You are on page 1of 120

NY ASA

FANOMPOANA
FIPIKRI

Izay rehetra momba ahy


asetry izay rehetra momba an’Andriamantra

1 - FIPIKRI
FIPIKRI -2
TENY FANOLORANA

Ry hava-malala,

Faly izahay manolotra anao ity tari-dalana ity


ho fanamafisana orina ny finoantsika amin’ny maha-
mpitantana fananana antsika miaraka amin’i Kristy
ka ho hita taratra eo min’ny fiainantsika sy eo amin’ny
Fiangonantsika izany foto-pinoana izany.

Ny fitantanam-pananana kristianina dia


anisan’ireo fototra lehibe iankinan’ny fifandraisantsika
amin’Andriamanitra. Anisan’ny hevi-dehibe mafonja
ao anatin’ny Baiboly iray manontolo ny fitantanam-
pananana kristianina izay lazaintaika koa hoe
FItantanam-PIainana Kristianina. Isaky ny takila iray
ao amin’ny Baiboly dia ahitana izany lohahevitra
izany. Ny fanekena an’i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy
no ivon’ny resaka rehetra manodidina ny Fitantanam-
pananana Kristianina: izany hoe ny fanekena an’i
Kristy ho Mpamorona izao zavatra hary rehetra izao
sy ny fanekena Azy ho Ilay hany tokana Mpamonjy ny
fiainansika manontolo.

3 - FIPIKRI
Ny faniriako dia ny mba handalinan’ny mpino
rehetra io lohahevitra lehibe io lalin-dalina kokoa sy ny
hampiharana izany eo amin’ny fiainana andavanandro
ka ho tonga mpitantana mahatoky ireo haren’ny lanitra
rehetra eto an-tany isika sy mbola ho mpitantana ny
haren’Andriamanitra any an-danitra. Tsy mitsahatra
eto amin’ity fiainana eto an-tany ity mantsy ny foto-
kevitry ny fitantanam-pananana Kristianina fa mipaka
hatramin’ilay fiainana ho avy mandrakizay.

Miangavy ireo mpitantana asa eo anivon’ny


fiangonana rehetra izahay mba hampihatra tsy misy
fihambahambana ireo toro marika rehetra voalaza ato
amin’ity tari-dalana ity mba hahitantsika fahombiazana
eo anivon’ny fiangonana sy eo anivon’ny tokantrano
tsirairay avy.

Ho tonga tsy ho ela anie Ilay Tompontsika sy


Mpanjakan- tsika ka hanome antsika rehetra mpitantana
mahatoky ilay satro- boninahitra amin’ny maha-mpiara-
manjaka sy mpiara-mitantana izao voary rehetra izao
antsika amin’i Kristy. Aza hadinoina fa mpitantana ny
haren’Andriamanitra rehetra ianao!

Pasitora HERINIRINA Jasmin


Filohan’ny Fivondronamben’ny
Federasiona Ranomasimbe Indianina.

FIPIKRI -4
5 - FIPIKRI
Ry mpiara-miasa malala,

Isaorana Andriamanitra noho ny


nahafahantsika namolavola ity tari-dalana ity
mba hananantsika fitaovana iaingana. Izao koa
no natao dia ny hisian’ ny fitoviana eo amin’ny
fampianarana sy ny fanao eo anivon’ny fiangonan-
tsika. Ho fanampin’izay voarakitra anatin’izao tari-
dalana izao dia hanampy anao ny fandalinana ny
foto-pinoana faha-21 ao amin’ny fotom-pinoan’
ny Fiangonana Advantsista Mitandrina ny Andro
Fahafito izay manoritsoritra ny foto-kevitry ny
fitantanam-piainana kristianina.

Dia mirary fahombiazana ho anao eo ambany


fitarihan’i Jesôsy Kristy.

Pasitora RAFIDINJANAHARY Pierrot


Departemanta FI.PI.KRI
Fivondronamben’ny Federasiona Ranomasimbe Indianina.

FIPIKRI -6
7 - FIPIKRI
TOKO 1

FAMPIDIRANA

A
ndriamanitra dia FITIAVANA.
Tsy noho ny hoe ny namoronana
ny olombelona ihany fa
indrindra ny nanaovany antsika
hitovy endrika Aminy. Manaraka
izany ny nanomezany andraikitra ny
olona ho mpiara- mitantana Aminy
ny zavatra rehetra noforoniny: “Ary
Jehovah Andriamanitra nitondra
an-dralehilahy ka namponina azy
tao amin’ny saha Edena hiasa sy
hitandrina azy.” – Gen. 2:15. Ny
fahatelo dia ny nanavotany antsika
indray rehefa nania tahaka ny ondry
isika rehetra. Ary mbola nitokisany
ihany ka napetrany eo amin’ny
toeran’ny mpiara-mitantana sy
mpiara-miombona antoka Aminy
hatrany. Ny fahefatra dia ilay fara
tampon’ny fanantenantsika, ny
fiaviany indray ka izay hitoerany no
hitoerantsika koa, ka hotolorany ilay
satro-boninahiny. Amin’izay fotoana
izay dia handre feo ny voaavotra
rehetra manao hoe: “Tsara izany ry
mpanompo tsara sady mahatoky,
nahatoky tamin’ny kely ianao ka

FIPIKRI -8
hotendrena ho mpanapaka ny be.”
Mialoha ny handrenesana izany feo
izany anefa dia nanafatrafatra Izy
hoe: “Ary raha izany, dia fantatrareo
fa ny mpitandrina fananana dia
tokony ho olona mahatoky.” – 1 Kôr.
4:2.
Ny vola sy ny fotoana
no velarana lehibe indrindra
amin’izay navelan’Andriamanitra
hotantanantsika. Koa izany
indrindra no mahatonga Azy hitaky
ny ampahany amin’ ireo mba
hahatsiarovantsika fa Azy izany ary
ho fanehoana ny fiankohofantsika
Aminy ary fanekentsika fa Izy
no Mpahary izao rehetra izao.
Fanampiny, ho fanampiana
ny olona hahay hitantana ireo
dia ninian’Andriamanitra ny
hamerenana Aminy ny ampahany
amin’izany. Amin’ny fananana dia
masina ka tsy azontsika kitihina ny
iray ampahafolony. Amin’ny andro
fito kosa dia masina ka tsy azontsika
kitihina ny iray ampahafitony fa Azy,
dia ny Sabata izany. Lohahevitra
roa lehibe ao anatin’ny fanekena
nataon’Andriamanitra tamin’ny
vahoakany teo an-tendrombohitra
Sinay ireo ary mbola mahatakatra
antsika vahoakany aty amin’ny
andro farany.
Araka ny anarana entiny dia mahafaoka ny
lafim-piainana manontolon’ny mambra tsirairay
sy ny fiangonana ny FIPIKRI (Fitantanam-Piainana
Kristianina). Raha ny marina dia azo fintinina amin’ireto
singa efatra ireto ny zavatra tantanan’ny olona:

9 - FIPIKRI
- Tempoly izay atao hoe ny “Tena”.
- Talenta na ny Fanomezam-pahasoavana.
- Tombonandro na ny Fotoana.
- Tahiry na Fananana.
Samy fanomezana sarobidy natolotr’
Andriamanitra izy ireo ka ilàna
fitandremana fatratra ny fitantanana
azy. Tsy misy azo hamaivanina.
Mitaratra ny fiarahan’ny olona
mandeha amin’Andriamanitra ny
fitantanany ireo fananana ireo.
Ny fahitana anefa fa miresaka betsaka mikasika
ny fitantanana vola na fananana ara-materialy ny Soratra
Masina dia mahatonga ity tari-dalana ity hifantoka
amin’izany aloha. Ny roa ampahatelon’ny fampianaran’i
Jesôsy dia saika miresaka vola na fananana ara-
materialy avokoa. Andalan-tSoratra Masina 2350 eo
ho eo no miresaka vola na fananana ara-materialy. Avo
telo heny noho ny filazana ny fitiavana, avo efatra heny
noho ny filazana ny finoana, avo dimy heny noho ny
filazana foto-pinoana ary avo fito heny noho ny vavaka.
Koa azo antoka izany fa matoa manindry mafy mikasika
io lohahevitra io Andriamanitra dia tena ilaintsika
ny handray am-po sy hihevitra izany amin’ny fomba
manokana. Mifamatotra tanteraka ny resaka fananana
sy ny fiainana ara-panahy ka nahatonga an’i Jesôsy
niteny hoe: “Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa
ny fonao”. – Mat. 6:21. Ny fanolorana ny fo dia midika
ho fanolorana izay ananana koa: “Anaka, atolory ahy ny
fonao...” – Ohab. 23:26.
Noho izany dia samy hanao izay tsara indrindra ny
tompon’andraikitra isan’ambaratonga mba ho tafita any
amin’ny fiangonantsika ny tanjona dia ny hahatonga ny
tsirairay avy ho mpianatra mahatoky miara-miombona

FIPIKRI - 10
antoka amin’Andriamanitra eo am-pamitana ny iraka
farany ary samy hanome voninahitra Azy amin’ny
fitantanana ny fiainany avy, na ny tsirairay izany na ny
fiangonana amin’ny maha-tenan’i Kristy azy.

HEVITRY NY SARY FAMANTARANA

Aseho eto ireo satroka roa nanaovan’i Jesôsy.


Ny satro-tsilo dia mampahatsiahy fa Mpanavotra
antsika Izy. Ny satro-boninahi-pandresena (satroky
ny mpanjaka) kosa dia mitaratra ny maha-Tompon’ny
lanitra sy ny tany Azy. Tamin’ny alalan’ny fijaliany no
ahitantsika famonjena, ary amin’ny alalan’ny fandreseny
no ahitantsika ny lalana mitondra ho amin’ny satro-
boninahi-pandresena izay miandry antsika any an-
danitra. Mivelona eo anelanelan’ny toe-javatra roa
lehibe momba ny fiainan’i Jesôsy isika amin’ny
maha-kristianina: ny hazo fijaliana sy ny fiverenany
fanindroany. Naka ny toerantsika Izy teo an-kazo fijaliana
ary maka ny toerany kosa isika amin’ny fiverenany izay
hanomezam-boninahitra antsika; lasa zanaka mpiara-
mandova, mandray ilay satro-boninahitra. Ny hazo
fijaliana dia mitaona antsika hanolo-tena ho Azy amin’ny
fo feno fankasitrahana . Ny maha-Mpanjaka Azy kosa
izay manindry ny maha-tompony ny zavatra rehetra,
dia mitaona antsika hilefitra tanteraka eo Aminy. Satro-
tsilo aloha vao satro-boninahitra. Ny FIPIKRI dia tsy
inona fa izay tokony hasetrintsika an’i Jesôsy noho izay
efa nataony sy mbola ampanantenainy fa hataony ho
antsika. Ny FIPIKRI mantsy dia ny rehetra momba ahy

11 - FIPIKRI
asetry izay rehetra momba an’Andriamanitra. Amin’ny
teny fohy, ny sary famantarana dia azo fintinina hoe:
“Tompoko sy Mpanavotra ahy i Jesôsy.”

FAMARITANA NY FI.PI.KRI
Ny FIPIKRI dia fomba fiainan’ireo izay manaiky
ny maha-Tompo an’i KRISTY. Mizotra amin’ny fiaraha-
miombona antoka amin’Andriamanitra, mitondra tena
tahaka ny solontenany eo amin’ny fitantanana ny
raharahany eto an-tany

FOTO-KEVI-DEHIBE
Fanaovana ny olona ho mpianatra no foto-kevi-
dehiben’ny FIPIKRI. Izany dia famolavolana ny fiainan’ny
olona iray novonjena ho tonga mpiara-miombona
antoka amin’Andriamanitra amin’ny famonjena ny
hafa koa. Manomboka eo amin’ny fahazoana antoka
ny famonjena amin’ny fanekena ny filazantsara izany,
ary avy eo mampiditra an’i Kristy ho Tompo eo amin’ny
lafim-piainana andavanandro rehetra. Ny mpianatra
dia olona iray miara-mandeha sy mianatra ary miaina
amim-pileferana eo anatrehan’ny mpampianatra
mba ho tonga tahaka io mpampianatra io. Fomba
fiainan’ny olona izay manana firaisana velona amin’i
Jesôsy izany, manaiky Azy ho Tompo, miara-mandeha
amin’Andriamanitra tahaka an’i Enôka, miasa toy ny
olona iray miara-tompon’ny asa Aminy. Fiainana feno
fahafoizan-tena ny fiainan’Ilay Mpampianatra Lehibe ka
ho tonga toa Azy avokoa ny mpianany.

FIPIKRI - 12
FILOZOFIA
Araka ny fitsipika mifehy ny fitantananasa
maneran-tanin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina
ny Andro Fahafito dia toy izao no filôzôfia:
Ny FIPIKRI dia nanomboka teo amin’ny
namoronan’Andriamanitra an’i Adama sy Eva araka
ny endriny. Noho ny fifampikasohana mivantana nisy,
dia nampisy fifandraisana sy firaisana ety tamin’ny
olombelona sy Izy Andriamanitra, izay tsy maintsy
fahanana amin’ny alalan’ny fotoana iarahana akaiky.
Io endrika iombonana sy fifanakekezana
iombonana io dia fototra iorenan’ny fahazoana ny toe-
tsaina sy ny fizotry ny FIPIKRI izay ampianarina ao
amin’ny Baiboly. Nanao an’i Adama sy EVA mpifehy ny
tany Andriamanitra (Gen.1:26-28). Noho io fihetsika
io dia nataon’Andrimanitra ho mpiara-miombona
antoka Taminy tamin’ny famoronana izy ireo, amin’ny
fametrahana amin’izy ireo izao tontolo izao manontolo ary
amin’ny fizaràna amin’izy ireo ny fitondrany. Tao Edena no
nahatonga ny olona voalohany indrindra ho mpitantana
sy nanao ny asa maha-solontenan’Andriamanitra
eto an-tany. Amin’izay lafiny izay, Andriamantra
dia nanangana ny fifandraisana mifampiankina.
Ny hevitra mahatahotra hoe miantehitra amin’ny
olona Andriamanitra dia tena zava-dehibe amin’ny
fanekena ny fiankinan-dohantsika feno Aminy. Rehefa
tafagorobaka teto amin’izao tontolo izao ny fahotana,
dia nanapaka sy nanimba ny famoronan’Andriamanitra
ary nampisaraka ny olona tamin’Andriamanitra.
Tapaka ny firaisana tamin’Andriamanitra, voaova
ilay endrik’Andriamanitra, nafoy ilay fitondrana
niombonana ary tonga sehatry ny ota ny tanintsika.
Ao amin’i Jesôsy Kristy dia novelomin’Andiramanitra
indray io firaisan’ny Andriamanitra-olona io ary koa
nanorina indray ny fanjakany teto an-tany.Toy izany
indrindra, ny filazantsara dia mitondra fampihavanana

13 - FIPIKRI
amin’Andriamanitra sy ny olona. Nanjary Adama faharoa
i Kristy ary nahazo indray ny fitantanana izay verin’ny
olombelona. Ankehitriny, ny FIPIKRI dia manomboka
eo amin’ny fanekena ny fahambonian’Andriamanitra
amin’ny maha-Mpamorona sy Mpanavotra ary
Mpanohana sy Tompon’ny zavatra rehetra Azy. Tonga
nanam-pitoviana amin’ny olona tamin’ny fahafenoany i
Kristy tamin’ny fahatongavany ho nofo. Tonga nofo ao
amin’i Kristy, Ilay Andriamanitra olona, ilay firaisana
ety tamin’Andriamanitra sy ny olona. Mandrafitra
ny fototry ny firaisana nohavaozina ny fiainany sy
ny fahafatesany. Noho ny asa fanompoan’ny Fanahy
Masina, ny fanatrehana velon’i Jesôsy dia mamelona
indray ny zava-misin’ny fifanakekezana iombonana eo
amin’Andriamanitra sy ny olona.
Amin’ny maha-mpitantana fakan-tahaka dia
nasehon’i Kristy ny fomba fiainan’ny olona iray izay
tafakambana amin’Andriamanitra. Mametraka ny
olombelona eo amin’ny seza fiandrianany Izy (Efes. 2:6)
amin’ny alalan’ny asa fanompoana ataony an-danitra ary
manavao ilay fiaraha-miombon’antoky ny olombelona
amin’Andriamanitra. Ao anatin’io fiaraha-miombona
antoka io, ny olona dia manao ny asan’ny mpitantana
eo ambany fahefan’Andriamanitra. Manarina ny
mpino Andriamanitra, izay ahafahany miaina ao
amin’ny fiandrianan’ny fiainany manokana ka mba
hampipetrahany azy io kosa eo amin’ny seza fiandrianany
miaraka Aminy. Azon’ny mpitantan’Andriamanitra
ampiasaina ny herin’ny lanitra rehetra mba hanampy
azy ireo amin’ny fiainany andavanandro. Ny mamerina
indray ny endrik’Andriamanitra ao amin’ny olombelona
dia anisan’ny zotry ny dingan’ ny fanavotana. Na dia
tsy mbola tanteraka mialoha ny fiaviana fanindroany
aza izany dia manomboka eto an-tany io dingana io.
Mitondra ilay fanatrehana nampanantenain’i Kristy ao
amin’ny fiainan’ny mpino ny Fanahy Masina (Jao. 14:16-
20) ary manomboka famoronana vaovao (2 Kôr. 5:17). Ny
olombelona feno ota, novonjena noho ny fahasoavana,

FIPIKRI - 14
dia manana indray ilay endrik’Andriamanitra (2 Pet.
1:4). Noho ny herin’Ilay Kristy velona, ny mpino izay
manaiky ilay fanomezana dia tafakambana tanteraka
indray amin’Andriamanitra.
Koa satria efa nampitoerin’Andriamanitra
miaraka amin’i Kristy any an-danitra ny mpino dia
lasa miankin-doha tanteraka Aminy eo amin’ny lafim-
piainany rehetra. Ary mbola miankin-doha amin’ny
olombelona koa Andriamanitra. Nisafidy ny hiankin-doha
amin’ireo mpino Azy Izy ho fara tampon’ny fanehoana
ny heriny sy ny toetrany amin’izao tontolo izao. Matoky
ny olombelona miara-miombona antoka tanteraka
ao anatin’ny firaisana Aminy Izy. Io fifampiankinan-
doha nohavaozina amin’ny mpino sy Andriamanitra io
dia manolotra môdelin’ny fifandraisana amin’ny samy
olona. Ny fitambaramben’ny fiangonana amin’ny maha-
tenan’i Kristy azy, izay Izy no Lohany, dia mitaratra
ny fara tampon’ny fetran’ny fiaraha-miombona antoka
sy/na ny FIPIKRI. Ny faritra tsirairay avy eo amin’ny
tena, amin’ny maha-isam-batan’olona na amin’ny
maha-vondrona, dia mitombo sy mihamatotra amin’ny
alalan’ny fifampiankinan-doha. Mifampiankin-doha
amin’Andriamanitra, ary mifampiankin-doha koa ny
samy rantsana eo amin’ny Tenany. Voalohany aloha,
ny tsirairay na ny andiana vondrona koa aza dia tena
miantehitra tanteraka amin’ny faritra sisa amin’ny
Tena. Misy hery azo miaraka amin’ny fitomboana sy
fahamatorana mandra-pahatongan’ny tsirairay na
ny vondrona miaraka hitondra fanohanana ho an’ny
vatana rahetra amin’ny maha-iray azy. Ny FIPIKRI dia
fanompoana manana ny lanjany amin’ny fampirisihana
io fitomboana ao anatin’ny fifampiankinana io.
Amin’ny alalan’ny dia izorana amin’ny maha-
mpianatra, ny mpitantana dia miaiky ny maha-Tompo
an’Andriamanitra ary manolotra ny momba ny fiainany
rehetra eo Aminy. Eo ambany fitarihan’ny Fanahy Msina
no misy ny fanaovana ho mpianatra rehefa mamorona
indray ny mpino araka ny endrik’Andriamanitra Izy. Ny

15 - FIPIKRI
fitantanam-piainana matoky izany dia fomba fiainan’ny
kristianina ary vokatra mahafalin’ny fifandraisan’ny
tena manokana, feno toky, ao amin’i Jesosy.
Anisan’ny manahirana eo amin’ny fiitantanam-
piainana ny resaka fotoana sy vola satria ireo no
anisan’ny lafim-piainana roa kirakiraina indrindra.
Mitaratra haingana sady miantraika amin’ny fianiana
ara-panahin’ny tena ny fitantanana ireo lafiny roa
ireo. Namorona ny Sabata Andriamanitra ho fihetsika
manome haja ny herinandro famoronana. Nangataka
ny olona Izy hitsahatra sy hiankohoka Aminy mialoha
ny hanaovana zavatra hafa, ho marika fa manaiky
ny maha-Mpamorona sady Mpandidy manapaka
Azy ny olombelona. Nanorina ny rafitra mikasika ny
ampahafolony sy ny fanatitra ho amin’izay tanjona izay
koa Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny ampahafolony dia
miankohoka amin’Andriamanitra isika ary miaiky Azy ho
Tompontsika. Manaiky isika fa ny momba antsika sy izay
ananantsika dia Azy avokoa. Mangataka Andriamanitra
ny hanomezana Azy ny ampahany voalohany amin’ny
fotoana sy ny ampahany voalohany amin’ny fananana
ara-materialy ho marika fa manaiky ilay fifandraisam-
panekena amin’Andriamanitra ilay mpino. Manasa ny
tsirairay Andiramanitra hivelona ny ambim-piainany
amin’ny fiaraha-miombona antoka Aminy.
Koa ny FIPIRKI izany dia mahafaoka ny fiainana
manontolon’ny tsirairay sy ny an’ny fiangonana.
Izy (FIPIKRI) no mamatsy ny fanorenana sy antony
manosika ho amin’ny asa fanompoana sy ny fijoroana ho
vavolombelona. Mamolavola ny laharam-pahamehana
sy ny zavatra ifantohana ny fiainana miara-miombona
antoka amin’Andriamanitra. Rehefa mitombo amin’io
fiaraha-miombona antoka io ny mpino dia mitarika azy
ny Fanahy Masina mba hitondra fanohanana ara-bola
ny fiangoanana amin’ny maha-Tenan’i Kristy azy.

FIPIKRI - 16
Ny iraka tanterahin’ny Asa fanompoan’ny
FIPIKRI dia ny fanindriana ny maha-Tompo an’i Jesôsy
Kristy, hampitombo ny fandraisana ny filazantsara
eo amin’ny fomba fiaina kristianina, handrisika ny
fitantanam-piainana mahatoky, ary hanamora ny
fiaraha-miombona antoka amin’Andriamanitra eo
amin’ny isam-batan’olona, mpitarika, ary ny lafiny
fitantanana manontolo.

