You are on page 1of 6

Teknika

I-/ TSARA HO FANTATRA


• Ny faikan-javamaniry ao anaty tany izay mihalò no mahalonaka ny
tany ka mivadika ho roka (humus)
• Ny fisian’io roka io no mahatonga ny tany ho mora asaina sy
mahatonga azy ho mora hitàna rano.
• Ny zezika organika dia mitondra roka sy sakafo ilain’ny tany mba
hampitombo ny vokatra izay ambolena ao amin’ny tany.
Mampitambatra ny tany be fasika izy ary mapisaratsaraka ny tany be
tanimanga.

I.1-/ ireo karazana zezika organika

• zezi-pahitra
o zezik’omby
o zezi-kisoa
o zezik’akoho amam-borona,
o taim-biby …
• kaompostra
• zezika maitso
• zezika azo avy amin’ny asan’ny kankana “lombricompost”

I.2-/ ireo asan’ny zezika organika

• manome sakafo ilain’ny zava-maniry


• mahatonga ny tany mora asaina
• manamboatra ny firafitry ny tany
o mampitambatra ny tany fasehana
o mampisaratsarakja ny tany fompotra

II-/ FOMBA FAMOKARANA ZEZIKA ORGANIKA

II.1-/ ny atao hoe zezi-pahitra


• Ny zezi-pahitra dia zezika azo avy amin’ny fampidirana bozaka ao
anaty tranon’omby. Ny tain’omby sy ny amanin’omby no mahalo io
bozaka io ka miteraka fahalovan’ny bozaka izay lasa zezika organika
antsoina hoe zezi-pahitra.

II.2-/ fanamboarana zezi-pahitra nohatsaraina (kaompostra anaty lavaka)


• manao lavaka eo amin’ny 20cm eo ny halaliny ao anaty valan’omby,
mitovy amin’ny valan’omby ny sakany sy ny lavany.

-1-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Boeny
natao ny 09-10-11 aogositra 2005
Teknika

• Damaina tsara mba tsy hitsika any ambany ny amanin’omby sy ny


tsiron-jezika
• Mampiditra akata maina na mololo ao anaty lavaka isaky ny mivoaka
ny omby (atao isan’andro) eo amin’ny 5cm eo ho eo ny hateviny
• Avela itsahina sy amainizan’ny omby eo mandram-pahafenon’ny
lavaka (feno akata ny lavaka)
• Avoaka rehefa feno ary atoby amin’ny toerana tsy tratry ny
doron’andro
• Mampiditra akata vaovao indray isan’andro ary avoaka isaky ny feno
ny lavaka
• Rehefa mitoby ny zezi-pahitra dia miha-lo tsikelikely (tondrahana
rano raha mitady ho maina)
• Azo ampiasaina atao ambany asa (lafika) afaka 15 andro

FANAMARIHANA
• Raha mahavatra mampiditra akata ao anaty valan’omby dia mety
hahazo zezi-pahitra betsaka.
• Raha azo atao dia tafoina ny valan’omby mba tsy ho lasan’ny
doron’andro ny hamandoana izay mandò ny bozaka
• Mila tondrahana rano rehefa atoby ny zezika mba ahafahan’ireo biby
tsy hita maso miasa.

II.3-/ fomba fampiasana ny zezi-pahitra eny an-tanety na an-tanimbary


• aparitaka ny zezika alohan’ny fiasana azy dia avadika ny tany ary
hosena 1volana alohan’ny hambolena.

FANAMARIHANA
• Tsy maintsy aparitaka ny zezika ary asaina ny tany roa herinandro
alohan’ny hambolena azy farafahakeliny

ANTONY
• Mila mihalo ny zezika alohan’izay ka mamoaka hafanana. Raha
mamboly amin’io fotoana io dia mamono ny zava-maniry izany.

II.4-/ fanamboarana kaompostra


• Ny zezika kaompostra dia zezika amboarina azo avy amin’ny
fahalovan’ny fakon-javamaniry sy ny ravina maitso
• Misy biby madinika izay entin’ny zezika ka mihinana ny fako ry
mahatonga ny kaompostra ho lo na masaka. Ireo biby ireo dia miaina
amin’ny rivotra sy rano mba hampitombo azy.
• Antsoina hoe masaka ny kaompostra rehefa tsy hita miavaka intsony
ireo fako ireo fa mivadika ho zezika ary madity somary miloko mainty
manopy volon-tany.

