Professional Documents
Culture Documents
SAMBATRA
SAMBATRA
no hovakiana manomboka
Alahady 28 JONA 2020
Tompon'andraikitry ny
Ellen G. White Publications.
WASHINGTON, D.C.22 Jona 1955
Tso-drano avy any ambony, feo avy amin'Andriamanitra — izany «ilay toriteny
teo an-tendrombohitra». Natolotra ny taranak'olombelona izy: ho fitsipika harahiny, ho
fanazavana ny diany, ho fanantenany sy fiononany, ho fifaliany sy tohan'ny ainy eto
amin'ity fiainana ity. Ilay Mpitoriteny malaza indrindra sy Mpampianatra mahay
indrindra no nitonona ireo teny nampitondrain'ny Ray ham bara amintsika olombelona.
Efajato sy arivo taona rnahery talohan'ny nahaterahan'i Kristy tany Betlehema, dia nivory
teo amin'ilay lohasaha mahafinaritr'i Sekema ny Zanak'i Isiraely, nihaino ny feon'ireo mpisorona
nanakoako avy tamin'ny tendrombohitra manodidina, nitonona fitahiana ho an'ny mpankatò ny
didin'Andriarnanitra sy ny ozona ho an'ny tsy mpankatò: «Fitahiana, raha hohenoinareo ny didin'i
Jehovah Andriamanitrareo ary ozona kosa raha tsy hohenoinareo ny didin'i Jehovah
Andriamanitrareo» - Deo. 11: 27 , 28. Koa ilay tendrombohitra Gerizima izay niavian'ny feo
fitahiana tamin'izay andro izay, dia nomena anarana hoe: tendrombohi-pitahiana. T sy nahatan
teraka ny toky nomeny hanatratra ny fetra am bony natolotra azy anefa ny Isiraely, koa dia tsy avy
teo amin'io tendrombohitra io intsony no niavian'ilay fitahiana hanafaka izao tontolo izao amin'ny
fahotana sy ny fahoriana. Tsy Josoa intsony koa no voatendry hitarika ny olon'i Kristy ho ao
amin'ny tena fialan-tsasatry ny finoana. Eny, tsy i Gerizima intsony no atao hoc tendrombohi-
pitahiana, fa ilay tendrombohitra tsy manana anarana akory, eo anilan'i Genesareta, izay
nitenenan'i Kristy ireo tenirn-pitahiana ho an'ny mpiainany sy ho an'ny vahoaka koa.
Raha izay mantsy no mba nanaiky hamboarin'ny fahasoavany ireo mpitarika tamin'ny
IsiraeJy, dia ho notendrin'i Jesösy ho solon-tenany teo amin 'ny olona izy. Tany Jodia no nitoriana
voalohany ny fiavian'ny fanjakan'Andriarnanitra, ka niantsoana voalohany ny mpanota hibebaka.
Nasehon'i Kristy aza fony Izy nandroaka ireo mpandoto tempoly tany Jerosalema fa Izy no Mesia,
dia Ilay tonga hanadio ny fanahy ho afaka amin 'ny halotoam-pahotana, ka hahatonga ny olony ho
tempoly masina ho an'i Jehóvah. Kanefa noheverin'ireo Jiosy ho fietrena arnbany loatra ny
mandray ity Mpampianatra tambanivohi-dahy avy any Nazareta ity. Koa nony niverina
fanindroany tany Jerosalema indray i Jesösy, dia nampangaina teo anatrehan'ny Sinedriona, ka
saika maty teo mihitsy raha tsy ny tahotr'ireo manampahefana ny vahoaka. Dia niala tany Jodia
Izy, ka niditra hanohy ny asany tany Galilia.
Tonga izao ny fotoana hiraisan'ny mpianatra bebe kokoa amin'i Kristy, hiarahany mitondra
Arniny ny asa farnonjena ny very, satria efa voaantso manokana ho amin'izany izy, mba tsy avela
hirenireny foana intsony toy ny ondry tsy manana mpiandry ireto vahoaka maro manaraka Azy.
Ny sasany tamin'ireo mpianatra ireo dia efa tafaraka tamin'ny Tompo hatramin'ny voalohany, ary
saika izy roa ambin'ny folo lahy dia sarny tafaray tanteraka teo Aminy ho toy ny ankohonany
mihitsy. Kanefa izy ireo koa dia diso lalana noho ny fampianaran'ny raby, ka niray hevitra
tamin'ny vahoaka nanantena hahita fanjakana ara-nofo. Tsy nety takatry ny sainy ny fihetsik'i
Jesösy. Nahavery hevitra azy sahady ity Izy tsy mitady fanohanana ny asany akory amin'ny
fanampian'ireo mpisorona sy raby, sady tsy manao na inona na inona hiorenan'ny fahefany ho
mpanjaka ara-nofo. Mbola betsaka tokoa ny asa lehibe tsy maintsy nataon'i Kristy ho an'ireo
mpianany ireo, vao mety ho vonona hanatontosa ny adidy masina hatolony azy Izy, alohan'ny
hiakarany any an-danitra. Namaly ny antson'ny fitiavan'i Kristy izy, ary na dia hita aza fa naharitra
ela vao nino, dia tsinjon'ny Tompo kosa fa nisy fanahy azo notarihina sy nampianarina tao aminy,
mba hanatanteraka ny asa lehibe hatolony azy. Ary amin'izao, satria efa ela ihany izay no
niarahan'i Kristy taminy ka efa takatakatry ny sain'izy ireo fa ara-panahy ity fanjakana haorina,
ary ny vahoaka koa no efa nahita porofo miharihary rahateo hahazoany mino ny Heriny, dia
lalamboavoatra izany ho fitoriana ny fitsipiky ny Fanjakany sy ho fanarnpiana ireo mpianany
hahafantatra izay tena toe-javatra.
Nandany ny alina manontolo nivavaka ho an'irco voafidiny ireo i Kristy raha nanirery teo
an-tendrombohitra anilan'ny ranomasina Galilia. Nony maraina dia niantso azy Izy, ka nametra-
tanana taminy ho tso-drano sy fanokanana azy ho amin'ny asa fitoriana ny Filazantsara. Avy teo
dia niara-nidina taminy ho eny amorondranomasina Izy, izay efa nisy vahoaka be tafavory sahady
raha vao maraina koa.
Afa-tsy ireo vahoaka mpanaraka Azy mandrakariva avy tany Galilia, dia nisy marobe kca
avy tany Jodia sy Jerosalema, avy tany Perea sy ireo mponina jentilisa tany Dekapôlisy, avy tany
Edöma, any an-dafy atsimonä Jodia, ary avy tany Tiro sy Sidôna, dia ireo fitodian-tsambo
foinikianina teo amoron'ny ranomasina Mediteranea. «Nandre izay zavatra nataony [ireol» - Mar.
3:8, ) tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin'ny aretiny; t...) Ary ..) nisy hery niala taminy ka
nahasitrana azy rehetra»- Lio. 6:17-19.
Ary satria tery loatra ny moron-drano, ka tsy ampy hijoroan'izay rehetra ta handre ny feony,
dia niverina nankeo an— tendrombohitra ny Tornpo. Rehefa nahita toerana marimarintampona
omby an'ireo vahoaka marobe Izy, dia nipetraka tamin'ny ahitra, ary nipetraka daholo koa ny
olona.
Nampoizin'ny mpianatra rahateo fa zavatra hafa noho ny mandrakariva no hambaran'ny
Tompo, ka dia nanaiky Azy fatratra izy. llay toe-javatra niseho ny maraina no nitokisany fa tsy
maintsy hisy filazana momba ny fanjakana izay nantenainy fa haorin'i Kristy haingana. Nanampo
hevitra toy izany koa ny vahoaka, ka samy nibanjina fatratra handre izay hambara.
Koa teo arn-piandrasana izay hitenenan'ny Tompo, dia samy lasam-binany ery izy rehetra
nieritreritra ny amin'ilay voninahitra ara-nofo nandrandrainy. Nisy Fariseo sy mpanora-dalà.na teo
izay nibanjina sahady ilay andro hanapahany ny Römanina, sy handraisan 'ny fanjakana isiraelita
harena sy famirapiratana. Ireo tambanivohitra sy mpanarato mahantra koa dia nanantena handre
fanomezan-toky, fa tsy hitoetra amin'ny trano bongo intsony izy, na hiaritra fihafiana sy adim-
piainana mbarnin'ny tahotra sy ny tsy fisiana, fa hahazo fonenana tsara kosa izay hanaranany fo sy
SAMBATRA Pejy faha 6 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
handriany fahizay amin'ny fiàdanana. Nantenainy fa tsy ho lamba tokana toy ny ankehitriny
iñtsony no ho hany fananany, izay sady atao fitafy raha andro no atao firakotra raha alina, fa
fitafiana soa maro kosa izay ho zarababony avy amin'ireo horeseny.
Endrey ny fibitak'izy rehetra, nanantena ny hisondrotan'ny Isiraely voninahitra eo
anatrehan'ny firenena manodidina, fa olom-boafidin'i Jehövah, hono, ary akory ny fireharehany
nieritreritra ny amin'ny hanandratana an 'i Jerosalema ho sangan'ny fitondram-panjakana
manerana an'izao tontolo izao.
Ireo mpitondra fiangonana tamin'ny andrcn'i Kristy dia nihevitena ho manan-karena am-
panahy. Toy izany, araka ny fivavak'ilay Fariseo hoe «Andriamanitra ö, misaotra Anao aho fa tsy
mba tahaka ny olona sasany» - Lio. 18:11, dia hita eo any toetsain'izy rehetra sy ny an'ny firenena
manontolo koa. Kanefa tamin 'ireo nanodidina an'i Kristy, dia nisy ihany sasantsasany nahatsiaro
ny tenany ho mahantra am-panahy. Toy izany i Petera, rehefa avy nanatrika ilaý fahagagana
nahazoany hazandrano be dia be, dià niankohoka teo an-tongotry ny Mpamonjy ka nanao hoe:
•Tompoko, mialà arniko, fa 010-meloka aho»- Lio. 5:8. Eny, nisy tokoa olona nahatsiaro ny
tenany ho ory SY mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka (Apôk. 3: 17) tamin 'ireo
nanatrika ny hamendrehan'i Kristy ka nangetaheta fatratra handray ny «fahasoavan 'Andriamanitra
izay famonjena ny olona rehetra» - Tit. 2: IA. Nampitraka izany fanahy mitanondrika izany ny
teny fiarahaban'ny lanitra nentin 'ny Tompo harnelom-panantenana azy; ka tsaroany marimarina fa
tsy nafoin'Andriamanitra akory izy, fa mbOla voaaro ao amin'ny fitahiany ihany.
Natolotr'i Kristy koa an'ireo nihevitra ny tenany ho «manankarena sy efa nihary fananana
be* - Apök. 3: 17 - ny kapoaky ny fitahiana; kanefa nianjonany fotsiny io fanomezana io, fa tsy
mila na inona na inona intsony, hono, izy. Izay mihevitra ny tenany ho feno sy efa tsara rahateo,
ka afa-po amin'izany, dia tsy mitady hahazo ny fahasoavana sy ny fahamarinan'i Kristy intsony.
Tsy mahatsiaro hila na inona na inona ny mpiavonavona; ka dia mikatona tsy hidiran'i Kristy ny
fony, ary tsy voarainy ireo fitahiana tapitr'ohatra irin'ny Tompo hatolotra azy. Fa izay mahatsapa
kosa fa tsy mahay mamonjy ny tenany samy irery, na mahavita asam-pahamarinana ho azy, dia
mankasitraka ny famonjena atolotr'i Kristy. Ireo no malahelo am-panahy, asambatra izy», hoy ny
Tompo.
Izay avelan'i Kristy heloka dia omeny fo mibebaka aloha, ary anjaran'ny Fanahy Masina ny
mampiaiky fahotana azy. Izay voahetsiky ny Fanahin'Andriarnanitra toy izany dia mahatsinjo, fa
tsy misy na inona na inona tsara ao arniny. Tazany fa izay rehetra vitany dia voaloton'ny fitiavan-
tena sy ny fahotana. Mijoro ery lavitra ery izy, ary tsy sahy miandrandra ny lanitra akory, toy ilay
mpamory hetra nivavaka tao arnin'ny tempoly, ka nitaraina hoe: "Andriamanitra c), mamindrà fo
amiko mpanota» - Lio. 18:13. Sambatra izy. Voavela heloka izay mibebaka, satria Kristy no
Ny ory ambara eto dia ireo olona mahatsiaro alahelo fatratra noho ny fahotana vita. Hoy i
Jesôsy: “Ary Izaho raha hasandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona
Ahy» - Jao. 12:32. Koa izay mijery Azy mihombo eo amin'ny hazo fijaliana no mahatsinjo ny
hamaintisan'ny Ota mandrakotra ny taranak' olombelona: tazany fa ny fahotana no nanorotoro sy
nanombo Ilay Tompon'ny voninahitra. Hitany fa na dia voahodidimpitiavana tsy takatry ny saina
aza ny tenany, dia feno tsy fankasitrahana sy fikomiana kosa ny fiainany manontolo. Eny, tsy
nahoany akory Ilay tena tia azy; ary tsy noraharahainy velively nay fanomezana tapitr'ohatry
nylanitra. Ekeny marimarina fa izy mihitsy no mpanombo indray ny Zanak'Andriamanitra, sy
mpandefona ilay fo efa loa-dra sy rotidrotika. Tsinjony fa hantsan-dalina mangitsokitsoka sy
lehibe ary maizina no manelanelana azy amin'Andriamanitra, ka fadiranovana vaky fo Izy.
Hampifalina» ny ory toy izany. Andriamanitra no maneho amintsika ny fahotantsika, mba
hianteherantsika eo amin'i Kristy, hanalany antsika arnin'ny fanandevozan'ny Ota ka
hiravoravoantsika amin'ny fahafahana ananan 'ny zanak' Andria_manitra. Amin 'ny fo torotoro sy
mangorakoraka marina no ahaizantsika manatona ny hazo fijaliana, ka hametrahantsika eo ilay
enta-mavesatra.
Ny tenin'ny Mpamonjy dia nentiny koa nampionona ireo nijaly sy fadiranovana. Tsy
mitrebona avy amin'ny tany tsy akory ny fahoriantsika. "Ary tsy sitrak'i Jehovah ny mampahory
na mampalahclo ny zanak'olcmbelona»- Fil. 3:33. Fa matoa avclany hihatra ny fizahan-toetra sy
SAMBATRA Pejy faha 9 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
ny fitsapana, dia ny «hahasoa antsika» no antony emba handraisantsika ny fahamasinany» Heb.
12:10. Raha mino isika, ny fitsapana mangidy sy sarotra indrindra dia hody fifaliana. Ny kapoka
tsy mifaditrovana izay nampanjombona ny fifalian'ny tany dia tsy inona fa fiasana hampitodika
ny masontsika hiandrandra ny lanitra. Firifiry akory no tsy ho nahalala na oviana na oviana an'i
Kristy raha tsy noho ny fahoriana nihatra taminy, izay nitarika azy hitady fiononana teo amin 'ny
Mpamonjy.
Ny fizahan-toetra eto an-tany dia ampiasain'Andriarnanitra hanala ny tsy fahornbiazana
rehetra amin 'ny toetrantsika. Na tantanana miantonta, na fandraka mandoaka, dia Samy
mampanaintaina avokoa, ary mafy tsy hay lazaina izany hosilatsilahina; kanefa fanamboarana toy
izany no atao amin'ny vato mba hahamendrika azy hanana anjara ao amin'ny tempolin'ny lanitra.
Raha zavatra tsy misy vidiny no e0 ampelatanan'ny Tompo dia tsy hisahiranany na hikelezany
aina akory. Fa izay fantany ho vatosoa ihany no amboariny toy izany, mba ho sahaza ny toerana
izay nikendreny azy.
Maniry hiasa amin'izay miantehitra Aminy tanteraka ny Tompo. Fandresena tena kanto no
homeny ireo izay mahatoky. Fianarantsarobidy no ho azony. Toe-piainana ambony no ho tratrany.
"Ry Ray any an-danitra ö, aza atao tsinontsinona ny fahorian'ireo izay mijaly.» Raha
niakatra teny an-tendrombohitra Oliva i Davida, ka «nitomany teny am-piakarana ary nisaron-
doha sady nandeha tsy nikiraro - 2 Sam. 15:30, dia onena azy ny Tompo. Nitafy lamba fisaonana
izy ary nanenjika azy fatratra ny fieritreretany. Tamin-dranomaso sy fo torotoro no nitondrany ny
manjo azy ho e0 amin 'Andriamanitra, ary tsy nandà azy ny Tompo. Tsy mbola malala toy izany
teo anatrehan'i Jehövah i Davida, raha nangotika ny ainy fa lositra, eny latsa teo anatrehan'ny
fahavalony izy, dia ireo miaramilany notarihin'i Absalôma zanany nikomy taminy. Hoy ny
Tompo: «lzay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hiango, ka mibebaha» - Apôk.
3:19. Manandratra ny fo mangorakoraka i Kristy, ary manamboatra ny fanahy torotoro ho
fonenana ho Azy.
Kanefa raha midona ny fahoriana, impiry moa isika no manao tahaka an'i Jakôba?
