You are on page 1of 7

Efa Mitondra ny FanjakanAndriamanitra!

TOKO 1

Ho Tonga Anie ny Fanjakanao!

AOKA hatao hoe miresaka aminao i Jehovah Andriamanitra, ary misy zavatra asainy ataonao.
Tonga dia hankat azy ianao, na inona na inona asainy atao, sa tsy izany?

2
Niresaka tamini Petera sy Jakoba ary Jaona i Jehovah tao aminny fahitana iray, taoriana
kelinny Paska taona 32. (Vakio ny Matio 17:1-5.) Niaraka tamini Jesosy Tompo tany an-
tendrombohitra avo izy ireo taminizay, ary naseho azy ireo hoe hoatranny ahoana i Jesosy
rehefa lasa Mpanjaka any an-danitra. Toy ny hoe tena izy ilay fahitana ka te handray anjara
taminizy io i Petera. Nisy rahona tampoka anefa nanaloka azy ireo raha mbola niteny i Petera.
Nahare feo izy ireo avy eo. Feoni Jehovah ilay izy! Tena niavaka izany, satria vitsy kely ny olona
efa nahare ny feoni Jehovah. Niteny izy hoe Zanany i Jesosy. Nilaza mazava izy avy eo hoe:
Henoy izy. Nanao izany ireo apostoly, ka nankat anizay nampianarini Jesosy ary nampirisika
ny olona hanao toy izany koa.Asa. 3:19-23; 4:18-20.

Ny FanjakanAndriamanitra no tena noresahini


Jesosy

3
Tiani Jehovah hihaino ani Jesosy koa isika,
matoa nasainy nosoratana ao aminny
Baiboly ilay hoe: Henoy izy. (Rom. 15:4)
Nahoana isika no mila mihaino ani Jesosy?
Satria izy no mpitondra tenini Jehovah.
(Jaona 1:1, 14) Ny zava-drehetra tiany ho
fantatsika no nampianarini Jesosy, indrindra
fa ny FanjakanAndriamanitra na Fanjakanny
Mesia. Tokony hiezaka hahafantatra tsara
anio Fanjakana io ry isika. Fitondrana any
an-danitra izy io, ary i Kristy Jesosy sy ny
144 000 no mpanjakanizy io. (Apok.
5:9, 10; 14:1-3; 20:6) Hojerentsika anefa
aloha hoe nahoana i Jesosy no niresaka
imbetsaka momba azy io.
Izay mameno ny fonny olona no lazainny vavany
4
Tena zava-dehibe amini Jesosy ny FanjakanAndriamanitra. Nahoana isika no milaza izany?
Hoy izy: Izay mameno ny fonny olona no lazainny vavany. (Mat. 12:34) Te hilaza izy hoe matoa
ny zavatra iray resahinny olona iray foana, dia iny no tena zava-dehibe aminy. Niresaka momba
ny FanjakanAndriamanitra foana i Jesosy, isaky ny afaka nanao izany. Injato mahery, ohatra, ny
Filazantsara no miresaka anio Fanjakana io, ary i Jesosy matetika no niteny anilay izy. Ny
FanjakanAndriamanitra koa no tena notoriny. Hoy izy: Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaranny
fanjakanAndriamanitra any aminny tanna hafa aho, fa izany no nanirahana ahy. (Lioka 4:43)
Mbola niresaka momba anio Fanjakana io foana izy, na dia taorianny nitsanganany taminny
maty aza. (Asa. 1:3) Tsy hita avy aminizany ve fa tena zava-dehibe amini Jesosy ilay
Fanjakana?

5
Tena zava-dehibe amini Jehovah koa io Fanjakana io. Ahoana no ahalalantsika izany? Nirahiny
tet an-tany ny Zanany lahitokana mba hitory momba azy io. Avy aminy ny zava-drehetra
nampianarinilay Zanany. (Jaona 7:16; 12:49, 50) Izy koa no nampanoratra tao aminny
Filazantsara ny fiainani Jesosy sy ny fanompoany. Inona no nahatonga azy hanao izany rehetra
izany?
Mieritrereta hoe: Zava-dehibe amiko ve ny FanjakanAndriamanitra?

