Module 3 FOMBAFOMBA HISINTOMANA VOLA AO ANATIN'NY DIMY ANDRO

You might also like

You are on page 1of 11

Module 3: FIANARANA

MISINTONA VOLA( Loi


d’attraction d’argent)
Par Coach Hyacinthe Basile
FOMBAFOMBA HISINTOMANA VOLA AO
ANATIN’NY DIMY ANDRO
Ny Fanasana ireo anjely tsara dia tsy maintsy atao amin’ny fikasana tsara. Azonao atao
mangataka vola hamahana ny olana ara-bola na mba hanatsarana ny fiainana tsaratsara kokoa
miaraka amin’ny mpiara-belona aminao. Fa raha hoe mba hireharehanao, na mba hanaovanao
tsindry azo lena amin’ny hafa na hanaovanao zavatra ratsy no hanaovanao ity fombafomba ity dia
mety tsy handaitra izany. Noho izany, ny fahaizanao mifehy ireo anges d’energie ihany no tena
tsara. Mandritra ny fombafomba mba hisarihana vola ao anatin’ny dimy andro, dia hanao
fangatahana angovo amin’ny anjely manaraka ireto ianao:
Arkanjely Gabriely : hangataka amin’io sampana io ianao hanampy anao noho ny tsy
fahampian’ny vola.
Salamo 18: Ity salamo ity dia natao dia ampiasaina amin’ny ankapobeny mba hiarovan-tena
amin’ny fahavalo ara-panahy. Hanampy anao hiantoka ny fahombiazanao izany.
Salamo 67: mampitombo ny harena ary mampihena ny fahantrana
Salamo 144: Manamafy orina anao sy manampy anao amin’ny olana.
Salamo 33 : Mahatonga ny fanambinana ho tonga aminao ary manala anao ao anatin’ny tsy
fahombiazana.
NY AKORA ILAINA HANAOVANA ILAY
FOMBAFOMBA AO ANATIN’NY 5 ANDRO
 Labozia 7 ( labozia maitso telo ary labozia fotsy efatra),
 Tantely,
 telo ny vola vy an’Ariary Folo,
 Vilia fotsy tsy mbola nampiasaina iray
AHOANA NY FOMBA FAMPIASANA AZY?

Manaova vavaka amin’ny anjely mpiambina anao ary magataka aminy mba
ahazahoana ny herin’ny Arkanjely Gabriely ho tonga aminao. Miresaha amin’ny
Arkanjely Gabriely ary angataho izy mba handefa Ange d’energie ara-bola
aminao. Ary apetraho eo ampelatananao ilay vola vy ariary folo anakitelo izay
voalaza etsy ambony ary manaova vavaka fangatahana fitahiana ara-bola , mba
ahazahoana fanambinana sy ny harena.
Avy eo apetraho ataovy miendrika telozoro eo ambony vilia fotsy ilay vola vy
anakitelo. Izany hoe apetraka amin’ny sisiny avy mba hiendrika « triangle »
ANDRO VOALOHANY

Andro voalohany amin’ny fombafomba atao isan’andro,aorian’ny fanomanana


an’ireo akora ireo, dia misafidy fotoana iray amin’ny safidinao ary mifandraisa
amin’ny Anjely mpiambina , ny Arkanjely Gabriely ary ny Anjelin’ny hery ara-
bola. Hangataho ny Anjely mba hamaha ny olana ara-bola, hareheto ny labozia
nosorana tantely eo afovoan’telozoron’ireo vola vy eo ambonin’ny vilia. Miaraka
amin’ny labozia mirehitra , vakio amin’ny finoana ny Salamo 144. Isan’andro ,
rehefa may ilay labozia dia diovy ny vilia ary hario any ampanarina fako ny tain-
dabozia , ary avereno halahatra atao miendrika triangle ilay vola vy.
ANDRO FAHAROA

Tahaka ny andro voalohany, amin’ny fotoana mitovy, antsoy ny anjely mpiambina


anao, Arkanjely Gabriely ary ny Anjelin’ny Angovo ara-bola. Androany, tsy
maintsy mangataka anjely ianao hampihena ny fahantrana ny maha olombelona ,
anisan’izany ny anao. Rehefa avy mifanerasera tamin’ny Anjely ary avy
nangataka ny zavatra rehetra, dia maintsy mampirehitra labozia mihosotra
tantely faharoa ianao eo afovoan’ny vola vy miendrika triangle ary mamaky ny
salamo 67 amim-pinoana.
ANDRO FAHATELO

Antsoy ny Anjely mpiambina ano, Arkanjely Gabriely ary ny Anjelin’ny Angovo


ara-bola, amin’ny fotoana mitovy toy ny andro roa voalohany. Angaho amin’ny
anjely mba hampisy fampiroboroboana amin’ny fiainana ary miaro ny tenanao
amin’ny tsy fahombiazana. Avy eo, ampiasao ny labozia fahatelo eo afovoan’ilay
triangle ary ataovy amim-pinoana ny famakiana ny salamo 33.
ANDRO FAHA-EFATRA

Ataovy toy ny tamin’ny andro teo aloha ny fombafomba ary mifanaraka amin’ny
Anjely mpiambina anao, Arkanjely Gabriely ary ny Anjelin’ny Angovo ara-bola.
Androany, tsy maintsy angatahanao amin’ny Anjely ny hiarovana ny tenanao
manoloana ireo hery ratsy ara-panahy ary mba hanome anao hery lehibe ny
amin’ny harena. Avy eo raiso ny labozia maitso telo ary apetraho amin’ny sisiny
avy izy ireo. Ary vakio amim-pinoana ny salamo 18.
ANDRO FAHADIMY

Amin’ny andro fahadimy farany, dia tsy maintsy mampiasa ny labozia farany
mihosotra tantely, ianao eo afovoan’ny triangle noforon’ny vola madinika teo
amin’ny vilia ary manao ny Rainay any an-danitra. Rehefa may ny labozia dia
esory ilay vola vy anakitelo ary ndana omeo ireo olona mahantra na ireo
mpangataka. Ka amin’ilay manao don aminn’ny olona dia manao vavaka mangina
hoe: « Amin’ny anaran’ny Ray , ilay mpahary an’izao tontolo izao , dia
mivezivezy eo amiko ny harena izay miseho mandrakariva amin’ny fiainako.
Amen
Raha nivaly ilay nangatahanao , dia omeo vola ireo mpitondra fivavahana toy ny
Pretra, Pastera, sy ireo manaja fatratra ny Anjely ho fanati-pisaorana.
Ny Anjely Masina dia mifandray amin’Andriamanitra. Izy ireo dia mitarika antsika
amin’ny lalana tokony haleha, manome hery antsika amin’ny fotoan-tsarotra,
manafaka antsika amin’ny loza manodidina antsika, manome antsika hery
hiaretana ireo olana isan-tsokajiny. Miezaha mifandray amin’ny Anjely mpiambina
anao isan’andro.
Mirary anao ahazo fahombiazana sy ho tonga amin’ny tanjona irinao ny tenako!
Mandrosoa Hasina hatrany !

Coach Hyacinthe Basile


Tel : 034 63 589 88

You might also like