You are on page 1of 35

KOLEJY

FAMPIANARANA ANKAPOBENY
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

TENY MIALOHA

Ny fahalalana tsy misy eritreritra, hoy ny mpandinika iray, dia tsy inona fa
faharavan’ny fanahy. Ka na dia manampahaizana tapitra ohatra aza ny tanorana
voavolavolantsika nefa tsy manana ny toetra mahaolom-banona dia
fahapotehan’ny firenena sy faharavan’ny fiarahamonina no ho vokatr’izany.
Mitana toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny fanabeazana noho izany ny
fanabeazana ho olompirenena vanona satria izany no mahatonga ny tanora
mahavita fianarana ho tonga olona azo ianteherana na eo amin’ny
fampandrosoana ny tanindrazana na eo amin’ny fampirindrana ny fiarahamonina.
Ny fieritreretana izany tanjona izany no nahatonga ny Ministera hitady
vahaolana maharitra hampiorenam-paka sy hanamafisana orina ny
mahaolompirenena sy ny mahaolom-banona eto amin’ny firenentsika.
Anisan’izany àry ny fanavaozana sy fanatsarana ny fandaharam-pianarana
momba ny fanabeazana ho olompirenena vanona ao amin’ny Dingan’ny Kôlejy.
Koa amin-kafaliana no anolorako anareo mpanabe sy mpianatry ny Kôlejy
ity boky fandaharam-pibeazana ity.
Ny tanjona kendrentsika moa dia tsotra : ny hamolavola olona feno izay
sady afaka mitondra sy miaro ny tenany amin’ny mahaolona azy no mahavita
mandray sy mitana ny toerana sahaza azy na eo amin’ny lafiny fiarahamonina na
fiharian-karena na pôlitika ary miaina ny kolontsaina malagasy nefa mampihatra
koa ny kolontsaina vahiny mahasoa.
Nisy ireo nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka izao vokatra mahate
hidera izao. Koa Tolorana fankasitrahana etoana ny Tahirin’ny Firenena
Mikambana ho amin’ny Demôkrasia namatsy vola (FNUD), ny
Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD)
nitantana ny Tetikasa teo amin’ny ara-bola, ny Foiben’ny Fanabeazam-bahoaka
ho Olompirenena eto amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena (OEMC)
nanatanteraka ny Tetikasa teo amin’ny lafiny teknika, ary indrindra ireo
teknisianina momba ny Fanabeazana marobe avy amin’ny Fanjakana sy avy
amin’ny Foibe-pitondran’ny Fampianarana Miahy tena folo namolavola sy
nanoratra ny boky. Mendri-pankasitrahana ny asa vitanareo ka hipetraka ho lova
sarobidy ho an’ny taranaka mifandimby.
Farany, ny irariana dia ny hahombiazanareo mpanabe mikirakira ity
fandaharam-pibeazana ity ka hahatraranareo ny tanjona kendrena dia ny
hahatonga ny tanora mahavita ny Dingan’ny Kôlejy tsy ho olompirenena
mpanakorontana fa mpandamina, tsy ho mpametraka olana fa mpitondra
vahaolana, tsy ho mpanakiana fa mpanolo-kevitra, tsy ho mpandrava fa
mpanangana.

NY MINISITRY NY FANABEAZAM-PIRENENA
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FAMPIDIRANA ANKAPOBENY

Manoloana ny fahapotehan’ny toetra mahaolombanona hita ho


mahazo vahana eto amin’ny firenentsika, eo anatrehan’ny fitakiana
sesilany ataon’ny mpiray tanindrazana ny amin’ny tokony hanamafisana
ny fanabeazana ho olompirenena vanona, mahita ny tsy fandairan’ny
fanabeazana ho olompirenena natao hatramin’izay dia nanapa-kevitra ny
Ministera ny hanavao sy hanatsara ny fandaharam-pianarana
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona ho an’ny Kôlejy.

Mba hanatanterahana izany dia atrikasa impito miantoana nahitana


atrikasa famolavolana sy fanoratana efatra ary atrikasa fankatoavana telo
no notontosaina.

