You are on page 1of 127

Fahasoavana Ampy

Fahasoavana Ampy
Nancy Stern

Fahasoavana Ampy

Tafavoaka taminny Famonoana Mahatsiravina ny Zanakay Vavy Sarobidy, dia i Janah Nataoni Nancy A. Stern

Fahasoavana Ampy

Fahasoavana Ampy

Raha tsy nomarihana manokana, dia avy aminny Baiboly Masina, dika Amplifie, zonny mpamorona 1954,1958, 1962, 1964, 1965, 1987 nataonny Fondation Lockman, La Habra, California, marika KJV ao aminny Baiboly Masina, dia avy aminny dika King James ireo Soratra Masina ato anatinity boky ity. FAHASOAVANA AMPY Zonny Mpamorona 2010nataoni Nancy Stern TSY AZO ADIKA Tsy azo adika na alaina na tehirizina, na aminny fomba elekronika, na mekanika, anisanizany ny fanaovana dika mitovy, na aminny fomba fisintonana hafa. Naelinny: McDougal & ireo Mpiara-miasa 18896 Greenwell Springs RD Greenwell Springs, LA 70739
www.thepublishedword.com

McDougal & Mpiara-miasa dia manokan-tena hanapariaka ny Filazantsarani Jesosy Kristy aminny olona faranizay betsaka indrindra ao anatinny fotoana faranizay fohy indrindra. ISBN 978-1-934769-37-9 Natonta tany Etazonia sy Angletera Hozaraina Maneratany

Fahasoavana Ampy

Fanolorana
5

Fahasoavana Ampy

Ho Fahatsiarovana am-pitiavana ny Zanakay vavy Janah Lynn Izao no vakinny soratra eo aminny vatom-pasany: Janah Lynn Stern Fanomezana avy aminAndriamanitra 26 Aogositra 1983 Novonoinnny vadiny taloha Taminny 4 Avril 2007
6 Mahatoky sy Mahery, Maharitra Hatraminny Farany Fidio ny hiaina mahaova zavatra,

Fahasoavana Ampy

Fahasoavana Ampy

FANKASITRAHANA Misaotra ani Mark vadiko, ny ankohonanay, i Kristin Musgrove noho ny aminny famerenana indray ny fanoratana indray, ireo namana marobe noho ny fampaherezana ary, amboninizany rehetra izany, ani Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika, noho ny nanomezany anay Fahasoavana Ampy, mba hahafahana miaritra.
8

Fahasoavana Ampy

Nefa hoy izy tamiko: Ampy ho anao ny FAHASOAVAKO (Ny fahatsarampanahiko sy ny indrafoko) fa ny heriko DIA tanterahana(AMPY hanoherana ny loza rehetra ary mahatonga anao hahatanty ny zava-tsarotra araka ny maha-olombelona) aminny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha aminny fahalemeko, mba hitoeran(eny, afaka manangana tranolay eo amboniko sy mitoetra) ny herini Kristy (Ilay Mesia)amiko. Koa dia finaritra aho aminny fahalemena(araka ny herinolombelona), aminny fampahoriana, aminny fahaterena, aminny fanenjehana, aminny fahantrana, noho ny amini Kristy; fa ny fahalemeko(araka ny herinolombelona) no (tena)fahatanjahako(araka ny hery avy any an-danitra). 2 Korintiana 12:9-10

Fahasoavana Ampy

Votoatiny
Any Ianao Izay, nataoni Janah Lynn Stern ........................................11 Fampidirana......................................................................................12 Tapany I: Ny Fiandohani Janah........................................................14 1. FanomezanAndriamanitra...................................................15 Tapany II: Ireo Fanomanana..............................................................19 2. 3. 4. 5. 6. 7. 8. 9. 10. 11. 12. 13. Ny fototra Iorenanay Ara-panahy..........................................20 Miatrika Tsy fahombiazana eo aminny Fandraharahana.........25 Ny Fomba NiantohanAndriamanitra Anay.............................29 Nivarotra tao aminny Toeram-pilalaovana LSU.......................32 Natahotra hoe Very i Jason....................................................34 Ampy ny Fahasoavako........................................................36 Nafindra tany Texas...............................................................39 Lasa Tafaorina........................................................................42 Niditra taminny fandraharahana Fanaovana Famonoana Afo..45 Nividy Trano Vaovao..................................................................49 Irika Hafa Nahatsapana ny FahasoavanAndriamanitra.............52 Teny Fampitandremana.............................................................55

Tapany III: Ady Mafini Janah teo aminny fiainana............................57 14. Ny Niandohanny Fiainani Janah...........................................58 15. Nianjera teo Ambany Fifehezanny Lehilahy Tanora Iray Mivoana ...................................................................................................62 16. Lasany ny Foko......................................................................67 17. Fampitandremana Mahatahotra..............................................70 18. Niandrandra ny Hiara-hankalaza ny Paska...............................73 Tapany IV: Ny Fiafarani Janah...........................................................75 19. Ilay Antso Nilaza Loza................................................................76 10

Fahasoavana Ampy

20. 21. 22. 23. 24. 25. 26. Ny Fisavoritahananny Sehatra...............................................80 Taorianny fahavoazana.........................................................83 Ny Tanjaka Entinny Fahafantarana ani Kristy.........................87 Miandry ny Fitsarana.............................................................92 Tonga ihany Ilay Andronny Fitsarana nony Farany................99 Nanao Ahoana ny Ampamoaka ny Zava-nitranga...................102 Nifidy ny Hamela Heloka ny Mpamono Azy Izahay................107 Lahateny tao aminny Gazety Mikasika izany........................ Tapany V: Nahoana Andriamanitra !..............................................116 27. Manome voninahitra anAndriamanitra................................117 28. Izay Nianaranay Taminny AlalanIzany Rehetra Izany.......... 120 29. Fahanapahan-kevitra...........................................................134 Pejinny Asa Fampaherezana.............................................. 11

Fahasoavana Ampy

Any Ianao Izay Nataoni Janah Lynn Stern Any Ianao izay, Mazava noho ny andro Manirery, Reneso ny vavako Am-pitiavana eto Sy fiadanan-tsaina Ny teny rehetra Tsy azoko avela Ianao no Andriamanitra. Fa tsy misy hafa Mangataka fiadanana aho, ary ny fitahianao Manantena aho fa mandre ahy Ianao Manantena aho fa mikarakara Ianao Satria raha tsy ny fitiavanao Dia inona no hozaraiko? Mila Anao mihoatra ny filako ny tenako aho Fa manoloana ahy ny zavatrizao tontolo izao Mafy loatra ny fiainana Tsy misy lalana any an-kafa Hiezaka aho tsy hibirioka na hanao tsinontsinona anao. Ianao no Andriamanitro Mila Anao fatratra aho Miaraka aminilay fitiavana ato am-poko Izay vao nokasihinao Ny mba tiako ambara dia: Misaotra Anao! Ny ilaiko ambara dia:Vonjeo aho, fa Ny zavatra ilaina ambarako dia: Tiako Ianao!!! Ary tsy efako irery izany.

12

Fahasoavana Ampy

Fampidirana Andro lohataona mahafinaritra taminizay. Namiratra ny masoandro, nihira ny voronkely, ary izahay sy Marka niasa nanadio sy nandamina ny teo an-tokontany, taorianny nandalovanny ririnina. Nety tsara avokoa ny zava-drehetra teo aminny tontolonay. Sambatra tokoa izahay satria ilay vavitokanay, i Janah, dia niverina nipetraka tao an-tokantrano indray, taorianny fanambadiana namotika sy feno fanararaotana. Nandratra anay ny fahitana azy nijaly koa, izao izy afaka aminizany rehetra izany ary manomboka fiainana vaovao. Nanao zaridaina vaovao teo anoloanny tranonay izahay, namboly voninkazao vaovao, ary nanao izany nahafinaritra tokoa, niaraka taminny iray taminireo namani Janah. Ary tampoka teo, dia nivadika korontana ny tontolonay mahafinaritra. Nahazo antso an-telefaona , ilay tsy tianny raiamandreny ho azo, izahay. Avy aminny vinantovavinay, i Kim, ilay izy; ary nampahafantatra anay fa nisy olona voatifitra tao aminny trano fisakafoana teo antoerana. Niasa tao aminio trano fisakafoana io i Janah, ary rehefa renay ity vaovao ity, dia toa hainay fa izy ilay voatifitra. Taminizany fomba nampivarahontsana izany, ilay andro nahafinaritry ny 4 aprily 2007, dia nivadika ho andro faranizay
13

Fahasoavana Ampy

nahatsiravina indrindra teo aminny fiainanay, izay sarotra hadinoina. Tsy vitanny hoe voatifitra i Janah; fa voatsatotsatoka antsy taminny faritra maro ary notatahana ny tendany, dia nandeha r mandra-pahafatiny izy. Izao vonoanolona mahatsiravina izao dia nataonny olona izay nitokisany teo aminny fiainana, sy tiany taminilay hoe: mandra-panasaraky ny fahafatesana antsika. Ahoana ny hahavelomanao aminizany dona mahatsiravina izany? Izay ny tantaranay, iray aminireo loza nanjo anay, kanefa koa iray aminny fanantenanay sy finoanay. Tafavoaka taminny fomba tsy azonay noeritreretina izahay, ary ny nahatonga izany dia noho Andriamanitra nanomboka nanomana anay tao anaty taminny Fahasoavany Ampy. Nancy Stern Walker, Louisiana

14

Fahasoavana Ampy

Tapany I

Ny Niandohani Janah

15

Fahasoavana Ampy

Toko 1

FanomezanAndriamanitra
Fony aho dimy ambiroapolo taona, ary efa teraka ny zanako roalahy, dia nanomboka nahatsapa faniriana lalina hananjanakavavy aho. Nony avy eo, indray maraina dia nisy namana tonga tato an-trano, mba hanatrika fivoriam-bavaka fanao isan16

Fahasoavana Ampy

kerinandro. Tsy nisy nilazako ny aminny faniriako izy ireo, fa ny iray taminireo vehivavy ireo dia nametraka ny tanany teo aminny kiboko io maraina io ary nilaza hoe: Niteny Andriamanitra fa homeny ny fanirianny fonao, raha voafaritra tsara ny vavaka atao. Tsy nahateny tsy nahavolana aho. Fantatro ilay tianAndriamanitra ho lazaina! Takany ny fanirianny foko, ary nanomboka noresahako mazava tsara taminy ny mikasika izay tiako zazavavikely manga maso sy manana volo volontany. Tao anatinny telo volana dia nitoe-jaza aho, ary tsy nisalasala fa ho vavy io zaza io. Fa fotoana fohy taorianny tena nahazoanay ny fanamarinana izany, dia nanjombona taminay ankohonana ny toe-javatra, satria nesorina taminny asany i Marka. Mbola fantatro fa hilamina ny toe-javatra ary ny antonizany dia satria Andriamanitra no nanome ahy ity faniriana ity, ka hiantoka ny fiterahana ity zaza nampanantenaina ity Izy. Mila mitoetra aminny finoana fotsiny izahay. Nanana fiantohana tsara avy taminny mpampiasa anay taloha izahay, nefa ho ekenny dokoterako ve izany? Nahatoky Andriamanitra. Rehefa nankao aminny biraonny dokotera aho hisafo voalohany, dia nekeny ilay fiantohana anay. Taty aoriana anefa, dia fantatray fa tsy iantohanio ny fiterahana ny zaza, satria aminizay fotoana izay dia efa ela no nialani Marka taminny asany. Mila mahita kaompania izahay, izay tsara fiantohana ary tsy miandry ela. Aminizao fotoana izao aloha, dia tsy anasa izy, manan-janaka roalahy izay iantohana izahay, ary izaho miandry ny fiterahako ny zanakay fahatelo. Nandray taratasim-bola kely avy taminny kaompania teo aloha izahay, ary nanapa-kevitra fa hividy fandraharahana tao Biloxi, Mississipi. Nahita trano izahay ka nifindra tany. Nandritry ny volana maromaro nipetrahany tao Biloxi, dia niverimberina isaky ny fotoana tany Louisiana izahay hijery ny toetry ny fiantohana.
17

Fahasoavana Ampy

Gaga izahay fa io kaompania io ihany no nanome tolotrasa ho ani Marka. Mila mianatra hahazoany ny fahazoan-dalany izy, ka ny fandaniana aminny fiterahana dia iantohana, raha toa izy ka mety mitaingina fiaramanidina mankany an-tananani Oklahoma, any Oklahoma, hanao fiofanana alohanny hahaterahanny zaza. Tsy mbola teraka aho mandra-pahatonganny faranny Aogositra, koa dia toa manome anay fotoana ampy izany! Nampalahelo fa feno ny fianarana mandra-pahavononi Mark, koa dia nisoratra anarana ho anny antokony manaraka izy, ary dia feno koa io. Koa tsy namoy fo izahay, ary farany dia nalefa tany an-tananani Oklahoma izy ho aminny fianarany, herinandro fotsiny talohanny nahaterahani Janah. Vokatrizany, dia voaloa avokoa ny fandaniana rehetra mikasika ny fiterahana azy. Deraina ny Tompo! Nilaina nitarina ny finoanay; fa taminny fotoana tena nilanay azy fatratra, dia teo Andriamanitra ho anay. Hatraminny fahavalonny volanny kiboko, dia efa fantatray fa atao hoe Janah, izay midika hoe FanomezanAndriamanitra, ny anaranny zanakay vavy; dia izay mihitsy izy. Araka ny nomarihiko tany aloha tany, dia nivavaka manokana aho mba ho manga maso sy manana volo volontany izy, ary mbola tsy nahita maso tena manga faranizay mahafatifaty toy ny ani Janah aho. Mandokandoka azy ireo foana ny olona. Ny tena izy, dia tahaka ireny saribakoly sinoa ireny izy aminireo volo marron sy maso manga. Tena tsara tarehy manaitra be izy! Fa taloha izany, fa izao kosa ny ankehitriny. Ankehitriny dia fahatsiarovana fotsiny sisa izany rehetra izany. Maty ny Janahnay. Ahoana loatra no nahatonga izao? Andriamanitra no nanome anay ity zanaka ity; ahoana izao no ongotany aminay izy? Ary nahoana ny fahafatesany no tonga tampoka taminny fomba mahatsiravina? Nametra-panontaniana marobe izahay, fa
18

Fahasoavana Ampy

tsikelikely dia hitanay ireo valiny, arakaraky ny fandrosonny andro. Tsy azo vinaniana sy tantesina ny fahorianay, ary toa miandalana loatra ny fahatongavanny valim-panontaniana. Zavatra iray loha no fantatray: Tsy Andriamanitra no namono ny zanakaivavy. Nitia azy Izy, ary tia Azy koa izy. Fa navelany nitranga izao. Asanny fahavalo izao, ary hatraminny voalohany izahay dia nanapakevitra fatratra ny tsy hanaiky azy handresy ny ady ataony aminay. Tsy azonay antoka ny fomba hisehoanizany, fa tapakevitra fatratra izahay, ny hahatonga anAndriamanitra homena haja aminizao zavatra rehetra izao. Tsy hahazo laza na voninahitra Satana noho ny asa ratsin-jiolahy kanosa nataony. Mbola hanohy hanome ny voninahitra rehetra ho anAndriamanitra izahay, noho ny fanomezana sarobidy, dia ny zanakaivavyna dia taminny fahafatesany aza. Napetraky ny Baiboly mazava lalanAndriamanitra dia tsy lalantsika: tsara fa ny

Fa ny Fihevitro tsy fihevitrareo, Ary ny lalanareo kosa tsy mba Lalako, hoy Jehovah (Isaia 55:8) Angamba mbola tsy takatray ny sary manontolo, fa nanana finoana izahay, fa nataony sy havadiny soa izao zavatra rehetra izao. Ary tena ataony izany. Tsy nitranga teo noho eo izany, sady tsy moramora ny fandehany, fa nahatsapa Fahazoavana Ampy izahay taminny kihon-dalana rehetra. Aleo atomboko aminny fiandohana.

19

Fahasoavana Ampy

TAPANY II

Fanomanana

20

Fahasoavana Ampy

Toko 2

Ireo fototra Ara-panahy


21

Fahasoavana Ampy

Niorenanay
Nobeazina ho Batista Tatsimo, toy ny fianakaviako rehetra aho; ao anatinizany ny renibeko sy ny dadabeko, ary mbola kely dia nandray ny famonjena. Nanomboka taminizay dia fantatro fa nila nibebaka taminny fahotako aho ary nanasa ani Jesosy Kristy hamela heloka ahy ary ho lasa Tomponny fiainako. Hatsaranizay fanapaha-kevitra re izany! Tsy haiko hazavaina ny fiadanana izay nanenika ahy taminizay fotoana izay, ary nanome ahy fototra tsara ho anny fiainana izany. I Mark kosa, ny mifanohitra aminizany: nobeazina taminny finoana Jiosy avy aminny fianakavian-drainy izy, ary taminizahay natao mariazy, dia an-kilaometatra ny elanelanay arapivavahana. Mihevitra aho fa nahalala ny tsy tokony hiraisana zioga aminny tsy mino, fa tsy mba nanohitra velively ny finoako i Marka. Tsy dia nahalala firy mikasika ity persona hoe Jesosy ity izy, na ny mikasika ny personanny Telo Izay Iray; fa tsy mba nanakana ahy tsy ho any am-piangonana, na nanompo anAndriamanitra taminny fombako izy. Taminny lafiny iray dia hafahafa ny tsy fahampianny fahalalany ny tontolo Kristiana. Teraka sy nobeazina tany Angletera ny reniny, koa dia avy aminny finoana Anglikana izy izany; fa niha-lehibe niaraka taminny Tafiky ny Famonjena. Tao aminny Tafika ny raiamandreniny, ary nanampy taminny fanesorana ireo tranonny mahantra tany Angletera taminny 1900, taminny Fitoriany ny Filazantsara im-betsaka. I Nanny, renibeni Marka avy aminny reniny, no mpitendry ampongatapaka ary ny dadabeny no tao aminny antokonny mpidoboka amponga mpandeha tongotra; dia nandehandeha eranny arabeni Angletera izy ireo, nitory ny Filazantsarani Jesosy Kristy taminireo izay mety nihaino. Harembe ho ani Mark izany! Azoko antoka fa nivavaka ho azy ny dadabeny sy renibeny, ary faly aho mitantara fa miandry antsika any An-danitra izy roa, tahaka ny raiamandreniny sy ny ahy.
22

Fahasoavana Ampy

Fony zatovo i Marka dia nentinny reniny nanatrika fitoriana filazantsara nataoni Billy Graham. Nahagaga fa tao aminny kianjani Baton Rouge-nny LSA(Oniversitenny firenena Louisiana) no nanaovana izany. Tao aminizany fitoriana filazantsara lehibe izany, dia nandre ny filazantsara notoriana i Mark, fa tsy resy lahatra. Tsy nekenny sainy ny mikasika ny Telo Izay Iray, satria hatraminny fahakeliny izy dia nampianarina ny Shama Yisrael izay manambara hoe: Henoy ry Isiraely , Jehovah Andriamanitsika, dia Jehovah iray ihany. Koa noho izany dia nampisavoritaka ny sainy ny fomba fijeriny ny Telo Izay Iray. Niverina nody izy ary nanohy ny fiainany toy ny taloha. Fa Andriamanitra taminny Fahasoavany Ampy, dia namboly voa, izay niteraka vokatra taminny fotoany. Lehilahy tsara i Mark, fa araka ny nomarihiny matetika, ny fahatsarany dia efa saika nanakana azy tsy ho voavonjy. Taorianny fanambadianay sy niandrasanay vohoka ny zanakay voalohany, dia nanasa ani Mark ho any am-piangonana aho indray Alahady maraina izay, mba hihaino mpitoriteny vahiny. I Richards Smith io: vao nivoaka ny seha-pianarana, ary feno fahasahiana sy Fanahy Masina. Tena nirehitra taminny hafatra nentiny ilay mpitoriteny. Taorianny fotoam-pivavahana taminio andro io dia nody nisakafo izahay, ary niresaka mikasika ny dikanny hoe voavonjy. Tsapani Mark fa na olona tsara aza izy, dia mbola mpanota ary raha tsy manana ani Jesosy dia ho nanana anjara tany aminny Helo izy. Mbola tsy azony ny atao hoe Telo Izay Iray, fa tsy mampaninona izany izao satria nahatsapa ny Fanahy Masina, mitarika azy sy miantso azy ho eo aminny hazofijaliana izy. Ny takarivanio andro io dia niverina tany am-piangonana izahay, ary efa nila ho nihazakazaka teo aminny lalantsara izy handray ani Jesosy ho mpamonjiny manokana. Tsy tadidiny akory
23

