You are on page 1of 4

ALATSINAINY 11 DESAMBRA 2017 : ANDRIAMANITRA MOMBA NY OLOM-BOAFIDINY

ROMANA 8:31-39

31 Inona ary no holazaintsika ny amin�izany zavatra izany ? Raha Andriamanitra


momba antsika, iza no hahatohitra antsika ?

32 Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy
homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra ?

33 Iza no hiampanga ny olom-boafidin�Andriamanitra ? Andriamanitra no


manamarina azy.

34 Iza no manameloka ? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin�ny
maty koa ka mitoetra eo amin�ny tanana ankavanan�Andriamanitra ary mifona ho
antsika.

35 Iza no hahasaraka antsika amin�ny fitiavan�i Kristy ? Fahoriana va, sa


fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra ?

36 Araka ny voasoratra hoe : Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva ;


Toy ny ondry hovonoina no fijery anay (Sal. 44. 22).

37 Kanefa amin�izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin�ny
alalan�ilay tia antsika.

38 Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo


fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,

39 na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin�izao zavatra ary rehetra


izao, dia tsy hahasaraka antsika amin�ny fitiavan�Andriamanitra izay ao amin�i
Kristy Jesosy Tompontsika.

Fotokevitra : ANDRIAMANITRA MOMBA NY OLOM-BOAFIDINY

I) Efa namonjy antsika Izy, miandany amintsika

II) tsy misy mahasaraka antsika amin�ny Fitiavany

Vavaka iombonana

Tompo �, Andriamanitray, Mpamonjy anay tsirairay avy. Midera, mankasitraka ary


misaotra Anao fa efa natolotrao ny Ainao, efa nanaiky Anao ho Tompo sy Mpamonjy
izahay, tsy misy mahaory anay, fa omenao anay koa ny zavatra rehetra. Ny fifalianay
anio, dia sambatra sy manana toky lehibe izahay, fa ny Fitiavanao dia ahariharinao
amin�ny fomb�nao. N�inon�inona ety ambany masoandro, dia tsy misy mahasaraka anay
Aminao. Ary raha mino izahay, dia efa tanteraka fa mihoatra nohon�ny mpandresy
izahay, amin�ny alalan�ny Fitiavanao. Tompo malala �, ao amin�i Jesoa Kristy dia
efa vitanao tomboka-vatsy hoa Anao izahay, ka omenao anay maimaimpoana ny
fahasoavana sy fitahiana sitrakao. Endrey izany Fitiavanao, fa mbola arovanao koa
izahay amin�izao ankehitriny izao, ary koa amin�ny ho avy, tsy misy maharombaka
anay eo an-T�nanao. Fitiavana mandrakizay mihitsy no itiavanao anay. Tompo �,
hitoetra eo Aminao no fanirianay, ho tanteraka anie izany amin�ny anaran�i Jesoa.
Misaotra Tompo, AMEN ___________________________________________________________
TALATA 11 SEPTAMBRA 2018 : NY FATAHORANA AN�ANDRIAMANITRA NO MAHATONGA NY FIALANA
AMIN�NY RATSY

JOBA 28:12-19
12 Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena ? ary aiza no fitoeran�ny
fahalalana ?

13 Tsy misy zanak�olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin�ny


tanin�ny velona izy.

14 Hoy ny lalina : Tsy ato anatiko izy ; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny
ranomasina.

15 Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho
vidiny ;

16 Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny


safira aza.

17 Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo


takalozana firavaka tena volamena izy.

18 Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana


fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.

19 Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo
azy ny tena volamena tsara

Fotokevitra : NY FATAHORANA AN�ANDRIAMANITRA NO MAHATONGA FIALANA AMIN�NY RATSY

I) Mahazoa fahendrena ao amin�Andriamanitra

II) Tena harena ny fial�na amin�ny ratsy

Vavaka iombonana

Ry Tompo Andriamanitray, midera sy misaotra ary manome voninahitra Anao. Araka ny


hafatrao izao maraina izao, dia ny fatahorana Anao no tokana hafahanay miala
amin�ny ratsy rehetra , ary ao anatin�izany ny kolikoky. Tsy ny zavatry ny tany, na
ny vato maro sarobidy no harenay raha kristiana izahay, fa ny fiadiana amin�ny
ratsy sy ny fial�nay amin�izy ireny, no tena hahalalanay ny Fahendrenao. Tompo �,
omeo ny fahendrena avy any ambony izahay, ataovy miaina matahotra Anao izahay, fa
na dia tsy hitan�ny masonay Ianao, Ianao kosa mahita amin�ny antsipirihiny ny
ataonay sy ny fisainanay . Dia ampianaro isan�andro tsy hanao sy hiray
tsikombakomba amin�ny ratsy. Dia hatanjaka izahay manana anao aty anatinay, ka ho
afaka hanohitra ny kolikoly miseho amin�ny endriny maro. Amin�ny anaran�iJesoa no
ametrahanay izao vavaka izao.

