You are on page 1of 40

GASY MIZARA EDITION

TANTARAN’I MADAGASIKARA
1787 - 1960

FORMAT : PDF IMRIMABLE


NOMBRE DE PAGE : 35 Pages
LANGUE : MALAGASY
Cours préparatoires aux concours administratifs

TANTARAN’I MADAGASIKARA (1787 – MANDRAKA ANKEHITRINY)

I. ANDRIANAMPOINIMERINA (1787 – 1810)

1. Tanjony

• Ny hanao ny « Ranomasina no valamparihiny »


• “Ny mosary no fahavalony”

2. Fanitaram-panjakana

• Azony antananarivo (atsimo),


• Azony Imerikasinina sy ambatomanga (antsinana)
• Azony Marovatana sy Vonizongo (andrefana)
• Azony Vakinakaratra sy Betsileo
• Fampanoavana tamin’ny alalan’ny fifampirahanana na famakiana ady
tsotra izao no nahazahoany ireo fanjakana manodidina azy ireo

3. Fandaminana ny fanjakana

• Napetraka ny “Imerina enin-toko”: Avaradrano, Ambodirano,


Marovatana, Vonizongo, Vakinisisaony, Vakinakaratra

• Teo ami’ny lafiny fitsarana

Nalamina ny ambaratongam-pitsarana (Fokonolona, Vaditany


ambany, Vaditany ambony...)
Nambarany ny heloka roa ambiny folo mahafaty

• Fandaminana ara-toe-karena

Natsangana ny tsena, nalamina ny amin’ny fandrefesana, ny


famarana ary ny fandanjana
Noezahana ny fanajariana ny lemaka (ohatra: Betsimitatatra)
Natao ny fefiloha
Nambaran’ny mpanjaka fa ny mosary no fahavalony
Namporisihina tamin’ny asa famokarana ny vahoakany

2
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

II. RADAMA I (1810 – 1828)

Zanak’Andrianompoinimerina Radama I. I Dama no niantsoana azy talohany nandraisany


fanjakana. Tanora tokoa izy nandray ny fintondrana satria vao 18 taona izy lasa mpanjaka io.

1. Fampivoarana nyfanjakana

Nifandray sy niara-niasa akaiky tamin’ny vahiny ny mpanjaka


Tonga ny misionera LMS (London Missionary Society), ka anisan’ny
mpanolo-tsainan’ny mpanjaka ry Robin, ry Brady
Nisokatra ny sekoly sy ny fanaovan-taozavatra samihafa (rafitra, tefy, vy,
tefy tanimanga, fanaovan-koditra…)
Nosoniavina ny fifanarahana teo amin’ny fanjakana britanika sy ny
fanjakan-dRadama ny 23 oktobra 1817

2. Fanovana eo amin’ny rafitra eo amin’ny fanjakana

Fametrahana ireo governorana sivily sy miaramila manerana ireo faritany


azony
Fametrahana ireo sefo any ambanivohitra mba handray fanapahan-kevitra

3. Fanitarana ny fanjakana

Nitohy ny fanitaram-panjakana: nanoa i Betsileo, Betsimisaraka, Sihanaka


Nametrahan’ny mpanjakana governora nifehy ireny faritra ireny

4. Zava-dehibe hafa nanamarika ny vanim-potoana nanjakany

Nofoanana ny famarianana olona


Nofoanana toy izany koa ny fampinomana
Nanangana tafika toy ny hita any amin’ny firenena eropeana Radama

3
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

III. RANAVALONA I (1828 – 1861)

1. Fiverenana amin’ny nentin-drazana

Nifikitra mafy tamin’ny fomba sy fanaon-drazana ny mpanjakavavy:


fivavahana amin’ny sampy, fampinomana...
Nohenjehana ny fivavahana kristianina, ka maro no maty maritiora

2. Fifanenjanana teo amin’ny fifandraisana tamin’ny vahiny

Nolavin-dRanavalomanjaka ny fifanarahana tamin’ny 23 oktobra 1817


nifaovan-dRadama tamin’ny Anglisy
Noroahiny ny misionera tamin’ny 1835
Nisy fifandonana teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana frantsay
sy britanika. Tapaka noho izany ny fifandraisana ara-barotra ny 1845 –
1853

Ranavalona I no nanorina tafika voalahany teto Madagasikara

IV. RADAMA II (1861 – 1863)

1. Fiverenan’ny vahiny

Nosokafan’ny mpanjaka hidanadana tamin’ny vahiny indray ny


varavaran’ny fanjakana
Niveriana ny misionera LMS ary nanohy ny asany teo aloha
Tonga ihany koa ny misiona katolika sy ny hafa
Nisy fifanarahana nifanovan-dRadama II sy ny fanjakana frantsay izay
nosoniavina ny 12 septambra 1862

2. Fametrahana fahalalahana

• Nanjaka tanteraka ny fahalalahana na teo amin’ny fivavahana na teo


amin’ny fiaimpiainana andavanandro
• Nofoanana n fanamelohana ho faty
• Nalefahana ny lalàna momba ny fanompoana

4
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

3. Disadisa

• Nivahavaha be ihany ny fitondran-draharaham-panjakana


• Nahazo vahana ny baranahiny
• Nahatezitra ny maro ny fihetraketrahana sy ny fanararaotana isan-karazany
nataon’ireo Menamaso
• Teo koa ny lonilony nateraky ny fisian’ny “Charte Lambert”

4. Ny namonoana ny mpanjaka

Niharihary ny tsy fifanarana teo amin’ny teo amin’ny mpanjaka sy ny Praiministra


Rainivoninahitriniony. Nasain’ity farany naripaka ny Menamaso ny 7 – 8 may 1863. Nifarana
tamin’ny famonoana an-dRadama II izany ny 11 mey.

V. RASOHERINA I (1863 – 1868)

1. Politika anatiny

Nampiseho fahamaliana lehibe teo amin’ny fitondrana ny fanjakana ny


mpanjaka
Nolaviriny ny fihenjanam-doatra tamin’ny andron-dRanavalona I
Nialany koa ny rainazy tamin’ny nanjakan-dRadama II.
Naka elanelany izy
Nohajainy ny fahalalahan’ny fivavahana
Norarany ny fifampitsabahana eo amin’ny raharaham-panjakana sy ny
fivavahana
Nesoriny ny praiministra Rainivoninahitriniony ary nosoloany an-
dRalainilaiarivony

2. Politika ivelany

Nialan-dRasoherina tanteraka ihany koa ny politikan-dRadama II, ka samy notsipahan’ny


mpanjakavavy na ny “Charte Lambert” na ny Finarahana teo amin’i Frantsa sy fanjakana
Malagasy, ka tamin’ny 12 jona 1865 no nosoniavina io fifanarahana io.

5
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

VI. RANAVALONA II (1868 – 1883)

1. N y amin’ny fivavahana

• Nataon’ny mpanjakavavy fivavaham-panjakana ny prostestanisma


• Nasainy nodorana ny sampy
• Nananganany trano fiangonana te an-dRova

2. Fanovana samihafa

Noferana ny dekan’ireo manamboninahitra ambony


Nodidiany ny tsy maintsy anaovana fanompoana miaramila mandritra ny 5
taona

3. Teo amin’ny fitatanana ny raharaha mpanjakana

Napetraka ny hisahana ny raharaham-bahoaka sy hiandraikitra ny filaminana


ny “Sakaizambohitra”
Nisolo izany tato aoriana ny “Antily sy ny Governora madinika”
Nanaovana ezaka ny fandrefetana fehezan-dalàna : Iray venty amby zato
(codes 101) ny 1868, ny Dimy venty sy telonjato (Codes 305) ny 1881
Najoro ny “Valo toko” (ministeram-panjakana)
Nodidina ny tsy maintsy ampianarana ny ankizy araka ny lalàna tamin’ny 6
jona 1876

4. Ny fifandraisana tamin’ny any ivelany

Niharatsy ny fifandraisana tamin’ny Frantsa


Nandefa iraka tany Frantsa 1882 mihitsy ny Mpanjaka mba handravonana ny
disadisa.
Tonga hatrany Angletera, Italia, Alemana, Etazonia ny iraka mba hitady ny
mpanelanelana
Nipoaka ny ady teo amin’ny fanjakana malagasy sy i Frantsa ny 1883

6
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

VII. RANAVALONA III (1883 – 1897)

1. Ny fifanarahana tamin’ny 17 desembra 1885

Naharitra roa taona ny ady nifanaovan’ny Fanjakana malagasy sy Frantsa


(1883 – 1885)
Voatery nanaiky hifampiraharaha ny fanjakana malagasy
Nosoniavina ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta ny 17 desambra 1885
Namatotra ny fanjakana malagasy tamin’ny lafiny maro io fifanarahana io: ny
solotenan’i Frantsa no miandraikitra fifandraisan’i Mdagasikara amin’ny any
ivelany, namaharan’i Frantsa i Diogo, mandoa onitra 10 tapitrisa farantsa ny
fanjakna malagasy.

2. Ady tamin’ny 1895 – 1896 ary fahaverezan’ny fiandrianam-pirenena malagasy

Nanome fahefana feno ny Governemanta frantsay amin’izay heverina ho mety hatao


momba an’i Madagasikara ny Antenimiera frantsay ny 26 janoary 1894.

Miaramila 15 000 no nalefan’i Frantsa haka an’i Madagasikara ho zanatany. Nilavo


lefona anefa ny tafika malagasy ny 30 septambra 1895.

Nosoniavina ny “Pretoctorat” frantsay ny 1 octobra, ka natao zanatany franstsay i


Madagasikara araka ny lalàna ny 6 aogositra 1896. Nalefa sesitany ny mpanjaka ny 28
febroary 1897.

7
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

VIII. NY FANJANAHATANY FRANTSAY

1. Ireo antony fanjanahatany

a. Antony ivelany

• Nihazakazaka ny fandrosoan’i Eropa teo amin’ny lafiny indostria


tamin’ny taonjato faha XIX;
• Nila mpamatsy akora betsaka vaovao izy
• Nihevitra i Frantsa fa manan-jo maro eto Madagasikara

b. Antony anatiny

• Fahalemeny fanjakana sy tafika malagasy


• Ny fananan’i Madagasikara ireo tany lonaka ka nampitsiriritra
ireovahiny.

