You are on page 1of 494

VAVOLOMBELONA

MAHERY
E.G.WHITË

VAVOLOMBELONA
MAHERY

EDITIONS I . A . ANTANANARIVO
MADAGASIKARA
1988
Sasin-teny

Nadika avy tamin' ilay boky nosoratan' i Eo G. White mitondra ny lohateny


hoe: «The Acts of the Apostles», ny VAVOLOM- BELONA MAHERY.
Mara ireo boky nosoratan' io mpanoratra ia no efa voadika amin' ny teny
malagasy ankehitriny: Ny Tana- masoandron' ny Fahasalamana - Hery
mifanandrina - llay Fitia- vana mandresy - Patriarka sy Mpaminany -
Henoinareo ny fano- harana - Mpaminany sy Mpanjaka. Mameno ary
mamarana io amboara sarobidy io, ny Vavolombelona mahery, izay natao
indrindra hampifoha sy hampahery ny Fiangonana, eo anatrehan' ny zava-
tsarotra tsy maintsy holalovany, amin' ny fitoriana ny Filazantsaran' ny
famonjena. Ezaka lehibe tokoa no natao tamin' ny famoahana ireo boky ireo,
eo anatrehan' ny fahasarotana ankehitriny. Kanefa mavesa- danja kokoa eo
anoloan' izay mety ho zava-misakana rehetra, ny fanahin' ny Fiangonana eo
am-panefana ny adidiny sy ny fiomanany hihaona amin’ Jesosy.
Ny tantaran' ireo apostoly, vavolombelona nahatoky ary nanao ny ainy tsy
ho zavatra ka nahery tamin' ny janohizana ny asam-

7
pamonjena natombok’ i Jesosy, no asehon’ ny mpanoratra amin’ ny fomba
tsotra nefa kanto mampihetsi-po tokoa, ato amin’ ity boky ity.
Mpitarika efa-dahy, Petera, Paoly ary Jaona sy Jakoba, no nanozongozona izao
tontolo izao tamin’ ny fitoriana an’ i Jesosy Kristy. Nataony tamin-kerim-po tsy
nety ketraka, teo ambany fitarihan ’ ny Fanahy Masina izany, ka anarivony
maro no voababony ho an’i Jesosy.
Asa be velarana, asa mahery sy feno fahombiazana, kanefa asa
nitondrany ngidy sy endrikendrika navesatra indrindra teo amin’ ny
fon’ olombelona. Nosetrainy tamim-pinoana mafy orina, nombam-pitiavana
Ilay efa nanolotra ny ainy hamonjy azy, ny fahoriana mangirifiry vokatry ny
fanenjehana nihatra tamin’izy ireo.
Nanatri-maso ny fahagagana nataon’ i Jesosy ho fanamaivanana
ny fahorian’ ny taranak’ olombelona niara-belona taminy, ny apostoly;
vavolombelon’ ny nahafatesany teo an-kazo fijaliana sy ny nandreseny ny
fasana, tamin’ ny nitsanganany tamin’ ny maty koa izy ka resy lahatra ny amin’
ny fitiavan’ i Jesosy. Vonona hanolotra ny fiainany manontolo koa izy ireo,
hanambarana «izay rehetra efa hitany sy reny», ny amin’Ilay Mpamonjy izao
tontolo izao.
Jesosy Kristy, Ilay nanamarika ny fara tampon’ ny Tantara, no
fanehoana tonga lafatra ny fitiavan’ Andriamanitra ny taranak’olombelona.
Teny fikasana lehibe no napetrany tamin’ ny mpianany fahizay, talohan’ ny
nandaozany azy ireo : «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino
Ahy, ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy».
(Jaona 14 :12). Tanteraka tokoa teo amin’ ny fiainan’ ny apostoly izany teny
fikasana izany. Taoriana kelin’ ny niakaran’ i Jesosy ho any an-danitra, dia asa
lehibe mahatalanjona no nentin’ ny apostoly nameno ny faritra maro izay
nolalovany. Ny anaran’ i Jesosy avy any Nazareta no nahasitranany ny marary
iy nanafahany ireo izay azon’ ny fanahin’ ny demonia, ary
nananganany koa ny maty.
Tamim-pahasahiana be no nanaovany sorona ny ainy, tamin’ ny fitoriana an’ i
Jesosy Kristy. Vavolombelona mahery tokoa ny fitia-van’ i Kristy ty ireo, ka
nipaka hatrany amin’ ny jentilisa ny famon-jena. Lehilahy sy vehivavy voaova fo
marobe, manana toetra mendrika satria
8
voababon’ ny fitiavan’ i Kristy, no indro mipoitra ombieny ombieny, vonona koa
hijoro ho vavolombelon’ ny famonjen i Kristy.
Handresy ny Fiangonana. Handresy ny fahamarinana noho ny
asan’ ireo vavolombelona mahery ireo. Na dia mbola teo am-piadiana aza ny.
Fiangonana apostolika tamin’ izay fotoana izay, ary nandalo fotoam-pisedrana
mafy, ary na dia teo koa aza ny tsy fahatanterahany, dia izy no nifantohan’ ny
fijery sy ny fitiavan’ i Kristy, Ilay Lohan’ ny Fiangonana. Injao reny nanakoako
teo anivon’ ny tabataba sy ny hiakiaky ny fahavalony, ny feon’ i Kristy miantoka
ny fandreseny manau hoe: «Atÿ amin’ izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana;
nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao».
Mbola miantoka koa ny fandresen’ ny Fiangonana ankehitriny Kristy, raha
mihaino ny feony izy.
Ny Mpanonta ny Boky

9
1

Ny fikasan’ Andriamanitra
ho an’ny fiangonany

Ny fiangonana no fitaovana notendren’ Andriamanitra hilaza


ny famonjena amin’ ny olona. Nalamina ho amin’ ny fanompoana izy, ary ny
hitondra py filazantsara ho an’ izao tontolo izao no asa nanirahana azy. Hatramin’
ny voalohany dia drafitra nataon’ Andriamanitra ny hampitaratra amin’ izao
tontolo izao ny fahafenoany sy ny fahampiany. Tokony haneho miharihary ny
voninahiny ny mambra ao amin’ ny fiangonana, dia izay nantsoiny hiala amin’
ny maizina ho amin’ ny fahazavana mahagaga. Ny fiangonana no name-
trahana ny haren’ ny fahasoavan’ i Kristy; ary amin’ ny alalan’ ny fiangonana no
hanehoana farany ny fitiavan’ Andriamanitra ka hivelomany amin’ ny fomba
hentitra sy feno, eny, na dia amin’ ireo «fanapahana sy fahefana any an-danitra»1
aza.
Maro sady mahagaga ireo teny fikasana raketin’ ny Soratra
Masina mikasika ny fiangonana. Tamin’ ny anaran’ i Jéhovah no nitenenan’ ny
mpaminany Isaia hoe: « Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena
rehetra»2, sy ny mpaminany Ezekiela hoe; «Ary izy sy ny manodidina ny
havoanako dia hataoko fitahiana, ary hampilatsaka ranonorana amin’ ny fotoany
Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra». «Ary hampaniry voly ho laza
ho azy Aho, ka tsy ho ritry ny mosary amin’ ny tany intsony izy,
1) Efes. 3 : 10 2) Isa. 56 : 7
11
na hitondra ny latsan’ ny jentilisa intsony; ka dia fantany fa izaho Jéhovah
Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak’ Isiraely, no oloko, hoy Jéhovah
Tompo. Ary ny aminareo ondriko — ondry fiandriko olona hianareo, ary Izaho
no Andriamanitrareo, hoy Jéhovah Tompo»3.
Hoy koa ny mpaminany Isaia; «Hianareo no vavolombeloko, hoy Jéhovah, sady
mpanompoko izay efa nofidiko, mba hahafanta-ranareo sy hinoanareo Ahy, ka
ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona,
sady tsy hisy handimby Ahy. Izaho dia Izaho ihany no Jéhovah, ary tsy misy
Mpamonjy afa-tsy Izaho. Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy
hafa taminareo; dia hianareo no vavolombeloko, hoy Jéhovah, ary Izaho no
Andriamanitra». «Izaho Jéhovah efa niantso Anao tamin’ ny fahamarinana sy
nitantana ny fànanao, ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’
ny olona, ho fanazavana ny jentilisa, hampahiratra ny mason’ ny jamba, hamoaka
ny mpifatotra hiala ao an-tranomaizina ary izay mipetraka ao amin’
ny maizina hiala ao an-trano famatorana»4.
«Tamin’ ny taona fankasitrahana nonihainoako Anao. Ary tamin’ ny andro
famonjena no namonjeko Anao ; dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao hery
fanekena ho an’ ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova
izay efa rava ka hanao amin’ny mpifatotra hoe; Mivoaha, ary amin’ ny ao amin’
ny maizina hoe; Misehoa; hihinana eny an-dàlana izy, ary na dia any an-tendrom-
bohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany; tsy ho noana na
hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro;
fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin’ ny loharano miboiboika
no hitondrany azy. Hataoko làlana ny tendrombohitra rehetra, ary hasandratra
ny.Iàlambeko . . .
«Mihobia, ry lanitra! ary mifalia, ry tany! ka velomy ny hoby, ry
tendrombohitra! Fa Jéhovah efa nampionona ny olony sy mamindrafo amin’ ny
olony mahantra. Fa hoy Ziona: Jéhovah efa nahafoy ahy, ary ny Tompoko efa
nanadino ahy. Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra
fo amin’ ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa
Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa
eo am-pelatànako hianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako
mandrakariva »5
3) Ezek. 34 : 26, 29 - 31 4) Isa. 43 : 10 - 12 ; 42 ; 6, 7
5) Isa. 49 : 8 - 16
12
Ny fiangonana no tanàna mimandan’ Andriamanitra, tanànany
fandosirana, izay apetrany eo amin’ izao tontolo izao mikomy. Izay rehetra
fivadihan’ ny fiangonana dia famadihana an’ Ilay nividy ny taranak’ olombelona
tamin’ ny ran’ ny Zananilahy tokana. Nisy hatramin’ ny voalohany, fanahy
mahatoky nampijoro ny fiangonana teto an-tany. Tamin’ ny fotoan’ andro rehetra
dia nanana ny mpitiliny Jéhovah, izay vavolombelona mahatoky teo amin’ ny
taranaka niara-belona taminy. Nitondra hafatra fampitandremana ireo mpitily
ireo, ary rehefa nantsoina hametraka ny fiadiany izy ireo, dia nisy hafa nandray
ny asa. Nanao fanekena tamin’ ireo vavolombelona ireo Andriamanitra, ka
nampiray ny fiangonana teto an-tany tamin’ny fiangonana any an-danitra.
Nalefany ny anjeliny hanao ny asa fanompoana ho an’ ny fiangonany, ka tsy
afaka handresy ny vahoakany ny vavahadin’ ny fiainan-tsy hita.
Nanohana ny fiangonany Andriamanitra nandritra ny taonjato nisian’ ny
fanenjehana, ny ady ary ny haizina. Tsy misy singan-drahona iray nianjera tamin’
izany ka tsy nanomanany azy; tsy nisy hery nitsangan-kanohitra ny asany ka tsy
efa hitany mialoha. Niseho araka izay nambarany mialoha ny zavatra rehetra. Tsy
navelany ho nafoy ny fiangonany, fa nosoritany tamin’ ny fanam-baran’ ny
faminaniana izay hitranga.ary izay tsindrimandry nampitenenin’ ny Fanahiny
mialoha tamiri’ ny mpaminany dia tanteraka. To ny fikasany rehetra. Mifamatotra
amin’ ny seza fiandrianany ny lalàny ka tsy misy herin’ ny ratsy maha-rava izany.
Andriamanitra no manainga sy miaro ny fahamarinana; ary handresy ny
fanoherana rehetra izany.
Nandritra ny taonjato nisian’ ny haizina ara-panahy dia tahaka ny tanàna
teo an-tampon’ ny tendrombohitra ny fiangonan’ Andriamanitra. Tamin’ ny
taonjato rehetra, sy teo amin’ ny taranaka nifandimby dia nivelatra tao amin’ ny
faritra nisy azy ireo foto-pinoana madio avy any an-danitra. Na dia osa sy marefo
aza ny fijery azy, dia eo amin’ ny fiangonana irery ihany no ametrahan’
Andriamanitra, amin’ ny fomba manokana, ny fijeriny farany indrindra. Izy no
sehatra isehoan’ ny fahasoavany, toerana tiany hanehoana ny heriny izay manova
ny fo.
«Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan’ Andriamanitra, hoy ny
fanontanian’ i Kristy; ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?»6 Tsy azony
raisina hampitoviana aminy ny fanjakan’ izao
6) Mar. 4 : 30
13
ho toy ny loharanon’ ny famonjena eo amin’ izao tontolo izao. Nankinina taminy
ny teny avy any an-danitra sy ny fanambarana ny sitrapon’ Andriamanitra.
Vérin’ ny firenena teo amin’ izao tontolo izao, tamin’ ny andro
niandohan’ ny Isiraely ny fahalalana an’ Andriamanitra noho ny fomba ratsy
nataony, «Fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza
Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-
poana izy tamin’ ny fisainany, ary tonga màizina ny fony donto»8. Noho ny
famindrampony anefa dia tsy nikosoka azy tsy hisy akory Andriamanitra. Nikasa
ny hanome azy fotoana mety Izy mba hahatonga azy hifandray Aminy indray
amin’ ny alalan’ ilay vahoaka nofidiny. Tamin’ ny alalan’ ny fampianarana avy
tamin’ ny fanompoam-pivavahana fanatitra, dia ho nasandratra teo anatrehan’ ny
firenena rehetra Kristy, ary izay rehetra nijery Azy dia ho velona. Kristy no
fototra niorenan’ ny fivavahana Jiosy. Faminaniana mamintina ny filazantsara,
sary izay mamehy ny teny fikasana momba ny Fanavotana ny rafitra manontolo
momba ny aloka sy ny tandindona.
Very tsy teo imason’ ny vahoaka Isiraely anefa ireo tombontsoany
ambony amin’ ny maha-solontenan’ Andriamanitra azy. Adinony Andriamanitra
ka tsy vitany ny nahatanteraka ny asa masina nanirahana azy. Tsy nitondra
fitahiana ho an’ izao tontolo izao ny fitahiana noraisiny. Notanany ho
fanomezam-boninahitra ny tenany ny tombontsoany rehetra. Nanidy ny tenany
tsy ho eo amin’ izao tontolo izao izy mba handosirany ny fakam-panahy. Nampia-
saina mba hananganany rindrina hampisaraka ny tenany tamin’ ny firenena hafa
rehetra ny fameperana nataon’ Andriamanitra tsy hikambanany amin’ ny
fanompoan-tsampy sy ho fomba hanakanana azy tsy hanaraka ny zava-mahazatra
ny jentilisa. Nandroba an’ Andriamanitra izy tamin’ ny fanompoana notakiany
taminy, ary nandroba ny mpiara-belona taminy izy tamin’ ny fitarihana ara-
pivavahana (tokony ho nataony) sy ny ohatra masina (tokony ho nomeny).
Raikitra tao amin’ ny fanârahana fombafombam-pivavahana ny
mpisorona sy ny mpanapaka. Nahafa-po azy ny fivavahana manaraka fitsipika
fotsiny, ary tsy azony natao ny hanome ho an’ ny hafa ireo fahamarinana velona
avy any an-danitra, Noheveriny fa ampy tanteraka ny fahamarinan’ ny tenany, ka
tsy niriny ny hisian’ ny zava-baovao entina ao amin’ ny fivavahany. Tsy nekeny
ho zavatra ivelan’ ny tenany ny fitiavana sy ny hatsarana asehon’ Andriamanitra
ho an’ ny olona, fa nampifandraisiny tamin’ ny fahamendrehan’ ny
8) Rom. 1 : 21
15
2

Ny fanomanana azy
roa ambin’ny folo lahy

Mba hahatomombana ny asany dia tsy nifidy ny fahalalana Kristy, na


ny fahaiza-mandahatra hita teo amin’ ny Synedriona Jiosy, na ny fahefana
Romana. Nolalovan’ Ilay Tompon’ ny asa fotsiny ireo mpampianatra Jiosy
mpanamarin-tena, ka ny olona tsotra tsy namita fianarana no nofidiny hitory ny
fahamarinana izay hanetsi-ketsika an’ izao tontolo izao. Ireo olona ireo no
nokasainy hotezaina sy hobeazina ho tonga mpitarika ny fiangonany. Ireo
kosanohanabe ny hafa sy handefa azy hitondra ny hafatry ny filazantsara. Mba
hisian’ ny fahombiazana eo amin’ ny asany dia homena ny herin’ ny Fanahy
Masina izy. Tsy amin’ ny herin’ ny olombelona na amin’ ny fahendren’
olombelona no hitoriana ny filazantsara, fa amin’ ny herin’ Andriamanitra.
Nandritra ny telo taona sy tapany ny mpianatra dia nampianarin’ Ilay
Mpampianatra lehibe indrindra izay mbola tsy nisy toa Azy teto amin’ izao
tontolo izao. Nanomana azy ireo hanao asa fanompoana ho Azy Kristy tamin’
ny alalan’ ny fifampikasohana sy ny firaisana taminy manokana. Niara-nandeha
sy niara-niresaka taminy isan’andro izy ireo, ka nandre ny teniny nitondra
fîfaliana ho an’ ny reraka sy mavesatr’ entana, ary nahita ny fanehoana ny
heriny ho an’ ny marary sy ny tra-pahoriana. Indraindray dia nampianatra azy

2 — Vavolombelona Mahery
17
Izy, raha nipetraka teo aminy teo an-tendrombohitra; indraindray dia
nambarany taminy ny zava-miafin’ ny fanjakan’ Andriamanitra raha teny
amoron’ ny ranomasina, na ralra nandeha teny an-dalana. Na taiza na taiza nisy
fo nisokatra handray ny hafatra avy tamin’Andriamanitra, dia novelariny ny
fahamarinana momba ny làlan’ ny famonjena. Tsy nibaiko ny mpianatra hanao
an’ itsy na hanao an’ iroa Izy, fa hoy Izy: «Manaraha Ahy». Nentiny niaraka
namakivaky ny tanàna sy ny vohitra mba hahitany ny fomba nampianarany ny
olona. Nifindrafindra toerana niara-dia taminy izy ireo. Niara-nihinana ny
sakafony tsotra izy, ary tahaka Azy, dia mba noana koa indraindray sy vizana
matetika. Niaraka taminy izy teny amin’ ny arabe be olona, teny amoron’ ny
farihy, tany amin’ ny tany hay mangina. Nahita Azy teo amin’ ny ambaratongan’
ny fiainana rehetra izy.
Tamin’ ny nandraisana ny Roa ambin’ ny folo lahy no nanaovana ny
dingana voalohany teo amin’ ny fandaminana ny fiangonana izay hiandraikitra
ny asan’ i Kristy eto an-tany aorian’ ny fiakarany ho any an-danitra. Izao no
voalaza mikasika io fandraisana azy ireo io: «Ary niakatra teo an-tendrombohitra
Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo. Ary nanendry
roa ambin’ ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny»1.
Topazo maso ilay toe-javatra mampihetsi-po. Indro Ilay Andria-
nan’ ny lanitra hodidinin’ ireo Roa ambin’ ny folo lahy izay nofidiny. Efa
hanokana azy ireo hanao ny asany Izy. Ireto fiasana malemy no notendreny
hitondra ny famonjena eo amin’ izay ahatraran’ ny rehetra azy, amin’ ny alalan’
ny teniny sy ny Fanahiny.
Faly sy ravo Andriamanitra sy ny anjely nibanjina io toe-javatra io.
Fantatry ny Ray fa avy amin’ ireo olona ireo no hamirapiratra etÿ an-tany ny
fahazavan’ ny lanitra; fantany fa hanakoako avy amin’ ny taranaka mifandimby
hatrany amin’ ny faran’ ny andro ny teny nolazain’ ireo, raha nijoro ho
vavolombelona ho an’ ny Zanany izy.
Tokony handeha ho vavolombelon’ i Kristy ny mpianatra, hanambara
amin’ izao tontolo izao izay efa hitany sy reny taminy. Asa lehibe izay tsy mbola
nampiandraiketina olombelona, ary ambanimbany kokoa noho ny an’ i Kristy, no
napetraka taminy.

