You are on page 1of 1

Ho fahatsiarova an'Itompokolahy ANDRIAMBOLAMANANA Zeze Jean Martin,

maty ny tolakandron'ny alarobia 19 Desambra 2012.

DADA MALALA

Dada malala nihantahantana,


Niondakondanana raha mbola kely,
Nitantana tamin'ny lala-nombana,
Nanampy nitrotro raha vizaka i "Neny".

Dada malala, natao fiantsoantso,


Tanatin'ny trano, tery an-tokontany,
Lasa nankaiza? Sa izao no ankason-
dRafahafatesana lovan'ny tany?

Dada malala, natao mba hanoro


Sy hanontaniana izay zava-tsy fantatra,
Nankaiza tokoa no tsy hita mijoro?
Izao ve no "anjara" sa izao koa no "lahatra"?

Mangina avokoa ireo toera-nialàna,


Tsy misy intsony ny hanontaniana,
Ny hanolon-tsaina, ny hiaraha-mikorana:
Veloma ry Dada malala, olon-tiana.

Lasa ianao ry "Andriambolamanana",


Ka haolo tsy fidiny ny eto an-tanana,
Natao avokoa izay rehetra azo itanana,
Nefa lasa ilay "kiady sy fanantenana".

Koa dia veloma, mandria am-piadanana,


Fa tonga ny fetra; tsy maintsy misaona,
Veloma, masina, satria tsy azo tanana,
Kanefa antenaina ny mbola hihaona.

Na izany aza anefa, izahay tsy ho resy


Fa i Jesoa Tompo no manome hery;
Izy ilay andry sy manda ary fefy
Sady mitantana anay tsy ho very.

Lasa i Dada ilay natao ho namana,


Ny nofony zary natelin'ny tany,
Faharavana izay tsy azo sakanana,
Ny fiainana kosa... mitohy hatrany

Zoky/Jac

You might also like