6
Eritrereto hoe handeha hanao dia lavitra ianao, dia mampirina akanjo ao anaty valizy. Be dia be
anefa ny akanjonao, ka tsy antonona ao daholo. Ahoana no hataonao? Hofidinao tsara izay
akanjo hataonao ao. Mitovy aminilay valizy ny Filazantsara. Be dia be ny zavatra nolazaini
Jesosy sy nataony tet an-tany, nefa tsy nasaini Jehovah nosoratana ao daholo. (Jaona
20:30; 21:25) Notarihinny fanahiny kosa ireo mpanoratra ny Filazantsara, ka izay tena ilaintsika
hofantarina ihany no nosoratany ao. (2 Tim. 3:16, 17; 2 Pet. 1:21) Tsy inona izany fa izay teny sy
zavatra nataoni Jesosy, ka ahitana hoe inona no tena nankanesany tet ary inona no tena zava-
dehibe amini Jehovah. Hita ao aminny Filazantsara fa nampianatra imbetsaka momba ny
FanjakanAndriamanitra i Jesosy. Tena zava-dehibe amini Jehovah ry io Fanjakana io. Tena
tiany hahafantatra tsara momba azy io isika.
7
Mieritrereta ry hoe: Zava-dehibe amiko koa ve ny FanjakanAndriamanitra? Raha zava-dehibe
amintsika io Fanjakana io, dia hianatra anizay nolazaini Jesosy momba azy io isika.
Hofantarintsika hoe nahoana izy io no tena ilaina, inona no hataony, ary rahoviana izy io no ho
tonga.

Nahoana no tena ilaina ilay Fanjakana?


8
Hodinihintsika ilay vavaka nampianarini Jesosy. Tsotra sady mazava io vavaka io. Misy zavatra
fito nasaini Jesosy nangatahina ao, ka momba ny fikasani Jehovah ny telo voalohany. Ireto avy
izany: Hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao et an-tany anie ny
sitraponao, tahaka ny any an-danitra! (Vakio ny Matio 6:9, 10.) Mifandray ireo zavatra telo ireo.
Ny Fanjakanny Mesia no hampiasaini Jehovah hanamasinana ny anarany sy hanaovana ny
sitrapony. Nasehoni Jesosy tao aminio vavaka io ry fa tena ilaina ilay Fanjakana.

9
Ary inona no dikanilay hoe: Ho tonga anie ny fanjakanao? Ho tonga et an-tany izy io, izany
hoe izy io irery no hitondra ny tany manontolo. Haringany ity tontolo ratsy ity, ka hosoloany tontolo
vaovao hanjakanny fahamarinana. Hofoanany ny fitondranolombelona. (Dan. 2:44; 2 Pet. 3:13)
Hovany ho paradisa koa ny tany manontolo. (Lioka 23:43) Hatsangany ny maty, ka hihaona indray
aminny havany sy ny namany. (Jaona 5:28, 29) Ho lasa lavorary ny olona tsy mivadika, ary
hiaina mandrakizay. (Apok. 21:3-5) Ela ny ela ka hatao et an-tany ihany ny sitraponi Jehovah,
toy ny efa anaovana izany any an-danitra! Tsy mba tianao ho tanteraka ve izany rehetra izany?
Mivavaha foana ry mba ho tonga ny FanjakanAndriamanitra. Asehonao aminizany mantsy fa
tianao ho tanteraka ireo rehetra ireo.
10
Mbola tsy tonga anefa aloha ny FanjakanAndriamanitra hatreto. Mbola ny olombelona no
mitondra, ary mbola tsy misy ilay tontolo vaovao hanjakanny fahamarinana. Efa nanomboka
nanjaka anefa ilay Fanjakana, ary hiresaka izany ny toko manaraka. Hojerentsika anefa aloha
izay nolazaini Jesosy momba anireto: Oviana ilay Fanjakana no nanomboka nitondra, ary
rahoviana izy io no hitondra ny tany?

Oviana ilay Fanjakana no nanomboka nitondra?


11
Nilaza i Jesosy fa tsy taminny taonjato voalohany no nanomboka nitondra ilay Fanjakana, na
dia nisy mpianany nanantena anizany aza. (Asa. 1:6) Izany no hitantsika ao aminny fanoharana
roa nolazainy, taminny taona 31 sy 33.