IREO FOTOTRA ARA-BAIBOLIN’NY FIPIKRI


Ny FIPIKRI dia manana fototra maromaro efa voafaritra
mialoha. Indreto ny sasantsasany amin’izany:
1. Andriamanitra dia miditra manokana amin’ny fiainan’ny
vahoakany, isam-batan’olona sy ny daholobe miaraka.
Ny Soratra Masina dia tantaran’Andriamanitra
mifandray amin’ny vahoakany.
2. Andriamanitra no mifehy ny zava-drehetra. Izy
no mitondra ny fiainan’izao tontolo izao. Tafiditra
mivantana ao amin’ny tantara Izy ary miasa amin’ny
alalan’ ny olona mba hahatanteraka ny sitrapony
(Mat. 13:1-6).
3. Amin’ny maha-Mpamorona sy Mpanafaka Azy dia
Azy ny zavatra rehetra. Amin’ny maha-Tompony Azy
dia miahy sy manome izay ilaintsika rehetra Izy (Sal.
50:7-15; Fil. 4:19)
4. Andriamanitra no mifehy mivantana ny
fiangonana satria Izy no Lohany, kanefa manome
toerana ny fanapahan-kevitr’olombelona. Misy
fifandroritana eo amin’ireo tendro roa ireo: ny
fiandrianan’Andriamanitra sy ny fahafaha-
misafidin’ny olombelona (Efes. 1:22).

17 - FIPIKRI
5. Omen’Andriamanitra izay rehetra ilaina mba hahato
ny sitrapony eo anivon’ny fiangonana amin’ny
fotoana omena azy ireo. (Efes. 4:19)

6. Andriamanitra dia miasa amin’ny fiarahana


miombona antoka amin’ny olombelona mba
hahatanteraka ny sitrapony (Fil. 2:12-13).

7. KRISTY no TOMPON’ny rehetra ary ny maha-Tompo


Azy dia safidy mandeha ho azy. (Mat. 7:21-33; Fil.
2:9-11).

8 . Ny Fanahy Masina no solon - ten a n ’


Andri a m anitra miasa. Izy n o m a m p isy n y
f a na trehana velon’ i K R IST Y eo a m in ’n y
f i a i na n’n y mpino. (Jao. 14:1 6 – 2 2 ).

9. Raisintsika amim-pinoana ny Fanahy Masina (Gal.


3:14).

10. Ao amin’I KRISTY, afaka manao ny zavatra rehetra


izay angatahiny hataontsika isika (Fil. 4:13).

FIPIKRI - 18
TOKO 2
TANJONA SY ASANY

N
y asa fanompoan’ny FIPIKRI dia manaraka
akaiky ny fitantanan-draharaha amin’ny
fanantanterahana ny iraky ny fiangonana
amin’ny alalan’ny fanofanana mpitarika sy
fanabeazana ny mambran’ny fiangonana mikasika ny
foto-kevitry ny FIPIKRI. Ny marina kokoa, ny tanjon’ny
asa fanompoan’ny FIPIKRI dia ny hanampy ho amin’ny
finoana miara-mandeha amin’Andriamanitra eo amin’ny
lafim-piainana rehetra na ny tsirairay io na ny rehetra
miaraka.

Ny asan’ny mpiandraikitra ny asa


fanompoana FIPIKRI dia:

1- Manao ny mambra ho mpianatra. Hoy i


Jesôsy: “Raha maharitra amin’ny teniko
hianareo dia ho mpianatro tokoa.”
«Hanampy ny mambra ho tonga mpianatra no tanjona voalohan’ny
FIPIKRI. Ny hampiditra azy lalina amin’ny fiainan’ny fiangonana
no anisan’ny ampahany amin’izany dingana izany. Atao izay
hahafantarany ny andinindininy mikasika ny fitantanan-draharaha
sy ny fitantanam-bolan’ny fiangonana. Mifamatotra amin’ny aim-
panahiny izany. Ny fampahafantarana azy mikasika ny ara-bolam-
piangonana dia fitaovana iray mahery.” - Ben Maxon

19 - FIPIKRI
Fanaovana mambra: Ny mambra no ivo ifantohan’ny
fiangonana ary izay no antom-pisiany voalohany. Ny
prôgrama, fiankohofana, fisakaizana, fitantanana,
hetsika, sns dia natao hihazonana ny mambra sy
hitomboany. Toy ny milina voahosotra menaka tsara ny
fiangonana.

Fanaovana mpianatra: Andriamanitra sy ny iraka no


ivo ifantohan’ny fiangonana ary izay no antom-pisiany
voalohany. Ny prôgrama, fiankohofana, fisakaizana,
fitantanana, hetsika, sns dia hanabeazana ny mambra
handeha hivoaka hanatona ny manodidina hanao
mpianatra ny hafa. Ny famonjena ny hafa no hanampy
azy hamonjy ny tenany. Toy ny milina mihodina tsara
ny fiangonana.

Ny FI.PI.KRI dia mitady ny fomba hamindrana ny


mambra eo amin’ny toeran’ny mpianatra.

MAMBRA MPIANATRA
1. Te hahazo mofo sy 1. Manjono
hazandrano

2. Tsy te handao ny 2. Mivoaka


fiangonana mba hanompo

3. Manome ampahany 3. Manolotra ny ainy

FIPIKRI - 20
4. Miandry vangina 4. Mandeha ma-
mangy

5. Miandry fifohazana 5. Mitarika amin’ny


fifohazana

6. Mpitsikera, 6. Mpamaha olana


mpametraka olana

7. Manatrika 7. Manao kaonferan-


kaonferansa sa, mitory.
8. Ny fiangonana 8. Ny fiangonana
dia fianakaviana dia andian-tafika

9. Mihazona ny efa azo 9. Mandresy faritra


vaovao

10. Mionona 10. Mitombo

11. Te ho any an-danitra 11. Mitondra olona ho


any an- Danitra

12. Miandrandra ny 14 Manolotra


handray

21 - FIPIKRI
15 Adidy ny fanohanana 15. Tafiditra anaty
ara-bola fitantanana
kristianina

16. Manome 1/10 sy 16 Mamerina 1/10


fanatitra sy fanatitra

17. Teti-bola mitaratra 17 Teti-bola mitaratra


fihazonana ny iraka

18. Fiangonana: toeram- 18 Fiangonana:


pivoriana toeram-piofanana

19. Fiangonana manova 19 Andriamanitra


olona manova olona

20. Mamaky Baiboly 20 Iainany ny Baiboly

Ny ataon’ny Ny ataoko
fiangonana amiko amin’ny
fiangonana

Maro no antsoina Vitsy no fidina

FIPIKRI - 22
2- Manolotra vina ara-Baibolin’ny FIPIKRI
mifototra amin’ny fampidirana ny maha-
Tompo an’i Kristy eo amin’ny lafim-piainana
rehetra.
3- Hiantso ny fiangonana ho amin’ny fanokanana
ny fiainany manontolo, ny enti-manana sy ny
fananany ho eo amin’ny maha-Tompo an’i
Jesôsy Kristy.
4- Mamelabelatra sy manolotra dingana ara-
Baiboly mankamin’ny FIPIKRI ho lasa
zary fomba fiaina ivelomana ao amin’ny
firaisana sy fiaraha-miombona antoka
amin’Andriamanitra.
5- Mampahafantatra ny tena votoatin-kevitry ny
FIPIKRI.
6- Manindry ny tombontsoa iombonana
azo avy amin’ny mpitantana mahatoky:
misy tombontsoan’ilay olona mahatoky
aloha voalohany indrindra mialoha ny
tombontsoan’ny fiangonana.
7- Hanohy ny asa fanabeazana mikasika
ny ampahafolony sy ny fanatitra ary ny
fametrahana ny drafitra fanohanana ara-bola
ampirisihin’ny Fiangonana Advantista. Izany
dia hanampy ny mambra hitombo amin’ny
fahatakarana ny andraikiny eo amin’ny
fitantanana ny fiainam-piangonana amin’ny
maha-Tenan’i Kristy, ny fanohanana ara-bola
azy amin’ny alalan’ny fahalalahan-tanana
mitohitohy, ary ny asan’ny Fanahy Masina
amin’ny fitarihana ny tsirairay sy ny daholobe
hanao fanomezana ara- drafitra.

23 - FIPIKRI
8- Mitady ny fomba hampiharana ireo tari-
dalana fanovozan-kevitra hanatanjahana ny
mambra sy ny mpitarika mba hahafahana
mametraka ny foto-kevitry ny FIPIKRI hatrany
ifotony.
9- Mampirisika ny fahatsapana andraikitra
eo amin’ny fitantanana ny vola sy ny
fahavononana ny hampamoahina, ary koa
ny fahavitan-tena ara-bola na ny tsirairay,
ny fianakaviana, na ny fitambaramben’ny
fiangonana.
10- Manampy ny olona hahatsapa ny
fandajalanjana eo amin’ny fanomezana ara-
drafitra mitohy sy ny fanohanana tetik’asa
manokana izay samy endrika isehoan’ny
rafitra fahalalahan-tanana izay afaka miasa
amim-pirindrana tsara. Koa ampirisihina ny
mpino hanohana amin’ny fomba mitohitohy
ny fiangonana eo an-toerana, ny misiona/
Federasiona/ saha., ary ny iraka maneran-
tany, ary fanampin’izany dia ny fanohanana
tetik’asa manokana araka izay itarihan’ny
Fanahy Masina.
11- Manazava amin’ny fiangonana ny rafitra
maneran-tanin’ny fitantanana ara-bola.
Izany dia manampy ny mambra hahazo
antoka fa manohana ny asa maneran-tany
izy ary zony rahateo ny mahafantatra ny
lalan-kizoran’ny fanomezana ataony.
12- Manentana ny hisian’ny mangarahara
eo amin’ny fitantanana ny raharaham-
piangonana, indrindra fa ny ara-bola, toy ny
fanaovana tatitra ara-bola indray mandeha
isam-bolana eo anatrehan’ny kômity ary
isan-telovolana kosa eo anatrehan’ny
fiangonana mandritra ny fivoriana fiheveran-
draharaha nantsoina ara-dalana.
FIPIKRI - 24
13- Mamantatra ny taham-pahatokian’ny
mambra eo an-toerana.
14- Manentana ny amin’ny toe-tsain’ny
fahalalahan-tanana: mankasitraka sy
mankahery ireo mpanohana mahafatra-
po; mandresy lahatra ireo misalasala sy
manao tsindraindray, ary miara-mivavaka
amin’ireo tsy mbola nanao fanandramana
ka mandrisika azy ireo ho amin’ny fiaraha-
mandeha amin’Andriamanitra.
15- Mandefa tatitra ara-potoana any amin’ireo
ambaratongam-pitondrana.

Ireo rehetra ireo dia afantoka mandrakariva


amin’i Jesôsy amin’ny maha- Mpanavotra sy Tompon’ny
zavatra rehetra Azy. Ampifandraisina koa amin’ilay
iraka lehibe nankinina amin’ny fiangonana izay tsy ho
tratra raha tsy misy ny fidirana an-tsehatry ny mpino
tsirairay avy.

Fanindriana ilaina
Ireto sehatra manaraka ireto no ifantohan’ny
asa fanompoan’ny FIPIKRI eo am-panatanterahana ny
tanjona sy ny iraka:

1- Fanavaozana ara-panahy: fanavaozana


ara-panahy no tsy maintsy mandrafitra
ny fototry ny asa fanompoan’ny FIPIKRI
matanjaka. Satria ny FIPIKRI dia
mahafaoka ny fiainana manontolon’ny

25 - FIPIKRI
olona mitombo amin’ny fiaraha-miombona
antoka amin’Andriamanitra, ny paikady
rehetra dia tsy maintsy miorina amin’ny
fanavaozana ara-panahy. Ny FIPIKRI
dia handrisika sy hanome vahana ireo
fitaovana hanampy amin’ny fitomboana
ara-panahin’ny tsirairay sy ny fiangonana
amin’ny maha-vatan-tenan’i Kristy.
2- Fanavaozana eo amin’ny fomba
fitantanana: Misy akony mivantana eo
amin’ny fitantanam-piainan’ny olona
tsirairay ny fahatokiany ny mpitarika
sy ny rafitry ny fiangonana. Mamorona
tontolo ahafahan’ny tsirairay hitombo
ara-panahy kokoa ny fanomezana
tombambidy ny fanorenana ara-panahy.
3- Fitantanana ny fiainan’ny tena manokana:
tsy maintsy setraina amin’ny fomba
ara-Baiboly ny firohotry ny fanaon’izao
tontolo izao sy ny fanomezan-danja ny
materialy amin’izao vaninandro izao.
Tsy maintsy miditra any amin’ny faritra
rehetra eo amin’ny fiainana ny FIPIKRI.
Noho izany ny fitantanana ny fiainan’ny
tena manokana sy ny fiainana manontolo
dia sehatra izay katsahin’ ny FIPIKRI ny
hanatanjaka azy.
4- Fitantanam-bola kristianina: taratry
ny fiarahan’ny olona mandeha
amin’Andriamanitra ny fampiasany ny
vola. Koa ny foto-kevitry ny fitantanam-
bola ara-Baiboly dia faritra manan-danja
idiran’ny maha-Tompo an’i Kristy eo
amin’io sehatra saro-padin’ny fiainana
io. Ny asa fanompoan’ny FIPIKRI dia
hitrandraka hatrany sy hizara fitaovana

FIPIKRI - 26
hanampy ho an’ity foto-kevitra ara-
Baibolin’ny fitantanam-bola ity.
5- Drafitra fanohanana ara-bola advantista:
ny FIPIKRI dia hanohana akaiky ny
fitantanana amin’ny fanabeazana
mikasika ny ampahafolony sy ny fanatitra
ary amin’ny alalan’ny fampiharana ny
Drafitra fanohanana ara-bola advantista,
anisan’izany ny fanomezana ara-drafitra
an-tsitra-po.
6- Ny famitana ny iraka farany no
vaindohan-draharaha. Nivaro-pananana
ireo mpianatra voalohany mba hamitana
io iraka io. Ireo mpamaky lay advantista
dia naneho fiainana feno fandavan-tena
sy fahafoizana mba hanafainganana
ny fiverenan’i Jesôsy. Ny FIPIKRI dia
mifamatotra amin’ny iraka tanterahin’ny
fiangonana eo an-toerana sy ny fiangonana
maneran-tany.

Fihaikana
 Mitombo ny isan’ny mambra fa tsy mitombo
manaraka izany ny taham-pahatokiana sy ny
rotsa-bola
 Mihena ny Fitokisan’ny mambra ireo mpitarika
sy mpitantana.
 Tsy araka ny tokony ho izy ny ampiasana ny
volan’Andriamanitra.
 Misy ireo Fanodinkodinam-bola sy/na
fahaverezam-bola.

27 - FIPIKRI
 Kely loatra ny fanatitra mitaha amin’ny
ampahafolony.
 Betsaka ny resa-bola fa kely ny fampianarana
mikasika ny fahatokiana.
 Tsy tena sahy miresaka sy manentana mikasika
ny fahatokiana ireo mpitarika na ho an’ireo efa
vita batisa na ho an’ireo vao hatao batisa.
 Tsy voatrandraka ny hery ananan’ny tsirairay
ka tsy mitsaha-mitimbo ireo tsy an’asa sy
mihasahirana.

FIPIKRI - 28
TOKO 3
MANATRATRA NY REHETRA

T
sy ho vitan’olona iray ny tena hampandeha ity
sampana ity ka mila fiaraha-mientan’ny rehetra.
Hampahomby sy hanamaivana ny asa ny
fananganana kômisiona kely.

Fananganana kômisiona
Tsara raha mila hevitra amin’ny talen’ny
departemantan’ny federasiona na misiona rehefa
hanangana ity kômisiona ity.

1- Manampy ny fiangonana avy hatrany hahafantatra


ny vina sy ny tanjona ary ny iraka tanterahin’ny
fiangonana.
2- Mampirisika ny fiangonana handray ny
“Fanambaràna ny Iraka”, manoritsoritra ny tanjona
fototry ny fiangonana eo an-toerana, manombana
izay rehetra azo ampiasaina, mamaritra ny
laharam-pahamehana amin’ny fanatanterahana
ny iraka amin’ny fijery ara-panahy, arak’olona,
ara-bola, mandinika ireo fihaikana atrehin’ny

29 - FIPIKRI
fiangonana, mametraka teti-bolam-piangonana
ary manolotra paikady iombonana arahin’ny
planina fampivelarana. Rehefa mifarana ny
taona, ny kômisiona dia hanombana ny tanjona
sy ny paikady nampiasain’ny fiangonana.

Ireo mpikambana anaty kômisiona sy ny


andraikiny
Io kômisiona io dia hiandraikitra ny fanofanana
sy fanazarana ny mambra ho tonga kristianina
tompon’andraikitra ary mavitrika amin’ny fitantanana
amim-pahatokiana izay nankinin’Andriamanitra taminy.
Manentana ny foto-kevitry ny FIPIKRI io kômisiona io,
ary koa ny fitantanana ny volam-piangonana. Tokony
hivory indray mandeha isan-telovolana raha kely io
kômisiona io.

Ny loholon’ny FIPIKRI na ny loholona voalohany


no tokony ho filohan’io kômisiona io. Tokony ho fantany
na ampahafantarina azy ny foto-kevitra ara-Baibolin’ny
FIPIKRI, toy izany koa ny iraka sy ny lamina. Ny filohan’ny
sampana FIPIKRI kosa no mpitan-tsoratra. Iarahana
amin’ny mpitarika rehetra ao amin’ny fiangonana kosa
ny fanatanterahana ny fampiharana ny fanapahan-
kevitra nivoaka tao amin’ny fivoriana.
Miankina amin’ny haben’ny fiangonana ny isany saingy
tokony ho hita kosa ireto manaraka ireto:

Pasitora

Loholona

Ny filohan-tsampana FIPIKRI

FIPIKRI - 30
Mpitahiry vola

Ny mpitan-tsoratry ny fiangonana

Ny filohan’ny diakona lehilahy

Filohan’ny diakona vehivavy

Sy izay heverina fa ilaina.

Ny kômity na ny vaomiera mpanendry no hanendry


izay ho mpikambana anatin’io kômisiona io. Olona
miray saina ary mahafantatra tsara ny raharaham-
piangonana, ny tanjona sy ny iraka.
Olona manolo-tena.
Vonona ny hanokana ny fotoanany sy ny heriny.
Mpitantana mahatoky
Itokisan’ny fiangonana eo amin’ny fitantanana sy ny
fitondrana.

Torohevitra fanaovana fanofanana


Noho ireo fihaikana atrehina dia tsapa fa
misy adidy goavana iantsorohan’ny mpiandraikitra
ny FIPIKRI. Sahia miresaka: mahaliana ny rehetra ny
resaka vola sy fitantanana. Indreto misy torohevitra
vitsivitsy azo ampiasaina hanatrarana ny mambra
rehetra.

31 - FIPIKRI
Mampandray anjara ny mambra.

A- Zaraina ho vondrona mitsitokotoko ny mambra.


Manendry olona iray ho mpitarika ny dinika.
Manendry olona iray ho mpandray an-tsoratra sy hanao
ny tatitra.
Omena fanontaniana hifanakalozan-kevitra ao anaty
vondrona:
- Mijery ny anton’ny olana.
- Manolotra soso-kevitra na vahaolana.
Mifandimby manao tatitra eny aloha ny mpitan-tsoratry
ny vondrona tsirairay.
Tazonina ny taratasy niraketany ny tatitra.
Manao fandravonana. Farananana amin’ny fiaraha-
mivavaka isaky ny vondrona.
Mitady paikady hanatanterahana ireny soso-kevitra
ireny.
B- Azo atao koa ny mitarika fifanakalozan-kevitra
mivantana:
Toy ilay teo ambony ihany saingy ianao no mitarika
ny fifanakalozan-kevitra ka toy ny vondrona iray ny
fiangonana rehetra. Mila mahay mifehy ny fifanakalozan-
kevitra mba tsy hivaona. Mila mahafehy ny lohahevitra.
Azo atao koa anefa ny manasa ny mpanatrika handray
anjara amin’ny famaliana fanontaniana. Atao ny
famintinana. Mandray fanapahan-kevitra. Entina
amim-bavaka.

FIPIKRI - 32
D- Fomba iray hafa koa ny manao
famelabelaran-kevitra fohy, manazava
lohahevitra iray ka manokana ampaham-potoana
hahafahan’ny olona mametra-panontaniana
ny amin’izay mampisalasala. Asaina mamoaka
fehin-kevitra ny mpanatrika. Manendry olona
terem-panahy hitondra amim-bavaka.
E- Mahery indrindra ny fijoroana ho
vavolombelona: manasa olona vitsivitsy na
maromaro manana fanandramana mikasika ny
fitantanam-pananana kristianina hanao fijoroana
ho vavolombelona. Izy ihany no asaina manao antso.
F- Miditra any amin’ireo sampana isan-
karazany: isaky ny misy famoriana olona
ataon’ny sampana hafa dia mifanaraka amin’ny
tompon’andraikitra mba hahafahana manao
fampianarana tandrify ireo olona voriana
mikasika ny iraka sy ny FIPIKRI.
G- Ny mahomby indrindra dia ny
fifampiresahana mitokana. Ny famangiana ihany
no ahafahana manao izany. Aoka hanangana
tarika mpamangy raha azo atao.

Tarika mpamangy

Manampy betsaka amin’ny fanampiana ny


mambra ho mpitantana mahatoky ny famangiana azy
any an-tranony. Toy ny famangiana pasitôraly kanefa
mifantoka kosa amin’ny tontolon’ny FIPIKRI izay i
Jesôsy hatrany no ivo.
Mialoha ny hamangiana olona iray dia ilaina faritana
mazava tsara aloha ny antony hamangiana azy.

33 - FIPIKRI
Fantarina ny mombamomba azy. Fankaherezana ve no
ilainy sa fampirisihana sa fankasitrahana?
Azo zaraina telo ny mambra raha ny fahatokiana no
resahina:

- Ireo tena mahatoky.


- Ireo mahatoky tsindraindray.
- Ireo tsy mahatoky mihitsy sady mitsikera.

Mahafinaritra ny olona ny resaka mahitsy feno


fitiavana sy faniriana hamonjy azy.
- Aoka hanomana fankaherezana mifanandrify
amin’ny toerana misy ilay olona sy mifanandrify
amin’izay ilain’ny aim-panahiny.
- Sokafy aminy ny Soratra Masina sy ny bokin’ny
fanahin’ny faminaniana efa voafantina mialoha.
- Toy ny fomba fanaon’i Jesôsy amin’ny ankapobeny
rehefa nanoratra ho an’ireo fiangonana fito tany
Azia. Ohatra: Fiangonana Pergamôsy:
1) Atombohy amin’ny fifankahafantarana: “Izao
no lazain’ilay mihazona ny kintana fito eny an-
tànany ankavanana...”
2) Avy eo lazaina ny tsara rehetra nataony sy momba
azy: “Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina
sy ny faharetanao”.
3) Lazaina ny lesoka: “kanefa manan-teny kely
aminao Aho...”

