You are on page 1of 7

Malagasy ve ianao

2 juillet 2016 ·

NY FAMORANA – Part 1

Migadona izao ny andro ririnina fanaovana hasoavan-jaza ka tsara raha fantatsika ny fomba rehetra
manodidina izany, sy ny antony anaovana azy ireny. Anisan’ny #Ankasoavana nataon’ny Ntaolo ho
lehibe sy ambony mantsy ny famorana, izay midika fahaterahana vaovao ho an’ny zazalahy kely ka
rehefa vita hasoavana izy izay vao tena azo lazaina fa lehilahy, ka tafiditra ho isan’ny fianakaviana
amin’izay. Ny ho lazaiko voalohany eto dia ny fomba fanaon’ny Ntaolo teto Imerina tamin’ny
hasoavan-jaza, ary ho azavaiko amin’ny fizarana ho avy kosa ny fomba any amin’ny faritra sy foko
hafa.

Andro lehibe sy malaza ary iandrandrana fahasoavana ho an’ny zaza ny famorana ka izay no antony
ilazana azy hoe «Manao hasoavana» na «hasoavan-jaza» na « Manikin-jaza » na « Mandidy foitra ».
Ny zavatra tsy maintsy atao voalohany alohan’ny zavatra rehetra dia ny fijerena ny tonon’andro
mifanaraka amin’ny vintan’ilay zaza. Kajiana tsara mba tsy eo amin’ny tonon’andro mandratra sy
andro nahavelomany no hanatanterahana izany. Ny be mpanao dia ny #Alohotsy satria andro
maivana ka mora sitrana ny fery. Ny tsy fanao kosa dia ny #Adimizana ny #Adijady ary ny #Adalo.

Asaina ny fianakaviana sy ny mpiray monina mba hiaraka iravoravo sy handihy, ka rehefa tonga ny
nasaina dia miteny hoe « Arahaba ririnina e ! », valian’ny tompon-trano hoe «samy vita e ! »
Tsy ary ho voalaza eto daholo kosa ny fanao rehetra mandritra ny famorana fa ny fanao ankapobeny
ihany no holazaina. Raha atao indray mijery dia mizara 6 ny kojakoan-draharaha sy fombafomba
momba ny hasoavana dia ny : 1) Ny mivaky volo, 2) Ny mitohy temitra sy mifehy voatavo, 3) ny
mampakatra rano masina sy mitoetra an-dapa, 4) Ny mitsitsika 5) Ny maka ranomahery, ary farany 6)
Ny manentitra

Ny mivaky volo:

Io no fiandohana amin’ny raharaha, ny ray aman-drenin’ny zaza no mivaky volo. Eo amin’ny toerana
amakiam-bolo no velarina ny #tsihy lehibe madio, ka dia mipetraka eo ny rain-jaza sy ny renin-jaza
ary ny mpianakavy sy ny famaton-kavana. Mitodika miantsinanana ireo mivavaka sy miantso
an’Andriamanitra Andriananahary, ny hasin’ny Razana, sns

Eo am-panoritana ny volo (soritra 2, hizara ny volo ho 3 toko) no miteny hoe « Sambasamba


Andrimanitra Andriananahary, tsy ho azon-tsampona anie, sy ho azon-tambàna, hahaleo halasa anie
ny zaza »

Rehefa vita ny vaky volo dia mandroso amin’izay ny dihy sy ny firavoravoana, ireo dihy ireo no atao
hoe « «Dihy amin’ny vakin-tany », ka ny malaza indrindra amin’ireo dia ny « soratra », fanao amin’ny
toerana malalaka

Ny tohy temitra sy ny mifehy voatavo:


Rehefa vita ny fomba aman-dihy momba ny vaky volo, dia mandroso ny #Mitohy_temitra. Ny trano
izay hanaovana ny hasoavan-jaza no notemerana lamba #landy avokoa, ka io trano voatemitra io no
atao hoe #Lapa

Raha mbola mitohy ny temitra ny vehivavy, ny lehilahy kosa dia «Mifehy voatavo ». Maka irony
voatavo misy tendany irony ny lehilahy maromaro mba hakana rano ilaina rehetra mandritra ny
hasoavana. Alaina izy io ka fehezina halana fandrotrarana 3, ny iray eo amin’ny vodiny, ny iray eo
amin’ny tendany ary ny iray eo amin’ny lohany. Manaraka izany dia haratoina amin’ny hafotra «
somangana » mba tsy hahazo mibolisatra miala amin’ny tenany ireo halana ireo.

hitohy (...)NY FAMORANA - Part 2

3) Mampakatra ny rano masina sy miditra an-dapa

Rehefa voafehy ny voatavo, dia entina hakana "rano masina" izany hoe rano itsitsina. Misy toerana
voatakona ho fakana rano masina ho an'ny Andriana, fa ho an'ny olona hafa dia izay rano lehibe eny
akaikikaiky eny. Mihaingo sy miravaka tsara ny velon-dray aman-dreny miloloha ny voatavo, ary misy

lehilahy maro mitondra ampinga sy lefona ary basy koa miaraka aminy. Rehefa tonga eo amoron'ny
rano akana ny rano masina dia mihira ireo mitondra lefona ka manao hoe "Lahy! Lahy! hahaleo
hahalasana, ho tratra antitra, ho morai-mpery".

