You are on page 1of 199

FIHIRANA

FANAO AMIN’NY

EKLESIA EPISKOPALY

MALAGASY

Tsy azo antenaina ny hanaovana printy indray ao anatin’ny taona maromaro ny “Tiona sy fihirana
fanao amin’ny Eklesia Anglikana Malagasy” koa nataonay fa mety ny mampiseho eo amin’ny fiandohan’ny
fihirana tsirairay avy izay tiona hanaovana azy raha misy manana ny “English Hymnal” na ny “Ancient and
Modern” izay amidy ao amin’ny Librairie aty Antananarivo.
Araka izay hita eo amin’ny fihirana voalohany ny numéron’ny tiona hita eo amin’ny English Hymnal
no eo an-kavia ary ilay eo amin’ny Ancient and Modern no eo an-kavanana. Ny hoe “Apps” dia milaza ny
Appendix, na tiona fanampiny. Ao amin’ny English Hymnal.
MARAINA
AH.405 1 AM 13
Ry mpihaino vavaka ô, Hianao
No hahatonin’ny nofo rehetra
Ny vavakay atao aty
Jehovah Tompo ô,
Dia mba henoy izao ary
an-dapa masinao
2.Mpihaino vavaka Hianao,
Malady sofina
Ny vavakay atao dia re
An-tany masina
3.Ny zava-mani-pofonana,
Akarinay aty
Dia vavaka, fifonana,
Ka mba henoy ary
4.Izay irin’ny olonao
Sy angatahiny
Ka hahasoa ny lovanao,
Dia aoka ho azony
5.Mba ahitsio ny lovanao
Atolotra aminao,
mba tsy ho diso hataka
‘Zahay mpanomponao
6.Aza ela re, Jehovah ô,
Henoy ny vavakay;
Haingana re ry Tompo ô,
Valio ny hatakay
Amena

258 2 7
Hiposaka aminareo, izay matahotra
ny Anarako, ny Masoan-
dron’ny fahamarinana
FENO voninahitrao;
Kristy ô, ny lanitra;
Mba midina aminay
Ka savao ny zavona
Masoandro, misehoa
Mandrese ny aizina
2.Mijoretra izahay
Raha tsy atrehinao;
kivy sy mamoy fo
raha tsy tonga Hianao
ry mpitari-dàlanay
sy Mpanoro hevitray
3.Ry Mazava, mba avia
Ka mba mamangia anay;
aza avela ao am-po
‘zay mba tsy finoanay,
isan’andro Tompo ô,
ambarao ny Tenanao
Amena

289 3 131
Andriamnitra mampisheo ny fitiavany antsika
MAMY ny fitiaanao
Ry Jehovah Tomponay
Nahafoy ny Zanakao
Ho mpanavotra anay;
Ny fitianao anay
No mamelona anay,
ka misaotra Anao ‘zahay
zanahary Tomponay
2.Mamy ny fitianao,
Mahafaly fo tokoa,
izahay avelanao
Mba hibebaka avokoa;
Fahavalo izahay
Nefa nohavahinao;
Tena ratsy izahay,
Nefa tsy nolavinao
3.Mamy ny fitianao
‘Zay hivimbina anay
Honina ao an-dapanao
Raha ho faty izahay;
Helo no anjarany
Noho ny heloka efanay,
Nefa namboarinao
Ho anay ny lanitra
4.Mamy ny fitianao
‘Zay andraisanao tokoa
Ny fisaoranay Anao
Toy ny zava-manitra,
Fiderana atolotray,
Saotra koa aterinay
Ka mba raiso ho Anao
Zanahary Tomponay
Amena

267 4 3 (i)
Tao ny tena mazava, izay maha
zava ny olona rehetra
HIANAO Mazava marina é,
Mba hazavao ny aizina,
ka ento ny fanilo be
mba hanazava ahy koa
2.Ny hajambako mba savao,
Tariho ho ao an-danitra;
Ny foko hasoavinao
Ka mba havaozy sy vonjeo
3.Ny toriko fohazinao
Tsy ho rendremana aho re;
tariho toy ny ondrinao
mba tsy hivily làlana é!
4.Ka raha tapitra andro koa,
mba misehoa ho jiroko,
hizorako ny lanitra,
hiadanana eo imasonao,
Amena
73 5 280
Ny masoandron’ny fahamarinana
manana fanasitranana ao
amin’ny tànany
JESOA Masoandronay,
Masoandro nahabe
Hianao iainanay
Hamoazanay ho be
2.Jesoa Masoandronay
Masoandro marina
Hazavao ny hevitray
Aza avela ho aliuna
3.Jesoa Masoandronay
Masoandro lehibe
Hodidino lehibe
Hanana mazava be
4.Jesoa Masoandronay
Masoandro marina
Miposaha aminay
Mba handroaka aizina
5.Jesoa Masoandronay
Masoandro ela be
Aza mba mandao anay
Na milentika anie
Amena

260 6 4
Tsy mitsahatra ny fiantran’i
Jehovah, vaovao isa-maraina izy
HIRAINAY fihiram-baovao
Hidera Aano, Jehovah ô
Natory tsara izahay
Ka nofohazinao indray
2.Vaovao ny famindramponao
Ny saotranay atao vaovao
Nampianay ny helokay
Fa voavelanao indray
3.Ka amin’ny hatao anio
Ny fikasanay mba tahio
Hanatitra eo imasonao
Fanati-tsitrapo vaovao
4.Izay hataonay avokoa
Mba raisonao ho zava-tsoa
Aoka Hianao ho Tomponay
Ny làlanao halehanay
5.Mba amorony fo madio
Tariho izahay anio
Ambaram-pahatratranay
Ny aizin’alina indray
Amena

346 7 12
Nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy
INJAY ny fiposah’ny maraina
Hianao Jehovah ô isaoranay,
Velominao ny zava-man’aina
Ka dia mba raisonao ny deranay
2.Fa vao natory soa aman-tsara
Ka vory izahay hitsaoka Anao;
Ka entinay lela hanambara
Anao Mpitandrina ny zanakao
3.Midera Anao, ry Andriamnitra nahary;
‘Zahay ‘zay ondrinao andrasanao
Ry Ray Tsitoha mbamin’ny Fanahy
Sy Jesoa Kristy Tompo Zanakao
Amena

257 8 3(iii)
Mifohaza, ry voninahitro:
hifoha maraina koa aho
RY foko mifohaza izao
Manaova ny fivavakao
Ka ny halainanao ario, efao ny asanao anio
2.Avoty ny fotoanao
‘zay lany foana taminao;
miomàna tsara koa re
Sao avy ny andro lehibe
3.Hasino ny firesakao
Aoka ho madio ny hevitrao
Jehovah no mitazana
Ny ao am-po miafina
4.Koa mifohaza izao, ry fo
Ombao ny Santa masim-po
Mihoby tsy mitsahatra
Midera Tompon-danitra
Amena
HARIVA
App 57 9 18
Raha hariva ny andro, dia hisy mazava
RY Kristy ‘zay mazava marina
Mpanjaka manam-boninahitra
Midera Anao ‘zahay ankehitrio
Ry Tompo ô, midina ka tahio
2.Ry Jesoa Kristy Tompo Hianao
No mendrika hisaoranay izao
Mipetraka ao an-dapan-danitra
Mitovy amin’Andriamnitra
3.Ny andro efa lasa lavitra
Antomotra ny aizin’alina
Tafangona izahay an-tranonao
Mba hankalaza ny Anaranao
4.Ray, Zanaka? Fanahy Masina ô!
Ilay Anaranao deraina izao
Koa mba hasino reny molotray
Ka raiso, Tompo ô, ny hiranay
5.Ry Kristy, Mpanome fiainana
Mpanavotra ny olombelon,
isaoranay tokoa Hianao
asandratray ny voninahitrao
Amena
268 10 26
Aoka ho endrikao no hahafa-po, ahy,
raha mifona aho
HIANAO, ry Zanahary,
No Tomponay,
Ka ny alina nomenao Handrianay
Mba vimbinonao, ry Tompo,
Ka omeo ny torimaso
Dia iraho ny anjely
Ho aronay
2.Aoka re mba hotahinao
Ny nofinay,
mba tsy ho simban’ny ota
Ny hevitray
Ka rehefa modi-mandry
Izahay, ry Zanahary,
mba tohano amin-tsandry
mandrakizay
3.Raha hameno ny trompetra Am-parany,
Hamohazanao ny maty am-pasany,
ry Mpamonjy aza afoinao
izahay, fa mba akaro
aminao hanjaka any an-danitra
Amena

273 11 31
Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana
MPAMONJY ô, mitsangana izahay
Hidera ilay Anara-masinao
Ka mbola handohalika indray
Handraisanay ny fitahianao
2.Raha hody an-tranonay’zahay
Omeo anay ny fiadananao,
Ka mba arovinao ny molotray
‘Zay vao nidera ny Anaranao
3.Mpamonjy ô, ny fiadananao,
Omeo anay anio alina;
Ny hamaizinana dia mba ovao
Ho tonga hazavana marina
4.Arovy izahay mpanomponao,
Tsy ho tra-doza na tra-tahotra;
sahala dia sahala Aminao
Ny hazavana sy ny haizina
5.Ka raha renay tampoka izao
Ny feo mampaka anay hiakatra,
Antsoy zahay hahazo Aminao
Ny fiadanana tanteraka
Amena

274 12 24
Izany anefa omeny ihany ho an’ny malalany
Na dia matory aza izy
MPAMONJY Masoandronay
Fahazavan’ny alinay
Ny zavon-tany mba savao
Tsy hanakonany Anao
2.Tontolo andro Hianao
No anton’ny iainanay;
Raha alina mombà anay
Ny faty tsy ho tahotray
3.Ny aizina mba hazavao,
Ka atoroy ny lalàna
Halehanay an-efitra
Ho tonga any Aminao
4.Izay marary mba tsaboy
Ny ory asa afoinao
Ho toy ny torin-jaza anie
Ny fiadananay izao
5.Tahio ny hifohazanay
Hanaovanay ny sitrakao,
Ambara-pahitapitray
Ny andro hivelomanay,
6.Raha omby Aminao’zahay
Hahaita fiadanana:
Fa ao tsy hisy alina,
Hianao no masoandronay
Amena

363 13 27
Mitoera ary aminay fa efa ho hariva ny andro
MOMBA anay, ry Jesoa Tomponay ô
Fa maizina ny alina ety
Tsy misy vonjy raha tsy aminao;
Mpamonjy tia ô, momba anay
2.Mihelina ny andronay ety
Mandalo koa ny fifalianay
Miovaova izao rehetra izao
Ry tsy miova ô, momba anay
3.Aza mba mivahiny aminay
Aza mba mihevitra ny helokay
Aoka ho be ny famùindranao fo
Ry Jesoa Tompo ô, mombà anay
4.Tsy mahaleo tena izahay
Fa mora resy, mora kivy koa;
Ry Jesoa Tompo, aoka honenanao
Ety an-dasin’ny mpanomponai
5.Ny teninao no fifalianay
Ny masonao mitari-dalàna,
Ka aoka ho tapnjakay ny herinao;
Sakaiza tsara ô, mombà anay
6.Izay ombanao afa-tahotra
Izay mba ho kovy na hamoy fo;
Fa tsy mba misy fahoriana
Haninona ny fo ravoravo
7.Rehefa tong any fotoana
Hitànay ‘lehy ony maizina
Aoka ny tavanao hazava ao
Amin’izany re mombà anay
Amena

275 14 28

Jehovah no fahazavako
MPAMONJY tsara ô, tahio
Ny dianay ankehitrio ;
Aidino ny Fanahinao
Ho ao am-ponay tsy madio,
Ry Jesoa Tomponay, hazavao
Ny andro sy ny alina
2.Ny andro efa tapitra,
Ka hitanao ny vitanay
Ny otanay matetika
Ny voady tsy tanteraka
Ry Jesoa, Tompo, etc
3.Afaho re ny helokay,
Sao resin-drafy izahay;
Omeo ny fifalianao
Ny fo mangetaheta Anao
Ry Jesoa, Tompo, etc
4.Ny asa tonga tianay,
Fa Hianao niasa koa;
Ka maivana ny entanay,
Fa toy ny entinao taloha,
Ry Jesoa, Tompo, etc
5.Valio ny fitarainanay
Ho an’ny malahelo fo;
Ka avereno ho Anao
Ry meloka, ry Tompo ô
Ry Jesoa, Tompo, etc
6.Mpamonjy tsara ô, tahio,
Mombà anay raha alina;
Iraho ny anjelinao
Hiambina ao akaikinay
Ry Jesoa, Tompo, etc
Amena

App 40 15 21
Hianao, Jehovah ô, no nampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy
HARIVA izao ny andro
Fisaoranaéy Anao
Ka handry amin-toky
Izay arovanao
Ry Jesoa, mijere anay
Anio Jehovah alina
2.Asandratray ny fonay,
Ry Tompo, aminao,
Fa tsy ho azon-doza
Izay ambenanao
Ry Jesoa etc
3.Ny asanay dia vita,
Ka iderana Anao,
Ampio’zahay hahita
‘Zay tianao hatao
Ry Jesoa etc,
4.Ry Tompo ô, arovy
Ny dianay aty,
Fa sarotra tokoa
Ny mahatratra ary
Ry Jesoa, etc
Amena

346 16 12
Ny volon’elany no anaronanay anao
INJAY, fa lasan-davitra ny andro
Mivavaka izahay, ry Tompo ô
Henoy, ka midina toy ny ando
Ho ao am-ponay zanakao izao
2.Ny Israely olonao fahiny
Dia nandry tsara tao an-trano lay
Koa aoka re ny loza sy ny tsiny
Tsy hanakaiky ny fonenanay
3.Midera Anao, ry Andriananahary
‘Zahay ‘zay ondrinao andrasanao
Ry Ray Tsitoha mbamin’ny Fanahy
Sy Jesoa Kristy Tompo Zanakao
Amena
App 61 17 274
Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao
HODY izahay, Jehovah,
Mba ho ao an-tranonay
Fa efa tonga ny hariva
Ka hisaraka izahay
2.Ka ny teny re endroany
Itahianao anay
Raha mbola ety an-tany
Mba vimbino izahy
3.Osa sy tsy manan-kery
Ka omeo ny herinao
Olon-diso, olom-bery,
Ka avereno ho Anao
4.Mba arovy amin-drafy
Hanan-tory tsara re,
Ka ampiankino mafy
Hanan-toky lehibe
5.Raha mifoha dia tariho
Mba hazoto ho Anao
Raha miasa mba mariho
Ho mpiasa sitrakao
6.Raha ho avy re ny faty
Mba hamindra anay izao;
Hianao Mpandresy faty,
Mamonje ny olonao
Amena

603 18 346
Tsy hatahotra hianao raha mandry, eny, handry hianao ary ho mamy ny torimasonao
TONGA ny hariva,
Ka ny aizina
Efa mba madiva
Ho mpanartona,
2.Vorona sy biby
Mba hatory izao,
Fa ny kintan-kely
No hiseho ao
3.Jesoa ô! Tsinjovy,
Ka tahio ‘zahay
Eny, mba arovy
Handry fahizay
4.Zazakely maro
Mba trotroinao;
‘Zay ambony rano
Mba vimbinonao
5.Misy koa marary
Sy tra-doza izao,
aza dia manary,
Tompo ô, vonjeo
6.Maniraha anjely
Mba hiambina
Ahy zazakely
Raha maizina
7.Ary raha maraina
Mba fohazy indray
Ho madio sy tsara
Eo imasonao
8.Dera ho Anao, Ray
Sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy
Mpanamasina
Amena

523 19 281
Hitahy anao anie Jehovah!
AMPODIO ‘zahay, Jehovah,
Amin’ny fitianao;
N?a aiza na aiza no aleha,
Aoka hovimbininao:
O! Ambino
Izahay mpanompoanao
2.Fa ny teny re androany
Aoka ho tadidy koa
Ka mba hiasanay saina
Hahazoanay ny soa
Isan’andro
‘Zay hiainanay aty
Amena

ADVENTA

4 20 52
Miomana kosa hianareo, fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona
RY Zanahary lehibe!
Mihetsika ny tany,
Injany ny Mpitsara è!
Maneno ny trompetra;
Misokatra ny fasana
Ny maty dia velona
Mioamàna, ry fanahy!
2.Ny mino marina taty
Hatsangana ao aloha
Hakarina ao an-danitra finaritra avokoa;
Ka faly afa-tahotra ny fon’izay niomana
Hitsena ny Mpitsara
3.Ny ratsy koa hitsangana
Manahy ao am-pony,
ny sento sy nyvavaka
tsy hahasoa intsony,
Ny sento sy ny vavaka
Tsy hahasoa intsony:
Fa lasa tsy hiverina
Ny andro fibebahana
Fa tsy iomana izy
4.Ry Zanahary lehibe
Mihetsika ny tany
Injany ny Mpitsara e!
Maneno ny trompetra
Miomàna , ry fanahiko
Sao avy tsy ampoizinao
Ny andro fitsarana
Amena

9 21 50
Amboary ny làlan’i Jehovah, ataovy mahitsy ny làlan-kalehany
INJAY ‘lay feo lehibe
Miantso mafy manao hoe
Fohazo, fa antomotra
Ny fanjak’nny lanitra
2.Ny mikitoantoana
Sy Làla-meloka ahitio
Ny fonareo omàny koa
Honenan’io Mpanjaka io
3.Fa Hianao no aronay
Sy avotray, ry Tompo ô
Ka raha tsy alofanao,
halazo toy ny ahitra
4.Areno re ny potraka,
Ampio ny tsy finaritra;
koa hazavao ny taninay
hodianay ho amin-dRay
5.Fa tonga teto Hianao
Hamonjy ny mpanomponao
Ka dera no mba raisonao,
Ray, Zanaka, Fanahy ô!
Amena

5 22 47
Ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fahatoriana
HE! Akaiky izao ny Tompo,
Hoy ny antso ka henoy;
Manaria hevi-dratsy
Ry mpandre ny feony
2.Mifohaza, mangovita,
Ry fanahy meloka ô!
Indro ny fitarik’andro
Lasa koa ny aizina
3.Indro koa ny Zanak’ondry
Nantenaina ela be
Koa faingàna, mangataha
Famelana aminy
4.Fa rehefa tonga Izy
Eto amintsika idnray,
Toky no ananatsika,
Fa dia hamindrany fo
5.Mendrika Hianao omena
Saotra, laza hery koa,
Zanahary, Tompon’aina,
Ray, Fanhy, Zanaka,
Amena

7 23 51
Indro, tonga Jehovaha mbamin’ny masiny tsy omby alinalina
INDRO! Avy ny Mpamonjy
Maty ho antsika teo,
Alinalina ny Santat
No miaraka aminy
Haleloia: (2)
Avy ny Mpanjakantsika
2.’Zao rehetra izao hahita
Ny fiandrianany,
Ka izay nanombo Azy
Sy nanindron-defona
Hitomany (2)
Ny mesia marina
3.Indro! ‘Lay nampoizina eh
Voatafy hery be,
Ka nyu Santa no mitsena
Azy azo an-danitra
Heleloia (2)
He! Ny andro lehibe!
4.Eny, Tompo, andrandraina
Avo ao an-dapanao
Raiso ho Anao ny dera
Malakia! (2)
Zanahary ô, avia
Amena
8 24 49
Hisy Mpanavotra tonga any Ziona
AVIA re, Imanoely,
Hanavotra ny Israely
Izay tomany ory fo
Miandry mba havotanao
Falia, falia, ry Israely!
Ho avy izao Imanoely
2.Avia Solofon’i Jese
Satana mba reseonao
Ka mandravà ny helo re,
Reseo ny fahavalo be,
Falia tc,
3.Ry Kintana maraina ô,
Irinay ny Adventanao,
Ravao ny rahon’alina
Ka iadio ny maizina
Falia tc,
4.Ry Zanak’i Davida ô,
Avia vohay ny lanitra,
Savao ny lala-marina,
Hidio ny làla-maizina,
Falia, etc
5.Avia re, ry Tomponay,
namoaka didy tao Sinay,
harahin’ny mpanomponao,
‘Zay nofidin-ko lovanao
Falia tc,
Amena

351 25 398
Tonga ny andro lehiben’ny fahatezerany, ary iza no mahajanona?
He! Ny andro mampahory,
To’lay teny manambara;
‘Zao rehetra izao handalo
2.Raiki-tahotra ny mpanota,
Raha ny miseho ny Mpitsara
Mba hamaly ny nataony
3.He! maneno ny trompetra
Hamohazana ny maty:
Mahare ny vazan-tany
4.Voaringana ny faty,
Resy helo sy satana
Ka mifoha izay matory
5.Voavelatra ao ny boky
Fanoratan’ny Mpitsara
Ny tantaranizy rehetra
6.Koa rehefa vory eo
‘Zay rehetra hotsaraina
Dia tsy hisy tsy voavaly
7.He! ny marina aza mila
Famindrampo ka izaho
Aiza hialako tsiny?
8.Ry Mpanjaka, Ray mahery
Loharanom-piantrana,
Mamonje, ka mamindra fo
9.Jesoa Tompoi ô, tsarovy
Maty Hianao ho ahy
Ka aza avela ho very aho
10.Hianao nitady ahy,
Avaotro ny Ranao soa
Aoka tsy lany maina
11.Jesoa ô, mba manadiova
Ny fanahiko maloto
Vao hiseho hotsaraina
12.Diso aho ka tomany,
Menatra ka dia mitsotra:
Mamelà, izay mifona!
13.Ny mpanota novonjena,
Ny mibebeka navel;
Aza afoinao re ny aiko
14.Foana ny ranomaso,
Raha tsy ny indrafonao
Hahafahako amin-doza
15.Jesoa, asandrato aho
Mba ho isan’ny voafidy
Ao am-panjakan’ny Rainao
16.Raha voaeloka ny ratsy
Ka mandray ny valin’ota,
Dia mba vonjeo aho
17.Ory aho ka mietry
Eo aminao, ry Tompo,
Ka jereo ny fahantrako
18.He! ny andro mampahory
Hiomananay mpanota
Hotsarainao Tomponay!
Zanahary ô, tahio afaho!
Miantrà ny ondrinao,
Ry Mpiandry tsara ô
Amena

6 26 53
Jehovah efa naniraka Ahy, hanasitrana ny torotoro fo
HE! Avy ny Mesiantsika,
Ka fo hadio honenan’ny
Mpamonjy lehibe
2.Ny voafatotr’i Satana
Halefa avokoa
Ny gadram-pahafatesana
Hotosany tokoa
3.Ny ory hampionony,
Ny torotoro fo
Homen’Ilay Mpanjakany
Harena tsy ho lo
4.Ry Tompom-piadanana ô
Henoy ny deranay
Hosana no asandratray
Ho arahabanao
Amena

577 27 765
Tsy maintsy manjaka Izy mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambain’ny tongony
FAINGANA, ry mpanjaka
Handray ny lovanao;
Faingàna re mba haka
Ny tany hoi Anao
Avia hampifaly
Ny malahelo fo:
Afaho ny mijaly
Sy azon’ny manjo
2.Avia fa misento
Aty ny olonao
Ny fanjakana ento,
Fa Tompo Hianao:
Tsy hisy hitomany
Eo anatrehanao
Hiadana ny tany
Izay alehanao
3.Ny tendrombohitra avo,
Ny lohasaha koa
Ho tonga ravoravo
Sy tretrika avokoa;
Ny be tsy haka an-kery
Ny kely afa-po;
Tsy hisy izay ho very,
Tsy hisy ny manjo
4.Mpanjaka sy Mpiaro
Mahery Hianao
Ny firenena maro
Hitoky aminao;
Ho avy lalandava
Izao rehetra izao
Hitondra harem-bevava
Ho eo an-trongotrao
5.Faingàna, ry Mpamonjy
Ry Tompo be fitia;
Ny olonao tra-bonjy
Miantso hoe: Avia,
Anao ny fiderana
Anao ny laza be
Anao ny fanjakana sy arahaba e!
Amena

120 28 289
Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona, satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa
HE! Mihena isan’andro
‘Zao fiainantsika izao;
vetivety samy handry
‘Sika ao am-pasana ao
2.Vetivety ny fanahy
Dia halain’ny Mpanome:
Nefa izao no andro mety
Hamonejna antsika re
3.Jesoa Mpanome Tsitoha,
‘Zanahary Mpanadio,
Manampia anay hamonjy
Io fotoana omena io
4.Vetivety dia hitana
‘Lehy ony maizina,
Ka ho raisintsia any
Zo na fahoriana
5.Ry Tompo ô, ny olonao
Tantano sao maniasia,
Ka hasoavy ho Anao
Mandrakizay doria doria
Amena!

495 29 226
Misento ao anatin’ity isika ka maniry indrindra hitafy ny tranontsika izay avy any an-danitra koa
NY andro miharatsy
Ny loza avy koa
Ka aoka tsy ho tia
Izao mandalo ‘zao
Ho avy ny Mpitsara
Hamaly ny atao
Hanatrika Azy isika
Am-pitsarana ao
2.Ry mino mitsangàna,
Ny fonao mba ovao,
Ny ratsy aneneno,
Ny tsara ezahonao;
Ny maizina mba lavo,
Ny hazavana irio,
‘Lay hazavana tsara
An-danitra madio
3.Ry tany feno soa
Misento izahay
Maniry mba hahita
Anao fonenanany:
ao am-povoan-daza
sy anatrehan-dRay
Ny olona afa-doza
Miadam-pahizay
4.Ry lovan’ny mpandresy,
Ry fahità-madio!
He! Sambatra ny manana
Io zaza tsara io
Fa zovy tsy hiasa?
Moa misy kivy fo?
Ezaho handovana
Ny laza sy ny zo
5.Ry tany izay ho lova
Voavoatra ela be
Honenan’ny handova
Anjara lehibe!
Ry Jesoa, afindrao ô
‘Zahay navotanao
Ka any amponeno
An-tany soanao
Amena

30 203
Eny, avy faingana Aho Amena, Avia Jesoa, Tompo
AVY Hianao Mpamonjy,
Hianao Mpanjaka ô;
Hianao mitafy hery,
Hianao Mpanjaka irery
Avy ao an-danitrao
Avy! Miposaka re,
Masoandro lehibe:
Avy! Ry Mpisoronay,
mba hatony izahay
2.Faly izahay handeha
Hifanena aminao
Hanehoanay ny lasa,
Hanatrehanay ny asa,
Voaloham-bokatrao,
He! Ny hafaliam-be,
Laza mety ho Anao;
He! Ny feo maro re,
‘Zay ataon’ny zanakao
3.Izahay izao maniry
Te hihaona aminao;
Malahelo, manantena
Sy miandry famonejna,
Ory fo ny zanakao:
Fa ho faly re ny fo,
Na ho ela aza izao,
Fifalian-tsy ho lo,
Raha hiseho Hianao
4.Ry Mpanjakanay malala,
Mba avia faingana;
Aoka ny aizina handalo
Mba hitsaho ny fahavalo,
Ao ambany tongotrao,
Ry Mpamonjy mba avia!
Ry Malala malakia!
Asehoy ny herinao
Sy ny voninahitrao
Amena

Mety atao amin’izao fotoana izao koa ny fihirana 152, 158, 165, 182
KRISTMASY
14 31 57
Ny teny dia tonga nofo
RY Kristy ô, Mpanavotra,
sy Endriky ny Ray Tsitoha,
Mitovy ny voninahitra
Sy fihaviana tokoa
2.Ilay Mazava Hianao,
Sy tokin’olombelona;
Tongava re, ka mba tahio
Ny vavakay atao anio
3.Tsarovy ny nandraisanao
Tan-kibon-dreninao madio
Ny fomban’olo-meloka,
Ka mamonje, ry Tompo ô!
4.Ny taona mitsingerina
Mitondra aminay indray
Ny andro, ka isaoranay
Anao Mpamonjy tokana
5.Nilaozanao ny Rainao tia
Hizaha ny ondrinao mania;
Ka mankalaza Anao izao
Ny asanao, ry Tompo ô!
6.Ka faly izahay anio,
Fa voasasa ka madio;
Ny fonay tsy mba reraka
Fa Hianao no teraka,
7.Anao ny voninahitra
Sy dera tsy mitsahatra,
Ry Trinite Isaorana,
Fanahy, Ray sy Zanaka
Amena

613 32 56
Nisy anejly marobe nidera an’Andriamnitra
HE! Ny feo arivo maro,
‘Zay nihoby mafy re
Mba hidera an’i Jehovah,
fa idnro, Jesoa rteraka,
Ka nahazo soa be
‘Sika olombelona;
Haleloia, Amena
2.He! mifaly koa Jehovah
Fa tanteraka tokoa
‘Zay mba fikasany ela
Hamonejna antsika koa;
Ka nahazo, ets
3.Mifalia ry mpanota
Manomeza saotra be,
Faly, re ny lanitra any,
Miarahaba faly koa,
Fa nahazo, etc
4.Zana-Janahary Jesoa
Fa naterak’olon,
Mba hanavotra antsika
Amim-pahotana be;
Ka nahazo soa be
‘Sika olombelona,
Haleloia, Amena

23 33 60
Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra
MBA henoy ny hira hoe:
Voninahitra anie!
Fiadanana aty
Sy fankasitreahana,
mitsangàna, mifalia,
Mihirà, ry olona
Ambarao fa teraka
Kristy ho Mpanavotra
Mba henoy ny hira hoe
Voninahitra anie!
2.Kristy Tompon-danitra
Kristy Andriuamanitra
Indro, teraka Hianao
Nantenaina ela izao
Ka nandray ny nofonay
Nefa Zanaharinay
Jesoa mponina taty
Naka ny fomban’olona
Mba henoy ny hira hoe
Voninahitra anie!
3.Arahaba, Kristy ô,
Masoandronay izao,
Arahaba, Mpanasoa
Sy Mpitondra aina koa
Teraka Hianao anio
Ho anay ‘zay tsy madio
Teraka hitsangananay
Mba ho olonao indray
Mba henoy ny hira hoe
Voninahitra anie!
Amena

28 34 59
Andeha isika hankany Betlehema
AVIA, ry mino, faly fa mpandresy,
ka mankanesa any Bethlehema
he! Tonga Jesoa Tompon’ny anjely:
Avia mba hitsaoka,
Avia mba hitsaoka,
Avia mba hitsaoka ny Tomponao
2.Tompon’ny tompo sy Mpanjaka Izy
Fa tsy handà ho Zanak’i Maria
Teraka Izy, nefa Zanahay
Avia mba hitsaoka ets
3. He! Ry anjely manandrata feo,
K amiderà ny Tompon-danbitra:
Laza ho Azy tafasandratra any,
Avia mba hitsaoka, etc
4.Dera sy haja raisonao, ry Jesoa,
Fa Hianao no teraka anio:
Tenin’ny Ray, kanefa tonga nofo
Avia mba hitsaoka etc

21 35 61
Indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe
RY mino ô, avia arahabao
Izao maraina mahafaly izao,
Fa teraka aty ny Tomponao,
Izay Mpamonjy ‘zao tontolo ‘zao
Ka miderà Ilay Mpitondra soa,
Fa Zanahary tonga nofo koa
2.Mpiandry ondry fahizay nandre
Ny feon’ny anjely manao hoe:
Henoy ny teny mahafaly fo
He! Teraka any Bethlehema anio
Ho anareo ny Mpamonjy soa,
‘Zay sady Tompo no Mesia koa
3.Miredona avokoa ny lanitra,
ka mankalaza ny Mpaanavotra
mifaly sy mihoby fatratra,
Ka Haleloia no hiranay hoe:
“Hoa an’ny Avo voninahitra,
ho an’ny tany fiadanan”
4.Nizotra mba hankany Betlehema
Ireo mpiandry ondry marobe,
Hizaha ny Mpamonjy lehibe
‘Zay tao am-pihinananam-bilona;
Josefa sy Maria nijanona
Takaikin’i Jesoa Zaza masina,
5.Koa aoka isika mba hihevitra
Ny famonjen’Andriamnitra;
Ny olom-bery nampodiany indray
Hifaly eo anatrehan-dRay;
Ka manaraha re ny dianay,
Hidirantsika ao an-dapany
Amena

605 36 329
Nohodidininy lamban-jaza Izy ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-vilona
TANY Betlehema fahiny
Tao an-tranon’omby re,
Nisy Zazakely soa
Tampofoan-dreniny:
Jesoa Kristy io Zaza io,
Zanak’i Maria madio
2.Nahafoy ny Rainy Izy
Sy nandalo ny lanitra,
Tsy nanda ny trano ratsy,
Nefa Andriamnitra;
Toe-pahantrana re
An’ny Tompo lehibe
3.Fony Izy mbola Zaza
Dia nanaiky sy nanoa
Ary tia reny Izy
Sy nanetry tena koa;
Zaza Kristiana e,
Manaraha Azy re!
4.Ka ho hitantsika
Izy noho ny fitiavany,
Fa ‘Lay Zazakely tsara
No mba Tompon-danitra
Ka isika zanany
Dia hankany aminy
5.Nefa ty mba tranon’omby
Itoerany izao;
fa nankao an-danitra Izy
sy mitafy laza ao:
Ka ho sambatra any koa
Tahaka Azy ny zaza soa
Amena
KAROLY
37
RIRININA re fahizay
Ka nagatsiaka,
‘Zay nideran’ny masina
Ilay vao teraka;
Nilaozany ny laza be
Sy voninahitra,
Ka tonga teto amintsika
Hamonjy olona
2.Nohodidinim-biby tao
Ny Tompn-danitra;
Tao no nitsaohan’olona
‘Lay Andriamanitra;
Izaho koa mba te-ho ao,
Mba te-ho namany,
Hitsaoka sy hiondrika
Miaraka aminy
3.Anefa tsy mba manana aho
Hataoko atitra;
Ririnina ny toetro
Tsy mahavokatra:
Ry Tompo Rahalahiko,
Homeko ho Anao
Izay rehetra ananako
Ka aza lavinao
4.Fa misy iriko aminao
Mpamonjy tsara ô,
Ny fahalemem-panahinao
Sy fahadiovam-po,
Mba hianarako kokoa
Handia ny làlanao,
Sy hanahafako tokoa
Ny ohatra aminao
5.He! Fahazava-maharitra,
mba misehoa tokoa,
Hamerina ho aminao
Ny foko avokoa;
Mba diovy re zay ratsy ao
Ny heloko sasao,
Mba hahatonga ao
Ilay tanterahinao
38
‘Zay ambony, zay ambony!
He! Tongava, mifalia
Indro ao an-tranon’omby
Anjakan’ny Tompo tia;
he! Jereo Izy mandry
ampofoan’ny reniny;
makanesa mba hifaly
eo anatrehany
2.’Zay mahantra sady ory!
Manatona koa izao,
Fa ny Tompom-pamonjena
Efa naka ny toetrao;
He! Ny omby mnodidina
He! Ny trano ratsy koa
He! Mpiandry ondry foana,
No mitsaoka eo ny Soa
3.Mankanesa koa rankizy,
‘Zaza ity tompoinao,
ka alaovy tahaka Izy
Amin’ny fiainanao;
mankanesa, ry malemy
sy izay matanjaka,
Tompony tsara ka isaory
Zanak’Andriamnitra
4.Indro misy izao ‘lay kintana
Sady tsara no madio,
Avy koa ny olon-kendry
Mba hitsaoka io Zaza io;
Koa mba aoka handeha isika
Ka hamboa-panatitra;
Fo madio sy herintsika,
Haja sy fisaorana.
5.He! Ny mponina ao ambon,y
No miara-mankalaza
Zanahary tonga nofo
Naka fomban’olona
Dia tongava, mihobia
Lehibe sy kely koa;
Andro lehibe ny andro
Andro Kristmasy masina
39
‘Lay andro Noely voalohany teo,
Voalazan’ny anjely tao Betlehema
Niseho tokoa tamin’olona tao
‘Zay niandry ny ondriny alina
Noely, Noely, Noely, Noely
Teraka izao Imanoely!
2.Dia hitan’ireo ‘lay kitana soa
Tery atsinanana namiratra;
Naharitra sady narevaka tao
Io kintana be voninahitra io
Noely, Noely, Noely, Noely,
Teraka izao Imanoely!
4.Avaratra andrefana nalehany tao
Ambara-pahatongany tao Betlehema
Nijanonan’ny kintana tamin’izay
Tambonin’ny tranon’Imanoely
Noely, Noely, Noely, Noely!
Teraka izao Imanoely!
5.Dia niditra teo izy Magy ireo,
Miankohoka tsara sy maotina
Ka dia nomeny ny atitra;
volamena milaza sy miora madio
Noely, Noely, Noely, Noely!
Teraka izao Imanoely!
6.Dia aoka hoderaintsika, ry havako,
‘Lay Tompon’izao tontolo izao
Fa Izy nanaovtra antsika tokoa,
Ka maty hamonjy ny meloka
Noely, Noely, Noely, Noely!
Teraka izao Imanoely!
40
HE, zaza re! He, Tomponay!
Arahabaina izao,
fa reraka tokoa’zahay,
tsy misy hitsaharanay,
Koa te-hianatra
‘Lay hira mahafinaritra:
“Fiadanana no tonga izao”
2.Napetrakao tao aminay
Ny fiadananao
‘Zay nohiraina fahizay
Tamin’ny nahatanterahano;
Anjely maro be
Nivoaka hankalaza Anao:
“Fiadanana no tonga izao”
3.Voromailala! Hianao,
Tandindon-java-tsoa,
Moa tsy hajanonao tokoa
‘Zao tabtaba lava izao
Mba hohiraina indray
‘Lay hira mahafinaritra
“Fiadanana no tonga
4.Henoy ny Fiangonanao
‘Zay mitaraina mafy,
ho azony indray izao
Ny fiadanana aminao
Dia ny Anao ihany
Tianay tokoa
Ny fiadanana:
An-danitra fiadanana,
Voninahitra
Fiadanana ambony ao,
“Fiadanana no tonga izao”
41
ZAZA Kristiana,
Asandratonao
Feo fiderana
Ny mpanjakanao
2.Kristy Tompontsika
Io Mpanjaka io,
Teraka ho abntsikan,
Ka mba ifalio,
3.Manatona Azy
Ry ankizy ô
Fa miantso Izy,
Ka henoinao
4.Fa na kely aza
Hilazany hoe:
“Avelao ny zaza
Mba hanatona e”
5.Na tsy volamena
Ho finaritra,
Ka tsy misy miora,
Zava-manitra
6.Fa ny hira tsara
Sy fo madio
Ampy mba ho dera
Entinao anio
7.Ka hirao ny hira
Mahafaly re:
Manomeza dera
Saotra, laza be

EPIFANIA
PP8 42 80
Zaza no teraka ho antsika,
zazalahy no omena antsika
Ny firenena maro be
Ho avy aminao
Masoandro lehiba,
Hanasina Anao
2.Ny zioga efa afaka
Fa efa tapakao
Satana dia efa lao,
fa efa resinao
3.Fa zaza re no terakla
Mba ho Mpanjaka soa
Heken’izao rehetra izao
Ho Tompon’ny tsitoha
4.Izao no voninahiny:
Ny Ray mandrakizay
Andiram-piadanana,
Mpanolo-tsaina anay
5.Ny fanjakanay marina
Tsy hisy farany;
Ny rariny hanelezana
Ny fanapahanay Amena

App 9 43 643
Mangataka aminarei aho mba atolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamnitra
ZANA-MARAINA mazava tokoa
Mba miposaha hanampy anay;
Kinta-maraina, mba hampisehoa
‘Lay Zazakely Mpamonjy anay
2.Na hodidinin’ny biby manompo,
Na malahelo ny toetry re,
Ao ny anjeky mitsaoka Azy Tompo
Sady Mpanao no Mpisoronabe
3.Inona ary no mety homena
Azy Mpamonjy sy Mpanome koa?
Zavatra manitra sa volamena?
Miora sa vato be vidy sy soa?
4.Foano ny anomezana Azy
Zavatra soa ‘zay mety ho lo
Raha tsy tsara ny vavaka ataontsika
Fa tian’ny Tompo ny hajan’ny fo
Amena

36 44 75
Nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy.
NY Teninao, Jehovah ô,
No ho fitarik’andronauy
Haneho aminay anio
Ny Zanakao Mpanavotray
2.Indreto ‘zahay tantananao
Hanatitra ny deranay
Ho an’i Jesoa Zanakao
‘Zay teraka mba ho anay
3.Mpanjakanay ny Zanakao,
Ka indro dia haterinay
Ny hasina fanatitray,
D ia volamena tsara re!
4.Mpisoronay ny Zanakao,
Ka mety ho fanatitray
Ny zava-manitra madio
‘Zay ohatry ny vavakay
5.Fa mety ho Mpanavotray
Ny Zanakao malalanao
Ka miora koa aterinay,
Satria Izy tsy ho lo
Amena
40 45 76
“Ary hianao, ry Betlehema tamin’ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin’ny andrianan’ny Joda hianao tsy
akory”
MARO no tanàna tsara
Nefa Betlehema re,
Nahaterahan’i Jesoa tia,
No dia tsara lavitra
2.Nahagaga re ny kintana
‘Lay namirapiratra
Hanambara fa ny Tompo
Tonga olombelona
3.Indro avy olon-kendry
Mba hanati-javatra:
Zavatra ‘zay mahamety
‘Lehy nanaterana,
4.Famantarana mazava
Fa Mpanjaka lehibe
No lazain’ny volamena
‘Zay nateri-magy re
5.Sady Andriananahary
No lazain’ny manitra,
Ary koa ny miora soa
No milaza olona
6.Laza ho Anao, ry Jesoa
Noderain’ny Magy teo
Ary ho Anao, ry Ray ô,
Sy fanahy Masina
Amena
39 46 7
Nony nahita ny kintana izy dia nifaly indrindra
TOY ny hafaliam-be
Nahitan’ny Magy re
Kintana mamiratra
Tonga mba hitarika;
Aoka ho entina ho Anao
Izahay, ry Tompo ô!
2.Toy ny nankanesany
Tao an-tranon-Tompony,
Mba hanaja fatratra
‘Lay hajaina an-danitra
Aoka hankany Aminao
Izahay, ry Tompo ô!
3.Toy ny nananterany
Zava-tsoa nentiny,
Aoka mba haterinay
Zava-tsoa azonay
Mba ho fanajana Anao
Jesoa Kristy, Tompo ô!
4.Isan’andro, Jesoa ô!
Enga anie ka harovanao,
Tsy ho diso lalàna
Na ho tratry ny aizina
Izahay mpanomponao,
Olona voavotrao,
5.Tsy mba misy an-danitra
Hazavam-boaforonao
Masoandro Hianao
Mpanazava marina,
Enga ka hihira ao
Izahay, ry Jesoa ô!
Amena

