Professional Documents
Culture Documents
Ny Tena Anarana Marina Hahavonjy
Ny Tena Anarana Marina Hahavonjy
?
Taorian’ny fikarohana nataon’ireo “Savants » sy « professeurs » maro(Benjamin Freedman,
Shlomo Sand …) teto ambonin’ny tany dia maro no diso fanantenana fa hay tsy ireo olona izay
mipetraka ao Israel amin’izao fotoana izao no ireo taranaka Hebreo izay taranaka Semita fahiny
tamin’ny andron’i Mosesy. Taranaka hafa vaovao mihintsy ireo olona ao ireo izay taranaka Khazars
(Turc+Mongole) avy any Asie, taranaka naka ny fivavahana Jiosy ary nampianarin’i Eliezer ben
Iehudah niteny ny fiteny Hebreo Maoderina. Ny ONU no namindra azy ireo nifindra nonina tao
Israel taty aoriana izay politika nentin’izy ireo nanohitra ny firenena Arabo.
Fig 1 : Livre de Benjamin Freedman sur les Khazars faux Hebreux
Fig 2 : Shlomo Sand, professeur d’Histoire Université de Tel Aviv
Fig 3 : Comment le Peuple Juif fut inventé, Shlomo Sand
Misy dikany lehibe amin’ny famonjena eto ambonin’ny tany anefa ny fisian’io vahoaka voafidy
manokana tamin’ny andron’i Mosesy io satria dia izy ireo irery ihany no natokana hitory ny
tenin’Andriamanitra amin’ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany raha ny Baiboly no jerena:
(Rom 3/1): “Koa inona ary no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy
amin'ny famorana? Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny
tenin'Andriamanitra ho adidiny”
(Salamo 147/ 19,20): “ Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny
amin'Isiraely. Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy
mba fantatr'ireny ”.
Tsy misy mifanohitra ny baiboly na dia iray aza, ny fahazahoann’ny olombelona azy no
mampifanipaka azy. Tsikelikely ny fianarana ary Fanahin’Andriamanitra no hamakina ny Baiboly sy
ahazahoana azy.
(Salamo 89/34): “Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako”
(Eks 3/14,15): “Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA
HO MANDRAKIZAY(EHIEH ASHER EHIEH amin’ny teny Hebreo). Ary hoy koa Izy: Izao no
holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY(EHIEH amin’ny teny Hebreo) Izy no efa naniraka
ahy ho aty aminareo. Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao amin'ny
Zanak'Isiraely: Iehovah, Andriamanitry ny razanareo(Elohim amin’ny teny Hebreo), dia
Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa naniraka ahy ho
aty aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin'ny
taranaka fara mandimby”. Anarany mandrakizay io Anarana io, ary tsy azo hovana.
(AA 4/12) : « Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra
nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena)
Raha hiverenana ny tantara dia avy tamin’ny vahoaka Hebreo ny Baiboly izay ampiasain’ny mpino
kristianina rehetra no nadika. Koa raha io Baiboly fototra Hebreo io no itodihana dia hita fa
“Elohim” na “El”(dimunitif)no anarana niantso ny “dieu” na “god” sns tamin’izany.
Tahaka izao avy ireo karazana fampiasa io anarana io amin’ny fiteny fototra Hebreo:
- Elohim(pluriel): tamin’ny fomba fisaina Hebreo fahiny dia mari-panajana ny hoe « im »
izay manamarika zavatra maro. Mari-panajana ilay nahary izao tontolo izao fa tsy nidika
hoe Andriamanitra maro akory.
- Elohi : Andriamanitro
Raha jerentsika ny Baiboly dia efa tsy hita ao intsony ny anarana hoe Elohim satria tratran’ny
fandikan-teny. Mbola hita taratra mazava kosa anefa io anarana io nohon’ny fanadinoan’ireo
mpandika teny tamin’izany angamba fa hoe tokony ho novana ihany koa ireo anaran-tanana nisy
ny “El” na “Elohim”.
- (Gen 33/18, 20): “Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo
amin'ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin'ny tanàna. Dia
novidiny vola zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, ny tany izay nanorenany ny
lainy. Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely5 ny anarany”.
