You are on page 1of 2

Tsy gasy, tsy vazaha

Extrait du Madagascar-Tribune.com
http://www.madagascar-tribune.com/Tsy-gasy-tsy-vazaha,8868.html

Tsy gasy, tsy vazaha


- Teny zato, kabary arivo -

Date de mise en ligne : mardi 16 septembre 2008

Madagascar-Tribune.com

Copyright Madagascar-Tribune.com

Page 1/2

Tsy gasy, tsy vazaha

Ny teny : nianarako nibada, nianarako ny Dada... Tenin-dreny , hoy ireo manam-pahaizana. Tamin'ny teny
vazaha hatrany no nandikna azy ka nambara hoe langue maternelle . Voambolana vaovao amin'ny sofina
tokoa io, saingy mbola maro no mandika azy ho tenin'ny Frantsa reny malala . Manomboka mazava ankehitriny
fa miha mahazo laka ny teny malagasy. Hatramin'izay dia ny teny vahiny no nampiasaina teto Madagasikara,
indrindra rehefa misy tera-tany vahiny iray manatrika fivoriana eo. Indraindray aza dia tsy Frantsay no manatrika eo,
kanefa tsy azo najanona izany teny vahiny izany, ka nahatonga ny sasany hieritreritra ny tenin-dreny malala .
Ka rahoviana tokoa no ho teny malagasy ranoray ny fivoriana isan-karazany ? Efa mandeha tsikelikely io ary hita
taratra fa mahazo aina ery ny Malagasy eo amin'ny fivoriana, ary sahy maneho hevitra avy hatrany. Efa miezaka
mamantatra ny tia-kambara koa ny vahiny ka rariny raha manontany ny Malagasy hafa. Ka inona no maharatsy ny
fahaizana teny malagasy ? Ny teny vahiny anie ka tsy ho foana akory. Vahaolana goavana io fivoizana ny fahaizana
teny malagasy miainga any ifotony io. Maro anie ny tanora ankehitriny no tsy mahafehy mihitsy ny teny malagasy e !
Kanefa koa tsy mahafehy ny teny vahiny ka sady tsy gasy no tsy vazaha". Ka asakasak'ireo zanaky ny
manan-katao raha sahy hampianatra ny zanany eny amin'ny EPP izy ireo.

Copyright Madagascar-Tribune.com

Page 2/2

You might also like