Heverintsika fa tanam-pahavalo izao manindry antsika izao; koa dia mitroatra tsy amim-
piheverana ao amin hy maizina ao isika, raha tsy mahita fampaherezana na fahafahana. Ny
fanohinana natao an'i Jakôba nony maraina no naneho taminy fa Ilay nifampitolomany nandritra
ny alina dia tsy iza fa i Kristy. Ary nony voa izy, dia izay vao niantoraka tamindranomaso teo an-
tsandrin'llay Fitiavana tsy hita fetra, mba handray fitahian-dehibe ho an 'ny fanahiny anan-
ketaheta. AOka hahazo fianarana amin'izany isika, fa soa ho antsika ny fitsapana rehetra; ary enga
anie isika ka hahalala fa tsy tokony hohamavoina ny famaizana, na horaisina ho mahakivy sy
mampiraviravy tanana ny fananarana.
«lndro sambatra ny zanak 'olombelona izay anarin'Andriamanitra; (...) Fa sadu mandratra
Izy no mamehy; manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana. Amin 'ny fahoriana enina
dia hamonjy anao Izy; eny, amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao» - Jôba 5: 17-19. HO
an'izay rehetra vesaram-pahoriana, avy i Jesôsy hitondra fanasitarnana ho azy.
Hovelombelomin'ny fanatrehany ny fiainam-pisaonana sy fijaliana ary alahelo.
Tsy sitrak'i Jehôvah ny hitanondrehantsika e0 ambanin'ny fahoriana tsy mifaditrovana, ka ho
ory lava eo. Fa tiany koa raha tiany ny hitrakantsika hibanjina ilay endriny maha-te ho tia. Minia
manakaiky ireo jembin-tomany ka tsy mahatsinjo Azy ny Mpamonjy be fitiavana. Te hisakambina
antsika Izy, hibanjinantsika Azy amin'ny finoana ka hahazoany mitantana antsika. Vonon-kiara-
mitondra amintsika ny loza amampahoriana ary ny fitsapana mahazo antsika ny fony. Fitiavana
mandrakizay no nitiavany antsika; ary ny fitsimbinan'ny fitiavany no aro manodidina antsika.
Aoka hanankim-po aminy isika, ary hisaintsaina isan'andro ny fikarakarany arnim-pitiavana. Iriny
hakarina ho ambony lavitry ny tebiteby amarn-pahoriana isan'andro ny fanahintsika, ka hiaina
amin 'ny rivotry ny fahasambarana mandrakizay.
"Hevero izany, ry zanaky ny fahoriana sy ny alahelo, ary mifalia amin'ny fanantenana. Fa
izany no «fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika» - 1 Jao. 5:4.
SAMBATRA Pejy faha 10 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
Sambatra koa ireo izay miara-mitomany amin'i Kristy noho ny fahorian'izao tontolo izao,
dia ny fahoriana vokatry ny fahotana.
Ny ranomaso toy itony no tsy mba voaloton'ny saina tia tena. Lehilahy ory sady zatra
fahoriana i Jesösy, ary nizaka fijaliana faran'izay mangidy indrindra ny foray, ka tsy misy teny na
fiteny mahay milaza izany. Rotidrotika sy torotoro ny fanahiny noho ny fikomian'ny olona. Nikely
aina indrindra tamin'ny ady mangotraka Izy mba hanarina ireo mivarimbarina sy fadiranovana eto
an-tany. Ary vonton'alahelo ny fony nahita ireo maro tsy nety nanatona Azy akory kanefa fiainana
mandrakizay no atolony. Mahatsapa izany toe-panahy izany koa izay rehetra manaraka an 'i
Kristy. Satria manana ny fitiavan'i Kristy izy, dia manao ny asa izay nataony, dia ny marnonjy
fanahy. Miombompahoriana anminy izy, ka hiara-manamboninahitra aminy koa. Izay miara-miasa
aminy, ka miara-misotro amin'ny kapoaka mangidy isotroany, no hahatsapa ny fifaliany.
Fa tamin'ny fizakana ny fahoriana no nahazoan'i Kristy nampionona ny ory. Ny fahoriana
rehetra zakain'ny velona dia mba nozakainy koa. "Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny
fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy» Heb. 2: 18 (Isa. 63:9). Ny fanahy
voazaha toetra tahaka Azy ihany no mahay mampionona toa Azy. «Fa araka ny haben'ny fijalian'i
Kristy mihatra aminay», hoy i Paoly, uno haben 'ny fampiononana anay koa amin'ny alalan'i
Kristy» 2 Kör. 1:5. Manana fahasoavana manokana ho an'izay mitomany ny Tompo fa
manorotoro ny fo vato Izy, mba harnonjeny ny fanahy. Mamoha Ialana ao amin'ny fanahy mar-
atra sy torotoro ny fitiavany, ka mahatonga izany fanahy izany ho fanafody manasitrana ny
trapahoriana. «lsaorana anie Andriamanitra Rain 'i Jesosy Tompontsika Izay mampionona anay
amin'ny fahoriana rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa
amin'ny fampiononana izay ampiononan 'Andriamanitra anay»- 2 Kör. 1:3,4.
Ny toe-pon'ny olombelona rahateo dia mangatsiaka sy tsy miraika ary tsy manam-pitiavana;
ka na oviana na oviana misy mampiseho saina miantra sy mamela heloka, dia tsy nahavita izany
ho azy izy, fa nentaninhy Fanahin'Andriamanitra izay niasa tao am-pony. «lsika tia, hoy ny teny,
satria Izy efa tia antsika taloha»- 1 Jao. 4:19.
Andriamanitra no loharanon'ny famindrampo sy ny fiantrana rehetra. «Mamindrafo sy
miantra» Izy, hoy ny filazana ao amin'ny Eks. 34:6. Tsy manao amintsika araka ny faniavantsika
Izy, na mamototra akory raha mendrika ny hamindrana fo isika, fa dia arotsany arnin'izao ny
haren'ny fahasoavany handifotra izay mibebaka amin'ny fahotana. Tsy faly hamaly ra Izy, ary tsy
finaritra hanafay, fa maniry hanavotra kosa. Na dia ao aza ireo kapoka miseho indraindray
amin'ny fitondrany, dia ataony ho famonjena ny mpirenireny izany. Maniry mafy ny hampiarina
ireo voa i Kristy, ary izay tadiaviny indrindra dia ny hahazoany mitsabo ireo fo maratra. Marina fa
«tsy mety manarnarina ny meloka Andñamanitra» - Eks. 34:7, kanefa kosa hainy ny manaisotra
ny helony hamindrany fo aminy.
Miray toetra amin 'Andriamanitra ireo izay mahay miantra sy mamindra fo toy izany amin
'ny namany, ary mitaratra eo amin'ny fiainany io fitiavan'i Kristy feno fangorahana mandrakariva
io. Izay manana fo mifandray amin 'Ilay Tia tanteraka dia tsy mba maika hanameloka, fa vonona
hifanamboatra. Toy ny loharano tsy mety ritra ny fahasoavana voarain'izay nampiantrano an 'i
Kristy hitoetra ao am-pony, ka izay manana Azy dia manana faniriana mitafotafo hanisy soa
namana.
Rehefa misy antso vonjy ataon'ny mpirenireny, na toloko avy amin'ireo lavo amin'ny fakam-
panahy sy ozoim-pahoriana, vokatry ny Ota na ny tsy fisiana, dia tsy tokony hatao velively ny
manao hoe: "Moa mendrika ny hovonjena va izy?» Fa izao kosa no" tokony ho mby ao an-tsaina:
olnona no azoko hatao hanampiana azy?» Na toy inona fahambanian'ny toerana nahapotrahan'ny
namanao, dia fantatrao fa maty hamonjy azy Kristy, ka ianao no notolorana ilay adidy masina
hampihavana azy ireny amin'Andriamanitra.
Izay mahalala mangoraka ny mahantra sy ny mijaly ary ny ampahorina no atao hoe
mpiantra. Hoy i Jôba: «Namonjy ny ory izay nitaraina aho, sy ny kamboty izay tsy nanan-
kamonjy. NY fisaoran'izay era ho faty dia tonga tamiko; ary ny fort 'ny mpitondratena
nampifaliko. Nitafy fahamañnana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; eny, tahaka ny lamba sy ny
hamama ny raring izay nananako. Efa maso ho an 'ny jamba aho, ary tongotra ho an'ny
mandringa. Efa ray ho an'ny malahelo aho, ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihiko» -
Jöba 29:12-16.
Endrey ny habetsahan'ireo miaritra ady mafy, izay mahatsiaro tena ho osa sy ory ary kely
finoana; heveriny fa tsy mba naharay soa na inona na inona izy ka tsy manana izay hisaorana.
Teny kely amim-pitiavana monja anefa, sy topy maso kely feno fangorahana, na fanehoam-
pankasitrahana izay soa ataony — izany ihany dia ampy ho fampiononana azy amin'ny ady mafy
atrehiny samirery, ary toy ny rano mangatsiaka iray kapoaka gohin'ny fanahy anan-ketaheta.
Mitenena kely aminy ange ianao ho fiaraha-miory aminy, ary andramo asian-tsoa ange izy, raha
tsy mikodia teo ilay enta-mavesatra manindry mafy ny sorony. Fa ny teny na asa rehetra enti-
mamonjy ny sasany toy izany dia fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra eto amin'ity taranak'
olombelona very ity.
«Sambatra ny miantra», hoy i Kristy; fa «izy no hiantrana». «Izay manisy soa olona», hoy
koa i Sôlömôna, «hohatavezina, ary izay mandena dia mba holemana kosa» - Ohab. 11:25.
Mahatsiaro fiadanana mamy ao am-pony ireo mpiantra namana, ary misy fahafaham-po masina
voatsapan'izay vonon-kanisy soa ny namany. Ny Fanahy Masina mitoetra ao am-po, ka mitaratra
eo arnin'ny toe-piainana, no manalefaka ny fo mafy, ary manome toe-tsaina mangoraka sy tia
namana. Izay afafinao ihany no hojinjainao. «Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo (...) Jehovah
hitandrina azy, sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba
SAMBATRA Pejy faha 15 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
hatolotrao amin'ny sitrapon'ny fahavalony. Jehovah hanohana azy eo ambonin'ny farafara
itsaboana azy; ny fandñany rehetra eo am-paharariany dia hovanao» - Sal. 41:1-3.
Izay manolo-tena amin'Andriamanitra hiasa ho an'ny zanany dia mifamatotra aina amin 'ny
Tsitoha; ary ireo fanomezan-toky mafy orina no gadra volamena nampiray azy Aminy. T sy
hamela ny olony ho irery ao amin'ny ora fijaliana sy fihafiana ny Tompo. «Fa Andriamanitro»,
hoy ny teny, «hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra ao
amin'i Kristy Jesosy» - Fil. 4:19. Ary rehefa tonga ilay andro fitsapana lehibe farany, dia ho
voaafina ao amin'ny alokaloky ny famindrampo sy ny fitiavan'ny Mpamonjy ny mpiantra, ka
horaisina ao amin'ny fonenana mandrakizay.
Izay madio am-po àry no mahita lalandava ny fanatrehan' Andriamanitra azy mandritra ny
andro rehetra nomena 'hahavelomany eto an-tany. Ary mbola hahita Azy mifanatrika koa izy amin
'ny hoavy, rehefa mandray ilay tena tsy mety maty, toy ny nifanatrehan'i Adama mivantana tamin'i
Jehôvah raha niaranandeha sy niresaka taminy tao Edena fahiny izy. "Fa ankehitñny isika mizaha
ao amin 'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika 1 Kôr. 13:12
I Kristy no Andrianan'ny fihavanana (Isa. 9:5), satria Izy no nirahin'ny Ray hampiorina
indray ny fihavanan'ny tany sy ny Ianitra izay noravan'ny fahotana. «Koa amin'izany», hoy ny
teny, "dia aoka isika hanana fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy
Tompontsika» - Rôrn. 5:1. Na iza na iza manaiky handà tsy hanota intsony, ka manokatra ny fony
hidiran'ny fitiavan'i Kristy dia vita fihavanana arnin'ny lanitra.
Io no fototra tokana iorenan'ny fandriam-pahalemana. Fa ny fahasoavan'i Kristy izay raisina
ao am-po dia mandresy ny fankasitrahana sy mampitony ny fifandirana ary mameno fitiavana ny
fo. Tsy mba ho fadiranovana izay tsar-a fihavanana amin'i Kristy sy amin'ny olona. Tsy hisy ao
am-pony na fitsiriritan-dratsy na fiahiahiam-poana ny sasany ary tsy ho hita ao ny fankahala.na.
Fa mandry fahizay toy ny efa any an-danitra sahady izy, manao ny sitrapon'Andriamanitra ka
mandraraka fofo-manitra eo amin'ny manodidina azy. Toy ny ranonando mangatsiaka ny saina tia
fivavahana, ka mamelombelona ny fo torovana sy ory noho ny adin'izao fiainana izao.
Irahina hitory ny fihavanana eo amin'izao tontolo izao ny mpanaraka an'i Kristy. Na iza na
iza mampiseho fitondran-tena masina sy tony dia mpitory ny fitiavan'ny Mpamonjy, ary na zovy
SAMBATRA Pejy faha 17 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
na zovy no rnitarika ny sasany, na amin'ny asa na amin'ny teny, hiendaka amin'ny fahotana mba
hanolotra ny fony ho an 'Andriamanitra, dia mpampihavana.
"Sambatra ny mpampihavana, fa izy no atao hoe zanak' Andriamanitra.» Porofon'ny
firaisany arnin'ny lanitra ny toe-tsaina mampihavana ananany. Marnerovero manodidina azy ny
fofomanitr'i Kristy. Ny tsiron'ny fiainany sy ny hasoan'ny toetrany dia mitory amin'izao tontolo
izao fa zanak'Andriamanitra izy, ary miharihary amin'ny olona rehetra fa miaraka aminy i Jesösy.
"Izay rehetra tia no naterak'Andñamanitra t...)v - 1 Jao. 4:7. «Fa raha misy kosa tsy manana ny
Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy Fa izay tarihin'ny Fanahin 'Andriamanitra no zanak'
Andriamanitra» - Röm. 8:9, 14. «Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin 'ny firenena maro, dia ho
tahaka ny ando avy amin'i Jehovah SY tahaka ny ranonorana eny amin'ny ahitra, izay tsy
manantena mpaniraka, na miandry zanak'olombelona» - Mika 5:6.
"Sambatra izay eniehina noho ny fahamarinana; fa azy ny farvakan'ny lanitra» - Mat. 5:10
Tena ilaina ny fanasina, fa afa-tsy ny ampiasana azy hanome tsiro ny sakafo, dia mbola
ilaina koa izy hoenti-miaro amin'ny fahalavoana; ary ny antony niantsoan'Andriamanitra ny
zanany hoe fanasina dia ny faniriany hampahalala azy ireo fa ny kendreny amin 'ny namonjeny
azy dia ny hahatonga azy ho mpamonjy ny sasany koa. Ny fikasan'Andriamanitra tamin'ny
nifidianany ny Isiraelita, dia tsy ny handray azy ireo ho zanany lahy sy zanany vavy fotsiny, fa ny
mba handraisan'izao tontolo izao koa, amin'ny alalany, ny "fahasoavana izay famonjena ny olona
rehetra» - Tit. 2:11. Rehefa nifidy an'i Abrahàma i Jehôvah, dia tsy ny handraisany azy ho
sakaizany fotsiny, fa ny mba hanendreny azy koa ho mpitondra ny teniny, hanambara ireo
tombontsoa manokana iriny harotsaka amin'ny olony. Raha niara-nivavaka farany tamin'ny
mpianany i Kristy, talohan 'ny nanomboana Azy, dia nanao hoe: «Ho an'ireto no anamasinako ny
tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy» - Jao. 17:19. Toy izany koa ny Kristianina
voadion'ny fahamarinana: tokony hanana toetra mahavonjy ny sasany, ka haharo izao tontolo izao
tsy ho tratry ny fahalovana tanteraka ara-panahy.
Tsy maintsy mahenika ny tenan'izay zavatra tiana hotehirizina ny sira, ka ho tafaharo aminy
tanteraka vao mahasakana ny fahalovana. Toy izany koa: amin'ny fikasohan'ny Kristianina
arapanahy, no ahazoany mitory amin-kery ny farnonjena atolotry ny Filazantsara. Tsy ny faobe no
ahazoana azy, fa isam-batan'olona. Misy hery lehibe ao amin'ny asa ataon'ny Kristianina
mivantana. Ka aoka isika hifampikasoka amin'ireo olona taomintsika ho amin'ny famonjena.
Ny tsiron'ny fanasina, izay hery lehibe ao amin•ny Kristianina àry, dia ny fitiavan'i Kristy
voarakitra ao am-pony sy ny fahamarinanä Jesösy mamonto ny fiainany. Tsy mahay mitoe-poana
ny fitiavan'i Kristy. Raha itoerany tokoa ny fontsika dia hiampita eo amin'ny sasany koa izy ary
hanatona azy ireny isika, ka hifindra aminy ny hafanana avy amintsika: Ny tena mpivavaka dia
marnindra aimpanahy lehibe amin'ny manodidina azy, ary izany hery izany no miditra ao amin'io
olona io koa. Tsy hery avy amin'ny tenany . anefa, fa herin'ny Fanahy Masina.
Inty misy loza iray nambaran'i Jesôsy: «Fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray
no hahasira azy? Tsy misy heviny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany
ka hohitsahin'ny olona»- Mat. 5: 13.
