You are on page 1of 108

TENINNY MINISITRA

Ny famoahana hanan-kery ireo lalna telo vaovao


momba ny fitsinjaram-pahefana dia manamafy
tsy ampihambahambana ny fahavononanny
fitondrana Malagasy izay tarihinAndriamatoa hajaina,
Filohanny Repoblika, Hery RAJAONARIMAMPIANINA,
hanatanteraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy eto
Madagasikara. Ireo lalna samihafa ireo izay nolaniana
teo anivonny Antenimieram-pirenena ary navoakanny
Filohanny Repoblika hanankery dia ireto avy :
- Ny lalna fehizoro laharana 2014 018 taminny 12 septambra 2014 mifehy
ny tandrifim- pahefana, ny fombafomba fandaminana sy ny fomba fiasanny
vondrombahoakam-paritra itsinjaram- pahefana, ary koa ny fitantanana ny raharahany
manokana,
- Ny lalna laharana faha 2014 020 taminny 27 septambra 2014 mikasika ny
loharanom- bolanireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ny fombafomba
fanaovana ny fifidianana, ary koa ny fandaminana sy ny fomba fiasa ary ny anjara
andraikitrinny ratsa-mangaika ao aminy, ary
- Ny lalna laharana faha 2014 021 taminny 12 septambra 2014 mikasika ny fisoloantenam-panjakana.
Aminny allanny fiaraha-miasanny Ofisim-pirenena ifampidihina ho anny Fitsinjarampahefana (ONCD) sy ny Fandaharanasanny firenena mikambana mombanny
fampandrosoana (PNUD), ny Ministera dia manolotra eo am-pelantananireo
tomponandraikitrinny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy ny
Sampandraharaham-panjakana ifontony ary ireo fikambanana tsy miankina aminny
fanjakana ity boky aminny teny malagasy sy aminny teny frantsay ity.
Ny fisianny fitaovana toy intony dia inoana marina fa hanatsara ny fomba fiasa sy ny
fandraisana fanampahan-kevitra eo anivonireo mpisehatra rehetra.
Eo andaninizay, ny Governemanta aminny alalanny Ministeranny Atitany sy ny
Fitsinjaram- pahefana, dia handray an-tnana ny fanampariahana ireo lalna voalaza
ireo eny anivonny lafin- tany manerana ny nosy mba ahafahanireo antokonolona
samihafa ahalala sy hiaina io politikam- panjakana vaovao momba ny fampandrosoana
ifontony io.
Eto am-pamaranana dia tiako ny maneho etoana ny fisaorana feno ho anireo izay
nandray anjara taminny fanatontosana ity boky izay miedrika fitaom-piasana ity.
Le Ministre de lIntrieur et de la Dcentralisation

MAHAFALY Solonandrasana Olivier

SASIN-TENY
Niatrika krizy ara-piarahamonina sy ara-politika lehibe nandritry ny dimy taona i Madagasikara. Nisy akony goavana teo
aminny lafiny ara-toekarena sy ny ssialim-bahoaka aminny
ankapobeny izany. Nananosarotra ny ady taminny fahantrana
ny tsy fahatomombananny rafi-panjakana, vao maika aza nihalalim-paka ny fahasahirananireo sokajy tena marefo. Nanomboka ny taona 2014, taorianny nametrahana ireo andrim-panjakana voafidim-bahoaka anefa dia tsapa ny firosoanny firenena
aminny fametrahana rafitra marim-pototra sy ny fanarenana ny
lafiny ara-toekarena mba hanorenana fampandrosoana mikendry ny tombotsoanny rehetra. Mba hiatrehana ny fanamby
momba ny ady aminny fahantrana dia nanambara ny Filohanny Repoblika malagasy nandritry
ny fametrahana azy taminny fomba ofisialy fa anisanny laharam-pahamehana ho anny fanjakana
tantanany ny famolavolana fandaharanasa momba ny fitsinjaram-pahefana tena izy, izay mamaly
ny hetahetanny mponina. Fanomezan-toky izay namafisiny nandritry ny Atrikasa Nasionaly mikasika ny Fitsinjaram-pahefana natao ny 21 jolay 2014. Izany vina izany dia mifandraika tanteraka
aminny famakafakana hita ao anatinny antotan-kevitra mitondra ny lohateny hoe Peace and
Conflict Impact Assessment nivoaka taminny taona 2010, izay manamafy ny maha zava-dehibe
ny fitsinjaram-pahefana tena izy mba hiadiana aminireo fototrolana mahatonga ny fiverimberenanny krizy eto Madagasikara.
Ny fandaniana ireto lalna telo vaovao voarakitra ao anatinity tahirin-kevitra ity dia dingana lehibe
aminny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara ary maneho ny finiavana ara-politikanny fitondrana hiroso aminizany lalana izany. Ny fahombiazanny dingana ho aminny Fitsinjaram-pahefana toy izao anefa dia miankina tanteraka aminny fandraisananjaranireo mpisehatra
sy tomponandraikitra isanambaratongany ary ny fahatsapanny rehetra ho tompony, indrindra ny
olom-pirenena tsirairay izay fototra iorenanizany fitsinjaram-pahefana izany.
Hatraminny taona 90, ny Fandaharanasanny Firenena Mikambana ho anny Fampandrosoana
(PNUD) dia anisanireo mpanohana mavitrika ny ezaka fametrahana ny fitsinjaram-pahefana teto
Madagasikara, na taminny famolavolana paikady na taminny lafiny fampitaovana ho fanamafisana
ny fahaizamanaonireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Ny fanohanana ny fanapariahana ireto lalna telo vaovao ireto sy ny fanatanterahana ireo atrikasa isam-paritra mifandraika
aminizany dia endrika iray itarafana ny fanavaozanny PNUD ny fiombonany antoka aminny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana eto aminny nosy. Fiombonanantoka izay hohamafisina aminny
alalanny fifanaraham-piarahamiasa aminny Ministeranny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ao
anatinny fanatanterahana ny Fandaharanasani PNUD ho anny taona 2015-2019.
Iriako fa ity antotan-kevitra ity dia hanatsara ny fahalalanireo mpisehatra sy tomponandraikitra
isanambaratongany, na eo aminny sehatra nasionaly na hatrany ifotony, ary hanamafy ny fandraisananjaranizy ireo aminny fampiharana ireo lalna ireo mba hametrahana ny fototry ny fampandrosoana mirindra sy maharitra, mikendry ny tombotsoanny rehetra ary manome hasina ny
zonolombelona.

Solon-tenani PNUD monina eto Madagasikara

LALANA FEHIZORO laharana faha


2014-018
mifehy ny tandrifim-pahefana, ny fombafomba
fandaminana sy ny fomba fiasanny
vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana, ary koa ny fitantanana ny
raharahany manokana.
Gazetim-panjakanny Repoblikani Madagasikara laharana faha 03578
Laharana manokana taminny 03 Oktobra 2014

FIZAHAN-TAKELAKA
TOKO VOALOHANY : FEPETRA ANKAPOBENY .....................................................................7
TOKO FAHAROA : NY AMINIREO FITSIPIKA MIFEHY NY FANANGANANA SY
FAMARITANA NY VONDROMBAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA ................8
TOKO FAHATELO : NY AMINNY FAHEFANA SY NY TANDRIFIM-PAHEFANIREO
VONDROMBAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA...............................................10
SOKAJY VOALOHANY ANKAPOBEN-JAVATRA.................................................................10
SOKAJY FAHAROA : NY AMINNY FITSIPIKA FITSINJARANA NY TANDRIFIMPAHEFANIREO VONDROMBAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA.................10
SOKAJY FAHATELO : NY AMINNY TANDRIFIM-PAHEFANNY KAOMININA..................... 13
SOKAJY FAHEFATRA : NY AMINNY TANDRIFIM-PAHEFANNY FARITRA.......................14
SOKAJY 5 : NY AMINNY TANDRIFIM-PAHEFANNY FARITANY........................................15
TOKO FAHEFATRA : NY AMINNY FOMBAFOMBA FANDAMINANA NY
VONDROMBAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA............................................... 17
TOKO FAHADIMY : NY AMINIREO FOMBAFOMBA FAMPANDEHANAN-DRAHARAHA
ENY AMINNY VONDROMBAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA..................... 18
TOKO FAHAENINA : FEPETRA FARANY.................................................................................20

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

FILAZANA NY ANTONANTONY
Ny Lalampanorenana taminny 11 desambra 2010 eo aminny andininy faha
88 teboka efatra dia mametraka fa ny fitsipika mifehy ny tandrifim-pahefana, ny
fombafomba fandaminana sy fiasanireo vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana ary fitantanana ny raharahany manokana dia feranny lalana fehizoro.
Ity lalana fehizoro ity, izay maneho ny fampiarana izany fepetra izany,
no anombohana anireo dingana fandrafetana ny didy aman-dalana momba ny
Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ao anatinny Repoblika faha
efatra.Izy no mamaritra ny sehatra fototry ny soridalanny politikanny Fitsinjarampahefana eto Madagasikara ho fampiharana ny Fitsinjarampahefana tena izy
sy ny fampandrosoana ifotony.
Aminizany, ity lalana fehizoro ity no mamaritra ny sehatra fitantanana ny
raharaha ifotonireo Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, indrindra
ny fitsipika mifehy ireo fahefana sy tandrifim-pahefana, ny fombafomba
fandaminana sy fiasanireo Vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana ary
ny fepetra fanohanana mba iantohana ny fitoviana eo aminizy ireo.
Ny tombony aminity lalana fehizoro ity dia :

ny fanamafisana ireo efa nananana momba ny zotra ny


fitsinjaram-pahefana natao teto Madagasikara;

fanasongadinana ny fananganana ny asam-panjakana eny


anivonny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ary koa ny ivontoerana fanofanana voatokana ho anizany ;

Fametrahana ny lasitra araky ny lalna ny fiarahamiombonantoka eo aminny sehatra miankina sy tsy miankina ary koa ny
fiaraha-miasa eo aminny Vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana na
aminny samy eto antoerana na aminny any ivelany.
Ity lalna fehizoro ity, misy andininy efatra amby dimampolo, dia mitsinjara
ho toko enina izay manazava ny momba ireto:

ny fepetra ankapobeny;

ny aminireo fitsipika mifehy ny fananganana sy famaritana ny


vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ;

ny aminny fahefana sy
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ;

ny

tandrifim-pahefanireo

ny aminny fombafomba fandaminana ny vondrombahoakamparitra itsinjarampahefana ;

ny aminireo fombafomba fampandehanan-draharaha eny


aminny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ;

fepetra farany.

p.6

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

LALANA FEHIZORO laharana faha 2014-018


mifehy ny tandrifim-pahefana, ny fombafomba fandaminana sy ny
fomba fiasanny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ary
nyfitantanana ny raharahany manokana.

Ny antenimieram-pirenena no nandany taminny fivoriana nataony taminny 14


aogositra 2014,
NY FILOHANNY REPOBLIKA,
Araka ny Lalam-panorenana ;
Araka ny fanapahana laharana faha 23 - HCC/D3 taminny 10 septambra 2014
noraisinny Fitsarana Avo momba ny Lalmpanorenana,

NO MAMOAKA HAMPANAN-KERY NY LALANA FEHIZORO IZAY TOY


IZAO NY ANDININDININY :
TOKO VOALOHANY : FEPETRA ANKAPOBENY
Andininy volohany - Ity lalana fehizoro ity no mametra ny fitsipika mifehy
ny tandrifim-pahefana, ny fombafomba fandaminana sy ny fomba fiasanny
Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana, ary lasitry ny fitantanana ny
raharahany manokana.
And.2 - Araka izay volaza ao aminny andininy faha143 ao aminny
Lalampanorenana, ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana eto
aminny Repoblikani Madagasikara dia ny Kaominina, ny Faritra ary ny Faritany.
Ny fananganana, ny isa, ny famaritana, ny fiantsoana ary ny renivohitranireo
vondrombahoakam- paritra itsinjaram-pahefana dia faritanny lalna.
And.3 Ny politikanny fitsinjaram-pahefana dia fandaharanasa
notapahina sy narindra ho anny fampandrosoana iaraha-manao, mifandanja
sy milamina eto aminny taninny Repoblika.
Ny tanjonny fitsinjaram-pahefana dia ny hiantoka ny fampiroboroboana
ny fampandrosoana ny lafitany aminny alalanny fikarohana fomba
fampandraisana anjara sy ny fanetsiketsehana ny mponina faranizay tratra eo
aminny ambaratonga rehetra.
And.4 - Ny fitsinjaram-pahefana dia miseho aminny alalanny famindrana
aminireo Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana ny tandrifim-pahefana
azy ireo manokana ary miavaka aminny anny Fanjakana.
Ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana dia manana fahefana

p.7

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

hamoaka didy amam- pitsipika ka ny fanapahan-kevitra raisinizy ireo aminizany


dia iharanny fanaraha-maso ny fanarahan-dalna atao aorianny namoahana
azy.
And.5 - Ao anatinny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana, ny
Fanjakana dia manaiky fa hametraka, ao anatinny fe-potoana izay faritanny
lalana, ny fanovan-drafitra na eo aminny fandaminana ny lafitany na eo aminny
rafitra eo anivonny foibe sy hampiroborobo ny politika fanajariana ny tany ho
fanovna endrika ny taninny Repoblika,arakaraky ny fitakiana arakasa sy araky
ny fizahan-tany ahitam-pahombiazana sy ny fitakiana aminny fampandrosoana
mitohy, iaraha-manao, mifandanja ary mirindra.
Noho izany, hisy fomba fanaovana teti-pivoarana ifanarahana hiantoka
ny fampidirana manontolo, ny fampirindrana
ary ny fifamenoanireo
fandaharanasanny
fampiasam-bolam-panjakana
miaraka
aminny
ambaratongana tsirairay eo aminny Vondrombahoakam-paritra Itsinjarampahefana sy eo aminny samy vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana
samihafa.
Aminizany, ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana tsirairay
dia tsy maintsy manana fandaharanasa ho anny taona maro momba ny
fampiasam-bolam-panjakana tapahinny Filan-kevitrizy ireo tsirairay avy, ary
azo havaozina isan-taona mandritra ny fotoam-pivoriana voalohany.
And.6 - Ny fitsinjaram-pahefana dia ampiarahina aminny fanapariahana
ny sampandraharaham- panjakana mba ho fanamafisana ny fahaizamiasanireo Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram- pahefana. Aminizany, ny
rafitra fitsinjaram-pahefana iray dia tsy maintsy mifanandrify aminny rafitra
fanapariaham-pahefana iray.
Ny fandaminana ny lafitanim-panjakana sy ny fitsinjarana andraikitra eo
aminireo Fitondran-draharaham- panjakana foibe sy ny sampandraharaha
anapariaham-pahefana dia hifandamina araka ireo fotokevitra feranizao lalna
fehizoro izao.
And.7 - Araka ny fepetra voalazanny andininy faha 145 ao aminny
Lalampanorenana, dia fehezinny lalna ny fisoloantenam-panjakana eny
anivonny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana. Io lalna io no
mametra indrindra indrindra ny karazanireo fanapahan-kevitra iharanny
fanaraha-maso ny fanarahan- dalna ary koa ny fombafomba fanatanterahana
izany fanaraha-maso izany.

TOKO FAHAROA : NY AMINIREO FITSIPIKA MIFEHY NY


FANANGANANA SY FAMARITANA NY VONDROMBAHOAKAM-PARITRA
ITSINJARAM-PAHEFANA
And.8 - Araka ny fepetra voalazanny andininy faha-143 andalana
faharoa aminny Lalampanorenana, ny fananganana sy ny famaritana ny

p.8

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana dia tsy maintsy mamaly ireo


masontsivana fitoviana ara-jeografika,ara-toekarena, ara- piaraha-monina ary
ara-kolontsaina.
And.9 - Ny fampiharana ireo masontsivana momba ny fananganana
sy ny famaritana tondroinny andininy fahavalo etsy ambony dia tsy maintsy
mifantoka indrindra aminny :
1firaisan-kina
ara-piaraha-moninny
Vondrombahoakam-paritra
Itsinjaram-pahefana tsirairay manana fototra ara-jeografika izay mitarika ny
fiheverana ho zava-dehibe ireo anton-javatra ara-piaraha-monina sy arakolontsaina ;
2- ny zava-misy ara-bohon-tany ka ny velaran-tany sy ny endrika arajeografikanny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana tsirairay dia tsy
maintsy raisina ho zava- dehibe miaraka aminny fahafahana mifandray ary koa
ny fivangongoana sy ny fivezivezenny mponina. Ireo fiheverana ireo dia tsy
maintsy ahafahana mametraka fampandrosoana marina eo anivonny lafitany
ary miantoka fandrakofana ara-pitantanan-draharaham- panjakana mahomby
manerana ny tanim-pirenena ;
3- ny fironana ara-piaraha-monina sy ara-toekarena ary ny otrikarenny
Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana tsirairay avy mba ahafahana
mitrandraka misimisy kokoa ireo zavatra mampiavaka ny eo an-toerana, mba
hampiroboroboroboana ny fiaraha- miasa eo aminireo samy vondrombahoakamparitra aminny alalanny fandrindrana ireo asa ara-piaraha-monina sy ara-toekarena eo an-toerana, ary mba iantohana ny fahavelomana ara- bolanireo
Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana.
And.10 - Ny Faritany dia mamondrona Faritra roa na maromaro.
Ny Faritra dia mamondrona Kaominina maromaro.
Ny Kaominina dia mamondrona Fokontany maromaro, ka ny fandaminana,
ny fomba fiasa ary ny anjara andraikitra dia faritana aminny alalanny didy
amam-pitsipika.
And.11 Ny lalna no mametra ny fitsipika mikasika ny sata manokanny
Renivohitry ny Repoblika sy ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana
sasantsasany izay mitaky fepetra manokana noho ny endriny ara-jeografika,
ny fivelaranny tanna, ny fitomboanny mponina miavaka ary ny firaisan-kina
voajanahary eo aminny toerana.

p.9

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

TOKO FAHATELO : NY AMINNY FAHEFANA SY NY TANDRIFIMPAHEFANIREO VONDROMBAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAMPAHEFANA


SOKAJY VOALOHANY ANKAPOBEN-JAVATRA
And.12 - Ity toko ity no mifehy ny fahefana sy ny tandrifim-pahefana
omena ireo Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana.
And.13 - Ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana dia sombiny
aminny tanim-pirenena, ka ny fitambaranny mponina ao aminy no mitantana
ny raharaha izay nomenny Lalmpanorenana sy ny lalna azy ireo,mba ho
fampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toekarena, ara-piaraha- monina,arakolon-tsaina, ara-tsiantifika sy ara-teknolojia.
And.14 - Araka ny voalazanny andininy faha-141 ao aminny
Lalmpanorenana, ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana no
miantoka,miaraka aminny fanohananny Fanjakana indrindra filaminambahoaka ny fiarovana ny olom-pirenena, ny fitantanandraharaham- panjakana,
ny fanajariana ny tany, ny fampandrosoana ara-toekarena, ny fikajiana ny
tontolo iainana ary ny fantsarana ny seha-piainana.
And.15 - Ny fampiharana ny tandrifim-pahefana sy ny andraikitrireo
Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana dia atao aminny alalanny
fampandraisana anjara ny rehetra ary ao anatinny mangarahara tanteraka.
Aminizany, ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana dia tsy
maintsy mametraka rafitra fikaonan-doha.
Ny fombafomba fampiharana ity andininy ity dia faritana aminny alalanny
didy amam-pitsika.

SOKAJY FAHAROA : NY AMINNY FITSIPIKA FITSINJARANA NY


TANDRIFIM-PAHEFANIREO VONDROMBAHOAKAM-PARITRA
ITSINJARAM-PAHEFANA
And.16 - Ny fitsinjarana ny tandrifim-pahefana eo aminny Fanjakana sy
ireo Vondrombahoakam- paritra Itsinjaram-pahefana dia tsy maintsy mifantoka
aminny tombontsoam-pirenena sy ny tombontsoa eny ifotony.
Aminizany, ny famindrana marina ny tandrifim-pahefana dia atao
arakaraka ny fironan-dehibe takianny ambaratonganny Vondrombahoakamparitra Itsinjaram-pahefana tsirairay.
Ny lalna no mametra ny fombafomba fampiharana ity andininy ity.
And. 17 - Na amininona na amininona, ny fitsinjarana ny tandrifimpahefana dia tsy tokony hanohintohina ny fahambonianny Fanjakana aminireo

p.10

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

asa mahafanjakana ny Fanjakana, indrindra ny fanontana sy famoahana vola,


ny fiarovam-pirenena, ny fifandraisana ara-diplaomatika, ny fitantanana ireo
harena stratejika , izay feranny lalna ny famaritana izany, ny Fitsarana sy
ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ary ny filaminam-bahoaka.
Ny Fanjakana no mametraka ireo fepetra ilaina sy mety aminny
fanatontosana ny fampandrosoana mitohy sy iaraha-manao aminny firenena.
Anjarany ny mamolavola sy mampiroborobo ny politikanny fanajariana ny tany
ao anatinny sehatry ny fametrahana sy ny fanatanterahana ny fitsinjarampahefana tena izy. Ho fanatrarana izany, ny Fanjakana no miantoka ny
fanatanterahana ny paikadim-pirenena ho fampandrosoana ny eny ifotony.
Aminizany, ny Fanjakana irery ihany no manana ny fahefana hamoaka
didy amam-pitsipika aminny ankapobeny. Mametra aminny alalanny lalna sy
fitsipika ireo fepetra fampiharana ny tandrifim-pahefanny Vondrombahoakamparitra Itsinjaram-pahefana izy.
And.18 - Ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana dia mizaka
tena ao anatinny sehatry ny tandrifim- pahefana nomena azy araka ny
Lalmpanorenana sy ny lalna.
And.19 - Ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia mizaka
tena raha mitaha aminny hafa, ary tsy misy ny fifamatorana na fifandraisana
an-tanatohatra eo aminizy ireo.
Na izany aza anefa, ny fifandraisana ara-pifanarahana dia azo tanterahina
eo aminireo Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana samihafa mitovy
ambaratonga na tsia.
And.20 Na dia eo aza ny fifanekena iraisam-pirenena nataoni
Madagasikara ary ao anatinny fetranny tandrifim-pahefana noferanny
lalna sy fitsipika manan-kery, ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjarampahefana sy/na ny fivondronanizy ireo dia afaka manao fifanarahana
aminireo vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana any ivelany sy/na ny
fivondronanizy ireo mba hanatanterahana fiaraha-miasa
Ny fombafomba fampiharana ity andininy ity dia ferana aminny alalanny
didy amam-pitsika.
And.21 - Ny fiarahamiombonantokinireo Vondrombahoakam-paritra
Itsinjaram-pahefana aminny sehatra tsy miankina dia tsy maintsy anaovana
fifanarahana nankatoavinny fanapahana avy aminny Filan-kevitry ny
vondrombahoaka voakasika. Ny loharanombola sy ny fandaniana avy aminny
fiarahamiombonantoka dia tsy maintsy soratana ao aminny tetibolanny
Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana voakasika.
Ny fombafomba fampiharana ity andininy ity dia ferana aminny alalanny
didy amam-pitsika.
And.22 - Ny famindrana ny tandrifim-pahefafana rehetra eo aminny
Fanjakana sy ireo Vondrombahoakam- paritra Itsinjaram-pahefana dia tsy
maintsy atao mahasahana ny fitambaranireo andraikitra mikasika ny tandrifimpahefana nomena ary atao ho anny sokajinny Vondrombahoakam- paritra

p.11

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Itsinjaram-pahefana iray izay ho tomponandraikitra feno aminizany.


Aminizany, ny famindrana tsirairay dia atao ho anny ambaratonga-na
Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana afaka hisahana kokoa ny
tandrifim-pahefana voakasika raha miohatra aminny filanny mponina.
Ny famindrana dia atao miandalana arakaraky ny fahafaha-manaonireo
Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana.
And.23 - Ny fandaniana mikasika ny fisahanana ny tandrifim-pahefana
nafindra dia anaovana fanombanana mialoha eo ambany fanaraha-masonny
vaomiera atsangana araka ity lalna fehizoro ity ka ahitana ny solontenanireo
Minisitera sy ireo manam-pahefana ao aminny Vondrom-bahoakam-paritra
Itsinjaram-pahefana.
And.24 - Ny vaomiera voalaza ao aminny andininy faha-23 etsy ambony
dia ahitana :

ny solontenanny
Fitsinjaram-pahefana, Filoha ;

Minisitera misahana ny Ati-tany sy ny

ny solon-tenanny Minisitera misahana ny fitatanam-bola sy ny


tetibola, Mpikambana ;

ny solon-tenanny Minisitera misahana ny Asam-panjakana,


Mpikambana ;

ny solon-tenanny Antenimieran-doholona, Mpikambana ;

ny solon-tenanny Antenimieram-pirenena, Mpikambana ;

ny
solon-tenanny
ankapobeny, Mpikambana ;

Fisafoan-draharaham-panjakana

ny solon-tenanny/ireo Minisitera isan-tsehatra voakasiky ny


tandrifim-pahefana nafindra ;

Mpikambana;

ny
solon-tenanny
manam-pahefana
ao
Vondorombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana, Mpikambana ;

aminny

Ny fombafomba fampiharana ity andininy ity dia faritana


aminny alalanny didy amam-pitsipika.
And. 25 - Ny famindrana ny tandrifim-pahefana dia tsy maintsy ampiarahina
aminny famindranny Fanjakana ho anireo Vondrombahoakam-paritra
Itsinjaram-pahefana, ny fitaovana sy loharanom- bola ilaina aminny fisahanana
ara-dalana ireo tandrifim-pahefana ireo araka ny fepetra voalazanny lalna.
Ny Fanjakana dia tsy maintsy miroso aminizany famindrana izany. Ao
anatinny fe-potoana izay ho faritanny lalna.

p.12

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

SOKAJY FAHATELO : NY AMINNY TANDRIFIM-PAHEFANNY KAOMININA


And.26 - Araka ny fepetra voalazannyandininy faha-149 aminny
Lalmpanorenana, ny Kaominina dia manohana ny fampandrosoana aratoekarena, ara-piaraha-monina, ara- kolontsaina sy ara-tontolo iainana ao
aminny fari-piadidiany.
Ny tandrifim-pahefanny Kaominina dia mifantoka indrindra aminny
foto-kevitra momba ny fanakaikezana, ny fitsinjarana, ny fironana, ny
fampiroboroboana ary ny fiarovana ny tombotsoanny mponina.
And.27 - Ny sehatry ny tandrifim-pahefanny Kaominina dia miompana
indrindra aminny :
1. famantarana ireo otrikarena sy ny filna ara-toekarena, ara-piarahamonina, ara- kolontsaina sy ara-tontolo iainana ary ny fanatanterahana ireo
raharaha mifandraika aminizany ;
2. fanantontosana ireo asa hafa rehetra miankina aminny tandrifimpahefany araka ny rijan-tenin-dalna amam-pitsipika manokana.
. And.28 - Ankoatrireo fepetra voalazanny andininy etsy aloha, ny
Kaominina no misahana indrindra :
Eo aminny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana :
1- ireo asa fototra mikasika ny fitantanan-draharaham-panjakana sy
fitatanam-bola ;
2- ny fitantanana ny fanananizy ireo manokana ;
3- ireo asa rehetra mifandraika aminny fiankohonana, fiantsoana ho
miaramila, fanisana ny mponina ;
4- ny fanatanterahana ny fiaraha-miasa eo aminny samy Kaominina sy
itsijaram-pahefana ary ny fampiroboroboana ny fiaraha-miombonantoka ;
5- fanantontosana ireo asa aman-draharaha hafa rehetra miankina aminny
tandrifim-pahefany araka ny rijan-tenin-dalna amam-pitsipika manokana.
Eo aminny lafiny toekarena, ny fametrahana ny drafitra momba ny
fampandrosoana any aminny Kaominina sy fanatanterahana ireo raharaha
mifandraika aminny :
1- fanatontosana sy ny fitantanana ireo foto-drafitrasa sy fampitaovana
momba ny fivarotana toy ny toerana malalaka falehanny be sy ny maro sy
tsenam-bahoaka, ny tsenanomby sy ny toeram-piantsonanny fiarakodia, ary
ireo fampitaovana rehetra mampidi-bola toy ny toerana famonoam-biby sy ny
sehatra maintso ;
2- fitantanana ny llana, ny llan-kely mampifandray, ny tetezana sy ny
baka ho anny tombotsoanny Kaominina ;
3- ny fizahan-tany eny ifotony ;

p.13

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Eo aminny lafiny fiaraha-monina sy kolontsaina :


1- aminny fametrahana ny drafitra fampandrosoana ny Kaominina sy ny
fanatanterahana ireo raharaha mifandraika aminny :

fitantanana ny fanaovan-dlana, ny rano sy ny fanadiovana


ny tanna, ny fitandremam-pahasalamana, ny fitantanana ny fako avy any antokantrano ;

fanatanterahana,aminny tandrify azy, ireo asa sy fepetra


sahaza mikasika ny ady aminny loza voajanahary ;

ny famaritana sy ny fanatontosana ireo fandaharanasa momba


ny trano fonenana ;

sy ireo fampitaovana ho anny daholobe an-tann-dehibe sy


ambanivohitra ;

fitantanana ny fanomezana trano fonenana ;

ny fandriampahalemana ifotony sy ny fiarovana ny mponina ;

ny fanantotosana ireo asa sosialy indrindra ny aminny


fanomezana tombony ireo olona manana fahasembanana, ny zokiolona sy ny
olona sahirana ara-pivelomana ;

ny fitantanana ireo foto-drafitrasa sy fampitaovana fototra


ho anny daholobe ara-tsosialy, ara-panabeazana, ara-kolontsaina, sy arapanatanjahan-tena ary ara-pahasalamana : akanin-jaza, sekoly fanabeazana
fototra, sekoly ambaratonga faharoa ary tobim-pahasalamana fototra :
2- aminny fanantotosana sy ny fitantanana ny vala sy sehatra fialam-boly
sahaza ny Kaominina ;
3- ary ny fampiroboroboana ireo kolontsaina mampiavaka.
Eo aminny lafiny tontolo iainana, ny fametrahana ny drafitra
fampandrosoana ny Kaominina sy ny fanantanterahana ireo raharaha
mifandraika aminny :
1- fandraisana anjara fikajiana, fanomezan-danja syfitantanana ny
tontolo iainana sy ny loharanon-karen-voajanahary;
2- fisorohana sy ny ady aminny doro tanety sy ny fandripahana ny ala.
SOKAJY FAHEFATRA : NY AMINNY TANDRIFIM-PAHEFANNY FARITRA
And.29 - Araka ny voalazanny andininy faha-153 ao aminny
Lalmpanorenana, ny Faritra dia misahana ny momba ny toekarena sy ny
sosialy.
Miara miasa aminny antokon-draharaham-panjakana sy tsy miankina
aminny Fanjakana, ny Faritra no mitarika, manetsiketsika, mandrindra ary

p.14

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

mandamina ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny ara- tsosialy manerana


ny fari-piadidiany ary miantoka ny fanaovana ny drafitra, ny fanajariana ny tany
sy ny fanatanterahana ireo asa rehetra momba ny fampandrosoana.
And.30 - Ny sehatry ny tandrifim-pahefanny Faritra dia mahakasika :
Eo aminny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana :
1- ireo asa fototra mikasika ny fitantanan-draharaham-panjakana sy
fitatanambola ;
2- ny fitantanana ny fananany manokana ;
3- ny fanatanterahana ny fiaraha-miasa eo aminny samy Faritra sy
itsinjaram-pahefana ary ny fampiroboroboana ny fiarahamiombonantoka ;
4- ireo lahasa hafa rehetra miankina aminny tandrifim-pahefany araka ny
rijan-tenin-dalna sy didy amam-pitsipika manokana.
Eo aminny lafiny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy :
1- famantarana ny tondro laharam-pahamehana ho anny Faritra ;
2- famolavolana sy fanatanterahana ny fandaharanasa lasitra sy ny
drafitra fampandrosoana ny Faritra ;
3- fandaharana sy ny famaritana ireo asa fampandrosoana mahakasika
ny Faritra indrindra ny lafiny fanajariana ny rano sy fambolena, ny jono, ny
fampiroboroboana ny indostria, ny asa tanana sy ny varotra, ny fampiroboroboana
ny sehatry ny sampan-draharaha, fambolena sy ny fiompiana ;
4- fandrafetana sy fanatanterahana ny drafi-paritra momba ny fanajariana
ny tany ;
5- fampiroboroboana ny trano fonenana ;
6- ny fitantanana ireo fampitaovana ho anny daholobe mahakasika ny
Faritra indrindra ny lisea, ny hopitaly, ny llana mahakasika ny tombotsoanny
Faritra ;
7- fanatanterahana, aminny tandrify azy, ireo asa sy fepetra sahaza
mikasika ny ady aminny loza voajanahary sy ny filaminam-bahoaka ;
8- aminny fanantotosana sy ny fitantanana ny vala sy sehatra fialam-boly
sahaza ny Faritra.
SOKAJY 5 : NY AMINNY TANDRIFIM-PAHEFANNY FARITANY
And.31 - Araka ny fepetra voalazanny andininy faha-157 ao aminny
Lalmpanorenana, ny Faritany no manatanteraka ny politikanny fampandrosoana
mahakasika ny tombotsoanny Faritany nofaritana sy notinapaka teo aminny

p.15

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Filan-kevi-paritany. Izy no miantoka ny fandridrana sy ny fandaminana


ireo asa fampandrosoana ho anny tombotsoam-paritany ary mitsinjo ny
fampandrosoana tsy mitanila sy mirindra ho anny Vondrombahoakam-paritra
Itsinjaram-pahefana ao anatinny Faritany.
Aminny alalanny fiaraha-miasa aminny vondron-draharaha miankina
sy tsy miankina aminny Fanjakana, mitarika, manetsiketsika, mandrindra sy
mandamina ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara- tsosialy manerana ny
Faritany ary miantoka aminizany, ny fananana teti-pivoarana, ny fanajariana
ny tany sy ny fanatanterahana ireo asa rehetra momba ny fampandrosoana izy.
And.32 - Ny Faritany dia misahana indrindra indrindra :
Eo aminny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana :
1- ireo asa fototra mikasika ny fitantanan-draharaham-panjakana sy
fitatanam-bola ;
2- ny fitantanana ny fanananizy ireo manokana ;
3- ny fanatanterahana ny fiaraha-miasa eo aminny samy Faritany sy
itsinjaram-pahefana ary ny fampiroboroboana ny fiarahamiombonantoka ;
4- ny fanantontosana ireo asa hafa rehetra tafiditra anatinny tandrifimpahefany.
Eo aminny lafiny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy :
1ny famaritana sy ny fanatanterahana ny politika momba ny
fampandrosoana ho tombotsoanny faritany ;
2- ny fanatanterahana, aminny tandrify azy, ireo asa sy fepetra sahaza
mikasika ny loza sy atambo voajanahary ary ny filaminam-bahoaka ;
3- fampifandraisana sy ny fanaovana fandaharanasa aminireo asa
momba ny fampandrosoana manerana ny Faritany ;
4- ny fandrafetana sy fanatanterahana, aminny tandrify azy, ny drafitra
momba ny fanajariana ny tany ;
5- ny fitantanana ireo fampitaovana ho anny daholobe natao ho anny
Faritany, indrindra ny Oniversite miankina aminny fanjakana, hpitaly,
oniversitera, ny arabe ho anny tombotsoanny Faritany.
And. 33 Ireo rijan-tenin-dalna amam-pitsipika no hametra ireo fepetra
momba ny fanantanterahana ny tandrifim-pahefana araka ny voalazanity toko
ity.

p.16

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

TOKO FAHEFATRA : NY AMINNY FOMBAFOMBA FANDAMINANA NY


VONDROMBAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA
And. 34 - Ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia mizaka
ny zo maha izy azy ary manana ny fizakan-tena ara-pitantanana sy ara-bola.
Izy dia rafi-pitantanana miavaka aminny fitantanan-draharahanny Fanjakana
izay mitantana ny raharahany aminny alalanny rantsana manokana.
And. 35 - Ny ratsa-mangaikanny vondrombahoakam-paritra itsinjaram
pahefana dia :

ny fivoriam-be mpanapaka antsoina hoe Filan-kevitra ;

ny rantsana mpanatanteraka.