2. Fitondran-janahatany

Teo ambany fahefan’i Frantsa tanteraka i Madagasikara. I Frantsa no namepetraka ireo


politikam-pitondran-janahatany teto.

Nisy ny politika fotora izay nampizarazara ny Malagasy, ka nampisy fahasamihafa eto


amin’ny fiarahamonina malagasy.

3. Ny tanjon’ny fanjanahatan’ny frantsa an’i Madagasikara

Ny hitrandraka ny haren’ny Nosy


Fanamafisana ny toeran’ny Frantsa amin’ny faritra ranomasina indiana no
tanjon’ny fanjanahatany.

4. Fandaminana fitondran-janahatany

Efa voapetraka avokoa ireo rafitra fitondran-janahatany. Ahitana : faritany, Distrika, ary
catons izany. Ny Governora jereraly no nisolotena ny filoham-pirenenan’ny Frantsa. Izy no
tomponandraikitra voalohany amin’ny fitondran-janahatany. Eo ambany fahefany ireo mpiasa
mpanjakana frantsay, Malagasy vitsivitsy izay nitana andraikitra amin’ny rafitra ambany. Ny
vahoaka malagasy dia navondrona ho Fokonolona.

8
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

5. Fitrandrahana nataon’ny mpanjanatany

a. Ireo fanomezana lehibe sy fanamboarana foto-drafitr’asa

Tany tsy taka-basy no nozaraina tamin’ny voanjo, tahaka ny tany Alaotra, sy avaratra
andrefana ary antsinana

Foto-drafitr’asa lehibe maro no naorina, teo amin’ny serasera, fitanterana..:

Zotran-dalamby efatra no namboarina hahazoana mamoaka vokatra (FCE,


TA, MLA, FCE)
Teo amin’ny serasera, telegrafy...
Teo koa ny fanamboran-dalana

b. Fametrahana ireo asa fanompoana

Fanompoana (10 andro, 20 andro, 50 andro...)


SMOTIG (Service de la Main d’Oeuvre pour les Travaux d’Intérêt
Général)

Ny SMOTIG izay niforina tamin’ny 1926 dia asa fanompoana tsy maintsy ataon’ny
Malagasy feno 18 taona. Io no asa nampitondra faisana ny Malagasy.

c. Ny hetra

Nenjanina ny fitakian-ketra amin’ny vahoaka malagasy. Ireto avy ireo hetra naloa
tamin’izany :

Ny hetra isan-dahy
Ny hetra tany
Ny hetra natokana ho an’ny fanana....

Ny tanjon’ireo hetra ireo dia:

Apetraka io mba ho loharanom-bolan’ny fitondran-janahatany


Mba nafoana ireo midonananam-poana
Tetika iray mba hanaraha maso akaiky ny vahoaka malagasy

d. Ny fifanarahan-janahatany (pacte colonial)

Io fifanarahana io dia fifandrasaina ara-ekonomika eo amin’ny Frantsa sy Madagasikara,


ka nahazahoan’ny Frantsa tombotsoa betsaka ny toekarenan’ny Madagasikara.

9
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

Ireo tombotsoa azon’ny Frantsa amin’izany:

Tsy mandoa “taxe” ny vokatry ny Frantsa


Ny frantsay dia tsy mandoa haba-tseranana
Ny Kompania frantsay irery ihany no mitatitra ireo vokatra ara-barotra
tahaka ny kompania « lyonnaise de Madagascar », ny kompania “marseillaise de
Madagascar” ho an’ny siramamy…

e. Ny fiovan’ny toekarena Malagasy

Fandrosoana ny fanondranana ny entana any ivelany sy firoboroboan’ny


indostria teto Madagasikara
Fametrahana toe-karena ifanarahana

IX. NY TOLOM-PANOHERANA NY FANJANAHATANY

Noho ny tsy rariny sy fanararaotana natan’ny mpanjanaka teto Madagasikara dia tonga
saina ny Malagasy hanohitra ireo geja mahazo ny vahoaka Malagasy. Araka izany dia betsaka
ireo fikambana niady ny fahafahan’ny Madagasikara izay ambany fahefan’ny Frantsa. Ny
famoretanan’ny mpanjanaka sy fitiavan-tanidrazana no antony lehibe nanosika ireo
mpitolona.

1. Ny Menalamba (1895 – 1905)

Ny Menalamba dia fihetseham-bahoaka nipoitra tampoka nahazo tamin’ny faritry ny


afovoan-tany.

a. Ny antom-pisiana

Ny karatra isan-dahy
Ny didin’ny Indizena
Asa fanompoana
Fakana takalon’aina

b. Ny zavatra notakiany na tanjona


Famerenana ny fiandrianam-pirenena
Fandroahana ny vahiny
Fanoherana ireo mpitondra malagasy sadasada
Famerenana amin’ny laoniny ny fanjakan’Andriana

10
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

c. Endrika isehoan’ny tolona

Nahery setra
Nakahala sy namono ny vazaha
Fanafihana an’Antananarivo

d. Ireo toerana notolomany sy ireo mpitarika ny Melanamba

• Andrefan’Ankaratra (Rainisongosy Ralaitangena )


• Avaratra andrefanan’ny Imerina : Rebezavana dit Ravaikafo
• Anjozorobe : Rabozaka dit Ramasoandro mahamay
• Atsimo atsinanan’ny Vakinakaratra sy Antsimo antsinanan’ny Mangoro :
Rainibetsimisaraka

e. Fanoherana tany amin’ny faritra

• I Kongo nanomboka tamin’ny 1897niaraka amin’i mpanjaka Andriampanolaha


• Menabe hatramin’ny 1904 niaraka tamin’i mpanjaka Toera
• Mahafaly hatramin’ny1902 niaraka tamin’i Rerotaka
• Sambiranohatramin’ny 1899 niaraka tamin’i Ndrianjalahy (printsy Sakalava)
• Tsimihety hatramin’ny 1899 niaraka tamin’i mpanjaka Kadija.

f. Ireo mpikambana

Ralaitangena, Rabezavana, Rainibetsimisaraka, Rabozaka

g. Fiafarany tolona

Niafara tamin’ny tsy fahombiazana


Fanaovana sesitany ireo mpikambana
Ao nalefa tany am-ponja
Ao ny nampanaovina asa an-terivozona

11
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

2. Le Vy Vato Sakelika (VVS) (1913 – 1916)

Ny VVS dia fikambanana miafina, satria tsy azo atao no nanorina fikambana
tamin’izany. Ireo tanora avara-pianarana no nanorina azy tamin’ny taona 1913

a. Antony tolona

• Noho ny fahatsapana ny famoretan’ny Frantsa ny Malagasy


• Fisian’ny lalàna indizena izay nanandevo ny Malagasy tokoa
• Noho ny faharesen’ny fanjakana Malagasy ny 1895

b. Tanjona

Ny hitaiza ny hanabe ny Malagasy ho saropiaro amin’ny hasina maha izy


azy no nimasoany
Hanomana ihany koa ny mpiaray tanindrazana ho afaka miatrika ny tolona
hanavotana ny firenena
Fahazoan’ny Malagasy fahaleovan-tena ary fitovian-jo

c. Endrika isehoan’ny tolona

Fivoriana miafina
Famoahana lahatsoratra
Fanaparihana fikambanana

d. Ny mpikambana

Mahira-tsaina avokoa ny mpikambana ao amin’ny VVS, ka ao ny : mpianatra amin’ny


ambaratonga ambony, ny mpano gazety, mpanoratra… Ireto misy vitsivitsy : Ravoahangy,
Andrianavalona, Pasitora Ravelojaona, Ny Avana Ramanatoanina.

e. Ny niafaran’ny VVS

Miisa 40 mahery ny mpikamba voasambotra tao amin’ny VVS ny


desambra 1915
Ny fiandohana taona 1916 dia notsaraina izy ireo ka 8 amin’izany no
voasazy hiasa anterivozina mandra-pahafaty, ary 24 kosa no voasazy
manao asa anterivozina mandritra ny 20 taona.

12
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

3. Ny Sadiavahy (1915-1917)

Ny sadiavahy dia fihetsaham-bahoaka tany amin’ny faritra antsimon’ny Nosy

a. Antony tolona

Fisiany tsy rariny sy fanamparam-pahefana


Fanararaotana samihafa nataon’ny mpanjanaka

b. Zavatra notakiana

Fonoherana ny fandoavan-ketra
Fonoherana ny asam-panompoana
Fiadiana amin’ny tsy rariny sy fanamparam-pahefana

c. Endrika isehoan’ny tolona

Fanimbana: fifandraisana an-tariby, lalana,


Fanafihana toby
Fandrobana
Doro-tanety

d. Mpikambana

Beantanana, Masikavelo, Releje, Tsiretsiky

13
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

4. Ny tolona nataon’i Jean Ralaimongo (1922-1937)

I Jean Ralaimongo dia teraka tamin’ny 4 octobra 1884 ary nodimandry ny taona 1944.
Avy any Akalamavony no tena fiavianay. Mpampiantra no asany.