44 47 77
Izay manaraka Ahy tsy mùba handeha amin’ny maizina
ENDREY! Manelatrelatra
‘Lay kintana nitarika
Ny olon-kendry sambatra
Hizotra hankanay Betlehema
2.Ny feon’anjely maro be
Nitory fiadanana
Nilaza fa Mpamonjy re
No teraka tao Betlehema
3.Nanondro lehy Zaza koa
Ho kintana Mpitarika
Sy ‘Lay Mazava mahasoa
‘Lay Kintana tao Betlehema
4.Na lavitra ny làlanay
Sy be ny loza izay hanjo,
Hitarika ny dianay
Ilay Mazava marina
5.Rehefa tena tapitra,
‘Zao dia mahasambatra
Hisaorana raha tonga aty
Ilay Mpitarika taty
Amena
Mety hatao amin’ity fiotoana ity koe ny fihirana 188, 222, 223, 226
Herinandro mialoha ny Septogesima
33 48 82
Hataontsika ahoana no fihira fihiran’i Jehovah tany an-tany nivahiniana?
HALELOIA mahafaly,
Hoby tsy mba tapitra;
Haleloia no fihiran’
Ny mpihira an-danitra;
Any izy no mitoetra
Amin’Andriamanitra
2.Haleloia no fanaon’
Ilay Jerosalema ary
Haleloia no ataony
Izy sy ny zabnany;
Mbola malahelo kosa
Izahay vahiny ety
3.Haleloia tsy mba lety
Eto ho fihiranay
Fa hifady sy hisaona
Ory noho ny helokay
Jesoa Tompo, mba aérovy
Tsy hanota izahay
4.Koa izao, ry Zanahary
No mba angatahinay
Aoka reny Paska any
Aminao hatrehinay
Ka haharitra any koa
Haleloia hiranay
Amena

FOTOAM-PIFADIANA
113 49 113
Mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana
HE! Ny fiantsoana
Feno fitiavana
Teny masina sy to
Ho anao, ry ory fo
2.Hoy ny Tomponao hoe:
“Manatona Ahy re,
Ry miasa fatratra
Sy mavesatra entana!
3.Fa izaho hanome
Fitsaharan-dehibe
Sy fiainana vaovao
Hahasambatrta anao”
Amena

57 50 251
Miverene hianareo, fa nahoana no te-ho faty hianareo
RY mpanota miverena,
Fa nahoana no mania?
Hoy ny Rain’ny famonjena,
Zay mampody ny mania:
Tsy hitandrina tokoa
Sy hiahy Izy re
Ka nahoana hianao
Te-ho kosa ve?
2.Ry mpanota, miverena
Fa nahoa no mania?
Efa maty Aho teo,
Hoy ny Tompo ne fitia
Eny maty ho anao!
Moa avelanao indray
Mba hijaly Aho va?
Miverene re izao!
3.Ry mpanota, miverena,
Fa nahoana no mania?
Hoy ny Parakleto soa,
‘Zay Mpanampy sy Mpitia
Moa handà va hianao
Fahasoavana entiny?
Tsia, raiso re izao?
Miverena faingana
Amena

84 51 82
Mijery an’i Jehovah isika amintsika
RY Tompo ô, mba mijere
Ny fahoriako,
Fa indro aho mandry re
Am-bavahadinao
2.Mivoha io vavahady io,
Raha misy mibebaka
Ka mba vohay hidirako
Havela heloka
3.Ka aza mba heverinao
Ny asako taty:
Fa raha izany, fantatro
Fa resy lahatra aho
4.Ny antra sy ny indrafo
No angatahiko,
Ka hianao no hahato
Izany mamiko
Amena

App 10 52 94
Mitandrema tsara fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra
MAMINDRA fo, Jesoa ô,
Aminay mpanomponao,
Ke henoy ny vavakay
2.Hasoavy izahay
Hizahanay toetra
Mba tsy hohelohina
3.Ampidino aminay
Ny Fanhy Masina,
Ry Mpamonjy tsara ô!
4.Ampidiro izahay
Ory tafatsangana
Ao am-baravarana
5.Noho ny fifonanao,
Sy ny ranomasonao
Ho anay nalatsakao
6.Noho ny fivatranao,
Sy ny fisentoanao,
Aza mba mandao anay
7.Aoka re ny elatrao
Hitoeranay izao
Sao ho very izahay:
Amena
73 53 92
Nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany dia noana
ANDRO aman-alina
Tao an-efitra Hianao
No nifady hanina
Ory sady reraka
2.Masoandro mahamay,
Bibi-dia namanao,
Ando nahareraka,
Tany no nandrianao
3.Moa tsy hangoraka
Ny nanjo anao ‘zahay,
Faly raha miombona
Alahelo aminao?
4.Dia ny fiadananao
Ho anay rahatrizay,
Ka anjely irakao
Hanodidina anay
5.Koa arovy, Tompo tia,
Izahay anilanao,
Mba honenanay doria
Sambatra any aminao
Amena
App 25 54 252
Izy no anantsika fanavotana amin’ny Rany dia ny famelana ny fahadisoantsika
RERAKA aty sy matin-keloka
Te-hiditra aho ao an-danitra
Fa tsy mba misy ratsy monina ao
Kanefa hoy ‘lay fo re: “Avia”
2.Ahoana no hanatonako
Io fitoerana malaza io,
Sy hisehoako maloto fo
Ho eo anatrehan’ny Madio?
3.Na tiako aza re ny lanitra
Ny ratsy dia miraikitra amiko;
Kanefa misyfeo reko hoe:
“Mitsora dia havela hianao”
4.Ny tànan’i Jesoa no mihinjitra
Hitarika ahy ho an-dapan-dRay
Ny Rany soa no mahavotra
Sy mahadio ny foko meloka
5.Nanavotra ny aiko Hianao;
Ry Tompo ô, ny tsilo sy Lakroa
‘Zay zakanao, no hahazoako
Ny diademan’ny fiainana
6.Tsy misy amiko hateriko
Hahafa-trosa ahy aminao
Ny famelanao hanehoako
Fa be ny fitiavako Anao
Amena

71 55 112
Izy no hivesatra ny helok’ireo
IZAY mavesatra entana
Ka tena ory fo,
Mitady izay hampionona
Hanala ny manjo
2.Ao Jesoa maty ho Anao
Tambonin’ny Lakroa
Be indrafo ka faly izao
Handray anao tokoa
3.Henoy ny feony be fitia,
Miantso hoe: “Avia
Izay miasa fatratra,
Avia hitsahatra”
4.Ry Jesoa Tompo masina,
Mpandray mpibebaka
Mba raisonao ho hasina
Ny saotra aterinay
5.Sasao ny Rano mahasoa
Ny halotoanay
Ny rofinay sitrano koa,
Henoy ny vavakay
Amena
Mety hatao amin’ny Fotoa-pifadiana koa ny Fihirana 137, 134, 162, 178, 192, 207, 228, 231, 232, 235, 239

SAMPAN-DROFIA
568 56 555
Izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso ho: “Hosana any amin’ny avo
indrindra”
E! Rankizy, E! Rankizy,
Mliderà ny Tomponao
Mba tsarovinao, fa Izy
No mba fiarovanao
He, Hosana!
Ny anarany hajao
2.He! Navelany ny laza
Mba hakany nofonao;
Ka ny voninahitra aza
Foiny hamonjena anao
He, Hosana!
No ataovy sy hirao
3.Tamin’Izy mbola teto
Noderain’ny zaza soa,
ka mba hianareo eto
Ny fisaotranao tokoa
He, Hosana!
No ataovy sy hirao
4.He, anjely ao ambony
Dia midera Azy izao;
Voninahitra omeny,
Ka ny dera mba atao,
He Hosana!
No ataovy sy hirao
5.Miderà, ry zazakely,
Ny Mpanavotra anao;,
Fa ny fo no tsy mba kely
Ka omeo ny anao
He, Hosana!
Ny anarany hajao
Amena

620 57 99
Noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy
RY Tompo, mandrosoa izao,
Akaiky ny fotoana,
Ka mba reseo ankehitrio
Ny ota sy ny fasana
2.Ry Tompo, mandrosoa izao:
Ny mponina ao an-danitra
Hijery sy mitsetra re
Ny fanalamboadinao
3.Ry Tompo, mandrosoa izao:
Antomotra ‘lay adinao,
Ny Rainao ao an-dapany
Miandry ny Malalny
4.Ry Tompo mandrosoa izao:
Akaiky ilay fotoana
Lefero mba handraisanao
Ny fanjakan’ny herinao
Amena

622 58 98
Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana
NY dera sy ny laza
Anao, Mpanjaka ô
‘Zay nohirain’ny zaza
Mba hiderana Anao
2.Mpanjakan’Israely
Hianao, ry Jesoa ô
Anaran’ny Isaorana
No nihavianao
Ny dera sy ny laza, etc
3.Ny mponina ao ambony
Midera Anao izao,
Ka izahay an-tany
Mifaly Aminao
Ny dera sy ny laza etc
4.Ny sampan’ny rofia
No nentin-jaza teo
Ho fanehoan-kaja
Sy voninahitra
Ny dera sy ny laza ets
5.Taloha re “Hosana,
Vonjeonao izao,
No fihirana tsara,
“Zay niderana Anao
Ny dera sy ny laza etc
6.Mba raiso re ny dera
‘Zay nentinay izao
Ry Tomponay Tsitoha,
Mpanjaka tsara ô!
Ny dera sy ny laza
Amena

HERINANDRO MASINA
513 59 105
Jereo ary izaho raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako
INDRO! Voatokana
Mba hatao fanatitra,
Jesoa nohomboanao,
avotry ny meloka
2.Iza raha tsy Hianao,
Kristy ô, niaritra
Eso sy fo-lentika
Ary ny fanaintainana?
3.Iza sahy toa Anay
Nahazaka ny Lakroa?
Iza no nandefitra
Tsilo, hombo, lefona?
4.Teo nandatshaanao
Ra sy rano manadio,
Hilazana fa izao
Tapitra ny asanao
5.Osa ny finoanay,
Jesoa tsar aô, ampio;
Mamelà ny hezlokay,
O, avia ka tajio!
Amena

105 61 109
Ny fahatsarana dia ho anareo izay mino
TSARA re ny andro lany
Ao ambanin’ny Lakroa
Anomezan’ny Mpamonjy
Aina sy fiononana
2.Mitete ny Rany soa
Toy ny indrafony be
Famantaram-pamonjena
Azon’olombelona
3.Sambatra izay miandry
Ao akaikin’ny Lakroa
Hijereny an’i Jesoa
Feno fitiavana
4.Jesoa, mba tariho ny fonay
Hanatonanay Anao;
Asehoy ny famonjenao
Sy ny voninahitrao
Amena

99 62 107
Ny Ra soan’i Kristy no nanavotana anareo
LAZA ho an’i Jesoa
‘Zay nandatsa-dra,
Avotra ho antsika
Tamin’ny Lakroa
2.Mahasoa ny Rany,
Mahavelona,
Toy ny indrafony
Tsy mitsahatra
3.Mendrika hohajaina
Ka hisaorana
Famelana ota
Amin-keloka
4.Hoy ny ran’i Abela
Tompo ô valio
Hoy ny ran’i Kristy
Raiko ô, tahio!
5.Mifamaly dera
Mifanarana
Feon’ny anjely
Sy ny olona
6.Manandrata feo
Toy ny riaka
Mihobia mafy
‘Lay n,alatsa-dra
Amena

116 63 100
Sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny Hazo fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika
RAHA ory izahay
Hianao tazaninay
Jeso Tompo, ka jereo
Ny fanatonay Anao
Eo am-poto-kazo eo
Hazo fijalianao
2.Tsy ho kivy izahay
Vitanao ny avotray
Ka hankany aminao
Izahay voavotrao
Tapitra eo ny sentonay
Afaka eo ny tahotray
3.Tsy dia meloka Hianao
No nijalty mafy teo
Fa izahay no tianao
Ka nisolo Hianao!
Jesoa ‘Zay nihantona ô
Andrandrainay Hianao
4.Voninahitra azonay
Fanandratana anay
Fa nijaly Hianao
Teo ambony hazo teo
Mba hanadratra anay
Ka mifaly izahay
5.Ny fisaoranay Anao
Dia hataonay ao am-po
Fa nijaly Hianao
Ka azonay ny indrafo
Eo amù-poto-kazo eo
Hanatonanay Anao
Amena

232 64 115
Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony
NIHANTONA ny Tompo
Tambonin’ny Lakroa,
Ka voahombo mafy
‘Lay reny mahasoa
2.Ny latsan’ny mpaneso
Tsy novaliany
Fa be ny indrafony
Ka izao no teniny
3.”Ny ratsy izay ataony
Dia tsy mba fantany
Koa maelà, ry Raiko
Ny ota vitany”
4.He! zaza tsy manoa
Sy meloka izahay
Ka dia ny indrafonao
No tadiavinay
5.Anay ny fahotana
‘Zay nanomboana Anao
Anao ny avo-tsoa
Izay naloanao
6.Ny teninao, ry Tompo
Tsy voatandrinay
Ka mamelà ny ota
Izay tsy fantatray
7.Vonjeo, ry Mpitia
Vonjeo izahay
Ka mamelà ny ota
Sao very izahay
Amena
100 65 110
Tsarovy ny fahoriakosy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy
‘NDEHA ho ao Getsemane
Ry alim-panahy ô:
Mijere ny ady ao,
Adin’ny Mpanavotrao
‘Zay mba ho fivavakao
Ianaro aminy
2.Mijere Ilay madio
Ao an-trano fitsaranao
Tompon’aina Izy io
Nefa he! Ny fahantrany
‘Zay mba ho fandefitrao
Ianareo aminy
3.Iakaro Kalvary
Hiondrika ao an-tongony
Ka jereo voatitra eo
Zana-janaharinao:
‘Zay ho fahafatesanao
Ianaro aminy
Amena
Mety hatao koa ny fihirana 162 183, 200, 215, 217
ZOMA MASINA
111 66 114
Nohomboana tamin’ny hazo fijaliana Izy
AVIA re, ry havana,
Avia mba hisaona isika;
Fa maty ny Mpanavotra:
Voahombo Jesoa Tompontsika!
2.Ny ranomasontsika va
Ho tana tsy hirotsaka
Voahombo mihantona?
Voahombo Jesoa Tompontsika !
3.Ny tongotra aman-tanany
Noboroaham-pantsika,
Ka tena maina tendany:
Voahombo Jesoa Tompontsika!
4.Impito nitenanany
‘Zay tenim-pitiavana,
Ka teo no nifonany:
Voahombo Jesoa Tompontsika!
5.Avia ambanin’ny Lakroa
Mba hanasan’ny ra an-tsika
Mba ho madio am-po tokoa
Voahombo Jesoa Tompontsika!
6.Ny fo mangorakoraka
Ny ria-dranomasonay
Dia tsy holavinao tokoa,
Ry voahombo ho anay
Amena

591 67 466(ii)
Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay hataony
JESOA, nohomboana,
Ory fa mangataka
Famelana ho anay
Jesoa mihainoa
2.Mba ifony, Jesoa ô
Izahay, ka mamelà:
Ny mpanota meloka
Jesoa mihainoa
3.Miantrà ry Tomponay,
Ka jereo izahay
Ampangain’ny helokay:
Jesoa mihainoa!
Amena

270 68
Anio no hihaonanao amiko any Paradisa
HIANAO no nahare
Sentom-po ka nanome
Famelan-keloka:
Jesoa mihainoa
2.Aza mba afeninao
Aminay ny tavanao
Fa henoy ny hatakay:
Jesoa mihainoa
3.Raha mafy ny manjo
Mba omeo fiononam-po,
Ka jereo izahay:
Jesoa mihainoa
Amena
69
Ravehivavy, indro ny zanakao! ...Indro ny reninao!
INDRO! Eo ny reninao
Difo-pahoriana
Noho Hianao malalany
Jesoa mihainoa
2.Aoka ho sahy toa Anao
Izahay hiaritra
Loza aman-tahotra:
Jesoa mihainoa
3.Enga ka ho tafaray
Aminao, ry Tomponay,
Fehim-pitiavany:
Jesoa mihainoa
Amena

70
Andriamanitra ô, andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?
JESOA azon-tahotra
Sy tra-doza fatratra,
ka nafoin’ny lanitra:
Jesoa mihainoa
2.Raha kivy izahay,
Hazavao ny aizinay
Ka ampio ny vavakay:
Jesoa mihainoa
3.Raha lavitra ny Ray
Ka tsy hita-masonay,
Ahirato izahay:
Jesoa mihainoa
Amena

71
Mangetaheta Aho
HE! Ny hetaheta be
Sy ny Ranao mitete;
Tamin-dratra lehibe;
Jesoa mihainoa
2.Tanteraho ny asanao
Ka vitao ny sitrakao
Ry mangetaheta anay
Jesoa mihainoa
3.Enga ka ho hitanay
Rano mahasitran,a
Ota aman-keloka
Jesoa mihainoa
Amena
72
Vita
VITA re ny avotray,
‘Zay nataonay ho anay,
efa koa ny didin-dRay
Jeao mihainoa
2.Raha tra-doza mba ampio
Raha ory mba tahio,
Mba ho masina ny fo
Jesoa mihainoa
3.Hazavao ny làlanay
Mandra-pahatapitray
Ny alehanay aty:
Jesoa mihainoa
Amena

73
Raiko ô, eo an-tànanapo no atolotro ny fanahiko
VITA re ny adinao,
ka ny ainao avotra
no atolotrao izao:
Jesoa mihainoa
2.Raha manaloka anay
Aizim-boatendrinao
Raha ho faty izahay:
Jesoa mihainoa
3.Aoka harahinay tokoa
Ny nataonao Jesoa soa,
Na aty na any koa:
Jesoa mihainoa
Amena

Mety hatao koa ny fihirana 200, 215, 217, 243


PASKA
74
Masina ho an’y Tompontsika ity andro ity
HE! Arahaba Andro Paska e!
Nandresen’i Kristy fahafatesana
2.Mpanjaka tsara Izy, ‘Zay
maty ho antsika;
Ka aoka mba hisaorana ny
Tompo be fitia
He! Arahaba ets
3.Koa aiza fanindronanao, ry
Fahafatesana
Fa noresen’i Kristy ‘zao ny
Herim-pasana
He! Arahaba, ets
4.Isika Kristiana, izay manaraka Azy
Dia velona ao aminy, ka tafatsangana
He! Arahaba ets
5.Koa aoka hariantsika ny asa maizina
Fa Kristy itafiantsika marina tokoa
He! Arahaba ets
6.Fa ny zavatra ao ambony aoka hokatsahintsika
Fa any ilay Mpanavotra iozay Fiainantsika
He! Arahaba ets.
7.Asandratray ny feony, mba hankalaza Anao
Ny saotra izay aterinay mba raiso, Jesoa ô!
He! Arahaba ets
Amena

143 75 134(i)
Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo
ALAHADY andronay
Haleloia!
Andro nitsangananao,
Haleloia!
Jesoa Kristy Tomponay,
Haleloia!
Ifalianay izao
Haleloia!
2.Ravoravo izahay, Haleloia!
Noho ny Mpanavotray
Haleloia!
‘Zay nitsangana ho anay
Haleloia!
Hanamarina anay Haleloia!
3.Izy no isaoranay Haleloia!
Izy ifalianay Haleloia!
Izy no arahinay Haleloia!
Mandra-pahafatinay
Haleloia!
Amena

133 76 134(ii)
Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty
TAFATSANGANA anio
Haleloia!
Jesoa Kristy Mpanadio
Haleloia!
Maty tamin’ny Lakroa
Haleloia!
Ho antsika meloka Haleloia!
2.Izy àry no derao, Haleloia!
Izy Tompo no hirao;
Haleloia!
Fa namoy ny Rainy tia,
Haleloia!
Mba hampody ny mania,
Haleloia!
3.Fa ny nijaliany, Haleloia!
Mahavonjy olona Haleloia!
Ka manjaka Izy izao,
Haleloia!
Ao ambony lavitra ao
Haleloia!
Amena

467 77 291
Raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesana isik, dia ho tahaka izany koa amin’ny
fitsangananay
HE! Hirao ankahitrio,
Kristy tafatsangana;
Mihobia, ry lanitra,
Mamalia, ry olona,
2.He! ny ady vita izao,
Resy re ny zafinao,
Ka miposaka indray
‘Lay mazava marina
3.Tsinotsinona avokoa
Vato sy mpiambina;
Kristy no nanokatra
Vavahadin-danitra
4.Tafatsangana indray
Jesoa ‘lay Mpanjakanay
Aiza re ry faty ô
Fanindronanao izao?
5.Maty Izy avotray
Voavely izahay;
Aiza aiza, ry fasana ô
‘Zany reherehenao?
6.Tsy harahintsika va
‘Lay Mpitari-dàlana
Ka hanahaka Azy aty
Hitsanganantika ary?
7.Arahaba, Kristy ô!
Ry Mpamorona vaovao
Hianao ny Tomponay
Hitsanagananay indray
Amena

625 78 135
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah, fa efa nanao fahagagana Izy
Haleloia! Haleloia! Haleloia!
HE! Vita re ny ady izao,
Ny faty efa resy re,
Ny feo mifaly no atao
Haleloia!
2.Nanaram-po ny faty teo
Fa Kristy naharesy ireo,
Ny fandreseny no derao
Haleloia!
3.Ny andro nahoriana e
Nisolo hery lehibe
Ka miderà izay mandre
Haleloia!
4.Ny gadra voatapany,
Ny fefy voaravany
Ka mihirà ny heriny
Haleloia!
5.Ry Tompo ‘lay fivatranao
Nanafaka ny olona
Ka hoderaina Hianao
Haleloia!
Amena

187 79 133
Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoertra ny fokoa; hihira sy hankalaza aho
HE, ry mino, mihirà
Mihobia mafy,
fa naelfa tampoka
zanak’Israely;
Afaka ny mafy re
Zanak’i Jakoba
Ka tafita rano be
Fa nomban’i Jehovah
2.Andro nihobiana
Nitsanganan’i Jesoa!
Rava re ny fasana
Natorian’i Jesoa;
Ka ny fhotana izao
Efa noresenao,
‘Zany anomezana
Saotra aman-daza
3.Andro lehibe ity,
Andro mahafaly,
Kristy efa santatry
‘Zay mba mody mandry
Ka ny fahafatesana
Ty mba manan-kery;
‘Sika izay navotana,
Tsy ho olom-bery
4.Izahay midera Anao
Tomponay Tsitoha;
Helokay no nentinao,
Tsy Anao ny ota;
Dera ho Anao toko,
Ry Mpandresy tsara,
Hery aman-tsaotra koa,
Haja sy ny laza
Amena

128 80 127
Voavono Kristy, Paska ho antsika
AO m-pasana soa
Ivorianay hanoa
Rian-dRa ‘zay avotray
Amelomana anay:
Rany no sotroinay;
Tenany no haninay;
Kristy no Mpisorona,
Kristy novonoina
2.Ao am-panidinan-drà
Tapitra ny tahotra;
Ary tsy ho kivy re
Raha hamaky rano be
Izahay mpanomponao
Noho ny ra nalatsakao
Hianao manatitra
Vatsy mofon-danitra
3.He ny faty resinao
Kristy “voavono ô!”
Helo voahitsakao
Hazavana nentinao:
izahay, matoky izao
fa nandresy Hianao;
Paradisa azonay
Santanao no namanay
4.Fiderana ho Anao
Tompo tafatsangana ô
Izahay ‘zay afakao
Tamim-pitsangananao
Enga ka harovanao
Amin’ota ho Aanao,
Dia hidera Anao tokoa
Sy ny Ray, Fanahy koa
Amena

134 81 140(i)
Efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay
JESOANAY no velona!
Resy hianao, ry faty
Ka ny olombelona
Tsy hotananao intsony
Haleloia!
2.Veloa Izy! Hatrizao
Ivoahan’(ny vavahady
Hiakarantsika ao,
Ravoravo, tapitra ady
Haleloia!
3.Velona Izy ankehitrio!
Na dia maty ho antsika
Miderà, ry fo madio,
Ny Mpamonjy Tompontsika
Haleloia!
4.Velona Izy! Ka ny fo
Mahalala avokoa
Raha mafy ny manjo,
Izy hahitany soa
Haleloia!
5.Velona Izy! Ka izao
Tafasandratra avo any
Asandrato, Tompo ô,
Izahay aty an-tany
Haleloia!
Amena

82 138
Efa nitsangana Izy
TAFATSANGANA, tafatsangana!
Afaka Izy nafatotra:
Tafatsangana! Tafatsangana!
Haleloia, miderà
Voatendry mba hamonjy
Olo-meloka
Maty tany Golgota
Jesao Masina
Tafatsangana! Tafatsangana!
Afaka Izy, nafatotra;
Tafatsangana! Tafatsangana!
Haleloia!, midera!
2.He! izao ny gadram-paty
Toro, rava, tapaka;
Faly koa ny ory
Noho ny nitsanganany;
Koa izao manjaka Izy;
Eo anilan-dRainy;
Fa ny Fiangonany
Dia mbola halainy:
Tafatsangana! Tafatsangana!
Ets
3.Revom-pihirana tsara,
Mponina ao an-danitra:
Fa ny Teny tonga nofo
No deraina tsy tapitra
Tafatsangana! Ka he,
kinta-marobe,
mba ekeo sy derao,
Jesoa lehibe!
Tafatsangana! Tafatsangana,
ets
Amena

642 83 726
Hihira ho an’i Jehovah aho
HE! Ry Kritiana
Mihobia re!
Lehibe ny andro
Andro Paska e
Efa velona Izy
‘Lay nijaly teo,
avy tao am-pasana
kristy dia niseho;
Mihira anejly;
Mba ho namanay:
Miderà ny Tompoi
Velona indray
2.Indro! Mangdalena
Nitomany teo
Afaka alahelo
Ka manandram-peo;
Lasa izy hilaza
Zava-dehibe:
Voakodia ny vato,
Hita Kristy re!
Mihirà, ry mino
Ka manaova hoe
Arahaba, Kristy!
Haleloia re!
3.Faly re ny tany
Feno zava-tsoa
Ka niravoravo,
Sambatra tokoa
Mody fifaliana
Alahelonay
Fa Ilay tsy hita
Hitanay indray
Miderà anjely
Mifalia re;
Andro mahafaly,
Andro paska e!

NIAKARANA
362 84 378
Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata hianareo,n ry varavarana fahagola, mba hidiran’ny
Mpanjakan’ny voninahitra
HE! Manadrata lohanao,
ry varavaran-danitra,
Fa avy ny Mpanjakanao
Ilay be voninahitra!
Fa Iza no Mpanjaka?
Fa Iza no Mpanjaka!
Ny Tompo lehibe
Mpamonjy, Mpanome
Mpandresy rafy marobe
2.He! manandrata lohanao,
Ry vavahady masina,
Fa avy ny Mpankajanao,
Mpandringana ny fasana!
Fa Iza no Mpanjaka?
Fa Iza no Mpanjaka?
Ny Tompon-danitra,
‘Zay Andriamanitra,
Mpanajaka sy Mpanavotra
3.Fa Jesoa no mipetraka
An-dapan-dRay ankehitrio,
Ka any no miondrika
Anjely tsara sy madio
Fa Jesoa no Mpanjaka!
Fa Jesoa no Mpanjaka!
Ry tany, manaja,
Ry mino, miderà
Ny Tompo voasandratra
Amena

523 85 179
Nakarina Izy raha mbola nijery izey ireo,
LASA Jesoa Tompontsika
Ao an-danitra tokoa,
Ka ny vonjy ho antsika
Lavorary avokoa
Lasa Jesoa, ka venteso
Hira, dera, saotra koa
2.Lasa Jesoa Tompontsika
Hanamboatra ary
Trano soa ho antsika
‘Zay voavony tety
Lasa Jesoa, ets
3.Lasa Jesoa Tompontsika
Mba harahintsika dia
Izy nialoha antsika,
Ka andeha, mifalia,
Lasa Jesoa, ets
4.Lasa Jesoa Tompontsika
Nefa re mijery ao,
Hiarovanay antsika
Raha misy rafy izao
Lasa Jesoa ets
5.Lasa Jesoa Tompontika
Ka miantso hoe: Avia!
Izy toro-làlantsika,
Ka izory re ny dia
Lasa Jesoa ets
6.Mba tsinjovy, ry mpanota
‘Lay tanàna feno soa
Misy ny Mpamela ota
Ka irionao tokoa
Lasa Jesoa, ets, Amena

145 86 148
Raha niaklatra ho any amin’ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo, ka nanome fanomezana ho an’ny
olona
HE! Miakatra mifaly
Ny Mpandresy lehibe,
Ka mitaingin-drahona Izy
Hiditra ny Lapany
Mba henoy ny Haleloia!
Hiran’ny anjeliny:
He mivoha ny vavahady
Mba hidiran-Tompony
2.Iza moa Ilay niakatra
Amim-pifaliana?
Kapitenim-piadanana
Sady Andriamanitra;
Voahombo teo ka maty,
Nefa velona indray:
Ka izany no nandreseny
Ny devoly rafiny
3.Raha vao hiakatra Izy
Mba handray ny lovany
Nitso-drano ny mpianatra
Vao niala taminy:
Enoka ho antsika Izy
‘Lay mpitoriteny soa
Sy mpanantra ny ratsy,
Lasan’Andriamnitra
4.Izy no Arôna koa
Miditra ny Masina,
Ka manatitra ny Rany
Avotry ny Eklesia;
Jesoa Izy ka mizara
Kanana ho antika re;
Izy Elia ka manolotra
Hasoavan-dehibe
5.Ka ny fomban’olombelona
Dia nakariny ary
Hiarahantsika hipetraka
Sy hifaly aminy:
Olona ilay manjaka
Nefa Andriamanitra,
Olona Ilay niakatra,
Mba hampakatra olona
6.Dera, saotra, laza koa
Ho an’Andriamnitra
Ray tsitoha sy Fanahy,
Ary Kristy Zanaka;
Olombelona sy anjely
No indray miredona,
Hankalaza sy hidera
Trinite isaorana
Amena
Mety hatao koa ny fihirana 146, 163, 172, 186,205, 209, 233, 234, 244

PENTEKOSTA
439 87 360
Ry Mpananatra, dia ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra,
FANAHY Masina ô!
Ny hevitray izao
Diovinao;
Hasino izahay
Alao ny tsininay,
Ka ny fanahinay
Onenonao
2.Fanahy Masina ô!
Tsinjovinao izao
Ny olonao
Mpanantra ô! Ovay
Ny eritreritray;
Ny hadisoanay
Esorinao
3.Fanahy hendry ô!
Atreho ‘zahay izao
Ka hazavao;
Adala izahay
Mania ny hevitray,
ka atoroy anay
Ny làlanao
4.Fanahy Masina ô!
Mba asehoy izao
Ny antranao
Be tahotra izahay,
Henoy ny hatakay,
Ka ny fanahinay
Onenonao, Amena

154, 156, 157, 347(ii)


88
Raiso ny Fanhy Masina
AVIA Fanahy Masina ô
Hitahy ny fanahinay,
Aidino afo velona,
Ka hazavao ny hevitray
Ny fanomezam-pitonao
Atero, ry Mpanasosotra,
Fa Hianao no nanome
Ny aina sy fiononana

Ampahirato izahay
Hahita ny hadiovanao,
Hosory koa ny tavanay,
Ho miramirana aminao

Sakano ‘zay manafika


Ka ampandrio ny taninay
Raha Hianao mitarika,
Tsy misy izay hanjo anay

Tariho mba ho fantatray


Ny Trinite Isaorana,
Ka dia hatao tsy tapaka
‘Lay hira tsy mitsahatra
Dera ho Anao anie!
Ray, Fanahy, Zanaka ô
Amena

27 89 152
Raha tonga ny Mpanantra dia Izy no hanambara Ahy
AVIA Fanahy ô!
Fanahy masina,
Midina eto aminay
Hitari-dàlana
2.Fa diso làlana
Ka ory izahay;
Ny sainay dia maizina
Ny fonay ratsy koa
3.Midina Hianao,
Ry Mpanazava anay
Hanaisotra ny aizina
Aty anatinay
4.Avia Mpananatra ô
Mombà anay tokoa
Ampahatsiarovinao
Ny teny mahasoa
5.Ry Mpampianatra ô
Ampionao izahay,
Ho tsara sady marina
Ny hianaranay
6.Mitomoera izao
Hanjaka aminay;
Izany indrindra, Tompo ô
No angatahainay Amena

155 90 156
Maniraka ny Fanahinao Hianao, ary manavao ny tarehin’ny tany
RY Fanahay Masina ô,
Mba midina Hianao,
Hanadiovanao anay;
Iizahay dia ory re,
Hianao no Mpanome
Aina hifalianay
2.Ry Fanahy Masina ô,
Satrin’ny mpanomponao
Mba handray Anao izao:
Raha misy manjo anay,
Raha trotraka izahay
Mpampiadana Hianao
3.Ry madio sy sambatra,
Iza no finaritra
Raha tsy onenanao?
Ratsy re ny hevitray,
Ratsy koa ny asanay;
Avy aminao ny soa
4.Mba sitrano izahay,
Ampodio ny herinay
Hamelomanao anay;
Mandrese ny ditranay
Hitarihanao anay
Tsy hod diso làlana
5.Mba avia, Tompo ô
Ka tahio ny olonao,
‘Zay mangataka ny soa;
Fa izay arovanao,
Manam-pamonjena izoa,
Ka mifaly aminao Amena

30 91 154
Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo
NY hery mahatahotra
Sy raho-maizina
No nanatrehanao, Ray ô
Ny Israelinao
2.Fa herim-pitiavana
Sy antra lehibe
Nynihavianao indray
Ho ato aminay
3.’Lay afo ‘zay nilatsaka
Tambonin’i Sinay
Dia satro-boninahitra
An-doha masina
4.Matevina ny rahona
‘Zay namoahanao
Ny feo nampangovitra
Ny voafidinao
5.Fa nony tonga Hianao
Fanahy Masina ô
Hitarika ao am-balanao
Ny ondrinao vaovao
6.Dia tonga tampoka indray,
Ka re ny feonao,
Mahery toy ny rivotra
Mifofofofo ao
7.Maneno’zao rehetra izao
‘Lay feo ankehitrio
‘Lay tsy mba itoerany
Izay tsy masim-po
8.Avia hianaranay
Fanahy Tompo ô
Mampahaladia ny sofinay
Handre ny antsonao
Amena
Mety hatao koa ny fihirana 142, 143,202,222,248

TRINITE
162 92 160
Ary tsy mitsahatra andro aman-alina izy nanao hoe: Masina masina, masina, ny Tompo Andriamanitra
Tsitoha, Izay taloha sy ankehitriny ary ho avy
MASINA, Masina, Masina, Tompo Tsitoha,
Amin’ny maraina isaoranay Anao:
Trinite Isaorana, lehibe, miantra
Persona telo Zanahary izay
2.Trinite Isaorana, ‘Zay derain’ny Santa
Eo anoloanao itsaohany Anao;
Eo analany satro-boninahiny,
Sy anajan’ny Serafima Anao
3.Trinite Isaorana, na dia takona aza
Ka tsy hita maso ny voninahitrao
Hianao no Masin, ka tsy misy hafa
Avo mahery, sy madio tokoa
4.Masina, Masina, Masina
Tompo, Tsitoha
Hoderain’ny asanao ilay Anaranao!
Trinite Isaorana, lehibe miantra,
Persona telo, Zanahary iray
Amena

501 93 163
Mihirà ho an’i Jehovah misaora ny Anarany
TRINITE Isaorana,
Hianao manapaka
Tany aman-tsitraka,
Mihainoa anay
2.Ry Mazava mahasoa,
Raha maraina misehoa
Manomeza anay tokoa
Ny tso-dranonao
3.Zanahary ô, tahio,
raha hariva mba ahio,
Hiadananay anio
Afa-keloka
4.Trinite Isaorana
Hazavao ny aizina,
Hanekenay marina
Ny fitaoamanao Amena
Mety hatao mandritra ny taona ireo

FESTAN’NY SANTA
5 94 403,47
(S.ANDREA)
Andre, rahalahin’i Simona
Petera no anankiray tamin’izy roa lahy izay nanaraka an’i Jesoa
TEO amoron’ny farihy
Jesoa no ninatso hoe:
“Ry Andre mirahalahy
Manaraha Ahy re”!
2.Sambatra izy ireo nanoa:
Nony re io feo io:
Sambokely sy harato
Dia nilaozany tokoa
3.Ton,ga mpanarato olona
Sy mpilaza zava-tsoa
Izy mirahalahy ireo
Ka dia Santa avokoa
4.Fa isika koa antsoiny
Ka henoy ny antso hoe:
“He! Ry zanako malala,
Manaraha Ahy re”!
5.Enga ka hiainga isika
Ka hanaraka ny feo,
Sy handroso isan-andro
Mba ho naman’izy ireo
Amena

611 95 612
(S.TOMASY)
Sambatra izay tsy nahita, nefa nino
TSY mbola hitanay tokoa
Ny tany soa ary,
Izay tsy misy ota koa,
Fa tsara noho ity.
2.Ny hazava-maharitra,
Tanàna mahasoa;
Ny Santa ao no sambatra,
Miadana avokoa
3.Ny làlana dia fantatray
Fa lavitra tokoa,
ka mihabe ny tahotray,
Fa be ny rafy koa
4.Tsy hitanay ny holatry
Ny nohomboana,
Nefa Hianao no Tomponay
Sy Andriamnitray
5.Finoana izoranay
Fa izy mba fahitana:
Hanarakla Anao’zahay
Ho afa-pahotana
6.Ny mino tsy mahita Anao
Lazainao sambatra:
Ka manomezà, Tompo ô,
Finoan-dehibe
7.Handroso aminay anie
Ny voninahitrao
Ka izahay izao anie
Ho ao an-danitrao
Amena

360 96 405
(S.PAOLY)
Ny feon’i Jehovah mampihorohoro ny efitra, ary miovy ny ala be
NY feonao, Jehovah ala be
Sy mampihorohoro
Ny tendrombohitra e
2.Ka trany koa Saoly
Lay loza be izay
“Koa “inona no hataoko”?
No teniny indray
3.Nirembiremby izy,
Amboadia teo;
Fa tonga zanak’ondry
Malemy fo sey feo
4.Midera anao, ry Jesoa,
Ny zanako izao,
F Hianao nandresy
Ilay naditra fo
5.Manako sy mameno
Izao rehetra izao
Ny tenin’i Santa Paoly
Mpanompo masinao
Amena

App 9 97 637
(NANADIOVANA)
Rehefa tapitra ny andro fidiovany, dia nbitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an’ny
Tompo
NY reny malala nitondra ny Zaza
‘Zay Lahimatoany teraka teo,
fa teto an-kianjan’ny tempolu malaza
Ny Lahimatoa stsy maintsy haseho
2.Mpanavotra Izy, kanefa nitondra
Domohina roa ho avony tao;
Ny Tenany aza nanara-dalàna
Hanavotra antsika ho afaka izao
3.Ka indro! Indro Ilay nantenainy
Ny anti-panahy, ka faly tokoa
Nilaza an’i Jesoa ho Fanazavana
Ny be sy ny maro sy avony koa
4.Ry Tompo malala! Mba diovy ny foko
Ateriko eto an-tranon’ny Ray,
Mba raisonao aho rehetra ho faty,
Handova toerana mandrakizay
Amena

178 98 679
(NANAMBARANA)
Arahaba, ry ilay nahasoavina, ny Tompo momba anao; voatahy samy vehivavy hianao
AVY tao an-danitra,
Indro Gabriely,
Irak’Andriamnitra,;
Lohan’ny Anjely
Hanambara zava-tsoa
Any Galilia,
Ka izao no teniny
Tamin’i Maria:
2.”Hianao no sambatra
Samy vehivavy!
Hanan-anaka hianao
Ka hitera-dahy,
Jesoa no anarany,
Ka ny fanjakany
Tsy mba hety tapitra,
Tsy hita lany”
3.Eva no voafitaka
Tao an-tanimboly,
Tamin’izy nankato
Tenin’ny devoly;
Tenin’Andriamnitra
No neken’i Maria,
Hampamonjy olona
Ka dia mifalia
4.Arahaba Kristy ô
Zanak’i Maria,
Naka fombanay Hianao,
Fomban’ny mpania,
Dera ho Anao, ry Ray,
Mbamin’ny Fanahy;
Hianao Mpitia anay,
Hianao Mpitahy Amena
221 99 450
Hatramin’ny ankehitriny dia hataon’ny taranaka rehetra ho sambatra aho,
RY reny tianay hianao,
Fa tian’i Jesoa koa;
Ny maro hankalaza anao
Ho sambatra sy soa
2.Ka hianao nandraisany
Ny nofon’olona
‘Lay nofo nijaliany
Hanavotra olona
3.Endrey ny hafalianao,
Raha naterakao
Ny Tompo Andriamanitrao
Izay Mpanavotrao
4.Ry Zanak’i Maria ô,
Midera Anao ‘zahay
Misaotra mankalaza Anao,
Fanahy sy ny Ray Amena

245 100 423

(S MIKALEY)
Tsy fanahay manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay mandova famonjena?
HE ny famirapiratan’ireo
Mponina an-danitra tsara sy fo
‘Reo tsy nanota, anjely madio
Tsara tarehy, mazoto am-po
2.Tsara ny feon’ny hira atao
Fa nifamaly ny Serafima ao;
Dera sy laza ateriny hoe:
“Masina, masina, masina e!”
3.He! ny tandapan’ny Tompo ary
Tonga mpanomponan’y zaza aty
Sady mpitondra ny olona hankao,
Tsy hosakanan’ny loza manjo
4.Andriamnitra masina ô
Tompon’ny maro an-danitra ao
Raiso ny hataka ataonay izao
Aoka izahay mba ho naman’ireo
Amena
Mety hatao koa ny fihirana 160, 233

204 101 427


(NY SANTA REHETRA)
Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?