12
Fanoharana voalohany: (Vakio ny Matio 13:24-30.) Taminny voalohandohanny taona 31
angamba i Jesosy no nilaza anio fanoharana io sy nanazava izany taminny mpianany. (Mat.
13:36-43) Izao no dikanilay fanoharana: Rehefa maty ny apostoly, dia hamafy tsimparifary
(Kristianina sandoka) eo aminny vary (zanakilay fanjakana na ny Kristianina voahosotra) ny
Devoly. Havela hiara-maniry ny vary sy ny tsimparifary mandra-pahatonganny fotoam-pijinjana,
izany hoe mandra-pahatonganny fifarananny rafitrity tontolo ity. Hangonina ny tsimparifary
rehefa tonga ilay fotoam-pijinjana. Hangonina koa avy eo ny vary na ny zanakilay fanjakana.
Hita avy aminio fanoharana io ry fa tsy taminny taonjato voalohany no nanomboka nitondra ilay
Fanjakana, fa rehefa nanomboka ny fotoam-pijinjana. Taminny 1914 izany no nanomboka rehefa
jerena ny zava-nitranga.

NY VARY SY NY TSIMPARIFARY
(Mat. 13:24-30)

Nilaza i Jesosy fa tsy taminny taonjato voalohany no nanomboka nitondra ilay Fanjakana, na dia
nisy mpianany nanantena anizany aza
1. Taona 33 Nanomboka nafafy ny voa

1.

Nisy lehilahy iray namafy voa tsara teny an-tanimbariny (Mat.


13:24)

2.

Raha mbola natory ny olona, dia tonga ny fahavalo namafy


tsimparifary teo aminny vary (Mat. 13:25)

3.

Niara-naniry izy roa tonta mandra-pahatonganny fotoam-pijinjana


(Mat. 13:30)

2. 1914 Nanomboka ny fotoam-pijinjana

1.

Nangonina ny tsimparifary ary nafatotra ho amboarany (Mat. 13:30)

13
Fanoharana faharoa: (Vakio ny Lioka 19:11-13.) Taminny taona 33 i Jesosy no nilaza anio
fanoharana io, taminizy handeha farany ho any Jerosalema. Nieritreritra ny mpianany fa
hanangana ny Fanjakany izy raha vao tonga any. Nanazava anefa i Jesosy hoe mbola ho ela be
vao hitondra ilay Fanjakany. Nampitaha ny tenany taminny andriandahy nankany an-tany lavitra
mba handray fahefana hanjaka izy. * Ny lanitra ilay tany lavitra, ary any i Jesosy no
hotendrenny Rainy ho Mpanjaka. Mbola tsy ho lasa Mpanjakanny FanjakanAndriamanitra avy
hatrany koa anefa i Jesosy rehefa tonga any, fa hipetraka eo ankavananny Rainy aloha mandra-
pahatonganny fotoana hanjakany. An-jatony taona izy no niandry.Sal. 110:1, 2; Mat.
22:43, 44; Heb. 10:12, 13.

Rahoviana no ho tonga ny FanjakanAndriamanitra?


14
Nisy apostoly efatra nanontany ani Jesosy toy izao, andro vitsivitsy talohanny nahafatesany:
Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifarananny rafitrity tontolo ity? (Mat. 24:3; Mar.
13: 4) Nilaza faminaniana misy tsipiriany be dia be i Jesosy mba hamaliana izany, ary hitantsika
ao aminny Matio toko 24 sy 25 izany. Nohazavainy tsara ao hoe inona avy no hitranga eran-tany
ka hahafantarana ny fanatrehany. Rehefa manomboka io fanatrehany io, dia midika izany
fa manomboka mitondra ilay Fanjakana. Rehefa mifarana kosa ilay fanatrehany, dia tonga ilay
Fanjakana. Be dia be ny porofo hoe nanomboka tanteraka ilay faminaniani Jesosy, taminny
1914. * Taminio ry no nanomboka ny fanatrehany, izany hoe nanomboka nitondra ilay
Fanjakana.
15, 16. Iza ilay hoe ity taranaka ity?
Rahoviana kosa no ho tonga ny FanjakanAndriamanitra? Tsy nolazaini Jesosy hoe rahoviana
15

marina izany. (Mat. 24:36) Hita taminny teniny anefa fa efa tena kely sisa dia ho tonga izy io.
Nilaza izy fa hisy taranaka hahita ny famantarana nolazainy, ary ho tonga ilay Fanjakana
aorianizay. (Vakio ny Matio 24:32-34.) Hojerentsika ry hoe iza ilay taranaka noresahini
Jesosy.