Natsangany tany Frantsa tamin’ny 1921 ny « Ligue de Française pour l’accession des
indigènes de Madagascar aux Droits de citoyens.

a. Ny antony tolona

Noho ny tsy fitovian-jo teo amin’ny Malagasy sy Frantsay


Fisian’ireo asa anterivozina tahaka ny SMOTIG

b. Tanjona

Ny fitovian-jo eo amin’ny Malagasy sy Frantsay


Hanafoanana ny SMOTIG
Famontsoran-keloka tamin’ny mpikamban’ny VVS

c. Endrika nisehoan’ny tolona

• Fanoratana lahatsoratra an-gazety (Le libéré, L’Opinion…) ny tsy rariny sy


fandrobana nihatra tamin’ny Malagasy.
• Fanaovana fampielazan-kevitra
• Fanentanana tamin’ny alalan’ny fitetezam-paritany

d. Mpikambana

Jean Ralaimongo, Eugene, Ranaivo Jules, Razafy Abraham, Razafindrakoto,


Ravoahangy, Paul Dussac, ….

e. Ny niafaran’ny tolona

o Afaka ireo voarohirohy tamin’ny raharaha VVS


o Foana ny SMOTIG
o Nisy ny mpikambana natao sesitany Port Bergé
o Nisy voasazy mandra-pahafatiny
o Nisy ny niasa an-terivozona

14
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

5. Ny MDRM sy ny tolom-panafahana tamin’ny 1947

Ny 22 febroary 1947 tany Paris no nitsangana ny MDRM.

a. Antom-pisian’ny tolona

• Ny fisian’ny fampijaliana nataon’ireo mpanjanaka


• Mbola eo ambany fahehefany Frantsy i Madagasikara

b. Tanjona

Fahazoana fahaleovantenan’i Madagascar milamina sy ara-dalana, ary tsy


misy hery setra
Fanafoana ny asa fanompoana sy asa an-terivozona
Fanafoanana ny lalàna tamin’ny 6 aogositra 1896
Hanohy ny tolona nataon’i Jean Ralaimongo sy ny VVS

c. Endrika isehoan’ny tolona

Nisy fikomiana manerana ny nosy


Famonoana ny vazaha
Fanafihana ny toby miaramila
Hetsika niafara tamin’ny tsy fahombiazana

d. Ny tolom-panafahana tamin’ny 1947

Ny alin’ny 29 martsa 1947 no nipoaka ny tolom-panafahana. Niara-nihetsika ireo tia


tanindrazana nonombaka tany Diego ka hatrany Manakara. Ny ilany atsinan’ny Nosy no tena
nafana vay. Henjana sy nahery vaika koa anefa nanamontsanan’ny mpanjanaka ity tolona ity
ka maro noho izany ny Malagasy maty, noho ny tsy fitoviana hery teo amin’ny roa tonta.

e. Mpikambana

Raseta Ravohangy, Joseph Ravoahangy, Andrianavalona, Jacques Rabenanjara, William


Raymond, Rakotovao Martin, Tata Max..

f. Ny niafaran’ny tolona
Noravana ny antoko MDRM
Nosamborina ireo lohandohan’ny mpitarika: Raseta, Ravoahangy,
Rabemananjara, Tata max Rakotovao Martin..
Notsaraina sy nohelohina izy ireo.
Naharitra heritaona mahery kely eo ity tolom-panafahana ity
Resy tosika ny tia tanindrazana

15
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

X. NY LALA’NY FIVERENAN’NY FAHALEOVANTENAN’I MADAGASIKARA

1. Ny lalàna lasitra na lalàna Gaston Deffere ny 23 jona 1956 (Loi cadra)

Ny lalàna lasitra na lalàna Gaston Deffere ny 23 jona 1956 dia anisan’ny dingana manan-
danja teo amin’ireo zanatany ny Frantsay amin’ny lalana makany amin’ny fahaleovantena.

Io lalàna io dia namaritra ireo fandaminana vaovao teo amin’ny sisitany, fametrahana ireo
rafitrra vaovao izay neken’ireo zanatany mba hanomezana azy ireo fizakan-tena bebe kokoa.

Araka izany dia natsangana ny Antenimieram-pirenena sy Antenimiera foib, ny “Conseil


de Gouvernement”. Nampiharina ihany koa ny fifidiana faobe ary nomena zo hifidy ny
vehivavy malagasy.

2. Ny nananganana ny Fivoriam-be frantsay (Communauté française)

Nirodana ny Repoblika faha IV tany Frantsa ny volana may 1958 izay nanome
fanantenana ireo zanatany. Tafaverina tamin’ny fitondrana ny Jeneraly De Gaulle. Nampanao
fitsapakevibahoaka izy tamin’ny 28 septambra 1958. Nitsangana fiombonambe frantsay izay
voafaritra tao amin’ny lalàm-panorenana vaovao, nanangana ny Repoblika vaovao faha V. Io
fiombonambe io no rafitra vaovao nifamatoran’i Frantsa tamin’ireo zanatininy.

3. Ny Repoblika malagasy voalohany

Nisafidy ny ho Fanjakana mizaka tena ao anati’ny fiombonambe Frantsay i


Madagasikara. Ny 14 octobre 1958 no nambara ampahibemaso ny fijoroanan’ny Repoblika
malagasy voalohany.

4. Ny fiverenan’ny fahalevantena

Nankatoavina ny Lalàm-panorenan’ny Repoblika malagasy ny 28 aprily 1959. Voafidy


ho filohan’ny Repoblika i TSIRANANA Philbert ny 1 may 1959. Nisy ny fifampiraharahana
teo amin’ny solontena notarihin’ny filohan’ny Repoblika sy ny Governemanta Frantsay. Ny
26 jona 1960 no nambara ny fiverenan’ny fahalevanantenan’i Madagasikara.

16
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

XI. IREO REPOBLIKA EFATRA MALAGASY

1. Ny Repoblika malagasy voalohany

a. Ny firafitry ny fitondrana

Nampiavaka ny Repoblika I ny fisian’ny Fahefana mpanatanteraka matanjaka


notarihin’ny filoha. Fahefana mpanao lalàna ny Antenimieram-pirenena. Fahefana mpitsara
kosa ny filohan-kevitra ambony ny momba ny andrim-panjakana.

b. Ny fitondran’ny filoha Tsiranana

Ny “ Social-démocratie” no soridalana ideolojika nizoran’ny fitondrana. Ezaka natao, teo


amin’ny politika anatiny , ny fampandrosoana ny fambolena sy ny indostria ary ny
fitaterana.Teo amin’ny lafiny politika ivelany indray, nomena vahana be ny fifandraisana
tamin’ny Frantsa izay mbola namatotra an’i Madagasikara tamin’ny “Fifanaraham-piaraha
miasa Frantsay-Malagasy”. Nafana ny fifandraisana tamin’ny tany kapitalista tandrefana sy
Israely, Shina, ary Afrika atsimo.

c. Ny firodan’ny fitondrana

Latsaka an-katerena ny toekarem-pirenena. Teo ihany koa ny disadisa anatiny tao


amin’ny atoko PSD. Nitroatra ny vahoaka tany antsimo ny 1 aprily 1971. Ny fitokonan’ny
mpianatra ho dokotera sy farmasiana teny Befelatanana no nitatra nanjary fihetseham-
bahoaka. Niafara tamin’ny ra mandriaka ny filaharam-ben’ireo mpianatra ny 13 may 1972.
Ny 18 may 1972 no nanomezan’ny filoha Tsiranana ny fahefana feno ny Jeneraly
Ramanantsoa.

2. Ny tetezamita sy ny Direktoara miaramila (1972-1975)

a. Ireo andri-panjakana

Araka ny lalàna tamin’ny 07 Novambra 1972, dia ireto manaraka ireto no andrim-
panjakanan’ny tetezamita:

Ny governemanta
Ny filan-kevitra ambony momba ny andrim-panjakana
(Conseil Supérieur des institutions)
Ny filan-kevi-pirenena entim-bahoaka momban’ny
fampandrosoana (Conseil national populaire pour le
développement)

17
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

b. Fepetra voalohany noraisina

Mba hampitonitony ny krizy politika sy ny disadisa sosialy teto amin’ny firenena, dia
nandray ireto fepetra manaraka ireto ny governemanta Ramanantsoa :

Famotsorana ireo gadra politika (André Resampa)


Fampiakarana 5% ny karama farany ambany(SMIG)
Fampanginana ireo antoko politika
Fanafoanana ny hetra isan-dahy sy ny hetran’omby

c. Ny lamina amin’ny fitantanana ny raharaham-panjaka

Nanomboka lamim-pitantanana sy rafitra vaovao ny fitondran’i Ramanantsoa.

Najoro hisolo ny rafitra teo aloha ireto antanatohatra ireto: fokontany, firaisam-
pokontany, fivondronam-pokontany, faritany. Najoro ihany koa ny rafitra Fokonolona.

d. Fanarenana ny toekarana

Nataon’ny fitondrana ho vaindohan-draharaha ny fampandrosoana ny fambolena.


Natsangana ny SINPA (Société d’Intérêt National Pour les Produits Agricoles) izay natao
hisahana ny fanangonam-bokatra tahaka ny vary sy fivarotana izany.

Najoro ihany koa ny CEAMP (Centre pour l’Equipement Agricol et la Modernisation


du Paysant) mba hampiroborobo ny varotra, dia natsangan’ny governemanta ireo orinasa 2
ireo :

SONACO (Société Nationale par le Commerce)


OMADEX (Office Malgache d’Exportation)

Niala tao amin’ny faribolana Franc i Madagasikara ny taona 1973

Najoro ny Banky Foiben’i Madagasikara

e. Fanavaozana ny fampianarana

Nanao fanavaozana lehibe teo amin’ny sehatry ny fampianarana ny tetezamita

Nampiharina ny “Fanagasiana ny fampianarana”

f. Fifandraisana tamin’ny any ivelany

Nohavoazina ny fifanaraham-piaraha miasa tamin’ny Frantsa ny 1973

Notopahina ny fifandraisana tamin’ny chine, Israely, ary afrika atsimo

Napiroborobo ny fifandraisana tamin’ny ireo firenena tatsinana sosialista

18
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

g. Ny fitondran’i Kolonely Richard Ratsimandrava sy directoire miaramila


(Febroary-Jona 1975

Noho ny disadisa lalina nandemy ny fitondran’i Jeneraly Ramanantsoa dia notolony


ho an’i Kolonely Richard Ratsimandrava ny fahefana feno ny 5 febroary 1975. Herinandro
tao aorian’ny nandraisany kolonely fahefana anefa dia maty voatifitr’olona tsy fantatra teo
Ambohijatovo ambony izy ny 11 febroary. Nitsangana avy hatrany ny “directoire miaramila’
notarihin’i Jules Andriamahazo. Ny directoire no niantoka ny fampandriana fahalemana ny
firenena izay notandindon’ny ady an-trano. Nanao izay hampandeha ny fiainam-pirenena
andavanan’andro ihany koa ny directoire miaramila

3. Ny Repoblika faha II (1975 -1992)

a. Ny fiakaran’i Didier Ratsiraka sy ny fahaterahan’i Repoblika faha II

Ny 15 jona 1975 no nahalany an’i Didier Ratsiraka ho filoham-pirenena lehiben’ny


governemanta teo anivon’ny directoire miaramila. Io andro io ihany ho nanaovany
fianiananan teo anatrehan’ny filan-kevitra ambon’ny andrim-panjakana

Ny fitsapa-kevi-bahoaka natao ny 11 desambra 1975 no nandanian’ny vahoaka ny


lalam-panorenena nampijoro ny Repoblika faha II, nifidianana an’i Didier Ratsiraka ho
filohan’ny Repoblika ary nankatoavina ny sori-dalana fa ny filoha dia ny “Satan’ny
Revolitionina sosialiste Malagasy”na ny “Boky mena”.

b. Ny fitondrana sosialista

Ny “Socialisme lenisme” no ideologia natao fototra nanorenana ny fitondran-


dRatsiraka teo amin’ny lafiny politika.