And. 36 -Ny Filan-kevitra sy ny rantsana mpanatanteraka dia rantsana


samy hafa ary samy manatanteraka ny asa momba ny fanapahana sy ny asa
fanatanterahana ao aminny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
And. 37 - Eo anivonny Kaominina, ny asa momba ny fanapahana dia
iandraiketanny Filan-kevitra monisipaly na kaominaly, araka ny maha Kaominina
ambonivohitra na Kaominina ambanivohitra azy. Ny asa fanatanterahana dia
tarihinny Benny tanna.
Araka ny fepetra voalazanny andininy faha-152 andalana farany aminny
Lalmpanorenana, ny solontenanny Fokontany dia mandray anjara aminny
famolavolana ny fandaharanasa momba ny fapandrosoana ny Kaominina misy
azy ireo.
And. 38 - Eo anivonny Faritra, ny asa momba ny fanapahana dia
iandraiketanny Filan-kevi-paritra. Ny asa fanatanterahana dia tarihinny
Lehibenny Faritra.
Ny Solombavambahoaka sy ny Loholona voafidy na voatendry avy
aminireo fari-piadidianny Faritra dia mpikambana avy hatrany ao aminny
Filan-kevi-paritra, ary manan-jo hanapa-kevitra.
Ny Loholona voafidy dia mipetraka eo aminny Filankevi-paritra araka
ny safidiny ao anatinny Faritany izay nahavoafidy azy, mandritra ny fotoampiasany.
Ny loholona voatendry dia mpivory ao aminny Filan-kevi-paritra araka ny
safidiany mandritra ny fotoam-piasany.
Ny Benny Tanana sy ny Filohanny Filan-kevitry ny Kaominina any aminny
renivohitrireo Distrika mandrafitra ny Faritra dia mandray anjara aminny
fivoriana ara-potoananny Filan-kevi- paritra indrindra aminny famolavolana ny
fandaharanasa momba ny fapandrosoana ny Faritra, fa tsy manapa-kevitra.
And. 39 - Eo anivonny Faritany, ny asa fanapahana dia iandraiketanny
Filan-kevi-paritany. Ny asa fanatanterahana dia tarihinny Lehibenny Faritany.
Ny Solombavambahoaka sy ny Loholona voafidy na voatendry avy
aminireo fari-piadidianny Faritany dia mpikambana avy hatrany ao aminny

p.17

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Filan-kevi-paritany, ary manan-jo hanapa-kevitra.


Ny Lehibenny Faritra, ny Filohanny Filan-kevi-paritra sy ny Benny
tanna aminireo Kaominina aminny renivohi-paritra mandrafitra ny Faritany
dia mandray anjara aminny fivoriana ara- potoananny Filan-kevi-paritany
indrindra aminny
famolavolana ny fandaharanasa fampandrosoana
ny Faritany, fa tsy manapa-kevitra.
And. 40 - Ho fampiharana ny andininy faha 151, 156, 160 ao aminny
Lalmpanorenana, ny firafitra, ny fandaminana, ny anjara andraikitra sy ny
fomba fiasanny rafitra mpanatanteraka sy mpanapakevitra eo anivonny
Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ary koa ny fomba sy ny fepetra
hifidianana ireo mpikambana ao aminy dia ferana aminny alalanny lalna.
And. 41 - Ny rafi-pandaminana lasitra azo ampiharina isaky ny sokajy sy
isaky ny ambaratonganny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia
faritana aminny alalanny lalna.
And. 42 - Didim-panjakana no mametra ny karazana sy ny taha
farany ambony indrindra aminireo tombotsoa sy tambin-karama omena ireo
tomponandraikitry ny mpanatanteraka sy ireo mpikambana ao aminny Filankevitry ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
And. 43 - Ho fampiharana ny andininy faha 95 ao aminny
Lalmpanorenana, ny lalna no mamaritra ny fotokevitra ankapobeny mikasika
ny satanny mpiasam-panjakana raikitra eny aminny faritra sy mametraka ny
fiantohana ara-tsata natokana ho azy ireo.
Ny Fanjakana dia tsy maintsy mametraka foibem-panofanana manokana
ho azy ireo.
Didim-panjakana no hamerana ireo fomba manokana ho anny firaisandraharahanireo mpiasam-panjakana any aminny faritra.
TOKO FAHADIMY : NY AMINIREO FOMBAFOMBA FAMPANDEHANANDRAHARAHA ENY AMINNY VONDROMBAHOAKAM-PARITRA
ITSINJARAM-PAHEFANA
And.44 - Ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia malalaka
aminny fitantanana ny raharaha tafiditra ao aminny tandrifim-pahefany aminny
alalanny fanapahana raisinny Filan- kevitra voafidy.
And.45 - Ny famindrana ny tandrifim-pahefana dia mitarika ny fanomezana
mba ho tombotsoanireo Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny
hoenti-manana ara-pitaovana, ara-bola sy mpiasa ilaina aminny fampiasana
izany.
Ireo sampandraharaha na ny ampahany aminny sampandraharahampanjakana izay misahana tandrifim-pahefana manokana voafaritra mazava sy
miankina aminny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana hatraminizao
dia afindra any avy hatrany.

p.18

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

And.46 - Ny famindrana ny tandrifim-pahefana dia mitarika avy hatrany


fanomezana maimaim-poana ho tombotsoanny Vondrombahoakam-paritra
itsinjaram-pahefana notolorana izany tandrifim- pahefana izany,fananamanaraka fanana-mifaka ilaina aminny fisahanana izany. Ny Vondrombahoakamparitra itsijaram-pahefana aminizany dia misolo ny Fanjakana aminny zo sy ny
andraikiny.
And.47 - Ny Fanjakana dia tsy maintsy mampiditra ao anatinny tahirinkevitry ny politika isan tsehatra, ireo karazana tetikasa sy asa azo tanterahina
isaky ny ambaratonganny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana
natolony hodinihana na nisy na tsy nisy ny fanampiany.
Raha toa ka tsy notakiana ny fanampianny Fanjakana, dia tsy maintsy
ankatoavina ny fenitra ara-tekinika na ara-pitondram-panjakana isan-tsehatra
nofaritana teo aminny sehatra firenena.
Raha toa ka nangatahiny fanampianny Fanjakana, ireo Minisitera
voakasika no hisahana ny fanatanterahana ny fepetra voarakitra ao anatinny
tahirin-kevitra politika isan-tsehatra voalazanny andalana voalohany aminity
andininy ity, indrindra ny eo aminny sehatry ny fampianarana, ny fahasalamana,
ny fambolena sy ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, ny fizahan-tany, ny
tanora sy ny fanatanjahan-tena, ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, ny
toe- karena sy ny drafitra.
And. 48 Raha vantany vao mivoaka ity lalana fehizoro ity, ny famindrana
dia irosoana avy hatrany ary tohizana miandalana arakaraka ny fahafahamanaonireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram- pahefana.
And.49 - Ny fandaminana ny lafin-tanim-panjakana sy ny fitsinjarana
andraikitra eo aminny Fanjakana aty ifotony sy sampan-draharaham-panjakana
anapariaham-pahefana dia alamina araka ny foto-kevitra feranity toko ity.
And.50 - Ny fitantanana ny lafin-tanim-panjakana dia alamina, ao anatinny
fanajana ny foto-kevitra momba ny fitantanana malalaka ireo vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana, ahafahana manatanteraka ny fanajariana ny
tany araka ny voafaritra ao aminny andininy faha 5 etsy ambony, iantohana
ny demokrasia sy ny fitondrana ifotony ary anosehana ny fampandrosoana
miainga avy any ifotony sy ny fanavaozana ny sampandraharaham-panjakana.
And.51 - Ny hany andraikitra ankinina aminny Fitondraharaha aty ifotony
dia ireo mahakasika ny firenena na koa ny fanatanterahana azy dia tsy azo
anomezam-pahefana ny ambaratongam- pahefana eny anivonny lafin-tany.
Ny andraikitra sasany ary indrindra ireo mifehy ny fifandraisanny
Fanjakana sy ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, dia omena ny
sampandraharaham-panjakana ny fanatanterahana azy.
Aminizany, ny Fanjakana dia tsy maintsy manitatra ny andraikitrireo
solon-tenany eny anivonny lafin-tany na eo aminny lafiny fampiharana ireo
fitsipika ankapobeny nofaritany, na eo amin ny fanaovana fifanekena ilaina
aminny fandrindrana ireo asanny fahefam-panjakana miaraka aminireo
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.

p.19

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

And.52 - Ny Lalana no mametra ireo fombafomba fanatanterahana ny


fanapariaham pahefana, ny fombafomba fanomezana andraikitra ataonny
Fitondran-draharaha aty ifotony ho anireo sampan- draharaham-panjakana
anapariaham-pahefana ary koa ny foto-kevitra fandaminana ireo sampandraharaha anapariaham-pahefana ireo.
Didim-panjakana raisina eo aminny
Filan-kevitry ny Minisitra no
hamaritana indrindra ny isa sy ny famaritana ireo fari-piadidiam-pitantanandraharaha.
TOKO FAHAENINA : FEPETRA FARANY
And.53 - Foanana ary dia foana ireo fepetra rehetra teo aloha mifanohitra
aminity lalana ity, indrindra ny lalna nasiam-panovana laharana faha 93-005
taminny 26 janoary 1994 anaovana ny sori- dalna ankapobeny momba ny
politikanny fitsinjaram-pahefana.
And.54 - Ity lalana fehizoro ity dia havoaka ao aminny gazetimpanjakananny Repoblika.
Hotanterahina izany fa Lalana fehizoro ho anny Fanjakana.

p.20

LALANA LAHARANA FAHA 2014-020


mikasika ny loharanom-bolanireo
Vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana, ny fombafomba fanaovana ny
fifidianana, ary koa ny fandaminana sy ny
fomba fiasa ary ny anjara
andraikitry ny rantsa-mangaika ao aminy.

Gazetim-panjakanny Repoblikani Madagasikara laharana faha 03578


Laharana manokana taminny 03 Oktobra 2014

FIZAHAN-TAKELAKA
LOHATENY VOALOHANY : NY FAMARITANA SY NY ANARANA ENTINY MBAMINNY
RENIVOHITRIREO VONDROM-BAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA...........27
LOHATENY II : NY ANJARA RAHARAHANNY VONDROMBAHOAKAM-PARITRA
ITSINJARAM-PAHEFANA..........................................................................................................29
ZANA-DOHATENY I : NY ANJARA RAHARAHA SY NY SORA-DRAHARAHANNY
RAFITRA MPANAPAN-KEVITRA...........................................................................................29
.TOKO VOALOHANY : NY ANJARA RAHARAHANNY RAFITRA MPANAPAN-KEVITRA
28
TOKO II : IREO SORA-DRAHARAHANIREO RAFITRA MPANAPAKEVITRA.............. 30
ZANA-DOHATENY II : IREO ANJARA RAHARAHANNY RAFITRA
MPANATANTERAKA..............................................................................................................32
TOKO VOALOHANY : IREO ANJARA RAHARAHA IRAISANA..................................... 32
TOKO II : NY ANJARA ANDRAIKITRA MANOKANA...................................................... 35
Sokajy Voalohany : NY AMINNY BENNY TANANA................................................ 35
Sokajy 3 : Ny aminny Lehibenny Faritany............................................................. 40
TOKO III : NY AMINNY SORA-DRAHARAHA ATAONNY LEHIBENNY
MPANATANTERAKA........................................................................................................ 41
TOKO VOALOHANY : NY AMINNY FILANKEVITRA..................................................... 42
Sokajy voalohany : Ny aminny fandaminana sy ny fomba fiasa.......................... 42
Sokajy faha-2 : Ny fepetra mihatra aminny Filankevitra sy ny mpikambana ao
aminy...........................................................................................................................46
Sokajy 3 : Ny aminny vaomiera............................................................................... 47
Sokajy faha-4 : Ny aminny fahabangan-toerana.................................................... 48
TOKO II : NY AMINNY RANTSANA MPANATANTERAKA............................................. 49
Sokajy voalohany : Ny aminny fandaminana sy ny fomba fiasa.......................... 49
Sokajy faha-2 : Ny aminny fahabangan-toerana.................................................... 51
LOHATENY IV : NY AMINNY ANDRAIKITRA SIVILINNY VONDROMBAHOAKAMPARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA.........................................................................................53
LOHATENY V : NY AMINNY TETIBOLA SY NY LOHARANOM-BOLANNY
VONDROMBAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA...............................................54
TOKO VOALOHANY : NY AMINNY TETIBOLA............................................................. 54
Sokajy voalohany : Fepetra ankapobeny................................................................. 54
Sokajy 2 : Ny aminny fanomanana sy fandaniana ny tetibola.............................. 55
Sokajy faha-3 : Ny aminny fanatanterahana ny tetibola........................................ 58
Sokajy 4 : Ny aminny fanaraha-maso...................................................................... 61
TOKO II : NY AMINNY LOHARANOM-BOLANNY VONDROMBAHOAKAM-PARITRA
ITSINJARAM-PAHEFANA................................................................................................ 62
Sokajy voalohany : Fepetra ankapobe..................................................................... 62
Sokajy 2 : Ny aminny loharanom-bola avy aminny hetra..................................... 63
Zana-tsokajy voalohany : Fepetra ankapobeny................................................. 63

Zana-tsokajy 2 : Ny aminny hetra....................................................................... 65


Paragrafy voalohany : Ny aminny hetra momba ny fahazoan-dalana...... 65
Zana-paragrafy voalohany : Ny aminny hetra momba ny fahazoandlana hivarotra zava-pisotro mahamamo sy misy alikaola.................. 65
Zana-paragrafy 2 : Ny aminny fahazoan-dalana hanao varo-mandeha
mikasika ny zava-pisotro mahamamo sy misy alikaola......................... 65
Zana-paragrafy 3 : Ny aminny fipetrahana tsy maharitra, araka ny
tonontaona sy noho ny antony manokana.............................................. 65
.Zana-paragrafy 4 : Ny aminny asa aman-draharaha tsy maharitra, araka
ny tonontaona sy noho ny antony manokana......................................... 66
Zana-paragrafy 5 : Ny aminny toeram-pilanonana aminny alina......... 66
Zana-paragrafy 6 : Ny aminny fikarakarana tombola sy loteria............ 66
Zana-paragrafy 7 : Ny aminny fitrandrahana billards sy ny
mitovitovy aminy, ny fitaovana fandefasana horonan-tsary ary ny
baby-foot................................................................................................. 67
Paragrafy 2 : Ny aminny hetra tambatra...................................................... 67
Paragrafy 3 : Ny aminny hetra tsinjaraina eo aminny Fanjakana sy ny
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.......................................... 67
Zana-paragrafy voalohany : Ny aminny vola fandoa mikasika ny
akoranafo....................................................................................................67
Zana-paragrafy 2 : Ny aminny sara aminny fitantanana ny harena ankibonny tany.............................................................................................. 68
.Zana-paragrafy 3 : Ny aminny vola fandoa aminny harena an-kibonny
tany sy ny tamberim-bidy.......................................................................... 68
Paragrafy 4 Haba halaina aminny fiarovana ny olona................................ 68
Paragrafy 5 : Habam-ponenana ho anny fampandrosoana........................ 68
Paragrafy 6 : Haba momba ny fivahinianana................................................ 69
Paragrafy 7 : Haba alaina aminny rano mineraly........................................ 69
Paragrafy 8 : Haba alaina aminny dokam-barotra....................................... 70
Zana-paragrafy voalohany : Dokam-barotra aminny alalanny petadrindrina, takelaka asiana dokam-barotra, soratra sy marika misy
hazavana na aminny tohana mandehadeha........................................... 70
Zana-paragrafy 2 : Dokam-barotra aminny haino aman-jery................ 70
Paragrafy 9 : Haba aminny rano sy/na herinaratra..................................... 70
Paragrafy 10 : Haba alaina aminny fety sy lanonana ary ny
fihetsihetsehana samihafa............................................................................. 71
Paragrafy 11 : Haba momba ny fanangnana tsangam-by goavana,
baka mpandray na mpandefa onjam-peo sy onjan-tsary, mpanelanelana
fitaovam-pifandraisana na taho..................................................................... 71
Paragrafy 12 : Haba mikasika ny lalao aminny haino aman-jery............... 71
Paragrafy 13 : Haba mikasika ny fanomezana sy ny fanamarinana ny
karapanondronny vahiny............................................................................... 72
Sokajy 3 : Ny aminny loharanom-bola tsy avy aminny hetra............................... 72
Zana-tsokajy voalohany : Fepetra ankapobe..................................................... 72
Zana-tsokajy 2 : Haba aminny lanonana nentim-paharazana nahazoandlana..................................................................................................................... 73
Zana-tsokajy faha-3 : Haba alaina aminny famonoam-biby............................. 73
Zana-tsokajy faha-4 : Haba mikasika ny fitsirihana sy fanaovana fitomboka
ny hena.................................................................................................................. 74
Zana-tsokajy 5 : Ny aminny sara mikasika ny fivezivezenny biby toy ny

omby sy kisoa....................................................................................................... 75
Zana-tsokajy 6 : Ny aminny tamberim-bidy mikasika ny fakana ranon-tany,
fasika ary vato....................................................................................................... 76
.Zana-tsokajy 7 : Ny aminireo tamberimbidy sy vola alaina aminny vokatry ny
fambolena, ny ala, ny jono, ary ny fiompiana.................................................... 76
Zana-tsokajy 8 : Ny aminny tamberim-bidy mikasika ny famoriana sy ny
fanodinana ny fako avy any an-tokantrano ary ny fanariana rano maloto...... 77
Sokajy 4 : Fepetra samihafa...................................................................................... 77
LOHATENY VI : NY AMINNY FIFIDIANANA ISAM-PARITRA.................................................78
TOKO VOALOHANY : FEPETRA ANKAPOBE............................................................... 78
Sokajy voalohany : Ny aminny lisi-pifidianana...................................................... 78
Sokajy 2 : Ny aminny fanaikna ny mpifidy handatsa-bato.................................. 78
Sokajy 3 : Ny aminny fepetra fahafahana hofidiana na tsia.................................. 79
Sokajy 4 : Ny aminny tsy fahazoana mampirafy asa sy ny aminny fionganana.80
Paragrafy voalohany : Ny aminny tsy fahazoana mampirafy asa.............. 80
Paragrafy 2 : Ny aminny fanonganana......................................................... 81
Sokajy 5 : Ny aminny filatsahan-kofidina............................................................... 82
Paragrafy voalohany : Ny aminny fanolorana ny filatsahan-kofidina....... 82
Paragrafy 2 : Ny aminny lisitry ny mpilatsa-kofidina.................................. 82
Paragrafy 3 :Ny aminny fanambarana sy ny antotan-taratasy momba ny
filatsahan-kofidina........................................................................................... 83
Paragrafy 4 : Ny aminny fandraketana an-tsoratra ny filatsahankofidina.............................................................................................................85
Sokajy 6 : Ny aminny taratasin-datsabato tokana sy ny birao fandatsahambato..............................................................................................................................88
Paragrafy voalohany : Ny aminny taratasin-datsabato tokana.................. 88
Paragrafy 2 : Ny aminny birao fandatsaham-bato....................................... 88
Sokajy 7 : Ny aminny raharaham-pifidianana......................................................... 88
Paragrafy voalohany : Ny aminny fampielezan-kevitra.............................. 88
Paragrafy 2 : Ny aminny fanisam-bato......................................................... 89
Paragrafy 3 : Ny aminny fikirakirana ny vokatra sy ny famoahana ny
voka-pifidianana vonjimaika.......................................................................... 91
Paragrafy 4 : Ny aminny fanambarana ny vokatra raikitra......................... 93
Sokajy 8 : Ny aminny fifanolanana mikasika ny fifidianana.................................. 93
Paragrafy voalohany : Ny aminny fahefana mikasika ny fifanolanana..... 93
Paragrafy 2 : Ny aminny paikady arahina.................................................... 94
TOKO II : FEPETRA MANOKANA................................................................................... 94
Sokajy voalohany : Ny aminny fifidianana any aminny kaominina..................... 94
Paragrafy voalohany : Ny aminny fomba fifidianana.................................. 94
Paragrafy 2 : Ny aminny firafitry ny Filan-kevitra monisipaly na
kaominaly.........................................................................................................95
Paragrafy 3 : Ny aminny fepetra manokana ahafahana hofidina............... 95
Paragrafy 4 : Ny aminny fepetra fandraisana anjara aminny
fifidianana.........................................................................................................95
Sokajy 2 : Ny aminny fifidianana any aminny Faritra........................................... 96
Paragrafy voalohany : Fomba fifidianana..................................................... 96

Paragrafy 2 : Ny aminny lisi-pifidianana...................................................... 96


Paragrafy 3 : Ny aminny firafitry ny Filankevi-paritra................................. 96
Paragrafy 4 : Ny aminireo fepetra manokana ahafahana hofidina............ 97
Paragrafy 5 : Ny aminny fepetra ahazoana mandray anjara aminny
fifidianana.........................................................................................................97
Sokajy 3 : Ny aminny fifidianana eny anivonny Faritany..................................... 97
Paragrafy voalohany : Fomba fifidianana..................................................... 97
Paragrafy 2 : Ny aminny lisi-pifidianana...................................................... 98
Paragrafy 3 : Ny aminny firafitry ny Filankevi-paritany.............................. 98
Paragrafy 4 : Ny aminireo fepetra manokana ahafahana hofidina............ 98
Paragrafy 5 : Ny aminny fepetra ahazoana mandray anjara aminny
fifidianana.........................................................................................................98
TOKO III : FEPETRA SAMIHAFA..................................................................................... 99
LOHATENY VII : FEPETRA SAMIHAFA SY FARANY..............................................................99

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

FILAZANA NY ANTONANTONY
Mifanarakaraka aminny nandaniana ny lalna fehizoro mifehy ny tandrifim-pahefana, ny
fombafomba fandaminana sy fiasanireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana,
ary ny fitantanana ny raharahany manokana, izay mamaritra ny fotokevi-dehibe aminny
fitsinjarampahefana, heverina fa tena ilaina ny manazava misimisy kokoa ny fepetra sasantsasany
voarakitra ao.
Ity lalna ity no mamaritra ny fitsipika mikasika ny fandaminana, ny fomba fiasa, ny anjara
andraikitrireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, izay mifototra aminny fahalalahana
ara-pitantanana.
Ny Lalmpanorenana dia mametraka ambaratonga telo eo aminny vondrombahoakamparitra
itsinjaram-pahefana.
Aminizany, misy fitsinjarana vaovao tsy maintsy apetraka mba hampirindra ny anjara
andraikitrireo rafitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
Ny fitsinjaram-pahefana tena izy izay mikendry ny fampandraisanandraikitra ny vahoaka
aminny fitantanana ireo raharaha ifotony, ity lalna ity dia mampiditra ny tamberinandraikitra
aminny fomba fitantanana ny vondrombahoaka.
Arakizany, ny andininy faha-3 aminny Lalmpanorenana dia mametraka fa ny Repoblikani
Madagasikara dia Fanjakana mifototra ka aminny rafitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana ahitana ny Kaominina, ny Faritra sy ny Faritany , ary ny Fokonolona, araka ny fepetra
voalazanny andininy faha-152 aminny Lalmpanorenana ny Fokonolona, nalamina ho
Fokontany, no fototry ny fampandrosoana sy ny firaisan-kina ara-piarahamonina sy arakolontsaina
ary ara-tontolo iainana .
Ny tomponandraikitra eny anivonny Fokontany dia mandray anjara aminny fandrafetana ny
fandaharanasanny Kaominina misy azy ireo.
Ny Fokontany, aminny maha fari-piadidiam-panjakana manakaiky vahoaka azy, no andry
lehibe ho anny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanapariaham-pitondrana.
Ankoatra izany, ity lalna ity dia manamafy ireo loharanom-bolanny vondrombahoakamparitra
itsinjaram-pahefana isanambaratonga efa misy, ary mametraka karazana loharanom-bola vaovao
arakaraka ny tandrifim-pahefana natolotra azy ireo, mba iantohana ny fizakan-tenany arabola.
Farany, ny fampiroboroboana ny demokrasia eny ifotony dia singa manan-danja eo aminny
Fitsinjaram-pahefana tena izy.
Ity lalna ity dia mampiditra ireo fitsipika mikasika ny fifidianana isam-paritra, ka ny
fotokevi-dehibe dia mifototra aminny fikarakarana fifidianana azo itokisana sy ekenny rehetra,
mangarahara, ary manaja ny fenitra demokratika.
Izao lalna izao misy andininy miisa fito amby roapolo sy telojato, ary mizara ho lohateny fito
toy izao :

Lohateny voalohany : Ny aminny famaritana, ny fiantsoana ary ny


renivohitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana;

Lohateny II : Ny aminny anjara andraikitry ny rafitra eny anivonny


vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana;

Lohateny III : Ny aminny fandaminana sy ny fomba fiasanny


vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana;

Lohateny IV : Ny aminny maha tomponandraikitra ny


vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ;

Lohateny V : Ny aminny tetibola sy ny loharanom-bolanireo


vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana ;

Lohateny VI : ny aminny fifidianana isam-paritra;

Lohateny VII :Fepetra samihafa sy farany.

p.26

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

LALANA LAHARANA FAHA 2014-020


Mikasika ny loharanom-bolanireo vondrombahoakam-paritra
itsinjaram- pahefana, ny fombafomba fifidianana, ny fandaminana sy ny
fomba fiasa ary ny andraikitry ny rafitrizy ireo.

Ny Antemierampirenena no nandany tao aminny fivoriana natao ny 20 Aogositra


2014
NY FILOHANNY REPOBLIKA,
Araka ny Lalmpanorenana ;
Araka ny lalna fehozoro laharana faha 2014- 018
ny
mikasika ny
tandrifim- pahefana sy momba ny fandaminana sy fomba fiasa ny vondromparitra anapariam-pahefana ary ny fitantanana ny raharaha tokan-tranony ;
Araka ny lalna fehizoro laharana faha 2004-007 ny 26 jolay 2004 momba ny
fitantanam- bolam-panjakana ;
Araka ny lalna fehizoro laharana faha 2012-005 ny 22 febroary 2012
anaovana ny fehezan-dalna momba ny fifidianana ;
Araka ny fanapahana laharana faha 26 - HCC/D3 taminny 10 septambra 2014
noraisinny Fitsarana Avo momba ny Lalmpanorenana,
Araka ny fanapahana laharana faha 27 - HCC/D3 taminny 24 septambra 2014
noraisinny Fitsarana Avo momba ny Lalmpanorenana,
DIA MAMOAKA HAMPANAN-KERY NY LALANA IZAY TOY IZAO NY
ANDININY :
Andininy voalohany Ity lalna ity no mametra ireo fitsipika mikasika:

ny fomba fiasa, ny fandaminana sy ny anjara raharahanireo


vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana;

ny loharanom-bolanny raharahanireo vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana; sy ny fifidianana isam-paritra.


LOHATENY VOALOHANY : NY FAMARITANA SY NY ANARANA ENTINY
MBAMINNY RENIVOHITRIREO VONDROM-BAHOAKAM-PARITRA
ITSINJARAM-PAHEFANA
And.2 Araka ny voalazanny andininy faha-143 ny Lalmpanorenana,
ireo vondrombahoakam- paritra itsinjaram-pahefana dia ny Kaominina, faritra
ary ny Faritany.

p.27

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

And.3 Ho hita ao aminny tabilao atovana ity lalna ity ny isa, ny fetrantany, ny anarana entiny sy ny renivohitry ny faritany tsirairay avy, ny faritra
tsirairay avy ary ny kaominina tsirairay avy.
And.4 Ny Faritany dia mamondrona Faritra roa na maromaro. Ny Faritra
dia mamondrona kaominina maromaro.
And.5 Ny Kaominina dia azo sokajiana ho Kaominina ambonivohitra na
ambanivohitra araka ny habetsaky ny mponina ao aminy.
And.6 Ireo Tann-dehibe manana endri-tanna mitambatambatra toy
ny tann-dehibe sy manana eo am-pelatanany loharanom-bola ilaina aminny
fampifandanjana ny tetibola izay ampy hiantoka ireo loloha sy andraikitra arabola takianny fiaimpiainanny olon-tsotra ho anizany kaominina izany no azo
atao Kaominina ambonivohitra.
And.7 Ny Kaominina ambonivohitra dia tsy maintsy manana mponina
miisa roa alina (20.000) farafahakeliny.
And.8 Ny fanasokajiana ny Kaominina ho Kaominina ambonivohitra
na Kaominina ambanivohitra dia faritanny didim-panjakana raisina eo ampivorianny Minisitra araka ny ny tolo-kevitra arosonny Minisitra miandraikitra
ny Atitany sy fitsinjaram-pahefana, ka tsy maintsy hajaina aminizany ny fepetra
vaolazanny andininy faha-5, sy faha-6 ary faha-7 voalaza etsy ambony.
Ny fanovana ny fanasokajiana dia atao araka ny fepetra mitovy aminny
fanolorana azy ihany rehefa avy nanontaniana ny heviny ny filankevitra
monisipaly na kaominaly sy ny filankevi-paritra voakasikizany.
Na dia eo aza ny fepetra voalazanny andininy faha-5 sy manaraka,
ireo kaominina ambonivohitra efa misy dia mitazona ny sata maha kaominina
ambonivohitra azy.
And. 9 Ny Renivohitry ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana
tsirairay dia eo aminny tann-dehibe izay mahafeno ireo asa fanohanana sy/na
tendro fandroritana ny fampandrosoana ara- toe-karena.
And.10 Ireo fanovana ny fetran-taninny vondrombahoakam-paritra
itsinjaram-pahefana, na aminny fanalana sombim-paritra avy aminny vondrombahoaka iray mba hitambatra aminny iray hafa, na fanatambarana vondrombahoaka roa na maroamaro ho iray, dia tapahina aminny allanny lalna.
Torakizany koa ny momba ny fanovana sy ny fanendrena ny renivohitry
ny vondrombahoakam- paritra itsinjaram-pahefana.
And.11 Raha toa ka misy fanovana ireo fetran-tany, na famoronana
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana iray, dia hisy vaomiera
manokana atsangana mba hiroso aminny fitsinjarana ny fananany.
Ireo fombafomba fampiharana ity andininy ity dia hofaritanny didy amampitsipika.
And.12 Ny fanoherana mikasika ny famaritana ny vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana dia entina eo anoloanny fitsarana mahefa misahana

p.28

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

ny ady aminny fanjakana .