IZA moa ireo mitranga


Fotsy toy ny helatra,
Ka misatro-bolamena,
Iza no anarany?
He! Henoy ‘lay hira hoe:
“Haleloia, Tompo ô!”
2.Iza ireo mitafy lamba
Toy ny haingon-danitra,
Fitafiana mazava
Sy mamirapiratra
Manan-daza sy madio
Taiza nihaviany?
3.Izy ireo nandàa ny ratsy
Tsy nanao ny mleloka
Fa nanaraka ny Tompo
Ka tsy nety ketraka
Fa nifaly izy izao
Aminao, ry Kristy ô!
4.Difotr’alahelo izy,
Nefa tsy namoi-fo;
Ory, nefa nana-kery
Tamin’Andriamnitra;
ka dia vita anekhitrio
ady mahareraka
5.Fa mpisorona izy ireo
Ka niandry teny eo,
Sy nijery ny tsitoha
Andro aman-alina, sambatra sy masina
Eo anatrehan-dRay
Amena

App 32 102 436(ii)


Indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo
anatrehan’ny Zanak’ondry
MBA henoy ny feo mihira
Ao an-dapa masina ao,
Haleloia Haleloia
Ho Anao, ry Tompo ô!
Olona tsy hita isa
Maro toy ny kintana,
Voatafy lamba fotsy
Sy misatroka avana
2.Patriarka sy mpanajaka
Mpanamboa-dàlana
Apostoly sy Profeta
Santa sy Evanjelista
Samy vory ao ireo,
Fa maharitra taty,
Dia midera indray miredona
An’i Kristy Tompony
3.Izy ireo nitondra mafy,
Nefa tsy m natahotra,
Fa ny ran’ny Zanak’ondry
Ory, lao, fadiranovana
Matin-tsabatra, afo koa
Nefa he! Ny herin’i Jesoa
Nandreseny fasana
4.Koa izao manjaka izy
Amim-boninahitra,
Fa nomena hosotroiny
Rano mahavelona;
Ny tarehin-Tompony,
Ka dia azy ho anjara
Fiadana-masina
5.Ry mazava soa indrindra
Sy Imanoelinay,
Lahitokan’ny Tsitoha,
Tena ikambananay
Ny hafenoanao aidino
Aminay hitsaohanay
Ray, sy Zanaka, Fanahy
Tompo Zanahary iray
Amena

187 103 133


Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ny lanitra
AOKA isika hihira izao
Fihirana tsara
Ho an’Andriamnitra
‘Zay derain’ny Santa
Fa ireo nahafoy
Aina mahafaly
Mba handray fiainana
‘Zay tsy hita lany
2.Na ny fanenjehana
Sy ny afo aza,
Tsy mba nampaninona,
Na nisakana azy,
Koa ny finoany
No nanandratra azy;
Sady hitsanganany
Faly dia faly
3.Manaraha azy re,
Ry mpianakavy!
Mba tsarovy ny lakrona
Amin’ny ho avy;
Iza tsy hiezaka?
Iza tsy ho tia?
Raiso ny fiainana
Ry miaramila! Amena

461 104 439(i)


Mifadia ny ady tsaran’ny finoana
INJAO! Mitari-tafika
Ny Tompo lehibe,
Ny sainy voavelatra
Ka manaraha re!
Fa iza no mandeha ao
Miaraka aminy?
Izay miaritra izao
‘Lay nijaliany
2.Indreo ny Marotiorany
Izay miantso hoe:
Ry Jeso ny fanahiko
Mba raisonao anie!
Raha azon-doza izy ireo
Nifona taminy
Ho an’izay nanenjika
Mba tsy harianay
3.Indreto ny mpianany
‘Zay tiany taty
Ny Tompo nanankinany
Ny tokiny ary
Natrehiny ny Sabatra
Ny herin’ny afo koa
Natolony ny tenany
Ho Azy avokoa
4.Indreo koa ny antitra
Sy zaza marobe
Mitafy voninahitra
Tsy mety lany e:
Mideza re ny làlana
Nalehany taty;
Ampio, ry Kristy, izahay
Hiaraka aminy. Amena

641 105 437


Misy vavolombelona marobe toy izany manodidina antsika toy ny rahona
MIDERA Anao ‘zahay, ry Jesoa ô,
Noho ny Santa lasa aminao
Izay nanaiky sy nanoa Anao
Haleloia!
2.Hianao no hetiny sy arony;
Hianao no Kapitenin’adiny;
Hianao ny fahazavany marina!
Haeloia
3.Aoka ny miaramilanao aty
Hiady tahaka azy handraisany
Ny satro-bolamena valisoa!
Haleloia!
4.He fiombona-mahafinaritra
Mifaly ireo, miady izahay
Nefa miray ihany aminao
Haleloia!
5.Mahazo toky ny mpanomponao
Na misy ady mafy aza izao,
Noho ny hoby re an-danitra:
Haleloia!
6.Rehefa vitanay ny ady aty
Ka mbna mialka sasatra ary
Faly izahay fa ao amparadisa!
Haleloia!
7.Fa kely sisa dia hiposaka
Ny Santanao mamirapiratra
Hiaraka aminao Mpanjakany
Haleloia
Amena
219 106 428
Hitsahatrea amin’izay nisasarany izy
RY Santa Soa! Ny tafika
‘Lay nentina ela tapitra
Ampinga mbamin-tsabatra
Nariana an-kafaliana
Ry Santa Soa! He! Sambatra
An-tongotr’i Jesoa velona!
2.Ry Santa Soa! Ny lalam-be
Be loza, mahasambatra,
No afaka tsy kivy re
Ny fonareo mionona
Ry Santa Soa! He! Sambatra!
An-tranon-dRay mipetraka
3.Ry Santa Soa! Tafita izao!
Efa mby an-tseranana
Ny rivotra misakana,
Na onja be, dia afaka
Ry Santa Soa! He! Sambatra!
Fa tafatody marina!
4.Ny Santa Soa miambina
Na maty aza ny tenany
Handeha hitsena Tompony
Ry Santa So! He! Mihira!
Ho avy izy faingana!
5.Ry Rainay ô, henoy ‘zahay
Ry Jesoa ô, ifony re:
Ry Parakleto, ombao’zahay
Mandeha ampahatahorana
Tariho hody izahay
Ry Tompo Andriamanitray
Amena

564 107 413


(S.BARNABASY)
Barnabasy...Zanaky ny fananarana
RY Tompo, Kapitenim-pamonjena
Isaorana anie ny Anarano
Noho ny maro ‘zay manolo-tena
Ka sahy misheo ho mpianatrao
2.Ireo ‘zay atokan’ny Fanhy
Mba hio mpitarika ny tafikao,
Izay mikely aina, tsy manahy
Mba hampandroso aina tsy manahay
Mba hampandroso ny Anaranao
3.Ireo be finoana, mahery
Mandatsaka miaramila vao
Izay mampionona ny manirery
Sy mampahazo namana ny lao
4.Indreo koa ny marobe mpanampy
Mora, miantra, sy mpamindra fpo,
‘Zay manazava ny mpanompo sampy
Ka manambara lova tsy ho lo
5.Naman’ireny indrindra ‘lay Levita
Nety nivarotra ny sahany,
Ho fiantrana ny namany ka hita
Ny Fitiavany ny Tompony
6.Ny asanao tsy very, Barnabasy
Fa mbola fianarany izao
Enga anie ho hainy Malagasy
Ny mba hanaranka ny dianao
7.Ny irakao, ry Tompo alefaso
Mba hampiononany ny namany
Mandra-panafanao ny ranomaso
Ary an-danitra fonenanay
Amena
KOMONIONA MASINA
98 108 313
Ny mofo izay vakiantsika tsy firaisana amin’ny Tenin’i Kristy va izany?
RY mino, mandrosoa handraisanao
Ny Tena sy ny Ran’ny Tomponao
2.Hisaorantsika anie ny Tsitoha,
Satria novelominy tokoa
3.Ny Ran’i Kristy hifalianao,
Fa resy re ny fahavalonao
4.Fa Izy no fanati-tsitrapo
Ilay Mpisorontsika masim-po
5.Na maro aza ny tandindona,
Ity no tena zava-marina
6.Mpanavotra Izy sy Mpamonjy koa
Ka mpanome ny fitahiantsoa
7.Koa manatona re, ry fo madio
Handraisanao io famonjena io
8.Fa Izy no Mpanavotra aty
Ka Mpanome fiainana ary
9.Ny rano y ny mofo velona
No famahanany ny noana
10.Ry Alfa sy Omega, Tompo ô
Aty am-ponay Hianao izao
Amena

302 109 322


Raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay
TSAROVANAY izao, Ray be fitia,
Ilay nividy anay tao Kalvary
Ka tonga ato ny Sakaizanay,
Izay mifona ho anay ary;
Atolotra ho Anao ankehitrio
Ilay fanati-tsitrapo madio
2.Jereo, ry Ray, ny Voahosotrao,
Sy izahay voadin’ny Rany soa:
Fa aza heverinao intsony re
Ny helokay mpanota tsy manoa
Fa indro! Avotray mipetraka ao:
Ny nijalian’i kristy Zanakao
3.Izany koa ny entinay anio
Hifona eo anatrehanao;
Izay malalanay, Ray ô, tahio
Ny mahadiso ary mba ovao;
Sao very ilay Lakrona sty mety lo
Homenao an’izay madio am-po
4.Indreto izahay mba entonao
Ho ao an-tongotrao Mpamonjy ô;
Ka aoka io fihina-masina io
No hanatrehanao anay izao;
Afaho’zay rehetra tsininay,
Mba ahitana Anao rahatrizay
Amena

473 110 321


Any amin’ny tany rehetra no hanaterana fanatitra madio ho an’ny Anarako
RY Rainay ao ambony
Henoy ny zanakao;
Aidino avy any
Ny fitahianao;
Mba diovinao ny fonay
Ho mendrika izahay
Hanatitra amin-dera
Ny Eokaristianay
2.Ry Jesoa Kristy Tompo
Tsinjovinao anio;
Indreto ny mahantra
Idino ka vangio;
Hianao no mofon’aina
Ianao dia tsy mandao
Fa manome ny ory
Ny Nofo sy ny Ra
3.Avia, ry Fanahy
Mba raiso ka tahio
Ny fanalamboady
Aterinay anio;
Avia, ka hamasino
Ny fon’ny olonao
Ka ampionony izy
Ambany elatrao
4.Ry Trinité Jehovah,
Tahio ny zanakao,
Fa izy dia mitady
Hiankina aminao
Fa Hianao no Tompo
Hianao no aronay;
Fa Hianao no toky;
Tsy kivy izahay
Amena

App 43 111 318


Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy
JESOA mofon-danitra ô
Vatsinay ny nofonao
Enga ka ho tanjakay
Hianao Mpanavotray:
Ka omeo
Anay anio
Io fihina-masina io
2.Jesoa voaloboka ô!
‘Lay fisotro marina
Hianao no manome
Fitahian-dehibe
Ampiraiso aminao
Izahay ‘zay sampanao
Amena

App 54 112 721


Andeha fa efa voavotra izao ny fanasana
RY Tompo Jesoa Kristy ô,
Voavelatra ny latabatrao,
Mba hanatonanay Anao
Hahita ny hamaminao;
Koa diovy re ny zanakao
Ho miendrika handray Anao
2.Fa Fanasana masina
Izay ataonao ho anay,
Ny Ranao sy ny Tenanao
Omenao hivelomanay;
Fa sambatra ny olonao
Mandray ny mofon-danitra
3.Indraindray dia foana
Ny zava-namboarinao,
Fa tsy mba ta-hanatona
Ny olona navotanao;
Kanefa izy, Tompo ô,
Ny antom-pijalianao
4.Mba hohajaina anie,
Ry Jesoa, ny latabatrao;
Tariho olo-marobe
Ho avy mba handray Anao;
Koa aoka mba ho hitany
Ny vonjy tadiaviny
5.Ka dia hidera Anao ‘zahay
Ry Ttrinite Isaorana;
Anao tokoa ny deranay,
Anao ny voninahitra;
Fa Hianao Mpanavotra
Hajain’ny olombelona
Amena

273, 331 312(ialt.)


113
Hoy Jesoa taminy: Izaho no Mofon’aina
NA dia tsy mendrika aza izahay,
Hisaotra Anao Mpamonjy tia ô,
Ny Fanasanao no itsaohanay
Ny fanatrehanao miafina
2.Hisaoranay anie Hianao,
Ry Mpanome ny mofo velona;
Fahano re, ry Kristy tsara ô,
Ka hatanjaho ny fanahinay
3.Aoka hosasan’ny Ranao izahay
Ry Loharanon’aina manadio;
Ampitomboy ny fitiavanay
Mba ho anay ny fiadananao
4.Ry Kristy ‘zay inoanay aty
‘Zao no irinay ho anjaranay;
Aoka hiojerenay mifanatrika
Ny voninahitra tsy takona
Amena

600 114 730


Izaho no mofo velona Izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona
mandrakizay izy
JESOA ô, Mpamonjy,
Ato aminay
Olona tsy miendrika
Itoeranao
2.Mba ampitomboy
Fanajana Anao
Aoreno mafy
Fitiavana
3.Fa indrindra omeo
Fahasoavana
Izahay malemy
Mba haharitra
4.Be ny soa nataonao,
Nanome anay
Tenanao sy Ranao
Hivelomanay
5.Raiso re ny saotra,
Azonay atao,
na tsy mendrika aza
Mba ho saotra Anao
6.Ka ampio, ry Jesoa
Izahay aty
Mba hatao tanteraka
Ao an-danitra
Amena

2(Mech) 115 311


Tahaka ny nanirahan’ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ny Ray, dia tahaka izany koa, izay
mihinana Ahy no velona amiko
NY Teny avy tamin-dRay
Izay nanafa-trosa anay,
Dia efa nody any indray
Fa vita izao ny avony
2.Raha mbola tsy natolony
Ny ainy mba ho avotra,
Nomen’ny mpianany
Ny tena mofon-danitra
3.Ny Rany sy ny Nofony
No tena izay natolony
Hohanin’ny mpianany
Tam-pitiavan-dehibe
4.Nateraka ho namana
Nomena koa ho hanina,
Nijaly mba ho avotra,
Mpanjaka sy Mpamaly soa
5.Mpamonjy ô, voavahanao
Ny varavaran-danitra,
Arovy ny mpanomponao
‘Zay mbola aty an-efitra
6.Aoka hoderaina Hianao
Ry Trinite Isaorana;
Ka aoka mba honenanay
Ary an-danitra aminao
Amena

317 116 310


Ny fihinan’ny mahery no nohanin’ny olona
HE! Ny mofon’ny anjely
No omena ho antsika
Mana avy ao ambony
Ni omena olona
2.Jesoa tena Mofo Velona,
Sy Sakaizan’ny mpanota,
Mba velomy, mba arovy,;
Izahay ety an-tany
Amin’ny fahasoavanao
3.Jesoa tena Mofo Velona,
Sy Sakaizan’ny mpanota,
mba diovinao ny fonay,
Hiarahanay midera
Amin-tSanta mandrakizay
Amena

459 117 479


Ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro
RY Jesoa Tompo Hianao
Isaorako tokoa izao:
Ny Ranao sy ny Tenanao
No nihinanako izao
2.Ry foko faly, ambarao
Ny soa azonao izao:
Jesoa no monina ao am-po,
Endre, ny hafaliako!
Amena

505 118 265


Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay
MANGETAHETA aho,
Ry Vatolampiko;
Ny hetahetaafaho,
R y Rano Velona

2.Ry Voaloboka ô,
Hianao no mamiko;
Ny fitiavanao
Mamelona ny fo
3.Fa reraka aho izao
Aty an-efitra;
Tomoera amiko
Ry Rano Velona Amena

79 119 323
Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ny tafo-tranoko aho
MBA mamindra fo aminay
Ry Jesoa Tompo ô
Fa tsy miendrika izahay
Hanatona Anao
2.Ny fonay mangatsiaka
Fa diso ny atao,
Kanefa re mahafaka
Anay ny teninao
3.Tsy miendrika tokoa ‘zahay
Ry Andriamanitra ô,
Kanefa omenao ho anay
Ny Ra sy Tenanao
4.Avia, ry Jesoa Masina ô
Ho ao anatinay,
Fenoy ny fitiavanao
Sy hery izhaay Amena

BATISA MASINA
Mangataha dia homena hianareo, mitadiava dia hahita hianaroe, dondony dia hovohana hianareo

120 325
Ry Ray Tsitoha, Zay namorona
Izao rehetra izao,
Mba mijere ny zanakay aty
‘Zay entina ho Anao;
Tariho hahazoany
Ny famelana ny helony,
Ry Raoinay ô!
2.Ry Zanaka, Zay maty ho anay,
Omenay ho Anao
Mba hotrotroinao ny zanakay
Ao amin-tsandrinao;
Aoka izy hotarihina
Hifidy làla-marina,
Ry Jesoa ô!
3.Avia koa, ry Parakleto ô,
Tahio ny zanakao,
Ka alatsaho re ny afonao
Mba hivelomanay;
Ka raha mbola zaza izao
Ataovy ho tempolinao,
Fanahy ô!
4.Ry Trinite Isaorana tokoa,
Miteny izahay,
Kanefa Anao ny faherezana
Hanefa teniny,
Koa tanteraho ho anay
‘Zay efa nangatahinay,
Jehovah ô!
Amena
148 121 293
Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamnitra
izy
RY Tompo ô, tsinjovinao
Ny mila famonjena,
Ka ta-hatao batisa izao
Satria manantena
Fa ho Anao mandrakizay,
No rava aza itony lay
Onenanany an-tany
2.Fa Hianao no tsy mandàa
Ny ory sy mpanota,
Nalatsakao ho azy ny Ra
Hanisotra ny ota;
Ka tonga izahay izao
Mitady mba ho diovinao,
Ka raiso re ny fonay
3.Mifona, Jesoa izahay,
‘Zay efa voaisa
Ho olonao izay mandray
Ho olonao izay mandray
Ny soan’ny Batisa;
Mampahereza anay am-po,
Mba tsy hilaozany ny to
Ampara-pahafaty
Amena

KONFIRMASIONA
341 122 388
Anaka, atolory Ahy ny fonao
ATOLOTRO Anao anio
Ny foko, Tompo tia!
Ka ahitio ny làlako
Fandrao maniasia
2.Jereo ny zanakao izao
Miondrika aminao
Ka mba vonoyny otaki,
Ry Kristy tsara ô
3.Hosory aho ho Anao,
Sy hasoavy koa,
Honenanako rahatr’izay
Anilan’ny Tsitoha
4.Ny teny, asa, hevitro
Tahionao avokoa
Mba hanompoakao Anao,
Raha mbola velona Amena

Mety hatao koa ny fihirana 87, 88, 89,90,219


MARIAZY MASINA
348 123 350
Ny mahazaka telo olona tsy mora tapahina
NY feon’ny Tsitoha
No nitahiany
Ny razana mivady
Vao noforoniny
2.Ka mbola amintsika
‘Lay feo mora re
Hitahy ny mpivady
Hahazo soa be
3.Raha misy re mpivady
Madio sy masina,
Homen’ny Tompontsika
Ny fitahiana
4.Atreho re, ry Ray ô,
Ny zanakao izao
‘Zay tonga mba hitady
Ny fampiraisanao
5.Atreho koa, ry Tompo,
Ka hamasinonao
Ny lahy sy ny vavy
Ho tena iray izao
6.Ry Parakleto soa
Avia, velominao
Ny fitiavan-tsara
Am-pon’ny olonao
7.Arovy isan-andro
Ambany elatrao
‘Reo olona mpivady
Atrehinao izao Amena

FANDEVENANA
514 124 362
Vahiny sy mpivahiny ety am-bonin’ny tany isika
RY mpisaona malahelo,
Mijere ny Tomponao,
Zay namindra ny malala
Mba ho ao an-danitra;
Mba fafao ny ranomaso,
Andrandrao ny lohanao
Mitsahara, ry mpisento,
Ka derao ny Tomponao
2.Sento no anajarantsika;
Izy re mifaly izao,
Afa-jaly, afaka ota,
Tapitra mba misy ranomaso
Na izay mahory koa;
Alahelo mba tapaho,
Ka derao ny Tomponao

3.Nofo noaterintsika
Ao am-pasana ao anio,
Ny fanahiny anefa
Tsy mba ao anatin’io,
Jesoa no namindra azy,
Lasany ny havano
Fa navotany ho Azy,
Ka derao ny Tomponao
4.Mangataha andro lava
Mba hiainanao aty,
Ary na ho faty azo
Miankina aminy,
Mba ho raisiny tokoa
Hiditra ao an-dapanay,
Sy hekeny ho sakaiza
Monina ao an-tranonany
Amena
Mety hatao akoa ny fihirana 28, 143, 159, 162, 165

ANDRO EMBERA
343 125 430
Ry rahalahy, mivavaha ho anay mba handehanan’ny tenin’ny Tompo fainagana
RY Tompo ao an-danitra ô,
Aidino ny Fanahinao,
Mba hitahianao izao,
Mpanompo voatendrinao
2.Ka raha ambarany ny to,
‘Zay voarainy taminao,
Aoka ho mazava sy madio
Ny tenin’ny mpitandrinao
3.Omeo azy zotom-po
Sy fahendrena Masina
Mba hitaondrany ao am-po
Ny olo-nahafatesanao
4.Mivavaka izy ka tahio
Mba tsy ho resin-tahotra;
Miambina izy ka ahio
Ny fiambenan-tsarotra
5.Ka raha tapitra taty
Ny fanompony Anao
Mba raiso ny fanahiny
Ho am-pelatananao
Amena

168 126 354


Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy
HE! Sahanao Mpamonjy ô,
izao rehetra izao
Ka be ny vokatra ao,
Fa vitsy ny mpanao
2.Indreto tonga izahay
Hivevaka aminao,
Haniraka aminao,
Haniraka ny namanay,
Hiasa ho Anao
3.Ny firenena marobe
Sy nosy mba tahio;
Indrindra fa ny taninay,
Ry Tompo ô, ahio
4.Tariho ny Evekenay,
Omeo herim-po
Hanohitra ny sandoka
Hanonana ny to
5.Ny Presbyteranany ombao
Ny sainy hazavao
Omeo ny Dikonay
Ny zotom-po madio,
6.Tariho re ny olonao
Hihaino sy hanoa,
Mba hahitany aminao
Ny asa mahasoa
Amena

FANATERAM-BOKATRA
587 127 386
Indro nivoaka ny mpamafy mba hamafy
NAMAFY ny mpamafy
Ny voa naniry teo,
Ka herinandro maro
Vao nitsimoka;
Tezain’ny masoandro
Sy ranonorna
Izao dia soa maharavo
Ka he! Mba vokatra
Derao ilay Mpamonjy,
‘Zay Mpanome ny voa
Miaro sy mitahy
Ho tonga vokatra
2.Niainga Ilay Mpamafy
Nitondra voa koa,
Nandeha ra’lay Tànana
Namafy teny soa:
Ny voa ao am-pontsika
Afafiny izao;
Koa aoka ho be ny vokatra
Ho valin’ny natao
He! Tsara re ny tany
Mahavoka-java-tsoa,
Ka tsara koa ny saotra
‘Zay vokatr’aina koa
3.Tsy ela ilay Mpamafy
Ho avy hijinaja koa,
Koa faly izy haka
Izay amboara soa;
Ny tena vary tsara
Hotehiriziny,
Izay akofa kosa
Tsy mba horaisiny
Mpinjinja sy Mpitsara!
Vonjeo izahay
Raha tonga fararano
‘Lay andronao izay
Amena

275 128 554


Ny fararano dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia ny anjely
Ry Tompom-pahavokatra ô,
Misaotra Anao ny olonao
Fa voarainay taminao
Fa vokatry ny taninay;
Ka Hianao isaoranay
Fa be ny soa raisinay
2.Ny voa maina nentinay
Nafafy tao an-tsahanay
Dia novelominao tokoa,
Fa avy taminao ny soa;
Ka toy izany, Tompo ô,
Ny maty hovelominao
3.Mazava re ny anatrao
Lazain’ny fanoharanao:
Ny irakao hanangona
Ny olonao mba hotsaraina;
Ny tsara no horaisinao
Ny ratsy dia harianao
4.Ka isan’andro izahay
Mangataka ny haninay
Mba hamahananao tokoa;
Ny tena sy fanahy koa;
Ka aoka hovelominao
Izay miankina aminao
Amena

293 129 383


Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao, ary Hianao manome azy ny haniny amin’ny fotoanay
MAMAFY re isika
Ny voam-bary soa
Kanefa ny mpandena
Dia Andriamanitra;
Ateriny ny orana
Sy hfanana koa
Mba hahavokatra azy,
Handraisantsika soa
Ny zavatra rehetra
Omen’ny Tompo tia,
Ka aoka mba hisaorana
Jehovah be fitia
2.Fa Izy no Mpanefa
Izao rehetra izao
Ny kintana mazava,
Ny voninkazo ao;
Ny rivotra mahery
Mandre ny teniny:
Tsy misy zava-bery
Izay tsy fantany
Ny zavatra rehetra ets
3.Misaotra Anao ry Tompop
Ny zanakao izao;
Efa zonay ny vary
Izay naterinao;
Misaotra dia misaotra
Anao ny zanakao;
Tsy hainay mba hisaina
Ny fitahianao
Ny zavatra rehetra, ets
Amena

532 130 381


Izay manome hanina ny nofo rehetra, fa mandrakizay ny famindrampony
AOKA mba hisaorana
Tompo Andriamnitra,
Fa tsy manam-parany
Fombam-pitahianay
2.Izy no namorona
Lehy masoandro soa,
Fa tsy manam-parany
Fombam-pitahiany
3.Ka nanao ny volana
Hanazava alina,
Fa tsy manam-parany
Fombam-pitahiany
4.Izy no nandatsaka
Ranomaso hahasoa
Fa tsy hanam-parany
Fombam-pitahiany
5.Izy no mahavokatra
Tany anafazana,
Fa tsy hanam-parany
Fombam-pitahiany
6.Izy no andraisana
‘Zay rehetra ananana,
Fa tsy hanam-parany
Fombam-pitahiany
7.Izy no Mpanatitra
Mofo mahavelona,
Fa tsy hanam-parany
Fombam-pitahiany
8.Koa Jehovah Mpanome
Aoka hoderaina re!
Fa tsy hanam-parany
Fombam-pitahiany
Amena

Mety hatao koa ny fihirana 156, 194, 224, 225, 234, 236, 250

FITOKANAN-TRANO FIANGONANA
632 131 719
Jehovah ô, tiako ny fonenan’ny voninahitrao
ITY natsangana ho Anao,
Naorinay ho tranonao
Ry Tompo ô, ka mba jereo
Sy hamasino ho Anao
2.’Zay tonga aty an-tranonao
Hifona noho ny otany,
Henoy ary an-danitra
Ka mamelà ny helony
3.Ny irakao miasa aty
Omaby ny fitahianao;
Ny teny hotorina aty
Hitaona anay ho olonao
4.Atreho re ny olonao,
Ka aoka ho tranonao
Ny fo sy ny fanahinay,
Fa fo no trano tianao
Amena
Mety hatao koa ny fihirana 142, 146, 155, 163, 180, 211, 225, 236

HATAON’NY ZAZA
137 132 341
Ny ankizy madinika niantso ka nanao hoe: Hosana an’ny Zanak’i Davida
AVIA, ry zazakely,
Rankizy, mba avia,
Mahaiza re midera
Ny Tompo be fitia;
Ankizy no nihira
‘Lay fihirana hoe:
“Hosana an’i Kristy,
Mpanjaka lehibe”
2.Antonona sy mety
Ny fiderananareo
Ilay Mpanjakantsika;
Ka manandrata feo,
Miendrika hoderaina
Ny voninahiny,
Fa Izy no Mpamonjy
Antsika zanany
3.He, ry zatovolahy,
Mba mahereza re;
Fa Jesoa koa niasa
Tam-pahasasaram-be;
Ny zazavavy kosa
Ho maotina sy madio
Am-pahamoram-panahy
Sy faharetam-po
4.Tsy ela dia ho hita
Ilay tanàna soa
‘Zay hivorian-jaza
Hifaly avokoa;
Ry Jesoa ô, mba diovy
Ny fon’ny zanakao,
Mba hohirainy any
‘Lay fihiram-baovao
Amena

594 133 330


Ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra
NY tenin’ny anjelty
Henoy ry namako,
Fa tonga Jesoa Kristy
Hamonjy olona
Na dia malemy aho,
Dia fantatro tokoa
Fa te-hamonjy zaza
Ilay Mpanjakako
Ny tenin’ny anjely
2.He tonga zazakely
Ny Tompoko taty
Mba ho madio tahaka Azy
Ny ondrikeliny
Ka raha mazoto aho
Manaraka Azy aty
Hitarika ahy kosa
Ny fahasoavany
Ny tenin’ny anejly ets
3.Na dia tsy hita aza
Ny Tompon-danitra,
Ny hirantsika ankizy
Dia honenany:
Ka dia hianatra aho
Midera Azy aty
Ho zatra ny midera,
Rehefa tonga ary
Ny tenin’ny anjely, ets
Amena

607 134 337


Jesoa niantso zazakely, anankiray haneko aminy, dia nametraka azy teo afovoany
MISY Sakaizan-jazakely
Ary an-danitra,
Sakaiza tsy miova,
Fa tia fatratra:
Ny zavatra rehetra
Miova avokoa,
Fa izy no mitoetra
Maharitra tokoa
2.Ka ny zazakely tsara,
‘Zay tia ny Ray aty
Hiala sasatra any
Ho sambatra tokoa;
Fa afa-pahotana
Sy alehlo koa,
‘Zaytonga amin’i Jesoa
Mpandry ondry soa
3.Misy fitsaharan-jaza
Ary an-danitra,
Ny Tompo no Mpanjaka
Be voninahitra
Aty tsy misy tsara
Hoharina aminy:
Fo faly ravoravo
Izay ananany
4.Misy satro-bolamena
Ary an-danitra
Ka hisatrohan-jaza
Am-pifaliana;
Omen’ny Ray izany
Mba hanehoany
Fa tia ny zaza Izy
‘Zay tena zanany
5.Misy fihirana tsara
Ary an-danitra
Hiraina lalandava
Tsy mahasasatra;
stay azon’ny anjely
hatao io hira io
fa tsy Mpamonjy azy
Fa Tompo Jesoa tia
6.Misy lamba tsara homena
Ny zazakely soa,
Lokanga volamena
No tendreny koa;
Ry Jesoa, asandrato
Ny zazakelinao,
Ka ento mba hahita
Ny voninahitrao Amena

FIHIRANA
425 135 266
Rahona no nitondrany azy raha atoandro, sy afo mahazava nony alina
TARIHO, ry Mazava mahasoa
Ny diako,
Fa sarotra sy maizina tokoa
Ny làlako:
Tsy te-hitazana ny lavitra,
Raha Hianao miotari-dàlana
2.Taloha tsy nivavaka aho hoe:
Tariho aho;
Ny hita nofidiko, fa izao
Tariho aho;
Aza ny lasa no tsarovanao
‘Zay nanarahako ny sitrako
3.Efa ela aho tsy foin’ny herinao
Tariho aho
Hamaky efitra, ala, riaka, raha alina,
Mandra-pahitako ny havako
Malala ary ‘zay efa lasanao
Amena
App 9 136 643(ii)
Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo Izy
JESOA Mpamonjy Mpiandry tokoa,
Ampivereno hanaraka Ano
Ondry marina manary ny soa,
Aza avela hiala aminao
2.Taomin’ny ratsy, fitahiantSatana,
Mila ho lasan-ko babo’zahay :
Fa Hianao no mahery mitana,
Tsy hahavery ny ondry izay
3.Varivariana, salasalaina
Be ahiahy, jereo izahay;
Ampianaro ny tsy ary saina
Ampitsaharo ny fanianay
4.Aina nomenao hisolo ny very,
Ary ny Ranao nanavotra anay,
Fa Hianao no nitondra irery
Fampijaliana hanitsy anay
5.Fa ny fiainan-tsi-hita resenao;
Velona mandrakizay Hianao;
Dia fiainana an-danitra omenao
‘Zay ondry mety manaraka Anao
Amena

77 137 284
Mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko eto amin’ny tany maina sy mangetana
AN-DANITRA ny Ray,
ka takona ety;
Mba ento aho, Kristy ô
Ho any aminy
2.Ny foko sasatra
Te-hody ao izao
Fa feno fitiavana
Anao, ry Ziona ô!
3.Fa làlan-tsarotra
Izorako aty
Ka hodidinin-doza be,
Vao tratra ny aty
4.Ry Tompo be fitia!
Iriko Hianao
Mpiandry tsara ô! Avia
Tahio ny ondrinao
Amena

378 138 345


Ankino amin’i Jehovah ny làlanao
AOKA ho an’Andriamnitra
Ny fahendrena ny làlanao,
Fa hovimbininy hianao
Amin’ny lalan-tsarotra;
fa toky tsy mamitaka
Ny tenin’Andriamnitra
2.Fa inona no azonao
Amin’ny fitahianao?
Tsy afaka ory hianao
Noho ny fisentoanao;
Na be herehina hianao,
Ho be ny alahelonao
3.Lefero kely, maneke
‘Zay sitrak’Andriamnitra;
Ny zavatra tinendriny
Tsy maintsy mahasoa anao;
Isika no finidiny
Ka ty ho foiny indray
4.Fa fantatr’Andriamanitra
‘Zay andro hifalianaa;
Isika no hodioviny
Amin’ny fahoriana;
Tsy maintsy hofantenanan
Vao afa-pahoriana
5.Koa aza atao fa hianao
Afoin’Andriamnitra,
Fa Izy dia mananatra
Ny zaza izay tiany:
Ka dia mba manomana azy
Handova ao an-danitra
6.Misaora ny anarany,
Ka aza ketraka hianao,
Fa ho tanteraka aminao
Ny soa lazain’ny teniny;
Fa toky tsy mamitaka
Ny tenin’Andriamnitra
Amena

App 21 139 368


Ny tsara no iriny, dia ny any an-danitra
AIZA no halehantika
Handosirana ny faty,
Hisatroham-bolamena,
Hitafian-damba fotsy?
Any misy tany soa
Lavitra ny loza koa
2.iza re no Tompo any,
Tompon’ny anjely soa,
Hanome ny lova antsika
Ho vantanina any koa?
Ray sy Jesoa Zanaka,
Sy Fanahy Masina
3.Lavitra ny tany any,
Sarotra izay haleha,
Iza no hivimbina ahy
Hahatonga ahy tsara?
Jesoa no Mpitarika
Tsy ananan-tahotra
4.Ka ahoana no fandroso
Nefa simban’ota aho?
He! Maloto re ny foko
Sao tsy sitraky ny Tompo?
Izy mahadio anao
Sady ta-handray anao
5.Eny, Jesoa, raiso aho,
Mamelà ny ota maro
Mila, hahafaty ny any,
Tsy handraisako ny any
Eny, matokia re,
Afaka ny helokao
Amena

App 16 140 477


Dondony dia hovohana hianareo
MIVOAHA re ny lanitra
Hidiranao, ry ory ô!
Ka miezaha fatratra
Sao very hianao izao
2.Avia mba handonaizao
Fa ao Ilay Mpihaino soa
Hihaino zay fandonanao;
Fa Izy dia hamoha koa
3.Avia re hatoninao
Ila Mpanjaka mora fo
Sy be fitia honenanao
Handraisanao ny indra-fo
4.Ao aminy no feno soa
Ho fialanao sasatra
Ka mankanesa ao tokoa
Honenanao an-danitra
Amena

486 141 222


Hofafan’Andriamnitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony
HE! Vita, eny vita
Ny ady mafy teo:
mivoha re ny lanitra
hidiran’izy ireo;
Mpiady sy mpandresy
Mitafy laza izao
Ireo alinalina
Izay miakatra ao
2 Akory re ny feo
Miredona ery!
Ny Haleloia fiderana
Tsy tapitra ary;
Fa tonga re ny andro,
‘Lay andro lehibe
Ny ranomaso afaka,
Ny saona tsy mba re
3.Ny nody mandrty ela
Mihaona aminay:
Tsy hisy hampisaraka
‘Zay tafahaona indray;
Mifaly ny kamboty
Fa tsy kamboty izao
‘Zay maty havana taty
Tsy maty havana ao
4.Vitao ny fanomnejnao
Mpamonjy tsara ô!
Ny isan’ny tsara ô
Ny isan’ny voafidinao
Taperohainagna!
Avia, misehoa ,
Te-hody izahay,
Ilay irin’ny firenena
Izay Mpanjakany
Amena

489 142 215


Kristy no Lohan’ny Eklesia
NY lohan’ny Eklesia
Dia Jesoa Tompony
Ny Rano aman-teny
No iorenany;
Nitady azy Izy
Ho ampakariny,
Nalatsany ny Rany
Ho avo-tsoany
2.Na be ny firenena
‘Zay ihaviany,
Iray ny famonjena
Izany inoanay,
Iray ny antenaina,
rehefa mby ary,
Iray ny mofon’aina
Izay fihinany
3.Na dia mba hita aza
Ny fisarahana ao
Na dia tsy manan-daza,
Fa ory sady lao;
Miambina ny Santa
Ka mitaraina hoe:
“Aza avela ry Mpamonjy,
Avia ka mamonje”
4.Tsy ela dia ho hita
Ilay Mpitondra soa;
Tsy ela dia ho vita
Ny ady loza koa;
Ny rafy horeseny,
Ny jaly tapitra,
Ka izy ho tonga eny
Amim-pitsaharana
5.Iraisanay anefa
Ny Telo ‘Zay Iray,
Sy Santa izay nahefa
Ny ady lasa izay
Ry Tompo hasoavy
Ny fonay olonao,
Ka amin’ny ho avy
Mba raiso ho Anao
Amena

513 143 399


Mamelà ny heloky ny olonao izay nanota taminao
RAHA mafy ny manjo,
raha be ny hovitray,
raha malahelo fo,
Mihainoa, Jesoa ô!
2.Endrikay notafinao,
Nentinao ny entanay,
Nitomany Hianao
Mihainoa Jesoa ô!
3.Raha ory izahay
Ka ny fitarainanay
Tonga eo an-tsofinao
Mihainoa Jesoa ô!
4.Mafy ny nanjo Anao
Nefa tsy mba meloka;
Helokay no nentinao
Mihainoa, Jesoa ô!
5.Voahombo Hianao
Voatsindron-defona,
Nandry tao am-pasana
Mihainoa, Jesoa ô!
6.Raha tapitra aminay
Ny fe-taom-boatendrinao,
Aza mba mandao anay
Mihainoa Jesoa ô!
Amena

572 144 307


Menaka manitra voadidina ny Anaranao
MPAMONJY ô! Tsy hita,
Kanefa tianay,
Anara-mani-pofona
Sy voninahitray!
Anao ny haja, hery,
Anao ny laza koa
Ny hoby sy ny dera
Anao Mpanjaka soa
2.Mpitondra famonjena,
Anay ny avotrao;
Tsy takatry ny saina
Ny fitiavana:
Anao ny haja, hery, ets
3.Fa tsara dia tsara
Ny fahasoavanao,
Ambony dia ambony
Ny voninahitrao;
Anao ny haja, Hery, ets
4.Ry Jesoa, tanteraho
Ny fanirianay,
Ka ento izahay
Ho ao an-dapanao,
Hanati-panajana
Sy hankalaza koa,
Hihoby sy hidera
Anao Mpanjaka soa
Amena

App 59, 259 264, 8


145
Hatao anie ny sitraponao
NA mafy no manjo
Sy lavitra ny diako,
Aoka hankalaza, Raiko ô:
Hatao anie ny sitrakao
2.Na be ny alaheloko,
Sy maizina ny làlako,
Izao no fivavako:
Hatao anie ny sitrakao
3.Na ory aza sady foin’
Ny havako malalako;
Izany no hanaovako:
Hatao anie ny sitrakao
4.Ka raha toa hesorinao
Ny tiako indrindra izao,
Anao izay ananko:
Hatao anie ny sitrakao
5.Tahio re, ry Fanahy soa,
Ny foko reraka tokoa!
Ny sisa ankinina aminao:
Hatao anie ny sitrakao
6.Ny sitrapoko diovinao,
Mba hanekeko ny Anao
Dia sty ho sarotra ny hoe
Hatao anie ny sitrakao
7.Dia raha tapitra andro aho,
Ilay fonena-masina
Hanaovako ny vavaka:
Hatao anie ny sitrakao
Amena

