You are on page 1of 1

HAFATRA Ho any ianao, kanefa.... Aza ataonao fantany 'zao fahoriako izao.

Fa aoka hiafina aminy ny ketoky ny jaly nanempaka ny aiko, tanatin'ny longoa izay namandrihany ahy... ny dinitry ny foko manorika ahy mangina, fa sempo-tsasak'alina misaina ity anjarako, Aza ataonao fantany ! ...Raha manontany izy, iangaviako ianao handainga indray mandeha ! Lazao fa nanadino ny momba azy rehetra ny saiko manontolo. "Rako-boninkazo hoe ireo lavenon-dasa natoraky ny Adaoro" Ireto diary ireto lazao fa efa may sy tapitra efa kila... ....Fa ny volofotsiko, ny ketrokentron' handriko*Afeno dia afeno ! Azonao izany ? Etsy kely koa hafarako ianao ! Jereo raha sambatra izy ! Mba hamantaranao dia ireto no fambara : "Ao an' efitranony: misy voninkazo tsy maintsy mavokely... Eo an-doha-fandrianany: ny sarin'olotiany... Na iza n'iza izay" Raha izay no hitanao dia efa sambatra izy ka aza asiana resaka momba ahy akory, f'izany rahateo no niriko ho azy... Izay no hafatrafatro ka tazony tsara ... Ary dia veloma ! Saingy etsy ange ! 'Ty tnanao ity, aza akasi-javatra mandra-pifandray ny tnanao sy ny azy... Eny e ! Ampy izay. Tongava soa aman-tsara ! Dia akatony mora io varavarako io fa hitomany aho... RADO 21 janoary 1966 DINITRA, pp. 75-76

Eny, tany aho, arak\'ilay hafatrao... tiako ambara mialoha, tsotra dia tsotra tokoa ilay efitranony vaovao. ... .................................... nifampiarahaba izahay ka nohararatiko ny hampita Ny tananareo mba nifandray na dia tsy mifankahita . dia nifanatsafa teo indro toa tsy hitahita izy , gina tsy nahaloa-peo ary lasa visavisa ary inoako marimarina fa taminao ny eritreriny niezaka izy ny hanafina fa nambakain'ilay fijeriny raha ny teo an-doha- fandriany eny nisy sary teo ny sarinao, ilay olo tiany nobanjininy avy eo , notondroiny tamin\'ny tananany dia nampiany tsiky kely Ny ranomasony tsy tanany ankona izy tsy niteny . izaho aloha tsy hamaly fa efa azonao vinany raha tena hoe \"sambatra izy\" ny valin-kafatra dia izao: mila mankany mihitsy ianao!

Ny Eja (04septembre 2004)

You might also like