asan’ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Ao amin’ireo Filazantsara dia naseho tamintsika ny olona faha roa amin’ny Trinite: Jesosy; Ilay Zanaka Lahy Jesosy Ilay zanaka Lahy dia naneho ialy olona faha telo: Ny Fanahy Masina. Ny fianarana ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mitarika antsika hahalala bebe kokoa ny Fanahy Masina.

IREO ASAN’NY FANAHY MASINA

Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa ; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. Izay rehetra ananan’ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.

Hanome voninahitra an’i Jesosy

Jaona 16: 14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.

Mampianatra sy Mibaiko

Asan’ny Apostoly 1:2 hatramin’ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidian’ny tamin’ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny.

Asan’ny Apostoly 8:29 Dia hoy ny Fanahy tamin’i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin’io kalesy io.

Asan’ny Apostoly 10:19 fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao

ary

mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala fa Izaho no naniraka azy.

Asan’ny Apostoly 10:21 Ary Petera nidina tany amin’ireo olona ireo ka nanao hoe : inty aho izay tadiavinareo ; inona no anton’ny ahatongavanareo aty ?

;

Asan’ny

Apostoly

10:20

fa

mitsangana

ianao,

dia

midina,

Manavaka sy Maneho

Asan’ny Apostoly 13:2 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Tompo sy nifady hanina ire, dia hoy ny Fanahy Masina: atokany ho ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.

Mampahery sy Mampirisika

Asan’ny Apostoly 9:31 dia nanam-piadanana ny Fiangonana eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nadeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo sy fampirisihan’ny Fanahy ka niahamaro.

Manome Hery Mba ho vavolombelona

Asan’ny Apostoly 1:8 fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloka any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany Mba hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra

Asan’ny Apostoly 2:4 ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.

Mba hahazona nofy sy fahitana

Asan’ny Apostoly 2:17 Ary amin’ny andro farany, hoy Andriamanitra no handatsahako ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra; ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, ary ny zatovonareo hahita fahitana ary ny lahiantitrareo hanonofy.

~ 12 ~

Mba haminany

Asan’ny Apostoly 2:18 Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, dia handatsahako ny fanahiko amin’izany andro izany, ka dia haminany izy.

FANONTANIANA HO VALIANA

1. Inona no lesona tsara ho tadidina indrindra ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Ahoana no fomba tokony hianarana azy ?

2.Midika inona ny hoe « Iraka Lehibe » ? Tanisao ireo zavatra ilaina tadidina

3. Manomeza anjara asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’ny mpino, telo fara fahakeliny

~ 13 ~

Lesona 2

Ny Fampanantenana ny Hery

HERY INONA ?

Feno ny Fanahy Masina Jesosy ary izy nampanantena io Hery io ho an’ireo mpino.

Jaona 16:7 Fa Izaho mialaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialako; fa raha tsy hiala Aho dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo izy.

Asan’ny Apostoly 1:8 fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloka any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany

Ny loharanon’izany hery izany

Jeosy dia nampanantena fa handefa io Fanahy Masina io, izay loharanon’ny heriny, nandritra ny fandalovany tety ambonin’ny tany.

Romana 8:11 Ary raha ny Fanahin’izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jeosy tamin’ny maty no hamelona ny tenananreo mety maty amin’ny fanahiny; Izay mitoetra ao anatinareo. Nampanantena Jesosy fa handray izany hery izany koa isika ka ho afaka ny hanao zavatra mitovy amin’ny nataony:

Jaona 14:12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany azany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray.

Ny Hery Mampandresy

Ny mpino tsirairay avy dia tonga singa iray manandanja ao amin’ny Fiangonany, ary amin’ny maha mpikambana azy ao, izy dia mila fenoina ny Herin’ny Fanahy Masina mampandresy.

Matio 16: 18 Ary Izaho milaza aminao koa: Ianao no Petera, ary eo ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy.

Ny Herin’ny Fanahy Masina

Raha te handresy eo amin’ny fiainana tahaka an’i Jesosy koa isika, dia mila mandà tsy hiaina araka ny herintsika manokana. Jesosy namepetra mafy ny mpianany mba hiandry ny Herin’ny Fanahy Masina.

Asan’ny Apostoly 1:4 Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an’i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray, izay efa renareo tamiko.

~ 14 ~

Izany Hery Izany ihany

Nanontany ireo mpino tao Efesosy i Paoly raha toa ka efa noraisin’izy ireo ny herin’ny Fanahy Masina tamin’ny fotoana nanekeny an’i Jesosy Kristy ho mpamonjy azy ireo, na nanomboka tamin’izay fotoana izay. Io hery io ihany no ambara eto.

Asan’ny Apostoly 19: 2,6 Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo ? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.

Ary rehefa nametrahan’I Paoly tànana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina ary niteny tamin’ny teny tsy fantatra izy sady naminany.

Mila ny Herin’ny Fanahy Masina avokoa ny mpino rehetra. Jesosy sy ireo mpino voalohany dia nila izany Hery izany. Isika ihany koa dia mila ny Herin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika ankehitriny.

JESOSY NO MODELY HO ANTSIKA

Mila fantarina ny fomba niasan’ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’i Jesosy mba hafantarana ny fomba fiasany tamin’ny alalan’ireo olon’ny Testamenta Vaovao, sy ny fomba tiany hiasana amin’ny alalantsika ankehitriny.

.

Nohosoran’ ny Fanahy Masina

Asan’ny Apostoly 10: 38 izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy. Jesosy dia modely ho an’ny mpino eo amin’ny sedra rehetra. Izy no modelintsika amin’ny:

mpampianatra – Ny batisan’ny rano mpanompo – Ny fakampanahy mpitarika – Ireo fifandraisana manokana mpiandry tsara – fandrindrana ny laharam- pahamehana mpanasitrana – ireo fijoroana vavolombelona mpitantana – Ny fanekena ny fahefana ny fanenjehana ny fahafatesan’ny tena ny fanetre-tena ny fangoraham-po ny fitiavana ny fahatezerana ara-drariny ny fampifalifaliana ny alahelo

~ 15 ~

Jesosy no modelintsika amin’ny sehatra rehetra ary isika dia nohosoran’ny Fanahy Masina tahaka Azy.

Mba hitory sy hanasitrana

Lioka 4:18,19 Ny Fanahin’i jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy ; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy,sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana, hitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah. Tahaka an’i Jesosy, isika dia mila miasa miaraka amin’ny Herin’ny Fanahy Masina. Jesosy dia modely ho an’ireo mpianany tamin’ny nihetsehany niaraka tamin’izany Hery izany. Talohan’ny nianaran’izy ireo avy tamin’ny fampianarany dia nianatra avy tamin’ny asany aloha izy.

Asan’ny Apostoly 1:1 Ry Teolofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay nataon’i Jesosy sy nampianariny. Ohatra tonga lafatra ho antsika Jesosy, satria olombelona Izy no nanao ireo asa ireo teny an-tany fa tsy tamin’ny maha Andriamanitra Azy. Tena olombelona nofo aman-dra Izy no sady Andriamanitra ihany koa. Nofohanan’Andriamanitra ny Tenany

Filipyna 2 : 5-7 Aoka ho ao aminareo izao saina izao izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofohanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona. Ny Fahefana, fanapahana sy fanjakana rehetra misy eto an- tany dia nomena ny lehilahy sy ny vehivavy fony Andriamanitra namorona an’i Adama sy Eva. Hazonin’Andriamanitra ny fahefany sy ny fanjakany amin’ny voary rehetra. Fa kosa, nomeny fahefana feno eto an-tany i Adama sy Eva.

Genesisy 1 :26 ;28 Ary Andriamanitra nanao hoe : andeha Isika hamorona olona tahaka ny endrintsika ,araka ny tarehintsika ;ary aoka izy hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany.Ary Andriamanitra nitsodrano azy hoe :Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany ,ka mampanompoa azy ;ary manjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany. Raha toa ny anton-dian’i Jesosy ka haka izany fahefana izany, izay nangalarin’i satana, ka hamerina azy indray amin’ny olona ; dia tsy maintsy manao ny asany amin’ny maha olona azy Izy fa tsy amin’ny maha Andriamanitra Azy.Noho izay antony izay, sy mba hafahany misolo tena antsika marina, dia tonga teto an-tany ho olona Izy, « Ilay Adama Farany. »

~ 16 ~

Tonga Adama farany sy zanak’olombelona Izy

1 Korintiana 15:45 Ary arak’izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manana aina; Adama farany, natao fanahy mahavelona. Jesosy dia nanana fahefana tety ambon’ny tany satria Izy dia « zanak’olona »

Jaona 5:25-27 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona. Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy; ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’olona. Tamin’ny maha « zanak’olona » Azy, ilay « Adama Farany » ary satria koa natao ho olona Izy ka namoy ny zony sy ireo tombontsoany rehetra amin’ny maha Andriamanitra Azy, dia tonga ohatra tonga lafatra Jesosy. Tsara ny manamarika fa tsy nisy fahagagana nitranga teo amin’ny fiainan’i Jesosy olombelona talohan’ny nandraisany ny Herin’ny Fanahy Masina. Arak’izany, Jesosy, ilay modely tsara indrindra, dia nila izany Hery izany. Tena mila mandray izany Hery izany eo amin’ny fiainantsika isika.

Tsy nanao na inona na inona ho Azy Jesosy Nilaza Jesosy fa tsy afaka nanao zavatra tamin’ny alalan’ny tenany manokana Izy.

Jaona 5:19 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe; Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, Ny Zanaka dia tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no aton’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka.

Nohosoran’ny Fanahy Masina

ny

sitrapon’Andriamanitra:

Lioka 4:18 Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy,sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana, hitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah.

Asan’ny Apostoly 10:38 Izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehadeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.

Ny Fanahy Masina, Mpanao fahagagana Tsy voatery ho hita maso eo Jesosy vao afaka ny hanao fahagagana. Io Fanahy Masina izay nanosorana an’i Jesosy io dia eo amintsika koa ankehitriny mba hanome fahefana feno ny mpino.

Nohosoran’ny

Fanahy

Masina

Jesosy

mba

hamita

~ 17 ~

Jaona 14:12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray. Jesosy dia nampanantena ireo izay mino Azy fa, rehefa mankany amin’ny Ray Izy, dia handefa ny Fanahy Masina ho an’izy ireo. Izy ihany koa dia niteny fa rehefa mahazo ny Fanahy Masina izy ireo, dia ho tonga vavolombelony, hanao asa mitovy amin’izay nataony tao amin’ny Herin’ny Fanahy Masina. Jesosy voafetran’ny tsy fahampian’ny finoan’ireo

Marka 6:1-5 Ary niala teo Izy ka tonga tany amin’ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany. Ary rehefa tong any sabata, dia nampianatra ato amin’ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: taiza no nazahoan’ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon’ny tànany izao? Tsy ilay mpandrafitra zanak’I Maria, ary ny rahalahin’I Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy ety amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy Iizy. Fa hoy Jesosy taminy, tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin’ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany. Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin’ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy. Vahoaka maro no nanatrika teo, maro ireo izay nila fanasitranana. Nefa vistyy foana no nositranin’I Jesosy. Inona no antony? Vokatry ny tsy finoana. Miasa amin’ny alalan’ny Finoana ny Fanahy Masina! Noho izany Izy dia notarihin’ny Fanahy Masina hankany amin’ny olona izay nanana finoana. Maro ankehitriny no tsy mahomby amin’ny famitana ny asan’i Jesosy. Tsy nandray ny Herin’ny fanasitranana izay nananan’I Jesosy izy ireo vokatry ny tsy fahampian’ny finoany.

BOKIN’NY ASAN’NY APOSTOLY TOKO VOALOHANY

Teny fikasana Voalohany

Ao amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly toko voalohany dia misy teny fikasana roa. Ny iray voalohany dia mikasika ny fahatongavan’ny herin’ny Fanahy Masina. Tsara ny manamarika fa i Lioka dia nanomboka ny bokin’ny Asan’ny Apostoly tamin’ny fihafaran’ny asa fanompoan’i Jesosy tety ambonin’ny tany.

Lioka dia mifarana amin’ny tenin’i

Jesosy:

Ny

Filazantsaran’i

Lioka 24:49 Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo; fa mitoerà eto an-tànana mandra-panafy anareo hery avy any amin’ny avo.

~ 18 ~

Manomboka amin’io teny io koa ny bokin’ny Asan’ny Apostoly.

Asan’ny Apostoly1 :4,5 Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra Azy tsy hiala an’i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy ; fa Jaona nanao batisa tamin’ny rano ; fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny Fanahy Masina rehefa afaka andro vitsivitsy. Dia notohizany:

Asan’ny Apostoly 1 :8 Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.

Teny Fikasana faha roa

Ny teny fikasana faha roa dia mikasika ny fiverenan’i Jesosy ety an-tany. Nandritra ny vanim-potoan’ny Fiangonana, ny mpino dia niandry sy nanantena ny fiverenan’i Jesosy tety ambonin’ny tany.

Asan’ny Apostoly 1:10, 11 Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ny nandehanan’i Jesosy, indreo nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, izay nanao hoe: ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra. Ao amin’io toko voalohany io ihany, eo amin’ny andininy faha 8, Jesosy dia nampanantena antsika ny herin’ny Fanahy Masina mba ho vavolombelona mandresy ety an-tany isika. Ao amin’ny andininy faha 2, isika dia nampaherezina amin’ny fampanantenana ny amin’ny fiverenan’I Jesosy.

Ny Fihafaran’i Jodasy

Raha teo ampiandrasana ny fahatongavan’ny Fanahy Masina ny mpino, Petera dia niresaka ny amin’i Jodasy mba hanaporofo ny fahatanterahan’ny faminaniana hatramin’ny fahafatesany.

.

Asan’ny Apostoly 1:20 Fa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe:

Aoka ho lao ny fonenany, ary aoka tsy hisy olona honina ao. Ny Fiangonana voalohany dia tsy nandefitra na niray petsapetsa tamina fahotana. Tokony ho toy izany koa isika ankehitriny. Tsy nilana fepetra ara-pitsipi-pifehezana ny zavatra nataon’i Jodasy sady izy rahateo dia efa nitsara ny tenany. Tohin’ny famakiana ny faminanian’i Davida, nankatoa ny Teny ny rehetra ka nisy Apostoly iray hafa nofidina hisolo an’i Jodasy. Andriamanitra irery no afaka mifidy Apostoly. Izany no nahatonga ny safidy ho olona roa tamin’ny voalohany, ary nangataka tamin’Andriamanitra izy ireo mba hifidy izay tena izy marina raha nanao ny filokana.

~ 19 ~

Voafidy i Matia

Asan’ny Apostoly 1:23-26 Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia. Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Ianao, Tompo ô, izay mahalala ny fon’ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin’izy roa lahy ireto, mba hahazoany anjara amin’izao fanompoana sy ny maha-Apostoly izao, izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany. Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin’i Matia ny filokana ary izy no lany ho isan’ny Apostoly iraika ambin’ny folo lahy.

NY ANTON’NY NAHATONGAVAN’NY FANAHY MASINA

Hanao batisa

Hanome Fahefana feno

Ny Fanahy Masina dia manao batisa antsika amina fofon’aina iray mba ho tonga tena iray: ny tenan’i Kristy.

1 Korintiana 12 :13 fa fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray,na Jiosy na Jentilisa,na andevo na tsy andevo ;ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.

ny fanahin’ny mpino tsirairay ho

fonenany Izy.

1 Korintiana 6:19-20 Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Ka tsy tompon’ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.

Tonga

mba

hanao

Tonga hanome fahefana feno ho an’ny mpino Izy:

Asan’ny Apostoly 1:8 Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo; ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.

Mpanazava

Manazava ny mason’ny fon’ny mpino Izy.

Efesiana 1: 17-23 Mba homen’Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ny fahalalana Azy tsara, ary mba hampahiratana ny mason’ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin’ny fiantsoany sy izay harenan’ny voninahitry ny lovany eo amin’ny olona masina, ary ny fihoaran’ny halehiben’ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiasan’ny herin’ny faherezany,.

Manangana amin’ny maty

Izay nataony tao amin’i Kristy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin’ny tànany an-kavanana any an- danitra, ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany , fa amin’ny ho avy koa, dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy ka nanao azy ho

~ 20 ~

lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny Fiangonana, izay tenany dia ny fahafenoan’izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ny rehetra.

FANONTANIANA HO VALIANA

1.

Inona avy ireo teny fikasana roa lehibe voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko voalohany ?

2.

Mba hamitana karazana asa toa inona no nandraisan’ny mpino fahefana feno amin’izao androntsika izao ?

3

Milaza zavatra efatra izay ataon’ny Fanahy Masina eo amin’ny mpino.

~ 21 ~

Lesona 3

Ny Fahatongavan’ny Fanahy Masina

NY BATISAN’NY FANAHY MASINA

Asan’ny Apostoly 2:1-4 Ary nony tonga ny andro pantekosta, dia teo amin’ny fitierana iary izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra-toy ny rivotra mahery nifofofofo ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy izay nizarazara; ary nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.

.

Fiteny tsy fantatra

Ny fiteny tsy fanatatra dia famantarana fa nandray ny Fanahy Masina ny olona iray. Araka izay voalazan’i Lioka, feno ny Fanahy Masina vokoa izay rehetra nanatrika teo ka nanomboka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa. Nomen’ny Fanahy Masina azy ireo izany fanomezam- pahasoavana izany. Ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra dia mariky ny batisan’ny Fanahy Masina, ary manambara ny Soratra Masina fa nahazo izany avokoa izy rehetra.

Marka 16:17 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino :

hamoaka demonia amin’ny Anarako izy ; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy.

Fanomezan’Andriamanitra

Ny fanomezam-pahasoavan’ny fiteny tsy fantatra dia iray amin’ireo fanomezan’Andriamanitra ho an’ny Fiangonana. Misy maromaro afaka miteny amina fiteny maro samihafa mba hampandrosona ny tena, ny Fiangonana.

1 Korintiana 14:2, 4, 14 fa izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin’olona fa amin’Andriamanitra. Fa amin’ny Fanahy no itenenany zava-mihafina, ka tsy misy olona mahalala. Izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa dia mampandroso ny Fiangonana. Fa raha mivavaka amin’ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.

Amin’Andriamanitra mivantana.

Ny fiteny tsy fantatra dia natao hivavahana sy hanompoana, izay mivantana avy ao amin’ny fanahintsika ho amin’Andriamanitra. Rehefa mivavaka amin’ny fiteny tsy fantatra isika, dia miresaka amin’Andriamanitra fa tsy amin’ny olona. Tsy takatry ny olona izany fiteny izany.

~ 22 ~

Fitenin’ny

amin’Andriamanitra izany.

lanitra

hiresahan’ny

fanahintsika

Mampandroso antsika

Rehefa mivavaka amin’ny fiteny tsy fantatra isika, dia manampy ny tenatsika hitombo ara-panahy. Mila mivavaka isika mba ho afaka hamantatra ny hevitry ny fiteny tsy fantatra ampiasaintsika mandritra ny vavaka.

1 Korintiana 14: 13, 14 Koa aoka izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa. Fa raha mivavaka aminn’y fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.

Famantarana hoa n’ireo tsy mpino

1 Korintiana 14 :22 Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin’ny tsy mino, fa tsy amin’ny mino ; fa ny faminaniana kosa dia amin’ny mino, fa tsy amin’ny tsy mino.

Fanomezan’ny Fanahy

Rehefa miseho ao anatin’ny fivoarian’ny be sy ny maro ny fanomezam-pahasoavana miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia tokony hisy hatrany fandikan-teny mba ho fampandrosona ny Fiangonana.

1Korintiana 14:26-28 Ahoana ary no izy, ry rahalahy? raha miangona ianareo, misy ta hanao hira ianareo, misy ta hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosona. Raha misy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny. Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin’ny Fiangonana; fa aoka hiteny amin’ny tenany sy amin’Andriamanitra ihany izy. Rehefa misy « hafatra » amin’ny fiteny tsy fantatra, dia tys ny olona intsony no miresaka amin’Andriamanitra, fa Andriamanitra nomiresaka amin’ny olona. Noho izany io « hafatra » io dia tokony hiarak amin’ny fanomezam- pahasoavan’ny fandikan-teny hatrany.

Fanomezam-pahasoavana voalohany Ny fiteny tsy fantatra no fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina azontsika rehefa nandray ny Fanahy Masina isika. Ny vavaka amin’ny Fitenin’ny lanitra izay ataontsika amin’ny ray dia hanokatra ny fanahintsika mba handray ireo fanomezana valo hafa.

Eny, manakana ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra satana. Raha vitany ny manakana kristiana tsy ampiasa io fanomezam-pahasoavana io, dia azony atao koa ny manakana ireo fanomezam-pahasoavana hafa.

~ 23 ~

Bien sûr satan s’est attaqué au parler en langues. S’il parvient à empêcher un chrétien d’utiliser ce don de l’Esprit, alors il pourra lui interdire l’accès aux autres dons. Tsy miresaka mihitsy ny Soratra Masina hoe nitsahatra ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra sy ny fanomezam- pahasoavan’ny fandikan-teny. Tsy misy porofo manamarina izany. Hitsahatra ny fanomezam-pahasoavan’ny fiteny tsy fantatra rehefa tonga ilay tanteraka, Jesosy, ka ho iray ihany ny fitenintsika rehetra.

Aza sakanana izy

Ny fiteny tsy fantatra ihany no fanomezam-pahasoavana tokana nambara fa tsy azo rarana. 1

1 Korintiana 14:39 Koa amin’izany, ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra.

NY TANJON’ANDRIAMANITRA AMIN’NY FITENY TSY FANTATRA

Fiombonana

Iray fiteny ny olona tany ampiandohana.

Genesisy 11:1-6 Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny. Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin’ny tany Sinara izy ka nonina teo. Ary niresadresaka hoe izy:

andeha isika hanao biriky ka handoro azy tsara. Ary ny biriky nataony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra? Ary hoy izy: andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hhazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ny tany rehetra isika. Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon’ny zanak’olonbelona. Ary hoy Jehovah: Indro iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan’ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.

Tsy fifankahazona

Hoy Jehovaha hoe raha iray fiteny ny olona dia tsy misy na inona na inona tsy ho vitany, na toy inona na toy inona haben’ny tanjony. Nanomboka tamin’ny fahalavon’ny olombelona, dia ny fahotana no nampiray azy ireo. Izany no antony nahatonga ani Jehovah nitondra fifanjevona teo amin’ny tamin’ny nanovany ny fitenin’ireo.

Genesisy 11:7,8 Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahalala teny izy. Dia tao no nampielezan’I Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.

1 Ho fandalinana ireo fanomezam-pahasoavana sivy, dia jereo ny boky « fiainana tsy takatry ny saina amin’ny alalan’ny fanomezam- pahasoavan’ny Fanahy Masina » nosoratan’i A.L & J. Gill.

~ 24 ~

Lasa tsy nifankahazo resaka intsony izy ary nifarana teo ny firaisankinany, vokatr’izany dia nitsahatra ny fikasany hanangana tanàna. Ny endriky ny firaisankina izay nampiombona azy dia asan’I satana tao amin’ny sehatry ny fanahy. Izany no nahatonga an’Andriamanitra nampitsahatra azy ka nasiny ny tsy fifankazahona Fiombonana eo ambanin’ny fitarihan’ny Fanahy Rehefa mivavaka amin’ny fiteny tsy fantatra ny mpino, dia mihetsika ao amin’ny fiombonana, sy ny fifanarahana amin’Andriamanitra. Mitsaoka an’Andriamanitra ny fanahiny. Rehefa miara mivavaka amin’ny fiteny tsy fantatra ny mpino, dia miditra amin’ny fiombonam-panahy amna mpino hafa izy. Ao amin’izany fiombonana izany sy amin’ny alalan’ny hetsiky ny Fanahy Masina, ny mpino dia manangana Fiangonana vaovao eo ambany fitarihan’Andriamanitra.

NY FANAHY MASINA REHETRA NORAISINA NANDRITRY NY BOKIN’NY ASAN’NY APOSTOLY

AO amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, dia hita fa nisy olona novonjena, nadray ny Fanahy Masina, ary niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra. Voalohany indrindra ho an’ny Jiosy Namepetra ny mpino Jesosy mba hiandry ny fahafenon’ny Fanahy Masina mialohan’ny hanomboan’izy ireo ny asa fanompoana. Tamin’ny andro Pantekosta, dia tafangona tao amin’ny efitrano ambony izy rehetra raha tonga voalohany ny batisan’ny Fanahy Masina.

Asan’ny Apostoly 2:4 Ary samy feno ny Fanahy Masin aizy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka izay nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.