228 146 396


Nahita aho, fa indro Jerosalema vaovao nidina avy tao an-danitra
FIZARANA I
RY, Salema volamena,
Ry tanàna feno soa
Voaorina ao ambony
Rafi-bato velona
Voahodidin’ny anjely
Voahaingo ffatratra!
2.Indro voaomana izy
Toy ny ampakarina
Ka mivoaka ao hitsena
He! Madio manganohano
Lalam-be sy mandany
3.Perla soa sy vavahady
Ka mamirapiratra,
Sy mivoha lalandava
Andro aman-alina:
‘Zay nenjehina tan-tany
Miditra any aminy
4.Voapaika sy voadidy
‘Reo vato velona
Ka nalain’ny Tompon-trano
Tompo-marika mahay,
Handravahana ny Lapa
‘Zay honenan’izy ireo

FIZARANA II
5.Kristy no Fehizoro
Sady Fanorenana
Voahositr’i Jehovah
Hampiray ny manda roa
Izy ihany nio Mpiaro
Izy ny Ampingany
6.He! henoy ny fihiorana
Entin’ny anjely soa
Hideranay ny Tanaàna
Tian’Andriamnitra;
Izy Iray kanefa Telop
No derain’ny mponina ao
7.Ry Mpamopnjy ô, avia
Ato aminay izao:
Noho ,ny fonao be fitia
Raiso ny mpanomponao:
Aoka re ny famonjenao
Honina ato aminay
8.Aoka ho azonay rehetra
Zavatra angatahinay;
Aoka hioimbona anjara
Amin-tSanta izahay,
Hiarahanay manjaka
Aminao mandrakiray,
FARAN’NY FIZARANA RO
9.Dera, saotra, laza koa,
Ho an’Andriamnitra!
He! Ny Santa sy anjely
No indray miredona,
Mankalaza sy midera
Trinite Isaorana!
Amena

App 18 147 254(ii)


Mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo
fitsaharana
HE! Avia, hoy ny Tompo,
Ry vahiny ô!
Miadàna, ry mpanompo Sasatra
2.Moa ho fantatro va Izy
Raha hita re?
Indro, tena voahombo
Mafy e!
3.Moa misy diadema,
Ravan-dohany?
Misy diadema tsilo
Aminy
4.Raha hitady Azy aho
Inona no soa?
Alahelo, ranomaso
Be tokoa
5.Ary amin’ny ho avy
Raha tànako?
Diadema manan-daza
Tsy ho lo
6.Raha te-ho Azy aho
Moa holaviny?
Sanatria! Manaria
Tahotra
7.Hotahiny va ny ory
Raha misy manakao?
Tsy ho laviny akory
Hianao
Amena

380 148 302


Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho
MISY tany soa alhe
Tany feno soa tokoa:
Tsy manasatra mpandeha
‘Zay tonga any enin-tsoa:
Ka andeha,
Mba hifaly any koa
2.Misy tany soa fifidy
Tsara noho ny aty,
Fanome fa tsy amidy
Raha katsahina aty;
Ka fidionao,
Fa homeny ho anao
3.Misy tany soa homena
‘Zay manaraka ny Ray,
Ka tanàna volamena,
Tany maha-ta-handray;
Ka ny mino
Honina ao mandrakizay,
4.Misy tany soa ho azo,
‘Zay honenana amin-dRay,
Ka ny mino ta hahazo
Trano soa fa tsy mba Lay;
Miezaha
Mba ho any hianao
Amena
404 149 375
Ny làlan’ny didinao no ihazakazahako, raha ampahalalahinao ny foko,
RY Ray malala! Asehoy
Ny hasoavanao
Sasao ho afa-keloka,
Ekeo ho zanakao
Ho mafy ny fiezakay
Handia ny làlanao;
Tsy hisy hijanonay,
Raha tsy an-tranonao
2.Ry Ray mala! Mba henoy
Ny feonay zanakao;
Tanatano aoa an-dàlana
Hankany aminao
Ho mafy, ets
3.Ry Ray malala Hianao
No hasambaranay;
Ny avotra ain’ny Zanakao
No itokianay
Ho mafy,
ets
Amena

369 150 282


Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana hahazoako tombony
RAHA maizina ny làlana
Jehovah Tompo ô,
Hianao no iankinana,
Hianao no jiroko
2.Tsy hitako izay hanjo
Fa takona amiko
Ny andro sisa iainako
Izay nalahatrao
3.Na mbola ela velona,
Na maty hainagna,
Ny zarako voatendrinao,
Tsy te-hiofidy aho
4.Fa Kristy ivelomako,
Raha mitoetra;
Ny faty tombon-dahiko,
Fodiaana amainao
5.Ny fanompoakao aty
Tsy mahavesatra ahy,
Tsy maika te-hiala aty
Raha tsy antsoinao
6.Raha tapitra ny androko,
Dia tsara lavitra
Ny mody any aminao
Hiala sasatra
7.Ny sitrakao no sitrako,
Jehovah Tompo ô,n
Ny teninao andrasako
Hianao no tokiko
Amena

526 151 357


Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana
AVIA, ry mpitomany e
‘Zay malahelo fo
Fa Jesoa hampitsahatra
Ny ranomasonao
Ny teo an-tendrombohitra
Ny Tompo nanao hoe:
Falia sy ravoa tokoa,
Fa ha ny valisoa
2.Ry malahelo marina
Harena ho anao;
Ny fanjakan’ny lanitra
Hatao anjaranao
3.Dia maleme fanahy koa
Ny avonao ario;
Fa Jesoa hanome anao
‘Zay lova soa tokoa,
Fa teo an-tendrombohitra, ets
Amena

597 152 331


Manamora noho ny mpanddresy isika amin’ny alalan’Ilay na antsika
JEREO ny fahavanlonay
Izay miady aminay,
Fa maro ka tsy tohanay
Fandrao ho resy izahay
2.Fa to,nga Jesoa herinay
Ilay Mpandresy lehibe,
Ka niandany taminay,
Dia naharesy izahay
3.Jereo ny fahorianay,
Ny vokatry ny helokay,
Izay manjo anay aty
Ka dia ory izahay
4.Fa he! Ny fifalianay,
Izay mihira aminay
Nomen’i Jesoa Tomponay
Ka dia faly izahay
5.He! tonga Jesoa aronay,
Nitondra soa ho anay
Sy nampahaaritra anay
Ka dia sitrana izahay
6.He! tonga Jesoa avotray
Manolotra aina ho anay
Ho famelomana anay,
Ka dia velona izahay
Amena
App 70 153 726
Nentiny ho any amin’ny fiodiana niriny izy
O! Ry mpivahiny
Sasatra aty,
He! Ankehitriny
No aleha ary;
Aza mba malaina
Hody hianao;
Fa ny sambon’aina
Maka anao izao
2.Jesoa Sambon’aina
No idironao;
Izy vonjy aina
Ka hantoninao;
‘Zay mihazonaeto
Mba afoizo izao,
Ka andeha hody
‘Zao anio izao
3.Tsy ho afaka ory
Hianao aty,
Maro ny mahory
‘Zay manjo aty
Ka ilaozy eto,
‘Ndeha ho ary;
He! Vahiny eto,
Mponina ary

395 154 218


Mivavaha, ka aza mitsahatra;
ASANAY ny vavaka,
Fangatahany ny soa;
Izahay tsy ketraka,
Fa mba hahazoto koa;
Ny irinay betsaka
Dia aseho avokoa
2.Asanay ny vavaka,
Fa isaoranay Anao
Noho ny soa betsaka
Azonay tan-tànanao,
ka hatao tanteraka
ny fisaoranay Anao
3.Asanay ny vavaka,
Mofon’aina ho anay,
Rano mahavelona
Raha reraka izahay:
Izahay tsy sasatra
Mankato ny didinao
Amena

App 20 155 240


Endrey ny hatsaran’ny tabernakelinao, Jehovah Tompon’ny maro ô!
TSARA e, ny lapanao
Takona ao an-danitra;
Tsara ny toeranao
Ao am-pon’ny olonao;
Anao ny fanahiko,
Sady te-hahita re,
Kristy, ny tarehinao
Sy ny Santa marobe
2.Faly e, ny vorona
‘Zay mihira anilanao;
Faly e, ny olona
Monina ao an-tranonao
Trano fiarovana
Raha tsy an-danitra
Amin’ny Andriamnitra
3.Sambatra ny olonao
‘Zay midera Anao aty
Handovany ,ny ary;
Izy no velominao
Izy no tarihinao
Mandra-pahatongany
Ao an-tongotrao, Ray ô
4.Aoka mba harovanao
Izay mpanomponao
Aoka mba hapetrakao
Izahay anilanao,
Masoandronay tokoa,
Sy ampinga mafy koa,
Maneho, Tompo ô
Aminay ny herinao
Amena

212 156 655


Tamin’ny voalohany Andriamnitra nahary ny lanitra sy ny tany
NY masoandro lehibe,
Ny volana aman-kintana
Nataonao hampiuravaka
Ny andro aman-alina;
Ny lanitra ao amboninay
Ny tany izay hitsahinay,
Dia rano ‘zay sotroinay,
Dia asanao, Jehovah Ray
2.Ny voninkazo manitra
Ny voninkazo mamy koa,
Ny bozaka aman-ahiotra,
Ny ala mikirindo koa,
Ny biby voajerinay
Ny vorona ‘zay tsinjovinay,
Ny hazandrano fantatray,
Dia asanao, Jehovah Ray
3.Ka noho ny soa azonay,
Mpanjakan’ny Mpanjaka ô,
Misokatra ny tànanay
Hitondra saotra ho Anao;
Miomana tokoa ny fo,
Ka araka ny sitrapo
No hanateran-dera izao,
Ry Ray Tsitoha, raisonao
Amena

92 157 170
Raha mita ny ony hianao dia tsy hanafotra anao izy
IZAY ho ao an-danitra
Toa hita rano be,
Kanefa tsy ho safotra
Fa nanana Aro re;
Ho paohin’onja mafy ao;
Fa tsy ho lasany;
Hasian’ny rivo-doza ao,
Fa tsy ho resiny
2.Mandia rano izahay
Ka he! Mihilana;
Mamaky onja izahay
Ka he! Ny rivotra;
Fa Jesoa aro aminay,
Ka he miambina,
Ny famonjeny no anay
Ka he! Finaritra
3.Mpiaro tsara ho anay
Ka tsy ho rendrika
Ny Kapiteninay mahay
Ka tsy mihetsika;
Ho tafapody ny anay
Na be ny rivotra
Fa ao ilay Maherinay
Hanala tahotra
Amena

App 64 158 217


Ho tonga anie ny fanjakano
MANDRAISA, Tompo ô
Ny fanapahanao,
Tapaho, Kristy ô
Ny gadran-kelokay
2.Ny fanjakanao soa
Ho tonga anie izao,
Mba ho anay tokoa
Ny fahadiovanao
3.Ny ady betsaka
Sakano avokoa,
Fandrao dia ketraka
Izay mpanomponao
4.Avia Kristy ô
Tafio ny herinao,
Fa kivy tsy atrehinao
5.Latsain’ny olona,
Ilay Anarano,
Fa mangattsiaka
Ny fitiavany
6.Vonoin’ambodia
Ny zanak’ondrinao;
Tariho ny mania
Mba hody aminao
7.Ny tany marobe
Dia mbola maizina;
Mba miposaha re,
Savao ny aizina
Amena

159 34
Izay maharesy dia havelako hihinana avy amin’ny haizina, izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra
RY paradisa masina!
Te-hiditra ao ‘zahay
Maniry mba handray izao
Ny fitsaharanay
Fa any avokoa
Ny Santa masina,
Mandray ny valisoa
Sy hasambarana
2.Ry Paradisa masina!
Mandalo avokoa
Ny zavatra rehetra aty
Ka tsy maharitra,
Fa any avokoa, ets
3.Ry Paradisa masina!
Ho faly izahay,
Hahita ilay Malalany,
Dia Jesoa Tomponay,
Fa any avokoa ets
4.Ry Paradisa masina!
Ny ota halany
Irinay mba hadio tokoa
Ho afa-kelokay
Fa any avokoa, ets
5.Ry Paradisa masina!
Maniry izahay
Hahita izay toerana
Voavotra ho anay
Fa any vokoa, ets

6.Ry Tompom-Paradisa ô,
Tariho izahay
Ho tonga any aminao
Mba hitsaharanay,
Fa any avokoa
Ny Santa Masina
Mandray ny valisoa
Sy hasambarana
Amena

399 160 223(ii)


Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro
HENOY, henoy! Ry namako rehetra
‘Lay fihiran’anjely namanao
Mamy tokoa ny teny izay hiraina
Ny amin’ny fiainana vaovao
He! Ry anjely sambatra ô
Iraky i Jesoa, hirao ny hiranao
2.Henoy indrya! Fa mbola re ny antso:
“Avia re izay mb sasatra
Raiso izao ny fiadanan’i Jesoa,
Raiso izao ny fitsaharana”
He! Ry anjely, ets
3.Manarena ny lanitra aman-tany
Ny teninao, Mpiandry tsara ô
Raiso indray ny ondrinao mania,
‘Zay voataon’ny fitiavanao
He! Ry anjely sambatra ô
Iraky i Jesoa hirao ny hiranao
4.He! reraka ny olona, ry Tompo;
Ka ta-hahazo fiadanana
Eny, miandry ny fipoak’andro
‘Zay hahaitany hasambarana,
He: ry anjely, ets
5.Anjely ô, ataovy re ny hira,
‘Zay nohiraina ary an-danitra,
Mandram-pihavin’ny maraina tsara,
‘Zay handravana ny aizin’alina
He, ry anjely, ets
Amena

643 161 391


Aza reraka ny fonareo; fa Jehovah Andriamnitrareo no miara-mandeha aminareo
RY miaramila, mandrosoa izao,
Kristy Kapiteny mialoha anao
Kristy no Mpanjaka sy Mpitarika
Indro koa ny saina toro-làlana
Ry miaramila mandroa re!
Indro ny Lakroa ‘zay toky lehibe!
2.Mandrosoa, ry mino, hanndrenesareo
Fahavalo maro, ‘zay mitranga eo;
Raha re ny hira dia mivadi-po
Helo sy Satana ke hobio, hobio!
Ry miaramila ets
3.Vonona hiady ny Eklesia,
Sahy sy mandroso tsy maniasia
Kloa matokia, fa ny làlana
Nodiavint-Santa no alehantsika
Ry miaramila, ets
4.Fa miray isika, tsy misaraka,
Ka iray ny Tena ikambanana,
Eny, iray tokoa ny finpoana,
Sy iray fehim-pihavanana,
Ry miaramila ets
5.Lapa, fanjakana dia ho tapitra,
Ny Eklesia kosa no haharitra,
Ka tsy horesen”ny herin’ny aizina,
Fa ny tenin’i Jesoa iainkinana
Ry miaramila ets
6.Koa mandrosoa, ka manaova izao
Hira fandresena, Kristiana ô,
Manomeza laza, hery, haja koa
‘Lay derain’ny anjely sy ny olona
Ry miaramila, ets
Amena

89 162 193
Niaritra ny fakam-panahy Izy
JESOA Tompo mora fo,
‘Ndreto re ny olonao,
Tonga mvba hifona izao
Eto anatrehanao!
Azon-kelo-dehibe
Lova tamin-drazanay,
‘Ndrisy ry Mpamonjy ô
Mba henoy ny hatakay
2.He! ny fahorianao,
SY ny fijalianao
Fony naka fombanay
Tamin’andro fahizay;
Nefa resinao ihany
Tamin-kery lehibe!
Mba avia, ry Jesoa ô
Mihainoa ny hatakay
3.He! ny alahelonao
Raha nijaly hianao
Tany an-kavoana
Nisoloanao anay
Eso ratra no nanjo
Nefa noleferinao:
Ndrisy! Jesoa tsara ô!
Mba henoy ny hatakay
4.He izany fasanao,
Ry Mpamonjy Masina ô
Mando sady maizina,
Voatemitr’olona;
Nolokony mafy koa
Nefa afakao ihany!
Mba avia, Jesoa ô
Mihainoa ny hatakay
Amena

431 163 232


Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na miditra ta am-pon’ny olona, no efa
namboarin’Andriamnitra ho an’izay dia Azy
FITOERAN’ny mazava
Ziona ao an-danitra
Teanon’ny Mpanjaka ao
Feno fifaliana;
maha-ta-handre ny hira
fideran’ny Santa Anao
2.Ao re ny Haleloia
Hiran’ny voavotrao;
Ka miredona ny feo,
Feo tsy mitsahatra;
He! Madio izay rehetra
Efa mby any koa,
3.Tsy mba misy rahona any
Na izay manaloka
Fa mazava ny Tànana
Tsy mba misy alina
Any tsy mba re akory
Sento na fisaorana
4.Mifalia ry tra-bonjy,
afa-doza hianao;
Eny, hatsaran-tarehy
No mba ho fitafianao;
Ka ny fifaliana any
No hahafa-po anao
5.Eny, mahaereza aloha
Ka zakao ny entanao,
Dia amin’ny ho avy
Aina ho anajaranao,
Ary lamba fotsy tsara
No homen-ko lambanao
6.Voninahitra sy dera
Ho anao, Ray Masina,
Voninahitra sy dera
Ho Anao, ry Zanaka
Ary ho Anao Fanahy
Trinite Isaorana
Amena

574 164 257


Izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay manantona Ahy tsy mba hangetaheta intsony
NY feon’i Jesoa reko hoe:
“Avia ry ory ô
Izay mitsahatra izao”
Na be ny hasasarako
Sy hakiviam-po
Ny Tompo no hatoniko
Fa izy be indrafo
2.Ny feon’i Jesoa reko hoe:
“Avia sotroinao
Ny rano ‘zay mahafaka
Ny hetahetanao”
Niainga aho ka nandeha
Ho any aminy
Nomeny hosotroiko
Ny rano velona
3.Ny feon’i Jesoa reko hoe:
“Izahop manome
Ho an’izao rehetra izao
Mazava lehibe”
Dia nojereko fatratra
Ka hitako izao
Fa Jesoa no Mpitarika
Sy Masoandroko
Amena

361 165 288


Efa fohy ny andro
HANDALO faingna
Ny taona sisa aty
Dia hody mandry izahay
Hiala sasatra
Koa Andriamnitra ô,
Sasao ny helokay,
Hiomananay hanatrika
‘Zay andronao izao
2.Ny masoandronay
Hilentika haingana;
Dia hody any izahay
Fa tsara lavitra
Koa Andriamnitra ô, ets
3.Na be ny loza izao
‘Zay niaretanay,
Hiakatra ao an-danitra
Hiadana izahay,
Koa Andriamnitra ô, ets
4.Fa kely sisa koa
Izay hisaonanay,
Dia hofafana an-danitra
Ny ranomasonay:
Koa Andriamanitra ô,
Sasao ny helokay,
Himanany hanatrika
‘Zay andronao izay
5.Fa he! Antomotra
Ilay fotoanay,
Ka dia ny Tompo lehiba
Hampakatra any:
Koa Andriamnitra ô, ets
Amena

490 166 197


Jehovah no Mpiandry ahy
NY Tompo no Mpanjakany
Mpiandry be fitia
Ka afa-kenatra izahay
‘Zay ondriny mania
2.Ny hevitray averiny,
Na lasa lavitra aza:
Ny tenanay no entiny,
Trotroiny toy ny zaza
3.Ho vaky ao an-dalambe
Ny nofony nomeny,
Nalatsany ny Rany e,
Dia Rany famonjeny
4.Malaina ny fanahinay,
Malaina sady osa;
Raha izy no harahinay,
Dia tonga tsara kosa
5.Ny lalambe izoranay
Nalehin’ny Mpamonjy,
Mitari-dàlana anay
Ny Tompo mahavonjy

6.Ka Izy itokianay


Fa Izy no nijaly
Nijaly hiadananay
Ny Tompo mahafaly
Amena

365 167 166


Mihobia ho an’i Jehovah ry tany rehetra
RY zanak’olombelona,
Hobio Jehovah Tomponao;
Tompoy an-kafaliana
Avia mihirà izao
2.Fantaro fa ny Tomponao
No Andriamanitra tokoa,
Fa Izy no nanao anao
Sy manome ny zava-tsoa
3.Midira ao an-dapany,
Manandratra ny feonao
Hidera ny Anarany
Fa izay no tokony hatao
4.Fa tsara Andriamnitra,
Ny indrafonao aminao
Tsy miova, fa maharitra
Hatramin’ny taranakao
5.He! dera, laza, ho Anao
Ry Ray, Fanahy, Zanaka
Asandratry ny olonao,
Sy ny anjely maroba
Amena

App 70 168 333


Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy
JESOA no Mpiandry
Mampifaly fo;
Izy no mitondra
Ho an-dohasaha
Iza no ho kivy?
Ao mahafa-po;
Dia mb araho
‘Zay alehanay
2.Jesoa no Mpiandry
Mora aminay;
Fantatray ny feony
Feon’ny Tomponay:
Tsy mba tezitra Izy
Raha mananatra;
Dia mba araho
‘Zay atorony
3.Jesoa no Mpiandry
Tsy handao anay
Raha misy loza
Izy no aronay
Iza no hanahy?
Izy herinay
Tanjaky ny osa,
Toky lehibe
4.Jesoa no Mpiandry
‘Zay arahinay:
Ka na maizina aza
Ny alehanay
Izay manazava
Sy mitondra anay
He an-tany soa
Hitsaharanay
Amena
459 169 363(i)
Mba ho iray ihany Izy rehetra tahaka Anao Ray ato amiko ary Izahay koa aminao
RY Andriamni-dehibe,
Mpanao izao rehetra izao,
Ny firenena fanapahanapo
Ambany fanapahanao
2.Ny ditran’olombelona
Mikiry tsy hanoa Anao
Ovay ho fanarahana
Izay rehetra sitrako,
3.Ny avonavon’olona
Manohitra ny tianao,
Ampitsaharo faingana
Mba hampiray ny lovanao
4.Ny fifandirana aminay
Mampidi-pisarahana,
Tapaho re, ry Tomponay,
Hampisy ny firaisana
5.’Zao mponina rehetra izao
Tolory saina marina
Hanaraka ny hatakao,
Mba ho Eklesia masina
6.Ny Trinite Isaorana
Mba ampidino aminay
Firaisam-pihavanana,
Mba hifankatiavanay
Amena

414 170 193


Hisy lehilahy ho fierena amin’ny rivotra
JESOA fiereko ô
Mijere ny olonao
Mafy re izay manjo
Ny mpanaomponao izao:
Raha mlaharitra aminay
Androm-pahoriana,
Mba afeno izahay
Ao am-ponao masina
2.Aiza handosiranay
Afa-tsy ny elatrao?
Ketraka ny herinay
Raha tsy ampianao
Hianao no tokinay
Lehiba ny herinao
Tsara ny toeranay
Raha ao an-tranonao
3.Fa Mpamonjy Hianao,
Loharanon’aina koa,
Koa aidino aminay
Ny Fanahy Masina,
Be ny fahasoavanao,
Ry nijaly ho anay,
‘Zay maloto mba sasao,
Amindrao fo izahay
Amena

412 171 228


Ny tanàna dia tena volamena
JEROSALEMA malaza,
Irinay hianao,
Tsy reraka ny fonay
Mihevitra anao;
Tsy misy hafaliana
Tsaroanay aty
Izay mampanadino
Ny zava-tsoa ary
2.Miredona ao ny hiran’
Anjely masina
Ka tsara tonon-kira
Ny Santa masina:
Malaza dia malaza
Izay toerany:
Mpanjaka manan-daza
No monina aminy
3.Manjaka ao ny Tompo
Be voninahitra
Ny maro afaka ota
Dia any avokoa:
Ireo izay nandresy
Ny heloka taty
Mitafy lamba fotsy
Omen’ny Tompony
4.Ry tany tsara laza,
Fonena-mahasoa
Ry tany izay ho lovan’ny
Santa masina!
Ry Jesoa ô, tariho
Ny dianay hankao
Tsy zakanay intsony
Hisaraka aminao
Amena

301 172 316


Ny Zanak’ondry Izay npovonina dia mendrika handray haja sy voninahitra
HALELOIA! Laza, hery
An’i Jesoa, ka hirao;
Haleloia! Izy irey,
‘Lay Mpandresy no derao,
Jhe miredona ny hira
Velona ao Ziona hoe:
“Nanavotan-dRan’i Jesoa
Firenena marobe”
2.Haleloia! Tsy nafoiny
Ho kamboty isika izao
Haleloia ato Izy
Ka ny mino tsy ho lao
Na dia takona aza Izy
Fa voarain’ny lanitra
Toy ny teny fikasany,
Momba antsik Izy izao
3.Haleloia! Mofon’aina
Vatsiny aty Hianao;
Haleloia! Izan’andro
Aron’ny mpanomponao
Famonejana anay mpanota
Mba ifony izahay
Hiarahanay manjaka
Sy mifaly amin-dRay
4.Haleloia! laza, hery
An’i Jesoa ka hirao
Haleloi! Izy irey,
‘Lay Mandresy no derao
He! Miredona ny hira
Velona ao Ziona hoe
“Navotan-dRan’i Jesoa
Firenena marobe”
Amena

278 173 276(i)


Apetraho aminy ny fanahinao rehetra; fa Izy no miahy anareo
RY Tompo, sambatra izahay
Raha raisinay ny zioganao
‘Lay mora entina
Fa fantatray fa Hianao
Mpitia sy Mpamindra fo
Manao ny mahasoa
2.Fa he! Izao ny toetray:
Idiran-doza betsaka
Sy fifandirana:
Koa enga ka harianay
Ny sandry nofo ka handray
Ny Tànanao tsitoha
3.Hapetrakay tokoa izao
Ny entanay ao aminao
Fa Hianao ‘Zay nahare
Ny feom-boro-noana
Handre ny hatakay
4.Miovaova izahay,
Manahy sy malain-kandray
Ny fiononanay;
Fa raha miankina aminao
Dia ho anay rahatrizay
Ny fiadanam-po
Amena

242 174 214


Vonjeo, ry Andriamnitra ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny Anaranao,
RY Andriamnitry ny famonjena
Sy kintana antenain’ny firenena,
Henoy ny fangataham-pandresena,
Ry Ray Tsitoha
2.Ilay fitopatopan’alon-drano
Sy reharehan-drafiny foano,
Ny olonao mahantra mba tantano,
Ry Ray Mpiaro
3.Raha osa, Hianao mahay mitana,
Raha reraka asiam-pahotana
Ny herinao tsy resin’i Satana
Ry Ray Mahery

4.Ampionao izahay handresy rafy,


Ampionao mba haharitra sy mafy
Ampionao tsy ho ketraka mihafy
Ry Ray Mpanampy
Amena

175
Voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana, dia fiainana mandrakizay
ARY no misy tany soa,
‘Zay tsara lavitra,
Tsy misy alahelo koa,
Sa mahasambatra
Raha zakaina ny lakroa
Dia handray ny lova soa,
Fitafiana madio
No ho azo amin’io
2.Ao an-danin-kasambarana
An-dafin’ony be
Tsy hisy hasosorana,
Fa fifaliam-be
Raha zakaina ets
3.Fonenana malaza io
Ka mahafinaritra:
Ilay Malalantsika aty
Hitondra miditra
Raha zakaina ets
4.Irina mba handao ity
‘Zay fandalovana;
Anjely no hitsena anay
An-karavoana
Raha zakaina, ets
Amena

176
Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao
MISY olona hiantrana
‘Zao mandalo eto ‘zao;
Misy olo-mitaraina
‘Zao mandalo eto ‘zao;
Aoka ho entinao tokoa
‘Zay ananao hanoa
Sy hanao ny asa soa,
‘Zao mandalo eto’zao
Ma,ndrosoa
Mba hanao ny asa soa,
‘Zao mandalo eto ‘zao
2.Aza osa na malaina
‘Zao mandalo eto ‘zao;
Mazotoa mamonjy aina
‘Zao mandalo eto ‘zao;
Misy sento betsaka,
Ranomasio latsaka,
Ka andeha iantrao
‘Zao mandalo eto’zao
Mandrosoa, ets
3.Didy tsara mahasoa
‘Zao mandalo eto ‘zao
Dia hilaozana avokoa
Fa ny voa afafinao,
Dia hitombo kosa ao,
Ka ny fonao hafanao,
‘Zao mandalo eto’zao
Mandrosoa, ets
Amena

462 177 644


Jesoa avy any Nazareta no mandalo
NAHOANA moa ny olona
Mivezivezy, dodona,
Manao andiany betsaka?
Moa izy te-hivavaka?
Izao no antso mafy re:
“Jesoa Mpamonjy manda io re”
2.Mba iza moa io Jesoa Io
No mahamaika akehitrio?
Ka iza no nandalo tao?
Nanaitra ny vahoaka ao
Ka mampihoby mafy hoe:
“Jesoa Mpamonjy mandalo re”
3.Ny Tompo, Zanaky ny Ray
Izay mandalo ao izay,
Hanafaka ny ory fo
Sy ny asian’ny manjo;
Ny lanitra faly mahare:
“Jesoa Mpamonjy mandalo re”
4.Ry reraka sy sasatra,
Avia mba ho sambatra;
Izay nandosuitra ny Ray
Mba miverena re handray
Ny zava-tsoa lehibe:
“Jesoa Mpamonjy mandalo re”
5.Fa aza dia lavina
Ny tenim-pitiavana
Sao hialany hianao;
ka dia ny fitarainanao
ho tsara ela loatra;
“Jesoa no efa nandalo re”
Amena

190 178 185


Tompoko, vonjeo fa maty izahay
RY Jesoa Tompo ô
Hevero aho e!
Mba diovy, eny, mba sasao,
Ny ota marobe,
2.Ry Jesoa Tompo ô,
He! Mafy ny manjo
Omeo anay mpanomponao
Ny fiadanam-pô
3.Ry Jesoa Tompo ô
Sakano tsy hania!
Tariho hody aminao
Mpiandry be fitia
4.Ry Jesoa Tompo ô,
Mamely mafy izao
Ny fahavalo loza be,
Hatony aho e!
5.Rehefa tapitra
‘Zao ady loza izao,
Mba ento ao an-danitra
Ho ao akaikinao
6.Ry Jesoa Tompo ô,
Iriko ao tokoa
Haharitra midera Anao
Sy Ray, Fanahy koa
Amena

498 179 248


Tsy avelako handeha Hianao raha tsy tahianao aho
MPIANDRY ô, momba anay
Alaim-panahy izao,
Omeo hery izahay
Hivavaka aminao
2.Raha mbola tsy voafolaka
Ny fahoriam-po
Hataonay re tsy tapaka
Io fivavahana io
3.Toa any Jakoba izahay
Hitolona aminao
Ambaram-pahafantatray
Izay Anaranao
4.Ambaram-pahare angeha
Ny fitahianao;
Dia tsy avelanay handeha
Mihitsy Hianao
5.Fa mainak mandra-panome
Ny fitiavanao
Dia tsy avelanay anie,
Ry Tompo, Hianao
6.Ka raha revom-piderana
An-danitra ao’zahay
Finoana hanjary fahitana
Anao rahatrizay
Amena

470 180 298 (ii)


Kristy izany vatolampy izany
JESOA Tompo! Vatolampy
Vato voafantina,
Mba ho fanorena-mafy
‘Zay tsy mety levona;
Vato mafy
Dia itokianay
2.Jesoa Tompo, Vatolampy,
Voazaha toetra;
Vato tsy mba misy tsiny,
Vato tsara endrika;
Vato soa
Dia ifalianay
3.Jesoa Tompo! Vatolampy
Vato fehizoronay
Efa nampiray fanahay
Ny fitiavanao anay;
Fehizoro
Vato fampiraisana
4.Jesoa Tompo Vatolampy
Tsy miova Hianao;
Mananjara ny matoky
Ny tsi-fivadihanao
Fa ho faly
Ka tsy hanan-kenatra
Amena

196 181 181


Efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy; ry Andriamnitry ny famonjena ahy!
HIANAO no fantatray,
Ry Jesoa Tomponay;
Ny asanao no fantatray
Nataonay ho anay
2.Ankasitrahanao
Ny fivavahana
Fa be ny fitioavanao
Ny olombelona
3.Mibebaka iozahay
Izay mpanomponao;
Ka dia manoeza anay
Ny fiadananao
4.Malemy izahy
Miankina Aminao
Mba hatanjaho izahay
Raha azon’ny manjo
5.Ry Jesoa fantatray
Ny fanavotanao,
ka raiso re ny deranay
Fisaoranay Anao Amena

583 182 271


Ho an’izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka tamin’ny fahotantsika tamin’ny rany..ho Azy anie ny
voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay
HE! Tonga ho antsika
Ny Tompo mora fo
Mpamonjy Havantsika
Ilay mamindra fo;
Andeha mba hifaly
Isika, ry zareo!
Nahazo Mpampifaly
Ka manandrata feo
2.Ry Tompo, Zanahary!
Hihira izahay,
Fa teny mahafakly
No tonga ho anay;
Ny andro famonejana
Izao no sitrakay:
Fanahy manantena
No ifalianay
3.Hajao ny Tompontsika
Mpanjaka lehibe
Andriamanitnsika,
Mpanala rofy be
Avia mba hidera
Ry mino tsara fo!
Avia manatera
Ny saotra ao am-po
4.Mpanjakany! mandraisa
Ny haja entinay
Tsy volamena anefa;
fa saotra aterinay:
Ry Jesoa Tompo soa!
Isaoranay Hianao
Fa lehibe tokoa
Ny voninahitrao. Amena

471 183 172


Fony mbola tsy nana-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoan’andro hamonjy ny ratsy fanahay
AOKA hoderain’ny lanitra
Hianao, Ray Masina ô!
Fa marina làlanao
Sy to ny teninao
2.Ry Fahendrena be fitia,
Raha very izahay,
Hianao nitari-tafika
Hanala helokay
3.He! ry Adama faharoa
Naverinao indray
Mba ho anay ny lova soa,
‘Zay verin-drazanay
4.He fitiavan-dehibe
No nisoloanao,
Fa loza re ny ady be
‘Zay niaretanao
5.Tra-doza tao Getsemane,
Dia maty tan-Dakroa,
Ka Hianao no ohatra
Harahin’olona
6.Aoka hoderain’ny lanitra
Hianao Ray Masina ô
Fa marina ny làlanao
Sy to ny teninao
Amena

484 184 200


Isika izay amin’izao lay izao dia misento noho ny mahavesatra antsika
RY tompo Zanaharinay
Misaotra Anao’zahay izao
Noho ny fitahianao
Izay tsarovanay anio
2.Jereo ny zanakao aty
Fa sasatra sy reraka
Maniry ilay fonenana
Izay maharitra ary
3.Fa ao tsy misy loza koa
Na fahoriana manjo
Fa feo fifalian
No hita lalandava ao
4.Izay tsy misy alina
Na zava-mahatahotra
Fa mandry fahizay tokoa
Ny mponina ‘zay tonga ao
5.Maniry fatratra izahay
Mba hody ao an-danitra
Hiala sasatra indray,
Sy homba any amin-dRay
Amena

App 9 185 637


Ny fanjakantsika dia any an-danitra
ITY tany ity fandalovam-bahiny
Izao foko’zao tsy hiorina aty
Ny fomba izay nahazatra fahiny
Hilaozako ‘zao tsy hikasika aty
2.Isaorako ‘zao Jesoa maty ho ahy
Hamindra ny foko mba honina ary
Na lavitra aza ny dia tsy hanahy
Intsony ny saiko hizotra ary
3.Raha hila ho reraka an-dalana aho
Hisotro ny Ra ‘zay fisotro tokoa;
Fa Izy mihaino ny feo mitalaho,
Izay mitaraina harovany koa;
4.Ny mahafinaritra aty tsy hiriko
Ny lanitra izao andrandraiko aty;
Ny rafy manohitra aty tsy ahiko
Fa Jesoa Mpandresy ny ahy aty
5.Veloma, ry zavatra atikitra ambany
Izaho vahiny ka roso izao!
Ny fo voavonjy tsy zatra ny tany
Ny lanitra no holovako izao
5.Ho roso ho roso, fa misy mpitondra
Ny tànan’i Jesoa no mety mandray
Ny lanitra tsara iriko indrindra,
Fa ao no honennako anao ny Ray
Amena
186 296(ii)
Dia niteny ireo hoe: Haleloia
HIRAO, ry mponina ao an-danitra ao,
Hirao ny dera tokiny hatao
Hirao ny Haleloia
2.Valio, valio, ry tendrombohitra
Ny hira ataon’ny Hery Masina:
Hirao ny Haleloia
3.Hobio ry Ziona ao ambony ao
Ny fiderana ny Mpanjakano
Hirao ny Haleloia
4.He! manandrata feo avokoa
Ry asan’Andriamnitra Tsitoha:
Hiraho Haleloia
5.Fa hira tsy mbola mety lefy ity
Sy fialan’ny ory sasatra
Hirao Haleloia
6.Ry Zanahary Tompo izahay
Midera Anao ka tsy hitsahatra:
Hirao ny Haleloia
7.Anao ihany, Kristy tsara ô
Ny haja sy ny voninahitra;
Hirao ny Haleloia
Amena

485 187 339


Afafazo amin’ny maraina ny voanao, ary amin’ny hariva aza atsahatra ny tànanao
MBA afafazo re,
Ny voanao izao,
ka aza mba matahotra
sao tsy ho vanona
2.Na dia tsy fantatrao
Izay ho vanona
Dia aza mba atsahatra
Ny tànanao izao
3.Jehovah no mitahy
Ka mampaniry ireo
Ho tonga voka-dehibe
Ho valin’asanao
4.Koa tsy ho foana
Ny asanao aty
Ireto nisasaranao
Horaisinao ary
Amena

420 188 220


Ny firenena rehetra hanao Azy ho sambatra
HO fanjakan’ny Tompontsika
Izao rehetra izao tokoa
Ka Izy no hanapaka
Mandrakizay doria, doria
2.Hankalazain’ny firenena
Ny indra-fony lehibe,
Ka saotra noho ny famonjena
Hataon’ny zaza aminy
3.Ao aminy no hamahana
Ny gadran’ny mpifatotra:
Ao aminy no hialan’
Ny malahelo sasatra
4.Mba mitsangana, ka hobio
Ny Tompontsika, ry firenena;
Anjely tsara ô, valio;
Hirao, ry tany, ny Amena
Amena

246 189 24(i)


Miderà an’Andriamnitra hianareo mpanompony rehetra
DERA ho Anao, ry Rainay ô!
Omen’izao rehetra izao,
Fa Hianao no nanome
Ny hanina ifalianay
2.Ry Jesoa dera ho Anao
Ry Jesoa Lahitokana,
Fa tsy nolavinao ho tao
An-kibondreninao madio
3.Ny ainao nanomezanao
Hiainanay ‘zay olonao
Ka Hianao, ry Tompo ô
No ifalianay izao
4.Fanahy Masina, Hianao
Aterinay ny fisaorana,
Fa ateraky ny herinao
Ny olon’Andriamanitra

5.Ankalazaina Hianao
Ry Ttrinite Isaorana ô,
Fa hitanay ‘zay làlana
Hodianay an-danitra
Amena

App 33 190 445


Ety isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy
ENTO aho, Jesoa ô
Mpivahiny raha ety
Tano aho ho Anao
Ka vimbino ho ary
2.Tsy mba misy tiako
Toa Anao, ry Tompoko
Ka ny foko entonao
Tsy hisaraka aminao
3.Be mosary ny aty;
Hianao no vatsiko;
Fahirano ‘zao aty
Hianao fisotroko
4.Tanik’andro mahamay,
Làlan-dratsy mahalao
Fa izahay hiolomay
Mba hialoka aminao
5.Eny, Tompo, mba momba
Ny mpanomponao aty:
Moa dia hanary va
Tsy hitondra ho ary?
6.Sanatria, Tompo ô,
Tsy hanary Hianao
Fa hanavotraanay
Sy ho tari-dalanay Amena

496 191 130(ii)


Misy Sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamnitra
ARY an-danitra
No misy fonenana
Ka tsy mba miditra ao
Ny fhaoriana;
Ny ranomaso koa
Dia tsy mba latsaka
Ny hazavana soa
Manelatrelatra
2.Tanàna tena soa,
Be fiadanana
Ka monina ao tokoa
Anjely masina;
Manako fatratra e
Ny fiderana re,
Antsain’ny marobe
Ny Andriamaniny
3.Ario ny tahotra,
RTy olo-masina ô!
Herezo fatratra
Izay nalehany;
Leferontsika aty
Ny fijaliana,
Handraisantsika ary
Ny fifaliana Amena

577 192 258


Izay manatona Ahy dia tsy ho laviko mihitsy
“Ry ory manantona
Ny fitsaharana”
He! Feo mahafaly
Ny torotoro fo!
Milaza famelana
Io feo tsara io
Milaza fiadanana
Sy fitiavana
2.”Ry very, manantona
‘Lay tena hazavana”
He! Feo be fitia
Mandroaka aizina!
Ny fonay malahelo
Nania izahay
Fa fifaliana kosa
No ho anajaranay
3.”Ry ana, manantona
Hiainanao indray”
$he! Feonao, ry Jesoa
Mampionona anay!
Maimay ny fahavalo
Milofo fatratra;
tsy tohany anefa
Ny hery momba Anao
4.Izay manatona Ahy
Dia tsy holaviko”
He! Feo mahatoky
Ankasitrahanay!
Na dia mpanota aza
Antsoinao izahay,
Ry Jesoa Kristy Tompo
Hanatona Anao Amena