Teo amin’ny lafiny toekarena dia nataon’ny governemanta ho vaindohan-draharaha ny


nametraka ny atao hoe toekarena sosialista nifototra amin’ny:

Fandraisana ho fananam-panjakana ireo sehatra’asa iankinana aim-panjakana


(banky, fitaterana, angovo, fiantohana...)
Fampiroboroboana ny farimbon’asa amin’ny seha-piarihana amin’ny sehatra
isan-karazana (Fananganana koperativa sosialista)

Nanome fanantenana tokoa ny fandehan-draharaha hatreo amin’ny taona 1982.


Nanomboka hita soritra kosa anefa ny fahasahiranana tamin’ny lafiny maro teo amin’ny
fiainam-bahoaka., ka naha voatery ny fitondrana niroso tamin’ny fifampiraharahana tamin’ny
banky iraisam-pirenena sy sy tahirim-bola iraisam-pirenena mba hahafana manarina ny toe-
karena sy ny fiainam-bahoaka.

19
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

c. Ireo olana natrehan’ny fitondrana

• Niavosa ny trosa. Maro ihany koa ireo voka-dratsy nateraky ny


fampiharana ireo fepetra henjana nofaritan’ny banky iraisam-pirenena sy
ny tahirim-bola iraisam-pirenena
• Teo amin’ny lafin’ny sosialy indrindra no tena nahitana anizany.
Nitombo ny elanelana teo amin’ny sokajin’olona samihafa.
• Nihamaro noho izany ny nahantra, anisan’izany ireo tena fadiranovana
• Maro ireo tsy man’asa
• Nanjaka ny varo-maizina
• Nidangana ny vidim-piainana
• Nisy kosa ireo olona akaikin’ny fitondrana nitombo harena tompoka

d. Ny fionganan’ny fitondrana

Ny fivondronan’ny mpanohitra : nifanantona ireo antoko mpanohitra ny fitondrana ny


4 mai 1990, nitsangana ny “Plateforme, pour nouvelle constitution”. Antoko 4 no nivondrona
tao:

MFM
UNDD
MDC

Nanatevin-daharana ireo tato aoriana kely ireo antoko sy fikambanana ary syndicat
samihafa

Nanaiky ny FFKM amin’ity vondrona ity mba hampiantso fihaonam-be-pirenena.

Ny fihaonam-bem-pirenenan’ny “Hery velona”

Nampiseho fahamalinana fatratra ny FFKM. Nanao jaika be niantsony solotena


samihafa avy amin’ny faritany FFKM 18 manerana ny nosy izy ny 16 aogositra. Nomeny
fanasana hanatrika io zaika be io ireo avy amin’ny mpanohintra sy ny mpanohana ny
fitondrana, vondrona tao amin’ny MMSM (Mouvement Militant pour le Socialisme
Malgache)

20
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

Ireo loha-hevitra lehibe 3 nifantohan’ny dinika

Ny lalam-panorenana
Ny teo-kare-pirenena
Ireo olana sosialy

Nisy fihaonam-be-pirenena faha 2 natao ny 5 -9 desambra 1990. Tamin’ny


fanombohan’io fivoriam-be io, no nananganana ny filankevim-pirenen’ny Hery velona
(Conseil National du Force Vives) izay nahitana departemanta :

Politika
Ekonomika
Ary sosialy

Nihataka tamin’ny raharaha ny FFKM. Ny Profesora Zafy Albert no filoha nitarika ny


filan-kevitra io.

Ny fihetsehana ho fanoherana ny fitondrana:

Nitarika ny vahoaka hanao fihetseketsehana ny filan-kevitry ny Hery Velona


nanomboka ny 1 may 1991. Ny 10 jona kosa no nanomboka ny fitokonana izay naharitra 5
volana nameno ny kianjan’ny 13 may isan’andro ny panao fihetsiketsehana

Nitaky ny fanovana ny lalam-panorenana izy ireo teo am-piandohana. Nivadika ho


fitakiana ny fialan’ny filoha Ratsiraka taty aoriana. Tsy nihontsina anefa ny fitondrana nisy;
nanangana governementa manokana teo amin’ny kianjan’ny 13 may ny Hery Velona. Ny
jeneraly Jean RAKOTOARISOA (Vohay Be) no natao filoham-panjakana. Ny profesora Zafy
kosa no notendrena ho Praiministra. Notendrena ireo ministra isan-tokony ary naterina
tsirairay teny amin’ny ministera avy.

Tsy niombon-kevitra tamin’izany paik’aidy izany ny antoko MFM ka nisitaka niala


tamin’ny Hery Velona ary nanangana ny Hery Velona RABEARIVELO izay niova ho Hery
Velon’i Madagasikara tato aoriana.

Ny 10 Aogositra 1991 no nanaovan’i Hery Velona RASALAMA ny “Dia-ben’ny


Fahafahana” teny amin’ny lapan’ny Iavoloha izay niafara tamin’ny rà mandriaka

Ny fifanarahana tamin’ny 31 Oktobra 1991 (tsy nisy panelanelana vahiny teto):

Ny fifanarahana teny amin’ny hotely Mpanorama Andrianarivo tamin’ny 31 Oktobra


1991 no nazahoana namarana ny krizy nolalovan’ny firenena.

Fifampidinihana nandritra ny 3 andro izay notarihan’ny FFKM ary nandraisan’ny


ankolafin-kery rehetra mpifanandrina anjara, no nahalavorariana izany. Voafaritra ao amin’io

21
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

fifanarahana io ny fanonganana ny fahefana aram-panjakana ( Hauté Autorité de l’Etat). Ny


profesora Zafy no ho filohany. Hajoro ihany koa ny filan-kevitra ho fanarenana ny toe-karena
sy sosialy (CRES: Conseil pour le Redressement Economique et Social). Ny pasitera Richard
ANDRIAMANJATO sy RAKOTONIRINA Manadafy no ho filohany miara-mitantana izany.
Guy willy RAZANAMASY kosa no ho praimisitra.

Natsangana ny governementa vaovao ny 19 septambra . Niroso tamin’ny tetezamita ho


amin’ny repoblika faha III i Madagasikara

4. Ny Repoblika faha III (1992_2008)

Ny lalàm-panorenana vaovao

Ny Aogositra 1992 no nankatoavin’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny fitsapan-


kevibahoaka ny lalàm-panorenana vaovao. Teraka ny repoblika faha III. Nitondra rijan-
kevitra vaovao ity lalàm-panorenana ity: Ny fihavanana, ny finoana ny zanahary mpamorona,
ny fahamarinana.

Ireto avy ireo andrim-panjakana voafaritra ao anatiny:

• Ny filoham-pirenena sy ny governementa
• Ny antenimieram-pirenena
• Ny antenimieran-doholona
• Ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana

Ny fifidianana ny filohan’ny Repoblika

Lany ho filohan’ny repoblika tamin’ny fiodinana faha roa ny 19 febroary 1993 i


profesora Zafy Albert, 66,76 % ny vato manan-kery azony. 33,24% kosa no azon’i Ratsiraka.

Tsy famarinan-toeran’ny fitondrana:

Voatendry ho praiministra i Francis RAVONY. Fitsipaham-pitokisana roa mifanesy


no natrehany. Tamin’ny jolay 1994 ny voalohany nataon’ny vondrona parlemanta MFM ary
FAMINA ao amin’ny antenimieram-pirenena. Ny faha roa kosa no nataon’ny antoko UNDD.
Samy tsy nahomby anefa io fitsipaham-pitokisana io ka voatery nanao fitsapan-kevibahoaka
ny profesora Zafy filohan’ny repoblika ny 17 septambra 1995 mba handaminana ny
volavolam-panovana ny lalam-panorenana mba ahafahana manilika ny praiminisitra. Lany io
fanovana io. Ary natolotro ha an’i Dr RAKOTOVAHINY Emmanuel no praiminisitry ny
filoha zafy.

22
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

Niongana indray anefa ny governementa nohon’ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny


solom-bavambahoaka izay nataon’ny Manadafy RAKOTONIRINA nolanian’ny
antenimieram-pirenena ny 16 may 1996.

Notendrena ho praiministra vaovao i RATSIRAHONANA Albert Lala. Tsy naharitra


intsony ny fitondran’ny profesora Zafy, ka ny 4 septambra 1996 no nandanian’ny
anteniemieram-pirenena ny fampiatohana ny filohan’ny Repoblika amin’ny asany.
Nakatoavinan’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana io fehin-kevitra io. Toe-javatra
nanahirana natrehin’i Pr Zafy ihany koa teo amin’ny lafiny toe-karena ny fihemoran’ny
fiharina amin’ny ankapobeny. Nanampy teo izany fifanolanana teo amin’ireo mpamatsy vola
mahazatra tahaka an’ny Banky iraisam-pirenenana sy ny tahirim-bola iraisam-pirenenana,
noho ny firosoan’ny governemanta tamin’ny fikarohana lalam-bola hafa.

