You are on page 1of 6

©FANAFODY NATORALY FANESORANA IREO TASY NAVELANY MONY AMIN'NY

TAREHY TENA MAHOMBY©


©ZAVATRA-ILAINA©
®Papay masaka tsara.
®Vovoka tamotamo
©FOMBA-FIKARAKARANA-AZY©
®Alaina ny papay tapany fotsiny dia voasana ary tetehina madinika atao anaty lovia jobo. Rehefa
vita izay dia araraka ao ilay vovoka tamotamo in-3 sotro fihinana dia avelao hifangaro tsara ireo
akora natoraly ireo, izay vao azo ampiasaina tompoko.
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Sasana madio tsara aloha ny tarehinao ary avela ho maina izay vao hosorana ity akora natoraly
ity tompoko. Rehefa vita hosotra dia avela eo mandritra 20 minitra izay vao kobanina amin'ny
rano mangatsiaka.
©FAHARETANY-TRAITEMENT©
®Mandritra ny 3 semaines fotsiny dia afaka tanteraka ireo tasy miloko mainty izay navelany
mony teo tompoko.
©FANAMARIHANA©
®Mazava ho azy fa mbola afaka ampiasaina amin'ny manaraka hatrany ireo ambiny akora
natoraly teo. Marihina fa tsy maintsy atao 3 fois par semaine ny fampiasaina azy ka manelanelana
1 andro avokoa.
©Mba ho fanampianao ireo namanao tompoko dia PARTAGEZ AU MAXIMUM izao
TOROHEVITRA-MAHASOA izao.

©FOMBA TSOTRA FANESORANA TASY MIRAIKITRA AMIN'NY LAMBA MILOKO


FOTSY IRENY TENA MAHOMBY©
Matetika isika dia mampiasa Eau de Javel foana rehefa manala tasy amin'ireny lambantsika ireny,
nefa mahatonga ny lamba mihamanify izy ireny.
©ZAVATRA-ILAINA©
®Karibonetra maromaro
®Voasary makirana 5
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Atao rano feno siô kely ao anaty koveta misy sarony dia araraka ao ny KARIBONETRA 1 lovia
jobo sy ny VOASARY MAKIRANA efa silaka roa. Rehefa vita izay dia alona ao mandritra ny 1
ora ireo lambanao fotsy izay misy tasy teo ary saromana tsara ilay koveta na daba mety avokoa.
Marihina fa tsy maintsy kosehana ny faritra misy tasy teo izay vao kobanina amin'ny rano madio
tompoko.
©FANAMARIHANA©
®Marihina fa mety ampiasaina amin'ity akora natoraly ity daholo rehefa lamba fotsy no misy
tasy.
©Mba ho fanampianao ireo namanao tompoko dia PARTAGEZ AU MAXIMUM izao
TOROHEVITRA-MAHASOA izao

©FANAFODY SOFINA MANAINTAINA NATORALY TENA MAHOMBY©


©ZAVATRA-ILAINA©
®Sodifafa izay hita amin'ny sary io.
©FOMBA-FIKARAKARANA-AZY©
®Alaina ny SODIFAFANA iray fotsiny dia hatono amin'ny afo mandritra 5 minitra. Rehefa vita
izay dia avela ho mangatsiaka izay vao azo ampiasaina tompoko.
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Fihazana anaty lamba madio sady manify ny ranony SODIFAFANA avy natono efa
mangatsiaka teo, izay vao araraka goutte kely fotsiny ao anaty sofina marary sady manaintaina
teo. Marihina fa isaky ny hatory hariva ny fanaovana azy.
©FAHARETANY-TRAITEMENT©
®Mandritry ny 3 andro misesy fotsiny dia sitrana tanteraka ny sofinanao izay manaintaina teo.
©FOMBA TSOTRA NATORALY FANADIOVANA IREO NIFY MILOKO JAUNE NA GRIS
MBA HO LASA FOTSY TENA MAHOMBY©
Ny fananantsika nify madio sady fotsy tsara dia mahatonga ny fitsikina lalandava.
©ZAVATRA-ILAINA©
®Voasary makirana tapany.
®Karibonetra 1 sotrokely kafe.
©FOMBA-FIKARAKARANA-AZY©
®Araraka ao anaty lovia jobo ny KARIBONETRA 1 SOTROKELY KAFE sy ny ranona
VOASARY MAKIRANA TAPANY fotsiny. Rehefa vita izay dia avelao hifangaro tsara izay vao
azo ampiasaina tompoko.
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Ahosotra amin'ny borosinify ka iny no hiborosiana nify ny maraina sy ny atoandro ary ny
hariva. Marihina fa atao 3 fois par mois ny fampiasaina azy.
©FANAMARIHANA©
®Marihina fa isaky ny avy miborosinify dia tsy maintsy kobanina amin'ny rano mangatsiaka ny
ati-vava. Mazava ho azy fa tsy mampiasa dentifrice ianao fa akora natoraly ity hatrany.