FIPIKRI - 34
4) Arahin’ny fiantsoana ho amin’ny fibebahana: “...
Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo,
dia mibebaha”.
. Tsy toriteny no atao. Mifampiresaha aminy.
. Mametraha fanontaniana mikasika ny
fanandramany. Anontanio ny antony manosika
azy hahatoky na tsia.
. Mivavaha miaraka aminy; mivavaha ho azy.

- Faranan’i Jesôsy amin’ny fanomezana teny


fikasana izany: “Izay maharesy dia havelako
hihinana ny avy amin’ny hazon’aina.....”
Ny famangiana dia mahavita zavatra be lavitra
izay tsy vita eny ambony polipitra.
Rehefa namangy an’i Zakaiosy tao an-tranony i
Jesôsy dia izao no niafaran’ny tantara: “Fa Zakaiosy
kosa nitsangana ka nanao tamin’ny Tompo hoe: Indro,
Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ny
malahelo; ary raha misy zavatr’olona nalaiko tamin’ny
fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany” –
Lio. 19:8.
Nahoana moa no natobak’i Maria teo amin’i Jesôsy ny
menaka manitra mitentina denaria 300, ankevitry ny
karama herintaona? Mamangy io tokantrano io Jesôsy.

35 - FIPIKRI
TOKO 4
MAMBOLY FIFAMPITOKISANA

Fanaraha-maso

N
y fanaraha-maso dia fiarovana ny mpitahiry vola
sy ny volam-piangonana. Rafitra apetraka koa
izany mba hisorohana ny hadisoana sy hiarovana
ny fahamarinan’ny tatitra ara-bola hatao. Atsikafona
amin’izany ireo taratasy namoaham-bola rehetra sy ny
entana novidina tamin’ny vola navoaka.

Koa fahendrena indrindra raha misy porofo


avokoa ny vola mivoaka rehetra. Indraindray dia tsy azo
ny rosia na faktiora raha tsy voavidy ny entana. Amin’ny
toy ireny dia fahamailoana ho an’ny mpitahiry vola
ny mampanao sonia izay olona tolorany vola mandra-
piverin’ny rosia tena izy.

Mba hisian’ny fifampitokisana, ny mpitahiry


vola dia tsy tokony hiditra amin’ny resaka fividianana
entana. Ny mamoaka ny vola ihany no tokony hataony
ary olon-kafa kosa no mividy na mandoa vola.

FIPIKRI - 36
Tsy tokony hamoaka vola tsy misy fahazoan-
dalana avy amin’ny kômity koa izy. Tsy azony atao
ny mamoaka vola araka ny heviny samirery na noho
ny fandresen-dahatra mety hataon’ny mambra hafa.
Fahamailoana mandrakariva ny manontany ny hevitry
ny kômity na fara faharatsiny, ny hevitr’ireo loholona
raha sendra ny hamehana.

Anjarany koa ny mahita raha toa ka efa mihoatra


ny teti-bola nifanarahana ny sampana mangataka
famoaham-bola, ka tsy tokony homena intsony.

Fanamarinan-kaonty anatiny:

Nanome alalana amin’ny famoaham-bola ve ny


kômity?

Mifanaraka amin’ny fanapahan-kevitry ny


kômity ve ny vola navoaka.

Ohatrinona ny vola niditra?

Ohatrinona ny vola narotsaka tany amin’ny


foibe: fanatitra sy ampahafolony, voaporofo amin’ny
alalan’ny rosia na taratasin’ny banky.

Ara-potoana ve ny rotsa-bola? Jerena ny daty


nandraisan’ny pasitora ny vola na ny daty nandrotsahana
tany amin’ny banky na ny datin’ny rosia nandrotsahana
mivantana tany amin’ny foibe.

Ohatrinona ny vola sisa: ilaina hamarinina


miaraka raha any amin’ny banky; iarahana manisa
raha ao an-trano.

37 - FIPIKRI
Ho fisorohana ny fahaverezam-bola (vakitrano,
ohatra) dia ampirisihina ny mpitahiry vola hanao ny
rotsa-bola ara-potoana.

Iza no manao ny fanamarinana anatiny?

Ireo mambran’ny kômisiona tarihin’ny pasitora


sy ny loholona no manao io fanaraha-maso io.

Tatitra
Mba tsy haha-tompon-trano mihono ny mambra
dia zony ny handre tatitra ara-dalàna mikasika ny
volam-piangonana. Mamboly fifampitokisana tsy
hay tombanana eo amin’ny fiangonana ny fisian’ny
mangarahara eo amin’ny fitantanana. Ny mpitahiry
volam-piangonana dia mpitahiry sy manaraka ny hevitry
ny fiangonana fa tsy tompon’ny vola tsy akory.Tokony
hanao tatitra izy ka toy izao no dingana hanaovana
izany:

- Miara-manomana ny tatitra ny ekipan’ny


fitantanam-bola.

- Entina eo anatrehan’ny kômitim-piangonana


izany hankatoavina.

- Velabelarina eo anatrehan’ny fiangonana amin’ny


fivoriana fiheveran-draharaha nantsoina ara-
dalàna.

FIPIKRI - 38
Impiry no tokony hanao tatitra?

Tokony hanao tatitra indray mandeha isam-


bolana eo anatrehan’ny kômity ny mpitahiry vola.

Manao tatitra indray mandeha isaky ny telo na


efa-bolana kosa eo anatrehan’ny fiangonana (Fivoriana
fiheveran-draharaha).

Inona avy no tokony ho hita anaty tatitra ara-dalana


sy mari-pototra:

VOLA NIDITRA:

- Fanatitra voaangona tamin’ny volana tsirairay


avy sy ny tontalibeny.

- Ampahafolony voaray nandritra ny volana


tsirairay sy ny tontalibeny.

- Fanomezana manokana natolotry ny olona.

- Fanampiana noraisina, tsy voafaritra.

Atao ny fampitahana ny vola niditra nandritra


ny telo volana farany

(Fiakarany na fidinany). Raha azo atao dia


aseho an-tsary (Courbe).

39 - FIPIKRI
VOLA NIVOAKA:

- Ampahafolony narotsaka tany amin’ny foibe.

- Fanatitra narotsaka tany amin’ny foibe.

- Fandaniana fampandehanan-draharaha ny
fiangonana.

- Vola navoaky ny sampana tsirairay.

NY VOLA SISA EO AM-PELATANANA:

- Volan’ny sampana mbola tsy voakitika nefa


efa ao anaty teti-bola.

- Ny volam-piangonana sisa madiodio.

Mandritra ireo tatitra ireo no hanaovana tatitra koa:

. Ny isan’ireo mambra tonga mivavaka tsy


tapaka ao amin’ny fiangonana.

. Ny isan’ny mambra heverina ho


mamerina ampahafolony mitohy sy amim-
pahatokiana.

. Ny isan’ny mambra heverina ho manao


tsindraindray.

. Ny isan’ireo mambra tsy resy lahatra.

Avadika ho isan-jato izany.

FIPIKRI - 40
Izany no atao dia mba hahafahana mamantatra
ny zava-misy sy hijerena vahaolana raha ilaina ary
mandrisika ny fiangonana rehetra ho samy tonga
mpitantam-panana mahatoky.

Tokony ho hita eo koa ny hoe: Narahina ve ny


teti-bola?

- Tratra sa tsy tratra ny ny teti-bola?

- Nihoarana ve ny teti-bola?

Ny teti-bola
Tsy dia mampaharisika ny olona loatra ny
fanaovana teti-bola noho ny fiheverana fa zavatra sarotra
be izany ka natao ho an’ny olona nandalim-pahaizana
mikasika ny fitantanana. Mba hialana amin’io hevi-
diso io dia azo ampiasaina koa ny teny hoe “vinavinam-
pandaniana”. Marisika kokoa ny olona rehefa miresaka
vola holaniana sy hampiasaina. Ny fampiasana ny
teny hoe “teti-bola” mantsy dia mazàna no raisina ho
fifehezan-tena na koa hoe “tsy misy vola” ary indrindra
moa ny hoe “fivorian’ireo nandia fianarana”. Ny tsy
fanaovana teti-bola dia fizorana any amin’ny lalana iray
tsy azo antoka sy tsy hita fiafarana.

Betsaka ny tombony azo amin’ny fanaovana


vinavinam-pandaniana:

41 - FIPIKRI
- Manampy betsaka eo amin’ny fitantanam-bola ny
fanaovana teti-bola.

- Miaro amin’ny fandanilaniana tsy amim-


piheverana.

- Rehefa misy io dia mazava ny lalan-kizorana


ary samy mahafantatra izay tokony hataony ny
tsirairay, ny sampana isan-karazany, sns.

- Miaro ny fiangonana tsy ho latsaka an-katerena


tampoka ny fanaovana teti-bola.

- Ahafahana mandanjalanja mialoha izay laharam-


pahamehana ny teti-bola.

Fantarina ny tanjona ary araka izany no


hanoritsoritana ny teti-bola mba hifanaraka amin’izay
tiana hahatongavana.

Eny amin’ny fiandohan’ny taona no tokony ho


efa mipetraka mazava izy io.

Vinavinaina mialoha ny vola mety hiditra amin’io


taona ho avy io. Raha ny marina dia miainga amin’ny
tontalin’ny vola niditra rehetra tamin’ny taona lasa ny
teti-bola amin’ny taona hidirana (na koa taona mety ho
efa hitsahina raha tara ny fanaovana ny teti-bola).

Atao lisitra ireo sampana isan-karazany mila


vola ampiasaina.

FIPIKRI - 42
Fitsinjarana fanatitra neken’ny kômity (50% mijanona eo an-toerana)

JA
Serv.

ASAFI
SAMPANA

SABATA
MINENF

SEKOLY
TOTALINY

CHORALE

SAMIHAFA

FANORENANA
Communautaire

Isan- 19,68 10,73 9,93 1 7,89 8 ,94 8,94 1 0,73 1 3,15 1 00%
jatony

Oh:
Fanatitra
Febroary 35424 19314 17874 32202 16092 16092 19314 23670 180000ar
Indro misy ohatra izay azo hakana hevitra.

43 - FIPIKRI
Izay fanatitra miditra isam-bolana dia mitsinjara
avy hatrany manaraka ny isan-jato neken’ny kômity.
Ankotra ireo fandanian’ny sampana dia misy
koa ireo fandaniana hafa izay nomentsika anarana hoe:
“samihafa” eo amin’io tabilao io. Toy izao ohatra no
mety ho voakasika amin’izany:

SAMIHAFA 10,73% Fandaniana isan-taona


Jiro 123 000
Rano 16 500
Hetra 50 000
Taratasy isan-karazany 34 000
Mpiambina ny fiangoanana 260 000
Fikarakarana zaridaina 51 000
Fanasana lamba sy 26 000
kojakoja
Fitaovam-panadiovana 15 200
Famangiana isan- 160 000
karazany
Fikojakojana ny 300 000
fiangoanana

Tsy naseho eo kosa kanefa tokony hisy, ny


firaketana vola azo avy amin’ny valopy misy tondro zotra
hanohanana tetik’asa lehibe manokana tanterahin’ny
fiangonana, toy ny fanorenana, fividianana fitaovana
goavana, sns. Io indray dia tsy alaina avy amin’ny
fanatitra 50% mijanona ho an’ny fiangonana fa azo avy
amin’ny alalan’ny valopy misy tondrozotra fanorenana
na izay tetikasa hatao.

FIPIKRI - 44
Rehefa hita avokoa izany vinavinam-pandaniana
izany dia ampitahaina ny teti-bola sy ny vola heverina
ho azo.
Adidin’ny mambra rehetra kosa ny manohana
ny teti-bola rehefa nolanian’ny fivoariana fiheveran-
draharaha izany.

Mampiasa ny volan’Andriamanitra araka ny


tokony ho izy.
Ny fitoriana ny filazantsara amin’ny lafiny
rehetra no nanorenana ny ampahafolony sy ny fanatitra.
Ny fandinihana izany no tokony handanian’ny kômity
fotoana sy vola.
Amin’ny fotoana fanaovana tatitra toy ireny
dia tsara raha aseho eo anatrehan’ny fiangonana raha
mifanaraka amin’ny iraka, izay tena antom-pisian’ny
fiangonana, ny fandaniana. Narahina sy nohajaina ve
ny teti-bola neken’ny kômity. Afa-po ve ny fiangonana
amin’ny fifandanjan’ny fandaniam-bola. Ny fitoriana
ny filazantsara ve no tena mandany ny volam-
pangonana sa zavatra hafa izay mety tsy ho laharam-
pahamehana ka mila fandanjalanjana. Ohatra: mety ho
ny fitsangantsanganana.
Rehefa mifarana ny taona no tena ilaina io
tatitra io mba hahafahan’ny fiangonana misaintsaina
ny vita sy hanitsiana ny famindra amin’ny hoavy raha
ilaina. Tratra ve ny tanjona sa natoratoraka fotsiny ny
volan’Andriamanitra? Inona no mila fanamboarana?

45 - FIPIKRI
TOKO 5

NY VOLA SY NY IRAKA
EO AMIN’NY FIANGONANA ADVANTISTA

M
ety hahaliana anao ny mahalala ny fomba
nahitana ny fahamarinana mikasika ny
ampahafolony sy ireo fanatitra isankarazany
teny am-piandohan’ny tantaran’ny Fiangonana
Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito sy ny fomba
nampandrosoana ny ambaindain’ny asa. Nipoitra
sy nampiharina tsikelikely izy ireny. Ny tantara dia
vavolombelona fa nila vola mandrakariva ny fiangonana
nifandimby ary tsy maintsy namorona fomba hahafahana
mamita ny iraka farany. Ny toe-tsaina mamita ny asa
no hery nibaiko tao ambadik’ireny fanatitra ireny.

Ohatra: fantatrao ve fa ny fahatsapana ny


maha-zava-dehibe ny famitana ny iraka no nanosika
ireo mpamaky laintsika hampiditra ny rafitra mikasika
ny ampahafolony? Raha ny marina dia rehefa nirahina
tany amin’ny toerana maro samy hafa manerana izao
tontolo izao ireo misiônera no nahatsapa ireo mpitarika
fa tsy misy fidiram-bola mitohy hahafahana manohana
azy ireny. Tsy mbola nisy nandray karama isam-bolana
ireo mpitandrina tamin’izany. Fanomezana atolotry

FIPIKRI - 46
ny fiangonana no nivelomany ary ny sasany aza tsy
maintsy niasa mafy mba hahafahany mamelona ny
ankohonany. Nandeha ireo misiônera, tsy nisy hoe
taratasy fifanarahana nilazalaza izay karama ho azony.
Ny fahitana izany no nanosika ireo mpamaky lay
handalina ny Baiboly, toy ny fanao ihany rehefa mitondra
fiangonana ka mitady vahaolana. Nandrisika ny vadiny
ramatoa Ellen White hanangona ny mpitandrina, ary
i John Andrews kosa hanao fampianarana arak’izay
ambaran’ny Soratra Masina mikasika ny drafitra
fanohanana ny asa fanompoana. Tao Battle Creek izany
no natao ny 16 Janoary 1859 ka naharitra roa andro.
Rehefa nifarana ny fivoriana dia izao ny fehin-kevitra:
“ Ny rafitra momba ny ampahafolony ihany no fototra
tsy azo nialana hatramin’izay... Andeha hantsointsika
hoe Fanaovan-tsoa ara-drafitra izany. Nofidina indray
avy eo i Andrews sy i Frisbie ary i White hanomana
fampianarana mikasika ny fanaovan-tsoa ara-drafitra
miorina amin’ny Soratra Masina. Naneho izany izy ireo
tamin’ny 29 Janoary ary lany tamin’ny tsangan-tanan’ny
rehetra fa hatao fanao. Nampiharina tamin’ny fomba
ôfisialy tao Battle Creek aloha izany ary avy eo kosa dia
naely tamin’ny alalan’ny pejy voasoratra “Review and
Herald” ka lasa nampiharina tany amin’ny Fiangonana
Advantista rehetra.

Antony telo namerenana ny ampaha-


folony sy ny fanatitra:
Fanohanana ireo mpitandrina:

Io no antony voalohany noheverina fa ilàna ny


fampiharana ny rafitra momba ny ampahafolony sy
fanatitra. Tsapa izany rehefa nitombo isa ny fiangonana
ary niitatra ny asa.

47 - FIPIKRI
Iraka manatratra ny any ivelany:

Rehefa nitombo ny fiangonana dia nitombo koa


ny fahatsapana fa mila tanterahina ny iraka. Nivoatra
ny fanomezana ara-drafitra izay nifantoka tamin’ny
fanohanana ireo misiônera mamita iraka any amin’ny
firenen-tsamihafa.

Fiankohofana:

Ny fianarana lalindalina ny Baiboly kosa dia


nanampy ny fiangonana hahatsapa fa ny fanomezana
dia anisan’ny fiankohofana amin’Andriamanitra. Ka
izany indray nony farany no tena antony nanan-danja
indrindra hamerenana ny ampahafolony sy ny fanatitra.

Teo amin’io dingan’ny fivelarana io dia tsy tena


nahazo antoka ireo mpitarika na tafiditra ao anatin’ny
lalàna seremoniely nohomboana teo an-kazo fijaliana
ny torolalana momba ny ampahafolony na tsia. Ka tsy
nifotorana ny Testamenta Taloha fa ny Testamenta
Vaovao, izay niainga tao amin’ny 1 Kôrintianina 16:2
ny fandalinana:

“Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia


samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona
na amin’inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo
ny famoriam-bola mandra-pahatongako.”

- “Andro voalohany”: fanombohana ny raharaha.

- “Samia”: miantso ny tsirairay.

- “Manokana”: misy asa atao, dia ny manokana


ampahany ho an’ny asan’Andriamanitra.

- “Anambinana”: mifanentana amin’izay ananana.

FIPIKRI - 48
Toy izao no nampiharana izany tamin’ireo
Fiangonana Advantista voalohany mikasika ny foto-
kevitra momba ny fanatitra izay nolaniana tamin’ny
tsangan-tanana:

- Ny lehilahy 18-60 taona dia manokana ¼-n ny


dôlara (800ariary eo izany raha 3200 ariary ny 1
dôlara ankehitriny) isaky ny voalohany amin’ny
herinandro.

- Ny vehivavy 18-60 taona dia manokana 1/10-n’ny


dôlara isaky ny voalohany amin’ny herinandro.

- Ary isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro


dia manokana 1% ka hatramin’ny 5% isaky ny 100
dôlara avy amin’ny tombam-pananany ny tsirairay
na lahy na vavy.

Tantaran’ny fanatitra teo amin’ny


Fiangonana Advantista:
Fantatrao ve fa rehefa nitombo ny fiangonana
ka niitatra ny iraka, nanomboka nitana andraikitra
iankinan’aina ny mambra tamin’ny fanomezana
fanatitra an-tsitrapo mitohy? Tsy ireo mpitarika ny
fiangonana tsy akory no namorona fanatitra vaovao.
Avy amin’ny mambra maika hamita ilay Iraka Lehibe
izany. Nivoatra araka ny taona nifandimby ireo rafitra
manontolon’ ny fanatitra. Nanomboka nanangom-bola
tany amin’ny fiangonany ny mambra ary taona vitsivitsy
tatỳ aoriana vao nampidirina tamin’ny fomba ôfisialy teo
amin’ny Fiangonana Advantista hoe fanatitra izany.
Koa araka ny hitanao izany dia ny iraka hatrany no
nifantohan’ireny fanatitra ireny.

49 - FIPIKRI
Fanatitry ny Sekoly Sabata: nanomboka ny 1877 ka
nikendrena hanampiana ny iraka tany Aostralia.

Ny fanangonam-bola isan-taona dia nisy


nanomboka ny 1908. Mbola ny iraka hatrany no mahazo
tombony amin’ireny vola ireny.

Ny herinandron’ny fanaovana vy very:


nanomboka ny 1911 ka natokana ho amin’ny teti-bola
hamitana ny iraka maneran-tany.

Ny fanatitra Sabata faha-13: nanomboka ny


1912. Nampiasaina tamin’ny famitana iraka manokana
any amin’ireo Diviziona ny ampahany tamin’izany.

Tsingerin-taona/ fanati-pisaorana: nanomboka


ny 1905, nampiasaina ho amin’ny teti-bola hamitana
ny iraka maneran-tany.

Ny iraka hatrany no nifantohan’ny fiangonana.


Tamin’izany fotoana izany, raha nanao ampahafolony 1
dôlara ny olona, dia manao fanatitra 65 cents, izany hoe
raha ampahafolony 100 ariary, dia nanao fanatitra 65
ariary izy. Ankehitriny, raha tsy mitsaha-mitombo ny
filàna eo an-toerana dia mitotongana hatrany amin’ny
4 ariary kosa ny fanatitra, amin’ny ampahafolony 100
ariary. Kanefa tsy miova ny iraka: “Mandehana any
amin’izao tontolo izao, dia ataovy mpianatra...” Ny
fanatitra ihany nandritra ny taona maro no tena hany
loharanom-bola tao amin’ny fiangonana nanohanana
ny iraka.

Amin’ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro


Fahafito, dia anisan’ny fiangonana izay manokana
isika amin’ny fomba fitantanana ny vola. Fantatrao

FIPIKRI - 50
ve fa ny mambra tsirairay avy dia afaka milaza fa
mandray anjara amin’ny famitana ny iraka maneran-
tany amin’ny alalan’ny ampahafolony sy fanatitra. Tsy
misy fiangonana manana rafitra toy izany. Fitahiana
manokana izany. Izany no ahafahan’ny fiangonana
mandefa misiônera an’arivony manerana izao tontolo
izao, ary vao tsy ela koa aza any amin’ireo toerana tsy
mbola nidiran’ny hafatra. Kanefa mbola misy ireo faritra
tokony mbola hidirana no tavela.

Ny zava-misy dia tahaka ny tsy mifantoka eo


amin’izay tena antom-pisiantsika isika. Tsy reraka ve
ianao mahita ny toetoetr’izao tontolo ivelomantsika izao?
Tsy mangataka ny fiverenany haingana ve ny fanahinao?
Misy fomba iray hanafainganana ny fiverenany: vitao ny
iraka.

Misy fomba maro hanaovanao izany:

- Ampiasao ny tatitra maneran-tany sy ny


fanentanana fanatitra.

- Atolory amin’ny toe-tsaina feno fitiavana sy


fahalalahan-tanana ny fanatitrao.

- Aoka hatoky amin’ny famerenana ny ampahafolony.

- Manàna toe-tsaina sahy manao vy-very.

- Matokia fa tonga any amin’izay nandefasanao azy


izay natolotrao.