Ny fiverenan-dRatsiraka teo amin’ny fitondrana

Lany tamin’ny isam-bato 50, 71% tami’ny fihodinana faha roa tamin’ny fifidiana
filohan’ny Repoblika natao ny farany volana desambra 1996, vato 49,29% kosa ny an’i Pr
Zafy.

Tafaverina teo amin’ny fitondrana ny Amiraly Ratsiraka. Notendrena ho praiministra i


RAKOTOMAVO, nandimby azy avy eo i Tantely ANDRIANARIVO. Nanao fanitsiana ny
lalàm-panorenana ny Amiraly Ratsiraka ny 15 janoary 1997, tamin’izany no nametrahany ireo
faritany mizakatena. Misy fiatraikany tamin’ny toe-karem-pirenena izany. Niverena indray
fiarahamiasa tamin’ny mpamatsy vola mahazatra.

23
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

Ny krizy 2001- 2002

Ny tsy fitovian-kevitra voka-pifidianana ny filohan’ny Repoblika natao ny volona


desambra 2001 no antony lehibe nahatonga ny krizy. Ny 25 janoary 2002 no namoaka ny
voka-pifidianana ofisialy tamin’ny fiodinana voalohany ny fitsara avo momba ny lalàm-
panorenana. Nambarany ny hisian’ny fiodinana faha roa hifanatrehan’ny mpifaninana roa: ny
Amiraly Ratsiraka, sy Marc RAVALOMANANA.

Nanohitra izany voka-pifidianana izany ny KMMR (Komity Manohana an’i Marc


Ravalomanana). Nanambara izy ireo fa nahazo vato 45,34% ny kandidany, 35,12% ny an-
dRatsiraka. Antony hafa nanoherana ny voka-pifidianana ofisialy ihany koa fiheverana ny tsy
maha aradalana ireo mpikambana ao amin’ny fitsara avo momba lalà-panorenana.

Fitokonam-be naharitra 9 volana sy fifandonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany


no nateraky izany tsy fitovian-kevitra izany.

Maro ireo zavatra simba ny ain’olona nafoy. Nisy ny fihaonan’i Ratsiraka sy Marc
Ravalomanana tany Dackar ny 18 aprily 2002 (Dackar I). Ny fifanarahana voa Sonia tamin’io
fifanarahana io no nahatonga ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny fitsarana avo momba
ny lalàm-panorenana sy ny fameranana ny fanitsiana ny vato (fanisana ny vato). Nambaran’ny
HCC vaovao ny fahalanian’ny Marc RAVALOMANANA ho filohan’ny Repoblika. Ny 6 mai
2002 no nanao fianianana ny filoham-pirenena. Natrehan’ny vahoaka an’aliny sy masoivoho
vahiny samihafa teo amin’ny kianjan’ny Mahamasina

Ny fitondran-dRavalomanana Marc (2002-2009)

Nitsangana ny antoko Tiko Madagasikara (TIM). Antoko tena natanjaka. Nandresy


tamin’ny fifidianana samihafa natao ary nahatafiditra olona maro na tao amin’ny
Antenimieram-pirenena na tao amin’ny Antenimieram-doholona, na tany amin’ny kaomina
maro.

Fanarenana ny toekarena no tena nimasoan’ny fitondrana. Voafafa ny ampahany


betsaka tamin’ny trosan’i Madagasikara noho ny fifampiraharahana tamin’ny Banky
Mondialy sy ny FMI. Ezaka lehibe natoa ny fanaovan-dalana, ny fampandrosoana ny
fambolena sy fiompiana (fampiharana tetikasa marao nahazoana famatsiam-bola ivelany)

Lany fainindrony ny filoha Ravalomanana ny taona 2006. Narafitra ho soridalam-


pandrosoana ny MAP ary nampiharina nanomboka ny taona 2007.

24
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

XII. NY TETEZAMITA (2009 – 2014)

• Ny 13 desambra 2008: nakaton’ny fanjakana ny Televiziona Viva an’Andry


Rajoelina
• 24 janoary 2009: niantso fitokonambe i Andry Rajoelina
• 26 janoary 2009: Doro trano, faharavan-javatra maro nitranga teto Antananarivo. Ny
orinasan-dRavalomanana no voa mafy tamin’izany.
• 17 martsa 2009: Nanolotra ny fahefana feno ny Direktoara miaramila ny Filoha
Ravalomanana. Natolotry ny Direktoara miaramila an’i Andry Rajoelina kosa indray
izany avy eo teny amin’ny Tobin’ny CPSAT eny Soanerana
• 5-9 aogositra 2009 Fihaonana sy fifanarahana tany Maputo. Tsy nahomby ny
fampiharana io fifanarahana io.
• 17 novambra 2010: Fanaovana fitsapan-kevibahoaka ny lalàm-panorenana vaovao, ka
lany tamin’izany ny eny.
• 11 desambra 2010: Teraka ny Repoblika IV
• 25 octobra 2013: Fifidianana ho filoham-pirena fiodinana voalohany ka lany
hanatrika fiodinana faharoa i dokotera Robeson (21,16 %) sy Hery
Rajaonarimampianina (15,85%)
• 20 desambra 2013: Fifidiana fiodianana faharoa ho filoham-pirenena sy fifidiana ho
solombavambahoaka ka lany tamin’ny izany i Hery Rajaonarimampianina (53,49%)
• 25 janoary 2014: Nanao fianianana i Hery R teny Mahamasina

25
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

LAZA ADINA MIENDRIKA FANONTANIANA

Raha miendrika fanontaniana maromaro ilay laza adina, avy dia valina avy hatrany fa
tsy fakafakana na hadihadiana.

Fanontaniana

1. Lazao ny fahafantaranao momba an’Andrianamponomerina


2. Tantarao ny hetsiky ny VVS sy MDRM
3. Lazao ny fahafantaranao sy nampalaza an’ i Radama I
4. Tantarao ny hetsiky ny Menalamba
5. Iza i Jean RALAIMONGO?
6. Ahoana ny fahafantaranao ny fihetseham-bahoaka 1947?
7. Lazao ny fahafantaranao sy nampalaza an’i Ranavalona I?
8. Iza i Radama II ?
9. Iza i Rasoherina

Valiny

1. Fampafantarana an’Andrianamponimerina

I Andrianamponimerina dia mpanjaka nanana ny lazany sy maha izy azy teo


ambohimanga. Ny taona 1787 ka hatramin’ny 1810 no nitondrany.

Ny tanjony dia hanao ho “Ranomasina no valam-parihiny”, izany hoe hanjaka manerana


ny nosy. Ary “Mosary no fahavalony”, izany hoe sambatra sy milamina ny vahoaka tarihiny.

Nitondra fampivoarana sy fandaminana teo amin’ny fanjakana izy teo amin’ny lafin’ny
politika sy toe-karena.

Teo amin’ny lafin’ny politka, napetraka i Imerina enitoko mba ahafahany mihehy tsara ny
fanjakany (Avarandrano, vakinisisaony, vonizongo, marovatana, vakinakaratra, ambodirano).
Teo amin’ny lafiny fitsarana dia napetraka ny ambaratongam- pitsarana((fokolona, vaditany
ambony, vaditany ambany...) sy nambarany ireo heloka 12 mahafaty. Tsy nijanona hatreo izy
fa nanitatra ny fanjakany izy satria azony Imerkasinina, Imerina antsimo, Vakinakaratra….

26
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

Tamin’ny alalan’ny fampiraharahana sy famakiana ady no nanatanterahany an’izany rehetra


izany.

Teo amin’ny lafin’ny toe-karena, dia natsangana ny tsena mba tsy hampanahirana ny
fivezevezean’ireo vokatra. Mba hahatsara ny vokatra dia nisy ny fanajariana ireo lemaka
tahaka ny lemaky ny betsimitatatra ary nisy ny fanamboarana fefiloha. Tsy tapitra hatreo, fa
nalamina ny fitaovam-pandrefesana, famaranana, ary ireo mizana mba tsy hisiany fitapitaka.
Namporisihin’i mpanjaka hiasa sy hamokatra ny vahoaka mba tsy hisiany mosary. Mba
hampirindra tsara ny fitatanan-draharaha teo amin’ny fanjany dia nisy fandaminana teo
ami’ny hetra ka nisy ny hetra vidin’aina, hetra isam-pangady….

Raha atao bango tokana izay voalaza dia tsapa fa anisan’ny mpanjaka nanana ny paikady
sy strategika nandaminana ny fanjakany i Andrianamponimerina. Hainy tsar a manko ny
nandamina teo aminny lafiny politika sy toe-karena.

2. Fitantarana ireo hetsika ny VVS sy MDRM

Samy nanana ny lanjany sy hasamihafana raha ny hetsiky ny VVS sy MDRM teto


Madagasikara.

a. VVS (Vy Vato Sakelika)

Ny VVS dia fikambanana niafina, satria tsy azo natao no nanorina fikambanana
tamin’izany. Ny taona 1913 ka hatramin’ny 1916 no nitoloman’ity fikambanana ity. Ireo
avara-pianarana malagasy tahaka ny mpianatra ambaratonga ambony, mpanao gazety
mpanoratra no nanorina azy tamin’ny taona 1913. Teto am-povoan-tany no tena nanjakan’ity
fikambanana ity.

Ny tanjony dia hanabe sy hitaiza nyMalagasy ho saro-piaro amin’ny maha izy azy, ary
hanomanana ireo mpiray tanindrazana aminy ho sahy hiatrika ireo tolona fanavotana ny
firenena ary hamerenana ny fahaleovan-tenan’ny malagasy. Anisan’ny nisongadina ihany koa
ny fitakiana fitovian-jo teo amin’ny Malagasy sy Frantsay.

