You are on page 1of 26

KOLEJY

FAMPIANARANA ANKAPOBENY
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

TENY MIALOHA

Ny fahalalana tsy misy eritreritra, hoy ny mpandinika iray, dia tsy inona fa
faharavan’ny fanahy. Ka na dia manampahaizana tapitra ohatra aza ny tanorana
voavolavolantsika nefa tsy manana ny toetra mahaolom-banona dia
fahapotehan’ny firenena sy faharavan’ny fiarahamonina no ho vokatr’izany.
Mitana toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny fanabeazana noho izany ny
fanabeazana ho olompirenena vanona satria izany no mahatonga ny tanora
mahavita fianarana ho tonga olona azo ianteherana na eo amin’ny
fampandrosoana ny tanindrazana na eo amin’ny fampirindrana ny fiarahamonina.
Ny fieritreretana izany tanjona izany no nahatonga ny Ministera hitady
vahaolana maharitra hampiorenam-paka sy hanamafisana orina ny
mahaolompirenena sy ny mahaolom-banona eto amin’ny firenentsika.
Anisan’izany àry ny fampidirana ao amin’ny Dingan’ny Lisea ny fanabeazana ho
olompirenena vanona izay tsy nisy tao hatramin’izay.
Koa amin-kafaliana no anolorako anareo mpanabe sy mpianatry ny Lisea
ity boky fandaharam-pibeazana ity.
Ny tanjona kendrentsika moa dia tsotra : ny hamolavola olompirenena feno
izay sady afaka mitondra sy miaro ny tenany amin’ny mahaolona azy no mahavita
mandray sy mitana ny toerana sahaza azy na eo amin’ny lafiny fiarahamonina na
fiharian-karena na pôlitika ary miaina ny kolontsaina malagasy nefa mampihatra
koa ny kolontsaina vahiny mahasoa.
Nisy ireo nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka izao vokatra mahate
hidera izao. Koa Tolorana fankasitrahana etoana ny Tahirin’ny Firenena
Mikambana ho amin’ny Demôkrasia namatsy vola (FNUD), ny
Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD)
nitantana ny Tetikasa teo amin’ny ara-bola, ny Foiben’ny Fanabeazam-bahoaka
ho Olompirenena eto amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena (OEMC)
nanatanteraka ny Tetikasa teo amin’ny lafiny teknika, ary indrindra ireo
teknisianina momba ny Fanabeazana marobe avy amin’ny Fanjakana sy avy
amin’ny Foibe-pitondran’ny Fampianarana Miahy tena folo namolavola sy
nanoratra ny boky. Mendri-pankasitrahana ny asa vitanareo ka hipetraka ho lova
sarobidy ho an’ny taranaka mifandimby.
Farany, ny irariana dia ny hahombiazanareo mpanabe mikirakira ity
fandaharam-pibeazana ity ka hahatraranareo ny tanjona kendrena dia ny
hahatonga ny tanora mahavita ny Dingan’ny Lisea tsy ho olompirenena
mpanakorontana fa mpandamina, tsy ho mpametraka olana fa mpitondra
vahaolana, tsy ho mpanakiana fa mpanolo-kevitra, tsy ho mpandrava fa
mpanangana.
NY MINISITRY NY FANABEAZAM-PIRENENA
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FAMPIDIRANA ANKAPOBENY

Manoloana ny fahapotehan’ny toetra mahaolombanona hita ho


mahazo vahana eto amin’ny firenentsika, eo anatrehan’ny fitakiana
sesilany ataon’ny mpiray tanindrazana ny amin’ny tokony hanamafisana
ny fanabeazana ho olompirenena vanona sy ny tsy fisian’izany
fanabeazana izany any amin’ny Lisea dia nanapa-kevitra ny Ministera ny
hamolavola fandaharam-pianarana Fanabeazana ho Olompirenena
Vanona ho an’ny mpianatr’io Dingana io.

Mba hanatanterahana izany dia atrikasa impito miantoana nahitana


atrikasa famolavolana sy fanoratana efatra ary atrikasa fankatoavana telo
no notontosaina.