51 - FIPIKRI
Ny vola enti-manohana ny asan’
Andriamanitra
(Fitsipika Mifehy ny Fiangonana- Toko 11)

Ny planina ara-Baiboly hoenti-manohana ny


asan’Andriamanitra dia amin’ny alalan’ny ampahafolony
sy ny fanatitra aterin’ny vahoakany. Hoy ny Tompo:
“Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny
trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko...”
- Mal. 3:10. Hatrany am-piandohana niorenany no efa
nanarahan’ny Fiangonana izany planina izany.

“Ny fandoavana ny ampahafolony sy ny


fanatitra dia natao mba handatsahan’ny olona ao am-
po ny fahamarinan-dehibe anankiray – dia ny maha-
loharanon’ny fanomezana sy ny fitahiana rehetra ho
an’ny zavaboariny an’Andriamanitra, ka rariny raha
haneho fankasitrahana Azy izy ireo noho ny fanomezan-
tsoa nomaniny ho azy ireo;” – PP 525 (PM 553-554).

“Ny ampahafolony sy ny fanatitra aterina ho


an’Andriamanitra dia fanekena fa zony ny mitaky izany
amin’ny maha-Mpahary sy Mpanavotra Azy. Satria avy
amin’i Kristy ny herintsika rehetra, dia rariny loatra
raha averintsika amin’Andriamanitra ireny fanatitra
ireny. Izy ireny dia mahatonga antsika hametraka
mandrakariva eo anoloantsika ny maha-Mpanavotra
Azy. Izany no fitakiana ara-drariny lehibe indrindra
ataony amintsika, sady mahafaoka ny fahefany hafa
rehetra koa.” – 6T 479.

“Masina ny ampahafolony, natokan’


Andriamanitra ho Azy izany. Tsy maintsy aterintsika
ao amin’ny firaketany izany hampiasaina amin’ny
fanohanana ny mpitory ny filazantsara amin’ny
fanaovany ny asany.” 9T 249.

FIPIKRI - 52
“Nanome drafitra ho an’ny vahoakany Izy
momba ny famoriam-bola, mba hahatonga ny asany
ho mahaleo tena. Ny planina nataon’Andriamanitra
momba ny fanaterana ny ampahafolony dia kanto eo
amin’ny fahatsorany sy ny fahitsiany. Azon’ny rehetra
raisina amin’ny finoana sy fahasahiana izany, satria avy
amin’Andriamanitra no niaviany. Tsotra sady mahasoa
ny famerenana ny ampahafolony ... Ny lehilahy tsirairay,
ny vehivavy tsirairay, ny tanora tsirairay dia samy
afaka ho tonga mpitantana ny fananan’ny Tompo sy ho
fitaovana hiatrika izay ilain’ny trano firaketany. Hoy ny
Apostoly: ‘Samia manokana ao aminy avy ho rakitra na
amin’inona na amin’inona no anambinana azy.’ - 1 Kôr.
16:2” – 3T 388, 389.

“Nataon’Andriamanitra miankina amin’ny asa


sy ny fanomezana ataon’ny vahoakany ny fitoriana
ny filazantsara. Ny fanomezana an-tsitrapo sy ny
ampahafolony no fidiram-bola ho an’ny asan’ny Tompo.
Misy ampahany takin’Andriamanitra amin’ny vola
nankinina tamin’olona, dia ny ampahafolony izany.
Mamela malalaka ny rehetra Izy hilaza, na vonona
hanome mihoatra noho io izy na tsia.” – VM t. 68.

Tsy azon’ny olona atao ny manatsara io


planina io.

“Tian’Andriamanitra raha samy marina avokoa


ny mpitandrina ny fananana rehetra amin’ny fanarahana
ireo fandaminana nomeny. Tsy mety amin’izy ireo ny
hanolo ny planinan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny
fanaovana asa soa na amin’ny fanolorana fanomezana
na fanatitra hafa amin’ny fomba sy fotoana ataon’ny
olona fa mahamety izany. Tena tetika tsy mahomby
velively ny ezaka ataon’ny olona hanatsarana ny planina

53 - FIPIKRI
nosoritin’Andriamanitra, sy amin’ny famoronany
fomba hafa mifanentana amin’ny fihetseham-pony
amin’ny fotoana samihafa, mba hoenti-manolo izay
tadiavin’Andriamanitra aminy na fihetseham-po tsara
aza izany. Miantso ny rehetra Andriamanitra hanohana
ny fandaminana nataony. Efa nampahafantatra ny
planiny Izy, ary izay rehetra vonon-kiara-miasa aminy
dia tsy maintsy manatanteraka izany fa tsy ho sahisahy
foana hiezaka hanatsara izany.” – 9T 248.

Mbola misy toro-marika manan-danja ao


amin’io toko faha-11 io ka tsara raha mitrandraka raha
anananao io boky io mba hanofanana ny fiangonana.
Hita ao avokoa ny valin’ireo fanontaniana fametraky ny
mambra mikasika ny ampahafolony sy ny fanatitra.

Ny fomba ampiasana ny ampahafolony

Ny ampahafolony dia masina atokana ho amin’ny


asan’ny mpitandrina, ho fampianarana ny Baiboly sy
fanohanana ny asa fitantanana ao amin’ny Federasiona/
Misiona mba hikarakarany ireo Fiangonana sy ireo asa
fitoriana atao. Tsy azo ampiasaina amin’ny asa hafa ny
ampahafolony, hoenti-manefa ny trosan’ny Fiangonana
na ireo toeram-piasana hafa iadidiany, na hoenti-
manao asa fanorenana, afa-tsy izay eken’ny fitsipi-
pitantanan’ny Foibem-pitondrana Maneran-tany.

“Misy hafatra mazava sy voafaritra tsara nomena


ahy ho an’ny vahoakantsika. Nodidina aho hilaza
aminy fa diso izy amin’ny fampiasany ny ampahafolony
ho amin’ny zavatra samihafa, izay na dia tsara aza,
dia ambaran’ny Tompo fa tsy natao hampiasaina
ny ampahafolony. Izay mampiasa ny ampahafolony
amin’izany dia mihataka amin’ny fanadaminana

FIPIKRI - 54
nataon’Andriamanitra. Hitsara ny amin’izany zavatra
izany Andriamanitra.” – 9T 248.

Mankaiza moa ny ampahafolony


averintsika sy ny fanatitra atolotsika
Ny ampahafolony dia tsy ampiasain’ny
Fiangonana eo an-toerana na ananany fahefana holanina
fa arotsaka any amin’ny mpitahiry volan’ny Federasiona/
Misiona. Amin’izay ny vola avy amin’ny Fiangonana
rehetra dia miditra avokoa ao amin’ny tahirim-bolan’ny
Federasiona/Misiona ao amin’ny faritra iray, ary izy kosa
dia mandrotsaka ny 33%-n’ny tontalin’ny ampahafolony
rehetra voarainy any amin’ny Fivondronamben’ny
Federasiona/Misiona (UNION) . Mijanona eo amin’ny
UNION ny 11% ary mandefa mankany amin’ny Diviziona
misy azy ny 8% izy ka ny 7% mijanona ao amin’io Diviziona
io fa ny 1% no mankany amin’ny Foibem-pitondrana Eran-
tany. Amin’izany lalana izany no ahazoan’ny Federasiona/
Misiona, ny Fivondronamben’ny Federasiona, ny Foibem-
pitondrana Eran-tany vola hoentiny manome fivelomana
ny mpiasa ao aminy avy sy hiatrehana ny fandaniana
amin’ny fampandehanan-draharaha sy ny fitantanana
ny asan’Andriamanitra ao anatin’ny faritra iadidiany sy
iasany avy. Ny ambiny kosa dia itsinjovana ireo rafitra
hafa ampiasaina ho fitoriana koa ny filazantsara .

Koa satria ny 50%-n’ny fanatitra ihany no


mijanona eo amin’ny fiangonana eo an-toerana dia
mety ho zara raha ampy hampandehanana ny asan’ny
fiangonana eo an-toerana. Koa ampirisihana ny
mambra hanao fanandramana hanao fanatitra mitovy
amin’ny ampahafolony mba ho betsaka ny enti-manana
hanodinana ny raharaham-piangonana misy azy avy.

55 - FIPIKRI
Indro fintinina amin’ny tabilao izany fitsinjarana izany:

Ambaratonga samihafa Am/folony Fanatitra

1- FIANGONANA 50%

2- MISIONA/ FEDERASIONA 67% 20%

Fitoriana ny filazantsara 2 % 5%

Fampandehanan- 9%
draharahan’ny Union

Institution 5%
3- UNION
(Fivondronambe) Fitsinjovana ireo mpiasa 7,5%
efa misotro ronono

Fanohanana pasitora 1%
manohy fianarana any
amin’ny Adventist
University of Africa.

4- DIVIZIONA (FIZARAM-PARITRA) 7% 5%

5- FOIBE MANERAN-TANY 1% 20%

TONTALINY 100% 100%

FIPIKRI - 56
TOKO 6
NY FANATITRA

A
fa-tsy ny fanomezana ny ampahafolony, ny
Soratra Masina dia manantitrantitra koa ny
adidintsika hanolotra fanatitra ho an’ny Tompo.
Ny tsy fanomezana fanatitra dia mitovy tsy misy valaka
amin’ny fihazonana ny ampahafolony ka ambaran’ny
Soratra Masina fa fandrobana (Mal. 3: 8). Ny Fiangonana
Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito hatrany
am-piandohana dia nanaraka ny rafitra fanomezana
fanatitra amim-pahalalahan-tanana hoenti-manohana
ny asan’Andriamanitra. Fitahiana sy fanambinana no
vokatr’izany teo amin’ny asan’Andriamanitra.

Nahoana no manao fanatitra isika?


Tsy toy ny mametraka vola any amin’ny banky na
toy ny mampiasa vola mba hahazo tombony no antony
hanaovana fanatitra, ka ny antony manosika azy mba
hanome dia miandrandra tambiny sy manantena
fa tsy maintsy hitahy azy Andriamanitra satria efa
nandoa vola izy ka zony ny hahazo ny fitahiana.
Tsy hoe koa noho ny henatr’olona tsy akory. Ny tsy
fahafantarana ny hasarobidin’ny atao hoe fanatitra
fa manao fahazarana fotsiny dia mety hahatonga ny

57 - FIPIKRI
sasany ho diso fanantenana ka zara raha mahafoy ho
an’Andriamanitra ary tonga mahihitra.
Mirakitra fampianarana sarobidy mikasika ny
fanatitra ny Soratra Masina. Ny fanatitra voalohany
indrindra nataon’ny olona ho an’Andriamanitra dia
voatahiry hianaran’izay tena te hanompo Azy marina
tokoa.
“fa nitondran’i Abela kosa ny voalohan-
terak’ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka
an’i Abela mbamin’ny fanatiny” – Gen. 4:4.
1. Ny voalohany (voalohan-teraka) no natao
fanatitra.
2. Izay matavy.
3. Nankasitrahana ny fanatitra.
4. Nankasitrahana ny mpitondra fanatitra.
Tsy latsa-danja amin’ny fanatitra nataon’i Abela
ny fanatitra natolotr’Andrimanintra ho an’ny
taranak’olombelona, dia Jesôsy Kristy, Ilay Voalohany,
Ilay haren’ny lanitra manontolo, Ilay tokana nahafeno
ny fepetra ilaina.
Ny FIPIKRI dia hanampy ny mpino hanao loha laharana
an’Andriamanitra sy hanolotra izay tsara indrindra ho
Azy araka izay fanao mifanaraka amin’ny fivavahana
Aminy. Zava-dehibe eo amin’ny fifandraisana
amin’Andriamanitra ny fitondrana fanatitra araka ny
tokony ho izy, sady mahafantatra ny antony hanaovana
izany.
1- Fanomezam-boninahitra an’ANDRIAMANITRA ny
fanatitra: “Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry
ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo
an-kianjany. » - Sal. 96:8

FIPIKRI - 58
2- Fanaovana sy fanavaozana ny fanekena: “Angony
ety amiko ny oloko masina izay manao fanekena
amiko amin’ny fanatitra. » - Sal. 50:5
3- Mariky ny fiankohofana Aminy: “Sitrapoko ihany
no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny
anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy. » - Sal.
54:6
4- Fanekena Azy ho loharanon’ny fitahiana rehetra:
“Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no
ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao
ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany
no nanomezanay Anao. » - 1 Tant. 29:14
Noho izany indrindra no mahatonga ny Soratra Masina
manizingizina hoe:
« Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra
eo anatrehan›i Jehovah » - Deo.16:16

Fanatitra ankasitrahana
Maro ny olona mihevitra fa tsy mijery ny fanatitra
Andriamanitra fa ny fon’ny olona manolotra. Marina
tokoa fa mijery ny fon’ny olona Izy fa misy zavatra hafa
jereny mialoha ny hijereny ny fon’ny olona:
1/ Ilay fanatitra:
a- Misy kilema sa tsy misy kilema.
b- Fanatitra sa fandraisana anjara.
d- Biby madio sa rehefa biby.
2/ Ny toe-po mitondra fanatitra:

59 - FIPIKRI
a- Fitiavana
b- Fankasitrahana
d- Fankatoavana
e- Fanekena an’Andriamanitra ho tompon’ny
zavatra rehetra.
Genesisy 4:4-5: “Ary Jehovah
nankasitraka an’i Abela mbamin’ny
fanatiny; … fa Kaina mbamin’ny
fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany.”
Tsy i Abela ihany no nankasitrahana
fa ny fanatitra nentiny koa.

Fanatitra tsy misy kilema


Fanatitra tsy misy kilema no natolotr’ Andriamanitra
hanavotana ny olombelona dia tsy iza fa Jesôsy Kristy
mihitsy. Izany koa no tiany hianaran’ny zanany rehetra
satria ny fanatitra dia hanavotana ny hafa. Fanatitra
tsy misy kilema ihany no eken’Andriamanitra tamin’ny
asa fanompoam-pivavahana teo amin’ny vahoakany ary
tsy mbola nofoanany izany didy izany:
“Mitenena amin’i Arona sy ny zanany ary ny zanak’Isiraely
rehetra hoe: Na iza na iza amin’ny taranak’Isiraely,
na amin’ny vahiny eo amin’ny Isiraely, no manatitra
ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-
tsitrapony, izay hateriny ho an’i Jehovah ho fanatitra
dorana dia lahy tsy misy kilema no hateriny, na omby
izany, na zanak’ondry, na osy, mba hankasitrahana
anareo.Izay rehetra misy kilema dia tsy haterinareo; fa
tsy hankasitrahana anareo izany”. - Lev.22:18-20
«  Fa raha misy kilemany izy: na mandringa, na jamba,
na izay kilema ratsy hafa akory, dia aza vonoinao hatao

FIPIKRI - 60
fanatitra ho an’i Jehovah Andriamanitrao ireny. » - Deo.
15:21
Tsy nekena ny ondry tapa-drambo na mandringa
na poa-maso; toy izany no fanatitra fanolotra ny
Andriamanitsika. Nefa rehefa jerena ireo fanatitra dia
mahamenatra ary MITARATRA TSY FANAJANA: ao ireo
vola tonta sy rovidrovitra mila tsy hay avahana intsony.
Ireny no tonga ao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra.
Nahatezitra an’Andriamanitra io fanao io ka nanomezany
fananarana mampisaintsaina:
Malakia 1:8-9: “Ary raha jamba no entinareo hovonoina
hatao fanatitra, tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa
sy marary no entinareo, tsy ratsy hoe izany! Atero ho
an’ny governora manapaka anao ange izany, moa
hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah
Tompon’ny maro. Koa masìna hianareo, andeha mifona
amin’Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny
tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy
noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon’ny maro.”
Ny mpino marina dia hitandrina ny fanatitra atolony ny
Andriamaniny, mihoatra lavitra noho izay fitandremana
atao amin’ny manam-pahefana eto an-tany.

Fanatitra sa fandraisana anjara?


Jeren’Andriamanitra koa ny tombambidin’ny fanatitra
ataontsika raha tena mitaratra ny mahafanatitra azy tokoa.
“Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io
mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho
izy rehetra.fivelomany rehetra izay nananany” - Lio.
21:3,4
Jereny miaraka ny mpanolotra sy ny tombambidin’ny
fanatitra atolotra.

61 - FIPIKRI
“Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no
nandatsahany tao amin’ny rakitra; fa izy kosa tamin’ny
fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay
nananany” - Lio. 21:3,4
Tsy ny habetsahany no jereny fa ny habetsahany
miolotra amin’ny fananany.
Fandraisana anjara no nataon’ireo mpanankarena
fa tsy fanatitra satria ny fanatitra dia midika sorona
natao izay nandrenesana hirifiry mihitsy ny fialany, dia
tahaka an’Andriamanitra narary aina mihitsy rehefa
hanolotra ny Zanany.
“fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny
fitahian’i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao” -
Deo. 16:17
Noho ny fitiavan-tena izay efa mamaka ao amin’ny
olombelona dia adika ho izay voatsirambin’ny tanana
ny hevitry ny hoe samy manatitra izay zakany.

Biby madio
Rehefa dinihina tsara ireo lisitry ny biby
neken’Andriamanitra fa azo atao fanatitra dia voamarika
fa avy amin’ireo biby madio ihany. Izany dia azo adika
fa na dia tsy biby aza no entintsika hatao fanatitra, ny
fitsipika kosa dia mipetraka hatrany. Vola azo tamin’ny
fahitsiana. Tsy halatra na fanambakana na azo tamin’ny
tsy rariny na tamin’ny loka.

Fanatitra voaomana tsara


Mila voaomana mialoha ny fanatitra. Betsaka ireo izay tsy
nanomana ny fanatitra ka amin’ny fotoana fanantazana

FIPIKRI - 62
ny fanatitra indrindra vao mihevitra mikasika izany. Ny
fanatitra tsy voaomana toy izany mazàna dia ny kely
indrindra. Toy ny fanome ny mpangataka eny amoron-
dalana io fanao io.
- Manana sa tsy manana?
- Misavasava ny poketra sy mitsapatsapa paosy.
- Eo izy vao mieritreritra na hanome izy na tsia
- Raha hanolotra: ohatrinona no omena.
Aoka àry hohazavaina tsara amin’ny fiangonana fa tena
ilaina ny manomana mialoha ny fanatitra mialoha ny
hihaoanana amin’Andriamanitra any amin’ny tranony
araka ireo ohatra fahita ao amin’ny Soratra Masina.
Raha azo lazaina aza dia nolazaina ny hoe aza mankany
am-piangoanana raha tsy nahaomana mialoha ny
fanatitra ho an’ny Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny
mpanjaka. Aoka hobeazina ny mambra hanokana
fotoana hiheverana ny amin’izany mba tsy ho lasa
kitoatoa. Ny manolotra fanatitra ho an’Andriamanitra
dia mila fiheverana manokana, mitaky fanajana sy
tahotra, mihoatra noho ny toe-pon’ny mpanompo sampy
rehefa hanolotra fanatitra ho an’ny sampiny.
Ohatrinona no tokony hatao fanatitra?
Tsy faratampony amin’ny fanomezana tsy akory ny
famerenana ny ampahafolony; ny farany ambany izany.
Tsy io no tsipika farany amin’ny fahazoana manome fa
vao ny fiandohana ihany.
Ankoatra ny ampahafolony dia takin’Andriamanitra koa
ny fanatitra. Irỳ voalohany dia voafetra ho ampahafolony
ihany fa ity faharoa kosa dia malalaka ka tsy voafetra
satria izany no tena mitaratra izay tena fitiavantsika
an’Andriamanitra raha mitaratra ny fahatokiatnsika
Azy kosa ny ampahafolony.

63 - FIPIKRI
Izao no fanambarana nampahatsiahivina ny fiangonana:
“Tsy ny ampahafolony ihany tsy akory no hany vola
natao hanohanana ny raharaham-pivavahana. Ny
tabernakely izay niova ho tempoly taty aoriana, dia
izay voavory tamin’ny fanatitra an-tsitrapo no nenti-
nanorenana azy manontolo. Ambonin’izany, mba
hoenti-mitsinjo ny fanamboarana tsy azo avela, ary
koa ny fandaniana hafa, dia nanafatra i Mosesy mba
hanome antsasaky ny sekely isam-batan’olona isaky
ny misy fanisam-bahoaka ho an’ny asa fanompoana ao
amin’ny tabernakely.
Tsy vitan’izany fa nisy hafa koa. Alohan’ny hanalany
ny amphafolon’ny vokatry ny taniny, dia tsy maintsy
mahatsiaro ny anjaran’Andriamanitra ny Isiraelita
rehetra. Voatokana ho an’i Jehovah ny voaloham-
bokatra rehetra avy amin’ny vokatry ny tany rehetra.
Nahatratra ankevitry ny ampahefatry ny vola miditra
aminy ny latsak’emboka notakina tamin’ny Hebreo
tamin’ny raharaham-pivavahana sy ny asa fiantrana.
Mety hisy alaim-panahy hino nahatonga azy hahantra
izany enta-mavesatra loatra izany. Tsy izany anefa no
niseho, fa ny fahatokiany amin’ny fanatanterahana ireny
fahalalahan-tanana ireny dia antoky ny fanambinana
azy”. - Patriarka sy Mpaminany, pp 554-555.
Raha aravona izany toromarika izany dia toy izao no
fitsinjarana azy:
- 75%: fiveloman’ny ankohonana.
- 25%: raharaham-pivavahana, izay mitsinjara ho
toy izao:
. 10%: ampahafolony voalohany, masina ho an’i
Jehôvah.
.

FIPIKRI - 64
10%: ampahafolony faharoa hikarakarana ny tempoly
sy ny raharaha mikasika izany.

. 5%: ho an’ny mahantra.


Mbola mitoetra ho an’ny fiangonana ankehitriny izany
fahamarinana izany. Raha samy mandray am-po izany
ny mambra dia tsy ho diso anjara ny asa fanompoana
tanterahin’ny fiangonana eo an-toerana ary ho
voakolokolo ny toe-tsain’ny fahalalahan-tanana.

