You are on page 1of 1

AM-PERIMPANORATANA

1 - Efa firy taona izay no nanoratan'i JIFA, dia karazana soratra inona avy no soratanao?

Teo amin'ny faha 23 taonako no nanoratako tononkalo voalohany, dia najanoko, ka ny


famakiam-boky, izay efa fanaoko nanomboka tany ho any amin'ny faha 6 taonako, na gasy io na
frantsay, no notohizako. Rehefa niverina teto Fenerive-Atsinanana aho ny 2012, niasa tao
amin'ny Maison de la Culture, satria teto aho no nianatra tamin'ny 1966, tao amin-dry masera.
Akory ny alaheloko, fa tsy nanana na dia boky iray mitantara ny kolontsaina, na ny tantara
mahakasika ny Betsimisaraka ny toeram-piasana, na nikaroka eran'ny tanàna aza. Tsy mety
izany hoy ny eritreritro, satria toerana misy olombelona tsy maintsy misy tantara, koa rehefa
nikaroka aho dia betsaka ny tantara azoko. Teo dia tadidiko ilay talenta kely notereko tsy
hivoaka, tsy maintsy hanoratra aho hoy aho. Ary ny tantaran'ny faritra sy fomba amam-panao
no havoakako. Koa rehefa natsangana ny Havatsa-Upem sampana Fenoarivo-Atsinanana, dia
tsy nisalasala aho ny nanolotra izay mba nananako, hikolokoloako ny ambiny tavela tamin'ny
talentako. Koa manoratra tononkalo, manoratra tantara, i JIFA.

2 - Manoratra amin'ny fiteny avy eto an-toerana koa ve i Jifa? Ary marisika amin'ny fanoratana
amin'ny fiteny avy eto koa ve ny mpanoratra namana sasany?

Manoratra tononkalo amin'ny fiteny Betsimisaraka i JIFA ary marisika amin’izay koa ireo
namana, fa mbola mamolaka, satria tena sarotra ilay izy.

3 - Manao akory ny fampitana ny haisoratra any amin'ny mpamaky, tafita ve, raha ny fahitanao
azy?

Mandeha tsara ny fampitana ny haisoratra, indrindra eo anivon'ireo mpianatra, izay no


mahatonga ny ankamaroan'ny mpikambana dia mpianatra daholo.

You might also like