1) Mar. 3 : 13, 14

18
Natao ho mpiara-miasa amin’ Andriamanitra ho amin’ ny famonjena ny
olona izy. Tahaka ireo patriarka roa ambin’ ny folo nijoro ho solotenan’ ny
Isiraely ao amin’ ny Testamenta Taloha, no ijoroan’ ny aposloly loa ambin’ ny
folo ho solontenan’ ny fiangonana kristiana.
Nanomboka nandrodana ny rindrina fampisarahana nanela- nelana ny
Jiosy sy ny Jentilisa sy nitory ny famonjena amin’ ny taranak’ olombelona
manontolo Kristy nandritra ny asa fanompoana nataony tety an-tany. Na dia Jiosy
aza Izy dia nifangaro malalaka tamin’ ny Samaritana, ka nanafoana ny fomba
amam-panaon’ ny Jiosy mikasika an’ io vahoaka nohamavoina io. Natory tao
ambanin’ny tafotranony Izy, nihinana teo amin’ ny latabany, ary mampia-
anatra teny an-dalambeny.
Nirin' ny Mpamonjy mafy ny hàmelatra eo anatrehan’ ny mpianany ny
fahamarinana mikasika ny fandrodanana «ny efitry ny fisarahana» nanelanelana
ny Isiraely sy ny firenena hafa — niriny ny hamelatra eo anatrehany ny
fahamarinana milaza ny «aha- tongavan’ny Jentilisa ho mpiray lova» amin’ ny
Jiosy sy «ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’ i Kristy Jesosy noho ny
Filazantsara»2. Naseho tamin’ ny ampahany io fahamarinana io tamin' ny fotoana
namaliany soa ny finoan’ ilay kapiteny tany Kapernaomy sy fony Izy nitory koa
tamin’. ny mponina tany Sykara Mbola naseho mazava kokoa indray izany
tamin’Izy nandalo Foinika, fony Izy nanasitrana ny zanakavavin’ ilay vehivavy
Kiananita. Nanampy ny mpianatra ireo fanandramana ireo hahazo, fa eo amin’
izay heverin’ ny maro ho tsy mendrika ny famonjena, dia nisy fanahy noana ny
fahazavan’ ny fahamarinana.
Toy izany no nitadiavan’ i Kristy nampianatra ny mpianany momba ny
fahamarinana milaza fa tsy misy zaran-tany, tsy misy firazanana, tsy misy
sarangan’ ny mpifehy ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra, fa tsy maintsy
mandeha any amin’ ny firenena rehetra Izy mitondra ny hafatry ny fitiavan’ ny
Mpamonjy. Ela tatÿ aoriana anefa vao tsapany tamin’ ny fahafenoany ny hoe:
«Ny firenena rehetra avy amin’ ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ ny tany
rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’ andro sy ny faritry ny fonenany, mba hitady
an’ Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba
lavitra antsika rehetra Izy»3.

1) Efes. 2 : 14 ; 3 : 6 3) Asa 17 : 26, 27


19
Nisy fahasamihafana mazava hita teo amin’ ireo mpianatra voalohany ireo.
Izy ireo no ho mpampianatra izao tontolo izao, ary naneho karazan-toetra amam-
panahy samihafa dia samihafa. Mba hisian’ ny fahombiazana eo amin’ ny
fitondrana ny asa izay efa niantsoany azy, dia nilain’ ireo olona ireo, izay tsy
nitovy teo amin’ ny toetra manokana mampiavaka azy rahateo sy fahazarana
eo amin’ ny fiainana, ny ho tonga teo amin’ ny firaisan’ ny fihetseham-po, ny
fisainana ary ny asa. Io firaisana io no zavatra manokana nokendren’ i Kristy ho
azo antoka teo amin’ ny asany. Noho io anton-javatra kendreny io, dia nitady izay
hitondrana azy ho amin' ny firaisana Aminy Izy. Voalaza ao amin’ ny vavaka
nataony tamin’ ny Rainy ny entana nitambesatra taminy teo amin’ ny asa
notontosainy ho azy ireo; «Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato
amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao amintsika koa izy»; «mba ho fantatr’
izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao
Ahy»4.
Ny vavaka nataony mandrakariva ho azy dia ny ahazoana mana-masina azy amin’
ny alalan’ny fahamarinana; nivavaka tamim-pahatokiana koa Izy, satria fantany
fa misy didy navoakan’ ny Tsitoha talohan’ ny nanorenana an’ izao tontolo izao.
Fantany fa hotorina amin’ ny firenena rehetra mba ho vavolombelona ny
filazantsaran’ ny fanjakana; fantany fa handresy eo amin’ ny ady ifanaovany
amin’ ny ratsy ny fahamarinana mitafy ny herin’ ny Fanahy Masina rehetra, ary
ho avy ny andro hihofahofan’ ilay faneva mipentin-dra amim-pandresena eo
amin’ ny mpanaraka Azy.
Raha nanatona ny tiafarany ny asa fanompoana nataon’ i Kristy teto an-
tany, ka tsapany fa tsy ho ela dia tsy maintsy hamela ny mpianany hitarika ny asa
tsy ho eo ambanin’ ny fanaraha-mason’ ny tenany ara-batana Izy, dia niezahany
ny hampahery azy sy ny hanomana azy ny amin’ ny ho avy. Tsy nandiso
fanantenana azy ireo tamin’ ny_teny fikasana tsy misy antohy Izy. Toy ny famaky
boky mivelatra ny fahitany izay ho avy. Fantany fa efa ho tafasaraka amin’ izy
ireo Izy, ka hamela azy toy ny zanak’ ondry eo afovoan’ ny amboadia. Fantany
fa hiaritra ny fanenjehana izy, fa horoahina tsy ho ao amin’ ny synagoga, sy
hampidirina am-ponja. Fantany fa hisy amin’ izy ireo hiaritra fahafatesana noho
ny fijoroana ho vavolombelona amin’ ny maha-Mesia Azy. Koa nisy
nambarany azy ny sasantsasany tamin’ izany. Nambarany tamin’ ny
4) Jao. 17:21,23

20
fomba mazava sy hentitra ny hoavin’ izy ireo, mba hahatsiarovany ny teny
nolazainy sy hampaherezana azy hino fa Izy no ho mpanavotra azy amin’ ny
andro mahory aoriana.
Nanao teny feno fanantenana sy herim-po taminy koa Izy; « Aza malahelo
ny fonareo; minoa an’ Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ ny
Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa
handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra
fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka
izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo koa ny làlana ho any
amin’ izay halehako»5. Fitiavana anareo no nahatongavako teto amin’ izao
tontolo izao; ho anareo no niasako. Raha handao anareo Aho, dia mbola hiasa
mafy ho anareo ihany. Tonga teto amin’ izao tontolo izao Aho mba hanambara
ny tenako aminareo, mba hahazoanareo mino. Handeha ho any amin’ ny Raiko
sy ny Rainareo Aho hiara-miasa Aminy ho anareo.
«Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa; Izay mino Ahy, ny asa ataoko
no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany
amin’ ny Ray»6. Tsy nilaza akory Kristy tamin’ izany fa hampiasa hery ambony
kokoa noho izay nataony ny mpianatra, fa ho be velarana kokoa ny asan’ ireo.
Tsy ny fanaovana fahagagana fotsiny no nambarany, fa izay rehetra miseho noho
ny asan’ ny Fanahy Masina. «Fa raha tonga ny Mpananatra, hoy Izy, Izay
hirahiko ho aminareo avy amin’ ny Ray, dia ny Fanahin’ ny Fahamarinana Izay
mivoaka avy amin’ ny Ray, dia Izy no ho vavolombeloha hanambara Ahy. Ary
hianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria hianareo efa teto amiko
hatramin’ ny voalohany »7.
Tanteraka tamin’ ny fomba mahagaga ireo teny ireo. Rehefa nirotsaka ny
Fanahy Masina, dia feno ny fitiavana Azy indrindra sy fitiavana an’ ireo izay
nahafatesany ny mpianatra, hany ka nanohina ny fo ny teny nataony sy ny vavaka
nasandrany. Niteny tamin’ ny herin’ ny Fanahy Masina izy; ka noho ny asa
mangina avy amin’ izany hery izany, dia anarivony no voaova fo.
Hisy asany lalina sy hentitra amin’ izao tontolo izao ny maha-solontenan’
i Kristy ny apostoly. Tsy hampihena ny hery miasa mangina avy aminy, fa
hampitombo izany kosa ny maha-olon-tsotra
5) Jao. 14 : 1 - 4 6) Jao. 14 : 12 7) Jao. 15 : 26, 27 21
azy ireo; ny sain’ ny mpihaino azy mantsy dia ho voatarika hiala aminy ka ho eo
amin’ ny Mpamonjy, izay, na dia tsy hita aza, dia mbola miara-miasa aminy
ihany. Ny fampianarana mahagaga nataon’ny apostoly, ny teniny feno herim-po
sy toky, dia nahatonga ny rehetra hahazo antoka fa tsy tamin’ ny herin’ ny tenany
no niasany, fa tamin’ ny herin’ i Kristy. Nanetry tena izy ka nanambara fa ny
Andrianan’ ny fiainana, ny Zanak’ Andriamanitra velona- Ilay nohomboan’ ny
Jiosy tamin’ ny hazo fijaliana, ary tamin’ ny anarany no nanaovany ny asa
mahagaga efa nataony.
Tamin’ ny resaka nataon’ ny Mpamonjy tamin’ ny mpianany, raha hisaraka
taminy Izy, ny alina nialoha ny nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana, dia tsy
nilaza ny amin’ ny fijaliana efa niaretany sy tsy maintsy mbola hiaretany Izy. Tsy
niteny ny amin’ny fanetren-tena nanoloana Azy Izy, fa nitady kosa ny hitondra
ao an-tsain’ ny mpianany izay hampahery ny finoany, ka hitarika azy hibanjina
sahady ny fifaliana izay miandry ny mpandresy. Naharavoravo Azy ny fahalalany
mazava fa afaka hanao sady hanao mihoatra noho izay efa nampanantenainy ho
an’ ny mpanaraka Azy Izy; fa hitobaka avy Aminy ny fitiavana sy ny
fangorahana, ka hanadio ny tempolin’ ny fanahy, ary hahatonga ny olona hitovy
toetra amam-panahy Aminy; fa hiroso ny fahamarinana, tafin’ ny herin’ ny
Fanahy ka «handresy ary handresy hatrany ».
«Izany teny izany, hoy Izy, efa nolazaiko taminareo mba hana-nanareo
fiadanana amiko. Aty amin’ izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa
matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao»8. Tsy very toky Kristy na kivy;
finoana maharitra toy izany koa no tokony hasehon’ ny mpianatra. Hiasa tahaka
ny efa niasany koa izy, ka hiankina Aminy ahazoany hery. Na dia nanem-
bantsembana ny lalany aza ny sakana miharihary, amin’ ny alalan’ ny
fahasoavany kosa dia hiroso izy, tsy ho kivin-javatra na inona na inona ary
hanantena ny zavatra rehetra.
Efa nahavita ny asa nomena ataony Kristy. Efa nanangona ireo izay hanohy
ny asany eo anivon’ ny olona Izy. Koa hoy Izy: «Ary izay Ahy rehetra dia Anao;
ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho. Ary tsy ho eto amin’
izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’ izao tontolo izào, ary
Izaho
8) Jao. l6 : 33

22
mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ ny anaranao izay nomenao
Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika». «Nefa Isy ho an’ ireto
ihany no angatahiko, fa ho an’ izay mino Ahy koa noho ny teniny; mba ho iray
ihany izy rehetra ...Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho
iray izy, mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady
efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy » 9.

9) Jao. 17 : 10, 11, 20 - 23

23
3

Ilay iraka lehibe

Efa saika resin’ ny fahakiviana tanteraka ny mpianatra taorian’ny


nahafatesan’ i Kristy. Nolavina, nohelohina sy nohomboana tamin’ny hazo
fijaliana ny Tompony. Teny fanesoesoana no nataon’ ny mpisorona sy ny
mpanapaka hoe: «Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena.
Mpanjakan’ ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana Izy
ankehitriny, dia hino Azy izahay1. Nilentika ny masoandron’ ny fanantenan’ ny
mpianatra, ary nirotsaka tao am-pony ny alina. Naverimberiny matetika ny teny
hoe: «Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely »2. Sady nalahelo
Izy no narary ny fony nahatsiaro ny tenin’ i Jesosy hoe: «Fa raha ataony amin’
ny hazo maitso izany, hatao ahoana amin’ ny maina? »3
Efa imbetsaka Jesosy no nanandrana ny nanokatra ny ho avy
tamin’ ny mpianany, nefa tsy noraharahain’ izy ireo akory izay
hihevitra izay nolazainy. Noho izany dia tonga taminy toy ny zavatra tsy
nampoiziny ny fahafatesany, ary taty aoriana, raha niverina nitazana ny lasa izy
ka nahita ny vokatry ny tsy finoany, dia feno alahelo. Rehefa nahita an’ i Kristy
voahombo izy, dia tsy nino fa hitsangana amin’ ny maty Izy. Efa nilaza mazava
Izy fa hitsangana amin’ ny andro fahatelo, nefa nahavery hevitra azy ireo ny
ahafantatra

1) Mat. 27 : 42 2) Lio. 24 : 21 3) Lio. 23 : 31


25
ny tiany ho lazaina. Namela azy ho very fanantenana tanteraka io tsy fahazoany
ny teniny io tamin’ ny fotoana nahafatesany. Nangidy ny fahadisoam-
panantenany. Tsy nahagorobaka ny aloka izay nanakonan’ i Satana ny
faravodilanitra ny finoany. Toa maneloelo sy nifono zava-miafina taminy ny
zavatra rehetra. Raha nino ny tenin’ ny Mpamonjy izy, dia ho «alahelo betsaka
manao ahoana re no nety tsy tonga taminy. Torotoron’ ny famoizam-po, ny
alahelo sy ny hakiviana ny mpianatra ka nifamory tao amin’ ny efitra
ambony, dia nohidiny sy nohamafisiny ny varavarana, noho ny tahony sao hanjo
azy koa izay nanjo ny Tompo malalany, Tao no nisehoan’ ny Mpamonjy taminy
taorian’ ny nitsanganany tamin’ ny maty.
Efapolo andro no nijanonan’ i Kristy teto an-tany, nanomana ny mpianatra
ho amin’ ny asa nanoloana azy sy nanazava taminy izay tsy nety ho azony
hatramin’ izao. Nilaza ny amin’ ny faminaniana mikasika ny fiaviany Izy, sy ny
nandavan’ ny Jiosy Azy ary ny nahafatesany, ka nasehony azy fa tanteraka
avokoa ny antsipirian’ ireo faminaniana ireo. Nambarany taminy fa tokony ho
noraisiny io fahatanterahan’ ny faminaniana io ho toy ny fahatokiana ny hery
izay hanomba azy amin’ ny asany ho avy. «Dia nanokatra ny sain’ireo izy
hahalala ny Soratra Masina. Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy
hiaritra ka hitsangana amin’ ny maty amin’ ny andro fahatelo; ary mba hotorina
amin’ ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ ny Firenena rehetra,
manomboka eto Jerosalema». Ary nampiany hoe; «Ary hianareo no
vavolombelon’izany»4.
Nandritra ireo andro nolanian’ i Kristy niaraka tamin’ ny mpianany, dia
nahazo fanandramana vaovao izy ireo. Tafatoetra tanteraka ny finoany ny Tompo
malalany raha nandre Azy nanazava ny Soratra Masina teo amin’ ny fahazavan’
izay rehetra nitranga Izy. Tonga teo amin’ ny toerana azony nilazana hoe:
«Fantatro Izay inoako»5 izy. Nanpmboka tsapany ny toetran’ ny asany sy ny five-
larany; nanomboka hitany fa hitory ny fahamarinana nankinina taminy ho an’
izao tontolo izao izy. Ny toe-javatra teo amin’ ny fiainan’ i Kristy; ny
nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ ny maty, ireo faminaniana nanondro
izany toe-javatra izany, ireo zava-miafina mikasika ny drafitry ny famonjena, ny
fahefan’ i Jesosy hamela heloka - vavolombelon’ izany zavatra rehetra izany izy,

4) Lio. 24 : 46 - 48 5) 2 Tim. 1 : 12 26
ary hampahafantatra izany amin’ izao tontolo izao. Hitory ny filazantsaran’ ny
fiadanana sy ny famonjena amin’ ny alalan’ ny fibebahana sy ny herin’ ny
Mpamonjy izy.
Talohan’ ny niakarany tany an-danitra, dia napetrak’ i Kristy tamin’ ny
mpianany ny asa nanirahany azy. Nolazainy taminy fa ho mpanatanteraka ny
didim-pananany izay namelany ny haren-tsarobidin’ ny fiainana mandrakizay ka
ho lova ho an’ izao tontolo izao izy ireo. Vavolombelon’ ny fiainako natao sorona
ho an’ izao tontolo izao ianareo, hoy Izy taminy. Hitanareo ny asa nataoko ho
an’ ny Isiraely. Ary na tsy hanatona Ahy aza ny oloko mba hananany fiainana, na
dia nataon’ ny mpisorona sy ny mpanapaka tamiko aza izay tiany natao, na dia
nandà Ahy aza izy, dia mbola hisy ihany fotoana hafa mety hahazoany manaiky
ny Zanak’ Andriamanitra. Hitanareo fa izay rehetra manatona Ahy ka miaiky ny
helony, dia raisiko malalaka. Izay manatona Ahy tsy mba ho laviko mihitsy.
ianareo mpianatro no hanankinako io hafatry ny famindrampo io. Homena ny
Jiosy sy ny Jentilisa izany, ho an’ ny Isiraely aloha vao ho an’ ny firenena rehetra
sy ny samy hafa fiteny, ary ny olona; rehetra. Hangonina amin’ ny fiangonana
iray izay rehetra mino.
Ny iraka momba ny filazantsara no dinam-pitoriana lehibe eo amin’ ny
fanjakan’ i Kristy. Natao hiasa amin-kafanam-po ho an’ ny fanahy ny mpianatra,
ka hanolotra ny antson’ ny famindram-po ho an’ ny rehetra. Tsy tokony hiandry
ny olona hanatona azy izy; tokony ho any amin’ ny olona izy miaraka amin’ ny
hafatra nampitondraina azy.
Natao hampandroso ny asany amin’ ny anaran’ i Kristy ny mpianatra. Ny
teny tsirairay sy ny fihetsika tsirairay ataony dia tokony hampifantoka ny saina
amin’ ny anarany, izay manana hery mahavelona ahazoana mamonjy ny mpanota.
Ny finoan’ izy ireo dia tokony hifototra eo amin’ Ilay loharanon’ ny famindrampo
sy ny hery. Amin’ ny anarany no tokony hanehoany ny fangatahany amin’ ny
Ray, ka hahazo valinteny izy. Hanao batisa amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka
ary ny Fanahy Masina izy. Ny anaran’ i Kristy no teny ifamantarany eny
ampiambenana, io no marika famantarana mampiavaka azy, io no fatorana
mampiray azy, io no manome fahefana izay ataony, sy loharano iavian’ ny
fahombiazany. Tsy azo ekena ao amin’ ny fanjakany ny zavatra rehetra izay tsy
mitondra ny anarany sy ny andinindininy momba Azy.