LOHATENY II : NY ANJARA RAHARAHANNY VONDROMBAHOAKAMPARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA
And.13 Ho fampiarana ireo fepetra voalazanny andininy faha-151, faha156 ary faha-160 ao aminny lalmpanorenana, ity lohateny ity no mametra ny
anjara raharahanny vondrombahoakam- paritra itsinjaram-pahefana.
ZANA-DOHATENY I : NY ANJARA RAHARAHA SY NY SORADRAHARAHANNY RAFITRA MPANAPAN-KEVITRA
TOKO VOALOHANY : NY ANJARA RAHARAHANNY RAFITRA
MPANAPAN-KEVITRA
And.14 Eo aminny ambaratonga tsirairay aminny vondrombahoakamparitra itsinjaram- pahefana, dia ny Filankevitra no mandamina aminny
fanapahan-kevitra ataony ireo raharaha nankininny lalna mba hiantsorohany
araka ny tandrifim-pahefany, ary izany dia araka ny fenitra momba ny
fitantanan-draharaha malaka voalaza ao aminny andininy faha-144 ao aminny
Lalmpanorenana.
And.15 Ny filankevitra no mandray fanapahana indrindra aminireto
sehatra manaraka ireto :
1. Manapa-kevitra mikasika ny teti-bola sy ny kaontim-pitantana izay
arosonny tomponandraikitra voalohanny Birao mpanantanteraka isan-taona
izy ;
2. Ny fananganana sampan-draharaha sy antokondraharaha ary
tranonasa ifotony ; ireo rindradamina fakan-tahaka mety hampiharina isaky ny
karazana sy ambaratonga ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana
dia atovana ity lalna ity ;
3. Ny fividianana, famindrana aminny olon-kafa, sy fametrahana ho
antoka ny fanananny vondrom-bahoaka, fanorenana na fanafoanana ny
zo ananana aminny tany aman-trano, ny fiantohana ireo fanana manaraka
sy fanana-mifaka isam-paritany, isam-paritra sy eo an- toerana,ny fepetra
mikasika ny fampanofana tany na trano mihofa ,ary koa ny fizarana ireo
fanananny vondrom-bahoaka izay iarahany manana aminolon-kafa ka tsy azo
saratsarahana ;
4. Ireo fisamboram-bola ;
5. Tetikasa fanorenana na fameranam-panorenana ary koa fanamboarana
goavana sy fandravana ireo fanana miraikitra aminny tany Vondrombahoakamparitra itsinjaram- pahefana;

p.29

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

6. Ny fanokafana sy fanovna ireo llana sy arabe miankina aminny


andraiikiny raha ny didy aman-dalna manan-kery no jerena, ary koa ny drafitra
mikasika ny sorita atao fetran- dlana;
7. Ny fanenkena handray fanomezana sy lova-tolotra;
8. Ny famonoana ny fanoratana tany atao antoka ho anny tombotsoanny
vondrom-bahoaka sy ny fialana aminireo fombafomba amin ny antoka ;
9. Ny fanenkena hiombona antoka ;
10. Ny famaritana, raha misy, ireo fombafomba aminny fandraisanny
anjaranny vondrom- bahoaka misy azy aminny lahasa iaraha-manao aminny
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana hafa ;
11. Ny fahafoizana na fanofana
natsanganilay vondrom- bahoaka ihany ;

sampan-draharaham-panjakana

12. Ny fandaminana ny fandraisananjaranny vondrom-bahoaka misy azy


aminny fiarovana sy aminny fandriampahalemanny tany ;
13. Ny fanampahana mikasika ny fampidirana fitoriana eny aminny
fitsaranana na ny fanohanana izany aminny anaranny vondrom-bahoaka
misy azy ;
14. Ireo dinanasa ;
15. Ny famerana ny tahanny tamberim-bidy sy haba manokana
isakarazany;
16. Ny fidirana aminny fikambanana na fiombonana iraisanny vondrombahoaka eto an-toerana ary koa ny fiara-miasa aminny vondrom-bahoaka avy
ny ivelany.
Akoatra izany, ny filankevitra dia manapaka ihany koa ny aminireo antondraharaha izay avelanny didy aman-dalna ho andraikiny ny fandinihana azy.
Ireo didy aman-tsipika dia afaka mamaritra, raha ilaina, ireo fomba
fampiharana ity andininy ity.
And.16 Manome ny heviny mandrakariva ny Filankevitra isaky izay
mitaky izany aminy didy aman- dalna na noho ny fiangavianny vondrombahoaka hafa na noho ny fangatahanny solontenam- panjakana mahefa.
Ankoatra ireo fanapahana sy ireo hevinny Filankevitra voalaza etsy
ambony, ny Filankevitra dia afaka maneho ny hetahetany mahakasika ireo
anton-javatra rehetra tsy tafiditra ao anatinny tandrifim-pahefany voatondron
ireo didy aman-dalna.
TOKO II : IREO SORA-DRAHARAHANIREO RAFITRA MPANAPAKEVITRA
And.17 Araka izay voasoratrireo andininy faha-87 ka hatraminny
andininy faha-89 etsy ambany no anaovana ny fanapahana raisinny Filankevitra.
Na izany aza anefa,dia tsy azo atao mifanohitra aminireo fepetra voalazanny

p.30

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Lalmpanorenana sy ny lalna ary ny didy amam-pitsipika izy ireo.


Soratana ao aminny rejistra izay voaisa ravina sy vitanny solontenampanjakana mahefa sonia rango-pohy ireo fanapahana arakaraka ny fotoana
nanaovana azy ireny.Ireo mambra rehetra tonga na voasolo tena nanatrika
ny fivoriana no manao sonia, miaraka aminny filazana, raha miseho izany, ny
antonantony tsy nahafahany izy ireo namonjy fivoriana.
Ny fanapahana tsirairay avy dia alefanny lehibenny mpanatanteraka any
aminny solontenam- panjakana mahefa mba hanaovana ny fanaraha-maso ny
fanajana ny lalna ao anatinny telopolo andro aorianny nandraisana azy raha
ela indrindra. Soratana eo aminny fanapahana ny tsiahy nandefasana azy.
And.18 Ny dinanasa dia volavolaina sy laniana araka ny fomba fanao
aminny fanapahana.
Ny dinanasa dia tanterahinny mponina rehetra ao amin ilay
Vondrombahoakam-paritra itsinjaram- pahefana ampiharana azy.
And.19 Tsy maintsy alefa any aminny solotenam-panjakana ny kopianny
fanapahan-kevitra voasonianny Filohanny filankevitra sy ny mpampankateny
mba hanaovana ny fanaraha-maso ny fanajana ny lalna. Misy tapakila omena
aminizany.
Ireo fomba fampiharana ny fanaovana ny fanaraha-maso ny fanajana ny
lalna dia hofaritana aminny alalanny didy aman-tsipika.
And.20 Tsy maintsy atao ampy ho fantatry ny besinimaro ny fanapahankevitra amin ny alalanny peta-dridrina eo aminny toerana fametrahana afisimpanjakana ao aminny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana na
aminny alalanny fomba hafa mahazatra azy.
And.21 Ny fanapahana ataonny Filankevitra mbaminireo dinanasa
tondroinny andininy faha- 18 etsy ambony dia ampiharina tsy misy fepetra raha
vantany vao vita ny famohana azy ho fanta- bahoaka na ny fampahafantarana
azy aminireo olona voakasika, nefa na izany aza dia tsy tohinina ireo fepetra
voalazanny andininy faha-18.
And.22 Tsy afaka mandray anjara aminny fanapahan-kevitra, ireo
Filankevitra voakasika aminny raharaha, na aminny anarany manokana, na
aminny maha solon-tenanny voakasika azy.
And.23 Eo anivonny kaominina, ny Filohanny Filankevitra irery
na miaraka aminireo tomponandraikitra na ireo Fokontany dia manao ny
raharahanny mpampihavana sy/na mpanelanelana aminireo olana misy eo
aminny olona iray na vondronolona izay mety ho voavaha aminireo fomba
ireo aminny maha Raiamandreny azy ankoatrireo toe-draharaha voalazanny
lalna voatokana ny aminizany.
And.24 Eo anivonny Faritany sy ny Faritra, ny Filohanny Filankevitra
irery na mitarika delegasiona na raha ilaina dia, miaraka aminny solontenampanjakana mahefa, dia manao ny raharahanny mpampihavana sy/na
mpanelanelana aminireo olana izay misy aminireo samy kaominina eo aminny

p.31

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

faritra na ny faritany misy azy sy mety ho voavaha aminireo fomba ireo.


ZANA-DOHATENY II : IREO ANJARA RAHARAHANNY RAFITRA
MPANATANTERAKA
TOKO VOALOHANY : IREO ANJARA RAHARAHA IRAISANA
And.25 Ny Lehibenny mpanatanteraka no mamaritra ny laharampahamehana atolotra ny Filohanny Filankevitra mba ho raiketina ao aminny
fandaharam-potoananny Filankevira, izay feranny filohan ny Filankevitra.
And.26 Izy no manomana sy manolotra ny teti-bolanny
Vondrombahoakam-paritra itsinjaram- pahefana, miaraka aminny fanohananny
mambra sasany ao aminny rafitra mpanatanteraka sy ny fiarahamiasanireo
sampan-draharaham-panjakana anapariaham-pitondrana voakasikizany.
Izy no miantoka ny fifandraisana maharitra eo aminny Filankevitra sy ny
solotenam-pajakana mahefa.
And.27 Ny Lehibenny mpanatanteraka no miantoka ny fanatanterahana
ny fanapahana ataonny filankevitry ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjarampahefana.
Ny Lehibenny mpanatanteraka no manana fahefana handray fitsipika.
Aminizany , izy dia afaka :
1. mibaiko aminny alalanny didim-pitondrana ireo fepetra ifotony izay
nomenny didy aman- dalna eo aminny fahamalinany sy fahafeny ;
2. mampahafantatra indray ireo didy aman-dalna sy mampatsiaro ny
mponina aminny fomba rehetra ireo adidiny aminny maha olom-pirenena azy,
ireo zony sy ireo andraikitra. Afaka miantso fikambanana tsy miankina aminny
fanjakana hanao fanabeazana ny maha olom- pirenena ny mponina.
And.28 Ny Lehibenny mpanatanteraka no misolo tena ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram- pahefana ao aminny sora-draharaha tsotra sy
ara-panjakana araka ireo fepetra voalazanny didy aman-dalna manan-kery.
Aminizany, Izy no misolo tena ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjarampahefana eo anivonny fitsarana sy manao ireo sora-draharaha enti-mitahiry ny
fahatapanny fe-potoana na faheverezan-jo.
And.29 Eo ambany fanaraha-maso ny Filankevitra, ny Lehibenny
mpanatanteraka dia miandraikitra, aminny ankapobeny sy araka ny endrika
voalazanny didy aman-dalna, ny fanatanterahana ireo fanapahana nataonny
Filankevitra fa indrindra ny :
1. mba hitandro sady hitantana ny fananana sy ny zo momba ny tombam-.
panananny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana;
2. mba hanao andrimaso ny antokon-draharaha isaky ny faritany, isaky ny
faritra sy eny ifotony ary ny fanaovana ny kontinny Vondrom-bahoaka;

p.32

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

3. mba handray ireo fepetra ilaina mikasika ny lalana sy ny fifamoivoizana


samy hafa ao aminny Vondrombahoaka ;
4. mba hitantana ny asa izay efa noraisinny Vondrom-bahoaka an-tanana,
sy raha misy, mba hanao ny fandraiketana ny tsenanasa sady hanara maso
ny fanantontosana an-tsakany sy an-davany ireo asa ireo ;
5. mba hanao sora-draharaha momba ny fivarotana, fanankalozana,
fizarana, fankatoavana ara-dalna ireo tolo-panana sy lova fividianana,
fifanaraham-barotra mbaminny tolo-bidy sy fivarotana tany raha toa ka ireo
sora-draharaha ireo ka efa nahazo alalana mifanaraka aminizao lalna izao.
And.30 Ankoatra izany, ny Lehibenny mpanantateraka dia afaka,
aminny alalanny fanomezan- dalana nataonny Filan-kevitra, miandraikitra
manontolo na aminny ampahany ,sady mandritra ny fe-potoana iasany, ny :
1. mba hirosoana, araka ny fepetra voalazanny rijan-teny manankery,
aminny fetra notondroinny Filankevitra, aminny fanatontosana ny findramambola izay natao ho anny famatsiana ny fampiasam-bola voalazanny teti-bola
sy manao ny sora-draharaha ilaina vokatrizany;
2. mba handray ny fanampahan-kevitra rehetra mikasika ny fanomanana,
fanolorana, ny fanatanterahana sy ny fametrahana ny fitsipika ,mifehy ny
tsenan ny asa vaventy, ny kojakoja sy ny tolo-draharaha ao anatinny fanajana
ny fitsipika manan-kery, sy arakaraka ny vidinizy ireo ary raha toa ka efa
voalaza anaty teti-bola ny soram-bola ;
3. mba hanao fifanarahana aminny trano fiantohana ;
4. mba hanaiky ny fandraisana ny tolom-panana sy ny lova izay tsy
arahina fepetra na andraikitra ;
5. mba handray ny fanapahan-kevitra rehetra mikasika ny fividianana,ny
fanorenana, ny fivarotana fanana-mifaka ka ny tombam-bidy dia tsy mihoatra
ny vidiny izay ho feranny Filankevitra ;
6. mba hametra ny karama sy mba hikarakara ny sarany sy ny vola
aloa aminny fakana mpisolovava, na ny Notera ,na ny vadin-tany ary ireo
manamahay ;
7. mba hanao ireo sora-draharaha fifampivarotana, fifankalozana,
fizarana, fividianana ary ny tsena sy ny fampanofana.
And.31 Ny fanapahana izay noraisinny Lehibenny mpanatanteraka
araka ny voalazanny andininy teo aloha dia manaraka ny fitsipika ampiharina
aminny fanapahana raisinny filankevitra mikasika aminny antony mitovy
aminizany ihany koa.
And.32 Ny Lehibenny mpanatanteraka dia tsy maintsy manao sonia ireo
fanapahan-kevitra rehetra noraisiny ho fampiharana ny fanomezam-pahefana
nataonny Filankevitra ho azy.
Ny Lehibenny mpanatanteraka dia tsy maintsy manao tatitra momba
izany fanapahan-kevitra noraisina izany mandritra ny fivorianny Filankevitra.

p.33

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Ny Filankevitra dia afaka mandrakariva mampitsahatra ny fanomezampahefana.


And.33 Ny Lehibenny mpanatanteraka no mpanalalana voalohany ny
fandaniam-bolanny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izay afaka
mamindra fahefana. Izy no mandidy ny fanatanterahana ny famoriambola
isam-paritany, isam-paritra ary eny ifotony, afatsy ireo izay voalazanny fepetra
manokanny fehezan-dalna ankapobe momba ny hetra mikasika ny famorianketranny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izany.
Izy no manomboka, mamarana sy manome baiko aminireo fandaniana
voasoratra ao aminny Vondrombahoaka.
And.34 Izy no lehibenny sampandraharahara izay noforonina sy
vatsianny Vondrombahoakam- paritra itsinjaram-pahefana ara-bola. Mbola izy
ihany koa no lehibenny sampandraharaha izay napetraky ny Fanjakana eo
ambany fiadiadiany. Aminizany, izy dia miroso aminny fandraisana mpiasa izay
ilaina aminny fampandehanana ny sampan-draharaha sady manendry aminny
asa rehetra, araka ny rafi-pandaminanny asa maharitra izay efa nekenny
Filankevitra ary ny isanny mpiasa horaisina voalaza ao aminny tetibola.
Izy no mitantana ireo mpiasa ary manara-maso ny fampiharana ny didy
aman-dalna mikasika ny asa ary indrindra ny fahatapahanny fifandraisana
aminny asa.
And.35 Ny lehibenny mpanatanteraka dia afaka mangataka tohana sy
fanampiana, raha misy liana izany, aminireo sampan-draharaham-panjakana
anampariaham-piondrana ho fanomanana sy hanatanterahana ny fapahana
noraisinny Filankevitra. Aminizany, izy dia miresaka mivantana aminny
solontenam-panjakana mahefa.
And.36 Ny Lehibenny mpanatanteraka no mitantana ny faritry ny
taninny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, izy no mampihatra ny
fepetra fandaminana sy fiarovana mifandraika aminio fitantanana io, indrindra
indrindra mikasika ny fifamoivoizana eo aminio faritry ny taniny io.
And.37 Aminny fampiharana ny fitsipika fototra momba ny
tamberinandraikitra sy fangaraharana eo aminny fitanana ireo raharaha
eny ifotony, ankoatra ny fampandraisana anjara aminny rafitra ikahonandoha izay voalaza ny andininy faha-15 ao aminny lalna fehizoro mifehy
ny tandrifim-pahefana, ny fombafomba fandaminana sy ny fomba fiasanny
vondrombahoakam- paritra itsinjaram-pahefana, ary ny fitantanana ny
raharahany manokana, ny Lehibenny mpanatanterak ireo Vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana dia manao tatitra ireo raharahany aminny vahoaka
eo an-toerana aminny alalanny gazety, kabary na aminny fomba hafa
mahomby.
Ankoatra izany, izy dia manampy aminny fanentanana ireo vahoaka
aminny fanabeazana ny maha olom-pirenena sy fampandraisana anjara ny
vahoaka aminny fampandrosoana.

p.34

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

TOKO II : NY ANJARA ANDRAIKITRA MANOKANA


Sokajy Voalohany : NY AMINNY BENNY TANANA
And.38 Ankoatra ireo raharaha iandraiketan ny Lehibenny
mpanatanteraka ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izay
voafaritry ny toko eo aloha, ny Benny tanna dia manao ireo raharaha voalaza
aminity sokajy ity.
And.39 Ny Benny tanna sy ireo lefiny no mpiandraikitra ny sorapiankohonana.
Azonny Benny tanna atao ny mamindra fahefana aminny mpiasa iray
na maromaro ao aminny kaominina, izay feno iraika amby roapolo taona ahay
raha kely indrindra, momba ny asa maha- piandraikitra ny sora-piankohonana
azy, mba handray an-tsoratra ao aminny rejisitry ny sora- piankohonana,
ireo fanambarana fahaterahana, fahafatesana, zaza tsy azo, fanjanahana,
fananganana sy fanariana, fandraiketana amim-boky sy fanaovana filazana antsisiny aminireo sora- panjakana na didim-pitsarana, ary koa mba hanao ny
fandrafetana ireo sora-draharaha rehetra mifandraika aminireo fanambarana
lazaina etsy ambony.
Eo ambany fanarahamaso sy andraikitry ny Benny tanna no isahanana
io fanomezam-pahefana io.
Ny didim-pitondrana anaovana ny famindram-pahefana dia sady
ampitaina mankany aminny solotenam-panjakana no mankany aminny Tonia
mpampanao ao aminny fitsarana ambaratonga voalohany mahefa misy ilay
kaominina voakasikizany.
Ireo mpiasanny kaominina amindram-pahefana mba handray ireo
fanambarana , handrafitra an-tsoratra, hanoratra aminny boky sy hanao
filazana an-tsisiny aminireo sora-piankohonana voalazanity andininy ity, dia
manome ara-dalna ho anizay olona mila izany, ireo kopia sy vontoatinny
sora-piankohonana ary fanamarinam-piankohonana rehetra na inona na inona
karazany, ka eo ambany fanarahamaso sy andraikitry ny Benny tanna izany.
And.40 Ny benny tanna , na raha tsy eo izy, dia ny solotenampanjakana no tsy maintsy mikarakara haingana izay ahatomombana tsara
an-tsakany sy an-davany ny fanofofana na fandevenana ny olona maty ka tsy
anavahana na inona na inona izany.
And.41- Ny Benny tanna na ny lefitra dia tsy maintsy manao ny
fanamarinana eo anatrehanny lalna izay sonia rehetra ataonny olona fantany
tsara eo anatrehany, na miaraka aminny vavolombelona fantatrilay olona, na
koa araka ny fangatahana ataonilay tompon-tsonia, dia fanamarinana izay
sonia rehetra mitovy aminny sonia lasitra apetrakilay olona voakasikizany ao
aminny rejisitra manokana hita ao aminny Lapanny tanna.

p.35

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Ny fanaovana lavo-tondro dia tsy azo anaovana fanamarinana eo


anatrehanny lalna. Na izany aza anefa, dia azonny Benny tanna na ny
lefitra atao ny manamarina fa teo anatrehany tokoa no nanaovana izany.
Ny Sonia vita sora-tnana omenireo mpitsara monisipaly eo ampanatontosana ny asa ara- pitondrana ataony dia manan-kery aminny toejavatra sy fotoana rehetra ka tsy ilaina fanamarinana eo anatrehanny lalna
raha tahiny izy ireny miaraka aminny fitomboky ny Lapanny tanna misy
kasem-panjakana.
And.42 Manana fahefana ny Benny tanna mba :
1. hamoaka, aminny alalnny didim-pitondrana, ireo fepetra ampiharina
eo an-toerana mikasika ireo anton-javatra ankininny lalna aminy ny fanaovana
andri-maso azy sady ananany fahefana rahateo;
2. hamoaka indray ho fanta-bahoaka ireo didy aman-dalna momba ny
fitandroam-pilaminana ary mampahatsiahy ny tsy maintsy hanajana azy ireny
aminny mponina.
And.43 Anjaranny Benny tanna no mitandro ny filaminana mikasika
ireo lalna ao anatinny vohitra, kanefa izany dia momba ny fifamoivoizana
aminireny llana voalaza ireny fotsiny ihany.
Azony atao, ka misy fandoavan-tsarany voafetra araka ny tondrom-bidy
efa voalamina tsara araka ny fanapahana noraisinny Filankevitra, ny manome
fahazoan-dalana hijanona na hametraka vonjimaika eny aminny lalam-bahoaka,
renirano, seranana sy fiantsonana amoronny ony sy eny aminireo toerana hafa
falehanny besinimaro kanefa izany dia miankina aminny fahatsapana fa azo
omena izany fanomezan-dlana izany raha toa ka tsy manelingelina ny lalambahoaka ny fivezivezena an-dranomasina sy aminny ony, ary ny fifamoivoizana
sy fahalalahanny varotra.
Ny alalana aminny fanoritana fetran-dalana ataonny olona tsirairay, ny
fahazoan-dlana hanorina, hizarazara tany sy handrava, ny fanomezan-dlana
hafa momba ny fikarakarana ny lalana, dia omenny Benny tanna rehefa
nanome ny heviny ireo sampan-draharahara teknika mahefa aminizany.
Ny fanomezan-dlana tsy raikitra na azo esorina tsotra izao eo aminireo
lalam-bahoaka, izay apetraka ho anjara raharahanny Benny tanna, ka ny
zava-kendrena aminizany dia mikasika indrindra indrindra ny fametrahana ao
ambaninny tany aminny lalam-bahoaka ireo fantsona atohana andalovanny
rano, entona, herinaratra, na tefefaonina sy itarihana azy ireny dia azonny
solontenam-panjakana omena araka ny didy navoakanny fitsarana mahefa,
raha sendra ka mand tsy hanome izany ny Benny tanna kanefa tsy voaporofo
tsinona izany fandavany izany fa ho tombontsoanny besinimaro.
And.44 Aminny fisahanana ireo fahefana momba ny fitandroampilaminana izay omena ho andraikiny, ny Benny tanna raha misy ilna izany,
dia mangataka aminny Solontenam-panjakana mahefa ny fanampianny
mpitandro ny filaminana.
And. 45 Ireo fahefana eo am-pelatananny Benny tanna dia tsy misakana

p.36

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

velively ny fahefanny solon-tenam-panjakana mahefa mba handraisany, ho


anny kaominina maromaro, sy aminireo toe- javatra rehetra izay tsy tonga
lafatra loatra ny fanatanterahanireo tomponandraikitra monisipaly izany, izay
fepetra rehetra mikasika ny fitandroam-pahasalamana, ny tokinaina sy ny
fandriampahalemam-bahoaka.
Raha tandindonin-doza ny filaminana ao anatinny kaominina roa na
maromaro miray sisin-tany, dia afaka misolo ny toeranny Benny tanna
voakasika ny solontenam-panjakana mba hisahana, aminny alalanny didimpitondrana ombanny antonantony, ireo fahefana momba ny fitandroampilaminana voatondronity sokajy ity.
And.46 Ny Benny tanna dia afaka mandray finiavana handinika, hanolokevitra na hampankato, hanely sy hampanao fampiharana ireo dinanasa ao
anatinny fanajana ny lalna sy fitsipika manan-kery ary ireo fomba hita fa fanao
ka tsy nisy fanoherana avy aminny kaominina misy azy.
Rehefa avy nakana ny hevitry ny Filankevitra, izy dia afaka mampanao
ny vahoaka ireo asa ho anny tombontsoa iraisana ho fanatanterahana ny
drafitrasa fampandrosona ifotony.
And.47 Ny Benny tanna, ao anatinny faritry ny kaominina misy azy, no
mitarika ireo fety aman- danonana ofisialy.
And.48 Ny Benny tanna dia afaka mamindra ampahany aminny
raharahany aminireo lefiny.
Izy dia afaka ihany koa manome fahefana hanao sonia aminireo taranja
izay tafiditra ao anatinireo raharahany.
Ny fanomezan-dlana hanao sonia na ny famindrana fahefana, dia tsy
maintsy atao aminny alalanny didim-pitondrana izay mamaritra ny antony, ny
faharetany sy olona nomem-pahefana.
And.49 Aminireo fety ofisialy, ny Benny tanna sy ireo lefitriny dia
mitondra, atao fehikibo, ny Samboady manana ireo lokom-pirenena, fotsy,
mena sy maintso, misy voanoika miloko volamena ny veri-drambo ny anny
Benny tanna sy voanoika miloko volafotsy ny veri-drambo ny anireo lefitry
ny Benny tanna.
Ireo samboady ireo dia vidina aminny tetibola ny kaominina.
And.50 Ny fitondram-pilaminana ao aminny kaominina ambonivohitra
na ambanivohitra dia eo ambany fahefanny Benny tanna.
Aminizany, izy dia mikendry ny hisianny filaminana tsara rindra,ny
tokinaina sy fandriampahalemana ary fahasalamam-bahoaka.
Ho hita aminizany indrindra indrindra :
1. Izay rehetra mahakasika ny fisorohana ny loza tsy hihatra sy ny
fahatsaranny fandalovana aminireo arabe, fiantsonana, kianja ary llana
falehanny besinimaro, ka tafiditra ao anatinizany ny fanadiovana azy ireny, ny
fanazavana aminny alalanny jiro, ny fanesorana izay rehetra manakantsakana,

p.37

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

ny fandrodanana ireo trano manambana ho rava na ny fanamboarana izany,


ny fandrarana mba tsy hametraka zavatra eny am-baravaran-kely na faritra
sasany hafa aminny trano izay mety hitera-doza ny fidabohany etsy ambany,
na ny fandrarna tsy hanipitsipy zavatra izay mety hitera-pahavoazana ho
anireo mpandalo na hiteraka fofon-dratsy manimba ;
2. ny fikarakarana ny fampitsaharana izay mety hanohintohina ny
fandriampahalemam- bahoaka, toy ny ady saritaka sy fifamaliana miaraka
aminny savorovoro eny an-dalana, ny fisamonomononana ranitina ao
aminny toerana vory vahoaka, ny fitangorongoronana arahin- tabataba, ny
horakoraka sy fivorivoriana aminny andro alina ka manakorontana ny fialantsasatry ny tany ama-monina, ary izay rehetra fihetsika mety hanelingelina ny
fandriampahalemam-bahoaka ;
3. Ny fitandroana hisianny filaminana tsara aminireo toerana izay ahitana
olona marobe tafavory, toy ny tsenabe na foara, tsena, koranam-pifaliana sy
lanonam-bahoaka, fety fampisehoana, kilalao, trano fialana hetaheta ary ireo
toerana hafa falehanny besinimaro ;
4. ny fomba fitanterana olona maty, ny fandevenana sy famadihandrazana, ny fitandroana ny filaminana sy fahamendrehanireo vondrom-pasana
; ka tsy azo ekena mihitsy ny fanaovana fanindrahindrana manokana na
fanaovana anjorom-bala manokana noho ny finoana na noho ny fivavahana
narahinilay maty, na noho ny toe-javatra niseho manodidina ny fahafatesany ;
5. ny fanaovana fisafoana mba hisy tsy tapaka ireo zavatra hamidy
aminny alalanny fandanjana na fandrefesana na famrana ary ny fitandroampahasalamana mikasika anireo zava-pihinana atolotra hamidy ;
6. Ny fikatsahana izay hisorohana dieny mialoha, aminny alalnny
fitandremana sahaza, sy fitadiavana izay fomba ampitsaharana aminny
alalanny fitsinjarana ny famonjena, mikasika ireo loza sy atambo tahaka ny
hain-trano, tondra-drano, fahavakisanny fefiloha,fihotsahanny tany na vato,
ary izay rehetra loza voajanahary, areti-mandringana sy areti-mifindra aminny
olona, areti-mandringana ny biby ;fanaovana haingana dia haingana izay
fepetra rehetra fisorohana ny loza, fanampiana sy famonjena ary, raha misy,
dia ny fanairana ny Fanjakana mba hirotsaka an-tsehatra ;
7. Ny fikarakarana ny fandraisana vonjimaika ireo fepetra ilaina mikasika
ireo olona mpirenireny sy ireo olona adala izay mety hanimba ny saimbahoaka,
ny tokinaina ho anny olona na fitandroam-pananana ;
8. Ny fikatsahana fepetra mahomby na fitondram-panafana aminireo toejavatra mampalahelo mety hitranga noho ny firenireninireo biby mampi-doza
na masiaka.
And.51 Ankoatra ny anjara andraikitry ny Lehibenny mpanatanteraka
eo aminny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana araka ny voalaza
ao aminny toko voalohany etsy ambony, ny Lehibenny Faritra no misahana
ireo anjara andraikitra voalaza aminity sokajy ity.
And.52 Ny Lehibenny Faritra dia miandraikitra ihany koa :

p.38

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

1. ny fanomanana sy fanatanterahana miaraka aminny fanampianireo


sampan- draharaham-panjakana anapariaham-pitondrana voakasika, ireo asa
fampandrosona novolavolainny Faritra ;
2. ny fiantohana ny fanatanterahana ny drafi-paritra momba ny fanajariana
ny tany ;
3. Ny fiantohana ny fampandrosoana mirindra sy ara-drariny ireo
Vondrombahoakam- paritra itsinjaram-pahefana ao anatinny fari-piadidiany,
indrindra ny fanaovana laharam-pahamehana ny tombontsoa iraisanny
Kaominina.
And.53 Isaky ny fivoriana ara-potoana, ny Lehibenny Faritra dia tsy
maintsy manao tatitra mahakasika ireo fanapahan-kevitra noraisiny avy aminny
fanomezan-dlana nomenny Filankevi- paritra. Azonny Filankevi-paritra atao
ny mampiato mandrakariva ny fanomezan-dlana nataony.
Ny fanapahan-kevitra noraisina ho fampiharana izany dia tsy maintsy
soniavinny Lehibenny Faritra izy tenany.
And.54 Akan-kevitra ny Lehibenny Faritra mikasika ireo tetikasa na
fandaharanasam-pirenena momba ny fampandrosoana izay mahakasika ny
Faritra misy azy. Miandraikitra ny fanamorana ny fanatanterahana izany izy.
And.55 Ny Lehibenny Faritra dia mampahafantra ny Lehibenny
Faritany eo aminny fari- piadidiany ny fanatanterahana ny asa rehetra voalaza
ao aminny drafitra fampandrosoany.
Izy no miantoka ny fampifandraisana ny drafim-paritra sy ny drafi-paritany
momba ny fanajariana ny tany.
Ny Lehibenny Faritra dia afaka mangataka fanampiana sy fanohanana
avy aminny Faritany aminny fantanterahana ireo tetikasa fampandrosoana ny
Faritra.
And.56 Ny Lehibenny Faritra no mitarika sy manentana ny rafitra
maharitra enti-manao fanadihadiana ara-toe-karena sy fanaovana tetipivoarana ho anny Faritra. Aminizany, azony atao ny mifandray aminny
manam-pahefana eo anivonny firenena sy ny avy any ivelany.
And.57 Ny Lehibenny Faritra dia afaka omenny Filankevitry ny
Kaominina ao aminy fahazoan- dlana hifampiraharaha, aminny anaranizy
ireo sy ho azy ireo, aminireo fikambanana sy manam- pahefana eto an-toerana
na ny any ivelany ao anatinny fanajana ny Lalmpanorenana sy ireo didy
aman-dalna manan-kery.
Na izany aza, aminny fotoana ifamatorana aminny fifanarahana, ireo
Benny tannanny Kaominina voakasika dia miara-manao sonia ny fifanarahana
aminny Lehibenny Faritra.
And.58 Miainga avy aminny drafi-paritra momba ny fanajariana ny tany,
ny Lehibenny Faritra dia manomana sy manolotra ny drafi-paritra na tetikasamparitra momba ny fampandrosoana izay hampidirina ao anaty fandaharanasa
fampiasam-bolanny Fanjakana.