Nampandraisina anjara tamin’izany avokoa ireo rafitra sy


sokajin’olona voakasiky ny Fanabeazana ho Olompirenena Vanona sy ny
fandaharam-pianarana rehetra ao anatin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-
pirenena: ny mpikambana ao amin’ny Filankevi-pirenena momba ny
Fanabeazana (CNE), ny Foibem-Pitondrana misahana ny Fandaharam-
Pianarana (DCI), ny Ivontoeram-Pirenena misahana ny Fanofanana
Mpampianatra (INFP), ny Foibem-Pitondrana misahana ny Fanabeazana
Fototra (DEF), ny Foibem-Pitondrana misahana ny Fampianarana
Ambaratonga Faharoa (DES), ny Foiben’ ny Fanabeazam-bahoaka ho
Olompirenena (OEMC), ny Foibem-pirenena misahana ny Fampianarana
Miahy tena (ONEP), ireo Foibem-Pitondrana Nasiônaly folo misahana ny
Fampianarana Miahy Tena.

Nantsoina handray anjara koa ireo mpiara-miombona antoka ahitana


ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala, ny Tahirin’ny Firenena
Mikambana momba ny Natiora (WWF), ny Tahirin’ny Firenena Mikambana
momba ny Fiahiana ny Reny sy ny Zaza (UNICEF), ny Birao Iadiana
Amin’ny KOlikoly (BIANCO) ary ny Biraom-Pirenena misahana ny
Fitantanana ny Loza Voajanahary (BNGRC).

Fandaharam-pibeazana moa no iantsoana ity boky ity satria dia


fomba fijery sy fomba fampianatra vaovao no nenti-nandrafitra azy no sady
itondrana ny fampiharana azy eny anivon’ny sekoly, ka tsy fampianarana
no atao na fanabezana fa ny ankizy mihitsy no mibe eo ambany
fitarihan’ny mpanabe.
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

Hita ato anatin’ity fandaharam-pibeazana ity àry ny Tsanganana ho


an’ny mpianatra nahavita ny Dingan’ny Kôlejy ary ny fandaharam-
pibeazana ho an’ny kilasy tsirairay.

Ny fandaharam-pibeazana isan-kilasy indray kosa dia ahitana


fizarana dimy: ny lafiny mahaolona, ny lafiny fiarahamonina, ny lafiny
fiharian-karena, ny lafiny pôlitika ary ny lafiny kolontsaina. Isaky ny lafiny
indray dia ahitana tanjona ankapobeny vitsivitsy sy tabilao anehoana ireo
tanjona manokana, ny votoatiny, ny tetika amam-paika ary ny fitaovana
ampiasaina.

Mba hanamorana ny asanareo mpanabe moa dia tsy mandeha irery


ity Fandaharam-Pibeazana ity fa misy Boky Fibeazana ho an’ny
mpianatra, Boky Taridalana ho an’ny mpanabe ary Boky Tahirin-Kevitra ho
an’ny roa tonta ampiarahina aminy.

Aroso hosedrainareo mpanabe any an-dakilasy ary ity Fandaharam-


Pibeazana ity. Tsy tapitra eto moa ny fanatsarana ny Fanabeazana ho
Olompirenena Vanona koa dia misokatra amin’ny tsikera sy ny tolo-kevitra
hoenti-manatsara avy aminareo ity fitaovana ity. Taridalana ihany mantsy
ny fandaharam-pibeazana fa ny fanatanterahana dia antsika rehetra. Koa
na ny filaharan’ny lohahevitra na ny tetika amam-paika na ny fitaovana
ampiasaina voalaza ao dia ampirisihana ny haiforona sy ny haikaroka
anananareo ny fandinihana sy fanampiana ary fanatsarana azy. Indrindra
fa miankina amin’ny zava-misy any amin’ny toeram-piasanareo ny safidy
mety ataonareo.

Koa mirary anareo mpanabe hahatratra ny tanjona isaky ny sehom-


pibeazana. Izany mantsy no hanaporofo fa mandaitra ny fanabeazana
ataonareo satria tonga toe-tsaina amam-pitondrantena iainan’ny
mpianatra ireny tanjona ireny fa tsy fahalalana miangona ao an-tsainy
fotsiny ihany.
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANOROAM-PEJY

TENY MIALOHA

FAMPIDIRANA ANKAPOBENY

TSANGANAN’NY MPIANATRA NAHAVITA


KOLEJY FAMPIANARANA ANKAPOBENY 11

FANDAHARAM-PIBEAZANA TAONA FAHENINA 13

AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA 14


AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONIA 16
AMIN’NY LAFINY FIHARIAN-KARENA 17
AMIN’NY LAFINY POLITIKA 18
AMIN’NY LAFINY KOLONTSAINA 19

