You are on page 1of 2

HAFATRA

Ho any ianao, kanefa....


Aza ataonao fantany
'zao fahoriako izao.
Fa aoka hiafina aminy
ny ketoky ny jaly
nanempaka ny aiko, tanatin'ny longoa
izay namandrihany ahy...
ny dinitry ny foko manorika ahy mangina,
fa sempo-tsasak'alina
misaina ity anjarako,
Aza ataonao fantany !
...Raha manontany izy,
iangaviako ianao handainga indray mandeha !
Lazao fa nanadino ny momba azy rehetra
ny saiko manontolo.
"Rako-boninkazo hoe ireo lavenon-dasa
natoraky ny Adaoro"
Ireto diary ireto lazao fa efa may
sy tapitra efa kila...
....Fa ny volofotsiko,
ny ketrokentron' handriko*Afeno dia afeno !
Azonao izany ?
Etsy kely koa
hafarako ianao !
Jereo raha sambatra izy ! Mba hamantaranao
dia ireto no fambara :
"Ao an' efitranony: misy voninkazo
tsy maintsy mavokely...
Eo an-doha-fandrianany:
ny sarin'olotiany... Na iza n'iza izay"
Raha izay no hitanao dia efa sambatra izy
ka aza asiana resaka momba ahy akory,
f'izany rahateo no niriko ho azy...
Izay no hafatrafatro
ka tazony tsara ... Ary dia veloma !
Saingy etsy ange !
'Ty tnanao ity, aza akasi-javatra
mandra-pifandray ny tnanao sy ny azy...
Eny e ! Ampy izay. Tongava soa aman-tsara !
Dia akatony mora
io varavarako io
fa hitomany aho...

Eny, tany aho,


arak\'ilay hafatrao...
tiako ambara mialoha,
tsotra dia tsotra tokoa
ilay efitranony vaovao.
... ....................................
nifampiarahaba izahay
ka nohararatiko ny hampita
Ny tananareo mba nifandray
na dia tsy mifankahita .
dia nifanatsafa teo
indro toa tsy hitahita
izy , gina tsy nahaloa-peo
ary lasa visavisa
ary inoako marimarina
fa taminao ny eritreriny
niezaka izy ny hanafina
fa nambakain'ilay fijeriny
raha ny teo an-doha- fandriany
eny nisy sary teo
ny sarinao, ilay olo tiany
nobanjininy avy eo ,
notondroiny tamin\'ny tananany
dia nampiany tsiky kely
Ny ranomasony tsy tanany
ankona izy tsy niteny .
izaho aloha tsy hamaly
fa efa azonao vinany
raha tena hoe \"sambatra izy\"
ny valin-kafatra dia izao:
mila mankany mihitsy ianao!

Ny Eja (04septembre 2004)

RADO 21 janoary 1966 DINITRA, pp. 75-76

You might also like