You are on page 1of 6

Torah Namana

Tsy mifanaratsy
Eks 20:16
Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
Lev 19:16
Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny
namanao: Izaho no Iehovah.
Kor I 6:7
Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin'ny namanareo. Nahoana no
tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza hianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina
aza hianareo?
Tes I 5:15
Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na
amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.
Jak 2:8
Kanefa raha mankato ilay didy ambony indrindra hianareo, araka ny Soratra kadosh hoe:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

Tsy mitsiriritra
Els 20:17
Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny
ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny
namanao akory aza.
Had 5:18
Ary aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao, na ny
taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho
an'ny namanao akory aza.

Veik 18:20
Ary aza mandry amin'ny vadin'ny namanao, handoto ny tenanao aminy.

Tsinjovy ny namanao/ aza manao sarotra aminy


Els 22:25
Raha maka ny lamban'ny namanao ho tsatoka hianao, dia hampodinao aminy izany, raha
mbola tsy milentika ny masoandro.
Els 23:5
Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao mihonaka ao ambanin'ny entany, dia aza
malaina hamonjy azy hianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.
Veik 19:13
Aza manao an-keriny amin'ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman'izay
nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina.
Isa 58:7
Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena,
ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao* ianao?
[Heb. hiery ny nofonao]
Tsy mizaha tavan’olona/ mizana marina
Lev 19:15
Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana; aza miandany foana amin'ny malahelo, na
menamaso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.
Sal 146:3
Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy.
Lev 19:36
Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina no hotananareo : Izaho no Jehovah
Andriamanitrao,
Deo 5:17b
Ary aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.

Mifananara/ mazotoa miaraka manakadosh tena


Lev 19:17
Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba
tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
Kol 3:16
Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia
mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy,
mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
Tes I 5:11
Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
Heb 3:13
fa mifananara isan-andro, raha mbola atao hoe Anio; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy
fo noho ny famitahan'ny ota.
Heb 10:25
aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa,
mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.

Tsy mitazona lolom-po


Lev 19:18
Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao
tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.

Tsy fetsy @ namana


Lev 25:14
Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin'ny namanao hianao, aza misy manao sarotra:

Eze 22:12
Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony ianao sady
manao an-keriny mandroba ny an'ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.

Tsy manakisaka faritra eo @ tany izay nataon’ny Ntaolo (voir T.A)

Deo 19:14
AZA mamindra ny fari-tanin'ny namanao, izay efa vitan'ny razana teo amin'ny zara-
taninao, izay azonao eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.
Tsy mioty izay any antsahan’ny namanao ho entinao mody
Deo 23:25
Raha mankany amin'ny tanimboaloboky ny namanao hianao, dia mahazo manaram-po
mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody.
Deo 23:26
Raha mankany amin'ny tanimbarin'ny namanao hianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny
tànanao; fa aza jinjanao antsy ny varin'ny namanao.

Tsy manao antoka raha mampisambotra


Deo 24:10
Raha mampisambo-javatra ny namanao hianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny
antoka aminy.
Oha 11:17
Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an'ny tenany; Fa ny lozabe dia todìn'ny halozany.
Oha 19:19
Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana
anao ihany indray.

Oh 6/1,4
ANAKA, raha niantoka ny namanao hianao Ary nandray tànana hiantoka ny hafa,
Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao hianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny
vavanao, Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao Satria efa mby eo an-tànan'ny
namanao hianao) Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao. Aza avela hatory
akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.

Tsy mampifilafila
Oha 3:28
Aza manao amin'ny namanao hoe Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko;
Kanefa manana ihany hianao.

Tsy ratsy fijery ny namanao


Oha 3:29
Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo
aminao izy.
Deo 15:9
Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona
fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo hianao, ka tsy
hanome azy akory hianao; ary hitaraina amin'i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho
fahotanao izany.
Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao Satria efa mby eo an-tànan'ny namanao
hianao) Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao.
Oha 24:28
Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin'ny
molotrao va hianao?
Zak 8:17
ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia
fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.
Misaina tsara alohan’ny zavatra hatao/ Diniho ambony ambany ny zavatra hatao
rehetra/ mahay misadapte @ trangan-javatra rehetra misy
Oha 20:18
Ny hevitra rehetra dia aorin'ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao
miady.
Oha 24:6
Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia
misy famonjena.