Manaraka ny Samaritana

Filipo, ilay diakona, dia nidina tany amin’ny Samaritana. Nino an’I Jesosy izy ireo ka dia novonjena. Dia tonga ireo Apostoly avy tany Jerosalema ka nametra- tànana tamin’izy ireo ka dia feno ny Fanahy Masin izy.

Asan’ny Apostoly 8:15-17 Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza, fa natao batisa tamin’ny anaran’I Jesosy Tompo ihany izy. Ary izy roa lahy nametra-tànana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo.

Tamin’ny fahavalony

Saoly, ilay lehiben’ny mpanenjika ny Fiangonana, dia teny an-dàlana hankany Damasy mba hisambotra ny kristiana no nahita fahazavana nanelatselatra nanodidina azy ka lavo tamin’ny tany izy. Nifanena tamin’i Jesosy izy. Nirahin’Andriamanitra ho azy i Ananiasy, izay nametra-

~ 25 ~

tànana taminy ka dia nandray ny batisan’ny Fanahy Masina i Saoly.

Asan’ny Apostoly ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tànana taminy ka nanao hoe : Ry saoly rahalahy, ny Tompo dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin’ny làlana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan’ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.

Tamin’ny Jentilisa

In-telo misesy i Petera no nahita fahitana narahina baiko hoe « Izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady. » Nirahin’Andriamanitra hankany amin’ny ankohonan’i Kornelio, kapitenin’ny miaramila Romana izy.

Asan’ny Apostoly 10:44-46 raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina. Ary talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nilatsaka tamin’ny Jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. Fa nandre azy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’Andriamanitra izy. Matetika dia ampianarina fa ny batisan’ny Fanahy Masina tonga amin’ny fotoan’ny famonjena ary tsy asan’ Andriamanitra miavaka izany. Nambara koa fa ny fanomezam-pahasoavana miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia tamin’ny andron’ny Pantekosta ihany. Nefa, ny batisan’ny Fanahy Masina sy ny fiteny tsy fantatra tany Kaisaria dia tranga izay niseho folo taona tao aorian’ny Pantekosta.

Tany Efesosy

Nandray ny Fanahy Masina sy nataony batisa ny mpino tao amin’ny fiangonan’i Efesosy tao aorian’ny patekosta izay fotoana voalohany nidinan’ny Fanahy Masina.

Asan’ny Apostoly 19:2-6 Ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? fa ireo nanao taminy hoe : tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. Ary hoy i Paoly: ho amin’inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin’ny batisan’I Jaona. Fa hoy I Paoly: Jaona nanao ny batisan’ny fibebahana ka nilaza tamin’ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ny anaran’I Jesosy Tompo. Ary rehefa nametrahan’I Paoly tànana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra izy sady naminany.

~ 26 ~

ENDRIKA ISEHOAN’ NY FANAHY MASINA

Voromailala

Nisy voromailala nidina teo ambonin’i Jesosy rehefa nataon’i Jaona batisa tao amin’ny onin’i Jordana Izy.

Lioka 3:22 Ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka naka endriny tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:

Ianao no zanako malalako; ianao no sitrako.

Rivotra

 

Tamin’ny andron’ny pantekosta, dia tonga tamin’ny alalan’ny ny rivotra mahery mifofofofo Ny Fanahy Masina.

Asan’ny Apostoly 2:2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.

Afo

 

Tamin’ny andro Pantekosta, izy ireo dia nandre ilay rivotra sy nahita lela maro mitarehin’afo.

Asan’ny Apostoly 2:3 Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy; izay nizarazara; ary nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona izany. Ny diloilo dia endrika anehona ny Fanahy Masina. Ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo dia misy ny “Diloilo fifaliana”.

Hebreo1:9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia efa naoso-diloilo fifaliana Anao.

Rano

Ny Fanahy Masina dia nambara fa « onin’ny rano velona. »

Jaona 7:38,39 Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny soratra Masina. Ary ny fanahy, Izay efa horaisin’ny mino Azy, no nolazainy tamin’izany; fa ny fanay tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny.

FANONTANIANA HO VALIANA

1 Omeo ny famaritanao ny fanomezam-pahasoavana miteny amin’ny fiteny tsy fantatra.

2 Manomeza

ohatra roa ny amin’ny fahatongavan’ny Fanahy Masina tamina vondrin’ny mpino

hita ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly.

~ 27 ~

Lesona 4

Ny ady ho an’ny Anaran’i Jesosy

FANTATR’I SATANA NY ZAVA-MIHAFINA

Hitan’i satana ny zava-mihafin’ny maha zava-dehibe ny mpino. Misy fanafihana lehibe ataon’i satana hanohitra ny herin’ny Fanahy Masina sy ny fahefan’ny anaran’i Jesosy rehefa ampiasain’ny Kristiana izany.

Ny Herin’ny Fanahy Masina

Nandray ny herin’ny Fanahy Masina ny mpino. Ampiasainy ety an-tany izany hery izany nefa koa izy tsy maintsy manana ny fahefan’ny Anaran’i Jesosy.

Ny Fahefan’ny Anaran’i Jesosy

Tsy ny herin’ny Fanahy Masina ihany no atahoran’i satana, fa ny fahefan’ny Anaran’i Jesosy eo amin’ny fiainan’ny mpino ihany koa.

Marka16:17,18 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino :

hamoaka demonia amin’ny anarako izy, hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy ; handray menarana izy ; ary na dia misotro zava- mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany ; hametra-tànana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny. Raha niteny tamin’izy ireo Jesosy hoe hamoaka demonia, hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy, hametra-tànana amin’ny marary dia hahasitrana azy, ary na ny menarana na ny zavatra mahafaty aza tsy hampaninon azy, Izy dia nampianatra ireo mba hanao izany rehetra izany amin’ny Anarany: « … amin’ny anarako. » Tokony ary mila mihetsika miaraka amin’ny herin’ny Fanahy Masina sy ny fahefan’ny Anaran’i Jesosy ny Fiangonana. Tokony ho tadidintsika fa ny planin’Andriamanitra dia tsy niova. Manao izay tratrany satana hanelingelenana ny kristiana sy hitazonana azy ireo tsy fahafantarana ny hery sy ny fahefana ananany.

FANASITRANANA ILAY LEHILAHY NALEMY TONGOTRA

Mila misintona lesona hatrany avy amin’ireo tantara isika

Asan’ny Apostoly 3:1-8 Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an- kianjan’ny tempoly tamin’ny ora fahasivy fotoam-pivavahana. Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kimbon-dreniny, izay napetrany isanandro teo anoloan’ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’izay niditra teo an- kianjan’ny tempoly; nony nahita an’I Petera sy Jaona efa niditra eo an- kianjan’ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana. Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay. Dia nibanjina

~ 28 ~

azy roa lahy tsar aizy, fa nanantena hahazo zavatra taminy. Fa hoy Petera: tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny anaran’I Jesosy kristy avy any Nazareta, mitsangatsangàna. Ary noraisiny tamin’ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny. Ary niantsambotra ka nijoro, dia nitsangatsangana ary naira-niditra taminy ho eo an-kianjan’ny tempoly, nitsangatsangana sy niantsambotsambotra sady nidera an’Andriamanitra. Lesona ho an’izao vanin’andro izao

Teny an-dàlana

Niakatra ho eo an-kianjan’ny tempoly tamin’ny ora fivavahana i Petera sy Jaona. Teny an-dàlana handeha hankany amin’ny toerana fivavahana izy ireo no nitranga io fahagagana io. Araka ny fantatra, izy ireo dia tsy hoe efa niomana tamim-bavaka. Raha ny tantara, ny ora fivavahana dia fotoana natokana ho an’ny vavaka manokana, ary eo amin’ny telo ora hariva eo ho eo izany. Ny fahagagana dia tsy azo amin’ny hamaron’ny vavaka na ny fiomanana am-bavaka. Izany dia tsy fialan-tsiny ho an’ireo kristiana ka hanaovany atsirambina ny fiainam-

bavakany.

Teo ivelan’ny Tempoly

Teo ivelan’ny tempoly no nitranga io fahagagana io. Teny an-dàlana izay nizoran’ny olona no nisy izany.

Isika no tenan’i Kristy, isika no Fiangonana. Na aiza na aiza misy antsika dia misy Fiangonana. Afaka ny hisy fahagagana hatrany any amin’ny toerana rehetra misy mino an’i Jesosy. Zava-dehibe ny nitrangan’ny fahagagana teny ivelan’ny tempoly satria eny mihintsy no mila hamarinina ny

tenin’Andriamanitra.

.

Niandry ny Tempoly nataon’Andriamanitra Jesosy. Niteny Jesosy fa izay zavatra hitany ataon’ny Ray ihany no ataony. Niandry ny tempoly nataon’Andriamanitra Izy. Isanandro io lehilahy io dia napetraka teo amin’ny vavahadin’ny tempoly. Nandalo io vavahady io matetika Jesosy, ary matetika teo anoloany, enfa tsy nositranin’i Jesosy izy.

Notarihin’ny Fanahy

Impiry moa ireo mpianatra no nandalo teo anoloan’io lehilahy io? Hafa tamin’ity indray mandeha ity, nibanjina azy Petera sy Jaona ka nanaitra azy. Nous devons être sensibles à la direction et au moment indiqués par le Saint-Esprit si nous désirons voir nos mains opérer des miracles.

~ 29 ~

Nanantena zavatra

Nanantena zavatra ralehilahy. Tamina fanambarana feno fahasahiana no nanaovan’i Petera io tranga io.

Amin’ny anaran’i Jesosy

Amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangatsangàna. » Ny zavatra nomen’i Petera azy dia ny Anaran’i Jesosy.

Hetsehana ny zava-misy

Nentanin’i Petera hietsika ralehilahy. Noraisiny tamin’ny tànany izy.

tsy

Tsy

nitsangana izy.

nihetsika

ny

tongony

sy

ny

kitrokeliny

raha

Asan’ny Apostoly 3:7Ary noraisiny tamin’ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany ; dia natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny.

Nidera an’Andriamanitra ralehilahy Niditra tao amin’ny tempoly ralehilahy, nandeha sy niantsambotsambotra sady nidera an’Andriamanitra. Nidera an’Andriamanitra izy mba ho hitan’ny olona rehetra, ka nanome voninahitra an’Andriamanitra noho izany fahagagana izany.

nahalala ilay fahagagana ny rehetra Fantatry ny rehetra fa fahagagana ny fahasitranany. Dia gaga sy talanjona izy rehetra.

Afahana mampahafantatra an’i Jesosy Dia niangona ny olona ka nilazan’i Petera ny amin’i Jesosy natsangana tamin’ny maty.

Asan’ny Apostoly 3:15 Fa ny Tompon’ny aina kosa no novonoinareo, fa Izy ntsangan’Andriamanitra tamin’ny maty, ary vavolombelon’izany izahay.

Finoana ny Anaran’i Jesosy

Voalohany indrindra Petera dia tsy maintsy nahalala tsara hoe iza Jesosy, ary fantany marina fa noho ny finoana ny Anaran’i Jesosy no nahavitany ilay fahagagana.

Asan’ny Apostoly 3:16 Ary ny Anarany no nahapatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izao azo amin’ny alalany no nahazoany izao fahasitranana eto imasonareo rehetra izao.

NY FANAFIAN’I SATANA

Fahefana manao ahoana na anarana manao ahoana? Nantenaina fa ho faly ireo mpitondra fivavahana tao amin’ny tempoly noho ny fahasitranan’ilay lehilahy nalemy, fa raha mbola niteny i Petera sy Jaona, dia nosamborin’izy ireo ka nataony an-trano maizina.

~ 30 ~

Inona no fanontaniana voalohany napetrak’ireo?

Asan’ny Apostoly 4:7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe, fahefana manao ahoana na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?

Ady noho ny Anaran’i Jesosy

Asan’ny Apostoly 4:10 Dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Israely rehetra fa ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, iazy nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana, fa natsagan’Andriamanitra tamin’ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’io lehilahy io finaritra eto imasonareo.

Ny safidy

Asan’ny Apostoly 4:16-18 Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy ho azontsika lavina.

Ny fandrahonana

Fa mba tsy hielezan’izany intsony amin’ny vahoaka, dia aoka horaonantsika izy mba tsy hiteny amin’izany anarana izany intsony na amin’iza na amin’iza.

Ny fihetsiny tao aorian’izany

Raha vantany vao nalefa izy roa lahy, Petera sy jaona dia niverina tany amin’ny namany ka nitohy niresaka ny anaran’i Jesosy.

Asan’ny Apostoly 4:29,30 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany ; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra, omban’ny aninjiranao ny tànanao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin’ny anaran’i Jesosy, Mpanomponao Masina.

Ny sazy

Asan’ny Apostoly 5:28 Ka nanao hoe : « Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin’izany anarana izany, kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran’izany Lehilahy izany. Nikendry hahafaty ny Apostoly ireo mpikambana tao amin’ny Synedriona noho ny nitohizan’izy ireo niteny sy nanao fahagagana tamin’ny anaran’i Jesosy. Nampiantso azy ireo mangingina izy ka nikapoka azy no sady mbola nandrara azy indray tsy ampiasa ny Anaran’i Jesosy intsony.

Asan’ny Apostoly 5:40b Ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesosy intsony, ary nandefa azy handeha.

Ny Vokany

Asan’ny Apostoly 5:41,42 Ary ireo dia niala teo anatrehan’ny Synedriona, sady faly, satria natao mendrika hitondra fahafaham- baraka ho voninahitr’izany anarana izany. Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy isanandro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano izy.

~ 31 ~

SAOLY (PAOLY) SY NY ANARAN’I JESOSY

Ilay Mpanenjika

Noho ny fiantsoana ny anaran’i Jesosy no nahatonga ny fanenjehana voalohany ireo kristiana. Arak’i Ananiasy, fantatr’’i Saoly fa ireo olona mpiantso ny anaran’i Jesosy no hosamboriny

Aan’ny Apostolys 9:13,14 Ary Ananiasy namaly hoe : Tompoko, efa reko tamin’ny maro ny haben’ny ratsy nataon’izany lehilahy izany tamin’ny olona masina tany Jerosalema. Ary manana fahefana aty koa avy tamin’ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.

Voafidy hitondra ny anarany

Nirahin’Andriamanitra hankany amin’i Saolmy Ananiasy satria nofidiny i Saoly mba hitondra ny anarany any amin’ny firenena, mpanjaka sy ny taranak’Israely. Noho ny fampiasana ny anaran’i Jesosy, i Saoly dia tsy maintsy hijaly araky ny fahoriana nampitondrainy ny hafa.

Asan’ny Apostoly 9:15,16 Fa hoy ny Tompo taminy : mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’Israely ; fa hasehoko azy ny habetsahan’izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.

Vonona ho faty noho ny Anarany

Vonona ho faty noho ny anaran’i Jesosy i Paoly

Asan’ny Apostoly 21:13 Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’I Jesosy Tompo. Nanoratra mikasika ny Anarany izy Fantatr’i Paoly ny herin’ny anaran’i Jesosy. Fantany noho ny niadiny tamin’izany anarana izany ka naharesy azy. Fantany satria novonjen’ny anaran’i Jesosy izy. Imbetsaka i Paoly no nanoratra ny amin’ny anaran’i Jesosy.

Romana 10:13 Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena.

1 Korintiana 5:4 Amin’ny anaran’i Jesosy Tompontsika, rehefa tafangona ianareo sy ny fanahiko omban’ny herin’i Jesosy Tompotsika.

Filipyna 2:9, 10 Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalean’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ety an-tany, na ny any ambanin’ny tany.

Kolosiana 3:17 Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

~ 32 ~

NY ANARAN’I JESOSY

Nahoana ireo kristiana voalohany no nisafidy ny ho faty fa tsy handà ny tsy hampiasa ny anaran’i Jesosy? Nahoana ireo mpitondra fivavahana no nanohitra ny anaran’i Jesosy hatramin’ny voalohany nampiasana izany? Samy mahalala ny hery entin’ny fampiasana ny anaran’i Jesosy na ireo mpino na ireo mpitondra fivavahana.

Manome famonjena

Noho ny anaran’i Jesosy no nahatonga antsika ho amin’ny famonjena.

Asan’ny Apostoly 2:21, 38 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena. Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’I Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.

Fandresena

Noho ny anaran’i Jesosy no afahantsika mamita ny « Iraka Lehibe » sy hitondra ny famonjena any amin’izao tontolo izao.

.

Fanasitranana

Mitondra fanasitranana ny anaran’i Jesosy.

Asan’ny Apostoly 3:16 Ary ny Anarany no nahapatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izao azo amin’ny alalany no nahazoany izao fahasitranana eto imasonareo rehetra izao.

Firaisana amin’Andriamanitra

Afaka

manatona

an4Andriamanitra

ray isika

noho

izay

nataon’i

Jesosy ho

antsika

sy noho

ny fampiasana

ny

Anarany.

Jaona 16:23 Ary amin’izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko amianreo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny anarako izany.

Efesiana 5:20 Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika.

~ 33 ~

NATOKANA HO AN’NY MPINO IHANY

Ny fampiasana ny anaran’I Jesosy dia natokana ho an’ny Fiangonana. Tonga manan-kery ny anaran’i Jesosy rehefa ampiasaina amin’ny finoana. Ireo zanak’i Skeva fito mirahalahy Nisy fito mirahalahy nalaim-panahy hampiasa ny anaran’i Jesosy nefa tsy mahalala izany ka dia nidiran-doza.

Asan’ny Apostoly 19:13-16 Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran’i Jesosy Tompo koa teo ambonin’ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe : Mampianiana anareo amin’ny Jesosy izay torin’i Paoly aho. Ary nisy fito mirahalahy, zanak’i Skeva, Jiosy, lohan’ny mpisorona, izay nanao izany. Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo? Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotsambotra tamin’ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nadositra niala tamin’izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.

Nitanjaka, Naratra, Resy

Ny anaran’i Jesosy dia tsy azo ampiasaina ho fahazoan- javatra na amina sampy. Ny herin’ny anaran’I Jesosy dia tsy takatry ny saina rehefa ampiasain’ny tena kristiana marina amin’ny finoana. Tsy manan-kery izany anarana izany raha ny tsy mpino no mampiasa azy.

Anarana ambony Indrindra

Ireo izay nanandrana nampiasa ny anaran’i Jesosy nefa tsy manana alalana ampiasa izany dia afa-baraka. Noho io tranga io, dia lasa namena voninahitra lehibe ny anaran’i Jesosy ary maro ny olona voatarika hahalala an’i Jesosy.

Asan’ny Apostoly 19:17, 18 Ary fantatry ny Jiosy sy ny jenilisa rehetra izay ninina tany efesosy izany ; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran’i Jesosy Tompo. Ary maro izay nino dia tonga ka nanaiky sy nilaza ny asany.

Ny fanivativana ny anarany

Fantatr’i satana ny herin’ny anaran’i Jesosy rehefa tononin’ny mpino amim-pinoana. Ka ny anton’ireo fanafiana ireo dia ny hanivativana, hanatsatsona, hitenan- dratsy ary hamotehana ny herin’io anarana io.

Ny anaran’i Jesosy matetika dia ampiasaina hianianana. Ny mpiteny ratsy no manonona azy matetika. Tsy mbola nisy mihintsy olona nianina tamin’ny anaran’ireo mpanorina fivavahana hafa, inona no antony izany?

~ 34 ~

Ireny anarana ireny, na koa ireo anaran’andriamani-kafa misy, dia tsy manana hery. Tsy misy antony tokony hanalan’I satana baraka azy ireny. Omeny voninahitra aza ireny satria azy.

NANTSOINA TAMIN’NY ANARANY

Isika dia mifaly amin’ny fitahiana mahagaga sy tsy takatry ny saina amin’ny maha kristiana. Nefa koa, ireo izay nantsoina tamin’ny anaran’I Jesosy, ireo izay antsoina hoe “kristiana” dia manana andraikitra goavana. hanomezana Voninahitra an’Andriamanitra Resahin’I Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’i Timoty:

Tesaloniana 1:12 Mba hankalazaina ao aminareo ny anaran’i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan’Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Tsy hitenenan-dratsy Azy

Ao amin’ny taratasiny ho an’ny Jiosy, Paoly dia nanatra azy ireo noho ny tsy nanajany ny anaran’Andriamanitra. Ho an’izay rehetra mitondra ny anarana hoe « Kristiana » koa izany fampitandremana izany.

Romana 2:17-24 Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin’ny lalàna sy manao an’Andriamanitra ho reharehanao ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra, satria efa nampianarina ny lalàna ianao ary mitoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin’ny maizina, mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana: ka moa ianao izay mampianatra ny tenanao koa va? Ianao izay mitory hoe: aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao? Ianao izay manao hoe: aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Ianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany ve ianao? Ianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manila voninahitra an’Andriamanitra ihany va ianao amin’ny andikanao ny lalàna? fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny jentilisa.

Miala amin’ny ratsy

Hoy i Paoly nanoratra tamin’i Timoty:

2 Timoty 2:19 Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: « Ny Tompo mahalala ny azy », ary koa: « Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy. »

MINO AN’I JESOSY SY NY ANARANY

Tsara ny manamarika fa imbetsaka ny Testamenta Vaovao no mamporisika antsika hiantso ny anaran’i Jesosy sy hino ny anarany. Nahoana no tsy ny iray amin’ireo ihany no anentanana antsika? Nahoana isika no hamporisihina hatrany mba hampiasa azy roa? Ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana no nahazon’i Jesosy ny famonjena antsika. Tamin’ny fiainany amin’ny maha olona tanteraka Azy, tamin’ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty no nakany Jesosy indray ny fahefana tany amin’i satana mba hitantanany ny tany. Amin’ny fampiasana ny Anarany, ny mpino ankehitriny dia manana fahefana mba hanapaka ny tany. Nomen’i Jesosy antsika ny anarany. Mila miteny sy mihetsika amin’ny Anarany isika. Amin’ny fanaovantsika izany sy ny fananantsika finoana ny anarany, dia afaka manao izay rehetra nataon’I Jesosy isika. Mbola afaka hanao zava-dehibe mihoatra noho izany aza. Fony Jesosy niteny hoe haoriny ny Fiangonany, Izy dia tsy namela antsika halemy manoloana ny fahavalontsika, mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Ahoana no handresena ny devoly sy satana raha tsy misy ny hery sy ny fahefana? Nomen’i Jesosy antsika ny herin’ny Fanahy Masina sy ny fahefan’ny Anarany.

FANONTANIANA HO VALIANA

1 Inona

no lanjan’ny anaran’i Jesosy eo aminao ?

2 Mitanisà tombon-tsoa mifandraika amin’ny anaran’i Jesosy. Manomezà andraikitra mifanaraka amin’izany.

3 Inona

no nanjo ireo zanak’i Skeva ? Nahoana ?

~ 36 ~

Lesona 5

Ny Drafitr’Andriamanitra ho an’ny Fiangonana

HANORINA NY FIANGONANY JESOSY

Jesosy, fa tsy olombelona, no hanorina ny Fiangonana.

Matio 16:18 Ary Izaho milaza aminao koa: Ianao no Petera ; ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy. Nandritra ny taona maro, nanandrana nanangana ny Fiangonana araka ny modeliny sy ny fombany ny olona. Koa raha Jesosy no hanorina ny Fiangonana, dia ilaina isika manilika ny hevitsika manokana momba izany ka hamela an’I Jesosy haneho antsika amin’ny alalan’ny Teniny ny drafiny. Ho an’ny Kristiana tsirairay, io drafitra io dia misy:

Nandray ny herin’ny Fanahy Masina ny mpino. Ety an-tany izy dia mampiasa izany hery izany, nefa ilaina koa izy manana ny fahefan’ny anaran’I Jesosy.

Mijoro vavolombelona

Voantso hijoro vavolombelona ho an’i Jesosy Kristy ny mpino tsirairay:

Asan’ny Apostoly1:8 Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.

Manao izay zavatra nataon’i Jesosy Ny kristiana tsirairay dia nantsoina hanao ny zavatra izay nataon’i Jesosy.

Jaona 14:12 Lazaiko amianreo marina dia marina tokoa : izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray.

Hitory

Ny kristiana tsirairay dia nantsoin mba hitory (hanambara na hizara) ny Filazantsara

Marka 16:15 Ary hoy Izy taminy: mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra.

Manantena fahagagana

Ny

hiaraka aminy:

Marka 16:17, 18 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino:

hanoaka demonia amin’ny anarako izy ; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy ; handray menarana izy ary na dia misotro zava-

fahagagana

kristiana

tsirairay

dia

mila

manantena

~ 37 ~

mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany, hametra-tànana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny. Ho vonona ho amin’ny Asa fanompoana Ny kristiana tsirairay dia tokony ho vonona ho amin’ny asa fanompoana.

Efesiana 4:12 Ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny Fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy.