Fahasoavana Ampy

izay nitory teny, raha tsy taty aoriana teo aminny fiainany, io lehilahy io ihany, izay lasa namana tsy foy, no nampahatsiahy ani Mark fa izy no olona voalohany voataonany. Aminny maha-Jiosy azy, i Mark dia tsy nihevitra ny tenany ho niova fo. Jiosy i Jesosy, dia nankany aminny Jiosy aloha vao tany aminny olona rehetra. Tsy izany fa nihevitra ny tenany ho Jiosy feno na Jiosy Mesianika izy. Taty aoriana, taminny alalanny fianarana ny Tenin Andriamanitra sy ny vavaka, no nandraisany fanambarana mikasika ny Telo Izay Iray. Tsapany fa raha afaka ny ho eny aminny toerana rehetra Andriamanitra dia ho tsotra Aminy ny ho Jesosy ety an-tany sy ho Fanahy Masina ihany koa. Takany izao ary azony ambara aminny hafa, indrindra ny Jiosy, fa Jesosy no Mesia, ary Iray ihany Andriamanitra. Niditra ao aminny Fiangonana Batista nisy anay i Marka ary nanomboka namaky Baiboly avy hatrany. Tsotra ny finoany, ary ninoany manontolo ny TeninAndriamanitra, raisina arabakiteny. Nanomboka nahatsikaritra zavatra mbola tsy haiko hatrizay aza izy, na dia nandany ny ankamaroan ny fiainako tao am-piangonana aza aho. Taminy, dia vaovao sy vao atomboka avokoa ny zavatra rehetra ary tena nahafinaritra! Tany aloha elabe, dia nanana olana ny fiangonana nisy anay, dia nifindra tany aminny fiangonana Batista hafa izahay. Tena nangetaheta anAndriamanitra izahay, fa tsy nahalala hoe mitaona anay aminny alalanny Fanahiny Masina Andriamanitra. Henoni Mark ny namana sasany niresaka mikasika ny batisanny Fanahy Masina; ary liana izy, fa izaho tena tsy narisika. Aminny maha-Batista anay dia nampianarina izahay fa tsy ho aminizao vaninandro izao ny fahatsapana ny batisanny Fanahy Masina, miaraka aminny fitenenana aminny teny tsy fantatra. Fitahiana manao ahoana fa nisy vondrona mpino niaraniasa tao aminny kaompania niasani Mark, ary miara-mivavaka matetika izy ireo. Indray andro dia nasainizy ireo i Mark mba
24

Fahasoavana Ampy

handray anjara. Ny sasany taminizy ireo dia nientanentana mikasika ny batisanny Fanahy Masina, ary taminizay no nahatonga azy ho liana koa. Nody tao an-trano izy indray andro izay ary nanontany ahy ny antony tsy inoako io fahatsapana io, ary nolazaiko azy fa tsy nampianarina momba izany aho, satria ny olona rehetra ao ampiangonanay dia mino fa taminny vaninandro hafa izany. Dia nasehony ahy ny porofonizany ao aminny Baiboly, dia lasa liana koa aho. Nisy vondrona avy tao aminny fiangonana vaovao nisy anay nanomboka nanatrika fivoriana tany an-tranonny namana mba hivavaka, ary nipetraka nanao faribolana izahay, nangataka ny Tompo hanao batisa anay aminny Fanahy Masina. Nanokatra ny vavanay tahaka ny voronkely izahay rehetra, saingy tena tsy ampy fahalalana, ka tsy nahalala fa ianao ihany no tokony hiteny. Nampihomehy be angamba izahay taminny Tompo! Angamba misy olona mamaky anity dia hahita fa tahaka anay ihany ry zareo. Tsy ilaina ny manambara fa tsy nahazo teny tsy fantatra izahay taminio alina io, fa nitohy nikatsaka satria tena nangetaheta anAndriamanitra. Nandre momba- na fivoriana fitoriana filazantsara nataoni R.W Schambach izahay, ary rehefa nandeha, dia nanatrika tao koa ilay pastora izay nitory teny taminny alina nanekeny ny finoany sy nanolorany tena ho ani Jesosy Kristy. Efa elaela ihany no tsy nahitany ani Richards Smith, koa dia nientanentana fatratra izahay, resy lahatra fa mitarika anay lavidavitra kokoa ho eo aminny Fanatrehany Andriamanitra. Efa tena lehibe ny kiboko taminizany(teo aminny valo volana teo ho eo) nitondra vohoka ani Joel, zanakalahinay faharoa, ary nanomboka nanatrika fivoriana manokana tany antranoni Pastora Smith sy Doris vadiny izahay. Tena nangetaheta anAndriamanitra izahay ka matetika ireny fivoriana ireny dia
25

Fahasoavana Ampy

mitohy hatraminny roa na telo maraina. Sambany izao i Mark no nanana mpiadidy ara-panahy, ary lasa namana akaiky sy sarobidy ry Smiths. Nampianatra betsaka anay mikasika ny Baiboly sy ny dianny finoana i Richards. Maodely ho anay izy sy ny ankohonany, ary fitaovana naneho taminay ny fomba fiaina aminny maha-mpianatri Kristy. Tena vavolombelona lehibe ho anay ry zareo! Im-betsaka rehefa nila fahagagana izy ireo, dia tonga foana Andriamanitra ho azy ireo. Nampianatra anay zava-baovao maro avy tao aminny Tenin Andriamanitra koa i Richards, ary izany dia nanokatra ny fahatakaranay fa mila bebe kokoa hatrany izahay.Vokatrizany dia nifindra tany amina fiangonana tsy nanana anarana izahay, izay nandrenesanay ny Filazantsara toriana aminny fomba feno kokoa. Oay e!Akory ny fisokafanny masonay taminizany fotoana izany!Tena voatahy tokoa izahay.Tao aminio fiangonana io koa izahay nianatra mikasika ny dianny finoana, momba ny fanaovana fanapahan-kevitra diso sy marina, ary ny hoe tarihinny Fanahy Masina. Niasa tao anatinay Andriamanitra, nanomana anay ho aminny zavatra ho avy.

26

Fahasoavana Ampy

27

Fahasoavana Ampy

TOKO 3

Miatrika tsy Fahombiazanny Fandraharahana


Taminny fotoana mitovitovy aminizao dia niaraniombona fandraharahana tamina mpivady hitanay tao ampiangonana izahay. Natoky azy ireo izahay na dia tsy tokony nanao izany aza, fa efa saika banky rompitra izahay. Nanolo-kevitra ny banky mba hanaovanay fanambarana hosoka, fa nifidy ny tsy hanao izany izahay, rehefa nieritreritra fa, raha manao izany, dia ho mibilobiloka sy tsy marina izahay. Hoy ny Tenin Andriamanitra hoe: Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia anAndriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. Romana 8:28 Mila matoky Azy izahay izao fa marina izany. Nivavaka izahay mikasika ny hidirana aminny fandraharahana, ary, raha manao jery todika, dia angamba nandre ny feony malefaka sy iva
28

Fahasoavana Ampy

ka tsy niraharaha izany. Koa dia nanao safidy diso izahay, fa nanapa-kevitra ny hiatrika ny vokany ary handroso aminny finoana. Taminny farany, dia nety ihany ny fandehan-javatra. Tena niatrika zavatra sarotra tokoa izahay, fa niantoka ny nilainay foana Andriamanitra. Voaporofo fa ampy ho anay ny Fahasoavany, ny indrafony dia vaovao isa-maraina, ary lehibe ny Fitokisany: Izao no hoeritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho. Ny famindramponi Jehovah no tsy nahalany ritra atsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao. Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho Fitomaniana 3:21-24 Vokatrizany tsy fahombiazana taminny fiarahamandraharaha izany, dia toa fahendrena ho anay ny mijery fiangonana hafa. Nifampiresaka taminilay pastora izahay mikasika izany, dia nanaiky ny handehananay izy. Niala tao tamim-pilaminana lehibe taminy izahay. Afaka teo aminny telo volana taorianizay, dia niverina tany am-piangonana izahay indray alina. Olona samihafa no nijoro vavolombelona, ary nahafinaritra anay ny nihaino azy ireo. I Mark taminio nianatra ny Salamo 37 ary, indrindra indrindra ny andininy 28: Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina. Harovana mandrakizay ireo, fa ny taranaky ny ratsy fanahy hofongorana Salamo 37:28 Tampoka teo, naneno ny telefaoninny fiangonana. Ilay vadinilay rangahy niara-nandraharaha taminay no niantso, nangataka vavaka ho anny zananivavikely roa taona, izay tany aminny vonjy taitra, ao aminny hafanana 106. Nahatsapa i
29

Fahasoavana Ampy

Mark fa miteny aminy ny Tompo mba hamela anio ankohonana io ampahibemaso. Ilay zaza no taranaka izay mety hofongorana, ary niteny taminy Andriamanitra fa tiany tokoa izahay, ka azony tanterahana izany. Nanana safidy hatao i Mark(tahaka antsika manana safidy mandrakariva): afaka misafidy hamela ity lehilahy ity izy, na hijaly aminny vokany. Nitsangana izy dia nanambara ampahibemaso ny famelany heloka. Teo no ho eo ihany rehefa avy nanao izany izy, dia naneno indray ny telefaonina. Dia mbola ilay vehivavy indray, ary taminity indray mitoraka ity izy dia nanao tatitra fa nihfana ny hafanana ary nalefa nody ny zaza. Nianatra izahay, tany aminny voalohandohanny fandehananay miaraka tamianAndriamanitra, fa mba hahafahana miara-mandeha Aminy aminny fo madio, fa tsy lasa mangidy, dia mila mamela ny hafa izay nanao ratsy antsika isika. Safidy tsy maintsy nataonay fotsiny ilay izy. Lesona sarotra izany, fa hiverimberina aminny taona maro ho avy manaraka, ary ho voaporofo fa mihatra amanaina aminizay andro nitranganny antambo, rehefa novonoina i Janah sarobidinay.

30

Fahasoavana Ampy

TOKO 4

Ny Fomba Niantohan Andriamanitra ho Anay


Noho ny safidinay tsy hanao fanambarana fa banky rompitra izahay taminizay fotoana izay, dia tsy nanam-bola mihitsy izahay. Indray andro nisy lehilahy iray nitondra ny fiara fivarotany efa ratsy nanoloana ny tranonay, ka nanontany raha manana fatim-by azony vidiana izahay. Nambarako azy fa tsy manana izahay, fa nisisika izy niangavy raha afaka mijerijery ao aminny garazy, sao misy zavatra hita ao. Tsy mihevitra ny hahitany zavatra ao aho, fa nanaiky ihany. Gaga aho fa nahita zavatra nisy vidiny izy. Nomeny ahy ny vidiny, nakariny teo aminny fiarany, ary rehefa nitodika hijery aho dia efa tsy teo intsony izy. Hatraminizao anio izao dia mino aho fa iny lehilahy
31

Fahasoavana Ampy

iny ny tena izy dia anjely nirahinAndriamanitra hanampy anay aminny fotoana faranizay sarotra. Zavatra hafa maro no nitranga taminny manaraka nitondra vola ho anay. Ny mpiara-monina aminay: vehivavy anankiroa efa antitra, dia nangataka ani Mark hanapaka ny ahitra eo aminny tokontaniny, ary nisisika hanome vola azy aminizany asa izany. Talohanizany, dia hafakely ry zareo ny aminny ahitra eo aminny tokontaniny, ka tsy mamela ny masinina fanetezana mandeha herinaratra handalo eo ambony ahitra. Izay manety ny ahitra dia tsy maintsy manosika aminny tanana, ary manaraka ny lalana efa mahazatra. Fa narary ilay lehilahy mpanapaka ny ahitra ka tsy afaka nanao izany. Nihevitra izahay fa hafahafa ny fangatahany ani Mark hanao izany, satria izy ireo sarotiny mikasika izany, ary nilaza i Mark fa tsy haka vola hanaovany izany, fa nisisika izy ireo hoe raha tsy mety mandray vola izy dia tsy hanapaka ny bozaka izany. Nanao mofomamy misy chocolat ho anay mihitsy aza ireo vehivavy ireo mba hahamamy ny resaka. Mbola tadidiko hatraminny tsirony. Natao tao an-trano ilay izy ka tena natsiro! Avy teo dia nahazo famerenam-bola avy taminny trano fiantohana koa izahay tao aminny taratasy tonga. Niantoka taminny fomba maro isan-karazany Andriamanitra taminny zavatra nilainay ara-nofo. Noporofoina taminny fomba maro ny fahatokiany.

32

Fahasoavana Ampy

Toko 5

Manao Fihenam-bidy Mivarotra ao aminny Toerampilalaovana LSU


Niasa ho anny Vokatra Simika tao Borden i Mark taminizahay nomena fahafahana hiasa aminny stand misy fihenam-bidy tao LSU. Niasa tao taona vitsivitsy izahay, hatraminny mitazona stands vitsivitsy aza aminny fotoana iray. Nientanentana aho. Ho tonga eny an-toerana eo aminny efatra ora eo ho eo aminny lalao aminny alina izahay, mitondra mpiasa roapolo miaraka aminay, ary ilaina manomboka avy
33

Fahasoavana Ampy

hatrany. Ao izahay no mahazo ny fitaovanay rehetra, mahandro saosisy mafana sy mofo voasesika, mandamina ny plateau, naka ny veranny coca-cola sy ny vongan-dranomandry ho vonona, sy manao zavatra maro isan-karazany. Dia avy eo mandroso sakafo izahay mandra-podianny olona aminio alina io. Aorianizay, dia tsy maintsy manadio ny stand izahay ary manisa ny vola, izay vao vita ny asanay aminio andro io.(mandoa vola aminay eo aminny ariary zato isaky ny roa arivo ariary azonay eo ho eo ny Oniversite.) Natao mandritry ny alina lavabe izany ary matetika izahay no tsy tafody raha tsy aminny iray na aminny roa maraina. Taminny nanaovanay izany asa izany dia niahy anay Andriamanitra. Nasaina nifindra tany Florida izahay ary nandimby ny mpivarotra nanana fakana tombony tao aminny Oniversite tao, fa nentinay am-bavaka izany fa tsy nanam-piadanana izahay. Rehefa ela ny ela, hay ilay olona tokony iasanay dia nanao bokimbola anankiroa, ary saika tafiditra tao anatinny kizo nisy azy izahay, raha tsy niditra an-tsehatra ho anay Andriamanitra. Fahasoavana! Fahasoavana mahatalanjona! Mitombo aminizany isanandro izahay.

34

Fahasoavana Ampy

Toko 6

Natahotra ny Fahaverezani Jason


Nandritry ny fotoana nitondrako vohoka ani Janah, dia nifindra tany Biloxi izahay, fa tsy tapitra akory ny fahoriana sy ny fahatokian Andriamanitra niahy sy nanampy anay taminny toejavatra rehetra. Indray andro i Jason, izay enin-taona taminizay, dia tafasaraka tamiko teny amoron-dranomasina, ary nihevitra izahay fa very na nisy naka an-keriny izy. Tsy nifankahita izahay ary rehefa tsy hitany aho dia lasa izy nidina teny amoron-dranomasina hitady ahy. Rehefa nomarihako
35

Fahasoavana Ampy

fa tsy taka-maso intsony izy dia tankina aho. Vao teo izy no teo ka lasa tsy hita tampoka teo. Dia nitady sy niantsoantso azy teny amoron-dranomasina aho, ka farany nahavita iray kilaometatra na sahala aminizany. Efa ho namoy fo aho, no farany iny izy tonga. Nitaingina tao aoriananny moto misy kodiarana telo anny polisy izy. Nandeha nitady ahy hono izy, hoy ny fanazavany. Natahotra mafy izahay sao nisy naka an-keriny izy, fa mbola fahasoavanAndriamanitra koa izany satria, raha ny fizotry ny raharaha, dia mety ho tsy hita na niharan-doza lavitra noho izany izy. Nikarakara anay taminny fomba rehetra Andriamanitra, nanomana anay hitoky Aminy aminny andro ho avy.

36

Fahasoavana Ampy

Toko 8

Ampy ho anao ny Fahasoavako


Fony i Janah nandray herintaona dia nisy mpitandrina nilaza taminay fa tianAndriamanitra izahay hahalala fa ampy ho anay ny Fahasoavany. Nilaza izy fa tsy fantany ny antony nilazany
37

Fahasoavana Ampy

izany, fa hisy zavatra hitranga aminay aminny ho avy, koa dia mila mahalala izany izahay. Nanangana ny finoanay Andriamanitra. Mahatoky mandrakariva izy hanomana antsika aminny ho avy, na dia tsy tsapantsika aza izany aminizao fotona izao. Nanoratra ilay Apostoly lehibe hoe: Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao( ampy hiatrehana ny loza sy hanome hery anao hiaritra ny olana araka ny herinolombelona) ny fahasoavako(ny fahatsaram-poko sy ny fitiavako ary ny indrafoko) fa ny heriko dia tanterahana aminny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha aminny fahalemeko, mba hitoeran( eny, afaka hanangana tranolay eo amboniko sy hitoerako)ny herini Kristy (ilay Mesia) amiko. Koa dia finaritra aho aminny fahalemena(araka ny herinolombelona), aminny fampahoriana, aminny fahaterena, aminny fanenjehana, aminny fahantrana, noho ny herini Kristy; fa ny fahalemeko no (tena) fahatanjahako (mahavita, mahery aminny hery avy any andanitra). 2Korintiana 12:9-10 Taminny andro manaraka dia nampianatra anay betsaka mikasika ny filna fampiorenana ara-pinoana Andriamanitra. Nambarany anay tao aminny Teniny fa ny tsirairay avy amintsika dia nomena fatram-pinoana taminny fahatsapantsika ny famonjena: Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko aminny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina: fa mihevera izay onony, araka ny ohatry ny finoana izay nozarain Andriamanitra ho anareo avy. Romana 12:3 Anjarantsika izany ny manangana eo amboninizany finoana niandohana izany.
38

Fahasoavana Ampy

Aminny fizotry ny fananganantsika finoana dia zahantoetra im-betsaka isika. Very vola be izahay teo aminny fandraharana izay noheverinay fa nasaina nataonay; fa, satria nitoetra ho mahatoky anAndriamanitra izahay, dia niantoka anay foana Izy. Angamba nandeha taminny sasantsasany taminny safidinay izahay, kanefa na izany aza, dia teo Izy, aminny mahaRay tia sy miahy Azy. Nianatra izahay fa na inona na inona hadisoana ataontsika, raha mahitsy ny fontsika ka mitsaoka Azy isika dia eo anilantsika foana izy. Nilaza Izy hoe: Mitaraina ny marina ary mihaino azy Jehovah Ka mamonjy azy aminny fahoriany rehetra. Akaikinizay manana fo mangorakoraka Jehovah Ary mamonjy izay torortoro fanahy. Maro ny fahorianny marina Nefa Jehovah manafaka azy aminizany rehetra izany. Salamo 34:17-19 Fa ahoana ary ilay Andriamanitra fitiavana no namela ny zanakaivavy sarobidy ho vonoinolona aminny fomba mahatsiravina? Misy fotoana ahatsapanay ny fanaintainanizany. Aminizao aloha dia eo am-piofanana izahay.