©FANAFODY FIÈVRE TYPHOÏDE NATORALY TENA MAHOMBY©


Anisan'ny aretina mahafaty haingana ny FIÈVRE TYPHOÏDE fa aza atao vazivazy ny fitsaboana
azy.
©ZAVATRA-ILAINA©
®Tongolo Gasy Vongany 5
®Rano 2 Litatra
©FOMBA-FIKARAKARANA-AZY©
®Ampangotrahana miaraka amin'ny rano 2 litatra mandritra ny 20 minitra ireo tongolo gasy
vongany miisa 5 teo. Rehefa vita izay dia tatavanina izay vao azo ampiasaina tompoko.
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Sotroina 1 kaopy ny maraina sy ny hariva aorian'ny sakafo avokoa.
©FAHARETANY-TRAITEMENT©
®Mandritra ny 3 andro misesy fotsiny dia sitrana tanteraka ny aretina TYPHOÏDE nahazo anao
teo tompoko.
©FANAMARIHANA©
®Tsy afaka ampiasaina amin'ny manaraka intsony ireo vongany tongolo gasy ireo fa manao
vaovao hatrany. Marihina fa kaopy lehibe no hisotroana ity fanafody natoraly ity.

©FANAFODY NATORALY NY ARETINA HEMORROÏDES TENA MAHOMBY©


©ZAVATRA-ILAINA©
®6 Citrons(Voasary makirana 6)
®4 Gousses d'ail(Hasiny tongolo gasy 4)
®3 Litres d'eau bouillante(Rano mangotraka 3 litatra)
©FOMBA-FIKARAKARANA-AZY©
®Voasana aloha ireo hasiny tongolo gasy 4 dia zaraina 2 avokoa. Sasana madio tsara ireo voasary
makirana 6 ary tetehina madinika miaraka amin'ny hodiny avokoa. Rehefa vita izay dia
ampangotrahana ny rano 3 litatra ary arotsaka ao ireo hasiny tongolo gasy efa nizaraina 2 teo sy
ny voasary makirana efa voatetika madinika teo ihany koa ka avela ao mandritra ny 15 minitra
izay vao ahidina. Rehefa vita izay dia tatavanina atao anaty tavoahangy vera ary avela ao anaty
vatafampangatsiana(frigo) mandritra ny 2 andro fotsiny izay vao afaka ampiasaina tompoko.
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Sotroina 1 vera maraina avy misakafo sy 1 vera ihany koa ny hariva alohan'ny hatory.
©FAHARETANY-TRAITEMENT©
®Maharitra mandritra ny une semaine ny traitement dia sitrana tanteraka ny aretina
HEMORROÏDES nahazo anao teo ary tsy miverina intsony.
©FANAMARIHANA©
®Mazava ho azy fa tsy maintsy atao glacé mandritra ny 2 andro izay vao azo ampiasaina ity
fanafody natoraly ity tompoko. Ary tsy maintsy tehirizina anaty frigo hatrany ireo ambiny.

©FANAFODY GOUTTE NATORALY TENA MAHOMBY©


©ZAVATRA-ILAINA©
®Tongolo vodiny(Oignons)
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Voasana ny tongolo vodiny mbola manta dia tsakoina ny maraina sy ny hariva mandritra ny 3
semaines ny faharetany traitement.
©FANAMARIHANA©
®Tsy maintsy ampiasaina isan'andro ity fanafody natoraly ity. Marihina fa afaka tanteraka ny
aretina GOUTTE izay nahazo anao teo rehefa mampiasa ity fanafody natoraly ity ianao tompoko.

©FANAFODY SINUSITE NATORALY TENA MAHOMBY©


Betsaka ireo olona no mitondra faisana noho ny aretina SINUSITE ankehitriny.
©TSARA HO FANTATRA©
Fantaro ireo fambara vitsy hamantarana fa voan'ny aretina SINUSITE ny olona iray.
1) Mangana an-doha lava.
2) Matetika mivoaka rà ny orona.
3) Tsentsina lava tsy mahazo aina mihitsy ny orona.
4) Mafana lava koa ny vatana manontolo.
5) Tsy mahatanty mijery masoandro maharitra.
©ZAVATRA-ILAINA©
®Laisoa manta fotsiny.
®Rano ara-pahasalamana.
©FOMBA-FIKARAKARANA-AZY©
®Mixena miaraka amin'ny rano ara-pahasalamana 1 vera fotsiny ny laisoa efa voatetika 1 tanana.
Tsy asiana siramamy akory. Rehefa vita izay dia tatavanina izay vao azo ampiasaina tompoko.
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Sotroina 1 vera fotsiny isaky ny alohan'ny hatory hariva ihany. Mazava ho azy fa tsy maintsy 3
fois par semaine ihany ny fampiasaina ity fanafody natoraly ity. Ary tsy maintsy mifanelanelana 1
andro avokoa.
©FAHARETANY-TRAITEMENT©
®Mandritra ny 1 volana fotsiny dia afaka tanteraka ny areti-mandoza SINUSITE nahazo anao teo
tompoko.
©FANAMARIHANA©
®Mazava ho azy fa tsy maintsy manao vaovao hatrany isaky ny mampiasa ity fanafody natoraly
ity.