Natrehin'ny mason'ny vahoaka teo am-pihainoana ny tenin'i Kristy ireo vongan-tsira
nanjelanjelatra teo amin'ny lalam-be, izay nariana fa lany tsiro, ka tsy mahasoa na inona na inona
intsony. Nanondro indrindra ny toetry ny Fariseo sy ny fombampivavahany tamin'ny vahoaka
izany ohatra izany, ary mampiseho koa ny toe-piainan'ny fanahy efa nilaozan'ny
herimpahasoavan'Andriamanitra, izay manjary mpino antaravelona. Na toy inona fahambonian'ny
toerana misy ny olona toy izany, dia samy nahatsapa ny hatsatson'ny toe-painany, na ny
mpianany, na ny mpiara-monina aminy, na ny anjelin'ny lanitra. Ny amin'ireny no nitenenan'i
Kristy hoe: «Aleo ho mangatsiaka na ho mafana hianao. Fa satña matimaty hianao, ka tsy mafana
na mangatsiaka dia efa haloan'ny vavako hianao» - Apök. 3: 15, 16.
SAMBATRA Pejy faha 21 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
Raha tsy i Kristy no velona ao anatintsika dia tsy ho tsapan'izao tontolo izao na oviana na
oviana ilay hery hahavonjy azy. Tsy azontsika atao ny manome ho an'ny sasany izay tsy
ananan'ny tenantsika. Fa arakaraka ny fanolorantsika tena eo amin'i Kristy no ahazoantsika miasa
koa ho fitahiana sy fanarenana ny taranak'olombelona. Raha tsy ao ny tena fikelezana aina sy ny
tena fitiavana, ka tsy mbola tsapan'ny fanahintsika ilay aina mahavonjy, dia tsy hanan-kery
hanarnpy ny sasany isika na hanana firaisana amin'ny lanitra, na hanana koa ny tsirompiainan'i
Kristy ao amintsika. Raha tsy azon'ny Fanahy Masina atao ny mampiasa antsika ho mpitondra ny
fahamarinana arnin'izao tontolo izao, dia isika no sira very tsiro, tsy mahasoa na inona na inona.
Raha manana ny fahamarinana isika nefa tsy manana toetra mifanentana amin'izany, dia tsarovy fa
mainka mandentika ny olona haniratsira an'Andriamanitra isika. Arakaraka ny iasan'ny
fiainantsika tsy mahomby eo amin'ny manodidina no vao mainka hanafoanantsika ny vokatry ny
fitoriana ny Tenin'Andriamanitra. Hoy i Paoly: «Na dia miteny amin 'ny fitenin'ny olona sy ny
anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona
mikarantsana aho. Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra
sady manana ny fahalalana rehetra; ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra
tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho. Ary na dia homeko ho an'ny
malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia hatolotro hodorana aza ny tenako; kanefa tsy manana
fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany» - 1 Kôr. 13:1-3.
Rehefa safononoky ny fitiavana ny fo, dia mitobaka eo amin'ny sasany koa izany, tsy noho
ny fitia mifamaly anefa, fa omena maimaimpoana. Ny fitiavana no manova ny toetra, mifehy ny
asa atao, mandresy ny fahavalo, ary mandravaka voninahitra ny soa vita. Midadasika toy ny tany
sy ny lanitra ny halalaky ny fitiavana ka mampitovy lenta amin'ny anjely. Raha ankamamiana ao
ampo izy, dia mamonto ny fiainana manontolo, ary mikoriana eo amin'ny manodidina koa. Io dia
io ihany no hahatonga antsika ho tena fanasin'ny tany.
NY MAI-IA-ARA-PANAHY NY LALANA
Izany hoe tsy hanan-toerana ao mihitsy izy. Fa izay minia mandika didy iray, dia toy ny
tsy mitandrina azy rehetra. Hoy ny teny: «Fa na iza na iza (...) diso amin 'ny iray 10ha, dia
meloka amin'izy rehetra» - Jak. 2:10.
Tsy ny halehiben'ny tsy fankatoavana vita tsy akory no anaovana azy hoe Ota, fa ny tsy
fanarahana ny sitrapon'Andriamanitra amin 'ny zava-madinika indrindra; satria io no n-
larnpiseho fa mbola misy firaisana amin'ny Ota ny fanahy. Mirona mankaminy ny fo. Ary
izany dia fandavana an-kitsirano an 'Andriamanitra, fikomiana amin'ny Ialàn'ny fanjakany.
Raha navela hanao izay danin'ny kibony ny olona, ka hihataka amin'ny didin'i Jehövah,
ary hamorona fitsipika ho an'ny tenany, dia hifanipaka toy ny valala an-karona izy ary hesoriny
tsy ho mpanapaka azy intsony i Jehövah. Hanandra-tena izy, ary hanitsakitsaka sy hanala
baraka ny sitrapon'Andriamanitra masina sy ambony, dia ny fikasany feno fitiavana ho an'ny
olony.
Na oviana na oviana no misafidy izay araka ny danin 'ny kibony ny olona, dia miady
amin 'Andriamanitra. Tsy hanan-toerana amin'ny fanjakan'ny Ianitra izy fa mifanohitra arnin'ny
fitsipiky ny Ianitra ny sitrapony. Ny tsy fihontsonany amin'ny lalàn'Andriamanitra dia
marnpiditra azy ho miararnilan'i Satana. Tsy amin 'ny teny iray na amin 'ny teny maro, fa ny
teny tsiriaray avy nolazain'Andriamanitra no tokony hiveloman'ny Olona. Tsy misy teny
tokony hataontsika tsirambina, na toy inona na toy inona hakelezany iheverantsika azy, fa
mahavoa antsika io. Tsy misy na iray aza amin'ny didy, izay tsy natao ho soa SY hasambarana
ho an'ny olona, na eto amin'ity fiainana ity, na any amin'ny fiainana ho avy. Fa izay tsy
mitandrina ny lalàn 'Andriamanitra, na ilany aiza na ilany aiza, dia mandrava ny fefy tokony
hahaaro azy; fa manisy banga hidiran'ny fahavalo izay handrodana sy handringana.
Nataon 'ireo razantsika tsirambina ny ilany iray tamin'ny sitrapon'Andriamanitra, ka
tonga nanokatra lalana hisesehan'ny fahoriana teto an-tany izany. Ary izay rehetra manaraka ny
nataony dia mijinja toy izany koa. Fitiavana no fototry ny lalàn'Andriamanitra rehetra, ary izay
miala amin'ny fitandremana azy dia miasa ho amineny faharava
«Raha tsy mihoatra noho ny an 'ny mpanora-datàn sy ny Far-iseo ny fahamarinanareo, dia tsy
hiditra amin'ny fanJakan'ny Zanitra mihitsy hianareo» - Mat. 5:20.
zay rehetra tezitra foana amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny
fitsarana - Mat. 5:22.
Hoy i Jehövah tamin'ny alalan'i Mosesy: «Aza mankahala ny rahalahinao amin 'ny fonao
) Aza mamaly ratsy na manao 1010mpo amin'izay iray firenena aminao; fa tiava ny namanao
tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah* - Lev. 19:17, 18. Sahala amin'io voalaza io indrindra no
nambaran'i Kristy, kanefa efa voatsindry ela tao amin'ny takona izany noho ny hamafisam-po
sy ny firaiketan 'ny olona amin'ny fahotana.
Nasehon'ny Tompo ireo mpihaino Azy fa ireo izay fatrapanameloka ny namany ho
mpandika lalàna ireo dia meloka sahala arniny koa, satria mankamamy hevi-dratsy sy
fankahalana.
Teo am-pitan'ny ranomasina nivorian 'ny vahoaka dia nisy faritany iray natao hoe
Basàna, toerana manirery, misy lohasaha lalina sy havoana voasaron'ala, toerana nisehoan'ny
vonoan'olona maro. Vao teo no ho teo no nisy filazana halatra sy vonoan'olona avy tamin'io
toerana io, ary maro tamin'ireo nihaino ny Tompo no nazoto fatratra niampanga ireny mpanao
ratsy ireny. Tamin'izany fotoana izany koa dia tao ambanin'ny fanapahan'ny Rörnanina ny
SAMBATRA Pejy faha 29 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
Jiosy ka nitahiry lolom-po fatratra tamin 'ireo mpampahory azy, ary noheveriny fa azony atao
koa ny mankahala sy ny manarnavo ny hafa rehetra, eny, na ireo mpiara-monina aminy aza,
izay tsy nety nanaraka ny heviny. Nandika didy izy tamin'izany rehetra izany, dia ilay manao
hoe: «Aza mamono olona.»
I Satana no niandohan'ny saina mankahala sy mamaly ra; ary nitarika azy harnpamono ny
Zanak'Andriamanitra izany. Izay rehetra mankamamy hevi-dratsy sy tsy fitiava-namana dia
miray tetika amin'i Satana; ka ny vokany dia fahafatesana. Raha mbola fikasana ratsy ao arn-po
fotsiny dia toy ny voa tsy mbola mitsimoka, kanefa efa famonoan'olona sahady, satria hoy ny
teny «lzay rehetra mankahala ny rahalahiny manana dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy
misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny» - 1 Jao. 3: 15.
"Na zovy na zovy no manao amin 'ny rahalahinao hoe: "Foka ialahy" "dia mendrika
hohelohina amin'ny fitsarana.» Nasehon' Andriamanitra tamin'lzy nanolotra ny Zanany ho
avotra ho antsika ny haben'ny vidy nanombanany ny fanahintsika, koa tsy misy olombelona
avelany hanao teny mahery amin 'ny narnany. Isika foana no fatra-pikaroka ny hadisoana sy ny
kileman'ny manodidina antsika, Andriamanitra anefa milaza azy ireny ho olony. Azy satria
noforoniny. Azy koa satria navotan'i Kristy Zanany tamin'ny rany. Samy noforonina araka ny
endriny ireo; ary na dia ny olona noheverina ho fara idiny indrindra aza dia tokony hohajaina
sy hotiavina. Hadinin'Andriamanitra amintsika na dia ny teny iray monja nenti-nanafintohina
fanahy iray aza, satria efa nanoloran'i Kristy ny ainy io olona io.
"Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha
nandray ihany hianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?» 1 Kör.4:7. "Amin 'ny
tompony ihany no ijoroany na ahalavoany» - Röm. 14: 4.
«Kñsty aza rehefa nifanditra tamin'i Satana ny amin'ny fatin'i Mosesy dia tsy sahy niteny
ratsu hahameloka azy» - Joda 9. Fa raha nanao izany Izy dia ho nilatsaka hitovy saranga amin'i
Satana, satria ny fiampangana no fiadian'ny olona ratsy fanahy. «Mpiampanga ny rahalahy» -
Apôk. 12: 10 no anarana omena an 'i Satana ao amin'ny Soratra Masina (Apôk. 12: 10). Tsy
tian'i Kristy ny hampiasa ny fiadian'i Satana. Fa teny toy izao no nataony: «Hananatra anao
anie Jehovah» - Joda 9.
Fianarana ho antsika izany. Rehefa mifanatrika amin'ny fahavalon'i Kristy isika, dia tsy
tokony hiteny na inona na inona amin 'ny saina mankahala, na hiseho ho miampanga azy
akory. Izay vonona hijoro ho mpitondra ny tenin'Andriamanitra tokoa dia tsy tokony hanao
teny izay tsy sahin'ny Mpanjakan'ny lanitra atao akory amin 'i Satana. Aoka hapetraka e0 am-
pelatanan' Andriamanitra ny fitsarana sy ny fanamelohana azy.
Tsy fandavana tsy hankahala namana ihany no atao hoe fitiavana avy amin
'Andriamanitra, fa mihoatra noho izany: fitiavana tsy mila setriny, fitiavana miasa, fitiavana
miboiboika toy ny loharano, fitiavana maniry fitahiana ho an'ny sasany. Raha mitoetra ao
amintsika i Kristy dia tsy handroaka ny saimpankahalana rehetra fotsiny isika, fa hikatsaka izay
lalana hanehoana fitiavana aminy koa.
Hoy i Kristy: "Raha mitondra ny fanatitrao ho e0 amin'ny alitara hianao arg e0 no
mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao e0 anoloan'ny alitara ny
fanatitrao ka mandehana aloha ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa
miverina, dia vao atero nyfanatitrao» - Mat5:23-24 . Ny fanaterana fanatitra dia manambara fa
mino ny nanateran'i Kristy ny Tenany ilay mpanota, ka mandray amin'izany ny famindrampo
sy ny fitiavan'Andriamanitra azy. Koa izay tena manana finoana marina fa navelan
'Andriamanitra ny helony, dia tsy hahay hampiseho saim-pankahalana ny namany.
“lzay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa niJangaJanga taminy tam-pony sahady»
- Mat. 5:28.
Mba hisakanana ny aretina tsy hiely amin 'ny tena manontolo sy hiarovana ny aina
amin'izany, dia sahy manaiky ny hanapahana ny tanany an-kavanana ny marary raha eo no
iandohan'ny aretiny. Ny aina ara-nofo aza toy izany, mainka ny tokony hitsimbinana ny aina
ara-panahy.
Mbola hahazo fanavotana eo amin 'i Kristy izay fanahy andevozin'i Satana, ary irin'ny
Tompo hornena ny tena fahafahana amin'ny Ota izy. Ny fikendreny dia tsy ny hanafaka antsika
amin'ny fahoriana ihany, izay vokatry ny fahotana, fa ny harnonjy antsika mihitsy ho afaka
amin'ny Ota. Mila fanadiovana sy fanavaozana ny fanahy nosimban'ny Ota, mba hitafiany «ny
fahasoavan'ny Tompo Andriamanitra» - Sal. 90: 17, ka hahatongavany «hitovy endrika amin
'ny Zanany» - Röm. 8:29; «izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren 'ny sofina na niditra
tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin 'Andñamanitra ho an'izay tia Azy»- 1
Kör. 2:9. Ny mandrakizay ihany no hahay mampiseho ny voninahitra miandry ny olona
nohavaozina indray.
Mba hahatrarantsika izany fetra ambony izany anefa, dia aoka hesorina izay rehetra
mahatafintohina ny fanahintsika. Amin 'ny sitrapo no angejan'ny Ota antsika. Koa ny
fanolorana ny sitrapo amin'Andriamanitra no atao hoe famotsirana ny maso na fanapahana ny
tanana. Matetika no heverintsika fa mampikotringa ny fiainantsika izany manolotra ny sitrapo
hanjakan'Andriamanitra izany, kanefa io no soa lavitra, hoy i Kristy, ka aleo anesorana sy
ratraina aza; ary izay ampoizintsika ho fahasimbana dia io indrindra no lalana ahazoana
fitahiana ambony lavitra.
Teo amin'ny Jiosy rehefa nisy vehivavy nanao ny tsy mety dia nahazo nisaotra azy ny
vadiny, ary afaka hanambady olon-kafa indray ravehivavy. Nampiditra ny Jiosy tao arnin'ny
fahasimbana lehibe sy ny fanaranam-po tamin'ny ota anefa izany. Nambaran'i Kristy teo an-
tendrombohitra kosa fa tsy misy mahazo misaraka am-panambadiana raha tsy amin'ny
fijangajangana ihany. «lzay rehetra misaotra ny vadiny», hoy i Kristy, «afa-tsy noho ny
fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay
voasaotra dia mijangajanga» - Mat. 5:32,
Rehefa nanontany azy taty aoriana ny Fariseo raha azo atao ny fisaoram-bady na tsia,
dia notarihin'ny Tompo ho amin'ilay fotoana nanendrena ny fanambadiana voalohany ny
sain'ny mpihaino Azy, dia tarnin'ny famoronana: "Ny hamafin 'ny fonareo», hoy Izy, etno
namelan'i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin'ny voalohany dia tsy mba toy izany» - Mat.
19:8. Nosarihiny ny sain'izy ireo ho amin 'ireo androm-pitahiana tany Edena izay
nanambaran'Andriamanitra fa «tsara indrindra» ny zavatra rehetra. Koa ny mariazy sy ny
Sabata no zava-droa notendren'ny Avo ho fitahiana ny taranak'olornbelona. Ka toy ny
nanamasinanä Jehövah ny fanambadian'izy mivady voalohany ka nitenenany hoe: «Ny
lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin 'ny vadiny. Aru dia ho nofo
SAMBATRA Pejy faha 33 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
iray ihany ireo» - Gen. 2:24, dia toy izany koa no mbola nampaharetany ny laläm-
panambadiana amin'ny taranak'i Adama rehetra mandra-pahatongan'ny farany. Izay nolazain'i
Jehôvah no «tsara indrindra» dia ny laläna ahazoan'ny olona ny fitahiana arnbony indrindra.
Ny fanomezam-pahasoavana rehetra avy amin 'Andriamanitra dia kendreny ho
fampaharetana ny taranak'olombelona, saingy nosimban'ny fahotana ireny, toy ny
fanambadiana koa. Tonga anefa ny Filazantsara, ary ny marika tratrariny dia ny harnerina ireo
làlam-pitahiana ireo ho eo amin'ilay hatsarany sy hadiovany voalohany indray. Na ny
Testamenta Taloha na ny Testamenta Vaovao dia samy mampitaha ny fanambadiana arnin'ny
firaisana mar-ny sy masina eo amin'i Kristy sy ny olony, dia ireo navotany tao Kalvary. «Aza
matahotra, hoy Izy (...) fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah Tompon'ny maro, ny
anarany; ary ny Iray Masin'lsiraely no Mpanavotra anao» - Isa. 54:4,5. «Miverena, ry zaza
mpioclina, hoy Jehovah fa Izaho ihany no vadinareo» - Jer. 3: 14. Ao amin'ny tonon-kiran'i
Sôlômöna kosa dia andrenesantsika ny feon'ny mpampakatra hoe: «Ahy ny malalako, aru azu
aho» - TonK. 2:16. Ary Izy, Ilay anotsongaina tamin'ny alinalina» - TonK. 5: 10, nilaza
tarnin'ilay nofidiny hoe: «Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; tsy misy
kilema hianao» - TonK. 4:7.