39

Fahasoavana Ampy

Toko 9

Nafindra tany Texas


40

Fahasoavana Ampy

Niasa tao aminny Picadilly Cafeterias i Mark tao aorianizay, ary nafindra tany Texas izahay. Fahatsapany nampisokatra ny masonay io, satria tsy mbola nanalavitra ny fianakavianay izahay nandritry ny fotoana elabe. Hatreto aminity fotoana ity, dia telo ny zanakay: fito, dimy taona ary herintaona sy dimy volana. Mafy tamiko, satria tsy mbola tsy nisy nanampy aho, ary satria niasa ora marobe i Mark dia irery aho, tsy nisy olondehibe niaraka tamiko. Rehefa tao nandritry ny herinandro maro izahay, dia nahita fiangonana naleha aho, fa i Mark tsy afaka nandeha, ary tsy moramora ny mandeha tsy miaraka aminy. Ohatranny miasa foana izy, mila matory, miomana hiasa ora maro ny ampitso. Niasa mandra-pahatonganny aminny 1 ora maraina izy alina maromaro, ary fahatsapana vaovao ho ahy izany. Ny nanaraka dia tratranny virus mahery aho ka tsy maintsy naiditra hopitaly. Dia inona izany izao no hataontsika? Iza no hikarakara ny ankizy? Dia mbola nanaporofo ny fiahiany indray Andriamanitra fa ampy ny Fahasoavany, satria nisy olona tsy fantatray tany aloha, tonga dia niambina ny ankizy nandritry ny herinandro nidirako hopitaly. Ireo dia mpino tao aminilay fiangonana nitondrako ny ankizy, ary nanolo-tanana anay taminny fomba feno fitiavana izy ireo. Tsy afaka niala tany am-piasna i Mark, na dia hoe hijery ahy tany aminny hopitaly aza, ary mino aho fa ilay dokotera dia nihevitra fa tsy tena nanambady akory aho. Nisy fotoana toa niheverako izany koa. Mafy ny fiainana taminizany vanim-potoana izany, ary tsy nanana ambim-bola ho laniana izahay. Tadidiko indray mandeha aho nitondra ny ankizy hilalao tany aminny McDonald ary tsy nanana afa-tsy dimanjato hividianana ranom-boakazo hozarainay rehetra. Anisanny antony dia nandoa volanny trano anankiroa izahay, ny iray any Louisiana ary ny iray any Texas. Noho i Mark miasa foana dia farany aho nahatsapa mila tsy naharaka ny zavatra rehetra. Tena henjana taminay roa izany, ary
41

Fahasoavana Ampy

mafy taminny ankizy koa. Dia averina ihany fa manomana anay ho aminny zavatra ho avy izany. Tsaroako aho nieritreritra indray andro nandritrizany zavamafy izany hoe: Aiza Andriamanitra ? Fantatro izao fa ity no anisanireo toerana nitondrany ahy hanomanana ahy ho aminizay hitranga. Fantany avokoa ny fizotrany. Indray mandeha, nandeha fiara izahay tany Texas, raha niodina fiolanana, dia nivoha ny varavarana aoriana, dia tafatsipy tany ivelanny fiara i Joel, teny aminny beton. Nanomboka nivavaka ho azy avy hatrany izahay, ary rehefa afaka nijanona ka tonga teo aminy, dia hitanay fa nisy marika mainny bton ny endriny ary toa tapaka koa ny kitrokeliny. Nentinay tany aminny vonjy taitra, izay nanendrikendrehan ny olona ani Mark ho mpampijaly zaza. Fa tsy naninona ny zanakailahy: tsy tapaka ny taolany, ary ny kiaka sy ny may teny aminny endriny dia sitrana afaka andro vitsivitsy. Joel no vinitra indrindra satria very ny ilanny kiraro tiany indrindra. Taminizany fotoana izany dia nianatra ny niankina taminAndriamanitra sy nifampiankina izahay, aminny mahampivady sy ankohonana. Tena ho ilainay fatratra izany aminny andro ho avy.

42

Fahasoavana Ampy

43

Fahasoavana Ampy

Toko 10

Lasa Tafaorina
Nifindra niverina tany Louisiana izahay afaka herintaona teo ho eo, ary lasa niasa tao aminny trano fisakafoana tao Picadilly tao Baton Rouge i Mark. Nangataka ny Tompo izahay hanokatra lalana ho anay mba hiverenana, mba hahatonga anay ho tsy lavitra ireo fianakaviana. Tao anatinizany, dia namidinay ny tranonay tany Louisiana ary manofa izahay ho anny ho avy efa tsinjonay. Niasa tao aminny Picadilly nandritry ny enin-taona i Mark ary nampanantenaina betsaka ihany mandritry ny fotoanany any; saingy indrisy, ny ankamaroanizany dia tsy nipoitra. Asa mafy ilay izy, ora maharitra, ary tsy afaka nanana fotoana ho anay sy ny ankizy izy. Nihabe toa tsy nisy ray izy ireo. Avy teo izy dia lasa niasa ho ani Miracle Ear nandritry ny roa taona. Tadidiko ilay mpitantana tao niteny hoe: Indraindray izahay mahazo akoho, fa indraindray tsy mahazo afa-tsy volonakoho!Ary marina izany. Dia avy eo izahay nomena fahafahana handray fandraharahana tao aminny toerana nisy ny fitsangatsanganana fanaovanana atletisma iray, ary nandraharaha ho anay manokana. Nandeha tsara ny tao nandritry ny fe-potoana vitsivitsy. Asa tsy matihanina ilay izy, ary azonay ankohonana natao. Avy eo izahay taminizany dia nanokatra fivarotana mofo voasesika, izay nisy fotoanany, nivadika ho trano fisakafoana ary fivarotana asa-tanana. Dingam-pinoana lehibe izany, fa fantatray fa afaka mitahy anay bebe kokoa Andriamanitra raha voatantanay ny volanay. Nanao dingana aminny finoana izahay, nitoky taminy hiantoka izay ilainay, dia nataony izany.
44

Fahasoavana Ampy

Nahomby ny fandraharahana, fa avy teo dia nanapa-kevitra hivarotra ny tranony ilay tompon-trano, ary tsy te hividy izany izahay. Nakatonay ny trano fisakafoana, ary dia nanokatra fivarotana asa tanana hafa aho. Hoy ny Baiboly hoe: Maneke Azy aminny alehanao rehetra, fa izy handamina ny lalanao. Ohabolana 3:6 Azo antoka fa nitantana ny lalanay ny Tompo. Zavanitranga tao aminny fivarotana asa tanana, no nitarika anay ho aminny fandraharahana ankehitriny, izay niantoka anay izay roapolo taona izay.

45

Fahasoavana Ampy

Toko 11

Niditra taminny Fandraharahana Famonoana Afo


Indray andro dia nisy lehilahy tonga hijery ny famonoana afo tao aminny fivarotana asa-tanana. Nanana anankiray aho tany an-trano ka nangataka azy mba hiverina ny herinandro manaraka hanamboatra anizay koa. Tao i Mark taminny andro nahatongavanio lehilahy io, ary nandinika azy nanao ny asany, dia nandray famintinana fa asa fandraharahana tsara hatao io. Nanontaniany ilay rangahy raha hanokatra fivarotana ry zareo, dia novaliany hoe tokony handeha sy hiresaka aminny taleny i Mark. Indrisy anefa fa nilaza ilay tale hoe tsy mila mpiasa intsony izy. Fa i Mark anefa dia mahay mivarotra, ka vitany ny nandresy lahatra ilay rangahy mba hamela azy hanandrana. Ny herinandro voalohany dia fiofanana no natao, ary nahay be i Mark taminizany ka afaka taminny fanadinana hahazoany ny fahazoan-dalana avy aminny biraonny departemantanny Mpamono afo, izay anny Fanjakana. Ohatranny nandeha tsara ny zavatra rehetra. Avy teo, afaka herinandro vitsivitsy, indray Alarobia, dia nifamaly ny tomponny fivarotana sy ny iray taminny mpiasa, ary voaroaka ilay mpiasa. Ny Alakamisy, dia niala nanaraka anilay mpiasa voaroaka koa ny mpiasa anankiray, ka nanaraka azy tany aminny kaompania vaovao. Ny Zoma, dia niandry anay teo aminny lalana fidiranny fiara ny tomponny orinasa, mba hamerenana ny fitaovany. Nanapa-kevitra izy fa tsara kokoa ho azy ny tsy manana mpiasa akory. Toa loza no fijery izany kanefa tena fahasoavanAndriamanitra niasa ho anay.
46

Fahasoavana Ampy

Nangataka hiara hiasa aminizy roalahy voalohany tao aminny orinasa nisy azy ireo i Mark, ary nanaiky izy ireo. Nampanantena zavatra maro anay ry zareo, nilaza fa mitsinjo anay, ary tsy hamela anay hiala maina. Talohanny Krismasy io. Avy teo, vetivety dia nanapa-kevitra ny hitazona ny fandraharahana ho azy irery izy roalahy, ka dia tavela, niala maina tokoa izahay. Inona no tokony hataontsika? Nanapa-kevitra i Mark fa satria mbola manana fahazoan-dalana manan-kery izy, ary satria nahazo fahalalana sarobidy mikasika ity fandraharahana ity izy tao anatinizao herinandro vitsivitsy izao, dia handeha hanokatra ny kaompaniany manokana. Ary dia izay no nataony! Taloha elabe tsy hanombohanny fandehan-javatra vaovao, dia nisaraka roa ny kaompanianilay mpiasa voaroaka sy ilay mpiaramiombona antoka taminy; ary indrisy fa nakatonny biraonny departemantanny mpamono afo, izay anny fanjakana avokoa ireo kaompania telo ireo. Noho ny fitahianny Tompo kosa anefa dia voatazonay ho fandraharahana mahomby tokoa ny famonoana afo, tao anatinizay roapolo taona izay. Tao anatinio roapolo taona io izahay dia nila ny Tompo hamonjy anay im-betsaka, noho ny Fahasoavany. Fa tao aminny fizotranizany dia tsy vitanny hoe tafavoaka izahay fa nihitatra taminny fahaizana manokana . Ny fandraharahanay voalohany aloha izao dia ny fametahana rakotra fidiran-drivotra any aminny trano fisakafoana sy ny famonoana afo. Nipoitra taminny fomba tsy mahazatra izany. Tamini Mark vao nahazo ny fahazoan-dalany, ny sehapiasany dia taminny fandraharahana fanamboarana sakafo. Indray andro izy dia niditra tamina trano fisakafoana iray izay mbola eo am-pananganana; hitany fa nila rakotra natao manokana miaraka aminny fatana mifanaraka aminizany ry zareo. Nanapa-kevitra ny hanao izany izy, ary nandresy lahatra ny tompony fa hainy tsara ny manamboatra izany. Teo noho eo ihany dia nanoratra taratasimbola ho ani Mark izy.
47

Fahasoavana Ampy

Ohatra FahasoavanAndriamanitra hafa koa izany satria tsy azoni Mark antoka tsara izay hataony, na dia fantany aza hoe aiza no hahaizany izany. ApetrakAndriamanitra amina toerana tsy maintsy ianarana fandraharana foana i Mark, na dia aminny alalanny fahoriana sy ny hadisoana kely aza izany. Hatraminizao i Mark dia nanao asa maro ho ana- mpanao sakafo malaza, ary nahatsapa voatahy izy ireo taminny fiarahana taminy. Nandritry ny taona vitsivitsy voalohany taminity fandraharahana ity, dia efa vonona avokoa ny zavatra rehetra, ary nino i Mark fa haniraka olona hanampy hibata ireo rakotra fampidiran-drivotra mavesatra Andriamanitra; matetika milanja eo anelanelanny dimy amby telopolo amby zato kilao hatraminny valopolo amby zato kilao any ho any, sy hanampy azy hamatotra azy aminny toerany. Tsy mbola namela azy ho irery taminizany Andriamanitra, fa nandefa fanampiana ampy foana. Rehefa vita ny asa dia lasa manohy ny lalany ilay olona. Nandroso teny ny taona ka nahazo fitaovana betsaka hatrany izahay, koa tsy atao tanana intsony izao ny asa sasany, ary tsy dia mandreraka intsony ny asa. Efa mampiasa milina mpanainga entana izahay izao ary ny sasany aminny rakotra fampidirana rivotra aza dia asaina ataonny mpanamboatra hafa, fa tsy mitsimpona zavatra hanamboarana izany intsony izahay. Tonga avy taminny lalana lavitra izahay. Isaky ny dingana iray dia mampianatra sy manomana anay ny Tompo. Afaka nahazo ny fanomanana rehetra ilaina ho anny andro ho avy izahay.

48

Fahasoavana Ampy

49

Fahasoavana Ampy

Toko 12

Nividy Trano Hafa


Rehefa nanofa nandritry ny taona vitsivitsy izahay dia nanapa-kevitra fa te-hanana ny trano tena anay indray. Vonona ny handao ny zavatra rehetra izahay ka hifindra any aminny trano iray na dia somary tery loatra ho anay aza izany. Voataonanny Fanahy hijerijery trano tao aminny tanana akaikinny itoeranay aho. Raha nandalo teo aminny biraonny mpanera teo an-toerana izahay, dia hoy aho tamini Marka hoe: Andao hojerena raha misy trano efa novidianolona na mila fanamboarana ato. Nalefanilay mpanera hijery trano izay efa vita sonia fifanarahana izahay. Noho ny antony manokana dia mety tsy ho voavidinilay olona indray ilay izy. Tsy hitanay iny, fa nihodina teo aminny arabenilay trano izay nomenAndriamanitra anay taty aorianizany izahay.
50

Fahasoavana Ampy

Eny, tsy tena hoe nomeny anay ilay izy, fa efa nivavaka izahay hahazo trano tokony hitovy vidy aminny hofantranonay aminizao fotoana izao isam-bolana. Farany, taorianny tondradrano tsy dia nanimba loatra ny trano, dia nifindra tao izahay, nandoa dimanjato elanelany aminny hofan-tranonay taloha! Nahazo fanampiam-bola FEMA hanampiana anay aminizay simba koa izahay, nefa tsy nanao fangatahana ny aminizany. Tonga fotsiny indray andro nisy solotenanny FEMA teo am-baravarana, nilaza fa tonga izy hanarina ny fahasimbana, dia ilay taratasim-bola no vokatrizay. Fitahiana re izao! Ny fahasoavanAndriamanitra ampy dia miha-miseho hatrany eo aminny fiainanay. Tsy ela akory tao aorianizay, dia nahita masinina maro ngezabe teo an-tsahanay izahay indray andro. Nanontaniako ny iray taminireo lehilahy mampiasa izany ny antony mahatonga izany eo ; dia hoy izy hoe roa taona talohanizao ilay ramatoa tomponilay trano dia nangataka ny hanadiovana ny tatatra. Dia izao ry zareo vao afaka nahavita azy manodidina. Rehefa vita ny asa teo aminny tatatra, dia tsy nisy tondra-drano intsony. Ny tena izy tsy afaka nanome ny fanadihadiana mikasika ny simba aminilay trano izahay raha nanao sonia ny taratasy, fa nanokatra lalana Andriamanitra; ka ny tena izy dia ny ampahatelonny tokony ho vidin-trano no naloanay. Niaraka taminny tany amina ares vitsivitsy koa ilay tany, fa tsy fantatray taminizany fotoana izany. Nilaina nanao filazana mikasika ny trano izahay. Indray andro raha nandeha fiara niakatra izahay, dia nisy fiarabe nijanona teo aminny arabe fidirana. Nisy ramatoa niakatra teo aminay dia niteny hoe: Tranoko ity. Nanao fangatahana ho anio aho ary hanome ahy anio ny banky. Nilaza izy fa hanome vola amboniny, fa tena ilainy ilay trano.

51

Fahasoavana Ampy

Nolazaini Mark azy fa efa anay ny trano satria efa nanao lalana Andriamanitra hahazoanay azy, ary manana ny zo ilaina izahay hahita izany hatraminny farany. Tena nirehareha ny aminy aho taminizy nijoro teo anatrehanilay ramatoa taminizay andro izay. Ary marina daholo izany. Nahita fitia taminny banky izahay. Hoy ilay mpiasanny banky hoe te-hahita ankohonana mitombona tsara hifindra ao aminilay trano izy, ary na dia nanao tolotra ambony kokoa aza ilay ramatoa, dia aleony izahay no mahazo azy. Deraina ny Tompo! Ampy ny fahasoavanAndriamanitra! Efa sivy ambinifolo taona izahay izao no nipetraka tao aminio trano io. I Jason izao efa rain-jaza valo, dia nanorina trano eo akaiky eo, ary manantena izahay fa hanorina eto koa i Joel sy Kim. Nianatra ny fahatokianAndriamanitra taminny lafiny rehetra izahay.

52

Fahasoavana Ampy

Toko 13

Fomba Hafa Hahatsapana ny FahasoavanAndriamanitra


Nanana rika maro izahay tao anatinny taona nifandimby nahafahana nianatra ity fahasoavanAndriamanitra izay soratako ity. Ohatra, nahavita fianarana avy tao aminny LSU i Jason, ary taminizy nianatra tao, dia mambranny Bande des Tigres izy.
53

Fahasoavana Ampy

Nisy fotoana, izahay sy Mark, Joel, Janah nandeha nijery azy nilalao ho anny Peach Bowl Atlanta, tany Georgia. Sahirana izahay fa nafana loatra ny fiara. Nolazaini Mark fa 200.000 Ariary no vidinny piesy nilainay, koa dia nanapakevitra izahay fa hamboariny izany, sery vitananamalahy. Dia izay no nataony. Dia nety iny... fa saingy nandritry ny fotoana voafetra. Teo aminny adiny roa teny an-dalana teo, taminny sivy alina, dia nipoaka ilay piesy, ary dia nafana be indray ny fiara. Ny ankizy natory. Nijanona tany aminny fijanonanny fiarabe izahay, ary raha teo, dia nahatsikaritra taho-na kifafa i Mark. Natsofony tao aminny vavanny radiateur ny ampahany taminny tahony, mba hanentsenana azy, dia lasa izahay. Dia nandeha tsara indray ny zavatra rehetra. Avy eo raha niditra ny faritri Atlanta izahay, dia nisy ny mijanona sy mandeha aminny embouteillage, dia nafana ny rano tao aminny radiateur ka niteraka entona, ary ilay tahon-kifafa feno lavadavaka dia namoaka ny entona hivoaka, vokatrizay dia lasa entona avokoa ny rano ka nanjavona. Tampoka teo, dia nafana be indray ny maotera, dia tsy maintsy naka sisin-dalana izahay. Avy teo dia nijanona tanteraka ny maotera. Inona no tokony hataonay? Nametra-tanana teo aminny saronilay fiara izahay dia nivavaka. Velona ilay fiara! Lasa nihoatra ny arofaninny arabe izahay, dia nisy mpivarotra piesy teo. Nividy diti-na radiateur i Mark, nanolo ny rano tao, dia nikoriana tsara ilay izy taorianizay. Nankany aminny lalao izahay dia nahafinaritra be tany. Nandany ny alina izahay ary lasa nody ny ampitsonio. Farafahakeliny eo aminny dia adiny folo eo ho eo. Afaka ora vitsy dia nanana olana momba ny fiara indray. Inona no azo atao? Eny andalana izahay ary tsy maintsy tonga any an-trano izahay ny ampitsonio. Nivoaka ny fiara izahay dia nametra-tanana taminy
54

Fahasoavana Ampy

ary nanambara fa ara-dalna io aminny anarani Jesosy! Dia niverina tao anatiny izahay, nandefa ny fiara ary nandeha taminny finoana. Ora vitsy taorianizay, dia maizina ny andro ary nirehitra ny jironny alternateur. Dia voa indray ny alternateur. Novonoini Mark ny jiro dia namily nanaraka ny jironny fiara teo alohany izy, mba hahitany izay alehany. Nony afaka kelikely, rehefa tena maizina be, dia nivavaka izahay mba ho ataonAndriamanitra tonga soamantsara. Dia narehitri Mark indray ny jiro, tsy nisy alternateur hanosika ny batterie, fa izany no nahatonga anay hatrany an-trano. Deraina ny Tompo!Mbola nahavita anay tapa-bolana ilay fiara dia maty tanteraka, ary voatery nandany 10,000,000-00 Ariary i Mark nividianana motera vaovao. Izany dia noho ny tsy nividianana ilay piesy 200,000-00 Ariary izay nilainay. (Misy lesona eto, rey olona e!) fa tao anatinizany rehetra izany, dia niaraka taminay Andriamanitra, ary mianatra ny Lalany izahay!

55

Fahasoavana Ampy

Toko 14

Teny Fampitandremana
Taminizaho nanatrika kaonferansa ho anny vehivavy dia nisy nanome teny faminaniana aho. Nolazaina tamiko fa matanjaka ny finoako ary ankasitrahanAndriamanitra, fa tsy mbola nahita ninon inona aho. Niteraka fanahiana tao anatiko io teny io satria tsapako fa hisy zavatra hitranga.
56

Fahasoavana Ampy

Teo aminny faha-iraika ambinifolo taona ani Janah teo ho eo, na dia nanana fientanam-po momba ilay teny aza aho, dia nandeha teny ny fiainana, ary tafiditra tao anatinizany ianao. Raha atao ny jery todika, dia niteny taminay foana Andriamanitra, fa tena nihaino marina ve izahay? Ny fotoana no hanambara.