27
Rehefa niteny tamin’ ny mpianany Kristy hoe: «Mandehana amin’ ny
anarako manangôna izay rehetra mino ao amin’ ny fiangonana», dia nasehony
taminy mazava ny ilàna ny itazonana ny toetra tsotra. Arakaraka ny mahakely ny
fideraderana sy ny fisehosehoana, no mahalehibe ny hery miasa mangina ho
amin’ ny tsara avy aminy. Ny fomba tsotra nentin’ i Kristy niteny ihany no
tokony hitenenan’ ny mpianatra koa. Tokony handatsaka lalina ao am-pon’ ny
mpihaino Azy ireo lesona efa nampianariny azy izy.
Tsy nilaza tamin’ ny mpianany tsy akory Kristy fa ho mora ny asany.
Nasehony azy fa hilahatra hhnohitra azy ny fikambanan’ny ratsy. Hiady «amin’
ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana
izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra»6 izy. Tsy havela hiady irery
anefa izy. Nanome toky azy Izy fa hiaraka aminy; ary raha handeha amin’
ny finoana izy, dia handroso eo ambanin’ ny ampingan’ ny Tsitoha. Nibaiko azy
hahery sy hatanjaka Izy; satria Ilay mahery noho ny anjely, dia Ilay Mpitarika ny
tafiky ny lanitra, no iray laharana aminy. Nomaniny izay rehetra ilaina
hanohizana ny asan’ izy ireo ka noraisiny ho andraikitra ny hahombiazan’ izany.
Raha mbola nankato ny teniny izy, ka miasa mifandray Aminy, dia tsy ho diso.
Mandehana any amin’ ny firenena rehetra, hoy ny baiko. Mandehana any amin’
ny toerana lavitra indrindra azon’ olona itoerana eto amin’ izao tontolo izao ary
matokia fa ny tavako no handeha na dia any aza. Miasà amin’ ny finoana sy ny
fahatokiana; tsy hisy mihitsy ny fotoana izay handaozako anareo. Homba anareo
mandrakariva Aho, hanampy anareo hahatontosa ny adidinareo, hitarika,
hampahery, hanamasina, hanohana anareo, hanome anareo fahombiazana amin’
ny fampiasana teny izay hitarika ny sain’ ny hafa ho any an-danitra.
Feno sy tanteraka ny sorona nataon’ i Kristy ho an’ ny olona. Efa
notanterahina ny fepetra momba ny fanavotana. Vita ny asa nahatongavany teto
amin’ ity izao tontolo izao ity. Azony ny fanja-kana. Efa nongotany avy tamin’ i
Satana izany ka nanjary mpandova ny zavatra rehetra Izy. Teo amin’ ny lalany
ho any amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra Izy, homen’ ny tafiky ny lanitra
voni-nahitra. Nitafy ny fahefana tsy misy fetrany Izy raha nanome baiko
ny mpianatra hoe: «Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra
ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray

6) Efes. 6 : 12
28
sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra
nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-
pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao »7.
Taloha indrindra ny nandaozany ny mpianany dia nofaritan’ i Kristy mazava
tsara indray mandeha ny amin’ ny toetran’ ny fanjakany. Nampahatsiahiviny azy
ny zavatra izay efa nambarany taminy mialoha mikasika izany. Nolazainy fa tsy
fikasany ny hanangana ny fanjakana ara-nofo eto amin’ ity izao tontolo izao ity.
Tsy notendrena hanjaka toy ny mpanjaka ara-nofo eo amin’ ny seza
fiandrianan’ i Davida Izy. Rehefa nanontany azy ny mpianatra hoe : «Tompoko,
amin’ izao va ho hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?» dia namaly
Izy hoe; «Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ ny
Ray amin’ ny fahefany ihany»8. Tsy nilain’ izy ireo ny habita lavidavitra kpkoa
noho izay fanambarana nanambarany azy ho hitany. Hitory ny hafatry ny
filazantsara no asan’ izy ireo.
Efa hesorina tsy ho eo amin’ ny mpianatra izao ny fanatrehan’ i
Kristy hita maso. Hisy fanomezana hery vaovao ho azy anefa. Homena azy amin’
ny fahafenoany ny Fanahy Masina, ka hanokana azy ho amin’ ny asany. «Ary,
indro, hoy ny Mpamonjy, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ ny Raiko ho
anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ ny hery avy any
amin’ ny avo»9. «Fa Jaona nanao batisa tamin’ ny rano; fa hianareo kosa hatao
batisa amin’ ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy». «Fa hahazo hery
hianareo amin’ ny hilatsahan’ ny Fanahy Masina aminareo, ary ho
vavolombeloko any Jerosalema sy eran’ i Jodia sy Samaria ary hatramin’ ny
faran’ ny tany » 10.
Fantatry ny Mpamonjy fa tsy misy fonjan-kevitra, na tsara rafitra aza,
hanalefaka ny fo mafy, na hanapotika ny fonosan’ ny fiainana feno rehak’ izao
tontolo izao sy fitiavan-tena izay efa raiki-tapisaka ao amin’ ny olombelona.
Fantany fa tsy maintsy handray fanosorana avy any an-danitra ny. mpianany
fantany fa tsy hisy vokany ny filazantsara raha tsy fo nafana sy molotra
nahay niteny noho ny fahalalanà velona an’ Ilay lalana sy fahamarinana ary
fiainana no mitory izany. Mila hery ny asa nankinina tamin’ ny mpianatra ; lalina
sy nahery vaika mantsy ny fisamontan’
7) Mat. 28 : 19, 20 8) Asa 1 : 6,7
9) Lio. 24 ; 49 10) Asa 1 : 5, 8
29
ny ratsy nanohitra azy. Mpitarika mailo sy tsy resy tosika, no mibaiko ny herin’ny
maizina, ka amin’ny alalan’ny fanampian’Andriamanitra amin’ny alalan’ny
Fanahiny ihany no ahazoan’ny mpanaraka an’i Kristy miady
Nambaran' i Kristy tamin’ ny mpianany fa tokony hanomboka ny asa ao
Jerosalema izy. Io tanàna io no sehatra nahitana ilay sorona mahagaga nataony
ho an’ ny taranak’ olombelona ka niarahany nandeha sy niresaka taminy; nefa
vitsy no nahita fa nanatona akaiky indrindra ny tany ny lanitra. Tao Izy no
nohelohina sy nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana. Tao Jerosalema dia nisy
olona maro nino nangingina fa Jesosy avy any Nazareta no Mesia, ary nisy maro
izay voafitaky ny mpisorona sy ny mpanapaka. Amin’ireo farany ireo no tsy
maintsy hotorina ny filazantsara. Hantsoina ho amin’ ny fibebahana izy ireo.
Hatao mazava ny fahamarinana mahagaga milaza fa amin’ ny alalan’ i Kristy
ihany no ahazoana famelana ny fahotana. Ary izao raha mbola voahetsiketsik’
ireo toé-javatra mampangitakitaka tamin’ ireo andro vitsy lasa ireo
Jerosalema manontolo, no ho latsaka lalina indrindra ao am-po ny toriteny ataon’
ny mpianatra.
Nandritra ny fotoana nanompoan’ i Jesosy dia nataony teo anatrehan’ ny
mpianatra mandrakariva ny haha-iray azy ireo Aminy eo amin’ ny asany ho
fanasitranana an’ izao tontolo izao amin’ ny fanandevozan’ ny fahotana. Rehefa
naniraka ny Roa ambin’ ny folo lahy Izy, ary taty aoriana ny Fitopolo lahy, mba
hitory ny fanjakan’Andriamanitra, dia nampianariny azy ny adidiny hizara amin’
ny hafa izay efa nampahafantariny azy. Teo amin’ ny asany rehetra
dia nanazatra azy hanao asa ho an’ ny tenany manokana Izy, izay hitatra araka ny
fitomboan’ ny isany ary hahatratra mihitsy hatramin’ny toerana lavitra indrindra
eto an-tany aza. Ny lesona farany izay nataony tamin’ ny mpanaraka Azy, dia ny
nametrahana taminy ny vaovao mahafaly momba ny famonjena ho an’ izao
tontolo izao.
Rehefa tonga ny fotoana hiakaran’ i Kristy ho any amin’ ny Rainy, dia
nitarika ny mpianany tany ivelany lavitra tany Betania Izy. Teo Izy no nijanona
ary nitangorona teo Aminy ireo. Natsotrany ny tanany hitahy azy, toy ny nanome
toky ny amin’ ny fiarovany sy ny fikarakarany, dia niakatra moramora niala teo
afovoany Izy «Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka
nakarina ho any an-danitra»11.
11) Lio. 24 : 53
30
Raha mbola variana miandrandra mijery farany ilay Tompony lasa niakatra
ny mpianatra, dia noraisina teo amin' ny laharan’ ny anjely feno fifaliana Izy.
Nanotrona azy ireo, ireo anjely nankany amin’ny lapa any ambony; ary nihira
tamim-pandresena hoe: “Ry fanjakana ambonin’ ny tany, mihirà ho an’
Andriamanitra. Mankalazà ny Tompo, Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra
…Ekeo ho an’ Andriamanitra ny hery; ambonin’ ny Isiraely ny voninahiny,
ary ny heriny any amin’ ny lanitra”12.
Mbola nifantoka mafy nijery ny lanitra ny mpianatra raha indreo nisy roa lahy
teo anilany niakanjo akanjo fotsy, izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana
no mijanona eto mijery ny lanitra hianareo? Iny Jesosy Izay nampiakarina niala
taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo
Azy niakatra ho any an-danitra»13.
Tokony hotehirizina ho vàovao mandrakariva ao an-tsain’ ny mpianany ny
teny fikasana nataon’ i Kristy momba ny fiaviany fanindroany. Ilay Jesosy hitany
niakatra ho any an-danitra dia ho avy indray mba handray ho any Aminy ireo izay
manolo-tena hanompo Azy teto an-tany. Io feo io ihany, izay nanao taminy hoe;
«Indro Izaho momba anareo mandrakariva hatramin’ ny farany», dia mbola
hiarahaba azy tonga soa amantsara eo anatrehany any amin’ ny fanjakana any an-
danitra.
Teo amin’ ny fanompoam-pivavahana ara-tandindona, dia nanala ny fitafiany
fisoronana ny mpisoronabe, ka nanao ny akanjo rongony fotsy fitondran’ ny
mpisorona tsotra teo amin’ ny fanompoam-pivavahana; toy izany koa Kristy
nametraka ny akanjom-piandrianany, niakanjo ny fitafiany maha-olombelona ary
nanolotra fanatitra, ny tenany no mpisorona, Izy tenany koa no natao sorona.
Rehefa vita ny fanompoam-pivavahana ao amin’ ny Masina Indrindra, dia
nivoaka ny mpisoronabe, mitafy ny fitafiany fisoronana ka mankeo amin’ ny
olona mivory miandry azy, dia toy izany koa Kristy, ho avy fanindroany, mitafy
fitafiana fotsy noho ny fotsy, «ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin’ ny tany
mahafotsy toy izany»14
Ho avy amin’ ny voninahitry ny tenany sy ny voninahitry ny Rainy Izy, ary
ny tafiky ny anjely manontolo no hanotrona Azy eny an-dalana.
12) Sal. 68 : 32 - 34 14) Marka 9 : 3 13) Asa 1 : 10, 11
31
Toy izany no hahatanteraka ny teny fikasan’ i Kristy tamin’ ny mpianany
hoe: «Ho avy indray Aho, ka handray ahareo ho any amiko»15. nosatrohana
voninahitra sy haja ary fiainana mandrakizay izay tia Azy sy niandry Azy.
Hivoaka avy ao amin’ ny fasany ny marina efa nodimandry, ary izay velona dia
hakarina hiaraka aminy hitsena ny Tompo eny amin’ ny habakabaka. Handre ny
feon’ i Jesosy, mamy noho ny feon-java-maneno tsy mbola niditra tao an-tsofin’
ny mety maty izy, manao aminy hoe: Vita ny ady natrehinareo. «Avia hianareo
izay notahin’ ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay
nanorenana izao tontolo izao»16.
Tena nifaly tokoa ny mpianatra ny amin’ ny fanantenana ny
fiverenan’ ny Tompony.

15) Jao. 14 : 3 16) Mat. 25 : 34


32
4

Ny Pentekosta

Raha niverina avy any amin’ ny tendrombohitra Oliva ho any Jerosalema ny


mpianatra, dia nijery azy ireo ny vahoaka ary nanampo hahita soritra alahelo sy
tebiteby ary faharesena teny amin’ ny endriny, kanjo fifaliana sy fandresena no
hitany teo aminy. Tsy nitaraina intsony ny amin’ ny fahadisoam-panantenany
izao ny mpianatra. Efa nahita ny Mpamonjy nitsangana tamin’ ny maty
izy ary nanakoako mandrakariva tao an-tsofiny ny teny fikasana nataony raha
nandao azy Izy.
Ho fankatoavana ny baikon’ i Kristy dia niandry ny teny fikasan’ny Ray tao
Jerosalema izy - dia ny firotsahan’ ny Fanahy. Tsy nitomoe-poana izy teo am-
piandrasana. Hoy ny Soratra Masina hoe: « Ary teo an-kianjan’ ny tempoly isan’
andro izy nankalaza an’ Andriamanitra»1. Nivory koa izy mba hitondra ny
fangatahany teo amin’ ny Ray amin’ ny anaran’ i Jesosy. Fantany fa nanana
Solontena any an-danitra izy, Mpisolovava eo anatrehan’ ny seza fiandrianan’
Andriamanitra. Niondrika nivavaka tamim-panajana fatratra izy, namerina ny
toky hoe: «Na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo
amin’ ny anarako izany. Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona
na inona tamin’ ny anarako hianareo; mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho

Mifototra amin’ ny Asa 2 : 1 - 39 ity toko ity.


1) Lio. 24 : 53
3 — Vavolombelona Mahery
33
tanteraka ny fifalianareo»2. Nisandratra ho ambony kokoa hatrany ny tanan’ ny
fïnoana, notohanan’ ny laha-kevitra mahery hoe; «Kristy Jesosy no efa maty, eny,
sady nitsangana tamin’ ny maty koa ka mitoetra eo amin’ ny tànana ankavanan’
Andriamanitra ary mifona ho antsika»3.
Raha niandry ny fanatanterahana ny teny fikasana ny mpianatra, dia
nampietry ny fony tamin’ ny fibebahana marina izy ka niaiky ny tsy finoany.
Raha nahatsiaro ny teny nataon’ i Kristy taminy talohan’ ny nahafatesany izy dia
azony mazava kokoa ny dikany. Niverina tao an-tsainy ireo fahamarinana izay
tsy tao amin’ ny fitadidiany intsony, ary naverimberiny tamin’ izy samy izy izany.
Nanome tsiny ny tenany izy noho ny tsy nahatakarany ny amin’ny Mpamonjy.
Nifanesy toy ny nanao rano lava teo imasony ireo toe-javatra teo amin’ ny
fiainany mahagaga. Raha nandinika ny fiainany madio sy masina izy ireo, dia
tsapany fa tsy misy asa ho mafy loatra, raha mba azony atao ny ho vavolombelon’
ny toetra amam-panahy mahate ho tian’ i Kristy eo amin’ ny fiainany. Raha mba
afaka hiverina hivelomany indray mantsy ireo telo taona lasa, dia tsy hitovy
tamin’ ny lasa ny fihetsiny! Raha mba afaka mahita fotsiny ny Tompo izy, amin-
kafanam-po manao ahoana no iezahany haneho Aminy ny halalin’ ny fitiavany
Azy, sy ny alahelony amin’ ny fony manontolo noho izy nandratra Azy
mandrakariva tamin’ ny teny na ny fihetsika mitory tsy finoana! Nampahery azy
anefa ny fiheverana fa voavela heloka izy. Ary nanapa-kevitra izy, fa hatramin’
izao, raha mbola azo atao, dia hanonitra ny tsy finoany amin’ ny fanekeny Azy
amin-kerim-po eo anatrehan’ izao tontolo izao.
Nivavaka mafy sy tamin-kafanam-po ny mpianatra mba hahaizany manatrika
ny olona sy manao teny mahatarika ny mpanota ho eo amin’ i Kristy eo amin’ ny
fifaneraserany andavan’andro. Napetrany ny fahasamihafany rehetra, ny
faniriany rehetra, ho ambony, ka nifanatona akaiky teo amin’ ny fihavanana
kristiana izy. Nanatona akaiky kokoa hatrany an’ Andriamanitra izy, ary raha
nanao izany izy, dia tsapany ny tombontsoa nananany tamin’ ny namelana azy
hikambana akaiky toy izany amin’ i Kristy. Nameno ny fony ny alahelo rehefa
noeritreretiny, impiry izy no nandratra

2) Jao. 16 : 23, 24 3) Rom. 8 : 34


34
ny fony noho ny fahavotsany ka tsy nahâlakarany zavatra, noho ny tsy nahaizany
nahazo ny lesona izay niezahan’ i Kristy nampianarina azy mba hahasoa azy.
Andro nandinihany lalina ny fony ireo andro fiomanana ireo, tsapan’ ny
mpianatra izay nilainy teo amin’ ny ara-panahy, ka mitaraina tamin’ ny Tompo
izy hahazo ny hosotra masina izay hahatonga azy ho afaka hanao ny asa
famonjem-panahy. Tsy nangataka fitahiana ho an’ ny tenany samirery izy.
Nitambesatra taminy ny lanjan’ ny famonjena ny fanahy. Nanjary zava-misy
ho azy izany filazantsara hoentina eo amin’ izao tontolo izao, ka notakiany ny
hery izay nampanantenain’ i Kristy.
Tamin’ ny andrqn’ ny Patriarka dia efa naseho matetika tamin’ny fomba
miavaka ny hery miasa mangina avy amin’ ny Fanahy Masina, nefa tsy mbola
tamin’ ny fahafenoany. Ankehitriny, ho fakatoavana ny tenin’ ny Mpamonjy, dia
nitaky io fanomezam-pahasoavana io ny mpianatra, ary nanampy azy Kristy tany
an-danitra tamin’ ny fanelanelanana nataony. Nitaky ny fanomezana ny Fanahy
Izy mba hahazoany mandrotsaka izany amin’ ny vahoakany.
« Ary nony tonga ny andro Pentekosta dia teo amin’ ny fitoerana iray izy
rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery
nifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany».
Tonga tamin’ ny mpianatra izay niandry sy nangataka tamin’ ny fahafenoany
izay nahatratra ny fo rehetra, ny Fanahy. Niseho tamin-kery tamin’ ny fiangonany
Ilay tsy manam-petra. Tahaka ny voataha sy voafehy izany hery izany nandritra
ny fotoana ela, ary ankehitriny maharavoravo ny lanitra ny ahazoany
mandrotsaka ny harem-pahasoavan’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Koa noho
ny hery miasa mangina avy amin’ ny Fanahy, dia nifangaro tamin’ ny fibe-
bahana sy fiaiken-keloka ny hira fiderana noho ny fahotana voavela, teny
fisaorana sy faminaniana no re. Niondrika ambany ny lanitra manontolo hijery sy
hankalaza ny fahepdren’ ny fitiavana tsy misy toa azy, tsy takatry ny saina.
Tolagaga ny apostoly ka niloa-bava hoe: «Izao no fîtiavana». Noraisiny ny
fanomezana nozaraina taminy. Ary inona no nitranga? Nanavatsava lalana tao
amin’ ny tsy finoana ny sabatry ny Fanahy vao noranitina tamin’ ny hery
sy naroboka tao amin’ ny tselatry ny lanitra. Anarivony no niova fo indray andro.

35
«Mahatsara anareo ny fialako», hoy Kristy tamin’ ny mpianany, «fa raha tsy
hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia
hirahiko ho aty aminareo Izy». «Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia
Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy,
fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany
aminareo» 4.
Ny niakaran’ i Kristy tany an-danitra no famantarana fa handray ny filahiana
nampanantenaina ny mpanaraka Azy. Tokony hiandry an' izany izy alohan’ ny
hidirany amin' ny asany. Rehefa niditra tao amin' ny varavaran' ny lanitra Kristy,
dia napetraka teo arnin'ny seza fiandrianana teo afovoan' ny anjely nankalaza Azy
Izy. Raha vantany vao vita io lanonana io, dia nidina tamin' ny
mpianatra toy ny riaka sarobidy ny Fanahy Masina, ka nomem-boninahitra
marina tokoa Kristy, dia tamin' ny voninahitra niarahany nanana tamin' ny Ray
hatramin’ ny mandrakizay alaovalo.
Ny firotsahan’ ny Fanahy tamin’ ny Pentekosta no filazan’ ny lanitra fa vita
ny lanonana nandraisan’ ny Mpanavotra ny asany. Araka ny teny fikasana
nataony, dia nalefany ny Fanahy Masina avy tany an-danitra ho an’ ny mpanaraka
Azy, ho famantarana fa noraisiny ny fahefana rehetra any an-danitra sy etÿ an-
tany amin’ny maha-mpisorona sy mpanjaka Azy, ary Izy no Ilay voahosotra
eo amin’ ny vahoakany.
«Ary nisy lela maro mitarehin’ afo niseho taminy, izay nizara-zara ary
nipetraka tamin’ izy rehetra. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra; ka dia
niteny tamin’ ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ ny Fanahy
Masina azy». Naka ny endriky ny lela afo ny Fanahy Masina ka nipetraka tamin’
izay nivory. Tandindon’ ny fanomezana natao tamin’ ny mpianatra tamin’ izay
izany, dia fanomezana izay nahatonga azy ireo ho afaka hanao ny fiteny fampiasa
izay tsy mbola nahazatra azy hatramin’ izay. Manambara zotom-po mafana izay
tokony hoentin’ ny apostoly hiasa sy ny hery izay hanaraka ny asany ny fisehoan’
ny afo.
«Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin’
ny firenena samihafa rehetra ambanin’ ny lanitra». Nandritra ny fotoana
niparitahan’ ny Jiosy dia nihahaka saika tamin'
4) Jao. 16 : 7 , 13
36
ny faritry ny tany rehetra misy olona izy, ary nianatra teny sami-hafa tamin’ ny
toerana naha-sesitany azy. Maro no tao Jerosalema ireo Jiosy ireo tamin’ io
fotoana io, mba hanatrika ireo fetim-pivavahana izay nisy tamin’ izay fotoana
izay. Nisy solontena avokoa ny fiteny fantatra rehetra. Ho sakana lehibe teo amin’
ny fitoriana ny hafatry ny Filazantsara io fahasamihafan’ ny fiteny io; noho
izany dia tamin’ ny fomba mahagaga no namenoan’ Andriamanitra ny bangà teo
amin’ ny apostoly. Nataon’ ny Fanahy Masina ho azy izay tsy nety ho an’ ny
tenany nandritra ny androm-piainany. Afaka nitory ireo fahamarinan’ ny
filazantsara tany ivelany izy izao, satria nanavanana azy ny fitenin’ ireo olona
nampianariny. Famantarana mazava, tsara ho an’ izao fontolo izao io fanomezana
mahagaga io, fa mitondra ny tombo-kasen’ ny lanitra ny asa nampanaovina azy.
Hatramin' io fotoana io dia nadio, tsotra sy nazava ny fitenin’ ny mpianatra raha
nampiasa ny fitenin-drazany, na fiteny vahiny izy.
«Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra,
fa samy nahare azy ireo niteny tamin’ ny fiteniny avy izy rehetra. Dia talan-jona
sady gaga izy rehetra ka nanao hoe; Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny
ireo? Ka ahoana no andrenesantsika amin’ ny fitenintsika avy izay naliabe
antsika? »
Romotra dia romotra ny mpisorona sy ny mpanapaka nahita izany
fisehoan-javatra izany, nefa tsy sahy nampiasa ny faharatsiam-panahiny, noho ny
tahony hiltaran’ ny herisetran’ ny vahoaka. Efa novonoiny Ilay Nazareana,
indreto anefa ny mpanompony, Galiliana tsy nahita fianarana, manambara ny
tantaran’ ny fiainany sy ny asany amin’ ny fiteny nampiasaina tamin’ izay. Tapa-
kevitra ny mpisorona ny hilaza fa avy amin’ ny fomba voajanahary no
niavian’ ny hery mahagaga teo amin’ ny mpianatra, ka nambarany fa mamo izy
ireo noho ny nisotroany betsaka tamin’ ny divay vaovao nomanina ho an’ ny
andro firavoravoana. Nisy tsy nahalala mihitsy ny olona nanatrika teo ka nandray
io lafin-kevitra io ho fahamarinana, fa ny manan-tsaina kokoa dia nahafantatra fa
diso izany; ary izay nahay ireo fiteny samihafa ireo dia vavolombelon’ ny
fahaizan’ ny mpianatra mampiasa ireo fiteny ireo.
Ho valin’ ny fiampangana nataon’ ny mpisorona, dia nasehon’ i Petera fa
fanatanterahana mivantana ny faminanian’ i Joela izao fisehoan-javatra izao, izay
nanambarany mialoha fa ho tonga amin’ny olona ny hery toy izany, mba
hahatonga azy ho afaka hanao asa manokana. «Ry lehilahy Jiosy, hoy izy, sy izay
rehetra monina
37
eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: tsy mamo araka ny
hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro. Fa izao ilay
nampilazaina an’ i Joela mpaminany hoe: Ary amin’ ny andro farany, hoy
Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra, ary ny
zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, ary ny zatovonareo habita
fahitana, ary ny lahi-antitrareo hanonofy; ary ny mpanompoko, na lahy na vàvy
dia handatsahako ny Fanahiko amin’ izany andro izany, ka dia haminany izy ».
Nijoro ho vavolombelon’ ny fahafatesan’ i Kristy sy ny fitsanganany
tamin’ ny maty tamin’ ny fomba mazava sy mahery i Petera: «Ry lehilahy
Isiraely, mihainoa izao teny izao; Jesosy avy any Nazareta; lehilahy nasehon’
Andriamanitra teo aminareo tamin’ ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny
famantarana izay nampanaovin’ Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny
fantatrareo ihany: Izy ... dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ ny tànan’ny
olona tsy tan-dalàna; fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa afaka ny
fanaintainan’ ny fahafatesana, satria tsy laitran’ izany hohazonina Izy».
Tsy ny fampianaran’ i Kristy no nampiasain’ i Petera hana-
porofoana ny heviny; fantany mantsy fa nisy hevitra efa nibahana dia nibahana
tao an-tsain’ ny mpino, hany ka tsy hisy vokany ny teniny mikasika izany. Tsy
izany no nataony fa i Davida no noresahiny taminy, izay noheverin’ ny Jiosy ho
anankiray amin’ ny patriarky ny fireneny. «Nijery an’ i Jéhovah teo anatrehako
mandrakariva aho; satria eo an-kavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho; dia
izany no nifalian’ ny foko sy niravoravoan’ ny lelako, ny nofoko koa hitoetra
amin’ ny fanantenana; fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko;
ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lo Hianao... ». «Ry rahalahy, aoka
aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin’ i Davida patriarka, fa efa maty izy
ka nalevina koa, ary ny fasahy eto amintsika mandraka androany». «...Nilaza
ny fitsanganan’ i Kristy fa tsy nafoy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita
Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lo. Izany Jesosy izany dia efa natsangan’
Andriamanitra, ary vavolombelon’ izany izahay rehetra».
Mahaliana dia mahaliana ny toe-javatra. Indro ny olona avy amin’ ny
vazan-tany rehetra hihaino ny mpianatra mijoro ho vavolombelon’ ny faham-
arinana araka izay ao amin’ i Jesosy. Mifanosika izy sy ny mpanapaka, mbola
miketrona sy maloka ny tavany noho

