You are on page 1of 5

Hafatra - Rado - Tononkalo Malagasy - Serasera.org https://vetso.serasera.

org/tononkalo/rado/hafatra-4

FANOROAM-PEJY
Fandraisana
Tononkalo rehetra
Mpanoratra rehetra
Torolalana
Hiditra

You are here: home > Vetso

Hafatra - Rado Mombamomba


47 Mpanoratra : Rado
0:00 / 2:08

Ho any ianao, kanefa ...


Aza ataonao fantany
'zao fahoriako izao, fa aoka hiafina aminy
ny ketoky ny jaly Nampiditra : Oully
nanempoka ny aiko, tanatin'ny longoa Daty : 03/10/2003
izay namandrihany ahy ... Mpamangy : 48531
Ny dinitry ny foko manorika ahy mangina Mankafy : 47
fa sempo-tsasak'alina
misaina ity anjarako,
Aza ataonao fantany !
Tononkalo
... Raha manontany izy,
hafa
Noho ny zanako
iangaviako ianao handainga indray mandeha !
Tanjona
Lazao fa nanadino ny momba azy rehetra
Ny poeta
ny saiko manontolo.
INAY
"Rako-bonikazo hoe ireo lavenon-dasa
TOPIMASO
natoraky ny Adaoro"
RAY Ô!
Ireto diary ireto lazao fa efa may

1 sur 5 06/10/2021 à 10:11


Hafatra - Rado - Tononkalo Malagasy - Serasera.org https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/hafatra-4

tsy maintsy mavokely ...


Eo an-doha-fandriany :
ny sarin'olon-tiany ... na iza n'iza izay"
Raha izay no hitanao dia efa sambatra izy
ka aza asiana resaka momba ahy akory,
f'izany rahateo no niriko ho azy ...

Izany no hafatrafatro
ka tazony tsara ... Ary dia veloma !
Saingy etsy ange !
'Ty tànanao ity, aza akasi-javatra
mandra-pifandrain'ny tànanao sy ny azy ...

Eny e ! Ampy izay. Tongava soa aman-tsara !


Dia akatony mora
io varavarako io
fa hitomany aho ...

Ankafizo

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hevitra mandeha
aladin (15/04/2004 12:50:04)
toa mampalahelo be?dia tena tantaranao ve io?na izany na tsy
izany, milay be le izy e!
mpanoratra ihany

hendry (23/04/2004 15:01:54)


tsara!

sarondrahona (14/05/2004
08:47:36)
SETRINY( valin'ny hafatr'i RADO)
Mipetraha aloha ianao
ary aza dia misento mafy
Na handrovitra fitafy
fa henoy izay lazaiko :
Sombin -teny no voaraiko

2 sur 5 06/10/2021 à 10:11


Hafatra - Rado - Tononkalo Malagasy - Serasera.org https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/hafatra-4

Voninkazo mavokely
Toa mivolom -bolamena
No manatrika Jerena,
Ary sezan'olo -mihaja
No miampatra ao an'efiny
Sy ireo firavaka tinefiny

ka tsy nisy azo hidirana


Fa izao tody izao
Mba hitatitra aminao:
Tsy nisy tanana voaraiko
Tsy nisy teny mba nambarako,
Fa sambatra izy no fitsarako

Ka aza mihevitra azy intsony


Na hanembona izay tsy izy
fa efa tena sambatra izy
Ny mbola ho avy no andraso
Dia fafao ny ranomaso

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Faribolana SANDRATRA Antananarivo.
Tél: 033 12 680 89 ( ora fiasàna ihany)

Dia misaotra betsaka RADO, tamin'ilay teny fanolorana tamin'ny TANAN


-DAVA a !

ronaldo09 (18/05/2004 08:22:25)


Raha hoatra anao daholo ny olona mandroso soso-kevitra eto dia
,lafatra ity serasera ity .Ny tiako ho tenenina fotsiny amin'ity
tonon kalo ity dia ny hoe raha manontany izy iangaviako ianao
handinga indray mandeha ,ny mpanortra anefa eto efa hita fa ketoky ny
jaly koa maninona moaraha lazaina ilay fahoriana

baboune (26/07/2004 13:21:50)


ity tononkalon-dRado ity no nahatonga ahy ho nankafy
tononkalo.

nyeja (04/09/2004 06:27:24)


eny , tonga tany aho,

3 sur 5 06/10/2021 à 10:11


Hafatra - Rado - Tononkalo Malagasy - Serasera.org https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/hafatra-4

dia nifanatsafa teo


indro toa tsy hitahita
gina tsy nahaloa-peo
samy lasa visavisa

izy vahotra hanontany


izaho toa mihaino azy ihany.

raha ny teo andoha fandriany


eny nisy sary teo
dia ilay sarin\'olo tiany
nobanjininy avy eo

notondroiny tamin\'ny tananany


ka nampiany tsiky kely
ny ranomasony tsy tanany
ankona izy tsy niteny .

izaho aloha tsy hamaly


fa efa azonao vinany
raha tena hoe \"sambatra izy\"

ny valin-kafatra dia izao:


mila mankany mihitsy ianao!

ny valin-kafatra dia izao:


mila mankany mihitsy ianao.
Ny Eja 2004

andriary (10/11/2004 13:06:12)


dia samy hafa ny famitana iraka nataon' nyeja sy sarondrahona!
samy tsara

lasary (10/11/2004 17:59:44)


azafady andriamatoa
raha ny hamboko
de tsy tonga any aloha
fa aleo ho tsapany tsara
fa de sarobidy zany hoe malala

4 sur 5 06/10/2021 à 10:11


Hafatra - Rado - Tononkalo Malagasy - Serasera.org https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/hafatra-4

lasary an ,koa efa tena mbola tia anie de tsy manana hambo zany
tsony e ,

tissa (17/04/2005 14:19:21)


ra za alo de ataoko fantany mintsy za hoe mijaly noho ny aminy .
ataoko mitatara mintsy le olona

rapisoukely (22/06/2005 19:50:08)


nanian,an
(22/11/2004 18:12:47)
aza atao fantany akory hoe mijaly ianao. Toy ny ahy dia efa
tena ampy ampy ho ahy ny kapoaka mangidy entiko. Aleoko izy
sambatra eo anilan\'izay tiany. Ny ahy fitia diso toerana.
Aza avela mbol ahanapotika anao be be kokoa izy.

Tohiny

Hametraka hevitra
Perdre du ventre
après 50 ans?
Essayez ce rituel du matin
de 30 sec

------------=oOo=------------
Concept and Design © Serasera.org: Eugene Hery

5 sur 5 06/10/2021 à 10:11

You might also like