Tapany III

Olam-piainani Janah

57

Fahasoavana Ampy

Toko 14

Taona Voalohandohany Niainani Janah


58

Fahasoavana Ampy

Nitombo toy ny zaza ara-dalna teny i Janah, fa nanana fiainana mahafatifaty sy voaaro izy. Nanana olana ara-lanja izy ary nanano-sarotra taminny fianarana marika; kanefa dia notiavina sy nolalainny olona rehetra izy. Zaza faly izay ahitana tsiky mandrakariva eny aminny endriny izy. Raha tezitra izy, dia tsy manao an-dolompo. Somary mora ambakaina, fa tia ny olona rehetra, nihevitra fa afaka manova ny hafa, ary mifototra mandrakariva aminny fanekena hilefitra. Malemy fo i Janah. Tiany ireo anadahiny, ireo zaobaviny rehefa tonga ry zareo, ary ny fianakaviany: indrindra ny renibeny sy ireo zanakolo-mirahalahy sy mirahavavy aminy. Avy eo, nony fito ambinifolo taona izy dia nisy fiovna. Tampoka teo i Janah dia nila nahalala ny maha-izy azy. Nanambady ny anadahiny lahimatoa, ilay anadahiny anankiray niasa tany an-toeran-kafa, dia nanirery izy ka nitady fiainana azy manokana. Rehefa nahazo ny asany voalohany izy, dia nanomboka nanohitra anay sy Andriamanitra ary ny fiangonana. Nobeazina tao am-piangonana izy nandritry ny androm-piainany ary nahalala ny marina sy ny diso; fa tahaka ireo tanora hafa, ny safidy tokony ataony izao dia tsy mora. Voalaza ny marina, ireo safidy tokony atao dia tsy mora ho antsika rehetra ny manao azy! Anankiray taminireo safidy diso nataoni Janah taminity indray mandeha ity dia ny niala tao an-trano ka niara-nipetraka tamina ankohonana hafa. Tankina izahay raha nody indray andro ary nahita taratasy nilaza fa lasa niara-nipetraka tamina ankohonana hafa izy, fa dia hanohy hifandray aminay. Torotoro izahay ary tsy nahatakatra izany, ary angamba nitomany nandritry ny herinandro. Tena nifandray taminay tokoa i Janah nony farany, ary nilaza taminay ny toerana nisy azy. Nilaza izy fa mety tsara ny fiainany, fa te-hipetraka any aminny misy azy izy, miaraka aminilay ankohonany vaovao. Tadidiko aho nivavaka sy
59

Fahasoavana Ampy

nampahatsiaro anAndriamanitra fa fanomezana nomena anay izy. Nobeazina araka izay tsara indrindra tratranay izy. Vonona ny hiaiky aho fa nanao hadisoana izahay, fa tsapako hoe nanao fanekena TaminAndriamanitra izahay; noho ny Teniny, ary niandrandra Azy hitazona ny Anjarany aho. Mila miova ny zavatra rehetra. Natolotray ny Tompo Janah fony vao teraka. Izao aho dia tsy mangataka afa-tsy ny hampodiany azy ato an-trano sy Aminy. Ary dia naveriny nody tao aminay tokoa izy nony afaka volana vitsivitsy taorianizay. Tsy mahafinaritra ny tantara tsy maintsy nolazainy. Nampiasaina sy nararaotinity ankohonana vaovao ity izy ho mpitaiza zaza sy hiaraka vonjy maika aminilay zazalahy nipetraka tao aminizy ireo. Nanolo-kevitra azy mihitsy aza izy ireo hoe afaka mahazo fiahiana ara-tsosialy i Janah ka hahaleo tena ary hiantso hanambara aminay fa tsy mahatakatra ny ao an-tsainny zanakaivavy izahay. Misy fomba nieritreretanizy ireo fa mahatakatra ny ao an-tsainny zanakaivavy noho izahay ry zareo, na dia fotoana fohy aza no nahalalany azy. Dia nihevitra azy ho olon-dehibe koa ry zareo, fa izahay kosa hono mihevitra azy ho toy ny zaza. Ankehitriny, fara-faharatsiny dia nody indray izy.

60

Fahasoavana Ampy

Toko 15

Nianjera any Am-pelatananny Lehilahy Tanora Mibirioka


Nihevitra izahay fa tafaverina ny zanakaivavy ary toa faly izy... nandritry ny fotoana fohy fara-faharatsiny. Nahita asa vaovao
61

Fahasoavana Ampy

izy ary tafatombina. Ny zava-kendreny teo aminny fiainana dia ny ho sambatra ara-panambadiana sy hanan-janaka, koa dia nanana namana vaovao izy ary avy teo dia nifankatia tamina olona vaovao. Taminny alalanny namana vaovao(izay niaraka taminio lehilahy io taloha, sady mbola te-hifankatia aminy indray) no nihaonany taminity tanora zazalahy ity. Nangataka azy tsy hiditra aminy izahay satria tsy natoky anilay zazalahy. Ohatranny saro-kenatra be izy, fa tena liana be amini Janah, ary nahatonga ity farany nahatsiaro ho miavaka satria nofidiany noho ilay namany anankiray izy. Koa dia nitohy niaraka taminy izy, na dia nolazainay aza fa tsy fahendrena izany. Raha ny tena marina dia tsy nihevitra azy ho matotra ny aminity lehilahy ity izahay. Maty ny renini Mark; koa satria avy any Angletera izy, dia tsy maintsy nankany an-dafy izahay. Fa rehefa lasa izahay, dia nifampiresaka tsy tapaka tamini Janah taminny telefaona isanandro, ary tsy nisy filazana faniriana hanambady io lehilahy io. Talohanny nahatongavanay tao an-trano, na izany aza, dia efa vita mariazy izy ireo. Talanjona sy torotoro fo izahay, nisy hatraminizay nandeha tany aminny Trano firaketana ny fisoratampanambadiana tao Parish aza, mba hahita raha tena nisy tokoa ilay fisoratana. Io no mba zanakay vavy, ary dia tsy mba nanatrika ny mariaziny akory ve izahay? Tsy afaka nanolotra azy taminny vadiny akory ve ny rainy? Tsy azo vinavinaina izany. Dia nivadika ho mpangeja be ilay vadiny. Nolazainy taminy fa tsy hanambady azy izy raha miandry ny hiverenanay, dia izay no nahatonga azy nilefitra ka nanambady azy faingana toy izany. Nampitandremanireo anadahiny sy ireo vadiny, namana vehivavy koa izy avy eo, mba hitandrina ny aminio lehilahy io satria mangeja be izy. Tsy noraharahaini Janah avokoa izany
62

Fahasoavana Ampy

rehetra izany satria nihevitra izy fa tia azy ilay lehilahy, ka niaro azy fotsiny. Nolazainy taminy fa mialona fotsiny ireo fianakaviany ireo. Taminny farany, ny zavatra notadiavini Janah dia zavatra faranizay manan-danja. Nilaza izy fa tia azy ka te-hanambady. Araka ny teniny dia tena tsara fanahy izy, fa izahay fotsiny no tsy nahafantatra azy, toy ny ahafantarani Janah azy. Voahodidinny olona marobe sambatra tao anaty tokantrano izy, ary tsy nisy fisaraha-mpanambadiana tao aminny fianakavianay; ary araka ny nomarihiko teo aloha teo, dia nilefitra foana izy. Toa mirohotra manohitra ny lehilahiny avokoa ny olona rehetra, ka dia niditra taminy izy, dia nivady izy ireo. Rehefa vita izany, dia vita; ary taorianny fiafaranio zavatra io, dia niezaka ny nampiditra azy tao aminny hetsiky ny fianakavianay izahay. Nentinay nandeha sambo niaraka taminny fianakaviana, noheverina hatao taminny Krismasy izy, nilazanay fa hiara-hankalaza ny fanambadian-dry zareo izahay. Raha teny ambony sambo, dia tsy te-hanakaiky anay izy, ary nanomboka nitazona ani Janah tsy hanakaiky anay. Mihevitra aho fa izany no fotoana nanombohani Janah nahita ny marina mikasika ity olona novadiany. Fa tsapany fa tara loatra izany satria efa nanambady azy izy, dia izao izy mila manaiky azy sy manao izay hahatsara indrindra ny fanambadiany. Te- hanao izay hahasambatra ity lehilahy ity izy, na dia nanao izay nahamenatra azy teo imasonny fianakaviana aza ilay lehilahy. I Mark aza nanome azy asa, fa tena kamolahy izy ary mitelefaona ilay vehivavy niaraka taminy taloha foana, aminny ankabeazanny fotoana. Tao anatinizany rehetra izany dia mbola nijanona taminy ihany i Janah. Nasainy nofafna avokoa ny nomerao telefaoninny namany rehetra tao aminny findainy, ary nezahany natoka-monina

63

Fahasoavana Ampy

i Janah; mbola miteny amini Janah foana fa tia azy ity lehilahy, ary tsy mila olon-kafa afa-tsy izy ihany. Taminny voalohany i Janah dia nino ny ankamaroanny zavatra rehetra nolazainy. Nifandray tamini Janah izahay fa afaka manambara fa tsy mandeha aminizay laoniny ny zavatra rehetra. Tsy tiany hamangy anay izy, ary rehefa tonga mamangy anay izy dia mandeha irery. Manatrika fivoriam-pianakaviana izy fa tsy miaraka aminy mihitsy ralehilahy. Hatraminny hoe tsy manaiky ny handraisany anjara aminny mariazini Joel sy Kim, na dia ny manatrika aza. Nambarani Janah anay fa izay no hevitri Janah. Hoe tsy te-handeha fotsiny izy, fa fantatray fa tsy safidiny izany fa anilay lehilahy. Safidiny kosa taminizany,ny hijanona aminilay lehilahy na eo aza izany rehetra izany. Mety ho nandao azy i Janah indrindra rehefa nahatsapa fa niaraka taminilay olona nifankatia taminy taloha indray izy. Fa tsy mbola navotsotri Janah ihany izy. Vadiny iny, ary hijanona aminy izy na inona na inona mitranga. Misy pastora namana akaiky anay, dia i Dr. Gustav Du Toit avy any Afrika Atsimo, nilaza fa misy dikany sy tanjona ny fijoroany vavolombelona. Te-haka azy an-keriny sy hitondra azy hody izahay fa voafatotra ny tananay. Mbola nitohy tia azy foana i Janah na inona na inona ataony. Ny tena izy dia tia ilay lehilahy tsy misy fepetra izy. Dia nihombo ny fandehan-javatra: indray andro dia nokasihiny tanana i Janah. Taty aoriana vao nitantara taminay izy fa nihazakazaka nitsoaka nankeny am-baravarana hono izy,fa tsy nino azy izahay. Nitalaho taminay izy mba tsy haninona anilay lehilahy. Natahotra azy izy, fa tsy tiany hiditra aminilay raharaha izahay. Nandao azy im-betsaka tokoa i Janah, fa niverina taminy izy satria nampanantenainy zavatra, ary nolazainy fa manenina izy, ary tsy afaka miaina raha tsy misy azy. Taminity indray mitoraka
64

Fahasoavana Ampy

ity dia nisisika i Janah hoe mila miaraka aminny fianakaviany, dia navelany namangy- raha toa ka miaraka aminny havanilay lehilahy. Niaritra ny fampijaliany sy ny fanararaotany i Janah efa ho telo taona. Nandritra ity fotoana ity, dia tsy nitsahatra nivavaka ho ani Janah izahay, ary niezaka nanampy taminny fomba namelany anay hanao izany; fa safidiny ny mariaziny na dia faranizay ratsy indrindra aza. Mampalahelo fa ny safidy dia arahinny vokany. Noho ny fikomiany taminAndriamanitra sy ny raiamandreniny, dia nijinja ranomody mahery setra fatratra i Janah, ary toa tsy misy zavatra azonay atao hiarovana azy aminizany, na niezaka fatratra aza izahay.

Toko 16

Tany Aminny Zanakovavy


65

Fahasoavana Ampy

Foana ny Foko
Tany aminny zanakovavy foana ny foko, ary nieritreritra azy foana izahay. Tadidiko ilay vavaka nisy fanekena izay nitadiavako ny Tompo momba izany. Tsy mbola nanary anay Izy. Izao izy dia nanome anay fiadanana fa mifehy ny toe-javatra, ary tsy hamela anay hitsabaka, fa hifehy anay. Hay, tena te-hanao izany izahay! Ny tena izy dia te-handratra mafy anilay lehilahy tahaka ny nandratrany ny zanakaivavy izahay, fa tonga saina izahay hoe raha manao izany, dia hiandany aminy i Janah ary mety tsy hiverina aminay intsony. Tsy nanan-tsafidy izahay ka dia nitondra azy ireo teo anatrehanny Tompo mandrakariva. Indray andro dia leo sy tofoka i Janah. Fantatray fa ho tonga aminizao ny fandehan-javatra, satria izay no toetrany. Miaritra izy, miaritra, mandra-pahaleony tanteraka , ary avy eo dia izay no farany. Dia niantso izy taminizay fa hiverina hody. Nesorina taminny asany ny vadiny satria tsy nipoitra, ary tsy manaiky ny hiantoka ny fiainanizy roa i Janah. Tato aoriana dia fantatray fa ny tena marina, dia voaroaka izy, fa menatra loatra i Janah hilaza izany aminay. Izay zavatra izay, na izany aza tamini Janah dia tsy fomba hitsoahana. Fa ny tena izy dia vao fiandohanny fampihorohoroanilay lehilahy azy avy eny lavitra. Antsoiny imbetsaka isanandro i Janah dia italahoany mba hody, ilazany fa noana izy ary andraikiny ny mitondra sakafo ho azy. Satria miaramipetraka amin-dreniny izy ireo, dia ataony izay hanamelohani Janah tena hoe mamela ny reniny tsy misy sakafo koa. Rehefa nahita asa vaovao i Janah dia nanomboka nampirehetiny tany am-piasana. Nipoitra izy indray alina haka ny
66

Fahasoavana Ampy

fanalahidinny fiarani Janah, ary rehefa nand ity farany, dia norombahiny ireo ary natorany tao anaty saha teo akaiky teo. Vinitra fatratra izy taminizay ka nasainny taleny nody. Niantso anay izy dia nasainay nametraka fitarainana tany aminny polisy. Nataony izany ka tonga tao aminny toeram-piasany ny polisy. Nolazainy taminilay manam-boninahitry ny polisy fa matahotra ny vadiny izy, ary nanolo-kevitra azy ilay rangahy mba tsy hifanerasera aminy intsony. Fa resy lahatra i Janah fa tia azy ny vadiny, ary tsy hanao zavatra handratra azy. Nitohy niantso foana izy ary nandesy lahatra ani Janah hitondra sakafo ho azy. Nanao izany noho ny alahelony azy i Janah. Ny valinizany hatsaram-panahy izany dia ny nanolanany azy tamin-kerisetra. Tsy nolazaina taminay izany satria nahamenatra azy, mbola izay ihany, fa hitanay ny mangana teny aminny tongony, ary nandrininay izy nanambaranay ny marina. Na taorianizany aza, dia mbola sahy niantso sy nilaza tamini Janah ihany ilay lehilahy fa nifandray tamina vehivavy tany New York hono izy, taminny alalanny Internet, ary tianio vehivavy io ho any aminy hiara-hipetraka aminy hono izy. Nangataka hindrana valise -ni Janah izy sy niteny taminy hanomana ny entany ary hanatitra azy any aminny seranampiaramanidina. Mahatalanjona fa nanaiky i Janah. Tankina aho sady nanontany azy hoe ahoana loatra no anaovany zavatra toy izany. Nambarany ahy fa nobeazinay ho Kristiana izy ary izay no tokony ho fihetsiky ny Kristiana. Inona no azoko ambara aminizany? Fara-faharatsiny, hatreto dia mihiaka Aleloia izahay satria hiala ny tanna ilay lehilahy. Nampalahelo fa ilay vehivavy tany New York dia nanapa-kevitra tsy nila azy koa, ka tsy ela, dia niverina nody izy.
67

Fahasoavana Ampy

Nitohy niantso ani Janah izy, ary indray andro dia reko tsy nahy ity farany niteny hoe: Tsy hiverina aminao intsony aho satria nampijaly ahy loatra ianao. Reraka niady taminy izy ka nanaiky ny hametraka fangatahana ny tsy hahazoanilay lehilahy manakaiky azy intsony, ary koa hangataka fisarahampanambadiana. Naka sary ny mangana teny aminy izahay, ary natolony ho porofonny herisetrany izany. Ny fahazoana ny tsy fahazoanilay lehilahy manakaiky azy dia dingana roa: voalohany dia mamoaka didy tsy fahazoana manakaiky azy izy ireo, izay ao anaty fotoana voafetra, ary rehefa izay, dia atao maharitra izany rehefa avy alaina am-bavany izy.

68

Fahasoavana Ampy

Toko 17

Fampitandremana Milaza Loza


Raha niandry ny fivoahanny didy tsy fahazoanilay lehilahy manakaiky azy ao anaty fotoana voafetra i Janah, dia niteny ny iray taminireo mpiasa tao aminny biraonny mpitsara fa tsy mahasakana bala ny tsy fahazoana manakaiky olona. Raha toa ka voasambotra ny vadiny, ka alefa any am-ponja, dia afaka manamafy ny fiampangana azy i Janah. Te hanamafy ny fiampangana i Janah na dia tsy any am-ponja aza ny vadiny, fa nilaza ilay mpitsongo dia fa hieritreritra izy. Raha manamafy ny fiampangana azy i Janah, dia afaka miampanga azy koa ilay lehilahy. Tadidiko izy niteny hoe: Ka tsy nanao na inona na inona anie aho e! Tsy misy dikany izany hoy ilay lehilahy, afaka mandainga ilay vadiny dia hilaza fa nanao ratsy izy, dia haloto ny antontantaratasiny. Koa satria tsy te-hanana antontan-taratasy maloto i Janah, dia nanapa-kevitra tsy hanamafy ny fiampangana azy izy; fa navelany nampiasain ny polisy ny tsy fahazoany manakaiky azy. Lasa niasa izy dia afaka niteny taminny taleny fa manana taratasy tsy hahafahanny vadiny manakaiky azy intsony. Tsy afaka mankany am-piasany hampahory azy aminny fotoana iasany intsony ilay rangahy. Nanomboka taminizay andro izay dia nahatsiaro ho voaaro izy tany am-piasna, satria nasehony ny mpampiasa azy ny taratasy tsy maharitra ary nangataka mba haka fotoana tsy iasna izy aminny daty hanatrehana ny fitsarana, izay hahazoany ny taratasy maharitra voalaza. Nambara taminy fa tsy olana izany.
69

Fahasoavana Ampy

Faly er izy nihevitra fa efa navalonny lasa ny fahoriana rehetra. Hoy izy tamiko: Neny a! tiako ho fantatrao fa miverina aminny Tompo aho ary ilay Janah anao taloha indray ity. Tena tsy isalasalana fa vaovao tsara mihitsy izany. Tretrika izahay tafaverina izy. Nivoaka niaraka taminny namana taloha izy, ary toa tena finaritra tokoa. Mahafinaritra ny manana azy ao an-trano, mbola tena feno fisaorana tokoa izahay fa nibebaka izy ka niverina taminAndriamanitra. Nangataka sy nahazo asa hafa izy, asa izay naka ora maromaro kokoa, ary tena hanampy azy hanana fiainana vaovao tokoa. Mbola nanohy niantso azy ihany ny vadiny fa taminity fotoana ity dia nomeny ny rainy ny findainy, satria tsy te-hahita na handre avy aminy intsony izy, ary nanomboka nikarakara ny fisaraham-panambadiana. Te ho afaka aminity fampijaliana eritreritra rehetra ity izy.

70

Fahasoavana Ampy

Toko 18

Niandrandra ny Hiaraka Hankalaza ny Paska


Nanakaiky ny Paska, koa te-hividy akanjo vaovao i Janah, dia nanapa-kevitra izahay sy Mark fa hiaraka aminy hiantsena, zavatra izay tsy afaka nataonay nandritry ny fotoana elabe. Nipoaka ny hafalianay. Nahita akanjo vitsivitsy izay tiany i Janah, dia toa ohatranilay zazavavikelinay indray izy. Nahafinaritra ani Mark ny nanome azy ny vola hividianany ireo akanjo. Nahafinaritra azy koa ny niantsena! Dia finaritra koa i Janah. Hotadidinay mandrakariva ireo fotoam-pifaliana niarahana ireo. Herinandro talohanny nahafatesany dia nihazakazaka tany aminireo olona tsy hitany na niresahany elaela i Janah, ary notiaviny izy ireo, araka ny fiteninay azy aty Atsimo. Nahatsapa
71

Fahasoavana Ampy

tena afaka izy. Niara-nipetraka taminay izy nandritry ny iray volana sy tapany nahafinaritra, talohanny fiafarana nahatsiravina indray andronny volana Aprily mibaliaka masoandro.