Jereo ery ambany amin’ny Baibolinao mahakasika ireo andian-teny voatsipika maintso ireo* 5El-
elohe-Isiraely: Andriamanitra Andriamanitry ny Israel.
- (Gen 35/ 6, 7): Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin'ny tany
Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy. Ary nanorina alitara teo izy, ka
nataony hoe Elbetela no anaran'izany tany izany; fa teo no nisehoan'Andriamanitra taminy,
fony izy nandositra ny tavan'ny rahalahiny.[El: Andriamanitra/ Bet: trano, El:
Andriamanitra/ Betela dia midika hoe tranon’Andriamanitra/ Betlehema: Bet dia midika hoe
trano, ny lehem dia midika hoe mofo, ny Betlehema dia midika amin’ny teny Hebreo: trano
fitoeran’ny mofo]
- Ireo anarana Mpaminany na Arkanjely dia nitondra io anarana El io avokoa:
Mikael/ Gabriel/ Rafael/
- Ireo mpaminany lehibe fahiny dia mbola nitondra io anarana El io avokoa:
Daniel, Joel, Ezechiel
Handeha isika haka Baiboly amin’ny fiteny Hebreo izay voadika amin’ny teny Anglisy, ny
Interlinear Bible izay ampiasain’ireo mpianatra Teologiana maro maneran-tany:
Ireo voatsipika mena mazava ireo no vakin’ny teny fototra Hebreo “Elohim” izay nadika amin’ny
teny Anglisy “god”.
Mety mbola hametra-panontaniana ihany ianao hoe sao mbola mety ho teny mitovy
hevitra ihany ny hoe “god” na “dieu” na “Zanahary” na “Andriamanitra”:
Ari dia andriamanitra Egyptiana tranainy izay niady tamin’i Elohim (Andriamanitry ny Hebreo) ny
taona [1875BC – 1445BC] tamin’ny Zanak’Israel andevo tany Egypta (XVIII ème Dynastie)
Ny “Sa” amin’ny teny Egyptiana(Khemetique) dia midika hoe “fils de” na zanak’i:
Ny « en » na « an » kosa izay vakiana « n » dia midika hoe « of » na “ny”
Koa raha atambatra ireo teny fohy fantatsika ireo dia manome izao:
Oziris na Ausar no nantsoin’ny Egyptiana tamin’ny XVIIIème dynastie hoe SAN-ARI na ZAN ARI(fils
de ARI)/ ARI: dieu de la richesse Khemetique.
Koa raha mivavaka ny Malagasy dia io teny Zanahary io no ampiasainy kanefa ny Baiboly
ampiasainy dia Baiboly Hebreo(Syncrétisme). Fanimbazimbana ilay Andriamanitry ny Hebreo
tanteraka io satria io ARI(na Zanahary io mihintsy ilay andriamanitry ny Egyptiana notsarain’ny
Andriamanitry ny Hebreo tao Egypta tamin’ireo loza 10 tamin’izany).
(Eks 12/12) : « Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka
hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby
fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah »
Tokony ho tonga saina ihany isika satria na ireo mpimasy any anaty lavabato na ireo mpivavaka
any ampiangonana dia samy miantso io teny hoe Zanahary io.
Sary: fampidinana Zanahary( mpisikidy Malagasy)
(Isaia 52/4,6): “Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan'ny oloko
tamin'ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-
tsy ahoana. Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy
ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary
mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako. Koa ny oloko dia
hahalala ny anarako; Eny, amin'izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny
hoe: Inty Aho”
TSY NANOVA NY ANARANY NY ZANAKA TAMIN’IZY NIFANENA TAMIN’I PAOLY:
Tamin’ny andron’i Paoly Apostoly dia ny teny Grika sy Romana no natanjaka indrindra sy
nampiasaina indrindra. I Paoly Apostoly rahateo dia zanak’olona nanana ny naha izy azy, nizaka ny
zompirenena Romana kanefa Hebreo izy, taranaka Benjamita, niteny Romana sy Grika.
