You are on page 1of 1

Akory aby ianareo tompoko

Mamangy amin'ny fahoriana tompoko.

Nohon'ny fahalasan'ny havan-tsika dia tonga eto izahay tompoko, taranak'Andriamanana


hitondra ny teny fampiononana anareo.

Tsy tonga hanetsika alahelo izahay fa hanao tongotra miara-mamindra sy soroka miara
milanja. Sady ny entan-jaraina hono mora zaka.

Mafy tokoa ny mahazo anareo izao satria very hava-malala ianareo.

Nefa araky ny finoantsika kristianina moa dia niakatra any an-danitra I Jesoa hikarakara
toerana ho antsika ka dia manantena isika fa tsy diso anjara amin'izany i Tompokovavy.

Aza misosoka alahelo intsony, tompoko

Araka ny fomba-drazana moa Tompoko dia misy ny solon-dranombary tsy masaka avy aty
aminay.

Raha ny tokony ho izy moa dia tokony hiaraka hipetrapetraka aminareo izahay. Kanefa noho
ny adidy aman'andraikitra dia mangata-dalana izahay hamonjy ny akaninay avy. Ny tenanay
no handao fa kosa ny fanahan'Andriamanitra hiaraka aminareo foana.

You might also like