38
ny hatezerana, ny fony mbola feno fankahalana mafy fa voapentin’ ny ra latsaka
tamin’ ny nanomboany ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao. Nihevitra ny hahita
ny apostoly ho feno horohoro noho ny tahotra ny ho voaporitry ny tana-maheriny
sy ny vonoan’ olona izy ireo, nefa nisandratra ambonin’ izay tahotra rehetra sy
feno ny Fanahy no nahitany azy, mitory amin-kery ny maha-Andriamanitra an’ i
Jesosy avy any Nazareta. Reny izy nanambara tamin-kasahiana fa Ilay vao naetry
vao haingana teo, natao fihomehezana sy notorotoroin’ ny tanana lozabe, ka
nohomboina, Izy no Andfian’ ny fiainana nasandratra eo an-kavanan’
Andriamanitra ankehitriny.
Nisy tamin’ ireo nihaino ny apostoly no nandray anjara lehibe tamin’ ny
nanamelohana an’ i Kristy sy ny nahafatesany. Nifangaro tamin’ ny an’ ireo
faikan’ olona ny feony niantsoantso» ny hanomboana Azy. Raha nijoro teo
anatrehany tao amin’ ny fitsarana Jesosy sy Barabasy ka nanontany i Pilato hoe:
«Iza moa no tianareo halefako ho anareo? » dia niantsoantso izy ireo hoe: «Tsy
Ilehio fa Barabasy»5. Rehefa nalefan’ i Pilato ho eo am-pelatanany Kristy dia hoy
izy: «Entonareo Izy, ka homboy amin’ ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay
helony ». « Afaka amin’ ny ran’ ity Lehilahy marina ity aho», dia niantsoantso
izy hoe; «Aoka ny rany ho aminay mbamin’ ny zanakay»6.
Reny ankehitriny ny mpianatra manambara fa Zanak’ Andria -manitra no
nohomboina teo amin’ ny hazo fijaliana. Tora-kovitra ny mpisorona sy ny
mpanapaka. «... Voatsindrona tam-pony ny olona ka nanao tamin’ i Petera sy ny
Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? » Tamin’ ireo izay
nihaino ny mpianatra dia nisy Jiosy tia vavaka, izay nino tamin’ ny fo madio. Ny
hery nanampy ny tenin’ ny mpandaha-teny dia nandresy lahatra azy fa tena Mesia
tokoa Jesosy.
Ary hoy Petera taminy: «Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny
anaran’ i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny heiokareo; ary
hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; fa ny teny fikasana dia
ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’ izay rehetra lavitra na iza na iza hantsoin’ i
Jéhovah Andriamanitsika hanatona Azy ».
Nasesik’ i Petera tao an-tsain’ ny olona resy lahatra fa voafitaky
ny mpisorona sy ny mpanapaka izy no nandavany an’ i Kristy; ary
5) .Mat. 27 : 17 ; Jao. 18 : 40 6) Jao. 19 : 6 ; Mat. 27 : 24, 25
39
raha mbola nitohy nijery ireo olona ireo hanoro hevitra azy izy, ka hiandry azy
ireo hampanaiky azy an' i Kristy vao ho sahy hanao izany, dia tsy hanaiky azy na
oviana na oviana. Na dia nilaza ny tenany ho manana toe-panahy araka an’
Andriamanitra aza ireo olona manan-kery ireo, dia feno hambom-po hikatsaka ny
harena sy ny voninahitra ara-nofo. Tsy vonona ny hanatona an’ i Kristy
mba handray ny fahazavana izy.
Noho ny hery miasa mangina avy amin’ io fanazavana avy any an-danitra
io, dia nazava teo anatrehan’ ny mpianatra sy namirapiratra toy ny fahamarinana
tanteraka ny Soratra Masina izay efa nohazavain’ i Kristy taminy. Nesorina izao
ny lamba izay nanakana azy tsy habita ny fiafaran’ izay nofoanana, ka azony
tamin’ ny fomba mazava tanjeraka ny anton’ny iraka nampanaovina an’ i Kristy
sy ny toetran’ ny fanjakany. Azony natao ny niteny tamin-kery ny amin’ ny
Mpamonjy; koa rehefa novelariny tamin’ ny mpihaino azy ny drafitry ny
fanavotana, dia maro no nanaiky sy resy lahatra. Voaroaka tsy tao an-tsainy ny
lovan-tsofina sy ny finoanoam-poana nalentiky ny mpisorona, ary nekeny ny
fampianaran’ ny Mpamonjy.
«Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo
ny olona vao nanampy ho isany tamin’ izany andro izany ».
Noheverin’ ny mpitarika Jiosy fa hifarana amin’ ny fahafatesan’ i Kristy
ny asany; tsy izany anefa no izy, fa nanatri-maso ny toe- javatra mahagaga tamin’
ny Andro Pentekosta izy. Nandre ny mpianatra izay voahosotry ny hery tsy mbola
fantatra hatramin’ izao izy, mitory an’ i Kristy, ary nohamafisin’ ny famantarana
sy ny fahagagana ny teniny. Tao Jerosalema, izay manda mafin’ ny fivavahana
Jiosy, dia anarivony no nanambara ampahibemaso ny finoany an’ i Jesosy avy
any Nazareta ho Mesia.
Talanjona sy diboky ny hafaliana ny mpianatra noho ny habetsahan’ ny
fanahy nojinjaina. Tsy noheveriny ho vokatry ny ezaka nataon’ ny tenany io
famoriana fanahy mahagaga io; tsapany fa niditra tao amin’ ny asan’ ny olona
hafa izy. Hatramin’ ny naha-lavoan’ i Adama, dia efa nankinin’ i Kristy tamin’
ny mpanompo izay nofidiny ny voan’ ny teniny, mba hafafy ao amin’ ny fon’ ny
olombelona. Namafy voan’ ny fahamarinana sy nanondraka azy tamin’ ny rany
Izy mandritra ny fiainany teto amin’ ity tany ity. Vokatr’ io famafazana io ny
fibebahana niseho tamin’ ny Andro

40
pentekosta, vokatra nojinjaina tamin’ ny asan’ i Kristy izany manambara ny
herin’ ny fampianarany. Raha ny fonjan-kcvitra nentin’ ny apostoly fotsiny, na
dia mazava sy maharesy lahatra aza, dia tsy ho nanala ny hevitra nibahana tao an-
tsain’ izy ireo izay dia nanohitra zavatra hita mazava dia mazava. Zana-tsipika
maranitry ny Tsitoha ny tenin’ ny apostoly, izay nampiaiky ny olona ny amin’
ny heloka mahatsiravina nataony tamin’ ny nandavany sy nanomboany ny
Tompon’ny voninahitra.
Notezain’ i Kristy ny mpianatra mba hahatsapa ny ilàny ny banahy.
Nampianarin' ny Fanahy izy mba handiay ny loetra nilainy farany ary nandeha
nanao ny asany mandritra ny fiainany. Tsy olona tsy nahita fianarana sy tsy
nanana kolontsaina intsony ireo. Tsy olona tsirairay samy mitokantokana no
hangonina, na singan-javatra tsy mifanaraka, sy mifanolana. Tsy nipetraka tamin’
ny fahalehibeazana araka izao tontolo izao intsony ny fanantenany. «Niray
saina», «niray fo sy fanahy»7 izy. Kristy no nameno ny eritreriny; ny fandrosoan’
ny fanjakany no tarigetrany. Efa nanjary tahaka ny Tompony- izy teo amin’ ny
saina sy ny toetra amam-panahy, ka fantatry ny olona fa «efa niaraka tamin’ i
Jesosy izy»».
Nitondra ny fahazavana avy any an-danitra ho azy ireo ny Pentekosta.
Novelarina ankehitriny ireo fahamarinana izay tsy nety ho azony fony Kristy teo
amin’ izy ireo. Nekeny tamin’ ny finoana sy ny fahatokiana izay tsy fantany
mihitsy talohan’ izao ny fampianaran’ ny Teny Masina. Tsy resaka mikasika ny
finoana intsony ho azy ny maha-Zanak’ Andriamanitra an’ i Kristy. Fantany
izany, fa na dia nitafy ny maha-olombelona aza Izy, dia lena Mesia, koa
nambarany tamin’ izao tontolo izao ny fanandramany ary nataony tamim-
pahatokiana izay nahitana fandresen-dahatra fa niaraka taminy Andriamanitra.
Afaka niteny ny anaran’ i Jesosy tamim-pahatokiana izy; tsy sakaizany sy -
Zokilahiny ve Izy? Nifandray akaiky tamin’ i Kristy izy ka «niara-nipetraka
taminy tany an-danitra». Teny mivaivay manao ahoana no nentiny nilaza ny
heviny raha nijoro ho vavolom-belona ho Azy Izy! Nitobaka tao am-pony ny
fankasitrahana feno sy lalina ary mahery indrindra, ka nanery azy handeha-
hatrany amin’ny faran’ ny tany izany mba hijoro ho vavolombelon’ ny herin’ i
Kristy. Fenon’ ny faniriana mafy indrindra hanohy ny asa efa
natombok’ i Kristy izy.
7) Asa 2 : 46 ; 4 : 32 8) Asa 4 : 13
41
Tsapany ny halehiben’ ny trosany tamin’ ny lanitra sy ny andraikitra
mitambesatra aminy. Nanome hery azy ny fanosoran’ ny Fanahy Masina ka
nandeha feno hafanam-po hanaparitaka ny fandresen’ ny hazo fijaliana izy.
Nanentana azy sy niteny tamin’ ny alalany ny Fanahy. Namirapiratra teny amin’
ny endriny ny fiadanan’ i Kristy. Efa nanokana ny fiainany hanompo Azy izy, ka
ny endriny mihitsy aza dia nahitana soritra ny amin’ ny fanoloran-tena efa
nataony.

42
5

Ny fanomezan’
ny Fanahy

Nanatona ny fiafaran’ny fanompoana nataony tety an-tany Kristy fony Izy


nanome ny teny fikasana momba ny Fanahy tamin’ ny mpianany. Nijoro teo
amin’ ny aloky ny hazo fijaliana Izy, ary tsapany tanteraka ny vesatry ny heloka
izay hitambesatra Aminy amin’ ny maha-Mpitondra fahotana Azy. Talohan’ ny
nanolorany ny tenany hatao fanatitra, dia nanambara tamin’ ny mpianany ny
mikasika ny fanomezana ilaina indrindra sy tena feno Izy, izay harotsany amin’
ny mpanaraka Azy, dia fanomezana izay hitondra ireo tahirim-pahasoavany tsy
misy fetra eo amin’ izay hahazo azy. «Ary Izaho hangataka amin’ ny Ray, hoy
Izy, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,
dia ny Fanahin’ ny fahamarinana, Izay tsy azon’ izao tontolo izao horaisina, satria
tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo
aminareo Izy, ary ao anatinareo»1. Nanondro ny fotoana izay hahatongavan’ ny
Fanahy Masina ka hanaovany asa mahagaga amin’ ny maha-Solontenany Azy ny
Mpamonjy. Hotoherin’ ny herin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny Fanahy
Masina ny ratsy efa niavosa nandritra ny taonjato maro.
Inona no vokatry ny nirotsahan’ ny Fanahy tamin’ ny Andro Pentekosta?
Nentina hatrany amin’ ny faran’ ny tany nisy olona ny vaovao mahafaly momba
ny Mpamonjy nitsangana tamin’ ny

1) Jao. 14 : 16, 17
43
maty. Raha nitory ny hafatry ny fahasoavana manavotra ny mpianatra, dia nisy
fo nilefitra teo amin’ ny herin’ io hafatra io. Nahita olona maro niova fo nanao
andiany nanatona azy avy amin’ny vazantany rehetra ny fiangonana. Niova fo
indray ny nihemotra. Niaraka tamin’ ny mpino ny mpanota hikatsaka ilay perila
sarobidy. Misy izay mpanohitra ny filazantsara nasiaka indrindra nanjary
mpitory azy mahafatra-po. Tanteraka ny faminaniana manao hoe: « Izay mila ho
reraka dia ho tahaka an’ i Davida. . . tahaka Ilay Anjelin’ i Jéhovah eo anoloany»2.
Fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahalemem-panahiny no hitan’ ny
kristiana tsirairay teo amin’ ny rahalahiny. Zavatra iray ihany no nahaliana sy
nanjaka; anton-javatra iray ihany no nampientana ka nanakona ny zavatra
hafa rehetra; Haneho ny fitoviana amin’ ny toetra amam-panahin’ i Kristy sy
hiasa hanalehibe ny fanjakany no hambom-pon’ ny mpino. «Ary tamin’ ny hery
be no nanambaran’ ny Apostoly ny nitsanganan’ i Jesosy Tompo; ary
fahasoavana be no tao amin’ izy rehetra »3.
Noho izany asany izany dia nanampy ny fiangonana ireo olona
notsongaina, izay nandray ny tenin’ ny fahamarinana, ka nanokana ny fiainany
ho amin’ ny asa fitondrana amin’ ny hafa ny fanantenana izay nameno ny fony
tamin’ ny fiadanana sy ny fifaliana. Tsy azon’ny fandrahonana noterena na
nampitahorina izy. Niteny tamin’ ny alalany ny Tompo, ary rehefa nandeha
nifindrafindra toerana izy, dia nitoriana ny filazantsara ny mahantra, ary nisy
fahagagan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra natao. Amin’ ny fomba mahery toy
izany no ahazoan’ Andriamanitra miasa, rehefa manolo-tena hofehezin’ ny
Fanahiriy ny olona.
Tsy voafetra ho an’ ny fotoan’ andro iray na ho an’ ny antokom-
pirazanana iray ny teny fikasana momba ny Fanahy Masina. Nambaran’ i Kristy
fa hiaraka amin’ ny mpanaraka Azy hatramin’ ny farany ny herin’ Andriamanitra
miasa mangina avy amin’ ny Fanahiny. Hatramin’ ny Andron’ ny Pentekosta ka
hatramin’ izao fotoana izao, dia nalefa ny Mpananatra ho an’ izay rehetra nampi-
lefitra feno ny tenany tamin’ ny Tompo sy ho amin’ ny fanompoana Azy. Tonga
tamin’ izay rehetra nanaiky an’ i Kristy ho Mpamonjin’ ny tenany manokana ny
Fanahy Masina ho mpananatra, mpanamasina, mpitarika ary vavolombelona.
Arakaraka ny maha-etiety

2) Zakaria 12:8 3) Asa 4 : 33


44
kokoa ny niarahan’ ny mpino tamin’ Andriamanitra, dia arakaraka izany koa no
nampahazava kokoa sy nampahery kokoa ny teny vavolombelona nataony ny
amin’ ny fitiavan’ ny Mpanavotra sy ny fahasoavany mamonjy. Ny lehilahy sy
ny vehivavy izay nandray tombontsoa betsaka tamin’ ny fanatrehan’ ny Fanahy
Masina nandritra ireo taonjato lava nisian’ ny fanenjehana sy ny fizahan-toetra,
dia toy ny famantarana sy fahagagana teo amin’ izao tontolo izao. Teo anatrehan’
ny anjely sy ny olona no nanehoany ny hery manovan’ny fitiavana manavotra.
Izay voahosotry ny hery avy any ambony amin’ ny Pentekosta dia tsy hoe
afaka tamin’ ny fakam-panahy sÿ ny fitsapana noho izany akory. Raha nijoro ho
vavolombelon’ ny marina sy ny fahamarinana rehetra izy, dia notafihin’ ny
fahavalon’ ny fahamarinana izay nitady ny handroba ny fanandramana kristiana
tao aminy. Voatery niezaka tamin’ ny hery rehetra nomen’ Andriamanitra azy
izy hanatratra ny ohatry ny fahafenoan’ ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ i
Kristy Jesosy. Nivavaka isan’ andro izy nangataka fanampim-pahasoavana, mba
hahazoany 'miakatra ambony kokoa hanatonahatrany ny fahatanterahana. Na dia
osa indrindra aza izy, teo ambanin’ ny herin’ ny Fanahy Masina, dia nampiasa ny
finoany an’Andriamanitra, ka nianatra ny hanatsara ny hery nankinina taminy sy
hanjary nohamasinina, nohatsaraina ary nasandratra. Rehefa nilefitra tamim-
panetren-tena teo amin’ ny herin’ ny Fanahy, Masina miasa mangina izy, dia
nandray ny fahafenoan’ Andriamanitra Ray sy novolavolaina hampitoviana
Aminy.
Tsy nanova ny teny fikasana nataon’ i Kristy ny amin’ ny andefasany ny
Fanahy Masina ho solontenany tsy akory ny elanelam-potoana. Tsy famerana avy
amin’ Andriamanitra akory no tsy mampikoriana ankehitriny ny haren’ ny
fahasoavany manketÿ an-tany ho an’ ny olona. Raha tsy hita araka izay tokony
ho izy ny faha-tanterahan’ ny teny fikasana.dia satria tsy ankasitrahana araka izay
tokony ho izy. Raha manam-paniriana an’ izany ny rehetra, dia mety ho feno ny
Fanahy. Na aiza na aiza andraisana ny Fanahy Masina ho zavatra tsy heverina
firy, dia ahitana hai-tany ara-panahy, haizina ara-panahy, fihemorana sy
fahafatesana ara-panahy. Na oviana na oviana ifantohan’ ny saina amin-java-
madinika tsy misy antony, dia banga ny herin’ Andriamanitra izay ilaina ho
fampitomboana sy ho fampiroboroboana ny fiangonana, ary hitondra ny
fitahianahafa rehetra hanaraka azy na dia natolotra tamin’ ny fahafenoany tsy
voafetra aza izany.