ALARBIOA 12 SEPTAMBRA 2018 : NY FAHAMARINANA IHANY NO ENTI-MANOHITRA NY KOLIKOLY

1 KORINTIANA 6:9-11

9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny


fanjakan�Andriamanitra ? Aza mety hofitahina ianareo : fa ny mpijangajanga sy ny
mpanompo sampy sy ny mpaka vadin�olona sy ny sodomita

10 sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny


mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan�Andriamanitra.

11 Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo,
efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin�ny anaran�i Jesosy Kristy
Tompo sy tamin�ny Fanahin�Andriamanitsika.
Fotokevitra : NY FAHAMARINANA IHANY NO ENTI-MANOHITRA NY KOLIKOLY

I) Sady antoko hidirana ny fanjakan�Andriamanitra

II) No hanamasinana sy hanamarin�Andriamanitra antsika

Vavaka iombonana

Tompo Andriamanitray, endrey izany Fitiavanao fa tsy afeninao anay amin�ity


hafatrao anio ity, fa ny FAHAMARINANA no hany hafahanay manohitra ny rasty , toy ny
kolikoly, sy antoka hidiranay any amin�ny Fanjakanao. Tsy misy afaka hiteny fa tsy
nandre, tsy nahalala, fa izay voasoratra ato amin�ny Teninao dia Fahamrinana ka
tokony hinoanay sy tanterahinay. Misaotra Anao Tompo fa na dia ratsy izahy fahiny,
na ankehitriny , dia mbola miantso anay tsirairay Ianao, mbola tsy misy tara, fa
Jesoa Kristy no manasa sy manamasina ary manamarina anay raha mety miala amin�ny
fahotanay izahay. Mifona Tompo, ary miverina Aminao, raiso re ho Anao. Dera sy laza
, atolotray ho Anao Tompo �, nohon�ny Famindram-ponao, ao amin�i Jesoa Kristy.
AMENA

Alatsinainy 07 janoary 2019 : KRISTIANA TEMPOLIN�ANDRIAMANITRA VELONA

II Korintiana 5 : 1 � 11

1 Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika et? an-tany, dia manana izay


voarafitr�Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra
mandrakizay any an-danitra.

2 Ary misento ao anatin�ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay


avy any an-danitra koa ;

3 fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka.

4 Fa isika izao amin�izao lay izao dia misento noho ny mavesatra antsika, satria
tsy tiantsika ny hendahana, fa ny mba hotafiana koa, mba hatelin�ny fiainana ny
mety maty.

5 Ary Izay efa namboatra antsika ho amin�izany indrindra dia Andriamanitra, Izay
efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy.

6 Koa matoky mandrakariva isika, ka fantatsika fa raha mitoetra eo amin�ny tena,


dia tsy mitoetra any amin�ny Tompo

7 (fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana) ;

8 eny, matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin�ny tena, fa ny hitoetra


any amin�ny Tompo.

9 Koa dia ataontsika ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra,


na tsy mitoetra.

10 Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin�ny
fitsaran�i Kristy, mba handraisan�ny olona rehetra izay zavatra nataon�ny tenany,
dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.

11 Koa amin�izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no


ampanekenay, fa amin�Andriamanitra, kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary
manantena aho fa voaseho ao amin�ny fieritreretanareo koa.
KRISTIANA TEMPOLIN�ANDRIAMANITRA VELONA

Ka

1- Miaina amin�ny fahamasinana

2- Mifaly amin�ny fandrosoan�ny hafa

Vavaka iombonana :

Tompo �, Andriamanitra masina. Nofidinao ho fitoeranao izay manaiky hampandroso


Anao ao am-pony. Manaiky ny hitondra sy hanapaka ny fiainany Ianao raha manaiky Nao
ho Tompo sy Mpanjakany izy. Satria masina Ianao dia tokony andeha amin�ny
fahamasinana, fahatahorana Anao, fanomezam-boninahitra ny anaranao izahay
mpanaradia Anao. Sitrakao koa izahay raha toa ka mifampahery, mifampitantana mba
hirosoan�ny hafa amin�ny finoana, fankatoavana Anao. Tsy ny mpanomponao ihany no
faly fa Ianao mihitsy satria manahaka Anaoo izahay amin�izany. Marina eo amin�ny
fiainanay ny maha mpanjaka Rainay Anao. Tompo �, ho marina eo amin�ny Kristiana
Malagasy anie izany mba hanafahanao ity firenenay ity. Amin�ny naranao no
anandratanay izany vavaka izany.
Amena.

You might also like