FAMINTINANA MAHAKASIKA NY FANATITRA

AZO EKENA TSY AZO EKENA


Amin’ny nahim-po Eks. 25:2 Teriterena 2 Kôr. 9:7
Amim-pitiavana 1 Kôr. 13:1- 3 Tsy amin’alahelo 2 Kôr. 9:7
Amim-pifaliana 1 Kôr. 9:7 Misy olakolaka 2 Kôr. 9:7
Amim-palala-tanana 2 Kôr. 8:2 Fitiavan-tena 2 Kôr. 9:5
Tsy misy kilema Lev. 22:18,19 Misy kilema Ma.l 1:
Amim-pisaorana I Tan. 29:31 Azo tsinina Ma.l 1:12
Amim-piadanana Lev. 3:1 Misy fitaka Mal. 1:3
Tsy mitady ny azy Asa. 4:37 Voateritery Asa. 8:18-21
Araka izay zaka 1 Kôr. 16:2 Tsy mendrika Ma.l 1:7
Feno Sal. 50:14,15 Ampahany Asa. 5:1-11
Misy fahafoizana Sal. 50:23 Ny ambiny 1 Sam15:
20-22
Amim-pinoana 2 Kôr. 8:3 Tsy maintsy atao2 Kôr. 9:7
Amim-piderana Heb 13:15,16 Mavesatra Mal. 1:12
Madio Mal. 1:11 Maloto Mal. 1:7

65 - FIPIKRI
TOKO 7
FIZOTRY NY FANOMPOAM-
PIVAVAHANA FANATITRA

A
nisan’ny fotoana mahatahotra eo amin’ny
fanompoam-pivavahan ny fotoana fanolorana
fanatitra. Tsy tokony horaisina maivamaivana
na havela ho maimaina io fotoana io. Ilaina ny mitady
ny fomba rehetra hahatonga io fanompoam-pivavahana
io:
- Hahaliana
- Ho fotoana manokana sy manan-danja
- Hahafahan’ny tsirairay maneho ny
fankasitrahany sy ny fitiavany an’Ilay
Mpanavotra azy.
- Ho fotoana fanoloran-tena sy fanokanana izay
ananana ho fantsona hamonjena ny hafa.
- Ho fotoana fandinihan-tena.
- Hisaintsainana ny fahasoavan’Andriamanitra.

FIPIKRI - 66
Hanampy amin’ny fanatrarana izany tanjona izany
izao fizotry ny fanompoam-pivavahana antso amin’ny
fanatitra izao:

1- Ireo mpandraharaha: ampirisihina hanana


fanatitra avokoa ny mpandraharaha eny aloha
mba ho môdely harahin’ny fiangonana. Raha
azo atao dia aoka hifampahatsiahy izy ireo
dieny mbola ao amin’ny efitrano fisainana.
Entanina ny mambra mba hanomana fanatitra
rehefa fantany mialoha fa anjarany ny mankeny
amin’ny polipitra indrindra fa izay manao ny
fanentanana ho amin’ny fanatitra. Marina fa
misy ireo mambra manao indray mandrotsaka
amin’ny Sabata iray ny fanatiny ao anatin’ny iray
volana ka tsy mandrotsaka intsony izy amin’ireo
Sabata sisa anatin’ny volana, ampirisihina
ihany izy handrotsaka avy amin’izay azony eny
anelanelan’andro eny rehefa mandray anjara
amin’ny fitarihana eny aloha, sady tsy ho isan-
tSabata rahateo izy no hiakatra eny amin’ny
polipitra. Mety ho isam-bolana na isan-telovolana.

2- Omena segôndra vitsy aloha ny olona hamoahany


ny fanatitra efa nomaniny avy any amin’izay
nametrahany azy.

3- Manome toromarika ny mpanentana mba samy


hanao vavaka mangina ny isam-batan’olona:
fanolorana fanatitra sy ampahafolony,
hisaintsainany izay tokony hatolony (raha mbola
tsy nanao izany izy tany an-trano) ho setrin’ny
sorona nataon’Andriamanitra ho fanavotana ny
taranak’olombelona lavo sy ny fanambinany,
hanolorany ny tenany mba ho fanatitra velona
sy masina mba ho fitahiana ho an’ny hafa,
hanolorany izay nomaniny ho an’Andriamanitra

67 - FIPIKRI
ka mba hekena eo anatrehany, ho fanohanana ny
famitana ny iraka nankinina amin’ny fiangonana.
4- Atao ny fanentanana fanatitra. Rehefa hita fa
vonon-kihaino ny mpanatrika vao atomboka
amin’izay ny fanentanana. Aoka mba tsy hovakina
fa ho voaomana tsara toy ny nanomanan’ny
olona ny fanatitra tany an-tranony. Izany no
atao dia ho fanamafisana orina ny finoantsika
ny amin’ny maha-mpitantana antsika sy ny
tokony hanomezantsika fanatitra ara-drafitra sy
tsy misy kilema. Raha vao mirava ny fiangonana
dia aoka hatolotry ny filohan’ny FIPIKRI sahady
an’izay hanao antso amin’ny Sabata manaraka
ny boky tari-dalana mba hahafahany manomana
mialoha mandritra ny herinandro. Raha azo atao
aza dia atao dika mitovy maromaro ary zaraina
iray volana mialoha na telo volana mialoha ho
an’ireo voatendry ho amin’izany.
5- Mialoha ny hanantazan’ny diakona ny fanatitra
dia atao ny vavaka fanolorana sy vavaka ho
an’ny fanatitra sy ampahafolony efa voaomana
eny am-pelatanan’ny tsirairay avy. Izany koa
dia vavaka mba hiomanan’ny tsirairay sahady
amin’ny fanatitra amin’ny Sabata manaraka.
Fankasitrahana an’Andriamanitra ny amin’ny
fitahiana lehibe izay nataony tamin’ny vahoakany.
Fangatahana mba ho hanitra manim-pofona
ankasitrahana eo amin’ny seza fiandrianan’Andri
amanitraMananty ny fanatitra ny diakona.
6- Fanantazana fanatitra:

 Ny diakona: ny diakona no mandrotsaka


voalohany raha vao mandray ny fanantazana
izy.

FIPIKRI - 68
 Mpandraharaha eny aloha: manaraka azy dia
ireo mpandraharaha eny aloha.

 Ny mpivory: rehefa vita ireo vao tantazana ny


fanatitry ny mpanatrika.
7- Manao hira iraisana fanolorana ny fanatitra ny
fiangonana.
8- Hametraka izany avy hatrany eny amin’izay
toerana talakimaso ny diakona.
9- Inona no azo atao mandritra ny fanantazana ny
fanatitra?

Na mitendry feon-kira manandratra ny fo sy


fanahy amin’Andriamanitra ny mpitendry zava-
maneno.

Na, manao hira iraisana mikasika ny fanoloran-


tena ny fiangonana manontolo.

Na, misy olon-tokana na vondron’olona


mpikambana ao amin’ny antoko mpihira ihany,
na, ny antoko mpihira manatanteraka hira
mikasika io fanompoam-pivavahana io.

Mialoha ny hametrahan’ny diakona ny fanatitra: aoka


ny mpanentana hanontany andrao nisy voadingan’ny
diakona na tsy nandalovany mihitsy kanefa nanomana
fanatitra. Raha misy, dia aoka tsy hisalasala mankeny
ny diakona.

Fanamarihana: Koa satria efa zarina manomana


fanatitra ny vahoakan’Andriamanitra dia tsara raha
sorohina ny fangalana famerim-bola. 10000ar ohatra
no arotsaka ary maka famerim-bola 5000ar ao anaty
fanantazana izy ho famerim-bolany.

69 - FIPIKRI
Fanisana fanatitra
Fotoana
Mba hisorohana ny fifampiahiahiana dia ny Sabata
antoandro vao mirava no fotoana mety indrindra
hanisana ny ampahafolony sy ny fanatitra na ny tsy
am-balopy izany na ny am-balopy.

Ireo mpanisa fanatitra:


Miaraka manatona ny fanantazana fanatitra ny
mpanisa fanatitra rehetra. Tsy misy olona tokana
hihevi-tena hitokisana ka handray an-tanana samirery
ny fanombohana ny fanisana ny fanatitra.
Mpitahiry volam-piangonana.
Mpitahiry vola mpanampy.
Filohan’ny diakona (Sy diakona hafa arakaraka ny
haben’ny fiangonana).
Loholona (Loholon’ny FIPIKRI raha misy).
Ho fisorohana ny voso-dratsy mety hampidirin’ilay
ratsy, ny vaomiera mpanendry dia tokony hihevitra
mialoha mba tsy ho mpihavana akaiky ireo olona ireo.
Azo atao koa ny manovaova ny ekipa mba tsy halaim-
panahy hitsikombakomba amin’ny ratsy ireo zatra
miaraka manisa fanatitra.

Fomba fanisana fanatitra:


Ampahafolony: satria saro-pady ka tokony hotehirizina
ho tsiambaratelo ny ampahafolony arotsaky ny olona
iray dia ny mpitahiry volam-piangonana sy ny loholona

FIPIKRI - 70
ihany no manana zo hanokatra ny valopy. Atao avy
hatrany ny rosia ary tsy maintsy samy manao sonia
ny roa tonta, manamarina fa io tokoa no sora-bola tao
anaty valopy voaray.
Fanatitra: Ny mpitahiry vola mpanampy ampian’ny
diakona kosa no manisa ny fanatitra tsy am-balopy.
Fanatitra misy tondro zotra: Jereo ny toko fahavalo.

71 - FIPIKRI
TOKO 8
FOTO-KEVITRA FOTOTRA IJOROANA

N
y fanomezana ara-drafitra eo amin’ny Fiangonana
Advantista dia mijoro amin’ireto foto-kevitra ireto:

Fananana iombonana:
Asan’ny Apôstôly 2:44-46. Fitsinjovana ny filàn’ny
hafa eo amin’ny lafiny ara-materialy. Voalaza fa mpino
mpanankarena i Nikôdemosy kanefa maty nahantra izy
satria nampiasainy nanampiana ny hafa ny fananany.

Fanomezana manao vy-very:


2 Kôrintianina 8:1-5. Manome ohatra tsara mikasika ny
fitiavana manome ho fanampiana ny hafa ny fiangonana
tao Makedônia. Nihoatra izay zakany no nomeny. Nanolo-
tena ho an’Andrimanitra aloha izy ireo, avy eo nanolo-
tena ho an’ireo apôstôly. Ny môdely omen’ny Soratra
Masina dia io fileferana tanteraka amin’Andriamanitra
io.

FIPIKRI - 72
Fanamafisana ny ampahafolony:
Nivelona tamin’ny ampahafolony ireo levita tamin’ny
androny. Nampiasain’i Paoly izany ho môdely fanohanana
ireo mpitory ny filazantsara (1 Kôrintianina 9:11-14).
Io dia maneho fa neken’i Paoly ho fototra fanohanana
ny asan’ny fiangoanna voalohany ny rafitra momba ny
ampahafolony.

Fanomezana vita planina:


1 Kôrintianina 16:1-3 no fanalahidy manoro ny planina
fanomezana:
- Omanina mialoha: amin’ny voalohany amin’ny
herinandro.
- Manokana araka izay fitahiana noraisina.
- Fandraisana izany ho fomba fanaon’ny tena
manokana isan-kerinandro.(Ohatra, 10% faharoa
no atokana ho fanatitra).

Famintinana:
Ny fananana napetraka mba hotantanantsika dia natao
- Hiahiana ny ankohonantsika.
- Hanamaivanana ny fahorian’ ny hafa.
- Hanomezam-boninahitra an’Andriamaitra fa tsy
ny tena.

73 - FIPIKRI
- Ampiasaina hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra
fa tsy ny fonenana eto an-tany.
Fitaovana iray hisedrana ny maha-mpianatra ny
fananana. Te ho mpianatr’i Jesôsy ilay tovolahy
mpanankarena. Naniry mafy koa i Jesôsy mba ho lasa
mpianany izy io “Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia
azy...” – Mar. 10:21. Ny dingana farany handraisana azy
ho mpianatra dia ny hoe: “ Mbola diso zavatra iray loha
ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ny
malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary
avia, manaraha Ahy.” - Mar. 10:21; Lio. 18:22.

PLANIN’NY FANATITRA ATAMBATRA (Combined


Offering Plan):
Nivoatra nanaraka ny taona nifandimby ny fanatitra teo
amin’ny fiangonana.
Nandritra ny fikaonan-doha fanao isan-taona tany
amin’ny Foibe maneran-tany ny 2002 dia nanapa-
kevitra ny fiangonana ny hanatsotsorana ny rafitry
ny fanatitra mba tsy hisian’ny safotofoto. Nekena
ny ampiharana ny Planinan’ny Fanatitra Atambatra
(Combined Offering Plan) ka amin’izany no anambarana
ny fanatitra voaangona mandritra ny Sekoly Sabata
sy ny fanompoam-pivavahana rehetra. Ny ampahany
betsaka amin’izany dia mijanona ho an’ny fiangonana
eo an-toerana. Ny ambiny kosa no tsinjaraina mankany
amin’ireo ambaratonga samihafa: Federasiona na
Misiona, Fivondronambe, Vakim-paritra (Diviziona) ary
ny Foibe maneran-tany ho famitàna ny iraka.

FIPIKRI - 74
Misy karazany maro ireo fanatitra atao isan-tSabata
izay atao indroa mitanty ihany:

Fotoanan’ny Sekoly Sabata:


- Fanatitra Sekoly Sabata
- Fanatitra Fanambinana
- Fanatitra Tsingerintaona
- Fanatitra Sabata faha-13
- Fanatitra Manokana

Fotoam-pivavahana
- Fanatitra fanompoam-pivavahana
Akambana avokoa ireo fanatitra rehetra ireo ary
zaraina roa avy hatrany ka ny 50% mijanona ho an’ny
fiangonana eo an-toerana ary ny 50% kosa arotsaka
any amin’ny Misiona/Federasiona ary izy ireo indray
no mandefa izay anjaran’ny ambaratongam-pitondrana
isanisany avy ho fanohanana ny asa maneran-tany.

PLANIN’NY FANOMEZANA ISAM-BATAN’ OLONA


Amin’ny alalan’ity planina ity indray, ny mambra
dia afaka mifidy araka izay tiany ny hitsinjarany ny
fanomezany amin’ireto:
- Fiangonana eo an-toerana.
- Federasiona na Misiona.

75 - FIPIKRI
- Ny Fiangonana Maneran-tany (Union – Division -
Conference Générale).
Amin’ny maha-fanatitra azy dia malalaka ny tsirairay
ny amin’ny tondro zotra tiany hatao. Kanefa amin’ny
maha-iray ny fiangonana sy hisorohana ny fifaninanana
eo amin’ireo sampana ary ny fanaovana olon-tiana dia
tokony hobeazina ny mambra tsy hanao tondro zotra ho
an’ny sampana. Izany dia ny mba hisorohana ny mizàna
tsindrian’ila. Satria mety hisy ny sampana tsy mba misy
mpanohana mihitsy ka harefo sy handringa ary hisy
fahabangana tsapa eo amin’ny asan’ny fiangonana. Ny
tondrozotra ho amin’ny fampandrosoana ny fiangonana
an-kapobeny na ho an’ny tetik’asa manokana
nifanarahan’ny kômity hanaovana antso fanohanana
kosa dia azo atao.
Ny fanaovana tondro zotra ho an’ny sampana dia
mampihena ny vola miditra amin’ny vaindohan-
draharahan’ny fiangonana eo an-toerana. Tokony
hirotsaka amin’ny fiangonana ny vola miditra ary ny
fiangonana kosa mitsinjara izany sy manaja ny teti-
bola efa nekeny. Amin’izany dia hiara-mitombo ny
sampana rehetra ary voahaja ny laharam-pahamehana.
Tsara indrindra raha beazina ny mpino tsy hanome
ny fanatitra ho an’ olona na ho an’ny sampana fa ho
an’Andriamanitra. Andeha halaintsika sary an-tsaina
ny tokantrano iray misy ankizy marobe ka izay vahiny
mamangy rehetra dia manome vola ho an’ilay zaza iray
mahay mifandray aman’olona avokoa. Mipitrapitra kosa
ireo ambiny. Ny ray aman-dreny hendry dia handresy
lahatra io zaza io hanome ny vola hotantanan’ izy ireo
ka izy ireo no mahalala ny filàn’ ny ankizy tsirairay avy
ao an-tokantrano.

FIPIKRI - 76
Ny hoe ny fiangonana eo an-toerana ihany no anaovana
fanatitra fa tsy misy alefa any amin’ny Misiona na
Federasiona na Fiangonana Maneran-tany (ny fanatitra)
dia midika ho “firaisana petsapetsa amin’ny fitiavan-
tena” (egoisme collectif).

TONDRO ZOTRA HO AMIN’NY TETIK’ASA IOMBONANA


Raha manana tetik’asa kosa ny fiangonana dia azon’ny
mambra atao ny manao tondro zotra ho amin’izany ary
hajaina ny tondro zotra. Izany hoe tsy sampana iray no
tohanana fa ny fiangonana manontolo.
Toy izao manaraka izao kosa ny fitsinjarana ny fanatitra
araka ny “Planinan’ny Fanatitra Atambatra” mifandraika
amin’ny iraka nankinina amin’ny fiangonana maneran-
tany izay hita ao amin’ny Asan’ny Apôstôly 1:8: “... Ary
ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy
Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany”.
Eo amin’ny lamina maneran-tany dia misy ambaratonga
efatra ny fiangonantsika:
1- Fiangonana eo an-toerana. Ny distrika kosa
dia tsy ambaratongam-pitondrana.
2- Federasiona/Misiona.
3- Union: Fivondronamben’ireo Federasiona na/
sy Misiona.
4- Foibe maneran-tany izay mitsinjara Diviziona
maromaro.

77 - FIPIKRI
AMBARATONGA IRAKA FANATITRA
FOIBE ERAN- Foibe: 20%
TANY mitsinjara
ho DIVIZIOANA NA FARAN’NY TANY Diviziona: 5%
VAKIM-PARITRA
MAROMARO 20 + 5= 25%
UNION (FIVON-
DRONAMBEN’IREO
FEDERASIONA SY SAMARIA 5%
MISIONA
FEDERASIONA NA JODIA 20%
MISIONA
FIANGONANA EO JEROSALEMA 50%
AN-TOERANA

Fanamarihana:
Na dia eo aza ireo karazana fanatitra sy ny
filàna maro noho ireo tetik’asa isan-karazany dia
aoka mba ho indroa ihany ny fanatazana fanatitra eo
amin’ny fiangonana ka beazina ny mambra hanaraka
ny toromarika voalaza etsy ambony. Izany fanantazana
fanatitra izany dia:
1- Amin’ny fotoanan’ny Sekoly Sabata, ankoatra ny
tsingerintaona, fanambinana.
2- Amin’ny fotoanan’ny fanompoam-pivavahana
Sabata maraina.

FIPIKRI - 78
TOKO 9
FANONTANIANA
FAMETRAKA MATETIKA

1- Inona no atao hoe ampahafolony?

N
y ampahafolony dia ny iray ampahafolon’ny
karama na ny vokatra averina amin’Andriamanitra.
Masina izy io ary Azy rahateo fa Izy no tompon’ny
zavatra rehetra, ny fananantsika sy ny fiainantsika. (Lev.
27:30). Porofon’ny fahatokiana an’Andriamanitra sy ny
fiankohofana Aminy ny famerenana ny ampahafolony.

2- Rahoviana aho no tokony hamerina ny


ampahafolony?
Raha vao azo ny karama na vao miakatra ny
vokatra dia atokana haingana aloha ny an’Andriamanitra.
Fanaovana Azy ho loha laharana izany.
“Tsy tokony handany ny volantsika aloha isika vao
hamerina ny an’i Jehôvah izay ambiny, eny fa na
dia marina tsara aza ny 1/10 naverina. Aoka ho loha
laharana ny fanokanana ny Azy.” Conseil à l’Econome,
t. 86 §2.

79 - FIPIKRI
3- Tsy maintsy mamerina ny ampahafolony
ve aho raha sahirana na mahantra na
mbola manefa trosa?
Mitovy ny fitakiana atao amin’ny rehetra. Samy ny
ampahafolony no averina na kely voarainao na be. Izany
hoe tsy sandany betsaka toy ny averin’ny mpanankarena
no takina amin’ny mahantra fa sanda mifanentana
amin’izay noraisiny. Samy ampianarin’Andriamanitra
hametraka Azy amin’ny laharana voalohany ny olona
rehetra na saranga inona na saranga inona. Samy
manaja Azy. Samy miankohoka Aminy. Tsy mitaky izay
hahavaky tratra ny zanany Izy. Tsy notakiny izy io raha
fantany fa mahasoa antsika ny fitazonana azy.
Tsara ny manefa trosa. Raha ahodintsika ny
ampahafolony dia ananan’Andriamanitra trosa isika
sady ho ozona ho antsika izany.
“Aoka tsy hisy olona, sahirana, haka ny vola voatokana
ho amin’ ny tanjona ara- panahy hampiasaina ho an’
ny tombontsoany, mampandry ny feon’ ny fieritreretany
amin’ ny eritreritra hanonitra izany any aoriana.”
Conseil à l’Econome, t. 84 §2.

4- Ahoana no famerenana ny ampahafolony?


Atao anaty valopy manokana izay alaina any amin’ny
mpitahiry volam-piangonana. Entina any am-
piangonana izay mahazatra anao ary arotsaka amin’ny
fotoana fanantazana fanatitra. Anisan’ny fiankohofanao
amin’Andriamanitra izany ary mampiseho fa Izy no
Mpamorona sy Mpanavotra anao. Ny tompon’andraikitra
no manatitra azy mitambatra any amin’ny foibe izay
atao hoe trano firaketana. (Mal. 3:10). Rehefa tonga ny
Sabata manaraka dia mahazo rosia manaporofo ianao
fa voaray soamantsara ny vola narotsakao.

FIPIKRI - 80
5- Azoko ampiasaina amin’ny asan’
Andriamanitra ve ny ampahafolony?
Ny foibem-pitantanana no mandrindra
ny fampiasana ny ampahafolony. Ny baiko
azontsika sy ny toromarika dia ny fitondrana
azy ireny any amin’ny trano firaketana.
“... Ny ampahany natokan’Andriamanitra ho
an’ny tenany dia tsy azo avilivily ho any amin’ny
antony hafa noho izay efa voalazany mazava
hampiasana azy ihany. Aoka tsy hisy olona hahatsapa
fa manana fahafahana hihazona ny ampahafolony, mba
hampiasany azy araka izay fiheverany manokana. Tsy
azony atao ny mampiasa izany ho an’ny tenany noho ny
fisian’ny toe-javatra miseho tampoka, na mampiasa azy
araka izay heveriny fa mety, eny, fa na dia amin’izay
mety hoheveriny fa asan’Andriamanitra aza.” – 9T 247.

6- Azoko ahemotra ve ny famerenana ny


ampahafolony?
Maka fanahy ny tenantsika isika raha mitahiry ny
ampahafolony. Aoka ho azo antoka fa voaloa avokoa
izy ireny. Azo aterina hatrany ny ampahafolony na dia
kely aza ny sandany ka heverina ho mahamenatra. Ny
fahatokiana no zava-dehibe.
“Ny tsirambina amin’ ny fanemorana io adidy io dia
miteraka tsy fankasitrahana.” Conseil à l’Econome,
t. 71 §4.