72

Fahasoavana Ampy

Tapany IV

Fiafarana mahatsiravini Janah

73

Fahasoavana Ampy

Toko 19

Ilay Antso Nilaza Loza


Taminny tolakandronny faha-4 nny volana Aprily 2007, dia tany am-piasana i Janah. Io no andro farany hiasany ao, satria izy afaka nahazo ilay asa hafa. Nientanentana fatratra izy nandroso tamin ny fiainany! Nanapa-kevitra ny hivory any aminny fiangonana hafa anankiray izy ary tsy andriny ny handraisany anjara mavitrika aminny hetsika ao am-piangonana indray. Alohanny nivoahany hiasa taminio andro io dia nilaza tamiko izy fa hanohy ny fiainany! Nanontany ny vidinny peratra fanaony tany an-tsekoly izy, izay veriny na tavela any amini Chris, dia tehanao izay azo atao hahazoany ny GED-ny izy.

74

Fahasoavana Ampy

Niady hevitra teo mikasika ny handehanany hiasa izahay satria mety hanana fotoana izy hihaonana aminny birao misahana ny Fanam- piana Araka ny Lalna, mikasika ny fisarahampanambadiana; fa hoy izy hoe mila miasa izy aminio andro farany ao am-piasna io, satria izay no zavatra tokony atao. Saika handeha hivoaka sy hanao zavatra aho, koa dia nolazaiko azy fa tiako izy. Namaly izy hoe: Tiako koa ianao. Nipetraka nanoloana ny solosaina izy nilalao. Izay no fotoana farany nahitako azy talohanny fandevenana.(Raha tsy isaina ny nahitana azy nampidirina tao anaty lasaka fasiana faty). Tao an-trano niandry azy hiverina avy niasa i Jonathan, iray taminireo namany. Izahay sy Mark niasa tao aminny tokontany ambadiky ny trano, nanamboatra zava-maniry vaovao ho vonona aminny lohataona, sady miezaka ny manao izay hahafinaritra ilay faritra. Nijery ny famantaranandrony i Jonathan ary niteny hoe: Tsy tokony ho efa tonga ve i Janah izao? Nojereko koa ny famantaranandroko, taminizay dia naneno ny findaiko. Teo aminny 2:50 hariva teo ho eo taminizay, ary izay ilay antso nahatsiravina izay nolazaiko tany ampiandohanny boky. I Kim, vinantovavinay, izay mpampianatra tao aminny Lyce teo an-toerana no niteny tamiko fa ny iray taminireo mpianany dia nandre fa nisy tifitra tao aminny iray taminireo trano fisakafoana teo an-toerana. Niantso ahy avy hatrany izy satria fantany fa miasa aminny toerana toy izany i Janah. Fantatray sy Mark izany, ka nitsambikina tao anaty fiara izahay dia nirohotra ho any aminilay trano fisakafoana. Rehefa tonga tany izahay, dia nahatsiravina ny sehatra nanoloana anay: Feno polisy ny toerana ary nisy marika mavo milaza fa toerana nisehoanny vonoanolona ilay trano fisakafoana. Fantatro ny iray taminireo polisy tao anatinny marika mavo. Niara-nianatra tany aminny Lyce izahay. Nanatona azy
75

Fahasoavana Ampy

izahay ka nanontany azy mikasika ani Janah, ary tiany ho fantatra ny antony nahatongavanay teo. Nambaranay azy fa zanakay i Janah ary nanontanianay raha tsy maninona izy. Nozongozoniny fotsiny ny lohany. Nangataka ny hahita azy izahay ka hoy izy hoe tsy afaka mandrara anay izy, fa tsy manoro hevitra anay hanao izany satria tena mahatsiravina ny zava-nitranga, ka tsy ho afaka ao an-tsainay. Fantatray fa marina ny voalazany. Nanaiky izany ny Lehibenny polisy, koa nifehy tena izahay. Tsy nino ny zavatra nitranga taminay izahay. Nitodika tamini Marka aho dia niteny hoe: Novonoinny vadiny izy. Rotika i Mark ka tsy hitany izay natao. Niezaka nampionona ahy izy, fa ny zanany vavitokana dia novonoina taminny fomba feno habibiana. Nolazainy tamiko avy teo fa izay no fotoana faranizay ratsy indrindra teo aminny fiainany. Tena tsy nampino ny zavatra rehetra. Toa tao anaty nofy izahay mivady, na ny tena izy dia tao anaty nofy ratsy mahatsiravina. Ilay zanakay vavy sarobidy mitsirara ao ambadiky ny trano fisakafoana, mihosona aminny rny; fa ny vadiny kosa, izay noheveriny fa tia azy fatratra, dia nandositra, voampanga ho namono azy tamin-kabibiana. Nitomany ny olona nanodidina anay. Niparitaka taminny sasany taminizy ireo ny rni Janah. Tao anatinity sehatra mahatsiravina ity dia mbola nitohy niteny taminny tenanay izahay fa Andriamanitra no hahazo ny voninahitra avy aminizao; ary aminizany, ny tianay lazaina dia hoe: na dia tsy fantatray aza ny zava-nitranga na ny antony, dia nisisika ny hanome azy ny Voninahiny sy ny laza mandrakariva aho aminny zavatra rehetra. Ao aminny Teniny dia nanambara Izy hoe:

76

Fahasoavana Ampy

Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo kosa tsy mbalalako,hoy Jehovah. Isaia 55:8 Nanoratra taminny fiangonana tany Roma i Paoly hoe: Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia anAndriamanitra, dia izay voantso araka ny teny fikasany rahateo. Romana 8:28 Na izahay mino izany, na ...tsy mino. Raha mieritreritra ny teny fikasany izahay, dia nahatsapa fiadanana izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra tonga aminay, na dia nohodidininny halozanny zavatra rehetra aza. (jereo ny Filipiana 4:7). Tsy haiko fa nieritreritra anilay sarimihetsika Ny fijaliani Kristy aho, izay nisy ani Maria nitomany teo amboninny rani Jesosy: nitohy nieritreritra aho hoe ny ranny zanakovavy io. Miangavy aho aza lotoina io. Amin-dranomaso sy alahelo no anoratako ity ampahany aminny tantara ity, fa tsapako hoe ilaina ny manazava ny halalinny azonny fahampianny fahasoavanAndriamanitra aleha. Manantena aho fa hianao mpamaky dia afaka mahatsapa ny famoizam-po niainanay. Tsapako ho nisy am-pahany taminny foko noriatana niala tamiko ary nikiraviravy manta sy nandeha r ho hitanny rehetra. Nandrotika mafy loatra izany rehetra izany, tsy misy teny mahalaza azy! Lasa ilay zanakakely malalanay, nesorina taminay tao anatinity loza mahatsiravina ity, ary tsy misy azonay atao mikasika izany.

77

Fahasoavana Ampy

Toko 20

Ny Fisavoritaky ny Sehatra
Tena nanaja anay ny polisy, ary farany dia nanasa anay hipetraka tao anatinny anankiray taminny fiaraben-dry zareo; hampihataka anay aminny olona nitangorona, teo am-piandrasana ny fandrenesana raha tratran izy ireo soa aman-tsara ilay mpamono ani Janah. Nambaranizy ireo fa nanana olona mahaliana azy izy ireo, izay notadiavinizy ireo taminizay, fa izahay mahalala hoe iza ilay olona. Tao anatinizany, dia natelinay ny zava-misy hoe tena maty ny zanakay vavy.
78

Fahasoavana Ampy

Taminizay dia efa olona marobe hafa no tonga. Teo foana i Kim hatraminny voalohany. Tena nanampy be tokoa izy! Niray saina nangataka anAndriamanitra hanangana ani Janah aminny maty izahay, fa nanana planina hafa Izy. Nitohy niangona ny olona. Teny rehetra teny ny fitrandraham-baovao . Nitady avy eny ambony ny hlicopteres, olona avy aminny fanamafisana ny lalna no hita teny rehetra teny, ary ny solotenanny mpanao famotorana. Tsy haiko hazavaina ny zavatra tsapanay rehefa nahita ny lasaka nisy ny faty, nampidirina tao aminny fiaranny mpanao famotorana! Nahatsiravina izany fotoana izany. Teo aminny adiny efatra teo vao voasambotra i Christopher, ilay lehilahy namono nahafaty ny zanakaivavy, ary tao foana izahay nandritry ny fotoana rehetra, niandry ity fotoana ity. Ahoana no hahatantesanay izany rehetra izany? Ny hany azoko ambara dia hoe nanomana ny ankohonanay manontolo ho aminizao fotoana izao ny Tompo. Miasa aminny filazam-baovao i Jason, ary satria fantany fa tsy te-ho elingelenina izahay tao anatinny fahoriana sy ny alahelo, dia hainy tsara ny fandraisana an-tanana ny zavatra rehetra. Tena nirehareha ny aminy izahay. I Andrea vadiny no nikarakara ny ankizy tany an-trano, fa ny vavaka nataony sy ny hatsarampanahiny dia nampionona anay, raha mbola niady mafy taminny fandaozanilay sarobidinay izahay. I Joel izay nanao Mpiandry tao aminny Miaramila Nasionaly, dia nanao misiona fiofanana tany Belize. Ny anjarany dia fahatongavana tao aoriana, satria izy no nantsoina hamantatra ny vatana mangatsiakani Janah. Nahatsapa tena izy fa ho mora aminy ny manao izany kokoa noho ny olona hafa rehetra ao aminny ankohonanana, noho izy nanao fiofanana ara-miaramila. Feno fankasitrahana izahay.

79

Fahasoavana Ampy

Feno fisaorana izahay ny aminireo zanakay lahy sy ny vadiny avy. Na dia vao avy namoy ny anabaviny aza izy ireo, dia nomen Andriamanitra fiadanana ihany koa. Izahay rehetra dia nahalala fa any an-danitra izy. Ilay lehibenny polisy tao aminny tanna izay nisy anay dia nilaza taminay fa nahatsiravina ny fahafatesani Janah, ka tsy maintsy ho avy taminny devoly. Tao anatinizany izahay dia voahodidinny zo araky ny lalna. Tao ny polisinny paroasy, ny lehibenny polisy, ny departemantanny alika mpitsongodia, ny depioten ny birao tsirairay dia tao avokoa. Sehatra izay voarakitra ao aminny fitadidianay izany. Ireo olona rehetra ireo dia nivavaka ho anay taminny fotoanny alahelo, ka dia mankasitraka azy ireo tokoa izahay, satria nentinizy ireo tamim-pahalemem-panahy araka izay azo natao sy araka ny fomba matihanina tanteraka ny toe-java-nisy teo aminay. Tamim-pahalalam-pomba no niarovanizy ireo anay tsy handre ny tatitry ny filazam-baovao. Renay ilay izy taty aoriana; fa heveriko fa tsy ho zakanay izany taminizany fotoana izany. Farany, tratranny polisy i Chris tany aminny manodidina ny taminny 7:00 ora tany ho any, vao nanomboka maizina ny andro. I Richards Berget, namanny mpitandrina iray izay nanohana anay dia nivavaka mba ho hita alohanny hahamaizina ny andro izy. Tonga ny lehibenny polisy ka nampahafantatra anay taminilay manamboninahitra nanao ny fisamborana. Hoy izy hoe niafina tao ambany kalesy lehibe i Chris ary niezaka nanohitra ny fisamborana, fa nalefany tany aminny seha-panadihadianny sampana misy ny alika mpitsongodia izy hisokatra ny sainy. Feno fisaorana izahay fa tratra izy ary hanefa ny tambinny vonoanolona tsy hay ambara nataony. Tao anatinizany dia tavela hiatrika ny fahavoazana teo aminay, araka izay azonay natao, izahay.
80

Fahasoavana Ampy

Toko 21

Taorianny Fahoriana
Raha vao fantatray fa tratra ilay mpamono olona, dia nody izahay hiezaka sy hanamboatra ny zavatra rehetra izay nahatsembo-dratsy anay. Mbola tao anatinny tsy finoana sy ny hatairana izahay. Azo antoka fa tsy tena izy izao, ary hifoha avy aminizao nofy ratsy mahatsiravina izao izahay. Na izany na tsy izany dia tsy tokony hitranga tamintsika izao; raha toa ka nitranga,
81

Fahasoavana Ampy

dia taminny olona hafa, fa tsy tamintsika mihitsy. Tia sy nanompo anAndriamanitra izahay. Nanao ny Asany aza izahay. Tsy afaka ny hamela izao hitranga aminay Izy. Isaky ny mijery vaovao izahay dia mahita ny sarini Janah sy mandre ny tantarany miverimberina foana. Nanerana ny internet izany, toy izany koa ireo gazety teo an-toerana. Izay toerana rehetra ihodinanay dia ny fahafatesany no atrehinay, ary tena nandifotra izanyizany aza mbola tsy mahalaza azy. Tao anivonny fahorianay, dia tsy maintsy nanapa-kevitra ny toerana handevenanay ny zanakay vavy izahay sy ny akanjo izay ho tiany nanaovana aminny fahafatesany. Tsy nihevitra zavatra toy izao izahay tany aloha, satria toa hoe ny raiamandreny dia tsy tokony handevin-janaka. Tsy maintsy nanao fanapahan-kevitra sarotra koa izahay mikasika ny reniko. Taizam-pandriana izy ary niara-nipetraka taminay taminizay. Nokarakarainny trano fitaizana zokiolona izy, ary izao ry zareo nahita toerana hahatonga azy hahazo aina, ao anatinny herinandro vitsivitsy. Feno fankasitrahana azy ireo izahay noho ny fikarakarany azy, satria fantatray fa ho voakarakara tsara izy eo am-pelatananizy ireo. Nivondrona ny ankohonanay, nipetraka tao aminny efitra fandraisam-bahiny, taminny nahatongavanny filazana fa voaheloka taminny vonoanolona misanda roa i Chris noho ny nanesorany ny ainilay sarobidinay. Nanjary tezitra be i Mark. Aminny maha ray azy dia nahatsiaro meloka izy noho ny tsy nahafahany niaro ani Janah. Kanefa, fantatray fa tsy ho tafody izy raha niditra bebe kokoa taminilay raharaha izahay. Ireo zanakay lahy dia nampahatsiaro azy tamim-pahalemem-panahy fa mila mamela heloka ny mpamono ani Janah izy, ary tsy tokony ho feno fangidiana. Niady saina ny aminy izy ireo.

82

Fahasoavana Ampy

Rehefa nivavaka i Mark dia niteny taminy ny Tompo hoe: Anaka, mila misafidy ianao. Afaka ny ho feno fangidiana sy ho tezitra ianao na ho alaiko aminao izany. Hoy i Mark hoe: Tsia Tompo ! mand ny ho feno fangidiana aho. Miangavy aho, esory amiko izany. Taminizay fotoana izay dia nahatsapa fiadanana nameno azy izy. Taorianny nanesoranny tompo ny fangidiana taminy, dia nahatsapa ara-bakiteny toa notazoninAndriamanitra ny lohany ary ny fanahiny natrakany, araka ny voalaza ao aminny Salamo 3:3 hoe: ...mpanandratra ny lohako[Izy]. Nanohana azy taminny alalanny Fahasoavany ampy Izy. Taminio alina io dia tsy nahita tory aho satria nitoetra tao aminilay fanaintainana nijalianny zanako vavy. Taminizay fotoana izay dia nahafantatra bebe kokoa ny aminny zava-nitranga izahay, ary nolazaiko taminAndriamanitra fa tsy tantiko intsony. Tsy tantiko ny fanaintanana alefanireo sary ireo aty amiko. Izay olona manan-janaka dia mahalala fa marary ianao na dia ny ankihibenny zanakao aza no tafintohina. Tsy tanty ny fahoriako taminizany fotoana izany. Dia niteny tamiko Andriamanitra nanao hoe: Tadidinao ve ianao niteraka anireo zanakao ireo? Tadidiko aho nieritreritra hoe hafahafa koa izany, fa namaly aho hoe: Eny, Tompo. Hoy izy : Naharary be ilay izy, sa tsy izany? Hoy aho hoe: Ie, tena naharary. Dia niteny aminizay Izy hoe: Inona no tsapanao rehefa nahita ny zanakao taminny voalohany ianao? Hoy aho hoe: Tadidiko fa nahatsapa faly be aho, ary afatsilo fa tonga aminizay izy ireo. Izany dia maneho ny hafainganny fanadinoantsika ny fanaintainantsika.
83

Fahasoavana Ampy

Dia niteny tamiko Andriamanitra hoe: Rehefa nahita ny Tavako i Janah dia hadinony ny fanaintainany! Fahamaivanana manao ahoana re izany ho anny aiko miady mafy! Mihevitra aho fa mientanentana tahaka ny fandraisako azy tety amboninny tany i Jesosy mandray ani Janah any an-danitra. Nasainny Tompo nahatsiaro ireo teninny Soratra Masina aho avy teo: ...fa na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera dia hevero izany. Filipiana 4:8 Isaky ny mahita sary ratsy ao aminny saiko aho, dia mand ny hieritreritra mikasika izany fa, ny ataoko dia ny mampifantoka ny eritreritro aminny Soratra Masina ary mieritreritra fotoana tsara sy zavatra tsara. Tadidiko koa fa ny TeninAndriamanitra dia miteny fa tokony hofehezintika ny saintsika ary ampanekena izy io: Fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana anAndriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky ani Kristy (Ilay Mesia, Ilay Voahosotra). 2 Korintiana 10:5 Izany no valim-bavaka faranizay nilaiko fatratra. Raha tsy nampianAndriamanitra aho taminireny fotoana ireny, dia nety ho very saina.