NY MINISTERA DIMY – ASA FA TSY ANARANA ISALORANA

Rehefa nankany amin’ny Ray Jesosy, dia nanome fanomezana ho an’ny olombelona.

Efesiana 4:8-13 Koa izany no ilazany hoe: raha niakatra ho an’ny amin’ny avo Izy dia nitondra olona maro ho babo ka nanome fanomezana ho an’ny olona ary ny amin’ny hoe, niakatra, inona moa izany afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin’ny tany koa ? Izay nidina dia izy koa no ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra. Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny Fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny Tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy; Apostoly, mpaminany, evanjelista, mpiandry na na mpampianatra dia tsy tokony ho anarana isalorana toy ny grady na toerana ao am-piangonana. Ny andraikitra tsirairay ao amin’ny asa fanompoana dia samy manana ny maha zava-dehibe azy eo amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy. Fony Paoly nanoratra ireo epistily ireo, izy dia nilaza ny tenany hoe, « Paoly, Apostoly, » izay manambara fanomezana na anjara asa fanompoana eo amin’ny tenan’i Kristy. Izy dia tsy mba niteny hoe “Apostoly Paoly,” ka toy ny hoe anarana isalorana ny maha Apostoly.

Notendren’Andriamanitra

1 Korintiana 12:27, 28 Ary ianareo no tenan’i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy. Ary Amndriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin’ny Fiangonana, voalohany Apostoly, faha roa mpaminany, faha telo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samihafa tsy fantatra. Any amin’ny Fiangonana tsirairay, ny fanomezam- panompoana dimy dia tokony hiasa sy ampiasaina mba afahan’ny mpino ho vonona amin’ny fanompoana sy ny

~ 38 ~

Mpanompo

halehiben’ny

fahafenoan’i Kristy. Ny fahagagana dia tsy azo amin’ny alalan’ny habetsahan’ny vavaka na ny fiomanana am-bavaka. Na izany aza nefa, izany dia tsy natao ho fialan-tsiny hanamaivanan’ny mpino ny fiainam-bavaka.

fahamatorana

mahatratra

ny

ohatry

ny

Mialohan’ny hiantsoan’Andriamanitra ho amin’ireo asa fanompoana dimy, dia tokony ho mpanompon’ny tenan’i Kristy aloha isika. Nanao ireo asa fanompoana dimy ireo Jesosy, izay tokony hataon’ny mpanompo, araka izay asehon’ity ohatra manaraka ity:

Jaona 13:3-5 Sady fantatr’i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no niaviny sady Andriamanitra koa no hiverenany, dia nitsangana niala teo am- pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany; ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ny tavy izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ny lamba famaohana izay nisikinany.

Jaona 13:12-17 Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe : fantatrareo va izay nataoko taminareo ? ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo ; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra ary no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy. Raha fantatrareo izany dia sambatra ianareo, raha manao izany.

NY APOSTOLY

Famaritana

Ny teny Grika « apostolos » dia adika hoe « Apostoly », dia midika hoe « nirahina, mpitondra hafatra. » Ny Apostoly dia olona nirahina miaraka amin’ny fahefana mba hanangana Fiangonana sy hampahatanjaka ireo loholona amin’ny foto-pampianarana sy ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra. Manao ny asany amin’ny fahasahiana sy fahefana izy amin’ny fampiasany ny fahalalana omen’ny Fanahy Masina.

Ny asany

Izy

amin’ny

Masina. Ny Apostoly dia manao ny fanompoany araka ny fifandraisany manokana amin’Andriamanitra, ary izy dia

Fanahy

ao

sy

dia

manao

asa

ny

fanomezam-pahasoavana

ny

rehetra

fanompoana

fanomezan’ny

~ 39 ~

manana fifandraisana toy ny mpianaka amin’ireo izay iarahany miasa. Tsy hitsahatra hiseho ny famantarana, ny fahagagana, ny fanasitranana mahatalanjona. Ireo fanomezam-pahasoavana ho amin’ny asa fanompoana ireo dia fantatra sy hita ho toy ny fifandraisana eo amin’ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana sasany ary ny asa fanompoana; eo ambonin’izany foto-pifandraisana ara- panahy izany no hitantanan’ny Apostoly, hampidirany eo amin’ny fiainan’ny mpino, eo amin’ny asa fanompoana, sy ny Fiangonana, ireo fitsipika ilaina, ny andraikitra, ny fiorenana ary ny fiarovana amin’ny fandrebirebena. Ny andraikitry ny Apostoly dia mifandray akaiky amin’ny an’ny mpaminany amin’ny fifidianana, fanendrena ireo loholona, sy ny fanekena ireo izay ho diakona. Amin’ny fifandraisany amin’ny mpaminany, izy dia manamafy ny antson’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny mpino sasany sy manendry azy ireo eo amin’ny andraikitra tokony hisy azy amin’ny asa fanompoana.Mampahatanjaka ny mpino sy manome azy ny fahalalahana hampiasa ny fanomezan’ny Fanahy Masina izy amin’ny alalan’ny fametrahan-tànana. Manatanteraka sy maneho ny asa fanompoany amin’ny fahefana ny Apostoly, nefa izy koa dia manetry tena, amin’ny maha tompon’andraikitra azy eo anatrehan’ny Apostoly hafa sy ireo loholon’ny Fiangonana izay hiasany.

Ohatra

Ohatra tsara ny amin’ny Apostoly i Paoly sy Barnabasy

Asan’ny Apostoly 13:2, 3 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy. Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tànana taminy izy, dia nandefa azy.

Romana 15:20 Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin’izay efa niantsoana an’i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin’izay efa naorin’ny sasany aho.

Asan’ny Apostoly 14:23 Ary rehefa nanendry loholona teo amin’ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nidafy hanina ka nanolotra azy ho an’ny Tompo Izay efa ninoany.

NY MPAMINANY

Famaritana

Ny Teny Grika hoe “propheteuo”, adika hoe « mpaminany » dia midika hoe « ilay manambara mialoha ireo tranga, sy manao fiteny manaitaitra » Ny mpaminany dia olona izay miteny ho an’Andriamanitra. Nandray ny asa fanompoana miavaka mba hisolo tena an’Andriamanitra eo anatrehan’ny olona. Rehefa mifanaraka tanteraka amin’izay ambaran’ny Soratra Masina izany

~ 40 ~

fanambarana izany, dia manome sori-dàlana, manamarina ny fironana sy ny vina, ary afahana mahatakatra ny Tenin’Andriamanitra. Ny mpaminany dia manambara ny izay tena fiainan’ny olona sasany, mananatra, manitsy, mampitandrina, ary manambara ny zavatra izay ho avy.

Ny asany

 

Ny mpaminany dia manao ny asa fanompoany miaraka amina hosotry ny faminaniana lehibe sy voamarina kokoa noho izay mampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana. Ny tenin’ny mpaminany dia mety hisy fanambarana izay lehibe ho fampandrosoana, famporiosihana, fampaherezana noho ny faminanin’ny mpino iray. Matetika, ny mpaminany dia manao ny asany miaraka amin’ny Apostoly, amin’ny fametrahana fototra ara-panahy, amin’ny fananganana sy fampahatanjahana ny Fiangonana.

Efesiana 2:20 Natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra.

Ohatra

Agabo dia ohatra tsara ho an’ny mpaminany.

Asan’ny Apostoly 21:10, 11 Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia. Ary rehefa tonga tao aminay izy dia noraisiny ny fehikibon’I Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan’ny tenany, dia hoy izy: izao no lazain’ny Fanahy Masina: toy izao no hamatoran’ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, ka hatolony ho eo an- tànan’ny jentilisa izy.

NY EVANJELISTA

Famaritana

Ny teny Grika “euangelistes”, nadika hoe “evanjelista”, dia midika hoe“mpitondra teny soa mahafaly”.

Ny asany

Amin’izao fotoana izao, ny evanjelista no loha-laharan’ny tafik’Andriamanitra. Manana hetaheta mafy ny hiresaka momba an’i Jesosy amin’izay rehetra mifanena aminy izy. Manosika azy hambabo ireo fanahy verin’izao tontolo izao ny fony. Na aiza na aiza alehany, dia mijoro vavolombelona sy mitory an’i Jesosy izy ary misy famantarana manaraka azy. Izy dia mavitrika amin’ny fanofanana ny mpino ho amin’ny fitoriana filazantsara miaraka amina fahagagana, sy amina fanentanana asa fitoriana mitohy. Mamelona ny vina ho an’ny fitoriana eo an-toerana, manerana ny firenena, sy izao tontolo izao, ao am-pon’ireo mpino rehetra isam- piangonana.

~ 41 ~

Ny fitoriana ny Filazantsara dia anisan’ny asa sy andraikitry ny mpino tsirairay, fa ny evanjelista dia manao izany aza fanompoana izany miaraka amin’ny hosotra ambony kokoa. Tena havanana amin’izany sehatra izany izy. Ny tena andraikiny voalohany dia ao amin’ny fanomanana ny mpino ho amin’ny asa Fitoriana Filazantsara.

Ohatra

Filipo dia ohatra tsara ho an’ny evanjelista

Asan’ny Apostoly 8:5-8 Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao. Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain’I Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony. Fa ny fanahy maloto niantso tamin’ny feo mahery, dia nivoaka tamin’ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin’ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny. Dia nisy fifaliana lehibe tao amin’izany tanàna izany.

Asan’ny Apostoly 8:12 Ary rehefa nino an’i Filipo nitory teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny anaran’i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.

NY MPITANDRINA (MPIANDRY ONDRY)

Famaritana

Ny teny Grika hoe “poimen”, izay nadika hoe “mpitandrina”, dia midika hoe “mpiandry ondry ilay miandry ny sakafo sy ny andian’ondry, mitarika sy manome hanina azy ary manara-maso azy. » « Poimen » dia ampiasaina in-balo ambin’ny folo ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ao amin’ny Efesiana toko faha efatra ihany io teny io no nadika hoe « mpitandrina. » any amin’ireo fito ambin’ny folo hafa, izy dia nadika hoe « mpiandry ondry. »

Ny asany

Mitarika

Ny mpiandry ondry dia mitarika ny ondriny.

Jaona 10:4 Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy ; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.

Mamboly fifandraisana manokana. Ny mpiandry ondry dia manangana fifandraisana manokana amin’ny ondriny.

Isaia 40:11 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry izy, ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka trotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany

Jaona 10:11 Izaho no mpiandry tsara, ny mpiandry tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondriny. J

Mamelona

Ny mpiandry ondry dia manome hanina ny ondriny

~ 42 ~

Jaona 21:15-17 Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. Hoy indray Izy tamin’ny fanindroany: Simona, zanak’I Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko. Hoy Izy fanintelony:

Simona, zanak’I Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe : Moa tia Ahy va ianao ? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Ianao mahalala ny zavatra rehetra, fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: fahano ary ny ondriko.

NY MPAMPIANATRA

Famaritana

 

Ny teny Grika “didaskalo”dia midika hoe “mpampianatra”. Ny mpampianatra dia olona izay manoro, ary amin’ny alalan’ny fampianarany no afahan’ny hafa mianatra. Ny fampianarany dia ahitana ny fanehoana sy ny fanazavana ny Soratra Masina sy ny fianarana ny foto-papianarana. Toy izany no hananganany mpianatra.

Matio 28:19,20 Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo ; ary indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Ny asany

Ny mpampianatra dia mampianatra ireo mpino

Mampianatra ireo mpino vaovao

Asan’ny Apostoly 11:21-26 Ary ny tànan’ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’izay nino sy niverina ho amin’ny Tompo. Ary ren’ny sofin’ny Fiangonana tany Jerosalemna ny amin’ireo, dia naniraka an’I Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia. Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ny Tompo amin’ny fo minia fatratra. Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an’I Tompo dia lasa

Barnabasy nankany Tarsosy hitady an’I Saoly. Ary rehefa nahita azy izy dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary naira niasa tao amin’I Fiangonana hatramin’ny herin-taona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no nvoalohany nanaovana ny anaran’ny mpianatra hoe Kristiana.

Mampianatra ny finoana

Ny mpampianatra dia mampianatra ny mpino mba hivelona amin’ny finoana

~ 43 ~

1

Timoty 2:7 Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy

Apostoly (milaza ny marina aho, fa fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin’ny finoana sy ny fahamarinana.

Mampianatra eo ambanin’ny hosotrin’ny Fanahy Masina Ny mpampianatra dia mamita ny asany eo ambanin’ny hosotrin’ny Fanahy Masina

1 Jaona 2:20 Fa ianareo kosa, manana hosotra avy amin’ilay masina ka mahalala ny zavatra rehetra

1 Jaona 2:27 Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.

1 Korintiana 2:13 Izany koa no lazainay, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona, fa amin’ny teny ampianarin’ny fanahy, raha milaza zava-panahy amin’izay olona araka ny fanahy izahay.

Mampianatra miaraka amin’ny fahefana

ny

Manao

ny

asany

miaraka

amin’ny

fahefana

mpampianatra.

Matio 7:28,29 Ary nony efa vitan’i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.

Manofana mpampianatra vaovao

Ny mpampianatra dia mampianatra ireo olona mahatoky, izay hampianatra sy hanofana mpampianatra vaovao hafa ihany koa.

2 Timoty 2:2 Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.

IREO LOHOLONA SY NY DIAKONA

Ny asa fanompoan’ny Loholona (antsoina ihany koa hoe Mpanara maso) sy ny diakona no hany asa roa notenenin’Andriamanitra hampiasaina eo amin’ny Fiangonana.

Filipyna 1:1 Paoly sy Timoty, mpanompon’i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesosy mbamin’ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy.

Ny Loholona (Mpanara maso)

Ny asan’ny loholona, na ny mpanara maso, dia ny fitondrana sy ny fitantanana ny Fiangonana iray. Ny loholona dia fidin’Andriamanitra ary tendren’ireo Apostoly.

1 Timoty 3:1 Mahatoky izao teny izao : raha misy olona maniry ny asan’ny mpitandrina.

~ 44 ~

Asan’ny Apostoly 14:23 Ary rehefa nanendry loholona teo amin’ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an’ny Tompo izay efa ninoany.

Ny diakona

Ny asan’ny diakona dia ny fanompoana ny Fiangonana iray. Ny diakona dia fidin’ireo mpino ary izany fifidianana izany dia mila ny fankatoavan’ny Apostoly.

Asan’ny Apostoly 6:2-4,6 Ary ny roa ambin’ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe : tsy mety raha mandao ny tenin’Andriamanitra hitandrina latabatra izahay. Koa amin’izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny fanahy sy fahendrena, mba ho tendrenay hitandrina izany raharaha izany. Fa izahay kosa haharitra amin’ny fivavahana sy ny fampianarana. Ireo dia narosony teo anatrehan’ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly dia nametra-tànana taminy.

1 Timoty 3:10 Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan’ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.

FAHAFANTARANA NY ASA FANOMPOANA, NY ANJARA ASAN’NY LOHOLONA

Famaritana

 

Ny teny Grika “presbuteros” dia midika hoe loholona na Filoha. Ao amin’ny Testamenta Taloha, izy dia manendry ireo mpikambana ao amin’ny synedriona na ireo filohan’ny synagoga. Ao amin’ny Testamenta vaovao, io teny io dia nampiasaina matetika ao amin’ireo taratasy ho an’ny mpino Hebreo izay mahalala tsara ny hevitr’io teny io araka ny fampiasana azy any amin’ny Testamenta taloha.

Asan’ny Apostoly 14:23 Ary rehefa nanendry loholona teo amin’ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an’ny Tompo izay efa ninoany. Ny teny Grika hoe “episkopos” dia midika hoe mpanara maso, mpitantana, na mpiandry. Indimy no hita izany teny izany ao amin’ny Testamenta Vaovao. Azo adika hoe “eveka” ihany koa izy io fa ny tena heviny marina dia hoe “mpiandry”. Any amin’ny taratasy nosoratana ho an’ireo mpino Grika izy io satria io teny io dia nampiasainy ho an’ny mpitarika ara-panahy.

Asan’ny Apostoly 20:28a Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina,

Ny asany

Tsy misy fahasamihafana ara-tsoratra masina ireo anarana roa ireo. Manambara anjara asa iray ihany ireo eo anivon’ny Fiangonana iray. Tsy misy ambony sy ambany izany ny

~ 45 ~

Fiangonana. Ny Fiangonana tsirairay dia samy mahaleo tena sy miahy ny tenany. Ny fitantanana ny Fiangonana dia tsy misy fikambana, na fiombonana na fitambaran’olona, fa fifandraisana ara- panahy eo amin’ny samy olona voantso ho Apostoly sy ho loholon’ny Fiangonana. Ny Fiangonana iray dia afaka miasa ho « mpampiely » fa tsy azo heverina ho « renim- piangonana », mifehy, mitantana Fiangonana iray hafa na mamehy ny fahaleovan-tenany. Raha nanorina sy nanangana ireo Fiangonana ny Apostoly sy ireo mpaminany, ary nanendry loholona isam- piangonana, izy ireo dia nanangana fifandraisana ara-panahy lehibe. Ireny fifandraisana ireny no hany zavatra mampitohy ny Fiangonana eo amin’ny toerana iray amina Fiangonana any amin’ny toeran-kafa, ary tsy natao ho an’ireo Fiangonana na fikambanana, fa ho an’ireo olona izay manao ny iray amin’ireo ministera dimy ihany. Tamin’ny voalohany dia nisy Fiangonana vaovao nahorina tamin’ny hetsika nataon’ny Apostoly na mpaminany, izay nametraka ny fototra. Dia nanendry loholona tao ireo Apostoly. Ireo loholona ireo no mandrafitra fitondran- draharaha izay mitantana ny rahara’ny Fiangonana.

1 Timoty 5:17 Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony

hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy

ny fampianarana Loholona manao ny asa fanompoana dimy Ireo asa fanompoana dimy matetika dia sahanin’ny loholona. Manana ohatra ny amin’izany isika ao amin’ny epistilin’i Petera sy Jaona:

1 Petera 5:1 Koa ny amin’ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay

naman’i loholona sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary mpiombona ny

voninahitra efa haseho koa.

3 Jaona 1:1 Izaho loholona mamangy an’i Gaio, ilay malala, izay tiako amin’ny fahamarinana. Izay nomen’i Jesosy ny Fiangonany ho Apostoly, mpaminany, evanjelista, mpitandrina ary mpampianatra dia voantso mba hiara miasa « hanomana ny vahoakan’Andriamanitra. » ao amin’ny Soratra Masina, tsy noraisina ho « anjara asa » velively ireo asa fanompoana ireo. Fa ireo izay manao ireo asa fanompoana ireo ihany no manao ny asan’ny « loholona » ao am-piangonana.

Ny Anjara asa fanompoan’ny loholona. Any amin’ny isam-piangonana, ireo loholona dia nantsoina mba hitandrina ny ondry izay nampiandrasana azy sy natao fahanany.

~ 46 ~

1

Petera 5:1-3 Koa ny amin’ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay

naman’ny loholona sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy antery, fa amin’ny sitrapo. Araka an’Andriamanitra; tsy amin’ny fitiavana harena maloto fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry.

MANAO NY ASA FANOMPOANA DIMY NY LOHOLONA

Ho an’ireo izay nomen’Andriamanitra ireo asa fanompoana dimy notanisaina ao amin’ny epistily ho an’ny Efesiana, toko faha efatra, dia nomen’Andriamanitra fahasoavana sy hosotra manokana ho amin’ny fampandrosoana ny olona masina. Hita fa ireo izay voafidy hitandrina, hamelona, hanara maso ny ondry dia mila ny fahasoavana sy ny hosotry ny asa fanompoana dimy. Hita fa ireo loholon’ny fingonana iray dia ireo izay nofidin’Andriamanitra ho an’ny asa fanompoana dimy. Mahafeno ny toetra ara-baiboly takina ho an’ny asan’ny loholona ny tsirairay avy amin’izy ireo. Nankinina tamin’ireo loholona ireo ny andraikitra hitantana « ny raharaham-piangonana. »

1 Timoty 5:17 Aoka ny loholona izay mitondratena tsara hatao tokony

hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana.

Na dia tokony hanana ny fahafahana ampianatra aza ny loholona, dia tsy misy milaza amintsika hoe izy rehetra dia samy nanao isany anjara asa izany avokoa teo anivon’ny Fiangonana iray.

Ny asany

Rehefa avy nametraka ny fototra ireo Apostoly sy mpaminany, ary voatendry ireo loholona eo an-toerana, ny sasany tamin’ireo izay nofidin’Andriamanitra ho an’ny asan’ny mpitandrina na mpampianatra dia notendrena, naseho ary napetraka teo amin’ny anjara asa fanompoany tamin’ny alalan’ny fametrahan-tànan’ny Apostoly, mpaminany sy ny loholona hafa. Ny mpino dia namboarinn’y Teny sy nofanin’ireo mpitandrina sy ireo mpampianatra, ary ireo izay nofidin’Andriamanitra tamin’izy ireo ho an’ny asan’ny evanjelista dia notendrena, sy napetraka tamin’ny asa fanompoany ihany koa tamin’ny alalan’ny fametrahan- tànan’ireo loholona.Ny evanjelista no manofana sy manentana ny mpino mba hampandroso ny asa fitoriana Filazantsara arahina fahagagana. Tsy afaka ny hitombo sy hiomana amin’ny fanompoana ny tena raha tsy mamatsy izay ilainy amin’izany ireo asa fanompoana dimy.

~ 47 ~

Ny Lehiben’ny loholona

Toa hita miharihary fa ireo loholona notendrena isam- piangonana dia ireo izay nantsopin’Andriamanitra ho amin’ny iray amin’ireo asa fanompoana dimy. Ny anjara asan’ny loholona eo amin’ny Fiangonana iray dia tsy napetraka amina olon-tokana. Na izany aza, Andriamanitra dia manangana mpitantana ara-panahy hatrany, toa an’i Mosesy, mba hitarika ny vahoakany. Io mpitantana io dia antsoina hoe « anjely » (iraka) ny Fiangonana ao amin’ny Apokalypsy.

« Anjely » na Iraka

Apokalypsy 2:1 Soraty ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Efesosy:

Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito.

Jakoba, Lehiben’ny loholona

Toa i Jakoba no lehiben’ny loholon’ny Fiangonana tany Jerosalema. Nivory handinika foto-pampianarana ireo loholona sy Apostoly.

Asann’ny Apostoly 15:6,13 Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany. Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: ry rahalahy, mihainoa ahy.

Ireo loholona rehetra dia nandray anjara tamin’ny fivoriana fiheverana ilay foto-pampianarana, izay nahatonga ady hevitra, Nefa Jakoba, amin’ny maha lehiben’ny loholona azy, no tsy maintsy nandraisany ny fanapahan-kevitra farany.

Ny Lehiben’ny Fiangonana

Jesosy no lohan’ny Fiangonana. Kanefa eo ambany ny fitondran’i Jesosy, dia misy ihany koa ny fitantanana ny Fiangonana izay arafitr’Andriamanitra. Izany toerana izany dia noomena ny lehiben’ny loholona, izay miara miasa amin’ireo loholon’ny Fiangonana, mba hitantana ny “raharaham-piangonana” sy “hanomana ny olona hanompo.”

Ny Modely ao amin’ny Testamenta Vaovao Raha toa ny endrim-pitondram-piangonana nahazatra antsika tsy mitovy amin’ny maodely ao amin’ny testamenta vaovao dia mila manao izay azo atao hanovana izany isika. Ankehitriny Andriamanitra dia mamerina indray ireo asa fanompoana dimy ho an’ny Fiangonany.

Fanovana tsy misy fifanoerana

Rehefa nahazo izany fanambarana izany, dia mila omena fotoana ny mpikambana ao am-piangonana mba hanekeny malohan’ny hirosona amin’ny fiovana tsy maintsy atao. Ny fanarahana izany dia ho fisorohana ny ady sy ny fifanoherana mety hiseho. Ny fanapahan-kevitra rehetra momba ny fitondram-piangonana dia raisin’ilay fantatra fa

~ 48 ~

Apostoly (mpanorina), miaraka amin’ny lehiben’ny loholon’ny Fiangonana. Tsy tokony hiteraka tsy fifankahazona izany izay mety hatonga fisarahan’ny fikambanan’ny

ANARANA MAMPIREHAREHA

Ny fanomezam-phahasoavan’ny asa fanompoana dimy dia tsy anarana, fa asa. Mila mitandrina isika mba tsy hifanome anarana mampirehareha.

Matio 23:6-12 Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ny synagoga, sy ny hoarahabain’ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ny olona hoe: Raby ô ! Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô, fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Ary aza milaza olona ety an-tany ho rainareo, fa iray ihany no rainareo, dia Izay any an-danitra. Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo, fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy. Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo nareo. Fa izay manandra-tena no hanetry; ary izay manetry tena no hasandratra.

