You are on page 1of 2

Matoandahatsoratra

Dimy volana izao no nanambarana ofisialy fa anisan’ny firenena tsy maintsy miaina ny fampiharana
ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Ny faritra Analamanga sy Atsinanana no
voalaza fa tena voaviraviran’ity valan’areti-mandringana malaza eran-tany CORONA VIRUS avy
amin’ny COVID-19 ity. Tsy misy mbola sahy nijoro nilaza fa nahita fanafody mahasitrana tanteraka,
hiadiana amin-dRa”Kôndrana Virisy” hoy ny mpisera anaty habaky ny Fesiboky. Eny, fa na dia ireo
firenena matanjaka indrindra aza dia nataony savolaina avokoa, hany tonga mifampiampanga ho
tompon’andraikitra nampisy izao loza aman’atambo iainana izao. Tahotra mihoapampana, rarin-
tsaina sy tena amam-panahy no ateraky ny fandalovanan’izao sedra mahamay izao. Toa tsapa
miharihary ny fisavoritaham-pitantananam-panjakana isan-tokony. Raikitra ny fifanitsahana sy
fifampitsabahana andraikitra ara-politika, marary ny fiaraha-monina, simba ny toekarena, dia izao
tokoa ve ny miaina ny andro farany voalazan’ny Baiboly Kristianina sa izao no fandaminan’asa
mahery vaika ataon’ny fanahy mpisompatra ?

Samy miezaka mandalina sy mamakafaka ny zava-misy amin’izao vanim-potoana diavina izao ny


manan-tsaina rehetra. Hita sy tsapa izany amin’ireo asasoratra an-gazety mampita amin’ny feo sy
sary eny amin’ny takelaka sy rindrin’ireo tambajotran-tserasera samy hafa. Miavaka amin’izany ireo
mpitonokalo na poety sy mpanoratra. Amin’ny asasoratra asehony mantsy no ampitany ny vesatry
ny fiainana mitambaby ao an-doha, an-tsoroka ary eo an-damosin’ny Malagasy . Kanefa ao
amin’ireo asasoratra ireo ihany koa no ahafahan’ny mpamaky misintona fampitoniana, vahaolana
manamaivana, mampahery ary tonga fanafody manasitrana mihitsy aza. Ny haisoratra, raha
mandinika isika, dia tena fitaovana manana ny toerany lehibe tokoa eo amin’ny tantaram-
piainanan’ny Firenena iray. Anisan’ny tena niavaka ny asasoratry ny poety sy mpanoratra Malagasy
tao anatin’ireo vanim-potoana rehetra namaritra ny Tantaran’i Madagasikara hatramin’izay.
Mampatsiahy izany ireo asasoratra nampalaza sy mbola iainana hatramin’izao, ireo poety tao
anatin’ny vanim-potoana mivaivay tamin’ny taonjato faha roapolo toa an-dry J J RABEARIVELO,
DOX, Ny Avana RAMANANTOANINA, Samuel RATANY sy ireo maro hafa, mitohy amin’ireto
taranaka ankehitriny miaina ny haisoratry ny taonjato faha iraika amby roapolo.

Koa, mandray ny fanilo, manohy izany ny HAVÀTSA-UPEM, manasongadina ireo Mpanoratra


taloha sy ireo am-perimpanoratana. Ao anatin’ny fandaharan’asa, ohatra, ny herinandron’ny
HAVÀTSA-UPEM, hetsika fanao isan-taona isaky ny herinandro farany amin’ny volana ôktôbra.
Tokoa fa hisy izany amin’ity taona 2020 ity raha milamina ny toedraharaha ara-pahasalamana.
Anisany asongadinay sahady eto amin’ny Gazety Valiha sady ezahina haseho amin’izany
herinandron’ny HAVÀTSA-UPEM izany i Le Myosotis izay feno folo amby zato taona amin’ny 05
aogositra izao. Eo koa i LOLO RAJOHNS na RAJOHNS Barthélemy izay teraka tamin’ny 16
febroary 1910. Ito farany moa dia fantatra tamin’ny tononkalony milohateny hoe NOFY SA…? izay
noraisin’ireo Mpanoratra telo mirahalahy, mpitady ny very ho filamatra tamin’ny famerenana ny
hasin’ny poezia malagasy. Isaorana ny Poety-Mpanoratra namanay Rado Ramaherison nanome
tolo-tsaina maharanitra mba tsy hanadinoana ny tsingerintaonan’ireo Mpanoratra mendrika
tsiahivina amin’ity taona ity, na dia mandalo fotoan-tsarotra azany Malagasy sy izao tontolo izao.

Eo indrindra no mbola anairana ireo izay manana fanomezam-pahasoavana amin’ny asasora-kanto


mba hilofo sy hitozo hamoaka ny aingam-panahiny ho anjara biriky hampijoro ny manda fiarovana
ny saina sy fanahy, hanoherana ny tanjaky ny miaramilan’ny COVID-19, fahavalo tsy hita maso nefa
manana fitaovam-piadiana mahery vaika. Samia tsara isika zanak’olombelona.

Hantanoro Rasendralalao
Tsiaroan’i Le MYOSOTIS na
Charles RATSARAOELINA

Teraka tao Ambohimalaza ny 05 aogositra 1910 Le Myosotis na Charles RATSARAOELINA.