Nampandraisina anjara tamin’izany avokoa ireo rafitra sy


sokajin’olona voakasiky ny Fanabeazana ho Olompirenena Vanona sy ny
fandaharam-pianarana rehetra ao anatin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-
pirenena: ny mpikambana ao amin’ny Filankevi-pirenena momba ny
Fanabeazana (CNE), ny Foibem-Pitondrana misahana ny Fandaharam-
Pianarana (DCI), ny Ivontoeram-Pirenena misahana ny Fanofanana
Mpampianatra (INFP), ny Foibem-Pitondrana misahana ny Fanabeazana
Fototra (DEF), ny Foibem-Pitondrana misahana ny Fampianarana
Ambaratonga Faharoa (DES), ny Foiben’ ny Fanabeazam-bahoaka ho
Olompirenena (OEMC), ny Foibem-pirenena misahana ny Fampianarana
Miahy tena (ONEP), ireo Foibem-Pitondrana Nasiônaly folo misahana ny
Fampianarana Miahy Tena.

Nantsoina handray anjara koa ireo mpiara-miombona antoka ahitana


ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala, ny Tahirin’ny Firenena
Mikambana momba ny Natiora (WWF), ny Sekretariam-panjakana
misahana ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Araka Asa
(SEEFTP), ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Fiahiana ny
Reny sy ny Zaza (UNICEF), ny Birao Iadiana Amin’ny KOlikoly (BIANCO)
ary ny Biraom-Pirenena misahana ny Fitantanana ny Loza Voajanahary
(BNGRC).

Fandaharam-pibeazana moa no iantsoana ity boky ity satria dia


fomba fijery sy fomba fampianatra vaovao no nenti-nandrafitra azy no sady
itondrana ny fampiharana azy eny anivon’ny sekoly, ka tsy fampianarana
no atao na fanabezana fa ireo tanoran’ny Lisea mihitsy no mibe eo
ambany fitarihan’ny mpanabe.
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

Hita ato anatin’ity fandaharam-pibeazana ity àry ny Tsanganana ho


an’ny mpianatra nahavita ny Dingan’ny Lisea ary ny fandaharam-
pibeazana ho an’ny kilasy tsirairay.

Ny fandaharam-pibeazana isan-kilasy indray kosa dia ahitana


fizarana dimy: ny lafiny mahaolona, ny lafiny fiarahamonina, ny lafiny
fiharian-karena, ny lafiny pôlitika ary ny lafiny kolontsaina. Isaky ny lafiny
indray dia ahitana tanjona ankapobeny vitsivitsy sy tabilao anehoana ireo
tanjona manokana, ny votoatiny, ny tetika amam-paika ary ny fitaovana
ampiasaina.

Mba hanamorana ny asanareo mpanabe moa dia tsy mandeha irery


ity Fandaharam-Pibeazana ity fa misy Boky Fibeazana ho an’ny
mpianatra, Boky Taridalana ho an’ny mpanabe ary Boky Tahirin-Kevitra ho
an’ny roa tonta ampiarahina aminy.

Aroso hosedrainareo mpanabe any an-dakilasy àry ity Fandaharam-


Pibeazana ity. Tsy tapitra eto anefa ny fanatsarana ny Fanabeazana ho
Olompirenena Vanona. Koa dia misokatra amin’ny tsikera sy ny tolo-
kevitra hoenti-manatsara avy aminareo ity fitaovana ity. Taridalana ihany
mantsy ny fandaharam-pibeazana fa ny fanatanterahana dia antsika
rehetra. Koa na ny momba ny filaharan’ny lohahevitra na ny tetika amam-
paika na ny fitaovana ampiasaina voalaza ao dia ampirisihana ny
haiforona sy ny haikaroka anananareo ny fandinihana sy fanampiana ary
fanatsarana azy. Indrindra fa miankina amin’ny zava-misy any amin’ny
toeram-piasanareo ny safidy mety ataonareo.