45
Koa satria io no fomba izay handraisantsika hery. Nahoana no tsy noana sy
mangetaheta ny fanomezana ny Fanahy isika. Nahoana no tsy ataontsika anton-
dresaka, antom-bavaka sy toriteny izany? Vonona ny hanome ny Fanahy Masina
amin’ izay vonona hanompo Azy ny Tompo, mihoatra noho ny fanirian’ ny ray
aman-dreny hanome zavatsoa ho an’ ny zanany. Tokony handefa fangatahana
isan’ andro amin’ Andriamanitra ny mpiasa tsirairay mba handraisany ny batisan’
ny Fanahy isan’ andro. Tokony hivory hangataka ny fanampiana manokana, sy
ny fahendrena avy any an-danitra ny fikambanan’ ny Kristiana, mba
hahafantarany izay drafitra hatao sy hanatanterahany izany amim-pahendrena.
Tokony hivavaka amin’ ny fomba manokana izy hanaovan’ Andriamanitra batisa
amin’ ny fatra betsaka amin’ ny Fanahiny anareo ambasadaoro nofidiny ho any
amin’ ny sahan’ ny misiona. Ny fanatrehan’ ny Fanahy eo amin’ ny mpiasan’
Andriamanitra dia hanome hery ny fitoriana ny fahamarinana izay tsy
hain’ ny voninahitra na ny laza rehetrà eo amin’ izao tontolo izao omena.
Monina eo amin’ ny mpiasan’ Andriamanitra manolo-tena ny Fanahy
Màsina, na aiza na aiza toerana mety hisy azy. Ho antsika koa ny teny natao
tamin’ ny mpianatra. Ho antsika koa toy ny maha-azy ireo azy ny Mpananatra.
Ny Fanahy dia manome ny hery izay manohana ny fanahy miady sy mitolona eo
amin’ ny zava-tsarotra rehetra, eo amin’ ny fankahalan’ izao tontolo izao, sy eo
amin’ ny fahatsapany ny fahalemeny sy ny fahadisoany. Ao amin’ny alahelo sy
ny fahoriana, rehefa maizina ny faravodilanitra ary mampitebiteby ny ho avy, ka
mahatsapa ho tsy manan-kery sy irery isika, dia ireo no fotoana itondran’ ny
Fanahy Masina fampiononana ny fo ho valin’ ny fivavahan’ ny finoana.
Tsy porofo marina ny maha-kristiana ny olona ny fanehoany haravoam-panahy
rehefa misy toe-javatra tsy fahita amin’ ny andavanandro. Ny fahamasinana dia
tsy mahatonga ny olona iray ho lasam-borona ka toy ny tsy eto ambonin’ ny tany
intsony, fa fileferana kosa eo amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra; fivelomana
araka ny sitrapon’ ny Raintsika; fitokisana amin’ Andriamanitra eo amin’ ny
fitsapana, sy eo amin’ ny haizina toy ny eo amin’ ny mazava ihany koa ;
fandehanana amin’ ny finoana fa tsy amin’ ny fahitana; fiankinana amin’
Andriamanitra amin’ ny fatokiana tsy misy adivarotra, sy fitoerana eo amin’ ny
fitiavany. Tsy dia ilaintsika loatra ny ho afaka hamaritra marina ny amin’ ny
Fanahy Masina. Lazain’ i Kristy antsika fa ny Fanahy

46
no Mpananatra, «dia ny Panahin’ ny fahamarinana, Izay mivoaka avy amin’ ny
Ray». Voalaza mazava mikasika ny Fanahy Masina, fa “tsy hiteny ho Azy Izy eo
amin’ ny asa fitarihana ny olona eo amin’ ny marina rehetra”4.
Zava-miafina ny toetoetran’ ny Fanahy Masina, Tsy hain’ny olona
hazavaina izany, satria tsy nambaran’ ny Tompo taminy. Ny olona izay manana
fomba fijery hafahafa dia mety hampitambatra toko sy andininy ao amin’ ny
Soratra Masina ka hanorina zavatra araka ny fahitan’ ny olombelona amin’ izahy.
Ny fahekena ireo fomba fijery ireo anefa dia tsy hampahery ny fiangonana.
Mikasika ny zava-miafina toy izany, izay lalina loatra ka tsy mety ho tratran’ ny
sain’ ny olombelona, dia ny mangina volamena.
Voafaritra mazava tsara ao amin’ ny tenin’ i Kristy ny anjara asan’ ny
Fanahy Masina; «Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahofana
sy ny fahamarinana ary ny fitsarana»5. Ny Fanahy Masina no mandresy lahatra
ny amin’ ny fahotana. Raha mamaly ny herin’ ny Fanahy Masina izay miasa
mangina hamelom-belona azy ny mpanota, dia ho voataona ho amin’ ny
fibebahana izy, ka hifoha ho amin’ ny fahatsapana ny maha-zava-dehibe ny
fankatoavana izay takian’ Andriamanitra. Ny mpanota mibebaka, noana sy
mangetaheta ny fahamarinana no anehoan’ ny Fanahy Masina «ny Zanak’ ondrin’
Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao». «Izy hankalaza
Ahy; fa handray avy amin’ ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo», hoy
Kristy. «Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo
ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo»6.
Nomena ny Fanahy mba hiasa ho famelombelomana sy haha-tonga ny
famonjena notanterahin’ ny Mpanavotra antsika hisy vokany. Mitady
mandrakariva ny hisarika ny sain’ ny olona ho amin’ Ilay Fanatitra lehibe izay
natao teo amin’ ny hazo fijalian’ i Kalvary ny Fanahy. Miezaka Izy hamelatra ny
fitiavan’ Andriamanitra amin’ izao tontolo izao, sy hanokatra ireo haren-
tsarobidin’ ny Soratra Masina eo imason’ ny fanahy resy lahatra.
Rehefa nàndresy lahatra ny amin’ ny fahotana ny Fanahy Masina,
ka nampiseho ny tarigetran’ ny fahamarinana ho hitan’ ny saina,
4) Jao. 15 : 26 ; 16 : 13 5) Jao. 16 ; 8 6) Jao. 16 : 14 ; 14 : 26
47
dia misarika ny fitiavana hiala amin’ ny zavatr’ ity tany ity Izy, ka mameno ny
lanaliy amin’ ny faniriana faliamasinana. «Izy no hilari-dàlana anareo ho amin’
ny marina rehetra»? hoy ny Mpamonjy. Raha mety hovolavolaina ny olona, dia
hamasinina ny tenany manonlolo. Horaisin’ ny Fanahy ny zavatra araka an’
Andriamanitra ka hataony tombo-kase amin’ ny fanahiny. Ny heriny no
hahatonga ny lalan’ ny fiainana tsy hisy kitoantoana, hany ka tsy misy na dia iray
aza tokony ho very lalana ny amin’ izany.
Hatramin’ ny voalohany Andriamanitra dia niasa tamin’ ny Fanahy
Masina tamin’ ny alalan’ ny olombelona izay fitaovana nanatanterahany ny
fikasany hamonjy ny taranaka lavo. Hita mazava izany teo amin’ ny fiainan’ ireo
patriarka. Nomen’ Andriamanitra ny «Fanahiny tsara, ... hampianatra azy» koa
ny fiangonana tany an’ efitra, tamin’ ny andron’ i Mosesy.8 Ary tamin’ ny andron’
ny Apostoly dia niasa tamin’ ny fomba mahery ho an’ ny fiangonany Izy tamin’
ny alalan’ ny Fanahy Masina. Io hery io ihany no nanohana ny patriarka, nanome
finoana sy herim-po an’ i Kaleba sy Josoa, ary nahatonga ny asan’ ny fiangonana
apostolika ho nahomby. Io ihany koa no nanohana ny zanak’ Andriamaniîra
mahatoky tèo amin’ ireo taona nifandimby. Tamin’ ny alalan’ ny herin’ ny
Fanahy Masina no nanomanan’ ireo kristiana «Vaudois» ny lalan’ ny
Fanavaozana ara-pivavahana nandritra ireo' taonjato nanjakan’ ny
fahamaizinana. Io hery io koa no nampahavokatra ny ezaka nataon’ ireo lehilahy
sy vehivavy ambony fisainana izay namaky lay teo amin’ ny fanorenana ny
misiona amin’ izao fotoana izao, teo amin’ ny fandikana ny Baiboly ho amin’ ny
teny sy ny tenim-paritry ny firenena sy ny vahoaka rehetra.
Ankehitriny dia mbola mampiasa ny fiangonany Andriamanitra
hampahafantatra ny fikasany eto an-tany. Ankehitriny dia mandeha mifety ny
fanàna sy ny vohitra ny mpitondra ny hafatry ny hazo fijaliana, ka manomana ny
lalana ho amin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany. Asandratra ny fanevan’ ny
lalan’And'riamanitra. Manetsiketsika ny fon’ ny olona ny Fanahin’ ny Tsitoha,
ary izay manohana ny heriny miasa mangina dia manjary vavolombelona
ho an’ Andriamanitra sy ny fahamarinany. Amin’ ny toerana maro dia ahitana
lehilahy sy vehivavy manokan-tena mampita amin’ ny hafa ny fahazavana izay
nanala ny kitoantoana eo amin’ ny lalan’ ny famonjena amin’ ny alalan’ i Kristy.
Ary raha mbola mitohy mamela ny fahazavany hamirapiratra izy, tahaka ny
nataon’ ireo natao batisa
7) Jao. 16 : 1, 3 8) Neh. 9 : 20
48
tamin’ ny Fanahy tamin’ ny Andron’ ny Pentekosta, dia handray ny herin’ ny
Fanahy mitombo ary mitombo hatrany. Amin’ ny fomba toy izany no mahatonga
ny tany ho hazavain’ ny voninahitr’ Andriamanitra.
Etsy ankilany, misy ireo izay tsy manararaotra amim-pahendrena ny
fotoana mety ankehitriny, fa mitomoe-poana miandry fotoana manokana hisian’
ny famelombelomana ara-panahy izay hampitombo be dia be ny fahazoany
manazava ny hafa. Manao antsiràmbina ny andraikiny sy ny tombontsoany
ankehitriny izy, ka màmela ny fahazavany hihamatroka; manantena izy fa hisy
fotoana izay tsy hanaovany fiezahana, nefa hahatonga azy ho fitaovana handray
fitahiana manokana izay hanova azy sy hahavonona azy ho amin’ ny
fanompoana.
Marina fa amin’ ny andro farany, rehefa mifarana ny asan’ Andriamanitra
eto an-tany, dia hisy fanehoana manokana ny fankasitrahan’ Andriamanitra
hanaraka ny ezaka mafana ataon’ ireo mpino nanolo-tena eo ambanin’ ny
fîtarihan’ ny Fanahy Masina. Ny endriky ny ranonorana aloha sy aoriana, izay
milatsaka any atsinanana amin’ ny fotoana famafazana sy ny fijinjana, no nentin’
ny mpaminany hebreo nanambara mialoha ny firotsahan’ ny fahasoavana ara-
panahy amin’ ny fatra mahagaga eo amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra. Ny
firotsahan’ ny Fanahy tamin’ ny andron’ ny Apostoly no fiantom-bohan’ ny
ranonorana aloha, na voalohany ary be voninahitra ny vokatr’ izany. Hatramin’
ny andro farany dia hitoetra eo amin’ ny fiangonana marina ny fanatrehan’ ny
Fanahy.
Nefa rehefa akaiky ny fiafaran’ ny fijinjana ny tany, dia hisy fanomezana
manokana ny fahasoavana ara-panahy nampanan-tenaina, izay hanomana ny
fiangonana ho amin’ ny fiavian’ ny Zanak’ olona. Ampitoviana amin’ ny
filatsaky ny ranonorana aoriana io firotsahan’ ny Fanahy io; ary io fanampin-kery
io no tokony handefasan’ ny kristiana fangatahana amin’ ny Tompon’ ny vokatra
«amin’ ny andro fara-orana». Ho valin’ izany dia «handatsaka ranonorana
mivatravatra ho anareo aloha (Jéhovah), eny, ny loha-orana sy ny fara-orana
aloha»9. Nefa raha tsy manana fifandraisana velona, amin’ ny loharanon’ ny
fitomboana ara-panahy rehetra ny mambra ao atnin’ ny fiangonan’ Andriamanitra
ankehitriny, dia tsy hovonona izy amin’ ny andro fijinjana. Raha tsy tazoniny
hadio sy mirehitra
9) Zak. 10 : 1 ; Joela 2 : 23
4 — Vavolombelona Mahery
49
ny jirony, dia tsy ho afaka handray fahasoavana fanampiny izy amin’ ny fotoana
ilàny fanampiana manokana.
Ireo izay mandray fanampim-pahasoavana vaovao hatrany ihany, no
hanan-kery mifamatra amin’ izay ilainy isan’ andro sy ny fahaizana hampiasa io
hery io. Tsy hiandrandra fotoana ho avy izay ahazoany fanahy amin’ ny fomba
mahagaga, amin’ ny alalan’ ny fanosoran’ ny hery ara-panahy izy, fa milefitra
amin’ Andriamanitra isan’ andro kosa, mba hanaovany azy ho fitaovana azony
ampiasaina. Isan’ andro dia manararaotra ny fotoana mety hanaovany ny
fanompoana izay mety ho tratrany izy. Isan’ andro dia mijoro ho vavolorabelon’
ny Tompo izy na aiza na aiza misy azy, na eo amin’ ny faritra tsotsotra po amin’
ny asa ao an-tokantrano, na eo amin’ ny saha fanaovana soa ho an’ ny besinimaro.
Fiononana mahagaga ho an' ny mpiasan’ Andriamanitra nanolo-
tena ny fahalalana fa na dia Kristy aza dia nitady ny Rainy isan'
andro mba handraisany fanomezana vaovaon’ ny fahasoavana nilainy nandritra
ny fiainany teto an-tany; ary avy teo amin’ io firaisana tamin’ Andriamanitra io
no nirosoany hampahery sy hitahy ny hafa. Indro ny Zanak’ Andriamanitra
miankohoka mivavaka amin’ ny Rainy! Na dia Zanak’ Andriamanitra aza Izy,
dia nampahery ny finoany tamin’ ny fivavahana, ary tamin’ ny firaisana tamin’
ny lanitra no nandraisany hery ho an’ ny tenany hanoherany ny ratsy sy
hanaovany fanompoana eo amin’ izay ilain’ ny olona. Zokin’ ny taranak’
olombelona Izy, ka mahafantatra izay ilain’ ireo mijaly noho ny fahoriana sy ny
fakam-panahy, nefa mbola maniry hanompo Azy. Fantany fa olona malemy sy
mora mirona ireo mpitondra hafatra hitany fa azo irahina, nefa mampanantena ny
fanampian’ Andriamanitra ho an’ izay rehetra nanolo-tena tanteraka ho amin’ ny
fanompoana Azy Izy. Ny ohatra nomeny dia toky fa ny fitalahoana mafana sy
feno fikirizana atao amin’ Andriamanitra amin’ ny finoana — finoana izay
mitarika eo amin’ ny fiankinana tanteraka amin’ Andriamanitra sy amin’ ny
fanokanan-tena tsy misy fepetra ho amin’ ny asany - dia mitondra ny fanampian’
ny Fanahy Masina ho an’ ny olona eo amin’ ny ady atao amin’ ny fahotana.
Ny mpiasa tsirairay izay manaraka ny ohatr’ i Kristy, dia ho voaomana
handray sy hampiasa ny hery nampanantenain’ Andriamanitra ho an’ ny
fiangonana izay hahamasaka ny vokatry ny tany. Isa-maraina isa-maraina, raha
mandohalika eo anatrehan’ ny Tompo ireo mpitondra hafatry ny filazantsara ka
manavao ny

50
voadin’ ny fanoloran-tena Aminy, dia homeny azy ny fanatrehan’ ny Fanahiny,
amin’ny hery mamelombelona sy manamasina. Rehefa mandeha hanao ny
andraikiny isan’ andro izy, dia manana toky fa ny herin’ ilay Iraka tsy hita maso
dia mahatonga azy ho «mpiara-miasa amin’ Andriamanitra.

51
6

Teo amin’ ny
vavahadin’ ny tempoly

Tsapan’ ny mpianatr’ i Kristy lalina ny tsy fahombiazany, ka tamim-


panetren-tena sy tamim-pivavahana no nampiraisany ny fahalemeny tamin’ ny
heripy, ny tsy fahalalany tamin’ ny fahendreny, ny tsy fahamendrehany tamin’
ny fahamarinany, ny fahantrany tamin’ ny hareny tsy hita lany. Nahazo hery sy
fiarovana toy izany koa izy ireo ka tsy nisalasala nandroso ho amin’ ny
fanompoana ny Tompo.
Fotoana fohy taorian’ ny nirotsahan’ ny Fanahy Masina, ary nanarakaraka
avy hatrany ny fotoana nanaovana fivavahana mafana, dia niakatra nankany
amin’ ny tempoly i Petera sy Jaona mba hivavaka ka nahita lehilahy malemy
tongotra teo amin’ ny vavahady Itsaraendrika; efapolo taona izy io ary
nanaintaina sy kilemaina hatramin’ ny nahaterahany. Nanam-paniriana lalina
hahita an’ i Jesosy io lehilahy mahantra io, mba ho sitrana; nefa saiky tsy mba
nanam-panampy mihitsy izy ary lavitry ny sehatra iasan’ Ilay Mpitsabo lehibe.
Farany dia nitarika ny sakaizany sasany hitondra azy ho any amin’ ny vavahadin’
ny tempoly ny fitalahoany; rehefa tonga teo anefa izy dia hitany fa efa novonoina
tamin’ ny fahafatesana mahatsiravina Ilay niorenan’ ny fanantenany.
Mifototra amin’ ny Asa 3 ; 4 : 1 - 31 ity toko ity.
53
Ny fahadisoam-panantenany dia nampangoraka an’ ireo nahalala fa efa ela
no nanantena mafy dia mafy ny hositranin’ i Jesosy ralehilahy, ka nitondra azy
isan’ andro teo amin’ ny tempoly izy, mba hahazoan’ izay ’mpandalo mangoraka
azy hanome vola kely hoenti-manamaivana ny fahasahiranany. Raha nandalo i
Petera sy Jaona dia nangataka fiantrana taminy izy. Nalahelo ny mpianatra
nijery azy, ka hoy Petera hoe : «Mijere anay. Dia nibanjinà azy roa lahy tsara izy,
fa nanantena hahazo zavatra taminy. Fa hoy Petera hoe : Tsy manana volafotsy
na volamena aho». Raha nilaza ny fahantrany i Petera dia nanjombona ny endrik’
ilay malemy; nefa nihiratra noho ny fanantenana izany raha notohizan’ ny
apostoly hoe; «fa izay ananako no omeko anao : Amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy
avy any Nazareta, mitsangatsangàna ! »
«Ary noraisiny tamin’ ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia
natanjaka niaraka tamin’ izay ny tongony sy ny kitrokeliny. Ary niantsambotra
izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan’ ny
tempoly, nitsangan-tsangana sy niantsambotsambotra sady nidera an’
Andriamanitra Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera
an’ Andriamanitra.
«Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin’ ny vavahady
Itsaraendrika eo amin’ ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny
olona noho izay tonga tamin-dralehilahy».
«Ary raha nihazona an’ i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohotra ny olona
rehetra ho eo amin’ izy telo lahy teo amin’ ny fialofana izay atao hoe Fialofan’ i
Solomona, ka talanjona». Gaga izy fa afaka manao fahagagana tahaka ny nataon’
i Jesosy ny mpianatra. Indro tokoa io lehilahy io, kilemaina tsy nanan-kery
nandritra ny efapolo taona, ankehitriny anefa mifaly amin’ ny fampiasana feno
ny tongotra aman-tanany, afaka amin’ ny fanaintainana ary sambatra amin’ ny
finoana an’ i Jesosy.
Rehefa nahita ny fahagagan’ ny vahoaka ny mpianatra dia nanontany i
Pétera hoe: «Nahoana no talanjona amin’ izany hianareo? Ary nahoana no
mandinika anay hianareo, toa herinay na fahàmasinanay no nanaovanay azy ho
afa-mandeha? » Noanti-tranteriny fa natao tamin’ ny anarana sy tamin’ ny alalan’
ny fahamendrehan’ i Jesosy avy any Nazareta, izay efa natsangan’ Andriamanitra
tamin’ ny maty ny fanasitranana. « Ary ny anarany
54
no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny
anarany; eny, ny fmoana' izay azo amin’ ny alalany no nahazoany izao
fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao».
Nambaran’ ny apostoly mazava ny amin’ ilay fahotana lehibe nataon' ny
Jiosy tamin’ ny fitsipahany ny Andrianan’ ny fiainana sy ny namonoany Azy ho
faty ; nitandrina tsara tsy hampamoifo ny mpihaino azy anefa izy ireo. Hoy i
Petera: «Fa hianareo nandà Ilay Mazava sy Marina; ary mpamono olona no
nangatàhinareo halefa ho anareo, fa ny Tompon’ ny aina kosa no novonoinareo;
fa Izy natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty, ary vavolombelon’izany
izahay». «Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin’ ny tsi-fahalalana no
nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa. Fa izany no
nahatanterahan’ Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra
rahateo, fa hiaretan’ i Kristiny». Nambarany fa hiantso azy hibebaka sy hiova fo
ny Fanahy Masina, ary noantitranteriny fa tsy misy fanantenana famonjena raha
tsy amin ny alalan’ ny famindrampon’ Ilay ela nohomboan’ izy ireo. Amin ny
alalan’ ny finoana Azy ihany no ahazoana mamela ny helony.
«Koa mibebaha hianareo, ka miverena, hoy ny antsony, hamonoana ny
fahotanareo, mba ho avy izay andro famelom-belomana avy amin’ ny fanatrehan’
ny Tompo». «Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’
Andriamanitra tamin’ ny razanareo, raha hoy Izy tamin’ i Abrahama: Avy amin’
ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany. Andriamanitra,
rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany,
mitahy anareo amin’ ny fialanareo rehetra amin’ ny faharatsianareo isam-batan’
olona».
Toy izany no nitorian’ ny mpianatra ny fitsanganan’ i Kristy tamin’ ny
maty. Betsaka tamin’ ireo nihaino no niandry io fijoroana ho vavolombelona io,
ary rehefa reny izany dia nino izy. Tonga tao an-tsainy ny teny efa nambaran’ i
Kristy, koa niditra teo amin’ ny laharan’ ireo nanaiky ny filazantsara izy.
Nitsimoka sady nitondra vokatra ny voa izay nafafin’ ny Mpamonjy.
Raha niteny tamin’ ny vahoaka ny mpianatra «dia, indreo, tonga teo aminy
ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo; fa sosotra
izy noho ny nampianaran’ ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin’ ny
alalan’ i Jesosy ny fitsanganana amin’ ny maty».