Mpirahalahy avokoa

Hoy Jesosy hoe « mpirahalahy avokoa.” Paoly dia tsy nanomboka ny taratasiny tamin’ny hoe “Ny Apostoly Paoly”, fa hoe “Paoly, Apostoly”, satria ny teny hoe “Apostoly” no mamaritra ny asany ao amin’ny Tenan’i Kristy. Petera dia niresaka an’i Paoly toy ny rahalahiny.

2 Petera 3:15 Ary ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr’i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy. Raha hampiasa anarana toy ny hoe « Réverend, dokotera, Mpampianatra, Mpitandrina » dia tsara lavitra raha miresaka hoe « Rahalahy. » Na Jesosy tenany aza dia nantsoina tamin’ny fanampin’anarany. Samy mpanompo avokoa isika rehetra.

Fanajana ny asa

Rehefa napetraka mazava tsara fa tsy tokony hifanome anarana mampiheboebo isika, fa kosa ilaina ny manaja ireo izay nantsoin’Andriamanitra ho an’ny asan’ny loholona. Ilaina isika manome voninahitra sy manaja ireo izay nomen’Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavan’ny asa fanompoana dimy ao amin’ny Fiangonany.

Matio 10:40 Izay mandray anareo dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy. Hoy Jesosy: « mpirahalahy ianareo. » noho izany, isika koa dia tokony hahalala sy hanaja ireo izay manao ny asa fanompoana dimy. Noho izany raha miantso ny mpitandrina antsika isika hoe; “Rahalahy Jaona,” dia mila koa isika

~ 49 ~

manaiky sy manaja azy amin’ny maha “mpitandrina” azy. Dia toy izany koa ireo fanomezam-pahasoavana hafa.

2

FANONTANIANA HO VALIANA

1 Inona ny andraikitr’ireo asa fanompoana dimy volohany indrindra voalaza ao amin’ny epistilin’ny Efesiana toko faha efatra (and 8-13) ?

2 Tanisao ireo fanomezam-pahasoavan’ny asa fanompoana ary farito fohifohy ny andraikiny ?

3. Farito ny asan’ny loholona sy ny diakona eo anivon’ny Fiangonana iray.

2 Ho fandalinana ireo fanomezam-pahasoavana sivy, dia jereo ny boky « fiainana tsy takatry ny saina amin’ny alalan’ny fanomezam- pahasoavan’ny Fanahy Masina » nosoratan’i A.L & J. Gill.

~ 50 ~

Lesona 6

Ohatra ho an’ny vanim-potoana ankehitriny

NANORINA NY FIANGONAN’NY FANEKENA VAOVAO JESOSY

Fony Jesosy niteny voalohany ny Fiangonana, dia nanao fanambarana roa lehibe mikasika izany Izy. Nilaza Izy fa haoriny ny Fiangonany. Ankehitriny isika dia mila mahatsapa fa isika dia fitaovana fotsiny, izay ampiasain’I Jesosy hanorenany ny Fiangonany.

.

Nandritra ny taona maro, nandre ny antso ny amin’ny « Iraka Lehibe » ireo kristiana, ary izy ireo dia nalaim-opanahy ny hamaly izany tamin’ny alalan’ny herin’ny tenany, ny fahafahany ary ny fahendreny. Fiangonana araka ny fomba fiasany manokana sy ny fahazarany. Nefa niteny Jesosy fa ny Fiangonany dia tsy haorin’ny mpino fa haoriny.

Matio 16:18 Ary Izaho milaza aminao koa : Ianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy hharesy azy. Nilaza ihany koa Jesosy fa tsy hharesy ny Fiangonana ny vavahadin’ny fianan-tsy hita (ireo fanjkan’i satana manontolo) Hanorina ny Fiangonana Jesosy ary ho Fiangonana matanjaka izany. Izany no karazan’ireo Fiangonana voalaza manerana ny bokin’ny Asan’ny Apostoly.

Batisan’ny Fanahy Masina

Nalefan’i Jesosy ho antsika ny Fanahy Masina mba hitari-

dàlana antsika, hampianatra, sy hanome ireo zavatra rehetra ilaina hatonga antsika ho tonga ekipa mpanorina ny

Fiangonany.

Lioka 3:16 Dia namaly Jaona ka nanao tamin’izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin’ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo.

Asan’ny Apostoly 1:8 FA hahazo hery ianreo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.

Jaona 14:16,17 ARy Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo mpnanatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanain’ny fahamarinana izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany ; fa ianareo no mahafantatra azy, satria mitoetra eo aminareo izy, ary ho ao anatinareo.

~ 51 ~

Ny Fampianarana ny Teny

Rehefa misy olona mampianatra na mitory teny, dia tsara ny mahatsiaro fa ny Fanahy Masina no tena Mpampianatra marina. Afaka manazava ny Teny isika, fa ny Fanahy Masina no mamonto ny mpihaino ka mahatonga ilay teny hiasa eo amin’ny fiainany.

Jaona 14:26 Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. Nampianatra tao amina sekoly ara-Baiboly nandritra ny roa taona i Paoly, izay nafahan’ireo Jiosy sy Grika nandre ny Vaovao Mahafaly.

Asan’ny Apostoly 19:9,10 Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason’ny olona maro, dia niala tamin’ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isanandro tao amin’ny trano fampianaran’i Tyrano. Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny Tenin’ny Tompo izay rehetra nonina tany Azia, na Jiosy na Jentilisa. Noho ilay fampianarana dia nandroso sy nitombo hery ny Tenin’Andriamanitra.

Asan’ny Apostoly 19:20 Fatratra toy izany no fandroson’ny Tenin’Andriamanitra sy ny heriny.

Ny faharetana

Paoly no anisan’ireo ohatra velona ny amin’ny mpino maharitra na dia teo aza ireo sakana nataon’i satana. Notantarainy avoko izay niaretany noho ny Filazantsara:

2 Korintiana 11:23-27 Mpanompon’i Kristy va izy ? (Miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin’ny fisasarana manan-tombo,amin’ny tranomaizina matetika kokoa, amin’ny kapoka be efa izay tsy izy, amin’ny fahafatesana matetika. Indimy aho no nokapihin’ny Jiosy, inefapolo latsaka iray avy. Intelo nokapihina tamin’ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ny lalina, nandeha matetika aho, saika nahita loza tamin’ny ony, saika nahita loza tamin’ny jiolahy, saika nahita loza tamin’ny tompon-tany namako, saika nahita loza tamin’ny jentilisa, saika nahita loza tamin’ny tanàna aho, saika nahita loza tany an’efitra aho, saika nahita loza tany amin’ny ranomasina aho, saika nahita loza tamin’ny rahalahy sandoka aho, tamin’ny fisasarana sy ny fikelezana aina, tamin’ny tsy fahitan-tory matetika, tamin’ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin’ny fifadian-kanina matetika, tamin’ny hatsiaka sy ny fitanjahana. Tapak’evitra ny hanao izay azo atao rehetra hanambarana ny anaran’i Jesosy tamin’ny hafa i Paoly, eny na dia hatramin’ny fahafatesany aza.

Asan’ny Apostoly 21:10-13 Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankizray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia. Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehikibon’I Paoly, ka

~ 52 ~

namatorany ny tongotra aman-tànan’ny tenany, dia hoy izy: izao no lazain’ny Fanahy Masina: toy izao no hamatoran’ny Jiosy any Jerosalemna ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, ka hatolony ho eo an- tànan’ny Jentilisa izy.

Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin’izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema. Fa Paoly namely ka nanao hoe: nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’I Jesosy Tompo.

Ireo Famantarana sy Fahagagana

Ao amin’ny lesona teo aloha, isika dia nianatra ny fomba ampiasain’Andriamanitra ireo famantarana sy fahagagana mba hampandrosona ny Filazantsara manerana ny tany.

Asan’ny Apostoly 19:11,12 Ary ny tànan’i Paoly no nanaovan’Andriamanitra fahagagana lehibe maro, ka dia ny mosara sy ny fiaron’akanjo teny aminy no nentina hatao amin’ny marary, dia sitrana ny aretina ary nivoaka ny fanahy ratsy.

.

Ny Fibebahana marina

Asan’ny Apostoly 19:18 Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.

Ny Fitoboana

Na aiza na aiza alehantsika, dia mila miresaka ny amin’i Jesosy isika, iza Izy ary inona no nataony? Isika no endrik’Andriamanitra. Isika no fitaratra afahana maneho an’Andriamanitra amin’ny tontolon’ny tsy mino

Salamo105:1, 2 Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany, ataovy fantatra any amin’ny firenena ny asany. Mihirà ho Azy, mankalazà azy; saintsaino ny fahagagana rehetra nataony.

Isaia 8:18 Indreto, izaho sy ireo zaza nomen’i Jehovah ahy. Dia famantarana sy fahagagana ao amin’ny Israely. Avy amin’I Jehoavh, Tompin’ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin’ny fahalavoan’i Adama sy Eva, dia nitady an’Andriamanitra ny zanak’olombelona. Ao anatin’ny natioran’ny fanahin’ny olombelona ny hikaroka an’Andriamanitra. Nanjary nahalala an’Andriamanitra sy nahita ny heriny izay katsahin’izao tontolo izao isika amin’ny maha kristiana antsika. Amin’ny maha kristiana,

Marka 5:19 Nefa tsy navelan’i Jeosy izy ; fa hoy izy taminy : modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao Ny mpino rehetra dia tokony ho vavolombelona. Afaka mitantara ny zavatra niainantsika isika : ny fomba nihaonantssika tamin’Andriamanitra, ny fiadanan eo amin’ny fiainantsika, ireo fahagaga efa hitantsika, sy ny habean’ny fitiavan’Andriamanitra antsika tsirairay avy.

~ 53 ~

Afaka ny ho babo amin’ny alalan’ny fitoriana filazantsara arahina fahagagana izao tontolo izao raha mitohy mijoro vavolombelona sy manambara ny Filazantsara miaraka amin’ny fahagagana ny mpino tsirairay.

Asan’ny Apostoly 19:17 Ary fantatry ny Jiosy sy ny Jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany ; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran’i Jesosy Tompo.

IREO BATISA FITO

Ny teny hoe « batisa » dia midika hoe mitovy tanteraka amin’i :

Milaza batisa fito ny Soratra Masina:

ny an’i Mosesy ny an’i Jaona Mpanao batisa ny an’i Jesosy (tokana, Izy irery ihany no nahazo izany) ny an’ny afo ny an’ny Fanahy Masina (tao amin’ny tenan’i Jesosy) ny an’ny Fanahy Masina izay nataon’i Jesosy (mba afahana mijoro vavolombelona) ny an’ny rano (vavolombelon’ny maha ao amin’i Kristy antsika)

Ny batisan’I Mosesy

Ireo zanak’israely dia nampitovizina tanteraka tamin’i Mosesy fony izy nita ny ranomasina Mena sy fony izy notarihin’Andriamanitra tany anefitra tamin’ny andry rahona sy andry.

1 Korintiana 10:1-4 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin’ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’i Mosesy tao amin’ny rahona sy ny ranomasina, ary izy rehetra nihinana ny fihinam- panahy iray ihany, ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany ; fa nisotro tamin’ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.

Ny Batisan’i Jaona

Ny batisan’i Jaona dia ny an’ny fibebahana.

Matio 3:11 Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano ho amin’ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy mendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo.

Ny Batisan’i Jesosy

Ny batisan’i Jesosy dia batisa miavaka, izay Izy irery no nahazo izany. Na dia nataon’i Jaona batisa a za Izy dia tsy

~ 54 ~

nandray ny batisan’ny fibebahana. Izany no nahatonga ny ady hevitra teo amin’i Jesosy sy Jaona.

Matio 3:13-16 Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona Izy mba hataony batisa. Fa Jaona nandà Azy ka ananao hoe: izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray va no mankaty amiko ?

Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.

Dia nidina teo ambonin’i Jesosy ny Fanahy Masina rehefa natao batisa Izy, ary nanomboka tamin’izay dia tsy nitsaha- niseho teo amin’ny fiainany ny fahagagana.

Ny Batisan’ny afo

Naminany i Jaona fa Jesosy hanao batisa amin’ny Fanahy Masina sy ny afo.

Matio 3:11b-12 fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy mendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo. Eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsar any eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsopitra; fa ny akofa sy ny mololo ho dorany amin’ny afo tsy mety maty. Ao amin’ny batisan’ny afo, ny asan’ny nofo, « mololo », dia dorana sy esorina eo amin’ny fiainantsika. Ny tena vokatry ny fanahy ihany « vary », no mitoetra.

Ny Batisan’ny Fanahy Masina

Natao batisa ho amin’i Jesosy tamin’ny Fanahy Masina isika.

Romana

6:3 Tsy

fantatrareo

va

fa

na

iza

na

iza isika no efa natao

batisa

ho

amin’i

Kristy

Jesosy

dia

natao

batisa

ho amin’ny

fahafatesany?

1 Korintiana 12:13 Fa fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na Jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.

Titosy 3:5 Dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, Ny Batisan’ny Fanahy Masina ataon’i Jesosy Nataon’i Jesosy batisa tamin’ny Fanahy Masina isika.

Lioka 3:16 Dia namaly Jaona ka nanao tamin’izy rehetra hoe : izaho manao batisa anareo amin’ny rano, fa avy izay mahery noho izaho, ka

~ 55 ~

tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho ; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo ; i

Asan’ny Apostoly 1:4-5,8 Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala any Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy ; fa Jaona nanao batisa tamin’ny rano ; fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.

Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.

Ny Batisan’ny rano

Ny Batisan’ny rano dia fanahafana an’i Kristy ho amin’ny fahafatesany, ny nandevenana Azy ary ny fitsanganany tamin’ny maty.

Romana 6:3,4 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany ? Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.

BATISA, DIDY

Isika dia nandray ny baiko mba hibebaka, sy hatao batisa.

Asan’ny Apostoly 2:38-41 Ary hoy Petera taminy: mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.

Fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’I Jehovah Andriamanintsika hanatona Azy. Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa: ary tokony ho telo arivo no olona vao nanampy ho isany tamin’izany andro izany.

Ny batisan’ilay Etiopiana

Asan’ny Apostoly 8:36-39 Ary raha nandeha teny an-dàlana izy, dia tonga teo amin’izay nisy rano ; ary hoy ilay tandapa : indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa ?

Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, dia nidina ho eo amin’ny rano ; dia nataony batisa izy.

Ary rehefa niakatra avy teo amin’ny rano izy roa lahy dia nentin’ny Fanahin’ny Tompo Filipo ka tsy hitan’ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin’ny nalehany izy sady nifaly.

~ 56 ~

Fitohizan’ny Modely

Ireo izay tokony hatao an’izany

Asan’ny Apostoly 10:47, 48 Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa ? dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin’ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy Ny Testamenta Vaovao dia miresaka olona maro izay natao batisa avy hatrany tao aorian’ny namonjena azy.

Ny olona tao Samaria

Asan’ny Apostoly 8:12 Ary rehefa nino an’i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny anaran’i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.

Lydia

Asan’ny Apostoly 16:15 Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin’ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: raha ataonareo ho mahatoky amin’ny Tompo aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoerà ao. Dia nanery anay izy.

Ilay Mpiandry tranomaizina

Asan’ny Apostoly 16:33 Ary nandray azy roa lahy izy tamin’izany ora amin’ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin’izay izy mbamin’izay azy rehetra.

Ilay Mpanapaka ny synagoga

Asan’ny Apostoly 18:8 Ary Kryspo, mpanapaka ny synagoga, mbamin’ny ankohonany rehetra, dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre dia nino ka natao batisa.

.

Ny korintiana

Asan’ny Apostoly 19:5 Ary raha nahare izany izy dia natao batisa ho amin’ny anaran’i Jesosy Tompo.

Nandidy an’i Paoly i Ananiasy

Asan’ny Apostoly 22:16 Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangana, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin’ny fahotanao.

FANONTANIANA HO VALIANA

1 Inona ireo fanamarihana roa lehibe nataon’i Jesosy mikasika ny Fiangonana ao amin’ny Matio toko faha enina ambin’ny folo (and18) ?

2 Farito ny maha samy hafa ny batisan’ny Fanahy Masina ho amin’i Jesosy Kristy sy ny batisan’ny Fanahy Masina ataon’i Jesosy.

3 Nahoana no zava-dehibe ny batisan’ny rano ?

~ 57 ~

FIZARANA II

NY ASA FANOMPOANA AO AMIN’NY BOKIN’NY ASAN’NY APOSTOLY

Lesona 7

Petera, Zozoro

NIARA NANDEHA TAMIN’I JESOSY PETERA

Fantatsika bebe kokoa mihoatra noho ny fiainan’ireo mpianatra hafa ny fiainan’i Petera. Petera no mpitarika azy ireo. Loha laharana foana ny anarany. Izy foana matetika no maneho hevitra. Izy dia sahy, mahatoky tena, mahery fo, tsotra, mavitrika, matanjaka. Izy dia mpivadibadika, ary indraindray toa sahisahy sy tataitra

Ny Fihaonana tamin’i Jesosy

Angamba Petera no iray tamin’ireo izay nanaraka an’i Jaona mpanao batisa. Fantatsika tsara fa izy no niteny an’I Jesosy hoe Zanak’ondrin’Andriamanitra. Ny anaran’I Petera dia hita voalohany ao amin’ny Baiboly tamin’I Jesosy nanome azy izany anarana vaovao izany. Simona no anarany tamin’ny voalohany, izay adikan’ny sasany hoe “zozoro”. Ny zozoro dia asavombonan’ny rivotra. Avy hatrany izy dia nomen’i Jesosy anarana hoe Petera, « vato », ary avahany tsara ny fiantsoany azy ao amin’ny Filazantsara na hoe Simona na Petera:

Jaona 1:35-42 Nony ampitson’iny dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy; ary njiery an’i Jeosy nitsangatsangana izy ka nanao hoe: indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra! Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an’I Jesosy.

Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe:

inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, mpampianatra ô), aiza Ianao no mitoetra ? hoy Izy taminy: avia, fa hohitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin’izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin’izay.

Andrea, rahalahin’I Simona Petera, no anankiray tamin’izy roa lahy, izay nandre ny tenin’I Jaona ka nanaraka an’I Jesosy. Izy no nahita an’I Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: efa nahitany Mesia izahay (izay atao hoe, raha adika, ny Kristy). Dia nitondra azy ho any amin’i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: ianao no Simona, zanak’I Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera).

Lasa Petera i Simona

Dia nitondra azy ho any amin’i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: ianao no Simona, zanak’I Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera

~ 59 ~

Ilay fanaratoana mahagaga

Rehefa mamaky ireo zava-nitranga mahagaga ambaran’ny Baiboly isika, dia toa faly loatra ka manadino ny mijery ireo fiovana tonga teo amin’ny fiainan’ireo voakasik’izany fahagagana Nampiasain’i Jesosy ho « fitaovam-pampianarana » ny sambon’i Petera. Dia nomen’I Petera an’i Jesosy mba ho ampiasainy, ny sambony sy ny tenany, satria nampiatahany kely tamin’ny sisin-drano ny sambony. Refa avy nampianatra Jesosy, dia hoy Izy tamin’I Petera: Mandrosoa ho any amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.” Nanana safidy Petera. Afaka nankato ilay baiko hafahafa (raha ny fijerin’olombelona) izy, na nandà ny tsy hanao izany. Nisafidy ny fankatoavana Petera.

Nankato Petera

Satria nankato Petera, dia nahita ny herin’Andriamanitra tsy takatry ny saina izy. Nasehony ny maha mpanarato azy ary nanaiky an’i Jesosy ho Tompo izy. tao aorian’izay izy dia nantsoin’I Jesosy ka nahafoy ny zavatra rehetra dia nanaraka Azy.

Lioka 5:1-5 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra, dia nijanona teo amorony farihin’ny Genesareta Jesosy ; ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin’ny farihy Izy ; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nana ny haratony.

Ary niditra teo amin’ny sambokely anankiray izay an’i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin’ny tany. Dia nipetraka teo an- tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin’I Simona: mandrosoa ho any amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.

Fa Simona namely ka nanao hoe, Tompoko, nandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona kanefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny haratoko.

Nanaraka ireo Fitahiana

Lioka 5:6,7 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin’ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.

Nantsoin’i Jesosy Petera

Lioka 5:8-11 Ary rehefa hitan’i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesosy izy ka nanao hoe : Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben’ny hazandrano izay azony.

~ 60 ~

Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, izay niombon- draharaha tamin’i Simona. Dia hoy Jesosy tamin’i Simona : Aza matahotra ; hatramin’izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao.

Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesosy. Nandeha teny ambony rano Petera Rehefa nahita an’i Jesosy nandeha teny ambony rano avy nanatona ny sambokely ny mpianatra dia raiky tahotra. Tsy fantatr’izy ireo Jesosy fa nataony ho matoatoa. Ny tahotra no fihetsika voalohany asehon’ireo kristiana maro raha mahita ny fiasan’Andrimanitra tsy takatry ny saina izy. Hoy Jesosy : » Aza matahotra, Izaho ihany ity ». Petera irery no namaly Azy. Dia nivoaka ny sambokely izy ary nandeha teny ambony rano, ka rehefa nijery ny manodidina azy izy, dia nanomboka nanahy sy nilentika. Nanarin’i Jesosy izy noho ny tsy fahampian’ny finoany, tadidio anefa fa nandeha teny ambony rano Petera. Nanana finiavana ny hanandrana zavatra sarotra izy. Nankato Petera; rehefa hoy Jesosy hoe « avia » dia nanatona izy.

Matio 14:25-33 Ary taminy fiambenana fahaefatra amin’ny alina dia nankeny amin’ny mpianany Jesosy, nitsangatsangana teny ambonin’ny ranomasina.

Ary nony nahita Azy nitsangatsangana tambonin’ny ranomasina ny mpianatra, dia raiky tahotra ka nanao hoe: matoatoa io; dia niantso izy nony tahotra

ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin’izay hoe: matokia, fa izaho ihany, aza matahotra.

Ary Petera namely Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha ianao ihany, dia asaivo manatona anao eny ambonin’ny rano aho. Ary hoy Izy:

manatonà. Dia nidina niala tamin’ny sambokely Petera ka nandeha tambonin’ny rano hanatona an’I Jesosy.

Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe : Tompo ô, vonjeo aho ! ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe : ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao ?

Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely Izy, dia nitsahatra ny rivotra.

Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe : Zanak’Andriamanitra tokoa ianao.

Nijanona Petera

Maro tamin’ireo mpianatr’i Jesosy izay nanaraka Azy no nahita fa sarotra ny làlany ka dia niala, fa Petera kosa nijanona.

Jaona 6:67-69 Dia hoy Jesosy tamin’ny roa ambin’ny folo lahy :

ianareo koa va mba te hiala ?

~ 61 ~

Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay, Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay, ary izahay mino ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra.

“Ianao no Kristy”

Petera no mpitondra teny voalohany, misolo vava ny roa ambin’ny folo lahy, izy hatrany no mamaly ny resak’i Jesosy. Izy no niteny fa ilay olona nataon’ny olona ho mpaminany no Mesia.

Matio 16:13-20 Ary rehefa tonga tany amin’ny faritanin’ny Kaisaria- Filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?

Dia hoy ireo: hoy ny sasany: Jaona mpanao batisa; ary hoy ny sasany:

Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin’ireo mpaminany.

Nananatra an’i Petera Jesosy

Ary hoy Jesosy taminy: fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?

Ary

Zanak’Andriamanitra velona.

Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bara-Jaona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko izay any an-danitra.

Ary Izaho milaza aminao koa: ianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny Fiangonako ary ny vavahadin’ny fianan-tsy hita tsy haharesy azy.

Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra; ka na inona na inona fehizinao ety ambonin’ny tany dia ho fehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao ety ambonin’ny tany dia ho vahana any an- danitra.