Koa mirary anareo mpanabe hahatratra ny tanjona isaky ny sehom-


pibeazana. Izany mantsy no hanaporofo fa mandaitra ny fanabeazana
ataonareo satria tonga toe-tsaina amam-pitondrantena iainan’ny
mpianatra ireny tanjona ireny fa tsy fahalalana miangona an-tsainy fotsiny
ihany.
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANOROAM-PEJY

aTENY MIALOHA

FAMPIDIRANA ANKAPOBENY

TSANGANAN’NY MPIANATRA NAHAVITA


LISEA FAMPIANARANA ANKAPOBENY 11

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAROA 13

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA 14


NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONIA 16
NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY FIHARIAN-KARENA 17
NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY POLITIKA 18
NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY KOLONTSAINA 19

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY VOALOHANY 21

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA 22


NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONIA 23
NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY FIHARIAN-KARENA 24
NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY POLITIKA 25
NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY KOLONTSAINA 26

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAMARANANA 27

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA 28


NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONIA 29
NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY FIHARIAN-KARENA 30
NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY POLITIKA 31
NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY KOLONTSAINA 32
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

TSANGANAN’NY MPIANATRA NAHAVITA LISEA FAMPIANARANA ANKAPOBENY

Ny mpianatra mahavita ny dingana LISEA FAMPIANARANA ANKAPOBENY dia manana


ireo toetra amam‐pihetsika izay mifanaraka amin’ny fampivelarana ny mahaolona
(vatana, saina, fo amam‐panahy), ny fiarahamonina, ny kolontsaina malagasy, ny
fihariana ary ny pôlitika na teti‐pitondrana. Araka izany, ny mpianatra mivoaka ny
lisea dia sahy mitsikera ny zava‐misy sy maneho hevitra, mandray anjara mavitrika
amin’ny famongorana ireo sakana rehetra ho an’ny fahombiazan’ny fampandrosoana
miainga ifotony ka mipaka amin’ny firenena, mahatsapa tena ho tompony, mampiseho
ny mahaolom‐banona azy eo amin’ny fiainany andavanandro: tia tanindrazana,
mandala ny soa iombonana, miaina ny zony sy mahavita ny adidy aman’andraikiny,
mampihatra ny kolontsain’ny fandraharahana ao anatin’ny fahamarinana, ny
fandalana ny rariny ary ny fanarahan‐dalàna.

11
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA

KILASY FAHAROA

13
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAROA

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA


TANJONA ANKAPOBENY 2 :
• Manaja, miaro ary mitaky ny zo aman‐kasin’ny olombelona
• Misoroka ny herisetra sy ny fanararaotana amin’ny endriny rehetra
• Mikaroka vokatra tsaratsara kokoa hatrany
• Miady amin’ny kolikoly

14
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAROA

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONINA


TANJONA ANKAPOBENY 1 :
• Maneho fitondran‐tena sy fihetsika mendrika eo anivon’ny ankohonana misy
azy, ny sekoly, ny fiarahamonina ary ny firenena

15
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAROA

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONINA


TANJONA ANKAPOBENY 2 :
• Misoroka ny aretina sy ny loza isan‐karazany
• Mikolokolo sy mikajy ny tontolo iainana
• Mandray anjara amin’ny ady amin’ny kolikoly

16
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAROA

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY FIHARIAN-KARENA


TANJONA ANKAPOBENY
• Mitaona ny ankohonana misy azy sy ny fiarahamonina hiaro sy hikojakoja
ary hanatsara ny fananana iombonana sy ny tontolo iainana
• Mitrandraka ara‐drariny ny loharanon‐karena eo amin’ny toerana misy azy
• Mampihatra ny kolontsaina fandraharahana

17
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAROA

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY POLITIKA


TANJONA ANKAPOBENY
• Mampihatra ny foto‐kevitra demôkratika sy ny rafitra repoblikanina
• Mampiasa ny rafi‐ panjakana sy ny vondrom‐ bahoaka itsinjaram‐ pahefana
isan’ambaratonga