84

Fahasoavana Ampy

Toko 22

Ny Tanjaka Entinny
85

Fahasoavana Ampy

Fahafantarana ani Jesosy


Aminny maha-Kristiana antsika dia voatahy tokoa isika. Tsy azoko veroka akory izany fomba anombohako hanaraka ny fiainana andavanandro, raha tsy misy fifandraisana amini Jesosy. Ho anareo izay tsy manana fifandraisana toy izany dia tsotra kely ilay izy. Ekeni Jesosy isika na inona na inona toerana misy antsika. Tsy mila manao izay hahamarina aloha vao afaka manatona Azy. Miandry am-paharetana Izy ary mety ny hatoninny olona rehetra. Ny ilaina ataonao fotsiny dia ny hahatsapa fa mila Mpamonjy ary mangataka Azy hanadio anao, dia avy eo mamela Azy hifehy ny fiainanao. Aminny alalanny firesahana Aminy sy ny famakiana ny Baiboly ary ny fihainoana ireo mpino nino talohanao, dia hitombo ao amin Andriamanitra ianao, ary izany no hanova ny fiainanao. Ho talanjona ianao. Izao no lazainAndriamanitra mikasika anao: Fa Izaho manana ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny aminny farany. Jeremia 29:11 Manana planina sy zava-kendrena ho anny tsirairay izay miantso ny Anarany Andriamanitra. Ny tena izy, izahay sy Mark dia eo am-pelatanananAndriamanitra ary nomaniny nandritry ny taona maro ho aminizao ady sarotra izao. Izao koa izahay dia mahatsiaro ilay teny faminaniana nolazaina taminay taona maro lasa izay hoe: Ampy ho anao ny Fahasoavako : nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao(ampy hanoherana ny loza ary manome anao hery hahatantesana ny olana araka
86

Fahasoavana Ampy

anolombelona)ny fahasoavako(ny fankasitrahako sy ny fitiavako feno fahalemem-panahy ary indrafo) fa ny heriko dia tanterahana (fenoina sy atao ampy)aminny fahalemena(nao)... 2 Korintiana 12:9 Tena nalemy tokoa izahay taminity fotoana ity, fa deraina ny Tompo, mahery Izy ao anatinay sy aminny alalanay! Fantatray taty aoriana, nandritry ny fiaretan-tory tamini Janah, ny antony nandalovanay izao fahatsapana izao. An-jatony ny olona nanatrika ny fiaretan-tory sy ny fandevenana, ary nampanetry tena anay hatrany hatrany indray ny nandinika azy ireo niditra. Nanomana anay ho aminizao fotoana izao Andriamanitra, ary izaho mieriteritra fa nanampy ny namanay sy ireo olon-tianay hionona izahay, na dia taminizy ireo nampionona anay aza. Naratra koa izy ireo, koa ahoana moa no hahaizanao izay holazaina aminny olona ao anatinizany toe-javatra izany, raha tsy teo aminizany teorana izany aloha ianao? NomenAndriamanitra anay ny teny holazaina ary teo aminay ny Fahasoavany, niaraka tamin-kery lehibe, nandritry ny fizotry ny raharaha manontolo. Nila nanambara taminny olona aho, indrindra ny vehivavy, ny mikasika ani Janah nanadino ny fanaintainany, rehefa nahita ani Jesosy izy, satria izy ireo dia nahatsapa ny fanaintainany. Ny ankamaroanny lehilahy dia vinitra, ary afaka naka ny toeranizy ireo i Mark ary nizara ny zavatra nataoni Jesosy taminy izy, taminny nanesorany ny hatezerany. Fahatsapana niavaka izany. Izahay aza napetrakAndriamanitra tany aminny toerana samihafa tao aminny ftoerana fiandrasana fandevenana, mba hampionona mpisaona maro kokoa. Na tsy nahita izay holazaina aza ny olona maro, ny fihina sy ny vavaka nataonizy ireo dia nahalaza ny zavatra rehetra. Nilainay ny fanatrehanizy ireo. Nampionona be anay ny fanehoanny ankohonana sy ny namana ny fanohanany taminizay fomba izay.
87

Fahasoavana Ampy

Taminizahay tao aminny tranom-paty nanao ny fanomanana, dia ny roa taminny namanay avy any Hammond, tsy iza fa ry Pastora Lloyd sy Regina Blount, no tonga tao an-trano ka niandry ny fiverenanay nandritry ny ora maro . Hoy izy ireo hoe mila mihomehy izahay, ary marina ny nolazainy. Nila nihomehy izahay, fa ny Baiboly milaza fa ny fifalianny Tompo no herinay, ary ny fo ravoravo dia mahasalama tsara toy ny fanafody. NofonosinAndriamanitra fitiavana manodidina izahay, ary naniraka olona tandrify taminny fotoana mety Izy, hampahery anay. Fantatro fa hanao izany ho anao Izy raha avelanao, fa voalohany aloha dia mila misafidy ianao. Izay no nolazainAndriamanitra taminay taminny voalohany. Na ianao mitoky Amiko na tsy... . Nitoky taminy izahay taminny ankamaroanny fiainanay, dia izao izahay mitodika Aminy indray. Fantatray fa afaka mandresy izao izahay, kanefa tsy maintsy aminny alalanny Fanampiany irery ihany. Niandrandra ny hiaraka handany ny Paska hiaraka amini Janah izahay, fa tsy izay no nitranga. Nampanaovinay ho entiny milevina ny iray taminireo akanjo vaovao novidianay ho azy ho anio fety io. Nahatontosa tsara ny asany ilay mpikarakara fandevenana, ary afaka nahazo vatam-paty misokatra izahay. ny

Tany am-piangonana no nandanianay ny Alahady taorianny nahafatesani Janah. Nila nitsaoka anAndriamanitra fotsiny izahay, mba hanampy anay hahatanty ny fahorianay. Niaraka taminny ranomaso nameno ny masonay sy nikoriana teny aminny tavanay, no nanandratanay ny fonay sy ny tananay taminAndriamanitra Tsitoha, Izay Izy taloha sy ankehitriny ary ho avy. Izy irery ihany no tena mahatakatra ny zavatra iainanay ary Izy irery no afaka mameno ny banga navelanny fahalasanani Janah.
88

Fahasoavana Ampy

Taminio tolakandro io, dia nanao fiaretan-tory ho anny zanakay vavy izahay ary talanjona taminny habetsaky ny olona. Ora vitsy fotsiny no nisy toerana nalalaka. Tao anatinireny fotoana ireny no no nitantarana taminay ny fomba nikasihani Janah fiainanolona maro. Nanomboka nahatonga carte sy taratasy koa izahay. Ny ampitsonio no fotoana fandevenana azy ( na famoahana) araka ny tianay iantsoana azy. Tonga tany aminny trano famoaham-paty izahay taminny sivy mahery kely ny maraina, nihevitra fa maro no tsy ho afaka hanatrika satria Alatsinainy io andro io. Teo indray dia nampanetry tena anay ny nahita ny olona nirohotra tao aminny tranom-paty. Fanompoam-pivavahana fiderana ny fandevenana ani Janah, ary nasaina nitsangana sy nidera ny Tompo izahay rehetra. Nirindra ny fihirana ireo hira, ary ny fitanisana ny toetranny maty dia nampirotsa-dranomaso anay. Telo amby roapolo taona i Janah, ary taminny fiafaranny fanompoam-pivavahana alohanny fandevenana, dia telo amby roapolo ireo olona nanolotra ny fony ho anAndriamanitra. Toetra tsara re izao nilazana ny fiainany izao! Tsy misy zavatra hafa azonay angatahana mihoatra noho izany ho anny zanakay vavy. Fitahiana lehibe ho anay izany. Hitanay taminio andro io sy ny andro nanaraka fa tsy irery izahay. Voalohany, nanana anAndriamanitra nanome anay fahasoavana ampy izahay, ary olona maro nanodidina anay koa no nampiasaina ho Tanany mitsotra aminay. Tsy misy azonay angatahana ankoatrizay. Voakasika izahay ka nitomany imbetsaka noho ireo fomba fitondranny olona nandre ny fahafatesani Janah izay taminny fotoana tsy nampoizina. Nalevinay teo akaikinilay toerana tokony nitoeranny reniko taminny 3 Jolay 2009 izy. Izao izy eo akaikinny raibeny sy ny renibeny, ary ao aminny fasana misy ny ankamaroanny
89

Fahasoavana Ampy

razany. Fa izahay mahalala hoe ny vatany ihany no ao; ny fanahiny dia lasa any aminny Rainy any an-danitra. Kanefa mbola manina azy izahay taminizany ary mbola ho manina azy mandrapihaonanay any an-danitra indray. Marobe ny olona niezaka nampionona anay taminny filazana fa any aminny toerana tsara kokoa izy izao. Miara-manaiky izany aminizy ireo izahay, kanefa tsy dia tena nampionona izany taminizany fotoana izany. Tena manina azy fatratra izahay. Izy koa moa isanny tenanay. Andriamanitra irery no hany afaka manasitrana ny fonny reny, ka mahatonga anay hifaly indray aorianny fahoriana toy izany.

Toko 23

90

Fahasoavana Ampy

Miandry ny Fitsarana
Noheverina ho efa handeha ho any Carolina Avaratra izahay ny herinandro manaraka, mba handray anjara aminny fanamboarana CD ho anny asa fanompoana kaonferansa, izay hatao ny volana manaraka. Na dia nilaza aza ireo namanay hoe tsy maninona na tsy tonga aza izahay, dia nanapa-kevitra ny hanatrika ihany izahay. Teny an-dalana, dia avy ny orana ary nisy havana nitsivalana teo aminny lanitra teo anoloanay. Tsy mbola nahita anankiray tsara endrika toy izany izahay. Fisaka na mitsivalana ilay izy fa tsy antsasaky ny fari-bolana. Fara-fahavitsiny dia loko roapolo no tao aminy, maro taminizy ireo no tsy mbola hitanay teny aminny havana tany aloha, ary nandinika azy nanodidina ny fiaranay izahay. Izany dia fanamafisana iray indray ho anay fa nohodidininAndriamanitra ny Fitiavany izahay ary manatanteraka mandrakariva ny Fanekeny na ny teny fikasany izy. Notanterahany ny fanekeny tamini Janah, satria tsy vitanny hoe nentiny nody tao an-tokantranonay fotsiny izy, fa nentiny nody any an-Tranony koa, izay hahavoaaro azy mandrakizay. Teo am-panamboarana ny CD izahay dia nalefanay indray ilay izy ary nandre feo mifanosona aminny anay sy amponga izay tsy nampiasainay izahay. Ny famintinanay azy dia hoe nisy anjely niara-nidera taminay. Vitanay ilay CD dia nody izahay, ary ny volana manaraka aniny dia niverina nankany Carolina Avaratra indray hamonjy kaonferansa. Joel sy Kim koa nanatrika. Rehefa tany izahay dia nihaona tamina mpino hafa izay nivavaka ho anay. Mahafinaritra ny ankohonanAndriamanitra, ary nampahery anay avokoa izy ireo: nohodidininizy ireo ny fitiavany izahay. Ny sasany taminny mpitandrina nanatrika dia avy tany Afrika. Iray tena niavaka i Pastora Emmanuel Twagirimana, izay
91

Fahasoavana Ampy

nizara ny fijoroany vavolombelona. Maty taminny vonoanolona faobe tany Rwanda izy ary nankany an-danitra nandritry ny fito andro. Tany aloha tany izy dia nivavaka ho ani Nelson Mandela sy ny Mpanjaka Elisabeth. Izao izy dia niantso ani Joel ary nanomboka nitantara zavatra mikasika ny anabaviny, dia i Janah, taminny alalanny mpandika teniny. Nanao baiko tanana anay i Joel mba hanatona sy handre izay lazaini Pastora Emmanuel. Izao no nolazainy hoe norombahinAndriamanitra arabakiteny avy tany aminny helo i Janah, ary i Pastora Emmanuel tsy nanana fomba nahalalana ny zava-nitranga taminay taminizany fotoana izany. Teo indray izahay dia nihaona taminny fahasoavanAndriamanitra. Ary koa ny sasany aminireo hatsarantarehy asolo ny lavenona nampanantenaina taminny alalanIsaia ( Jereo Isaia 61:1-3) dia nitranga satria i Pastora Emmanuel dia niara-nody taminay nandritry ny herinandro vitsivitsy. Nanao fivoriana izahay mba hahafahany mitory teny sy hizara ny fijoroany vavolombelona taminireo toerana tsy lavitra teo. Ny fiarahana taminy fotsiny dia efa fanomezana. Nahafinaritra anay ny nandray azy sy ny mpandika teniny tao antokantranonay, ary tao anatinizany, dia lasa mpinamana nandritry ny fiainanay izahay. Nanana tombontsoa nampahafantatra azy taminolona maro izahay ary nahita azy ireo voatahy koa taminny fijoroany vavolombelona. Betsaka ny zavatra manjavozavo taminay ny taona roa manaraka, raha niezaka nampandeha ny fandraharahana ataonay izahay, mikarakara ny reniko, ary koa mandeha mivoaka kely. Indraindray izahay dia tsy maintsy mandalo ny toerana niasani Janah, te-hikiakiaka aho. Dia nataoko izany, ary namoaka ampahany taminny fahoria-mangidy nahazo ahy izany. Indrisy anefa fa akaikinny toerana fividiananay gazoil io, ary eo aminny arabe mikodna, ary matetika izahay no tsy maintsy mandalo eo. Nila fahasoavana ampy mandrakariva izahay handalovana eo aminio toerana io, fa nanome izany foana Andriamanitra.
92

Fahasoavana Ampy

Ny faraparanny taona izahay dia nandeha tany Angletera, Irelande Avaratra ary Soisa. Nientanentana hihaona aminireo namana tany Angletera izay akaiky izahay. Mipetraka any akaikini Liverpool izy ireo, ary tsy mbola tany izahay tany aloha. Nahafinaritra er ny nahita azy ireo indray. Tianay ny nipetraka sy ny firahalahiana taminizy ireo. Afaka nipetraka tao aminny namana akaiky hafa, izay nipetraka any Kent, Angletera koa izahay. Ny renini Mark dia avy any aminio toerana io, ary namangy tany im-betsaka izahay. Nahatsapa ho toy ny tany an-trano izahay. Nahafinaritra anay tany. Nientanentana koa izahay nihaona tamina namana vaovao maro tany Ireland Avaratra. Nanokatra ny tranony hipetrahanny ekipanay ny olona. Tena nahafinaritra be ilay ramatoa nipetrahanay. Tena fitahiana tokoa izy. Tianay ny mihaino azy mirky ary izy koa tia anay mirky. Taminizahay nipetraka tao aminy dia nihaona tamina vehivavy namanny mpampiantrano anay. Nandalo loza isankarazany izy teo aminny fiainany, fa tena voakasiky ny tantaranay izy. Vao volana vitsy izany no nitranga, ka nahita ny fahasoavanAndriamanitra teo aminay izy. Navelany nampahery azy izahay. Izy koa nandamina ny nihaonanay taminny Praiministra tao Ireland Avaratra. Sady filoham-panjakana izy no minisitry ny Filazantsara. Nitsahatra tsy nankany am-piangonanny fahatanorany intsony ilay ramatoa satria nisy zavatra nitranga tany fony izy mbola zaza. Tsy mbola namela heloka ilay olona nanafintohina azy izy, ary tsy nety nankany aminilay fiangonana intsony, na dia mbola mivory ao aza ny fianakaviany. Ilay Praiministra no mpitandrina azy tany aloha. Ary nihevitra izy hoe mety ho tadidiny sy mety tsy ho tiany, satria nomba anilay olona hafa ity Praiministra ity fa tsy nomba azy, fony izy tanora. Satria mahatsapa izy fa ilaina ny hihaonanay aminy, dia nampangininy ny fihetseham-pony. Lasa nankany aminilay
93

Fahasoavana Ampy

fiangonana niaraka taminy sy ny mpampiantrano anay izahay, izay tany Belfast, Ireland Avaratra. Rehefa tonga tao am-piangonana izahay, dia nisy mpiandry maro manodidina ilay fiangonana, ary fantany ny anaranizy ireo. Talanjona izahay! Rehefa niditra ny fiangonana izahay dia nientanentana daholo ny olona nahita azy, ary nandray azy taminny tanana misokatra. Nipetraka izahay ary nihaona taminolona maro nanodidina anay. Nilaza izy ireo fa ho any Soisa ny Reverend aminny faranny herinandro ary, satria izahay ho any, dia mety hahita azy. Tsy nampoizinay mihitsy taminizany fotoana izany hoe tena ho tanteraka izany. Nanomboka ny fotoana, ary nahatsapa ny fanatrehanAndriamanitra izahay, raha nitsangana hivavaka ny lehilahy sy ny vehivavy maro. Marobe ireo mambra nentina ambavaka manokana. Avy teo, nony afaka elaela, dia nitory ny hafatra ny Praiministra. Nahafinaritra tokoa izany. Nony nifarana ny fotoana, dia nitsangana tany ambaravarana izy, ary niarahaba azy ilay namanay vaovao, na dia somary tsy nahazo aina aza. Natsotrany tam-pitiavana taminy ny tanany, ary sitrana avy hatrany taminny tsy famelan-keloka nokotrehany elabe tao am-pony ranamana. Deraina ny Tompo! Nampianatra anay Andriamanitra fa manana asa fanompoana fampihavanana izahay. Rehefa nihaona taminay ilay Praiministra, dia hoy izy: Aaaay! Ianareo ilay olona tra-doza mafy teo aminny fiainanareo! Tsy fantatray akory ny fomba nahalalany izany. Niresaka taminay kely izy, dia nilaza daholo ny olona rehetra fa tsy mahazatra izany, satria tsy mba mpijanona hiresaka amanolona izany izy, satria mampidi-doza izany. Nasainny mpiambina azy handeha izy, kanefa mbola niresaka taminay in-telo, ary namela anay haka sary hiaraka aminy. Nientanentana fatratra izahay. NomenAndriamanitra fahasoavana sy nahita fitia hihaona
94

Fahasoavana Ampy

taminity lehilahinAndriamanitra ity, sy ny ankohonany, ary afaka ho vavolombelona nanatri-maso teo izahay. Ny ampitsonio dia lasa nankany Soisa izahay. Ilay namana niara-dia taminay, dia olona mpikaroka boky tonta tsy misy hevitra, ary te-handeha any aminny tanna kely izay nisy nanao tsenam-boky izy. Raha mbola nandehandeha tao aminilay tanna izahay, dia nitsimpona poti-taratasy manazava ny zava-mitranga ao aminilay fotoana aho. taminio alina io mihitsy, dia ilay Praiministra no mpitoriteny tao. Nandeha nihaino azy izahay, satria izy niresaka mikasika ireo maritiora sasantsasany voalohany tao Scotland. Taminireo andro vitsivitsy nijanonanay tao Avaratri Ireland, dia nomenAndriamanitra fahitana mikasika ny rondpoint aho. Tsara tokoa ilay izy, nisy voninkazo nanodidina azy, fa eo afovoanireo voninkazo, dia hitako fa misy andian-dehilahy mitangorona manodidina lehilahy iray fotsy volo izay teo aminny tany. Ohatranny hoe manana olana izy, angamba voatifitra, satria aho mahita zavatra menamena eo aminny lobany fotsy. Niakanjo complet matroka izy, ary misy olona maro miakanjo toa azy eo amboniny; ary toa miasa saina aminy izy ireo. Nanomboka nivavaka ho anilay fahitana aho, satria tsy nahita olona fantatro taminizay hitako teo. Nivavaka tao aminny fanahy aho mandra-pialanny havesarana, ary avy teo dia azo lazaina hoe adinoko ilay izy. Gaga aho satria, rehefa nihaona taminny pastoranilay fiangonanilay namanay vaovao izahay, dia tsaroako fa izy no ilay lehilahy teo aminny tany, teo aminilay rond-point; ary tsapako fa ity no anisanny antony namelanAndriamanitra anay hihaona taminy. Faly izahay fa afaka nandeha tany aminireo firenena ireo satria namela anay hanana fotoana hahasitranana, lavitra ireo zavatra mampahatsiaro anay ny fahorianay izany. Toa izay jerenay dia misy fahatsiarovana ani Janah, ary mbola mahatsapa ho fery vao ny ao anatinay. Mbola mivavaka ho anay hatrany ireo namana
95

Fahasoavana Ampy

sy fianakaviana, ary afaka milaza izany izahay; fa tena ilainay mafy izany. Mbola mila miatrika ny fitsarana izahay. Tsy fantatray hoe oviana io no manomboka. Taitra izahay taminny taratasy tonga fa efa nisy ireo daty nipetraka ary tsy nisy natrehinay na iray aza. Nahazo daty hafa hanaovana ny fitsarana izahay ary farany dia tratranay io. Talohanny nahatongavanio daty io, dia nihaona matetika taminny Biraonny Mpitsaranny Distrika izahay. Ny iray taminireo mpanampy ny M.D dia teo nanatrika ny fitsarana. Ontsa anay ilay ramatoa, ary feno fankasitrahana izahay. Mafy ny mbola miverina aminny tantara, fa nilainy ny nahalala ny zavatra hitanay, raha tonga tao aminny toeram-piasani Janah izahay taminio andro io. Nazavainay ny zava-niseho sy ny zavatra nanjo ny zanakay vavy, hatraminny nandaozany ny vadiny. Nahitsy ilay mpanampy ny M.D, ary niezaka araka izay tratrany izy nanomana anay ho aminny fitsarana, fa rehefa mandalo tranga manova fiainana ohatranizao ianao, lalana tsy mbola nandalovanao tany aloha, dia sarotra ny hahalalana ny fomba fanomanana. Nolazaina aho fa angamba mila mijoro vavolombelona, ary tsy azoko antoka ny fomba hahatantesako izany. Ny hany azo itokiana, aminizao indray, dia ny fahasoavanAndriamanitra izay voaporofo fa ampy ho anay aminizao tranga manoina ny fo tanteraka izao. Tsy nandao anay Izy hatraminizay, ary azo antoka fa tsy handao anay izao.

96

Fahasoavana Ampy

Toko 24

Tonga Ihany ny Andronny Fitsarana Nony Farany


Amin-kovitra be no anoratako mikasika ny fitsarana, satria mino aho, fa rehefa any aoriana, dia ho sakananay any ivelanny sainay ny ankamaroany. Tena voatahy tokoa izahay nanana ny sasany taminireo namanay akaiky sy ny fianakaviana niaraka taminay taminny fotoana. Tena tahaka ny volosana sy ampijaliana ny famohavohazana indray ny fota- mandry nahatsiravina. Tsy azonay veroka ny faharetanny fitsarana, koa dia nomena soso-kevitra izahay hiomana, araka izay azonay atao, andro maro na herinandro aminny fivezivezena aminny fitsarana. Mbola tsy nanomboka akory ny tena fitsarana raha tsy afaka herintaona, taorianny namonoana ny zanakay vavy malalanay.