Taty aoriana, raha nanoratra tamin'ireo Kristianina tany Efesösy i Paoly, dia nanambara
fa notendren'Andriamanitra ho lohan'ny vavy ny lahy, ho mpiaro azy, ho kofehy mamatotra
ny ankohonany ho iray, tahaka an'i Kristy lohan'ny Fiangonana sy Mpamonjy azy. Koa noho
izany, hoy izy: «Tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa
amin'ny zavatra rehetra. Hianareo lehilahy tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy
ny Fiangonana ka nanolorany ny Teny hamonjy azu. Dia tahaka izany koa ny lehilahy,
tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany» - Efes. 5:24-28.
Ny fahasoavan'i Kristy irery ihany no mahay mahatonga ny fanambadiana ho araka izay
ikendren'Andriamanitra azy — izany hoe ho loharanom-pitahiana sy tohatra hisondrotan'ny
taranak' olombelona. Dia hitaratra arnin'ny ankohonana ety an-tany koa ny firaisana sy ny
fiadanana ary ny fitiavana manjaka amin'ny ankohonana any an-danitra.
Tafalatsaka ambany dia ambany izany amin'izao fotoana izao, toy ny tamin'ny andron'i
Kristy koa. Ny Filazantsara anefa manolotra fampiononana ho an'izay tratry ny ferim-panahy,
fa voadonan'ny ngidim-piainana, na voasaron'ny hadisoam-panantenana, tao amin'izay
nampoiziny hahitana firaisana sy fifaliana: ny faharetana sy ny hatsaram-panahy izay
ampidirin'ny Fanahy Masina ao am-po no hanampy hazakana ny anjara mangidy indrindra.
Ny fo itoeran'i Kristy dia ho feno tokoa, ho afa-po tanteraka, ho heniky ny fitiavany, ka tsy ho
hita ao intsony ny fitiavan-tena sy ny fizahozahoana. Ary amin'ny fanolorana ny fiainana
amin 'Andriamanitra no ahazoan'ny fahendreny manatanteraka ao amintsika izay vitan'ny
fahendren'olombelona. Hanjary miray tanteraka sady maharitra ireo izay isehoan'ny
fahasoavan'ny Tompo, ka mifamatotra amin'ny kofehimbolamenan'ny fitiavana, izay hijoro
na ao amin'ny zava-tsarotra indrindra aza.
Ny anton'ity didy ity dia izao: tsy azontsika atao ny mianiana, “(...) na amin'ny lanitra,
fa sezafiandrianan'Andriamanitra izany; na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na arnin'i
Jerosalerna, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany. Aza mianiana amin'ny lohanao; fa tsu
mahay mahafotsy na maharnainty na dia singambolo iray akory aza hianao." — Mat. 5:34-36.
Avy amin 'Andriamanitra ny zavatra rehetra. Tsy misy na inona na inona izay tsy
noraisintsika avy aminy; ary mihoatra noho izany, tsy misy zavatra na inona na inona izay tsy
SAMBATRA Pejy faha 34 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
azontsika noho ny ran'i Kristy. Ny zavatra rehetra izay ananantsika dia azo noho ny hazo
fijaliana, fa ny ran 'i Kristy no nanavotana izany ho antsika, dia ny rany izay sarobidy
mihoatra noho ny zavatra rehetra, satria ain'Andraimanitra izany. Koa tsy misy azo lazaina ho
antsika ka azontsika raisina ho antoky ny fianianana.
Ny nandraisan'ny Jiosy ny hevitry ny didy fahatelo dia ny ho fandrarana fotsiny ny
fampiasana foana ny anaran' Andriamanitra; fa ny fianianana hafa, tsy nampaninona azy ireo
ny nanao azy. Zatra fianianana izy. Noraran'i Mosesy izy mba tsy hinian-tsy to; kanefa nahita
lalana maro izy hahafahany tsy hanatanteraka izay zavatra nekeny tamin'ny fianianana. T sy
natahorany ny hanao izay teny tsy fanajana ny masina, ary tsy nampaninona azy ny nianian-
tsy to, raha tahiny nisy hiolakolahany tsy hiharan'ny tenin'ny lalàna.
Nohelohin'i Jesôsy ny fanaony, ka niharihary fa fandikana ny didin'Andriamanitra izany
mianiana mahazatra azy izany. Ny Mpamonjintsika anefa tsy akory tsy nandrara ny
fianianana e0 anatrehan'ny fitsarana izay iantsoana an 'Andriamanitra ho vavolombelon'izay
lazaina fa marina, ary tsy misy afa-tsy ny marina ihany. I Jesösy aza, raha notsaraina teo
anatrehan'ny Sinedriona, dia tsy nandà ny hanambara tamin'ny fianianana. Hoy ny
mpisoronabe taminy: .. ) 'Ampianianiko amin' Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay,
raha Hanao no KHsty, Zanak'Andriamanitra. Hoy Jesosy taminy: Voalazanao Mat.
26:63,64. Koa raha tahiny nohelohin'i Kristy tamin'ny toriteny teo an-tendrombohitra ny
fianianana eo anatrehan'ny fitsarana, dia ho nananatra sy nanome tsiny ny mpisoronabe Izy
ary ho nanamafy orina ny fampianarany, ho soa ho an'ireo rnpanaraka Azy.
Maro tokoa no tsy matahotra hamitaka ny namany, kanefa ampianarina izy, sady
ilazan'ny Fanahin'Andriamanitra, fa zavamahatahotra ny handainga amin 'ny Mpanao azy.
Rehefa ampianianina izy dia tokony hotsaroany fa tsy miteny e0 anatrehan'ny olona ihany
izy, fa e0 anatrehan'Andriarnanitra koa; fa raha tahiny vavolombelona mandainga izy dia
hitan'llay mahay mamaky ny ao am-po sy mahalala ny tena marina. Ny fahalalana ny
fitsarana mahatahotra manaraka io fahotana io dia manankery hisakana azy tsy hanao izany.
Fa raha misy olona sahy rnianiana noho ny filazana ny marina dia ny Kristianina.
Velona mandrakariva toy ny e0 anatrehan' Andriamanitra izy, ary fantany fa ny fisainana
rehetra dia mihariharÿ e0 anatrehan'llay ifampiraharahantsika; ary raha angatahina hianiana
ara-dalàna izy dia rariny ny azy raha miantso an'Andriamanitra izy ho vavolombelona fa
marina izay lazainy ary tsy misy afa-tsy ny marina ihany.
Misy fornba anankiray naorin'i Kristy izay manafoana ny fianianana: Ampianariny fa
ny tena marina dia tokony harnbara amin'ny teny tsotra toy izao: aoka ny teninareo ho Eny,
eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy» Mat. 5:37.
Helohin'ireo teny ireo ny teny tsy misy heviny sy tsy ilaina akory izay saika manjary
fitenenana ratsy an'Andriamanitra. Helohin'ireo ny teny mamitaka, ny fiolakola.hana hialana
amin'ny marina, ny teny mandoka foana, ny laza masaka, ny fanafenana ny marina amin'ny
varotra, izay hita matetika amin'ny fiainan'ny olona sy ny raharahan'izao tontolo izao.
Ampianarin'ireo teny ireo, fa tsy misy olona izay te hiseho amin'izay tsy toetrany, na miteny
tsy mifanaraka amin 'ny fihetsehan'ny fony, ka azo lazaina ho marina.
Raha voatandrina ireo tenin'i Kristy ireo dia ho voasakana ny fiheveran-dratsy ny
namana sy ny fitsikerana tsy misy antony; fa amin'ny firesahana ny asa sy ny saina mitondra
ny hara, amin'ny fanaovany izao sy izao, dia iza moa no mahazo milaza fa manambara ny
tena marina izy? Impiry impiry akory moa ny fireharehana, ny firehetam-po, ny fankahalana
ny olona no manova ny endriky ny teny lazaina! Ny fitsipalotry ny maso, ny teny anankiray,
eny, na dia firaikan'ny feo aza, dia mety misy fomba ilazana azy izay mahatonga ny mpihaino
ho diso fandray. Ary izay mihoatra noho ny fahamarinana, dia uavy amin'ilay ratsy».
Ny zavatra rehetra ataon'ny Kristianina dia tokony ho tanterapahazavana tahaka ny
tanamasoandro. Ny fahamarinana dia avy amin 'Andriamanitra; fa ny fitaka miseho amin 'ny
endrika alinkisa, dia avy arnin'i Satana, ary na iza na iza miala amin 'ny lala-toratadin'ny
SAMBATRA Pejy faha 35 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
fahamarinana dia manolo-tena ho hazan'ilay ratsy. Tsy misy zavatra maivana loatra na kely
loatra izay tokony tsy hilazana ny tena marina. Tsy ho haintsika ny hilaza ny marina, raha tsy
mahalala ny marina. Tsy ho haintsika ny hilaza ny marina, raha tsy mahalala ny marina isika,
ary impiry akory ny fisainana ambony ihany, ny fiheverana misy fiangarana, ny fahalalana tsy
ampy, ny fitsaran-diso, no misakana ny ahazoantsika marina ny zavatra izay ataontsika. Tsy
haintsika ny hilaza ny marina raha tsy Ilay Fahamarinana no mitarika lalandava ny saintsika.
Tamin'ny alalan'i Paoly no nandidian'i Kristy antsika hoe: «Aoka ny fiteninareo ho
amin'ny fahasoavana mandrakariva» - Kôl. 4:6. aAoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny
maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana araka izay tokony hanaovana mba hahazoan'ny
mihaİno fahasoavanax• - Efes. 4:29. Ireo teny İreo no ahitantsika fa ny tenin 'İ Kristy
tao an-tendrombohitra dia manameloka ray vosobosotra, ny resasadresa-poana, ary ny resaka
fahajejojcjoana. Tsy İlaina ho marina ihany ny tenintsika, fa ho madio koa.
Izay rehetra efa nianatra tamin% Kristy dia tsy «mİray amin'ny asan'ny maizina tsy
mahavoka-tsoa» - Efes. 5: I I. Amin'ny fiteny, tahaka ny amin'ny fiainana ihany koa, dia
tokony ho tsotra mihİtsy sady marina İzy ireo: satrİa olona miomana ho anisan'ireo 010-
masina izay «tsy nisy lainga hita teo am-bavany»- Apök. 14:5.
"Aza manohitra izay rnanisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny
takoZakao ankavanana, atoZory azy koa ny anankiray» - Mat. 5:39.
Ny fampianaran'ny Mpamonjy hoe: "Aza manohitra izay manisy ratsy anao», dia teny
mahery tamin'ireo Jiosy mpamaly ratsy, hany ka nimonomonona nanohitra izany izy. Ka dia
filazana mahery kokoa indray no nataon'i Jesôsy, fa hoy Izy:
«Efa renareofa voalaza hoe: Tia va ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao. Fa
Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an 'izay
manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo.»
Toy izany no tena hevitry ny lalàna izay naolan'ny raby ka nolazainy fa fitsipika
henjana, tsy mifaditrovana. Nihevitra ny tenany ho tsara noho ny olona hafa rehetra izy ireo,
sy mendrika hahazo tombontsoa manokana avy amin'Andriamanitra noho izy teraka Isiraelita;
kanefa nasehon'i Jesôsy azy ny toe-panahy mahay mifamela heloka amirn-pitiavana izay
hampiharihary fa ambony noho ny an 'ny mpamory hetra sy ny mpanota izay nesoesoiny ny
saina manetsika azy.
Tamin'ilay anarana vaovao hoe: «Raintsika», no nanehoany tamin'ireo mpihaino Azy
an'llay Mpanapaka izao tontolo izao. Tiany ny hahafantaran'izy ireo, fa hetsehim-pitiavana
lehibe ho azy Andriamanitra. Nampianariny fa karakarain'Andriamanitra avokoa ny fanahy
very rehetra, fa «tahaka ny fiantran'ny ray ny zanany no fiantran'i Jehovah izay matahotra
Azy» - Sal. 103:13. Tsy misy afa-tsy ny fivavahana ampianarin'ny Baiboly ihany no
ahalalan'izao tontolo izao an'Andriamanitra ho toy izany. Ny fampianaran'ny mpanompo
sampy ny olona dia ny hihevitra an'Andriamanitra ho ambony indrindra ka atahorana fa tsy
hotiavina, ho Andriamanitra ratsy izay tonena amin'ny fanatitra atao sorona, fa tsy Ray
mandrotsaka amin'ny zanany ny fanomezam-pitiavany. Na dia ny Isiraely aza dia efa jamba
loatra tsy nahita ny fampianarana saro-bidin'ny mpaminany ny amin'Andriamanitra, ka izany
fanehoana ny maha-Ray fitiavana Azy izany dia tonga toy ny hevi-baovao taminy, toy ny
fanomezana vaovao ho an'izao tontolo izao.
Tia ireo manompo Azy Andriamanitra, hoy ny Jiosy, ary araka ny heviny dia ireo
manatanteraka ny tenin'ny Raby no manao izany, fa ny olona rehetra sisa kosa dia eo
ambanin'ny fahatezerana sy ny ozona. Tsy izany, hoy i Jesôsy, fa ny olona rehetra, na ny
ratsy, na ny tsara, dia samy iantefan'ny tanamasoandron'ny fitiavany daholo. Ny zavaboary
dia ahazoana fianarana ny amin'izany, fa Andriamanitra dia «mampiposaka ny masoandrony
amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy
ny tsy manna».
Tsy hoe misy hery rahateo ao amin'ny tany izay mahatonga azy hahavokatra zava-tsoa
isan-taona, sy hahazoany manohy ny diany manodidina ny masoandro. Ny
tanan'Andriamanitra no mitarika ny planeta rehetra ary mitandrina azy amin'ny fandehanany
amim-pilaminana mamaky ny lanitra. Noho ny heriny no mahatonga ny fahavaratra sy ny
ririnina, ny taompamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny andro sy ny alina, samy hanaraka
tsara ny fifandimbiasany ara-dalàna. Noho ny teniny no mahavanona ny zava-maniry, ka
mampitsiry ny raviny sy mampivelatra ny voninkazo. Ny zava-tsoa rehetra ananantsika, ny
tanamasoandro sy ny ranonorana milatsaka, ny hanina sy ny fotoana rehetra iainana, dia samy
fanomezam-pitiavana avokoa.
«Koa amin 'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any
an-danitra» - Mat. 5:48.
Ny teny hoe «koa amin'izany», dia mampiseho famaranana sy hevitra azo avy amin'ny
voalaza eo aloha. Nohazavain'i Jesôsy tamin'ny mpihaino Azy ny famindrampo tsy mety ritra
sy ny fitiavan'Andriamanitra, ary amin'izany dia asainy ho tanteraka koa izy ireo. Satria ny
Rainareo Izay any an-danitra dia amora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ratsy fanahy» - Lio.
6:35, satria Izy no nanetry tena mba hanandratra anareo; koa amin'izany, hoy i Jesôsy, dia
mba tokony ho tahaka Azy hianareo amin'ny toetranareo, ka hijoro tsy manan-tsiny eo
anatrehan'ny olona sy ny anjely.
Ny toetra ilaina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay eo ambanin'ny fahasoavana,
dia sahala indrindra amin'ireo toetra nilaina tany Edena, dia fahamarinana tanteraka,
fifanarahana amin'Andriamanitra, fankatoavana tanteraka ny Ialàny. Ny marina hotratrarina
eo amin'ny toe-piainana aseho ao amin'ny Testamenta Taloha dia sahala amin'izay aseho ao
amin'ny Testamenta Vaovao. Tsy zavatra tsy azontsika tratrarina izany marika izany.
Amin'ny didy rehetra, na lalàna omen 'Andriamanitra, dia misy teny fikasana azo antoka
voafono ao anatiny. Efa nisy zavatra namboarin'Andriamanitra rahateo hahatonga antsika ho
tahaka Azy, ary hotanterahiny izany amin'izay rehetra tsy misakana azy amin'ny sitrapo
ratsiny na manao tsinontsinona ny fahasoavany.
Fitiavana tsy hay lazaina no nitiavan'Andriamanitra antsika, ary arakaraka ny
ahafantarantsika sombiny kely amin'ny lavan'izany fitiavana izany, sy ny sakany, ny halaliny
ary ny haavony, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, no ifohazan'ny fitiavantsika Azy.
Amin'ny anehoana ny fitiavan'i Kristy mahataona sy amin'ny fahalalana ny fitiavany antsika
fony mbola mpanota aza isika, ka mahatonga ny fo vato ho malemy sy resy, ary dia voaova fo
ny mpanota ka tonga zanaky ny lanitra. Tsy zavatra an-tery no ampiasain'Andriamanitra;
fitiavana no ampiasainy handroaka ny fahotana ao am-po. 10 no fiasana entiny manova ny
fiavonavonana ho fanetren-tena ary ny fankahalana sy ny tsy finoana ho fitiavana sy finoana.