Ary tamin’izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin’ny olona akory fa Izy no Kristy. Mariho fa Jesosy tsy niteny hoe: « Ianao no Petera ary eo amboninao no haoriko ny Fiangonako ». Fa hoy Jesosy hoe:

“Ianao no Petera” (tsy hoe Simona, ilay zozoro atambolombolon’ny rivotra, fa Petera, ilay vato) ary eo ambonin’izany vatolampy fanambarana izany, izay voaporofo rehefa niaiky Petera fa Jesosy no Kristy, no hanorenany ny Fiangonany. Ary nolazain’i Jesosy fa nomeny azy ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra sy ny hery mba hamatotra sy hamaha. Toy ny niresaka tamin’ny mpino Azy rehetra izy raha niresaka tamin’ny mpianany. Io hery sy fahefana io dia tsy nomena an’i Petera irery, fa tokony homena ny mpino rehetra koa mba hamitany ny « Iraka lehibe »

ka nanao hoe: Ianao no Kristy,

namaly

Simona

Petera

Noho ny Fanahy, Petera dia nahalala hoe iza Jesosy. Namaly azy Jesosy fa izany fanambarana izany dia tsy avy amin’ny

~ 62 ~

olona, fa avy amin’ny Ray izay any an-danitra. Fa rehefa nanomboka nilaza ny zavatra izay tsy maintsy hiaretany Jesosy, ho vonoina Izy ary hatsangana amin’ny maty, dia nihetsika araka ny sainy Petera. Ny tsy fahapian’ny fahatakarany sy ny fitiavany an’I Jesosy dia nanosika azy mba hiezaka hisoroka izay zavatra noheveriny ho ratsy. Dia tsy maintsy nananatra azy Jesosy:

Matio 16:21-23 Hatramin’izany no vao natoron’i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hakany Jerosalema Izy ka hampijalin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dàlana, dia hovonoiny, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.

Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria Aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!

Fa Izy nihodina ka niteny tamin’I Petera hoe: mankanesa ato ivohoko, ry satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao, fa izay an’ny olona.

Olon’ny Finoana

Petera dia olon’ny finoana. Rehefa handeha hanasitrana ny zanakavavin’i jairo Jesosy, dia tsy nisy olona navelany hiaraka Taminy afa-tsy Petera, Jakoba ary Jaona. Fantatr’i Jesosy fa tsy tokony hodidinina fanahina Izy fa finoana : Jésus savait qu’il ne devait pas être entouré de doute mais de foi:

Marka 5:35-42 Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin’ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe : efa maty ny zanakao vavy ; nahoana ianao no mbola manahirana ny mpampianatra ihany ?

Fa tsy nahoan’i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin’ilay mpanapaka ny synagoga : aza matahotra, minoa fostiny ihany. Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin’i Jakoba.

Ary dia tonga tao an-tranon’ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan’i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.

Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.

Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy an-drazazavavy.

Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe : talita komy, izany hoe, raha adika : ry zazavavy, hoy Izaho aminao :

mitsangana. Dia nitsangana niaraka tamin’izay razazavavy ka afa- nandeha ; fa efa roa ambin’ny folo taona izy. Ary niaraka tamin’izay dia talanjona indrindra ny olona.

~ 63 ~

Vavolombelon’ny fiovan-tarehy

Im-betsaka Petera no voafidy tamin’ireo roa ambin’ny folo lahy. Afaka nahita ny fiovan’I Jesosy tarehy i Petera, Jakoba sy Jaona.

Matio 17:1-5 Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an- tendrombohitra avo mba hitokana.

Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.

Ary, indreo, niseho tamin’ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin’i Jesosy.

Dia niteny Petera ka nanao tamin’I Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho anao, ny anankiray ho an’I Mosesy, ary ny anankiray ho an’I Elia.

Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: ity no zanako malalako izay sitrako; Izy no henoy.

Petera sy ilay Trondro

Ireo mpampory hetra niresaka tamin’i Petera mba hiteny an’i Jesosy. Tsy matahotra ny hilaza olana amin’I Jesosy I Petera. Noho izany ny olany dia voavaha niaraka tamin’ny an’i Jesosy.

Matio 17:24-27 Ary nony tonga tao Kapernaomy Izy, dia nankeo amin’i Petera ny mpandray antsasaky ny sekely ka nanao hoe : moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely va ?

Dia hoy Petera: mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan’i Jesosy teny izy ka nataony hoe : ahoana no hevitrao, ry Simona ? Avy amin’iza moa no andraisan’ny mpanjaka ety an-tany fadintseranana sy vola hetra? Avy amin’ny zanany va, sa avy amin’ny olon-kafa?

Ary nony hoy Petera taminy: avy amin’ny olon-kafa, dia hoy Jesosy taminy: dia afaka ary izany ny Zanak’olona.

Nefa ndrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin’ny ranomasina ianao, ka manjonoa ; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao ; dia raiso izany ka homeo azy ho avy Amiko sy ianao. Mbola afaka nandray anjara tamin’ny fahagagan’i Jesosy indray Petera. Nasain’i Jesosy nanjono izy ary ny trondro voalohany azony dia hisy vola ao am-bavany ka izay no handoavany ny hetran’izy ireo. Nasain’I Jesosy nanao zavatra tsy azo sainina indray Petera teo, nefa nankato Petera ka dia voatahy.

~ 64 ~

TSY NAHOMBY PETERA

Ny Olana

Petera no nantsoin’i Jesosy voalohany indrindra tamin’ireo mpianany mba hilazany mialoha ny zavatra izay hitranga.

Mpanambony tena

Lioka 22:31-35 Ary hoy ny Tompo : Ry Simona, ry Simona, indro, satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.

Nefa izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.

Marka 14:27-31 Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho any amin’ny fahafatesana aza. Fa hoy Jesosy: lazaiko aminao, ry Petera: raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.

Ary hoy koa Izy taminy: ho tafintohina avokoa ianareo rehetra; fa voasoratra hoe: hamely ny mpiandry aho, dia hihahaka ny ondry.

Fa rehefa mitsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.

Mieboebo

Fa hoy Petera taminy : na dia ho tafintohina avokoa ,aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina.

Ary hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : anio, dia amin’ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao.

Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe : na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’izy rehetra.

Petera tao Getsemane

Nofidin’i Jesosy

Nofidin’i Jesosy Simona, Jakoba ary Jaona mba hiandry hiari-tory hivavaka miaraka taminy tany an-tsaha. Jésus choisit Simon, Jacques et Jean pour aller attendre et veiller avec lui dans le Jardin. Niteny taminy mihitsy Jesosy fa tsy hahavita ny asany izy raha tsy mandany io fotoana io amin’ny vavaka, nefa dia mbola resin-tory ihany Petera.

Matio 26:36-46 Ary Jesosy mbamin’ny mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin’ny mpianany : mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka aho.

Ary nitondra an’i Petera mbamin’izy roa lahy zanak’i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra. Dia hoy Izy taminy : fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty ; mitoera eto, ka miaraha miari- tory amiko.

Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe : Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity ; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no atao, fa ny Anao.

~ 65 ~

Ary nankeo amin’ny mpianatra Izy ka nahita azy matory ; dia hoy Izy tamin’i Petera : Hay ! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo !

Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam- panahy ; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe : Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.

Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony. Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.

Dia nankeo amin’ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe : matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo ; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’olona hatolotra eo an-tànan’ny mpanota.

.

Voakapa ny sofin’i Malko

Tena vonona ny ho faty amin’ny fiarovana an’i Jesosy Petera, satria zavatra takany tsara izany. Asan’ny nofo izany. Pierre était désireux de mourir en combattant pour Jésus, parce que c’était une chose qu’il pouvait comprendre. C’était une oeuvre de la chair:

Jaona 18:10 Ary Simona Petera nanna sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon’ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran’ilay mpanompo.

Nandà an’i Jesosy Petera

Matio 26:56b-58 Ary tamin’izany dia nandao azy ny mpianatra rehetra ka nandositra. Ary izay efa nisambotra an’I Jesosy dia nitondra Azy ho any amin’I Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian’ny mpanora-dàlana sy ny loholona. Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin’ny kianjan’ny tranon’ny mpisoronabe; ary niditra izy dia naira- nipetraka tao amin’ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.

Marka 14:66-72 Ary raha nitoetra teo ambany teo ankianja Petera, dia avy ny anankiray tamin’ny ankizivavin’ny mpisoronabe ; ary nony nahita an’i Petera namindro izy, dia njiery azy ka nanao hoe : ianao koa nomba an’i Jesosy avy any Nazareta.

Fa izy nandà ka nanao hoe : tsy fantatro sady tsy azoko ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho naneno.

Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin’izay teo anilany hoe: io lehilahy io mba naman’ireny; fa izy nandà indray.

Ary nony afaka kelikely izay teo anilany koa dia nilaza tamin’I Petera hoe: naman’ireto koa ianao; fa Galiliana ianao.

Dia niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: tsy fantatro izany lehilahy lazainareo izany. Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy hoe raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.

~ 66 ~

Ireo epistily roa ireo iihany no hany boky nosoratan’i Petera ao amin’ny Testamenta vaovao. Araka ireo mpandinika sasany, nisy sombiny tamin’ny bokin’I Marka no nosoratana teo ambany toro-làlan’i Petera. Ao amin’io Filazantsara io, ny tantaran’ny fandàvan’I Petera dia voatantara mazava tsara mba ho vakin’ny rehetra. Nampalahelo raha nifarana teto ny tantaran’i Petera. Mbola Jodasy no ho be mpiresaka kokoa noho izy. Nefa ny fiainan’i Petera dia fianarana hatrany ny herin’Andriamanitra tsy hay tohaina hamela heloka sy hanova fiainana.

NY MARAINAN’N Y NITSANGANANY

Nankany amin’ny fasana i Maria Magdalena ka nahita fa efa nisy nanaisotra ny vato ary avy hatrany izy dia nihazakazaka nankany amin’i Jaona sy Petera. Dia nandeha haingana nankany amin’ny fasana izy ireo.

.

Jaona 20:1-10 Ary tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin’ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin’ny fasana.

Dia nihazakazaka nankany amin’i Simona Petera sy ilay mpianatra tian’i Jesosy izy ka nanao taminy hoe : nalain’ny olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fanantatray izay nametrahany Azy.

Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin’ny fasana.

Ary raha niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an’I Petera ka tonga aloha tao amin’ny fasana. Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy.

Ary avy koa Simona Petera nanaraka ay, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.

Ary tamin’izay dia nididtra koa ilay mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino.

Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty Jesosy.

Dia lasa indray ny mpianatra nody.

Arak’i Marka, nisy anjely niseho tamin’ireo vehivavy, teo anoloan’ny fasana ka nilaza tamin’izy ireo mba hiteny amin’ny mpianatra sy Petera fa nankany Galilia Jesosy ary any no hahitany azy, araka izay efan nolazain’i Jesosy

taminy.

Marka 16:7 Fa mandehana lazao amin’ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy ; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo.

~ 67 ~

Nahita ny Tompo nitsangana

Petera no mpianatra nahita voalohany an’i Jesosy nitsangana tamin’ny maty. Ireo olona roa lahy naira-nandeha tamin’I Jesosy hankany Emaosy nefa tsy nahafantatra Azy ambara- pamakiany ny mofo. Dia niverina tany Jerosalema izy ireo mba hampandre ny mpianatra.

Lioka 24:34 Sady nilaza hoe : Efa nitsnagana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin’i Simona

1 Korintiana 15:3-5 JFa nanolotra anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao : Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina ; dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina ; ary naseho tamin’i Kefasy Izy, dia vao tamin’ny roa ambin’ny folo lahy koa.

Fanekena telo sosona

Niseho fanin-telony tamin’ny mpianatra Jesosy ary niresaka manokana momba an’i Petera izay tamin’izay.

Jaona 21:15-19 Ary rehefa nisakafo izy dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.

Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko, Ianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.

Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy Taminy: Tompoko, Ianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: fahano ary ny ondriko.

Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandehatamin’izay tianao, fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tànanao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin’izay tsy tianao.

Ary izany no nolazainy hanambarana ny fomban’ny fahafatesana izay hankalazainy an’Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: manaraha Ahy. Nandà an’i Jesosy intelo Petera ary voaverina tsara tamin’ny laoniny indray tamin’ny nilazany intelo fa tia an’i Jesosy izy.

Famintinana

Mpiasa tsotra i Petera, mpanarato, fony niditra teo amin’ny fiainany Jesosy. Ny fiarahany tamin’I Jesosy nandritra ny telo taona, dia voavolavola ho amin’ny sa fanompoana izy. Afaka ny haiiana izany ny mpino rehetra ankehittriny. Ny tsy ambara telon’ny fiainan’i Petera dia ny fandraisany andraikitra. Nanokana ny fiainany iray manontolo ho an’i Jesosy izy. Nafoiny ny asany, ireo namany, ny fotoany, ny

~ 68 ~

zavatra rehetra. Afaka ny hampiasa olona izay manokana ny tenany ny Tompo ankehitriny. Te hampiasa antsika tsirairay avy Izy!

FANONTANIANA HO VALIANA

1 Inona ilay fanambarana azon’i Petera momba an’i Jesosy ?

2 Manomezà santionany amin’ny finoan’i Petera.

3. Manomezà santionany amin’ny tsy finoan’i Petera

4 Inona ilay baiko fahatelo nomen’i Jesosy an’i Petera raha nakatoky ny amin’ny fitiavany azy Izy ?

~ 69 ~

Lesona 8

Petera, Vato

FIANDOHAN’NY ASA FANOMPOAN’I PETERA

Lasa natanjaka tamin’ny finoana i Petera. Tsy niozongozona intsony ny finoany tao aorian’ny fandàvany an’I Jesosy. Tao aorian’ny nadraisiany ny herin’ny Fanahy Masina tamin’ny Pantekosata, dia lasa olona hafa i Petera. Tena lasa Petera, ilay Vato, tokoa izy. Ny asa fanompoan’i Petera no modelin’ny zavatra izay angatahan’ny Tompo ho tanterahantsika ankehitriny. Tsara ny manamarika fa nijoro vavolombelona tany Jerosalema sy Jodia aloha i Petera vao tany Samaria.

Asan’ny Apostoly 1:8 Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy Jodia sy Samaria hatramin’ny faran’ny tany.

Toeran’ny asa Fanompoana

Mahakasika bebe kokoa ireo Jiosy ny asa fanompoan’i Petera fa tsy ny jentilisa.

Galatiana 2:7,8 Fa hafa kosa no nataony, fa nony hitany fa notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an’ny tsy voafora aho, tahaka an’i Petera ho an’ny voafora (fa izay niasa ho an’i Petera haha-Apostoly azy ho voafora no niasa ho ahy koa ho an’ny jentilisa.) Tahaka ny niantsoan’Andriamanitra an’i Petera hankany amina vondron’olona manokana, izy dia manana asa fanompoana miavaka ho an’ny mpino tsirairay. Misy ireo izay voantso ho any amin’ny olona mpifoka zava- mahadomelina, mpisotro toaka, mpivaro-tena, tsy manan- kialofana, vehivavy hiaran’ny herisetra, na koa ireo olona manana asa. Ny ahfaa kosa voantso hankany amina firenena na foko. Ny zava-dehibe dia ny famantarana ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny asa fanompoanao. Dia hatsapa hery lehibe sy fahavanonana lehibe eo amin’ny asa fanompoanao ianao.

Toriteny Vaolohany

Asa 2:14-41

andro

Pantekosta.

Asan’ny Apostoly 2:14 Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin’ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko.

Petera

no

mpandaha-teny

voalohany

tamin’ny

~ 70 ~

Fahagagana Vaolohany

Asa 3:1-11

Petera dia nanana andraikitra lehibe, izay voalaza mazava tsara, tamin’ny fahagagana voalohany nataon’ireo Apostoly tao aorian’ny pantekosta. Tahaka izany koa i Jaona. Tsy inona izany fa ny fanasitranana ilay lehilahy malemy teo amin’ny vavahadin’ny tempoly.

Asan’ny Apostoly 3:1-8 Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an- kianjan’ny tempoly tamin’ny ora fahasivy fotoam-pivavahana. Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kimbon-dreniny, izay napetrany isanandro teo anoloan’ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’izay niditra teo an- kianjan’ny tempoly; nony nahita an’I Petera sy Jaona efa niditra eo an- kianjan’ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana. Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay. Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy. Fa hoy Petera: tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny anaran’I Jesosy kristy avy any Nazareta, mitsangatsangàna. Ary noraisiny tamin’ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny. Ary niantsambotra ka nijoro, dia nitsangatsangana ary naira-niditra taminy ho eo an-kianjan’ny tempoly, nitsangatsangana sy niantsambotsambotra sady nidera an’Andriamanitra.

Fanenjehana Voalohany

Asa 4

Voaktr’io fahagagana io, maro no nandray ny famonjena ka nitombo ho dimy arivo ny isany. Dia nalefan’ireo mpitondra fivavahana Jiosy tany an-tranomaizina Petera sy Jaona ka noadikadininy nony ampitso. Petera no tena nitondra teny tamin’ity vanim-potoan’ny fanenjehana ity.

Asan’ny Apostoly 4:7,8 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe : Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany ? Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe : Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona. Nihetsika tamim-pahefana i Petera

Asa 5:1-11

Nampiasain’ny fanahy Masaina Petera mba hiaro sy hiandry ny Fiangonana amin’ny fahotana sy ny fandrebirebena.

Asan’ny Apostoly 5:1,2 Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany, ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany, dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly. Nihetsika araka ny Teny Fahalalana Petera

Asan’ny Apostoly 5:3-6 Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana satana no nameno ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin’ny tany? Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary

~ 71 ~

rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izay tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin’olona ianao, fa tamin’Andriamanitra?

Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy ; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany. Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.

Nanome fahafahana an’i Ananiasy izy Nanome fahafahana an’i Ananiasy mba hilaza ny marina

Asan’ny Apostoly 5:7-9 fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo. Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: izany ihany va no vola vidin’ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany. Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr’izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.

Niteraka fatahorana an’Andriamanitra izany

Asan’ny Apostoly 5:10,11 Dia nikarapoka teo anoloan’ny tongony niaraka tamin’izay ko aizy, ka afaka ny ainy ; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan’ny lahy. Dia raiki-tahotra indrindra ny Fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany. Tsy hoe ratsy avokoa akory ny endrika tahotra rehetra. Fa ny tahotra nahazo ireto olona ireto dia vokatry ny fahafantarany ny herin’Andriamanitra sy ny zavatra takiny eo amin’ny sehatry ny fahatsorana sy ny filazana ny marina.

Ny fahafantarana ny ratsy

Ny Fiangonana dia miala arovana amin’ny ratsy. Ny Fanahy Masina no maneho ny ratsy amin’ireo tompon’andraikitra, tahaka ny nampahafantarany an’I Petera ny amin’i Ananiasy sy Safira. Nampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny Teny Fahalalana Petera. Fantany fa nisy nanafenana ny vola. Tsy nisy olona nanery azy ireo hivarotra ny taniny. Angamba izy ireo nanao izany ary avy eo nandainga satria te hahazo « toerana » teo amin’ny tenan’ny mpino. Ny tena fahotany dia tsy ny nitazonany ny ampahan’ny vola, fa ny nandaingany tamin’ny Fanahy Masina. Tsara ny manamarika fa ora telo no elanelan’ny fahafatesan’i Ananiasy sy ny nahatongavan’ny vadiny, ary nandritra izay fotoana izay, dia tsy nisy olona nampahafantatra azy ny zava-niseho. Angamba ny olona tena talanjona noho ny herin’Andriamanitra ka tsy niteny satria natahotra ny hanota. Ny Asa fanompoan’ny Tandindona

Asa 5:12-16

Tena lehibe ny herin’ny Tompo nirotsaka tamin’I Petera ka na ny tandindony aza dia afaka nanasitrana.

~ 72 ~

Asan’ny Apostoly 5:14-16 Ary ny tànan’ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin’ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin’ny Fialofan’I Solomona; ary tsy nisy tamin’ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka. Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany; ka dia nentiny teny an-dàlambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon’ny andindon’i Petera ahay, raha mandalo izy. Ary ny olona maro avy tamin’ny vohitra manodidina an’I Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin’ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy ireny.

NY ASA FANOMPOANA MANERAN-TANY

Nandeha sy nanao ny asa fanompoany tany amina toerana maro ivelan’i Jerosalema sy Jodia Petera.

Tany Samaria

Asa 8:14-25

Ireo Batisa

Asan’ny Apostoly 8:14-17 Ary nony ren’ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin’Andriamanitra, dia naniraka an’i Petera sy Jaona izy hankany aminy. Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny fanahy Masina. Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin’ny anaran’I Jesosy Tompo ihany izy. Ary izy roa lahy nametra- tànana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo. Nametrahan’i Petera sy Jaona tànana izy ireo dia nandray ny baitsan’ny Fanahy Masina. Niteny Jesosy fa tokony hanao ny asa fanompoantsika ao Jerosalema aloha isika (ao amin’ny toerana fonenatsika), avy eo any Jodia (ny faritra misy antsika), sy Samaria (any amin’izay misy ireo fahavalontsika), ary hatramin’ny faran’ny tany. Andeha ho jerevantsika ny asa fanompoan’i Petera.

Fantatra ny ratsy

Rehefa nahita ny fahefana tamin’ny tànan’i Petera Simona Mpanao ody, dia nitady hividy izany. Avy hatrany Petera dia niteny hoe:

Asan’ny Apostoly 8:20-23 Fa hoy Petera taminy Aoka ho very mbamin’ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’Andriamanitra. Tsy manana anjara na raharaha amin’izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra. Koa mibebaha amin’izao haratsianao izao, ka mangataha amin’ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ny fonao. Fa hitako fa mbola mitoetra amin’ny fangidian’ny afero sy ny fehin-keloka ihany ianao. Nampiasa ny fanomezam-pahasoavana hoenti-mamantatra fanahy samihafa Petera.

~ 73 ~

Lyda

Asa 9:32-35

Nandritra ireo diany, Petera dia nanao izay zavatra hitany nataon’i Jesosy. Nandidy an’i Petera sy ny mpino rehetra Jesosy mba hanao hanao ny asa izay nataony.

Ny fanasitranana an’i Enea

Namangy ny mpino tany Lyda Petera; dia nisy lehilahy iray atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa nararin’ny paralysisa. Dia hoy Petera taminy: « Ry Enea, mitsanganà, ka amboary ny fandrianao. » dia nitsangana niaraka tamin’izay izy. Ary nahita aza izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin’ny Tompo.

Jopa

Asa 9:36-43

Natsangana tamin’ny maty Dorkasy Teo Petera fony nanangana ny zanakavavin’I Jairo tamin’ny maty Jesosy. Rehefa tsapan’i Petera fa tian’Andriamanitra hatsangany amin’ny maty Dorkasy, ary efa fantany izay nataon’i Jesosy, dia nanao arak’izany koa izy.

Asan’ny Apostoly 9:36-42 Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy ; ary ben y asa soa sy ny fiantrana izay naton’izany vehivavy izany. Ary narary izy tamin’izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty dia napetrany tao an-trano ambony. Ary satria Lyda akaikin’I Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga tao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankaty aminay. Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony, ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin’I Dorkasy fony fahavelony.

Ary navoakan’I Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an’I Petera izy, dia niarina. Ary Petera nanolo-tànana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona. Ary dia fantatra eran’i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo. Tadidinao ve ny namoahan’i Jesosy ny olona tao amin’ny efitrano nisy ny zanakavavin’i Jairo, ka tsy nisy navelany nijanona afa-tsy ny ray aman-dreniny sy ny mpianatra telo lahy ihany? Nahisak’i Jesosy ireo tsy nino ary nanao toy izany koa Petera. Ny finoana dia mitranga amin’ny famindram-po fa tsy amin’ny fangoraham-po (fitserana) velively. Raha noho ny fangoraham-po, dia hatsangatsika amin’ny maty avokoa ny olona rehetra. Nefa ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy ny hitsanganan’ny olona rehetra amin’ny maty. Amin’izay sehatry ny finoana izay, dia tena ilaina ny mihaino teny mazava avy amin’ny Tompo. Tsara ny mahatsiaro fa Jesosy

~ 74 ~

dia niteny fa Izy dia tsy manao na inona na inona afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray. Ny maty dia tsy natsangana raha tsy nahazo teny fahendrena avy amin’Andriamanitra, izay manome ny fanomezam-pahasoavan’ny finoana.

Jaona 5:19 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray, fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka.

.

Kaisaria

Asa 10

Ilay Fahitana

Petera dia nantsoina, voalohany indrindra, ho an’ny Jiosy. Izy ihany koa no nampiasain’Andriamanitra mba hanokatra ny varavarana ho any amin’ny tontolon’ny jentilisa. Ny fahitana izay nampahitan’Andriamanitra an’i Petera, sy ny fampianarana izay vokatr’izany dia tena miavaka, satria ahitantsika ny fatokin’Andriamanitra izay mampianatra antsika ny zavatra tokony ho fantatsika na ho takatsika mba hamitana ny sitrapony. Amin’ny maha Jiosy azy, Petera dia tsy nifampiraharaha tamin’ny jentilisa. Tsy ho navelany hiditra tao aminy ny jentilisa ary tsy hankany amin’ny Jentilisa mihitsy izy. Nefa Andriamanitra nanana iaraka manokana ho an’i Petera ka tsy maintsy ravana izany tsy fifampirarahana izany.

Asan’ny Apostoly 10:10-23 Dia noana loatra izy ka te hihinana ; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin’ny zorony efatra ho amin’ny tany ; ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka ety an-tany ary ny voromanidina.

