You are on page 1of 1

NY VOAMAINTILANY

Sampana iray noforonin'ireo mpampianatra tao amin'ny LYCEE


GALLIENI ANDOHALO tany amin'ny taona 1976 tany NY
VOAMAINTILANY.

Rindran-kira arahina antsan-tonokalo no nomanina isan-taona ka


miovaova hatrany ny lohahevitra navoaka... HAFATRA HO ANAO, NY
VOAMAINTILANY, ANGANO ANGANO.... MIFANKATIAVA IHANY,
TIAKO IANAO RY TANINDRAZAKO...sns

Taninketsa iray namoaka mpanakanto maro tsy tambo tanisaina io


sampana io ary anisan'ny nampalaza sy nanome hasina ny Lycee
Gallieni hatramin'izay ka hatramin'izao.

Mpianatra efa mihoatra ny 300 no nifandimby nandrafitra ny tarika ary


nanovo fanabeazana sy fahaizana ara-kolon-tsaina tao ary tsy
mahagaga raha mbola tsy maty io tarika io ANKEHITRINY fa mbola eo
ireo tapa-porohana sisa tsy may otronin'ny mpampianatra sy
mpandraharaha taloha sy zandry zanaka aty aoriana.

Tamin'ny taona 2013 tokoa mantsy no niverina indray NY


VOAMAINTILANY ka nahavita nanao seho an-tsehatra toy ny
TAMBERINA, FAMINDRA TANORA sy nandray anjara tamina fety
aman-danonana samihafa toy ny teny amin'ny lapam-panjakana teny
Iavoloha sy teny amin'ny CCI Ivato, ary namoaka rakin-tsary momba
an'izany.

Ny mpitarika Atoa RAMAROZATOVO Manana no filoha ankehitriny ary


otronin'ireo mpitendry sy mpikambana miisa 30 izay mbola mavitrika
tokoa amin'ny asa fanasoavana sy fanaovana soroka miara-milanja
amin'ny Lycee Andohalo.

Araka ny nambaran'ny filoha dia raisin'ny VOAMAINTILANY an-


tanandroa ny fiaraha-miasa izay azo tanterahina na ireo mpikambana
taloha na vaovao te hanatevin-daharana.

You might also like