You are on page 1of 1

Hotahiana anie i Neny Zay nitondra folo volana Nahitako ny masoandro Sy ny kintana amam-bolana Dia i Neny izay nanoro

Sy nampianatra nivavaka No angatahiko aminny Ray Ny fitahiana tena miavaka Refrain : Ny tnanao nanambitamby Lamosinao nibaby Ny tratranao fiondnana Nahitako fiadanana Ho tahiana anie ry Neny, Ireny rehetra rehetra ireny Hivavahako mihitsy Ny any ambony mba hitahy Reo molotrao zay efa zatra mitsiky Sy manoroka ahy Mbola hotahiana koa Reo masonao manganohano Rehefa misy alahelo Dia toy ny dobo feno rano Refrain..... Angatahiko mihitsy Mba ho re hatrany an-danitra any Ny ahavelomanao ry Neny Mba hateza sy haharitra Satria raha eo ianao, fihantana fitosiana Fa ny kamboty mbola kely moa no tena fara-fahoriana.

You might also like