You are on page 1of 1

I SAMOELA 20: 20-23

20.20 Ary izaho handefa zana-tsipìka telo eo anilany, toy ny mikendry


marika. 20.21 Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana,
izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin'ilay zazalahy hoe:
Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento et?, dia avia ianao, fa
hipetraka amin'ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha
velona koa Jehovah. 20.22 Fa raha hoy kosa aho amin'ilay zazalahy:
Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, fa Jehovah
no nampandeha anao. 20.23 Ary ny amin'ilay noresahintsika, dia izaho
sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao
mandrakizay.

I KORINTIANINA 13:4-7

13.4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy


mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,13.5 tsy manao izay tsy
mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo,
13.6 tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny
fahamarinana kosa, 13.7 mandefitra ('Na: manarona') ny zavatra
rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra,
maharitra ny zavatra rehetra.

You might also like