p.39

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

And.59 Ny Lehibenny Faritra no mandamina sy mandrindra ny


fampandrosoana ny Kaominina ao aminny fari-piadidiany.
Izy dia manampy aminny famolavolana ireo fitaovana fandrafetana tetipivoarana momba ny fanajariana ny tany sy ny drafitra fampandrosoana eny
anivonny Kaominina ary koa aminny fanatanterahana ireo tetikasa voarakitra
anatinizany drafitra izany.
And.60 Azonny Lehibenny Faritra atao ny mamindra ampahany
aminny anjara andraikiny aminireo lefiny.
Azony atao ihany koa ny manome fahefana hanao sonia aminny lafinjavatra tafiditra ao anatinny anjara andraikiny.
Ny fanomezan-dlana hanao sonia na ny fanomezam-pahefana dia tsy
maintsy atao aminny alalanny didim-pitondrana izay milaza mazava ny antony,
ny faharetany ary ny olona nomem- pahefana.
Sokajy 3 : Ny aminny Lehibenny Faritany
And.61 Ankoatra ny anjara andraikitry ny Lehibenny mpanatanteraka
eo aminny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana araka ny voalaza
ao aminny toko voalohany etsy ambony, ny Lehibenny Faritany no misahana
ireo anjara andraikitra voalaza aminity sokajy ity.
And.62 Ny Lehibenny Faritany no miantoka ny fanatanterahana ny
drafitra momba ny fanajariana ny tany eo anivonny Faritany.
Izy no miantoka ny fampandrosoana mirindra sy ara-drariny ireo
Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ao anatinny fari-piadidiany,
indrindra ny fanaovana laharam-pahamehana ny tombontsoa iraisanny Faritra.
And.63 Aminny maha mpanalalana voalohany ny tetibolanny Faritany
azy, ny Lehibenny Faritany dia :
1. tokony mahafantatra ny fizotra ankapobenny fampidiran-ketra sy ny
fiantraikanny fampiasam-bolam-panjakana eo aminny fiainana ara-toekarena
sy ara-tsosialy ao anatinny fari-piadidiany. Manome ny heviny sy toromarika
izy aminizany ary manampy tosika aminny fanatrarana ireo tanjona na ireo
fetrandro napetraka ;
2. manomana sy mamolavola ny tetibolanny Faritany.
And.64 Eo aminny lafiny ny fiarovana ny olona, ny Lehibenny Faritany
no mandamina sy mandrindra ireo asa hotontosaina raha toa ka misy loza
aminatambo miseho toy ny rivo-doza, safondrano, fahavakisanny fefiloha,
fihotsahanny tany, haintany, haintrano, doro tanety, valanaretina mahazo ny
biby, na ireo anton-javatra manohitohina ny fandriam-pahalemanny mponina
toy ny halatra tsotra sy halatra zary heloka bevava, ny halatromby sy ny
herisetra, ny asan-jiolahy na fampihorohoroana aminny endriny rehetra.
And.65 Ny Lehibenny Faritany no mandrindra ireo asa hotontosaina

p.40

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

raha toa ka misy fahasarotana eo aminny famatsiana ireo entam-barotra sy


vokatra ara-tsakafo tena ilaina.
And.66 Aminny ankapobeny, ny Lehibenny Faritany dia tsy maintsy
ampahafantarina mivantana ireo fandaharanasa fametrahana fampitaovana sy
fanajariana mahakasika ny Faritany.
Izy no manangona sy manadihady ny filnny vahoaka ary manolotra ny
fepetra mifandraika aminizany arakaraka ny zava-misy.
And.67 Azonny Lehibenny Faritany atao ny mamindra ampahany
aminny anjara andraikiny aminireo lefiny.
Azony atao ihany koa ny manome fahefana hanao sonia aminny lafinjavatra tafiditra ao anatinny anjara andraikiny.
Ny fanomezan-dlana hanao sonia na ny fanomezam-pahefana dia tsy
maintsy atao aminny alalanny didim-pitondrana izay milaza mazava ny antony,
ny faharetany ary ny olona nomem- pahefana.
TOKO III : NY AMINNY SORA-DRAHARAHA ATAONNY LEHIBENNY
MPANATANTERAKA
And.68 Ny Lehibenny mpanatanteraka dia mandray didim-pitondrana
ho fanatanterahana ireo fanapahana noraisinny Filankevitra ary mandrindra
ireo fepetra raisina isaky ny Faritany, isaky ny Faritra na eny ifotony momba
ireo zavatra nankininny lalna ho eo ambany fitandremany sy ho eo ambany
fahefany.
Mandray ireo fepetra rehetra mahakasika ny anjara andraikitra tafiditra ao
anatinny tandrifim- pahefany izy aminny alalanny fanapahana.
And.69 Ny sora-draharaha iharanny fanaraha-maso ny fanarahandalna dia alefanny Lehibenny mpanatanteraka avy hatrany any aminny
Solontenam-panjakana mahefa farafahatarany telopolo andro aorianny
nanaovana sonia azy.
Ny Lehibenny mpanatanteraka dia mitana rejisitra natokana ho anireo
sora-draharaha alefa hanaovana fanaraha-maso ny fanarahan-dalna. Io
rejisitra dia tsy maintsy voaisa ravina sy vita rango-pohinny Solontenampanjakana mahefa.
Ny tsy fanatanterahana miverimberina ny fandefasana sora-draharaha
any aminny Solontenam- panjakana dia raisina ho toy ny fahadisoana goavana
araka izay voalaza ao aminny andininy faha 258 anity lalana ity.
And.70 Ny sora-draharaha raisinny Lehibenny mpanatanteraka dia tsy
mihatra aminny olon-kafa raha tsy aorianny fampahafantarana azy ny be sy ny
maro, aminny alalanny famoahana azy eny an-toerana sy ny peta-drindrina,
isaky ny misy fepetra ankapobeny, ary aminny alalanny fampilazana isambatanolona ireo voakasikizany, ho anny trangan-javatra hafa.

p.41

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Ny Lehibenny mpanatanteraka eo aminny Vondrombahoaka voakasika


no manamarina eo ambany fiadidiany ny maha-azo tanterahana ireo soradraharaha nataony.
Soratana ao anaty rejistra arakaraka ny filaharanny
nanaovana azy ireo sora- draharaha.

vanim-potoana

And.71 Ity lohateny ity no mifehy ny fandaminana sy fomba fiasanireo


rafitra eny anivonny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
And.72 Ireto avy ireo rafitra misy eny anivonny Vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana :
1. Ny rafitra mpanapa-kevitra antsoina hoe Filankevitra :

Filankevitra monisipaly ho anireo Kaominina ambonivohitra ;

Filankevitra kaominaly ho anireo Kaominina ambanivohitra ;

Filankevi-paritra ho anireo Faritra ;

Filankevi-paritany ho anireo Faritany ;

2. Ny rafitra mpanatanteraka :

Benny Tanna ho anny kaominina ambonivohitra sy


ambanivohitra ;

Lehiben ny Faritra ho anny Faritra ;

Lehiben ny Faritany ho anny Faritany;


TOKO VOALOHANY : NY AMINNY FILANKEVITRA

Sokajy voalohany : Ny aminny fandaminana sy ny fomba fiasa


And.73 Ny foiben-toeranny Filankevitra, araka ny zava-misy, dia ao
aminny Lapanny Faritany, Lapanny Faritra, Lapanny tanna, eo aminny
renivohitry ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram- pahefana.
And.74 Mivory ara-potoana indroa isan-taona ny Filankevitra ka ny
voalohany dia atao ao anatinny telo volana voalohany ary ny fivoriana faharoa
kosa dia ao anatinny enim-bolana faharoa.
Tsy mahazo mihoatra ny folo andro ny faharetanny fotoam-pivoriana
tsirairay. Na izany aza, ny fivoriana ho fandaniana ny teti-bola fototra dia azo
itarina hatraminny dimy ambinny folo andro.
And.75 Ny fivoriana ho fandaniana ny tetibolanny Vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana dia toy izao:

ao anatinny tapa-bolana faharoa aminny volana Aogositra, ho


anny Kaominina ;

ao anatinny tapa-bolana faharoa aminny volana septambra,

p.42

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

ho anny Faritra ;

ao anatinny tapa-bolana voalohany ny volana oktobra, ho


anny Faritany.
And.76 Aminny fotoana fanavaozana ankapobe ny mpikambana aminny
Filankevitra, dia atao avy hatrany ny fivoriana voalohany aminny alalanny
fiantsoana ataonny Solontenam-panjakana mahefa isaky ny ambaratonga-na
Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
Io fotom-pivoriana voalohany io dia atao ao anatinny herinandro
manaraka ny fanambarana aminny fomba ofisialy ny voka-pifidianana raikitra,
izay nahalany ny mpikambana ao aminny Filankevitra.
And.77 Aminny fisokafanio fivoriana voalohany io dia ny mpanolotsaina
zokiolona indrindra no mitarika ny Filankevitra mandram-pandrainireo
mpikambana ao aminny Biraonny Filankevitra ny asany, ary ny mpikambana
zandriny indrindra no misahana ny asanny mpitantsoratra.
Mandritra io fotoam-pivoriana voalohany io, ny Filankevitra dia mifidy
eo anivony ihany ho anny fotoam-piasany, ny Filohanny Filankevitra sy ny
filoha lefitra iray ary mpampakateny roa aminny alalanny latsa-bato aminny
anaranolon-tokana atao indroa mihodina ary atao fifidianana misaraka, ka izy
ireo no mandrafitra ny biraonny Filankevitra,
Voafidy aminny fihodinana voalohany ny kandida nahazo vato mihoatra
ny antsasa-manila. Raha tsy tanteraka izany dia miroso aminny fihodinana
faharoa izay andraisanireo kandida roa nitarika taminny fihodinana voalohany
anjara. Voafidy aminny fihodinana faharoa ny kandida nahazo vato be indrindra.
Raha mitovy ny vato azo dia izay kandida be taona no voafidy Filohanny
Filankevitra.
And.78 Azonny Filankevitra atao ny mandinika ny raharaha rehetra
tafiditra ao anatinny anjara andraikiny mandritra ny fivoriana ara-potoana.
Ny filohanny Filankevitra eo aminny Vondrombahoaka no mamaritra
ny laha-dinika aminireo fivoriana ireo. Na izany aza dia omena laharampahamehana ny Lehibenny mpanatanteraka hanolotra lahadinika.
And.79 Ny Filoha lefitra no misolo toerana ny Filoha aminny asany raha
misy tsy fahatongavana na tsy fahafahany.
And.80 Ny fotoam-pivoriana voalohany ataonny Filan-kevitra dia
atokana indrindra ankatoavana ny vokatry ny asa natao nandritry ny taona
lasa sy anaovana tombanezaka ny fanantaterahana fandaharanasa. Aminio
fivoriana io no anaovanny Lehibenny mpanatanteraka tatitra manokana
aminny Filankevitra mikasika ny toe-java-misy iainanny Vondrombahoakamparitra itsinjaram- pahefana, ny asa sy famatsiam-bolanireo sampan-draharaha
samihafa ao aminy sy ireo antokon- draharaha miankina aminy. Io tatitra io
dia milaza mazava ihany koa ny fipetraky ny fanatanterahana ireo fanapahana
noraisinny Filankevitra sy ny toetry ny fitantanam-bolanny vondrombahoaka.
And.81 Mandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa no andihina ny

p.43

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

andanihana ny tetibola fototra ho anny taona manaraka.


And.82 Eo am-piandohanny fotoam-pivoriana tsirairay, dia azonny
Filankevitra atao ny maka mpiasanny Vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana hanampy ireo mpampakateny ary hiandraikitra ny fitanana antsoratra. Manatrika ny fivoriana izy ireo saingy tsy mandray anjara aminny
fanapahan-kevitra. Izy ireo no miandraikitra ny fitanana an-tsoratra ny fivoriana
izay tokony ahitana ny vaninandro nanaovana ny fivoriana, ny vaninandro
nanaikna ny Filankevitra hivory, ny anaranireo mpanolontsaina tonga nivory,
ny anaranireo mpanolontsaina tsy tonga manatrika ny fivoriana, ny anaranireo
mpanolontsaina nahatonga fialan-tsiny na tsia sy nanome fahefana hisolo tena
azy. Ny fitanana an-tsoratra dia tsy maintsy milaza an-tsipiriany ireo adi-hevitra,
zava-tsy nampoizina ary hevitra izay nitranga mandritra ny fivoriana.
Ny fitanana an-tsoratra momba ny fivoriana dia tsy maintsy ahitana ny
rijan-teny manontolo mikasika ny fanapahana, ny hetahetam-paniriana na ny
fakan-kevitra nankatoavinny Filankevitra. Ireo fitanana an-tsoratra momba
ny fivorianny Filankevitra dia tehirizina, ka alahatra araka ny vanim- potoana
nanaovana azy, ao anatinny rejistra voaisa ravina sy vita rangopohinny
Solontenam- panjakana mahefa ary avoaka ho fantatry besinimaro aminny
alalanny peta-drindrina eo aminny toerana natokana ho anizany.
Ny olom-pirenena rehetra dia afaka maka dika mitovy aminny fitanana
an-tsoratra ka iantohany ny sarany.
And.83 Afaka mivory tsy ara-potona ny Filankevitra rehefa mitaky
izany ny toe-drarahanny vondrombahoaka. Na dia izany aza, voafetra indray
mandeha isam-bolana ihany ny fivoriana tsy ara- potoana ary tsy mihoatra ny
telo andro ny faharetany.
Aminizany, ny Filohanny Filankevitra dia tsy maintsy manaika ny
mpikambana mba hivory rehefa misy fangatahana ho anizany, araka ny
lahadinika voafaritra tsara, ataonny :

Lehibenny mpanatanteraka ;

antsasa manilanny mpikambana ao aminny Filankevitra ;

Solontenam-panjakana mahefa.

Na manao ahoana na manao ahoana, dia tsy azo atao mihoatra ny telo
andro ny faharetanny fivoriana tsy ara-potoana.
Art. 84 Ny Solontenam-panjakana dia afaka, raha misy ilna izany, na
araka ny fangatahany mba ho henoinny Filankevitra.
Mandray anjara aminny adi-hevitry ny Filankevitra izy ary raiketina ao
aminny fitanana an-tsoratry ny fivoriana ny fanehoan-keviny. Na izany aza,
mivoaka ny efitrano fivoriana izy aminny fotoana andraisana fanapahan-kevitra.
And.85 Ny Filohanny Filan-kevitra no manao sonia ny fanaikna
fivoriana. Raketina ao anaty rejistra momba ny fanapahana izany ary atao petadrindrina na avoaka ho fantatry besinimaro.

p.44

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Alefa an-tsoratra any an-trano fonenana nosafidianireo mpanolontsaina


folo andro farafahakeliny mialohanny fivoriana ny fiantsoana, ka hita ao
aminizany ny lahadinika miaraka aminny famintinana mahakasika ireo
raharaha handraisana fanapahan-kevitra.
Mikasika ny fivoriana tsy ara-potoana, dia azonny Filohanny Filankevitra
atao ny manafohy io fepotoana io araka ny tolo-kevitry ny Solontenampanjakana nefa tsy tokony ho latsaky ny iray andro feno mialoha ny fivoriana.
Tsy mikasika afa-tsy ireo raharaha voasoratra ao anaty lahadinika ny adihevitra ataonny Filankevitra mandritra ny fivoriana tsy ara-potoana.
And.86 Tsy azo tanterahina ny fivorianny Filankevitra raha tsy ny
antsasa-manilanireo mpikambana no tonga manatrika.
Raha tsy tratra io fetrisa io, taorinanny fiantsoana voalohany natao aradalna, dia afaka mandray fanapahana ny Filankevitra aorianny fiantsoana
faharoa, izay farafaratsiny mielanelana telo andro aminilay fiantsoana
voalohany, na firy na firy isanny mpikambana tonga manatrika na soloin-tena
araka ireo fepetra voalazanny andininy faha-89 etsy ambany.
Afaka mandray anjara aminny adi-hevitra ataonny Filankevitra ny
Lehibenny mpanatanteraka, fa tsy mandray anjara aminny fanapahan-kevitra.
Misintaka izy aminny fotoananny fanapahan-kevitra. Raketina ao anatinny
fitnana an-tsoratra ireo fanehoan-keviny nandritra ny fivoriana.
And.87 Ny maro anisa aminny mpikambana tonga mivory na voasolotena no mandany ny fanapahan-kevitra.
Raha tahiny ka mitovy ny isam-bato, afa-tsy aminny latsabato miafina,
dia ny hevitra ironanny Filoha no mahazo tombon-dahany.
Ny mpitazona bokim-bola voalohany eo aminny Vondrombahoaka dia
manatrika, ho fakan-kevitra, ny fivorianny Filankevitra mikasika ny tetibola, ny
kaontim-pitantanana ary ny laha-dinika hafa rehetra ilna ny fahatongavany.
And.88 Ny zonny mpikambana ao aminny Filankevitra handatsambato dia natao ho anny isam- batanolona.
Na izany aza, dia azo atao ny mamindra ny zo handatsam-bato aminny
mpikambana hafa iray nomena fahefana aminizany.
Ny mpikambana aminny Filankevitra tsy afa-manatrika ny fivoriana dia
afaka manome fahefana ny mpikambana hafa nofinidiny, aminny alalanny
fanomezam-pahefana an-tsoratra, mba handatsa- bato aminny anarany.
Tsy mahazo mandray afa-tsy fanomezam-pahefana tokana ihany ny
mpikambana iray ao aminny Filankevitra.
And.89 Aminny ankapobeny dia aminny alalanny tsanga-tnana
ampahibemaso no hanatanterahana ny fifidianana eo anivonny Filankevitra.
Raketina ao aminny fitanana an-tsoratra momba ny fivoriana ny isanny
mpandatsa-bato miaraka aminny vokatry ny fifidianana natao.
Miroso aminny latsabato miafina ny Filankevitra isakizay mitaky izany

p.45

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

ny ampahefatry ny mpikambana tonga mivory, na rehefa hanao fanendrena na


fisoloan-tena.
Aminio tarehin-javatra farany io, raha tsy nisy na dia kandid iray
aza nahazo ny antsasa-manilanny vato rehefa natao ny fihodinana indroa
miantoana taminny latsabato miafina, dia miroso aminny fihodinana fahatelo
ka izay mahazo vato be indrindra no lany. Raha mitovy ny isam-bato azo, dia ny
kandid be taona no lany.
And.90 Ny Filohanny Filankevitra, na raha tsy afaka izy, dia ny Filoha
Lefitra, no mitarika ny fivoriana.
Mandany ny fitsipika anatiny ny Filankevitra aminny alalanny fanapahana
ao anatinny telo andro aorianny nandraisany ny asany.
Ny fitsipika anatinny Filankevitra no mamaritra indrindra indrindra ireo
fombafomba fampiharana ny fanontaniana am-bava sy fanontaniana antsoratra ary ny fangataham-panazavana atao aminny rafitra mpanatanteraka.
And.91 Azonny daholobe atrehina ny fivorianny Filankevitra.
Na izany aza, azonny Filankevitra atao ny mandray fanapahan-kevitra
tsy azonny besinimaro atrehina araka ny tolo-kevitry ny Filohanny Filankevitra,
na noho ny fangatahanny Lehibenny mpanatanteraka, na ny ampahefatry ny
mpikambana tonga manatrika farafahakeliny.
And.92 Ny Filoha no miantoka ny filaminana aminny fivoriana ataonny
Filankevitra.
Azonny Filohanny Filankevitra atao ny mangataka ny mpitandro ny
filaminana izay mitoetra ao anatinny Vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana, raha toa ka ilaina izany.
And.93 Tsy maintsy atao peta-drindrina ao anatinny havaloana
ao aminny biraonny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny
fanapahana noraisinny Filankevitra, raha tsy izany tsy azo ampiharina aminny
hafa, ary tafiditra anatinizany ny antontan-taratasy mikasika ny tetibola.

Sokajy faha-2 : Ny fepetra mihatra aminny Filankevitra sy ny


mpikambana ao aminy
Art.94 Aorian ny Filohanny Filankevitra, ny filoha lefitra sy ny
mpampakateny, ireo mpikambana hafa ao aminny Filankevitra dia mandray ny
laharany araka ny sokajin-taonany.
Ny dika mitovy aminny laharanny fiamboniana dia apetraka eo aminny
biraonny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana voakasika, sy ny
biraonny Solontenam-panjakana mahefa ka azonny mpikambana tsirairay
fantarina.
Art.95 Ny mpikambana rehetra ao aminny Filankevitra izay tsy manoina

p.46

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

ny antso taminny fanaikna hivory in-telo misesy, kanefa tsy misy antony marimpototra na ara-dalna hitanny Filankevitra, dia esorina tsy ho mpikambana ao
aminny Filankevitra ho anny fotoam-piasany sisa tavela, rehefa avy nasaina
nitondra fanazavana.
Ireo tsy fahatongavana mivory dia amarinina aminny alalnny filazana
ao anatinny rejistra voatokana handraisana ireo fitanana an-tsoratry ny
Filankevitra.
Ny Filohanny Filankevitra no mampafantatra izany aminny Lehibenny
mpanatanteraka, ary ity farany no mandefa ny tatitra any aminny Solontenampanjakana mahefa, ka izy indray no mampakatra ny raharaha eny aminny
fitsarana mahefa miandraikitra ny ady aminny Fanjakana.
And.96 Alefa an-tsoratra any aminny Filoha ny fametraham-pialna
ataonny mpikambana ao aminny Filankevitra. Raha vantany vao maharay
fametraham-pialna ny Filohanny Filankevitra dia mampafantatra izany
ny Lehibenny mpanatanteraka ary ity farany no mitondra ny raharaha eo
anatrehanny Solontenam-panjakana mahefa.
Raikitra tanteraka ary tsy azo sintonina intsony ny fametraham-pialna
raha vantany vao voarainny Filohanny Filankevitra.
And.97 - Mandritra ny fotoam-pivorianny Filankevitra, ireo mpampiasa
any aminny sehatra tsy miankina dia tsy maintsy mamela malalaka ny mpiasa
ao aminy mpikambana aminny Filankevitra mba handray anjara aminny
fivorianny Filankevitra, rehefa avy naneho ny taratasy fiantsoana aminny
fomba ofisialy.
Mihatra aminny mpiasam-panjakana koa ireo fepetra voalaza ireo.
And.98 Tsy mihatra aminny mpikambana avy hatrany ao aminny
Filankevitra ireo fepetra voalazanny andininy faha-95 sy andininy faha-96 etsy
ambony.
And.99 Tsy azo atao mihoatra ny isanny mpikambana voafidy
ny isanny mpikambana avy hatrany ao aminny Filankevitra eny aminny
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana isanambaratongany.
Sokajy 3 : Ny aminny vaomiera
Art.100 Azonny Filankevitra atao ny manangana vaomiera, eo anivony,
mba handinika ireo raharaha mahakasika ny Vondrombahoaka aminny endriny
samihafa.
Mandritry ny fotoam-pivoriana, dia omanina eo anivonny vaomiera ny asa
sy ny adi-hevitra ataonny Filankevitra.
Fanapahana raisinny Filankevitra no ananganana ireo vaomiera ireo.
Tsy maintsy mikambana ao aminny vaomiera iray farafaharatsiny ny
mpanolotsaina tsirairay.

p.47

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

And.101 - Aminny fotoana hametrahana ny vaomiera no ifidiananireo


mpikambana ao aminy, ny Filoha iray, filoha lefitra iray ary mpampakateny iray.
Ny filohanny vaomiera no miandraikitra ny fiantsoana ny mpikambana ao
aminy.
And.102 Ny vaomiera no mandinika mialoha ireo raharaha ary mandroso
izany ao anivonny Filankevitra mba andraisana fanapahana ireo fanehoankevitra, ny tatitra, ary ny tolo-kevitra mahakasika izany.
And.103 Ireo vaomiera ihany koa no mandinika, araka izay tandrifimpahefana ananany, ny tolo- kevitra, ny tetikasa ary ny fitakiana nalefanireo
olom-pirenena any aminny Filankevitra izay mahakasika ny olana mifandraika
aminny tombontsoanny besinimaro.
And.104 Azo antsoina handray anjara aminny asa ataonny vaomiera
ny olona rehetra, raha ilaina, ka ho fakan-kevitra fotsiny ihany.
And.105 Ny fitsipika anatiny mifehy ny Filankevitra no mamaritra ny
karazam-baomiera tsirairay, ny isanny mpikambana ao aminy, ny fomba
fanendrena azy ireo ary koa ny fitsipika mikasika ny fomba fiasanny vaomiera.
Ny fitanana an-tsoratry ny vaomiera dia iantohana araka ny fepetra mitovy
aminny anny fotoam-pivoriana ataonny filan-kevitra voalazanny andininy
faha-82 etsy ambony.
And.106 Ampahafantarina
vondrombahoaka ao aminy.

ny

Filankevitra

ny

raharahanny

Sokajy faha-4 : Ny aminny fahabangan-toerana


And.107 Ireto avy ny antony mahatonga ny fahabangantoeranny
mpikambana ao aminny Filankevitra :

fototra ;

ny fahafatesana ;
ny tsy fahatongavana sy ny fandaozana toeram-piasana hita

ny fametram-pialana ;

ny fionganana ;

Na koa ireo antony hafa rehetra hita fototra.


And.108 Ny fametraham-pialanny mpikambana ao anatinny Filankevitra
dia alefa any aminny Filohanny Filankevitra, ary andefasana dika mitovy
ny Lehibenny mpanatanteraka sy ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana
aminny Fanjakana.
Ampitainny Lehibenny mpanatanteraka any aminny Solontenampanjakana mahefa any aminny faritra ny taratasy fametraham-pialanny
mpikambana ao aminny Filankevitra.

p.48

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

And.109 Ny antony mahatonga fiongananny mpikambana ao aminny


Filankevitra dia voafaritra ao aminny andininy faha-257 sy ny manaraka aminity
lalna ity.
And.110 Na inona na inona antonny fahabangan-toerana, ny
Solontenam-panjakana no mampakatra avy hatrany ny
raharaha eny
aminny fitsarana mahefa any aminny faritra misahana ny ady ifanaovana
aminny Fanjakana, ary izy indray avy eo no miroso aminny fanamarinana ny
fahabangan-toerana ary manendry ny olona manaraka anaty lisitra mba hisolo
ny toerany.
Ny fitsarana dia mampahafantatra ny fanapahana noraisiny mizaha
fototra ny fahabangan-toerana aminny Minisitra miandraikitra ny Atitany sy ny
Fitsinjaram-pahefana.
And.111 Raha toa ka lany daholo ny olona ao anaty lisitra, dia miroso
aminny fifidianana aminny ampahany izay tanterahina ao anatinny roapolo
amby zato (120) andro manomboka ny vaninandro namoahana ny didimpitsarana mikasika izany.
Na izany aza, ny fifidianana ampahany mba hanoloana ny mpikambana
ao aminny Filankevitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia
tsy afaka tanterahina raha tsy ny antsasa- manila farafahakeliny ny toerana
eo anivonizany filankevitra izany no banga.
Tsy misy fifidianana aminny ampahany azo atao intsony raha toa ka ao
anatinny efatra amby roapolo (24) volana mialoha ny fahataperanny fotoampiasana no misy fahabangan-toerana.
TOKO II : NY AMINNY RANTSANA MPANATANTERAKA
Sokajy voalohany : Ny aminny fandaminana sy ny fomba fiasa
And.112 Ny rantsana mpanatanteraka no misahana ny fanatanterahana
ny fanapahana ataonny Filankevitra.
Izany dia tarihinny Lehibeny voafidy aminny alalanny latsa-bato
andraisanny daholobe anjara, araka ny fepetra faritanny lalna, ary ahitana
ireo tomponandraikitry ny sampan-draharaham-panjakana natsangana sy
vatsianny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana vola izy tenany
ihany, na natolotry ny Fanjakana ho azy.
And.113 Ny rafi-pandaminana lasitra eo anivonny vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana isanambaratongany dia atovana aminity lalna ity.
Anaovana fanapahana raisinny Filankevitra ny rafi-pandaminana raikitra
ho anny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
And.114 Tendrena aminny alalanny didim-pitondrana ataonny
lehibenny mpanatanteraka ny mpikambana ao anatinny rantsana

p.49

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

mpanatanteraka, ka ny isany dia ferana arakaraky ny fahafaha-manao arabolanny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Atsahatra aminny
asany izy ireo araka izany fomba sy fepetra izany ihany koa.
Tsy azo ampirafesina aminny asanny mpanolo-tsainy ny andraikitra
maha mpikambana ao aminny rantsana mpanatanteraky ny vondrom-bahoaka
Itsinjaram-pahefana.
And.115 Tsy misy olona afaka ho mpikambana ao anatinny rantsana
mpanatanteraka mihoatra ny iray eny anivonny vondrombahoakam-paritra
itsinjaram-pahefana.
And.116 Tsy afaka misahana ny asa maha lefitry ny Lehibenny
mpanatanteraka, na dia vonjimaika fotsiny aza, eny anivonny vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana izay nampandraiketin-draharaha azy, ny mpandray
volanny fandraharahana ara-bola sy mpitan-kaonty voalohany ao aminny
tahirimbolam- panjakana.
Ny rantsana mpanatanteraka dia ahitana ny Lehibenny mpanatanteraka
sy ny na ireo lefiny. Ny Lehibenny mpanatanteraka, lehibenny fitantanandraharahanny vondrombahoaka misy azy, dia manana mpiasa misahana ny
fitantanan-draharaha sy ara-teknika tendrena aminny alalanny didy amampitsipika.
Ny mpitan-kaontim-panjakana voalohany eo aminny Kaominina
ambanivohitra tsy manana mpitan-kaontinny tahirimbolam-panjakana dia
tendrena aminny alalanny didim- pitondrana raisinny Minisitra miandraikitra
ny fitantanam-bola sy ny teti-bola araka ny tolo-kevitra nataonny Benny tanna
aorianny fanehoan-kevitra araka ny tokony ho izy nataonny Lehibenny Distrika
mahefa eo aminny faritra.
And. 117 Raha toa ka misy fifidianana vaovao Lehibenny mpanatanteraka
na inona na inona antony dia irosoana ny fanendrena vaovao ny mpikanbana
ao aminny rantsana mpanatanteraka.
And.118 Azonny Lehibenny mpanatanteraka atao ny mamindra
fahefana amin ny ampahany aminny asany aminny anjara andraikiny ho
anny mpiara-miasa aminy iray na maromaro, eo ambany fanaraha-masony sy
fiandraiketana ataony fiadidiany, aminny alalanny didim-pitondrana.
Mitoetra hatrany ireo famindrana fahefana ireo andraikitra ireo raha mbola
tsy nofoanana.
And.119 Raha misy fifanolanana ara-tombontsoa mampifanohitra ny
Lehibenny mpanatanteraka sy vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana,
dia ny Filohanny Filankevitra na ny solontenany notendrena avy aminny
mpikambana ao aminny Filankevitra no misolo tena ny vondrombahoakamparitra Itsinjaram-pahefana eny aminny fitsarana.
Raha misy fifanolanana ara-tombontsoa mampifanohitra ny Lehibenny
mpanatanteraka sy ny Filohanny Filankevitra na ny mpikambanny Filankevitra voatendry sy ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, dia ny
antsasa-manilanny mpikambana ao aminny mpanolo-tsaina no manendry iray

p.50

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

hafa aminny mpikambana iray hafa ao aminy hisolo tena ny vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana any aminny fifanarahana.
And.120 Raha toa ka mand na manao tandrevaka aminny fanaovana ny
iray aminireo raharaha nandidinny lalna azy ny Lehibenny mpanatanteraka,
indrindra fa ny mahakasika ny fahefana aminny fitandroana ny filaminana, dia
azonny Solontenapanjakana mahefa eo aminny faritra atao ny miroso avy
hatrany aminny fandraisana andraikitrizy tenany, rehefa avy nandidy izany
taminy fa tsy nahitam-bokatra.
And.121 Ny rantsana mpanatanteraka dia mivory araka ny finiavanny
Lehibeny isaky ny itakianny raharahanny vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana izany, sy aminny fotoana rehetra.
And.122 Ny Lehibenny mpanatanteraka, na raha misy ny tsy
fahafahany, dia ny lefiny voalohany, no mitarika ny fivoriana ataonny rantsana
mpanatanteraka.
Ny fivoriana dia afaka tanterahina ampahibemaso na koa tsy azo atrehinny
daholobe.
Azonny Lehibenny mpanatanteraka atao ny manasa olona hanatrika
ny fivorianny rantsana rafitra mpanatanteraka ny olona rehetra izay, noho
ny fahaiza-manao ananany, ka afaka mitondra fampahalalam-baovao ilaina
mikasika ireo raharaha voasoratra ao aminny laha-dinika.

Sokajy faha-2 : Ny aminny fahabangan-toerana


And.123 -Ny antony mahatonga ny fahabangantoeranny Lehibenny
mpanatanteraka indrindra indrindra dia:

ny fahafatesana ;

ny tsy fahatongavana sy ny fandaozana toeram-piasana hita


fototra ara-dalna ;

ny fametraham-pialana ;

ny fionganana ;

Na izay rehetra antony hafa mahatonga tsy fahafahana voamarina sy hita


fototra ara-dalna.
And.124 Zary fametraham-pialanny Lehibenny mpanatanteraka avy
hatrany ny tsy fahatongavana ao aminny toeram-piasana mitohitohy tsy misy
fiatoana mandritry ny enim-bolana, ary hitanny Solotenam-panjakana mahefa
eo an-toerana ara-dalna.
And.125 Ny fametraham-pialanny Lehibenny mpanatanteraka dia alefa
any aminny Solotenam- panjakana mahefa eo an-toerana, ary andefasana dika
mitovy any amin ny Filankevitra sy ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana

p.51

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

aminny Fanjakana.
And.126 Ny anton-javatra mahatonga ny fiongananny Lehibenny
mpanatanteraka dia voalaza voafaritry ny andininy faha-266 sy ny manaraka
aminity lalna ity.
And.127 Raha misy fahadisoana bevava eo aminny fitantanana, ny
Lehibenny rantsana mpanatanteraka, aorianny fihainoana na fampiantsoana
hanomezany fanazavana an- tsoratra momba ny toe-draharaha nitranga
iampangana azy, sy araka ny fanapahana ataonny Filankevitra, dia aato
aminny asany izy aminny alalanny didim-pitondrana raisinny Minisitra
miandraikitra ny Atitany, mandritra ny fotoana izay tsy mihoatra ny iray volana
ary azonny Praiminisitra halavaina ho telo volana.
Aminny trangan-javatra rehetra, tsy afaka aongana izy afa tsy aminny
alalanny didim-panjakana raisina eo aminny filan-kevitry ny Minisitra, aorianny
fanamelohana navoakanny fitsarana mahefa.
Ny didi-pitondrana fampiatoana sy ny didim-panjakana fanonganana dia
tsy maintsy omban antony. Ny fampakarana dia azonizay voakasika atao eo
anivonny Filankevi-panjakana folo andro aorianny fampahafantarana izany.
And.128 Na inona na inona antony nahatonga ny fahabangan-toerana,
ny Solotenam-panjakana no mampakatra avy hatrany eo anivonny fitsarana
mahefa misahana ny ady aminny Fanjakana eo an-toerana, izay no hiroso
aminny fizahana fototra ny fahabangan-toerana.
Ampahafantarinny fitsarana ny Minisitra miandraikitra ny Atitany sy ny
Fitsinjaram-pahefana ny fanapahana nahitana fototra ny fahabangan-toerana.
And.129 Irosoana ny fifidianana aminny ampahany ao anatinny roapolo
amby zato andro (120) manomboka aminny vaninandro namoahana ny didipitsarana mifandraika aminizany.
Tsy misy fifidianana aminny ampahany intsony raha toa ka ao anatinny
roa ambinny folo (12) volana mialoha ny fahataperanny fotoam-piasana no
misy fahabangan-toerana.
And.130 Mandra-pifidianana ny Lehibenny mpanatanteraka vaovao, dia
hirosoana ny fametrahana ny delegasionina manokana.
Ny delegasionina manokana dia misahana ireo anjara raharahanny
rantsana rafitra mpanatanteraka ny Vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana.
Aminny tranga rehetra, ny delegasionina manokana dia tsy afaka
misolo ny rantsana mpanapa-kevitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana izay manohy hatrany ny fisahanany ny asany .
Ny delegasionina manokana dia ahitana Filoha iray sy filoha lefitra roa izay
tendrena aminny alalanny didim-pitondrana raisinny Minisitra miandraikitra ny
Atitany.
Aminny tranga rehetra,

ny mpikambana ao aminny delegasionina

p.52

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

manokana dia tsy afaka mirotsaka ho fidina aminny fifidianana ho avy.


