You are on page 1of 1

FIFAMPIVAROTANA VARO-MATY

Izaho :
ANARANA sy FANAMPINY (1) , teraka taminny (andro,volana, taona) tao (Toerana nahaterahana), tomponny karapanondro
N , nomena ny (andro, volana, taona tao (toerana nanaovana azy) ( Raha navaozina ) ary navaozina ny (andro,
volana, taona) tao (toerana nanaovazana azy), monina ao (Toera-ponenana : Anarantanana, Lot..)
- MPIVAROTRA ANDANINY
ANARANA sy FANAMPINY(2) , teraka taminny (andro,volana, taona) tao (Toerana nahaterahana), tomponny karapanondro
N , nomena ny (andro, volana, taona tao (toerana nanaovana azy) ( Raha navaozina ) ary navaozina ny (andro,
volana, taona) tao (toerana nanaovazana azy), monina ao (Toera-ponenana : Anarantanana, Lot..); manambady ani
ANARANA sy FANAMPINY. Izay nanome fahefana feno an-dAtoa/Rtoa ANARANA sy FANAMPINY(3) , teraka taminny
(andro,volana, taona) tao (Toerana nahaterahana), tomponny karapanondro N , nomena ny (andro, volana, taona
tao (toerana nanaovana azy) ( Raha navaozina ) ary navaozina ny (andro, volana, taona) tao (toerana nanaovazana azy),
monina ao (Toera-ponenana : Anarantanana, Lot..) araka ny fanomezam-pahefana taminny (andro,volana, taona
nanaovana azy)
- MPIVIDY ANKILANY
DIA MANAO IZAO FIFANARAHANA MANARAKA IZAO
Izaho ANARANA sy Fanampiny (1) , taona ary fonenana etsy ambony dia mivarotra varomaty amin-dAtoa Anarana sy Fanampiny
(2) izay soloinI ANARANA sy Fanampiny (3), izay voalaza anarana, taona ary fonenana etsy ambony ihany koa :
Ny tany atao hoe (Anarany Tany), titre N--.---, ao (Toerana misy ilay tany), izay manana habe mirefy ares . Centiares, araka
izay hita aminny sarin-tany ampiarahina aminity fifampivarotana ity.
Ny vidiny nifanarahanay roa tonta dia (Vidiny @Ariary), izay efa tapitra voarainny mpivarotra avokoa ka ity fifanekena ity no
solonny rosia naharaisana izany.
Ny mpivarotra dia milaza fa azy marina io tany io ary tsy mbola nataony anto-bola taminny olona hafa mihitsy, koa raha misy
arakaraka any aoriana dia izay hitomboanny vidiny no hanefanny mpivarotra azy aminny mpividy indray.
Ny mpividy dia milaza fa nahita tsara ny tany novidiany ka handray azy aminny toetrany ankehitriny ary handoa ny hetrany aminny
ho avy.
Araka ny andininy faha-366 aminny fehezan-dalna famaizana, ny roa tonta dia milaza fa vidiny marina io voalaza eo ambony io.
Natao an-tsitra-po tsy nisy teritery izao fifanekena izao ka iarahanay roa tonta manao sonia eto ambany.
Antananarivo, faha ..

You might also like