Niezaka mafy hanatratra ny fahatanterahana avy amin'ny fikelezan'ny tenany aina
fotsiny ny Jiosy, nefa tsy nahavoa izy. Nolazain'i Kristy taminy fa tsy hahatafiditra azy na
oviana na oviana ao amin'ny fanjakan'ny lanitra ny fahamarinany. Ka dia asehony azy izao ny
«Ary raha mivavaka hianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy Mat. 6:5.
Nanendry ora hivavahana ny Fariseo; ary araka ny fahita matetika dia indreny izy
mivoaka amin'ny fotoana voatondro, dia miato kely amin'ny toerana samihafa, angamba ho eo
an-dalana, na ho eo an-tsena, eo afovoan'ny vahoaka be mihorakoraka eo, dia manezaka
manonona tsianjery ny fivavahany ivelany fotsiny. Notsinian'i Jesösy mafy tokoa ny
fivavahana atao hahazoan-dera toy izany. Tsy norarany anefa tsy akory ny fivavahana
ampahibemaso; satria na Izy aza dia niara-nivavaka tamin'ny mpianany sy teo anatrehan'ny
vahoaka. Fa nampianatra Izy fa ny fivavahana mangina tsy tokony hatao eo anatrehan'ny
besinimaro. Ny fivavahana ataontsika ao amin'ny mangingina dia tokony tsy ho ren'ny
sofin'olona na iza na iza afa-tsy Andriamanitra Mpihaino vavaka ihany. Tsy misy sofina
liankandre vaovao fotsiny izay tokony handray ny enta-mavesatra ambara amin 'ny
fangatahana toy izany.
Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efitranonao.» Manàna fitoerana
hivavahana mangina. I Jesösy nanana fitoerana voafidy hikambanany tamin'Andriamanitra,
ary isika koa tokony hanana izany. Ilaintsika matetika ny hitokana amin'ny fitoerana
anankiray, na dia ambanimbany aza izany, mba hahazoantsika mitokana miaraka amin
'Andriamanitra.
«Mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina.» Amin'ny anaran'i Jesösy no
tokony hanatonantsika eo anatrehan' Andriamanitra, manana fahatokiana toy ny zazakely. Tsy
ilana olona atao mpanclanelana. Amin'ny alalan'i Jesôsy no tokony hamborahantsika ny
fontsika amin'Andriamanitra Izay mahalala sy tia antsika.
Ao amin'ny fitoerana mangina hivavahana, izay tsy misy mahita afa-tsy ny mason
'Andriamanitra ihany, ary tsy misy mandre afatsy ny sofiny ihany, dia azontsika borahina
amin'llay Ray be fiantra tapitra ohatra ny faniriana sy ny hataka miafina indrindra tiantsika
hatao; ary ao amin'ny fahanginan'ny fanahy no hitenenan 'ilay feo izay tsy sasatry ny mamaly
ny fitarainan'ny Zanak'olombelona.
«Fa miantra indrindra ny Tompo sacly be famindrampo» - Jak. 5:11. Miandry amin'ny
fitiavana tsy mety tofoka Izy, ary vonona handray ny fibebahany. Miandry fankasitrahana avy
amintsika Izy, tahaka ny reny miandry tsikim-pisaorana avy amin'ny zanany malala. Tiany ny
hahafantarantsika fa feno fitiavana sady manina fatratra antsika ny fony. Miantso antsika Izy
mba hitondra ny zava-mahory antsika ho eo amin'ny fitiavany, ny ferintsika ho eo amin'ny
fanasitranany, ny halementsika ho eo arnin'ny heriny, ny fahafoanantsika ho eo arnin'ny
fahafenoany. Tsy misy diso fanantenana izay rehetra manatona Azy. «Mijery Azy ireo ka
miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany» - Sal. 34•.5.
Tsy hitaraina foana ireo izay mitady an'i Jehôvah ao amin'ny mangingina, ka milaza
amin'ny Tompo izay ilainy ary mangataka fanampiana aminy. «Ny Rainao, Izay mahita ao
amin 'ny mangingina no hamaly anao.n Raha i Kristy no ataontsika namana isan'andro, dia
hotsaroantsika fa ny hery rehetra avy any ambony dia manodidina antsika; ary amin'ny
fibanjinantsika an'i Jesôsy no hahatonga antsika lyitovy endrika aminy. Amin'ny
fibanjinantsika Azy no mahatonga antsika ho voaova. Amin'izany ny toetra dia mihamalefaka,
mihatsara, misondrotra ho ambony kokoa, ho mendrika ny fanjakan'ny lanitra. Ny tsy maintsy
ho vokatry ny fiat-aha-mandeha sy ny firaisana amin 'ny Tompontsika dia toe-panahy araka
SAMBATRA Pejy faha 43 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
an'Andriamanitra bebe kokoa, fitiavana sy fahadiovana ary zotom-po sy fitiavam-bavaka
mirehitra. Tezain' Andriamanitra isika, ary ny vokatr'izany dia ho hita amin'ny fiainana feno
faharisihana sy asa.
Ny fanahy izay mitodika amin'Andriamanitra, mba hangataka aminy ny fanampiany sy
ny fanohanany ary ny heriny amin'ny fivavahana fatratra isan'andro, dia hanana faniriana
ambony sy fahalalana mazava ny marina sy ny adidy, ary ny fikasana ambony arnin'ny asa,
ka ho noana sy hangetaheta lalandava ny fahamarinana. Amin 'ny firaisantsika lalandava amin'
Andriamanitra, no ahazoantsika marnindra amin'ny hafa izay mifampikasoka amintsika, ny
fahazavana sy ny fiadanana ary ny fiononana izay manapaka ao am-pontsika. Ny hery azo avy
amin'ny fivavahana arnin'Andriamanitra, arahin'ny fikelezana aina maharitra amin'ny
fahazarana ny saina hihevitra sy ho malina, dia manor-nana antsika ho amin'ny fanefana ny
adidy isan'andro, ary mampitoetra ny fanahy ao amin'ny fiadanana 'ny toe-javatra
miseho rehetra.
Raha manaiky an 'Andriarnanitra isika, dia Izy no hanisy teny ao arn-bavantsika, hiteny
ho Azy mba ho fiderana ny anarany. Izy no hampianatra antsika sombiny avy amin'ny hiran'ny
anjely ho fisaorana ny Raintsika any an-danitra. Hiseho amin'ny fiainana rehetra ny
fahazavana sy ny fitiavana avy arnin'ny Mparnonjy Izay mitoetra ao anatintsika. Tsy misy
fahasahiranana mety hahazo ny fiainan'izay mitoetra amim-pinoana ao amin'ny Zanak'
Andriamanitra.
"Ary raha mivavaka hianareo, aza mba manao teny maro foana tahaka ny Jentilisa
- Mat. 6:7.
Tsy haharitra ny harena ety an-tany; misy mpangalatra manamy trano sy mangalatra;
misy kalalao sy harafesina manimba; misy afo sy tafiotra mety hipaoka ny fananantsika. Ary
"izay itoeran'ny harenao dia ho any koa ny fonao.» Mihazona ny saina ny haren'ny tany, ka
mampihataka tsy hahazo ny zavatry ny lanitra.
Ny fitiavam-bola no zavatra nimatimatesana indrindra tarnin'ny andron'ny Jiosy. Ny
fitiavana an'izao tontolo izao no nisolo toerana an'Andriamanitra sy ny fivavahana amin'ny
fanahy. Ary mbola toy izany ihany koa ankehitriny. Ny faniriana tafahoatra hahazo harena dia
manan-kery tokoa amin'ny fiainana ka ny vokany dia fanimbana ny faharnbonian'ny olona sy
mahalo izay tena maha-olona azy, mandra-pilentiny ao amin'ny fahaverezana. Ny fanompoana
an'i Satana dia feno fanahiana sy fahaverezantsaina ary asa mandreraka. Ary ny haren'ny tany
izay amonoan-tena amin'ny fanangonana azy dia mihelina vetivety.
Hoy i Jesösy: «Miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy kalalao na
harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra, fa izay
itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.»
(...) Raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra - Mat. 6:22.
I Kristy tsy manao hoe: tsy •misy olona ho tia, na ho afaka hanompo tornpo roa, fa tsy
misy olona mahay. Tsy misy ikarnbanany, na iraisany velively akory, Andriamanitra sy
Mamöna. Eo amin'izay ananaran'ny fieritreretan'ny Kristianina azy hiato, handà tena,
hijanona, dia eo indrindra koa no ihoaran'izao tontolo izao ny fefy ka itadiavany izay
harnpanararnpo azy amin'ny fanatanterahana ny filàna entanin'ny fitiavan-tena. Eo an-daniny
ny fandavan-tenan'ny mpanaraka an 'i Kristy; etsy an-kilany kosa indray ny fanaranarn-
pon'ireo fatra-pitia izao tontolo izao, izay andevon'ny fanao amampombany, finaritra
amin'izao zavatra tsy ahoan-tsy ahoana rehetra izao, ary miroboka ao amin'ny fahafinaretana
fady indrindra. T sy mahay mandeha amin'izany lalana izany ny Kristianina.
Izay iray misy antsika: na ho anisan 'ireo mpanompo an' Andriamanitra isika, na ho
anisan'ireo tia izao tontolo izao. T sy azo atao ny ho eo anelanelany. Tsy misy izay sady tia
an'Andriamanitra no manompo ilay fahavalon'ny fahamarinana. I Kristy no velona ao amin'ny
olona izay solon-tenany ary miasa amin'ny alalan'ny fahaizanay sy ny fahalalany. Tsy maintsy
manaiky ny sitrapon'i Kristy ny sitrapony, tsy maintsy miasa araka ny Fanahiny izy. Ary amin
'izany dia tsy izy intsony no velona, fa i Kristy no velona ao anatiny. Fa izay tsy manolo-tena
tanteraka ho an'Andriamanitra kosa, dia her-y hafa no mifehy azy, feo hafa no henoiny, izay
manome azy toro hevitra mifanohitra amin 'Andriamanitra. Ny fanompoana an 'Andriamanitra
vita sasaka ihany dia fiarahana amin'ny fahavalo sy fanampiana mahery tokoa an 'ireo
rniaramilan'ny maizina. Raha misy olona manao azy ho miaramilan'i Kristy, nefa milatsaka ho
naman'i Satana ka manampy azy, dia ny tenany ihany no mampiseho miharihary fa fahavalon'i
Kristy izy. Mamadika ny fitokisana masina izy ireo. Rojo mampikambana an'i Satana amin'ny
tena miaramila marina ireny, ka manjary fiasana eo an-tanan'ilay fahavalo hamaboany ny
fon'ny miaramilan'i Kristy.
Ny manda mafy indrindra ifaharan'ny ratsy eto amin'ity tanintsika ity dia tsy ny fiainana
ratsy ananan'ireo mpanota efa nivaro-tena amam-panahy ho amin'ny ratsy tsy akory, na ireo
olona tsy heverina ho inona intsony, fa ilay fiainana miseho ho marina, mendri-kaja ary
ambony, nefa mbola misy fahotana tsy foy, na ratsy mbola lalaina fatratra. Ny ohatra
asehon'ny fiainana toy izany arnin'ny fanahy anankiiray izay mitolona mangina amin'ny
fakam-panahy mafy, ka efa mangovitra eo amorontevana, no fitaomana azy mahery indrindra
hanota. Izay manana fisainana ambony momba ny fiainana sy ny fahamarinana ary ny
voninahitra, nefa mbola minia mandika ny iray amin'ny lalàna rnasin'Andriamanitra, dia
manova izany fanomezany ambony izany ho tonga fandrika hoenti-rnanota. Ary na dia ny
fahakingan-tsaina, ny talenta, ny fitiavana ary ny fahalalahantanana mbarnin'ny fahamoram-po
ananantsika aza, dia mety hanjary fandrik'i Satana hisarihany ny fanahy hianjera any amin'ny
hantsan'ñy fandravaña amin'ity fiainana ity sy amin'ny fiainana ho avy.
«Aza tia izao tontoto izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia
izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao
tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy nyfilan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao,
dia tsy cavy arnin'ny Ray fa avy amin'izao tontolo izao ihany»- 1 Jao. 2:15, 16.
Izy Izay manome anareo aina dia mahalala ny hanina ilainareo hanohanana izany. Izy
Izay narnorona ny tenanareo dia mihevitra izay fitahiana ilainareo. Moa ve Izy Izay efa
nanome fanomezana lehibe tsy hanome koa izay ilaina mba hahatanteraka izany?
Natodik'i Jesösy ny mason'ny mpihaino Azy hijery ireo vorona izay nikalo hiram-
pifaliana sy fiderana, ka tsy mba nosembanin' ahiahy kely akory aza, fa «tsy mba mamafy na
mijinja ireny», kanefa ny Ray lehibe miantoka izay ilainy. Ary dia hoy Izy: •Moa tsy mihoatra
lavitra noho ireny va hianareo?»
"Tsy misy tsintsina mianjera ka tsy eo ny fiahiany,
Tsy misy fanahy mitanondrika ka tsy fantatr'i Jesôsy;
Fa momba antsika hatraiza hatraiza Izy,
Ary marihiny ny ranomaso mangidy tsirairay izay mikoriana.
Aty tsy hahafoy na rahoviana na rahoviana
Ny fanahy izay matoky Azy mandrakizay Izy. "
Samy mamirapiratra avokoa ny voninkazo, na ny eny ankilahilan' ny havoana, na ny eny
an-tany lemaka; ary hoy i Jesösy raha nanondro ireny tamin'izy m bola nilenodenoky ny
andon'ny maraina iny: «Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo any an-tsaha.» Azon'ny
fahaizan'olombelona atao ny maka tahaka ny bika soa sy ny soratra mahafatifatin'ny zava-
maniry mbamin'ny voninkazo na ny ravin'ahitra. Fa iza kosa no afaka hanisy aina ny
voninkazo kely indrindra sy ny singan'ahitra bitika indrindra? Fitepon'ny fo
lehiben'Andriamanitra no manetsiketsika ny zavaboary rehetra. Ny voninkazo eny an-tsaha dia
tafian'ny tanan'Andriamanitra fitafiana saro-bidy lavitra mihoatra noho ny fitafiana soa
indrindra efa nihaingoan'ny tany. «Ary raha ny ahitra any antsaha, izay any ihany anio, ka
hatsipy any am-patana rahampitso, no ampitafin 'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va
hianareo ry kely finoana?» - Mat. 6:30
Izy Izay nanao ny voninkazo ary nanome ny hiran'ny tsintsina, no manao hoe: «Dinih0
ny voninkazo.» «Tsinjovy ny voro-manidina.» Eny amin'ny hatsaran-tarehin'ny zavaboary no
azonao hianarana be lavitra ny fahendren'Andriamanitra noho izay fantatr'ireo olona manam-
pahaizana. Eny amin'ny vonin'ny lilia dia efa nanoratan'Andriamanitra hafatra ho anao,
voasoratra amin'ny fiteny izay tsy ho hain'ny fonao vakina raha tsy cfa nohadinoinao ny
leson'ny tsy fitokisana, sy ny fitiavan-tena ary ny fiahiana. Nahoana Izy no nanome ny vorona
mpikalo sy voninkazo tsara tarehy raha tsy noho ny fitiavana mihoatra avy amin'ny fon'ny Ray
izay ta hampamirapiratra sy ta hampifaly ny lalan'ny fiainanao? Na dia tsy teo aza ny
voronkely sy ny voninkazo, izay rehetra ilainao amin'ny fiainana, dia efa anao sahady; kanefa
Andriamanitra dia tsy afa-po arnin'izay ampy hahavelona fotsiny. Mba hanambaràna aminao
ny fitiavany, dia nofenoiny zavatra tsara tarehy ny tany sy ny habakabaka ary ny lanitra. Ny
hatsaran-tarehin'ny zavaboary rehetra dia tsy inona fa taratra avy amin'ny famirapiratan'ny
voninahiny ihany. Raha tsy nolalainy ny fahaizany tsy manam-petra fa nataony tamin'ny
zavaboary mba hahasambatra sy hahafaly anao, moa hatahotra va ianao fandrao tsy homeny
ny fitahiana rehetra ilainao?
Ny olona nihaino ny tenin'i Kristy dia mbola niandry fatratra filazana avy Arniny
momba ilay fanjakana araka ny nofo izay nantenain'izy ireo fa haorina. Raha mbola
nosokafan'i Jesôsy tarniny ny rakitry ny lanitra, ny fanontaniana lehibe indrindra tonga tao an-
tsain'ny maro dia ny hoe: ahoana no handrosoan'ny zavatra kendrentsika eto amin'izao tontolo
izao arnin'ny fanarahantsika Azy? Nasehon'i Jesösy, fa raha be ahiahy fatratra amin'ny zavatra
eto amin'izao tontolo izao izy ireo dia sahala axnin'ny jentilisa izay nanodidina azy, izay
velona ohatra an'ilay tsy misy an 'Andriamanitra iny Izay mitandrina fatratra amimpitiavana
ny zavaboariny.
