You are on page 1of 1

Evanjely (Izaia 58)

”Sitrak’Andriamanitra ny fifadian-kanina - Ny sabata.”


1
Manezaha antso mafy, ka aza tànana ny feonao; ataovy manehoeho hoatra ny trompetra ny feonao,
ka ambarao amin’ny vahoakako ny fahotany, ary amin’ny taranak’i Jakoba ny fahadisoany.

2
Mitady ahy isan’andro izy ireo, samy maniry hahalala ny làlako, mova tsy ny firenena efa nanaraka
ny rariny, sy tsy mba nahafoy ny didin’Andriamanitra akory. Mangataka fitsarana marina amiko izy, ary
maniry hohatonin’Andriamanitra:

3
Soa inona ho anay ny mifady hanina raha tsy hitanao izany, sy ny manetry ny fanahinay, raha tsy jere-
nao izany? Amin’ny andro ifadianareo, mbola ny raharahanareo ihany no ataonareo; ary mbola poretinareo
hiasa mafy ihany ny mpikaramanareo rehetra.

4
Sady miady sy mifandritra hianareo no mifady, ary mamely totohondry an-katezerana aza! Ny fomba
fifadianareo amin’izany andro izany tsy mba hihainoana ny feonareo any amin’ny avo.

5
Moa izany va no fifandiana ankasitrahako? Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny? Ny
miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin’ny lasaka sy lavenona, dia izany va no antsoina hoe fifa-
diana, sy andro ankasitrahan’ny Tompo?

6
Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa: dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny, ny mamaha ny
fehezan’ny jioga, ny mandefa ny ampahoriana ho afaka; ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?

7
Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va; sy ny hampiantranonao ireo mahantra tsy
manan-kidirana, sy ny tsy hiviliana tsy hijery ny tapaky ny tenanao?

8
Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina,ary ny fahasitrananao ho tonga
faingana; ny fahamarinanao, hialoha làlana anao; ny voninahitry ny Tompo ho vodi-làlanao.

9
Amin’izany hianao hiantso, ary Iaveh hamaly; hianao hitaraina, ary izy hanao hoe: Inty aho! Raha
esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambanana sy ny teny manala baraka;

10
raha manome ny haninao ho an’ny noana hianao, sy mamoky ny fanahy miferin’aina; hiposaka ao
amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny aizinao:

11
ary Iaveh hitari-dàlana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina;
ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka hianao, sy ho tahaka ny loharano
velona, tsy manam-paharitana.

12
Ny tarankao hanorina indray ny rava ela; hianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola; ny
olona hiantso anao hoe: Mpamelon-dàlana hahatonga ny tany ho azo honenana.

Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Fanontaniana
1. Inona no atao hoe karemy?
2. Fifadian-kanina manao ahoana no ankasitrahan’Andriamanitra?
3. Inona no takin’Andriamanitra amintsika mandritra ny karemy?
4. Inona ny soa sy ny fahasoavana hazontsika raha mifady hanina?
5. Misy firy ny fifadian-kanina?

You might also like