Oha 25:8
Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin'ny farany, Rehefa
omen'ny namanao henatra hianao.
Rom 15:1
Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay
hahafaly ny tenantsika ihany.
Kor II 11:29
Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?
Kor I 9:19-23
19 Fa na dia afaka amin'ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon'ny olona
rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa. 20 Tamin'ny Jiosy, dia tonga toy ny
Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin'izay ambanin'ny lalàna, dia tonga toy izay
ambanin'ny lalàna aho, na dia tsy ambanin'ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin'ny
lalàna; 21 tamin'izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba
olona tsy manana lalàna amin'Andriamanitra aho, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy), mba
hahazoako izay tsy manana lalàna; 22 tamin'ny malemy dia tonga malemy aho, mba
hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin'ny olona rehetra, mba hamonjeko
ny sasany na iza na iza. 23 Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho
tonga mpiombona aminy aho.

Aza miady eo anatrehan’ny goim/ tsy mifanditra eo imason’ny goim


Oha 25:9
Miadia ihany ny adinao amin'ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian'ny sasany
holazaina,

Kor I 6 : 1 - 8

Misy aminareo va, raha manana ady amin'ny namany, sahy handeha hotsarain'ny olona tsy
marina, fa tsy eo anatrehan'ny olona masina? 2 Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia
hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao hianareo, moa tsy miendrika
hitsara izay zavatra madinika indrindra va hianareo? 3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely
isika? Mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. 4 Koa raha misy hotsarainareo ny
amin'ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon'ny fiangonana ho tsinontsinona va no
tendrenareo ho mpitsara? 5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! Dia tsy misy
olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin'ny rahalahiny?
6 Fa ny rahalahy mandeha hiady amin'ny rahalahiny, na dia hotsarain'ny tsy mino aza. 7 Ary
ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin'ny namanareo. Nahoana no tsy aleo
mandefitra ny tsy rariny aza hianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza
hianareo? 8 Kanjo hianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny
rahalahinareo aza.

Mahalala onony
Oha 25:17
Aza miditra matetika ao an-tranon'ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany
hianao.
Jereo ireo olona hisakaizana
Oha 27:10
Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin'ny tranon'ny
rahalahinao amin'ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.

Mifanarina raha misy sedra lavo


Mpt 4:10
Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana
hanarina azy.

Mailo hatrany anefa @ rehetra


Mik 7:5
Aza matoky namana hianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny
varavaran'ny vavanao na dia amin'izay andefimandrinao aza.

Tiavo tahaka ny tenanao ireo namanao


Mar 12:32,34
Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray
ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy. Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny
saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra
noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany. Ary raha hitan'i Jesosy fa
namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra
hianao
Lio 10:25,28
Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an'i Jesosy hoe:
Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26 Ary hoy Izy taminy:
Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy! 27 Ary izy namaly
ka nanao hoe: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao
rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra ( Deo.6.5); ary Tiava ny namanao tahaka
ny tenanao( Lev.19.18). 28 Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho
velona hianao.
Rom 13:10
Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny
lalàna.
Aza mitsaratsara ny namanao fahatany
Jak 4:12
Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa
hianao, no mitsara ny namanao?
Ahoana ireo zavatra tahora eny antsena?
I kor 10/23-28
Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa, ny zavatra rehetra azo
atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso. 24 Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa
ny tenany, fa ny hahasoa ny namany. 25 Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza
manontany akory noho ny fieritreretana; 26 fa an'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy
(Sal 24:1) . 27 Ary raha misy amin'ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha hianareo, dia
hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana. 28 Fa raha
misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin'ny sampy io, dia aza homana noho ny
amin'ilay nilaza sy ny fieritreretana.

You might also like