Zanak’Itompokolahy ANDRIAMITSARA sy Itompokovavy RAZAY. Feno 110 taona tsy ho ela izy ka
izay no anisany antony anokanana izao tsiaro izao. Le Myosotis sy Randja ZANAMIHOATRA dia
isan’ny mpanoratra tsaroana manokana rehefa volana jolay tahaka izao. 23 taona lasa mantsy izay, volana
Jolay tahaka izao no nandaozan’izy ireo ny tany. Charles RATSARAOELINA maty ny 04 jolay 1997 ary
Edmond RANDRIAMANANJARA maty ny 11 jolay 1997. Mbola hanaovana lahatsoratra manokana i Randja
ZANAMIHOATRA amin’ny manaraka.
Nanoratra sy nahavita asasoratra maro, Le Myosotis, nefa tsikaritra ho nirona kokoa tamin’ny
soramirindra na ny tononkalo, izay efa namoahany ho boky milohateny hoe « Aloka sy tsiky ». Raha dinihina
amin’io tombokavatsa napetrany io dia azo lazaina fa nihira ireo tarakevitra nilafihan’ny mpanoratra rehetra
niaina tamin’ny vanin’andro niainany ihany koa izy. Isan’izany ny embona, ny hanina, ny alahelo tsy fantam-
pihaviana ary ny fahafatesana, saingy rehefa tena ilozohana ireo asany dia tsikaritra fa mihira sy manandratra
ny fitiavana sy ny zavaboahary Le Myosotis.
Hoy E.R.R. ao amin’ny Mpanolotsaina, Lah. 45, Sept 1997: « Poety mianoka sy miaina ao anatin’ny
zavaboahary noharian’Andriamanitra eo amin’ny tanindrazany i Charles RATSARAOELINA ».
Eo amin’io tarakevitra faharoa mampiavaka azy io dia tanisainy ao ny hasina sy ny hasoan’ny tontolo
ambanivohitra, hoy izy:« Aminao no mba iriko, Raha hifaranany diako ».Mahafinaritra azy loatra ny tontolo
ambanivohitra sy ny misy ao aminy. Ao anatine andininy roa amin’ny tononkalony, ohatra,dia voatanisany
avokoa ireo heverina fa mandrafitra ny hoe ambanivohitra:

«E, zozoro sy harefo mampialoka kamory


Sy ny renirano kely nianaranay lomano
Nanjonoana fe fahiny!
E, ry tanjona mangina sy toa renoky ny tory
Na mianoka aoka izany ito rodon-doharano
Toa kalom-birijiny.
E, indrisy ry alam-bero sy ry seva mihofa mora
Ary koa ny foto-manga izay manantsika ity amontana
E, indrisy! Ry sorohitra
Sy ry fody miolomay! Moa tsy tsinjonao ity ora
No ilaozanao mihodina ity foko miontanontana
Eto an-tsisin’ity vohitra …?”

Raha miresaka tarakevitra ihany dia azo lazaina fa mpanoratra nivetso ny fitiavana no sady be
fitiavana an’ireo havany sy ny rahalahany mpanoratra tahaka azy koa Le Myosotis. Nahavitany tononkalo
avokoa ireo mpanoratra, tsy nifankafoy taminy. Isan’izany ny tononkalo hoe “Indrisy” izay nambarany fa “ho
fampiononako anao Rivo Romuald”; ny tononkalo hoe “Fantatro” izay “ho an’ny sakaizako Georges
ANDRIAMANANTENA”, hoy izy, ary ilay tononkalo hoe “Ny sentonay sy ny sentoko…”, izay narahany
soratra hoe “Apetrako eo an-dohafasan’i NyAvana RAMANANTOANINA”.
Izay azo asongadina ihany koa, raha mahatsiaro ity mpanoratraity, dia ny fahavitrihany amin’ny
sehatra fampiroboroboana ny haisoratra. Porofon’izany ny fikambanana izay nirotsahany sy nanehoany ny
talentany. Isan’ireo 41 mianadahy, mpikambana tao amin’ny Akademia Andrianampoinimerina, Charles
RATSARAOELINA. Ity fikambanana ity dia nivondronana mpanoratra sangany sy namirapiratra tamin’ny
vanim-potoana niainany ary saika ny soratr’izy ireo nonamenony takilan’ny Gazety mpiseho teny an-tsena sy
tany amin’ny isan-tsehatra tamin’izany. Hoy ny GazetySAKAIZAN’NY TANORA (Lah. 994, Okt. 1972)
raha nilazany momba azy ireo “Mpanoratra daholo izy ireo, ary ny diam-peniny dia efa napariakany teto
amin’ny Sakaizan’ny Tanora hatramin’izay nanavaozana ny gazetintsikaizay”. Ny 04 tamin’ireo 15
mirahalahy nananganany UPEM tany am-piandohana dia mpikambana mavitrika tao amin’io Akademia
Andrianampoinimerina io (Elie Charles ABRAHAM, Michel Gustave RAKOTONIRINA, Dox, Ener-
Lalandy). Isan’ny niombona tamin’i Le Myosotis tao amin’ity Akademia ity ihany koa ry Ny Ony, ry
Bezavola, ry S. Bem, ry Météorson, ry Ny Onja, ry Clair de Lune, … ary maro tamin’ireo namany tao amin’io
sehatra io moa no mpikambana niaraka taminy tao amin’ny UPEM, izay HAVÀTSA-UPEM ankehitriny.

Nangonin’i TSILOKO Mahadigny

You might also like