You are on page 1of 2

Voly foto tsakafo

OVY

1- Karazana ovy famboly :


• Ovy telo volana : meva , marevaka
• Ovy 3 – 4 volana : Spunta ,pota ,diamondra ,maharevo
• Ovy mahatanty fandazo : jengy ;diamondra ,miova ,ovimanga

2- Antoky ny fahombiazana :
• Voly teo aloha tsy manimba ny nofon tany
• Voly tsy mitovy fianakaviana aminy tao anatin'ny 5 taona (oh :voatabia ,
sakay ,baranjely …)
• Mety tsara ny ovy raha atao voaloham boly

3- Ny tsy zakan'ny ovy :


• Ny hafanana be loatra
• Mari pana latsaky ny 4°C
• Hamandoana diso tafahoatra

4- Fisafidianana ny tany :
• Tsy miangon drano
• Masaka tsara , lali nofo
• Tany tsy mikisilasila be
• Vodin tanety
• Ialana ny tany ditra (tanimbary)
• Voafehy ny rano

5- Fanomanana ny tany :
• Asa tany :20 25sm
• Fanapotehana ny tany(atao malemy tsara :15 18sm ny halaliny)
• Soritra fambolena miaro ny riaka(manaraka ny soritra marin drano)
Ovy an tanimbary :
• Fanaovana ny toromboly (5 10m ny sakany)
• Asiana tatatra ny manodidina ho an'ny fitatanan drano (25 – 30sm ny
halaliny)

6- Fanomanana ny masomboly:
• Fifantenana ny masomboly(salama tsara ,tsy maratra)
• Masomboly matoy tsara( tsy mienda koditra)
Habeany :28 – 35mm, fatra ilaina :15 16kg/ara
35 – 45mm ;fatra ilaina :28kg/ara
45 – 55mm ,fatra ilaina :30 – 35kg/ara

7- Fampitsimohana :
• Amin'ny talatalana azon'ny hazavana (voahara amin'ny taratry ny
masoandro mivantana)
• Atontan'ny ovy tsy mihoatra ny 3 mifanaingina
1
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Vakinankaratra
natao 05-06-07-08 Desambra 2006
Voly foto tsakafo

• Esorina ny masomboly simba (fahaloavana …)


• Mila fanaraha maso (bibikely ,…)
Fanafainganana ny fampitsiriana :
• Ny hafanana amin’ny ankapobeny dia manafaingana ny fitsiriana'ny ovy
• Rakofana fasika na bozaka ary tondrahina matetika amin'ny rano
mafanafana(53°C)

8- Fambolena :
• Mety foana ny fambolena ovy rehefa misy ny hamandoana afa tsy amin'ny
toerana be fanala
• Famaritana soritra mielanelana 70sm
• Fandaharana ny masomboly mielanelana 30sm
• Famafazana ny zezi pahitra manaraka ny soritra
• Fandrarahana ny zezika mineraly sy ny dolomite manaraka ny soritra
• Fanotorana avy amin'ny tany an'elanelan'ny soritra (hahavony :5 – 8sm)

9- Fatran jezika :
• Zezi pahitra :300 – 400kg/ara
• Zezika mineraly (NPK 11 22 16) : 3kg/ara
• Dolomita :2,5kg/ara (amin'ny tany masaka :PN<5,5)

10- Fikojakojana :
• Fiavana : 15 20 andro aorian'ny fipoirany
• Fitondrana Urée (1kg/ara)arahina famohofana rehefa mahatratra 20 –
25sm ny hahavon'ny ovy
• Fanotofana fanindroany raha ilaina(10 – 15 andro aorian'ny voalohany)
• Fampiasana fanafody famonoana bibikely (renibefangaraka ,olimpanjehy
,sakivy ,fano …) oh :Décis EC 25g/l na Sumicidin 10 EC 100g/l ; no
ampiasaina 15 andro aorian'ny fipoiran'ny voly
• Fiarovana amin'ny aretina (lagaly)
• Fanafody :Dithane M45 80% :2,5kg/ha na Mancozèbe :2,5kg/ha
• Raha misy fandezo dia ongotana ka dorana na alevina.

11- Vokatra

11.1- Fiomanana ny fiotazana :


• Fanapahana ny tahon'ovy (10 – 15 andro alohan'ny fangadiana) mba
hanamafy ny hoditra ovy , sy iarovana amin'ny aretina.

11.2- Fiotazana :
• Amin'ny fotoana mainandro
• Arovana ny ovy amin'ny tany sy ny vatokely
• Avahana ny ovy madinika ,ny vaventy ary ny maratra ,ny marary

11.3- Fitehirizana
• Avahana araka ny habeany sy ny filàna
• Amin'ny toerana maina sy azon drivotra
• Toerana maizina raha ovy hoanina.

2
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny faritra Vakinankaratra
natao 05-06-07-08 Desambra 2006

You might also like