Mba hanatanterahana ireo tanjona ireo dia nisy ireo hetsika nataon’ireo mpikambana tao
amin’ny VVS izay natao am-pilaminana tsy misy herisetra. Tao ny famoahana lahatsoratra
an-gazety mba famotsipotsirana ireo ngeja sy tsy rariny nataon’ny mpanjanaka. Tsy tampitra
hatreo fa nadia niafiana aza ny VVS dia niezaka ireo mpikamba tao aminy nanaparitaka izany
manerana ny nosy mba hahazo vahana tsara ireo tolona izay hatao. Tsy nikely sorika i
Ravoangy Andrianavalona, Pasitora Ravelojaona, ny Avana Ramanatoanina nitady hevitra sy
nivory miafina mba hahatratrana ireo tanjona napetraka izy ireo.

Nandamoka anefa izany satria tsy nahamby ireo hetsika rehetra izay natao ka ny taona
1916 no rava ny VVS. Voasambotra ny sasatsasany taomin’ireo mpikambana ka nisy voasazy

27
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

an-terivozona mampandram-pahafatiny ary misy ny voasazy an-terivozona mandritra ny 20


taona.

b. MDRM

Ny MDRM dia antoko niforina ny 22 febroary 1946 tany Paris. Antoko nijoro ara-dalana
manaraka ny rafim-pandaminana. Ny taona ny 1946 ka hatramin’ny taona 1947 no
nitolomany. Ireo ava-pianarana no anisan’ny mpikamban’ny tao: Ravaohangy, Jaques
Rabemanjara, William Raymond, Rakotovao Martin, Tata max.... Tolona tamin’ny endrika
politika.

Anto-pisian’ny tolona dia fisian’ireo fampijaliana nataon’ireo mpanjanaka ary mbola eo


ambany fahefan’ny frantsay i Madagasikara.

Ny tanjony ity antoko ity dia fahazahoana fahaleovantena milamina sy ara-adalana ary tsy
misy herisetra, fanafoanana ireo asa an-terivozona tahaka ny SMOTIG, hanafoana ilay lalàna
tamin’ny 6 aogositra 1896, hanafaka ireo mpikanana tao amin’ny VVS.

Mba hanatanterahana izany tanjony izany dia nisy ireo hetsika izay natao. Famoahana
lahatsoratra an-gazety mamotsipotsitra ireo fanararaotana sy fampijaliana ary tsy rariny
ataon’ireo mpanjanaka. Namparitaka manerana ny nosy ny antoko mba hampahazo vahana
tsara ireo tolona izay hatao. Niara niasa tamin’ireo fikambanana miafina tahaka ny
MPANAMA, JINA mba hanatevin-daharana amin’izay tolona hatao rehetra. Tafapetraka
izany rehetra rehetra izany dia nisy ny fikomiana manerana ny nosy, ka ny tena nahery vaika
indrindra dia ny 29 marsa 1947. Tamin’izany no nonoheran’ireo mahery fo malagasy
tamin’ny lafiny rehetra ireo mpanjanaka.

Ireo hetsika ireo anefa dia niafara tamin’ny tsy fahombiazana satria rava ny antoko
MDRM ny 1947. Nosamborina sy nampidirina am-ponja ireo mpikambana. Ny sasany kosa
natao sesitany.

3. Ireo fantantra sy nampalaza an’i Radama I

Radama I dia zanak’Andrianamponimerina. Dama no niantsoana azy talohan’ny


nadraisany fanjakana. Mbola tanora tokoa izy no nandray fitondrana satria vao 18 taona izy
lasa mpanjaka io. Ny taona 1810 ka hatramin’ny 1828 no nitondrany, izany hoe nandritra 18
taona. Izy zany no mpanjaka nadimby an’Andrianamponimerina.

Ity mpanjaka ity no anisan’ny nanokatra ny fiaraha miasa tamin’ireo vahiny. Ka tonga teto
Madagasikara ireo misionera anglisy LMS. Ary anisany mpanolo-tsaina tao aminany i Robin
sy Brady. Mba hanamafisany ny fiaraha miasa bebe kokoa tamin’ireo vahiny dia nisy ny
fanaovan-tsonia fifanarahana teo amin’ny fanjakan-dRadama sy fanjakana britanika ny 18
octobra 1817.

28
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

Nanitatra ny fanjakany tahaka ny rainy i Radama I satria nanoa ny Betsileo,


Betsimisaraka, Sihanaka izy. Nametrahany governora ireo faritra ireo mba hifehy izany.

Ny tena nampalaza an’ity mpanjaka ity dia izy no nanorina sekoly voalohany teto
Madagasika . Natsangany ihany koa ireo sekoly fanaovana tao-zavatra samihafa tahaka ny:
rafitra, tefy vy, tefy tanimanga, fanaovan-koditra...)

4. Fitantara ny hetsika ny Menalamba

Ny Menalamba dia fikambanana vondron’olona malagasy niforoana sy nipoitra tampoka


ny taona 1896 ka hatramin’ny taona 1905. Izany hoe fihetseham-bahoaka nipoitra tampoka
nandritra ny 9 taona. Malagasy no nitarika ny Menalamba ka anisan’izany i Rabozaka,
Rabezavana, Rainibetsimisaraka Ralaitangena..... Ity tolona ity dia nahazo vahana tamin’ny
faritra afovaon-tany : avaratriny akarana, antsimo atsinanan’ny Vakinakaratra, avaratra
andrefanin’ny Imerina, Anjorobe. Tolona niendrika fankahalana vahiny.

Ny antom-pisiany dia ny fisian’ny karatra isan-dahy, ny didin’ny indizena, ireo asa


fanompoana izay tsy nampisy zo aman-kasinan’ny Malagasy .

Ny tanjony dia famerenenana ny fiandrianam-pirenena, fandroahana vahiny, famerenana


amin’ny laoniny ny fanjkan’Andriana.

Mba hanantanterahana izany tanjona izany dia nisy ireo hetsika izay nataon’ny
Menalamba. Tsy nisangy izy ireo raha vao nahita vahiny sy ireo Malagasy miaraka amin’ny
mpanjanaka dia namono avy hatrany tahaka an’i misionera William Jonhson telo mianaka
tany Itasy. Tao ny fanafiahana an’Antananarivo mba hamongorana ireo tsy maty manota.
Natao izay hahaleo monina ireo vahiny, izany hoe noroahina ireo vahiny. Niezaka
nanaparitaka ny fikambanana ireo mpitarika ao satria nahitana izany ny tany Ikongo,
Menambe, Mahafaly, Sambirano, ary Tsimihety. Samy nihetsika daholo ireo faritra ireo.

Na dia teo aza ireo tolona ireo dia niafa tamin’ny tsy fahombiazana izany rehetra izany.
Satria reraka sy tsy nanana fitaovana entina mitolona intsony izy ireo ka nosambori-
potsin’ireo mpanjanaka. Ka misy tamin’ireo mpikambana nalefa tany am-ponja, tao ny
nampanaovana asa an-terivozona ary ny sasany kosa nalefa sesitany.

5. Fampafantarana an’i Jean Ralaimongo

Jean Ralaimongo dia teraka tamin’ny 4 octobra 1884 tany Ikongo. Ny fiaviany dia avy
any Kalamavony. Mpampinatra no tena asany. Ny Vanim-potoana nitolomany dia
nanomboka ny taona ny 1922 ka hatramin’ny taona 1937. Nodimandry izy nohon’ny aretina
nahazo azy ny taona 1944

29
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

Natsangany tany Frantsa tamin’ny 1921 ny « Ligue de Française pour l’Accession des
indigènes de Madagascar aux Droits de citoyens », izay nandraisan’ny Malagasy sy Frantsay
anjara.

Ny antom-pisan’ny tolona dia tsy fitovian-jo teo Malagasy sy Frantsay ary fisian’ireo
fanararaotana samihafa sy ny asa an-terivozona tahaka ny SMOTIG.

Ny tanjony dia ny fitovian-jo teo amin’ny vazaha sy Malagasy no nimasoany. Teo ihany
koa ny hanafoana ny SMOTIG izay tsy nampisy hasina ny Malagasy. Nisongadina ihany
hisian’ny famotsoran-keloka tamin’ireo mpikambana VVS.

Mba hanatanterahana izany dia nisy ireo hetsika izay nataony. Fanoratana lahatsoratra an-
gazety (liberté, opinion…) mamotsipotsitra ireo tsy rariny sy ny fanaparam-pahefana
nataon’ny mpanjanaka. Tao ny faovanany sy ireo namany ny famelabelaran-kevitra mba
hilazany ny tena heviny tao amin’ny trano « Cinéma » iray. Nanao fanakinana ny
fanararaotam-pahefana izay nataon’ny fitondran-janahatany, izay tena hita nibaribary tamin’n
Malagasy i Jena Ralaimongo sy ny namany. Nitety faritra izy ireo mba hampafantarana ny
Malagasy ireo tolona an’izy ireo. Anisan’ny nitolona niaraka tamin’ny Jean Ralaimongo,
Ranaivo Jules, Abraham Razafy, Razafindrakoto, Ravoahangy, Paul Dussac….

Tsy tahaka ny tolona rehetra dia mba nisy voka-tsoa ny tolona izay nataon’i Jean
Ralaimongo, satria afaka ireo voarohirohy tamin’ny raharaha VVS, foana ny SMOTIG.
Kanefa nisy ihany ireo mpikambana voasazy mandra-pahafatiny, tao no niasa an-terivozina,
ary tao ihany koa no natoa sesitany tany Port Bergé.

6. Fampafantarana ny fihetseham-bahoaka ny 1947.

Nahatsiaro tena ho tomponantoka tanteraka amin’ny fanavotana ny fireneny ny Malagasy.


Antony nitarika ny Malagasy hamongotra tanteraka izay hitany fa hanohitra azy. Izany
indrindra tokoa no nanosika azy ireo hanao ny hetsi-panafahana ny taona 1947.

a. Inona tokoa moa ny antony izany?