©FANAFODY NATORALY MAMPISY CHANCE REHEFA MITADY ASA TENA


MAHOMBY©
Tsy midika ny fampiasaina ny fanafody natoraly dia ratsy avokoa tompoko. Betsaka ireo Tanora
ankehitriny mitady asa dia tsy mety voaray mihitsy na efa nandoa vola be aza.
©ZAVATRA-ILAINA©
®Ran'orana(Eau de pluie)
®Cola
©FOMBA-FIKARAKARANA-AZY©
®Ampangotrahana anaty vilany na casserole ny ran'orana indray kaopy mandritra ny 10 minitra.
Rehefa vita izay dia ahidina ary arotsaka ao ny cola miisa 3 ka avela hilona ao mandritra ny 5
minitra izay vao azo ampiasaina tompoko.
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Tsy maintsy sotroina indray vera sy hanasana tarehy rehefa ianao handeha hitady asa na
hanatitra dossier ihany ny fampiasaiana ity fanafody natoraly ity.
©FANAMARIHANA©
®Marihina fa ity fanafody natoraly ity dia fampiasain'ireo Afrikanina rehefa handeha hitady asa
ary tena mandaitra. Andramo ataovy fa hitanao ny fahombiazany tompoko.

©FANAFODY NATORALY FISOROHANA SY FITSABOANA NY ARETIN'ATY TENA


MAHOMBY©
Anisan'ny areti-mandoza mampitondra faisana ny Ankizy sy ny Tanora ary ny Olon-dehibe
ankehitriny tokoa ny aretin'ATY.
©ZAVATRA-ILAINA©
®Karoty 5
®Sakamalaho 1 lehibe
®Voasary makirana 1
©FOMBA-FIKARAKARANA-AZY©
®Voasana ny karoty 5 sy ny sakamalaho dia kikisana avokoa. Rehefa vita izay dia ampagotrahana
miaraka amin'ny rano 1 kaopy mandritra ny 10 minitra. Ka tatavanina ary araraka ranony voasary
makirana teo izay vao azo ampiasaina tompoko.
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Sotroina 1 vera ny maraina sy ny hariva alohan'ny hatory ary alohan'ny sakafo avokoa.
©FAHARETANY-TRAITEMENT©
®Mandritra ny 2 semaines fotsiny.
©FANAMARIHANA©
®Marihina fa tsy maintsy manao vaovao hatrany isaky ny mampiasa ity akora natoraly ity.
Mazava ho azy fa tsy maintsy ampiasaina isan'andro mandritra ny 2 semaines tompoko.

©FANAFODY NATORALY FISOROHANA NY CÉSARIENNE REHEFA MITONDRA


VOHOKA TENA MAHOMBY©
Azo lazaina fa eo andalam-pahafatesana tokoa ny vehivavy rehefa mitondra vohoka. Mazava ho
azy fa tsy mora tokoa ny mitondra vohoka mandritra ny 9 volana.
©ZAVATRA-ILAINA©
®Ravina papay lahiny mbola maintso.
©FOMBA-FIKARAKARANA-AZY©
® Alaina ny ravina papay mbola maintso iray fotsiny dia totoina hatao mivoaka rano izay vao azo
ampiasaina tompoko.
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Sotroina in-3 sotro fihinana isaky ny mifoha maraina ilay ranona ravina papay maintso teo. Ary
hatao 2 fois par semaine ny fampiasaina azy. Marihina fa rehefa feno 5 volana ny kibonao izay
vao afaka mampiasa ity akora natoraly ity tompoko.
©FAHARETANY-TRAITEMENT©
®Manomboka ny kibonao 5 volana ka hatramin'ny fiterahana.
©FANAMARIHANA©
®Marihina fa ity akora natoraly ity dia mahatonga ny vehivavy mitondra vohoka tsy mididy na
hatao césarienne mihitsy rehefa miteraka.