80 193 106
Isika tia, satria Izy efa tiantsika taloha
TSY ny hahazo zavatra
Ary an-danitra
No itiavako Anao, Ry Andriamnitro

2.Tsy noho ny hatahorako


Ny fijaliana,
Fa noho ny fitiavanao
No itiavako
3.Voahombo sy voalefona,
Voalatsa Hianao,
Naninjitra ny tànanao
Tambonin’ny Lakroa
4.Izaho no niaretanao
Ny fijalianai,
Ny Ranao nanavotra ahy
Izay fahavalonao
5.Koa moa tsy fitiavana
Havaliko izany?
Ny foko no atolotro
Anao, ry Tompo ô
6.Ry Jesoa Kristy sambatra ô,
Ny dera raisonao,
Fa Hianao Mpanjakako
Sy Andriamanitro
Amena

627 194 268


Anao aho sy izay rehetra ananako
IZAY atolotray
Anao ry Tompo ô,
Dia tsy anay re, fa Anao
Ka indro raiso ‘zao
2.Fa izahay aty
Dia ampitahirinao
Ka faly raha raisinao
Ny vokatray izao
3.Koa ampionony re
Ny torotoro fo,
vangio, eny mba vonjeo
ny azon’ny manjo
4.Ny very ampodio
Ny babo mba vahao
Ny lalam-piadanana,
Ry Kristy ô, savao
5.Na reraka izahay
Sy ory fo indray
Dia vonona hanatitra
Ny soa natolotrao
Amena

404 195 375


Anao ny fahamarinana Tompo ô, fa anay kosa ny fangaihaizana
MPANJAKAM-pirenena ô,
Henoy ny vavakay
‘Zay mitaraina aminao
Ka iantrao ‘zahay:
Anay ny fahotana be,
Anao ny indrafo,
Ka mihainoa, ry Mpanome
Ny hatakay anio
2.Ny otanay bie betsaka,
Ka ibebahanay,
Fa lehiba ny antranao
Naseho hatrizay;
Raha loza toy ny alona
Manjo ny nosinay,
Hianao no itaraianana
Ho famonjena anay
3.Miondrika izahay izaop
Ambony tànanao
Misento sy mangataka
Ny famindramponao;
Mba tanteraho aminay
Izay mifona izao
Ny vavakay asandratray
Ho ren’ny sofinao
Amena

387 196 164


Hifoha maraina kosa aho
RYT Tompo zanaharinay
Manati-tsaotra izahay
Fa efa novelominao
Ka tratr’izao maraina izao
2.Ny aizina efa lasana
Mazava no niposaka,
Esory koa ny otanay,
Ka hazavao ny hevitray
3.Ny asanay atao anio
Atrehaonao ka mba tahio,
Hatao ho voninahitrao
Handraisanay ny anatranao
4.Deraina Hianao ry Ray
Deraina Jesoa Tomponay
Deraina ny Fanahy koa
Deraina fa Mpanisy soa
Amena

572 197 186


Raha misaraka amiko hianareo dia tsy mahay manao na inona na inona
TSY zakako mihitsy
Ny mahafoy Anao
Ry Jesoa ô, Mpamonjy
Izay nanavotra ahy;
Ny Ranao soa indrindra
No ahazoako
Ny famelana ota
Sy fiononam-po
2.Tsy zakako mihitsy
Ny mahafoy Anao
Fa mpivahiny aho;
Malaky sasatra:
Tsy fantatro akory
Izay alehako
Ho diso làlana aho
Raha tsy tantananao
3.Tsy zakako mihitsy
Ny mahafoy Anao
Fa aiza misy sakaiza
Mitovy aminao?
Na tsy voalaza aza
Ny faniriako,
Dia fantatrao ihany
Ry Tompo masina ô
4.Tsy zakako mihitsy
Ny mahafoy Anao
Fa lany vetivety
Ny androko aty
Ka aiza no itako
Lay ony maizina
Raha tsy manintona ahy
Ho afaka Hianao?
Amena

338 198 174


Sambatra izay tsy nahita nefa nino
TSY hitanay ny Tavanao,
Ry zanak’Andriamnitra;
Tsy nifanena taminao
Tao Nazareta izahay;
Nefa ninoanay fa tao
No nodiavin-tongotrao
2.Tsy hitanay nasandratry
Ny olon-dratsy Hianao,
Tsy renay ny fiteninao
Impito tany Kalvary;
Nefa inoanay tokoa
Fa maty tany Hianao
3.Tsy tonga tao am-pasana
Zay nandrianao izahay,
Tsy isan’ny nahita Anao
Taorian’ny Nitsangananao;
nefa inoanay tokoa
fa resinao ny fasana
4.Tsy nentinao niaraka
Tao Betania izahay
Tsy hitanay ny rahona
Nitondra Anao niakatrea;
Nefa inoanay fa ao
An-dapan-dRainao Hianao
5.manjaka an-danitra izao
Hianao kanefa takona
Miandry koza izahay
Mitoetra aty an-efitra:
Nefa inoanay tokoa
Ny teny fikasanao soa
Amena

37 199 175
Ambony, lavitra noho ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany fa amin’ny ho
avy koa
JESOA no anarana
Feno fitiavana,
Manambara soa be
Sy deran’ny maroba
2.Jesoa no anarana,
Famonejna tokana
Nolazain’i Gabriely,
Avotry ny Israely
3.Jesoa no anarana
Azo itokiana
Fa izao no heviny
“Avotry ny olona”
4.Jesoa no anarana
An’ny Zaza masina,
Ahazoana indra-fo
Analan ny manjo
5.Jesoa no anarana
‘zay nomena olona
Ahasoana avotra
Ary fiarovana
6.Jesoa no anarana
Entin’Andriamnitra
Mba hanao fifonana,
Ho antsika olona Amena

106 200 332


Fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy
HE! Maintso ‘lay havoana
Ivelam-bohitra
Dia lehy nanombohana
Ny tompon-danitra
2.Tsy azontsika tantaraina
Ny nijaliany tao,
Kanefa mba ho avotra aina
No nihantonany
3.Hanavotra sy hanasoa
No nahafatesany;
Ka indro voavoha koa
Ny hidin-danitra
4.Isika tsy mba misy soa
Hidirantsika ao;
Fa Izy irery no nandoa
Ny vidin-keloka
5.Koa enga ka ho tiantsika
Hrahintsika dia
Ilay Mpamonjy lehiba,
Sy Tompo be fitia
Amena

444 201 277


Manatona an’Andriamnitra, dia hanatona anareo Izy
AMPANATONY aho, Tompoko ô,
Mba ho akaikinao be indrafo;
‘Zao re no hatako:
Ampanatony aho, Tompoko ô!
2.Fa mpivahiny aho, ory, nafoy
Tratry ny aizina lavitra aty
Aoka izany e
No hanatonako ao aminao
3.Eny, mba ento aho ho ao aminao
Na ny Lakroa aza no tohatra
Mba hiakarako
Any anilanao Tompoko ô!
4.Dia hasandrato ‘zao hira izao
Mba ho fanatitra zay sitrakao
Mba handrosoako
Any akaikinao Tompoko ô
5.Na dia ny lanitra avo; madio
No hiakarako mbola hatao
‘Lay fihirana hoe:
Ampanatony aho Tompoko ô amena

App 31 202 207


Raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy ety aminareo ny Mpananatra fo raha handeha Aho dia hirahiko ho aty
aminareo Izy
NY Tompo, raha vao manao
Veloma ny taty
Namelà ny Mpananatra
Ho arony
2.Dia tonga Izy hanome
Ny hery mahasoa
Dia hery fanadiovana
Ny fo tokoa
3.Melemy ny fibitsiny
Kanefa mora re
Dia miomana afa-tahotra
Izay mandre
4.Koa aza ny anantsika
‘Zay tsara sy madio,
Fa Izy no ahazahoantsika
Fiononam-po
5.Tsinjovy, ry Fanahy ô,
Ka iantrao ‘zahay;
Amboary ho tempolinao
Ny tenanay
6.Ny dera ho Anao, ry Ray
Fanahy Zanaka ô,
Ry Tompo Telo fa iray
Isaorana!
Amena

491 203 554(ii)


Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hana-javamahory aho
JEHOVAH no Mpiandry ahy
Mpamelombelona sy Mpiahy;
Mijery ahy ny masony:
Ny diako arosony;
Tsy sarotra ny lalako
Raha tsy miaraka amiko,
2.Tsy mahalala tahotra
Ny ondriny voavotra
Fa Kristy no mba aloka
Raha sasatra sy valaka
Izaho dia arovany
Ambany volon’elany
3.Raha mahamay ny efitra
Ka maina sy mangetanba,
Htoron’ny Mpanavotra
Ny rano hosotroiko
Sy ahi-maitso mavana,
4.Ny tehiny manokana,
Fandrao ho sasa-poana:
Raha omby ao am-pasana
Ny Tompo no andrasana
Hitondra ny fanahiko
An-dsanitra fodiako
Amena

243 204 35
Izy no honina ao amin’ny avo; ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin’ny haram-bato
HE! Tsinjoko izao iry
Havoan-davitra iry
Izay fonenam-pamonjena
Sy vato fialofako
2.Fa ny Tsitoha lehiba
No monina ao ambony ao
Mpanao izao rehetra izao
Ny tany aman-danitra

3.Mitarika ny diantsika
Manoro’zay ho lalambe
Miambina ny Israely
Hatory tsara fahizay
4.Fa nofidiny Israely
Homena fitahiana,
Ka dia novimbininy
Mba tsy ho tafintohina
Amena

203 205
Ny foko hifaly amin’ny famonjena
ENDREY! Izany famonjena
Dia zava-tsoa tokoa
Nomen’i Jesoa tompontsika
Ho ody tahotra
Dera, saotra, haja, hery
Ho Anao, ry Zanak’Ondry
‘Lay nanavotra anay ô
(Haleloia, Haleloia) Haleloia
Tompoinay
2.Endrey izany famonjena
Famoizana ny aty
Fa fampidirana antsika,
Hahita ny ary
Dera, saotra ets
3.Endrey! izany famonjena
Izay manako re
Hirain’ny Santa masina
Ary an-dapa hoe:
Dera, saotra, ets
4.Ry zanak’ondry masina ô
Indreto izahay
Midera ilay Anaranao
Mihira mafy hoe:
Dera, saotra ets
Amena

App 52 206 260


Joy Jesoa taminy: Moa tia Ahy va hianao?
Ry fanahiko, henoy
Feon’i Jesoa Tomponao
Izy manontany hoe:
“Moa tianao va Aho?”
2.Fa nania hianao
Nefa nokatsahiko
Voagadra, ory, lao
Nefa notrotroiko
3.Misy vehivavy va
Mahafoy ny zanany?
Eny, misy, fa Izaho
Tsy mba mahafoy anao
4.Fa ny fitiavako,
Avo noho ny lanitra,
Tsy miova lalina
Nony ranomasina
5.Koa ny voninahitra
Dia hasehoko anao;
Ry mahantra, mba valio
“Moa tianao ve Aho”
6.Fantatrao, ry Tompo ô
Fa malemy aho izao;
Mba ampio ny zanakao
Hitiavany anao
Amena

578 207
Indro, efa mitsangana eo ambaravaranao
Aho ka mandondona
INJAO, mitsangana Jesoa
Am-baravarantsika
Miandry mba hantsoina
Hanketo amintsika
Endrey, ry rahalahy
Isika no mandà
Ka sahy hamela Ahy
Hiandry ela ao
2.Injao mandona Jesoa
Ka he! Voaratra be
Ny tànany, sy simba
Ilay Tarehiny
Akory reny antra
Miseho toy izao!
Akory reny ota
Manarona ny fo!
3.Injao, miteny Jesoa!
Ka hoy ny feony hoe:
“Moa lavina, malala,
‘Lay maty ho anao
Indrisy! Alahelo
Ano amohany ‘zao:
midira ry mpamonjyu
mba honina aminay
Amena

573 208
Mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra enta, fa Izaho no hanome anareo
fitsaharana
HE! Reko re ny feo
Nanaigana anay aty
Mba ho sasan’ny Ranao soa
‘Lay tany Kalvary
Eny, Tompo ô!
Avy aho ity
Ka sasao amin’ny Ra
‘Lay tany Kalvary
2.Na ratsy aza re
Hainao hodiovina;
Izay manatona Anao
Hadio sy masina
Eny Tompo ô! Ets
3.Miantso Jesoa soa
Mba hino sy ho tia
Ka hanantena Azy koa
Ny ondriny mania
Eny, Tompo ô! Ets
4.Mpanampy Jesoa tia:
Avia, ‘zay sasatra
Sy izay mavesatra entana,
avia hitsahatra
Eny, Tompo ô!
5.Ny fahasoavany
Anatanjahany
Ny osa sy ny reraka
Eny, Tompo ô!
6.Deraina anie ny Ra
Nalatsaka ho anay
Fa Jesoa Tompo tsy nandà
Ho faty ho anay
Eny, Tompo ô! Ets
Amena

476 209 336,239


Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’Andriamnitra
ANKJELY marobe
Ary an-danitra
Miara-manome
An’Andriamnitra
Haleloia!
Antsain’ireo
Ny Tompo hoe:
haleloia!
2.Ny deran-jaza aty
Dia hajain’ny Tsitoha
Ka faly izahay
Hanandra-peo tokoa:
Haleloia!
Mpanjkakany
Haleloia!
3.Ny fahasoavanao
Ry Jesoa mba omeo
Anay mpanomponao,;
Hahaizanay hanao
Haleloia!
Mpamonjy soa
Isaorana:
Haleloia
4.Izao tontolo izao,
Ry Tompo masina
Fenoy ny teninao,
Hitondra hasina
Haleloia!
Mpanjaka ô
Anao’zahay
Haleloia!
Amena
443 210 265
Tsy ny sitrapoko, fa aoka ny Anao anie no hatao
NY tianao, Ray ô
Fa tsy ny tiako
Izao atoronao
No mba halehako
2.Na saro-dalàna
Na mora fantatro,
Izay safidinao
No tsara amiko
3.Fa ny mifidy re
Dia tsy mba sahiko;
fidio izay ho ahy,
Ry Andriamanitro
4.Anao ny fanjakana
Izay katsahiko,
Ka dia ny làlanao
Aoka hodiaviko
5.’Zay sitrakao ihany
No aoka ho anjarako,
na alahelo be,
na fifaliam-po
6.Na rofy no omena,
na fahasalamana,
na vola sy harena,
na toe-pahantrana
7.Na zava-dehibe
Na kely no manjo
Ankinina aminao
Izay toetro Amena

508 211 242


Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao
NY Tranonao, Ray ô
Ddia tianaty tokoa,
tsy tratry ny hevitray
ny fifaliana ao
2.Hivavaka aminao
No iangonanay
Ka ato izahay
No mba misaotra Anao
3.Ny fonta tianay,
zay ampidinanao,
ny fitahian-tsoa
Fanahy Masina ô!
4.Indrindra tianay
Ilay Alitaranao,
Fa ao itsaohanay
Ny fanatrehanao
5.Ny teny tianay,
Filaza-marina io;
Fiainana azonay
SY fiadanam-po
6.Fiononan-dehibe
Ny hira atao aty
Fa ega ka hore
Ny fihirana ary
7.Ny fitiavanay
Velomy, Jesoa ô
Ka ento izahay
Ho ao an-dapanao Amena

393 212 282(ii)


Mandehana any amin’izao tontolo izao, ka mitoria ny Filazantsara
MIANTRA ny firenena
Ry Jesoa Tomponay
Ambarao ny famonjena
‘Zay nataonao fahizay,
Asehohinao ny hery
Namonjena maroba,
Ry Mpamonjy olom-bery
Mamonje indray anei!
2.Mba heveronao ny nosy
Itoeranay izao;
Iantraonao ry Jesoa,
Ny tsy mahalala Anao;
Iantrao ny indran-tany,
Iantrao sy mamonje,
Mba ho tonga faingana any
Ny mazava lehiba
3.Ary izahay mpiasa
Ao an-tabnimbolinao
Mba omeo fo mikasa
Hankato ny teninao;
Be ny tany tsy voaasa
Vitsy ny mpanomponao,
Ka aoka mba hikely aina
Izahay hiasa ao
4.Makanesa ry mpitory,
ao an-tany lavitra ao;
Be tsy mahalala akory
An’i Jesoa Tomponao:
He! Ny fahantrany indrisy!
E! Ny hadan’ny ao;
Fa ny olona tsy misy
Hampianatra azy izao
5.Ny harena anomezo
Sy ny fahendrena koa;
Eny, Kristiana, aelezo
‘Zay rehetra mahasoa;
Mankanesa re’zay tia,
Ny Mpamonjy lehibe ,
Miantrà ka manampia
Ny mahantra marobe
Amena

277 213 477


Toy izany no hanafanàn,y ny firenena maro
MPAMONJYô, fafazo rano
Ny firenena maro be
Efao ny teny fikasanao,
Tariho izy ho Anao
2.Aoka holazaina ny tantaean’
NY nijalianao taty
Ampandreneso azy tsara
Ny voninahitra ary
3.Ny fon’ny olo-maisin-tsaina
Missento aminao tokoa
Tsy fantany ny ranon’aina
Tsy mbnole re ny teny soa
4.Mpamonjy ô, miandry ela
Ny nosin-dranomasina
Mba havaozin’ny Fanahy
Ho hendry sy ho tia Anao
5.Maniry rano ny tanety
Mangetaheta izy koa
Anao, ry Zanahary Tompo
Anao, ry Zanak’olona
6.Iraho ny mpitoriteny,
Tendreo re ny lelany,
Mba hideran’ny fo rehetra
Ny zank’ondry masina
Amena

540 214 370


Hianao manapaka ny fisavoan’ny ranomasina
RY Ray Tsitoha, Hianao
Mahery mba hamonjy izao,
Ny sandrinao manapaka
Ny herin-dranomasina ao
Arovy izay mandeha ao
Ambony ranomasina
2.Ry Kristy ô, ny teninao
No efa nampangainao
Ny onja misafoaka
Ho tony tsy mihetsika
Arovy izay mandeha ao
Ambony ranomasina
3.Fanahy tsara, Tomponay
Izay manomba fahizay
Tambony ranomasina
‘Zay nisavoamboana
Arovy izay mandeha ao
Ambony ranomasina
4.Ry Trinite Isaorana ô!
Iraho ny anjelinao
Hitandrina ny havany
Ambony ranomasina
Ka aoka hankalaza Anao
Ny olom-boavonjinao
Amena

453 215 72
Kristy maty noho ny fahotantsika
NY Hazo fijalianao
Ry Jesoa Tomponay
Maneho ny fitianao
Dia iankinanay
2.Mitazana ny masonay,
Mangoraka ny fo
Na meloka aza izhaay,
Ny teninbao ho eo
3.Ny avotr’aina vitanao
No itokianay;
Ny entanay voasisotrao
Dia afaka izahay
4.Ny hazo nihomboanao
Dia voninahitray;
Ny nanalam-baraka Anao
No isandtaranay Amena

589 216 569(i)


Izay nanolotra ny Tenany hamonjy ahy
JESOA Zanahary
Masina sy to
Nanome ny ainao
Noho ny olonao
2.Tsy niaro loza
Tamin-tenanao,
Fa mba tonga ory
Noho ny olonao
3.Lefitrao ny ratsy
Soa nolavinao;
Lapa nialanao
Noho ny olonao
4.Jesoa Tomponay ô
Tompo Masina
Manehoa soa
Amin’olona
5.Mamelà ny ota,
Manovà ny fo,
Diovy ny maloto,
aoka ho olonao
6.Tompo ô! Tsitoha
Vatolampinay
Saotra aman-dera
Raiso ho Anao
Amena

107 217 108


Sanatria raha misy hataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy
RAHA andrandraiko ny Lakroa
Mpanjakam-boninahitra ô,
Mifikira aminao ny fo,
mandà izao rehetra izao
2.Tsy misy ataoko rehareha
Raha tsy ny nijalianao
Ny zava-poana izay taloha
Dia laviko voavotrao
3.Ny tànana aman-tongotrao;
Ny lohany dia latsa-dra;
Na dia ny fahorianao
Haneho fitiavana
4.Fa raha ny fo sy aiko koa
Atolotro ho fanatitra e!
Dia zinona izany moa?
Fa ny fitianao no be
5.Aoka hoderain’ny olona
Sy ny anjely ambony koa
Hianao Mpamonjy be fitia
Izay tra-doza hahasoa
Amena

Pp 67 218 334
Ny ondriko mihaino ny feoko, izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy
RY Mpiandry tia anay,
Mba tandremo izahay,
Fa mehry Hianao,
Mahasoa ny ondrinao
2.Hianao dia nanome
Aina mba hiaiananay;
ary koa ny Taànanao
Voafantsi-ko anay
3.Tianay hidera Anao,
Sy hanao ny sitrakao;
Toy ireo anjelinao
Faly ao an-danitrao
4.Ry Mpiandry, mba lazao
Aminay ny teninao
Ka ambeno tsy hania
Izahay, ry Tompo tia
5.Izahay hizotra ao
Amin-dia tarihinao
Mandra-pahatonganay
Anay anatrehan-dRay
Amena

479 219 270


Tafio avokoa ny fiadin’Andriamnitra
MIARAMILA ô,
Mba mitsangana re
Ka raiso fiadiana
Ka mahereza e!

2.Ny herinao tokoa


Dia Kristy Tomponao;
Ka aza dia ketraka
Am-piadinao
3.Mba manohera re,
Ka mahereza koa;
Ka dia ny fahavalo be
Ho resinao tokoa
4.Ny handrosoanao
Dia fivavahana,
Hitsaho amin-tongotrao
Izay manihitra
5.Rehefa tapitra
Ny asanao aty
Homen’ny Tompo ho anao
Ny fitsaharany
6.Ry Jesoa Tomponay
Derainay Hianao
Miara-belona amin-dRay
Sy ny Fanhy koa,
Amena

477 220 184


Jehovah Tompo no vatolampy mandrakizay
JESOA Vatolampinay,
Mba arovy izahay,
Ka ny fon’ny mba sasao
Manafaka anay izao
Mba tsy hisy izay hanjo
Olon-tsy mahitsy fo
2.Tsy ny asanay atao
Mahato ny didinao
Tsy ny hazotoam-po
No mahazo manadio
Tsy ny ranomasonay
No mahafa-trosa anay
3.Tsinotsinona izahay,
Sady be ny helokay,
Ry Mpiaro lehibe,
Jesoa, Tompo, mamonje!
Fa miankina amlinao
Izahay mpanomponao
4.Tomoera aminay
Raha ho faty izahay,
ary raha hiakatra ao
mba hiseho aminao
Jesoa Vatolampinay
O! Arovy izahay Amena

465 221 235


Misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamnitra
MISY Sabata ‘zay mahafinaritra
‘Zay ifalian’ny Santa an-danitra;
Ao ny mandresy mandray fiadanana
Mamin’ny olona ao Andriamnitra
2.Ao ny Andriana, ao koa ny lapany
Faialan-tsasatra iravoravoana!
Enga anie ka hambarann’y mponina
‘Zay ren’ny sofina hitan’ny masony!
3.Ilay tanàna dia be fiadanana
Jerosalema no anarany masina:
Lasa ny loza ka hotanterahina
Soa rehetra izay angatahina
4.Aoka koa ny feon’ny Santa manandratra
Saotra sy dera tsy mety mijanona:
Ao koa ny fonay handray hasambarana
Ka Hianao Ray mala hisaoranay
5.Ao no maharitra ny fifaliana
Amin-tSabata tsy mety ho tapitra;
Ao ny anjely sy Santa miaraka
Faly manao fihirana sty tapaka
6.Ray nihavianany zava-drehetra ô,
Kristy Mpamonjy, Fanahy nahary ô
Tompo iray. Hianao no aterana
Dera sy laza, ry Andriamanitra Amena

App 63 222 735(i)


Ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitri’i Jehovah
ANDRIAMANITRA lehibe
Miasa tsy tapaka
Hahatanteraka ny fika
Sana nataony ela be
To teny andriamani-
Tsika ‘zay lazainy tsy maintsy
Hatao
Ka ho feno ny lazan’
Ny Tompo tsitoha izao
Rehetra izao
2.Ao antsinanana lavitra,
sy ery andrefana koa,
lasa ny irak’Andriamanitsika
mitondra ny teny soa
mihainoa ry firenena
ry nosy lavitra ô
Fa ho feno ny lazan’ny
Tompo tsitoha izao
Rehetra izao
3.Inona no ho anjarakao
Hampandroso koa ‘lay
Fanjakampiadanana naorin’ny
Tompoko?

Inona no ahafaingana izay tsy maintsy


Ataoa mba ho feno ny lazan’ny Tompo
Tsitoha izao rehetra izao?
4.Raiso ny herin’ny Tsitoha mba
Ho enti-manafika
Manohera ny fahotana alefaho
Ny mpifatotra
Atsangano ny Lakroa fanevan’ny Tomponao
Dia ho feno ny lazan’ny
Tompo Tsitoha izao rehetra izao
5.mahereza mivavaka fa sasa-poana
‘Zay tsy omban’ny mpanampy soa,
Ka izao no hataka:
“Jesoa ô, ampio zahay tahio ny
Mpiasanao”
Mba ho feno ny lazan’ny Tompo
Tsitoha izao rehetra izao
Amena

385 223 161


Mitsangana mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposa,ka aminao
RY Ziona mitsangàna
Ka mihazava izao,
asehoy ny fahazavanao
‘Zay miposaka aminao
2.Maizina ny firenena
Be ny tany fantatrao
Feno oary sy mahantra
Nefa rahalahinao
3.Asandrato ny fanilo
Hanazava ny lavitra,
Mba hanatona ny maro
Ka ho miramirana
4.Atopazy re ny maso,
Indro, anatrehanao
Toy ny ala feno hazo
Marobe ny zanakao
Amena

200 224 137


Aoka izay rehetra manam-pofon’aina samy hidera an’i Jehovah
MIDERA ny Tompo Avo,
Ry anjely masina ô!
Amim-peo miravoravo
Miderà, ry lanitra ô
Fahizay raha Izy niteny
‘Zao rehetra izao nanoa
Miderà injato heny
‘Lay tsy manam-paharoa
2.Miderà ilay mandidy
Dia tsy misy fiovana
‘Zay miaro ny voafidy
Tsy ho resim-pahotana;
Izy miendrika hoderaina,
Ambarao ny heriny
He! Ry manam-pofon’aina,
Miderà ny Anarany
Amena

533 225 379


Isaorana anei Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina
ISAORANA Hianao,
Ry Fanahy Zanahary,
Ny Fanomezanapo
Ataonao lavorary:
Hatrany am-bohoka
Ka mandrak’antitra
Mandray ny soanao
Ny olombelona
2.Tsy mety tapitra
Ny soa izao onenanao
Fa zanakao ‘zahay
Mpandova ny harenao;
Ka fiadanam-po
Sy fifaliam-po
No lovanay madio
Ary an-danitra
3.Ry Ray sy Zanaka ô,
Hianao Fanahy soa,
Derain’ny Santanao
Ho Tompo iray tokoa
Ny saotra aterinay
Mba raisonao izao,
Ry Andriamanitray
Ba fahasoavana ô!
Amena

466 226 431


Jehovah Andriamnitra ô! Lehibe indrindra Hianao
DERAO ny Mpanjaka
Malaza tokoa,
Hobio ny fitia
Tsy hita noanoa;
Ny lanitra avo
No tranon’ny Ray
Ka Izy Ampinga
Mpiaro mahay
2.Deraina Jehovah
Ny herinao be;
Ny asa nataonao
Hambara ho re,
Ny kintana ambony
No satrok’Andriamnitra
Mazava no lamba
Atao fitafiana
3.Ny fahagaganao
Tsy tambo isaina
E! Ry Zanahary
Mpamorona ainz;
naorinao mafy
ity tany ity
nasianao fetra
ny rano ary
4.Hianao ry Mpanjaka,
No manome soa,
Mpitahy, Mpamonjy,
Mpanavotra koa
Ny soa rehetra
Omeo anay
Tsy mety ho lany
Fa mandrakizay
5.Ry Hery tsy lany
Tsy mety ho lo!
Derain’ny anjely
Ry be indrafo!
Indreto ny olona
‘Zay voavotrao
Midera, mitsaoka
Misaotra Anao
Amena

App 18 227 595


Jehovah hitazana ahy sy hianao rehefa tsy mifankahita isika
RAINAY Masina ô atreho
Ny fivavakay
Ka ny havanay malala
Mba ombay
2.Ry Mpamonjy, mba tariho,
Izy tsy hania
‘Zay malemy hatanjaho,
Jesoa tia
3.Raha irery, na marary,
Na tra-doza ireo
Mba tsinjovy, ampionony
Ka vonjeo
4.Aoka ho tokiny tokoa
Fanavotanao
Hoderainy lalandava
Hianao
5.Ry Fanahy, mba omeo
Fahasoavana
Ny malalanay, ho tonga
Masina
6.Trinité ary ambony,
Telo fa Iray
Mba tariho, mba arovy
Havanay Amena

APp 54 228 28
Aty ambonin’ny tany tsy misy iriko tahaka Anao
RY Jesoa Tompo be fitia
Tsy tofoka amin’ny mania,
Henoy ary andapanao
Izay miverina aminao:
Ry Jesoa Tompo Anao
Ny fitiavako izao
2.Ry Jesoa Tompo lehoba
Na dia ela aza re,
No efa nandavako Anao
Manaiky kosa aho izao
Ry Jesoa, ets
3.Ry Jesoa ô, malalako
Satria efa anjarako:
Ataoko sanatria tokoa
Izay hivadika aminao
Ry Jesoa, ets
4.Ry Jesoa ô, Mpanjakako
Hianao no tena mamiko:
Ny foko sy fanahiko
Dia efa lasanao tokoa;
Ry Jesoa ets
Amena

45 229 219
An”i Jehovah ny fanjakana
AVIA, miondreha
Ry vazan-tany ô!
Fa lehibe Jehovah,
Ka masina sy to;
Miankohofa tsara
Manatona Azy izao;
Endrey! Mba mihevera
Ny fiderana atao,
2.Andriananahary
Manaiky izahay
Fa aminao ny hery
Izay tsy tohanay;
Tsy misy maharara;
Ny tianao hatao;
Fa hianao Mpitsara
Izao rehetra izao
3.Re any lavitra
Izao ny herinao,
Ka isam-bazantany
Miondrika aminao;
Mpnjaka sy Mpitsara
Tsy toha Hianao;
Finaritra ny tany
Miankina aminao
Amena

519 230 709


Miderà an’Andriamnitra hianareo mpanomponu rehetra
RY mponina ao an-danitra,
Derao Andriamanitra,
Ka Hirao ny Haleloia
Ry Kerobimasy Serafima
Ry Arkanjely sy anjely
Mba redony ny Haleloia!
Haleloia!
Haleloia! Haleloia!
2.Ry Santa afaka ady ô,
Velomy re ny hoby izao;
Haleloia! Haleloia!
Ry namanay miandry ao
Am-Paradisa masina
Mba redony ny Haleloia
Haleloia!
Haleloia! Haleloia!
3.Ry mino tafakambana ô,
Miady aty an-tany izao,
He! Venteso Haleloia!
Hirao ny hiran-danitra
Hidera ny Mpanavotra,
Mba redony re ny Haleloia!
Haleloia!
Haleloia! Haleloia!
4.Ry Ray, Fanahy, Zanaka,
‘Zay Andriamanitra Iray
Raisonao ny Haleloia:
Mpanjakam-boninahitra
Deraina tsy mitsahatrta
Haleloia! Haleloia!
Haleloia!
Haleloia! Haleloia
Amena

167 231 540(ii)


Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazony ny fiainana mandrakizay
MAFY ny ady, miadia
Aza miamboho , matokia
Misy Mpamonjy momba anao
Sandrin’i Kristy ho herinao
2.Hazakazaho faingana
‘Lay satro-boninahitra,
Kristy no fara-dianao,
Làlanao Izy, sy lokanao
3.Aza mamoi-fo na manahy,
Momba anao ilay Mpitahy,
Jesoa mahery itafio,
Ka mahereza, ry kivy fo
4.Sasatra ve? Iadano Izy
Ketraka ve, iankino Izy;
Herinao Izy ka mandrosoa,
Kristy ho lovanao tokoa
Amena

182 232 342


Indro... eo ambaravaranao aho ka mandondona
IZA, iza, iza?
Jesoa , Jesoa, Tomponao!:
Zay Mpanjaka nivahiny
Tonga indray enkehitrio;
Mahagaga re izany!
Ka ampidironoa ry fo
2.Iza, iza, iza?
Jesoa, Jesoa, Lehy so!
Fa ny fonao nohidiana,
Sady feno tsy madio,
Koa sarotra vohana,
Mba hidiran’Izy io
3.Iza, iza, iza?
Jesoa, Jesoa, Havanao!
Tànana efa nohomboana
‘Zao mandona ao izao;
Maso feno fiantrana
No miotazana anay
Amena

517 233 546


Aoka ny anjelin’Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anatrehany
ANJELY masina,
Izay miandry ao
An-danitra hanoa
An’Andriamanitra,
Ampio’zahay
Hihoby fatratra
An’Andriamnitra
2.Fanahy sambatra
Sy tretrika tokoa,
Fa afaka ota koa,
Ka masina avokoa;
Ataovy izao
Ny fideranareo,
Hobio ny Tomponao
3.Ry olo-masina
Miasa fatratra,
Derao ny Tomponao
Mpanjaka Hvanao;
Hianao izao,
Na ory loatra
Na faly hianao
4.Ry foko, raisonao
An-kafaliana
Sy haravoana
Izay anjaranao
Hobio, hobio
Ny fiderana anio
Dia Haleloia Amena

364 234 300


Mpanjakan’ny Mpanjaka sy Tompon’ny Tompo
MIDERA ny Anaranao
‘Zahay ry Tompo ô!
Ka hira no ventesinay hoe:
Haja, Saotra, hery
Raiso ho Anao
2.He! voahombo Hianao
Nisolo heloka!
Ka mendrika hanaovanay hoe:
Haja, saotra, Hery ets
3.Endre ny fitiavanao!
Endre ny herinao!
Tra-pamonjena izahay, ka
Haja, saotra, hery,
Raiso ho Anao
4.Raha tonga ao an-danitra
‘Zahay mpanomponao
Hitohy reny hiranaay hoe:
Haja, saotra, hery, ets
Amena
App. 36 225 20
Izay manantona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
IZAO toetrako izao,
No anatonako Anao,
Tsy mba miala tsiny re,
Ry Zanak’Ondry Masina ô!
2 Izao toetrako izao
No anatonako Anao,
Satria ny Ra nalatsakao
No tokiko sy avotro
3 Izao toetrako izao
Mitebiteby, ory koa
Matahotra sy kivy fo,
No anatonako Anao.
4 Izao izaho ratsy izao
Mahantra sy tsy miendrika
Mpanota mitanondrika,
No anatonako Anao.
5 Izao toetrako izao,
Horaisinao, hodiovinao.
Fa azo itokiana
Ny teninao fa marina.
6 Izao izaho zao anie
Mba ho mpanomponao tokoa,
Ry Zanak’Ondry mora fo
Ho valin’ny fitianao.
7 Izaho ‘zao manandrana,
Kanefa hahita marina
Ny fitiavanao ary,
Ry Zanak’Ondry be fitia.
Amen

521 236 65
Efa nahazo maimaim-poana hianareo, omeo maimaimpoana
RY Zanahary Tompo ô
Anao ny dera lehibe;
He! Izahay re tia Anao,
Ray Mpanome.
2 Ny hazo sy ny voniny,
Hainandro, rivotra, orana,
Dia manambara Anao tokoa
Ho Mpanome.
3 Ny zava-tsoa anananay,
Ny ainay sy ny tenanay.
Dia entinay hisaotra Anao
Ray Mpanome.
4 Ny Zanakao malalanao
Nafoinao mba hanavotra
Ny olom-bery meloka
Ray Mpanome.
5 Ny Parakleto Masina,
Ny fanomezam-pitony,
Nalatsako mba ho anay,
Ray Mpanome.
6 Fa inona no havalinay
Ny indrafo, ny soa be.
‘Lay fanavotan-Janakao,
Ray Mpanome?
7 Izay atolotra Anao
Hitombo zato heny re!
Koa faly izahay izao
Mba hanome.
8 Fa Hianao, Ray Mpanome,
No anton’ny anananay;
Ka raiso re, fa Hianao
No nanome.
Amena.

