You are on page 1of 3

Jono

TRONDRO AMIN’NY DOBO

1-/ Karazan-trondro ompiana:


• Ny “carpe Commune” na “Carpe royale” no tena manara-penitra amin’ny
fiompana trondro an-dobo sy an-tanimbary. Mahazaka maripana sy haavon-
toerana samihafa izy ireo;
• Ny Tilapia dia mitaky maripana ambony sy faritra ambony ary mafana.
• Ny mpamokatra zana-trondro ( mpiompy) no miandraikitra ny famatsiana;

2-/ Fisafidianana ny toerana ametrahana ny dobo:

• Manakaiky loharano tsy tapaka mandavan-taona, ampy tsara ny tosi-drano


• Tsy lavitra ny trano fonenana mba ahamora ny kojakoja sy fanaraha-maso
• Mba somary mitongilana kely ny tany mba ahamora ny fampidirana sy
fandritana ny dobo ary hiarovana amin’ny safo-drano
• Tanimanga
• Ny dobo maka endrika telozoro no tsara ary halavany tokony mijidina amin’ny
fidinana

3-/ Ny zavatra hita amin’ny dobo:

3.1-/ Tatatra fampidiran-drano:


• Io no ampidirana ny rano avy amin’ny loharano mankeny amin’ny dobo ;
Tatatra misolampy kely izy io

3.2-/ Ny fanambanin’ny dobo :


• Tokony asiana tatatra kely mitongilana mankany amin’ny fandritan-drano

3.3-/ Tandrano :
• Tokony ho mafy sy matevina tsara ny tandrano
• Tokony mihoatra 20 ka hatramin’ny 30 cm miala ny halalin’ny rano ny
halavany

3.4-/ Fampidiran-drano:

- Ity dia famenoan-drano ny dobo avy amin’ny alalan’ny tatatra fampidiran-drano

Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo


natao ny 15-16-17 Jona 2005
Jono

3.5-/ Ny fandritan-drano:
• Ity dia famoahana ny rano avy ao anatin’ilay dobo mba ahamora ny fakana y
trondro.

3.6-/ Ny famerana ny eran-drano:


• Io dia fantsona misy “grillage” mipetraka eo amin’ny tola mba hiarovana
amin’ny safo-drano sy hamerana ny rano mba tsy hihoatra ny tola araka ny
filana
• Matetika eo ambonin’n tatatra fandritandrano no misy azy.

3.7-/ Fasiana otri-jezika:


• Io dia valakely mipetraka eo amin’ny zoron’ny dobo;

4-/ Ireo dingana arahina amin’ny fanamboarana ny dobo:

4.1-/ Asa fanamboarana:


• Hadina ny tatatra fampidiran-drano
• Dinihina amin’ny alalan’izany ny tatatra fandritan-drano
• Diovina ny toerana hohadiana
• Atao ny tsato-kazo

4.2-/ Fanamboarana dobo:


• Hadina ny dobo
• Ny tany avy ao anaty dobo dia ananganana ny tola
• Ny haben’ny tola: 3 m ny fototra
1 m ny tendrony
• Halalin’ny rano: 0,8 m ka hatramin’ny 1,2 m
• Volena ahitra ny tola
• Hadio ny tatatra fampidiran-drano mifanohitra amin’ny tatatra fandritan-drano
• Apetrao ny valan-jezika
• Apetrao ny “Trop plein”

4.3-/ Fampidiran-drano amin’ny dobo:


• Tokony asiana vato eo amin’ny firatsahan’ny rano avy amin’ny fantsona
fampidiran-drano

5-/ Fanamasahana ny dobo sy sakafo voajanaharyn’ny trondro :

Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo


natao ny 15-16-17 Jona 2005
Jono

• Asiana tain’omby ny valan-jezika ary asiana ahitra maitso sy poti-javatra avy


any an-dakozia
• Atao mitovy amin’ny halalin-drano ny hatevin’ny zavatra ao anaty valan-
jezika
• Tokony haroroina indray mandeha isak’herinandro ny valan-jezika.

6-/ Fandrotsahana ny trondro ao anaty dobo:

• Afarana mialoha ny zana-trondro


• Fitaterana ny zana-trondro: tokony atao anaty rano madio tsy misy “eau de
javel” ny zana-trondro

7-/ Fikojakojana ny dobo sy fanaraha-maso ny fiompiana

• Arahina maso ny haben’ny rano


• Diovina ny „grillage“ eo amin’ny fantsona fampidiran-drano sy fandritan-
drano avy eo amin’ny trop plein.
• Tampeno ny tola manary rano
• Vonoy na esory ny fahavalon’ny trondro
• Araha-maso ny fahamasahan’ny rano
• Esory ny trondro maty.

8-/ Fanampin-tsakafo:
• Tokony omena fanampi-tsakafo ohatra ny apombo, mangahazo voatoto sns…
ny trondro

9-/ Fotoam-panjonoana:

• Eo amin’ny valo volana no atao ny fanjonoana

10-/ Vokatra:
• Ny zana-trondro miisa 50 dia ahazoana vokatra 8 Kg afaka valo volana satria
matetika eo ho eo amin’ny 20 % isan-jato ny fatiantoka.

11-/ Fanomanana ny taona manaraka:

• Ritina tsara ny dobo ary diovina tsara


• Trongisina ny dobo
• Hatsaraina ny valan-jezika.

Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Analanjirofo


natao ny 15-16-17 Jona 2005

You might also like