55
Taorian’ ny nitsanganan’ i Kristy tamin’ ny maty dia naparitaky ny
mpisorona teny rehetra teny ny tatitra mandainga milaza fa nangalarin’ ny
mpianatra ny fatiny raha natory ny mpiambina Romana. Tsy mahagaga raha
sosotra izy raha nahare an’ i Petera sy Jaona nitory ny amin’ ny fitsanganan’ Ilay
novonoiny. Nitroatra tamin’ ny fomba manokana ny Sadoseo. Tsapany fa
notandindomin-doza ny foto-pianarany maminy indrindra, ka voahozongozona
ny lazany.
Nitombo haingana ny niova fo ho amin’ ny fmoana vaovao ka samy
nanaiky ny Fariseo sy ny Sadoseo, fa raha avela ka tsy hosakantsakanana ireto
mpampianatra vaovao ireto, dia hotandindomin-doza noho ny fohy naha tetô an-
tany an’ i Jesosy ny hery miasa mangina avy aminy. Noho izany, dia notazonin’
ny lehiben’ ny mpitandrina ny tempoly nampian’ ny Sadoseo maromaro i Petera
sy Jaona ka nataony tao an-tranomaizina, satria efa hariva loatra ka tsy ho azo
atao ny hanadina azy.
Tsy afaka ny tsy ho resy lahatra ny fahavalon’ ny mpianatra fa nitsangana
tamin’ ny maty Kristy. Mazava loatra ny porofo ka tsy nisy hisalasalana. Na dia
izany aza dia nanamafy ny fony izy, ka nandà tsy hibebaka ny amin’ ny zava-
doza nataony tamin’ ny namonoany an’ i Jesosy ho faty. Betsaka ny porofo
mazava efa nomena ny mpanapaka Jiosy fa tsindrimandry avy amin’ Andria-
manitra no nampiteny sy nampiasa ny apostoiy, nefa notoheriny mafy ny hafatry
ny fahamarinana. Tsy tonga tamin’ ny fomba nanampoizany Azy Kristy, ary na
dia nisy fotoana naharesy lahatra azy aza fa- Zanak’ Andriamanitra Izy, dia
nampangina ny fandresen-dahatra teo aminy izy ka nanombo Azy tamin’ ny hazo
fijaliana. Noho ny famindrampony dia mbola nanome porofo hafa koa
Andriamanitra, ary ankehitriny dia misy fotoana indray azo araraotina, natolotra
azy ireo mba hitodihany Aminy. Nalefany ny mpianatra hilaza aminy fa namono
ny Andrianan’ ny fiainana izy, ary io fiampangana inahatsiravina io no antso hafa
indray ho amin’ ny fibebahana nalefa ho azy. Nahazo toky tamin’ ny faha-
marinan’ ny tenany ireo mpianatra Jiosy ka nandà ny hanaiky, fa ny hitarihan’ ny
Fanahy Masina no nampiteny ireto olona miampanga azy ho nanombo an’ i
Kristy tamin’ ny hazo fijaliana .
Rehefa nametraka ny tenany teo amin’ ny toerana anoherany an’ i Kristy
ireo mpisorona, dia nanjary afo yaovao niampy hatrany izay nandrisika azy ho
amin’ izany lalana izany ny fihetsika fano-
56
herana rehetra. Nihahentitra hatrany hatrany ny ditran’ ny fony. Tsy hoe tsy afaka
hilefitra izy; afaka izy, fa tsy te hilefitra. Tsy noho izy meloka sy mendrika ny
fahafatesana fotsiny, tsy noho izy namono ny Zanak’ Andriamanitra fotsiny no
nahatafasaraka azy tamin’ ny famonjena; ny antony dia izy nitsangana hanohitra
an’ Andriamanitra. Nikiribiby nitsipaka ny fahazavana sy nampangina ny
fandresen-dahatra avy amia ny Fanahy izy. Ny hery mifehy mangina ny zanaky
ny tsy fankatovana dia miasa ao aminy, ka mitarika azy hanao herisetra amin’ ny
olona izay niasan’ Andriamanitra. Nampitombo ny haratsian’ ny fikomiany
hatrany ny asa fanoherana mitohy ataony amin’ Andriamanitra sy ny hafatra
nomeny hambaran’ ny mpanompony. Isan’ andro dia nandà ny hibebaka ny Jiosy
ka nanome aina vaovao ny fikomiany ary niomana hijinja izay efa nafafiny.
Ny antony hanambarana ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ny mpanota
tsy mibebaka dia tsy noho ny fahotana izay nataony ihany, fa noho izy misafidy
ny hanohitra hatrany rehefa antsoina hibebaka, ka mamerina ny fahotana tamin’
ny lasa ary manao tsinontsinona ny fahazavana nomena azy. Raha nilefitra teo
amin’ny hery mandresy lahatry ny Fanahy Masina ireo mpitarika Jiosy, dia ho
voavela heloka izy; nefa tapa-kevitra tsy hilefitra izy.
Toy izany koa ny mpanota, rehefa mitohy manohitra, dia mametraka ny
tenany eo amin’ ny toerana izay tsy ahazoan’ ny Fanahy Masina miasa aminy
intsony.
Ny andro nanarakaraka ny nahasitranana ilay lehilahy malemy, dia nivory
ho amin’ ny fîtsarana i Anasy sy Kaiafa, miaraka amin’ireo manam-boninahitra
hafa ao amin’ ny tempoly, ary nentina teo anatrehany ny mpifatotra. Tao amin’
io efitra’io indrindra, ary teo anatrehan’ ny sasany amin’ ireo olona ireo, no
nandavan’ i Petera ny Tompony tamin’ ny fomba mahamenatra. Niverina
mazava tao an-tsainy izany raha niseho teo amin’ ny fitsarana ny tenany izy. Misy
fotoana mety izao hanonerany ny hakanosany.
Ny olona nanatrika teo ka nahatsiaro ny anjara noraisin’i Petera teo amin’
ny fitsarana ny Tompony, dia nilokaloka fa azo ampitahorina fanaovana am-
ponja sy fahafatesana izy izao. Ilay Petera nandà an’ i Kristy tamin’ ny ora nilàny
azy indrindra anefa dia nirehidrehitra sy natoky tena, ka samy hafa tanteraka
tamin’ ilay Petera izay nentina hodinihina teo anatrehan’ ny Synedriona.
57
Niova fo izy hatramin’ ny nahalavoany. Tsy nizahozaho sy nirehareha
intsony izy, fa nanetry tena sy tsy natoky tena. Feno ny Fanahy Masina izy, ary
ny fanampian’ io hery io no nahatapakevitra azy hanala ny pentin’ ny fihemorany
amin' ny fanomezany voninahitra Ilay Anarana efa nolaviny indray mandeha.
Hatramin’ izao dia niâlan’ ny mpisorona ny niteny momba ny nanomboana
an’ i Jesosy tamin’ ny hazo fijaliana sy ny nitsanganany tamin’ ny maty. Nefa
ankehitriny, ho fanatanterahana ny fikasany, dia voatery hanontany ny
voampanga ny foniba nanasi-tranany ilay lehilahy malemy izy: «Fahefana manao
ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany? » hoy ny fanonta-
niany.
Tamin’ ny fahasahiana masina sy tamin’ ny herin’ ny Fanahy Masina no
nilazan’ i Petera tsy tamin-tahotra hoe : «Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,
raha adinina izahay anio ny amin’ ny asa tsara natao tamin’ ny nahasitranana ilay
lehilahy malemy, dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa
ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ ny hazo
fijaliana, fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty koa, dia Izy no itsanganan’
io lehilahy io finaritra eto imasonareo. Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano,
nefa tonga fehizoro. Ary tsy misy famonjena amin’ ny hafa; fa tsy misy
anaranahafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika
famonjena».
Nampitolagaga ireo mpitarika Jiosy io fiarovana feno herim-po io.
Noheveriny fa ho resin’ ny tahotra sy ny henatra ny mpianatra rehefa entina eo
anatrehan’ ny Synedriona. Tsy izany anefa no niseho fa niteny tahaka ny fitenin’
i Kristy ireo vavolombelona ireo ;nataony tamin’ ny hery nandresy lahatra izay
nampangina ny fahavalony izany, Tsy nisy aloky ny tahotra teo amin’ ny feon’ i
Petera raha nilaza ny amin’ i Kristy izy hoe: «Ity no vato izay nolavinareo
mpanao trano, nefa tonga fehizoro».
Oha-pitenenana mahazatra ny mpisorona no nampiasain’ i Petera eto.
Nilaza ny amin’ ilay vato nolavina ny mpaminany; Kristy mihitsy koa raha niteny
tamin’ ny mpisorona sy ny loholona indray mandeha dia nilaza hoe; «Tsy mbola
novakinareo va ny teny ao amin’ ny Soratra Masina hoe; Ny vato izay nolavin’
ny mpanao trano, dia izy no efa natao fehizoro; avy tamin’ i Jéhovah izao ka
mahagaga eo imasontsika? Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina
58
aminareo ny fanjakan’ Andriamanitra ka homena izay firenena maha-vokatra ny
voany. Ary izay potraka amin’ ity vato ify dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no
hianjerany, dia ho mongomongo » 1.
Rehefa nandre ny tenin’ ny apostoly tsy nisy tahotra ny mpisorona dia ~
«fantany tsara fa efa niaraka tamin’ i Jesosy izy roa lahy». Izao no voasoratra
mikasika ny mpianatra tao amin’ ny niovan’ i Kristy tarehy rehefa nifarana ilay
toe-javatra mahagaga; «tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany»2 — «Jesosy
irery ihany» ireo teny telo ireo no mifono ny tsiambaratelon’ ny fiainana sy ny
hery izay manamarika ny tantaran’ ny fiangonana voalohany. Rehefa nandre
voalohany ny tenin’ i Kristy ny mpianatra, dia tsapany fa mila an’ i Kristy izy.
Nitady Azy izy, nahita, ary nanaraka Azy. Niaraka taminy tao amin’ ny tempoly
izy, teo amin’ny latabatra fisakafoana, teo an-tendrombohitra, teny an-tsaha.
Toy ny mpianatra niaraka tamin’ ny mpampianatra izy, nandray isan’ andro ny
lesona momba ny fahamarinana mandrakizay.
Taorian’ ny niakaran’ ny Mpamonjy any an-danitra, dia mbola tsapa teo
aminy ny fanatrehany feno fitiavana sy fahazavana. Fanatrehan’ ny tenany
manokana izany. Jesosy, Mpamonjy, Ilay niara-nandeha sy niresaka ary nivavaka
taminy, Ilay nilaza fanantenana sy fampiononana ho an’ ny fo, no nesorina teo
aminy ka nakarina ho any an-danitra, raha mbola teo amin’ ny molony ny
hafatra mitondra fiadanana. Raha nandray Azy ny kalesin’ ny anjely dia injany
tonga teo amin’ ny mpianatra ny teniny hoe; «Indro, Izaho momba anareo
mandrakariva ambara-pahatongan’ ny faha-taperan’ izao tontolo izao»3. Efa
niakatra ho any an-danitra Izy nitondra ny endriky ny maha-olombelona. Fantany
fa eo anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy, mbola sakaizany sy
Mpamonjy azy ihany; fantany fa tsy niova ny fitiavany; fantany fa ho tafaray
mandrakizay amin’ ny taranak’ olombelona mijaly Izy. Fantany fa mitondra ny
fahamendrehan’ ny rany eo anatrehan’Andriamanitra Izy, ka mampiseho ny
tongotra aman-tanany maratra ho fahatsiarovana ny onitra efa naloany ho an’ ireo
navotany, ka nampahery azy hiaritra ny fanomezan-tsiny noho ny fitiavany io
eritreritra io. Mafy noho ny fony Izy niaraka taminy ny firaisany Aminy
ankehitriny. Namirapiratra teo aminy ny fahazavana sy ny fitiavana ary ny herin’
i Kristy mitoetra ao aminy, hany ka gaga ireo olona ireo raha nijery izany.
1) Mat. 21 : 42 - 44 2) Mat. 17 : 8 3) Mat. 28 : 20
59
Nametraka ny tombokaseny teo amin’ ny teny izay nataon’ i Petera ho
fiarovan-tenany Kristy. Teo akaikin’ ny mpianatra indrindra ilay lehilahy izay
nositranina tamin’ ny fomba mahagaga, nijoro ho vavolombelona maharesy
lahatra. Ny fijery an’ ity olona ity, ora vitsy talohan’ izao, dia lehilahy malemy
tsy nanan-kery, fa ankehitriny kosa izy tafaverina ho amin’ ny fahasalamana feno.
ka nampisy lanjany ny teny vavolombelona nataon’ i Petera. Nangina ny
mpisorona sy ny mpanapaka. Tsy afaka namaly ny teny nalahatr’i Petera izy, na
dia izany aza anefa dia tapa-kevitra ny hampijanona ny fampianaran’ ny
mpianatra izy.
Ny fahagagana fara tampony nataon’ i Kristy — dia ny nanangana, an’ i
Lazarosy tamin’ ny maty — no toy ny tombokase nahatapa-kevitra ny mpisorona
hanafoana ny tontolo niainan’ i Jesosy sy ny asany mahagaga izay nanimba
haingana ny hery miasa mangina avy amin’ ireo mpisorona ireo teo amin’ ny
vahoaka. Nohomboany tamin’ ny hazo fijalina Izy; nefa indro nisy porofo
mandresy lahatra fa tsy azohy najanona, na ny fanaovana fahagagana amin’ ny
anarany, na ny fitoriana ny filazantsaran’ ny fahamarinana izay nampianariny.
Nahafeno kotaba an’ i Jerosalema sahady ny nanasitranana an’ ilay lehilahy
malemy sy ny nataon’ ny apostoly.
Mba hanafenana ny fahaverezan-keviny sy mba hahazoan’ izy ireo
mifampila hevitra, dia nibaiko nampamoaka ny apostoly ny mpisorona sy ny
mpanapaka. Nifanaraka izy rehetra fa tsy misy vokany ny handavany fa sitrana
ralehilahy. Ho nahafaly azy ny nanarona lainga ny fahagagana; tsy azony natao
anefa izany, satria antoandro-benanahary no nanaovana izany, teo anatrehan’ ny
olona marobe, ary efa fantatry ny olona anarivony. Tsapany fa tsy maintsy
hajanona ny asan’ ny mpianatra raha tsy izany dia hahazo mpanaraka betsaka
Jesosy. Hanaraka izany ny fahafahambaraka ho azy, satria hotazonina ho meloka
izy tamin’ ny namonoana ho faty ny Zanak’ Andriamanitra.
Na dia teo aza ny fanirian’ ny mpisorona hamono ny mpianatra, dia tsy
sahy nanao mihoatra noho ny fandrahonana azy amin’ ny famaizana henjana
indrindra izy, raha mbola miteny na miasa amin’ny anaran’ i Jesosy ihany.
Nampanantsoina indray teo anatrehan’ ny Synedriona izy ireo ka nobaikoiny tsy
hiteny na hampianatra amin’ ny anaran’ i Jesosy. Fa namaly i Petera sy Jaona ka
nanao hoe; «Tsaraonareo na marina eo imason’ Andriamanitra, na tsia, ny
hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. Fa izahay tsy maintsy milaza izay
zavatra efa hitanay sy renay ».
60
Ho fifaliana ho an’ ny mpisorona ny nanafay ireto olona ireto noho ny
toetrany mahatoky tsy azo nohozongozonina teo amin’ ny fiantsoana, masina azy;
natahptra ny vahoaka anefa izy satria « izy rehetra nankalaza an’ Andriamanitra
noho ny amin’ ny zavatra efa natao». Koa taorian’ ny fandrahonana sy ny
fandrarana niverimberina, dia nalefa ny apostoly.
Raha mbola nifatotra i Petera sy Jaona, ny mpianatra hafa kosa izay
nahalala ny faharatsian’ ny Jiosy, dia nivavaka tsy ankijanona ho an’ ny
rahalahiny, noho ny tahotra sao averina indray ny habibiana naseho tamin’ i
Kristy. Raha vantany vao nalefa ny apostoly, dia nitady ny mpianatra sisa izy ka
nanambara taminy ny vokatry ny nanadinkadinana azy; lehibe ny fifalian’ ny
mpino. « Niarà-nanandratra ny feony ho amin’ Andriamanitra (izy) ka nanao hoe:
Tompo Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’ izay
rehetra ao anatiny, ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an’ i Davida
razanay sady mpanomponao hoe; Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary
misaina anoano foana ny firenena? Ireo mpanjakan’ ny tany nitsangana, ary ny
mpanapaka niangona hanohitra an’ i Jéhovah sy ny Mesiany. Fa efa niangona
marina tokoa teto amin’ ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin’ ny
jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy Izay
nohosoranao, mba hanao izay notendren’ ny tànanao aman-tsainao rahateo hatao.
«Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay
mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ ny fahasahiana rehetra, omban’
ny aninjiranao ny tànanao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana
amin’ ny anaran’ i Jesosy, Zânakao Masina ».
Nivavaka ny mpianatra mba hahazoana mizara hery lehibe kokoa ho azy,
eo amin’, ny asa fanompoana ataony; hitany mantsy fa fanoherana henjana toy
izay notoherin’ i Kristy fony teo an-tany koa no hosetrainy. Raha mbpla niakatra
tamim-pinoana ho any an-danitrà ny fivavahana nampiraisiny, dia tonga ny
valiny. Nihovitrovitra ny trano izay niangonany, ary notafina ny Fanahy Masina
izy. Feno herim-po izy ireo, ka nandeha indray nitory ny Tenin’ Andriamanitra
tany Jerosalema. «Ary tamin’ ny hery be no nanambaran’ ny Apostoly ny
nitsanganan’ i Jesosy Tompo». Nitahy tamin’ ny fomba mahagaga ny asan’ izy
ireo Andriamanitra.