270 237 22
Ny fahazavanao no hahitanay fahazavana
RAY Tsitoha, mba tsinjovy
Dianay vahiny ety.
Isan’alina irinay
Hazavanao soa.
2 Ry Mpamonjy, r aha hariva
Mba savao ny tahotray,
Hianao ilay Mazava
Iankinanay.
3 Ry Fanahy Tompon’aina
Raha ho faty izahay
Hianao no antenaina
Hanazava anay.
4 Tompo Trinite Mahery
Andro aman’alina
‘Zay ambenanao mahita
Hazavanao soa.
Amena.
589 238 569 (ii)
Tompoko, vonjeo fa maty izahay.
JESOA be fiantra
Zanaky ny Ray,
Feonay mahantra
Mba henoy izao.
2 Otanay afaho,
Fa mangeja anay;
Tompo ô, tapaho
Gradran-kelokay
3 Aoka mba ho azo
Fanafahanao;
Fo ampaherezo
Mba ho tia Anao.
4 Maizina ny tany
‘Zay onenanay,
Hianao ihany
Aoka ho lalanay.
5 Jesoa mitariha
Dianay ety;
Ento hahatratra
‘Lay mazava ary.
6 Jesoa be fiantra,
Feno indrafo:
Mihainoa Tompo,
Senton-janakao.
Amena

239 541
Maharitra amin’ny fanahy iray ireo, ka miray fo hiara-miezaka...tsy ho azon’ny fahavalo hianareo na
amin’inona na amin’inona
NY Lakroan’ny Tompo miantafika izao
Ka sahia mandroso hianao
Mba handresy ny rafy mamely anao
Indri Kristy mialoha anao
2.Indro Jesoa iraisam-panahy sy fo
Ikambanam-pinoana koe:
Raha latsaina isika aty, hankato,
Sy hitana tokoa ny Lakroa
3.Ny Batisa izay nanamarihana anao
Nitafianao hery tsitoha,
Nivoadiana mafy tsy maintsy hanao,
Ny ady nekena taloha
4.Raha akaiky ny mpaka fanahy anao,
Mba vonoy ny ady hatao,
Ka na inona ataony, tohero ho lao
Aza avela hikasika anao
5.Mba folahy ny nofoko, reseo ny saina,
Tsy hanompo ny ota fanao;
Ny fanahin’ny Tompo no hampanjakaina
Hahazoam-pahafahana izao
6.Aza mety ho taomin’izao tany izao
Lavo fatratra koa ny angoly
‘Zay itaomany mafy dia mafy anao,
Fa mpandroho mahay ny devoly
7.Ka na mafy ny ady mamely aty
He! Ny Tompo no momba izay
Ta-handresy aty mba handova ary
Sy hahazo ny lapan’ny Ray
Amena

411 240 233


Jerosalema any ambony izay renintsika
JEROSALEMA soa,
Tanàna an-kirako,
Honenanko tokoa
Ho fifaliako
He!
Tany soa
Hitoerako
Anilanao,
Ry Tompoko
2.Hianao Mpanjakanay,
‘Zay notsaraina taty,
Derain’anjely indray
Hobina indrindra ary
He! Tany, ets
3.Ny Patriarika taloha,
Miala sasatra any
Profeta maro koa
Mahita ilay niriy
He! Tany, ets
4.Apostoly sambatra
No tena mponina ao,
Ny hira fatratra
Dia ren’izay hankao
He! Tany, ets
5.Indro Maritiora koa,
‘Zay nahafoy ny aina,
Mandray ny valisoa,
Ka faly ny fo sy saina
He! Tany ets
6.Izaho aty an-day
Misento sy tomany
Hiakatra amin-dRay,
An-dapa ambony any
He! Tany, ets
Amena

367 241 328


Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an-ony no anirian’ny fanahiko Anao Andriamanitra ô
RY Tompo ny fanahiko
Mangetaheta Anao,
Ka toa diera sasatra
Maniry rano’zao
2.Hianao ihany Tompo ô
Iriko hatrety
Ka enga! Ka hatrehiko
Ny voninahitrao
3.Nahoana, ry fanahiko
No ory hianao?
Ny Tompo iankinonao
Hamonjy, ka derao

4.Jehovah Vatolampiko
Mahery Hianao,
Arovy aho hatrizao
Hifaly aminao
5.Ray, Zanaka, Fanahy ô
Ny dera ho Anao
Taloha sy ankehitriny
Mandrakizay doria
Amena

553 242 360(ii)


Vonjeo ny olonao, ary thaio ny lovanao
JEHOVAH Tompo ô!
Tahio sy hatsarao ny taninay;
tahio ny namanay
ho tia ny teninao,
Dia ampahazavao
Ny nosinay
2.Ovay ny fombanay
Ho foin’ny taninay
Ny sampiny;
Omeo fo marina
Izao rehetra izao
Ka dia mba iantrao
Ny nosinay
3.Jehovah Tompo ô!
Tahio ho olonao
Ny zanakay;
Tahio ny zanakao
Tahio ho marina
Ka dia ho taninao
Ny nosinay
4.Izay mpitondra anay
Tahio ho tia Anao
Jehovah ô!
Omeo sai-marina
Hanao ny sitrakao
Ka ampanompoy Anao
Ny nosinay
Amena

418 243 679


Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika
JESOA Tompo lehibe
Iraky ny Rainy
Nolatsain’ny marobe;
Tsy mba nohajainy,
Jesoa tia, Jesoa ti;
Maty voahombo;
Maty tany Kalvary,
Maty re ny Tompo
2.Ory loatra fahizay,
Zanak’ondry mora;
Maty mba ho solonay,
Sady voakora,
Jesoa tia, ets
3.Nalahelo be nanjo,
Nefa tsy nanota,
Fa nijaly an-tsitrapo,
Tany Gologota
Jesoa tia ets
4.Jeso ano Mpamonjy tia,
Nahafaoy ny ainy
Mba hamory izay mania
Hody amin-dRay;
Jesoa tia, ets
Amena

534 244 306


Ny Anaran’i Jesoa no handohalihan’ny lohalika rehetra, na ny an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any
ambanin’ny tany
JESOA, hoderaina
Ny Anarany,
Sy hankalazaina
Voninahiny;
Sitrak’i Jehovah
Mba hitsahoahana
Sy hatao hoe Tompo
Jesoa Zanaka
2.Izy irery ihany
Nahariana
Lanitra sy tany,
Hamaroana,
Hery, fanjakana,
Sy anjely koa,
Feno fiderana
Azy avokoaz
3.Fa nanetritena
Tonga olona
Izy, ka nomena
‘Lay Anarana
Jesoa no Mpamonjy
‘Zay Isaorana;
Ka ho voavonjy
‘Zao ny olona
4.Fomban’olom-bery
No nasandratra,
Sy nomeny hery
An-danitra
Mponina an-tany
No horaisiny
Mba hiakatra any
Raha olony
5.Atolory Azy
Fo ho lapany;
Asandrato Izy
Ry navotany:
Izy Kapiteny
Loha-làlanao,
Ka ny fandreseny
Haherezonao
6.Ka derao hatrany
Ny Anarany,
Fa tsy hita lany
Fitiavany;
Tompo sy Mpanjaka
No mpanavotra;
Tonga teto Izy
Hahasoa anao
7.Ary koa ho avy
Ka handray anao,
Tsy mba ho mpihavy
Na ho mpanavao
Fa ho tompon-tany
Sady zanany
Ka ho mpino any
Amin-dapany
Amena
297 245 662
Inona no havaliko an’i Jehohava noho ny soa rehetra nataony tamiko?
Ny andro vao maraina koa,
No hihiram-pisaorana
Ny Tompo tia sy Mpanasoa,
Nanolo-pitahiana;
Nohodidinin-doza tao
Anaty aizina izahay
Tsy nisy izay nanjo izao
Fa soa aman-tsara indray
2.Ny mitataovovonana
‘Zay ora fitsaharana,
Dia mahabe fisaorana
Ny Mpanome fiadanana;
Hakarinay an-danitra
Ny feo fihobiana,
Fa sitrak’Andriamanitra
Ny deram-pifaliana
3.Ny andronay hariva koa,
‘Zay ialana sasatra,
Dia mampifaly fo tokoa
Sy mampihoby fatratra,
Hisaotra ny Mpamorona,
Nandahatra ny zavatra
‘Zay hanasoa ny olona
Mahantra mba ho sambatra
4.’Lay Fanomezan-Tokana
Indrindra no hisaorana;
Ny very dia navotana,
Ny maty novelomina;
Ka mihobia ny Avotrao
Ry olona rehetra izao,
Akaro re ny feonao
Hidera ny Mpanavotrao,
Amena

552 246 65
Ity no andro nataon’i Jeohovah
ALAHADY andro soa,
Hiderana Anao ry, Ray
‘Zay namorona avokoa
‘Zay rehetra anananay
2.Izahay hidera Anao,
Zanaka Mpanavotra;
Alahady toy izao
Nandresenao fasana
3.’Zao hitsaohanay tokoa
Perakleto Masina,
Tonga anio ho Mpanasoa
Zanak’olombelona
4.Ray Mpamorona olona,
Taomy ny fanahinay,
Mba ataovy masina
Araka ny Endrikao
5.Jesoa Tafatsangana
Mba velomy izahay
Ho fanati-masina
Eto anatrehanao
6.Ry Fanahy Masina,
Hazavao ny hevitray,
Ampidinonao anio
Fitiavan-dehibe
7.Trinite Isaorana ô!
Mitoera aminay
Izahay te-ho olonao,
Raiso re ny tenanay
Amena

452 247 224


Raha niara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa
ENDREY! Ry mpivahiny,
Ny hasambaranao
Manara-dia iny
Mpamonjy Tomponao

2.Niasa fatratra Izy


Ho an’ny olona,
He! Noana sy nihafy
Mba hianaranao
3.Lakroa dia nozakainy
Mba hamonjena anao;
Ny satro-panjakany
Hasatrony anao
4.Ireny mihitsy Izy,
Sy entanao tokoa;
Ny fitiavana Azy
Ataovy be tokoa
5.Ny loza izay mahazo
Ny alahelo be,
Fakam-panahy maro,
Izay mamely re,
6.Tsy inona izany,
Fa tena tahotra
Hiakaranao indrindra
Ary an-danitra
7.Andeha ry mpivahiny,
Jereo ny lanitra
Ny hasambarana any
No valisoanao
Amena

488 248 211


“Mifohaza ry rivotra avy avaratra; avia ry avy any atsimo, mitsofa eny an-tsahako hielezan’ny fofony
manitra”
AVIA, ry Fanahy ô,
Tahio ‘zahay izao,
Hitombo hanamasinana,
Ho tena zanakao
2.Ny tenanay atolotray
Ho fitoeranao;
Ny teny, asa, hevitray
Mba anjakao tokoa
3.Hianao nanomba fahizay
Tambony rano be;
Omeo endrin-tsoa izao;
‘Zay noforoninao
4.Fanahin’i jesoa Tompoany
Ampionao izahay
Hahay midera sy ho tia
Ny Tomponay ary
5.Ry Rivotr’Andriamnitra
Hetseho ny sahanao
Hamoaka fofo-manitra
Ho voninahitrao
6.Ny hasoavan-dehibe
Aidino aminay,
Mba hahafantaranay aty
An’Andriamanitra
Amena

413 249 151(Alt)


Anao aho sy izay rehetra ananako
RAISO aho, Tompo ô!
Fa te-ho mpanomponao;
Raiso koa ny androko
Ka anarano fo izao
2.Raiso re ny tànakao
Mba hanao ny asanao;
Raiso koa ny tongotro
Ho fanirakirakao
3.Raiso ny fahaizako,
Ento mba hanajao Anao;
Raiso koa ny volako
Ho Anao tokoa izao
4.Raiso re ny vavako
Hanambara ny hafatrao;
Raiso koa ny feoko
Ho mpanandratra Anao,
5.Raiso ny fanahiko,
Diovy ny tempolinao;
Raiso aho, Tompo ô!
Ho Anao mihitsy izao
6.Ho Anao manokana,
Ry Mpamonjy, Tompo soa!
Ho Anao dia Anao tokoa
Ho Anao mandrakizay
Amena

587 250 573


Endrey ny hamaroan’ny soanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovana azy rehetra
ASAN’Andriamanitra
Izao rehetra izoa,
Ka ny voninahitra
Omeo ny Ray Mpanao
2.Ny vorona ao an-ala
Nomeny elatra,
Ny voninkazon-tsaha
Nomeny soratra,
Asan’Andriamnitra, ets
3.Ny olona mahantra,
Sy ireo mpanjatobe,
Nataony samy hafa,
Handray ny soa be,
Asan’Andriamnitra, ets
4.Ny tendrombohitra avo,
Ny renirano koa,
Ny alina, ny andro,
Nataony avokoa,
Asan’Andriamnitra, ets
5.Ny andro lohataona,
Sy fahavaratra,
Rririnina manara,
Dia tsara lahatra,
Asan’Andriamnitra, ets
6.Ny vokatry ny tany,
Ny fararano koa,
Ny lanitra aman-tany,
Dia azy avokoa
Asan’Andriamnitra, ets
7.Ny tena sy fanahy
Ananan’olona
Nomen’ny Zanahary,
Ka Izy no derao,
Asan’Andriamnitra,
Izao rehetra izao
Ka ny voninahitra
Omeo ny Ray Mpanao
Amena

329 251 83
Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro, ary nandeha tamin’ny herin’izany hanina izany
RY Tompo, hatanjahonao
Ny tànana nandray izao
Ireto Zava-masinao
Hanaovanay ny sitrakao
2.Ny sofinay’zay nahare
Ny fiderana vao natao,
Dia aoka aneia mba tsy handre
‘Zay tabtaba foana izao,

3.Ry Tompo ô, ny vavanay,


Ny masony, ny tenanay,
‘Zay nanompoanay Anao,
Dia aoka hohamasininao
4.Ny fo’zay nofahananao
Ny Ranao sy ny Tenanao,
Vokiso sy fnoinao
Ilay fiainana vaovao
Amena

450 252 165


Tompo ô, efa fonenanao hatramin’ny taranaka rehetra Hianao
RY Tompo ô, fonenanay,
Ampinga Hianao
Fiarova-mahatoky koa
Sy famonjena anay
2.Ny Elatrao tsitoha re!
No fialofanay:
Ny sandrinao mahery koa
No tena tanjakay
3.Andriamnitra tokoa
Hatramin’ny taloha
Tsy miova fa maharitra
Hianao, ry Tompo ô
4.Arivo taona aminay
Mihelina aminao,
Mandalo toy ny aloka
Eo anatrehanao
5.He! fohy sady vitsy re!
Ny andronay ety,
Mimaona toy ny riaka
‘Zay tsyt mijanona
6.RY Tompo ô, tsinjovinao
‘Zahay mpanomponao
Aoka Hianao ho tokinay
Sy ho fonenanay
Amena

253 340
Ny ankizy madinika hiantso hoe: Hosana!
HOSANA! Nataon’ny ankizy soa
‘Zay nidera ny Tompo tary Salema;
Nandray zazakely manatona
Hianao ry Mpanavotra isaorana
Haleloia no hiran’ny zaza ary
‘Zay arahin-dokangan’ny Paradisa:
Taianay mba haharitra koa ary
Ny nalehan’ireo afaka ady ireo
2.Hosana, vonjeo izahay izao,
Ry Mpamonjy malala sy be fitia;
Tsy tambo isaina ny asanao
‘Zay natao hamonjena anay mania
Haleloia ianaranay tsara aty
Haleloia akarina ho re aty
Mba tariho, ry Jesoa, ny dianay
Ho tanteraka any an-tranon-dRay
Amena

LITANY
390 254 292(ii)
Mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô!
ZANAHARY tia ahy
Dia ny Ray sy Zanaka
Ary koa ny Fanhy
Miantrà ny olonao
2.Aza mahatsiaro ota,
Aza tezitra amiko,
Amindrao fo ny mpanota,
Miantrà ny olonao
3.Noho ny nakanao nofo,
Noho ny nahaterahanao,
Noho ny namorana Anao ô,
Miantrà ny olona
4.Hianao natao batisa,
Dia nifady Hianao
Noho ny ady tsy hita isa:
Miantrà ny olonao
5.Noho ny fahoria-mafy
Sy ny nahafatesanao,
Noho izany, ry Nihafy,
Miantrà ny olonao
6.Velona Hianao, ry Tompo,
Ka nankao an-dapanao,
Noho izany, Jesoa Tompo,;
Miantràa ny olonao
7.Asehoy ny indrafonao
Raha ory izahay,
Raha maty sy tsaraina
Miantrà ny olonao
Amena

(HO AN’NY EKLESIA)


647 255 463
ANDRIAMaNITRA Tompo ô
Ray, Fanahy, Zanaka
Henoy ao an-dapanao
Trinite Isaorana ô
2.Jesoa Tompo, mba tahio
Ny Eklesia Tenanao,
Ka arovy izy izao
Mihainoa, Jesoa ô
3.Aoka re ny sandrinao,
Sandrim-pitiavana,
No ho fanampiana azy
Mihainoa, Jesoa ô
4.He! ny fahavalony
Hisafoaka aminy;
Asehoy ny herinao;
Mihainoa, Jesoa ô
5.Aoka mba harovany
Ny finoana marina
Efa voatolotrao azy
Mihainoa, Jesoa ô
6.Aoka ho re ny feony
Fananarana olona
Ho madio sy masina
Mihainoa, Jesoa ô
7.Aza atao tsininy
‘Zay mba ho firaisany
Akambano izy indray
Mihainoa, Jesoa ô
8.Aoka ho tadiaviny
Ny mania, ka entiny
Hody any aminao
Mihainoa, Jesoa ô
9.Aoka hampiononiny
‘Zay tra-pahoriana
Sy ny torotoro fo
Mihainoa, Jesoa ô
10.Aza avela hihemotra
Na ho mangatsiaka
Fitiavany Anao
Mihainoa, Jesoa ô
11.Aoka ny Ministerany
Ho mpiandry marina
Ondrinao andrasanay
Mihainoa, Jesoa ô
12.Aza atao ho helony
Raharaha tsy vitany,
Tany tsy nalehany
Mihainoa, Jesoa ô
13.Aoka ho malahelo izy
Noho ny lasa, ka tahio
Amin’ny ho avy re!
Mihainoa, Jesoa ô
14.Aoka ho ren’ny jentilisa
Feom-pamonjeny é!
Ka ho voazava ireo
Mihainoa, Jesoa ô!
15.Aoka mba hirehitra
Jirom-pahamarinany
Eran’izao tontolo izao
Mihainoa, Jesoa ô!
16.Aoka hiady tsara re
Ny miaramilanao,
Ka tsy resin-tahiotra
Mihainoe, Jesoa ô
18.Amboary izy izao
Mba ho miendrika handray
Ny haren’ny lanitra
Mihainoa, Jesoa ô
Amena

(HATAON’NY ZAZA)
649 256 473
ANDRIAMANITRA Tompo ô!
Ray, Fanhy, Zanaka
Henoy ao an-dapanao
Trinite Isaorana ô!
2.Jesoa zanak’i Maria
Tonga olombnelona
Mba ho zaza toa anay
Mihainoa, Jesoa ô!
3.Notafian-dreninao
Lamban-jaza Hianao
Tao anaty vilona
Mihainoa, Jesoa ô
4.Novangian’olona
‘Zay niandry ondriny
Tao an-tsaham-Betlehema
Mihainoa, Jesoa ô
5.Noforana Hianao,
Notrotroin’i Simeona
Notompion’i Ana koa
Mihainoa, Jesoa ô!

654 FIZARANA II
6.Amin’ny avonavona,
Amin’ny fahatezerrana,
Amin’ny fialonana,
Mmonje, ry Jesoa ô!
7.Amin’ny hevi-tysy madio,
Amin’ny teny ratsy koa,
Amin’ny fahasarotam-po
Mamonje ry Jesoa ô!
8.Hankato ny didinao,
Hankahala heloka,
Mba ho zanakao tokoa
Mitariha, Jesoa!
9.Mba hazoto izhaay,
Tia fivavahana,
Tsy ho resin-Tsatana
Mitariha Jesoa ô!
649 FIZARANA III
10.Noho ny naterahanao
Noho ny ranomasonao
Noho ny fahorianao:
Mamelà, ry Jesoa ô!
11.Noho ny satro-tsilonao
Noho ny Ra nalatsakao,
Noho ny nitsangananao
Mamonje, ry Jesoa ô!
12.Noho ilay Anaranao
Iondrehan’olona
Sy ny ao an-danitra:
Mamonje, ry Jesoa ô!
13.Noho ny herinao tsitoha,
Noho ny voninahitrao,
Noho ny famindramponao:
Mamonje, ry Jesoa ô!
Amena

METY HATAO AMIN’NY (FOTOAM-PIFADIANA)


App 60 257
RAY be valianay ratsy,
Kristy nihantona tamin-dakroa
Ny Parakleto mampiaiky ny diso;
Ny Tompo tsara, henoy
2.Jesoa malala Mpamonjy ny very
Fanantenanan’ny mpanota mania
Ry Mpanasoa sy be famindrampo:
Ry Tompo tsara, henoy
FIZARANA I
3.Jesoa nanoa ray aman-dreny
‘Zay nofidinao hitaiza Anao
Jesoa nalain’ny devoly fanahy:
Ry Tompo tsara, henoy
4.Ry nanambara ny Ray be fitia
Avy mitsena ny zanaka adala
Faly tokoa fa hita ilay very
Ry Tompo tsara, henoy
5.Ry nampibebaka ilay vehivavy,
Ka mampiseho ny ota natao,
Mba hiovan’ny mpanota fanahy;
Ry Tompo tsara, henoy
6.Ry nampifaly ny fon’i Zakaiosy
Sady nanaiky ny teniny hoe:
“Raha diso aho dia manao famonjena”:
Ry Tompo tsara, henoy
FIZARANA II
7.Jesoa nitandrina ilay paska farany,
Tandindona Zanak’ondry tokoa,
Hanitra ankasitrahan’ny Rainao;
Ry Tompo tsara, henoy
8.Ry malahelo sy oryu indrindra,
Nefa nanaiky ny tian’ny Ray
Ry niakohoka tamin’ny tany:
Ry Tompo tsara, henoy
9.Ry voakapoka sy nororana
Nihomehezan’i Heroda mpanjaka
Ry notsarain’i Anasy sy kaiafa;
Ry Tompo tsara, henoy
10.Jesoa nitodika dia nijery
An’i Petera nasian’i Satana,
Dia nivoaka izy ka nitomany:
Ry Tompo tsara, henoy
11.Ry voasandratra ampahibemaso
Mba hahatonin’ny maty rehetra
Ry voalefona noho ny ota
Ry Tompo tsara, henoy
(tokony hatao manaraka ny isam-pizarana ireto andininy roa ireto)
12.Aoka hamoronanao fo torotoro
Ny olonao, mba hiaiky tokoa
Aoka hotarihinao mba ho hihatsara
Ry Tompo tsara, henoy
13.Aoka hotovin’ny asa ataony
‘Zao fibebahana ekenao izao
Ka ho tanreraka hatramin’ny farany
Ry Tompo tsara, henoy
Amena

NY HAZO FIJALIANA
656 258
FIZARANA I
(Ny fanontaniana)
He! Ny akanjony
Voaloton-dra;
He! Mitomany ny
Havany
2.Mavesatra entana Izy,
Reraka koa;
Indro! Tsy zakany
Ny Lakroa
3.Fa misy anankiray
Manatona eo,
Dia Simona manampy Azy
4.Entiny aiza moa
Ilay Lakroa?
‘Lay vao n,itondra azy
Iza io?

FIZARANA II
(Ny valiny)
5.Aoka izy harahina
Ao Kalvary
Fa Andriamnitra
Zanaka Izy
6.Raha misy mba tia Azy
Hitanareo
He! Manatona Azy
Ka jereo
7.Moa tsy mangoraka
Ny Tomponao
‘Zay voahombo eo
Hianao?
8.Aoka hodinihinao
Fatratra anio
Hazo fijaliana
Mafy io
FIZARANA III
(Ny Tantara)
9.RY voasandratra
Hanjiniko
Ilay tarehinao
Masina
10.Tsilo no satrokao
Mpanjaka ô
Hazo maraorao
No sezanao
11.Fantsihan’olona
Ny Taànanao,
Sy boroahany
Tongotrao
12.Ny Lanivoanao
Lefoniny;
Tsy misy miseho ho
Antra Anao
13.He fitiavana!
Ny Ranao spa
Alatsaka ho anay
Meloka
14.Tsy misy ondana
Horehanao
Hazo ihany ao-
Danitrao
15.Injao mandatsa Anao
Ny jiolahy:
“Vonjeo ny Tenanao
Sy izahay”
16.Difo-pahoriana
Mitsinjo eo
Maria Virijina
Reninao
17.Hainandro, mahamay
Mamiratra
Voasaron’aizina
Tampoka
18.Mafy ny antsonao;
Aondrikao
Am-pietrentena ny
Lohanao
19.Indro! ny soratra
Milaza Anao;
Mpanjaka Tokana
Hianao
20.Inona no hitanao
Ao amiko
No andeferanao
Toy izao!
FIZARANA IV
(Ny fiantsoan’i Jesoa )
21.Tonga Aho, ry zanako
Mba hanome
Ny fijaliana
Lehibe
22.Hitakoà hianao
Naniasia,
Ka notadiaviko
Be fitia
23.Ny Ra nalatsako
Ho avotrao,
Aiko natolotro
Ho Anao
24.Aza tomany Ahy,
Ry zanako,
Fa manafaha ny
Toetro

FIZARANA V
(Ny famaliantsika)
25.Eny, harahiko
Ny dianao,
Mandra-pahitako,
Tavanao
26.Tsy mba irery aho
Ry Tompo ô,
Raha Hianao no ho
Namako
27.Na dia tsy zaka azo
Ny entako
Hianao hiaraka
Amiko
28.Ka raha tapitra
Ny androko
Raiso ny zanakao,
Tompo ô!
Amena
ANTIFONA
FANAO AMIN’NY PASKA
259
1.Voavono Kristy Paska ho antsika: ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana;
2.Tsy amin’ny masirasira ela na amin’ny masirasira lolom-po sy ny faharatsiana: fa amin’ny mofo
tsy misy masirasira dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana 1Kor.5.7,8,
3.Rehefa nitsangana tamin’ny maty Kristy dia tsy maty intony Izy: tsy manan-kery aminy intsony ny
fahafatesana
4.Fa ny amin’ny nahafatesany dia maty ny amin’ny ota indray mandeha Izy: fa amin’ny
ahavelomanay kosa dia velona ho an’Andriamnitra Izy
5.Ary aoka ho tahaka izany koa hianareo ka ny tenananreo ataovy ho efa maty ny amin’ny ota: fa ho
velona ho an’Andriamnitra ao amin’i Kristy Jesoa Rom 6,9-11
6.Efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy: ho santatr’izay efa nodimandry
7.Ary satria ny olona iray no niosehoan’ny fahafatesana: dia ny olona iray kosa no nisehoan’ny
fitsangananan’y maty
8.Fa tahaka ny ahafatesanan’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy 1Kor 15,20-22
Ho an’ny Ray sy ny Zanaka: ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra
Tahaka ny hatramin’ny taloha sy ankehitriny: ary mandrakariva ho mandrakizay doria Amena

ADVENTA
260
Hariva A & M45 Boky fih: 44)
Avy Andriamanitra ka tsy hangina
RY Jesoa ô, Mpanavotra,
Mpamorona ny kintana;
Mba hazavao ny olonao,
Henoy ny fivavahanay
2.Fa Hianao no nidina
Mba hanasitrna anay,
Fandrao ho faty izahay
Fitahin’ny Mpamitaka
3.Naterak’i Maria Virijina
Dia voavono Hianao,;
Hanaisotra ny otanay
Noho ny Ranao latsaka
4.Izany no andraisanao
Ny fiderana lehibe,
Iankohofan’ny Anjely
Sy angovitan’i Satana
5.Mpitsara olomùbelona ô
Mba raiso re ny vavakay
Arovy ny mpanomponao
Enjehin’ny fahavalony
6.Ny dera, laza, hery koa
Atolotray mpanomponao;
Mba raisonao, ry Trinité
Ray? Zanaka, Fanahy ô
Amena

261
Maraina (A &M 46 Boky Fih 21)
Injany; misy feon’ny miantso hoe: Amboary ny làlan’i Jehovah
HENOY ny feo mora re
Manaisotra ny aizina:
Miarena ry rendrehana
Miseho izao ny Tomponao
2.Ario ny halainana
Ka mitsangàna haingana
Jereo ny Kintana vaovao
Mpanaisotra ny helokao
3.Ny zanak’Ondry avy izao
Hanavotra olombelona
Samia miankohoka
Fa Izy mamela heloka
4.Rehefa tafaverina Izy
Hitsara izao tontolo izao
Ny fitiavany anie
No tsy hamaizany antsika
5.Ny dera laza, hery koa
Atolotray mpanomponao
Mba raisonao, ry Trinite
Ray, Zanaka, Fanahy ô
Amena

262
Ny antifona lehibe
Ny Anarany atao hoe Mahatgaga
“O Sapientia” (16 Décembre)
Ry Tena Fahendrena ô, Izay nivoaka avy tamin’ny vavàn’ny Avo indrindra tsara ny zavatra rehetra:
avia ka omeo anay ny fahazavan-tsaina
“O Adonia” (17 Décembre)
Ry Tompo sy Mpitari-dalana ny Zanak’Israely ô: Izay niseho tamin’ny Mosesy teo anaty lelafo teo
amin’ny roimemy. Ary nanome azy ny Lalàna tany Sinay: avia, ka vonjeo amin’ny sandrinao mahery izahay
“O Radix Jesse” (18 décembre)
Ry Solofon’i Jese ô: Izay nitsanagana ho Fanevan’y firenena ka hitampenan’ny mpanjaka vava. Ary
hotadiavin’ny jentilisa: avia ka vonjeo izahay, fa aza mitaredretra
“O Clavis David” (19 décembre)
Ry fanalahidin’i Davida sy Tehim-panjakaàn’Israely ô, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy
ka tsy hiosy hamoha, avia hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-tranomaizina: ary izay mipetraka ao amin’ny
maisina sy ny aloky ny fahafatesana
“O Oriens” (20 Décembre)
Ry Tena Mazava sy Famirapiratran’ny voninahitry ny Ray mandrakizay ô: Hianao no
Masoandron’ny Fahamasinana, Avia ka hazavao izay mipetraka ao amin’ny maizina: sy ny aloky ny
fahafatesana
“O Rex Gentium” (21Décembre)
RY Mpanjakan’ny mpanjaka ô, Ilay nirin’ny firenene rehetra: Hianao no Fehizoro mampiray ny
olonao rehetra, Acia, ka vonjeo ny olombelona: izay noforoninao avy tamin’ny vovo-tany
“O Emmanuels” (22 Décembre)
Ry Imanoely, Mpanjaka sy Mpanome Lalaàn,a anay ô:Ilay irin’ny firenena sy famonjena azy. Avia
ka vonjeo izahay: ry Tompo Andriamanitray
“O Virgo Virginum” (23 Décembre)
Ry Virijina sambatra ô, ny Mahery efa nanao zavatra lehibe taminao; fa fahiny dia tsy nisy tahaka
anao, ary any aoriana dia tsy hisy tahaka anao intsony. Fa izay nataon’Andriamnitra: dia zava-miafina
mahatalanjona
(*) Atao mialoha sy manaraka ny “Magnificat” ireto antifona ireto. Azo anaovana azy ny tiona fanao
ao amin’ny Litany amin’ny hoe: “Tompo ô, mitsangana ka ampio izahay...”

KRISTMASY
263
Hariva (A &M57 Boky Fih: 31)
Nataon’ny Fanhy Masina nofo avy tamin’i Maria Virijina ary natao olona
RY Jesoa ô, Mpanavotra
Sy Andriky ny Ray Tsitoha
Mitovy voninahitra
Sy fihaviana tokoa
2.Ilay Mazava Hianao
Sy Tokin’olombelona
Tongava re, ka mba tahio
Ny vavakay atao anio
3.Tsarovy ny nandraisanao
Tan-kibon-ndreninao madio
Ny fomban’olombelona
Ka mamonje, ry Tompo ô
4.Ny taona mitsingerina
Mitondra ho anay indray
Ny andro, ka isaoranay
Anao, Mpamonjy tokana
5.Nilaozanao ny Rainao tia
Hizaha ny ondrinao mania;
Ka mankalaza Anao izao
Ny asanao, ry Tompo ô
6.Koa faly izahay anio,
Fa voasasa ka madio;
Ny fonay tsy mba reraka
Fa Hianao no teraka
7.Derainay Jesoa, Hianao
Naterak’i Maria Virijina
Derainay koa ny Ray Tsitoha
Sy ny Fanahy Masina
Amena

264
Maraina (A & M.63, 486ii: EH 18 Boky Fih:44)
Niteraka ny Lahimatoany izy dia nohididininy Lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ny fihinam-bilona
MANAOVA fihiram-baovao
Maneram-bazantany e
Ka arahabao ny Tompontsika
Naterak’i Maria Virijina
2.Jesoa Mpamorona antsika
Dia naka nofo aman-dra
Hanolotra fanatitra
Ho famonjena olona
3.Endrey! vaovao miafina!
Maria ilay Virijina madio
Nomena hery lehibe
Nitoe-jaza masina
4.Ka tonga trano atokana
Nonenan’Andriamnitra
‘Lay kibo sambatra tokoa
Tsy voalotom-pahotana
5.Ny fihinanam-bilona
Nandrian’ny Zaza masina;
Nampinonoin’ny Reniny
‘Lay Mpanome fiainana
6.Nihira tany ny Anjely
Sy nankalaza ny Tsitoha
Ireo mpiandry ondry koa
Nitsaoka ny Mpiandry soa
7.Derainay, Jesoa Hianao
Naterak’i Maria Virijina
Derainay koa ny Ray Tsitoha
Sy ny Fanahy Masina
Amena

NY TSY MANAN-TSINY
265
(A & M 68: EH: 38 Boky Fih: 47)
Tezitra indrindfra Heroda ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin’nyt roa taona no ho midina,
izay tao Bethlehema sy tamin’ny manodidina rehetra
HE! Arahaba, zaza e!
‘Zay novonoin’i Heroda
Ka toy ny raozy vao miseho
Nofaohin-tafio-drivotra
2.Indreo zaza tonga ary
Ho santatry ny Ekesia
Ka dia nandrayny valisdoa
Nomen’i Kristy Tompony
3.Derainay Jesoa, Hianao
Naterak’i Maria Vgirijina:
Derainay koa ny Ray Tsitoha
Sy ny Fanahy Masina
Amena
EPIFANIA
266
(Hariva (A &M 723, EH 38 Boky Fih 47)
Naseho tamin’-kery ho Zanak’Andriamnitra
HE! Atahoran’i Heroda
Mpanenjika masiaka
Ny Fanjakan’ny Tompontsika
Mpanapaka ny lanitra
2.Mpanjaka feno fahendrena
Nitondra fanomezana;
Dia notarihin’ny kintana
Nitafy Ilay Mazava be
3.Natao Batisa tao Jordana
Ny zanak’ondry masina
Mba hanavaozany antsika
Mpanota tsy mendrika
4.Endrey! ny fahefam-baovao;
Nanova rano ho divay
Tao Kana any Galilia
Ny tenin’ny Mpanjakantsika
5.Derainay, jesoa, Hoianao
Niseho tamin-Jentilisa:
Derainay koa ny Ray Tsitoha
Sy ny Fanahy Masina
Amena

NY ALAHADY SY NY ANDAVANANDRO
267
Asabotsy hariva (A & M 20 Boky Fih 12)
Ny masoandro lasa izao
NY Masoandro lasa izao,
Ry Unité Mazava ô!
Ny Trinité itsahoanay
Mba hasoavy izahay
2.Ankalazainay Hianao
Maraina sy hariva koa:
Mba raiso ny fisaoranay
Mpanomponao mendrika
3.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny zanaka
Sy Parakelto Masina
Dia Trinité Isaorana
Amena

268
Alahady maraina
(A & M.4,173 Boky fih: 6°)
MPAMORONA Tsitoha ô,
Mpandamina ny andronay,
Alahatrao mba ho anay
Ny andro aman-alina
2.Miala izao ny aizina,
Miseho ny mazava indray;
Tsy misy atahoranay
Ny fahefan’ny maizina
3.Injay! maneno ny akoho:
Miarena, ry rendrehana,
Faingàna, mitsangàna re,
Ka tanteraho ny asanao,
4.Ny herin’Andriamnitra
No azo itokiana
Mba hanavaozanao indray
Ny fanompoana masina
5.Arovy, Jesoa, izahay,
Diovy ny mpanomponao,
Ka mamelà ny helokay,
Esory koa ny otanay,
6.Mazava ô, mba misehoa
Ka hazavao ny hevitray,
Hanaovanay tanteraka
Ny sitraponao masina
7.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny Zanaka
Sy Parkleto Masina
Dia Trinité isaorana
Amena

269
Alahady hariva (E.H.51Boky fih:12°)
Andriamanitra nanao hoe: Misia Mazava: dia nisy Mazava
RY Andriananahary ô
“Misia Mazava” teninao
No naharianao tokoa
Ny fahazavana mahasoa
2.Hianao no nampisaraka
Ny andro sy ny alina:
He! Tonga izao ny aizina
Henoy ny fitarainanay
3.Omeo anay ny herinao
Hitananay ny marina
Sao voafitaka izahay
Ka very indray ny lova soa
4.Tariho lalana izahay
Hanaraka ny didinao
Mba haharongavanay ary
Hahita Anao an-danitra,

5.Ekeo ny fivavahanay,
Ry Trinité isaorana,
Ray, Zanaka, Fanahy ô
Mpamonjy sy Mpanjakanay
Amena
(*Samy azo ihirana ny 268 sy ny 269 ny tiona fanao amin’ireto fihirana ireto: 140, 188, 204, 231)
270
Alatsinainy maraina
(A & M 2 Boky Fih: 8)
Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny Tenany indrindra
RY Jesoa Fahazavana ô,
Ny Endriky ny Ray Tsitoha,
Mazava marina Hianao;
Mba hazavao ny andronay
2.Hianao no Masoandronay,
Ka ampidino aminay
Ny herin’ny Fanahinao
Hitahy sy hanasoa anay
3.Ny Ray Tsitoha isaoranay,
Dia Ray be voninahitra:
Ampitomboy anatinay
Ny fitiavanay Anao
4.Tariho lalana izahay
Hahafantatra ny sitrakao;
Omeo anay ny herinao
Mba hahazakanay ny manjo
5.Arovy izahay anio
Mba tsy ho resin’i Satana
Ka aoka ny finoanay
No hanompoanay Anao
6.Mamelona ny fanahinay
‘Lay Mofon’aina masina
Izay omenao, Jesoa ô
Ho an’izay matoky Anao
7.Ho faly izahay anio
Hitandrina ny didinao,
Hitana ny Finoana
Handresy izay manohitra
8.He! tonga ny maraina izao
Ka miposaka aminay
Hianao Mazava marina
Sy Zanaky ny Ray Tsitoha
9.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny Zanaka
Sy Parakleto Masina
Dia Trinite Isaorana Amena

271
Alatsinainy hariva (A & M 23)
E.H.58-61.Boky Fih: 8
Dia nisy hariva ary nisy maraina, andro faharoa izany
RY Fahendrena masina ô
Nahary izao rehetra izao
Nasianao habakabaka
Ka dia niseho ny lanitra
2.Navahanao toerana
Ny rano sy ny rahona;
Ka azonay onenana
Ny tany noforoninao
3.Irinay ny tsodranonao
Hitahy ny fanahinay
Mba tsy hivadibadika
Fa tony sady maotina
4.Ry Jesoa ô, inoanay
Hianao Mazava marina;
Tariho ny mpanomponao
Mba tsy ho diso lalana
5.Ekeo ny fivavahanay
Ry Trinité isaorana
Ray, Zanaka, Fanahy ô
Mpamonjy sy Mpanjakanay
Amena

272
Talata maraina (A & M 2 Boky Fih: 8)
Miambena, ka mivavaha
MISEHO sy mazava izao,
Miantsoi Jesoa Tompontika
Hanaraka azy Mpanome
Fiainana tanteraka
2.Henoy izao nyu feony;
Miarena, ry rendrehena,
Miambena ary mivavaha
Fa antomotra ny androko
3.Mifona aminao ‘zahay
Mpanota izay mibebaka,
Ampaherezo izahay
Haharitra mivavaka
4.Fohazy ny mpanomponao;
Esory koa ny gadranay:
Diovy ny fanahinay
Ny sainay koa mba hazavao
5.Deraina anie ny Ray Tsitoha,
Deraina koa ny Zanaka
Sy Parakleto Masina
Dia Trinite Isaorana
Amena

273
Talata hariva (A & M 23 Boky Fih: 8)
Dia nisy hariva ary nisy maraina andro fahatelo izany
RY Andriananahary ô,
Hianao no namapisaraka
Ny tany sy ny rano be
Ka hitanao fa tsara izany,
2.Hianao no nampaniry koa
Ny ahitra sy anana,
Ireo hazo manam-boa
Hamelona aina maroba
3.Mba mamelà ny helokay,
Diovy ny fanahinay,
Tahio’zahay mpanomponao
Hanaovanay ny asa soa
4.Ny didinao tandremanay,
Ny ditra ialanay koa
Ka noho ny fahasoavanao
Ho resy ny fahavalonay
5.Ekeo ny fivavahanay
Ry Trinité Isaorana,
Ray, Zanaka, Fanahy ô
Mpamonjy ny Mpanjakanay
Amena

274
Alarobia Maraina (A & M 2 Boky Fih: 8)
Nony maraina kosa, dia misy fihobiana
MIALA izao ny aizina
‘Zay atahoran’olona
Miposaka aminay indray
Ny fahazavana mahasoa
2.Ny tanamasoandro re
Mandresy aizina izao
Ry Jesoa, Masoandronay
Mba hazavao ny fonay koa

3.Tsy miendrika tokoa ‘zahay


Hiantso ny Anaranao:
Kanefa ekeo ny vavakay,
Ny hiranay mba rraiso koa
4.Maloto sady maizina
Ny hevitr’olombelona,
Ka asandrato aminay
Ny fahazavan’ny Tavanao
5.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny Zanaka
Sy Parakleto Masina
Dia Trinité Isaorana
Amena
275
Alarobie hariva (A & M 23 Boky Fih: 8)
Dia nisy hariva ary niosy maraina andro fahefatra izany
RY Tompo sy Mpanjakanay,
Hianaop nanao ny lanitra,
Sy nanazava azy koa
Noho ny herinao tsitoha
2.Mpanapaka ny andronay
Ny masoandro asanao,
Mpanapaka ny alina
Ny volana aman-kintana
3.Nanavaka ny maizina
Sy ny mazava Hianao,
Alahatrao am-pahendrena
Ny andro mifandimby koa
4.Mba hazavao ‘zahay izao
Ka mamelà ny helokay,
Dia aoka hotanterahinay,
Izay rehetra sitrakao
5.Ekeo ny fivavahanay
Ry Trinité Isaorana,
Ray, Zanaka, Fanahy ô
Mpamonjy sy Mpanjakay
Amena

276
Alakamisy Masina (A & M 2 Boky Fih:8)
“Ny masoandro mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka”
NY masoandro dia miseho,
Mazava indray ny lanitra,
Ka resy sady foana
Ny fahefan’ny maizina
2.Hianao Mazava marina,
Mba diovy ny fanahinay,
Ny fitaka dia halanay,
Ny lainga dia hesorinay
3.Dia mba arovy izahay,
Mba tsy ho voafitakao,
Ny fahadiovan-tena koa
Dia aoka hasehonay anio
4.Hianao no mahafantatra
Ny teninay y asanay,
Ka aoka ho madio’zahay
Raha tonga ny hariva indray
5.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny Zanaka
Sy Parkleto Masina
Dia Trinité Isaorana
Amena

277
Alakamisy Hariva
(A & M23 Bojy Fih: 8)
“Dia nisy hariva ary nisy maraina andro fahadimy izany”

RY Tompo Zanahary ô
Ny vorona manidina
Sy hazandrano marobe,
Dia noforoninao tokoa,
2.Nataonao ho fonenany
Ny habakaba-dehibe
Sy ranomasin-dalina;
Ka ao no itoerany
3.Mifona aminao ‘zahay
Mpnompoonao tsy mendrika
Ka aoka mba ny Ranaio Soa
No anadiovanao anay
4.Aoka tsy hiavonavona
Ny sainay, ka ho potraka;
Na ho mamoi-fo ‘zahay
Ka tsy handray ny valisoa
5.Ekeo ny fivavahanay
Ry Trinité Isaorana
Ray, Zanaka Fanahy ô
Mpamonjy sy Mpanjakanay
Amena

278
Zoma Masina (A &M 2 Boky Fih:8)
“Ny Masoandron’ny Fahamarinana”
RY Jesoa, Rtompon-danitra ô,
Mpamonjy izao tontolo izao
Hianao no Zanaky ny Ray
Sy Zanak’i Maria koa
2.Mba asandrato izahay
Hidera sy hisaotra Anao
Ka raiso re ny hiranay
Izay ataonay ho Anao

3.Fa lasa izao ny alina,


Mazava koa ny lanitra
Mba hazavao ny olonao,
Ry Fahazavana masina
4.Diovy ny fanahinay
Ka mitoera ao aminay,
Mba hanompoanay Anao
Mandritra ny fiainanay
5.Velomy ao anatinay
Ireto fahasoavanao,
Finoana, fanantenana,
Fitiavana tanteraka
6.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny Zanaka
Sy Perakleto Masina
Dia Trinite Isaorana
Amena

279
Zoma Hariva (A & am 23 Boky Fih: 8)
“Dia nisy hariva ary nisy maraina andro fahenina izany)
RY Zanahary Tokana ô
Hianao ihany namorona
Izay rehetra manan’aina,
ny kely sy ny lehibe
2.Nomenao azy avokoa
Anjara-fanompoana,
Mba hahatanterahany
Ny fikasanao mahasoa
3.Raha hitanao ankehitriny
Fa manan-tsiny izahay,
Dia mamindrà fo aminay,
Ka diovy ny fanahinay

4.Omeo ny herinao ‘zahay


Raha mbola velona ety
Dia aoka horaisinao ‘zahay
Handray ny valisoa ary
5.Ekeo ny fivavahanay
Ry Trinité Isaorana:
Ray, Zanaka, Fananhy ô
Mpamonjy sy Mpanjakanay
Amena

280
Asabotsy Maraina (A & M 2 Boky Fih: 8)
“Aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao”
MIPOSAKA atsinanana
Ny masoandro asanao,
Ho lasa toy ny aizina
Ny ratsy izay manimba anay
2.Ry Jesoa Tompo tsara ô
Ny helokay dia fantatrao
Raha nisy nahadiso anay
‘Zay hitanao mba avelao
3.Raha tonga andro farany
‘Zay nihavianao indray,
dia aoka hiseho aminay
Ny Fahazavan’ny Tavanao
4.Deraina anei ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny Zanaka
Sy Parakelto Masina
Dia Trinité Isaorana
Amena

NY FOTOAM-PIFADIANA
Atao isan-andro hatramin’ny Asabotsy hariva, mialoha ny Alahady Voalohany amin’ny Fotoam-pifadiana
ka hatramin’ny Asabotsy maraina mialoha ny Alahady Fahadimy amin’ny Fotoam-pifadiana, raha tsy misy
andro Festa tandremana
281
Hariva (A & M 95, 87 Boky Fi: 235)
“Manamasina andro fifadian-kanina”
HENOY, ry Zanahary ô
Ny vavakay mpanomponao
Mitandrina fotoana
Voatendry hifadiana
2.Tsy misy miafina aminao,
Fa fantatrao ny helokay;
Miverina izao ‘zahay
Hangatam-pahafahana
3.Nanaota imbetsaka izahay
Ka mamelà ny helokay
Sitrano ny aretinay
Ho lazan’ny Anaranao
4.Aoka hofolahinay izao
Ny entanay sy fonay koa
Hafoinay an-kerimpo
Ny zava-dratsy mahavoa
5.Atreho ny fifonanay,
Ry Trinité Isaorana ô
Mba hahasoa anay tokoa
Ny didinao tandremanay
Amena

282
Maraiana (A & M 88 (ii)E.H 67 Boky Fih: 235)
“Mamoaza voa miendrika ny fibebahana hianareo”

RY Jesoa Masoandronay,
Miala izao ny aizina
Miseho ny mazava e,
Mba hazavao ny zanakao
2.Tandremanay ny didinao;
Omeo hery izahay,
Hanolotra aminao izao
Fanati-pitiavana
3.Maloto fo tokoa ‘zahay
Ny sainay dia donto koa
Mibebaka izahay izao
Aoka hosasanao ho marina
4.Ho avy ny andro Paska e
Dia andro fandresena be
Ka aoka ho faly avokoa
‘Zahay satria nodiovinao
53.Derain’izao tontolo izao
Ny Trinité mamindra fo
Aoka hisy fihiram-baovao
Ataonay ‘zay voavoatrao
Amena
Hatramin’ny Asabotsy Hariva mialoha ny Alahady Fahadimy amin’ny Fotoam-pifadiana ka hatramin’ny
Alarobia Hariva amin’ny Herinandro Masina, raha tsy misy andro Festa tandremana

283
Hariva (A & M 96 Boky Fih/ 21)
“Sanatria raha misy hataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika”
JEREO! Mieho ny Lakroa
Fanevan’ny Mpanjakantsika
Fa azontika fiainana
Noho ny Nahafatesany
2.Nandeha Ra sy Ranao teo
Avy tan-danivoany,
‘Zay voatsindron-defona
Hanao antsika meloka
3.Ny Hazo fijaliana
No nanjakan’ny Tompontsika
Mba hanatanterahany
Ny profesian’i Davida
4.’Lay hazo voatokana
Nanohana ny Mpanjakantsika;
Ny Rany Soa nanarona Azy
No lambam-piandrianany
5.Fa teo ambonin’ny Lakroa
Nihantona ny Tompontika
Hanatitra ny Tenany
Ho famonjena olona
6.Ry Tompo ô, omeo anay
Noho ny Fahafatesanao
Ny famelana heloka
Sy hafasoavan-dehibe
7.Ry Trinité Mpamonjy ô,
Midera Anao ny olonao
Mpandresy noho ny Lakroa
Ka ho mpandresy ny valisoa
Amena

284
Maraina (A & M 97 Boky Fih: 48)
“Ny Rany teo amin’ny Hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana”
TELO-POLO taona teto,
Araka ny fombantsika
No nonenan’ny Mpamonju
Vao nandeha an-tsitrapo
Nanolorany ny Tena
Ho fanati-masina
2.He! ny fijalia-maro,
Tsilo, hombo, lefona,
Ratra dimy nampahory,
Hetaheta, aizina:
Ka nandeha Ra sy Rano
Tamin-danivoany
3.Ry Lakroa, ry soa indrindra,
Be ny haja ananao:
Tsy misy hazo ao an-ala
Azo oharina aminao:
Tianay hianao, ry Hazo,
Noho ilay Tena nentinao
4.Aoka ho foana re ry Hazo
Ny fahamafisanao,
Aoka hovana ny toetrao
Ho fahalemena izao,
Hitsaharan’ny Mpanjaka
Amim-piadanana
5.Sambo fiara namonjena
Olo-maro be taloha:
Indro ny Lakroa’zay tonga
Fiara tsara lavitra
Noho ny Ran’ny Zanak’ondry
Hosotry ny Hazo soa
6.Raisonao, ry Ray Tsitoha
Voninahi-dehibe:
Voninahitra mitovy
Raisonao, ry Zanaka,
Raisonao, ry Parakleto
Trinité Isaorana
Amena

Tsy misy fihirana atao alohan’ny “Benedictus” sy ny “Magnifactus” amin’ny Fivavahana Maraina sy ny
Fivavahana Hariva, amin’ny Alakamisy Masina sy ny Zoma Masina ary ny Vijilin’ny Paska
Amin’ny Andro Paska ka hatramin’ny Asabotsy maraina manarakla ny Paska, dia tsy misy fihirana atao
alohan’ny “Benedictus” sy ny “Magnificat” amin’ny Fivavahana Maraina sy ny Fivavahana Hariva, fa
hatao ho solon’izany izao Antifona izao.