Ary nisy feo nanao taminy hoe: mitsanganà, ry Petera; vonoy, ka hano.

Fa hoy Petera: sanatria, tompoko! Fa tsy mbola nihinana zava-padiana tsy madio aho. Fa hoy ilay feo taminy fanindroany : izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady. Ary intelo no

nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin’izay ilay

zavatra.

Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin’izay anton’ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olon izay nirahin’I Kornelio nanontany ny tranon’I Simona ka nijanona teo am-bavahady, dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia. Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao; fa mitsanganà ianao, dia midinba, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.

Ary Petera nidina tany amin’ireo olona ireo ka nanao hoe: inty aho izay tadiavinareo; inona no antony ahatongavanareo aty? Dia hoy ireo:

~ 75 ~

Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an’Andriamanitra ka tsara laza amin’ny firenen’ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan’anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.

Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso, dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa. Nandray ny Fanahy Masina ny Jentilisa

Asan’ny Apostoly 10:24, 25, 27,28 Ary nony ampitso indray, dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tenaa sakaizany. Ary raha vao nididtra Petera dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin’ny tongony sady nitsaoka azy. Ary nony niresaka taminy izy dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.

Dia hoy izy taminy: ianareo mahalala fa fady amin’ny Jiosy ny hanan- draharaha na hiantrano amin’ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin’Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao ho fady na tsy madio. Dia mbola nitohy niteny ireo ary Petera nanomboka nanazava taminy ny amin’i Jesosy.

Asan’ny Apostoly 10:43-46 Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra, fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka. Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina. Ary talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’I Petera, satria nilatsaka tamin’ny Jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. Fa nandre azy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’Andriamanitra izy.

Ny Tatitra nataon’i Petera

Asa 11:1-18

Notapahin’i Petera ny fomban-drazany mikasika ny fifandraisana. Nandeha tany amin’ny tsy voafora izy ary naira nihinana taminy. Notantarain’i Petera tamin’ireo Apostoly hafa ny zavatra nanjo azy : ny fahitana izay hitany, ireo olona tonga nitady azy, ny nampian-tranony azy ireo, sy ny fomba nandraisan’izy ireo ny famonjena sy ny batisan’ny Fanahy Masina. Toy izao no namintinany azy:

Asan’ny Apostoly 11:17, 18 Koa raha mba homen’Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an’i Jesosy Kristy Tompo, dia iza no aho no hahasakana an’Andriamanitra ?

Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an’Andriamanitra ka nanao hoe : efa nomen’Andriamanitra ny Jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana. Tamin’izany no nahatsapan’ny Apostoly fa tsy natao ho an’ny Jiosy miely eran-tany ihany ny famonjena fa ho an’ny olona rehetra.

~ 76 ~

NY FAHAFAHAN’I PETERA AVY TAO AN-TRANOMAIZINA – ASA 12 : 1-19

Fahafatesana mahatsiravina

Matetika Jesosy no nanavaka an’i Petersa, Jakoba ary Jaona. Novonoin’i Heroda tamin’ny sabatra i Jakoba, ary avy eo dia nogadrainy i Petera. Tokony ho tonga tao an-tsain’I Petera koa fa ho faty koa izy.

Asan’ny Apostoly 12:1-16 Ary tamin’izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany ampahory ny sasany tamin’ny Fiangonana. Ary izy namono an’i Jakoba, rahalahin’i Jaona, tamin’ny sabatra. Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an’i Petera koa izy. (Efa mby tamin’ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’izany.) ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin’ny miaramila enina ambin’ny folo hambenany ; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin’ny vahoaka izy, rehefa afaka ny paska.

.

Ny vavaka nataon’ny Fiangonana

Asan’ny Apostoly 12:5-7 Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny Fiangonana nahery nangataka tamin’Andriamanitra ho azy. Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy Petera tamin’iny alina iny, sady voafatotra tamin’ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana

Ary, indro, nisy anjelin’ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan’I Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: mitsanganà faingana. Dia niala tamin’ny tànany ny gadra

Fanafahana an’i Petera

Asan’ny Apostoly 12 : 8-11 Ary hoy ilay anjely taminy: misikina, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: tafio ny lambanao, ka manaraha ahy. Dia nivoaka izy ka nanaraka azy; ary tsy fantany ho marina izay nataon’ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy. Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faha roa izy, dia tonga teo amin’ny vavahady vy izay mahazo ny làlana ho any an- tànana; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin’ny lalana iray, ary niaraka tamin’izay dia nandao azy ilay anjely. Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe :

ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin’ny tànan’i Heroda sy ny fanantenan’ny Jiosy rehetra

12 Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon’i Maria, renin’i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy ; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao

Nivaly ny vavaka

13,14 Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino. Ary rehefa nahalala ny feon’i Petera aizy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa

~ 77 ~

nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am- bavahady.

Ny tsy fisian’ny finoana

15,16 IFa hoy ny olona taminy: very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona : anjeliny izany. Fa Petera naharitra nandondona ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona. Ny hafatra izay omen’Andriamanitra antsika manoloana ny tranga iray dia mety ho adinontsika mora foana. Mazava ho azy fa kivy ny olona tamin’ny fotoana nivoaan’i Peter any tranomaizina ka nankanesany tany amin’ny vondrom-bavaka izay nataon’izy ireo. Mety hiteny isika hoe: “Fa nankaiza ny finoan’izy ireo?” Nefa tokony ho fantatsika ny fanahiany ny amin’i Petera sy ny fotoana efa laniny ny hivavahana. Raha tsy nivavaka izy ireo dia mety ho novonoina toa an’I Jakoba koa I Petera.

Ny Fahafatesan’i Heroda

Asa 12:19-23

Novonoin’i Heroda i Jakoba. Arye fa nikendry hamono an’i Petera ko aizy. Novonoiny ireo mpiambina ny dranomaizina izay “namela” an’I Petera handositra. Nefa efa an-dàlam- pahafatesana koa Heroda.

Asan’ny Apostoly 12:21-24 Ary tamin’ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin’ny vahoaka. Ary ny vahoaka niantso hoe : feon’Andriamanitra izany, fa tsy an’olona !

Ary niaraka tamin’izay dia nisy anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy ; ka dia nohanin’ny kankana izy ka maty. Ary nandroso sy niely ny Tenin’Andriamanitra.

NY FAHAFATESAN’I PETERA

Miresaka amintsika ny amin’ny fahafatesan’i Petera ny Soratra Masina, ary fantatsika fa efa naminany ny amin’izany Jesosy.

Jaona 21:18,19 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin’izay tianao ; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tànanao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao any amin’izay tsy tianao. Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban’ny fahafatesany izay hankalazany an’Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy:

manarahà Ahy. Araka ny tantara sasany, raha vao tafavoaka avy tao an- tranomaizina tamin’ny fomba mahagaga Petera dia nankany Roma ary tany izy no nohombohin’i Néron tamin’ny hazofijaliana. Ny tantara ihany koa dia milaza fa tsy nety nohombohina tahaka an’I Jesosy izy fa nangataka izy mba hatsongoloka. Tsy misy milaza izany ao amin’ny Soratra

~ 78 ~

Masina. Asa soratra maro no miresaka an’i Paoly tany Roma, fa tsy misy miresaka kosa ny amin’i Petera.

Fintina

Ny fianarana ny fiainan’i Petera dia fianarana fahagagana. Ny fahagagana voalohany dia ny fiovana tonga teo amin’ny fiainan’i Petera nanomboka tamin’ny fotoana nanombohany nanaraka an’i Jesosy, ny nandàvany Azy nandritra ny fitsarana Azy, nandray ny batsian’ny Fanahy Masina, ary lasa feno fahasahiana, tsy natahotra olona intsony, eny fa na dia ny fahafatesana aza. Nahita an’i Jesosy nanao fahagagna izy, ary dia nanao toy izany koa. Nisy fotoana nahery be ny hosotra tao aminy ka na dia ny alokany aza dia nahasitrana izay nolalovan’izany. Nanatsikafona ny fahotana teo amin’ny Fiangonana izy ka dia maty nianjera ny olona. Nanangana an’i Dorkasy tamin’ny maty Petera. Teo ambavahonan’ny fahafatesana izy tany an-tranomaizina fa Andriamanitra naniraka anjely mba hanafaka azy. Nizotra tamin’ny Herin’Andriamanitra mahagaga sy tsy takatry ny saina Petera ary afaka manao toy izany koa isika.

FANONTANIANA HO VALIANA

1 Inona no zavatra voarainao tamin’ny fiainan’i Petera tao aorian’ny batsian’ny Fanahy Masina ka manan-danja eo amin’ny fiainanao ankehitriny ?

2 Raha nandainaga tamin’ny Fanahy Masina Ananiasy sy Safira dia maty avy hatrany, Araka ny hevitrao, nahoana no tsy misy eo amin’ny Fiangonana intsony izany ankehitriny ?

3 Nahoana ireo tranga nisy tany Kaisaria no zava-dehibe ho antsika ankehitriny ?

~ 79 ~

Lesona 9

Ny Fahafatesana no hahazoako tombony

Hoy ny Apostoly Apoly rehefa teo anoloan’ny fahafatesana:

“Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony. » (Filipyna 1:21) Hianarantsika avy amin’ny fiainan’i Stefana ny tokony ho fihetsika asehontsika eo anoloan’ny fanenjehana sy ny

STEFANA

Stefana, iary tamin’ireo Diakona

Asa 6,7,8

Fantatsika fa I Stefana dia olona tsara laza, feno ny Fanahy Masina sy ny fahendrena, satria ireo toetra ireo no takina amin’ny Diakona.

Asan’ny Apostoly 6:3 Koa amin’izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fehendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany. Raha vao voafidy ho Diakona izy dia nanomboka nanao fahagagana teo amin’ny olona.

Nanao fahagagana izy

Asan’ny Apostoly 6:8-15 Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka

Nandalo fanoherana izy

9 Fa ny sasany, izay avy amin’ny synagoga atao hoe Synagogan’ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin’izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin’i Stefana.

Nanana ny Fahendren’Andriamanitra

10 Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany

ireo.

Nalam-baraka izy

11 Dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: efa renay niteny ratsy an’i

Mosesy sy Andriamanitra ity.

Noapangaina tamin’ny tsy marina

Asan’ny Apostoly 6:12-14 Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin’i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin’ny Synedriona, ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: IoIo lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masina ity sy ny lalàna, fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr’i Mosesy antsika.

~ 80 ~

Feno ny voninahitr’Andriamanitra izy

15 Ary izay rehetra nipetraka teo amin’ny Synedriona, raha nandinika

an’i Stefana, dia nahita ny taerhiny tahaka ny tarehin’anjely.

Ny nahatonga ny fahafatesan’i Stefana

Nitory ny filaantsara izy

Ny mpiosronabe nanontany an’I Stefana rha toa ka marina ny fiapangana azy ary noararaotin’I Stefana izany fahafahana izany mba hitoriana ny Filazantsara. Natombony tamin’I Abrahama izany ka notohizany hatramin’ny fahatongavan’ny Mesia, ary noapangainy ireo mpitondra fivavahana noho ny namonoany Azy. Nofaranany tamin- katezerana ny toriteniny:

Asan’ny Apostoly 7:51-53 Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahak ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa.iza no mpaminany izay tsy nenjehin’ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fiavian’ny Marina: ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo, dia olona izay nahazo ny lalàna tamin’ny nandaharan’anjely azy, nefa tsy nankato izany. Nampianatra ny mpianatra Jesosy mba tsy hanahy ny amin’izay havaly, ary Stefana dia tena ohatra tsara ny amin’izany fampianarana izany. Navelany hanafotra azy sy ampiteny azy izay tokony ho ambarany ny Fanahy Masina.

Nohetsehiny ny fahatezeran’ireo

Ny Synedriona sy ny mpisoronabe dia tena tezitra mafy ka nihidy vazana taminy.

Asan’ny Apostoly 7:54-60 Ary nony nandre izany ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy. Feno ny Fanahy Masina Stefana

55,56 Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy Kristy nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, dia nanao hoe : Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra. Feno ny Fanahy Masina Stefana ka nibanjina nijery ny lanitra ary nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra.

Nandà tsy hihaino azy ny mpitarika

57,58 Ary ny olona niantso tamin’ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy, dia nandroaka azy ho eny ivelan’ny tanàna ka nitora-bato azy, ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan’ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.

Namela heloka azy ireo Stefana

60 Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: Tompo ô,

aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodimandry.

~ 81 ~

Ny Nanaovana an’i Stefana ho Martiora I Stefana no martiora voalohany indrindra, ary manamarika ny fanenjehana lehibe nahazo ireo Mpino voalohany ny fahafatesany. Niteraka ny fielezan’ireo mpino izay nitory ny Teny tany amin’ny tany rehetra ny fahafatesany.

Asan’ny Apostoly 8:1-3 Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoanaazy koa. Ary tamin’izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny Fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin’ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany. Ary mpivavaka tsara no nandevina an’I Stefana sady nisaona azy fatratra. Fa Saoly nampahory mafy ny Fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.

Asan’ny Apostoly 11:19-21 Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin’i Stefana dia nandeha hatrany Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’ny olona izy, afa-tsy tamin’ny Jiosy ihany. Ary ny sasany tamin’ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin’ny Jentilisa koa ka nitory an’I Jesosy Tompo. Ary ny tànan’ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’izay nino sy niverina ho amin’ny Tompo.

Vavolombelona ho an’i Saoly

Ny fahafatesan’i Stefana dia vavolombelona natokana ho an’ilay olona izay nantsoin’Andriamanitra hijoro vavolombelona ho Azy any amin’ny firenen’ny Jentilisa.

Asan’ny Apostoly 22:20 Ary raha nalatsaka ny ràn’i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian’izay namono azy. Hitan’i Saoly ny tarehin’i Stefana feno haravoana tamin’ny fimbanjinany ny voninahitr’Andriamanitra na dia notoraham-bato aza izy. Tamin’ny alalan’ny fahafatesany, Stefana dia tonga voa iray namokatra fanahy maro be izay nojinjaina tamin’ny asa fanompoan’i Paoly.

Fintina

Tsy Apostoly Stefana nefa afaka nanao fahagagana maro. Tsy voafetra ho an’ireo Apostoly na ho an’ireo izay manao ireo asa fanompoana dimy ihany ny fahagagana. Tahaka ny niterahan’ny fahagagana fanoherana teo amin’i Stefana, amin’izoa androntsika izao koa, ny fanaovana famantarana sy fahagagana dia hitarika fanoherana sy ady hevitra amin’ireo mpitondra fivavahana sy ny tsy mino. Tena feno ny Fanahy Masina sy ny fahendreny Stefana ka dia tsy nahavita nanohitra ny fahendreny sy ny fanahin’Andriamanitra izay nonina tao aminy, ireo mpitondra fivavahana izay niezaka nanohana ny finoany. Ho an’ny mpino rehetra ankehitriny, Stefana dia modelin’ny finoana sy ny hery ary ohatry ny vavolombelona sahy eo anatrehan’ny fanoherana sy ny fandrahonana ho fatys

~ 82 ~

.

NY ILANA NY FANENJEHANA

Manadio, Mampahery, Manafaka

Ireo sedra sy fanenjehana dia nahatonga ny Fiangonana ho voadio, nahery ary afaka nitory ny Filazantsara.

Asan’ny Apostoly 14:21,22 Ary rehefa nitory ny Filazantsara tamin’izany tànana izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy, nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Fandrahonana ny Fiangonana Matanjaka Araka izay efa hitantsika teo amin’ny fiainan’i Stefana, raha vao nihetsika ny herin’ny Fanahy Masina tsy takatry ny saina, dia niteraka fanenjehana izany. Tamin’ny fotoana voalohany teo amin’ny Fiangonana, ireo fanenjehana dia avy amin’ireo mpitarika fivavahana. Ary dia izany ihany koa no fototra iavian’izany ankehitriny. Niteraka fandrahonana teo amin’ireo mpitarika Jiosy ny fisian’ny Kristiana. Tonga ny fotoana izay nanovan’Andrimanitra ny fomba fivavahana napetrak’izy ireo tao amin’ny tempoly, ho lasa fivavahana amin’ny fanahy sy fahamarinana. Na amin’izoa fotoana izao aza, Andriamanitra dia manao zava-baovao no sady mamerina ny Fiangonany amin’ny laoniny. Izay zavatra nambaran’Andriamanitra sy nataony tao amin’ny Fiangonany taona maro lasa izay, dia tsy ho voatery hitovy amin’izany no tiany hambara sy hatao ao amin’ny Fiangonany ankehitriny. Mila maniry hiova miaraka Aminy isika ka tsy hifikitra amin’ireo modely

taloha.

.

Ny tenan’ny mpino matanjaka dia mitoetra ho fandrahonana ho an’ireo kristiana tsy mandray andraikitra ankehitriny. Ary matetika dia avy amin’izy ireo ny fanenjehana. Ny kristiana mandray andraikitra ihany koa dia fandrahonana ho an’ny herin’ny ratsy, izay manafika ny Fiangonana tsy nanana hery nandritra ny taonjato maro. Hisy ny fanenjehana avy amin’ireo fiarahamonina tsy mino ny

fisin’Andriamanitra.

Rehefa manomboka manao ny asan’i Jesosy ny mpino tsirairay, amin’ny fanaovana famantarana sy fahagagana

lehibe, dia hisy fanahy aman’arivony maro ho babo ho an’i

Jesosy.

~ 83 ~

AHOANA NO FIATREHANA NY FANENJEHANA

Miseho amin’ny endriny maro ny fanenjehana. Any amin’ny firenena sasany, ny mpino dia gadraina na vonoina mihitsy aza. Indraindray ny fanenjehana dia miseho amin’ny fahaverezan’asa, na ankohonana. Indraindray koa fahavereza-namana, na anjara-toerana eo amin’ny fiaraha monina. Amin’ny tranga rehetra, isika dia mila mihetsika toy izay nataon’i Jesosy. Tamin’ny fotoana nanombohona Azy, izy dia nivavaka ho an’ireo namono Azy : « Ray ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony. »

Matio 5:43-45 Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milza aminareo hoe : Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo ; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina. Nampianatra be dia ben y amin’ny famelan-keloka Jesosy nandritra ny asa fanompoany. Ary na dia tamin’ny fotoana nahafatesany aza dia mbola namela ireo namono azy Jesosy.

Stefana, Ohatra ho antsika Mamela Heloha ireo Mpanenjika

Ny famelan-keloka nataon’ui Stefana tamin’ny fotoana nahafatesany dia tokony ho lesona ho antsika mba hamelantsika heloka. Tsy nokapohina ho faty isika, noho izany dia tsy misy fialan-tsiny amin’ny tsy famelan-keloka azontsika atao mihitsy. Mandritry ny tantaran’ny Fiangonana, Jesosy dia niteny fa maro no ho faty martiora.

Jaona 15:13 tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.

Manana fahasahiana

Ny ankamarony amintsika dia mety hiteny hoe tsy manana ny fahasahian’i Stefana aho. Mila tadidina fa Stefana dia tena olon’Andriamanitra marina. Izy dia voafidy ho iray amin’ireo diakona fito satria izy olona tsara laza, feno ny Fanahy Masina sy ny Fahendreny. Tsy nisy ota mihafina teo amin’ny fiainany ka hamenatra azy tamin’ny fotoana toy izao. Tamin’ny fotoana nisedrana azy, dia nomen’Andriamanitra fanomezana manokana izy. Navelan’Andrimanitra hahita an’i Jesosy izy.

~ 84 ~

Mampahery Andriamanitra

Nomen’Andriamanitra an’i Stefana ny hery sy ny teny hiatrehany ny fahafatesana Ireo mpino voalohany dia nahalala fa tsy tokony hankato olombelona izy ireo fa an’Andriamanitra. Dia nitohy niresaka an’I Jesosy natsangana tamin’ny maty izy ireo no sady nanasitrana tamin’ny Anarany. Tsy ho nahasarika ny sain’ireo mpitondra fivavahana mihitsy ny mpino raha toa ka nianona fotsiny mba hiangona hivavaka fa tsy te hanatratra ireo manodidina azy. Nefa nanana iraka ho vitaina izy ireo. Voafidy mba hampahafantatra izao tontolo izao ny famonjen’i Jesosy Kristy.

Ny Filazantsara anton’ny adi-hevitra

Izany hatrany no zava-misy. Tena tsy miraika amin’ny fivoriam-bavaka ataontsika sy ny fanompoantsika ao amin’ny firalahiana izao tontolo izao. Kanefa, rehefa ampiharintsika ny fampianaran’i Jesosy dia teraka ny adi- hevitra. Tadidio fa tsy tokony handranitra adi-hevitra mihitsy isika, fa raha toa ka miseho izany, dia misy varavarana mivoha hanambarana ny filazantsaran’i Jesosy Kristy. Eo anatrehan’izany isika dia tsy tokony hitady hevitra hanamarinan-tena. Tsy manana anjara toerana ao amin’ny fijorona vavolombelona ho an’I Jesosy ny fanasongadinana ny tenanao. Miteraka fanenjehana ny Anarany Nenjehina ireo mpianatr’i Jesosy satria nanambara ny anaran’i Jesosy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty tao aorian’ny pantekosat. Matetika i Petera dia feno ny Fanahy Masina ary afaka namaly azy ireo tami-pahasahiana. Tsy nihemotra teo anoloan’ireo fandrahonana, fandrarana, eny fa na dia ny kapoka aza i Petera sy Jaona. Mbola nitohy nanambara ny anaran’I Jesosy sy ny herin’ny Fitsanganany tamin’ny maty ihany izy ireo.

Petera/Jaona - Ohatra

Mandà ny fandrahonana

Tsy nanaiky ho rahonana izy ireo

Gaga sy talanjona ireo mpitarika fivavahana raha nahita ny fahasahian’ireo.

Asan’ny Apostoly 4:13 ary nony nahita ny fahasahisahian’i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy, ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy.

Mampiatra ny fanomezam-pahasoavan’ny fahagagana

Asan’ny Apostoly 4:16,17 Fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina. Fa mba tsy hielezan’izany intsony amin’ny vahoaka, dia aoka

~ 85 ~

horahonantsika izy mba tsy hiteny amin’izany anarana izany intsony na amin’iza na amin’iza.

Manantena fahagagana hatrany

Dia nosamborina sy natao tao an-tranomaizina izy ireo, nefa nony alina dia nisy anjelin’ny Tompo namoaka azy ka naniraka azy ireo hitory amin’ny olona ny Filazantsara eo an-kianjan’ny Tempoly. Raha vao tafavoaka ny tanomaizina izy ireo dia tsy nihazakazaka ny hiafina, fa avy hatrany dia nankany an- kianjan’ny tempoly nitory ilay hafatra teo aloha ihany. Dia nentina teo anatrehan’ny synedriona indray izy ireo, ary norahonana ho faty sy nokapohina ary nandrara mba tsy hanonona intsony ny anaran’i Jesosy, ka nalefa avy eo.

Nolavin’izy ireo ny fifanarahana

Nandà marimaritra iraisana izy ireo

Asan’ny Apostoly 5:40-42 Dia nanaiky azy izy ; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.

Nifaly izy ireo

41, 42 Ary ireo dia niala teo anatrehan’ny Synedriona, sady faly, satria natao mendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany. Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy isanandro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano izy.

Nankato izy ireo

Na dia eo anoloan’ny fanenjehana mafy aza dia mila mankato an’Andrimanitra isika :

Asan’ny Apostoly 8:3,4 Fa Saoly nampahory mafy ny Fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina. Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.

Nahintsany ny vovoka tamin’ny tongony

Asan’ny Apostoly 13:49-52 Ary ny tenin’ny Tompo dia nely eran’izany tany rehetra izany. Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonfa fanenjehana tamin’I Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin’ny taniny. Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma. Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.

Afak’eloka tamin’izay rehetra nandà Nahoana Jesosy no nilaza tamin’ny mpianany mba hanintsana ny vovoka amin’ny tongony rehefa lavina izy sy ny hafatry ny Filazantsara? Mila mamela izay fandavana izay aloha ny mpianatra vao afaka mifindra ho any amin’ny tanàna hafa. Mba ho afaka amin’ny fandàvana rehetra, dia mila mamela heloka izay rehetra nanao ratsy tamintsika isika ary miala amin’izany toerana

~ 86 ~

Mariho fa faly sy feno ny Fanahy Masina avy hatrany izy ireoI.

FANONTANIANA HO VALIANA

1 Naninona

iStefana no nohenjehina ? Inona no « fahadisoana » nataony ?

2 Milaza anton’ny fanenjehana anakiroa. Ahoana no tokony ho fihetsika manoloana ny fanenjehana ?

3 Donner un exemple.Inona no vokatry ny fanenjehana ? manomeza ohatra iray.

~ 87 ~

Lesona 10

Filipo, Evanjelista

NY ASA FANOMPOAN’I FILIPO

Ny fianarana an’i Filipo no anisany mampahery indrindra ho an’ireo mpino maniry hanompo bebe kokoa sy tsara kokoa

an’Andrimanitra.