Tsy fitoviana maromaro no antony nahatonga ny fihetseham-bahoaka nataon’ny


Malagasy:

• Fitakiana ny famerenana ny fahaleovantena tanteraky ny Madagasikara,


satria ny mpanjanaka dia tsy nieritreritra ny hanome izany fahalevantena izany.
Manindrahindra ny hasin’ny maha malagasy ihany koa izy ireo

• Famoretana sy fanararaotam-pahefana izay nataon’ireo mpanjanaka,


satria nataony tsinotsinona ny malagasy ary nanao izay tiany hatao teto izy ireo

30
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

• Tsy fitovian-jo teo amin’ny Malagasy sy ny Frantsay ary fanandevozana


izay nampihariny teto Madagasikara. Satria dia tena nanavaka tokoa ny
mpanjanaka, ka nataony ambany ireo vahoaka madinika, ary ny “Citoyen” nomeny
toerana ambony nefa samy Malagasy izao ihany. Midika izany rehetra izany fa tsy
fitovian-jo sy fanandevozana ny Malagasy.

b. Ahoana kosa ny fisihoanan’ny tolona?

Mba hanoherana ireo tsy rariny nataon’ny mpanjanaka dia nisy ireo hetsika
nanerana ny nosy.

• Nipoaka ny fihetsehana ny alin’ny 29 marsa 1947 ka niara nihetsika


ireo tia tanindrazana nanomboka tany diego ka hatrany Manakara. Nisy mpitarika
tsirairay ireo faritra ireo ka tsy nanano sarotra ny tolona. Ny ilany atsinanana no tena
nafana vay.
• Nisy ny fanafihana toby miaramila avy hatrany mba hahazoana
fitaovam-pidiana hanampiana ny teo am-pelatan’ireo mpitolona satria tsy nanana
afatsy lefona, antsy be, pilotra.. ny teny antanan’izy ireo. Nampiasa ny heriny rehetra
ireo tia tanindrazana mba hanoherana ireovoanjo. Tsy nitsitsy izy ireo fa avy dia
namono avy hatrany
• Tsy novoina ihany koa anefa ireo vazaha izay tsy nanandevo tahaka ny
karana, sinoa, anglisy. Tahaka izany koa ireo vazaha Frantsay manaiky ny
fahaleovantenan’ny malagasy.
• Nitabataba farany izay mafy manerana ny tanana ireo mpitolona. Ka tao
nitora-bato, nandoro tran’ireo vazaha frantsay ka maro ireo trano may afatsy ireo trano
tafo tanimanga.
• Betsaka araka izany ireo vazaha maty sy ireo malagasy mpitolona satria
tsy nifampitsitsy ny andaniny sy ankilany. Tao anitin’izany ihany koa ireo
mpikambana tao amin’ny PADSM.

c. Fiafaran’ny tolona sy famaizana nataon’ny mpanjana

Tsy nikely sorika tokoa ny mpanjanaka nanohitra ireo mpitolona malagasy.


Izay nahatsikariny fa nihamalemy ny tolona noho ny haherana sy tsy fahampian’ny fitaovana
entina miady intsony tamin’ireo mpitolona. Araka izany dia resy tosika nyMalagasy, izany
hoe tsy nahomby ny hetsika izay natao. Misy ary ireo famaizana nataon’ny mpanjanaka
tamin’ireo mpitolona:

• Nosamborina ireo mpitolona, avy eo notsaraina ary nampidirina am-


ponja avy hatrany, tao ny nanao asa an-terivozona. Anisan’ny tratran’izany ireo
mpikambana tao amin’ny MDRM.

31
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

• Tao ny nampijaliana tamin’ny endriny samy hafa


• Nisy ihany koa novonoina avy hatrany tahaka ny raharaha vagon
Moramanga. Fitifirana an’i LT Andriamarimanana Albert ny Aprily 1948.
• Noravana ny antoko MDRM
• Natao sava hao tany anaty ala ireo mpitolona mbola tsy hita
• Nodorona ny tanana maro tany amin’ny faritra antsinana

7. Fampafantarana sy nampalaza an’i Ranavalona I

Mpanjaka vavy Ranavalona I dia mpanjaka nandimby an’i Radama I. Ny taona


1828 ka hatramin’ny taona 1861.

Ity mpanjka vavy ity dia anisan’ny nifikitra tamin’ny fomban-drazana sy


fampinomana, ary fivavahana tamin’ny sampy. Araka izany dia nohenjehiny ny fivavahana
kristianina ka maro ireo maty martiora.

Tsy tia nifandray tamin’ireo vahiny ihany koa izy satria nolaviny ny
fifanarahan-dRadama I tamin’ny anglisy ny 18 octobra 1817. Noroahiny ihany koa ireo
misionera anglisy LMS. Tapaka araka izany ny fifandraisana ara- barotra tamin’ny 1845 ka
hatramin’ny 1853.

Ny tena nampalaza ity mpanjaka ity izany dia fifikirany tamin’ny fomban-
drazana ka nanenjehan’ireo kristianina. Ary izy ihany koa no namorina tafika voalohany teto
Madagasikara.

8. Fampafantarana ny momba an’i Radama II

Radama II dia mpanjaka nandimby ny mapanjanka vavy Ranavalona I. Ny taona 18161 ka


hatramin’ny 1862 no ntitondrany.

Ity mpanjaka ity dia anisan’ny nanonokatra indray ny fifandrasaina tamin’ny vahiny
rehefa voaroaka tamin’ny fitondran’i Ranavalona I. Araka izany dia niverina ireo misionera
LMS anglisy ary nonohy ny asany. Tonga ihany koa ireo misionera katolika. Nanao
finanaraha vaovao tamin’ny fanjakana fratsay ny mpanjaka izay nosoniavina ny 12 septembra
1862.

Nananjaka tanteraka ny fahalalahana na teo amin’ny fivavahana na teo amin’ny fiainana


an-davan’andro ka samy nanao zay natoany ny olona. Nofoanana araka izany ny
fanamelohana ho faty ary nalefana ny làlana momba ny fanompoana.

Nahazo vahana araka izany ny barahana ka nahatezitra ny maro ny fihetraketraketraky sy


ny fanararaotana isan-karazany nataon’ireo Menamaso. Teo ihany koa ny lonilony nateraky
ny fisian’ny charte Lambert.

32
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

Vokatry izany dia niharihary ny tsy fifanarahana teo amin’ny mpanjaka sy Praministra
Ranivoninahitriniony. Nasain’ity farany naripaka ireo Menamaso ary niafara tamin’ny
famoana ny mpanjaka izany ny 11 mey 1863.

Ny nampalaza ity mpanjaka ity ny baranahina ny fitondrana ary nanjaka tapany izy satria
2 taona monja no nitondrany.

9. Rasoherina I

Mpanjaka vavy nandimby an-dRadama II i Rasoherina I. Ny taona 1863 ka hatramin’ny


taona 1868 no nitondrany.

Nampiseho fahamaliana lehibe teo amin’ny fitondrana ny fanjakana ny mpanjaka, satria


nolaviriny ny fihenjanan-doatra tamin’ny andron-dRanavalona I, nialany koa ny rainazy
tamin’ny nanjakan-dRadama II.

Nohajaina araky izany ny fivavahana, sy fahalalahana, ary norarany ny fifampitsabahana


eo amin’ny raharaham-panjakana syny fivavahana. Nesorina ihany koa ihany koa ny
praministra Ranivoninahitriniony ary nosoloiny rahalahiny ihany i Ralainilaiarivony.

Nialan-dRasoherina tanteraka ihany koa ny politikan-dRadama II, ka samy notsipahiny


mpanjaka vavy na ny charte Lembert na fianarahana teo amin’ny Frantsa sy fanjakana
malagasy. Nisy ny fifanarahana vaovao izay nosoniavina ny 12 jona 1865.

Ny nampalaza ity mpanjaka ity dia izy nasiaka ka tsy dia azo iresahana loatra. s

33
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

LAZA ADINA MIENDRIKA FAMAKAFAKANA NA FANADIHADIANA

Raha tokana ilay laza adina dia tsy maintsy fakafakaina na hadihadiana avy hatrany.
Ka misy araka izany ny drafitra tsy maintsy harahina, izany hoe ahitana “Teny fampidirana”,
“ Famelabelarana” ary “Teny famaranana”.

Laza adina I

“Ampitahao ny hetsiky ny Menalamba sy ny MDRM”

Eto zao dia laza adina miendrika famakafakana na dia tsy milaza an’izany io laza
adina io satria fampitahana ireto fikambana ireto no resaka eto.

Ireto no dingana tokona harahina alohan’ny hananganana ny drafitra

Teny fanalahidy

Ampitahaina : fitoviana sy faha samihafana

MDRM sy Menalamba, iza ?

Fetrany laza adina

Tamin’ny tolona MDRM sy Menalamba

Fotoana : tamin’ny fanjanahatany

Toerana : teto Madagascar

Petrak’olana :

Inona no fitovizany sy maha samihafa ireo hetsika ireo?

Fitovizany :

Fitakiana ny fiverenan’ny fahaleovantena


Tsy fahombiazana
Fampiasana herisetra

34
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

Faha samihafana :

MDRM : 1946 – 1947, nanerana ny nosy,niforona tany Paris, avara-pianarana


no mpitarika ny hetsika, antoko nijoro ara-dalana manaraka rafim-
pandaminana, tolona tamin’ny endrika politika
Menalamba: Nifangaro tamin’ny fanandratana ny fomban-drazana sy ny
fivavahana

Drafitra:

HD1 : Fitovian’izy roa tonta

Znk1 : Antom-pisiany sy ny tanjony


Znk2 : Endrika nisehoany
Znk3 : Vokany

HD2: Faha samihafana teo amin’ny Menalamba sy MDRM

Znk1 : Vanim-potoana sy ny toerana nisehoana

Znk2 : Ny fiforonay
Znk3 : Ny firafetany

HD : Hevi-dehibe, Znk : Zana-kevitra

Ny fanagezana diso tafahoatra izay nataon’ireo vahiny nisy teto Madagasikara no


antony iray nisian’ny tolom-panafahana samihafa. Ny fanoherana ny mpanjanatany sy ny
fahaleovantena no tanjona tamin’izany. Anisan’izany ny “hetsiky ny Menalamba sy ny tolona
nataon’ny MDRM”. Inona no itovizany sy maha samihafa ireo hetsika ireo? Mba hamaliana
an’izany fanontaniana izany dia hovelabelarina amin’ny tapany voalohany ny fitovian’izy
ireo. Ny fizarana faharoa kosa no hamakafakana ny maha samihafa ireo hetsika ireo.