FANDAHARAM-PIBEAZANA TAONA FAHAFITO 21

AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA 22


AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONIA 23
AMIN’NY LAFINY FIHARIAN-KARENA 24
AMIN’NY LAFINY POLITIKA 25
AMIN’NY LAFINY KOLONTSAINA 26

FANDAHARAM-PIBEAZANA TAONA FAHAVALO 27

AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA 28


AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONIA 29
AMIN’NY LAFINY FIHARIAN-KARENA 30
AMIN’NY LAFINY POLITIKA 31

FANDAHARAM-PIBEAZANA TAONA FAHASIVY 33

AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA 35


AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONIA 36
AMIN’NY LAFINY FIHARIAN-KARENA 37
AMIN’NY LAFINY POLITIKA 38
AMIN’NY LAFINY KOLONTSAINA 39
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

TSANGANAN’NY MPIANATRA NAHAVITA KOLEJY FAMPIANARANA ANKAPOBENY

Ny mpianatra mahavita ny KOLEJY FAMPIANARANA ANKAPOBENY dia manana ireo


toetra amam‐pihetsika izay mifanaraka amin’ny fampivelarana ny mahaolona (vatana,
saina, fo amam‐panahy), ny fiarahamonina, ny kolontsaina malagasy, ny fihariana ary
ny pôlitika. Araka izany, ireo mpianatra ireo dia mandala ny kolontsaina malagasy sy
demôkratika ary mihatompon’andraikitra hatrany hatrany amin’ny fampivoarana ny
tenany sy ny fiarahamonina ao anatin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana eo amin’ny
lafiny rehetra.

Ny mpianatra dia afaka :

11
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

12
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA

TAONA FAHENINA

13
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHENINA

AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA


TANJONA ANKAPOBENY
• Mitandrina ny fahadiovana sy miaro ny tenany amin’ny aretina sy loza ary zava
mahadomelina
• Manaja, miaro ary mitaky ny zo aman‐kasin’ny olombelona isan‐tsokajiny
• Miaina sy mandala ny fahamarinana sy ny fahitsiana
• Mikaroka sy mamorona ary mikendry vokatra tsaratsara kokoa hatrany

14
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHENINA

AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA

15
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHENINA

AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONINA


TANJONA ANKAPOBENY
• Maneho fitondrantena sy fihetsika mendrika eo anivon’ny ankohonana misy azy sy
ny sekoly ary ny
fiarahamonina
• Mifampiresaka sy mifanakalo hevitra ary mifampizara vaovao amin’ny mpiara‐
belona
• Manana toe‐tsaina tia mikajy ny tontolo iainana eo anivon’ny fiarahamonina

16
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHENINA

AMIN’NY LAFINY FIHARIAN-KARENA


TANJONA ANKAPOBENY
• Miroso amin’ny fananganana asa eo amin’ny toerana misy azy
• Mifehy tsara ny fomba fitantanana sy fitrandrahana ara‐drariny ny tontolo iainana

17
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHENINA

AMIN’NY LAFINY POLITIKA


TANJONA ANKAPOBENY
• Mifanakalo hevitra momba ny repoblika sy ireo mari‐pamantarana azy ary ny zo
pôlitika

18
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHENINA

AMIN’NY LAFINY KOLONTSAINA


TANJONA ANKAPOBENY
• Miaina sy manaja ny kolontsaina malagasy sy ny soatoavina iraisam‐pirenena
• Maneho fitiavan‐tanindrazana amin’izay rehetra ataony

19
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

20
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA

TAONA FAHAFITO

21
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAFITO

AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA


TANJONA ANKAPOBENY
• Mitandrina ny fahadiovana sy miaro ny tenany amin’ny aretina sy loza ary zava‐
mahadomelina
• Manaja, miaro ary mitaky ny zo aman‐kasin’ny olombelona isan‐tsokajiny

22
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAFITO

AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONINA


TANJONA ANKAPOBENY
• Maneho fitondrantena sy fihetsika mendrika eo anivon’ny ankohonana misy azy sy
ny sekoly ary ny fiarahamonina
• Mifampiresaka sy mifanakalo hevitra ary mifampizara vaovao amin’ny mpiara‐
belona
• Mamantatra ireo rafitra sy sampan‐draharaha iraisam‐pirenena
• Manana toe‐tsaina tia mikajy ny tontolo iainana eo anivon’ny fiarahamonina