Marihina fa tsy rano masina ihany no alaina amin'io dia atao io fa ao koa ny vatan'akondro, hasina,
zahana, vahimavany, volotara, hafopotsy, ...

Eo amin'ny fotoana hampakarana ny rano masina, dia mihaingo fatratra ny olona, na lahy na vavy, ka
mandeha mitsena azy.
Eny am-podiana, milahatra eo anoloana ny lehilahy sy vehivavy mpitsena rehetra ka sady mirebika no
mihira hoe: "Ataovy soa rano mason-drano manoro eh!"

Rehefa tafiditra ao an-dapa ny zavatra rehetra, dia mitarika ny dihy ny andriana vao manaraka ny
olon-drehetra, izany no atao hoe "mamaly lapa" na "miditra an-dapa"

4) Ny mitsitsika

Rehefa harivariva ny andro, dia arehitra ny "fototra" (ilay vatan'ankondro nalaina) ary dia atao ny
"oha-jaza": alaina ireo volotara ka oharina in-3 amin'ilay zaza ary dia tapahina hatrany hatreo
amin'ny valahany, hatreo amin'ny sorony ary atao tovotra azy. Vita izay dia ventesina ny tsitsika izay
firariana am-bavaka.

Averina in-3 ny tsitsika mandra-pahamaraina ny andro, ary ny fotoana anelanelan'izany dia lanina
amin'ny hira sy dihy.

5) Maka ranomahery

Rehefa madiva maraina ny andro alefa ny lehilahy matanjaka haka ranomahery hanondrahana ny
ferin-jaza. Raha vao mivoaka ny lapa izy ireo dia sady mihira no mihazakazaka ka manao hoe:
"Ampilefaso soa rano masin-dranomahery. e! e!" Ny vehivavy kosa manenjika avy ato aoriana
mandrapidifin'izy ireo.

Rehefa miverina ny mpaka rano mahery dia miara-mifamalivaly hoe: "Zana-boromahery manatody
am-bato"
6) Manentitra

Roso amin'izay ny fanenterana rehefa ampy ny hazavan'ny andro. Tary (Ampongalahy) no


ipetrahan'ny zaza.

Amin'ny fotoana andidiana ny zaza, ny filoham-pianakaviana dia mitana lefona sy ampinga eo


andrefan-trano sady mandahilahy hoe "Lahy! Lahy! hahaleo anie ialahy, hahalasana! haharo
voditatatra! ho tratra antitra, ho ela velona."

Rehefa voadidy ilay zaza dia tondrahana ranomahery ny fery, ary aseraserana kely eo ambony afon-
jozoro miredareda vao entina mipetraka. Ilay lohan'ny filahiana voadidy kosa dia tsy ariana na alevina
fa fonosina akondro dia atoan'ny rain-jaza teli-moka amin'izao.

Raha ny fomba taloha no jerena dia misy dingana maro ny famoran-jaza, ka aorian’ny fijerena andro
mifanaraka amin’ny vintan’ny zaza araka ny andro nahaterahany dia misy enina ireo fomba tsy
maintsy atao. Efa tsy fahita intsony anefa ny ankamaroan’izy ireo toa ny « mivaky volo » (taovolo
ataon’ny renin-jaza mba hisorohana ny fihintsanan’ny volo amin’ny fery), ny «mitohy fenitra sy
mifehy voatavo » (tomerina lamba landy ny trano hanaovana ny hasoavana, ary mikarakara ny
voatavo atao siny hakana rano ny lehilahy)… Saika hita tsindraindray eny ihany kosa anefa ny «
fakana ranomahery », ny fakana fary ary ny dihy aman-danonana eo am-piandrasana ny didim-poitra.
Mbola voatahiry ary mbola be mpampiasa amin’izao fotoana ihany koa anefa ny fomba fiarahabana
amin’io andro io, dia ny « Arahaba ririnina e » ary valian’ny tompon-draharaha amin’ny hoe « Samy
vita e ». Fanomezana an’i dadabe ny loha-tsitsiny

Raha fomba iray lehibe sy manan-danja teo amin’ny fianakaviana teo aloha ny famorana, dia zary efa
fomba ara-pahasalamana sisa ankehitriny ary saika very manaraka izany ireo fombafomba fanao
taloha. « Miezaka manaraka ny fivoarana sy ny toetr’andro, sady eo rahateo ko ny fahasahiranana tsy
ahafahana mikarakara zav atra be toy ny taloha », araka ny fanzavan-dRakotonjanahary Clément,
dadabanen’ny zazalahy iray atao hasovana tamin’ny fomba maoderina tetsy Ankadifotsy. « Na izany
aza, misy ihany ireo fomban-drazana tsy tokony hadinoina dia ny fanomezana an’i dadabe ny loha-
tsitsiny. Izay rahateo no hatongavako manaraka ny zafikeliko », hoy ihany izy sady nihomehy.
Anisan’ny tombotsoa azon’ny tovolahy ankehitriny ihany kosa ny fisian’ireo fitaovana maoderina izay
tsy mampisy rà mandeha ary ireo fanafody samihafa mampitony sy manala fanaintainana. « Ny
dokotera rehetra dia efa voaofana ho amin’izany avokoa ary afaka manao didim-poitra », hoy ihany
ny fanamarihan’i Dokotera Bariniaina Fidy. Zary efa tsy tazana ary mahalana raha mbola misy ireo
rain-jaza.