16
Ity taranaka ity. Ny olona tsy manompo ani Jehovah ve no tiani Jesosy holazaina aminio?
Tsia. Tadidio fa apostoliny vitsivitsy no niresaka taminy. Nanatona azy mitokana izy ireo, ary
taminizay izy no nilaza anio faminaniana io. (Mat. 24:3) Hoy koa izy, talohanny niresahany
momba anilay taranaka: Mak lesona avy aminny fanoharana momba ny aviavy: Raha vao
mitsimoka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra. Toy izany koa
ianareo, rehefa hitanareo izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky izy, eny, efa eo am-
baravarana. Kely sisa taminizay, dia ho voahosotry ny fanahy ny mpianatri Jesosy. Izy ireo sy ny
voahosotra hafa ry no hahafantatra hoe tanteraka ny zavatra nolazainy, izany hoe efa akaiky
izy, eny, efa eo am-baravarana. Hita aminizany fa tsy ny olona tsy manompo ani Jehovah no
tiani Jesosy holazaina taminilay hoe ity taranaka ity, fa ny mpanara-dia azy voahosotry ny
fanahy.

TARANAKA
(Mat. 24:32-34)

Nilaza i Jesosy hoe ho tonga ilay Fanjakana rehefa avy mahita ny famantarana ny fanatrehany
ilay taranaka (Jereo ny fehintsoratra 17, 18)
VOALOHANY: Voahosotra nahita ny nanombohanilay famantarana taminny 1914

FAHAROA: Voahosotra niara-belona kelikely taminireo voalohany. Mbola ho eto an-tany ny


sasany aminny fahoriana lehibe

17
Tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehonizany rehetra izany. Inona no
dikanizany? Hojerentsika aloha hoe inona no atao hoe taranaka, ary inona ilay hoe izany
rehetra izany. Olona samy hafa taona miara-belona mandritra ny fe-potoana iray matetika no
atao hoe taranaka. Tsy lava loatra ilay fe-potoana ary tsy maintsy ho tapitra. (Eks. 1:6) Ny
zavatra rehetra hitranga mandritra ny fanatrehani Jesosy kosa ilay hoe izany rehetra izany,
izany hoe izay rehetra nitranga nanomboka taminny 1914 ka hatraminny fahoriana lehibe.
Mat. 24:21.

18
Inona ry no dikanilay tenini Jesosy hoe tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-
pisehonizany rehetra izany? Midika izany fa hisy antokona voahosotra roa hiara-belona, ary
hahita anizay nolazaini Jesosy. Voalohany, ireo voahosotra nahita izay nitranga taminny 1914,
rehefa nanomboka tanteraka ny famantarana ny fanatrehani Jesosy. Faharoa, ireo voahosotra
tat aoriana kokoa, nefa mbola niara-belona kelikely taminireo voalohany. Mbola tsy ho faty ny
sasany aminireo voahosotra tat aoriana kokoa, rehefa hanomboka ny fahoriana lehibe.
Taranaka iray ihany izy roa ireo, satria mbola niara-belona nandritra ny fotoana kelikely. *
19
Inona no ianarantsika avy aminizany rehetra izany? Fantatsika fa efa tanteraka ilay
famantarana ny fanatrehani Jesosy, izany hoe efa nanomboka nanjaka izy, raha jerena ny zava-
misy eran-tany. Efa antitra koa izao ireo voahosotra sisa tavela anisanilay taranaka, nefa mbola
tsy ho lasa any an-danitra daholo izy ireo raha tsy efa manomboka ny fahoriana lehibe. Midika
izany fa efa tena kely sisa dia ho tonga ny FanjakanAndriamanitra, ka hitondra ny tany. Ho faly be
isika aminizay, satria ho tanteraka ilay hoe: Ho tonga anie ny fanjakanao!

Tadidio foana ry ilay tenini Jehovah hoe: Henoy izy. Hiezaka mafy isika hihaino ani Jesosy,
20

ka hianatra tsara anizay rehetra nolazainy momba ny FanjakanAndriamanitra. Hodinihintsika ato


aminity boky ity hoe inona no efa nataonio Fanjakana io, ary inona no mbola hataony.
Hojerentsika ao aminny toko manaraka aloha hoe inona avy no nitranga taloha sy taoriana
kelinny nisianny FanjakanAndriamanitra.

You might also like