81 - FIPIKRI
7- Mankaiza ary ahoana no ampiasana ny
ampahafolony?
Ampiasaina amin’ny fitoriana ny filazantsara ny
ampahafolony. Izany no iraka nankinin’i Jesôsy amin’ny
fiangonana.
“Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy
Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema
sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny
tany.” - Asa. 1:8.
“Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana
tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny
vola vidin’ny zavatra lafo, ka napetrany teo anoloan’ny
tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin’izy rehetra
araka izay nilainy avy” - Asa. 4:34-35.
Alefa any amin’ireo ambaratongam-pitantanana ka
izy ireo no mitantana azy mba ho tratra ny fitoriana
maneran-tany:
- Jerosalema: Fiangonana eo an-toerana.
- Jodia: Federasiona na Misiona.
- Samaria: Union na ny Fivondronamben’ireo
Federasiona/Misiona.
- Faran’ny tany: Foibe maneran-tany izay mitsinjara
ho vondrom-paritra maromaro na Diviziona.

“Nanome torohevitra manokana ny amin’ny fampiasana


ny ampahafolony Andriamanitra. Tsy namorona ny
asany ho simba noho ny tsy fisiam-bola Izy” – 9T 247.

FIPIKRI - 82
“Ny fisintahana amin’ny tari-dalana tsara nomen’
Andriamanitra mikasika ny 1/10 sy ny fanatitra dia
soratana ao amin’ ny rejisitry ny lanitra ho toy ny
halatra atao amin’ Andriamanitra”. Conseil à l’Econome,
t. 82, § 2.

8- Ny mason-karena ve no hamerenana
ampahafolony sa ny tombom-barotra?
Satria ny renivola ampiasaina dia efa nanesorana
ampahafolony, noho izany dia tsy anesorana intsony izy
fa izay tombony no sisa hamerenana ny ampahafolony.
Tsy amin’ny varotra ihany izany fa amin’ny fambolena
sy ny endrika fampiasam-bola rehetra. Tsy kajiana
ao anatin’izany anefa ny fotoana sy ny hery lany ka
heverina ho toy ny renivola koa.

9- Tsy maintsy averina ihany ve ny


ampahafolony raha tsy ampy handoavana
ireo fandanianay ny vola miditra? (Hofan-
trano, Jiro sy rano, saram-pianarana, sns)
Rehefa averina ny ampahafolony izay an’Andriamanitra
dia hisy fitahiana kokoa ny fampiasana ny 90%.
Kely noho ny 100% tsy nanesorana ny 90%. kanefa
aoka ho ao an-tsaina fa kely noho ny 90% hazonintsika
ny 10% naverina tamin’Andriamanitra.
« Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no
hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no
hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa
fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa
tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha
ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho
anareo izany rehetra izany. » - Mat. 6: 31-33.

83 - FIPIKRI
10- Miresaka momba ny ampahafolony ve ny
Testamenta Vaovao?
Efa fanao ny famerenana ny ampahafolony ka tsy
nilaina ny tena nanentana be momba izany. Ny toe-
tsaina nentina namerina azy ireny no nahitsin’i Jesôsy.
« Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe:
Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka
ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina,
mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-
karena amin’izay azoko rehetra aho. » - Lio. 18:11-12
« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo,
mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy
ny aneta ary ny komina* hianareo, nefa navelanareo izay
lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo
ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy
tokony havelanareo ireroana. » - Mat. 23:23.

FIPIKRI - 84
TOKO 10
NY AMPAHAFOLONY:
FOTO-KEVITRA SY TARI-DALANA

I
ty toko farany ity dia nadika avy amin’ny tari-
dalana navoaky ny Foibe Maneran-tany mitondra ny
lohateny hoe: “Tithing: Principles and Guidelines”.

SASINTENY
Raha ny tantara no jerena, dia nisalasala ny
fiangonana teo amin’ny famoahana torolalana ôfisialy
mahakasika ny fomba tokony hampiharan’ny mambra
ny foto-pinoana momba ny fanaovana ampahafolony eo
amin’ny toe-javatra manokana. Ny hany natao mantsy
dia filazana ireo fanambaràn’ny Soratra Masina sy
ireo fanambaràn’ny Fanahin’ny Faminaniana, izay
mampianatra ireo foto-kevitra momba ny ampahafolony,
sy miantso fahatokiana amin’ny fo rehetra avy amin’ny
mambra eo amin’io lafim-piainana maha-kristianina io.
Nametraka tsy ankiato fanontaniana mahakasika
ny fanaovana ampahafolony anefa ireo mambra sy ireo
mpiasan’ny fiangonana. Ho fanomezana loharanon-
torohevitra sy fampahafantarana afaka manampy ny

85 - FIPIKRI
tsirairay no nahatonga ireo mpitantana asa ao amin’ny
Foibem-pitantanana Maneran-tany hanendry kômity
iray izay hanomana ny tahirin-kevitra “Foto-kevitra sy
Torolalana mahakasika ny Ampahafolony.” Noho izay
antony izay koa no nahatonga ny firafitry ny mambran’io
kômity io hampiditra mambra tsotra sy mpiasan’ny
fiangonana maro samy hafa.
Asehon’ilay kômity ao anatin’ity tahirin-kevitra
ity ny famintinana ny fanadihadiana midadasika momba
ny fihetsiky ny Kristianina Advantista Mitandrina ny
Andro Fahafito manoloana ny fitakian’Andriamanitra
momba ny ampahafolony. Manolotra andian’andalan-
teny tena tsara koa izy io, andian’andalan-teny izay
mirakitra foto-kevitra momba ny ampahafolony,
notohanana tamin’ny teny notsongaina avy tao amin’ny
Baiboly sy ny Fanahin’ny Faminaniaina. Azon’ny
tsirairay ampiasaina eo amin’ny fandraisana fanapahan-
kevitra voalanjalanja tsara mahakasika ny fanaovana
ampahafolony io andian’andalan-teny io.
Hisy dika mitovy amin’ny tahirin-kevitra “Foto-
kevitra sy Torolalana mahakasika ny Ampahafolony”
azon’ny sahan’asa sy olona tsirairay izay mangataka
izany hampiasaina. Ny faniriana dia ny hampiasana azy
ireo, tsy ho toy ny fitsipika entina hitsarana ny hafa,
fa ho toy ny torohevitra sy fampahafantarana hanampy
ny Kristianina Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito
tsirairay izay miezaka ny ho mpitantana mahatoky ny
fananana nankinina taminy.
Ireo mpitantana ao amin’ny Foibem-Pitantanana
Maneran-tany.

FAMPIDIRANA
Eo amin’ny fiarahamonina mifampidipiditra
amin’izao vanim-potoana izao dia sarotra ho an’ny
olona mandray karama sy ho an’ny mpiasa tena ary

FIPIKRI - 86
ho an’ny mpandraharaha ihany koa ny mamaritra
ny vola miditra aminy tokony hakana ampahafolony.
Matetika ny mambra no manontany ny mpitandrina na
manoratra any amin’ny biraon’ny Misiona/Federasiona,
mangataka torohevitra mahakasika ireo fanontaniana
momba ny ampahafolony izay manahirana ny sainy.
Amin’ny kapobeny dia misalasala ny hanolotra valinteny
mifototra amin’ny heviny manokana ny olona. Koa
tsapa fa tokony hisy fitaovana omanina mba halefa any
amin’ny olona tahaka izany, fitaovana izay mifototra
amin’ny fandinihan’ny “mpanolo-tsaina maro dia maro.”
Nanjary nihasarotra kokoa ny mikajy ny
ampahafolon’ny tena manokana nandritra izay taona
faramparany izay. Ny mpampiasa tokoa mantsy
dia manome tombontsoa sy mari-pankasitrahana
fanampiny mihamaro hatrany. Ny sasany amin’ireo dia
tsy anaovana tatitra any amin’ny fanjakana ho toy ny
karama, ary ny sasany tsy aloa vola amin’ny mpiasa.
Misy fanalana maro atao amin’ny karama izay takina
ara-dalàna, sy fanalana hafa izay mety mifandraika
mivantana amin’ny hetra, ny drafitra fisotroan-dronona
ary ny saram-pifanekem-piantohana.
Nandritra ireo taona nifandimby dia nanolotra
torohevitra mahakasika ny lafiny maro amin’ny
ampahafolony ny Foibem-Pitantanana Maneran-tany.
Olona maro ihany koa no naneho ny heviny manokana
mahakasika io lohahevitra io tamin’ny alalan’ny
lahatsoratra navoaka tao amin’ny gazetiboky Adventist
Review. Mbola tsy nisy torolalana feno sy tamin’ny
tsipiriany novokarina mialoha anefa mba hanampiana
ny mambra hikajy ny ampahafolony.
Nitarika fanadihadiana momba ny fahazarana
mahakasika ny ampahafolony ny departemantan’ny
Fitantanam-Piainana Kristianina tao amin’ny Foibem-
Pitantanana Maneran-tany tamin’ny taona 1983.
Nisy andiam-panontaniana feno nalefa tany amin’ireo
filohan’ireo Fivondronambe sy ireo Federasiona/

87 - FIPIKRI
Misiona, sy tamin’ireo mpitahiry vola sy filohan’ny
sampana FIPIKRI. Ny valin’ilay andiam-panontaniana
dia nanamafy ny ilàna fikarohana sy fanazavana ary
torolalana lalindalina sy maro kokoa mahakasika ny
lohahevitra momba ny ampahafolony.
Tamin’ny volana Oktôbra 1983 dia nanendry
kômity iray manokana ny Foibem-Pitantanana Maneran-
tany mba hiantsoroka io fikarohana io. Taorian’ny
fivoriana tsy tambo isaina nataon’ny kômity feno sy
ny fivoriana maro nataon’ny kômity kely kokoa, dia
vita am-bangovangony ny tatitra voalohany nataon’ny
kômity. Tamin’ny lohataonan’ny 1984 io vangovangony
io, niaraka tamin’ilay andiam-panontaniana, dia
nalefa tany amin’ny mpitantana asan’ny fiangonana sy
lehiben’ny departemanta miisa 160, sy tany amin’ny
pasitora teo ho eo amin’ny 60 ary mambra laika teo ho
eo amin’ny 60 ihany koa.
Notombanan’ireo olona ireo ny soso-kevitra
momba ny Foto-kevitra sy Torolalana Mahakasika ny
Ampahafolony ary naneho ny heviny sy ny soso-keviny
mahakasika izany izy ireo. Amin’ny kapobeny dia tena
miombon-kevitra ireo olona 120 izay namerina ny
fanadihadiana. Nisy soso-kevitra mahasoa maro voaray,
ka nampidirina tao anatin’ny fandrafetana farany ny
Torolalana ny ankamaroan’izany.TOKO 1 - FOTO-
KEVITRA MOMBA NY FANAAMPAHAFOLONY

1. Andriamanitra no Mpamorona, Tompo, Mpihazona,


ary Mpanavotra antsika
“Fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra
any an-danitra sy etý ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny
tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana,
na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady
ho Azy izany; ary Izy no talohan’ny zavatra rehetra,
sady ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.” - Kôl.
1:16,17.

FIPIKRI - 88
“Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny
lanitra sy ny tany.” - Gen. 1:1.
“Ny tenin’i Jehovah no nanaovana ny lanitra;
ary ny fofonain’ny vavany no nanaovana ny hamaroany
rehetra. Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy
ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-
trano fitehirizana Izy. Aoka hatahotra an’i Jehovah ny
tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina
rehetra amin’izao tontolo izao. Fa Izy no niteny dia ary
izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.” - Sal.
33:6-9.
“Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra;
Izy no nanao antsika, ary Azy isika, dia olony sy ondry
fiandriny.” - Sal. 100:3.
“Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao
rehetra. Fa Sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny
andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao
amin’izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-
vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny
biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-
bavahadinao. Fa henemana no nanaovan’i Jehovah
ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay
rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ny andro
fahafito; izany no nitahian’i Jehovah ny andro Sabata
sy nanamasinany azy.” - Eks. 20:8-11.
“Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa
nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara
mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny
tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny
samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, nanao tamin’ny
feo mahery hoe: Matahora an’Andriamanitra, ka omeo
voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary
miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany
sy ny ranomasina ary ny loharano.” - Apôk. 14:6,7. 

89 - FIPIKRI
“Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao
amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy
dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany. Izy no
nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy
nisy nahariana izao zavatra àry izao, na dia iray aza.
Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana
ny olona.” - Jao. 1:1-4
“An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy,
izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. Fa Izy no
nanorina azy tambonin’ny ranomasina, tambonin’ny
rano no nampitoerany azy.” - Sal. 24:1, 2.
“Fa Ahy ny biby rehetra any an’ala, sy ny biby
fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra. Fantatro ny
vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko
ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha. Raha mba noana
Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy
izay rehetra eo aminy.” - Sal. 50:10-12.
“Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy
Jehovah, Tompon’ny maro.” - Hag. 2:8.
“Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana
tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy
amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana
na aloka avy amin’ny fihodinana.” - Jak. 1:17. 
“Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny
hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny
fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etý
an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny
fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. Avy aminao
ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka
amin’izao rehetra izao; eo an-tànanao ny hery sy ny
tanjaka, ka eo an-tànanao koa ny mampahalehibe sy
ny mampahatanjaka izao rehetra izao. Koa ankehitriny
misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny
anaranao be voninahitra. Fa zinona moa aho, ary zinona
moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa

FIPIKRI - 90
avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao
ihany no nanomezanay Anao.” - 1 Tant. 29:11-14.
“Fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no
manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny
fanekeny, izay nianianany tamin’ny razanao, tahaka ny
amin’izao anio izao.” - Deo. 8:18.
“Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy
ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny
tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-
tànana, sady tsy mba tompoin’ny tànan’olona toa mila
zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina
sy fofonaina ary ny zavatra rehetra.” - Asa. 17:24,25.
“Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo
dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady
efa azonareo tamin’Andriamanitra? Ka tsy tompon’ny
tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo; ka dia
mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.” - 1
Kôr. 6:19,20.
“An’Andriamanitra isika; zanany lahy sy
zanany vavy,-Azy noho ny famoronana ary Azy noho ny
nanolorany ny Zanany Lahitokana ho fanavotana antsika.
Tsy antsika isika fa olom-boavidy: ka dia mankalazà
an’Andriamanitra amin’ny tenanareo, sy amin’ny
fanahinareo, izay an’Andriamanitra. An’Andriamanitra
ny saina, ny fo, ny sitrapo, ary ny fitiavana lalina;
an’ny Tompo ny vola izay hazonintsika. Vokatry ny
hamoram-pon’Andriamanitra ny fananana tsirairay izay
azontsika sy ifaliantsika.” - Counsels on Stewardship,
t. 72.2. Mpitantana na mpikarakara izay
mitandrina ny fananan’Andriamanitra ny
olombe“Efa nampanjakainao amin’ny asan’ny tànanao
izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ny
tongony.” - Sal. 8:6.
“Aoka hataon’ny olona ho mpanompon’i Kristy
sy mpitandrina ny zava-miafina izay an’Andriamanitra
izahay.” - 1 Kôr. 4:1.

91 - FIPIKRI
“Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-
dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena
hiasa sy hitandrina azy.” - Gen. 2:15.
“Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika
hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny
tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ny hazandrano
ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny
biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay
mandady na mikisaka amin’ny tany. Ary Andriamanitra
nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny
endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy
no namoronany azy. Ary Andriamanitra nitso-drano azy
hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany,
ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano
ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby
rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.”  - Gen.
1:26-28.
“Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao
tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona
na inona hiala.” - 1 Tim. 6:7.
“ARY niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay
nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na
dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra
nananany.” - Asa 4:32.
“Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandrin-
draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendrin’ny
tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara
hanina amin’ny fotoana? Sambatra ny mpanompo izay
ho hitan’ny tompony fa, indreo, manao toy izany raha
avy izy.” - Lio. 12:42, 43.
“Mampitovy ny tenany amin’ny Tompony ny
mpitantana. Ekena ireo andraikitry ny mpitantana, ary
tsy maintsy miasa eo amin’ny toeran’ny tompony izy, ka
manao tahaka izay ho nataon’ny tompony raha izy no
mitondra. Raisiny ho azy ny tombontsoan’ny tompony.

FIPIKRI - 92
Mendrika tokoa ny andraikitry ny mpitantana satria
matoky azy ny tompony.” - Testimonies for the Church,
b. 9, t. 246.
“Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba
hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.”
- Jao. 6:38.
“Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny
sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.”
- Jao. 4:34.
“Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka
ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina
amiko itý kapoaka itý; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie
no hatao, fa ny Anao.” - Mat. 26:39.
“Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka
nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any
an-danitra sy etý an-tany; koa mandehana hianareo, dia
ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy
ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy
Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra
nandidiako anareo; ary indro, Izaho momba anareo
mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao
tontolo izao.” - Mat. 28:18-20.
“Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra
ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any
andrefana no hanangonako anao; Ny avaratra hilazako
hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao
ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy
any amin’ny faran’ny tany, Dia izay rehetra antsoina
amin’ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay
noforoniko sy nataoko.” - Isa. 43:5-7.
“Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa
ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo
ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” -
Mat. 5:16.

93 - FIPIKRI
“Fa lozanareo, Fariseo! Fa mandoa ny
fahafolon’ny solila sy ny rota ary izay anana famboly
rehetra hianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny
fitiavana an’Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo,
nefa tsy tokony havelanareo ireroana.” - Lio. 11:42.
“Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny
boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana
hianareo, koa manomeza maimaimpoana.” - Mat. 10:8.
“Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny
marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.” - Ohab.
21:26.
“Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay;
ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra
hianareo.” - 1 Kôr. 3:9.

“Nankinin’i Jesôsy amin’ireo mpanara-dia


Azy eto an-tany ny asa lehibe izay nambarany fa
notanterahiny tamin’ny fahatongavany. Mitarika asa
lehibe ho famonjena antsika i Kristy, amin’ny maha-
filohantsika Azy, ary mibaiko antsika mba hanaraka ny
ohatra napetrany. Nanome hafatra hotorina amin’izao
tontolo izao antsika i Jesôsy. Tsy maintsy haely
amin’ny firenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona
rehetra io fahamarinana io. Tsy maintsy notoherina
ny herin’i Satana, ary tsy maintsy noresen’i Kristy sy
ny mpanara-dia Azy ihany koa izy. Tsy maintsy nisy
ady mafana natao tamin’ireo herin’ny fahamaizinana.
Ary nisy hoenti-manana notakina mba hanatontosana
amim-pahombiazana io asa io. Tsy manoso-kevitra ny
handrotsaka mivantana hoenti-manana avy any an-
danitra Andriamanitra, fa nanolotra talenta sy hoenti-
manana eo am-pelatanan’ny mpanara-dia Azy Izy, mba
hampiasaina amin’io tanjona ho fihazonana io ady io
mihitsy.” - Testimonies for the Church, b. 3, t. 388.

FIPIKRI - 94
“Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.” -  Eks.
20:3.
“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao
rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra
ary ny sainao rehetra; ary tiava ny namanao tahaka ny
tenanao.” - Lio. 10:27.
“Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia
hanampy ho anareo izany rehetra izany.” - Mat. 6:33.
“Ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony
ho an’ny Tompo aloha, dia vao ho anay koa noho ny
sitrapon’Andriamanitra.” - 2 Kôr. 8:5.
“Mankalazà an’i Jehovah amin’ny fanananao sy amin’izay
voaloham-bokatrao rehetra; Ka dia ho feno mitafotafo ny
fitoeram-barinao, ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo
amin’ny vata fanantazanao.” - Ohab. 3:9, 10.
“Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao
ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro
zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.” – Eks. 23:19.
“Mitaky mihoatra lavitra noho izay omentsika Azy
ny Mpanavotra antsika. Mametraka ny faniriany ho
voalohany ny izaho; saingy mitaky ny fo iray manontolo,
ny fitiavana rehetra, ny Tompo. Rehefa mifanaraka
amin’Andriamanitra isika, dia ny fisaintsainana ny
haja sy ny voninahiny no tonga mialoha ny zavatra
hafa rehetra. Tsy misy olona tiantsika kokoa mihoatra
noho Izy eo amin’ny fanomezantsika sy ny fanatitsika.
Tsapantsika ny hevitr’izany hoe mpiara-miombona
antoka amin’i Kristy ao amin’ny orinasa masina
izany.” - Testimonies for the Church, b. 6, tt. 103,104.
“Nefa izay tsy isan’ny firazanan’ireo akory no nandray
ny fahafolon-karena tamin’i Abrahama sy nitso-drano
ilay nanana ny teny fikasana.” - Heb. 7:6.

95 - FIPIKRI
“Hatramin’ny andron’ny razanareo dia efa niala tamin’ny
didiko hianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko,
dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah,
Tompon’ny maro. Nefa hoy hianareo: Ahoana ary no ho
fiverinay? Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao
amin’ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-
tranoko, ary izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah,
Tompon’ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny
lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana
amby ampy ho anareo.” - Mal. 3:7, 10.
“Ary Melkizedeka, mpanjakan’i Salema, nivoaka nitondra
mofo sy divay; ary izy dia mpisoron’Andriamanitra
Avo Indrindra. Dia nitsodrano azy Izy ka nanao hoe:
Hotahin’Andriamanitra Avo Indrindra anie Abrama, dia
Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; Ary
isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa
nanolotra ny fahavalonao teo an-tànanao. Dia nomen’i
Abrama azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.” -Gen.
14:18-20.
“Fa raha an’i Kristy hianareo, dia taranak’i Abrahama
sy mpandova araka ny teny fikasana.” - Gal. 3:29.
“Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho
tombo-kasèn’ny fahamarinana amin’ny finoana izay
nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain’ny
olona rehetra izay mino izy, na dia tsy voafora aza, mba
hisaina ho an’ireny ny fahamarinana.” - Rôm. 4:11.
“Fa hita marimarina fa avy tamin’ny Joda no nisehoan’ny
Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy
nolazain’i Mosesy akory ny amin’izay ho mpisorona. Ary
hita marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona
hafa miseho ka tahaka an’i Melkizedeka, izay natao tsy
araka ny lalàn’izay didy momba ny nofo, fa araka ny
herin’ny fiainana tsy manam-pahataperana. Fa Izy dia
nambara hoe: ‘Hianao no Mpisorona mandrakizay araka
ny fanaon’i Melkizedeka.’” - Heb. 7:14-17.