PASKA
285
Ity no Andro nataon’i Jehovah: hifaly sy ho ravoravo amin’izao isika
Atao isan-andro hatramin’ny Asabotsy Hariva manaraka ny Andro Paska ka hatramin’ny Alarobia Maraina
alohanan’ny Andro Niakarana, raha ty misy Festa hafa tandremana

286
Hariva (A &M 128 Boky Fih: 167)
“Voavono Kristy Paska ho antsika ka dia aoka isika hanao aondro firavoravoana”
TAFITA voadio isika,
Ny lamba nofotsiana
No fitafiantsika izao,
Amim-panasan’ny Tompontsika
2.Fa Izy be fitiavana
Nandatsa ny Rany Soa:
Nanolotra ny Tenany
Fanati-pisoronana
3.Tsarovy varavarana
‘Zay notentenan-dra taloha,
Ny rano voasaraka
Ny fahavalo efa lao
4.Izao no Paska marina,
Dia Jesoa Kristy Tompontsika
Omena antsika olony
Fihina-masina tokoa

5.Ry Zanak’ondry marina,


Satana efa resinao,
Namoha ny fasana Hianao
Ka velona mandrakizay
6.Nitsangana ny Tompontsika
Mpandresy Helo sy Satana
Ka niditra ny lanitra
Handray ny voninahitra
7.Ry Jesoa tafatsangana,
Mba atsangano izahay
Hanananay fiainana
Tsy manam-pahataperana
8.Deraina ny Ray Tsitoha
Ny Tompo tafatsangana
Sy Parakleto Masina,
Dia Trinité Isaorana
Amena

287
Maraina (A & M 129 Boky Fih: 184)
“Efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fnalahidin’ny fahafatesana sy
ny fiainan-tsi-hita”
MISEHO ny mazava e,
Mihoby izao ny lanitra
Mifaly izao tontolo izao
Fa resy ny mpamitaka
2.Fa indro, tafatsangana
Ny Tompontsika mahery fo
Nanafika ny razana
Natao an-tranomaziaina
3.Voambina ny fasany,
Nasiam-bato lehiba;
Tsy azo nohazonina
Ilay Mpandresy marina
4.Fa nolazain’Anjely hoe:
“Tsy maty Izy, fa velona”
Mpandresy fahafatesana Izy
Ka vita ny fisaorana
5.Ry Jesoa tafatsangana,
Mba atsangano izahay
Hnananay fiainana
Tsy manam-pahataperana
6.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Ny Tompo tafatsangana,
Sy Parlaketo Masina
Dia Trinité Isaorana
Amena

NIAKARANA
288
Hariva (A & M 144 Boky Fih: 184)
“Raha niakatra ho any amin’ny avo Izy dia nitondra olona maro ho babo ka nanome fanomezana ho an’ny
olona”
RY Jesoa Fifalianay
Mpanavotra ny olonao
Mpamonjy sy Mpamorona
Mba hazavao’zay tia Anao
2.Endrey! ny fitiavanao
No niaretanao tokoa
Ny fijaliana maro be
Izay nanafa-trosa anay
3.Voavaha ny fatorana,
Voavaha koa ny fasana;
Tafakatra Hianao izao
Mipetraka an-kavanan-dRay,
4.Mba mamindrà fo aminay,
Sitrana ny aretinay
Hahatongavanay ary
Hiara-paly aminao
5.Mpitari-dalàna ny fanahinay;
Ampifalio ny ory re,
Omeo anay ny valisoa
6Ka raha tonga aty indray
Hianao Mpitsara olona,
Horaisinao anie ‘zahay
Hisatro-boninahitra
7.Ny dera, laza, ho Anao
Ry Jesoa ‘zay tafakatra
Derainay koa ny Ray Tsitoha
Sy ny Fanahy Masina
Amena

289
Maraina (A &M 146 Boky Fih: 167)
“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany”
MPANJAKA ao an-danitra ô,
Mpanavotra ny olonao
Anao ny voninahitra
Fa resinao ny fasana
2.Tafatsangana Hianaro ary
Voantson’Andriamnitra
Handray ny fahefana be,
Hanapaka ny firenena
3.Ankalazain’ny olona
Sy ny anjely Hianao
Fa angovitan’i Satana
‘Zay noresen’ny herinao
4.Anjely dia talanjona
Nahita Anao nasandratra
Fa tonga nofo Hianao
Mba hanadio ny nofonay
5.Ry Jesoa Valisoanay,
Mpanjakan’ny voaforonao;
Hianao nohifalianay
Hafoy ny zava-poana
6.Mifona aminao ‘zahay
Mba mamelà ny helokay
Omeo ny herinao ‘zahay
Mba hisandratanay ary
7.Ka raha tonga aty indray
Hianao Mpitsara olona,
Horaisinao anie ‘zahay
Hisatro-boninahitra
8.Ny dera, laza ho Anao
Ry Jesoa ‘zay tafakatra
Derainay koa ny Ray Tsitoha
Sy ny Fanahy Masina Amena

PENTEKOSTA
Hariva 88
290
Maraina (A & M 1 Boky Fih: 188)
“Samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa”
NY andro Pentekosta e:
No ifaliantsika indray;
Ny Parakelto nidina
Tambonin’ny mpianatra
2.Ny ela maro nampiseho
Anay Fanahy Masina ô
Nizarazara taminy,
Ka nampiteny azy ireo
2.Fiteny hafa marobe
Dia ren’izay nanatrika,
Nataony fa azon’ny divay
‘Reo fenon’ny Fanhy soa
4.Rehefa lasa fahizay
Ny dimam-polo taona re,
Nisy Festa nanafahana
Izay nafatotra ela be
5.Ny dimampolo andro koa
Nanaraka ny Paska teo,
dia azon’ny mpianatra,
Fahafahana tanteraka
6.Mifona aminao, ry Ray
‘Zahay mpanompo meloka
Mba alatsaho ho anay
Ny fanomeza-masina,
7.Nomenao fahasoavana
Ny Apostolinao taloha
Mba mamelà ny helokay
Ka hasoavy izahay
8.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Ny Tompo tafatsangana
Sy Parakleto Masina
Dia Trinité Isaorana
Amena
NY ALAHADIN’NY TRINITE
Hariva 267
291*
Maraina (A & M 682 E.H 159 Boky Fih: 21)
“Andriamanitra ihany no ivavahako”
RY Trinite sy Ynité
Mpifehy izao tontolo izao,
ekeo ny fitsaohanay
atolotray mpanomponao,
2.Ny masoandro dia miseho
Ka matroka ny kintana,
Ny aizina efa lasana,
Ry Jesoa, hazavao ‘zahay
3.Deraina nie ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny Zanaka
Deraina ny Fanahy soa,
Fa Trinité Isaorana
Ny fihirana atao amin’ny andro anelanelan’ny Trinité sy ny Alahady Voalohany amion’ny Adventa (raha tsy
misy Andro Festa tandremana) dia ireo atao amin’ny andro anelanelan’ny Epifania sy ny fotoam-
piofadiana (267 280); afa-tsy amin’ny Alahady Maraina ihany
Alahady Maraina (hatramin’ny Alhady Voalohany manaraka ny Trinité jka hatramin’ny Alahady farany
amin’ny volana Septembre)
292*
E.H 165, 188-Boky Fih: 174)
“Tsara ny hanambara ny famindramponao nony maraina”
INDRO, ny aizin-alina misava
Mamirapiratra any atsinanana
Ny masoandro; aoka isika hidera
An’i Jesoa Tompo
2.Hianao, ry Tompo soa, no ivavahanay
Mba avelao ny helokay mpanota,
ka hiadananay sy hahazoanay
ny famonjenao
3.Ekeo ny vavakay, ry Ray Tsitoha
Zanaka, Parkleto, Zanahary;
Anao ny voninahit’ra sy laza
Mandrakariva Amena
Ny Alahady voalohany amin’ny volana Octobre, ka hatramin’ny Alhady maraina mifanolotra
amin’ny Adventa 268

NY FESTAN’NY APOSTOLY SY EVANJELISTA


293
Maraina sy Hariva (A & M 754 (i)
E.H 176 Boky Fih: 167)
“ Na inona na inona fehezinareo ety ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona
vahanareo ety ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra
HE! Miravoa sy mifalia
Ry tany aman-danitra ô
Fa he! Be voninahitra
Ny apostoly masina
2.Ry Jesoa Tompo tsara ô
Henoy ny fivavahana
Ataon’ny Apostolinao,
Hahazoanay ny herinao
3.Nomenao azy fahefana
Handrindrina ny lanitra:
Vohay ‘zahay mpanomponao
Hiara-miditra aminy
4.He! Betsaka ny olona
‘Zay efa nositraniny;
Sitrano ny aretinay
Esory koa ny gadranay
5.Mba ho tahianao izahay
Rehefa tonga Hianao
Hiarahanay midera Anao
An-danitra rahatrizay
6.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Ny Zanaka Mpanavotra
Sy Prakleto Masina
DiaTrinite Isaorana
Amena

NY FESTAN’NY APOSTOLY SY NY EVANJELISTA RAHA TANDREMANA AMIN’NY ANDRO


ANELANELAN’NY PASKA SY NY PENTEKOSTA
294
Hariva (A & M126 (i) Boky Fih: 251)
“Mandehana faingana, ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty ny Tompo”
Ny Apostoly, masina
Dia azon’alahelo be,
Nisaona an’i Jesoa Tompony
‘Zay maty tany Kalvary
2.Raha tonga tao am-pasana
Ny vehivavy havany,
Dia nisy Anjely hitany
Izay nilaza taminy
3.”Nitsangana ny Tompo soa,
Ka mandehana faingàna;
Handidy ny mpianany
Handeha any Galilia”
4.Nihazakazaka izy ireo
Dia nifanena tmainy
Ny Tompo tafatsangana
Ka hoy izy hoe: “Finaritra”
5.Nanatona Azy izy ireo
Nihazona ny tongony
Dia teo anatrehany
Nitsaoka azy Tompony
6.Raha ren’ny Apostoly koa
‘Lay filazana mahasoa
Nankany Galilia izy
Hahita an’i Kristy indray
7.Ry Jesoa tafatsangana
Mba atsangano izahy,
Hnananay fiainana
Tsy manam-pahataperana
8.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Ny Tompo tafatsangana
Sy Parakleto Masina
Dia Trinité Isaorana
Amena
295
Maraina (A & M 126 (ii) E.H 122 Boky fih: 131)
“Izahao ny tànako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy”
Ny andro Paska fahizay
Dia andro fifaliam-be,
Fa Jesoa tafatsangana
No hitan’ny mpianany
2.Nasehoan’i Jesoa tmainy
Ny Ratra dimy masina
Ka dia naelin’izy ireo
Izay rehetra hitany
3.Ry Kristy ô, Mpanjaka soa
Tongava eto aminay,
Mba hilazany marina
Ny fitiavanao anay
4.Ry Jesoa Tafatsangana,
Mba tsangano izahy,
Hanananay fiainana
Tsy manam-pahataperana
5.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Ny Tompo tafatsangana
Sy Parakleto Masina
Dia Trinité Isaorana Amena

NY FESTAN’NY MARITIORA
296
Hariva (E.H 181 Boky Fih: 251)
“Miaramila mpivavaka”
RY Mpanome ny valisoa
Ny miaramil’ miendrika
Ny fandresen’ny Santanao
No iderana Anao izao
2.Nafoiny sy nolaviny
Na zava-poana taty
Ka noho izany dia tratrany
Ny voninahitrao ary
3.Fa nentiny an-kerimpo
Ny fahoriana mafy re:
Nalatsany ny ra madio,
Ka faly ao an-danitra izy
4.Aoka izy hifona aminao,
mba hahazoany izao,
Ny famelanao helokay,
Fandrao ho very izahay
5.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Ny Zanaka Mpanavotra
Sy Parakleto Masina
Dia Trinité Isaorana Amena

297
Maraina (E.H 181 Boky Fih 204)
“Ny ran’ny Maritioran’i Jesoa”
RY Maritiora sambatra
Mpanaraka ny Tompontsika
Mpandresy hiaanao izao
Mifaly ao an-danitra
2.Mba mivavaha ho anay
Mba hanomezan’ny Tsitoha
Fahadiovam-po sy tanjaka
Mba hahazakanay ny Lakroa
3.Nanafaka ny Santanao
Hianao, ry Tompo tsara ô;
Dia mba afaho izahay
Mpanomponao mifatotra
4.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Ny Zanaka Mpanavotra
Sy Poarakleto Masina
Dia Trinité Isaorana
Amena

NY FESTAN’NY MARITIORA ROA NA MIHOATRA


298
Hariva (E.H 182° & M 756)
“Izay mamery ny ainy niho ny Amiko dia hahazo azy”
FALY tokoa izao
Ny olon-Kristiana,
Mitandrina andro soa
Ho fahatsiarovana
Ireo Maritiora
‘Zay nahafoy ny ainy,
Ka dia nandray ny valisoa,
2.Nolaviny tokoa
Izao tontolo izao,
Ary nafoiny
Ny zava-dratsy koa:
Fa, Jesoa, Hianao
Dia niantsop azy,
Ka izy nanaraka Anao
3.Nalatsany ny ra,
Noho ny fitiavany
Anao, ry Jesoa ô,
Mpanjaka be fitia;
Ny faharetany
No niandrasany
Ny fitsaharana ary
4.Tsy azo holazaina
Tsy misy mahafantatra,
Ny fifaliany
Ary an-danitra:
Ny fijaliany
No nahazoany
Ny Satroboninahitra
5.Andriamanitra ô,
Trinité Masina,
Arovy izahay
Ho afa-tahotra:
Ampio izahay
Mba hahazoanay
Ny valisoa an-danitra
Amena

299
Maraina ( A & M 4354, E.H, 183 Boky Fih: 204)
“Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny Seza fiandrianako”
Ry Kristy ô Mpanjaka soa
Hianao Mpitari-dàlana
Izay manaraka Anao
Handraisany ny valisoa
3.Hianao ihany no nanome
Ireo Maritioranao,
Ny hery mba hahazoany
Ny fandresena tanteraka
4.Atongilano aminay
Ny soinao, Mpamonjy ô
Ka mamelà ny helokay
Mba hanarahanay Anao
4.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny Zanaka
Sy Parakleto Masina
Dia Trinité Isaorana Amena

NY FETSAN’NY KONFESORA
300
Hariva (E.H 188 Boky Fih: 174)
“Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia mahare” izao tontolo izao”
‘LAY Konfesora ‘zay tsaroantsika,
Dia derain’ny olon-Kristiana,
Fa efa azony ny valisoa
Ary ambony
2.Mpanompon’i Jesoa tsara sy mahatoky
Masina sy nanetry tena izy,
Fa nokatsahiny mandrakariva
Ny zava-tsoa
3.Be ny marary ‘zay nanatona azy,
Mba hahazoany fahasalamana,
‘Zay zim-pahoriana nahazo Hery-tokoa
4.Isaoranay Hianao, ry Tompo soa,
Noho ny Santanao izay derainay
Aoka izy hivavaka mba ho hazoanay
Ny famonjenao
5.Dera sy haja, laza sady hery
Horaisinao, ry Tomponay Tsitoha
Mpanapaka ny zavatra rehetra
Mandrakariva Amena

301
Maraina (A & M 452 Boky Fih: 21)
(a) Raha eveka ny Santa tsaroana
“Izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ny mpanompoko”
RY Jesoa Kristy, Hianao
Manendry ny evekenao,
Hitondra sy hitandrina
Ny Eklesia naorinao

2.Tsaroanay anekhitriny
Ilay Eveka masina,
Fa raha velona tety
Dia vitany ny asany
3.Nataonay tsinotsinona
Ny zava-poana ety
Hianao ihany no tiany,
Ka azony ny valisoa
4.Ry Tompo ô, be indrafo,
Omeo ny herinao ‘zahay
Hanaraka ny diany
Hiarahanay mandresy koa
5.Ry Kristy ô, Mpanjakanay
Ny dera, laza, ho Anao
Derainay koa ny Ray Tsitoha
Sy ny Fanahy Masina
Amena

302
Maraina (A & M 444 Boky Fih: 6)
(b) Raha tsy Eveka ny Santa tsaroana
“Raha misy olona manompo Ahy dia hankalaza azy ny Ray”
Ry Jesoa fahamarinana ô
Hianao ihany no manome
Ny valisoa ho an’izay
Maharitra manompo Anao
2.Ny Santanao tsaroanay
Dia faly ao an-danitra
Ka aoka izy hivavaka
Mba hamelana helokay
3.Ny taona mitsiongerina
Mitondra ho anay indray
Ny andro fahatsiarovana
‘Lay lehilahy masina
4.Raha mbola velona tety
Nataonay tsinotsinona
Izay rehetra mahavoa
Fa tiany sy zava-tsoa
5.Hianao no nitokiany,
Ry Jesoa Kristy tsara ô
Ka nofoanany tokoa,
Ny herin’ny mpamitaka
6.Naharitra nivavaka izy,
Nitandrina ny didinao;
Ka azony izao ary
Anjara-fifaliana
7.Dia noho ny fitandremanao
Ny Festan’ilay Santanao
Mba hamelà ny helokay
Ho afa-trosa izahay
8.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny Zanaka
Sy Parakleto Masina,
Dia Trinité Isaorana Amena

NY FESTAN’NY VIRIJINA
303
Maraina sy hariva (A & M 455 Boky Fih; 235)
“Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza no alehany”
RY Jesoa Kristy Tompo ô
‘Zay Zanak’i Maria Virijina
Tonga eto anatrehanao
Hivavaka aminao ‘zahay
2.Hianao ihany no manome
Ireo Virijina sambatra
Ny valisoa an-danitra
Sy voninahi-dehibe
3.Manraka Anao ireo
Na aiza alehanao
Mifaly izy sy manao
Ny hira mahafinaritra
4.Mifona aminao ‘zahay
Ario ny fahalotoanay
Mba ho madio am-po ‘zahay
Ka ho miendrika ho Anao
5.Ny dera laza, hery koa
Atolotray mpanomponao
Mba raisonao, ry Trinité
Ray, Zanka, Fanahy ô
Amena

NY FESTAN’NY VEHIVAVY MARINA SISA


304
Maraina sy Hariva (A & M 449 Boky Fih: 235)
“Ny vehivavy manan-kaja izao nivavaka”
‘LAY vehivavy masina
Tsaroantsika anekhitirny,
dia manam-boninahitra
izao ary an-danitra
2.Nandà ny zava-poana izy
Raha mbola velona tety
Fa nokendreny fatratra
Ny fanjakan’ny lanitra
3.Ny fifadian-kanina,
Ny fahazotoa-mivavaka,
No nahazoany herimpo
Ka azony ny valisoa
4.Mpanjaka Mpanome ny soa,
Ny fivavahan’ny Santanao
No aoka hanampy ny anay
Ka dia hankasitrahanao
5.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny Zanaka
Sy Parakleto Masina,
Dia Trinité Isaorana
NY FESTAN’I SANTA MARIA
305
Hariva (E.H 213 Boky Fih: 114)
“Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminoa, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina
Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra”
RY Maria malaza
Reny nefa virijina,
‘Zay naterakao no
Andriamanintika
2.Hianao, ry Reny
No nakan’i Kristy
Nofo, hamonjeny
Olona mpanota
3.Zaza fiadiana
No naterak’i Eva;
Ny anao anefa
Fihavanantsika
4.Mivavaha, ry Reny
Hahazoan’ny mino
Famonejana soa,
Famelana ota
5.Aoka horaisin’i Jesoa
Vavaka ataonao,
mba hankasitrahany
izahay ‘zay tia Azy
6.Noho hianao mifona
Ho anay mpanota
Dia homen’i kristy
Hatsaram-panahy
7.Mba hiampy hery
Izahay an-dalana
Hibanjinantsika
An’i Jesoa soa
8.Aoka hoderaina
Andriamanitsika
Ray sy Jesoa Kristy
Ary ny Fanahy
Amena

306*
Maraina (A & M 449, E.H 215 Boky Fih: 251)
“Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no efa
ambonin’ny tongony, ary misy satroboninahitra kintana roa ambin’ny folo amin’ny lohany”
MARIA Virijina Sambatra ô
Tafakatra izao ary,
Nampinonoinao taloha
Ny Zanakao ‘Zay Tomponao
2.Hianao no nahazoanay
Mpamonjy soa, hidiranay
Ny varavaran-danitra,
Narindrin’i Eva fahizay
3.Ny kibonao voahasina,
Nonenan’ny Mpanjakantsika,
No nahazoan’ny olona
‘Lay famonjena lehibe
4.Derainay , Jesoa, Hianao
Naterak’i Maria Virijina
Deraina koa ny Ray Tsitoha
Sy ny Fanahy Masina
Amena
NY ANDRO FITOKANANA NY TRANO FIVAVAHANA? NA NY
ANDRO FAHATSIAROVANA IZANY
Hariva 146 (i)
Maraina 146 (ii)
NY NIOVAN’I SANTA PAOLY KRISTIANA
307
Hariva (E.H 174 Boky Fih: 221*)
“Ny Filazantsara izay toriko any amin’ny jentilisa”
RY Kristy ô, nomenao ny Eklesianao
Paoly, ‘lay mpampianatra ny olona,
Aoka izy hivavala mba handrosoanay
Amin’ny làlam-pahendrena atorony
2.Ry Trinité, Ray, Zanaka, Fanahy ô,
Persona Telo, Andriamanitra Iray,
Homena Anao ny laza, hery, saotra koa
Mandrakariva ho mandrakizay doria
Amena
Tsy maintsy hovaina kely ity tiona ity

NY FESTAN’I SANTA JOSEFA


308
Hariva (E.H 174 Boky Fih: 221*)
“Josefa izay lehilahy marina”
JOSEFA dia derain’ny ao an-danitra,
Ary ny Kristiana ay an-tany koa,
Fa izy no voafidin’Andriamnitra
Ho voadin’i Santa Maria Sambatra
2.Raha nisalasala sy nanahy izy,
Dia tonga taminy ilay anjely soa
Koa afa-tahotra izy ka nampakatra
An’i Maria ilay Virijina madio tokoa
3.Ny Zaza Masina dia noitrotroiny,
Nentiny tao Egypta Jesoa sy Maria:
Tao an-kianjan’ny Tempoly masina,
No nahitany Azy tan-kafaliana
4.Azon’ny Santa fifaliana ary,
Rehefa maty ireo ka tonga an-danitra;
Josefa kosa raha velona taty
Sambatra, fa nahita an’Andriamnitra
5.Ry Andriamnitra ô, henoy ny vavahay
Mba hanarahanay ny Santa Masinao
Ka hiarahanay mifaly aminy
Sy mankalaza Anao ary an-danitra
Amena
*Tsy maintsy hovana kely iry tiona ity

309
Maraina (E.H242 Boky FIH 174)
“Ary niara-niditra taminy nankany Nazareta Jesoa ka nanoa azy”
FALY Tokoa ireo anjely maro
Noho ny hatsaran’ny Santa Josefa
Satria mivavaka ho antsika izy
Dia faly tokoa
2.Voafidin’Andriamnitra ‘lay Santa,
Ho vadin’i Maria Reny masina,
Mba hitandremany an’i Jesoa Zaza
Tsy hiharan-doza
3.Tan-kafaliana no nahitany
Sy niderany an’i Kristy Tompo
Vao teraka, araka ny profetia,
Tao Betlehema
4.Hianao, ry Kristy, Tompon’ny anjely
Mpanapaka ny zavtra rehetra,
Dia tonga nofo ary koa nanoa
An’i Josefa
5.Noraisinao an-danitra Josefa
Amin’ny voninahitrao, ry Tompo:
Ka raiso izahay mba hideranay
Anao , ry Jesoa
Amena

NY FESTAN’NY NAHATERAHAN’I SANTA JAONA


MPANAO BATISA
310
Hariva (E.H 223 Boky Fih: 174)
“Hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria: fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka
Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany”
RY Jesoa, ampio ‘zahay hidera
Ny asa mahagaga izay miseho
Tamin’ny nahaterah’ni Santa Jaona
Mpanao Batisa
2.Fa tonga tamin-drainy ny anjely
Talohan’ny nahaterahany mahagaga
Milaza ny anarany sy aza Izay nataony
3.Raha nisalasala Zakaria
Dia tonga moana tsy nahay niteny,
Raha noforàna Jaona, dia indro,
Nahateny indray izy
4.Raha tao an-kibon-dreniny ilay zaza,
dia nibitaka noho ny hafaliana
fa nentin’i Maria tao an-kiba,
Jesoa Mpanjaka
5.Raiso ny laza, hery, voninahitra
Ry Ray Tsitoha sy Zanaka Malala
Ary Fanhy Masina Andriamnitra
Iray ihany Amena
311
Maraina (E.H 242 Boky Fih: 174)
“Izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho
ny Anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay”
RY Kristy ô, derainay Santa Jaona
Mpanao-batisa, Maritiora, Profeta,
Nataonao ho miendrika ho mpandova
Ny fanjakanao
2.Samy mandray ny valin”ny nataony
Avy aminao ny olona rehetra
Ny voka-tsoa raisin’i Santa Jaona
Dia zato heny
3.Aoka hanampy anay ny fivavahany
Hanamboaranay ny fo maditra
Mba ho fonenanao, ry Jesoa Kristy
Madio sy tsara
4.Mpamonjy ô, mba diovy ny fanahinay
Hankatoavany Anao tokoa,
Ka hanarahanay ny dian’ny Santa,
Lalana marina
5.Midera Anao ny Santa sy Anjely
Andriamnitray sy Tomponay ô,
Henoy ny vavaky ny Kristiana
‘Zay novonjena
Amena

NY FESTAN’I SANTA PETERA


312
Hariva (E.H 174 Boky Fih: 221)
“Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra” “Fanaka vaoafidy izy ho fitondrana ny Anarako eo
anatrehan’ny jentilisa”
RY Jesoa Kristy, Mpanome ny valisoa,
Faly sy ravoravo ny Eklesia,
Mitandrina ny andro festa lehibe
Ankalazainay ‘reo Apostolinao
2.Petera ‘zay nomenao fahefana be
Hamoha sy handrindrina ny lanitra;
Paoly voaontsonao ho mpampianatra
Ny jentilisa mba hinoanay Anao
3.Tao Roma ‘lay tanàna renivohitra
No nandtshan’izy ireo ny ra madio,
Ny hazo fijaliana sy ny sabatra
No nanolorany ny ainy ho Anao
4.Ry Trinité, Ray, Zanaka Fanahy ô,
Persona Telo, Andriamanitra Iray,
Homena Anao ny laza, hery saotra koa
Mandrakariva ho mandrakizay doria Amena

313
Maraina (E.HJ 174 Boky Fih 221)
“Hoy Jehovah tamin’i Petera Fahano ary ny ondriko”
“Izay niasa ho an’i Petera hah’Apostoly azy ho an’ny voafora no niasa ho ahy koa an’ny Jentilisa”
RY Jesoa Mpiandry Tsara ô , voantsonao
Petera ho mpamahana ny ondrinao
Aoka izy, hivaavaka ary an-danitra,
Mba hanapahanao tokoa ny gadranay
2.Ry Kristy ô, nomenao ny Eklesianao
Paoly, ‘lay mpampianatra ny olonao
Aoka izy hivavaka mba handrosoanay
Amin’ny lalam-pahendrena atorony
3.Ry Trinité, Ray, Zanaka Fanhy ô
Persona telo, Andriamnitra Iray
Homena Anao ny laza, hery saotra koa
Mandrakariva ho mnadrakizay doria Amena
Ao amin’ny diosesy maro, ny andro 29 Juin dia andro festa ahatsiarovana an’i Santa Petera sy Santa
Paoly
Tsy maintsy hovana kely ity tiona ity
NY FESTAN’I SANTA MARIA MAGDALENA
314
Hariva (E.H 475 Boky Fih: 235)
“Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy”
RY Rainay ao an-danitra ô,
Ny fitiavan-dehibe
No novelominao tam-pon’
I Santa Maria Mgadalena
2.Ry Jesoa be fitia ô,
Ny fitiavany Anao
No nahazoan’ny Santanao
Ny Namelanao helony
3.Dia sahy Izy nanatrika
Anao tambonin’ny Lakroa
Ny fitiavany Anao
No nandreseny tahotra
4.Ry Jesoa, be fitiavana,
Mba diovy ny fanahinay
Fenoy ny herino’zahay
Hahazoanay ny valisoa
5.Deraina anei ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny Zanaka,
SY Parakleto Masina,
Dia Trinité Isaorana
Amena

315
Maraina (E.H 52 Boky Fih: 6
“Lazaiko aminareo fa misy fifadiana toy izany, eo anatrehan’ny anjelin’Andriamnitra, ny amin’ny mpanota
iray izay mibebaka”

RY Zanaky ny Ray Tsitoha;


Noraisinao ‘lay Santanao
Izay mpibebaka tokoa,
Dia Santa Maria Magdalena
2.Toy ila farantsa very koa
‘Zay hitan-tompony indray
Ilay mpanota rahateo
Dia noveonjena, Jesoa ô
3.Hianao no itokianay
Mpanota ‘zay mibebaka
Mba mamelà ny helokay
Sasao ny fonay ho madio
4.Dia aoka hivavaka ho anay
Mpanota torotoro fo
Ny Santa mba hidiranao
Ny varavaran-danitra
5.Ry Andriamani-tokana
Anao ny voninahitra
Hianao Mpamela heloka
Sy Mpanome ny valisoa
Amena

NY ANDRO AHATSIAROVANA NY GADRAN’I SANTA


PETERA
316
Hariva (E.H 174 Boky Fih: 21)
“Indro, nisy anjelin’ny Tompo tonga teo, sady nisy mazvaa mamirapiratra tao an-trano; ary izy nanohitra
ny tehezan’i Petera, dia namoha azy”
RY Jesoa Mpiandry tsara ô, voantsonao
Petera ho mpamahana ny ondrinao;
Raha voagadra tao an-trano-maizina izy,
Nirahinao ny Anjelinao hanafaka azy

2.Dera sy laza ary voninahitra,


Ho an’ny Ray Tsitoha sy ny Zanaka,
Ary ho an’ny Parakleto Masina,
Persona Telo, Andriamanitra Iray
Amena

317
Maraina (E.H 174 Boky Fih: 221)
“Na inona na inona fehezinao ety ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra, ary na inona na inona
vahanao ety ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra
RY Kristy ô, nomenao fahefana be,
Santa Petera Apostoly masina;
Aoka izy hivavaka ary an-danitra
Mba hanapahanaop tokoa ny gadranay
2.Ho an’ny Trinité Isaorana anie
Ny laza, ary voninahitra
Persona Telo, Andriamnitra Iray
Izay nanapaka izao rehtra izao Amena
Tsy maintsy hovana kely ity tiona ity

NY FESTAN’NY NIOVAN’NY TOMPO TAREHY


318*
Hariva (E.H A &M 723 BokyFih; 188)
“Raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady
nanelatrelatra”
IZAY mitady fatratra,
Ny nisehoan’ny Tompontsika:
Miandrandrà hahita Azy
Mitafy voninahitra
2.Fa Olona tokoa Izy
‘Zay velona mandrakizay
Malaza, Avo, Masina
Ny Alfa y ny Omega
3.Mpanjakan-jentilisa Izy,
Mpanjakan’Israely koa,
Ilay taranak’Abrahama
Voalazan’Andriamnitra
4.Henoy ny filazan’ny Ray;
“Ity no Zanakao tokoa”
Indreo Mosesy sy Elia
Vavolombelo-marina
5.Deraina, Jesoa, Hianao
Zay hitan’ny madio am-po
Derainay koa ny Ray Tsitoha
Sy ny Fanahy Masina
Amena

319*
Maraina (E.H 233 Boky Fih: 167)
“Ny tavanay namirapiratra tahaka ny masoandro”
RY Jesoa Fahazavana soa,
Mba diovy ny fanahinay
Roahy koa ny aizina
Ka ahazavao ny hevitray
2.Mitovy laza amin-dRay
Hianao, ry Kristy Tomponay
Ka feno fifaliana
Ny fo izay vangianao
3.Ry Voninahitry ny Ray
Hianao dia Fitiavana
Midira ato aminay
Mba hitiavany Anao
4.Derainay, Jesoa Hianao
‘Zay hitan’ny madio am-po
Derainay koa ny Ray Tsitoha
Sy ny Fanahy Masina
Amena
NY FESTAN’NY ANARANA MASINA
320(*)
Hariva (A &M 177 E.H 238 Boky FIH 235°
“Ny anarany dia hataonao hoe JESOA”
RY Jesoa mahasoa tokoa
Na dia ny mahatsiaro Anao
Kanefa tsara lavitra
Ny fanatrehanao anay
2.Tsy misy teny mahasoa,
Na hira mahafinaritra,
Tahaka ny Anaranao,
Ry Jesoa Zanaky ny Ray
3.Ny ory ampiononinao
Ny lavo dia areninao,
Omeonao fahasoavana
‘Zay olona mitady Anao
4.Tsy azonay tononina
Tsy azonay soratana
Ny fifalian’ny olona,
‘Zay tia Anao, ry Jesoa ô
5.Ry Jesoa fifalianay
Sy mpanome ny valisoa,
Anao ny voninahitra
Izao sy mandrakizay
Amena
321 (*)
Maraina (A &M 760 E.H 237, Boky Fih 251)
“Ny Anarany hataonao Jesoa; fa Izy no hamonjy ny olona ho afaka amin’ny fahotany”
RY Jesoa Kristy be fitia
Mpanjakan’ny anjely ô
He! Mamy ny Anaranao
Na am-bava na an-tsofina
2.Fisotro masina tokoa
Sy Mofon’aina Hianao
Tsy misy irinay tahaka Anao
Ry Jesoa ô, Fiainanay
3.Ry Jesoa ô, malalanay
Henoy ny fisentoanay
Ny fonay sy ny sainay koa
No anirianay Anao
4.Ry Tompo mitoera ary
Ka hazavao ‘zahay izao,
Esory koa ny aizina
Ka hasoavy izahay
5.Ry Jesoa Zanak’i Maria
Hianao ihany no tianay
Anao ny voninahitra
Ny hery sy ny Fanjakana
Amena

NY FESTAN’I SANTA LAURENT MARITIORA


(Patron’ny Diosesey)
296
Hariva
297
Maraina

NY FESTAN’I SANTA MIKAELY SY NY ANJELY REHETRA


322(*)
Hariva (A & M 146 E.H 243 Voky Fih: 188)
“Mikaely sy ny anjeliny niady tamin’ilay Dragona,n izay atao hoe devoly sy Satana, ary ny anjeliny koa
niaraka nazera taminy”

Ry Jesoa, Endriky ny Ray,


fiainan’ny mpanomponao
midera Anao ny Eklesia
sy nyt Anjely masina
2.Miaramilanao ireo
Fanahy tsar amaro be,
Ny lehibeny Mikaely
Mpitondra ny fanevanao
3.Ilay Dragona dia resiny,
Izy nikomt taminao;
Nazerany an-keriony
Satana sy ny anjeliny
4.Satana dia toheriny
Ampian’ny Anjelinao
Handraisanay an-danitra
Ny satroboninahitra
5.Deraina nie ny Ray Tsitoha,
Deraina koa ny Zanaka
Sy Parakleto Masina,
Dia Trinité Isaorana
Amena
Mety hatao mandritra ny taona