«Fa ny jentilisa amin 'izao tontolo izao» hoy i Jesösy, «dia fatrapitady izany rehetra
izany» - Lio. 12:30, fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany
rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo
izany rehetar izany» - Mat. 6:32,33. Tonga Aho harnoha ho anareo ny fanjakam-pitiavana sy
fahamarinana ary fiadanana. Sokafy ny fonareo handray izany fanjakana izany, ary ny
fanompoana azy no ataovy zavatra ambony indrindra arninareo. Na dia fanjakana ara-panahy
aza izany dia aza matahotra ny hoe sao dia tsy ho voakarakara izay ilainareo amin'ity fiainana
(...) Aza manahy ny amin'ny ampitso hianareo Ampy ho an 'ny andro ny ratsy
miseho ao aminy» - Mat. 6:34.
Raha manolo-tena ho an 'Andriamanitra hanao ny asany ianao, dia tsy tokony hanahy ny
amin'ny ampitso. Izy Izay manana anao ho mpanompony dia mahalala ny farany hatramin'ny
voalohany. Ny zavatra hiseho rahampitso izay miafina aminao dia miharihary eo anoloan'ny
mason 'llay manana ny hery rehetra.
Rehefa mandray eo am-pelatanantsika ny adidy aman'andraikitra isika ka ny
fahendrentsika ihany no iankinantsika hahalavorary azy, dia rnandray entana izay tsy
nat010tr'Andriamanitra antsika isika, ary mitady hivongika azy samirery fa tsy ampiany. Ka
dia ny adidy izay an'Andriamanitra no raisintsika ho antsika, ary arnin'izany dia tena
misalovan-toerana Azy isika. Noho izany dia feno ahiahy isika, ka hanampo fa hisy loza sy
fahavoazana, satria azo antoka fa hihatra amintsika izany. Kanefa raha mino tokoa isika fa tia
antsika Andriamanitra, ary mihevitra izay hahasoa antsika, dia tsy ho sahirana intsony ny
amin'ny hoavy isika. Hiankina amin'Andriamanitra isika tahaka ny zaza miankina amin'ny ray
aman-dreny malalany. Amin'izany dia ho foana ny tahotra sy ny horohorontsika, satria
voafono ao amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny sitrapontsika.»
Tsy nanome teny fikasana antsika i Kristy fa hanampy antsika anio amin'izay entana
hoentintsika rahampitso. Fa hoy Izy: '*Arnpy ho anao ny fahasoavako» - 2 Kör. 12:9; kanefa
tahaka ny mana nomena tany an'efitra isan'andro, no anomezana ny fahasoavany isan 'andro
araka izay ilaina. Tahaka ny nahazoan'ny Isiraely rehetra izay nilainy teny am-pandehanany no
hahitantsika isa-maraina isa-maraina ny mofon'ny lanitra ampy ho vatsy amin'io andro io.
I Jesôsy dia mampianatra antsika mba hiantso ny Rainy hoe Raintsika. Tsy
mahamenatra Azy ny hanao antsika hoe: rahalahiny (Heb. 2:11). Vonona tokoa, maniry
tokoa ny fon'ny Mpamonjy handray antsika ho anisan'ny fianakavian' Andriamanitra, hany
ka eo arnin'ny teny voalohany indrindra izay tokony hampiasaintsika amin'ny fanatonana
an'Andriamanitra, dia nasiany toky milaza ny fihavanantsika amin'ny Tsitoha, aRainay».
Ny hita eto dia ny filazana an'izao fahamarinana mahagaga, feno farnpaherezana, feno
fanatanjahana izao: ny fitiavan' Andriamanitra dia toy ny itiavany ny Zanany. Izany no
nolazain'i Jesösy tamin'ny fivavahana farany nataony ho an'ny mpianany: al-lianao efa tia
azy tahaka ny nitiavanao Ahy»- Jao. 17:23.
Ity izao tontolo izao ity, izay efa nihamboan'i Satana ho azy; ary efa nentiny tamin'ny
fahasiahana mafy, dia efa nomban'i Kristy tamin'ny elatry ny fitiavany kosa, tamin'ilay asa
lehibe vitany, ka nampiraisiny indray tamin'ny seza fiandrianan'i Jehövah. Ny kerôbima sy
ny serafima ary ireo marobe tsy hita isa avy arninireo rehetra tsy mba nanota dia mihira
antema fiderana ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry, nony efa azo izany fandresena
izany. Nifaly izy ireo satria nosokafana ho an'ity taranaka lavo ity ny lalan'ny famonjena, ary
havotana arnin'ny ozon'ny Ota ny tany. Koa manao ahoana àry no mainka tokony
hifaliantsika, dia isika indrindra izay anton'izany fitiavana mahagaga izany!
Ahoana no hahazoantsika ho latsaka ao arnin'ny fisalasalana sy ny tebiteby ary
hihevitra fa kamboty isika? Fa ho an'izay efa nandika ny lalàna no nandraisan'i Jesösy ny
maha-olombelona antsika; dia tonga sahala amintsika Izy, mba hananantsika fiadanana sy
toky mandrakizay. Manana Solovava any an-danitra isika, ary na iza na iza manaiky Azy ho
Mpamonjy, dia tsy avelany ho kamboty sy hitondra ny enta-mavesatry ny fahota_na efa vita.
«Ry malala, ankehitriny aza clia zanak'Andriamanitra isika 1 Jao. 3:2. «Ary raha
zanaka dia mpandova; eny, sady mpandova an 'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy
koa, raha miaramiaritra Aminy isika mba hiara-rnanam-boninahitra Aminy koa» Rôm. 8:17.
a(...) Nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay.
Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay
tena enclñny tokoa.» - 1 Jao. 3:2.
Ny dingana voalohany indrindra atao mba hanatonana an' Andriamanitra, dia ny
mahalala sy mino ny fitiavany antsika (1 Jao. 4: 16); fa ny fanintonan'izany fitiavana izany
no mahatonga antsika hankeo aminy.
Ny fahatsiarovana ny fitiavan'Andriamanitra dia miasa amintsika ka mahatonga antsika
handao ny fitiavan-tena. Raha antsointsika hoe Ray Andriarnanitra, dia ekentsika fa ny
zanany rehetra dia rahalahintsika. Isika tsirairay dia kofehy eo arnin'ny tenona iray lehibe,
dia ny olombelonærehetra izany, ary sarny anisan'ny fianakaviana iray isika. Tokony ho
voafaoka ao anaitn'ny fivavahantsika toy ny tenantsika ihany ireo Olona manodidina antsika.
T sy misy na iza na iza mivavaka marina raha ny fitahiana ho an'ny tenany sarnirery ihany
no tadiaviny.
Tombontsoa lehibe, hoy i Jesôsy, no omen 'Ilay Andriamanitra tsy manam-petra
anareo, a-min 'ny ahazoanareo manatona Azy arnin'izany anarana hoe Ray izany. Aoka ho
takatry ny sainareo izay rehetra voafono ao anatin 'izany. Tsy misy ray aman-dreny ety an-
tany, izay mitalaho mafy indrindra amin'ny zanany maditra toy ny fitarainan'llay Mpanao
anao arnin'ny mpamadika ny didiny. Tsy misy fitiavan'olombelona afa_ka hanjohy ny
mpania arnin'ny fiantsiana mar-ny toy izany. Fa Andriarnanitra dia mitoetra ao amintsika
rehetra, mandre ny teny rehetra izay tenenina Izy, mihaino ny vavaka rehetra tononina,
SAMBATRA Pejy faha 54 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
mahatsiaro ny alahelo sy ny fahadisoam-panantenan'ny fanahy rehetra, mijery izay
fitondrana atao arnin'ny ray, reny, anabavy, sakaiza, mpifanolo-bodirindrina. Mikarakara
izay ilaintsika Izy, ka ny fitiavany sy ny famindrampony ary ny fahasoavany dia tsy
mijanona misononoka hanome izay mahasoa antsika.
Nefa raha miantso an'Andriamanitra hoe Rainao ianao, dia manaiky ianao amin'izany
fa zanany, hotarihin'ny fahendrena, ary hankatò amin'ny zavatra rehetra, satria fantatrao fa
tsy miova ny fitiavany. Hanaiky izay rehetra kasainy ho an 'ny fiainanao ianao. Noho ny
maha-zanak'Andriamanitra anao, dia hoheverinao ho anisan'ny zavatra ambony aminao
indrindra ny voninahiny, ny fomba arnan-toetrany, ny fianakaviany ary ny asany. Ho
fifalianao ny hahatsiaro sy hanome voninahitra izany firaisanao amin'ny Rainao izany SY ny
fihavananao amin'ny isan'olona rehetra arnin'ny fianakaviany. Hahafaly anao ny asa na inona
na inona, na dia izay toa ambany indrindra aza, mba hampisondrotra ny voninahiny, na mba
hanasoa ireo iray razana aminao.
«lzay any an-danitra.» Ilay asain'i Kristy jerentsika ho toy ny Raintsika dia «any an-
danitra», ary refa nanao ny sitrapony rehetra» - Sal. 115:3. Koa dia mahazo mandry fahizay
eo amin'ny fikarakarany isika, ka hanao hoe: "Amin 'ny andro atahorako no itokiako Anao» -
Sal. 56:3.
Raintsika Andriamanitra, ary tia antsika sy mikarakara antsika toy ny z•anaka Izy; Izy
koa no mpanjaka lehiben'izao rehetra izao. Izay tokony hokatsahina ho an 'ny fanjakany,
izany no hilofosantsika ary tsy maintsy hiasa hanorina an'izany isika.
Ny fanjakan'ny fahasoavan 'Andriamanitra dia voaorina ankehitriny rehefa tonga
isan'andro isan'andro ireo fo izay efa feno fahotana sy fiodinana ka tarny manaiky ny
fanapahan'ny fitiavana. Nefa ny tena fiorenan'ny fanjakan'ny voninahiny, dia tsy ho hita raha
tsy amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany eto amin'ity tany ity. «Ny fanjakana sy ny
fanapahana ary ny fahalehibeazan'ny fanjakana eng ambanin'ny lanitra rehetra» dia hornena
«ny olo-masin'ny Avo Indrindra» - Dan. 7:27. Handova ny fanjakana izay efa voavoatra ho
azy Whatrizay nanorenana an 'izao tontolo izao» - Mat. 25: 34 izy ireo- Ary i Kristy dia
handray ny heriny lehibe ka hanjaka.
Hasondrotra ny vavahadin'ny lanitra ary hiaraka amin'ireo masina arivoarivo sy
alinalina ny Mpamonjy ka hivoaka ho
Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo. Jehôvah Imanoela no «ho Mpanjakan
'ny tany rehetra; amin 'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany» - Zak.
14:9. «Ny tabernakelin 'Andriamanitra» dia ho eo am-povoan'ny olona, Mary Izy hitoetra eo
aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny» -
Apök. 21:3.
Nefa alohan'izany fiaviana izany, dia lazain'i Jesösy fa «hotorina amin 'izao tontolo
izao ity filazantsaran 'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin 'ny firenena rehetra» - Mat.
24:14. T sy ho tonga ny fanjakana raha tsy efa voaely any amin'ny tany rehetra ny vaovao
tsaran'ny fahasoavany. Noho izany, raha manolo-tena ho an'Andriamanitra isika, ary rnahazo
fanahin'olona ho Azy, dia manafaingana ny fiavian'ny fanjakany. Ireo izay manolo-tena
hanompo Azy, ka manao hoe: «lnty aho, iraho aho» - Isa. 6:8. "Mba hampahiratra ny masony
hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary arnin'ny fahefan'i Satana ho
amin'Andriarnanitra, mba hahazoany famelan-keloka SY lova eo amin 'izay nohamasinina» -
Asa. 26: 18, — ireo ihany no mivavaka marina tokoa hoe: «Ho tonga anie ny fanjakanao.»
Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra» - Mat. 6:10.
«Ary marnetà ny hetokay; fa izahay koa mameZa izay rehetra meZoka aminay
- Lio. 11:4.
Marnpianatra antsika i Jesôsy fa rehefa mamela ny fahotan'ny hafa ihany isika vao
mahazo famelan-keloka avy amin' Andriamanitra.
Rehefa vitan'i Jesösy ny fivavahan'ny Tompo, dia nanampy hoe Izy: «Fa raha mamela
ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia mba hamela anareo koa ny Rainareo Izay any an-
aanitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo dia tsy hamela ny
fahadisoanareo ny Rainareo.» Izay tsy mety marnela, dia manapaka ny lakan-drano izay
hany fomba handraisany vny famindrampo avy amin'Andriamanitra. Tsy tokony hihevitra
isika fa hoe raha tsy mbola miaiky ny fahadisoany ireo nanao ratsy tamintsika, dia rariny ny
antsika raha tsy mamela azy isika. Tsy isalasalana fa anjarany tokoa ny hanetry ny fony
amin'ny fibebahana sy fiaiken-keloka; nefa isika koa dia tokony hanana fanahy mangoraka
an'ireo diso tamintsika, na miaiky ny fahadisoany izy, na tsia. Na nanao ahoana na nanao
ahoana hamafin'ny nandratrany antsika, dia tsy tokony hanafosafo ny alahelontsika isika, ka
hamendrofendro tena noho ny nahazo antsika, fa toy ny anantenantsika fa hahazo famelana
ny fahadisoantsika tamin'Andriamanitra isika, dia mba tokony havelantsika koa ireo rehetra
diso tamintsika.
SAMBATRA Pejy faha 58 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
Nefa ny hevitry ny hoe famelan-keloka dia mbola lalindalina kokoa noho ny
andraisan'ny maro azy. Rehefa manome teny fikasana Andriamanitra fa «hamela heloka dia
hamela heloka tokoa Izy», dia mbola nanampy teny ihany Izy, toy ny milaza fa tafahoatra
noho izay tokony ho takatsika ny hevitr'izany fikasana izany: «Fa ny fihevitro dia tsy
fihevitrareo, ary ny làlanareo tsy mba làlako, hoy Jehoúah. Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra
noho ny tany no hahavon'ny làlako noho ny làlanareo sy nyfihevitro noho ny fihevitrareo» -
Isa. 55:7-9. Ny famelan 'Andriarnanitra dia tsy toy ny famelan'ny fitsarana fotsiny ihany, ka
nafahany tamin'ny fanamelohana isika. Tsy famelana fotsiny noho ny fahotana izany, fa
fiantsoana indray avy ao amin'ny fahotana. Eny, fitosahan'ilay fitiavana mahavonjy sy
manova ny fo. Azon'i Davida tsara ny hevitry ny famelan'Andriamanitra raha mivavaka hoe
izy: «Arnoròny fo madio Aho, Andriamanitra (5; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato
anatiko.» - Sal. 51:10. Ary hoy koa izy: «Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny
andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika» - Sal. 103:12.
Andriamanitra tao amin'i Kristy no nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika. Niaritra
ilay fahafatesana mahatsiravina teo amin'ny hazo fijaliana Izy, nitondra ny enta-mavesatry ny
helotsika Izy, «ny marina hamonjy ny tsy mañna», mba hahazoany hampibaribary amintsika
ny fitiavany sy hitarika antsika ho eo aminy. Ary hoy Izy: «Aoka sarny halerny fanahy
amin'ny namany avy hianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka; tahaka ny
namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy» - Efes. 4:32. Aoka i Kristy ilay
fiainan'Andriamanitra no hitoetra ao aminareo, ary ny fitiavana avy any amin'ny Avo, izay
harnelona fanantenana ho an'ny kivy, sy hitondra ny fiadanan'ny lanitra ho an'ny fo toron'ny
fahotana, no hasehony avy ao arninao.
Ny hany zavatra tena ilaintsika mba hahafahantsika mandray sy manana anjara amin'ny
fitiavana ombam-pamelan-keloka avy amin'Andriamanitra dia ny mahafantatra sy mino ny
fitiavany antsika. I Satana dia rnampiasa ny farnitahana rehetra azony atao mba tsy
hahatakarantsika io fitiavana io. (1 Jaona 4:16.) Ezahiny ny hitaona antsika hihevitra fa ny
fahadisoantsika sy ny fahotantsika dia ratsy loatra ka tsy ho azon'ny Tompo raisina ny
vavaka ataontsika ary tsy hitahy na hamonjy antsika Izy. Raha mijery ny tenantsika isika dia
dia tsy mahita afa-tsy fahalemena, tsy manana fahamendrehana eo anatrehan'Andriamanitra
isika, ary ambaran'i Satana fa tsinontsinona isika; tsy mahafaka ny faharatsian -toetrantsika
isika. Rehefa miezaka manatona an 'Andriamanitra isika dia hibitsika toy izao arnintsika ilay
fahavalo: T sy misy dikany akory ny fivavahanao, moa tsy efa toy izao sy toy izao va ny
ratsy vitanao? Moa tsy efa nanota tamin'Andriamanitra va ianao sady nanitsakitsaka ny
feon'ny fieritreretanao?'
Lazao arnin'ilay fahavalo anefa fa ny «ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho
afaka amin'ny Ota rehetra» - 1 Jao. 1:7. Rehefa mahatsiaro isika fa efa nanota, ary tsy afaka
hivavaka, dia amin'izay indrindra no fotoana tokony hivavahana. Mety ho menatra isika, ary
ory sy fadiranovana, nefa tsy maintsy mivavaka isika sady mino. "Mahatoky ka tokony
hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao tany izao: tonga tety ambonirt'ny tany Kristy
Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany» - 1 Tim. 1:15. Ny famelan-
keloka, ny fampihavanana amin 'Andriamanitra, dia tsy tonga amintsika ho valin'ny
asantsika, tsy omena izany noho ny fahamendrehan'ny olona feno fahotana, fa fanomezana
atao arnintsika kosa; ary ny anton'ny anomezana azy, dia noho ny fahamarinana tsy misy
pentina ananan'i Kristy.