FIPIKRI - 96
“Tsy vao tamin’ny andron’ny Hebreo no nisian’ny
fandoavana ny ampahafolony. Efa hatramin’ny andro
taloha elabe, no nangatahin’i Jehovah ny fahafolon-
karena ho anjarany. Efa nanaraka izany fitsipika izany
i Abrahama, izay nanome ny fahafolon-karena an’i
Melkizedeka, ‘mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra.’
Raha noroahina nandositra i Jakoba dia nanao izao
teny fampanantenana izao tamin’i Jehovah, tao
Betela: ‘Ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko
Anao tokoa ny ampahafolony.’ Tatỳ aoriana, rehefa
voalamina ny firenena isiraelita, dia namafisina
indray ny fandoavana ny ampahafolony amin’ny maha
anisan’ny didy naorin’Andriamanitra azy, ka miankina
amin’ny fitandremana azy ny fanambinana ny olona.” -
Patriarika sy Mpaminany, t. 553.“Koa dia iraka solon’i
Kristy izahay, toa an’Andriamanitra mampangataka
anay aminareo, solon’i Kristy izahay ka mangataka
indrindra aminareo hoe: mihavàna amin’Andriamanitra
anie hianareo. Ary izahay mpiara-miasa aminy dia
mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana
ny fahasoavan’Andriamanitra.” - 2 Kôr. 5:20; 6:1.
“Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny
trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary
izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny
maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho
anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy
ho anareo. Ary hasiako teny mafy ny valala noho ny
aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony
ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-
tsaha, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Ary hianareo
hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany
mahafinaritra hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.”
- Mal. 3:10-12.
“Ny lesona lehibe indrindra tokony ampianarina sy
ianarana dia ny lesona momba ny fiaraha-miombona
antoka amin’i Kristy eo amin’ny asa famonjena.”  -
Counsels to Parents, Teachers, and Students, t. 434.

97 - FIPIKRI
“Ary ny ampahafolon’ny vokatra rehetra ao amin’ny
tany, na avy amin’ny tanimbary, na avy amin’ny saha,
dia an’i Jehovah; masina ho an’i Jehovah izany.” - Lev.
27:30.
“Ary ny amin’ny ampahafolon’ny omby, na ny ondry,
na ny osy, dia ny ampahafolon’izay rehetra mandalo
eo ambanin’ny tehin’ny mpiandry, ho masina ho an’i
Jehovah.” - Lev. 27:32.
“Ny teny izay ampiasaina mahakasika ny Sabata
ihany no ampiasaina mahakasika ny lalàna momba ny
ampahafolony: ‘Sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny
andro fahafito.’ Tsy manana zo na fahefana hametraka
ny andro voalohany ho solon’ny andro fahafito ny
olombelona (...) ‘Masina ho an’i Jehôvah’ tahaka izany
koa ny ampahafolon’ny vola miditra amintsika rehetra.
Naverin’ny Testamenta Vaovao indray ny lalàna momba
ny ampahafolony, tahaka ny amerenany ny lalàna
momba ny Sabata; satria efa nekena fa manan-kery
izy roa ireo, ary efa nohazavaina ny lanjany lalina ara-
panahy.” - Counsels on Stewardship, 66.
“Ary tamin’izany andro izany dia nisy olona notendrena
hitandrina ny efi-trano fitehirizana ny rakitra sy ny
fanatitra asandratra sy ny voaloham-bokatra ary
ny fahafolon-karena, mba hangonina ao izay anjara
voadidy ho an’ny mpisorona sy ny Levita avy amin’ny
saha manodidina ny isan-tanàna; fa nifalian’ny Joda
ireo mpisorona sy Levita izay nanompo ireo.” - Neh.
12:44.
“Ary nanao lalàna ho anay koa izahay handoa ny
ampahatelon-tsekely isan-taona hanaovana ny
fanompoana momba ny tranon’Andriamanitsika: dia
ho amin’ny mofo aseho sy ny fanatitra hohanina
mandrakariva sy ny fanatitra odorana mandrakariva,
ary ho amin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny
fotoam-pivavahana, ary ho amin’ny zava-masina sy
ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho

FIPIKRI - 98
an’ny Isiraely, dia hanaovana ny raharaha rehetra
momba ny tranon’Andriamanitsika. Ary nanao filokana
izahay ny amin’ny hanateran’ny mpisorona sy ny
Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho
ao an-tranon’Andriamanitra araka ny fianakavianay
avy amin’ny fotoan’andro isan-taona, handoroana eo
ambonin’ny alitaran’i Jehovah Andriamanitsika araka
izay voasoratra ao amin’ny lalàna, ary mba hitondranay
ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry
ny hazo mamoa rehetra ho ao an-tranon’i Jehovah isan-
taona isan-taona; ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-
teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao
amin’ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay
sy ny ondry aman’osinay dia nekenay hohentina
ho an-tranon’i Jehovah Andriamanitsika, ho an’ny
mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao an-
tranon’Andriamanitsika; ary mba hitondranay ho an’ny
mpisorona koa ny voalohan’ny kobanay voafetafeta
sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry
ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo
ho amin’ny efi-trano ao an-tranon’Andriamanitsika,
ary ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay ho an’ny
Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena
eny an-tanàna rehetra akaikin’ny fambolenay. Ary hisy
mpisorona anankiray, taranak’i Arona, hiaraka amin’ny
Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary
ny ampahafolon’ny fahafolon-karena dia ho entin’ny
Levita miakatra ho ao an-tranon’Andriamanitsika, ho ao
amin’ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra. Fa ho
ao amin’ireo efi-trano ireo no hitondran’ny Zanak’Isiraely
sy ny Levita ny fanatitra asandratra, dia vary sy ranom-
boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin’ilay itoeran’ny
fanaky ny fitoerana masina sy ny mpisorona izay manao
fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary
ny mpihira; ary tsy hahafoy ny tranon’Andriamanitsika
izahay.” - Neh. 10:32-39.
“ARY ny amin’ny famoriam-bola ho an’ny olona masina dia
mba manaova koa hianareo toy izay nasaiko nataon’ny
fiangonana any Galatia. Amin’ny andro voalohany isan-

99 - FIPIKRI
kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra
na amin’inona na amin’inona no anambinana azy, mba
ho vita rahateo ny famorian-bola mandra-pahatongako.”
- 1 Kôr. 16:1-2.
2 Tant. 31:11-21; 2 Kôr. 8, 9; Testimonies for the
Church, b. 3, t. 411; R&H, May 19, 1893; Testimonies
for the Church b. 3, tt. 393,394.
“Tsy navela ho amin’ny fihetseham-po io resaka
fanomezana io. Nanome toromarika raikitra mahakasika
izany Andriamanitra. Napetrany ho fitaovam-pandajana
ny fanoloran-tenantsika ny ampahafolony sy ny
fanatitra. Ary maniry Izy ny hanolorantsika tsy ankiato
sy amin’ny fomba tsy miovaova. (...) Aoka ny tsirairay
samy hamantatra foana ny vola miditra aminy, dia izay
fitahiana rehetra avy amin’Andriamanitra, ka hanokana
ny ampahafolony ho vola miavaka, hohamasinina ho
an’ny Tompo. (...) Rehefa natokana ny ampahafolony,
dia aoka hisy fanomezana sy fanatitra hatokana na
amin’inona na amin’inona no anambinan’Andriamanitra
anao.” - R&H, 9 May 1893
“Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny
trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary
izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny
maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho
anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy
ho anareo.” – Mal. 3:10.
“Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho
entinao ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao. Aza
mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.”  – Eks.
23:19.
“Masina ny ampahafolony, natokan’Andriamanitra
ho an’ny Tenany. Tsy maintsy entina ho ao amin’ny
firaketany izany mba hampiasaina hanohanana ireo
mpiasan’ny filazantsara eo amin’ny asany.” - Testimonies
for the Church, b. 9, t. 249.

FIPIKRI - 100
“Ampahany amin’ny asanareo ny mampianatra ireo izay
tarihinareo ho eo amin’ny fahamarinana mba hitondra
ny ampahafolony ho ao amin’ny trano firaketana, ho
mariky ny fianteherany amin’Andriamanitra.”
“(...) Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra
eo anatrehan’i Jehovah; fa aoka samy hanatitra izay
zakany avy, araka ny fitahian’i Jehovah Andriamanitrao,
izay omeny anao.” – Deo. 16:16,17.
“ALOAVY tsara ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy
amin’ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha
isan-taona.” – Deo. 14:22
“Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany
no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.” - 2
Kôr. 8:12.
“Eo amin’ny rafitra ara-Baiboly momba ny ampahafolony
sy ny fanatitra, ny teti-bola aloan’ny olona samihafa dia
hisy fahasamihafana lehibe, satria arakaraka ny vola
miditra izany.” - Counsels on Stewardship, t. 73.
“Eo amin’ny fifampiraharahan’Andriamanitra amin’ny
Jiosy sy amin’ny vahoakany hatramin’ny andro farany,
dia mitaky fahalalahan-tanana ara-drafitra, arakaraka
ny vola miditra aminy Andriamanitra.” - Testimonies for
the Church, b. 3, t. 405.
“Ary ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny
voaloham-bokatra amin’ny tany izay nomenao ahy. Dia
avelao eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra,
ary mivavaha eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao.
Ary mifalia amin’ny soa rehetra izay nomen’i Jehovah
Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao hianao sy ny
Levita mbamin’ny vahiny eo aminao.” -Deo. 26:10:11.
“Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany
dia tsy mahafaka ny alahelon’ny olona masina ihany,
fa mahabe ny fisaoran’ny maro an’Andriamanitra koa,
satria ny fizahan-toetra anareo amin’izany fanompoana

101 - FIPIKRI
izany no ankalazany an’Andriamanitra noho ny
fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran’i
Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin’ny fiantrana ho
azy sy ho an’ny olona rehetra” - 2 Kôr. 9:12:3.
“Fa araka ny itomboanareo amin’ny zavatra rehetra,
na amin’ny finoana, na amin’ny teny, na amin’ny
fahalalana, na amin’ny fahazotoana rehetra, na amin’ny
fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no
hitomboanareo amin’izao fahasoavana izao. Tsy milaza
izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon’ny sasany mba
hizaha toetra ny hamarinan’ny fitiavanareo koa. Fa
fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika,
fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo
noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny
alahelony.” - 2 Kôr. 8:7-9.
“(...) Nanisy soa antsika Andriamanitra mba
hahazoantsika mizara izany koa amin’ny hafa, ary
amin’izany fomba izany dia hampahafantatra ny
toetra amam-panahiny amin’izao tontolo izao isika.
Tamin’ny andron’ny Jiosy, dia zava-dehibe teo amin’ny
fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra ny
fanomezana sy ny fanatitra. Nampianarina ny Isiraelita
hanokana ny ampahafolon’izay rehetra miditra ao
aminy ho amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana
masina. Manampy izany, dia nitondra fanatitra noho ny
ota izy, fanomezana an-tsitrapo, sy fanati-pisaorana.
Ireo no fomba nanohanana ny asan’ny filazantsara
tamin’izany andro izany. Tsy latsaka noho izay
notakian’Andriamanitra tamin’ny Isiraely no takiany
amintsika koa. Tsy maintsy ampandrosoina ny asa
lehiben’ny famonjena fanahy. Ny ampahafolony, ny
fanomezana sy ny fanatitra no nataony tahiry ho an’ity
asa ity.” – Henoinareo ny Fanoharan, t. 260.
“Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny
fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa
ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra.” 2
Kôr. 9:7.

FIPIKRI - 102
“Nametraka ny fitondrana ny asa ho eo an-tsoroky ny
rehetra arakaraka ny fahafaha-manaon’ny tsirairay
Andriamanitra, ilay Mpahary ny olona, tamin’ny
nametrahany ny rafitra momba ny fahalalahan-tanana
ara-drafitra. Ny tsirairay no ho mpanadihady sy ho
mpandinika ny tenany manokana, ary mipetraka eo
amin’ny tsirairay ny hanao araka izay rehetra inian’ny
fony.” - Testimonies for the Church, b. 4, t. 469.
“Eo amin’ny fikajiana ny ampahany homena ho an’ny
asan’Andriamanitra, dia aoka ho azo antoka ny
hanome mihoatra noho izay takian’ny adidy, toy izay
latsak’izany.” - Ibid.
“Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana
rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra
mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo
amin’ny asa tsara rehetra; araka ny voasoratra hoe:
Namafy izy, eny, nanome ho an’ny malahelo; ny
fahamarinany maharitra mandrakizay. Ary Izay manome
voa ho an’ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy
hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry
ny fahamarinanareo, dia hanan-karena amin’ny zavatra
rehetra hianareo ka handroso amin’ny hitsim-po, izay
mahatonga ny fisaoranay an’Andriamanitra.” -  2 Kôr.
9:8-11.
“RAHA mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao
hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra,
izay andidiako anao anio, dia hasandratr’i Jehovah
Andriamanitrao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny
tany hianao; ary ho tonga aminao sy ho azonao izao
fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’i Jehovah
Andriamanitrao hianao: -- Hotahina hianao ao an-
tanàna, ary hotahina hianao any an-tsaha. Hotahina
ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny
ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy
ny ateraky ny ondry aman-osinao. Hotahina ny haronao
sy ny vilia fanaova-mofonao. Hotahina hianao, raha
miditra; ary hotahina hianao, raha mivoaka. Hatolotr’i

103 - FIPIKRI
Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay
mitsangana hiady aminao, ka làlana iray no hivoahany
hanatona anao, fa làlana fito kosa no handosirany hiala
eo anoloanao. Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah
amin’ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon’ny
tànanao, ka hitahy anao Izy any amin’ny tany izay
omen’i Jehovah Andriamanitrao anao. Hanandratra
anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay
nianianany taminao, raha mitandrina ny didin’i Jehovah
Andriamanitrao hianao ka mandeha amin’ny làlany.
Dia ho hitan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa ny
anaran’i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra
anao izy. Ary hataon’i Jehovah manana amby ampy izay
hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky
ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin’ny
tany izay nianianan’i Jehovah tamin’ny razanao homena
anao. Hovohan’i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony
fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin’ny
taninao amin’ny fotoany sy hitahiany ny asan’ny
tànanao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro
hianao, fa hianao kosa tsy hisambotra. Dia hataon’i
Jehovah ho lohany hianao, fa tsy ho rambony; ary ho
ambony tokoa hianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino
ny didin’i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao
anio, ka mitandrina sy manaraka azy.” - Deo. 28:1-13
“Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny
trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary
izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny
maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho
anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy
ho anareo. Ary hasiako teny mafy ny valala noho ny
aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony
ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-
tsaha, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Ary hianareo
hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany
mahafinaritra hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.”
- Mal. 3:10-12

FIPIKRI - 104
“Na oviana na oviana teo amin’ny tantaran’izao
tontolo izao no nanatanteraka tamin’ny fifaliana sy
fahazotoana ny drafiny eo amin’ny fahalalahan-tanana
mitohy sy eo amin’ny fanomezana sy ny fanatitra ny
vahoakan’Andriamanitra, dia tsapan’izy ireo ilay
fampanantenana tsy miova sy maharitra mandrakizay fa
manaraka ny asany rehetra ny firoboroboana, arakaraka
ny nankatoavany ny fitakian’Andriamanitra.” - Counsels
on Stewardship, t. 347.
“(...) Miankina amin’ny fatrany betsaka amin’ny
fahalalahan-tanany mitohy ny fahasalamana ara-panahy
sy ny firoboroboan’ny fiangonana. Izy io dia tahaka
ny hery iankinan’ny aina izay tsy maintsy mikoriana
manerana ny tena iray manontolo, ka manome hery ny
momba ny vatana tsirairay (...)”  - Testimonies for the
Church, b. 3, t. 405.
“Hatramin’ny andron’ny razanareo dia efa niala tamin’ny
didiko hianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko,
dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah,
Tompon’ny maro. Nefa hoy hianareo: Ahoana ary no ho
fiverinay? (...) Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho
ao amin’ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-
tranoko, ary izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah,
Tompon’ny maro (...)” - Mal. 3:7-12.
“(...) Napetrak’Andriamanitra ny rafitra momba ny
fanomezana mba ho lasa tahaka ny Mpamorona azy ny
olombelona, malala-tanana sy tsy tia tena eo amin’ny
toetra, ary farany ho mpiombona amin’i Kristy ny valisoa
mandrakizay sy be voninahitra.”  - Testimonies for the
Church 9:255.
“Tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa
sedraina eto amin’ity izao tontolo izao ity isika mba
hamantarana raha toa ka mendrika ho amin’ny fiainana
ho avy. Tsy misy olona afaka miditra any an-danitra
izay manana toetra voaloton’ny pentin’ny fitiavan-tena.
Noho izany dia misedra antsika eto Andriamanitra,

105 - FIPIKRI
amin’ny fanankinana fananana eto an-tany antsika.
Ny fampiasantsika ireo fananana ireo dia haneho raha
toa ka azo anankinana harena haharitra mandrakizay
isika.” - Counsels on Stewardship, t. 22.
“Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny
trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary
izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny
maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho
anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy
ho anareo.” - Mal. 3:10.
“Ary ny ampahafolon’ny vokatra rehetra ao amin’ny
tany, na avy amin’ny tanimbary, na avy amin’ny saha,
dia an’i Jehovah; masina ho an’i Jehovah izany. Ary ny
amin’ny ampahafolon’ny omby, na ny ondry, na ny osy,
dia ny ampahafolon’izay rehetra mandalo eo ambanin’ny
tehin’ny mpiandry, ho masina ho an’i Jehovah.” - Lev.
27:30, 32.
“Ary indro, ny taranak’i Levy efa nomeko ny fahafolon-
karena rehetra amin’ny Isiraely ho fananany noho ny
fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin’ny
trano-lay fihaonana.” – Nom. 18:21.
“Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio
izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho,
na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha
any an-dàlana, na mandry, na mifoha; ary fehezo ho
famantarana eo amin’ny tànanao ireny, ary aoka ho
fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinao, ary
soraty eo amin’ny tolam-baravaran’ny tranonao sy eo
amin’ny vavahadinao.” - Deo. 6:6-9.
“Dia mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah
Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy
ny fitsipiny ary ny lalàny, izay andidiako anao anio;
fandrao -- rehefa nihinana hianao ka voky ary nanao
trano tsara ka mitoetra ao, ary mihamaro ny ombinao sy
ny ondry aman-osinao, ary mitombo koa ny volafotsinao
sy ny volamenanao, ary mitombo ny fanananao rehetra

FIPIKRI - 106
-- dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah
Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany
amin’ny tany Egypta, tamin’ny trano nahandevozana,
-- Izay nitondra anao tany amin’ny efitra lehibe sady
mahatahotra, izay misy menaran’afo sy maingoka, dia
ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka
rano ho anao avy tamin’ny vatolampy afovato, -- Izay
nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra
tsy fantatrin’ny razanao, mba hampanetry tena anao sy
hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany;
ary andrao hianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy
ny herin’ny tànako no nahavoriako izao harena izao;
fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome
anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny,
izay nianianany tamin’ny razanao, tahaka ny amin’izao
anio izao.” - Deo. 8:11-18.
“Fa lozanareo, Fariseo! Fa mandoa ny fahafolon’ny
solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra
hianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana
an’Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy
tokony havelanareo ireroana.” - Lio. 11:42.
“Aoka ny fiangonana hanendry mpitandrina na loholona
izay manolo-tena tanteraka amin’ny Tompo Jesôsy, ary
aoka ireo lehilahy ireo hanao izay hahazoana antoka fa
misy mpandraharaha voafidy mba hiandraikitra amim-
pahatokiana ny asa fanangonana ny ampahafolony.
Raha toa ka asehon’ny mpitandrina fa tsy sahaza
azy ny andraikiny, raha toa ka tsy vitany ny haneho
eo anatrehan’ny fiangonana ny lanjan’ny famerenana
amin’Andriamanitra ny anjarany, raha toa ka tsy ataony
izay hahazoana antoka fa mahatoky ireo mpandraharaha
eo ambany fiadidiany sy izay hahazoana antoka fa
entina eo amin’Andriamanitra ny fahafolon-karena, dia
tafiditra ao anatin’ny kizo izy ireo. Manamaivana zavatra
izay hitondra fitahiana na ozona ho an’ny fiangonana izy
ireo. Tokony hesorina aminy ny andraikiny, ary tokony
hisy olon-kafa hosedraina sy hotsapaina ho solony.” -
E. G. White, R&H Supplement, 1 Des. 1986.

