You are on page 1of 4

Voankazo

PAOMA
1-/ KARAZANA:

1.1-/ Ireo karazana tranainy:


ƒ Paoma Soanindrariny na Paoma varimasaka: salasalany ny voany,
mipasapasaka, manitra saingy mora simba, manaloha, sarotra
tehirizina, tena tian’ny eto an-toerana.
ƒ Reinette grise: voa fisaka vaventy, mavo maintso, mora tehirizina,
mamokatra be.
ƒ Reine des reinettes: voa fisaka, maintso misoratra mena. Mamokatra
ƒ Christmas: voa boribory, salasalany, mena.Somary manalona
(masaka alohaloha)
ƒ Pommone = paoma fotsy: marimarikivy, azo tehirizina.
ƒ Calville (fotsy na mena): voa vaventy, mafonja, marimarikivy, tsy dia
be mpitia
ƒ Black John sy Double Red: voa mena matsoko, mafonja, efa tsy
fahita loatra intsony.

1.2-/ Ireo karazana taty aoriana:


ƒ Golden Delicious: voa vaventy na salasalany, mavo mivolom-
bolamena, manafarafara (masaka aoriana)
ƒ Anna: voa vaventy matsoko, miloko mena sy maintso, tsy dia mila
hatsiaka be, sarotra tehirizina, manaloha
ƒ Melrose: voa vaventy be, maintso mipentina mena, tena mamokatra,
manafara
ƒ Granny Smith: voa vaventy, somary matsao sady marimarikivy, mora
tehirizina, manafara be
ƒ Winter banana: voa mavo vaventy, tsy dia mila hatsiaka be, manafara

2-/ ANKAPOBENY
ƒ Eto afovoantany amin’ny faritra ambony toerana no tena mety.

2.1-/ Tany:
ƒ Mila tany lali-nofo sy tsara rafitra. Tsy mahazaka ny tsy
fahampian’ny baoro anaty tany.

2.2-/ Toe-tany:
ƒ Mila hamandoana sy hatsiaka maharitra (avo toerana).

3-/ FAMBOLENA

3.1-/ Fanomanana ny tany:


ƒ Iray na roa taona mialoha ny hambolena ny zana-kazo dia tokony
asiana aro-rivotra (filao, sipresy, kesika).
ƒ Izany aro-rivotra izany dia apetraka 7m eo ho eo miala ny lahara-
fotom-boankazo voalohany izay tokony ho tanteraka eo amin’ny 50%
(miaro im-10 ambonin’ny haavony).

-1-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Vakinankaratra
natao 05-06-07-08 Desambra 2006
Voankazo

ƒ Tsara kokoa raha atao dongona na harenina ny tany raha toa ka be


loatra ny fisolampiny araka ny tranga mety ho hita.
ƒ Asiana sokay ny tany araka ny tranga mety hiseho
ƒ Atao 60 sm x 60 sm x 60 sm ny lavaka amin’ny tany lonaka ary mety
hahatratra 1 m x 1 m x 0,80 m amin’ny tany mafy.
ƒ Asiana N.P.K. 2 kg ary afangaro amin’ny zezi-pahitra na zezi-pako
masaka tsara 20 kg.

3.2-/ Fambolena:
ƒ Raha vantany vao vita ny lavaka dia totofana mba tsy hifatratra lasa
andrin-tany ny sisiny
ƒ Elanelana: 4 m x 2,5 m = 1000 fototra /ha; 4 m x 3 m = 830
fototra/ha; 4 m x 4 m = 625 fototra/ha; 5 m x 4 m = 500 fototra/ha
ƒ Ny elanelany dia miankina amin’ny karazan’ny foto-girefy sy ny
fahamasahan’ny tany.

3.3-/ Fotoana fambolena


ƒ Amin’ny ririnina: aogositra – septambra : azo atao ny mamboly azy
tsy miaraka amin’ny tany kanefa tsy atao ela loatra ny fotoana
fanongotana sy ny fanatsatohana azy. Alona ary atsoboka ao anaty
rano misy tain’omby sy fotaka ary tany mifangaro.
ƒ Amin’ny fahavaratra: fambolena zana-kazo miaraka amin’ny tany
anaty fonosana plastika, tatahina ary tsoahina ny fonosana plastika ka
tsy vakiana ny bongan-tany. Didiana avy eo ny bongan-tany mba ho
mora azon’ny rivotra. Apetraka anaty lavaka amin’izay
ƒ Ilaina tondrahana tsara na dia avy aza ny orana mba hifitsahan’ny
tany eny ivelan’ny rivotra manakaiky ny fakany
Fanamarihana:
ƒ Ny paoma dia anisan’ireo karazam-boankazo mila fifampivadiana
vovombony. Ilaina araka izany ny fisian’ny karazam-paoma roa
samihafa mba ahazoana vokatra tsara.