323(*)
Maraina (E.H 242 Boky Fih: 174)
“Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho ani’zay handova famonjena”
KRISTY Mpamorona Anjely tsara ô
Mpanavotra ny olonao rehetra,
Tariho làlana izahy ho tonga Naman’ireo
2.Aoka hirahinao ‘lay Mikaley
Mba hampihavana izay miady
Ho afa-tahotra sy ahiahy
Ny Kristiana
3.Aoka hovangian’i Gabriely mahery
Ny Trano Fivavahana Kristiana
Mba handroahany ilay devoly;
Ho lavitra azy
4.Aoka halefanao aty an-tany
‘Lay Rafaely mpanasoa ny ory,
Mba hampahery anay sy hampiseho
Làlana tsara
5.Aoka hampian’ny Reninao malala,
Sy ny Anjely ary koa ny Santa
Ny Fivavahanay mba hahazoany
Ny famonjena
6.Ekeo ny vavaky, ry Ray Tsitoha
Zanaka, Parakleto Zanahary
‘Zay omem-boninahitra sy laza
Mandrakariva
Amena
Mety hataoi mandritra ny taona

NY FESTAN’NY SANTA REHETRA


324
Hariva (E.H 17 Boky Fih 167)
“Ny fofon’ny didin-kazo manitra mbamin’ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo
anatrehan’Andriamnitra”
RY Kristy ô, Mpamonjy anay
Hianao no ivavahanay
Ka aoka hanampy anay izao
Ny fivavahan’ny Reninao
2.Ireo Anjely maro be,
Mpanomponao an-danitra,
Aoka izy hivavaka ho anay,
Ho afa-doza izahay
3.Ny Apostoly masina,
Ireo Profeta tsara koa,
Aoka izy hifona aminao
Mba hamelanao helokay
4.Ny hamaroan’ny maritiora,
Mitafy lamba fotsy soa,
Aoka izy hivavaka aminao,
Hiarahanay mandresy koa
5.Ny virijina ‘zay madio tokoa
Sy ireo mpitoka-monina,
Aoka izy hivavaka aminao
Mba hahatongavanay ary
6.Ry Kristy ô, Mpiandry soa
Roahy ny amboadia
Mba ho andiany iray,
‘Zahay sy ireo Santanao
7.Deraina anie ny Ray Tsitoha
Deraina koa ny Zanaka
Sy Parakleto Masina
Dia Trinité Isaorana
Amena

325
Maraina (A & M 529 (ii) Boky Fih: 251)
“Ny fiasàn’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra
RY Jesoa ô, Fiainanay,
Aoka hivavaka ho anay,
Maria Virijina Reninao
Mba hovonjenao izahay
2.Dia aoka hifona aminao
Anjely maro be ary
Profeta, Patriarika koa,
Mba hamelanao helokay

3.Dia aoka hivavaka ho anay


Ilay mpanamboa-dàlanao
Petera Vatolampy koa
Sy Apostoly namany
4.Dia aoka hanampy anay izao
Ny fivavahan’ny maritiora,
Ny Konfesora sambatra
Ireo virijina maio tokoa
5.Ry Kristy ô, Mpanjakanay
Hivavaka ho anay anie,
Ireo ao an-danitra,
Hahahzoanay ny valisoa
6.Ny dera, saotra, laza koa
Mba raiso, Andirmanitray
Ray, Zanaka, Fanahy ô
Dia Trinité Isaoranay
Amena

FANKALAZANA NY SAKRAMENTA MASINA


326
“Ny Kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy, va izany? Ny Mofo izay
vakiantsika tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy va izany”?
MIDERA izao, ry foko,
zavatra miafina,
dia ny Tenan’i Jesoa Kristy
‘Zay naterak’i Maria,
Sy ny Rany soa indrindra,
‘Zay nomeny ho antsika
2.Nidina tan-kibondreny
Kristy Zanaky ny Ray,
Dia nanome antsika
Fampianarana-marina,
Dia zava-mahagaga
No nataony farany
3.Koa nipetraka ny Tompo,
Mbamin’ny mpianany,
Hanefany ny Lalàna,
araka ny teniny;
Dia nomeny azy ireo
Mofon’aina velona
4.Fa ny Teny tonga Nofo,
Jesoa Kristy Tompontsika,
Dia nahatonga Mofo
Mba ho Tenany tokoa,
Sy Divay, ho Rany soa
Sakramenta Masina
5.Hianao, ry Jesoa Kristy,
No isaoranay izao,
Ny tandindona efa laza,
Tonga izao ny marina
Ka ny Tenanao sy Ranao
No itsaohanay tokoa
6.Dera, haja, laza, hery
Saotra voninahitra
Ho Anao, ry Ray Tsitoha
Ho Anao, ry Parakleto
Trinité Isaorana
Amena

MARAINA
327
Ny ora Voalohany (06 ora maraina)
(A &M 1 Boky Fih:6)
“Hariva sy maraina... ary mitataovovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy”

MAZAVA izao ny lanitra


Miala izao ny aiazina
Ry Trinité Isaoranay
Henoy ny fivavahanay
2.Arovy ny mpanomponao
Omeo ny fiadananao
Mba hmpiasainao izahay
Hanaovanay ‘zay tianao
3.Mba diovy ny fanahinay
Ka mitoera ao aminay
Mba ho miendrika ho Anao,
Ny teninay sy asanay
4.Raha tonga indray ny aizina,
Dia hankalaza Anao ‘zahay
Fa noho ny fanampianao
Ho resinay ny rafinay
5.Deraina anie ny Ray Tsitoha,
Deraina koa ny Zanaka,
Sy aparakleto Masina,
Dia Trinité Isaorana
Amena

328
Ny ora fahatelo amin’ny 09 ora maraina)
(A &M 9 Boky Fih:21)
“Ora fahatelo ihany izao ny andro”
AVIA Fanahy Masina ô
Omeo ny herinao ‘zahay
Ka mitoera ao aminy
Hahafaly ny fanahinay
2.Fa tokony hisaoranay
Hianao Mpananatra anay
Fenoy ny fitiavanao
Ny fo’nireo mpanomponao
3.Ry Trinité Isaorana ô
Valio ny fivavahanay
Izay atolotray Anao
Noho Jesoa Kristy Tomponay
Amena

329
Ny ora fahenina (12 atoandro)
(A &M 9 Boky Fih:167)
“Niakatra teo ambonin’ny tompon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina”
RY tomponay Tsitoha ô
Mpandahatra ny andronay,
Fa tonga ho anay izao
Ny mitataovovonana
2.Mba avelao ny helokay
Vonoy ny filan-dratsy koa
Omeo ny fanahinay
Ny fiadananao mahasoa
3.Ry Trinité Isaorana ô
Valio ny fivavahanay
Izay atolotray Anao
Noho Jesoa Kristy Tomponay
Amena

HARIVA
330
Ny ora Fahasivy
(3 ora Hariva)
(A &M 9 Boky Fih:12)
“Ny ora fahasivy fotoam-pivavahana”
RY Tompo Andriamanitray
Mpanao izao tontolo izao
Hianao no Masoandronay
Fa tonga ny hariva izao
2.Raha tapitra ny andronay
Satria ho faty izahay,
Dia mba tariho izahay,
Hahita Anao Mpanjakanay
3.Ry Trinité Isaorana ô
Valio ny fivavahanay
Izay atolotray Anao
Noho Jesoa Kristy Tomponay
Amena

NY HIRA FANAO AMIN’NY KOMPLINA


331
(A &M 15 Boky Fih:251)
“Handry amin’ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay, satria Hianao, Jehovah ô, no
nampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy”
MIVAVAKA aminao’zahay
Alohan’ny handrianay,
Fa Hianao no aronay,
Ka mba ambeno izahay
2.Mba ampanalavironao
Ny rafin’ny fanahinay:
Ny tenanay mba diovinao
Hanaovanay ny sitrakao
3.Ry Trinité Isaorana ô,
Valio ny Fivavahanay,
Izay atolotray Anao
Noho Jesoa Kristy Tomponay
Amena

KOMONIONA MASINA
332
ATAO AMIN’NY FIDIRAN’NY PRESBYTERA
“Izao no ataovy ho Fahatsiarovana Ahy”
RY Trinité Isaorana
Ray, Zanaka, Fanahy ô,
Tonga eto anatrerhanao
‘Zahay mba hankalaza Anao
2.Izao no hanateranay,
Fanatitra tanteraka,
Natolotr’i Jesoa Zanakao
Voahombo tamin’ny Lakroa
3.Ka diovy ny fanahinay
Ry Tompo Andriamnitra ô
Mba ho miendrika izahay
Hanao izany ho lazanao
Amena

333
ATAO ALOHAN’NY FILAZANTSARA
“Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona”
TIANAY ny Teninao,
Jesoa Kristy Tompo ô,
Ka hihaino izahay,
Ampim-pifaliana
2.Fa mpianatrao tokoa
Izahay mpanomponao,
Ka ampio izahay
Hankato ny didinao
3.Dera, saotra, laza koa
Ho Anao, ry Tompo ô
Noho ny Teny mahasoa
Hohenoinay izao Amena
334
ATAO AMIN’NY FANOKANANA NY MOFO SY NY DIVAY
“Jesoa nandray mofo... Dia nandray kapoaka Izy”
RY Rainay ao an-danitra ô,
Atolotray Anao
Ny mofo izay voavotray
Ho voninahitrao
2.Eo amin’ny Alitaranao
No anatrehanay
Izao Ilay Kapoaky
Ny famonjena any
3.Dia raiso e, ry Tompo ô,
Ny asanay izao,
Mba hahazoan’ny olonao
Ny fitahianao Amena

335
Na ity: (EH 335 Boky Fih:174)
AVIA, ry Fanahy, ka tahio
Ireto mofo sy divay ireto
Ho Tenan’i Jesoa Kristy sy ho Rany
Soa indrindra
2.Dera sy haja, laza hery
Ho raisinao, ry Tomponay Tsitoha,
Mpanapaka ny zavatra rehetra
Mandrakariva Amena

336
Na ity: (EH 318)
“Isaorana anie Izay avy amin’ny Anaran’i Jehovah”
AOKA hi sina izao ny lela
Aoka hangovitra ny fo
Aza sainina ny mandalo,
Fa ho avy ankehitriny
Kristy Jesoa Andriamnintsika
Mba hitahy olony
2.Mialoha Azy ny Anjely,
Manamboan-dàlana,
Handosiran’i Satana
Mbamin’ny Anjely,
Ka mitombo ny mazva,
Tamy ily Mazava be
3.Terak’i Maria fahiny
Izy Tompon-danitra,
Naka fomban’olombelona
‘Lay Mpanjaka lehibe,
Ka ny Nofony sy Rany
No homeny zanany
4.Manodidina ny Alitara
Kerobima sy Serafima,
Miankohoka eo anatrehany
Ka miray miredona hoe:
Haleloia, haleloia,
Haleloia, Tompo e Amena

337
(EH 308)
ATAO AMIN’NY FANDRAISANA
“Nisy Zanak’ondry nitsangana tahaka ny efa voavono”
RAY ô, mba tsinjovy ny zanakao izao,
mandohalika eto anatrehanao,
Fa ny Nijalin'i Kristy Zanakao,
No ifony mba hahasoavinao
2.Tsy ny tenanay ihany, fa mba ampio
‘Reo namany rehetra, ka tahio;
Aoka ho soa ny mino, taomy ny mania
‘Zay am-Paradisa tano, ry Mpitia Amena
Na ity:
338
(EH 323)
“Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky”
RAY ô be indrafo mpanome ny zava-tsoa
Andriamanitra Tsitoha
Henopy ny Zanakao
Maty ho anay
Ka amindrao fo ny olonao
Amena

ATAO REHEFA VITA NY TSODRANO


339
(EH 536)
“Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina”
DERA ho anao, ry Mpanjanay any an-danitra
Andriamanitra Velona mandrakizay ô,
Misaotra Anao
Sy mankalaza Anao
Izahay olom-pidinao
2.Fa efa vita izao ny Fanatitra Masina
‘Zay nodidian’ny Zanakao-lahy hataonay,
Ry Rainay ô,
Raiso izany ka thaio
Izahay mandrakariva
3.Aoka hoderain’ny Anjelinao any an-danitra,
Ary ny olonao eto ambonin’ny tany,
Hianao ry Ray,
Hianao Mpamonjy anay;
Ary Hianao Parakleto
Amena

340
“Ny trano tsy nataon-tànana izay maharitra mandrakizay ao an-danitra
OMEONAO, ry Tompo,
hery tokoa izahay
Ka raiso ny saotranay, Trinité Masina ô;
Voninahi-mavesatra ao an-Tanàna Ziona
No ho lovan’izay mahatojky
Anao Tomponay
2.Miara-mihira amin-tSanta izao izahay
Ka manome dera sy laza Anao ry Tompo ô
Atreho ‘zahay lalandava ka ento tokoa
Mba ho miendri-antso andanitra avo ary
Amena

341
(MS Boky Fih: 90)
“Ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”
MIDERA hianao, ry Ziona
Ry Mpamonjy sy Mpanjaka
Amim-pifaliana;
Ka sahia am-pihirana
Mba ho hajan’ny Mpiandry
Marina sy lehiba
2.Aoka isika hankalaza
Amim-peo miravoravo
‘Lay Mpanafatra ny soa;
Aoka hotandremantsika
Andro Festa mahafaly
Mba ho voninahiny
3.Aoka anie ny fihobiana
No hanambaranao tsara,
Mofo mahavelona;
‘Zay mpianany malala
Mba hatao fihinany
4.Ny mpianany malala
Mba hatao fihinany
Ny Mpanjakan’Israely,
Naome Fanati-Paska,
Mahatanteraka tokoa;
Efa foana ny ela
Hazavaina ny mpifatotra;
Ka dia afaka izao
5.Ka nandidy Kristy teo
Mba hampaharetantsika
Ny fahatsiarovana Azy;
Mofo sy Divay no entina
Mba hanamsinantsika
Fanateram-pamonjena
6.Nampianatra Jesoa Tompo
Fa ny mofo tonga Tena
Ny divay ny Rany Soa;
Zavatra tsy hita maso,
Nefa fantatra tokoa
Raha misy finoana
7.Fa afenim-pisehoana
Famantarana ihany
Zava-tsoa sy lehiba
Raisintsika Divay sy Mofo
Nefa Kristy ni Fihinana
Sy Fisotro marina
8.Tsy misy fizarana ny Tena
Na dia voavaky aza
Mofo voahasina
Betsaka ny mpandray Azy
Nefa tsy ho lany Izy
Manan-amby ampy e
9.Olon-tsara, olon-dratsy
No miara-mandry soa
Amim-pitoviana
Famalian-tsamy hafa,
fahafatesana, fiainana
no hiseho am-parany
10.Tapa-mofo no omena
Nefa aoka tsy ho kivy
Na hisalasala re;
tsy vakina Kristy Tompo
fa ny heriny rehetra
miditra ny tenanao
11 He! Tonga Mofon’ny Anjely
Tonga vatsin’ny vahiny
Sy fihinan-janaka:
Dia ety Isaka aterina
Zanak’ondry voavono,
Mana hitan-drazana
12.Jesoa ô, Mpiandry tsara,
Mofon’aina mahavelona
Mamindrà fo aminay
Noho ny herinao tsitoha
Ny mpanomponao mba ento
Hiadananay ary
13.Hiarahanay mifaly
Aminao, ry Tompo tia
Amim-pahasambarana;
Hiarahanay mandova
Amin’ny madio rehetra
Ny harenao tsy ho lo
Amena
Tsy mainty hovana kely ity tiona ity

FIHIRANA
342
(E.H 459 Boky Fih: 167
“Izaho mino an’Andriamnitra Iray”
HIANAO, ry Andriamanitro,
‘Zay Telo nefa Iray ihany,
Mpanao izao rehetra izao,
No itokiako tokoa
2.Izaho mino fatratra,
Fa tonga olombelona,
Ny Zanak’Andriamnitra
Ka teraka tao Betlehema
3.Dia maty Izy tao Kalvary
Hamonjy olombelona
Ka noho izany dia laviko
Ny asa ratsy avokoa
4.Ka Izy ihany no tiako
Fa izy ihany no Masina
Ny heriny sy tanjany
No iankinako tokoa
5.Hajaiko sy arahiko
Ny Eklesia naoriny,
Fa Izy no mampianatra azy
Ny fampianara-marina
6.Midera Ano, ry Tompo ô
Ny tany sy ny lanitra;
Anao ny Voninahitra
Ray, Zanaka, fanahy ô
Amena

243
(A & M 176 Boky Fih 1)
“Ny Anaran’i Jesoa no handohalehan’ny lohalika rehetra”
RY Jesoa ny Anaranao
Dia maminay tokoa
Milaza fampiononana
Sy famonjena soa
2.Endrey! ilay Anaranao
Mahasitrana ny fo
Fa fampiononana tokoa
‘Zay azon’ny manjo
3.Ry Vatolampy mafy ô
‘Zay iorenanay;
Hianao fierena mahasoa
‘Zay ialaofanay
4.Jesoa, Mpitari-dalana ô
Henoy ny hiranay
Fa Hianao no Làlana
Izay alehanay
5.Mpiandry Tsara Hianao
Mpamonjy Tokana
Mpanjaka sy Mpisorona
Mpanavotra olona
6.Malemy sady osa koa
‘Zahay mpanomponao
Ka atanjaho izahay
Hanao ‘zay sitrakao
7.Ny andro hahafatesanay
Ho tonga aminay
Ka aoka ny Anarano
No hiadananay
Amena

344
(E.H 503Boky Fih: 17)
“Efa niady ny ady tsara aho”
MIDERA, ry Kristiana
Miaramila hianao
Manaraha an’i Kristy
Izy no Mpanjakanao
2.Maizina ny toetr’andro
Sarotra ny làlana;
Sy ny fahazavan’i Kristy
Dia mahazava anao
3.Tsy irery ihany akory
Hianao, fa maro be
Sy sakaizanao rehetra
Miara-miady aminao
4.Fa ny Kristiana rehetra
Dia namanao tokoa
Ary mifanampy izy
Amin’ny ady masina
5.Indro, ny Lakroan’i Kristy
Dia ny Saina lehibe,
Handresenao ny devoly,
Rafy mankahala anao
6.Entinao ‘lay Sain'ny Kristy
Ry miaramila ô
‘Zay nataon’ny Presbytera
Tamin’ny Batisanao
7.Mandrosoa, ry Kristiana,
Mandehana faingana,
Manohera an’i Satana
Mandrese ny heriny
8.Miezaha ankehitriny
Mba ho miendrika hianao
Ho mpanompo tena tiany,
Amin’ny fitiainanao
9.Raha tapitra ny ady
Sy ny fara-dianao
Dia horaisin’ny Mpanjaka
Ny miaramilanay Amena

345
(A & M Boky Fih: 182)
“Izaho mino ny Eklesia Iray Masina Katolika sy Apostolika”
HIANAO, ry Tomponay no
Mpitondra ondrinao:
Tsarovanay tantara
Be voninahitra,
Ny razanay taloha
Ny zanany izao
Miray manao an-kira
EKLESIA MASINA
2.Nirahinao mpitory
Ny Filazantsaranao;
Nantsoiny ny ory
Hiseho aminao
Nandre izay nambara
Ny vazan-tany re:
Izao no antso avo:
EKLESIA MASINA
3.Niharam-pahioriana
Ny voafidinao,
Dia tonga mpanambara
Ny fahazavanao soa
Ka azon’ny nenjehina
Ny Herinao tokoa,
Haharitra miantso,
EKLESIA MASINA

4.Tsy resin’ny mpanohitra


Ny ondry vitsinao;
Fa mbola niady mafy
Hitana Teninao;
Ny Famonjena tsara
Sy fanavotam-be,
Nambaran’ny mpihira
EKLESIA MASINA
5.Ka izahay ho kivy ve?
Hahafoy ny marina?
Hiraviravy tanana?
Hahavery ny Lakroma?
He! Sanatria izany
Fa Hianao, Tompo ô
No hahasahianay hoe
EKLESIA MASINA
6.Homban’ny indrafonao
Ry Tompo ô’zahay
Ny Herinao tsitoha
No hiaretanay
Ny Anaranao malaza
No hifalianay
Iraisan’ny Anjely
EKLESIA MASINA
Amena

KAROLY
346
1.Andro Noely’lay Andro masina
‘Zay nisehoan’i Jesoa taty
Mba hitondrany fahasoavana
Sy hampiseho fitiavany
Lehibe ny hafaliantika
Fa Mpamonjy sy Mpanavotra Izy
Avia, ry havana
Hoboi! Noely!
Indro, fa teraka Izy!
2.Mpiandry ondry dia nitsaoka Azy,
Ny olon-kendry nanatitra soa;
Ka mba tongava hankalaza Azy,
‘Zay Zanak’Andriamnitra tokoa
Lehibe,ets.
3.Ry Jesoa ô! ‘Zay teraka anio,
misaotra Anao izahay zanakao,
Aoka ho be fitiavany
Anao, fa be ny fitiavanao
Lehibe, ets

347
1.Mba henoy ny hiura soa
‘zay nataon’ny Anajely hoe
Voninahitra anie
Aho an’Andriamnitra
Voninahitea anie
Ho an’Andriamanitra
2.Tsy mba taitra va isika
Mahare ny tenyny?
Ka miomàna re izao
Mba handray ny Tomponao
Voninahitra, ets
3.Fa ny zaza tahaka Azy
Dia nantsoiny koa hoe:
Avelao ny zazkely
Mba hanatona Ahy e!
Voninahitra, ets
4.Ry miasa fatratra ô
‘Zay mivesatra entana!
Manatona Azy koa,
Fa Izy no handray anao
Voninahitra, ets

348
1.Hira mahafinaritra
Tonon’ireo Anjely
Tanako tao an-Tsofina
Misasak’alim-be
Mba henoy ny hira soa,
‘Zay hirain’Anjely hoe:
voninahitra ho Anao,
Ry Tompo sy Mpanjakanay
2.He!fiadanan-dehibe
Ho an’ny fo mazoto
Kristy’Lay Mpanjakany
No tonga ao Betlhema
Mba henoy, ets
3.Avia mba hitsaoka izao
Fa teraka ho antsika,
lay tena Andriamnitra
sy olona tokoa
mba henoy , ets

349
1.Nisy Anjely marobe,
Toy ny kintana,
Avy tao an-danitra,
Ka nidera mafy hoe:
Voninahitra anie
Ho an’Andriamnitra,
Ary fiadanana
Ho ety an-tany izao!
2.Ny mpiandry ondry koa
Dia nandao ny ondriny,
handeha mba hizaha
zava-tsoa lehibe,
Voninahitra ets
3.Raha miambina izy ireo,
ka nahita hazavana
sy anjely maro be
zay nihira mafy hoe:
Voninahitra, ets
4.Zaza Masina sy Soa,
Fitiavana tokoa
No nidinanao taty,
Ka nakanao nofonay,
Voninahitra, ets

350
1.Nazava ka naharitra
Tery an-danitra,
‘Lay Kintana tazan-davitra
Raha velom-bao ‘lay sambatra:
Ho resy izao ‘lay sompatra,
fa tonga ny avotra!
2.Anjely soa sy betsaka,
tsy nety reraka,
Nihira mahafinaritra
Ny tany aman-danitra
Fa zanak’Andriamniatra
No efa teraka!
3.Tsy nisy hira toy izay
Nataon’ireoi izay,
na lapa mba mamiratra,
toy’lay tambanivohitra;
Satria tao no nahabe!
Ny Tompo lehibe!

4.Akaro koa ny feonareo


Hidera Azy re!
Omeo ny voninahitra
Ho solon-java-manitra
Fa Izy nanavotra
Tan-java-tsarotra !

351
1.Mba avia, ry Kristiana,
Ka hobio ny fiderana
Jesoa teraka!
Mihirà, ry firenena,
Mihobia ny famonjena
Vao tanteraka:
Voninahitra anie
Ho an’Andriamanitra!
2.He, ry mino, mifalia,
Ry fanahy, mamalia
Jesoa Tomponao
Nidina nitondra aina,
Ka hobio anio maraina
‘Lay Mpanavotrao:
Voninahitra, ets
3.Mba fafao ny ranomaso
Fa injao ny Tompo Jesoa
Tonga ho anao;
Ka ario ny fahotana
Mampahaory sy motana
Mandrosoa izao:
Voninahitra, ets
4.Mitsangàna, ry vahoaka
Ka andeha re mitsaoka
Azy avotrao
Tonga izy mahavonjy,
Mifalia fa tra-bonjy
Eny, mba derao
Voninahitra, ets

352
1.Mihainoa! mihainoa!
Ny feon’Anjely sambatra,
Milaza fa vao teraka
Ny Zanak’Andriamanitra
Mihainoa izao! Mihainoa izao!
2.Mifalia! mifalia!
Ry Zanak’olombelona,
Fa tonga ilay Mpanavotra
Antsika izay mifatotra
Mifalia izao! Mifalia izao!
3.Mba omeo! Mba omeo!
Ny fonao, fa angatahiny
Fa Tenany natolony
Anao izay malalany
Mba omeo izao! Mba omeo izao!
4.Matokia! matokia!
Ka manaraha Azy izao,
Ilay Mpamonjy be fitia;
Nanetry tena ho anao
Matokia izao! Matokia izao
353
1.He! mizotra mba hankany Betlehema
Ny mpiandry ondry maro nahare;
Laza sy dera ho an’Andriamnitra
Soa ho an’ny olona
2.Izy ireo miondrika amim-panajana
Mba hitsaoka sy hilaza fiderana
Laza sy dera ho an’Andriamnitra
Soa ho an’ny olona
354
1.Hira tsara, hira
Ho lazan’i Jesoa Tompo
Vaovao mahafaly
No ambara izao
Hira tsara, hira
Sy hoby avalio
Fa Jesoa Kristy Tompo
No teraka anio
Hira tsara, hira
Atao ankehitrio
Fa Jesoa Tompontsika
No terakla anio
2.Hira tsara hira
Ny feon’Anbjely masina
Manambara soa
Ho an’ny olona
Hira tsara, hira
Hatao fanatitra
Ho fanomezan-dera
An’Andriamnitra
Hira tsara, ets
3.Hira tsara, hira
Ataovintsika velona
Fa tonga Jesoa Kristy
Mpamonjy olona,
Hira tsara, hira
Ho an’Andriamnitra
Avia mba hitsaoka
Ny Zaza Masina
Hira tsara, ets

355
1.Tao Betlehema tany soa
No teraka ‘Lay Zaza Soa;
Tao ny Anjely nilaza koa:
In excelsis gloria
2.Mpiandry ondry betsaka
No nilazan’ny Iraka,
Fa ny Mpamonjy no teraka,
In excelsis gloria
3.Hge! tonga Izy vonona
Hamonjy olombelona,
Ka mihirà, ry olona!
In excelsis gloria
4.Ka enga anie ry Tomponay,
Ho sitrakao ny hiranay
Ka mba hahita Anao’zahay!
In exclesis gloria

356
1.He! teraka Jesoa Mpamonjy
Tompo be fiantra!
Fa niudina Izy hamonjy
Antsika mpanota mahantra,
Ka hobio ankehitrio!
2.Ry mponina aty mifalia,
Tonga Ilay Mpanjaka
‘Zay mora fo sy be fitia,
Mba honina aty amintsika
Miravoa, ry olona ô!
3.Ry tany sy lanitra ambony,
Mihobia mafy,
Fa misy fiadanana any,
Ho lavon’izay mbanihafy
Mifalia, ry tra-bonjy!
357
1.Mameno izao rehetra izao
Ny hira soa indrindra,
Fa teraka ny Tomponao,
Mpamonjy sy Mpitondra;
Mba mifalia,
Teraka Imanoely,
O! Mihobia,
Ho voavory izay miely,
Ka miravoa
2.Ry foko, mifohaza re,
Nahoana no matory?
Ilay Mpanjaka lehibe
No tonga mba hamory!
Mba mifalia,
Teraka Imanoely ets
3.Ry tany aman-danitra,
Hobio maneoheo;
Akaiky sy lavitra
Samia manandram-peo
Mba mifalia,
Teraka Imanoely, ets
358
1.Tao Betlehema tany Jodia fahizay
No rteraka Jesoa Mpamonjy anay,
Ka nandry tanatin’ny vilona tao,
Nandefitra fatratra indrindra ho anao
Hobio re!
Torio mafy hoe:
Mpamonjy no teraka mba ho anay
2.Ny feon’Anjely izay tonga nankao
Manako aty, ka re tsara izao
Io teny mitondra hasambarana io,
Milaza ny soa mampifaly ny fo
Hobio,
ets
3.Ny mponina an-danitra faly avokoa
Niara-niredona tsara tokoa;
Ny kitan’ny lanitra samy nanao
Nitondra ny Magy nandeha nankao
Hobio, ets
4.Ry Jesoa Mpamonjy ny olo-mania
‘Zay tonga hamonjy anay, mba avia;
‘Zahay efa vonona izao mba handray
Anao, ry Mpanjaka nanavotra anay
Hobioo, re!
Torio mafy hoe:
Mpamonjy no teraka mba ho anay

359
1.Mifalia sy mihirà
Kristy no teraka,
Mihobia sy miderà
Azy zanaka
Zaza soa sy Masina
Tonga hamonjy olona,
Izy no hanafaka
Sy hamela heloka
Mihirà Anjely,
Tonga Imanoely;
Mihobia,n ry olona,
Miderà, ry velona
Zaza Tomponao
Zaza Tomponao
2.Mba henoy ry havana
Hira tsara izao
‘Zay hiraina alina
Ao an-tsaha ao;
He! Anjaley marobe
No indray mihoby hoe
‘Lay misatri-diadema
Tonga any Betlehema
Mihirà, Anjely ets
3.Lasa ny ririnina,
Ka mazava anio,
Afaka ny aizina
‘Zao ankehitrio
Misy fiadanana
Azo ifaliana,
Tonga hanazava anao
Kristy Tompo havanao
Mihirà, Anjely ets

360
1.Ry Kristiana, hobio!
Hifaly isika anio,
Mba henoy ny teninay:
Vaovao!
Jesoa Kristy teraka
Ao an-tranon’omby ao,
Itsahoan’izy ireo izao
Kristy teraka,
Kristy teraka
2.Ry Kristiana, hobio
Io Tompontsika io!
Mba henoy, ry havanay:
Hobio!
Zanak’Andriamnitra
Naka fomban’olona,
Hamoha indray ny lanitra
Kristy teraka, ets

3.Ry Kristiana, hobio


Fa resinao anio
Ny devoly rafinao:
Falia!
Teraka nby Tomponao,
He! Antsoiny hianao,
Handova hasambarana
Kristy teraka, ets

361
1.Ny faminaniana tanteraka anio
Ao Betlehema ao, fa Maria madio
Niteraka ilay ho Mpamonjy anao
Taran’Adama mpanota izao
Mifalia, mihobia, ry Kristiana ô
Fa teraka Jesoa Mpamonjy anao!
2.Maria sy Josefa nandeha nankao,
Fa tenin’Andriana tsy maintsy natao
Hisoratra anarana any izao
Fa tany nonenan’ny razany tao
Mifalia, ets
3.Endrey! tranon’omby no azony tao
Ka teraka tao ny Mpamonjy anao
Hanefa avo-tsoa voatendrin’ny Ray
‘Zay efa nanomboka tamin’izay
Mifalia, ets
4.Fianarana tsara ho antsika tokoa
Ny Tompo Mahery nandefitra koa
Fa toraka an-tranon’ny omby taty,
Nandao voninahitra fatratra ey
Mifalia, ets

362
1.He! feo mihira
Alim-be izao;
Mierona tsara
Ny trompetra ao
Teraka ny Tompo Soa
Ka falia avokoa:
Eny, arahabao!
Eny, arahabao!
2.Derao ny Tompo
‘Lay Mpanjaka soa
Avia hanompo
Zaza Masina
Teraka, ets

363
1.Voninahitra anie
Ho an’Andriamnitra
No fihiran’ny Anjely!
Avy ao an-danitra;
Fa ny mponina ao mifaly
Noho ny Mpanavotra
Efa tonga aty an-tany,
Ka manako hatraty
Fihirana ataony any
Voninahitra anie
Ho an’Andriamnitra,
In exclesis Gloria!
2.Voninahitra anie
Ho an’Andriamnitra!
Fa fitia tsy misy fetra,
Teny tonga Olona
Ka nijaly st nahantra
Mba ho fanavotana
Hafaliam-tsy ho lany,
Ka manako hatraty
Fiderana ataony aény:
Voninahitra anie
Ho an’Andriamnitra,
In excelsis Gloria!
3.Von,inahitra anie
Ho an’Andrimanitra,
Lasan ny fahoriana
Sy ny andro maizina,
‘Zao ny fiadanana
Mifalia, ry mpanota
Ka ataovy re ny antso:
Voninahitra anie,
Ho an’Andriamnitra,
In excelsis Gloria!

364
1.Fony Kristy teraka
Hanasoa antika,
Aizim-ben’ny alina
Tonga hazavana,
Ka nihoby fatratra
Ireo Anjely Masina!
Gloria,
In Exclesis Gloria!
2.Feno hafaliana
Mponina ao an-danitra,
Aoka hovaliana
Hira mahafinaritra:
Teraka ny Tompo Soa
Hanavotra olombelona
Gloria
In Exclesis Gloria!
365
1.Ny alina nandrivotra
Namirifiry ery,
Nanjary nahasambatra,
Fa Kristy tonga aty
Ry ali-mahatalanjona,
‘Zay mahafaly fo,
Hianao no niterahana
Mpanjaka manan-jo
2.Tsy lapa antonona
Mba hihaviany
Fa fihinam-bilona
Ilay nandriany
Ry Fitiavan-dehibe
Nanetri-tena koa
Ny foko faly nahare
Anao Mpanjaka Soa,
3.Tsy misy izay nanotrona
Ny nahatongavanao,
Kanefa anjely vonona
Hanao ny sitrakao
Sy Fiafena-masina
Fitsaohan’ny Anjely
Fa Zanahary olona:
Hampody izay miely
4.Ry Zaza tonga ankehitrio,
Ny lapa tianao
Dia fo mietry sy madio,
Avia onenanao
Anjely soa sy sambatra
Maniry izahay
Hihira indray mitambatra
Ny hirantsika indray,

366
1.Ry Betlehema kely ô,
Sondrian-tory ve?
Kanefa injay miseho ao
Ny hazavana be!
Ny toky sy ny tahotra
Mihainoa ankehitrio,
Fa Kristy ‘Lay Mpanavotra
No teraka anio
2.Ry Kintana marina ô,
Fitarik’andro koa!
Torio fa tonga aty izao
Ilay Mpanjaka Soa
Ka he! Ny voninahitra
An’Andriamnitra
Fiadanana tsy tapitra
Ho an’ny olona?
3.Endrey! mangina fatratra
Ny fampidinana
Ny fitahian-danitra
Am-pon’ny olona!
Tsy misy tabataba re
Na horakoraka
Kanefa Kristy tonga anie
Am-po mangoraka
4.Rankizy hendry sy madio,
Tsarovy Kristy izao
Fa Izy tonga anio
Mba ho Mpamonjinao
Na misy aza izay manjo
Izao Noely izao
No saino fatratra ao am-po
Hampionona anao

5.Ry Zaza Masina sy Soa


Ry Zanak’i Maria
Ry Tomponay Mpamonjy koa
Midina re aty!
Renay ny hiran’ny Anjely
Indray Noely izay,
Milaza Anao Imanoely
Ka dia momba anay!

CONVENTRY CAROL
367
1.Mba matoria, ry Zazakely ô,
Aza matahotra:
Fa Hianao nio tianay
Ka rovanay tokoa
2.Vilona no andrianao izao,;
Ondry no namanao
Kanefa Anjely marobe
No manodidina
3.Mba matoria, ry Zazakely ô
Aza matahotra:
Ny fitiavanay Anao
Tsy mlba hitsahatra
NY LAKOLOSIM-PIANGONANA
368
1.He! misokatra ny lanitra, mihira ny Anjely
Ka misy hira mahafinaritra ataon’ny zazakely
Voninahitra ho an’Andriamanintsika
2.Aoka tsy mba hisy reraka na ‘zay maniratsira;
Kristy Tompontsika no teraka henoy ny mpihira
Voninahitra ho an’Andriamanintsika
3.Ny lakolosim-piangonana mamaly ‘zao ny feo
Aoka izay ny fialonana; mihobia ry zareo!
Voninahitra ho an’Andriamnitra
NY MPIANDRY VIZANA
369
1.Nitariana ny ondriny Mpiandry vizana
Dia nisy Anjely nidina Nanelatrelatra
2.Dia raiki-tahotra izy ireo, Nahita azy teo:
Hoy izy: Aza matahotra, Henoy ny teny soa
3.Fa teraka anio tokoa an-tanànan’i Davida
Mpamonjy olombelona, Dia Kristy Tompontsika
4.Am-pihinanam-bilona No nahitana Azy
Ka lamba tsotra andriany ‘Zay Tompon-danitra
5.Dia nisy anjely marobe Niseho tampoka
Nidera an’Andriamanitra: Izao no hirany:
6.Derainba anie ry Ray Tsitoha ary an-danitra
Ka fiadana-mahasoa Ho olombelona

RY ANJELY SOA MPIHIRA


370
1.Ry Anjely soa, Mpihira Asan-janahary ô,
Mihirà an’i Mesia, Teraka ankehitriny,
Voninahitra ho an’Andriamnitra
2.Ry Mpiandry eo an-tsaha, Teraka Imanoela:
Mba avia hitsaoka Azy Fahazavana lehibe
Voninahitra ho an’Andrimanitra
3.Magy feno fahendrena ô, Matroka’reo kintana:
Ndeha hitady ny Mpanjaka,’Lay nirin’ny olona,
Voninahitra ho an’Andriamnitra
4.Aoka hihoby, aoka hidera an’ny Trinite izao
‘Zay rehetra manan’aina ka manao tsy tapaka hoe:
Voninahitra ho an’Andriamanitra

NY HIRAN’NY TANORA
371
1.Ry Jehovah Tomponay
Ndreto ny tanoranao;
Vonona hiasa izahay
Ao an-tanimbolinao
Hanazava Nosinay
Ka toroy saina vao;
Hoderaina anbie Hianao, ry Ray
Ka tahio ny asanao!
Ry tanora, mivavaha!
Ry zatovo, miasa
Mba hanompo sy hanondrotra
Hanasoa ny Eklesia
2.Ry Jesoa Zoky tia,
Sady Andriamanitray:
Satrinay mba ho tafara-dia
Aminao mandrakizay
Koa ireo izay mania
Manalavitra Anao;
Ry Fanahy Masina ô, avia
Ampodio am-balanao
3.O! Ry Tompô, mba mombà
Ity fikambananay;
‘Reo mpisalasala sy mpandà
Taomy mora re ry Ray!
Ka ny sainay hazavao,
Ampiraisonao ny fo;
Ary izay rehetra asa atao
Mba ho lazanao tokoa
4.Ry Tanora Malagasy
Vatosoam-pirenena
Mandrosoa aza milasilasy
Tanteraho izay nekena
Io no Tompo miantso anao
Ny fanevany jereo
Manolora tena re izao
Fo sy saina mba omeo
NY HIRAN’NY RENIN-JAZA
372
1.Ry Ray Tsitoha Ianao
Moa manatreha anay izao
Ry Jesoa ô, malalany
Henoy ny fivavahanay
2.Fanahy Masina o, avia
Ka mba tarihonao ny dia
Ny fikambananay anie
Harovanao ry Trinite
3.Ny tokan-tranonay jereo
Ny fahavalonay reseo
Ka ny mpivady tafaray
Hiadana mandrakizay
4.Arovy mba hifanasoa
Ny lahy sy ny vavy koa
Hanaja ny voafidiny
Ka mba ho tia ny vadiny
5.Tolory saina fahendrena
‘Zahay mpitaiza firenena
Ho renin-jaza mba mahay
Mitaiza ny taranakay
6.Maria Magdalena koa
Navotanao ry Jesoa soa
Ka mba omeo fisainana
Ireo maloto fiainana
7.Ny fangatahany valio
Ka amorony fo madio
Ho be fitia, hanetry tena
Ny RENIN-JAZAM-PIRENENA
Amena

NY HIRA EKOMENIKA
373
Fiverenena: Tiako ny hiaraka Aminao, Jesoa,
N’aiza n’aiza hitondranao ahy
Tiako no hiraka Aminao, Jesoa,
Fa Ianao no miantso ahy!
1.Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,
Tsy manana olon-kafa aho fa ianao no fiainako
Hanara-dia anao: ‘zay no faniriako
Hifikitra aminao aho, Jesoa!
2.Hiaraka aminao aho, ö ry Jesoa Tompoko,
Hitory teny sao amin’ireo havako
Hanara-dia anao; ‘zay no faniriako
Hanohy ny asanao aho, Jesoa!
3.Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,
ho zary Famonjena anie ny fahoriako
Hanara-dia anao: ‘zay no faniriako
Hifantsika aminao aho,n Jesoa!
4.Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko
Hibanjina ny Ray Tompo Andriamanitro
Hanara-dia anao; ‘zay no faniriako
‘Zay misy anao no hisy ahy, Jesoa !

NY HIRAM-PIRENENA MALAGASY
374
Ry Tanindrazanay malala ô,
Ry Madagasikara soa
Ny fitiavanay anao tsy miala
Fa ho anao doria tokoa
Ry Tanindrazana malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy ananay
‘Zay sarobidy sy mendrika tokoa

Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao
Ka Ilay nahary ‘zao tontolo izao
No fototra ijoroan’ny santanao
Tahionao ry Zanahary,
Ty Nosin-drazanay ity,
Hiadana sy ho finaritra
He! Sambatra tokoa izahay

You might also like