Faritanny didim-panjakana raisina eo aminny Filankevitry ny
Governemanta araka ny tolo-kevitry ny Minisitra miandraikitra ny Atitany ireo
fombafomba fiasanny delegasionina manokana.

LOHATENY IV : NY AMINNY ANDRAIKITRA SIVILINNY


VONDROMBAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA
And.131 Ny Fanjakana no tomponandraikitra aminny fanonerana ny
fahasimbana sy fahavoazana ateraky ny heloka bevava sy heloka tsotra natao
taminny fampiasan-kery ankarihary na taminny alalanny herisetra, teo aminny
faritra misy azy, noho ny fivorivoriana an-dalambe na famoriam-bahoaka mitampiadiana na tsia, na mihatra aminny olona na aminny fananam-panjakana na
anolon-tsotra. Ny fahefana dia miankina aminny fitsarana misahana ny ady
aminny Fanjakana no mahefa aminizany.
And.132 Azonny Fanjakana atao ny mitory indray ny vondrombahoakamparitra itsinjaram- pahefana voakasika mivantana raha toa ka marim-pototra ny
maha tomponandraikitra azy aminizany.
And.133 - Ny Fanjakana sy ny Vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana nambara fa tomponandraikitra dia afaka manao fitoriana aminireo
tomponantoka sy ny mpitsikombakomba aminny fandikan-dalna.
Art.134 Ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no
tomponandraikitra aminny fahavoazana nianjady taminireo mpikambana
ao aminny Filankevitra raha toa ka misy voina mianjady aminizy ireo noho
ny fotoam-pivorianny Filankevitra, na mandritra ny fanatanterahana ny iraka
manokana nampanaovinny Filankevitra.
And.135 - Ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no
tomponandraikitra aminny fahavoazana nianjady taminny Lehibenny
mpanatanteraka na ny mpikambana ao aminy noho ny voina nahazo azy ireo
teo am-panatontosana ny asany.
And.136 Ny fomba fampiharana ity lohateny ity dia faritana, raha ilaina,
aminny alalanny didy amam-pitsipika.

p.53

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

LOHATENY V : NY AMINNY TETIBOLA SY NY LOHARANOM-BOLANNY


VONDROMBAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA
And. 137 Ny teti-bola sy ny loharanom-bolanny Vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana dia fehezinity lohateny ity.
TOKO VOALOHANY : NY AMINNY TETIBOLA
Sokajy voalohany : Fepetra ankapobeny
And. 138 Ny tetibolanny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana
dia taratasin-draharaha amaritana sy anomezan-dlana ny fampidiram-bola sy
ny fandaniam-bola efainny vondrombahoaka isan-taona.
And.139 Ny tetibola dia atolotra
pandaharanasa.

aminny endrika tetibolam-

Tsy maintsy atao mifandanja ny sokajim-pampandehanan-draharaha sy


ny fampiasam-bola hamokarana ao aminny tetibola.
Hisy rijan-tenin-dalna
fampiharana ity andininy ity.

amam-pitsipika amerana ireo fombafomba

And.140 Ny tetibolanny Vondrombahoakam-paritra itsijaram-pahefana


tsirairay dia arafitra isan-taona, ho anny taom-pikatrohana iray, ary mirakitra
ireo tombatombana aminny fidiram-bola sy ny fandaniana ataonizany vondrombahoaka izany.
Ny tombatombana izay voarakitra ao anaty tahirin-kevitra tokana, dia tsy
maintsy atao aminny antsipiriany marina sy mifantoka aminny tena zava-misy.
And.141 Manomboka ny voalohanny volana janoary ary mifarana ny
iraika amby telopolo desambra ny taom-pikatrohana ny tetibola.
And.142 Ireo Lehibenny rantsana mpanatanteraka ao aminny
Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no mpanalalana voalohany any
eo anivonny vondrombahoakanizy ireo tsirairay avy.
Azony atao, aminny alalanny didim-pitondrana raisinny Faritany, Faritra,
Kaominina, ny mamindra ny fahefana aminio lafiny io aminny lefiny iray na
maromaro. Ireto farany ihany koa dia afaka mamindra, aminny alalanny
fanapahana, ny anjara raharahanizy ireo aminny maha mpanalalana azy ireo
aminny mpiasa nosafidiny aminireo tomponandraikitry ny sampandraharaha
eo ambany fahefany, sy izay mitondra ny anarana mpanalalana ambaratonga
faharoa.
Ny mpanalalana ambaratonga faharoa dia tsy maintsy mpiasampanjakana avy eny anivonny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana,
izay tsy misahana ny andraikitry ny mpitan-kaontim-panjakana ary manana ny
fahaiza-manao takinio asa io.

p.54

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

And.143 Ny fitantanam-bolanireo vondrombahoakam-paritra


itsinjaram-pahefana dia fehezinny fitondrana ny mpitan-kaontim-panjakana, ny
fampiraharaham-barotra aminny fanjakana ary koa ny lalna sy ny didy amandalna manan-kery mikasika ny fitanan-kaontinny fitaovana.
Ny fitondrana fitanan-kaontinny Kaominina ambanivohitra dia ferana
aminny alalnny didim-pitondrana raisinny Minisitra misahana ny fitantanambola sy tetibola.
And.144-Ny tetibolanny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana
dia tsy maintsy fidina amim-pandanjalanjana.
Na manao ahoana na manao ahoana, ny tetibolanny vondrombahoakamparitra itsinjaram- pahefana dia tsy tokony haneho fatiantoka na aminny tahirimbola na aminny fiandraiketana fandaniana.
And.145 Didim-pitondrana raisinny Minisitra misahana ny Fitatanambola sy ny tetibola no mamaritra ny fomba fanehoana sy fizaran-dohateninny
tetibolanireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
And.146 Ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia tsy
maintsy manana fandaharanasa momba ny fampiasam-bolam-panjakana
hamokarana maharitra ao anatinny telo taona izay ny Filankevitrizy ireo no
mandany azy, ary azo havaozina isan-taona mandritra ny fotoam-pivoriana
voalohany.
Sokajy 2 : Ny aminny fanomanana sy fandaniana ny tetibola
Art.147 Ny rantsana rafitra mpanatanteraka eny aminny
Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no manomana ny tetibolanny
vondrom-bahoaka isanisany ary manolotra izany eo anivonny Filankevitra
tsirairay avy.
Ny fanaovana ny fandaharanasa momba ny teti-bola dia tsy maintsy
ampiarahina aminny fanadihadiana ireo lanjam-bidy izay maneho ny mahamaripototra ny teti-bola sy ny fanatsarana araka ny tokony ho izy ny fisafidianana
ireo lanjam-bidy izay maneho ny mamarim-pototra ny tetibola sy ny fanatsarana
araka ny tokony ho izy ny fisafidianana ny fandaharanasa hampiharina
sokajinasa izay tsy maintsy atao tovana aminny tetibola.
And.148 Ny fampidirana mpiasa vaovao ataonny vondrombahoakamparitra itsinjaram- pahefana dia tsy maintsy voalaza sy voasoratra mialoha ao
anatinny teti-bola, ary manaja ny fombafomba arahina voafaritry ny lalna sy
didy amam-pitsipika.
Tsy azo atao ny mamorona sampan-draharaha na asa vaovao raha tsy efa
voatsinjo mialoha ao aminny teti-bola ny sora-bola ho anny sokajy mifanandrify
aminizany.
And.149 Ireo famindram-bola avy aminny fanolorana ataonny
Fanjakana ho anny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia tsy

p.55

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

maintsy ampidirinny rantsana rafitra mpanatanteraka ho isanny fandaniana


mikasika ny fampandehanan-draharaha sy fampiasam-bola hamokarana ao
aminny tetibola tamboalohany
Ny famindram-bola avy aminny fanolorana ataonny antokon-draharaha
iray ho anny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia mitazona ny
fanokanana azy raha toa ka misy izany.
Na manao ahoana na manao ahoana, ny fanampiana ara-bola natokana
aminny sokajy fampiasam-bola famokarana dia tsy afaka afindra na oviana na
oviana any aminny sokajy fampandehanan-draharaha.
Toy izany koa, ny ambim-bola tsy lany aminny sokajy fampiasam-bola
taminny tetibolanny taona teo aloha dia tsy azo afindra any aminny sokajy
fampandehanan-draharaha aminny tetibolanny taona iasana
Ny fanomezana vatsy dia miankina aminny fisianny fandaharanasa
momba ny fampiasam-bolam- panjakana araka ny tokony ho izy mikendry ny
tombontsoa eny ifotony. Izany dia tsy maintsy mihevitra ny fitsinjarana aradrariny sy mifandanja ireo loharanom-bola.
And.150 Izay rehetra tetikasa misoratra ao anatinny fanatanterahana
ny fandaharanasa ny fampiasam-bolam- panjakana eny anivonireo
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia tsy maintsy ampafantarina
mialoha ny Minisitra misahana ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny
Minisitra misahana Fitatanam-bola sy ny Tetibola ary ireo Minisitera misahana
ny sehatra voakasika arakaraka ny fandaharanasanny fampiasam-bolampanjakana.
Art.151 Ny Lehibenny mpanatanteraka no :

manomana sy manolotra ny volavolanny teti-bola eo aminny


Filankevitry ny vondrombahoaka;

manalalana ny fandaniana sy manome baiko ny


fanatanterahana ireo fampidiram-bola na dia eo aza ireo fepetra manokana
voalazanny Fehezan-dalna ankapobeny momba ny hetra mikasika ny vola
miditra avy aminny hetra ;

mitandro ny fanatanterahana ireo fandaharanasa momba ny


fampandrosoana izay vatsianny vondrombahoaka vola ara-bola na tanterahina
miaraka aminny fandraisany anjara ;

manendry ny mpiasa mifanaraka aminny rafi-pandaminanny


asa maharitra eny aminny Vondrombahoaka sy ny isa mifanaraka aminny
tetibola.
Art.152 - Ny Filankevitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana no manapaka mikasika ny teti-bola sy kaontim-pitantanan-draharaha
izay atolotry ny Lehibenny mpanatanteraka isan-taona.
Mihaino ny tatitra ataonny Lehibenny mpanatanteraka izy, ary mandinika
ny kaontim-pitantanana.

p.56

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Ny Filankevitra dia mandray fanapahana mikasika ny kaontim-pitantanana


narafitry ny Lehibenny mpanatanteraka farafahatarany telo volana aorianny
taona nampiasana ny tetibola.
And.153 Ny Filankevitra dia tsy afaka manova ireo tombatombana
aminny fidiram-bola nataonny mpanalalana.
Ny tolo-kevitra rehetra sy fanitsiana narosonny mpanolotsaina dia tsy
azo raisina raha toa ka mahatonga fihenanny loharanom-bola na fitomboanny
fandaniana, na famoronana fandaniana vaovao, raha tsy ampiarahina amina
tolo-kevitra fampitomboana loharanom-bola na fitsitsiana mifanaraka aminy.
And.154 Raha toa ka aminny fiafaranny fotoam-pivoriana, tsy mbola
nolanianny Filankevitra ny teti-bola na mbola tsy mifandanja araka ny tokony ho
izy ny vola miditra sy fandaniana, dia ny Solontenam-panjakana no mandrafitra
izany vonjimaika aminny alalanny fandraisana didi-pitondrana, ka ny fototra
iaingany aminizany dia ny volavolanny tetibola naroso teo aminny Filankevitra,
avy aminny fanapahana nataonny fitsarana mahefa aminny fitantanam-bola.
Aminizany, ny Solontenam-panjakana dia afaka manome alalana ny
fanalalnana ny fampidiram-bola sy fandaniam-bola ho anny karama ao
anatinny fetranny ampaha-roa ambiny folo aminny sora-bola voarakitra ao
anatinny tetibolanny taona teo aloha, mandritra ny telo volana farafahabetsany,
raha toa ka maharaka ny tahirim-bola.
Aorianizany dia antsoina hivory tsy ara-potoana mandritra ny dimy andro
ny Filankevitra. Raha tsy mandany ny tetibola aminny fiafaranio fotoampivoriana io izy dia ny mpanalalna no mandrafitra tanteraka izany tetibola
izany.
And.155 Mandritra ny taona diavina, azo atao ny manokatra sora-bola
fanampiny ao aminny tetibola fa tsy tokony hihoatra ny tena fitomboanny vola
niditra marina aminizany taom- pitantanana izany.
And.156 - Ny Lehibenny mpanatanteraka no manomana ireo volavolana
fanapahan-kevitra mikasika ireo sora-bola fanampiny izay haroso ho tapahinny
Filankevitra, ary ampiarahina aminny fafana izay ahitana :
1. ny vinavinanny vola miditra isan-tsokajy ;
2. ny zo hita fototra avy aminny sokajy tsirairay ;
3. Ny zava-misy mikasika ny tahirim-bola.
And.157 Ny teti-bola voafidy sy ny kaontim-pitantanana nankatoavina
dia tsy maintsy alefa any aminny Solontenam-panjakana hanaovana fanarahamaso ny fanarahan-dalna, aorinanny fakan-kevitra mialoha ny Fanaraha-maso
ny fitatanam-bola ho anny Faritany, ny Faritra, ary ny kaominina ambonivohitra.
And.158 Ny tetibola voafidy sy ireo fampiasana ny loharanom-bolanny
vondrombahoakam- paritra itsinjaram-pahefana nandritra ny fotoana niasana
dia tsy maintsy hampafantarina ny vahoaka aminny alalanny peta-drindrina na
ny fomba hafa rehetra izay ataonny Lehibenny mpanatanteraka.

p.57

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Art. 159 - Na eo aza ny mampanan-kery avy hatrany ny sora-draharahanny


vondrombahoakam- paritra itsinjaram-pahefana, ny tetibolany sy ny soradraharaha ary ny fanapahana izay manana fiatraikany ara-bola kosa dia tsy
azo ampiharina raha tsy aorinanny nandefasana azy any aminny Solontenampanjakana mahefa mba anaovana ny fanaraha-maso ny fanarahan-dalna,
rehefa avy nakan-kevitra mialoha taminny Fanaraha-maso ny fitatanam-bola
ho anny Faritany, ny Faritra ary ny Kaominina ambonivohitra.
And.160 Ny olom-pirenena rehetra eo anivonny Vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana dia manan-jo hijery ny antsipirianny tetibolanny
vondrombahoaka voakasika.
Sokajy faha-3 : Ny aminny fanatanterahana ny tetibola
And.161 Ireo sora-bola fanampiny sy fanomezan-dalana aminny
fidiram-bola mifandanja aminizany dia tsy maintsy mifanaraka aminireo fepetra
voalazanny andininy faha-155 sy faha- 164 aminity lohateny ity.
And.162 Mandritra ny taona, ireo fanokafana sy fanovana ny fampiasambola dia tsy azo atao raha tsy misy ny sora-bola mifanandrify aminizany.
Ny fanokafana sy fanovana fampiasam-bola dia tsy tokony hisy, eny na
dia aminny fampidirana mpiasa aza, raha mety mahatonga fihoaranny sorabola efa nosokafana mialoha izany.
And.163 Aminny alalanny didim-pitondrana, aorianny fanapahana
raisinny Filankevitra, ny Lehibenny mpanatanteraka dia afaka :
1. manaiky ireo vola fanampiana avy eto an-toerana na ivelanny Firenena
sy manokatra ny sora-bola mifanaraka aminizany ao aminny tetibola eo
andalam-panatanterahana.
2. miroso aminny famindrana ny sora-bola eo aminny samy fandaharanasa
ka izany dia tsy mihoatra ny ampahafolonny sora-bola voasoratra ao aminny
tetibola ho anilay fandaharanasa androtsahana izany.
3. Miroso aminny famindrana ireo sora-bolam-panefana efa nosokafana
ho aminny asa fampiasana ho zary renivolanizany.
Ireo fomba fampiharana ity andininy ity dia ho faritana aminny alalanny
didy amam-pitsipika.
And. 164 - Aminny alalanny didim-pitondrana atao aorinanny fanapahana
raisinny Filankevitra, ny Lehibenny mpanatanteraka, dia tsy maintsy :
1. manitsy ireo fanomezandalana ny fanadaharanasa hotanterahina raha
tahiny misy fandaniana mihotra ny sora-bola vokatry ny fanovana ara-teknika
na fampiharana ny lasitra fanao aminny famerenana ny fandinihana ny vidinjavatra.
2. manova ao anatinny faritry ny fanomezan-dalana ny fandaharanasa
hotanterahina ny fitsinjarana ny sora-bolam-panefana nosokafana momba ny

p.58

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

fampiasam-bola hamokarana.
3. manafoana ireo sora-bola izay zary lasa tsy misy zava-kendrena aminy.
4. mandrafitra indray ho aminny fandaniana fanao momba ny karama,
ny sora-bola mifanandrify aminny vola nomena horaisinireo mpiasanireo
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana tsy ara-drariny.
And.165 Ny vola miditra dia raisina ho anny tetibola aminny taona izay
nandritra izany no nampidiranny mpitan-kaontim-panjakana azy.
Ny vola nivoaka dia raisina ho anny tetibola aminny taona izay nandritra
izany no nanamarinanny mpintan-kaonty mpanao sonia.
Art. 166 Ireo fandaniam-bola tsy maintsy atao dia tsy maintsy
anaovana fanoratana ny sora-bola ampy tsara mba ho enti-miatrika, na ny
fampandehanana ireo sampan-draharaha, na ny fanantotosana ireo adidy
amam-bola izay ampiharana azy.
Araka ny fepetra voasoritra etsy ambony, dia fandaniam-bola tsy maintsy
atao ireto manaraka ireto :
1. Ny trosa azo takiana sy ny fanentsenana ny fantiantoka teo aloha ;
2. Ny karamanny mpiasa ;
3. Ny fandraisana anjara aminireo vola mivoaka aminny kitapom-bola sy
aminny sata mifehy ny fisotron-dronono izay maha-mpikambana ilay mpiasa
mandray karama avy aminireo tetibolanireo vondrom-bahoaka ;
4. Ny fandaniana mikasika ny fampiasana rano sy jiro ary ny paositra sy
fifandraisandavitra;
5. Ny anjara biriky sy ny fandraisana anjara ara-bola voadidinny lalna
hoefaina na ny fandraiketana fandaniana momba ny fifanekena natao, indrindra
avy aminny fifanarahana mikasika ny fanampiana ara-teknika sy ara-pitondrana
na ara-bola ;
6. Izay fandaniam-bola rehetra voatondro mazava tsara araka ny fepetra
voalazanny lalna na ny fitsipika manankery izay mananendrika tsy maintsy
atao.
Ny fanatanterahana ireo fandaniana dia tsy maintsy manaraka ireo fitsipika
mikasika ny fitnankaontim-bolam-panjakana.
And.167 Ny fisamboram-bola na ny vatsim-bola dia tapahinny
filankevitra araka ny fara-fetra ambony indrindra mikasika ny sora-panekena
momba ny fitantanam-bola izay hita ao aminireo vinavina tetibola aminny
taona itsahana sy ny kaonti-mpitantananan ny taona teo aloha.
Aorinanny fanapahana noraisinny Filankevitra, ny fisamboram-bola
dia tsy maintsy amarininny Solontenam-panjakana izay mangataka mialoha
ny hevitry ny Minisitra miandraikitra ny fitantanam-bola na ny solontenany. Io
hevitra io dia tsy maintsy omena ao anatinny fe-potoana telopolo (30) andro
aorinanny nandraisana ny antontan-taratasy feno. Ny Minisitra miandraikitra ny
fitantanam-bola dia tsy maintsy manolotra ny antontan-taratasy mba hodinihina

p.59

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

ao aminny Filankevitry ny Governemanta ho anny fisamboram-bola tsy


niharanny fankatoavana.
Ny fafana momba ny fanavotam-bidinny fisamboram-bola sy ny vatsimbola nifanekena dia atovana ireo volavola-na tetibola sy ny kaontim-pitantanana.
Ireo findramam-bola sy vatsim-bola izay nataonny vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana ary koa ny fombafomba fanavotam-bidy sy
fanonerana azy ireny dia tapahinny Filankevitra araka izay farany azo atao
aminny fanefana ireo vola sisa avy aminny tetibolanny vondrombahoaka
voakasika.
Ny
vondrombahoakam-paritra
itsinjaram-pahefana
dia
afaka
mifampiraharaha aminireo tsenambola eto aminny firenena sy iraisampirenena, ny aminny filna famatsiam-bola ireo tetikasa fampiasambolampamokarana.
Ny fifanarahana rehetra nanaovanny vondrombahoakam-paritra
itsinjaram-pahefana tonom-boala aminizany dia tsy maintsy tapahanny
rantsana mpanapa-kevitra, hamarininny aminny Solontenampanjakana
Mahefa eo an-toerana, aorianny fanehoan-kevitra mialoha taminny mpanaramaso ny fitantanam-bola ary ankatoavina aminny alalanny didim-panjakana
raisina eo aminny Filankevitry ny Governemanta, avy aminny tatitra ataonny
Minisitra miandraikitra ny fitatanam-bola sy ny tetibola ho aminny mari-bola
mihoatra ny zato tapitrisa Ariary.
And.168 Ny findramam-bola sy vatsim-bola dia tsy azo ekena na aminny
fomba ahoana na aminny fomba ahoana, raha tsy ao aorianny fanoratana ao
aminny tetibola ireo sora-bola mifanandrify aminizany.
Ny fombafomba fanomezana sy fanonerana ny fampindramam-bola
sy ny vatsim-bola dia faritanny fifanarahana izay nankatoavina aminny
alalanny didim-pitondrana nataonny Minisitra miandraikitra ny fitatanam-bola
rehefa notapahinny rantsana mpanapa-kevitra, nohamarininny Solontenampanjakana mahefa eo an-toerana, aorianny fanehoan-kevitra mialoha ataonny
mpanara-maso ny fitantanam-bola.
And.169 Ny fisoloana vaika dia tsy azo ekena, na aminny fomba ahoana
na aminny fomba ahoana, raha tsy ao aorianny fanoratana ao aminny tetibola
ireo sora-bola mifanandrify aminny fanentsenana ireo fahavoazana mety hanjo.
Ny fombafomba fanomezana fisoloana vaika dia faritanny fifanarahana
nankatoavina aminny alalanny didim-pitondrana nataonny Minisitra
miandraikitra ny fitantanam-bola rehefa notapahanny rantsana mpanapakevitra, nohamarininny Solontenampanjakana mahefa eo an-toerana, ao
aorinanny fanehoan-kevitra mialoha ataonny mpanara-maso ny fitantanambola.
And.170 - Ny kaontim-pitantanana no izahana fototra ireo vokatra
avy aminny fanatanterahana ny tetibola sy ny kaontinny vola kirakirainny
Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ary ankatoavana ny elanelana
eo aminny fanantanterahana andaniny sy ny vinavina nasiampanitsiana

p.60

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

aminny tetibola ampiasaina aminny taona ankilany.


Ny volavola-na kaontim-pitantanana dia aroso hankatoavinny Filankevitra
aminny fiandohanny fotoam-pivoriana voalohany manaraka ny taona
nanatanterahana ny tetibola.
Atao tovana aminio volavola io :
1. ny fanambarana ankapobe mikasika ny fifanarahanireo fitnankaontinisam-batanolona sy ny fitanan-kaontinny mpanalalana ;
2. ny kaontinny fitaovana fananana taminny taom-piasana ara-tetibola
teo aloha.
And.171 Ankatoavana aminny alalanny Fanapahana ataonny
Filankevitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny kaontimpitantanana farafahantarany ao anatinny telo volana voalohany ny taona
manaraka.
And.172 Aorianny fanapahana, dia alefa any aminny solontenampanjakana ny kaontimpitantanana sy ny volavolan tetibola hanaovana
fanaraha-maso raha mifanaraka aminny lalna.
Rehefa vita izany fombafomba izany, ny dika mitovy aminireo tahirin-kevitra
ireo dia tsy maintsy alefa any aminny Minisitra miandraikitra ny fitantanam-bola
sy ny tetibola, sy ny Minisitra miandraikitra ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana
ao anatinny fe-potoana telopolo (30) andro ho fampafantarana.
And.173 Ny olom-pirenena rehetra ao aminny vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana dia manana zo hangataka ny fampahafantarana
ny kaontim-pitantanana ny vondrombahoaka voakasika, ka izy no miantoka ny
lany aminizany.
And.174 Ny fombafomba fanokafana sy fiasanireo fitondran-draharaha
momba ny vatsim-bola sy ny famoriam-bola eo anivonny vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana dia tsy maintsy manaraka ireo fepetra voalazanny
rijan-teny manan-kery mikasika ny fitondran-draharaha momba ny vatsim-bola
sy ny famoriam-bola ny antokon-draharaham-panjakana.
Sokajy 4 : Ny aminny fanaraha-maso
And.175 Ny Fisafoana ankapobeny ny raharaham-panjakana dia
manana fahefana hanao fisafoana sy fanaraha-maso aminireo mpanalalana
sy ireo mpitn-kaontim-panjakana eny anivonny vondrombahoakam-paritra
itsinjaram-pahefana.
Ny fanatanterahana ireo fisafoana sy fanaraha-maso ireo dia tsy manakana
ireo izay ataonny mpanalalana sy mpitn-kaontim-panjakana ary ireo firaisandraharaha hafa na antokon-draharaha misahana fisafoana atao aminizy ireo.
And.176 Ny kaontinireo mpitn-kaontim-panjakana eny anivonny

p.61

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana dia tsaraina eny aminny


Fitsarana momba ny fitantanam-bola.
And.177 Ny fitsarana momba ny fitatanam-bola dia afaka manome ny
mpitn-kaontim-panjakana ny fanajana arakaraka aminny fitatanana ataony.
And.178 Andraikitry ireo rantsa-mangaikanny Fanaraha-maso ny
fitatanam-bola no manao fanamarinana sy fanaraha-maso, eny anivonny
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ny fomba arahina aminny
fanatanterahana sy ny fampivaingana ny fandanina, ka ny fombafomba
anaovana izany dia faritanny didy amam-pitsipika.
And.179 Anjaranny Manam-pahefana momba ny fandrindrana ny
fifampiraharaham-barotra aminny fanjakana no misahana ny fanaraha-maso
mikasika ny fandraiketana ny fifampiraharaham-barotra aminny fanjakana.
TOKO II : NY AMINNY LOHARANOM-BOLANNY
VONDROMBAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA
Sokajy voalohany : Fepetra ankapobe
And. 180 Araka ny fepetra voalazanny andininy faha-147 aminny
Lalmpanorenana,
ny
loharanom-bolanny
vondrombahoakam-paritra
itsinjaram-pahefana dia ahitana :
1. ny vola azo avy aminny hetra sy haba nolanianny Filankevitra ary
takiana mivantana harotsaka aminny tetibolanny vondrombahoakam-paritra
itsinjaram-pahefana ; ny lalna no mamaritra ny karazana sy ny sanda ambony
indrindra aminireny hetra sy haba ireny izay hijerena indrindra ny andraikitra
iantsorohanny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy ny loloha
ara-ketra ankapobe mitambesatra aminny Firenena ;
2. ny anjara tokony ho azy avy hatrany aminny vola azo avy aminny
hetra sy haba miditra ao aminny tetibolanny fanjakana ; izany anjara izany
izay sintonina avy hatrany aminny fotoana hamoriana vola dia faritanny lalna
araka ny isan-jato izay ijerena ny andraikitra sahaninny vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana aminny ankapobeny sy isam-batanolona, mba
hiantohana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy mifandanja eo
aminireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana rehetra manerana ny
tanim-pirenena ;
3. ny vola vokatry ny fanampiana avy aminny fanjakana voatokana na
tsia ho aminny asa, ary nomena avy aminny teti-bola-panjakana ho anny
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana rehetra na ny iray aminizy
ireo ka atao mifandanja aminny toe-javatra manokana misy eo aminy, na
hamenoanireo vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana, araky
ny
fandaharanasa na tetikasa notapahanny Fanjakana ary tanterahinireo
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ;

p.62

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

4. ny vola azo avy aminny fanampiana avy any ivelany ka tsy averina sy
ny vola azo avy aminny fanomezana nomena ny vondrombahoakam-paritra
itsinjaram-pahefana ;
5. Ny vola miditra avy aminny fananany manokana;
6. ny fisamboram-bola izay ferana araka ny lalna ny fepetra ny fahazoana
izany.
And.181 - Ny loharanom-bola manokanny vondrombahoakam-paritra
itsinjaram-pahefana dia :
1. ny loharanom-bola avy aminny hetra;
2. ny loharanom-bola tsy avy aminny hetra;
3. ny loharanom-bola avy aminireo tanim-panjakana tsy azo amidy na
azo amidy.
And.182 - Ny loharanom-bola hafa ho anny vondrombahoakam-paritra
itsinjaram-pahefana dia ahitana ny vola miditra tsy avy aminny hetra eo antoerana, indrindra indrindra :
1. ny vola miditra avy aminny asa aman-draharaha ara-toekarena
sahaniny ;
2. ny tolotra sy fanomezana ;
3. ny findramam-bola ;
4. ny vola miditra avy aminny fananany ;
5. ny vola azo avy aminny fampiasana ireo sampandraharaha eo antoerana.
Sokajy 2 : Ny aminny loharanom-bola avy aminny hetra
Zana-tsokajy voalohany : Fepetra ankapobeny
And.183 - Ny loharanombolanny vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana azo avy aminny hetra dia ahitana ny hetra eo an-toerana voalazanny
Fehezan-dalna ankapobeny momba ny hetra.
Heverina ho toy ny loharanom-bola avy aminny hetra, ary tsy azo foronina
noho izany, raha tsy aminny alalanny lalna mifehy ny fitantanam-bolampanjakana, ireo fakam-bola tsy maintsy atao, ny sara ary haba izay tsy misy
setriny mivantana aminny tsirairay.
And.184 Ny vola miditra avy aminny hetra ho anny vondrombahoakamparitra itsinjarampahefana dia ahitana ny vokatry ny hetra mivantana, ny sara
ary ny haba toy izao manaraka izao :
1. ny hetra momba ny fahazoan-dlana hivarotra zava-pisotro mahamamo
sy misy alikaola ;

p.63

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

2. ny hetra momba ny fahazoan-dalana hanao varo-mandeha mikasika


ny zava-pisotro mahamamo sy misy alikaola ;
3.
ny hetra momba ny fahazoan-dlana mikasika ny fipetrahana
vonjimaika, araka ny tonontaona sy noho ny antony manokana ;
4. ny hetra momba ny fahazoan-dlana aminny asa tsy maharitra, noho
ny antony manokana sy/na araka ny tonontaona;
5. ny hetra momba ny fahazoan-dalana mikasika ny aminny toerampilanonana aminny alina ;
6. ny hetra momba ny fahazoan-dlana hikarakara tombola sy loteria ;
7. ny hetra momba ny fazahoan-dalana ny fampiasana billards sy
mitovitovy aminy, ny fitaovana fandefasana horonan-tsary sy baby-foot
itadiavam-bola ;
8. ny hetra tambatra ;
9. ny hetran-tany ;
10. ny hetran-trano ;
11. ny vola fandoa mikasika ny akoranafo ;
12. ny sara aminny fitantanana ny harena an-kibonny tany ;
13. ny tamberim-bidy aminny harena an-kibonny tany ;
14. ny haba mikasika ny fiarovana ny olona ;
15. ny haba-ponenana ho anny fampandrosoana ;
16 ny haba momba ny fivahinianana ;
17. ny haba alaina aminny rano mineraly ;
18. ny haba alaina aminny fanaovana dokam-barotra ;
19. ny haba alaina aminny rano sy/na herinaratra ;
20. ny haba alaina aminny fety, lanonana ary fihetsiketsehana samihafa ;
21. ny haba momba ny fanangnana tsangam-by goavana, tariby
mpandray na mpandefa onjam-peo sy onjan-tsary, mpanelanelana fitaovampifandraisana na taho ;
22. ny haba mikasika ny lalao atao aminny haino aman-jery.
And.185 Ny lalna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana, fenoinireo
rijan-tenin-dalna amam-pitsipika, raha ilaina, no mamaritra ny karazana, ny
fototra hamerana sy ny famoriana, ny taha ary ny fandaminana eo aminny
lafiny fitantanana ireo hetra sy haba ireo.

p.64

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Zana-tsokajy 2 : Ny aminny hetra


Paragrafy voalohany : Ny aminny hetra momba ny fahazoan-dalana
Zana-paragrafy voalohany : Ny aminny hetra momba ny fahazoandlana hivarotra zava-pisotro mahamamo sy misy alikaola
And.186 Ny vokatra azo avy aminny hetra momba ny fahazoandlana hivarotra zava-pisotro mahamamo sy misy alikola, hetra voalaza ao
aminny Fehezan-dalna ankapobeny momba ny hetra, dia raisina ho anny
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
izao:

Ny hetra momba ny fahazoan-dalana dia mitsinjara toy izao manaraka

60% ho anny Kaominina ;

20% ho anny Faritra ;

20% ho anny Faritany.

