You are on page 1of 1

FANAZARAN-TSAINA

KILASY VOALOHANY
LAZA ADINA I :
1- Ireto misy boky, ampifandraiso amin’ny tsilo izay nanoratra azy :

Ny Fanagasiana August RAJAONARIVELO


I Bina Esther RANDRIAMAMONJY
Ilay veromanitra Michel ANDRIANJAFY
Ho avy ny maraina ED. ANDRIAMALALA
Orimbaton’ny fiadanana RAFANOHARANA
Trimofoloalina Justin Fidelis RABETSIMANDRANTO

2- Farito ny atao hoe Hasina ary lazao ny loharano ipoirany

LAZA ADINA II :
A- FAMAKAFAKAN-KEVITRA

Hoy i ANDRIANAMPOINIMERINA :
« Raha noana ny vahoaka tsy masina ny Andriana »
Fakafakao.

B- FANADIHADIANA LAHATSORATRA

…Fitondrana henjana nefa MARINA, no notakian’ny Malagasy. Henjana fa


tsy mandefitra eo anoloan’ny mpandika lalàna na iza na iza ; henja fa tsy misalasala
hanifakifaka izay rehtra manembatsembana ny diany hanatratra ny tanjona tiana ho
tratrarina.
Ary nefa marina satria lany eram-bahoaka.
Marihina fa samy hafa ny fitondrana henjana sy fitondrana tsy refesi-mandidy.
Ny fitondrana tsy refesi-mandidy dia manao izay danin’ny kibony sy araka izay saim-
patany (…)
Ny fitondrana marina kosa mandray ny heriny avy amin’ny vahoaka sy
mifototra amin’ny Rariny sy ny Hitsiny araka ny fisainana maha-olombelona. Ary
satria tsy misy fanjakana eto ambonin’ny tany hametraka mpitandro filaminanairay
avy isan’olo-miaina mba tsy handika lalàna dia izay tratrany no ataony anatry ny sisa.
Izay mpanao fanjakana azo manao tsikombakomba amin’ny fampiharana ny lalàna,
dia darofana indroa heny noho ny sazin’ny meloka iraisany tetika (…)
ED. ANDRIAMALALA
Ny Fanagasiana, tak 57-58

Hadihadio ny lahatsoratra ka hasongadino amin’izany ny fitondrana notakin’ny


Malagasy.

You might also like