18
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAHAROA

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY KOLONTSAINA


TANJONA ANKAPOBENY
• Maneho fitiavan‐tanindrazana amin’ny fanandratana ny firaisam‐pirenena sy
ny hambompo mahamalagasy.
• Manamafy orina ny soatoavina malagasy

19
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA

KILASY VOALOHANY

21
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY VOALOHANY

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA


TANJONA ANKAPOBENY 1 :
• Manaja, miaro ary mitaky ny zo aman‐kasin’ny olombelona
• Mikaroka vokatra tsaratsara kokoa hatrany
• Miady amin’ny kolikoly

22
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY VOALOHANY

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONINA


TANJONA ANKAPOBENY
• maneho fitondran‐tena sy fihetsika mendrika eo anivon’ny ankohonana misy
azy, ny sekoly, ny fiarahamonina ary ny firenena.
• misoroka ny aretina sy ny loza isan‐karazany
• mikolokolo sy mikajy ny tontolo iainana
• mandray anjara amin’ny ady amin’ny kolikoly

23
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY VOALOHANY

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY FIHARIAN-KARENA


TANJONA ANKAPOBENY
• Mitrandraka ara‐drariny ny loharanon‐karena eo amin’ny toerana misy azy
• Mampihatra ny kolontsaina fandraharahana
• Manaitra ny olompirenena sy ny mpitondra hanaja ny fenitry ny fiharian‐
karena sy ny fifaninanana
• Hiroso amin’ny asa fihariana

24
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY VOALOHANY

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY POLITIKA


TANJONA ANKAPOBENY
• Mampihatra sy manentana ny fiarahamonina hitandro ny fahamarinana sy
ny foto‐kevitra demôkratika
• Mandray anjara amim‐ pahamarinana sy amin‐ kahalalahana amin’ ny
raharaham‐ pifidianana

25
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY VOALOHANY

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY KOLONTSAINA


TANJONA ANKAPOBENY
• Maneho fitiavan‐tanindrazana amin’ny fanandratana ny soatoavina
malagasy
• Mandala ny kolontsain’ ny filaminana sy ny fandriam‐ pahalemana.

26
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA

KILASY FAMARANANA

27
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAMARANANA

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY MAHAOLONA


TANJONA ANKAPOBENY
• Manaja, miaro ary mitaky ny zo aman‐kasin’ny olombelona isan‐tsokajiny
• Maneho ny faharesen‐dahatra amin’ny ny voka‐dratsin’ny kolikoly

28
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAMARANANA

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY FIARAHAMONINA


TANJONA ANKAPOBENY
• Maneho fitondran‐tena sy fihetsika mendrika eo anivon’ny ankohonana misy
azy, ny sekoly, ny fiarahamonina ary ny firenena
‐ misoroka ny aretina sy ny loza isan‐karazany
‐ mikolokolo sy mikajy ny tontolo iainana
‐ mandray anjara amin’ny ady amin’ny kolikoly

29
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAMARANANA

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY FIHARIAN-KARENA


TANJONA ANKAPOBENY
• Mampihatra ny kolontsaina fandraharahana
• Miroso amin’ny asa fihariana
• Mitrandraka ara‐drariny ny loharanon‐karena misy eo an‐toerana

30
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAMARANANA

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY POLITIKA


TANJONA ANKAPOBENY
• Mampihatra sy manentana ny fiarahamonina hitandro ny fahamarinana sy
ny foto‐kevitra demôkratika
• Mitsikera ny zava‐ misy ary mandray fanapahan‐ kevitra mifanaraka amin’
ny soatoavina demokratika

31
Fanabeazana ho Olompirenena Vanona

FANDAHARAM-PIBEAZANA KILASY FAMARANANA

NY OLOMPIRENENA EO AMIN’NY LAFINY KOLONTSAINA


TANJONA ANKAPOBENY
• Maneho fitiavan‐tanindrazana amin’ny fanandratana ny soatoavina
malagasy.
• Mitsikera ny zava‐ misy ary mandray fanapahan‐ kevitra mifanaraka
soatoavina

32

You might also like