©FOMBA TSOTRA FANAFOTSIANA NIFY TENA MAHOMBY©


Anisan'ny henatra lehibe eo amin'ny fiarahamonina misy antsika any ny fananantsika nify miloko
mavo na nify katsaka.
©ZAVATRA-ILAINA©
®Dentifrice
®Voasary makirana
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Rehefa isaky ny miborosinify dia afangaro amin'ny dentifrice ny ranona voasary makirana.
©FAHARETANY-TRAITEMENT©
®Mandritra ny une semaine fotsiny dia ho lasa fotsy tanteraka ny nifinao izay miloko mavo teo
tompoko.
©FANAMARIHANA©
®Tsy maintsy mampiasa voasary makirana hatrany rehefa miborosinify ny maraina sy ny
atoandro ary ny hariva mandritra ny une semaine.
©FANAFODY NATORALY MANATSARA TAREHY SADY MANALA TASY TENA
MAHOMBY©
Ny tarehy no anisan'ny manadanja kokoa raha amin'ny vehivavy ka mila kolokoloina matetika
izany.
©ZAVATRA-ILAINA©
®Siramamy(mena na fotsy)
®Atody akoho
©FOMBA-FIKARAKARANA-AZY©
®Kapoina anaty lovia jobo ny atody akoho 1 fotsiny dia hamamiana amin'ny siramamy. Rehefa
vita izay dia avela hilona mandritra ny 15 minitra izay vao azo ampiasaina tompoko.
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Sasana madio tsara aloha ny tarehy ary avela ho maina izay vao ahosotra ity akora natoraly ity.
Rehefa voahosotra ny tarehy dia avela eo mandritra ny 20 minitra izay vao kobanina amin'ny rano
matimaty.
©FAHARETANY-TRAITEMENT©
®Mandritra ny 7 andro mifanesy fotsiny dia ho lasa madio tsara tsy misy tasy intsony ny
tarehinao tompoko.
©FANAMARIHANA©
®Mazava ho azy fa tsy maintsy manao vaovao hatrany isaky ny mampiasa ity akora natoraly ity
tompoko.

©FANAFODY FAHASEMPORANA NATORALY TENA MAHOMBY©


Anisan'ny areti-mandoza mpahazo ny Ankizy sy ny Olon-dehibe ankehitriny ny aretin-tsempotra.
©ZAVATRA-ILAINA©
®Ravim-bomanga na Feuille de patate.
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Sasana madio tsara ny ravim-bomanga miisa 3 dia tsakoina ary atelina ny ranony ka afora ny
fakany. Mety ihany koa totoina ny ravim-bomanga dia sotroina amin'ny sotro ny ranony.
Mandritra ny 10 andro ny faharetany traitement.
©FANAMARIHANA©
Marihina fa totoina no tena mety ampiasaina amin'ny ZAZA mbola amam-bolana ary mitovy
avokoa ny faharetany fampiasaina azy.

©FANAFODY NATORALY NY FADIMBOLANA TSY METY TONGA NEFA TSY


BEVOHOKA AKORY TENA MAHOMBY©
Betsaka isika vehivavy no velontaraina fa tsy mety tonga ny fadimbolana(règle) nefa tsy
bevohoka akory.
©ZAVATRA-ILAINA©
®Tongolo Vodiny 2 (2 Oignons)
©FOMBA-FIKARAKARANA-AZY©
®Voasana ny TONGOLO VODINY 2 dia kikisana tsara atao anaty lovia madio ary tapoina rano
1 vera lehibe ny vilany na casserole dia ampangotrahana. Rehefa mangotraka ilay rano dia araraka
ao ireo TONGOLO efa voakiky teo ary avela ao mandritra ny 5 minitra izay vao ahidina. Ka
tatavanina ary avela matimaty sady tapoina ranona VOASARY MAKIRANA izay vao azo
ampiasaina tompoko.
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
®Sotroina indray vera isan'andro mandritra ny 4 andro ny faharetany traitement.
©FANAMARIHANA©
®Tsy maintsy manao vaovao hatrany isaky ny mampiasa ity fanafody natoraly ity tompoko.
©FANAFODY NATORALY FANESORANA IREO TASY MAINTY MIRAIKITRA AMIN'NY
TAREHY TENA MAHOMBY©
©ZAVATRA-ILAINA©
1 Cuillère à soupe de Jus de citron.
1 Cuillère à soupe de Bicarbonate de soude.
1 Cuillère à soupe de miel pur.
©FOMBA-FIKARAKARANA-AZY©
Afangarohy ao anaty lovia jobo avokoa ireo akora voatanisa ireo. Rehefa vita izay dia avela
mifangaro tsara izay vao azo ampiasaina tompoko.
©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©
Ahosotra amin'ny tarehy izay misy TASY MAINTY rehetra dia avela eo mandritra ny 30 minitra
izay vao kobanina amin'ny rano matimaty.
©FANAMARIHANA©
Tsy maintsy atao 2 fois par semaine ny fampiasaina azy, mandrapahafakany tanteraka tompoko.
Mazava ho azy fa mbola mety ampiasaina amin'ny manaraka hatrany ireo ambiny.

You might also like