(AA 22/25,28): “Ary raha namatotra azy tamin'ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly
tamin'ny kapiteny izay nitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy
Romana izay tsy mbola nohelohina? Ary ny kapiteny, nony nahare, dia lasa nilaza
tamin'ny mpifehy arivo ka nanao hoe: Inona izao hataonao izao? Fa Romana io
lehilahy io. Dia nankeo aminy ny mpifehy arivo ka nanao taminy hoe: Lazao amiko:
Romana va hianao? Dia hoy izy: Eny. Ary ny mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no
nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny
fony vao teraka”.
(Filipiana 3/5): “fa voafora tamin'ny andro fahavalo aho, avy amin'ny fototr'Isiraely,
dia avy amin'ny firenen'i Benjamina; Hebreo sady avy amin'ny Hebreo aho; araka ny
lalàna, dia Fariseo; araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana; araka ny
fahamarinana avy amin'ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny »
Ny zavatra nitranga dia tsy niteny Grika velively ilay Zanak’Elohim raha nifampiresaka tamin’i Paoly
Apostoly, ny antony dia ny tsy hampiova ny Anarany, izay Anarana mahavonjy misy Hery sy
Fahefana:
(AA 26/14,15): “Ary rehefa lavo tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho
nanao tamin'ny teny Hebreo hoe: Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy? Zavatra
sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana. Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy
ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao”/ Raha adika amin’ny Fiteny Hebreo dia toy izao no
dikan’ilay fanontaniana:
(AA 4/12): « Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny
lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena)
Ny kristy ihany koa dia tsy hita velively ao anatin’ny baiboly Hebreo/ Ieshua hamashiah no ao:
“Ha”: article Hebreo izay midika hoe “Le na Ny”, “Mashiah”: Mesia. Avy aiza azy izany io teny hoe
Kristy io??? Ary inona no teny heviny??? Ho hitantsika amin’ny fotoana manaraka avokoa ireo.
Fehiny: Misy hery sy fahefana io Anarana io. Hitan’ny Devoly ary fantany izany dia novainy.
Novetavetaina tanteraka io Anarana io, nolotoina, izany no nahatonga an’Elohim nilaza mialoha
izao toko sy andininy manaraka izao:
(Ezekiela 36/ 23): “Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany
amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa
miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo”.
Vahoaka voafidy manokana no ahalala io Anarana marina io fa tsy izao tontolo izao na izay rehetra
te hanambara ny Anarany: Olona nandalo tany Egypta(manana fahatsiarovana Egyptiana na
amin’ny fiteny na fomba) ary nandalo tany Asyria( manana fahatsiarovana Asyriana na fiteny na
fomba)/ mbola velona eto ambonin’ny tany io vahoaka io ankehitriny araka ireo fikarohana rehetra
nataon’ireo manam-pahaizana, ao aminy avokoa ireo fomba sy fiteny Egyptiana izay tany
nahababo azy ireo 430 taona, ao amin’izy ireo avokoa ihany koa ireo fomba sy fiteny Asyriana izay
tany nahababo azy ireo 200 taona teo ho eo. Ny famelabelarana manaraka no ahafantarana ny
antsipirihany ny amin’ireo.
(Isaia 52/4,6): “Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan'ny oloko
tamin'ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-
tsy ahoana. Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy
ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary
mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako. Koa ny oloko dia
hahalala ny anarako; Eny, amin'izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny
hoe: Inty Aho”.
(Jaona 1/12): “Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga
zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany.
(AA 4/12) : « Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa
ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena).
Araka ny voalaza ao amin’ny (Kol 3/17): “Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny
teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Ieshua Adon(Tompo) izany rehetra
izany”. Koa io no tokony hamaranantsika amin’ny Anaran’ny zanaka ireo zavatra rehetra atao na
vavaka na asa mba ho feno fahefana sy fitahiana ary tso-drano tanteraka:”amin’ny
Anaran’Ieshua Hamashiah”, amin’ny teny Hebreo dia tahaka izao raha adika: “Be Shem
Ieshua Hamashiah”
Be: amin’ny
Shem: Anarana