Voalohany indrindra, feno finoana sy ny Fanahy Masina Filipo ary notendrena ho diakona ary farany lasa evanjelista. Ary tsy manana ny andinindininy mikasika izay fiovana izany isika.

Hitan’Andriamanitra ny fanirin’ny fon’ny olona. Arakaraky

ny hivoaran’izany faniriana izany hitovy bebe kokoa amin’I Jesosy, no hanatanterahan’Andrimanitra izany eo amin’ny

fiainanao.

Diakona

Asa6:1-7

Asan’ny Apostoly 6:5 Dia sitrakiny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an’i Stefan aizy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (Proselyta avy any Antiokia,) Tahaka an’i Stefana, Filipo koa dia voafidy ho diakona satria izy tsara laza sy feno ny Fanahy Masina sy

fahendrena.

.

Evanjelista

Ny farany nahita an’i Filipo dia izy nanao ny asan’ny evanjelista. Raha mbola nanohy nanompo tsara an’Andriamanitra amin’ny maha diakona azy Filipo dia nantsoina hanao ny asa fanompoan’ny evanjelista ao amin’ny asa fanompoana dimy.

.

Asan’ny Apostoly 21:8 Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria, ary niditra tao an-tranon’i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin’izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay. Tao aorian’ny nitoraham-bato an’i Stefana, dia nia nahery hatrany ny fanejehan’ireo mpitondra fivavahana Jiosy ny kristiana ka nahatonga azy ireo handositra tany amin’ny tany

rehetra.

teny tontolo

Asan’ny Apostoly 8:4 Ary izay niely dia nandeha nitory eny.

~ 88 ~

Ny asa fanompoan’i Filipo dia ohatra azo tsapain-tànana ny amin’ny faha maron’ny asa fanompoana eo amin’ny fiainana feno ny Fanahy Masina.

Tao Samaria aloha

Asa 8:4-25

Nasain’i Jesosy ho ao Jeorosalema aloha ny mpino vao ho any Jodia, sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany. Arakan y fantatra, Filipo no voalohany nankato io tapany faha roa io. Nankany Samaria hitory an’I Kristy tamin’ny olona tany izy.

Asan’ny Apostoly 8:4-8 ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.Ary filipo nidina tany an-tanana any samaria ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao.ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino ieay nolazain’i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony .Fa ny fanahy maloto niantso tamin’ny feo mahery ,dia nivoaka tamin’ny maro izay nanana azy ;ary maro ny mararin’ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.Dia nisy fifaliana lehibe tao amin’izany tanana izany.

Ireo fahagagana

Tonga hihaino io mpandaha-teny mahery io ny olona, noho ireo famantarana sy fahagagana nanaraka ny asa fanompoany :

Sitrana ireo mandringa Nisy fahagagana niseho ka nandre sy nahita ny olona. Nihaino ny teniny ireo Nisy fifaliana lehibe teo amin’izany tanàna izany.

Ny Hafatra

Nahasarika ny vahoaka ny famantarana sy ny fahagagana. Fa ny hafatra nentin’i Filipo dia momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny anaran’i Jesosy. :

Asan’ny Apostoly 8:12 Ary rehefa nino an’i filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjak’Andriamanitra sy ny anaran’i Jesosy Kristy ireo dia natao batisa avokoa na lahy na vavy

Ireo Vokatra

Asan’ny Apostoly 8:14-17 Ary nony ren’ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin’Andriamanitra, dia naniraka an’i Petera sy Jaona izy hankany aminy. Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ny olona mba handray ny Fanahy Masina. Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza ; fa natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo ihany izy. Ary izy roa lahy nametra- tànana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo. Tsara marihana fa i Filipo tsy niteny hoe; « Diakona aho, tokony hizara sakafo ny asako fa tsy nantsoin’Andriamanitra hitoriteny aho. » Ireo famantarana dia nanokatra varavarana ho an’ny fitoriana ny Filazantsara ary maro no novonjena.

~ 89 ~

Tsy niova ny planin’Andriamanitra mikasika ny fitoriana ny Filazantsara. Mila mamita ny asan’I Jesosy ny mpino tsirairay. Manao famantarana sy fahagagan ary mitory ny vaovao mahafalin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

OHATRY NY FANKATOAVANA

Aas 8:26-40

Nisy anjely niseho tamin’i Filipo ka niteny taminy mba hianatsimo. Niaina tao anatin’ny fahagagana Filipo. Tsy nanampo ny hahazo fahitana feno ny zavatra izay tokony hataony izy. Nisy anjely niseho taminy ka niteny azy mba hianatsimo, dia nankato izy ka nandeha. Tsy nambaran’ilay anjely taminy izay tokony hataony any.

Asan’ny Apostoly 8:26-27 Ary nisy anjelin’ny Tompo nilaza tamin’I Filipo ka nanao hoe: mitsanganà, ka mandehana mianatsimo ho any amin’ny làlana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany.

Dia nitsangana izy ka lasa nandeha ; ary indro nisy lehilahy Etiopiana, tandapan’i Kandasy, mpanjakazavavin’ny Etiopiana, sady mpitahiry ny harenany rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka ; dia nody izy ka nipetraka teo anatin’ny kalesiny ary namaky teny tao amin’Isaia mpaminany. Isika koa dia tokony ho haingana amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra, na dia tsy fantatsika aza ny antony tokony handehanantsika. Ao amin’io tantara io, dia hita koa fa zava-dehibe ny fotoana apetrak’Andriamanitra. Raha niandry Filipo, dia tsy ho nahatratra io fahafahana io. Nanao ny asa fanompony ho an’ilay Etiopiana izy Rehefa nandalo ny kalesin’ilay Etiopiana, dia hoy ny Fanahy: “manatonà azy.” tsy mbola misy milaza eto fa nahazo fahitana mazava ny amin’izay hiseho Filipo. Nahazo baiko izy dia nankato.

Asan’ny Apostoly 8:29,30 Dia hoy ny Fanahy tamin’i Filipo : Andeha manatona ka mankanesa amin’io kalesy io. Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mmaky teny tao, amin’Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: moa fantatrao va izay vakinao ? Rehefa nandre ilay olona namaky tao amin’ny bokin’Isaia izy vao nahafantatra izay tokony ataony:

Asan’ny Apostoly 8:35 Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’izany Soratra Masina izany nitory an’i Jesosy taminy. Ny maha zava-dehiben’ny Batisan’ny rano

Asan’ny Apostoly 8:36-38 Ary raha nandeha teny an-dàlana izy, dia tonga teo amin’izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa ?

Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eop amin’ny rano, dia nataony batisa izy

~ 90 ~

Ny batisan’ny rano dia manamarina ny fitoviantsika amin’i Jesosy tamin’ny fahafatesany, ny nandevenana azy ary ny nitsanganany tamin’ny maty. Mariky ny fahafatesan ‘ilay « olona taloha » sy ny fitsanganan’ilay « olona vaovao »

Galatiana 2:20 Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.

Ny nanalana an’i Filipo

Asan’ny Apostoly 8:39 Ary rehefa niakatra avy teo amin’ny rano izy roa lahy, dia nentin’ny Fanahin’ny Tompo Filipo ka tsy hitan’ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin’ny nalehany izy sady nifaly. Tao aorian’ny nifanenany tamin’ilay tandapa, Filipo dia hita tany Azota. Dia nitory ny filazantsara tany amin’ny tanàna rehetra izay nalehany izy.

Asan’ny Apostoly 8:40 Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin’ny tanàna rehetra izay nalehany ambara- pahatongany tany Kaisaria.

NY OHATRY NY ASA FANOMPOAN’NY TESTAMENTA VAOVAO

Ny fanompoana

Filipo dia ohatra tsara ho an’ny mpino tsirairay izay maniry ny hanao tsara ny asa fanompoan’ny Testamenta Vaovao. Tamin’ny voalohany, na dia mpanompo aza izy dia nankato. Ny diakona dia mpanompo. Nampiharin’i Filipo ny fampianaran’i Jesosy mikasika izany:

Jaona 13:14-16 Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.

Ireo Famantarana sy Fahagagana Ny asa fanompoantsika dia tokony harahina famantarana sy fahagagana. Mila manafaka ireo ampahorina isika.

Asan’ny Apostoly 8:6-8 Ary Ny vahoaka betsaka dia niray hevitra hihaino izay nolazain’i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony. Fa ny fanahy maloto niantso tamin’ny feo mahery, dia nivoaka tamin’ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin’ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny. Dia nisy fifaliana lehibe tao amin’izany tanàna izany

Ny Fampandrosoana ny Finoana

Mahatonga finoana ho amin’ny famonjena ny famantarana sy ny fahagagana. Ireo mpino vaovao dia tokony handray ny batisan’ny rano ho vavolombelon’ny fitoviany tanteraka amin’i Jesosy

~ 91 ~

Asan’ny Apostoly 8:36 Ary raha nandeha teny an-dàlana izy, dia tonga teo amin’izay nisy rano ; ary hoy ilay tandapa : Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa ?

Asan’ny Apostoly 10:47 Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?

Ny Batisa ao amin’ny Fanahy Masina Zava-dehibe ny handraisan’ny mpino rehetra ny batisan’ny Fanahy Masina. Miaraka amin’io hery vaovao io, izy ireo ihany koa dia ho vavolombelon’i Jesosy hanao fahagagana.

Ireo namana eo amin’ny asa fanompoana Rehefa ren’ny Apostoly fa nanaiky an’i Jesosy ny Samaritana, dia tonga nanampy azy izy. Fantatr’i Filipo ny filana namana eo amin’ny asa fanompoana. Fantany fa ny fanorenana ny fiangonan’i Samaria dia mila haorina amin’ny alalan’ny asa fanompoan’ireo Apostoly namany. Izy dia tsy nihetsika araka izay tiany fa nanaiky ny fahefan’ireo loholona tao amin’ny Fiangonany. Ary izy dia nanao amim- pilaminana tsara ireo asa fanompoana dimy niaraka tamin’ny hafa.

ROAPOLO TAONA TATY AORIANA

Roapolo taona taty aoriana dia nambara tamintsika indray Filipo. Nandritra ny diany, i Paoly dia nian-trano tao amin’i Filipo evanjelista.

Asan’ny Apostoly 21:8,9 Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria, ary niditra tao an-tranon’i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin’izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay. Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany.

Fehiny

Filipo dia laika. Ary avy eo izy dia lasa anisan’ireo diakona fito voatendry. Ary farany dia tonga evanjelista izy. 3 Nankato tsara an’Andriamanitra Filipo. Philippe obéissait fidèlement à Dieu. Tamin’ny voalohany izy dia nitandrina latabatra amin’ny maha diakona azy. Ary avy eo izy nanomboka ny Fitoriana miaraka amin’ny fahagagana. Ary farany izy dia nakato ilay anjely, dia nandeha ary niandry izay hambaran’ny Fanahy Masina ho ataony manaraka. Nitarika ilay Etiopiana ho ao amin’i Jesosy izy, nanao batisa

3 Ho fandalinana momba an’i « Filipo Evanjelista » dia jereo, « Fianarana ny Filoriana Filazantsara miaraka amin’ny fahagagana » nosoratan’i John Ezekiel.

~ 92 ~

azy, ary dia nentin’ny Fanahy tany amin’ny toeran-kafa tamin’ny fomba tsy takatry ny saina. Roapolo taona aty aoriana dia heno fa mbola evanjelista izy, manao ny asa fanompoany miarak amin’ireo zanany vavy efatra ao Kaisaria. Nitoetra ho mahatoky tao amin’ny Tompo izy.

FANONTANIANA HO VALIANA

1 Inona no asa fanompoan’i Filipo voalohany indrindra ?

2 Inona ireo dingana teo amin’ny fiainan’i Filipo diakona ka nahatonga azy ho lasa evanjelista?

3 Amin’ny inona no mahatonga an’i Filipo ho ohatra ho antsika ankehitriny mba ahitantsika ny toerantsika eo amin’ny asa fanompoana ?

~ 93 ~

Lesona 11

Ny fiovam-pon’i Saoly

NY NIANDOHAN’I PAOLY

Tantara maro ao amin’ny Testamenta Vaovao no manambara ny tena fiavian’i Paoly. Izy dia Jiosy, mizaka ny zom-pirenena Romana, ary lehibe tany amin’ny tanànan’i Tarsisy

Fantatsika fa izy dia nobeazina sy nampianarina tamin’ny foto-pampianarana Jodaisma satria lasa fariseo izy. Ireo asa sorany dia maneho mazava tsara fa izy dia nanana fahalalana tsar any kolotsaina Grika sy ny fahendrena Roman. Azo antoka fa mety ho niteny Grika sy Latina izy. Ary olona nianatra koa. Eny fa na dia tao alohan’ny fiovam-pony aza, izy dia olona nandeha lava. Saoly dia anarana jiosy, ary Paoly dia toa anarana Romana mitovy dika amin’izany ihany. Ao amin’ny Soratra Masina, izy dia nantsoina hoe Saoly talohan’ny fiovam-pony, ary amin’ny ankapobeny dia Poaly no niantsoana azy tao aorian’izany.

mba

Araka ny fiaviany,

hantsoin’Andriamanitra ho Apostoly any amin’ny jentilisa.

Ireto andininy manaraka ireto dia milaza bebe kokoa ny amin’ny fiavian’i Paoly:

izy

dia

natao

tsara

Jiosy avy any Tarsosy

Asan’ny Apostoly 21:39Fa hoy Paoly: izaho jiosy avy tany tarsosy any kilikia

Mizaka ny zom-pirenena Romana

Tompon-tany amin’izay tanana tsy kely laza ; koa trarantitra ianao ,aoka aho mba hiteny amin’ny olona Olona mpanaraka ny fomban-drazana

Galatiana 1:14 Ary nandroso tamin’ny fivavahan’ny jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin’ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.

Hebreo avy amin’ny Hebreo

Filipina 3:4,5 kanefa mba manana izay hitokiako amin’ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin’ny nofo, mainka fa izaho ; fa voafora tamin’ny andro fahavalo aho, avy amin’ny fototr’Israely, dia avy amin’ny firenen’ny Benjamina ; Hebreo sady avy amin’ny Hebreo aho ; araka ny lalàna, dia fariseo ;

~ 94 ~

Fariseo

Asan’ny Apostoly 23:6 Ary rehefa fantatr’i Paoly fa sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa fariseo, dia niantso teo amin’ny synedriona izy ka nanao hoe : ry rahalahy, izaho dia fariseo, zanaky ny fariseo ; ny amin’ny fanantenana sy ny fitsanganan’ny maty no itsarana ahy.

NANENJIKA NY FIANGONANA I SAOLY

Ny Nahitana an’i Saoly voalohany indrindra

Asa 7:57-8:3

Ny nahita an’I Saoly voalohany dia tamin’ny fitoraham-bato an’I Stefana.

Asan’ny Apostoly 7:57,58 Ary ny olona niantso tamin’ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy, dia nandroaka azy ho eny ivelan’ny tanàna ka nitora-bato azy. Ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan’ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.

Ny fanenjehana ireo kristiana

Paoly tenany dia niresaka izany fotoana izany, ny fomba nanenjehany ireo kristiana, notarihany ho faty, nofatorany na lehilahy na vehivavy ary nalefany tany an-tranomaizina.:

Asan’ny Apostoly 22:4,5 Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana izany aho hatramin’ny mahafaty aza, dia namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra azy hatao an-tranomaiizna ; ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisiko taratasy ho amin’ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am- patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijaliana. Ny Fanoherana ny anaran’i Jesosy

Asan’ny Apostoly 26:9-11 Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran’i Jesosy avy any Nazareta, sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masina no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tami’nny lohan’ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho. Ary nampijaly azy matetika teo amin’ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria very saina tamin’ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin’ny tanàna any ivelany koa azy. Niaraka tamin’ny fahefan’ny mpisoronabe, Saoly dia nanao an-tranomaizina ny olona masaina maro tany Jerosalema. Nahatsiaro ho tsy maintsy nitety tanàna izy haka toky fa voasambotra ny kristiana rehetra. Ary nampijaliany fatratra ireo mba hanerena ny kristiana hiteny ratsy an’I Jesosy. Nenjehiny hatrany amin’ny tanàna alavitra ireny. Tena nameno ny fon’I Saoly fatratra ny fanenjehana ireo kristiana.

~ 95 ~

Ny Fakam-panahy hamotika ny Fiangonana

Galatiana 1:13,14 fa efa renareo ny toetro fahiny tamin’ny fivavahan’ny jiosy, fa nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy ; ary nandroso tamin’ny fivavahan’ny jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin’ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra. Nanao izany rehetra izany i Saoly satria izany no heveriny fa fanompona an’Andriamanitra. Nanana zotom-po fatratra ho an’ny fivavahany jisoy izy.

NIFANENA TAMIN’I JESOSY SAOLY

Asan’ny Apostoly 9

Nanana drafitra ho an’ny fiainan’i Saoly Andriamanitra na dia fahavalony aza izy. Hitan’Andriamanitra ny fony sy ny zotom-pony izay diso toerana ka dia niseho taminy tamin’ny fomba tsy takatry ny saina Izy. Hazavana sy feo avy tany an-danitra Teny an-dàlana hankany Damaskosy I Saoly mba hanenjika bebe kokoa ireo Kristiana, raha nisy mazava nanelatselatra avy any an-danitra nanodidina azy ka dia lavo tamin’ny tany avy hatrany izy.

Asan’ny Apostoly 9:3-9 Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaiky ny Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatselatsa tampoka manodidina azy ; dia lavo tamin’ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe :

Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko?

hoy izy: Izaho no Jesosy izay enjehinao; fa mitsangana, ka

mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety

Dia

hataonao.

Ary ny olony izay nomba azy tamin’ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona.

Ary Saoly nitsangana tamin’ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.

Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro. Nanontanian’i Jesosy an’i Saoly ny antony anenjehany Azy. Raha manenjika Krsitiana iray dia manenjika an’i Jesosy. Tena nahery vaika ny fihaonan’i Saoly tamin’i Jesosy ka nifady hanina nandritra ny telo andro izy.

.

Nahazo fahitana Ananiasy

Ananiasy?

Fantatr’Andriamanitra fa afaka miresaka amin’I Ananiasy

Olona manao

ahoana

loatra

i

~ 96 ~

Izy ary hankato azy izy na ho inona na ho inona no mety ho sandan’izany. Nahalala ny anaran’I Saoly ny kristiana rehetra. Fantat’izy ireo fa hankany damasy izy mba hisambotra azy ireo ka hanao azy ao an-tranomaizina.

Asan’ny Apostoly 9:10-14 Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy n y Tompo taminy tamin’ny fahitana : Ry Ananiasy.

Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko. Ary hoy ny Tompo taminy: mitsanganà, ka mandehana any amin’ny làlana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an- tranon’I Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsiosy; fa, indro, efa mivavaka izy; ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tànana taminy, mba hahiratra indray ny masony. Ary Ananiasy namely hoe:

Tompoko, efa reko tamin’ny maro ny haben’ny ratsy nataon’izany lehilahy izany tamin’ny olonao masina tany Jerosalema. Ary manana fahefana aty koa avy tamin’ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny Anaranao.

Saoly, Fanaka voafidy

Asan’ny Apostoly 9:15,16 Fa hoy ny Tompo taminy : mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny zanak’israely ; fa hasehoko azy ny habetsahan’izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako. Fantatr’i Ananiasy ny feon’Andriamanitra. Dia namaly avy hatrany izy hoe: « Eny, Tompoko. » Nihaino an’Andriamanitra izy ary avy eo nampahatsiahy azy ny zavatra efa nataon’i Saoly. Andriamanitra dia mahatoky amin’ny teny fahalalana sy ny teny fahendrena, ary Izy nanambara zavatra maro tamin’i Ananiasy, izay nanomana azy hanao ny asa fanompoany amin’i Saoly. Nambaran’ANdriamanitra taminy:

Ny trano sy ny tompon-trano misy azy

Ny anaran’ny làlana

Ny anaran’ilay lehilahy

Ny fiaviany

Ny asany

Izay efa hitany

Izay zavatra hitranga marina Avy eo nambaran’Andriamanitra tamin’i Ananiasy ny iraka hampanaoviny an’i Saoly ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanenjehana hiaretany ho an’ny anaran’i Jesosy.

Nankato Ananiasy

Asan’ny Apostoly 9:17-19 Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an- tranony, dia nametra-tànana taminy ka nanao hoe : ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy izay niseho taminao teo amin’ny lalana

~ 97 ~

nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan’ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao ary niaraka tamin’izay dia nisy zavatra toy ny kiran’ny hazandrano niala avy tamin’ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa ; ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. Avy hatrany i Saoly dia afaka tamin’ny finonom-poana sy ny fombafombam-pivavahana i Saoly. Tao amin’ny fankatoavana, dia natao batisa avy hatrany izy ho vavolombelon’ny fitoviany amin’i Jesosy Kristy.

Inona no atao hoe fiovam-po ?

Ny fiovam-pon’I Saoly no iray amin’ireo ohatra manaitra indrindra hahitantsika ny tarik’efan’ny fiovam-po.

.

Araka ny famaritana, ny fiovam-po dia fiovana tanteraka. Miova làlana tampoka ka nizotra amin’izay mifanohitra tamin’ny teo aloha. Paoly dia avy tao amin’ny maizina no nakao amin’ny mazava. Tena niova fomba fiainana tanteraka izy. Tonga olom-baovao tanteraka izy ao amin’I Kristy Jesosy.

Paul est passé de l’obscurité à la lumière. Il a totalement Lasa vavolombelona matanjak’i Jesosy niaraka tamin’izay

Paoly.

Asan’ny Apostoly 9:19-22 ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka, ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin’ny mpianatra tany Damaskosy.

Ary niaraka tamin’izay dia nitory teo amin’ny synagoga izy ka nilaza an’i Krsity fa Zanak’Andriamanitra. Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe : tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema ? ary tonga aty ko aizy mba hitondra azy mifatotra ho any amin’ny mpisorona be. Ary saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy.

Ny fanenjehana an’i Paoly

ny

fanenjehana.

Asan’ny Apostoly 9:23-25 Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny jiosy; nefa fantatr’i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman’alina hamonoany azy. Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin’ny sobiky avy eo amin’ny manda.

Vetivety

dia

tonga

teo

amin’ny

fiainan’i

Paoly

NY FIROBOROBOAN’NY ASA FANOMPOAN’I PAOLY

Ny Fotoan’ny fiomanana

Telo taona no elanelan’ny fiovan’i Paoly tany Damaskosy sy ny nandehanany voalohany hankany Jerosalema. Nandritra izany fotoana izany, Paoly dia nahazo fanambarana ny

~ 98 ~

amin’ny hafatra izay hotoriny. Nasehon’Andriamanitra azy mivantana izany fahamarinana izany.

Galatiana 1:11, 12,15-19 Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin’ny Filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon’ny olona izany. Fa izaho tsy nandray azy tamin’ny olona, ary tsy mba nampianariny aho, fa tamin’ny fanambaran’i Jesosy Kristy ihany.

Fa raha sitrak’Andriamanitra, izay nanokana ahy hatrany an-kibonin’i neny ny niantso ahy tamin’ny fahasoavany, ny nampiseho ny zanany tato anatiko, mba hitokiko azy any amin’ny jentilisa, niaraka tamin’izay dia tsy naka saina tamin’ny nofo aman-dra aho, ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin’izay Apostoly talohoko aho ; fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray. Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an’i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin’ny folo andro. Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin’ny Tompo. Ny fanambarana ny Fiangonana dia nomena an’i Paoly nandritra ny fotoana nanginany. Nampiandrasana aloha I Paoly, nianatra sy nahatoky an’Andriamanitra. Ny Apostoly Paoly dia tokony hanoratra boky telo ambin’ny folo ao amin’ny Testamenta vaovao. Tao aorian’ny fiovam- pony dia nasehon’I Jesosy azy mivantana ireo fahamarinana ho ampianariny.

Indraindray isika dia tarihin’Andriamanitra amina fotoana fahanginana ary ao anatin’izany fotoana izany, isika dia mila mahatoky sy mahay mihaino ny feony.

Salamo 32:8 Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan- kalehanao Aho ; Hitsinjo anao ny masoko ka hanolotsaina anao aho Te hiasa eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra mba hanomanana tsara antsika hoa amin’izay ataony amin’ny alalatsika. Ny Dia voalohany nankany Jerosalema

Asa 9:26-30

Rehefa ren’ireo ny fiovam-pon’I Paoly, dia tsy nino ireo krsitiana tany Jerosalema ka nandà ny hiaona taminy. Dia tahaka ny nisin’i Ananaiasy tany Damaskosy, Andriamanitra koa dia nanana Barnabasy tany Jerosalema. Izy nivarotra ny fananany manontolo ary nanolotra ny vola teo an-tongotry ny Apostoly.