Tsy tokony hitady ny hanakely ny fahadisoantsika amin'ny fialantsiny isika. Tsy
maintsy ekentsika ny fihevitr'Andriarnanitra ny fahotana ho tena zava-dratsy, ary mavesatra
aminy tokoa io. Kalvary irery ihany no afaka hampiseho ny maha-zava-dehibe sy zava-
mahatahotra ny fahotana. Raha isika ihany no hitondra ny helotsika dia ho toro isika. Nefa
llay tsy nanam-pahotana no nisolo antsika; na dia tsy mendrika an'izany aza Izy, dia nentiny
ny fahadisoantsika. 'tRaha miaiky ny fahotantsika isika», Andriamanitra dia «mahatoky SY
marina ka mamela ny fahotantsika sy manaclio antsika ho afaka amin'ny tsifahamañnana
SAMBATRA Pejy faha 59 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
rehetra»- 1 Jao. 1:9. Fahamarinana be voninahitra manao ahoana! Marina amin'ny lalàna
navoaky ny tenany, nefa Mpanamarina koa an'izay rehetra mino an 'i Jesosy. "Iza no
Andñamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa
amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia farninarampo» -
Mika 7:18
Ny fiezahana mba hahazoana famonjena amin’ny herin ‘ny tena samirery dia mahatonga
ny olona haka antontan-didin’olombelona ka hampiasa izany ho fiarovana amin’ny fahotana.
Satria mantsy hitany fa tsy afaha hitandrina ny lalàna izy, dia nanmpiditra famerana sy fitsipika
anataon’ny tenany izy, mba hanereny ny tenanay hankatoa. Nefa izany rehetra izany dia
nahatonga ny saina hihataka amin’Andriamanitra, ka hifikitra eo amin’ny tena. Ny Fitiavany dia
tonga maty tao ampon’ny olona, ary niaraka tamin’izay dia tonga levona koa ny fiaraha-monina.
Fa ny zavtra foronin’ny sain’olombelona toy ity, sy ireo fifehezana maro miaraka aminy, dia
mahatonga ny mapnkasitraka azy hitsara izay rehetra tsy mahatanteraka izay baikon’olona
izany. Koa ny rivotry ny fitiavan-tena sy ny fitsaratsaram-poana dia manepotra ny fietse-po
ambony sy be fitiavana, ka mahatonga ny olona ho mpitsara tery saina sy mpitsikilokilo foana.
Toy izany indrindra ireo Fariseo. Rehefa nivoaka avy tao amin’ny fanompom-pivavahany
izy, dia tsy mba nahatsiaro nanetry tena noho ny fahalemeny, na niseho ho feno fisaorana noho
ireo tombotsoa lehibe nomen’Andriamanitra azy. Fa avonavona ara-panahy no nentiny nivoaka,
ary ny ambetin-teniny dia ny hoe:”Ny tenako, ny hevitro, ny fahaizako, ny làlako.” Izay
tratran’ny tenany no tonga ataony ho marika hitsarana ny hafa. Dia misampina ny lamban'ny
fanarnbonian-tena izy, miakatra eo amin'ny seza fitsarana, ary manebatebaka sy manameloka.
Nahatratra be dia be ny vahoaka koa izany toe-tsaina izany, koa tonga niditra tao amin'ny
fanjakan'ny fieritreretana izy, ary nifampitsara ny amin'ny zavatra izay tokony ho eo
anelanelan'ny fanahy sy Andriamanitra irery ihany. Noho izany toe-tsaina sy fanao izany no
nitenenan'i Jesösy hoe: "Aza mitsara mba tsy hotsaraina hianareo.» [zany hoe: aza manandra-
tena horaisin'ny olona ho marika hotratrarina. Aza maka ny hevitrao, na ny fandraisanao izay
tokony ho adidy na ny hevi-teninao mornba ny Soratra Masina, ho lasitra ho an'ny hafa, ka
hanarneloka azy ireo ao am-ponao raha tsy manao araka ny marika noraisinao ho anao izy. Aza
mitsaratsara ny hafa, ka haminaninany izay antony nanaovan'izy ireo izao sy izao, ary hamoaka
fitsarana ny aminy.
"Aza mitsara na inona na inona alohan'ny fotoana, dia ny fihavian'ny Tompo. Izay
hampihañhary ny zavatra takona ao arnin'ny maizina ka harnpiseho ny fikasan’ny fo 1 Kör. 4:5.
Tsy haintsika atao ny hahafantatra izay ao am-pon'ny hafa. Ny antsika dia efa feno fahadisoana,
koa tsy nmendrika hitsara ny hafa isika. Fa Ilay Anankiray ihany Izay mahalala ny antony
miafina momba ny atao, ary mitondra arnim-pahalemem-panahy sy arnim-pangorahana no
nornena hanapaka izay ho anjaran'ny fanahy tsirairay avy.
"Koa amin'izany, dia tsy manan-kalahatra hianao, ralehilahy, na zovy na zovy hianao izay
mitsara; fa izay hitsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa hianao izay mitsara
aza dia mba manao izany ihany koa» - Röm. 2:1. Koa izay mandiso sy mitsaratsara ny hafa, dia
milaza fa meloka ny tenany; satria mba manao izany zavatra izany ihany koa izy. Eo arn-
panamelohana ny hafa, dia marnoaka fitsarana ho an 'ny tenany izy, ary Andriamanitra dia
manambara fa marina izany didixn-pitsarana izany. Eken'ny Tornpo ny didirn-pitsarana
navoakan'izy ireo hamelezana ny tenany ihany.
"Miambakavaka ny tongotray,
Nefa arosonay hanoy ny Iàlana;
Tànam-botsa tsy mahay,
No atsotranay, mitady namana."
Eny, fa na dia ny didim-pitsarana hoe aza: «Hianao izay mitsara dia mba manao izany
ihany koa», dia tsy mbola mahatratra ny halehiben'ny fahotan'izay mitady hitsara sy hanameloka
ny rahalahiny. Fa hoy i Jesôsy: «Nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo arnin'ny
mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?»
Ny teniny eto dia manambara ilay maika dia maika hahita fahadisoana eo amin'ny hafa.
Rehefa noheverin'izy io fa nahatsikaritra zavatra nivaona kely izy tamin'ny toetra na tamin'ny
fianan'ny hafa, dia mafana dia mafana ny fony hanondro izany, nefa lazain'i Jesösy fa io toetra io
indrindra, izay nitombo noho ny fanaovana izao asa tsy mendrika an'i Kristy izao, raha oharina
amin'ilay fahadisoana nihomehezany, dia toy ny andry mitaha amin'ny sombin-kazo. Ny tsy
fananany fanahy mandefitra sy ny tsy fisian'ny fitiavana ao aminy no nahatonga azy hihevitra ny
kitika indrindra ho toy ny tendrombohitra. Ireo izay tsy mbola nahatsapa na oviana na oviana
izany hoe torotoro noho ny fanoloran-tena tanteraka eo arnin'i Kristy, dia tsy mbola nampiseho
teo amin'ny fiainany ny hery manalefaka sy mandamina ananan'ny fitiavan'ny Mpamonjy. Ratsy
arnin'izany ny fanehoan'izy ireo ny toetra malemy fanahy sy manaja fahita eo amin'ny
filazantsara, ary indrisy fa tonga maratra ireo fanahy sarobidy izay nanoloran'i Kristy ny ainy.
Koa araka ny Ohatra izay ampiasain'ny Mpamonjy eto, dia meloka amin'ny fahotana lehibe
lavitra noho izay iampangany ny hafa, izay manaram-po amin'ny toe-panahy mpitsaratsara; fa
tsy fahotana toy io ihany no ataony, fa ampiany fizahozahoana sy fitsaratsarana koa.
I Kristy no hany rnödely marina ho an'ny toetrantika, ary izay manandra-tena ho mödely
ho an'ny hafa dia misandoka ny toeran'i Kristy. Ary "ny fitsarana rehetra dia nomeny [nomen'ny
Ray] ny Zanaka" - Jao. 5:22, noho izany, izay rehetra sahy mitsara ny antony manosika ao
anatin'ny hafa dia misandoka ny fahefan'ilay Zanak'Andriamanitra. Ireny miseho ho mpitsara sy
mpanome tsiny ireny dia mametraka ny tenany ho mpiandany amin'ny antikristy, "ilay manohitra
ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka
dia mipetraka eo amin'ny tempolin 'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andñamanitra. " -
2 Tes. 2:4.
NY fahotana miteraka vokatra mampalahelo indrindra dia ny toe-panahy mangatsiaka,
manome tsiny, tsy marnela heloka, izay nananan'ny Fariseo. T sy eo i Jesòsy ary tsy eo ny tara-
pahazavan' ny fanatrehany rehefa tsy misy fitiavana ny fiainam-pivavahana. T sy misy asa, na
hafanam-po tsy misy an 'i Kristy, afaka mameno izany fahabangana izany. Mety hananan'ny
olona iray ny fahaizana mahavariana mamantatra ny fahalemen'ny hafa; kanefa ho an'ireo rehetra
manana izany toe-panahy izany dia hoy i Jesösy: "Ry mpiatsravelatsihy, esory aloha ny andry eo
amin'ny masonao, ary amin 'izany dia ho hitanao izay hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny
mason 'ny rahalahinao." - Lio. 6:42. NY mpanao ratsy no fatra-pikaroka voalohany ny ratsy eny
arnin'ny hafa. Amin 'ny alalan'ny fiampangany ny hafa dia miezaka manafina na nmitady fialan-
tsiny amin'ny faharatsian'ny ao ampony izy. Tamin'ny alalan'ny fahotana no nahaizanhy
olombelona nanao ratsy; raha vantany vao avy nanota ireo mpivady voalohany dia nanomboka
nifampiampanga; ary izany koa no fironana ao anatin'ny olombelona rehetra rehefa tsy
fehezin'ny fahasoavan'i Kristy izy ireo.
Ny olona izay mihazona izany toe-panahy miampanga izany dia tsy afa-po amin'ny
fanondroana izay heveriny ho fahalernen'ny hafa fotsiny. Rehefa tsy mahatanteraka izay
heveriny fa tokony hataony ny hafa, dia tereny hanao izany. Araka izay tratry ny heriny dia
tereny hanaraka izay heveriny fa mety ny hafa. Izany no nataon 'ireo Jiosy tamin'ny andron'i
Jesosy ary izany koa no nataon'ny fiangonana rehefa tsy noraisiny ny fahasoavan'i Kristy.
Rehefa hitany fa tsy nananany ny herin'ny fitiavana dia nitodika tany amin'ny hery famoretan'ny
fanjakana izy mba hanery ny olona hanaraka ny fampiana_rany sy harnpihatra ny didiny. Izany
SAMBATRA Pejy faha 64 FIANGONANA ADVANTISTA SAHAMELOKA
no tsiambaratelon'ny lalàna ara-pivavahana rehetra izay nanerena olona hatramin 'izay, ary izany
ihany koa no tsiambaratelon'ny fanenjehana hatrarnin'ny andron'i Abela kå hatramin'izao
androntsika izao.
Tsy manery i Kristy fa mitaona ny Olona hanatona Azy. Ny hany fanerena ampiasainy dia
ny faneren'ny fitiavana. Rehefa manomboka mitady fanohanana avy amin 'ny hery any ivelany
ny fiangonana dia miharihary fa tsy ao aminy ny herin'i Kristy — dia ny faneren'ny
fitiavan'Andriamanitra.
Kanefa avy amin 'ny mambra tsirairay ao arnin'ny fiangonana ny fahasarotana, ary e0
indrindra no mila hampiharana ny fanasitranana. Ny baikon'i Jesôsy dia ny hijeren'ny
mpiampanga ny tenany aloha, ny hahafoizany ny toe-tsainy mpiampanga, ny hiaikeny sy
harnoizany ny fahotany, mialoha ny hiezahany hanitsy ny hafa. Satria "tsy misy hazo tsara
mamoa voa ratsu, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Lio. 6:43. 10 toe-panahy miampanga izay
hazoninao io dia vokatra ratsy ary maneho fa ratsy ilay hazo nipoirany. Tsy hitondra na inona na
inona ho anao ny hiezaka hanamarina ny tenanao. Ny ilainao dia fiovam-po. Mila mandalo izany
fanandramana izany ianao vao ho afaka hanitsy ny hafa; satria "avu amin 'ny haben'ny ao am-po
no itenenan'ny vava." - Mat. 12:34.
Rehefa misy fanahy miatrika olana eo amin'ny fiainany ka miezaka hanoro hevitra na
hananatra azy isika, dia tsy hanandanja ny tenintsika, afa-tsy izay avy amin 'ny lanjan'ny ohatra
nasehontsika. Rehefa tsara ny ao anatintsika vao afaka manao ny tsara isika. Tsy hanana hery
miasa mangina hanova ny hafa ianao raha tsy era nietry sy voadio ny fontsika ka voaova ho be
fitiavana tamin'ny alalan'ny fahasoavan'i Kristy. Rehefa tanteraka ao aminao io fiovana io dia ho
mora foana ho anao ny hiaina mba ho fitahiana ho an 'ny hafa, tahaka ny raozy mamelana na ny
voaloboka manipisandrahaka ny sampany.
Raha i Kristy no ao anatinao ho «fanantenana ny voninahitra», dia tsy haniry ny
hitsikilokilo ny hafa ianao, na hitantara ny fahadisoany. Tsy hitady hiampanga ianao na
hanameloka, fa ny katsahinao, dia ny hanampy, ny hitondra fitahiana ary ny hamonjy. Raha manan-
draharaha amin'ireo izay diso ianao, dia ataovy e0 anatrehanao tsara ny anatra hoe: «Mihevera ny
tenanao, fandrao hianao koa mba halairn-panahy ihany» - Gal. 6:1. Tsarovy fa mba efa
imbetsaka ianao no diso lalana, ary nanao hadisoana ny hasarotry ny niverenanao teo amin'ny
lalana marina indray rehefa niala taminy ianao. Tsy hanosika ny rahalahinao ho amin'ny
fahamaizinana kokoa indray ianao, fa amin'ny fo feno fangorahana no hilazanao ny loza mety
hihatra aminy.
Izay mijery matetika ny hazo fijaliana teo Kalvary, ka mahatsiaro fa ny fahotany no
nahatonga ny Mpamonjy teo, dia tsy hitady na oviana na oviana hampitaha ny halehiben'ny
fahotany aminhy hafa. Tsy hiakatra eo ambonin'ny seza fitsarana izy ka hiampanga olon-kafa.
Tsy mety hisy fanahin'ny fitsaratsarana na fanandratan-tena eo amin'izay mandeha eo arnin'ny
aloky ny hazo fijalian'i Kalvary.
Rehefa tsaroanao fa afaka hanao tsinontsinona ny voninahitrao ianao, eny, hanolotra ny
ainao aza, mba hamonjena an'ilay rahalahinao diso lalana, dia efa nanala ny andry teo amin'ny
masonao ianao izany, ary efa voaomana hanampy ny rahalahinao. Dia mahazo manatona azy
ianao amin'izay, ary hahazo ny fony. Tsy mbOla misy olona na iza na iza azo nesorina tamin'ny
lalandratsiny, tarnin'ny fampiasana ny faniniana sy ny fanebahana; fa maro tamin'ireny kosa no
voatarika hiala teo amin'i Kristy, sy nanamafy ny fony tsy handray ny fahamarinana. Ny fanahy
mora, ary ny fihetsika malerny fanahy sy mamabo fo, dia mety hamonjy ny mania, sy hanarona
fahotana maro. Ny fanambarana an'i Kristy eo amin'ny toetra dia hanana her-y manova eo
amin'ny olona rehetra izay mifampikasoka aminao. Aoka i Kristy no ho hita isan'andro eo
aminao, dia hasehony avy aminao ny hery mahaforona ananan'ny Teniny, dia toetra malemy
fanahy, mahataona, nefa her-y matanjaka koa hamorona fanahy hafa indray haka ny fahatsaran-
tarehin'ny Tompo Andriamanitrao.
"Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia
hovohana hianareo» - Mat. 7:7.
'Ndrao tsy hinoantsika ny teniny, na 'ndrao tsy ho azontsika loatra, na 'ndrao havilintsika
ny heviny, dia naverin'ny Tompo intelo eto ity teny fikasana ity. Iriny mba hino Azy ireo rehetra
izay rnitady an'Andriamanitra, fa afaka hanao ny zavatra rehetra Izy. Ary izany no nanampiany
hoe: «Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no hahita; ary izay mandòndòna no
hovohana.
Tsy nilaza fepetra manokana ny Tornpo, afa-tsy ny hanoananao handray ny
famindrampony, sy ny fanirianao ny toroheviny, ary ny fitadiavanao ny fitiavany. «Mangataha.»