23
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAFITO

AMIN’NY LAFINY FIHARIAN-KARENA


TANJONA ANKAPOBENY
• Miroso amin’ny fananganana asa eo amin’ny toerana misy azy
• Manaja sy mikajy ny tontolo manodidina ny fiharían‐karena eo amin’ny toerana
misy azy

24
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAFITO

AMIN’NY LAFINY POLITIKA


TANJONA ANKAPOBENY
• Mifanakalo hevitra momba ny repoblika sy ireo mari‐pamantarana azy ary ny zo
pôlitika
• Mampihatra fifidianana demôkratika eo anivon’ny sekoly sy ny fikambanana misy
azy

25
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAFITO

AMIN’NY LAFINY KOLONTSAINA


TANJONA ANKAPOBENY
• Miaina sy manaja ny kolontsaina malagasy sy ny soatoavina iraisam‐pirenena
• Maneho fitiavan‐tanindrazana amin’izay rehetra ataony

26
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA

TAONA FAHAVALO

27
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAVALO

AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA


TANJONA ANKAPOBENY
• Mitandrina ny fahadiovana sy miaro ny tenany amin’ny aretina sy loza ary zava‐
mahadomelina

28
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAVALO

AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONINA


TANJONA ANKAPOBENY
• Miaina sy mandala ny fahamarinana sy ny fahitsiana eo amin’ny ankohonana sy ny
fiarahamonina
• Mifampiresaka sy mifanakalo hevitra ary mifampizara vaovao amin’ny mpiara‐
belona
• Manatanteraka ny adidiny sy ny andraikiny eo anivon’ny ankohonana misy azy, ny
sekoly ary ny fiarahamonina
• Mampiasa ireo rafitra sy sampan‐draharaha iraisam‐pirenena

29
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAVALO

AMIN’NY LAFINY FIHARIAN-KARENA


TANJONA ANKAPOBENY
• Miroso amin’ny fananganana asa eo amin’ny toerana misy azy
• Mitsikera ny fomba fitrandrahana’ ny tontolo iainana
• Mitandro ny fahamarinana sy ny fahitsiana eo am‐panatanterahana ny asa
fihariana

30
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAVALO

AMIN’NY LAFINY POLITIKA


TANJONA ANKAPOBENY
• Mifanakalo hevitra momba ny repoblika sy ireo mari‐pamantarana azy ary ny zo
pôlitika

31
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

32
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA

TAONA FAHASIVY

33
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHASIVY

AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA


TANJONA ANKAPOBENY
• Mitandrina ny fahadiovana sy miaro ny tenany amin’ny aretina sy loza ary zava‐
mahadomelina
• Manaja, miaro ary mitaky ny zo aman‐kasin’ny olombelona isan‐tsokajiny

34
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHASIVY

AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA

35
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHASIVY

AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONINA


TANJONA ANKAPOBENY
• Maneho fitondrantena sy fihetsika mendrika eo anivon’ny ankohonana misy azy sy
ny sekoly ary ny fiarahamonina
• Miaina sy mandala ny fahamarinana sy ny fahitsiana eo amin’ny ankohonana sy ny
fiarahamonina
• Mifampiresaka sy mifanakalo hevitra ary mifampizara vaovao amin’ny mpiara‐
belona

36
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHASIVY

AMIN’NY LAFINY FIHARIAN-KARENA


TANJONA ANKAPOBENY
• Miroso amin’ny fananganana asa eo amin’ny toerana misy azy
• Mitandro ny fahamarinana sy ny fahitsiana eo am‐panatanterahana ny asa
fihariana
• Mampihatra ny kolontsaina fandraharahana
• Mifehy tsara ny fomba fitantanana sy fitrandrahana ara‐drariny ny tontolo iainana

37
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHASIVY

AMIN’NY LAFINY POLITIKA


TANJONA ANKAPOBENY
• Mampihatra fifidianana demôkratika eo anivon’ny sekoly sy ny fikambanana misy
azy

38
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHASIVY

AMIN’NY LAFINY KOLONTSAINA


TANJONA ANKAPOBENY
• Maneho fitiavan‐tanindrazana amin’izay rehetra ataony

39

You might also like