Asan’ny Apostoly 4:36, 37 Ary Josefa, izay nataon’ny Apostoly hoe koa Barsabasy (izany hoe, raha adika, zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany, dia nivarotra ny sahany,ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly. Im-betsaka no ahitantsika an’i Barnabasy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nampiasain4Andriamanitra izy mba

~ 99 ~

hampifandray an’I Paoly sy ireo Apostoly. Ary taty aoriana dia niaraka tamin’I Paoly nandeha nitory izy.

Asan’ny Apostoly 9:26-30 Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin’ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.

Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin’ny Apostoly,dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dàlana ary ny fahasahiany nitory ny anaran’i Jesosy tany Damaskosy.

Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin’ireo tany Jerosalema, sady nitory tamin’ny anaran’iTompo tamin’ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin’ny Helenista; fa ireo nitady hahafaty azy. Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nakany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.

Vanim-potoan’ny Fiadanana

Tao aoriann’y niovany fo sy ny nafahany nandositra ireo

izay nifofo ny ainy, dia nisy fotoam-piadanana teo amin’ny

Fiangonana.

Asan’ny Apostoly 9:31 Dia nanam-piadanana ny Fiangonana eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo sy ny fampirisihan’ny Fanahy ka nihamaro.

OHATRA HO ANTSIKA ANKEHITRINY

Nanomboka teo amin’izay nisy azy izy Ny fiainan’i Paoly dia ohatra ho antsika ankehitriny. Teo amin’izay nisy azy no nanombohany ary nanaiky ny baikon’ny Tompo. Avy hatrany I Paoly dia nanomboka nitory. Nijanona nteo izy ary nampahafantatra ny rehetra ny fiovam-pony tao Damaskosy. Tao aorian’izay, nandany telo taona izy, nianarany tamin’Andriamanitra.

.

Asan’ny Apostoly 1:8 Fa hahazo hery ianareo amin’ny filatsahan’ny Fanahy Masaina aminareo ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.

Eo

tokony

hanombohantsika, fa kosa manaiky ny baikony Fanahy

Masina.

Ny hoe mahatoky ao Jerosalema dia midika hoe, mahatoky eo amin’izay misy anao, izay ipetrahanao.

Nisy fahabangana

Nanao lalana ho an’ny asa fanompoan’i Paoly tamin’ny alalan’ny olon-kafa Andriamanitra. Dia mbola nampiasain’Andriamanitra indray Barnabasy.

amin’izay

toerana

misy

antsika

no

~ 100 ~

Mba handosirana ny fanenjehana, dia nisy Krsitiana maromaro nandositra tany Antiokia ka dia nitodika tamin’ny Tompo ny Grika. Rehefa ren’ireo Apostoly tany Jerosalema izany, dia naniraka an’i Barnabasy hankany izy. Dia nahazo Grika maro ho an’ny Tompo Barnabasy, dia lasa nitady an’i Paoly izy.

Asan’ny Apostoly 11:25, 26 Dia lasa i Barnabasy nankany Tarsosy hitady an’i saoly, ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary naira-niasa tao amin’ny Fiangonana hatramin’ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ny mpianatra hoe Kristian.

Nasandratr’Andriamanitra

Paoly dia mpaminany sy mpampianatra.

Asan’ny Apostoly 13:1-3 Ary teo amin’ny Fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampinatra : Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay nilonono tamin’i heroda mpanapaka) ary Saoly. Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Tompo sy fifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina:

Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy. Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tànana taminy izy dia nandefa azy. Nifidy an’i Paoly Andrimanitra mba ho Apostoly? ny Fiangonana tany Antiokia dia nivavaka, sy nifady hanina ary nametra-tànana tamin’I Saoly sy Barnabasy mialohan’ny namelany azy ireo handeha. Ny toko manaraka ao amin’ny Asan’ny Apostoly dia mitantara azy ireo amin’ny maha Apostoly azy.

Asan’ny Apostoly 14:14 Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan’ny olona

Fiainana voaova tanteraka

Tena niova tanteraka i Paoly. Ilay olona nafana fo tamin’ny fanenjehana kristian no lasa krsitiana enjehina. Ilay nandray avy amin’ny olona ny foto-pampianaran’ny olona no lasanandray avy amin’Andriamanitra ny fampianaran’Andriamanitra. Ilay natahorana sy nankahalaina no lasa mpitarika ny Tenan’I Krsity. Izy dia olona nofidin’Andriamanitra mba hikasaihana ny firenena jentilisa. Afaka ny ho fampaherezana ho antsika tsirairay ny fiainany. Ny fiovam-pony dia afaka ny ho fanentsehana ny hafa. Na inona na inona hatevin’ny fahotan’ny olona dia ao amin’i Jesosy ihany no misy ny famelan-keloka.

1 Timoty 1:15,16 Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasaitrahana rehetra izao teny izao : tonga tety ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohanyh. Kanefa izao no namindrany fo tamiko, dia ny mba hasehon’I Jesosy

~ 101 ~

Kristy eo amiko izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.

FANONATNIAN AHO VALIANA

1 Farito amin’ny teninao manokana ny fiavian’i Paoly.

2 Farito ny atao hoe fiovam-po

3 Ahoana no afahan’ny ohatry ny fiainan’i Paoly, araka izay nianaranao azy tao amin’ity lesona ity, hitondra fiovana eo amin’ny fiainanao ?

~ 102 ~

Lesona 12

Ny Asa fanompoana sy ny fahafatesan’i Paoly

NOHENJEHINA FATRATRA

Voaovan’nyy fihaonany tamin’i Jesosy Kristy Paoly. Ny fiainany dia fianarana dingana, fisedrana, fanenjehana, fanamby sy fandresena.

Lehilahy lasa jamba Asan’ny Apostoly 13:4-12

Tao aoriann’y nametrahan’ny Fiangonana tànana tamin’I Barnabasy sy Saoly ka namelany azy ireo handeha, dia nankany Kyprosy. Dia nampiantso azy ireo ny governor satria izy naniry te handre ny Tenin’Andriamanitra. Nefa nisy mpikambana iray tao aminy, Elyma, mpanao ody, nanohitra azy roa lahy.

Asan’ny Apostoly 13:8-12 Fa Elyma, mpanao ody, nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana. Fa Saoly kosa, izay atao hoe Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azyka nanao hoe: Ianalahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafatesana rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny làlamahitsin’ny Tompo va ialahy? Ary indro ankehitriny ny tànan’ny Tompo hamely an’ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin’izay ny mampanjambena sy ny haizina; ary niraparapa nitady olona hitantana izy. Ary ny governor, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin’ny fampianaran’ny Tompo.

Nampiasa ny fahefany i Paoly mba hanakanana ny fanahy ratsy tao amin’i Elyma tsy hanodikodina ny governora amin’ny finoany an’i Jesosy Kristy. Voaroaka niala teo amin’ny faritra Asan’ny Apostoly 13:14-52

Rehefa tafaverina tany Antiokia i Paoly sy Barnabasy, dia nasaina niteny teo amin’ny synagoga izy ireo raha toa ka manana teny famporisihina. Inona no teny mety hamporisika kokoa noho ny fanambarana fa efa tonga ny Mesia ? Nitsangana I Paoly ka nitory ny Filazantsara tamin’ny fahefana. Natombony tamin’ireo vahokan’ny Israely tany Egypta izany, niresaka an’i Mosesy, ireo mpaminany, davida, Jaona Mpanao batisa,, sy ny namonoana ary ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty. Dia nambarany tamin’ireo fa amin’ny alalan’i Jesosy no hamelana ny fahotan’izy ireo.

~ 103 ~

Ny Sabata manaraka, dia efa ho ny tànana iray manontolo no tafangona mba hihaino an’i Paoly. Fa feno fialonana ny Jiosy ka ny jentilisa ihany no nihaino azy tamim-pifaliana. Le sabbat suivant, presque toute la ville était rassemblée pour entendre la Parole, mais les Juifs furent remplis de jalousie et seuls les païens l’entendirent avec joie. Dia nomen’ny Jiosy loha ireo vehivavy manan-kaja sy ny lehibe tao an-tànana, mba handroaka azy ireo. Rehefa nandeha i Paoly sy Barnabasy dia nanintsana ny vovoka teo amin’ny tongony. Paoly notoraham-bato, ary navela ho maty Asan’ny Apostoly 14:1-20

Nanohy ny diany hatrany Ikonioma i Paoly sy Barnabasy ka niditra teo amin’ny synagoga. Nahay nandaha-teny tsara izy ka jiosy sy jentilisa maro no nino azy, fa ireo Jiosy tsy nino nandranitra ny jentilisa ka nandoto ny sainy. Dia mbola nitohy nitory ihany Paoly sy Barnabasy ka noharahin’ny famantarana sy ny fahagagana ny hafany, nefa nivadika taminy ny olona tao an-tànana. Afaka fotoana fohy, dia nifanaritaka ny jiosy sy ny jentilisa ka nitora-bSato azy ireo ary voaroaka niala teo izy.

Ny zavatra hitan’i Paoly tamin’ny dia voalohany izay nataony dia tsy ilay katsahin’ny maro amintsika mihitsy. Tany Lystra, dia nisy lehilahy anankiray sitrana dia nivavaka tamin’i Paoly sy Barnabasy ny olona. Ireo Jiosy avy any Antiokia sy Ikonioma dia nitaona ny vahoaka ka nitora-bato azy ireo. Noheverin’izy ireo ho maty I Paoly ka nosarihiny hivoaka ny tanàna. Fa niangona nanodidina azy ny mpianatra ka dia nahatsiaro saina izy. Miatrika ny tena zava-misy marina Mota ny mamaky ny tantaran’ny Apostoly sy ny mitadidy ireo fizarana manaitra ary ireo fahagagana. Raha avy ao amin’io no hianarantsika ny fomba tian’I Jesosy hanorenana ny Fiangonany ankehitriny, dia ilaina jerevantsika toy ny olona tena misy io. Nanana ny fisedrana nanjo azy sy ny oloany tahaka antsika koa ireo. Ny anton’ny fandreseny dia ny tsy fialany mihitsy. Tsy ho resy izany isika raha maharitra eo amin’ny asan’i Jesosy. Azon’Andriamanitra atao mihitsy nyu manaova ny faharesentsika ho fandresena raha toa ka memela Azy hanao izany isika. Nisy hatrany ny olona voavaonjy tany amin’ireo tanàna ireo. Nisandratra ny Anaran’I Jesosy. Fa mialohan’ny hitoizana amin’ny fahagagan’I Paoly, dia tsara ny mijery ireo fisedrana, sybireo olana, ary ireo fanenjehana.

2 Korintiana 4:7-10 Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany

halehiben’ny hery ,fa tsy ho avy

izahay,mba ho an’Andriamanitra ny

~ 104 ~

aminay .Voageja manodidina izahay , nefa tsy tery ,very hevitra , nefa tsy mamoy fo ;enjehina , nefa tsy nafoy ;potraka , nefa tsy maty ;mitondra ny fahafatesan’i Jesosy mandrakariva ao amin’ny tenanay izahay ,mba haseho ao amin’ny tenanay koa ny fiainan’i Jesosy

ASA FAN OMPOANA MAHAGAGA AMIN’NY ALALAN’NY HOSOTRY NY FANAHY MASINA

Tsy ho vita ny hianatra ny boky iray manontolo amin’ity lesona ity, fa ireto dia ireo zavatra nisongadina teo amin’ny fiainan’i Paoly ihany, ka amin’ny faran’ity lesona ity dia tokony hahatakatra ny fomba tokony hiainana sy hiasan’ny Fiangonan’Andriamanitra velona isika. Hojerevantsika ny sasany amin’ireo tranga ireo mba ho ohatra ho amin’ny planin’Andriamanitra ho antsika ankehitriny. Jesosy dia tsy niresaka Fiangonana voalohany sy Fiangonana faha roa. Fa nilaza Izy hoe “haoriny ny Fiangonany.” Ny Fanomezan’ny Fanahy Masina dia mbola ilain’ny mpino ankehitriny tahaka ny tamin’ny taon-jato voalohany ihany. Tys hoe nomen’Andriamanitra nandritra ny fotoana voafetra fotsiny ireo fanomezan’ny Fanahy Masina dia avy eo nalainy tamin’ny fomba tsy fantatra. Izy rehetra nataon’i Petera, Jakoba, Jaona, izay nataon’i Paoly, izay rehetra nataon’i Jesosy dia tokony ataontsika koa. Hoy Jesosy: “Ny Asa ataoko no hataonareo koa, ary hanao asa lehibe noho izany aza ianareo.” Voatarika amin’ny fomba mahagaga Misy an-dalan-teny mahaliana hita mialohan’ny fahitan’i Paoly izay nitarika azy ho any amin’ireo olona tany Makedonia. Mitantara izy fa voasaka ny history ny teny tany

Asia.

Asan’ny Apostoly 16:6,7Ary rehefa noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Azia izy ,dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia,ka efa tonga tany an-tsisin’i Mysia ,dia nitady hankany Bitynia izy ,fa tsy navelan’ny Fanahin’i Jesosy. Tsy nisy fanazavana nomena. Nambara fotsiny hoe tsy navelan’ny Fanahy Masina hankany amin’ireo toerana ireo izy. Tena ilaina ny mandre ny feon’Andriamanitra izya miteny amintsika tsy hanao zavatra iray sy miteny amintsika mba hanao zavatra anankiray. Tsara ny mampahatsiaro fa Jesosy dia tsy nanao na inona na inona ho Azy fa izay hitany nataon’ny Rainy ihany no nataony. Mila mianatra mahalala ny tari- dàlan’Andriamanitra hanao na tsy hanao zavatra iray isika. Natao hiarovana antsika izany.

.

~ 105 ~

Fahitana Mahagaga

Nisy fahitan naneho taminy ny tari-dàlan’Andriamanitra ho an’ny asa fanompoany:

Asan’ny Apostoly 16:9-11Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin’i Paoly ,koa ,indro ,nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe :Mità mankaty Makedonia ,ka vonjeo izahay !Ary nony nahita ny fahitana izy ,dia nitady handeha niaraka tamin’izay hankany Mankedonia izahay ,satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ny olona any .Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay ,dia nizotra nankany Samotrakia ;ary nony ampitso dia nankany Lasa nankany amin’i Filipy, zana-tany Romana ary renivohitry ny tànana atao hoe Makedonia izy ireo. Tany no nihaonan’izy ireo tamina vehivavy iray antsoina hoe Lydia, izay novonjena izy sy izay rehetra tao an-tranony. Nandeha tany amin’izay nanirahan’Andriamanitra azy izy, ary nisy varavarana misokatra ho an’ny asa fanompoana tany. Tsy hoe Fiangonana iray lehibe, fa vondrom-bavaka izay niangona teo amoron-drano.

Fahalalana Mahagaga

Niakatra nankany amina toerana fivavahana i Paoly sy ny mpanara-dia azy raha nisy ankizivavy nanaraka azy ka niantsoantso hoe; « Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’Andriamanitra Avo indrindra, izy manoro anareo làlam-pamonjena » dia nitohy niantsoantso toy izany izy nandritry ny adro maromaro, ary marina izay nolazainy. Nanaitra ny olona mba hihaino azy ireo izy, ary mety ho nanokatra varavarana ho an’ny asa fanompoana koa. Fa sosotra ny fanahin’i Paoly ka dia niteny azy rehefa afaka andro maromaro:

Asan’ny Apostoly 16:16-18 Ary raha nandeha ho any amin’ilay fitoerana fivavahana izahay ,dia nisy ankizivavy anakiray nanam- panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoana’ny tompony harena be .Izy nanaraka an’i Paoly sy izahay ka niantso :Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra, iza manoro anareo làlam-pamonjena .Ary nataony tamin’ny andro maro izany .Ary sosotra Paoly, dia nitodika taminy ka nanao tamin’ny fanahy ratsy hoe : Mandidy anao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin’izany ora izany idrindra izy. Amin’ny alalan’ny fanomezan’ny Fanahy Masina mahagaga, Paoly nahalala ny fanahy izay niasa tao anatin’ilay zazavavy ary nandroaka azy. Izany dia fanomezam-pahasoavana tsy takatry ny saina “hamantatra ny fanahy”, izay hita ao amin’ny 1 Korintiana 13

Fanafahana mahagaga

Nalefan’ny tompon’ilay ankizivavy tany an-tranomaizina Paoly sy Silasy. Ary nesorina ny akanjony, ka nokapohina sy nidina tao amin’ny efitra anatiny indrindra, ary ny tongony

~ 106 ~

nobolokiny mafy tamin’ny boloky hazo. Nefa I Paoly sy Silasy nivavaka sy nijoro vavolombelona tamin’ireo gadra hafa. Izy dia tsy nandany ny fotoany tamin’ny fitenenana hoe; « Andriamanitra ô, nahoana izahay no nalefanao aty ? » tsy niteny izy ireo hoe, « mino aho fa tsy azontsika ny tari- dàlan’Andriamanitra. Tsy niteny tamintsika hakaty Makedonia Izy. » Fa satria izy ireo nitoetra ho mahatoky tamin’ny Fanahy Masina, dia niditra antsehatra namonjy azy Andriamanitra.

Asan’ny Apostoly 16:25-30 Ary nony mamantonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra Paoly sy Silasy ; ary nihaino azy ny mpifatotra. Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan’ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin’izay ny varavarana rehetra ary nivaha avokoa ny fatoran’izy rehetra.

Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaiizina ka nahita ny varavaran’ny tanomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.

Fa Paoly niantso tamin’ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.

Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan’I Paoly sy Silasy.

Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? Nandefa horohorontany Andriamanitra hanafahana an’i Paoly sy Silasy tao an-tranomaizina, fa ilay mpiandry ny tranomaizina sy ny ankohonany no tena nohafahana marina. Dia nandao an’i Filipy ny mpianatra ka nankany tesalonika izay toerana mbola nahitan’ny fampianaran’izy ireo fanoherana ihany koa. Nanaraka azy ireo ny lazany satria hoy ny olona:” Tonga eto aminstika ireo lehilahy namafy korotana tany aùmin’ny tany manodidina. » ”. Dia norahonana hiala ny tànana indray izy ireo ary Paoly nanohy ny diany hatrany Atena.

Fampirisihina mahagaga Atena

Tany Atena, Paoly dia nandany ny fotoany tao amin’ny synagoga, niady hevitra tamin’ireo Jiosy. Niresaka foto- pampianarana izy ireo ary izy niezaka nandresy lahatra fa Jesosy no Mesia ka nisy saany nino azy. Dia vao mainka niatezitra ka nandao ny tanàna i Paoly nony farany. Ary dia kivy izy :

Asan’ny Apostoly 18:4-6Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin’ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa. Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin’ny teny Paoly ka nanambara tamin’ny Jiosy fa Jesosy no Kristy. Ary nony

~ 107 ~

nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: aoka ho eo andohanareo ny ranareo, afaka aho ; ary amin’izoa sisa izao dia hankany amin’ny jentilisa aho.

Korinto

Niala tao Atena i Paoly ka nankany Korinto ka nanao toy izay efa nataony ka maro no nino. Dia niteny tamin’Andriamanitra tamin’ny fahitana indray Paoly.

Asan’ny Apostoly 18:9.10 Ary ny Tompo niteny tamin’i Paoly tamin’ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina, fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin’ity tanàna ity Aho Io fahitana io dia teny famporisihina ho an’i Paoly. “Tohizo Paoly a! Tena mahay ianao, mitohiza fotsiny mampianatra fa tsy hisy hanino anao izany eo amin’I tanàna io.” Nijanona tao Filipy maherin’ny iray taona sy tapany Paoly

FANOVANA FOMBA FIASA

Efesosy

Rehefa tonga tany Efesosy Paoly, dia hafa indray no nanombohany ny asa fanompoany. Tsy nandany ny fotoany tamin’ny fiadiana hevitra ny amin’ny fotom-pampianarana sy nanazava ireo tranga ao amin’ny Filazantsara. Fa nanatona vondrona kristiana izy ka niteny tamin’ny hoe:

Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina fony vao nino ianareo?”

Asan’ny Apostoly 19:2-7 Ka nanao taminy Hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo?

Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina .Ary ho amin’inona no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo:

Ho amin’ny batisan’i Jaona.

Fa hoy i Paoly: Jaona nanao batisan’ny fibebahana ka nilaza tamin’olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ny anaran’i Jesosy Tompo.

Ary rehefa nametrahan’i Paoly tànana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin’ny teny tsy fantatra izy sady naminany .Ary tokony ho roa ambin’ny folo lahy no isan’izy rehetra. Dia niditra tao amin’ny Synagoga i Poaly ary izy intent tamim-pahasahiana tao nandritra ny telo volana, ka rehefa nisy fanoherana, dia nandao ny synagoga izy fa mbola nijanona tao an-tanàana ihany. Dia noentiny tany amin’ny trano fampianaran’i Tyrano ny mpianany, izay toerana nampianarany isanandro nandritry ny roa taona. Arak’ity tantara ity, toa nanokatra sekoly fianarana Baiboly i Paoly ary nisy mpifaninana taminy.

~ 108 ~

Nitohy hatrany izy ka nandre ny tenin’ny Tompo izay rehetra nonina tany Azia, na jiosy na jentilisa.

Asan’ny Apostoly 19:8-10 Ary Paoly niditra tao amin’ny synagoga ka niteny tamin’ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason’ny olona maro, dia niala tamin’ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan’andro tao amin’ny fampianaran’i Tyrano.

Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin’nyTompo izay rehetra tany Azia, na Jiosy na Jentilisa Sy navelan’Andriamanitra hankany Azia aloha i Paoly, nefa nandre ny tenin’Andriamanitra Azia manontolo. Angamba tian’Andriamanitra nho nanova fomba fiasa aloha I Paoly mialohan’ny hankanesany any Azia.

Efa maty fa velona indray

Raha mbola nampianatra tao Troasy i Paoly, i Eotyka nipetraka teo am-baravarakely nihaino azy ary resin-tory dia nianjera avy teny amin’ny rihana telo mifanongoa ka maty.

Asan’ny Apostoly 20:7-11 Ary tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitory teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy ; dia naharitra nitoriteny mandra-pahamamatonalina izy .Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonany.

Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am- baravarakely ka sondrian-tory ; ary raha naharitra ela ny toritenin’i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin’ny tany avy eny amin’ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, diaindro efa maty.

Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe : Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy .Ary niakatra Paoly ,dia namaky ny mofo ,ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamaraina ny andro izy,dia lasa nandeha

.

JERI-TODIKA NY AMIN’NY ASA FANOMPOAN’I PAOLY

Niverina tany Jerosalema I Paoly ka nihaona farany tamin’ireo loholon’ny Fiangonana tany Efesosy. Dia nanao lahan-teny namintina ny asa fanompoany izy. Afaka nitaraina tamin’ny zavatra rehetra nitranga i Paoly. Afaka niteny izy hoe: « Andriamanitra ô ! Nafoy zavatra maro aho noho ny Aminao, nandao toerana ambony aho. Nandà hoavy azo antoka aho, olona nampianarina aho, miteny amin’ny fitenim-pirenena maro aho. Nefa aho asainao manompo olona etsy sy eroa. Voaroaka tany amin’ny tanàna rehetra nanirahanao ahy aho, nokapohina

~ 109 ~

aho ka navela ho faty. Tompo ô, indro eto aho izao ary tena kivy. Te hijanona aho ka hiala! » Fa tsy mba nanao resaka toy izany mihitsy i Paoly:

Asan’ny Apostoly 20:19-24 …dia ny nanompoako ny Tompo tamin’ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin’ny fanotrehan’i Jiosy, ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano ; ary nambarako tamin’ny Jiosy sy ny Jentilisa koa ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.

Ary ankehitriny, indro, tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, afa-tsy izay ambaran’ny Fanahy Masina amiko amin’ny isan-tanana, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy.Nefa tsy ataoko zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ny Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra

TENY AN-DALANA HANKANY JEROSALEMA SY ROMA

Ny Faminaniana ny amin’ny hanaovana an’I Paoly ao an-tranomaizina Teny an-dàlana hankany Jerosalema, rehefa tonga tao Kaisaria Paoly ka nioetraka rao amin’u Filipo, Evanjelista dia nisy mpaminany tonga tao izay antsoina hoe Agoabo.

Asan’ny Apostoly 21:10,11Ary raha nitoetra tao andro maro izahay ,dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia .Ary rehefa tonga tao aminay izy ,dia noraisiny ny fehikibon’iPaoly ,ka namatorany ny tongotra aman-tànan’ny tenany ,dia hoy izy :Izao no lazain’ny Fan