Ny fangatahanao dia mampiseho fa mahatsiaro ho tsy manana tokoa ianao; ary raha mangataka
amin'ny finoana ianao dia hahazo. Efa niantoka ny Teniny ny Tompo ary tsy maintsy ho to
izany. Raha manatona an-yin 'ny fo torotoro marina ianao, dia tsy ilaina ny mihevitra fa sahisahy
foana ianao mangataka izay efa nampanantenain 'ny Tompo. Ny zavatra ilaina raha manatona an
'Andriamanitra dia tsy ny fahamasinanao tsy akory, fa ny fanirianao Azy mba hanasa ny
fahotanao rehetra ary mba hanadio ny helokao rehetra. Ny porofo fa mahazo mangataka isika
arnin'izao fotoana izao, sy mandrakariva koa, dia satria be dia be ny zavatra ilaintsika sady tsy
manana vonjy mihitsy isika, ary izany no mahatonga Azy sy ny herin'ny farnonjena ho tena
tadiavintsika.
"Mitadiava.» Ny Tenany mihitsy no irio, fa aza ny fitahiany fotsiny ihany. «Mifankazara
amin 'ny Tsitoha hianao, dia hiadana» - Jöba 22:21. Mitadiava, dia hahita ianao. Andriamanitra
dia mitady anao, ary ny fanirianao hankeo aminy dia tsy inona fa ny fitaoman'ny Fanahiny anao.
Koa meteza hanaraka izany fitarihany izany. I Kristy dia mitalaho ho an'ny alaim-panahy, ho an
'ny diso lalana, ary ho an'ny tsy manam-pinoana. Mitady hanondrotra an'ireo mba ho sakaizany
Izy. aRaha mitady Azy hianao, dia hahita Azy» - 1 Tant. 28:9.
«Koa amin’izany inona na {nona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy
arniny kosa tahaka izany - Mat. 7:12.
Raha nanorne toky antsika ny amin'ny fitiavan'Andriaxnanitra antsika i Jesôsy, dia nandidy
ny fifankatiavantsika koa Izy, ho toy ny foto-kevitra lehibe hitondra ny fiainana rehetra eo
amin'ny olombelona.
Sarotiny dia sarotiny ny Jiosy ny amin'izay tokony horaisiny: izay navesatra tao an-tsainy
sy nahavelona ahiahy azy indrindra dia ny hahazo izay noheveriny ho hery, sy fanajana ary
fanompoana tandrify ho an'ny tenany. Nefa i Kristy kosa dia nampianatra antsika fa tsy izay
tokony hahabetsaka ny raisintsika tsy akory no mendrika hanahirana ny saintsika, fa izay
hahazoantsika manome be. Koa ny lasitry ny adidintsika amin'ny hafa dia ho araka izay
heverintsika ho adidiny amin'ny tenantsika.
Amin'ny firaisanao amin 'ny hafa, dia hevero ho e0 amin'izay toerana misy azy ny tenanao.
Midira ho e0 afovoan'izay mameno ny fony, ao anatin'ny fahasahiranany sy ny
fahadisoampanantenany, e0 amin'ny fifaliany sy ny alahelony. Ataovy ho toy ny tenany mihitsy
ianao, ary amin'izany dia ataovy aminy, toy izay tianao hataony aminao, raha mba izy no teo
amin'izao toerana misy anao izao. Izany no tena fitsipiky ny fahamarinana. Izany koa no
anisan'ny fiteny enti-milaza ny lalàna, dia ny hoe: «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» - Mat.
22:39. Ary izany no fototry ny fampianaran'ny rnpaminany. Foto-kevitry ny lanitra izany ary tsy
maintsy harnpandrosoina amin'izay rehetra mendrika hiray arnin'ny any ambony.
Ny toetra manaja marina no fitsipika atao hoe fitsipika volamena, ary ny ahitana an'izany
marina indrindra dia e0 amin 'ny fiainana sy ny toetr'i Jesösy. Taratra malefaka manao ahoana re,
fahatsaran-tarehy manao ahoana no namiratra teo amin'ny fiainana isan'andro niveloman'ny
Mpamonjy antsika. Fahamarinana manao ahoana no hitan'izay nanatrika Azy. Ary izany toe-
panahy izany koa no tsy maintsy hiseho e0 amin'ny zanany. Izay manana an'i Kristy monina ao
aminy, hisy toy ny rivotry ny lanitra hanodidina azy. Ny akanjom-pahamarinany hameroveron'ny
hanitry ny sahan'ny Tompo. Ny tavany hitaratra ny fahazavan'ny tavany, hanazava ny lälan'ireo
tongotra osa sy reraka.
Izay olona manana ny tena marika ambony momba ny toetra mendrika sy tanteraka dia
hampiseho ny fitiavana sy ny fahalemem-panahin'i Jesösy. Ny herin'ny fahasoavany dia
hanalefaka ny fo, hanadio sy hamotsy ny ao anaty, ka fahaizamitondra sy fahaiza-miaina avy any
an-danitra no homeny antsika.
Nefa mbola misy heviny lalindalina kokoa ao amin'izany lalàna volamena izany. Na iza na
iza no efa natao ho mpitahiry ny fahasoavana tsy hita lany e0 amin'Andriamanitra, dia antsoina
hizara amin'ireo tsy mahalala sy amin'ireo ao amin 'ny maizina, fa raha mba izy no teo amin'ny
toeran'ireo, dia ho toy izany no tiany ho natao taminy. Hoy ny Apöstôly Paoly: «Ananan'ny
Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho» Rörn. 1:14. Noho izay
rehetra fantatrao ny amin 'ny fitiavan' Andriamanitra, noho izay rehetra noraisinao avy amin'ny
haren'ny fahasoavany, dia manan-trosa amin'ny fanahy ao anatin'ny haizina mikitroka indrindra
sy feno faharatsiana indrindra ianao, ka tokony hizara izany fanomezana izany aminy.
Dia toy izany koa ny arnin'ny fanornezana sy ny fitahiana amin'ity fiainana ity: na inona na
inona no mety hanananao mihoatra noho ny an'ny namanao, dia arakaraka izany no mahatonga
«Fa ety ny vavahady; ary tery ny ZàZana izay mankany amin'ny fiainana - Mat. 7:14.
Tamin'ny andron'i Kristy dia nipetraka teny arnin'ny tanàna mimanda ny mponina tany
Palestinina, ary saika mandrakariva dia teny an-kavoana na teny an-tendrombohitra no nisy ireny
tanàna ireny. Ny vavahady dia nakatona rehefa nilentika ny masoandro, ary lalana mideza sy be
vato no niakarana teny; koa rehefa ho hariva ny andro dia tsy maintsy nanafaingana ny diany ny
rnpandeha nody ho any an-tanànany.
Ny rnpivahiny tratra hariva tsy mandany fotoana miherika amin'ny zava-mandrebireby eny
an-dalana fa manafaingana ny diany mba ho tody ao an-tanàna mialoha ny filentehan'ny
masoandro,. Mifantoka arriin'ny tanjona tokana ny sainy manontolo, dia ny hiditra ny vavahady.
Fahatapahan-kevitra toy izany, hoy i Jesôsy, no takina eo amin'ny fiainana kristianina. Efa
nasehoko anareo ny toetra be voninahitra, izay araka ny voninahitry ny fanjakako. Tsy
mampanantena fahafana eto antany izany; kanefa mendrika ny hanompanana_reo ny fanirianareo
sy ny ezakareo rehetra. Tsy miantso anareo hiady mba hahazo fanjakana lehibe eto amin'izao
tontolo izao Aho, kanefa aoka ianareo tsy hihevitra fa tsy misy ady hatrehina na fandresena ho
azo. Mitaona anareo aho, miezaha, milofosa mafy, mba hidiranareo ao amin 'ilay fanjakako izay
fanjakana ara-panahy.
Ady sy dia lavitra ny fiainana kristianina . Kanefa ny fandresena dia tsy ho azo amin'ny
alalan'ny herin 'olombelona. Ny fo no toerana isehoan'ny ady . Ny ady izay tsy maintsy
atrehintsika — ilay ady lehibe indrindra ho an'ny olombelona — dia ny fampileferana ny izaho
e0 ambanin'ny sitrapon'Andriamanitra, ny faneken'ny fo ny maha-ambony indrindra ny fitiavana.
Tsy afa-mandova ny fanjakan'Andriamanitra ilay toetra taloha, nateraky ny nofo aman-dra sy ny
sitrapon'ny nofo. Tsy maintsy afoy ny fironana nolovaina sy ny fahazarana teo aloha.
Izay tapa-kevitra ny hiditra amin'ilay fanjakana ara-panahy dia hahita fa mitodika hamely
azy ny hery rehetran'ny filàna izay an 'ilay toetra tsy nateraka indray, miampy ireo herin'ny
fanjakan'ny maizina. Hitsangana hanohitra izay rehetra maneho ny maha-fahotana azy ny
fitiavan-tena sy ny avonavona. Tsy vitantsika, amin 'ny herin'ny tenantika, ny mandresy ireo
faniriandratsy sy fahazaran-dratsy izay mitady hanjaka ao am-pontsika. Tsy vitantsika ny
mandresy ilay fahavalo mahery izay mihazona antsika ao ambanin'ny vahohony. Andriamanitra
irery no afaka manome antsika ny fandresena. Iriny isika hanana fifehezana ny tenantsika sy ny
sitrapontsika a.ry ny lalantsika. Kanefa tsy afarniasa ao anatintsika Izy raha tsy manaiky izany sy
miara-miasa aminy isika. Miasa amin'ny alalan'ireo fahafaha-manao sy hery nomena ny
olombelona ny Fanahin'ny Tompo. Ilain' Andriamanitra mba hiara-hiasa aminy ny herintsika.
(...) Tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin vatolampy» - Mat. 7:25.
Voatsindrona tam-pony ny olona noho ny tenin'i Kristy. Nanintona azy irco ny fahatsarana
avy any an-danitra nananan' ny foto-kevitry ny fahamarinana; ary nipaka tao am-pony ny
farnpitandremana miezinezina nataon'i Kristy satria feon'llay Andriamanitra mikatsaka ny fo.
Nahatratra ny fototr'ireo hevitra sy finoana nahazatra azy ireo hatrizay ny teniny; nitaky ny
fiovan'ny fahazarany sy ny fomba fisainany ary ny fanaony rehetra ny fankatoavana ny
fampianarany. Nitarika fifandonana teo amin'izy ireo sy ireo mpampianatra ara-pivavahana teo
aminy izany; satria nitaky ny fandavana ny rafitra manontolo izay nianteheran'ireo raby izany.
Noho izany, na dia nanaiky ny teniny aza ny fon'ny olona, dia vitsy ireo vonona ny hanaiky azy
ireo ho mpitarika teo amin'ny fiainany.
Fanoharana izay mampiseho mazava tsar-a ny hanatanterahana ny teny izay nolazainy no
nentin'i Jesôsy namarana ny fampianarany teo an-tendrombohitra. Tarnin'ireo vahoaka nifanety
teo arnin'ny Mpamonjy, dia nisy maro no mponina teo amoron'ny Ranomasina Galilia. Koa raha
nipetraka teo amin'ny havoana izy ireo, sy nihaino ny tenin'i Kristy, dia nahita lohasaha sy hady
izay nidinan'ny rano avy eny an-tendrombohitra ho any arnin'ny ranornasina. Amin'ny andro
mafana, dia saika tsy misy hita mihitsy ireny sakeli-drano ireny, fa ny sisa eny dia tatatra maina
sy feno vovoka. Fa rehefa mifofofofo eny amin'ny havoana kosa ny tafio-drivotry ny ririnina, dia
tonga rnahery ny rano, misafoaka ny riaka, manenika ny lohasaha, ary mipaoka ny zavatra
rehetra arnin'izany rano manafotra sy tsy azo tohaina izany. Koa mandrakariva, ireo trano
naorin'ny tambanivohitra ery amin'ny tany lemaka be ahitra, izay toa ohatra ny tsy mety ho tratry ny loza,
no voafaoka koa. Fa ery ambony ery kosa, ery antampon'ny havoana, dia misy trano izay naorina
teo ambonin'ny vatolampy. Teo amin'ny toerana sasany amin'izany faritany izany dia misy trano
vita manontolo tamin'ny vato, ary maro tarnin'ireny no naharitra ny ranonoram-baratra nandritra
ny arivo taona. Tarnin'ny asa mafy sy fahasahiranana no nanorenana an'ireny tra.no ireny. T sy
mora ny miakatra eny, ary ny fonenana eny dia tsy mahatarnana toy ny eny amin'ny tany lemaka
be ahitra. Nefa niorina teo ambonin'ny vatolampy ireny trano ireny; ka vizana foana ny rivotra,
sy ny riaka ary ny tafiodrivotra nidona teo arniny.
Izay mandray ny teny nolazaiko taminareo, hoy i Jesôsy, ka manao izany ho fototry ny
toetrany sy ny fiainany, dia tahaka ny olona nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.
Zato taona maro taloha no era nanoratan'ny mpaminany Isaià hoe: «Ny tenin'Andriarnanitsika
dia haharitra mandrakizay» - Isa. 40:8; ary i Peter-a taty aoriana clan 'ny toriteny teo an-
tendrombohitra, raha nampiasa io tenin'i Isaià io dia nanampy hoe: «Ary izany no tenin 'ny
Filazantsara izay notorina tarn.inareo» - 1 Pet. 1•.25. Ny Tenin 'Andriamanitra ihany no hany
zavatra maharitra fantatra eto amin'ity tanintsika ity. Izy no fanorenana azo antoka. "Ny lanitra
sy ny tany ho levona», hoy i Jehôvah, erfa ny teniko tsy mba ho levona» - Mat. 24:35.
Ny foto-kevitra lehiben'ny lalàna, ny tena toetran 'Andriamanitra, dia voafono ao amin 'ireo
tenin'i Kristy teo an-tendrornbohitra. Na iza na iza manorina eo ambonin'ireo, dia manor-ina eo
ambonin'i Kristy nay Vatolarnpy Fahagola. Raha mandray ny Teny isika, dia mandray an 'i
Kristy. Ary izay mandray ny Teniny toy izany ihany no manorina eo amboniny. "Fa tsy misy
mahay fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy» - 1 Kör. 3:1 1. «Tsy misy anarana
hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena» - Asa. 4:12. I Kristy,
SASIN-TENY ................................................................................................................................................... 4
«Dia nitoa-bava rzy ka nampianatra azy hoe: Sambatra ny malaheto ampanahy; fa azy ny 'ny
Zanitra» - Mat.5:2,3 .................................................................................................................................. 8
«Sambatra ny mpampihavana; fa izy no atao hoe zanak' Andriamanitra» - Mat. 5:9. ................... 17
"Sambatra izay eniehina noho ny fahamarinana; fa azy ny farvakan'ny lanitra» - Mat. 5:10 ....... 18
«Na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin 'ireo didy madinika indrindra ireo ka
mampianatra ny otona toy izany, dia hatao hoe kety indrindra amin 'ny fanjakan'ny Zanitra
izy» - Mat. 5:19. ....................................................................................................................................... 28
«Raha tsy mihoatra noho ny an 'ny mpanora-datàn sy ny Far-iseo ny fahamarinanareo, dia tsy
hiditra amin'ny fanJakan'ny Zanitra mihitsy hianareo» - Mat. 5:20. ............................................... 28
77
zay rehetra tezitra foana amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana -
Mat. 5:22. ................................................................................................................................................. 29
“lzay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa niJangaJanga taminy tam-pony sahady» - Mat.
5:28............................................................................................................................................................ 31
Raha ny tànanao ankavanana no manqfintohina anao, dia tapaho izy, ka ario ho afaka aminao»
- Mat. 5:30. ............................................................................................................................................... 32
"Aza manohitra izay rnanisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny
takoZakao ankavanana, atoZory azy koa ny anankiray» - Mat. 5:39. .............................................. 36
«Koa amin 'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-
danitra» - Mat. 5:48. ............................................................................................................................... 39
Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo eo imason'ny olona hahitany izany -
Mat. 6:1. ................................................................................................................................................... 41
«Ary raha mivavaka hianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy Mat. 6:5. .................... 43
"Ary raha mivavaka hianareo, aza mba manao teny maro foana tahaka ny Jentilisa -
Mat. 6:7. ................................................................................................................................................... 44
«Ary raha mifady hanina hianareo, a.za mety ho tahaka ny mpihatsaraveZatsihy - Mat.
6:16............................................................................................................................................................ 44
(...) Raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra - Mat. 6:22. ................... 46
«Tsy misy otona mahay manompo tompo roa - Mat. 6:24. ................................................................ 48
(...) Aza manahy ny amin'ny ampitso hianareo Ampy ho an 'ny andro ny ratsy miseho ao
aminy» - Mat. 6:34. ................................................................................................................................. 51
78
TOKO FAHADIMY ...................................................................................................................................... 53
"Koa amin '{zany mivavaha toy izao hianareo - Mat. 6:9. ........................................................ 53
Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra» - Mat. 6:10. ...................... 56
«Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay» - Mat. 6:11. ............................................................... 57
«Ary marnetà ny hetokay; fa izahay koa mameZa izay rehetra meZoka aminay - Lio.
11:4............................................................................................................................................................ 58
«Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay arnin'ny ratsy» - Mat.
6:13............................................................................................................................................................ 60
"Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana
hianareo» - Mat. 7:7. ............................................................................................................................... 66
«Koa amin’izany inona na {nona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy arniny
kosa tahaka izany - Mat. 7:12. ............................................................................................................... 68
«Fa ety ny vavahady; ary tery ny ZàZana izay mankany amin'ny fiainana - Mat. 7:14. ...... 69
«Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky rty mpaminany sandoka - Mat. 7:15. ............ 73
(...) Tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin vatolampy» - Mat. 7:25. ................................ 74
79