61
Ilay foto-kevitra izay nijoroan’ ny mpianatra tsy tamin-tahotra ho setrin’
ny baiko natao taminy tsy hiteny intsony amin’ ny anaran’ i Jesosy, ka nampiteny
azy hoe: «Tsaraonareo na marina eo imason’Andriamanitra, na tsia ny hanaiky
anareo mihoatra noho Andriamanitra», mbola io ihany no nitoloman’ ireo
niandany tamin’ ny Filazantsara hotazonina nandritra ny Fanavaozana ara-
pivavahana. Tamin’ ny taona 1529, rehefa nivory tany Diète any Spire ireo
andriandahy Alemana nanatrika ny filankevitry ny fanjakana foibe, dia niseho tao
ny didy navoakan’ ny Amperora mametra ny fahafahana ara-pivavahana, ary
misakana izay rehetra mety ho fana-paritahana ny foto-pinoana nohavaozina. Toa
saika potika ny fanantenan’ izao tontolo izao. Hanaiky ny didy ve ireo
andriandahy? Ho tapenana tsy hahatratra ny olona marobe mbola ao amin’ ny
haizina ve ny fahazavan’ ny Filazantsara? Zava-dehibe indrindra no ho vokatr’
izao ho an’ izao tontolo izao. Nifamory ireo nanaiky ny finoana nohavaozina ka
izao no fanapahan-kevitra lanin’ny rehetra; «Holavintsika ny didy. Rehefa
mikasika ny feon’ ny fieritreretana, dia tsy manan-kery ny maro an’ isa». Merle
d’Aubigné, Tantaran’ ny Fanavaozam ara-pivavahana, b. 13, toko 5.
Tokony hotazonina mafy io foto-kevitra io amin’ izao andron-tsika izao.
Amin’ izao ady farany izao, dia nafindra eto am-pelatanantsika ilay fanevan’ ny
fahamarinana sy ny fahafahana ara-pivavahana nasandratr’ ireo nanorina ny
fiangonan’ ny Filazantsara avo sy ireo vavolombelon’ Andriamanitra nandritra
ireo taonjato maro efa lasa hatramin’ izay. Mipetraka amin’'ireo izay notahin’
Andriamanitra tamin’ ny fahalalana ny teniny ny andraikitra mikasika io
fanomezana lehibe io. Tokony hoekentsika ho fandaminana avy amin’
Andriamanitra ny fitondram-panjakan’ olombelona, ka hampianatra ny
fankatoavana azy ho adidy masina, eo amin’ ny faritra mifanaraka amin’ ny lalàna
isika. Rehefa' manohitra ny fitakian’ Andriamanitra kosa ny fitakiany, dia
Andriamanitra no tsy maintsy ekena mihoatra noho ny olona, ny tenin’ Andria-
manitra no tsy maintsy ekena fa ambonin’ ny lalàna rehetra nataon’ olombelona.
Tsy azo ialana ny «izao no lazain’ i Jéhovah» ho solon’ ny hoe «izao no lazain’
ny fiangonana» na ny hoe «izao no lazain’ ny fanjakana». Tokony hasandratra
ambonin’ ireo diademan’ ny manam-paliefana eto an-tany ny satroboninahitr’ i
Kristy. Tsy asaina mihantsy ny manam-pahefana isika. Tokony hoheverina tsara
ny tenintsika, na ny lazaina na ny soratana, sao mametraka antsika eo amin’ ny
toerana izay hilazana fa toa manohitra
62
ny lalàna sy ny filaminana ny teny ataontsika. Tsy tokony hiteny na hanao zavatra
izay hanidy ny lalana tsy amin’ ny antony isika. Tokony handroso amin’ ny
anaran’ i Kristy isika, ka hiaro ireo faha-marinana nankinina tamintsika. Raha
raran’ ny olona hanao io asa io isika, amin’ izay isika dia afaka hiteny tahaka ny
apostoly hoe: «Tsaraonareo na marina eo anatrehan’ Andriamanitra, na tsia, ny
hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. Fa izahay tsy maintsy milaza izay
zavatra efa hitanay sy renay ».

63
7

Fampitandremana amin’ny fihatsaram-belatsihy

Raha nitory ny fahamarinan’ ny Filazantsara tao Jerosalema ny mpianatra,


dia nanamafy ny tenin’ izy ireo tamin’ ny vavolombelona Andriamanitra âry
maro no nino. Maro tamin’ ireo mpino voalohany no tafasaraka avy hatrany
tamin’ ny havana aman-tsakaizany noho ny hafanam-po diso toerana nasehon’ ny
Jiosy, ka tsy maintsy nomena sakafo sy tafo ialofana izy.
Hoy ny teny hoe: «Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy», ary lazainy izay
fomba namenoana ny banga. Ny mpino nanam-bola sy fananana dia nahafoy
izany tamim-pifaliana ho entina misetra ny zava-manahirana. Namidiny ny
tranony na ny taniny, nentiny ny vola ka napetrany teo an-tongotry ny apostoly,
« dia nozaraina tamin’ izy rehetra araka izay nilainy avy ».
Vokatry ny firotsahan’ ny Fanahy io fahalalahan-tariana teo amin’ ny
mpino io. Niray fo sy saina ireo voaova fo nanaraka ny Filazantsara. Zavatra iray
no nahaliana sy nifehy azy, dia ny fahom-biazan’ ny iraka nankinina taminy; koa
tsy nisy toerana ho an’ ny fitsiriritana teo amin’ ny fiainany. Lehibe noho ny
fitiavany vola aman-karena ny fitiavany ny rahalahiny sy ny safidy niandaniany.
Vavolombelona ny asany fa noheveriny ho sarobidy lavitra noho ny harenà eto
an-tany ny fanahin’ ny olona.
Ho toy izany hatrany rehefa manjaka ao amin’ ny fiainana ny Fanahin’
Andriamanitra. Izay manana ny fony feno ny fitiavan’ i

Mifototra amin’ ny Asa 4 : 32 ka hatramin’ ny Asa 5 : 11 ity toko ity.


5 — Vavolombelona Mahery
65
Kristy, dia hanaraka ny ohatr’ Ilay nanjary mahantra, mba hampanan-karena
antsika ny fahantrany. Ny vola, ny fotoana, ny hery miasa mangina dia samy
fanomezana noraisiny avy eo ani-pelatanan’ Andriamanitra ary tsy hisy vidiny
izany raha tsy ampiasaina ho fitaovana hoenti-mampandroso ny asan’ ny
Filazantsara. Toy izany ny tao amin’ ny fiangonana voalohany; ary rehefa hita ao
amin’ ny fiangonana ankehitriny fa nanala ny fitiavany tsy ho eo amin’ ny
zavatra eo amin’ izao tontolo izao ny mambra noho ny herin’ ny Fanahy, ka
sitrapony ny hanao fahafoizan-tena mba hahazoan’ ireo mpiara-belona aminy
mandre ny Filazantsara, amin’ izay dia hanan-kery indrindra amin’ ny mpihaino
ireo fahamarinana notorina.
Nivandravandra ny fahasamihafana nisy tamin’ ny ohatry ny fahalalahan-
tanana nasehon’ ny mpino, sy ny fihetsik’ i Ananiasy sy Safira. Araka ny
nosoratan’ ny penina notarihin’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia namela
pentina mainty teo amin’ ny tantaran’ ny fiangonana voalohany, ny
fanandramana nataon’ izy mivady ireo. Ireo nisora-tena ho mpianatra dia niara-
nandray tombon-tsoa handre ny Filazantsara notorin’ ny Apostoly, niaraka tamin’
ireo hafa koa. Nanatrika teo niaraka tamin’ ireo mpino hafa izy rehefa nivavaka
ny apostoly ka « nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy
Masina izy rehetra»i. Resy lahatra lalina izay rehetra nanatrika teo, ka noho ny
hery miasa mangina mivantana avy amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nanao
voady i Ananiasy sy Safira fa hanome ho an’ i Jéhovah ny vola vidin’ ny taniny
iray.
Rehefa afaka izany dia nampalahelo ny Fanahy Masina i Ananiasy sy
Safira tamin’ izy nilefitra tamin’ ny fihetseham-po feno fitsiriritana. Nanomboka
nanenina ny amin’ ny zavatra nampanantenainy izy, ka vetivety dia very ilay hery
mamy niasa mangina ho fitahiana izay nanafana ny fony tamin’ ny faniriana
hanao zava-dehibe ho an’ ny asan’ i Kristy. Noheveriny fa maimaika loatra
izy, fa tokony hiverenany hasiana fiheverana ny fanapahan-keviny.
Nifampidinika izy ka nanapa-kevitra fa tsy hotanterahiny ny voadiny. Hitany
anefa fa nomem-boninahitra teo amin’ ny mpino ireo izay nizara ny fananany
mba hanome izay ilain’ ny rahalahiny mahantra kokoa; menatra àry izy mivady
hampahafantatra ny rahalahiny fa nanenenan’ ny fanahiny feno fitiavan-tena izay,
natokany tamin’ny fomba manetriketrika ho an’ Andriamanitra, koa ninia
nanapa-
1) Asà 4 : 31
66
kevitra hivarotra ny taniny izy, ka hihambo fa manome izay rehetra vidin’ izany
ao amin’ ny tahirim-bolan’ ny besinimaro, nefa ny tena marina dia hisy ampahany
betsaka hotehiriziny ho an’ ny tenany. Amin’ izay dia ho azony antoka ny
fivelomany avy amin’ ny kitapo iombonana sady homem-boninahitra eo amin’
ny rahalahiny izy.
Halan’ Andriamahitra anefa ny fihatsarambelatsiny sy ny lainga. Namitaka
i Ananiasy sy Safira teo amin’ ny fifandraisany tamin’Andriamanitra; nandainga
tamin’ ny Fanahy Masina izy, ary novaliana tamin’ ny fitsarana haingana sady
lozabe ny fahotany. Rehefa tonga nitondra ny fanatitra Ananiasy, dia hoy i Petera
taminy; «Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin’ ny
Fanahy Masina ka hanafîna ny vola sasany vidin’ ny tany? Fony tsy namidy, tsy
anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovana izay sitraponao koa
va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao hianao? Tsy nandainga tamin’ olona
hianao, fa tamin’ Andriamanitra».
«Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny
ainy, dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany».
«Fony. tsy namidy, tsy anao ihany va izy? » hoy i Petera nanontany. Tsy misy
hery tsy ara-drariny nampiasaina mangina hanery an’ i Ananiasy hanao sorona
ny fananany ho tombontsoan’ny besinimaro. Safidy no nanosika azy, Nefa
nandainga tamin’ ny Tsitoha izy tamin’ ny niezahany hamitaka ny mpianatra.
«Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy
fantany izay efa nanjo teo. Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko; Izany ihany va
no vola vidin’ ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany. Ary hoy Petera
taminy: nahoana hianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ ny Tompo?
Indro, eo am-baravarana ny tongotr’ izay nandevina ny vadinao, ary hitondra
anao hivoaka koa izy. Dia nikarapoka teo anoloan’ ny tongony niaraka tamin’
izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary
nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan’ ny lahy. Dia raiki-tahotra indrindra ny
fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany ».
Hitan’ Ilay Fehendrena tsy hita fetrà fa nilaina io fanehoana miezinezina
ny fahatezeran’ Andriamanitra io, mba hiarovana ilay

67
fiangonana tanora tsy hitotongana eo amin’ ny ara-pitondrantena. Nitombo
haingana ny isany. Nety ho notandindomin-doza ny fiangonana raha nitombo
haingana ny niova fo, ka nanampy azy ny lehilahy sy ny vehivavy izay nisora-
tena ho manonapo an’ Andriamanitra, nefa miankohoka amin’ i Mamôna.
Vavolombelona io fitsarana io fa tsy azon’ ny olona atao ny mamitaka an’ Andria-
manitra, fa mahita ny fahotana miafina ao am-po Izy ka tsy azo vazivazina. Natao
ho fampitandremana ho an’ ny fiangonana izany sy hitarika azy handositra ny
fitaka sy ny fihatsarambelatsihy, ary hitandrina sao mandroba an’ Andriamanitra.
Tsy ny fiangonana voalohany ihany, fa ireo taranaka ho avy rehetra koa no
nomena io ohatry ny fankahalan’ Andriamanitra ny fitsiriritana, ny, fitaka ary ny
fihatsarambelatsihy - io mba ho fanambarana loza mitatao. Ny fitsiriritana no
nankafizin’ i Ananiasy sy Safira voalohany. Ny faniriany hitana ho an’ ny tenany
ampahany amin’ izay nampanantenainy an’ i Jéhovah, no nitarika azy ho amin’
ny fitaka sy ny fihatsarambelatsihy.
Nataon’ Andriamanitra miankina amin’ ny asa sy ny fanomezana ataon’
ny vahoakany ny fitoriana ny filazantsara. Ny fanomezana an-tsitrapo sy ny
ampahafolony no fidiram-bola ho an’ i Jehovàh. Misy ampahany takin’
Andriamanitra amin’ ny vola nankinina tamih’ ny olona, dia ny ampahafolony
izany. Mamela malalaka ny rehetra Izy hilaza, na hanome mihoatra noho io na
tsia. Nefa rehefa hetsehin’ ny hery miasa mangina avy amin’ ny Fanahy Masina
ny fo, ka nanao voady hanome tonom-bola iray, dia tsy manana zo intsony amin’
ny ampahany natokana ilay nanonona voady. Ny teny fampanantenana toy izany
atao amin’ ny olona dia azo heverina ho toy ny mamatotra, ary moa ve tsy
mamatotra kokoa izay atao amin’ Andriamanitra? Moa ve ny teny
fampanantenana atao ao amin’ ny feon’ ny fieritreretana tsy mamatotra noho ny
fanekena voasoratra atao amin’ olombelona?
Rehefa mamirapiratra ao am-po amin’ ny fahazavana sy ny hery manokana
ny fahazavana avy amin’ Andriamanitra, dia mivaha ny famatbran’ ny fitiavan-
tena mahazatra, ka misy toe-tsaina vonona hanome ho an’ ny asan’
Andriamanitra. Kanefa, aoka tsy hisy hihevitra fa ho azony atao ny hanatanteraka
ny teny fampanantenana nataony ka tsy hisy fanoherana ataon’ i Satana. Tsy tiany
ny mahita ny fanjakan’ ny Mpanavotra tafaorina eto an-tany. Asosany ny hevitra
fa tafahoatra loatra ny voady atao, ka mety hanimba azy eo amin’ ny

68
ezaka ataony hahazoana fananana na hanomezana fahafaham-po ny fanirian’ ny
fianakaviana izany.
Andriamanitra no mitahy ny olona amin’ ny fananana, ary ataony izany
mba hahazoany manome ho fampandrosoana ny asany. Mandefa ny tanama-
soandro sy ny ranonorana Izy. Mampamony ny zava-maniry Izy. Avy amin’ ny
tanany feno fahasoavana ny fitahiana rehetra amintsika. Ho setrin’ izany, dia
tiany kosa raha mba maneho fankasitrahana ny lehilahy sy ny vehivavy ka
mamerina Aminy ny ampahany eo amin’ ny ampahafolony sy ny fanatitra, ho
fanatitra an-tsitrapo, ho fanati-pihavanana. Raha mitobaka ao amin’ny tahiry
araka io drafitra notendren’ Andriamanitra io ny vola, dia ny ampahafolon’ ny
miditra rehetra, sy ireo fanatitra an-tsitrapo, — dia ho betsaka ny vola hoenti-
mampandroso ny asan’ i Jéhovah.
Mihamafy anefa ny fon’ ny olona noho ny fitiavan-tena, ary tahaka an’ i
Ananiasy sy Safira, dia alaim-panahy izy, hitana ampahany amin’ ny vidiny, nefa
mihambo ho manatanteraka izay angatahin’ Andriamanitra. Maro no
mandanilany vola amin’ ny fanomezana fahafaham-po ny tenany. Manontany ny
tenany ny amin’ izay mahafinaritra azy ny lehilahy sy ny vehivavy ary manome
fahafaham-po ny tenany amin’ izay tiany, nefa fanatitra feperana no entiny ho an’
Andriamanitra, ary saika tsy araka ny nahim-pony izany. Hadinony fa ho avy ny
andro izay hampamoahan’ Andriamanitra mazava aminy ny fomba nampiasany
ny fananany, ka tsy hoekeny intsony ny variraiventy fitondrany ao amin’ ny
tahiry, toy ny tsy nanekeny ny fanatitra nentin’ i Ananiasy sy Safira.
Ny famaizana hentitra nampiharina tamin’ ireto olona tsy nitana ny
voadiny no entin’ Andriamanitra mampianatra antsika koa ny halalin’ ny
fankahalany sy ny faharikorikoany izay rehetra mety ho fihatsarambelatsihy sy
fitaka. Nandainga tamin’ ny Fanahy Masina i Ananiasy sy Safira tamin’ ny
nihamboany fa nanome ny vola rehetra izy, ka ny vokatr’ izany, dia veriny izao
fiainana izao sy ny fiainana ho avy. Ilay Andriamanitra nanasazy azy ireo ihany
no mbola mana-meloka ny fitaka rehetra kôa ankehitriny. Fahavetavetana eo
imasony ny molotra mandainga. Lazainy fa «tsy mba hiditra ao (amin’ ny tanàna
masina) mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga»2.
Aoka tsy hiraviravy tanana na hamikitra amin’ ny fisalasalana rehefa milaza ny
marina. Aoka hanjary fiainana izany
2) Apok. 21 : 27

69
Ny manao fitàn-droa amin’ ny fahamarinana sy ny manafinafina izany mba
hifanaraka amin’ ny drafitra ataon’ ny tena feno fitiavan-tena dia midika ho
faharendrehan’ ny finoana toy ny vaky sambo. «Mifahara ary, ka sikino
fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra»3. Izay
miteny zavatra tsy marina dia manao varo-boba ny fanahiny. Mety toa mahasoa
eo amin’ ny toe-javatra mahamaika ny laingany, amin’ izay dia toa manafaingana
ny asa izy, izay zavatra tsy ho vita raha manara-dalàna; nefa amin’ny farany dia
ho tonga eo amin’ ny toerana izay tsy ahazoany matoky na iza na iza izy.
Mpamitaka ny tenany izy, ary tsy afaka hatoky ny tenin’ ny hafa.
Raha ny momba an’ i Ananiasy sy Safira, dia nofaizina haingana ny
fahotany namitaka an’ Andriamanitra. Io fahotana io ihany no niverimberina
matetika tao amin’ ny tantaran’ ny fiangonana taty aoriana, ary maro no manao
toy izany koa amin’ izao androntsika izao. Nefa na dia tsy arahin’ ny fisehoan’
ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra mivantana aza izany, dia mbola
maharikoriko eo imasony ankehitriny, tsy latsaka noho ny tamin’ ny andron’ ny
Apostoly. Nomena ny fampitandremana; nasehon’ Andriamanitra mazava ny
fankahalany io fahotana io; ary izay rehetra milefitra amin’ ny
fihatsarambelatsihy sy ny fitsiriritana dia mahazo antoka fa manapotika ny
fanahiny.

3) EJes. 6 : 14

70
8

Teo anatrehan’
ny Synedriona

Ny hazo fijaliana, ilay fitaovana mahamenatra sy fampijaliana, no nitondra


fanantenana sy famonjena ho an’ izao tontolo izao. Olon-tsotra ihany ny
mpianatra, tsy nanan-karena, ary tsy nanam-piàdiana afa-tsy ny tenin’
Andriamanitra; nefa nandeha- tamin’ ny herin’ i Kristy sy nilaza ilay tantara
mahagagan’ ny fihinanam-bilona sy ny hazo fijaliana, ka nandresy ny fanoherana
rehetra. Tsy nanana ny voninahitry ny tany naneken’ izao tontolo izao izy. Olo-
manga anefa izy eo amin’ ny finoana. Nivoaka avy tamin’ ny molony ny teny
tsara lahatra avy tamin’ Andriamanitra, izay nanozongorona an’ izao tontolo izao.
Tao Jerosalema, izay nisy hevitra nibahana lalina indrindra tao am-po, sy
nanjakan’ ireo hevitra tsy mazava indrindra mikasika an’ Ilay nohomboana
tamin’ ny hazo fijaliana toy ny ratsy fanahy, tao no nitohy nanambara tamin-
kasahiana ny tenin’ ny fiainana ny mpianatra, ka napetrany teo anatrehan’ ny
Jiosy ny asa nataon’ i Kristy sy ny nanirahana Azy, ny nanomboana Azy tamin’
hy hazo fijaliana, ny nitsanganany tamin’ ny maty sy ny niakarany tany
an-danitra. Gaga ny mpisorona sy ny mpanapaka nandre ny teny vavolombelona
mazava sy sahy nataon’ ny Apostoly. Nilatsaka tamin’ ny mpianatra ny hery
nanangana ny Mpamonjy tamin’ ny maty ary ny asany dia narahin’ ny fahagagana
sy famantarana izay nampi-

Mifototra amin’ ny Asan’ ny Apostoly 5 : 12 - 42 ity toko ity.