107 - FIPIKRI
Ato amin’ity Torolalana mahakasika ny ampahafolony
manaraka ity, dia nanao ezaka matotra ny kômity mba
haneho ao anatin’ny drafitra voafintina ny fahazoana
ireo foto-kevitra momba ny ampahafolony avy ao amin’ny
Baiboly, avy ao amin’ny Fanahin’ny Faminaniana,
avy amin’ny fomba fijerin’ny fiangonana teo aloha ary
avy amin’ny fahafantarana sy ny fanandraman’ireo
mambran’izany kômity izany manokana mahakasika
ny ampahafolony. Niezaka izany kômity izany ny
hitoetra amim-pitandremana fatratra eo anelanelan’ny
fanomezana valinteny feno sy marim-pototra manoloana
ny fanontaniana tsirairay mahakasika ny ampahafolony
etsy an-daniny, sy ny fanomezana andiana valinteny
ambangovangony manjavozavo etsy an-kilany.
Tsy mihambo ho manana ny valinteny farany amin’ny
fanontaniana rehetra mahakasika ny ampahafolony
ireo mambran’ny kômity, izay mpitandrina voahosotra
sy mambra laika. Ny tanjon’ity fandalinana ity dia ny
haneho foto-kevitra sy torolalana izay mety hanampy ny
mambra, eo ambany fitahian’ny Fanahy Masina, amin’ny
famaritana ny vola miditra aminy izay hanesorana
ampahafolony.
Tian’ny kômity ny hanamafy fa ny “Torolalana
mahakasika ny ampahafolony” dia tsy nokendrena ho
fitsipika jadona, mafy ary hentitra mahakasika ny fomba
fikajiana ny ampahafolony, izay natao hamatorana
ny mambran’ny fiangonana amin’ny hoavy. Raha ny
tena marina dia torohevitra sy torolalana izy ity ary
maneho ny fehin-kevitry ny vondrona iray izay nahitana
mpitantan’asan’ny fiangonana sy mpitandrina ary
mambra laika (sy ny hevitry ny ankamaroan’ireo olona
izay namaly ny fanadihadiana). Nandany ora maro izy
ireo mba handinihana ireo fanontaniana sy olana saro-
bahana mahakasika ny ampahafolony, izay tsy maintsy
atrehin’ny ankamaroan’ny mambran’ny fiangonantsika
amin’izao vaninandro izao, eo amin’ny fifandraisany

FIPIKRI - 108
amin’Andriamanitra mahakasika ny fitantanam-
piainana.
Niezaka ny kômity mba hamelabelatra torolalana
mahakasika ireo karazany fototra amin’ny vola miditra
izay mety horaisin’ny mambra mandritra ny androm-
piainany. Feno dia feno ireo torolalana ireo ka mety
ho voatarika ny olona sasany hitsara izany ho toy ny
“manahirana” na fanarahana am-bokony. Tsy izany
velively anefa no zavatra nokendrena. Misy fanontaniana
maro mipetraka mahakasika ny karazana vola miditra
rehetra sy ny olana mifandraika amin’izany.
Tokony ho fanapahan-kevitry ny tena manokana
ny fanapahan-kevitra rehetra mahakasika ny
ampahafolony, izay raisina aorian’ny fandinihana lalina
sy ny vavaka. Fanirian’i kômity ny mba handrisihan’ity
fitaovana ity ny eritreritry ny mambran’ny fiangonana
rehetra sy ny hitarihany ho amin’ny fahatakarana
feno sy mitovy kokoa mahakasika ny andraikitra sy ny
tombontsoan’ny fitantanam-piainana kristianina.
Misy Naoty nampidirina ao anatin’ity Torolalana ity,
izay hanolotra fanazavana fanampiny mahakasika
ny ankamaroan’ny Torolalana. Ny irina dia ny
handraisan’ireo Naoty ireo anjara amin’ny fahatakarana
feno kokoa ny foto-kevitra voambara ao amin’ny
Torolalana.
Ny fahafolon-karena dia ny 10 isan-jaton’ny vola miditra
amin’ny tena manokana, izay faritana ao amin’ny
fizaràna III-A.
Naoty: Ireto torolalana ireto dia mifototra amin’ny hevitra
fa ny ampahafolony dia tokony hokajina avy amin’ny
“vola rehetra miditra amin’ny tena manokana” fa tsy
avy amin’ny “vokatry” ny olona iray. Mety hihevitra ny
olona sasany fa mety kokoa ny mampiasa ny voambolana
“vokatra,” araka izay voalazan’ny Baiboly, noho ny

109 - FIPIKRI
voambolana hoe: “vola miditra amin’ny tena manokana.”
Ny fanapahan-kevitra hampiasa ny voambolana “vola
miditra” dia mifototra amin’ny fandalinana amim-
pitandremana ny hevitry ny voambolana hoe “vokatra,”
araka izay ampiasana azy ao amin’ny Baiboly. Ohatra:
“ALOAVY tsara ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy
amin’ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-
taona. Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon’ny
vokatrao rehetra amin’izany taona izany, ka ataovy ao
an-tanànanao.” - Deo. 14:22, 28.
Nanoloana ny fambolena tsotra teo amin’ny Isiraely, dia
nokajina avy amin’ny vokatra rehetra avy amin’ny voa
nafafy na avy amin’ny biby fiompy ny ampahafolony. Raha
ny fahitana azy dia tsy nisy fandaniana nomarihina na
nojerena teo amin’ny fandraharahana. Nifampizarana
ny asa ary nanamafy ireo angadin’omby sy ireo fitaovana
fandravonana bainga vita tamin’ny tanana ny omby.
Tsy notombanana ara-bola ireo rehetra ireo.
Ny fiarahamonina ankehitriny anefa dia maneho ny
mpamboly sy ny mpandraharaha ary ny mpiasa miaraka
amin’ny fitambaran-javatra mifampidimpiditra, dia
ny famokarana, sy ny saram-pamokarana amin’ny
kapobeny, ary ny fandaniana hafa eo amin’ny
fandraharahana. Tsy maintsy jerena ireo mba
hahafantarana ny ampahany amin’ny vokatry ny asan’ny
olona iray tokony hakana ampahafolony. Koa toa tena
tsara indrindra ny mampiasa ny voambolana fampiasa
kokoa amin’izao fotoana izao, “ny vola miditra,” amin’io
tanjona io. Nampiasa ny voambolana hoe “vokatra” i
Ellen G. White tao amin’ireo fanambaràny mahakasika
ny ampahafolony, saingy ny voambolana hoe “vola
miditra” no fampiasany kokoa amin’ny kapobeny.
Ohatra: ‘Aoka ny tsirairay samy hamantatra foana ny
vola miditra aminy.’ - R&H, 9 May 1893. ‘An’ny Tompo
ny ampahafolon’ny vola rehetra miditra amintsika.’ -
R&H Supplement, 1 Des. 1896. Nisy fanapahan-kevitry
ny kômitin’ny Foibem-Pitantanana Maneran-tany ihany

FIPIKRI - 110
koa izay manohana ny fampiasana ny voambolana ‘vola
miditra.’
“Tapaka, Fa mino isika fa andraikitry ny rahalahy
sy ny anabavintsika rehetra (...) ny manokana ny
ampahafolony amin’ny vola miditra aminy rehetra, na
avy aiza izany na avy aiza, ho an’ny asan’Andriamanitra.”
– Tatitry ny Fivoriana Manokana nataon’ny Foibem-
Pitantanana Maneran-tany, navoaka tao amin’ny R&H,
6 Aprily 1876, t. 108.

A. Oviana no haverina? — Tokony haverina tahaka


ny voaloham-bokatra ny ampahafolony, rehefa
voaray ny vola miditra amin’ny tena manokana.
Raha toa ka amin’ny fiafaran’ny vanim-potoan’ny
fiandraiketan-toebola vao voafaritra ny tena vola
miditra marina, na dia raisina amin’ny fototra
mitohy sy mitovy aza izany, dia tokony haverina
amin’ny fomba tsy miovaova ny ampahafolony,
miainga avy amin’ny famisavisana mialoha ary
ahitsy amin’ny fiafaran’ny vanim-potoan’ny
fiandraiketa-toebola raha ilaina izany.
Naoty: Manamafy ny maha-zava-dehibe ny famerenana
ny ampahafolony amin’Andriamanitra amin’ny
fotoana mety sy tsy miovaova ny Baiboly sy
ny Fanahin’ny Faminaniana: “Mankalazà an’i
Jehovah amin’ny fanananao sy amin’izay
voaloham-bokatrao rehetra.” - Ohab. 3:9.
“Amin’ny vola rehetra miditra amintsika dia
tokony hanokana voalohany indrindra ny
anjaran’Andriamanitra isika.” - Testimonies for
the Church 4:474. “Tsy tokony ho amin’izay
tavela amin’ny vola miditra amintsika no
hanokanantsika ho Azy, rehefa tanteraka
avokoa ny zavatra ilaintsika, ny tena misy sy
ny foronin’ny saina. Fa mialoha ny handaniana
ny ampahany bitika amin’izany dia tokony

111 - FIPIKRI
hanavaka izay nofaritan’Andriamanitra fa Azy
isika.” - Counsels on Stewardship, t. 71.
Ny mambra iray izay tena “manavaka” tokoa ny
fahafolon-karena vantany vao voarainy ny vola
miditra aminy kanefa tsy mitondra izany ho ao
amin’ny “trano firaketana” amin’ny elanelana
tsy miovaova, dia manohitra ny torolalana avy
amin’ny tsindrimandry ary mampihanjahanja
ny tenany amin’ny fakam-panahy hindrana
ny ampahafolony ka hampiasa izany ho an’ny
tenany manokana. “Takian’ny Tompo ny
hanomezana ny ampahafolony ho ao amin’ny
firaketany, amin’ny fomba hentitra sy amim-
pahitsiana ary amim-pahatokiana. Koa aoka
haverina Aminy io ampahany io.” - Counsels on
Stewardship, t. 82.
“Izay navahana araka izay lazain’ny Soratra
Masina fa an’ny Tompo no mandrafitra ny
volan’ny filazantsara, ka tsy antsika intsony.
Tena fitenenan-dratsy mihitsy ho an’ny olona iray
ny maka avy ao amin’ny firaketan’Andriamanitra
mba hanomezany ho an’ny tenany na ho an’ny
hafa.”  - Testimonies for the Church b. 9, tt.
246,247.
Misy sasany mety hanana eritreritra tsara
ny hamerina ny ampahafolony nony farany,
saingy mifidy ny hanao izany amin’ny fotoana
mety aminy kokoa – angamba amin’ny faran’ny
taona. Ny olona tahaka izany dia tsy hoe
mametraka ny zavatra ilainy manokana mialoha
ny fitakian’Andriamanitra fotsiny ihany, fa
tandindomin-doza ihany koa ho tavela tena
lavitry ny adidiny amin’Andriamanitra ka mety
ho tena sarotra ho azy ireo ny manarina izany
indray.

FIPIKRI - 112
“Misy olona izay notahin’Andriamanitra, izay
hozahany toetra mba hahitany ny valiny
asetrin’izy ireo manoloana ny soa nataony.
Nohazonin’izy ireo ny ampahafolony sy ny
fanatitra mandra-pahalasa ny trosa tsy maintsy
haloany amin’Andriamanitra Tompon’ny maro
ho tena goavana, hany ka lasa mivaloarika izy
ireo raha mieritreritra ny hamerina amin’ny
Tompo izay Azy – ampahafolony tena marina.
Faingàna, ranadahy, manana tombontsoa ny
ho mahitsy eo anatrehan’Andriamanitra ianao
ankehitriny; aza mangataka andro.” - Counsels
on Stewardship, t. 97.
B. Aiza no haterina — An’ny Tompo ny ampahafolony
ka tokony hoentina ho ao amin’ny “trano
firaketana” (fitahirizan-drakitry ny Misiona/
Federasiona) amin’ny alalan’ny fiangonana, izay
misy ny anaran’ilay olona, ho toy ny fanompoam-
pivavahana. Raha toa ka misy toe-javatra tsy
fahita miseho, dia tokony hila hevitra amin’ny
mpitantana asan’ny Federasiona na ny Misiona
misy azy ny mambra amin’ny Fiangonana.
Naoty:  Izao no fampitandremana omen’ny Baiboly:
“Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao
amin’ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao
an-tranoko.” - Mal. 3:10.
Hita ao amin’ny Fitsipika Mifehy ny Fitantanana
ny Fiangonana ity fanambaràna manaraka ity:
“An’Andriamanitra ny ampahafolony ary tsy
maintsy entina ao amin’ny fitahirizan-drakitry
ny Federasiona/Misiona, ho toy ny fanompoam-
pivavahana, rehefa avy narotsaka tany amin’ny
Fiangonana misy ny mambra. Raha toa ka
misy toe-javatra tsy fahita miseho, dia aoka ny
mambra amin’ny Fiangonana hila hevitra amin’ny
mpitantan’asan’ny Federasiona na ny Misiona
misy azy.” - Fitsipika Mifehy ny Fitantanana

113 - FIPIKRI
ny Fiangonana, t. 170. Ny famerenana ny
ampahafolony any amin’ny fiangonana misy
ny olona iray dia mampandeha ny drafitry ny
fiangonana ho fizaràna amin’ny fomba marina
sy mahitsy ireo hoenti-manana ara-bola ireo
amin’ny fiangonana maneran-tany.
Ampirisihina ny rehetra mba hamerina fahafolon-
karena marina (ampahafolon’ny vokatra na
ampahafolon’ny vola miditra) ao amin’ny
fitahirizan-drakitry ny fiangonana, ho fanekena
ny drafitry ny Baiboly sy ny adidy miezinezina
mipetraka eo an-tsoroky ny mambran’ny
fiangonana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra
sy amin’ny maha-ampahany amin’ny vatany,
dia ny fiangonan’i Kristy, azy.
Tsy natao hampiasain’ny fiangonana eo an-
toerana na holaniany ny ampahafolony, fa
halefa any amin’ny mpitahiry volan’ny Misiona/
Federasiona. Amin’izay ny ampahafolony avy
amin’ny fiangonana rehetra dia mirotsaka
ao amin’ny fitahirizan-drakitry ny Misiona/
Federasiona eo an-toerana, izay handefa indray
ny ampahafolon’ny fitambaran’ny ampahafolony
niditra taminy any amin’ny Fivondronambe.
Ny Fivondronambe indray no handefa any
amin’ny Foibem-Pitantanana Maneran-tany, na
any amin’ny Divizionany, ny ampahafolon’ny
fitambaran’ny ampahafolony niditra taminy.
Amin’izay ny Misiona/Federasiona eo an-
toerana, ny Fivondronambe, ary ny Foibem-
Pitantanana Maneran-tany dia hahazo vola
hoentina hanohanana ny mpiasa miasa ao
aminy sy handoavana ny fandaniana eo amin’ny
fanatanterahana ny asan’Andriamanitra eo
amin’ny sehatry ny andraikitra sy ny asa misy
ny tsirairay avy.

FIPIKRI - 114
Ankoatra ny fandefasana ny 10 isan-
jaton’ny ampahafolony miditra aminy any
amin’ny Fivondronambe, ny Federasiona/
Misiona ihany koa dia mandefa, amin’ny
alalan’ny Fivondronambe, ampahany amin’ny
ampahafolony any amin’ny Foibem-Pitantanana
Maneran-tany, na any amin’ny Divizionany,
ho famatsiana ny tetik’asan’ny fiangonana. Ny
kômitin’ny Foibem-Pitantanana Maneran-tany
na ny kômitin’ny Diviziona no mamaritra io
ampahany fanampiny io.
Ireo fitsipika ireo dia natao ho fanangonana sy
ho fitsinjarana ny vola voaangona manerana izao
tontolo izao sy ho fisahanana ny fandraharahana
ny asa. Tena zava-dehibe ny lafiny ara-bola sy
ny fandraharahana ny asa. Tsy azo sarahina
amin’ny fitoriana ny hafa-pamonjena izy ireo;
ampahany fototra amin’izany aza izy ireo raha
ny tena marina.
Nanendry drafitra iray Andriamanitra, dia
drafitra izay hanolotra tohana ampy ho an’ny
fiangonany raha toa ka arahina. Tokony hatolotra
an’Andriamanitra ho toy ny fanandramana
eo amin’ny fiankohofana ny ampahafolony.
Rehefa mahatanteraka ny adidiny ny mambra
tsirairay dia hanana vola ampy hamitana ny
iraka nampanaovina azy ny fiangonana - ny
fiangonana eo an-toerana, ny Federasiona/
Misiona, ny Fivondronambe ary ny sahan’asa
maneran-tany.
Lasa marefo sy mikorontana ny drafitra momba
ny ampahafolony rehefa manapa-kevitra ny
hanolotra mivantana ny ampahafolony ho an’ny
rafi-pandaminana na ho an’ny tetik’asa araka ny
safidiny manokana ny mambra tsirairay. Mety
ho tena mila fanampiana ilay olona anolorany
izany ary mety ho manan-danja ilay drafitr’asa,

115 - FIPIKRI
saingy mitoetra mandrakariva ny fahamarinana
fa tsy izany no drafitr’Andriamanitra. Raha
arahina io fomba fanao io, dia tena mamerina
ny ampahafolony amin’Andriamanitra tokoa ve
ilay olona? Mitaky ny ampahafolony ho an’ny
Tenany Andriamanitra: “Ny ampahafolon’ny
vokatra rehetra ao amin’ny tany, na avy amin’ny
tanimbary, na avy amin’ny saha, dia an’i
Jehovah; masina ho an’i Jehovah izany.” - Lev.
27:30.
“Ny ampahany izay natokan’Andriamanitra ho
Azy manokana dia tsy azo ahodina ho amin’ny
tanjona hafa, ankoatra izay namaritany azy.
Aoka tsy hisy hahatsiaro tena ho afaka hihazona
malalaka ny ampahafolony ka hampiasa izany
araka ny fisainany manokana. Tsy azon’izy ireo
ampiasaina ho an’ny tenany noho ny hamehana
izany, na arindrany araka izay hitany fa maha
mety azy, na dia amin’izay mety heveriny ho
asan’ny Tompo aza.”- Testimonies for the
Church, b. 9, t. 247.
“Nisy hafatra mazava sy hentitra nomena ahy
ho an’ny vahoakantsika. Nobaikoina aho mba
hilaza amin’izy ireo fa manao fahadisoana izy
ireo amin’ny fandrindrana ny ampahafolony ho
amin’ny drafitra samy hafa izay, na dia tsara
aza, dia tsy ny drafitra izay nolazain’ny Tompo
fa tokony handrindrana ny ampahafolony.
Miala amin’ny fandaminan’ny Tompo ireo izay
mampiasa ny ampahafolony tahaka izany.” -
Testimonies for the Church, b. 9, t. 248.
Noho ny antony manokana dia mety ho tian’ny
mambra sasany kokoa ny mandrotsaka
mivantana ny ampahany amin’ny ampahafolony
any amin’ny Federasiona/Misiona misy azy.
Tokony hiarahana midinika amin’ny mpitahiry
volan’ny Federasiona/Misiona ny fandaminana
tahaka izany.

FIPIKRI - 116
Ny fitondrana ny ampahafolony ho ao amin’ny
trano firaketana - ny fitahirizan-drakitry ny
fiangonana (dia ny Federasiona/Misiona eo an-
toerana amin’ny alalan’ny fiangonana eo an-
toerana) - dia manolotra fanohanana ara-bola
mahitsy sy maharitra ho an’ny drafitra maneran-
tanin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina
ny Andro Fahafito ary anton-javatra fototra
miantoka ny firaisan’ny fiangonana maneran-
tany.

1. Fepetra apetraky ny fanjakana


Eo amin’ny resaka ampahafolony, tokony
hanaraka ny fepetra apetraky ny fanjakana ve
ny olona iray eo amin’ny famaritana ny atao
hoe: vola miditra?
Valiny: Tsy voatery. Mety hisokajy ny fanampiana sasany
ho toy ny tombontsoa tsy andoavan-ketra ny
fanjakana. Ny sasany amin’ireo fanampiana ireo
anefa dia tena ahitan’ny olona/fianakaviana iray
tombony ara-bola, ka noho izany dia ampahany
amin’ny vola miditra amin’ny tena manokana.

2. Fanitsiana eo amin’ny vola miditra rehetra


Moa ve ny fanitsiana eo amin’ny vola miditra
rehetra mba hahitana ny hetra haloa mitovy
amin’ny vola miditra amin’ny tena manokana
mba hikajiana ny ampahafolony?
Valiny: Tsy izany mandrakariva. Misy karazana vola
miditra izay mety esorina eo amin’ny fikajiana
ny hetra, saingy mbola vola miditra amin’ilay
olona ihany izany.

117 - FIPIKRI
3. Vady tsy Advantista
Ahoana no tokony ho fandraisan’ny mambra izay
manana vady tsy Advantista ny ampahafolony?
Valiny: Ny vola raisin’ny vady mambra avy amin’ny vady
tsy mambra dia tokony hakana ampahafolony
raha azo atao.

4. Ivon-toerana fiahiana ny zokiolona


Inona no andraikitra mahakasika ny
ampahafolony an’ireo olona misahana ivon-
toerana fiahiana ny zokiolona izay tohanan’ny
sampan’asa eo amin’ny fanjakana, ary tsy
mandray afa-tsy solon-karama kely fotsiny
ihany izay ampiasainy araka izay ilainy?
Valiny: Hamerina ny ampahafolon’ny solon-karama
irery ihany izy ireo. (Jereo ny Torolalana III-H)

5. Mpiasan’ny saha
Tokony hamerina ny ampahafolon’ny karama
rehetra raisiny isam-bolana ve ny mpiasan’ny
saha?
Valiny: Eny. Tafiditra ao amin’ny karama ao amin’ny
saha ny fanampiana izay vola miditra amin’ny
tena manokana, raha tsy hoe angaha fanonerana
ny fandaniana mifandraika amin’ny asa marina
tokoa izany.

6. Andraikitra ao amin’ny fiangonana


Moa ve ny fiangonana nanova ny fijoroany fa
fitakiana iray hihazonana andraikitra ao amin’ny

FIPIKRI - 118
fiangonana ny famerenana amim-pahatokiana
ny ampahafolony?
Valiny: Tsia. “Ny loholona sy ny mpitondra raharaha
hafa ary ny pasitora sy ireo mpiasan’ny toeram-
piasana iadidian’ny fiangonana dia antenaina
ho mpitarika maneho filamatra eo amin’ny
famerenana ny ampahafolony. Tsy misy na iza
na iza ekena hanohy ny andraikiny amin’ny
Fiangonana na mpiasa amin’ny Federasiona/
Misiona izay tsy manaraka ity fitsipika mifehy ny
mpitarika ity.” - Fitsipika Mifehy ny Fitantanana
ny Fiangonana, tt. 170,171.

BOKY NILAN-KEVITRA

- Baiboly

- Fitsipika Mifehy ny Fiangonana (2010).

- Fitsipika Mifehy ny Diviziona (Working Policy 2015-2016).

- Strategic Church Finances (Departement GCV/Conférence Générale).

- Tithing: Principles and Guidelines (Departement GCV/Conférence Générale).

- Faith and Finance (Departement GCV/Division Nord-Américaine des Adventistes


du Septième Jour) .

119 - FIPIKRI
FANOROAN-TAKILA

TENY FANOLORANA 3 TOKO 6


NY FANATITRA 57
TOKO 1 Nahoana no manao fanatitra isika? 57
Fanatitra ankasitrahana 59
FAMPIDIRANA 8 Fanatitra tsy misy kilema 60
Hevitry ny sary famantarana 11 Fanatitra sa fandraisana anjara? 61
Famaritana ny Fi.Pi.Kri 12 Biby madio 62
Foto-kevi-dehibe 12 Fanatitra voaomana tsara 62
Filôzôfia 13 FAMINTINANA MAHAKASIKA NY FANATITRA 65
Ireo fototra ara-Baibolin’’ny
FiPiKr 17
TOKO 7
TOKO 2
FIZOTRY
IZOTRY NY FANOMPOAM-
TANJONA SY ASANY 19
Ny asan’ny mpiandraikitra ny asa 19 PIVAVAHANA FANATITRA 66
Fanindriana ilaina 25 Fisana
anisana fanatitra 70
Fihaikana 27
TOKO 8
TOKO 3 FOTO-KEVITRA FOTOTRA
MANATRATRA NY REHETRA 29 IJOROANA 72
Fanganana
ananganana kômisiona 29 PLANIN’NY FANATITRA ATAMBATRA 74
Ireo mpikambana anaty kômisiona PLANIN’NY FANOMEZANA ISAM-BATAN’ OLONA 75
sy nyrandraikiny 30
Mampandray anjara ny mambraa 32
Tarika mpamangy 33 TOKO 9
FANONTANIANA FAMETRAKA
TOKO 4 MATETIKA 79
MAMBOLY FIFAMPITOKISANA 36
Fanaraha-maso 36
Tatitra 38 TOKO 10
Ny teti-bola 41
Mampiasa ny volan’Andriamanitra
NY AMPAHAFOLONY: FOTO-
araka ny tokony ho izy 45 KEVITRA SY TARI-DALANA 85
SASINTENY 85
FAMPIDIRANA 86
TOKO 5 Oviana no haverina? 111
NY VOLA SY NY IRAKA EO AMIN’NY Aiza no haterina? 113
FIANGONANA ADVANTISTA 46
Antony telo namerenana ny ampahafolony
sy ny fanatitra 47
Tantaran’ny fanatitra teo amin’ny
Fiangonana Advantista 49
Ny vola enti-manohana ny asan’ Andriamanitra 52
Mankaiza moa ny ampahafolony averintsika
sy ny fanatitra atolotsika 55

FIPIKRI - 120

You might also like