II.4.a-/ ny akora ilaina amin’ny kaompostra


• fako maina (akata maina) mololo, tahom-boanjo, lojy
• ahitra maitso ravina maitso rehetra , taim-biby
• rano (godiaà)
• hoditra voankazo isan-karazany

-2-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Boeny
natao ny 09-10-11 aogositra 2005
Teknika

II.4.b-/ ireo karazana kaompostra


• kaompostra ambony tany
• kaompostra anaty lavaka

II.5-/ fanamboarana kaompostra anaty lavaka


• mandavaka tany 20cm ny halaliny, 3m ny lavany, 1,5cm ny ampohiny
• ampidirina anaty lavaka ny fakon-javamaniry atao mahatratra 25cm
ny haavony
• atao eo amboniny ny taim-biby eo amin’ny 5cm ny haavony
• tondrahana avy eo
• iverimberina ireo lafy ireo mandram-pahatonga azy ho 1,5m ny
haavon’ny lafy ary tondrahana isaky nymiova lafy (couche)
• saronana bozaka maina rehefa vita

m
3

20 cm

1,5m

Fidiran’ny
rivotra

SOSOGNA

SOSOGNA

SOSOGNA

SOSOGNA

2
TANY MASAKA MANIFY
TANY MASAKA
RAVINA MAITSO
BOZAKA MAINA
RATSAN-KAZO
Ratsan-kazo
-3-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Boeny
natao ny 09-10-11 aogositra 2005
Teknika

II.6-/ - fanamboarana kaompostra ambonin’ny tany


• Arotsaka anaty lavaka ny rantsan-kazo ary maka hazo (bararata, na
tahona madiro)
• Afatotra maromaro (mitovy amin’ny famatorana hazo maty eo
amin’ny 2m ny halavany)
• Atambatambatra mba ho boribory eo amin’ny 8cm ny savaivony
• Rehefa vita dia atao anaty lavaka (jereo ny sary)
• sosona 1 : arotsaka ny fako maina ary atao ambony rantsan-kazo (25
cm eo ho eo ny haavony)
• tondrahana rehefa vita
• atao mando tsara (tsy afatratra)
• maka ravina maitso sy hoditra voankazo (raha amin’ny fotoana
fahavokaran’ny voankazo) izay atao eo amboniny
• tondrahana rehefa vita
• hateviny : 15cm eo ho eo
• atao eo ambony ravin-kazo maitso ny zezika, 5cm ny hateviny
• tondrahana rano rehefa vita
• ary alaina ny tany masaka ka aparitaka atao manify eo ambony
• ny fitambaran’ireo no atao hoe sosogna 1
• averimberina ny sosogna mandram-pahatongana hatrany amin’ny
1,5m ny haavony(jereo ny sary)
• mety hatrany amin’ny sosogna 8 vao feno hatramin’ny 1,5m ny
haavony
FANAMARIHANA
• Mety eo amin’ny 5 ka hatramin’ny 8 ny lafy mandram-pahavitany ary
tsy afatratra
• Saronana bozaka maina rehefa vita ny lafy
• Mba ahamora ny fidiran’ny rivotra dia asiana lavaka (cheminée) eo
afovoany ary asiana hazo atambatra dia fotorana.

II.6.a-/ Famadihana ny kaompostra


• Ilaina ny famadihana ny kaompostra mba hitovy ny fahalovan’ny
sosogna ambony sy ny sosogna ambany.
• Rehefa mivadika ny kaompostra dia ny sosogna ambony lasa ambany.
• Mila manao lavaka vaovao eo akaiky mba hamadihana ny kaompostra
ary avadika isaky ny 15 andro.
• In-2 na in-3 ny famadiahan dia mihamasaka ny kaompostra.
Trano misy tafo
15
Andro andro 15
0 andro

Lavaka Lavaka Lavaka


Compost vita
1 2 3

-4-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Boeny
natao ny 09-10-11 aogositra 2005
Teknika

Fomba fandrindrana ny lavaka


II.6.b-/
• Andro 0: manao kaompostra lavaka 1
• Afaka 15andro : mamadika ao amin’ny lavaka 2, manao kaompostra
vaovao ao anaty lavaka1
• Afaka 15 adnro : mamindra kaompostra navadika anaty lavaka 3 ary
mamindra ny kaompostra vavoao anaty lavaka 2
• Afaka 15 andro : masaka ny kaompostra ary atoby ao an-trano
• Afaka 15 andro : manatoby kaompostra amin’ny trano misy tafo.
FANAMARIHANA
• raha voarindra tsara izany dia mahazo kaompostra vaovao isaky ny 15
andro, aorian’ny fahamasahan’ny kaompostra voalohany
• rehefa atoby ny kaompostra dia tehirizina anaty gony na atoby
amin’ny toerana iray misy tafo mba hiarovana ny hamandoany tsy ho
very
• miala araha-maso ny rano ao anaty kaompostra ary tsy avela ho maina
fa mampitsahatra ny fitombon’ny mikraoba izay mampalo azy izany
• mila araha-maso ny hafanana, raha tsy mamoaka hafanana ny
kaompostra dia tsy mety izany fahalovana izany.
• Arakaraka ny ipetrahan’ny kaompostra ela no mahamasaka azy. Raha
tiana ho lo tanteraka ny akora dia avela hitoby 3 na 6 volana ary
tondrahana matetika.
• Ny kaompostra masaka dia tsy mamoaka hafanana intsony