97

Fahasoavana Ampy

Taminny voalohany ny mpamono ani Janah dia voaheloka taminny vonoanolona manana haavo voalohany. Nividy basy izy, vao telo andro talohanny famonoana, dia nandeha tany Walmart taminio andro io, hividy ny balanizany. Na izany aza, taminny farany, dia nanapa-kevitra ny biraonny mpanampy ny D.A mba hangataka ny hahazoany ny fiampangana vonoanolona manana haavo faharoa. Ny fiaikena aminity fiampangana ity dia hahazoany sazy mandra-pahafaty, tsy azo ovaina, tsy fahazoana manova didy na fahafaha-miteny ary asa anterivozona. Tratra io fanapahan-kevitra io noho ny antony roa; 1)Ny fiaikena aminilay vonoanolona manana haavo voalohany, dia ho mafimafy kokoa ny hahatrarana azy, satria ireo mpitsara roambinifolo rehetra dia tsy maintsy manaiky avokoa, ary 2)Ny voampanga dia ho navela hanao fampiakarana fitsarana marobe. Noho izany, ny fiaiken-keloka toy izany dia ho namela azy ho eo aminny filaharanny voaheloka ho faty mandritry ny fotoana lavabe. Tianny D.A ho voatsara izy ary hiaiky heloka faranizay haingana. Nanaiky anio fanapahan-kevitra io izahay satria izahay manokana dia te-hamarana ity fitsarana ity, mba hanananay karazana fahamaivanana ara-pihetseham-po. Ny sasany niteny hoe fa mba hahatsapa fikatonan-draharaha aminizay izahay, fa tsy nisy fikatonan-draharaha aminny zavatra tahaka izao; tsy miala aminao ilay izy. Ny fahafantarana fa ilay tomponantoka dia voatsara ary niaiky dia manamaivana anay. Aminny lafiny iray dia tena tsy andrinay ilay fitsarana. Aminizany no handrenesanay tokoa ny antsipirianny zavanitranga taminio andro io. Tsy nahafinaritra izany eritreritra izany. Nony tonga tao aminny fitsarana izahay, dia nankeo aminny ascenseur ho any aminny efitrano fitsarana any ambony. Noho ny antony samihafa, dia tsy nahazo ny efitrano
98

Fahasoavana Ampy

malalaky ny fitsarana izahay, ary ilay olonny Biraonny Mpisolo vavanny Distrika dia tsy faly taminity vaovao ity. Tsy tianizy ireo hipetraka mifanakaiky aminny vadini Janah taloha izahay. Ohatranizay no ilazako azy satria te-ho fantatra aminilay anarany hoe Janah Stern indray izy, fa tsy hafangaro aminny anarany fony nanambady. Afaka taminy izy, na izay no fijeriny azy na tsia. Tena sorena be sy nihetsi-po izahay taminio andro io raha nizotra nankany aminny efitrano fitsarana, ary sarotra ilay izy; tampoka teo, nahagaga anay, fa nisokatra ny varavaranny ascenseur, dia tao i Chris niandry hivoaka, narahanny mpiambina, ho ao aminny efitrano fitsarana. Taitra sy tankina izahay noho ity izy eto akaikinay eto. Tsy nomanina ho toy izany. Nitranga fotsiny ilay izy, ary averina indray, fa tezitra be mihitsy mikasika izany ny Mpanampy ny Mpisolo Vavanny Distrika. Tsy niteny na inona na inona taminay i Chris. Mbola mifatotra izy no nipetraka teo akaikinny mpisolo vava nomenny fanjakana azy. Nipetraka taorianizy ireo izahay, niaraka taminny mpitsara teo ankavananay. Afaka nahita ny fihetsikizy ireo nandritry ny fotoana rehetra izahay, ary koa ny fihetsiny. Niondrika foana izy, afa-tsy taminny nanomezana ny ny fijoroana vavolombelona avy aminny biraonny mpanao famotorana. Avy teo izy dia tena tonga saina sy nifantoka. Nampiasa loha anay izany, fa tsy nampiseho fanenenana mihitsy izy. Mampalahelo an! Efa ho tahaka ny hoe nireharehany ny zavatra nataony.

99

Fahasoavana Ampy

Toko 25

Nanao Ahoana ny Ampamoaka ny Fisehoan-javatra


Nihaino ny fijoroana vavolombelona nifandimby izahay ka nahafantatra zavatra betsaka. Nanafantatra izahay ohatra, fa noroahinny reniny sy ny zana-drahalahiny tany Walmart i Chris taminio tolakandro io. Noteneninny reniny izy mba tsy hifandray amini Janah intsony sy hamela azy hiaina ny fiainany. Nanontany azy ny reniny ny fomba hiverenany mody, ary nilaza izy fa misy hitondra azy aminny fiara. Dia niditra izy avy eo, ka nividy bala ho anny basiny, dia avy eo nandeha nankany aminny toerampiasani Janah. Nahalala izahay fa nijanona tao ambadiky ny dabam-pako tao ivelanny trano fisakafoana izy, teo aminny adiny iray latsaka fahefany teo ho eo. Ary koa, nahalala izahay fa tao anatinizany fotoana izany, dia nisy mpiasa niteny taminny mpitantana ny trano
100

Fahasoavana Ampy

fisakafoana fa miandry kendry tohina ao ambadiky ny dabam-pako ny vadini Janah, dia matahotra ny ho any sy hanary fako ity farany. Nahalala izahay fa ny mpanampy ny tale dia nahita azy tao aminny toeram-piantsonanny fiara, nanontany azy ny ataony ao, ary rehefa nilaza izy fa niandry ny vadiny, dia niteny azy hiditra ao anatiny sy hiandry. Dia nataony izany. Avy eo dia nasainy handeha hiaraka aminy i Janah, fa tsy nety. Tsy tezitra ity farany; nolazainy fa tsy handeha izy. Tsy mbola nirehareha ny aminy toy izany aho, raha ny aminizay, araka ny hevitro. Nijoro taminizay fandresen-dahatra tao aminy izy, na dia namoizany ny ainy aza. Nahalala izahay fa nandre azy ireo nifamaly ny tale ary dia niroso nilaza taminy fa tsy mahazo mifamaly aminny zavatra manokana toy izany izy ao aminio trano io, ary tokony handeha izy. Dia nalaini Chris ny basy dia notifiriny teo aminny sorony i Janah. Nanandrana nitifitra indray izy dia nikatso ny basy. Taminizay fotoana izay, dia nifamahofaho be: satria ilay tale nikiakiaka mba hivoahanny olona rehetra hiala ny trano. Nirona nihemotra i Janah ary nitazona ny sorony, nitady lalana handosirana, sady niangavy ny tale hamonjy azy. Fa nitsoaka ny sehatra ny tale, ary niroso nitsambikina teo aminny fandoavam-bola sy nanaraka ani Janah i Chris. Ny iray taminireo mpanampy ny tale dia nahita azy ary nanongotra ny famonoana afo, dia niteny taminy hanipy ny basy raha tsy izany dia hasiany amininy izy. Natsipiny ny basy, dia noraisinilay ramatoa. Taminio fotoana io, dia izy telo ihany no tao anatinilay trano. Nihazakazaka nivoaka ilay ramatoa, nitondra ny basy niaraka taminy. Nolazainy taminireo tale hafa fa azony ny basy, dia nilaza taminy hanipy aniny ny iray taminizy ireo. Nangataka azy ireo hanampy ani Janah izy, fa tsy nisy niverina tao an-trano hamonjy azy ry zareo.
101

Fahasoavana Ampy

Tao an-dakozia niaraka tamini Janah i Chris. Ary tsy nisy nahafantatra dia hoe nanana antsy koa izy. Nanosika azy fatratra arakizay ainy i Janah, fa notsatotsatohany taminilay antsy izy. Nikiakiaka niangavy olona hamonjy azy izy, fa tsy nisy nanoina. Nandre ny iray taminireo tale koa izahay niteny hoe ataonay fa novonoini Chris fotsiny izy. Tena nanindrona ny fonay mafy izany! Tsy takatry ny sainay ny hoe tsy nisy olona nety hiditra an-tsehatra taminio andro io, fa mivavaka izahay hoe raha misy tranga toy izao, dia handray andraikitra ampy ireo olona ireo, hanao zavatra hamonjena olona voatafika. Farany niha-nalemy i Janah, niha-nanakaiky i Chris ary nanome ny fanaperanaina, nanataka ny tendany. Voatifitra, ny tenda voatsindrona antsy, ny rny mitondra aina noritina taminny tenany, dia nikarapoka teo akaikinny varavarana ao aoriana i Janah. Araka ny hevitry ny biraonny mpanao famotorana, dia notsatotsatohana antsy im-balo izy fara-fahakeliny. Tsy ho matinny tifitra teo aminny sorony izy, raha nisy olona namonjy, talohanny tohinny fanimbna rehetra. Ny hany ampahany tsy fantatray taminny fitsarana dia rehefa navoaka ny sarinny famonoana nalefa hojerenny mpitsara tsirairay. Tsy afaka nijanona ho aminizany izahay! Ilay mpanampy ny Mpitsaranny Distrika dia nahay niaro ny zanakaivavy. Tena nametrapetraka sy nifehy ny zava-drehetra izy. Taminay dia tena sarotra be ny namelona izany rehetra izany indray. Feno fankasitrahana ireo namanay sy fianakavianay nanohana anay taminizany fotoana rehetra izany izahay. Isaky ny maka rivotra izahay, rehefa mandehandeha ao antokontany, dia ao ireo mpanao gazety. Tsy tadidiko akory izay nolazaiko taminizy ireo. Manjavozavo izany izao. Dia niverina indray, nivoaka taminny filazam-baovao indray izahay. Teny rehetra teny ny sarini Janah. Tahaka ny manataka takom-pery izay efa ho sitrana. Nahatsapa toa naverina
102

Fahasoavana Ampy

taminilay fotoana indray izahay. Na izany aza, taminity fotoana ity dia ato aminny efitrano fitsarana miaraka aminay ny mpamono olona, ary tsy maintsy manatrika azy koa izahay, ary mihaino ny olon-kafa miresaka ny fahatsapany ny fiarahany taminny zanakay vavy. Tadidiko ny iray taminireo mpanampy ny tale niteny fa i Janah dia olona mahafinaritra tokoa, ary tsy mba milongolongo rehefa miasa. Nilaza izy fa manana feo tahaka ny anny anjely izy. Izany dia toy ny balsama ho anny fonay nopotehina sy torotoro. Nahafinaritra ny nandre fa nisy olona nankasitraka ny zanakay vavy noho ny tena maha izy azy. Io ilay vehivavy nanampy ani Janah nandritry ny fanafihana. Soa ihany fa tsy elabe araka ny nieritreretanay azy ny fitsarana. Hita fa nanameloka ani Chris ny zava-nivoitra ary tsy ela dia niaiky izy fa namono ny zanakay vavy. Minitra vitsy fotsiny no nilainny mpitsara handinihana ny hamoahana ny didimpitsarana. Niombon-kevitra ny mpitsara rehetra; tsy nanonona anarana. Meloka araka ny fiampangana azy! Nirotsaka ny ranomasom-pahafahana. Ho voaheloka i Chris rehefa avy eo, fa aminizao fotoana izao, dia dingana iray mizotra aminny tsy maintsy alehanay ity. Tsy hoe niverina aminay akory ny zanakay vavy, fa tsapanay hoe fara-faharatsiny nanefa ny sazinny nahafatesany ilay mpamono azy. Nahatsapa izahay hoe satria novain-dry zareo avy aminny vonoana olona haavo voalohany mankany aminny vonoanolona haavo faharoa ny heloka, ka raha miaiky izy, dia hanana fotoana ampy hieritreretana izay nataony, ary koa hanana fahafahana hitady famelan-keloka. Tiani Janah ny vadiny na teo aza ny fanararaotana, ary tiany ny handehanany any an-danitra. Nasehoni Janah azy ny fitiavana fara-tampony taminizy nitondra azy teny aminny seranam-piaramanidina hitondra azy any aminilay vehivavy anankiray. Izao ny baolina dia ao aminny ankolafini
103

Fahasoavana Ampy

Chris. Enga anie ka hikatsaka anAndriamanitra izy ka ho voavonjy.

Toko 26

Nifidy ny Hamela Heloka Izahay


Noho ny fahasoavanAndriamanitra ampy, dia nifidy ny hamela heloka ani Chris izahay. Tsy zavatra mora atao izany, ary indraindray dia mbola mila mifidy ny hamela heloka isanandro izahay. Fa, raha ny fehiny, dia izay no fiainana. Miezaka araka izay tratranay izahay hiaina ny fampianarani Jesosy Kristy, ary nilaza izy fa raha tsy mamela ny hafa izay nanao ratsy antsika isika, dia tsy ho voavela heloka aminny fahalavoantsika:
104

Fahasoavana Ampy

Fa raha hianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo izay any andanitra kosa tsy hamela ny helokareo. Marka 11:26 Ary mitandrema tsara fandrao hisy miala aminny fahasoavan Andriamanitra, fandrao hisy faka mangidy hampikorontana ka ho voalotao ny maro. Hebreo 12:15 Fandaniam-potoana manao ahoana, ny fiainanao fiainampangidiana sy tsy famelan-keloka. Manimba ny fiainanao sy ny fiainanny olona manodidina anao fotsiny ianao. Nahita izahay fa tena manadio sy manome fahafahana tokoa ny famelan-keloka. Fantatray fa ho faly i Janah hoe manohy ny fiainanay izahay ary manome voninahitra fara-tampony anAndriamanitra. Tsy mbola tena azonay tsara ny zava-nitranga sy ny antony nahatonga izany, fa nangataka taminny Tompo aho indray andro izay hoe: Nahoana no nalainao izy? ary namaly Izy. Tsy naka azy Aho, hoy Izy, fa nomenareo Ahy izy. Ary tena marina ny nolazainy. Natolotray Azy i Janah na dia talohanny nahaterahany aza. Koa dia nindraminay taminy fotsiny nandritry ny telo amby roapolo taona izy. Mametraka izany aminny fomba fijery hafa fotsiny izany e! sa tsy izany? Nanana Andriamanitra. fomba hafa nampiononana anay koa

Nanonofy i Mark hoe nahita olona anarivony maro nitsaoka anAndriamanitra teo anoloanny sezafiandrianany. Teo afovoany, notarafinny jiro mazava be, dia nisy zazavavy manao queue de cheval mitsaoka ny Tompo. Fantany fa Janah Lynn io. Avy eo, indray alina izay, dia nolazaiko anAndriamanitra hoe: Raha mba afaka misy mamihina indray mandeha fotsiny mantsy aho. Tao anaty nofy, taminio alina io, dia niditra tao anefitranoko hono i Janah namihina ahy. Ohatranny tsapako ara105

Fahasoavana Ampy

bakiteny ny sandriny namihina ahy. Niresaka kely izahay, dia lasa izy avy eo. Endrey, izany fahasoavanAndriamanitra mahagaga sy ampy!

Ny Vaovao nalefanny The Livingston Parish dia hoe: Alarobia 8 Oktobra 2008, 12:00 maraina Nohamarinini Alice Dowty taminny 11:13 mn, ny Tal 27 Okt 2009 LIVINGSTON- Mambra 12 tao aminny mpitsara no tsy nitonona anarana fa nanameloka ani Christopher Pell ho nahafaty olona taminny vonoanolona haavo faharoa, ny Alarobia hariva. Nofaranana ny fitsarana nandritry ny telo andro, dia ilay lehilahy nanindrona antsy nahafaty ny vadiny nisaraka taminy taminny herintaona, tao aminny trano fisakafoana izay niasanity farany. I Pell, izay 25 taona izao, izay nitifitra avy eo dia nanataka ny tendani Janah Pell, mpiasa tao aminny Trano fisakafoana Walker Popeye. Nitsoaka nandeha tongotra tany anaty ala teo akaiky teo ilay nahiahiana, toerana izay nahasamborana azy. Nihaino ireo fijoroana vavolombelona isan-karazany nanazava ny zava-nitranga nahatsiravina taminio tolakandronny 4 Avril 2007 io ny mpitsara; ireo mpiasanny trano fisakafoana, niaro tena aloha, dia avy eo niady hanavotana ny ainity niaram-boina. Nisintona nandritry ny efapolo minitra latsaka ny mpitsara, alohanny niverenanizy ireo tao aminny efitrano fitsaran ny faha-21 nny Distrikani Mpitsara Brenda Ricks, hanambara ny didim-pitsarana. Miatrika fanamelohana mandra-pahafaty any am-ponja i Pell. Nanomboka ny fijoroana vavolombelona ny Talata maraina, nifantoka taminireo mpiasanny trano fisakafoana Popeyes
106

Fahasoavana Ampy

Chicken sy Biscuits ao Walker, toerana izay nanatahani Pell ny tendanny vadiny taloha, dia i Janah izany. Niasa teo aminny iray volana teo ho eo taminny 4 Aprily 2007 tao Popeys i Janah; ny andronny vonoanolona, hoy i ny mpisolo vava mpanampy ny Distrika Charlotte Herbert. Ny mpanampy ny talenny Popeyes Toni Harrel dia nilaza fa nahita ani Christopher Pell nipetraka tao ambadiky ny dabam-pakonny trano fisakafoana izy taminio tolakandro io, teo akaikinny fiarani Janah. Nilaza i Pell fa manantena mba ho entinny vadiny mody izy rehefa mifarana ny anjara asany, hoy i Harrell. Nolazaini Harrell ny fitsarana fa nasainy niandry tao anatinny trano fisakafoana i Pell, dia lasa tany aminny fiaranny namany izy, nihevitra ny hody. Fa tsy nampahazo aina azy ny fihaonany tamini Pell ka nanapa-kevitra ny hiverina tao aminny trano fisakafoana izy ary nampitandrina ny tale jeneraly, dia i Josh Cox izany. Tao anatinny trano fisakafoana i Harrell dia nahatsipalotra fifanatrehana nampidi-doza teo amini Janah, teo aminny masinina, taorianny fandoavam-bola, ary i Pell dia nanambana azy taminny basy. Nijoro vavolombelona i Cox fa sahirana nanao asa an-taratasy izy no nandre lehilahy niteny tamini Janah mba hametraka anilay telefaona. Ny feonilay rangahy dia nilaza tamini Cox mba hampitsahatra ity resaka ity. Ny Tale Ricky Comeaux dia nijoro vavolombelona fa nahita ani Pell nametraka basy teo aminny fandoavam-bola, toa ohatranny fampitahorana. Nilaza i Cox fa nomeny baiko i Pell mba hanaisotra anio basy io, saingy notifiriny teo aminny sorony havanana i Janah. Niantsoantso ny hivoahanny olona rehetra i Cox, ary nambanani Pell basy i Cox, hoy i Harrell nijoro vavolombelona. Niezaka nitifitra i Pell fa nikatso ilay basy, hoy i Harrell.
107

Fahasoavana Ampy

Hoy i Cox hoe nanomboka nanao izay hahatafavoaka ny mpiasany tany ivelany izy no sady niantso ny 911 taminny finday. Ohatranny nangozohozo i Pell, hoy i Cox, raha nanaraka ireo mpiasa nihazo ny varavarana eo an-tsisin-trano. I Rosa McLin dia niara-nisakafo atoandro taminny zafikeliny, Ronnie, taminny fiandohanny fifanandrinana. Nolazainy taminny fitsarana fa nosintoniny tao ambany latabatra ny zafikeliny, dia nojereny i Harrell miezaka miresaka amini Pell mba hilamina taorianny nitifirany ani Janah. Taorianny tifitra voalohany, dia tsy nampidininy mihitsy ny basy hoy i McLin nijoro vavolombelona. Nandeha r ny soroki Janah notrobaranny bala, nirondrona izy nankany aminny varavarana aoriana, nanaraka ireo mpiasa hafa. Nanaraka azy tsy niteny tsy nivolana i Pell, hoy i Harrell taminny fitsarana. Nilaza i Harrell fa nosintoniny teo aminny rindrina ny famonoana afo, saika nikapohany ani Pell, raha ilaina. Narahiny tany aminny varavarana aoriana i Pell, nampitandremany mba hihemotra. Nilaza aho hoe: miangavy re ralehilahy , aza manao anizao ianao, fa izay alehanny vady nisarahany ihany no nobanjinini Pell. Rehefa tonga tao aminny efitranokely tao anatinny varavarana aoriana i Harrell sy Christopher ary Janah, dia mbola nandrahona hamely ani Pell aminny famonoana afo ihany i Harrell. Tsy nitodika hanandrina ani Harrell akory i Pell, no nametraka ny basy teo amboninny antontam-baoritra , teo akaikinny varavarana. Nilaza i Harell fa norombahiny ilay fiadiana dia nihazakazaka ho any aminny fidiranny mpiasa hafa indray izy, nihevitra fa ho afaka hitsoaka aminny alalanny varavarana ambadika i Janah. I Cox izay tao aminny fiantsonanny fiara an-tsisiny niaraka taminny hafa, dia nijoro vavolombelona fa nahita ani Harell nihazakazaka nanatona azy niaraka taminny basy. Nitomany i
108