3.4-/ Fikarakarana:
ƒ Tsara ny miompy tantely akaikin’ny saha rehefa manomboka
mamokatra ny hazo
ƒ Hevoina sy havaina ny saha eny amin’ny faritra tsy mivoly sy tsy
mirakotra bozaka
ƒ Rakofana bozaka mba hitazonana ny hamandoana sy hamonoana ny
ahi-dratsy
ƒ Fandrantsanana na fanetezana
ƒ Saham-boankazo mifanety: bika mijadona (vatany afovoany miaraka
ami’ny rantsana notazonina amin’ny tsatoka)
ƒ Saham-boankazo mahalana na antonontonony (koveta, na elo
mifototra, vatan-kazo miaraka amin’ny rantsana 300 ka hatramin’ny
400)
ƒ Zezika entina isan-taona isam-potony:
ƒ Zezi-pahitra na zezi-pako masaka tsara: 1 sobika
lehibe, NPK: ½ Kg. Alohan’ny hitsimohan’ny
hazo
ƒ Miampy urée 100 g eo ampitsimohany
-2-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Vakinankaratra
natao 05-06-07-08 Desambra 2006
Voankazo

ƒ Urée 100 g any amin’ny volana desambra


ƒ Ampitomboina avo roa heny ny fatra any amin’ny
fahadimy taona ary miova araka ny vokatra
omeny

4-/ VOKATRA

4.1-/ Fotoana fiotazana

ƒ Janoary ka hatramin’ny volana aprily ny fiotazana. Amin’ny fotoana


mangatsiatsiaka sy maina no tsara anaovana ny fiotazana. Tsy esorina
ny tangozany.
ƒ Atao ny fiotazana raha:
ƒ Hita amin’ny lokon’ny voankazo ny
fahamasahany
ƒ Mihamatroka ny ativoan’ny paoma
ƒ Mihamalemy ny voankazo ary miova ho
siramamy ny amidao

4.2-/ Fotoana fiotazana


ƒ Tandremana tsara ny fiotazana. Kendrena mba tsy hifanety na
hifanindry loatra ireo voankazo rehefa atao antin’ny zavatra asiana
azy amin’ny fitaterana; kesika na sobika nasiana bozaka maina na
mololo no ampiasaina.
ƒ Vokatra azo: 30 – 80 kg/hazo

4.3-/ Fitehirizana
ƒ Mety maharitra 6 volana ho an’ny karazana Granny Smith ohatra,
raha atao amin’ny toerana mangatsiaka eo amin’ny 3 na 5°C eo. Azo
hamainina tsara koa ny paoma.
ƒ Misy fomba maromaro azo hitehirizana ny paoma:
ƒ toerana mangatsiaka sy maloka
ƒ atao ranom-boankazo
ƒ atao “sirop”
ƒ konfitiora
ƒ paoma maina

5-/ ARETINA SY FAHAVALON’NY PAOMA:

Fahavalo Fanafody
Loatradity:
Misy lempona kely ny hodi-kazo izay Bouillie Bordelaise (cuivre) 250
miendakendaka. Manodidina ny mason-kazo g
na ny fototry ny rantsana madinika no misy
azy

Aretim-bakivaky Dinoconazole 60 g
Misy tasy manja maintso volovoloina ny
ravina (indrindra ny lafiny ambany)
-3-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Vakinankaratra
natao 05-06-07-08 Desambra 2006
Voankazo

Toy izany koa ny voa sy ny taho. Miova


endrika ny voa ary farany dia vakivaky.
Fahavalo Fanafody
Kimanja Bénomyl (Benlate) 100 g
Misy tasy manjamanja ary mena ny sisin-
dravina sy ny voankazo. Mihalehibe sy
mandoaka ny fiafarany. Mangidy ny voa
marary
Pondy, Fanday Deltaméthrine 25 g/l 50 ml
Diméthoate 400 g/l 100 ml
Halamadinika Dicofol 100 ml
Lalim-boankazo Fenthion 100 ml
Fampiasana fandrika misy
fanafody
Fangalabola: Thiodicarbe 37 g/l (larvin) 200
ml

Fanamarihana:
ƒ Mandritra ny famelanana vao miasa ny tantely.
Tsy mampiasa fanafody simika noho izany
amin’io fotoana io.

-4-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Vakinankaratra
natao 05-06-07-08 Desambra 2006

You might also like