And.187 Ny lazam-bidy isan-taona aminny hetra momba ny fahazoandalana hivarotra zavapisotro mahamamo sy misy alikaola dia faritana aminny
fanapahana ataonny Filankevitra monisipaly na kaominaly, arakaraky ny
sokajin fahazoan-dlana, ao anatinny fara-fetra faritanny fepetra voalazanny
lalna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana.
Zana-paragrafy 2 : Ny aminny fahazoan-dalana hanao varo-mandeha
mikasika ny zava-pisotro mahamamo sy misy alikaola
And.188 Tokony ho voalazanny lalna mifehy ny fitantanam-bolampanjakana ny lazam-bidinny hetra momba ny fahazoan-dlana hanao varomandeha, ka ny vola azo dia atokana manontolo ho anny tetibolanny Kaominina
misy ny toerana iasany.
Zana-paragrafy 3 : Ny aminny fipetrahana tsy maharitra, araka ny
tonontaona sy noho ny antony manokana
And.189 Ny mpandray anjara aminny tsenabe, fampirantiana, varoboba
ankalamanjana ary ireo lanonana maro samihafa ara-barotra na itadiavam-bola
dia iharanny hetra momba ny fahazoan-dalana hipetraka tsy maharitra, araka
ny tonontaona sy noho ny antony manokana, ka ny vokatrizany dia omena
manontolo ho anny Kaominina misy ny toerana iasany.
Ny Filankevitry ny Kaominina no mamaritra isan-taona ny lazam-bidinio

p.65

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

hetra io aminny alalanny fanapahana atao, araka ny fepetra voalazanny lalna


mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana.
Zana-paragrafy 4 : Ny aminny asa aman-draharaha tsy maharitra, araka
ny tonontaona sy noho ny antony manokana
And.190 Ny fikambanana na vatan-tenanolona misahana fanangonambokatra eo an-toerana na varo-mandeha fanao mahazatra, vonjimaika, noho
ny antony manokana na araka ny tonontaona dia iharanny hetra momba ny
fahazoan-dalana mikasika ny asa aman-draharaha tsy maharitra, noho ny
antony manokana sy/na araka ny tonontaona, ka ny vokatrizany dia omena
manontolo ny Faritra anaovany ny asany.
Ny lazam-bidy aminio hetra io dia ferana isan-taona aminny alalanny
fanapahana ataonny Filankevitry ny Faritra araka ny fepetra volaza ao aminny
lalna mifehy ny fitantanam-bolampanjakana.
Zana-paragrafy 5 : Ny aminny toeram-pilanonana aminny alina
And.191 Ireo mpitrandraka tranon-danonana aminny alina, kabare
fandihizana, karaoke ary ireo asa hafa mitovitovy aminizany manana fahazoandlana ara-dalna dia terena handoa hetra momba ny fahazoan-dalana
mikasika ny trano filanonana aminny alina, ka ny vokatrizany dia omena ny
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izany hoe :

50% ho anny Kaominina ;

30% ho anny Faritra ;

20% ho anny Faritany.

Ny lazam-bidy dia ferana isan-taona aminny alalanny fanapahana


ataonny filankeviparitany araka ny fepetra voalazanny lalna mifehy ny
fitantanambolam-bolam-panjakana.
Zana-paragrafy 6 : Ny aminny fikarakarana tombola sy loteria
And.192 Ny asa rehetra omena ny vahoaka ka miteraka fanantenana
ahazoana tombon-tsoa ara-pitaovana na arabola izay azo aminny alalanny
vintana dia iharanny hetra momba ny fahazoan-dlana mikasika ny tombola
sy loteria izay aloa ho anny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana,
ka ny lazam-bidy sy ny fanokanana ny vokatrizany dia miovaova araka ny
halehibenny lalao sy ny faharetanny raharaha.
Ny lazam-bidy dia ferana isan-taona aminny alalanny fanapahana
ataonny Filankevitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana mahazo
tombon-tsoa, araka ny fepetra voalazanny lalna mifehy ny fitantanambolam-

p.66

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

bolam-panjakana.
Zana-paragrafy 7 : Ny aminny fitrandrahana billards sy ny mitovitovy
aminy, ny fitaovana fandefasana horonan-tsary ary ny baby-foot
And.193 Ny vatantenanolona na ny fikambanana rehetra mitrandraka
billards sy izay mitovitovy aminy, ny fitaovana fandefasana horonan-tsary ary
baby-foot aminny toerana misokatra ho anny daholobe, na dia kely velarana
aza, natao itadiavam-bola dia terena handoa hetra momba ny fahazoandalana
mikasika ny billards sy izay mitovitovy aminy, ny fitaovana fandefasana
horonan-tsary sy baby-foot alaina ho anny Kaominina ampiasana ny
fitaovana.
Ny lazam-bidy dia ferana isan-taona aminny alalanny fanapahana
ataonny Filankevitry ny Kaominina, araka ny fepetra voalazanny lalna mifehy
ny fitantanambolam-bolam-panjakana.
Paragrafy 2 : Ny aminny hetra tambatra
And.194 Toy izao manaraka izao ny fitsinjarana ny vokatra azo avy
aminny hetra tambatra izay voalazanny Fehezan-dalna ankapobe momba ny
Hetra tokony ho anny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana :

50% ho anny tetibolanny Kaominina ;

30% ho anny tetibolanny Faritra ;

10% ho anny tetibolanny Faritany ;

10% ho anny Tahirim-pirenena fiaraha-mizaka.

Paragrafy 3 : Ny aminny hetra tsinjaraina eo aminny Fanjakana sy ny


vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana
Zana-paragrafy voalohany : Ny aminny vola fandoa mikasika ny
akoranafo
And.195 Toy izao manaraka izao ny fitsinjarana ny vokatry ny vola
fandoa mikasika ny akoranafo, tokony ho anny vondrombahoakam-paritra
itsinjaram-pahefana araka ny voalazanny Fehezan-dalna ankapobe momba
ny Hetra ao aminny andininy 01.01.30 :

20% ho anny Tahirim-pirenena fiaraha-mizaka ;

40% ho anny tetibolanny Kaominina ;

30% ho anny tetibolanny Faritra ;

p.67

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

10% ho anny tetibolanny Faritany.

Zana-paragrafy 2 : Ny aminny sara aminny fitantanana ny harena ankibonny tany


And.196 Toy izao manaraka izao ny fitsinjarana ny vokatra aminny
sara fitantanana ny harena ankibonny tany izay voalazanny Fehezan-dalna
ankapobe momba ny Hetra ho anny vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana :

50% ho anny tetibolanny Kaominina ;

30% ho anny tetibolanny Faritra ;

20% ho anny tetibolanny Faritany.

Zana-paragrafy 3 : Ny aminny vola fandoa aminny harena an-kibonny


tany sy ny tamberim-bidy
And.197 Toy izao manaraka izao ny fitsinjarana ny vokatry ny tamberimbidy aminny taha 1,4% alaina, voalazanny Fehezan-dalna momba ny harena
an-kibonny tany :

10% ho anny Tahirim-pirenena fiaraha-mizaka ;

ary ny ambiny kosa ho anny vondrombahoakam-paritra


itsinjaram-pahefana, ka :
* 60% ho anny Kaominina ;
* 30% ho anny Faritra ;
* 10% ho anny Faritany.
Paragrafy 4 Haba halaina aminny fiarovana ny olona
And.198 - Ny fananana alika na biby hafa azo ompiana mety hampididoza, ary koa ny fitazonana fitaovam-piadiana tsotra dia hakana haba momba
ny fiarovana ny olona ho anny Kaominina.
Ny lazam-bidinio hetra io dia ferana isan-taona aminny alalanny
fanapahana ataonny Filankevitry ny Kaominina, araka ny fepetra voalazanny
lalna mifehy ny fitantanambolam-bolam-panjakana.
Paragrafy 5 : Habam-ponenana ho anny fampandrosoana
And.199 Ny vahiny rehetra monina ao aminny Kaominina dia terena

p.68

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

handoa habam-ponenana ho anny fampandrosoana izay omena ny kaominina,


mba hamatsiam-bola ny asa fampandrosoana eny anivonny Fokontany.
Ny lazam-bidy dia miankina aminny taona, ny fahafaha-mandray anjara,
ny toetoetra ara-pianakaviana ary ny toe-batana dia ferana isan-taona aminny
alalanny fanapahana ataonny Filankevitry ny Kaominina, araka ny fepetra
voalazanny lalna mifehy ny fitantanambolam-bolampanjakana.
Paragrafy 6 : Haba momba ny fivahinianana
And. 200 - Ireo rehetra mitrandraka trano fandraisam-bahiny, efitrano ahofa
ho anny vahiny, trano fivahinianam-pianakaviana sy toerana fampiantranoana
sy fandraisanolona hafa, ka andoavam-bola isan-kalina ny fipetrahana ao dia
iharanny haba momba ny fivahinianana izay omena ny Kaominina, ny Faritra
ary Faritany arakaraka ny sokajinizany trano fivahinianana izany toy izao
manaraka izao :
Sokajinny trano
fivahinianana
Trano fandraisambahiny sy toerana
fampiantranoana
kintana telo sy izay
rehetra ambaninizany
Trano fandraisambahiny sy toerana
fampiantranoana
kintana efatra no
mihoatra

Fitsinjarana

Mpahazo tombontsoa

100%

Kaominina

50% avy ho anny


Faritany sy ny Faritra

Faritany sy Faritra

Ny lazam-bidinny haba dia feranny Filankevitry ny vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana voakasika isan-taona, araka ny fepetra voalazanny
lalna mifehy ny fitantanambolam-bolam-panjakana.
Paragrafy 7 : Haba alaina aminny rano mineraly
And. 201 Ny Kaominina eo aminny toerana izay misy loharano mineraly
dia mahazo haba aminny rano mineraly na misy entona amboarina avy aminny
fitrandrahana ireny loharano ireny.
Ny lazam-bidinny haba dia feranny rantsana mpanapa-kevitry ny
Kaominina isan-taona, araka ny fepetra voalazanny lalna mifehy ny
fitantanambolam-bolam-panjakana.

p.69

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Paragrafy 8 : Haba alaina aminny dokam-barotra


Zana-paragrafy voalohany : Dokam-barotra aminny alalanny petadrindrina, takelaka asiana dokam-barotra, soratra sy marika misy
hazavana na aminny tohana mandehadeha
And. 202 - Ny endrika dokam-barotra rehetra miendrika ara-barotra
natao na aminny allanny peta-drindrina,na takelaka asiana dokambarotra,
na soratra sy marika misy hazavana, mipetaka aminny tohana raikitra na
eny aminny fiarakodia, soratra ambony lamba, faneva, balnina, zavatra
mitsingevana baikona ary tohana hafa tsy voalazanity zana-tsokajy ity ao
anatinny farafetranny lafintany anny Kaominina dia iharanny haba mikasika
ny dokam-barotra alaina ho anny tetibolanny Kaominina.
Ny lazam-bidinny haba dia feranny Filankevitry ny Kaominina isan-taona
araka ny fepetra voalazanny lalna mifehy ny fitantanambolam-panjakana.
Zana-paragrafy 2 : Dokam-barotra aminny haino aman-jery
And.203 - Ny endrika dokam-barotra rehetra atao aminny alalanny
haino aman-jery na gazety an-tsoratra mivoaka ao anatinny faritry ny tanimpirenena dia iharanny haba mikasika ny dokam-barotra ka ny vokatrizany dia
hamatsiana ny Tahirim-pirenena fiaraha-mizaka, ary tsinjaraina ara-drariny
aminireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
Ny famaritana ny mason-tsivana fitsinjarana io tahirim-bola io eo amin ireo
vondrombahokam-paritra itsinjaram-pahefana dia miankina aminny tandrifimpahefanny Komity iraisanny Minisitera izay ahitana ny solontenanireo
vondrombahokam-paritra
itsinjaram-pahefana
isanambaratongany,
ny
solontenanny Minisitera misahana ny fitantanam-bola sy ny tetibola ary ny
solontenanny Minisitera misahana ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana.
Ny fombafomba fanaovana ny tomban-ketra, ny famoriana ary ny famerana
ny lazam-bidinio haba io dia miankina aminny sehatry ny lalna mifehy ny
fitantanam-bolam-panjakana.
Paragrafy 9 : Haba aminny rano sy/na herinaratra
And.204 Ny vatantenanolona sy fikambanana mpamandrika aminny
sosaiety mpamatsy rano sy herinaratra eto aminny tanim-pirenena dia iharanny
haba aminny rano sy/na herinaratra ho anny tetibolanny Kaominina.
Ny fombafomba fanaovana ny tomban-ketra, ny famoriana ary ny famerana
ny lazam-bidinio haba io dia miankina aminny sehatry ny lalna mifehy ny

p.70

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

fitantanam-bolam-panjakana.
Paragrafy 10 : Haba alaina aminny fety sy lanonana ary ny
fihetsihetsehana samihafa
And.205 - Ny fidirana rehetra andoavam-bola aminny fety, lanonana
sy fihetsiketsehana samihafa ka mampiasa tapakila na karatra fidirana dia
iharanny haba aminny fety sy lanonana ary fihetsiketsehana samihafa ho
anny Kaominina.
Ny fombafomba fanaovana ny tomban-ketra, ny famoriana ary ny famerana
ny lazam-bidinio haba io dia miankina aminny sehatry ny lalna mifehy ny
fitantanam-bolam-panjakana.
Paragrafy 11 : Haba momba ny fanangnana tsangam-by goavana,
baka mpandray na mpandefa onjam-peo sy onjan-tsary, mpanelanelana
fitaovam-pifandraisana na taho
And.206 - Ny tsangam-by goavana, baka mpandray na mpandefa onjampeo sy onjan-tsary na taho napetraky ny sosaiety misahana ny fifandraisandavitra, eny na dia aminny taninolon-tsotra aza, natao handraisana sy
handefasana onjam-pifandraisana, ireo fanelanelanana fitaovampifandraisana
anny sosaiety misahana haino aman-jery, ny tsangam-by goavana mitondra
taribin-kerinaratra dia iharanny haba isan-taona mikasika ny tsangamby goavana, baka mpandray na mpandefa onjam-peo sy onjan-tsary,
mpanelanelana fitaovam-pifandraisana na taho izay mitsinjara toy izao :

50% ho anny Kaominina ;

30% ho anny Faritra ;

20% ho anny Faritany.

Ny fombafomba fanaovana ny tomban-ketra, ny famoriana ary ny famerana


ny lazam-bidinio haba io dia miankina aminny sehatry ny lalna mifehy ny
fitantanam-bolam-panjakana.
Paragrafy 12 : Haba mikasika ny lalao aminny haino aman-jery
And.207 Ny antso an-tariby na hafatra alefa aminny alalanny finday
mikasika ny fandraisana anjara aminny lalao aminny haino aman-jery,
na fandaharan-dalao mivantana aminny fahitalavitra dia iharanny haba
mikasika ny lalao aminny haino aman-jery, ka ny vokatrizany dia amatsiana
ny tahirim-pirenena fiaraha-mizaka, ho tsinjaraina ara-drariny aminireo
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
Ny lalna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana no mamaritra ny

p.71

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

fombafomba fanaovana ny tomban-ketra, ny famoriana ary ny famerana ny


lazam-bidinio haba io.
Paragrafy 13 : Haba mikasika ny fanomezana sy ny fanamarinana ny
karapanondronny vahiny
And.208 - Ny fanomezana sy ny fanamarinana ny karapanondronny
vahiny ahafahana mipetraka maharitra dia andoavana sara ho anny tetibolanny
Faritra ka ny habetsahany dia feranny lalna mifehy ny fitatanam-bolampanjakana.
And.209 Azonny Filankevitra atao ny manafaka aminny tsy fandoavana
manontolo na aminny ampahany ny sara voalaza etsy ambony ny olona
manana taratasy fanamarinana ny fahisahiranana.
Sokajy 3 : Ny aminny loharanom-bola tsy avy aminny hetra
Zana-tsokajy voalohany : Fepetra ankapobe
And.210 Ny loharanom-bolanny vondrombahoaka-paritra itsinjarampahefana tsy avy aminny hetra dia ahitana :

ny vokatry ny fanampiana voatokana na tsia avy aminny


tetibolam-panjakana ho anny vondrombahoakam-paritra itsinjarahampahefana manontolo na tsirairay ;

ny vokatry ny fanampiana avy any ivelany tsy averina sy


ny vokatry ny fanomezana ho anny vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana ;

ny vola miditra avy aminny fananany ;

ireo findramam-bola ka ny lalna no mamaritra ny fepetra


ahafahana manao ny fanoratana izany.
And.211 Ny famoronana io sokajinny loharanom-bola io dia tsy maintsy
ahazoan-dalna avy aminny lalna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana,
araka ny tolo-kevitry ny Minisitera misahana ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana, nefa ny fandaniana izany eo anivonny vondrombahoaka nomena, ny
famerana ny taha na ny lazam-bidy dia miankina aminny tandrifim-pahefanny
rantsana mpanapa-kevitra aminizany vondrom-bahoaka izany.
And.212 Miankina aminny tandrifim-pahefanny rantsana mpanapakevitra ao aminny ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana :
1. ny famerana ny tahanny fakam-bola tsy avy aminny hetra toy ny
fanomezan-dlana sy fahazoan-dlana ary sara isan-karazany izay ekenny

p.72

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

lalna mifehy ny fitantanam-bolampanjakana ara-dalna;


2. ny famerana ny tahanny vokatra sy ny vola miditra avy aminny asa
aman-draharaha ara-toekarena syara-tsosialy, ny sara takiana noho ny
fisahananasa notanterahina, ny zara tombo sy ny vola miditra avy aminny
fananany.
And.213 Ny fombafomba famoriana ny loharanom-bola tsy avy
aminny hetra dia ferana aminny allanny Didim-panjakana raisina eo aminny
Filankevitry ny Governementa, araka ny tolo-kevitra iarahanny Minisitra
misahana ny fitantanam-bola sy ny tetibola sy ny Minisitra misahana ny Atitany
sy ny Fitsinjaram-pahefana afa-tsy izay voalaza aminity sokajy ity.
Zana-tsokajy 2 : Haba aminny lanonana nentim-paharazana nahazoandlana
And.214 Ny lanonana nentim-paharazana indrindra indrindra ny
lanonana, tsikafara, famadihana, fafikijana dia iharanny haba mikasika ny
lanonana nentim-paharazana nahazoan-dalana ho anny Kaominina. Ny Benny
tanna aminny toerana anaovana ny lanonana no manome ny fahazoan-dalana
mifandraika aminizany lanonana izany.
Na manao ahoana na manao ahoana dia tsy azo akana izany haba izany
ny fampakaram-bady, ny fahaterahana, ny batemy.
Masi-mandidy ny Filankevitra monisipaly na kaominaly aminny famerana
ny lazam-bidinizany haba izany, araka ny zava-misy.
Aminny fotoana andraisana ny fahazoan-dlana no andoavana ny haba,
ary anomezana rosia misy sosony.
Zana-tsokajy faha-3 : Haba alaina aminny famonoam-biby
And.215 Ny famonoam-biby rehetra ho anny fivarotan-kena na
fanaovana angesongesonkena hamidy na hohanina na ho anny fety isankarazany dia andoavana haba mikasika ny famonoam-biby ho anny Kaominina.
Ferana toy izao ny taha farany ambony isaky ny biby :
Biby hovonoina

Habetsahany aminny ariary

Soavaly

15.000

Omby

10.000

Kisoa

5.000

Ondry na osy

2.000

Ny haba mikasika ny biby novonoina eny aminny toerana famonoam-

p.73

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

biby anny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia raisinny


vondrombahoaka tomponny famonoam-biby manontolo na aiza na aiza toerana
voatondro andefasana azy.
Ny haba mikasika ny biby novonoina ivelanny toerana voatondro etsy
ambony dia raisinny Kaominina.
And.216 Tsy andoavana haba mikasika ny famonoam-biby ny biby telo
na latsakizany vonoina aminny lanonana ara-pianakaviana, ara-panjakana na
nentim-paharazana.
Ny famonoana biby rehetra mihoatra ny telo dia tsy maintsy ahazoana
alalana any aminny Benny tannanny Kaominina tomponny toerana
famonoam-biby mialoha ny fandoavana haba.
And.217 Aloa mialoha aminny mpiasa mpandray ny volanny
vondrombahoaka mpisitraka ny haba mialoha ny famonoana ary anomezana
rosia misy sosony izany.
Ny famonoam-biby rehetra tsy nandoavana haba mialoha ary koa ny
fanafenana na fanambarana tsy marina dia mitarika ny fampiharana ny lamandy
avo dimy heny aminny sara tsy naloa, nalaina araka ny fepetra mitovy aminny
haba fototra.
And.218 Ny tomponny biby maty na tsy maintsy vonoina noho ny
aretina na noho ny loza nahazo azy dia tsy mandoa haba, rehefa mampiseho
ny taratasy fanamarinana nomenny solontenanny sampan-draharaha eo antoerana misahana ny fiompiana izay nanao ny fizahana fototra izany, na raha
tsy misy dia ny Benny tannanny kaominina voakasika.
Zana-tsokajy faha-4 : Haba mikasika ny fitsirihana sy fanaovana
fitomboka ny hena
And.219 Ankoatra ny haba mikasika ny famonoam-biby voalaza
aminny andininy faha-215 sy ny manaraka aminity lalna ity, ny Kaominina
ambonivohitra sy ambanivohitra izay manana toerana famonoambiby na
mitrandraka toerana famonoam-biby sy miantoka mivantana ny fanaraha-maso
ny fahasalamanny biby ho anny fivarotan-kena sy ny fanaovana angesongesokena ary koa ny hena ohanina eo an-toerana dia afaka mandray ny haba
mikasika ny fitsirihana sy ny fisafoana ara-pahasalamana ny biby sy hena ary
ny sara momba ny fanaovana fitomboka ny hena.
And.220 Azonny Kaominina atao ny mandrara ny famonoana biby
ho anny fivarotan-kena ivelanireo toerana ireo, raha tsy hoe nahazo alalana
manokana avy aminny Benny tanna raha tahiny ka nisy fepetra mazava momba
ny fandoavanny mpisitraka izany mialoha ny haba mikasika ny famonoam-biby
ary manaraka ny fameperana mikasika ny fitsirihana ara-pahasalamana ny biby
sy hena aminny fivarotan-kena.

p.74

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Azony atao ihany koa ny mandrara ny fidiranny hena entina mandehandeha


ao anatinny fari-piadidiany.
And.221 - Ferana toy izao manaraka izao ny taha farany ambony aminny
haba mikasika ny fitsirihana sy fanaovana fitomboka ny hena isaky ny biby :
Karazam-biby

Habetsahany aminny ariary

Soavaly

5.000

Omby

5.000

Kisoa

5.000

Ondry na osy

5.000

And.222 Aloa mialoha ny haba mikasika ny famonoam-biby ary


anomezana rosia misy sosony.
Ny tsy fandoavana ny haba dia hosaziana aminny lamandy avo dimy
heny aminny sara tsy naloa, tsy tohinina ny fandoavana ny haba tokony ho
naloa taminilay vondrombahoaka, nalaina araka ny fepetra mitovy aminny
haba fototra.
And.223 - Ny haba mikasika ny fitsirihana sy fanaovana fitomboka ny
hena dia raisina ho anny Kaominina.
Zana-tsokajy 5 : Ny aminny sara mikasika ny fivezivezenny biby toy ny
omby sy kisoa
And.224 - Ny saram-panomezana ireo singan-taratasy takianny didy
aman-pitsipika manankery ho aminny fivezivezenny omby sy ny kisoa dia
raisina ho anny Kaominina niaingana.
And.225 - Ny habetsahana farany ambony aminny sara fanomezana
pasipaoronny biby miala avy aminny kaominina iray makany aminny iray hafa
dia ferana ho 10.000 Ariary isaky ny pasipaoro no omena ary 1.000 Ariary isambiby voasoratra ao aminny pasipaoro.
Ny pasipaoro omena ny tomponny omby miova kijna dia tsy akna sara
isaky ny biby.
And.226 - Ny habetsahana farany ambony aminny sara fanomezana ny
tapakila fiovan-tompo na ny solony dia ferana ho 1.000 Ariary.
And.227 Ny haba dia aloa mialoha ny fahazoana ny antontan-taratasy
ary anomezana rosia misy sosony.
Ny tsy fandoavana ny haba dia saziana aminny lamandy avo dimy heny

p.75

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

aminny saranny haba tsy naloa, tsy tohinina ny fandoavana ny haba fototra.
Zana-tsokajy 6 : Ny aminny tamberim-bidy mikasika ny fakana ranontany, fasika ary vato
And.228 Ny fitrandrahana rehetra ranon-tany, fasika na vato ao anaty
farim-piadidiana Kaominina iray dia andoavana tamberim-bidy ho anny
Kaominina sy ny Faritra misy ny toerana anaovana ny fangalana.
Ferana toy izao ny taha farany ambony aminny tamberim-bidy azo avy
aminny fitrandrahana ranon-tany, fasika ary vato :
Karazany

Habetsahany

Tany

Ar 500/m3

Fasika

Ar 2.000/m3

Vato

Ar 3.000/m3

Ny lazam-bidinny tamberim-bidy mikasika ny fakana ranon-tany, fasika


ary vato dia ferana aminny alalanny fanapahana avy aminny Filankevimparitra.
.Tsinjaraina toy izao manaraka izao ny tamberim-bidy mikasika ny fakana
ranon-tany, fasika ary vato :
- 60% ho anny Kaominina ;
- 40% ho anny Faritra.
Zana-tsokajy 7 : Ny aminireo tamberimbidy sy vola alaina aminny
vokatry ny fambolena, ny ala, ny jono, ary ny fiompiana.
And.229 - Ny vokatry ny fambolena, ny ala, ny jono, ary ny fiompiana
natao haondrana dia
iharanny tamberim-bidy ho anny Kaominina, ny Faritra ary ny Faritany.
Ny lalna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana no mametra isan-taona
ny lazam-bidinizany.
And.230 - Ny vokatry ny fambolena, ny ala, ny jono, ary ny fiompiana
natao hamidy eto aminny tsena anatiny dia iharanny fakana vola ho anny
Kaominina, ny Faritra ary ny Faritany.
Fanapahana raisinny Filankevim-paritany no mametra isan-taona ny
lazam-bidinizany.
And.231 Tsinjaraina toy izao manaraka izao ny tamberimbidy sy ny vola
alaina aminny vokatry ny fambolena, ny ala, ny jono, ary ny fiompiana :

50% ho anny teti-bolanny kaominina,

p.76

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

30% ho anny teti-bolanny Faritra,

20% ho anny teti-bolanny Faritany.

Zana-tsokajy 8 : Ny aminny tamberim-bidy mikasika ny famoriana sy ny


fanodinana ny fako avy any an-tokantrano ary ny fanariana rano maloto
And.232 - Ny fanangonana sy ny fanodinana ireo fako avy any antokantrano ary ny fanariana rano maloto dia iharanny fandoavana vola.
Azonny Kaominina atao ny mandany isan-taona ny fampiharana ny vola
fandoa aminny fanangonana sy ny fanodinana ireo fako avy any an-tokantrano
ary ny fanariana rano maloto, kajiana miainga avy aminny fototra fandoavana
ny hetran-trano.
And.233 Tokony hitakiana izany vola fandoa izany aminny anaranny
tompon-trano na ny mpisitraka, ary raha tsy misy izany dia ny olona mampiasa
ny trano :

Ireo fanana-mifaka andoavana hetran-trano ;

Ireo fanana-mifaka misitraka ny fanafahana vonjimaika ary


koa ireo misitraka ny fanafahana maharitra hetran-trano ary natao ho trano
fonenana.
And.234 Ny lazam-bidy isan-taona mikasika ny vola fandoa dia lanianny
rantsana mpanapa-kevitra ao aminny Kaominina, nefa tsy mahazo mihoatra ny
5%.
And.235 Ampandoavina tataon-ketra dimampolo isan-jato (50%) aminny
habetsahanny vola fandoa ireo mpampiasa ny tambazotra fanadiovana ka
miteraka fandotoana manokana ny faika ariany, ankoatra ny sazy ampiharina
noho ny tsy fanarahana ireo fitsipika manan-kery mikasika ny fikarakarana
mialoha ny faika mandoto.
Ampiharina ihany koa izany tataon-ketra dimampolo isan-jato (50%)
izany aminireo indostria, orinasa fanaovana asa Tanana, toeram-piasana
izay mamoaka rano maloto misy vokatra mandoto na tsy mety levona toy ny
akoranafo sy ny zavatra vita aminy, ireo loko sy akora simika hafa.
And.236 - Ampiharina aminny vola fandoa mikasika ny fanangonana sy
ny fanodinana ireo fako avy any an-tokantrano ary ny fanariana rano maloto
ireo fepe-dalna rehetra na izany mikasika ny fanaovana tomban-ketra sy
famoriana ny hetran-trano.
Sokajy 4 : Fepetra samihafa
And. 237 Ireo fepe-dalna na fitsipika ampiharina ankehitriny mahakasika
ny loharanom-bolanny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ary koa
ny toromarika izay mameno azy dia mbola azo ampiharina mandrapamoahana

p.77

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

hanan-kery ity lalna ity.


And.238 - Mandram-pametraka tanteraka ireo vondrombahoakam-paritra
itsinjaram-pahefana rehetra araka ny voalazanity lalna ity, ny loharanom-bola
izay natokana ho anny vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana mbola
tsy amperinasa dia atolotra ho anireo vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana mandrafitra izany izay efa tafapetraka.
LOHATENY VI : NY AMINNY FIFIDIANANA ISAM-PARITRA
TOKO VOALOHANY : FEPETRA ANKAPOBE
And.239 Ny fifidianana any aminny kaominina, Faritra sy ny Faritany
dia fehezinny fepetra voalaza aminity lohateny ity.
And.240 Ny Lehibenny mpanatanteraka sy ny mpikambana ao aminny
rantsana mpanapa-kevitra ao aminny vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana dia fidiana aminny alalanny latsabato ataonny daholobe, ho anny
fotoam-piasana efa-taona (04).
Sokajy voalohany : Ny aminny lisi-pifidianana
And.241 Araka ny fepetra voalazanny andininny faha-34 andalana
voalohany ao aminny lalna fehizoro laharana faha 2012-005 taminny 22
martsa 2012 anaovana ny fehezan-dalna momba ny fifidianana, ny lisipifidianana ampiasaina aminny fifidianana any aminny kaominina dia izay
natao noho ny fanavaozana isan-taona sy nofaranana tanteraka ny 15 aprily.
And. 242 Ny Filohanny fitsarana ambaratonga voalohany nampafantarina
mivantana araka ny fepetra faritanny andininy faha-31 aminio fehezan-dalna
io, dia afaka manapaka hatraminny faha-dimy amby folo andro mialoha ny
latsa-bato mikasika ny fitarainanireo olona milaza fa tsy voasoratra anaty lisipifidianana.
Sokajy 2 : Ny aminny fanaikna ny mpifidy handatsa-bato
And. 243 Didim-panjakana raisina eo aminny Filan-kevitry ny
Governemanta no anaikna ny mpifidy handatsa-bato.
And. 244 Ny didim-panjakana anaikna ny mpifidy handatsa-bato
dia ampahafantarina ny daholobe aminny fomba rehetra, indrindra aminny
allanny haino aman-jery, ankoatra ny famoahana azy aminny Gazetimpanjakanny Repoblika.
Tokony ho faritana ny antonny fiantsoana ary koa ny andro, ny ora
fanombohana sy fiafaranny latsa-bato.

p.78

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Sokajy 3 : Ny aminny fepetra fahafahana hofidiana na tsia


And.245 Ny olom-pirenena rehetra manana zo hifidy dia azo
fidina ho mpikambana ao aminny Filan-kevitra na ho Lehibenny rantsana
mpanatantanteraka aminny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana
araka ny fepetra manaraka etoana :
1. mizaka ny zom-pirenena malagasy ;
2. mizaka ny zo isam-batanolona sy ny zo ara-politika ;
3. voasoratra aminny lisi-pifidianana aminny fari-pifidianana eto aminny
tanim-pirenena ;
4. tsy mbola nisazy noho ny heloka bevava na noho ny fahadisoana
afatsy ny fandikan-dalna voalaza ao aminny andininy faha 319 sy 320 ao
aminny fehezan-dalna famaizana raha tsy hoe ireo fandikan-dalna ireo dia
mifampitohy na miara-miseho aminny fahadisoana natao teo am-pamiliana ao
anatinny hamamoana na hadisoana miaro fandosirana;
5. ara-dalna eo anatrehanny lalna sy ny fitsipika momba ny hetra ary
nahaloa, indrindra ny hetra sy haba rehetra azo takiana isan-karazany nandritra
ny telo taona mialoha.
And.246 Tsy azo fidina :
1. ireo olona miatrika filan-kevi-pitsarna ;
2. ireo olona nodidianny fitsarana ho verezin-jo tsy azo fidina noho ny
fampiharana ny lalna manome fahefana hanaisotra izany zo izany ;
3. ireo olona voaheloka tanteraka raha toa ny fanamelohana ka misakana
tanteraka ny fanoratana azy ireo aminny lisi-pifidianana.
And.247 Ireo olona izay nahazo fanamelohana mandrara azy anaty ny
fotoana tsy maharitra tsy hosoratana ao anatinny lisi-pifidianana dia tsy azo
fidina mandritra ny fotoana avo roa henny fepotoana tsy ahafahany misoratra
ao anaty lisi-pifidianana.
And.248 Ny olo-meloka dia tsy azo fidina mandritra ny dimy amby
folo taona, manomboka aminny vaninandro nahatonga ny fanamelohana ho
raikitra, raha misy ny fanamelohana noho ny heloka bevava na fahadisoana
natao taminny zo iombonana na hosoka momba ny fisoratana anarana ao
aminny lisi-pifidianana sy aminny fampiasana ny zo handatsa-bato, noho
ny hosoka teo aminny fitsipika mifehy ny fampielezan-kevitra, na noho ny
fanakatsakanana ny fahalalahana sy ny fahamarinanny latsa-bato, noho ny
fanaovana kolikoly na ny herisetra momba ny fifidianana.
Raha toa ka olom-boafidy taminny fifidianam-panjakana nofoanana ilay
voaheloka, ny fe-potoana dimy amby folo taona voalazanny andlana etsy
ambony dia manomboka aminny vaninandronny fanafoanana.
And.249 Ireo vahiny mizaka ny zom-pirenena dia tsy azo fidina raha

p.79

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

tsy aorianny fe-potoana folo taona manomboka aminny vaninandronny didimpanjakana nampizaka azy ny zom-pirenena.
Na izany aza anefa, izany fepetra izany dia tsy ampiharina:

aminny vahiny mizaka ny zom-pirenena izay nahatontosa


tanteraka tao aminny fanompoam-pirenena ny fotoananny fanompoampirenena mifandray aminny sokajin-taonany;

aminny vahiny mizaka ny zom-pirenena izay nahafeno ny


fepetra voalazanny andininy faha 39 aminny fehezan-dalna momba ny zommpirenena Malagasy.
And.250 Ireo vehivavy izay nahazo ny zom-mpirenena Malagasy noho
ny fanambadiana dia tsy azo fidiana raha tsy aorianny fe-potoana folo taona
manomboka aminny vaninandro izay nahazoany izany raha tsy azo anaovana
fanoherana intsony izany.
And.251 Tsy azo fidiana ihany koa ireo mpiantoka na mpandraharaha
raha toa izy ireo ka voafatotra aminny alalanny fifanarahana izay mametraka
azy ireo aminny fomba maharitra ao anatinny fiankinana sy tombontsoa
aminny vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana.
Sokajy 4 : Ny aminny tsy fahazoana mampirafy asa sy ny aminny
fionganana
Paragrafy voalohany : Ny aminny tsy fahazoana mampirafy asa
And.252 Ny asa maha-olom-boafidy eny anivonny faritra dia tsy
azo ampirafesina aminny fisahanana asa rehetra hafa maha olomboafidimbahoaka.
Tsy azo atao ny mampivady ny andraikitry ny mpikambana aminny Filankevitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana iray aminny asanny
Lehibenny mpanatanateraka.
Tsy misy na iza na iza afaka milatsaka hofidina ho mpikambana aminny
Filan-kevitra sady ho Lehibenny mpanatanateraka aminny vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana iray.
And.253 Ny asa maha Mpanolotsaina sy ny asanny Lehibenny
mpanatanateraka aminny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia
tsy azo ampirafesina aminny fisahanana ireto andraikitra ireto:

Mpikambana aminny Andrim-panjakanny Repoblika ;

Mpikambana
Lalmpanorenana ;

ao

aminny

Fitsarana

avo

Mpanelanelana eo anivonny Repoblika ;

Mpitsara ao aminny Fitsarana sy ny Tribonaly;

momba

p.80

ny

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Mpikambana ao aminny rafi-pirenena mahaleotena misahana


ny fitantanana ny raharaha rehetra momba ny fifidianana na aminny rantsamangaikany;

Mpikambana aminny rantsa-mangaikany na andrim-panjakana


hafa voafaritry ny Lalmpanorenana.
And.254 Afa-tsy ny fampianarana, ny andraikitra maha Lehibenny
mpanatanateraka aminny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia
tsy azo ampirafesina aminny fisahanana asam-panjakana rehetra.
And.255 Ny Lehibenny rafitra mpanatanateraka voafidy ka voakasiky ny
tsy fahazoana mampirafy asa voalaza aminizao toko izao dia tokony hametrapialana aminireo asa amanandraikitra tsy azo ampirafesina aminny asa maha
Lehibenny mpanatanateraka azy ao anatinny telopolo andro nandraisany ny
asany, na raha misy fanoherana ny fifidianana manomboka ny vaninandronny
fanapahanny fitsarana mahefa, raha toa ka misahana asampanjakana izy dia
tokony hangataka ny hapetraka aminny toerana manokana voafaritry ny sata
mifehy azy. Raha tsy misy izany dia heverina ho toy ny nametra-pialana izy.
Ny Lehibenny mpanatanateraka nanaiky nandritra ny fe-potoana iasany
hisahana asa tsy azo ampirafesina, na nandika ny fepetra voalazanizao toko
izao, dia ambara ho toy ny mametra-pialana avy hatrany ihany koa, afa-tsy hoe
nanao izany taminny nahim-pony. Izany anefa tsy miteraka ny tsy fahazoanilay
voakasika milatsaka ho fidina.
And.256 Tsy azo atao ny mampirafy ny asa maha mpikambana aminny
Filan-kevitra na maha Lehibenny mpanatanateraka aminny vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana aminny asa andraisan-karama avy aminny
vondrombahoakam-paritra, afa-tsy ny hoe mpiasampanjakana na mpiasa tsy
miankina tsy mandray afa-tsy tambin-karama avy aminilay vondrombahoakamparitra noho ny asa nataony teo ampanatanterahana ny andraikiny.
Paragrafy 2 : Ny aminny fanonganana
And. 257 Aongana avy hatrany tsy ho olom-boafidy eo an-toerana izay
hita fa marina ny tsy fahazoany milatsaka ho fidina taorianny fanambarana ny
voka-pifidianana sy taorianny fahataperanny fe-potoana ahazoana mitsipaka
ny fifidianana, na izay nahitana, nandritra ny fe-potoana niasany, ny iray
aminireo trangan-javatra tsy ahazoana milatsaka hofidina, na koa very ny iray
aminireo fepetra ahazoana milatsaka hofidina voalazanity lohateny ity.
And.258 Aongana aminny asany ihany koa ny olom-boafidy rehetra eo
an-toerana izay tsy manaraka ny fepetra fampitana ny asa voalazanny andininy
faha-69 etsy ambony na niharanny fanamelohana raikitra ahitana araka ny didy
aman-dalna manan-kery, ny fanesorana ny zo hofidina.
And.259 Na ahoana na ahoana, ny fanonganana dia ambaranny na ny
Solontenam-panjakana any aminny Faritra mahefa na izay mety mpifidy rehetra
ao aminny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, voasoratra aminny

p.81

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

lisi-pifidianana ampiasaina aminny fifidianana isam-paritra sy nandray anjara


feno taminny latsa-bato, aminny allanny fanapahana ataonny fitsarana
mahefa aminny allanny fitoriana.
And.260 Ny mpiasam-panjakana manam-pahefana, sivily na miaramila,
maniry hilatsaka hofidina, dia atsahatra aminny asany manomboka aminny
vaninandro namoahana aminny fomba ofisialy ny lisitry ny mpilatsa-kofidina.
Raha toa ka voafidy izy, dia heverina ho toy ny nafindra hanao asa hafa, telopolo
andro raha tara indrindra aorianny fanambarana aminny fomba ofisialy ny
voka-pifidianana.
Raha toa ka tsy voafidy izy, na aorianny fahataperanny fe-potoana
iasany, dia averina avy hatrany aminny asany eo aminny departemanta nisy
azy teo aloha.
And.261 Ireo manam-pahefana ara-politika mpilatsa-kofidina aminny
fifidianana isam-paritra dia ambara ho mametra-pialna avy hatrany aminny
asany manomboka ny vaninandro amoahana ny lisitra ofisialinny mpilatsakofidina, araka ny fepetra voalazanny Fehezandalna mikasika ny fifidianana.
And.262 Didim-panjakana raisina eo aminny Filankevitry ny
Governemanta no mamaritra ny lisitrireo mpiasam-panjakana manampahefana sy manam-pahefana ara-politika voalazanny andininy faha-260 sy
faha-261 etsy ambony.
Sokajy 5 : Ny aminny filatsahan-kofidina
Paragrafy voalohany : Ny aminny fanolorana ny filatsahan-kofidina
And. 263 Azonny
olom-pirenena rehetra mizaka ny zonny
isambatanolona sy politika atao ny milatsaka hofidina ho mpikambana
aminny Filan-kevitra na ho Lehibenny rafitra mpanatanteraka aminny
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana iray, araka ny fepetra
voalazanity lalna ity.
And.264 Ny antoko politika rehetra mitsangana ara-dalna, ny
vondronantoko politika rehetra, ny vondronolona mahaleo tena rehetra
mitsangana ara-dalna na tsia, mizaka ny zonny isambatanolona sy politika,
dia afaka manolotra filatsahan-kofidina ho mpikambana aminny Filankevitra
na ho Lehibenny mpanatanteraka aminny vondrombahoakam-paritra
itsinjarampahefana isaky ny fari-piadidiam-pifidianana.
Tsy azo sintonina intsony ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina raha
vao voapetraka, ary tsy azo soloina afa-tsy hoe misy fanafoanana filatsahankofidina na fahafatesanny mpilatsa-kofidina araka ny voafaritry ny andininy
faha-280 sy faha-281 aminity lalna ity.
Tsy azonizy ireo atao ny manolotra lisitra mpilatsa-kofidina mihoatra ny
iray ao anatinny faripiadidiam-pifidianana iray.

p.82

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

And.265 Tsy misy na iza na iza afaka milatsaka hofidina aminny


anaranny antoko politika iray na ny vondron antoko politika na vondronolona
mahaleo tena iray.
Tsy misy na iza na iza afaka milatsaka hofidina ao anatinny fari-pifidianana
mihoatra ny iray.
Raha toa ka misy fametrahana lisitra mpilatsa-kofidina maromaro dia izay
napetraka voalohany ihany no manan-kery.
And.266 Tsy misy na iza na iza afaka misoratra ho mpilatsa-kofidina na
ho mpisolo toerana aminny fanambarana filatsahan-ko fidina maromaro.
And.267 Tsy azonny lisitra mpilatsa-kofidina atao ny mampiasa ny
anarana, ny famantarana na ny lokonny antoko politika hafa na vondronolona
hafa.
And.268 Didim-panjakana raisina eo aminny Filan-kevitry ny
Governemanta no mamaritra ny fe-potoana fametrahana ny antontan-taratasy
filatsahan-kofidina eny aminny solontena ifotony ao aminny rafi-pirenena
mahaleotena miandraikitra ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharahampifidianana ary koa ny modelinireo singan-taratasy voalazanny andininy faha272 aminizao lalna izao.
Paragrafy 2 : Ny aminny lisitry ny mpilatsa-kofidina
And.269 Tokony hisy mpilatsa-kofidina mitovy isa aminny toerana
hozaraina ampiana mpisolo toerana telo ny lisitry ny mpilatsa-kofidina, raha tsy
izany dia tsy azo raisina.
And.270 Ny lisitra misy ny sonia voamarina ara-dalna anireo mpilatsakofidina tsirairay sy ny mpisolo toerana dia farananny nomem-pahefana ao
aminny lisitra. Ampiarahana aminny fanambarana itambaranireo mpilatsakofidina, ny fanambarana mitokana ataonny mpiilatsa-kofidina sy antontantaratasy filatsahan-kofidina izany.
Ny sonia dia tsy maintsy voamarinny Lehibenny Distrika na ny Lefiny na
ny tomponandraikitra nomenny solontenam-panjakana fahefana, na ataonny
Benny Tanana na ny Lefiny.
Ny Sonia voamarina ara-dalna dia manan-kery manerana ny taninny
Repoblika, ary atao maimaimpoana izany.
Paragrafy 3 :Ny aminny fanambarana sy ny antotan-taratasy momba ny
filatsahan-kofidina
And.271 Tokony hanana solontena nomem-pahefana ny lisitry ny
mpilatsa-kofidina mba hanatanterahana ny raharaha rehetra mifandraika
aminny fifidianana raha tsy izany dia tsy azo raisina.

p.83

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

And.272 Atao misy sosony efatra ny antontan-taratasy filatsahankofidina raha tsy izany dia tsy azo raisina, ary misy :

Ho anny lisitry ny mpilatsa-kofidina tsirairay :


* fanambarana itambaranireo mpilatsa-kofidina ;

* lasitra ao anaty akalana elektronika anny santionany


ahitana ny famantarana mampiavaka izay apetaka eo aminny taratasindatsabato tokana;
* tapakila manamarina ny fandoavana ny fandraisana
anjara aminny fanontana ny taratasin-datsabato avy any aminny
fitehirizam-bolam-panjakana na teny aminny toerana fandraisanketram-panjakana;

Ho anny mpilatsa-kofidina tsirairay misoratra ao aminny lisitra:

* fanambarana ataonny isam-batanolona mitokana ny


filatsahan-kofidina;
* taratasy fanamarinam-pahaterahana, na takelaka
manambara ny fiankohonanny isambatanolona, na dika mitovy aradalna aminny kara-panondro ;
* taratasy fanamarinana nomenny Fitondrahandraharaha momba ny hetra manamarina fa ilay olona voakasikizany
dia ara-dalna eo anatrehanny didy aman-dalna sy fitsipika mikasika
ny hetra ;
* fanambarana tsy misy fitaka ataonny mpilatsa-kofidina
fa efa voaloany avokoa ireo hetra sy haba rehetra notakiana taminy
nandritra ny telo taona farany;
* fanambarana tsy misy fitaka ny momba ireo fananamifaka sy fanana-manaraka rehetra anny mpilatsa-kofidiana ary koa
ny taratasim-bolany azo amidy sy ny karazanny vola miditra aminy ;
* taratasy fanamarinana ny fisoratana anarana nomenny
rafitra miandraikitra ny fikarakarana ny fifidianana eo anivonny faripifidianana voakasika manamarina fa ny mpilatsa-kofidina dia mpifidy,
ary misy ny laharana, ny datinny kara-pifidianany, ary koa ny toerana
na ny laharanny birao fandatsaham-bato misy azy;
faha3.

* tsoa-tsoratry ny taratasy fitanisan-tsazy, laharana

And.273 Ny mpilatsa-kofidina na ny solontena nomem-pahefana


tsy monina ao aminny renivohitry ny fari-pifidianana misy ny rafi-pirenena
mahaleotena misahana ny fandaminana sy ny fitantanana ny raharahampifidianana dia tsy maintsy manondro fonenana ao aminio faritra farany io
mba ahafahana mampahafantatra ny taratasy samihafa momba ny raharahampifidianana mahakasika izany.
And.274 Ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina dia apetraka ao

p.84

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

aminny rafitra miandraikitra ny fikarakarana ny fifidianana eo anivonny faripifidianana mahakasika ny mpilatsa-kofidina na ny solontenany nomempahefana.
Tsy maintsy hanomezana taratasy fanamarinana ny fametrahana izany.
Tsy azo atao ny fisintonana ny filatsahan-kofidiana aorianny fametrahana
ofisialy ireo taratasy filatsahan-kofidiana, ary tsy azo asiam-panovana intsony
ny lisitra.
Manomboka aminny vaninandro hamoahana aminny fomba ofisialy ny
lisitry ny mpilatsa-kofidina voalazanny andininy faha-278 etsy ambany :

dia ambara fa nametra-pialana avy hatrany ny Lehibenny


mpanatanteraka am-perinasa izay voatna ny filatsaha-kofidina;

tsy afaka manao fotoam-pivoriana ny mpikambana ao aminny


Filan-kevitra am-perinasa.
Paragrafy 4 : Ny aminny fandraketana an-tsoratra ny filatsahan-kofidina
And.275 Ny taratasy filatsahan-kofidina dia tsy maintsy hamarininny
Rantsana antsoina hoe Rantsana miandraikitra ny Fanamarinana sy
fandraketana an-tsoratra ny filatsahan-kofidina (OVEC) eo anivonny faripifidianana isanisany.
Aminizany, ny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra ny fikarakarana
sy ny fitantanana ny raharaha-pifidianana dia afaka mangataka ny traikefa
sy fahaiza-manaon ireo olona manana fahalalana manokana mifanandrify
aminizany ao anatinny fari-piadidiana na ny fitsarana voakasika.
And.276 Ny firafitry ny rantsana miandraikitra ny fanamarinana sy
fandraketana an-tsoratra ny filatsahan-kofidina dia faritana aminny alalanny
fanapahana raisinny Filohanny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra ny
fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaha-pifidianana.
Ny rantsana miandraikitra ny fanamarinana sy fandraketana an-tsoratra
ny filatsahan-ko fidina dia mitsara ao aminny biraonny solontena ifotony
ao aminny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra ny fikarakarana sy ny
fitantanana ny raharaha-pifidianana, na aminny trano hafa miorina eo aminny
renivohitry ny fari-piadidiampanjakana any aminny faritra, ka ny lisitra dia faritana
aminny alalanny fanapahana raisinny Filohanny rafi-pirenena mahaleotena
miandraikitra ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaha-pifidianana.
Ny sora-bola ilaina ho fampandehanan-draharahanio rantsana io dia
zakainny tetibolanny filohanny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra ny
fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaha-pifidianana.
And.277 Aminny alalanny fangatahanny rantsana miandraikitra ny
fanamarinana sy fandraketana an-tsoratra ho aminny filatsahan-kofidina, ny
fampanoavana eo anivonny Fitsarana manerana ny tanim-pirenena dia tsy

p.85

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

maintsy manome maimaimpona ao anatinny valo amby efapolo ora ny taratasy


fitanisantsazy laharana faha-2 aminny mpilatsa-kofidina.
And.278 Ny rantsana miandraikitra ny fanamarinana sy fandraketana
an-tsoratra ny filatsahan-kofidina dia tsy maintsy mamoaka didy momba ireo
filatsahan-kofidina nentina teo anatrehany, ao anatinny roa amby fitopolo ora
manomboka ny vaninandro nandraisana ny antontan-taratasy tsirairay. Raha
ekenny rantsana miandraikitra ny fanamarinana sy fandraketana an-tsoratra
ny filatsahan-kofidina, dia mamoaka fanamarinana fandraketana an-tsoratra
izy izay midika ho fanomezan-dalana hanao fampielezan-kevitra aorianny
famoahana ny lisitra ofisialinny mpilatsa-kofidina ary na dia eo aza ny fepetra
mikasika ny vanim-potoana fanaovana fampielezan-kevitra.
Raha toa ka hita fototra fa ny antontan-taratasy iray ka tsy mahafeno ny
fepetra fahazoa-mandray didianny lalna sy ny fitsipika manan-kery, dia laviny
aminny alalanny fanapahana ombanantonantony izay ampahafantariny tsy
misy hatakandro any aminny fonenana notondroinny mpilatsa-kofidina na ny
olona nomem-pahefana izany.
Ny lisitrireo fiilatsaha-kofidina voarakitra an-tsoratra dia tsy maintsy
ampahafantarina ny besinimaro aminny allanny peta-drindrina eo ivelanny
toeranny rantsana miandraikitra ny fanamarinana sy fandraketana an-tsoratra
ny filatsahan-kofidina, ary tsy maintsy atao tsy ho maty paikandro avy hatrany.
Ny dika mitovy aminio lisitra io dia tsy maintsy ampitaina any amin ny
rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra ny fikarakarana sy ny fitantanana ny
raharaha-pifidianana aminny fomba haingana indrindra.
Ny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra ny fikarakarana sy ny
fitantanana ny raharaha-pifidianana dia voasolo tena aminny fotoananny
fandinihana ny antotan-taratasy sy ny famoahana ny vokapifidianana.
And.279 Ao anatinny fe-potoana valo amby efapolo ora manomboka
ny nampahafantarana ny fanapahana nataonny rantsana miandraikitra ny
fanamarinana sy ny fandraketana an-tsoratra ny filatsahan-kofidina, ny olona
nomem-pahefana ao aminny lisitra izay nolavina ny filatsahan-kofidina,
dia afaka mampahafantatra ny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra ny
fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana aminny allanny
fanambarana an-tsoratra tsotra.
Ao anatinny fe-potoana valo amby efapolo ora manomboka ny vaninandro
naharaisana ny fanambarana no hamaliany izany.
Ny fanapahana noraisinny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra ny
fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana dia azo anaovana
fitarainana eo anivonny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana aminny
Fanjakana ao anatinny fe-potoana valo amby efapolo ora manomboka ny
vaninandro ampahafantarana ny fanapahana taminny mpanao fitarainana.
Ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana aminny Fanjakana dia tsy
maintsy mamoaka didy ao anatinny valo amby efapolo ora manaraka ny
naharaisana ny antontan-taratasy.

p.86

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Raha toa ny fanapahana noraisinny rafi-pirenena mahaleotena


miandraikitra ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana na ny
didim-pitsarana navoakanny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana aminny
Fanjakana ka manaiky ny fandraketana an-tsoratra ny filatsahan-kofidina iray,
dia hampahafantarina ny Filohanny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra
ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana izay mampahalala
avy hatrany ny nomem-pahefana eo aminny fonenana notondroina, ary raha
toa ka misy, any aminny antoko na vondrona politika na firaisanantoko politika
voakasikizany.
And.280 Raha misy fanafoanana filatsahan-kofidina, ny antoko politika,
ny vondronantoko politika na ny vondronolona mahaleo tena nanolotra
izany dia manana fe-potoana valo amby efapolo ora manomboka aminny
fampahafantarana aminny fomba haingana indrindra ny fanapahana, mba
hanolorany ny filatsahan-kofidina vaovao sy farany hasolo ny teo aloha, araka
ny fepetra voalazanny andininy faha-272 sy manaraka etsy ambony.
Aminizany tranga izany, dia misy fe-potoana fanampiny telo andro omena
ny Rantsana miandraikitra ny Fanamarinana sy Fandraketana ny filatsahankofidina.
And.281 Raha misy fahafatesanny mpilatsa-kofidina iray ao aminny
lisitry ny mpilatsa-kofidina, mialoha ny fahataperanny fe-potoana fametrahana
ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina, ny lisitra dia afaka manendry sy
manolotra mpilatsa-kofidina vaovao hisolo ny mpilatsa-kofidina maty ao anatinny
fe-potoana valo amby efapolo ora manomboka aminny andro nahafatesany.
Raha toa ka ilaina dia manana fe-potoana fanampiny ny Rantsana
miandraikitra ny Fanamarinana sy fandraketana an-tsoratra ny Filatsahankofidina, araka ny voalazanny andininy faha-280 etsy ambony.
Raha toa ka mitranga ny fahafatesana aorianny ny fe-potoana aradalna fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidina, dia mijanona
ho manankery foana ny lisitra, ka ny mpilatsa-kofidina maty dia soloinizay
manaraka azy ao aminny lisitra.
And.282 Raha vao tapitra ny raharaha, dia ampitainny Filohanny
Rantsana miandraikitra ny Fanamarinana sy Fandraketana an-tsoratra ny
Filatsahan-kofidina any aminny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra ny
fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana izay mamarana isaky
ny rafi-pifidianana ny lisitra raikitry ny mpilatsahan-kofidina, miaraka aminny
fanondroana ny toetoetra mampiavaka azy ireo avy, ny sosony iray aminny
antontan-taratasy filatsahan-kofidina tsirairay. Ireo lisitra ireo dia havoaka ao
aminny Gazetim-panjakanny Repoblika ampahafantarina ny mpifidy aminny
alalanny fampielezam-peo sy fahitalavitra.
Ny dika mitovy aminny lisitra raikitry ny mpilatsa-kofidina io dia alefa any
aminny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana aminny Fanjakana.

p.87

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Sokajy 6 : Ny aminny taratasin-datsabato tokana sy ny birao


fandatsaham-bato
Paragrafy voalohany : Ny aminny taratasin-datsabato tokana
And.283 Ny fepetra fanontana ny taratasin-datsabato dia ireo izay
voafaritry ny Fehezan-dalna momba ny fifidianana ao aminny andininy faha54 ka hatraminny faha-56.
And. 284 Araka ny fepetra voalazanny andininy faha-55 aminny Fehezandalna momba ny fifidianana, ny Fanjakana no manonitra ny fandraisana anjara
aminny sara fanontana ny taratasin-datsabato tokana amin ireo antoko politika,
vondrona politika na firaisan antoko politika, na vondronolona mahaleotena
nanolotra ny lisitry ny mpilatsa-kofidina sy nahazo 10% farafahakeliny taminny
vato manan-kery, araka ny fombafomba nofaritanny didim-panjakana noraisina
teo amin ny Filan-kevitry ny Governementa.
Paragrafy 2 : Ny aminny birao fandatsaham-bato
And.285 Ny lisitra sy ny fametrahana ny birao fandatsaham-bato dia
faritana aminny alalanny fanapahana ataonny rafi-pirenena mahaleotena
miandraikitra ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana ka
hijerena ny hamaroanny mpifidy sy ny toeram-ponenany, enimpolo andro
farafahakeliny mialoha ny vaninandro anaovana ny latsabato. Ampahafantarina
ny besinimaro aminny fomba rehetra izany lisitra sy fametrahana birao izany.
Izay fanovana rehetra atao aminio lisitra io, noho ny antony tsy azo
anoharana, dia tsy maintsy andraisana fanapahana fanitsiana izay tsy maintsy
raisina valo amby efapolo ora farafahakeliny mialoha ny andro anaovana
latsabato ary ampahafantarina ny besinimaro aminny fomba rehetra.
Sokajy 7 : Ny aminny raharaham-pifidianana
Paragrafy voalohany : Ny aminny fampielezan-kevitra
And.286 Ny faharetanny fampielezan-kevitra dia :

Kaominina ;

dimy amby-folo andro ho anny fifidianana any aminny

iraika amby roapolo andro kosa ho ny anny fifidianana any


aminny Faritra sy ny Faritany.
Ny fampielezan-kevitra dia mifarana efatra ambi-roapolo ora mialohanny
andro anaovana ny latsabato.
And.287 Ny fepetra ankapobe momba ny fampielezan-kevitra, ny

p.88

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

peta-drindrina sy ny fanaovana fivoriana mikasika ny fifidianana dia faritanny


Fehezan-dalna momba ny fifidianana sy ireo rijan-teny noraisina ho
fampiharana anizany.
And.288 Ny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra ny fikarakarana
sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana no miantoka ny fitsinjarana aradrariny ny fotoana itenenana maimaimpoana na andoavam-bola ary koa ny
fandaharana momba ny fanapariahana ao aminny Radiom-pirenena Malagasy
sy ny Televizionam-pirenena Malagasy na any amin ireo masoivohom-paritra,
araka ny voalazanny Fehezan-dalna momba ny fifidianana, mba hahafahanny
mpilatsa-kofidina tsirairay manazava ny fandaharanasany aminny mpifidy. Toy
izany koa ny fampiasana ireo toerana sy tranom-panjakana nazahoan-dlana.
Ny fitsinjarana sy ny fandaharana voalazanny andalana etsy aloha, eo
ampiandohanny fampielezan-kevitra ary an-tsapaka, dia ataonny solontena
ifotony ao aminny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra ny fikarakarana sy
ny fitantanana ny raharaham-pifidianana eo anatrehanny mpilatsa-kofidina na
ny solontenany. Na toy inona na toy inona, tsy zary sakana ny fanatanterahana
ny an-tsapaka mihitsy ny tsy fanatrehanny mpilatsa-kofidina na ny solotenany.
Ankoatra ny fotoam-pandaharana maimaimpoana na andoavam-bola
ao aminny Radiom-pirenena sy ny Televizionam-pirenena Malagasy na
ireo masoivohony any aminny Faritra araka ny voalazanny andalana etsy
ambony, ary eo anivonny masoivohonny Radio sy Televiziona tsy miankina
aminny Fanjakana, dia malalaka ny fandefasana fandaharana manana endrika
fampielezankevitra.
Na toy inona na toy inona, ny haino aman-jery tsy miankina dia tsy afaka
mand ny fangatahana fandaharana sy fandefasana fandaharana andoavambola eo aminny sehatry ny fampielezan-kevitra.
Ny fandefasana dokam-barotra tselatra sy vaovao mahakasika ny
fampielezan-kevitra dia tokony hanaja, araka ny azo atao, ny foto-kevitra
momba ny fitovianny herijika aminireo mpilatsaka ho fidina.
Paragrafy 2 : Ny aminny fanisam-bato
And.289 Ny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra ny fikarakarana
sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana no mamaritra aminny alalanny
fanapahana ny toerana sy ny firafitry ny Sampana miandraikitra ny Fanisambato (SRMV).
And.290 Ataonny filohanny birao fandatsaham-bato anaty valopy
mihidy eo anatrehanireo nanao sonia ny fitanana an-tsoratra :

ny fitnana an-tsoratry ny raharaham-pifidiananny birao


fandatsaham-bato tsirairay ;

ireo lisi-pifidianana voasonia ;

ireo vato manan-kery ;

p.89

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

ireo vato fotsy sy maty ;

ireo vato notsipahina ;

ireo taratasy fanisam-bato sy nanamarihana ;

ary raha misy :


* ireo taratasy nanomezan-pahefana anireo solontena ;
* ireo taratasy fanamarinana ho anireo mpanara-maso ;
* ny baiko fanirahana ny mpiasam-panjakana ;

* ireo vato noesorina vita sonia fanamarinana ao anaty


fonosana mihidy sy rangopohinireo mpiakambana ao aminny birao
fandatsaham-bato.
Ny fonosana mihidy dia alefanny Filohanny birao fandatsaham-bato, ny
solontenanny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra ny fikarakarana sy ny
fitantanana ny raharaham-pifidianana sy ny Sefom-pokontany, aminny fomba
haingana indrindra, any aminny filohanny Sampana miandraikitra ny fanisambatonny solontena ifotony ao aminny rafi-pirenena mahaleotena miandraikitra
ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana izay hany manana
fahefana hanokatra izany fonosana izany eo anatrehanireo mpikambana eo
anivonizany sampana miandraikitra ny fanisam-bato izany.
And.291 Arakaraka ny fahatongavanny fonosana mirakitra ireo
taratasim-pifidianana, no hanatanterahanny Sampana miandraikitra ny
fanisam-bato, avy hatrany sy ampahibemaso, ny fanisam-bato.
Ny andraikiny dia miompana indrindra aminny fanamarinana ireto :
bato;

sy fotsy;

ny ao anatinny fonosana mihidy avy aminny birao fandatsaham-

ny fikajiana samihafa nataonireo biraom-pifidianana ;

ireo taratasin-datsabato nolazainny biraom-pifidianana fa maty

ireo taratasin-datsabato notsipahina.

Tsy manam-pahefana hanitsy na hanova ny vokatra, izy dia manao fitnana


an-tsoratra izay fizahana fototra nataony, ary indrindra ireo fahadisoana na tsy
fanarahan-dalna notsimponiny isaky ny biraom-pifidianana.
Marihiny ao anatinio fitnana an-tsoratra io ny trangan-javatra, singa
rehetra, ny tsy fetezana rehetra izay azony notsimponina tao aminireo antontantaratasy, isaky ny biraom-pifidianana. Raha noho ny antony tsy azo anoharana,
ka tsy tonga tany aminny Sampana misahana ny fanisam-bato ny vokatra avy
aminny biraom-pifidianana iray na maromaro, dia manao fitnana an-tsoratra
momba izany lesoka izany izy.
Manomboka aminny naharaisana ny fonosana farany avy any aminny
biraom-pifidianana, izy dia tsy maintsy mandefa anaty fonosona mihidy,
ao anatinny fe-potoana efatra ambiroapolo ora, any aminny rafi-pirenena

p.90

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

mahaleotena misahana ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharahampifidianana, miaraka aminny fitnana an-tsoratra ny asany.
Ny dika mitovy aminny fitnana an-tsoratra ny asa vitanny Sampana
misahana ny fanisam-bato sy izay mety ho fitnana an-tsoratra mikasika ny
lesoka izay nosoratany, dia alefa any aminny Fitsarana misahana ny ady
ifanaovana aminny Fanjakana.
And.292 Ny fandaniana mifandraika aminny fampandehanana ireo
Sampana misahana ny fanisam-bato dia zakainny toko momba ny fandaniana
aminny fifidianana aminny tetibolanny rafi-pirenena mahaleotena misahana
ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana.
Ireo mpikambana ao aminny sampana misahana ny fanisam-bato
dia misitraka tambin-karama raikitra ka ny tetiny dia feranny rafi-pirenena
mahaleotena misahana ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharahampifidianana.
Paragrafy 3 : Ny aminny fikirakirana ny vokatra sy ny famoahana ny
voka-pifidianana vonjimaika
And.293 Ny Rafi-pirenena mahaleotena misahana ny fikarakarana sy
ny fitantanana ny raharaham-pifidianana no miandraikitra ny fikirakirana ny
antontan-taratasim-pifidianana sy ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika
aminny fifidianana any aminny faritra.
And.294 Raha vantany vao voaray ny tahirin-kevitra momba ny
fifidianana avy any aminny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato, araka
ny fepetra voalazanny andininy etsy ambony, ny rafi-pirenena mahaleotena
misahana ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana dia
manamarina:

ny firafitra sy ny fanarahana ireo tahiri-kevitra momba ny


fifidianana voarainny lalna ;

ny fifanarahanny zavatra voalaza ao, ary raha misy ny tsy


fifanarahana, dia manao ny

fanitsiana ilaina izy;

ny fahamarinanny kajikajy nataonny mpikambana ao aminny


Biraom-pifidianana sy ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato.
And.295 Ny rafi-pirenena mahaleotena misahana ny fikarakarana sy
ny fitantanana ny raharaham-pifidianana dia afaka manao ny fampitahana
ny fitanana an-tsoratra avy aminny fangatahanny na ireo mpilatsaka ho
fidina voakasika, na ny solon-tenanizy ireo nomem-pahefana aminizany. Ny
fombafomba fampiharana ity fepetra ity dia faritana aminny alalanny didy
amam-pitsipika.
And.296 Ny rafi-pirenena mahaleotena misahana ny fikarakarana sy

p.91

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

ny fitantanana ny raharaham-pifidianana no mamarana sy mampahafantatra


ny besinimaro, isaky ny fari-pifidianana, biraom-pifidianana isaky ny biraompifidianana, ny vokatra vonjimaika farafahatarany ao anatinny folo andro
manaraka ny naharaisana ny fonosana farany avy taminny Sampana misahana
ny fanisam-bato.
And.297 Mandritry ny famoahana ny vokatra vojimaika, ny rafi-pirenena
mahaleotena misahana ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharahampifidianana no mamoaka :

ny isa manontolo ny mpifidy voasoratra;

ny isa manontolo ny mpifidy nandatsa-bato;

ny isanny taratasin-datsabato fotsy sy maty ;

ny isanny vato manan-kery ;

ny tahanny fandraisana anjara;

ny isa manontolonny vato azonny mpilatsaka ho fidina tsirairay.