III-/ NY TSARA HO FANTATRA MBA HAHATSARA NY KAOMPOSTRA

III.1-/ Fahafantarana ny kaompostra tsara


• mihamafana ny kaompostra afaka 2 na 5 andro eo
• mitombo ny hafanana ary miakatra hatramin’ny 70° afaka 6 na 7
andro
• tsy hita miavaka intsony ny fako rehefa avadika ny kaompostra
• mba ahafantarana ny fahampian’ny rano na tsia dia
• maka kaompostra santionany alaina amin’ny tanana
• potserina ka raha mamoaka rano dia be loatra ny rano
• miletsy ny haavon’ny sosogna

III.2-/ Aiza no toerana tsara ametrahana kaompostra ?


• manakaiky rano na vovo hahamora ny fanondrahana
• toerana tsy talaky ny doron’andro
• mitady toerana lemaka fa tsy misolampy (mitoringatra)

III.3-/ Akora inona no tsy azo atao kaompostra ?


• ny rantsan-kazo
• ny akata misy voany
• ny akora ela vao lo (tahon-katsaka, hodim-boanjo)

-5-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Boeny
natao ny 09-10-11 aogositra 2005
Teknika

IV-/ FIZOTRY NY FAHALOVANA

IV.1-/ Dingana 1.
• Rehefa voatoby ny kaompostra ka ampy tsara ny rano sy ny rivotra
ilain’ny bibikely dia mamoaka hafanana ny kaompostra ary mety
mahatratra hatramin’ny 70°C, ny hafanana
• Hita izany eo amin’ny andro faha-3 hatrami’nny andro faha 7 eo ho eo
• Raha jerena dia hita misy setroka mivoaka eo amin’ny kaompostra ary
mamoaka fofona roka “humus”
• Miletsy ny haavony ary manomboka midina ny hafanana, midika izay
fa mandeha tsara ny fahalovana

IV.2-/ Dingana 2.
• Afaka 15 andro rehefa avadika ny kaompostra dia miakatra indray ny
hafanana ary mihena tsikelikely avy eo

IV.3-/ Dingana 3.
• Rehefa masaka ny kaompostra dia tsy mamoaka hafanana intsony ary
tsy mamoaka fofona intsony
FANAMARIHANA
• Mba ahafanan’ny rivotra mifamezivezy dia asiana fidiran-drivotra
(jereo ny sary), izany koa no antony ilana ratsan-kazo atao ambany
indrindra.

V-/ FANATSARANA NY KAOMPOSTRA


• tanimanga : 20 lapelina isaky ny kaompostra 2 m3 mba ahatonga azy
hafonja amin’ny alalan’ny karazam-by (Fe) izay atao hoe Fer raha
vovoka ny zezika
• lavenona : 20 eran-tanana isaky ny kaompostra 2m3, mitondra
kalisioma sy manezioma, ny kalisioma dia ilaina ho an’ny voly
mamody
• ranon-jezika : mitondra azota (N) izay manatsara ny ravina (ilaina ho
an’ny fambolena felika)
• taolana voatoto : ahazoana fôsifôro

VI-/ TOMBOTSOA AZO AVY AMIN’NY KAOMPOSTRA


• tsy mitondra akata satria ny hafanana mandritry ny fahalovana dia
mamono ny voan’akata
• ilaina izy ho an’ny olona tsy manana zezika maro
• tsy sarotra ny mitady akora ampiasaina
• tsy manimba ny tany
• mifameno ny asan’ny NPK raha ampy ny fanatsarana fanampiny
FANAMARIHANA
• Ny famokarana kaompostra an-tonta, sy an-tonta lavalava dia mitovy
tsy misy valaka amin’ny fanaovana kaompostra an-davaka (akora, O2,
Rano, Bibikely mpandò, ...)
• Arakaraka ny akora ampiasaina no ahazoana ny karazana zezika
N.P.K.

-6-
Atrikasa fampifanarahana ny teknika sy voambolana ho an’ny Faritra Boeny
natao ny 09-10-11 aogositra 2005

You might also like