Fahasoavana Ampy

Harell raha nitantara taminny fitsarana, fa ny niezahany nolazaina taminny olona dia hoe tsy manana fiadiana intsony i Pell ary afaka ny ho voafehy. Nilaza i Harell avy eo fa nahita ani Janah nitsirara teo aminny varavarana, ary i Pell nihazakazaka namakivaky ny saha tao aorianny trano fisakafoana. Taminny voalohany i Harell dia nihevitra fa safotry ny ratra nitifirana azy i Janah, fa rehefa nanatona izy dia tonga saina fa tsy nitsahatra ny fanafihani Pell, taorianny namelany ny basy. Nanazava i Harell fa niezaka nanampina ny fikorianny r, avy aminny tsatokantsy lalina taminny tendani Janah izy. Nisy Tantsambo izay nisakafo antoandro koa teo, raha niseho ny fitifirana, niezaka nampiadana ny korian-dr, hoy i Harell. Hatsatra tanteraka izy ary tsy nahatsiaro tena, hoy i Harell. Nivena i Harell rehefa nanazava hoe nitady ny fiteponny lalan- drani Janah. Roa na telo ihany no tsapako dia nijanona ny fiteponny fony, hoy i Harell. Hoy i Harell hoe tsaroako ny feoni Janah, feo mamy, na dia rehefa maka ny zavatra ilainny mpanjifa aza. Tadidiko fa iny zazavavy iny dia manana feon-danitra, hoy i Harell. Nandre ny fijoroana vavolombelona an-tsipiriany avy taminny mpiasanny trano fisakafoana hafa sy ny mpanjifa hafa koa ny mpitsara. Ny fijoroana vavolombelona no lava kokoa noho ny vonoanolona. Vetivety ny fisehoanny zavatra rehetra, hoy Kayla Morgan, izay mpiasa, taminny fitsarana. I Janah, izay 23 taona taminny fotoana nahafatesany, dia nanana planina hanomboka asa ny ampitsonio ao aminny Walker Winn- Dixie, hoy i Herbert. Vao haingana ity niharam-boina ity no niala tamini Christopher Pell, taorianny fanambadiana roa taona sy tapany. I Janah sy ny reniny, Nancy Stern, dia nankany aminny biraonny Sheriff
109

Fahasoavana Ampy

taminny 29 Marsa, mba hanao fitarainana fiarovana, mandrara ani Pell tsy hanakaiky azy. Nialokaloka tany aminny raiamandreniny, izay toa azo antoka, i Janah. Tsy te-hifampiresaka aminay izy hoy Stern. Natahotra azy i Janah; tsy hipetra-potsiny izy, ary marina ny nolazaini Janah; olona mahatahotra izy, hoy i Herbert taminny famaranany ny fanambarany, tokony taminny 1:00 hariva ny Alarobia. Nanandrana niantso ani Janah im-betsaka tokoa i Pell tao anatinny indray andro, ary dia nifanandrina taminy voalohany tao aminny Popeyes, hoy i Stern taminny fitsarana ny Talata. Nandritry ny fifanandrinana voalohany, dia nalaini Pell ny fanalahidinny fiarani Janah ka natsipiny tany ambadiky ny trano fisakafoana, hoy Stern. Tao aminny fanambarana fanokafana nataony, ny mpisolo vava mpiaro Shawn McKee dia nilaza fa tsy nihevitra ny hanome fanamby ireo vavolombelona izy, na hiezaka hanamarina ny fihetsiki Pell. Nandritry ny fifidianana nataonny mpitsara, dia nifantoka taminny fahaizanareo nihaino ny zava-nisy aho, ary mbola nifantoka taminny olanny heloka, hoy i McKee. Nilaza i McKee fa ny fiarovana ataony dia miantona eo aminny hoe i Christopher Pell ve tena nanana fikasana hamono na koa handratra mafy. Tonga tsy nanakorontana izy nandritry ny tapa-bolana talohanny tifitra, hoy i McKee. Ny fahombiazanny fiarovana ani Pell dia miankina aminny fanekenny mpitsara handray ny hetsiky ny arovana, talohanny vonoanolona, ho toy ny fihetsikolona tsy tonga saina tanteraka. Mety nihevitra ho tia azy izy, fa isika rehetra hihevitra izany hoe misy zavatra iray voafantsika ao an-tsainy, hoy McKee.

110

Fahasoavana Ampy

McKee dia naminavina hoe mety hanao izay hahagaga ani Janah ny planini Pell taminny voalohany, rehefa mivoaka ho eny aminny fiarany izy, ary hampitahotra azy aminny basy, hanao terisetra hifampiresaka. Raha izay no planina, dia nirodana izany rehefa nasaini Harell niandry tao anatiny i Pell. Tsy tiani Pell ny ifantohana aminy, na ny iresaka amini Janah eo imasonny olona. Nampahatsiahy ireo mpitsara i McKeen fa bala roa fotsiny no nampidiriny tao aminny basiny vaovao, na dia nividy 50 aza izy. Inona no zavatra abaribarinizany aminao? Nanontany i McKee. Ahoana no fomba hodiany aminio andro io? Mety ho nihevitra ny hihavana aminy izy. Wanda McLin, izay mpihavana am-panambadiana amini Pell, dia nitantara taminny fitsarana fa ny marainny vonoanolona, dia nitondra ani Pell sy ny reniny nandehandeha teo aminio faritra io taminny fiara izy, nanampy azy ireo nandehandeha. I Wanda McLin akory tsy mpihavana aminny vavolombelona Rosa Mclin. Taminny iray taminireo fandehandehanana ireo, ny 4 Aprily 2007, dia nitondra ani Pell, ny reniny ary McLin tao aminny tsena Pelikan Pawn tany Denham Springs, araka ny fangatahani Christopher Pell aho, hoy i McLin Ny mpiasanny tsena Pawn , i Michael Nauman dia nilaza taminny fitsarana fa nameno taratasy hividianana basy 9 mm i Pell. Efa feno ny fangatahana talohanny fampiharana ny fangatahana fiarovana napetraki Janah momba ani Pell, hoy Herbert. Napetraki Pell tao aminny fotoam-piandrasana vonjimaika izany mandra-pahatapitry ny fe-potoana, hoy i Nauman. Taminny 4 Aprily 2007, hoy i Nauman dia niverina i Pell haka ny basy. Nividy bala 50 koa izy. Nijoro vavolobelona ny mpitsongo dianny Sheriff, Ben Ballard fa tsy ampy roa ny boatim-bala ary ny iray mbola tsy nipoaka dia hita teny an-toerana nitranganny vono olona.

111

Fahasoavana Ampy

Hoy i Wanda McLin hoe tsy takatry ny sainy ny nangalani Pell basy tao aminny fivarotana ny 4 Aprily. Hoy i McLin hoe tsy tadidiny hoe nahita ny arovana nitondra zavatra izy rehefa niverina teny aminny fiarany ity farany. Tamini Pell tao aminny fivarotana fametrahana antoka, dia nanazava ny reniny fa nanao antoka peratra i Pell satria nila vola izy. Hoy i McLin. Nividianani Pell sakafo atoandro tao aminny Trano fisakafoana tao Denham Springs ny reniny sy i McLin, ary nilaza i McLin fa ohatranny ilay Chris mahazatra izy. Niverina nandalo ani Walker izy ireo, dia niresaka betsaka ny hijery ny fiarani Janah mijanona ao aminny Popeye i Chris, ary nampitandrina azy ny reniny mba tsy ho any ary tsy hanao hadalana amininy ankizivavy iny Hoy i McLin taminny fitsarana. Nilaza i McLin fa nangataka ny ho ajanona tao Malker Wal-mart i Pell; nilaza izy fa hisy namany hitondra azy mody rehefa kelikely. Nandre koa ny mpitsara fa ny Depiote nny Sheriff sy ny mpitsongodia dia nijoro vavolombelona mikasika ny fisamborana ani Pell, nony harivarivanio andro io, sy ny fakna am-bavany natao talohanny nangatahany mpisolo vava. Teo anatrehanny mpitsara Brenda Bedsole Ricks no nohenoina ny fitsarana ny vonoanolona nataoni Pell.

112

Fahasoavana Ampy

Tapany V

Nahoana Andriamanitra !
113

Fahasoavana Ampy

Toko 27

114

Fahasoavana Ampy

Nanome Voninahitra anAndriamanitra


Fantatray fa nomeni Janah ho fanatitra ny fiainany, mba hahatonga ny hafa hiova aminny alalanny ohatra napetrany. Araka ny nambarako tany aloha, tao aminilay sehatra nisy ny vono olona taminio andro io, dia niteny izahay fa mba ho Andriamanitra ny voninahitra, avy aminizao toe-javatra mahatsiravina izao. Ataonay izay hahatonga izany ho azo tanterahana, aminny fitantarana ny fijoroana vavolombelonay sy ny ani Janah. Ankehitriny dia manao asa fanompoana aminny fiangonana maneran-tany sy eto an-tanna ihany koa izahay. Nahita fiainanolona maro voakasika izahay, sy novainny tantara notenominAndriamanitra teo aminny fiainanay. Ny ohatra iray aminizany dia tany Afrika Atsimo. Notantarainny namanay, i Pastora Gustav, nony avy eo, fa nisy lehilahy efa nahazoazo taona, mambra tao aminny fiangonany, nitantara izao zavatra izao taminy. Taorianny nadrenesany ny fijoroanay vavolombelona mikasika ny fahasoavana sy ny famelan-keloka, hoy izy, dia afaka izy. Tsy nisy olona tao am-piangonana nahalala ny tantarany, fa telopolo taona tany aloha, dia novonoinolona ny zanany lahy. Tsy vitany ny namela heloka ny mpamono ny zanany, ary ny fangidiana nokotrehiny tao dia nanimba azy. NampiasainAndriamanitra ny fijoroanay vavolombelona hanafaka sy hanasitrana azy. Tena voakasikizany mihitsy izahay satria izany dia maneho anay indray, fa ny fiainana sy ny fahafatesani Janah dia tsy foana.

115

Fahasoavana Ampy

Notantaraina anay koa ny tantaranolona maro izay nararaotina, izay nanapa-kevitra sarotra mba hahazo fanampiana. Aminizany, tsy misy azonay atao afa-tsy ny misaotra ny Ray any an-danitra, Izay nahatonga ny zavatra rehetra ho azo tanterahana. Raha tany Afrika Atsimo izahay, dia nomenAndriamanitra nofy hafa aho. Tao aminny fandevenana ani Janah hono izahay, ary nipetraka ter aorianny kianja lehibe anankiray. Niala avy tao anaty vatam-patiny i Janah ary nitrotro zazakely. Nentiny teny aminay ilay zaza dia hoy izy: Alaivo ity zaza ity dia omeo sakafo. Fantatro fa azoko iankinana aminizany ianareo. Tsapanay fa ny dikanity nofy ity dia asa fanompoana misokatra ho anay, ary na taminizany aza, izahay dia mbola tao anatinny ambaratonganny fahazazana ihany. Nahazo fanamafisana mikasika izany im-betsaka izahay. Mitohy aminizao asa izao izahay ho fahatsiarovana ny zanakaivavy, ary manantena fa ity boky ity sy ny fijoroana vavolombelona raketiny, dia hikasika ny fonao sy ny fonny olona izay mety ho fantatrao, ka mila mandre azy ireny.

116

Fahasoavana Ampy

Toko 28

Izay Nianaranay
Eny am-pandehanana miaraka aminny Tompo malalantsika isika, ary misy lala-mikotoana maro aminny dia, hampianarana antsika bebe kokoa ny Aminy. Tonga aminny fahalalana fa aminny fomba maro, ny fizahan-toetra ny finoanay dia niteraka fitomboana tsy tambo isaina, tsy ho anay ihany, fa ho anireo izay ao anaty ankohonana sy namana akaiky koa. Izay rehetra lazaintsika eo aminny fiainana dia mitondra vokany avokoa, na tsara na ratsy. Nianatra izahay fa rehefa miteny Andriamanitra ao aminny Teniny fa miara-miasa hahasoa ny zavatra rehetra (Romana 8:28), dia mety tsy ho ilay tsara inoanao ilay izy, fa ny tsara aminny sitraponAndriamanitra miasa ao anatinao. Koa dia takatray bebe kokoa ny Sitrapony.
117

Fahasoavana Ampy

Tsy nirianay ny nahafatesani Janah, fa taminny alalanizany dia niasa sy mbola hitohy hiasa Andriamanitra aminny zava-drehetra hahasoa anay. Vokatrizany izahay izao dia mahatakatra bebe kokoa ny Teniny, ary lasa velona kokoa ao amponay sy ao an-tsainay izany. Afaka miara-mijoro aminireo izay nihazo izao lalana izao teo aloha sy mbola hihazo izao lalana izao aminny ho avy, izahay. Raha tsy nianatra na inona na inona izahay taminny alalanny finoana, dia nianatra fa afaka mamotsotra ny fangidiana sy ny tsy famelan-keloka mba tsy hifehy ny fiainana. Tahaka ny homamiadana mikiky anao anaty izany, ary farany mahafaty anao, ary aminizay dia ho aiza ianao? Tsy afaka mankany an-danitra ianao raha feno tsy famelankeloka, satria nilaza Andriamanitra fa raha tsy afaka mamela ny olona, na lahy na vavy isika, dia tsy afaka hamela antsika Izy. Fanambarana re izany! Koa tsy te-hidi-bingo aminizany izahay ary ianao koa tsy tianay ho aminizany. Nianatra koa izahay fa afaka mitohy aminny fiainana ianao na inona na inona mandalo eo. Mila tsy miloloha rano roa siny fotsiny ianao, matoky sy manao anAndriamanitra ho Loharanonao. Taminizany rehetra izany izahay dia niezaka nitoetra nijery lafin-javatra tsara ary niezaka niteny taminny fijery mahomby, fa tsy niteny na nihevitra tsy fahombiazana. Ambaranny Baiboly fa: Ny mahafaty sy mahavelona samy hainny lela, koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany. Ohabolana 18:21

118

Fahasoavana Ampy

Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao Matio 12:37 Koa dia niezaka nanonona fiainana isaky ny olana andavanandro sy isaky ny rika mitranga izahay, ary izany toe-po izany dia tena nanampy anay tokoa. Andriamanitra fitiavana Andriamanitra fa Andriamanitry ny fahamarinana koa Izy. Fantatray fa handresy eo aminny fiainanay ny Fahatsarany, raha mitohy manaraka Azy izahay. Miha-mamy isanandro isanandro Izy, arakaraky ny anarahanay Azy.

Fiteninny vadiko ny hoe: Aza itarina ny zavatra tsy toa inona. Manantena izahay fa hanampy anao eo aminny fiainana: mety hihaonanao aminny Tomponny fiainanay, dia Jesosy Kristy, na hitondra anao hiara-mandeha akaiky Aminy, ity bokinay ity. Mamita sazy mandra-pahafatiny noho ny vono olona manana haavo faharoa, tsy mahazo fanovna na fitenenana i Chris izao, ao aminny asa anterivozona ao aminny fonjani Angola, eto Louisianna. Mivavaka izahay mba ho tonga aminny fahalalana ny Tompo izy, ary hibebaka taminny namonoany ani Janah-nay. Eto am-pamaranana, ry mpamaky malala, dia mamel ahy hilaza hoe: enga anie ka afaka naka ny toeranay ianao taminny fahorianay sy taminny fandresenay. Na dia samihafa aza ny fiainanay sy ny anao, dia afaka mianatra aminny anny hafa foana isika, ka mandeha miaraka aminny Tompo (na tsy ampy anizay). Goavana ny fahorianay taminny fahafatesanny zanakay vavy sarobidy, ary mivavaka aho mba tsy handalo izany fahoriana izany ianao. Na izany aza, araka ny hitanao, dia nitombo taminny fahasoavana izahay, ary novnAndriamanitra ho zavatra mahafinaritra ny lavenona teo aminay:
119

Fahasoavana Ampy

Ny Fanahini Jehovah Tompo no ato amiko, satria nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly aminny mpandefitra Izy, Efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, Ary hitory fanafahana aminny babo Sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho aminny mazava, Hitory taona ankasitrahani Jehovah[taona ankasitrahany], Sy andro famalianAndriamanitsika, Hampionona ny malahelo rehetra, hanolotra ho anny malahelo ao Ziona,[Hanome azy ireo haingo-girlandy na diadema]Eny hanome azy HAMAMA HO SOLONNY LAVENONA, Sy diloilo fifaliana ho solonny falahelovana Ary fitafiana[fanehoana] fiderana ho solonny fanahy reradreraka Mba hanaovana azy hoe hazonny fahamarinana[mandefitra, mahery, ary mamiratra miavaka aminny fitrakny, fahamarinana, ary fijoroana ao aminAndriamanitra], namboleni Jehovah ho fampisehoam-boninahitra. Isaia 61:3 Amena!

120

Fahasoavana Ampy

Toko 29

Fanapahan-kevitra Hentitra
Efa-taona taty aoriana dia namoaka izao taratasy manaraka izao ny tomponny trano fisakafoana Popeye, izay toerana namonoana ani Janah. Fanirianay ny mba hanaovanizy ireo fanovna ilaina ho fiarovana ireo mpiasany rehetra. Koa satria tsy maintsy nakelezina ilay taratasy ho antonona ny pejinny boky, dia izao manaraka izao no vakiny. Tsy mampiverina ani Janah ilay izy, fa angamba afaka hanampy fianakaviana sasany tsy ho tratry ny fahoriana mangidy toy ireny aminny ho avy.
121

Fahasoavana Ampy

18 Jona 2011 Ho ani Benjamin sy Nancy Stern c/o Jay A. Parker, Esq. Marks& Lear Lot 301 Lalana Charles Baton Rouge, LA 70802 Ho anAndriamatoa sy Ramatoa Stern Tompoko, Te- haneho manokana ny fiara-miory aminareo sy ny fianakavianareo aho, noho ny nahalasananny zanakareo vavy. Mahavaky fo ny fahafatesan-janaka, fa fantatro fa ny nahafatesani Janah dia nahatsiravina tsy takatry ny saina. Aoka ho fantatrareo fa hatramininy loza iny dia nanao dingana izahay hiezaka mba tsy hitranga intsony ny zavatra toy izany. Mbola mamerina ny fiaraha-miory aminareo, tompoko. Veloma, Hoy i Stan Ware Tale

122

Fahasoavana Ampy

Raha tianao ny handray ani Jesosy Kristy ho Tomponao sy Mpamonjy anao, dia ataovy izao vavaka izao: Tompo Jesosy , Fantatro fa tsy nety ny nataoko, ka nanota taminao aho. Miaiky ny fahotako Aminao aho ary mangataka Aminao hiditra eo aminny fiainako, ka hanao ahy ho olom-baovao. Ekeko ho Tompo sy Mpamonjy Ianao; misaotra Anao noho ny famelan-keloka sy ny famelanao ahy ho teraka ao aminny Fanjakanao. Aminny anarani Jesosy no angatahako izany. Amena! Mba ampahafantaro anay azafady: Raha nanapa-kevitra ny ho ateraka indray ianao ary hanao ani Jesosy ho tomponny fiainanao, na voakasika taminny famakiana ity boky ity; dia mba 123 tianay ho fantatra izany, mba hiarahantsika mifaly.

Fahasoavana Ampy

Fidirana ho mambra ao aminny Ekipanny Asa Fanompoana Oasis Maneran-tany

Miaraha aminay aminny iray aminireo dia misionera alehanay. Ampio izahay hamahana ankizy mihoatranny 100.000 any Afrika Atsimo, sy hanapariaka ny Filazantsaranny Fanjakana, aminny alalanny fampianarana mikasika ny 124 sy famelanfamitranam-pihavanana keloka.

Tongava ho mpanohana isam-bolana, aminizay vola fidianao.

Fahasoavana Ampy

Adiresinny Asa Fanompoana


Asa Fanompoana Oasis International P.O Box 46084 Baton Rouge, LA 70895 nancy@sufficientgrace.us www.sufficientgrace.us

125

Fahasoavana Ampy

126

Fahasoavana Ampy

Mark sy Nancy Stern

127

You might also like