Ny vokatra vonjimaika, ampiarahana aminny tovana maneho ny vokatra


isaky ny biraom-pifidianana, sy ny tahirin-kevitra nampiasaina taminny
raharaham-pifidianana antonny fitsipahana sy/na fitoriana dia alefa ao anatinny
fotoana fohy any aminny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana aminny
fanjakana mahefa any aminny faritra.
Izany fampitna izany dia atao eo ambany fiandraiketanny rafi-pirenena
mahaleotena misahana ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharahampifidianana.
Paragrafy 4 : Ny aminny fanambarana ny vokatra raikitra
And.298 Ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana aminny fanjakana no
mamoaka ny vokatra raikitra, aminny alalanny didim-pitsarana, farafahatarany
ao anatinny fe-potoana telopolo andro manomboka aminny vaninandro
namoahana ny vokatra vonjimaika nataonny rafi-pirenena mahaleotena
misahana ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana.
And.299 Izy no manao ny fanambarana ampahibemaso, ny fanambarana
aminny fomba ofisialy ny vokatra aminny fanoritsoritana manokana, isaky ny
fari-pifidianana:

tsirairay ;

ny isa manontolonny mpifidy voasoratra anarana ;

ny isa manontolonny mpifidy nandatsa-bato;

ny isanny taratasin-datsabato fotsy sy/na maty ;

ny isa manontolonny vato manan-kery ;

ny isanny vato manan-kery azonny lisitry ny mpilatsa-kofidina

p.92

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

ny isanny toerana azonny lisitry ny mpilatsa-kofidina tsirairay ;

ireo mpilatsa-kofidina ambara fa voafidy ho Lehibenny


mpanatanteraka sy ho Mpanolo-tsaina.
Tsy maintsy avoakany aminny Gazetim-panjakanny Repoblika
izany didim-pitsarana izany, ary ampahafantariny, ao anaitinny valo andro
manomboka aminny namoahany ho anny rafi-pirenena mahaleotena
misahana ny fikarakarana sy ny fitantanana ny raharaham-pifidianana sy ho
anny solontena nomem-pahefanireo lisitry ny mpilatsa-kofidina voakasikizany.
Sokajy 8 : Ny aminny fifanolanana mikasika ny fifidianana
Paragrafy voalohany : Ny aminny fahefana mikasika ny fifanolanana
And.300 Ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana aminny Fanjakana
no manam-pahefana mandray izay rehetra fangatahana na fanoherana izay
mety hitranga na izany eo aminny asa izay mandrafitra ny fanomanana ny
raharaham-pifidianana na amin izay rehetra mifandraika aminny fizotry ny
latsa-bato.
Izy irery ihany no manam-pahefana afaka mankato ny fanafoanana
manontolo na aminny ampahany, izay mety ho vokatry ny fanadinoana ireo
fombafomba fototra.
Mandritry ny fanaraha-maso ny fitanana an-tsoratrireo biraom-pifidianana
sy ireo Sampana misahana ny fanisam-bato, ny Fitsarana misahana ny ady
ifanaovana aminny Fanjakana, na dia tsy misy fitoriana aza, dia afaka maka
avy hatrany raha heveriny fa nisy fandikana ireo fepetra voalazanny lalna
na didy amam-pitsipika, na noho ny antony hafa mahakasika ny filaminambahoaka.
Aminny fanapahana fanafoanana, raha voaporofo fa ireo toe-javatra
mahatonga ny tsy fanarahan-dalna na ireo raharaha nolavina izay nanimba
ny fahamarinanny fifidianana sy nanova ny hevitrinny latsa-bato nataonireo
mpifidy, ny Fitsarana dia mandidy ny hanaovana fifidianana vaovao.
And.301 Ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana aminny Fanjakana
no manapaka amboalohany sy tompon-teny farany aminizay rehetra
fifanolanana mikasika ny fifidianana any aminny faritra.
Ny didim-pitsarana avoakany dia ampahafantarina ny andaniny voakasika
ao anatinny valo andro manaraka ny namoahana azy.
And.302 Azo atao ny mitory mba handravana ny didim-pitsarana
navoakanny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana aminny Fanjakana
manoloana ny Filankevi-panjakana ao aminny Fitsarana Tampony. Tsy
mampihantona ny fampiharana ny didim-pitsarana anefa izany.

p.93

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Paragrafy 2 : Ny aminny paikady arahina


And.303 Ny paika arahina manoloana ny Fitsarana misahana ny ady
ifanaovana aminny Fanjakana mikasika ny fanoherana rehetra momba ny
fifidianana any aminny faritra dia tsy maintsy atao manaraka ny fepetra sy ny
fomba voalazanny Fehezan-dalna mikasika ny fifidianana ary raha ilaina,
ny lalna nasiam-panovna laharana 2001-025 taminny 21 desambra 2001
mikasika ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana aminny Fanjakana sy ny
Fitsarana momba ny fitantanam--bola.
And.304 Ny paika arahana manoloana ny mpitsara mpandrava didy dia
izay voalazanny fehezan-dalna mikasika ny fifidianana sy ny lalna fehizoro
laharana faha-2004-036 taminny 01 oktobra 2004 mikasika ny Fitsarana
Tampony.
And.305 Na ahoana na ahoana, ny fifanolanana rehetra mikasika ny
fifidianana dia tsy maintsy karakaraina ao anatinny telo volana manomboka
aminny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana raikitra.
TOKO II : FEPETRA MANOKANA
Sokajy voalohany : Ny aminny fifidianana any aminny kaominina
Paragrafy voalohany : Ny aminny fomba fifidianana
And.306 Ny Benny tanna sy ny mpikambana aminny Filankevitra dia
fidiana aminny allanny latsa-bato andraisanny rehetra anjara mivantana ho
aminny fotoam-piasana efa-taona azo havaozina, aminny fifidianana ny lisitra
aminny allanny fitsinjaran-toerana aminny fihodinana indray mandeha, tsy
misy fampifangaroana, na latsabato ahazoana tombon-jo, na lisitra tsy feno.
Ny toerana dia omena ny mpilatsa-kofidina araka ny filaharana ireo
anatinny lisitra tsirairay ary araka ny fitsipiky ny salanisa betsaka.
Voafidy ho Benny tanna ny mpilatsa-kofidina hita eo aminny loha-lisitra
izay nahazo isam-bato betsaka indrindra aminny vato manan-kery.
Ny mpilatsa-kofidina loha-lisitra nefa tsy voafidy ho Benny tanna dia
miataka aminny fitsinjarana ny toerana eo anivonny Filan-kevitra monisipaly
na kaominaly, araka ny voalazanny andininy faha-278 aminity lalna ity.
Raha toa ka misy lisitra maromaro mahazo salanisa mitovy aminny
fanomezana ny toerana farany, izany dia omena ny lisitra izay nahazo vato
betsaka indrindra. Raha toa ka mitovy ny isambato, dia omena izay mpilatsakofidina zokiny indrindra aminireo tokony ho voafidy.

p.94

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

Paragrafy 2 : Ny aminny firafitry ny Filan-kevitra monisipaly na


kaominaly
And.307 Ny Filan-kevitra dia ahitana :
1. Ho anny Kaominina ambonivohitra :

Mpanolo-tsaina monisipaly 9 ho anny Kaominina ambonivohitra


misy mponina latsaky ny 50 000 ;

Mpanolo-tsaina monisipaly 11 ho anny


ambonivohitra misy mponina 50 001 hatraminny 80 000 ;

Kaominina

Mpanolo-tsaina monisipaly 13 ho anny


ambonivohitra misy mponina 80 001 hatraminny 120 000 ;

Kaominina

Mpanolo-tsaina monisipaly 15 ho anny


ambonivohitra misy mponina 120 001 hatraminny 250 000 ;

Kaominina

Mpanolo-tsaina monisipaly 19
ambonivohitra misy mponina mihoatra ny 250 000

Kaominina

ho

anny

2. Ho anny Kaominina ambanivohitra :

Mpanolo-tsaina kaominaly 5 ho anny Kaominina ambanivohitra


misy mponina latsaky ny 10 000;

Mpanolo-tsaina kaominaly 7 ho anny Kaominina ambanivohitra


misy mponina mihoatra ny 10 000.
Ny Kaominina iray dia mirafitra ho fari-piadidiam-pifidianana iray.

Paragrafy 3 : Ny aminny fepetra manokana ahafahana hofidina


And.308 Ny olom-pirenena rehetra manana zo hifidy dia azo fidina ho
Mpanolotsaina monisipaly na kaominaly na ho Benny tanna araka ny fepetra
ary na dia eo aza ny voalaza manaraka etoana:
1. feno iraika amby roampolo taona katroka aminny vaninandronny latsabato ;
2. mponina raikitra ao aminilay Kaominina, toerana hilatsahany ho fidina
sy/na manana tombon-tsoa manokana ho anizany Kaominina izany.
Paragrafy 4 : Ny aminny fepetra fandraisana anjara aminny fifidianana
And.309 Ny mpikambana ao aminny Filan-kevitra monisipaly na
kaominaly sy ireo Benny tanna ary ny lefiny izay milatsaka ho fidina aminny

p.95

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

fifidianana kaominaly dia ambara fa mametra-pialana avy hatrany raha vantany


vao nekenny Rantsana misahana ny Fanamarinana sy ny Fandraiketana
an-tsoratra ny filatsahan-kofodina. Ny fisoloan-toerana vonjimaika ny Benny
tanna nambara fa nametra-pialana avy hatrany dia iantohanny Lefitry ny
Benny tnana fisoloan-toerana azy, arakaraky ny filaharanny fanendrena azy.
And.310 Ny Prefe no mametra aminny allanny didim-pitondrana
ny isanny mpikambana aminny Filankevitra hofidina arakaraka ny isanny
mponina avy aminny fanisana nataonny Lehibenny Distrika.
Sokajy 2 : Ny aminny fifidianana any aminny Faritra
Paragrafy voalohany : Fomba fifidianana
And.311 Ny Lehibenny Faritra sy ny mpikambana ao aminny Filankevitra
dia fidiana aminny fifidianana andraisanny rehetra anjara mivantana ho
aminny fotoam-piasana efa-taona azo havaozina, aminny fifidianana ny lisitra
aminny allanny fitsinjaran-toerana aminny fihodinana indray mandeha, tsy
misy fampifangaroana, na latsa-bato ahazoana tombon-jo, na lisitra tsy feno.
Voafidy ho Lehibenny Faritra izay mpilatsa-kofidina loha-lisitra ao aminny
lisitra nahazo vato betsaka indrindra.
Ny toerana dia omena ny mpilatsa-kofidina arakaraky ny filaharany ao
anatinny lisitra tsirairay, ary araka ny fitsipiky ny salanisa betsaka.
Ny mpilatsa-kofidina loha-lisitra nefa tsy voafidy ho Lehibenny Faritra dia
miataka aminny fitsinjarana ny toerana ao anatinny Filan-kevi-paritra.
Raha toa ka misy lisitra maromaro mahazo salanisa mitovy aminny
fanomezana ny toerana farany, izany dia omena izay lisitra nahazo vato betsaka
indrindra. Raha toa ka mitovy ny isambato, ny toerana dia omena izay mpilatsakofidina zokiny indrindra aminireo tokony ho voafidy.
Paragrafy 2 : Ny aminny lisi-pifidianana
And.312 Ny lisi-pifidianana dia arafitry ny Rafi-pirenena mahaleotena
misahana fikarakarana sy ny fitantanana raharaham-pifidianana.
And.313 Ny vondronny mpifidy dia ahitana ny Benny tanna sy ny
Mpanolotsaina monisipaly sy kaominaly any aminireo Kaominina mandrafitra
ny Faritra.
Paragrafy 3 : Ny aminny firafitry ny Filankevi-paritra
And.314 Ferana ho roa isaky ny Distrika mandrafitra ny Faritra ny

p.96

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

isanny mpikambana ao aminny Filankevi-paritra.


Ny Faritra iray dia mirafitra ho fari-piadidiam-pifidianana iray.
Paragrafy 4 : Ny aminireo fepetra manokana ahafahana hofidina
And.315 Na dia eo aza ny fepetra voalazanny andininy faha-245 etsy
ambony, ny olompirenena rehetra manan-jo hifidy dia azo fidina Mpanolotsaina
na ho Lehibenny Faritra araka ireto fepetra voalaza manokana ireto :
1. feno telopolo taona katroka aminny vaninandronny latsa-bato ;
2. manana tombontsoa manokana ho anizany Faritra izany.
Paragrafy 5 : Ny aminny fepetra ahazoana mandray anjara aminny
fifidianana
And. 316 Ny mpikambana ao aminny Filankevi-paritra sy ny Lehibenny
Faritra, izay milatsa-kofidina aminny fifidianana eny anivonny Faritra dia
ambara fa mametra-pialana avy hatrany raha vantany vao nekenny Rantsana
misahana ny Fanamarinana sy ny Fandraiketana an-tsoratra ny filatsahankofodina. Ny fisoloan-toerana vonjimaikanny Lehibenny Faritra nambara fa
nametra-pialana avy hatrany dia hiantohanireo Lefiny arakaraky ny filaharanny
fanendrena azy ireo.
Sokajy 3 : Ny aminny fifidianana eny anivonny Faritany
Paragrafy voalohany : Fomba fifidianana
And.317 Ny Lehibenny Faritany sy ny mpikambana ao aminny
Filankevi-paritany dia fidiana aminny alalanny latsabato andraisanny rehetra
anjara mivantana ho aminny fotoam-piasana efa taona azo avaozina, aminny
fifidianana lisitra aminny allanny fitsinjaran-toerana aminny fihodinana indray
mandeha, tsy misy fampifangaroana, na latsa-bato ahazoana tombon-jo, na
lisitra tsy feno.
Voafidy ho Lehibenny Faritany izay mpilatsa-kofidina loha-lisitra aminizay
nahazo vato betsaka indrindra aminny vato manan-kery.
Ny toerana dia omena ny mpilatsa-kofidina arakaraky ny filaharanizy ireo
anatinny lisitra tsirairay, ary araka ny fitsipiky ny salanisa betsaka.
Ny mpilatsa-kofidina loha-lisitra nefa tsy voafidy ho Lehibenny Faritany
dia miataka aminny fitsinjarana ny toerana ao anatinny Filan-kevi-paritany.
Raha toa ka misy lisitra maromaro mahazo salanisa mitovy aminny
fanomezana ny toerana farany, izany dia omena izay lisitra nahazo vato betsaka

p.97

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

indrindra. Raha toa ka mitovy ny isambato, ny toerana dia omena izay mpilatsakofidina zokiny indrindra aminireo tokony ho voafidy.
Paragrafy 2 : Ny aminny lisi-pifidianana
And.318 Ny rafi-pirenena mahaleotena misahana ny fikarakarana sy ny
fitantanana raharaham-pifidianana no mandrafitra ny lisi-pifidianana.
And.319 Ny vondrona momba ny fifidianana dia ahitana ny Lehibenny
Faritra sy ny Mpanolotsaim-paritra any aminny Faritra mandrafitra ny Faritany.
Paragrafy 3 : Ny aminny firafitry ny Filankevi-paritany
And.320 Ferana ho roa isaky ny Distrika mandrafitra ny Faritany ny
isanny mpikambana ao aminny Filankevi-paritany.
Ny Faritra iray dia mirafitra ho fari-pifidianana iray.
Paragrafy 4 : Ny aminireo fepetra manokana ahafahana hofidina
And.321 Na dia eo aza ny fepetra voalazanny andininy faha-245 etsy
ambony, ny olom-pirenena rehetra manan-jo hifidy dia azo fidina ho Lehibenny
Faritany na ho Mpanolo-tsaimparitany araka ny fepetra manokana lazaina
manaraka etoana :
1. feno dimy amby telopolo taona katroka aminny vaninandronny latsabato ;
2. manana tombon-tsoa manokana ao aminny Faritany.
Paragrafy 5 : Ny aminny fepetra ahazoana mandray anjara aminny
fifidianana
And.322 Ny mpikambana ao aminny Filankevi-paritany sy ny Lehibenny
Faritany izay milatsa-kofidina aminny fifidianana eny anivonny Faritra dia
ambara fa mametra-pialana avy hatrany raha vantany vao nekenny Rantsana
misahana ny Fanamarinana sy ny Fandraiketana an-tsoratra ny filatsahankofidinizy ireo. Ny fisoloan-toerana vonjimaika ireo Lehibenny Faritany
nambara fa nametra-pialana avy hatrany dia hiantohanireo Lafiny araka ny
filaharanny fanendrena azy ireo.

p.98

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

TOKO III : FEPETRA SAMIHAFA


And.323 Ampiharina aminireo toe-javatra rehetra tsy voafehinity
lohateny ity ny fehezan-dalna mikasika ny fifidianana sy ireo rijan-teny
fampiharana azy.
LOHATENY VII : FEPETRA SAMIHAFA SY FARANY
And.324 Aminny alalnny didy amam-pitsipika no hamaritra ny
fombafomba fampiharana ity lalna ity.
And.325 Ny ratsa-mangaikanireo Vondrombahoakam-paritra
Itsinjaram-pahefana misy aminizao fotoana izao dia manohy ny asany mandrapametrahana aminny toerany ny rafitra vaovao voalazanity lalna ity.
And.326 Foanana ary dia foana ireo fepetra rehetra teo aloha mifanohitra
aminity lalna ity, indrindra izay voalazanny :

ny lalna laharana faha 94-001 taminny 26 Aprily 1995 amerana


ny isa, ny famaritana, ny fiantsoana ary ny renivohitrireo Vondrombahoakamparitra Itsinjaram-pahefana ;

ny lalna laharana faha 94-006 taminny 26 Aprily 1995


mikasika ny fifidianana any aminny faritra ;

ny lalna laharana faha 94-007 taminny 26 Aprily 1995 mikasika


ny fahefana sy tandrifim-pahefana ary loharanom-bolanny Vondrombahoakamparitra Itsinjaram-pahefana ;

ny lalna laharana faha 94-008 taminny 26 Aprily 1995


amaritana ny fitsipika mikasika ny fandaminana sy ny fampandehanandraharaha ary ny anjara andraikitry ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjarampahefana ;

ny lalna laharana faha 95-005 taminny 21 jona 1995 mikasika


ny tetibolanireo Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana ;

ny lalna laharana faha-2004-001 taminny 17 jona 2004


mikasika ny Faritra sy ny rijan-teny fampiharana azy.
And.327 Ity lalna ity dia havoaka aminny Gazetimpanjakanny
Repoblika.
Hotanterahina izany fa Lalm-panjakana.

p.99

LALANA LAHARANA FAHA 2014 - 021


mikasika ny fisoloantenam-panjakana

Gazetim-panjakanny Repoblikani Madagasikara laharana faha 03578


Laharana manokana taminny 03 Oktobra 2014

FIZAHAN-TAKELAKA

TOKO VOALOHANY : FEPETRA ANKAPOBENY .................................................................103


TOKO FAHAROA : NY AMINNY FANDAMINANA SY NY FOMBA FIASANNY
FISOLOANTENAM-PANJAKANA............................................................................................104
SOKAJY VOALOHANY NY AMINNY FANDAMINANA.......................................................104
SOKAJY FAHAROA : NY AMINNY FOMBA FIASA ...........................................................105
TOKO FAHATELO : NY AMINNY ANJARA ANDRAIKITRY NY SOLONTENAMPANJAKANA .............................................................................................................................105
TOKO FAHEFATRA : NY AMINNY FANARAHA-MASO NY FANARAHAN-DALNA......... 107
TOKO FAHADIMY : FEPETRA FARANY.................................................................................108

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

FILAZANA NY ANTONANTONY
Ity lalna ity dia noraisina ho fampiharana ny fepetra voalazanny andininy
faha-145 ao aminny Lalmpanorenana, ary mametraka ny andinin-dalna
momba ny fisoloantenam-panjakana eny anivonireo vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana.
Ity lalna ity dia maneho fa ilaina tokoa nyiantohana ny fandairana sy ny
fahombiazanny asanny fitantanandraharaham-panjakana eny aminny lafitany
aminny alalanny fanamafisana ny andraikitra fandrindrana sy fanampian-tosika
ataonny Solontenam-panjakana aminireo sampandraharaham-panjakana
anapariaham-pitondrana.
Ity lalna ity dia mampisongadina ny fitohizanny fitantanandraharahampanjakana foibe any anivonny lafitany.
Ankoatra izany, ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy dia
mila fomba fijery vaovao aminny famaritana ny andraikitra mpitan-tsoroka sy
mpanoro hevitra ataonny Solontenam-panjakana aminireo manam-pahefana
eny aminny vondrombahoakam-paritra, nefa tsy mihataka aminny andraikiny
aminny fanaraha-maso ny fanarahan-dalna.
Araka ny fotokevi-dehibe milaza fa isaky ny ambaratonga-na
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia misy rafitra anapariahampitondrana mifanandrify aminy, ny Kaomisera Jeneraly no misahana ny
fisoloantenam-panjakana eny anivonny Faritany, izay vondrombahoakamparitra vaovao voalazanny Lalmpanorenana.
Eny anivonny Faritra, mba iantohana ny fizakan-tena ara-pitantananny
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia tsy azo ialna ny
fanasarahana ny andraikitry ny lehibenny mpanatanteraka sy ny Solontenampanjakana, ka izay indrindra no ametrahana ny Prefe ho Solontenam-panjakana
eny anivonny Faritra.
Ny Lehibenny Distrika no misahana ny asanny Solontenam-panjakana
eny anivonny Kaominina.
Ity lalna ity dia manamafy sy manazava bebe kokoa ny anjara andraikitry
ny Solontenampanjakana.
Ity lalna ity dia misy andininy roa amby telopolo, ary mizara ho toko dimy:

Toko voalohany : Fepetra ankapobeny

Toko faharoa : Ny aminny fandaminana sy ny fomba fiasanny


fisoloantenam-panjakana

panjakana

Toko fahatelo : Ny aminny anjaraandraikitry ny Solontenam-

Toko fahefatra : Ny aminny fanaraha-maso ny fanarahan-

Toko fahadimy : Fepetra farany

dalna

p.102

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

LALANA laharana faha 2014 -021


mikasika ny fisoloantenam-panjakana

Ny Antenimieram-pirenena no nandany taminny fivoriana nataony


aogositra 2014 ;

ny 22

NY FILOHANNY REPOBLIKA,
Araka ny Lalmpanorenana,
Araka ny fanapahana laharana faha 25-HCC/D3 taminny 10 septambra 2014
nataonny
Fitsarana Avo momba ny Lalmpanorenana,

DIA MAMOAKA HAMPANAN-KERY NY LALANA IZAY TOY IZAO NY


ANDININDININY:

TOKO VOALOHANY : FEPETRA ANKAPOBENY


Andininy voalohany - Ho fampiharana ny andininy faha-145 ao aminny
Lalmpanorenana, ity lalna ity dia mifehy ny fisoloantenam-panjakana eny
anivonireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
Izy no mametra ny foto-kevi-dehibe mikasika ny fandaminana, ny fomba
fiasa ary ny anjara andraikitry ny fisoloantenam-panjakana.
And. 2 - Mpiasam-panjakana manana ny fahalalana sy ny traikefa
takianizany andraikitra izany no misahana ny asanny Solontenam-panjakana.
Didim-panjakana raisina eo aminny Filankevitry ny Minisitra, araka ny
tolo-kevitry ny Minisitra misahana ny Atitany, no anendrena azy.
And. 3 - Ny faripiadidiam-panjakana no sehatra anatanterahana ny asa
maha Solontenam- panjakana.
Ny faripiadidiam-panjakana dia fizarazarana ara-pitantanan-draharahampanjakana eo anivonny lafin-tany ary ao anatinizany no ametrahana ireo
sampan-draharaham-panjakana anapariaham- pahefana. Ao anatinizany faripiadidiana izany no anatanterahana sy anatontosana ny torollana avy aminny
fitondrana foibe.

p.103

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

TOKO FAHAROA : NY AMINNY FANDAMINANA SY NY FOMBA


FIASANNY FISOLOANTENAM-PANJAKANA
SOKAJY VOALOHANY NY AMINNY FANDAMINANA
And.4 - Ireto avy ireo fari-piadidiam-panjakana :

Ny Faritany ;

Ny Prefektiora ;

Ny Distrika ary;

Ny Boriboritanim-panjakana.

Ny Boriboritanim-panjakana dia ahitana ireo fizarazarana ara-pitantanandraharaham-panjakana fototra antsoina hoe Fokontany.
And.5 - Ny Solontenam-panjakana isaky ny ambaratongan faripiadidiampanjakana dia mitondra ireto anarana ireto :

Kaomisera jeneraly ;

Prefe ;

Lehibenny Distrika.

Ny Lehibenny Boriboritanim-panjakana dia mpanampy ny Lehibenny


Distrika.
And. 6 - Ny Kaomisera Jeneraly no misolotena ny Fanjakana eo anivonny
Faritany.
And. 7 - Ny Prefe no misolotena ny Fanjakana eo anivonny Faritra.
And. 8 - Ny Lehibenny Distrika no misolotena ny Fanjakana eo anivonny
Kaominina.
And. 9 - Ny Kaomisera Jeneraly sy ny Prefe dia samy manana sekretaria
jeneraly tsirairay avy.
Didim-panjakana raisina eo aminny Filankevitry ny Minisitra araka ny tolokevitry ny Minisitra misahana ny Atitany no manendry ny Sekretera jeneraly.
Ny Lehibenny Distrika dia manana lefitra roa ka ny iray dia misahana ny
fitantanan-draharaham-panjakana ankapobeny sy ny lafitany ary ny iray kosa
misahana ny fanohanana ny Kaominina sy ny fampandrosoana eny ifotony.
Didim-pitondrana raisinny Minisitra misahana ny Atitany no manendry azy ireo.

p.104

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

SOKAJY FAHAROA : NY AMINNY FOMBA FIASA


And. 10 - Ny Solontenam-panjakana dia manatanteraka fivoriana fanao
ara-potoana miaraka aminireo sampan-draharaham-panjakana anapariahampahefana ao anatinny fari-piadidiany.
Tsy maintsy iantohany ny asa fanohanana ireo tomponandraikitry ny
Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana.
And. 11 - Eo am-panatanterahana ny asany, ny Solontenam-panjakana
dia tsy maintsy manao fanamiana, voatokana ho aminizany, indrindra mandritra
ireo lanonam-panjakana ofisialy.
And. 12 - Ny Kaomisaria jeneraly, ny Prefektiora ary ny Distrika dia
manana teti-bola fampandehanan-draharaha isan-taona izay iantsorohanny
teti-bola ankapobenny Fanjakana.
And. 13 - Ny Solontenam-panjakana dia tsy maintsy monina eo aminny
renivohitry ny fari- piadidiany.
And. 14 - Ny Solontenam-panjakana dia afaka mamindra ny sasantsasany
aminireo anjara andraikiny aminny Sekretera Jeneraly na aminireo lefiny
arakaraky ny trangan-javatra.
TOKO FAHATELO : NY AMINNY ANJARA ANDRAIKITRY NY
SOLONTENAM-PANJAKANA
And. 15 - Ny Solontenam-panjakana dia misolo tena ny Praiminisitra,
Lehibenny Governemanta ary koa ny Minisitra tsirairay, mambra ao aminny
Governemanta.
Aminizany, izy no miantoka ny fitohizanny asanny fitantanan-draharahampanjakana foibe eo anivonny fari-piadidiany.
And. 16 - Ny Solotenam-panjakana dia :

miantoka ny fanatanterahana ny politika ankapobenny


Fanjakana ao anatinny fari-piadidiany ;

manana fahefana aminireo lehibenny sampandraharahampanjakana anapariaham-pahefana misy ao anatinny fari-piadidiany.


And. 17 - Ny Solotenam-panjakana no manentana, mandrindra ary
manara-maso ny asanireo sampandraharaham-panjakana anapariahampahefana samihafa misy ao anatinny fari- piadidiany.
Aminizany :

izy dia mahazo dika mitovy aminireo taratasy fifandraisana arapanjakana rehetra alefanny Minisitra na ny Sekreteram-panjakana aminireo
sampandraharahany anapariaham-pahefana, ary koa ny tatitra mikasika ny

p.105

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

asanireo sampandraharaha ireo alefa any aminny Minisitra voakasika ;

izy dia tsy maintsy ampahafantarinireo manam-pahefana izay


nandidy izany, momba ny fitsidihanana sy iraka ataonny mpiasam-panjakana
sy mandraharaha ao aminny sampandraharaharam-panjakana sy misy
ifandraisana aminny Fanjakana ao anatinny fari-piadidiany ;

izy no miantso sy mitarika ny fivoriana fanao isam-banimpotoana iarahany aminireo tomponandraikitry ny sampandraharahampanjakana teknika anapariaham-pahefana, ary tsy maintsy anaovany tatitra
momba izany ny lehibeny isanambaratonga ;

izy dia tsy maintsy mahazo dika mitovy aminireo fanapahana


mikasika ny famindran- toerana, fanomezana naoty ary ny fialan-tsasatra ho
anny mpandraharaham-panjakana rehetra ao anatinny fari-piadidiany.
And. 18 - Azonny Solotenam-panjakana atao ny mandray soradraharaham-panjakana manana endrika fanapahana na didim-pitondrana.
Aminizany :

izy no misahana ny andraikitra manokana ankininny lalna sy


didy amam-pitsipipka aminy ;

izy no mitandro ny fampiharana sy fanatanterahana ny lalna


sy didy amam-pitsipika ;

izy no miandraikitra ny fanatanterahana sy ny fizohina ny


fampiarana ny torollana avy aminny Governemanta ;

izy no mampahafantatra ihany koa ny olom-boafidy sy


ny mponina mikasika ny politika ankapobenny Fanjakana sy ny asanny
Governemanta ;

izy no manao tatitra aminny Governemanta mikasika ny


toejavatra izay misy ao aminny fari- piadidiany.
And. 19 - Ny Solotenam-panjakana dia mahazo dika mitovy aminireo
fanapahana ara-pitsarana mikasika ny fanamelohana ka manohintohina ny
zonny isambatanolona sy zo maha-olompirenena ho anireo olona monina ao
aminny fari-piadidiany.
And. 20 - Ny Solotenam-panjakana dia tomponandraikitra aminny
fandriam-pahalemana sy ny filaminam-bahoaka.
Izy no mitarika ny rafitra misahana ny famaritana ny paikady sy ny fepetra
mifanentana aminizany ho fiarovana sy fitandroana ny fandriam-pahalemana
sy ny filaminam-bahoaka ao anatinny fari-piadidiany.
Aminizany, afaka mampiasa ny hery fitandroana ny filaminana rehetra
mijanona ao aminny fari- piadidiany izy. Izy no mangataka, araka ny
fombafomba voalazanny didy amam-pitsipika ny andianny Zandarimaria sy
ny Tafika mijanona ao aminny fari-piadidiany.

p.106

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

And. 21 - Ny rafitra voalazanny andininy etsy aloha dia ahitana


ny Solontenam-panjakana mahefa eny aminny lafitany, ny lehibenny
fampanoavana, ary ny kaomandinny andianny mpitandro ny filaminana misy
ao aminny fari-piadidiany.
And. 22 - Ny Solotenam-panjakana dia manohana sy manoro hevitra ny
ratsa-mangaika eo aminny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana
aminny fanatanterahana ny anjara andraikitrizy ireo.
And. 23 - Ny Solotenam-panjakana dia manana fahefana hanolotra mariboninahitra ao anatinny fari-piadidiany, araka ny fepetra voalazanny rijan-teny
manan-kery.
TOKO FAHEFATRA : NY AMINNY FANARAHA-MASO NY FANARAHANDALNA

And. 24 - Ny Solotenam-panjakana no miandraikitra ny fanaraha-maso


ny fanarahan-dalna aminireo sora-draharaha noraisinny Vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana.
Amin izany :

ny Kaomisera jeneraly no misahana ny fanaraha-maso ny


fanarahan-dalna aminny sora-draharaha noraisinny Faritany ;

ny Prefe no misahana ny fanaraha-maso ny fanarahan-dalna


aminny sora-draharaha noraisinny Faritra ;

ny Lehibenny Distrika no misahana ny fanaraha-maso ny


fanarahan-dalna aminny sora-draharaha noraisinny Kaominina.
Azonny Solontenam-panjakana atao ny mampakatra eny aminny
antokom-pitsarana mahefa arakaraka ny trangan-javatra .
And. 25 - Ny sora-draharaha raisinny ratsa-mangaikanny
vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia tsy maintsy alefa avy hatrany
any aminny Solontenam-panjakana, izay manome tapakila manamarina ny
naharaisany azy ireny.
And. 26 - Ny Solontenam-panjakana no mampakatra eny aminny
antokom-pitsarana mahefa, ireo sora-draharaha rehetra izay heveriny fa misy
tsy fanarahan-dalna na tsy fanarahana fitsipika , ao anatinny telopolo andro
manaraka ny naharaisana azy.
And. 27 - Ny Solontenam-panjakana any aminny vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana iray dia mampafantatra tsy misy atakandro ny
vondrombahoakam-paritra itsijaram-pahefana voakasika raha toa ka izy no

p.107

LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA

mampiakatra ny sora-draharaha any aminny antokom-pitsarana mahefa, ary


ampahalalainy azy ny fanamarihana rehetra mikasika ny trangan-javatra tsy
fanarahan-dalna na ny toe-javatra tsy fanarahana fitsipika hita ao aminilay
sora-draharaha voakasika.
And. 28 - Ny Solontenam-panjakana dia afaka mampiaraka aminny
fampakaran-draharaha ataony, ny fangatahana fampihantonana ny
fanatanterahana ny sora-draharaha voakasikizany. Omena rariny avy hatrany
izany fangatahana izany raha hita, eo am-panaovana famotorana, fa marimpototra ny antony iray voalaza ao anatinny fitoriana.
TOKO FAHADIMY : FEPETRA FARANY
And. 29 - Rijan-teninny didy amam-pitsipika no hamaritra ny fombafomba
fampiharana ity lalna ity.
And. 30 Ny solon-tenam-panjakana dia misitraka ny zo sy tamby ary
tombontsoa mifandraika aminny fanantotosana ny andraikiny , ka didy amampitsipika no mametra ny karazany sy ny habetsahany.
And. 31 - Foanana ary dia foana ireo fepetra rehetra teo aloha mifanohitra
aminity lalna ity,
Aminizay
voalazanny:

mikasika

ny

fisoloantenam-panjakana,

indrindra

ireo

ny lalna laharana faha 94-008 taminny 26 aprily 1995


mamaritra ny fitsipika mikasika ny fandaminana, ny fomba fiasa ary ny anjara
andraikitry ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ;

ny lalna laharana faha 2004-001 taminny 17 jiona 2004


mikasika ny Faritra.
And. 32 - Ity lalna ity dia havoaka aminny Gazetim-panjakanny
Repoblika.
Hotanterahina izany fa Lalm-panjakana.

p.108

You might also like