Ny fitoviany hetsika nataon’ny Menalamba sy ny MDRM dia tena hita nibaribary


tamin’ny tsirairay.

Voalohany amin’izany ireo antom-pisiany sy ny tanjony ireo hetsika ireo. Raha ny


Menalamba no jerena dia hono fisian’ny fakana takalonaina, ny karakatra isan-dahy, didin’ny
indizena, ary ny tsy fitovian-jo teo amin’ny Malagasy sy Frantsay. Izy ireo manko
nanararaotra ny fiboahan’ny lalàna tamin’ny 6 aogositra 1896 izay nametraka ho zanatany
Frantsay ny Malagasy. Raha ny tanjony no jerena dia ny fiverenana ny fitondrana teo aloha,
izany hoe miverina amin’ny fitondrana mpanjaka. Ao ihany koa ny fanafoanana ny
fanompoana sy ireo asa an-terivozona ary manoana ireo vahiny tonga teto Madagasikara,
tahaka an’i misionera William Johnson telo mianaka tany Itasy. Ny MDRM kosa no lazaina
dia hetsi-bahoaka ho fanavotana an’i Madagasikara, satria tena hita tokoa nitongilana raha ny

35
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

fitondram-panjanahatany teto Madagasikara. Raha ny tanjony no jerena dia ny fahaleovantena


amin’ny fomba milamina sy ara-dalana ary tsy misy teritery. Ao ihany koa ny fitakiana mba
hanafoanana ny lalàna maha zanatany frantsay i Madagasikara.

Manaraka, ny Menalamba sy ny MDRM dia manana endrika nisehoany nitovizana fa


indrindra teo amin’ny tolona. Anisan’izany ny maha samy tolom-panafahana notarihin’ny
Malagasy azy ary niafara tamin’ny tsy fahombiazana. Raha ny Menalamba no jerena dia
vondron’olona maromaro izay nitambatra ho antoko iray ka samy manana ny lehibeny
tsirairay tahaka ny tany Ankaratra andrefana, avaratra andrefan’ny Merina, Anjozorobe, ary
tany atsimo antsinanan’ny Vakinakaratra. Ny MDRM kosa dia tamin’ny famindra politika sy
fanaovana hetsika tamin’ny 29 martsa 1947, izay nisy fikomiana nakotrokotroka nanerana ny
nosy. Samy niafara tamin’ny tsy fahombiazana ireo hetsika ireo.

Ary, samy nisy vokany avokoa ireo hetsika ireo na teo amin’ny Menalamba na teo
amin’ny MDRM. Nitovizana amin’izany ny fanaovana sesitany an’ireo mpitarika, ao ihany
koa nalefa tany am-ponja, nisy ny nanao asa an-terivozona mandrapahafatiny.

Hita tokoa raha ny fitiavan-tanindrazana teo amin’ny Menalamba sy MDRM. Tsy


nikely sorika izy ireo nahohitra sy hanafoana ny fanjanahatany, raha atao indray mijery ireo
voalaza tetsy ambony. Ho resahina manaraka eto ireo maha samihafa eo amin’ireo hetsika
ireo.

Asongadina araka izany ireo vanim-potoana sy toerana nisehoan’ny roa tonta. Raha
ny Menalamba antoko nandritra ny fito (7) taona, izany hoe nanomboka tamin’ny 1895 ka
niafara tamin’ny 1902. Ny tena nisehoany dia tany amin’ny faritra, tahaka ny tany Ikongo,
Menabe, Sambirano, ary Tsimihety. Ny MDRM kosa raha jerena dia antoko nandritra taona
iray, izany hoe tamin’ny 1946 – 1947. Nanenika ny nanerana ny nosy ny sampany io antoko
io.

Manaraka, samy manana ny nijoroany anefa ireo hetsika ireo. Raha ny Menalamba dia
niforona tamin’ny taona 1895, izay niforona tao afovoatany tahaka ny tany Arivonimamo,
Ankaratra, Anjozorobe. Ary ny MDRM dia niforona tamin’ny 22 febroary 1946 tany “Paris”.
Naorina mba hahazoana mampivondrona ara-dalana ny mpifidy rehetra an’Andrimatoa
RAVOANGY Andrianavalona izay ho fidiana ho solombavambahoaka. Tamin’ny volana
may 1946 dia niala tsikelikely teto Madagasikara ny antoko. S

Farany, samy ahitana firafitrany koa anefa ireo hetsika ireo. Nisy mpitondra tsirairay
ireo toby nisy azy ny an’i Menalamba. Ireo lohadohany mpitarika ny antoko no tena nitondra
ny MDRM, fa nisy ihany anefa tany amin’ny faritra.

36
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

Raha fintinina izy rehetra voalaza tetsy ambony izahay dia tsapa fa nitovizan’i
Menalamba sy MDRM ny fitakiana ny fahaleovantena , fanafoanana ny tsy rariny nataon’ireo
mpanjanaka. Ny maha samihafa azy kosa dia ny Menalamba antoko miafina, tsy ara-dalana.
Ny MDRM dia antoko politika mijoro ara-dalana manana ny rafim-pandamianana sy tolona
tamin’ny endrika politika. Azo adika ho fahamafisan’ny fihetseham-panafahana naton’ny
Malagasy ve ny tsy fahombiazany Menalamba sy ny MDRM ?

Laza adina II

“Ny fanoherana ny mpanjanaka tamin’ny 1947: ireo antony, ireo fisehony, ny


famoretana”

Teny fanalahidy:

Fanoherana: tsy fitovian-kevitra, fifandonana, fifankahalana, tsy fitiavana

Petra-kolana:

Naninona ny mpanjanaka no nanohitra ny tolona tamin’ny 1947?

Drafitra :

HD1 : Antony

Znk1 : Tsy fitovian-jo teo amin’ny Malagasy sy Frantsay

Znk2 : Fitakiana ny fahaleovantenan’ i Madagasikara

Znk3 : Fandravana tanteraka ny politikan’ny frantsay

HD2 : Fisehony

Znk1 : Fanafihana ireo toby miaramila

Znk2 : Famonoana ireo vahiny

Znk3 : Famoahana didy maika mandritra ny tolona

HD3 : Famoretana

Znk1 : Tabataba sy torabato

Znk2 : Maro ireo vazaha maty

37
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

Laza adina III :

“Ny 26 jona 1960 no nanambarana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.


Azo laizaina ho mbola saritsariny ihany anefa izany fahaleovantena izany”.

Hazavao

Laza adina V:

“Ny fandraisan’ny Madagasikara anjara tamin’ny ady lehibe faharao”

Fakafakao

Laza adina VI :

“Nitondra fampivoarana teo amin’ny fanjakana i Andrinampoinimerina.

- Lazao ny fomba nanitarana sy nandaminany ny fanjakana teo amin’ny


lafin’ny politika

- Asehoy ireo fanazavana lehibe nampiharina tamin’ny sehatra ny


toekarena.

38
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

LAZA ADINA EFA NIVOKA

0ption : Concours direct


Section : Adjoints d’Administration, Contrôleurs du commerce, Contrôleurs des domaine
Session : 20, 21, 22 Novembre 2012
Durée : 2 heures

Laza adina :

“ Ny tolompanoherana nataon’i Menalamba teto Madagasikara : antony, ny


endrika nisehoany ary ny fetrany”.

0ption : Concours direct


Section : Adjoints d’Administration, Contrôleurs du commerce, Contrôleurs des domaine
Session : 11,12, 13 Aout 2015
Durée : 2 heures

Laza adina :

Famoaboasan-kevitra

“Farito ireo tanjona sy ireo fepetra ara ekonomika noraisin’ireo mpanjanaka


hanaovana an’i Madagasikara ho zanatany frantsay”

0ption : Concours direct


Section : Adjoints d’Administration, Contrôleurs du commerce, Contrôleurs des domaine
Session : 20 Décembre 2010
Durée : 2 heures

Laza adina

“ Ny tolona natarihin’i Ralaimongo, ny VVS, ary ny MDRM no nitarika ny vahoaka


malagasy hitaky ny hanomezana fahaleovantenan’i Madagasikara”

Hazavao.

39
GASY MIZARA EDITION
Cours préparatoires aux concours administratifs

0ption : Concours direct


Section : Adjoints d’Administration, Contrôleurs du commerce, Contrôleurs des domaine
Session : 31 Juillet 2007
Durée : 2 heures

Laza adina

Ny hetra tamin’ny andron’ny Gallieni

Araka ny fijerin’i Gallieni ny hetra dia sady mpananatra no mpanabe. Ny hetra mitaky
vola ary ny vola mitaky asa.

Tsy afaka mionona intsony amin’ny famokarana izhay hany hivelomana fotsiny.
Hatramin’izao dia tsy maintsy mamokatra bebe kokoa mba hahazoana mivarotra. Raha ilaina,
araka ny hevitr’i Gallieni dia azo atao ny miasa ny tanin’ireo voanjo mpanjanaka na miditra
miasa any amin’ireo asam-panjakana. Ny hetra izany dia afaka hanampy eo amin’ny
famahana ny olana eo amin’ny sandry ho enti-mamokatra, olana mivaivay ho an’ny
fanjanahatany.

Hadihadio io tahirin-kevitra io manaraka ireto toro-lalana ireto:

1. Ho an’i Gallieni, inona no anjara toeran’ny hetra?

2.Ireo tetika natolotr’i Gallieni hahafahana mandoa ny hetra ve, mahasahana


marina io anjara toerana io? Nahoana?

3. Hazavao ahoana ny fahitan’i Gallieni fa ny hetra dia famahana ny olana


mivaivai’ny fanjanahatany.

40
GASY MIZARA EDITION

You might also like