71
tombo isan’ andro ny isan’ ny mpino. Nentin’ ny olona teo amin’ny sisin’ ny
arabe handalovan’ ny mpianatra ny marariny ka «napetrany teny ambony farafara
sy fandriana, mba hisy ho azon’ ny tandindon’ i Petera ahay, raha mandalo izy».
Nentina teo koa ireo nampijalian’ ny fanahy maloto. Nitangorona nanodidina azy
ny olona, ary nanandratra ny feony hidera sy hanome voninahitra ny anaran’ ny
Mpanavotra, izay sitrana.
Hitan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka fa nasandratra amboniny Kristy.
Romotra ny Sadoseo izay tsy nino ny fitsanganana amin’ ny maty, raha nandre
ny apostoly nanambara fa efa nitsangana tamin’ ny, maty Kristy; tsapan’ izy ireo
fa raha havela hitory ny amin’ ny Mpamonjy natsangana tamin’ ny maty ny
Apostoly, ka hanao fahagagana amin’ ny Anarany, dia hotsipahin’ ny rehetra ny
foto-pinoana milaza fa tsy misy fitsanganana amin’ ny maty, ka vetivety
dia ho faty ny antokon’ ny Sadoseo. Tezitra ny Fariseo raha naha-tsikaritra fa
mirona hamongotra ny fanompoam-pivavahana jiosy ny fampianaran’ ny
mpianatra, ka hahatonga ireo fanatitra atolotra tsy hahan-kery.
Hatramin’ izao dia tsy nisy vokany ny ezaka rehetra natao hoenti-
manafoana io fampianarana vaovao io; ankehitriny anefa samy nanapa-kevitra ny
Sadoseo sy ny Fariseo fa tokony hajanona ny asan’ ny mpianatra, satria
manaporofo ny fahamelohany tamin'ny fahafatesan’ i Jesosy izany. Feno
hatezerana ny mpisoron? Ka nahery setra tamin’ i Petera sy Jaona ary nanao azy
tao an-trano-maizina.
Niharihary ny tsy fahombiazan’ ireo mpitarika teo amin’ ny Jiosy tamin’
ny tsy nahatanterahany ny fikasan’ Andriamanitra ho an’ ny vahoaka nofidiny.
Nasehon’ ireo nametrahan’ i Jéhovah ny fahamarinana fa tsy natoky tamin’ izay
nankinina taminy izy, ka nifidy olon-kafa Andriamanitra hanao ny asany. Jamba
ireto mpitarika ireto, ka ankehitriny izy nanome vahana an’ izay nolazainy
fa fahatezerana ara-drariny, tamin’ ireo izay nandà ny foto-pinoana
nankamamian’ izy ireo. Tsy nekeny na ny hoe mety ho tsy nahazo mazava tsara
ny teny anie ny tenany, na hoe diso ny fandraisany na ny fampiharany ny Soratra
Masina. Toy ny olona very saina ny fihetsiny. Mba inona moa no zo sy fahefana
ananan’ ireto mpampianatra ireto, hoy izy, izay tsy inona akory fa mpanarato ny
sasany amin’ izy ireo, no hampiseho hevitra mifanohitra amin’ ny foto-
pinoana izay nampianarintsika ny vahoaka? Tapa-kevitra ny

72
hanafoana ny fampianarana ireo hevitra ireo izy ka nataony an-trano-maizina izay
nitondra azy.
Tsy natahotra na kivy tamin’ izay natao taminy ny mpianatra.
Nampahatsiahivin’ ny Fanahy Masina taminy. ny teny nataon’i Kristy: «Ny
mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy Izy, dia hanenjika
anareo koa; ary raha mitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. Fa
izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala
Izay naniraka Ahy izy». «Handroàka anafeo hiala amtn’ ny synagoga izy;
eny, ho avy ny andro, ka hataon’ izay rehetra mamono anareo fa manatitra
fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitra izy». «Fa izany teny izany efa
nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo rehefa tonga ny fotoan! androny, fa
Izaho efa nilaza izany taminareo »1.
Ny Andriamanitry ny lanitra, Ilay Mpifehy mahery an’izao rehetra izao,
no nandray an-tanana ny nanaovana am-ponja ny mpianatra, satria miady
hanohitra ny asany ny olona. Novohan’ ny anjelin’ i Jéhovah ny varavaran’ ny
tranomaizina nony alina, dia niteny tamin’ ny mpianatra Izy hoe; «Mandehana,
ka mitsangàna ary mitoria amin’ ny vahoaka eo an-kianjan’ ny tempoly ny teny
rehetra milaza izany fiainana izany». Nifanohitra mivantana tamin’ny baiko
nomen’ ny mpifehy jiosy io baiko io, nefa moa ve ny apostoly niteny hoe: «Tsy
afaka hanao izany izahay raha tsy manontany ny mpitsara sy omeny alalana
aloha? Tsia, niteny Andriamanitra hœ: «mandehana», dià nankato izy. «Niditra
maraina koa teo an-kianjan’ ny tempoly izy ka nampianatra».
Rehefa niseho teo amin’ ny mpino i Petera sy Jaona ka nitantara ny fomba
nitarihan’ ny anjely azy mivantana, nanavatsava ireo miaramila mpiandry
raharahan’ ny tranomaizina, ary nibaiko azy hanohy ny asa nahato, dia feno
hagagana sy fifaliana ny rahalahy.
Nandritra izany fotoana izany dia nampiangona ny Synedriona sy ny
loholona rehetra tamin’ ny Zanak’ Isiraely «ny mpisoronabe sy ireo niaraka
taminy». Nanapa-kevitra ny hanameloka ny mpianatra ho mpikomy ny
mpisorona sy ny mpanapaka, ny hiampanga azy ho namono nahafaty an’ i
Ananiasy sy Safira, ary ho nioko hanala ny fahefan’ ny mpisorona. Nantenainy
hitroatra ireo faikan’ olona, ka handray an-tanana izao toe-javatra izao ary hanao
amin’ ny mpianatra izay efa nataony tamin’ i Jesosy koa. Fantany tsara fa amin’
ireo izay tsy manaiky ny fampianaran’ i Kristy, dia misy sasany

1) Jaona 15 : 20, 21 ; 16 : 2, 4 73
izay efa trotraky ny fitondram-panjakana tsy ara-drariny nataon’ireo manam-
pahefana Jiosy, no nitebiteby ka nitady fahafahana. Natahotra ny mpisorona fa
raha manatky ny fahamarinana notorian’ny apostoly ireb tsy afa-po ireo, ary
niandray an’ i Jesosy ho Mesia, dia hifongatra amin’ ny mpitarika ara-pivavahana
ny fahatezeran’ny vahoaka manontolo, ka hampamoaka azy ny amin’ ny namo-
iioany nahafaty an’ i Kristy. Nanapa-kevitra ny handray fepetra henjana izy
hanakanana izany.
Rehefa nampiantso ny mpifatotra ho entina eo anatrehany izy, dia akory
ny hagagany raha nandre ny fanambarana fa hita ho nihidy mafy ny varavaran’
ny tranomaizina ary ny mpiambina nijoro teo anoloany, nefa tsy hita na aiza na
aiza ny mpifatotra.
Vetivety dia tonga ny tatitra nahazendana: «Ireny lehilahy izay nataonareo
tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo ankianjan’ ny tempoly
ka mampianatra ny olona. Dia lasa ny lehiben’ ny mpiambina sy ny mpiandry
raharaha, ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahbaka izy,
fandrao hotorahany vato ».
Na dia tafavoaka tamin’ ny fomba mahagaga avy tao an-trano-maizina aza
ny apostoly, dia tsy afaka tamin’ ny fanadihadiana sy ny famaizana izy tsy akory.
Hoy Kristy fony Izy teo aminy: «Fa mitandrema hianareo, fa hatolotra amin’ ny
synedriona»2. Toky ny amin’ ny fitiavany sy antoka ny amin’ ny fanatréhany no
nomen’ Andriamanitra tamin’ ny nandefasany anjely hanafaka azy. Anjarany
izao ny mijaly ho an’ Ilay filazantsara toriny.
Betsaka ny ohatra ambony amin’ ny fahatokiana an’ Andriamanitra eo
amin’ ny tantaran’ ny mpaminany sy ny Apostoly. Niaritra fanaovana an-
tranomaizina, fampijaliana, ary fahafatesana mihitsy aza ireo vavolombelon’ i
Kristy ireo, toy izay handika ny didin’ Andriamanitra. Nampiseho herim-po
tahaka izany teo amin’ny fanaparitahana ny filazantsara ny tatitra navelan’ i
Petera sy Jaona. Raha nijoro fanindroany teo anatrehan’ ny olona izay nilofo
hamongotra azy izy, dia tsy nahitana tahotra na fihambahambana teo amin’ ny
teniny na ny fihetsiny. Ary rehefa niteny ny mpisoronabe hoe: «Efa noraranay
mafy dia mafy hianareo tsy hampianatra amin’ izany anarana izany; kanjo, indro,
efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema; ka tianareo hankinina aminay
ny ran’ Izany Lehilahy izany», dia namaly i Petera ka nanao hoe;
2). Marka 13 : 9
74
«Andriamanitra no tokony hoekena mihoatra noho ny olona». Anjely avy
any an-danitra no nanafaka azy avy tao an-tranomaizina ka nibaiko azy
hampianatra ao amin’ ny tempoly. Nankato ny baikon’ Andriamanitra izy tamin’
ny fanarahana ny baikon’ ilay anjely, ary izany no tsy maintsy hotohizany hatao
na toy inona na toy inona no vidin’ izany aminy.
Dia tonga tamin’ ny mpianatra ny Fanahy nanindrimandry azy; ny
voampanga indray no nanjary mpiampanga, ka nanameloka ny synedriona ho
namono nahafaty an’ i Kristy. « Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’
i Jesosy, hoy i Petera nanambara, Izay novonoin’ ny tànanareo nahantonareo teo
amin’ ny hazo. Izy nasandratry ny tànana an-kavanan’ Andriamanitra ho Tompo
sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’ ny Isiraely.
Ary izahay dia vavolombelon’ izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa,
Izay efa nomen’ Andriamanitra ny manaiky Azy».
Romotra indrindra ny Jiosy nandre ireo teny ireo, ka nanapa-kevitra izy
handray an-tanana ny lalàna ary tsy hisy fitsarana na hisy ny fahefan’ ireo
manam-boninahitra Romàna, fa hovonoina ho faty ny mpifatotra. Efa meloka
tamin’ ny ran’ i Kristy izy ireo ka mora taminy izao ny handoto ny tanany amin’
ny ran’ ny mpianany,
Nisy olona iray anefa tao amin’ ny synedriona, nahatsapa fa feon’
Andriamanitra no reny teo amin’ ny teny nataon’ ny mpianatra. Gamaliela io,
Fariseo tsara laza sady lehilahy manam-pahaizana no ambony toerana. Nazava
saina izy ka hitany fa hitarika vokany mahatsiravina ny dingana feno herisetra
novinavinain’ ny mpisorona. Nangatahiny havoaka aloha ny mpifatotra vao
niteny tamin’ ireo nanatrika teo izy. Fantany tsara ireto olona hifampi-
raharahany; fantany fa tsy hisalasala hanatanteraka ny fikasany ireo izay namono
an’ i Kristy.
Sady nandanjalanja izy no tony ary niteny ka nanao hoe: «Ry lehilahy
Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin’ ireo olona ireo. Fa nitsangana
fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efajato no isan’ ny
lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky
azy ka tonga tsinontsinona. Ary nanarakaraka azy indray, tamin’ ny andro nano-
ratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia, ary izy nitaona olona
hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka

75
nihahaka izay rehetra nanaiky azy. Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo;
Mandefera amin’ ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin’ olona
izao saina na asa izao dia ho foana; fa raha avy amin’ Andriamanitra kosa izao,
dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin’ Andriamanitra
hianareo».
Hitan’ ny mpisorona ny fahendren’ izany fomba fijery izany, ka voatery
nanaraka an’ i Gamaliela izy. Zara raha voasakana anefa ny hevitra nibahana tao
am-pony sy ny fankahalany. Dia nalefany tsy araka ny nahim-pony riy mpifatotra
rehefa nokapohiny, sady norarany indray tsy hitory teny intsony amin’ ny anaran’
i Jesosy fa hampidi-doza ny ainy izany. «Ary ireo dia niala teo anatrehan’ ny
Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra ny fahafaham-
baraka ho voninahitr’ izany anarana izany. Ary tsy nitsahatra nampianatra sy
nitory an’ i Jesosy Kristy, isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly sy tao an-trano
izy ».
Fotoana fohy talohan’ ny nanomboana Azy teo amin’ ny hazo fijaliana
Kristy dia nanolotra- hàfatry ny fiadanana ho an’ ny mpianatra. «Fiadanana no
avelako ho anareo, hoy Izy, ny fiadanako no omeko anareo; tsy fahaka ny
fanomen’ izao tontalo izao no fanomeko' anareo. Aza niahalelo na matahotra ny
fonareo»3. Io fiadanana io dia tsy fiadanana azo amin’ ny fanarahana an’ izao
tontolo izao. Tsy nikatsaka fiadanana na oviana na oviana amin’ ny firaisana
tsikombakomba amin’ ny fatsy mihitsy Kristy. Ny fiadanana izay navelan’ i
Kristy ho an’ ny mpianany dia anaty fa tsy ivelany, ary hitoetra mandrakariva
amin’ ny vavolombelony ao anatin’ ny tolona sy ny ady.
Hoy Kristy ny amin’ ny tenany; «Ary aza ataonareo fa tonga hitondra
fiadanana ambonin’ ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa sabatra»4,
Ilay Andrianan’ ny Fiadanana ihany, no mbola anton’ ny fisarahana koa. Ilay
tonga nitory ny vaovao mahafaly sy namorona fanantenana sy fifaliana ao am-
pon’ ny zanaky ny olombelona, no nanokatra sy nampirongatra firehetam-po
mivaivay ao am-pon’ ny olombelona. Koa mampitandrina ny mpanaraka Azy Izy
hoe: «Aty amin’ izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana». «Hisambotra anareo
izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ ny synagoga sy ao an-
tranomaizina, ka hoentina eo anatrehan’ ny mpanapaka hianareo noho ny
anarako... Ary
3) Jao. 14 :27 4) Mat. 10 : 34
76
Natolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-
tsakaiza hianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny »5.
Tanteraka tamin’ ny fomba miavaka io faminaniana io. Ny toetra tsy
mendrika rehetra, ny fanomézan-tsiny sy ny habibiana izay azon’ i Satana
hitarihana ny fon’ olombelona hovisavisaina, dia nihatra tamin’ ny mpanaraka
an’ i Jesosy avokoa. Ary mbola ho tanteraka indray amin’ ny fomba miavaka
izany ankehitriny; mbola mandrafy ny lalàn’ Andriamanitra mantsy ny fo ara-
nofo, ka tsy hilefitra amin’ ny baikony. Tsy mifandrindra kokoa amin’ ny foto-
kevitr" i Kristy mihoatra noho ny tamin’ ny andron’ ny Apostoly izao tontolo izao
ankehitriny. Ilay fankahalana nampiloaka ny antso-antso hoe: «Homboy!
homboy! », mbola io fankahalana io ihany izay nitarika ny fanenjehana ny
mpianatra, no mbola miasa ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana. Ilay toe-
tsaina izay nampiditra am-ponja lehilahy sy vehivavy tamin’ ny taona
Antenantenany nanjakan’ ny haizina, nitondra azy an-tsesitany sy nampamono
azy, izay namorona ireo fampijaliana loza indrindra tamin’ ny «Inquisition», izay
namolavola sy nanatanteraka ny vonoan’ olona tamin’ ny St-Barthélémy, ary izay
nàmelona ny afo tao Smithfield, izany toe-tsaina izany no mbola miasa amin’ ny
hery manimba ao amin’ ny fo tsy voaova. Tatitra momba ny ady nifanaovan’ ny
tsara sy ny ratsy mandrakariva ny tantaran’ ny fahamarinana. Nandroso
hatrany teto amin’ ity izao tontolo izao ity ny fitoriana ny filazantsara niatrika ny
fanoherana, ny loza, ny fatiantoka ary ny fijaliana.
Inona no herin’ ireo niaritra fanenjehana ho an’ i Kristy tamin’ny lasa? Ny
firaisana amin’ i Kristy, ny firaisana amin’ ny Fanahy Masina, ny firaisana amin’
Andriamanitra. Nampisaraka ny maro tamin’ ny namana teto an-tany ny
fanomezan-tsiny sy ny fanenjehana fa tsy nampisaraka azy mihitsy tamin’ ny
fitiavan’ i Kristy. Ny tena maha-mamy indrindra ho an’ ny Mpamonjy ny fanahy
sedrain’ ny tafiotra dia izy mijaly amin’ ny fanomezan-tsiny noho ny faha-
marinana. «Izaho ho tia azy, hoy Kristy, ka hiseho aminy»6. Rehefa mijoro eo
amin’ ny fitsarana eto an-tany noho ny fahamarinana ny mpino, dia mijoro eo
anilany Kristy. Rehefa ahiboka ao anatin’ny rindrin’ ny tranomaizina izy, dia
miseho aminy Kristy ka mampi-faly ny fony amin’ ny fitiavany. Rehefa miaritra
ny fahafatesana noho Kristy izy, dia milaza aminy ny Mpamonjy hoe: «Afaka

5) Jao. 16 : 33 ; Lio. 21 : 12, 16 6) Jao. 14 : 21


77
hamono ny vataha izy, fa tsy afaka mandratra ny fanahy». «Matokia; Izaho efa
naharesy izao tontolo izao». «Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza
miherikarika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady
mamonjy anao; eny, mitantana ainao amin’ ny tànana an-kavanan’ ny
fahamarinako Aho»7.
«Izay matoky an’ i Jéhovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy
mihetsika, fa mitoetra niandrakizay. Tahaka ny tendrom-bohitra manodidina an’
i Jerosalema no anodidinan’ i Jéhovah ny olony hatramin’ izao ka ho
mandrakizay ». « Hanavotra ny fanahiny amin’ ny fampahoriana sy ny fanaovana
an-kehny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany » 8.
«Ary Jéhovah, Tompon’ ny maro, no hiaro ireny... ary hovonjen’ i Jéhovah
Andriamaniny ireny amin’ izany andro izany toy ny olona izay ondriny; fa ho toy
ny vaton-tsatroboninahitra mamirapiratra any amin’ ny taniny ireny»9.

7) Jao. 16 : 37 ; Isaia 41 : 10 8) Sal. 125 : 1, 2 ; 72 : 14


9) Zakaria 9 : 15, 16
78
9

Ny diakona fito

«Ary tamin’ izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ ny mpianatra, dia
ninionomonona tamin’ ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ ny
fiantrana isan’ andro ny mpitondra-tenany ».
Sokajin’ olona maro avy tamin’ ny firenen-tsamihafa ho tao amin’ ny
fiangonana voalohany. Tamin’ ny fotoana nirotsahan' ny Fanahy Masina tamin’
ny Pentekosta dia «nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy
tany amin’ ny firenena samy hafa rehetra ambanin’ ny lanitra»1. Tamin’ ireo
nandray finoana tamin’ ny Hebreo izay nivory tany Jerosalema dia nisy fantatra
tamin’ ny anarana hoe Helenista. Tsy nifampatoky hatry ny ela ary nifanohitra
mihitsy aza izy ireo sy ny Jiosy tao Palestina.
Ny fon’ ireo niova fo tamin’ ny asan’ ny apostoly dia nalefaka sy niray
noho ny fitiavana kristiana. Na dia nisy aza ireo hevitra nibahana tao an-tsaina
teo aloha, dia samy nifandrindra avokoa ny fiainan’ izy samy izy. Fantatr’ i
Satana fa raha mbola mitohy io firaisana io, dia tsy hanan-kery hanakana ny
fandrosoan’ ny faha-masinana entin’ ny filazantsara izy; niezaka àry izy hanar
araotra ireo fomba fisainana mahazatra teo aloha, ka nanantena ny ho afaka
hampiditra fampisarahana ao amin’ ny fiangonana amin’ izany.
Mifototra amin’ ny Asa 6 : 1 - 7 ity toko ity. 1) Asa 2 : 5

79
Koa izao no nitranga rehefa nitombo ny isan’ ny mpianatra; nahomby ny
fahavalo tamin’ ny famohazana fiahiahiana teo amin’ izay efa zatra teo aloha
nanopy maso feno fialonana tamin’ ny rahalahiny amin’ ny finoana sy nahita
fahadisoana teo amin’ ny mpitarika ara-panahy; kôa « nisy fimonomononana
tamin’ ny Hebreo sy ny Helenista ». Nolazaina fa ny antson’ ny fitarainana dia
ny antsirambina natao tamin’ ireo mpitondratena Helenista mikasika ny fizarana
fanampiana. Izay rehetra tsy fitoviana dia mifanohitra amin’ ny toe-tsain’ ny
Filazantsara. Nefa nahita fahombiazana i Satana tamin’ ny namohazahy
fiahiahiana. Tsy maintsy misy fepetra raisina avy hatrany ankehitriny mba
hanalana izay rehetra miteraka tsy fahafaham-po, sao mandresy ny fahavalo eo
amin’ ny ezaka ataony hampisarahana ny mpino.
Tonga teo amin’ ny fotoan-tsarotra ny mpianatr’ i Jesosy teo amin’ ny
fanandramany. Teo ambanin’ ny fitarihana hendry nataon’ny Apostoly, izay
niray hina teo amin’ ny asany teo ambanin’ ny Herin’ ny Fanahy Masina, dia
nandroso haingana ny asa nankinina tamin’ ireo mpitondra ny hafatry ny
filazantsara. Nihalehibe hatrany ny Fiangonana, koa io fitomboan’ ny isan’ ny
mambra io dia nampitondra entana mavesatra hatrany ny tompon’ andraikitra.
Tsy olona iray na antokon’ olona iray akory aza no afaka hitohy hitondra samirery
ireo enta-mavesatra ireo, ka tsy hampidi-doza ny hoavin’ ny fiangonana sy ny
fandrosoany. Nilaina ny fizaràna indray ireo andraikitra izay nozakain’ olom-
bitsy tamim-pahatokiana nandritra ireo andro voalohany teo amin’ ny fiangonana.
Dingana iray lehibe izao no tsy maintsy hataon’ ny apostoly amin’ ny
fanatanterahana ny rafitry ny Filazantsara ao amin’ ny fiangonana, ka
hametrahany amin’ ny hafa ny sasany amin’ ny enta-mavesatra izay nentin’ izy
ireo ela toy izany.
Niantso fivorian’ ny mpino ny Apostoly. Notàrihin’ ny Fanahy Masina izy
ireo raha nanao drafitra ho fandaminana tsaratsara kokoa ireo hery velona rehetra
ao amin’ ny fiangonana. Tonga ny fotoana, hoy ny teny, notapahin’ ny apostoly,
izay tokony hanamaivanana ireo mpitarika ara-panahy nanara-maso ny
fiangonana ho afaka amin’ ny adidy fizarana fanampiana ho an’ ny mahantra sy
ho afaka amin’ ny asa hafa toy izany, amin’ izay dia ho afaka hampandroso
ny asa fitoriana ny filazantsara izy. «Koa amin’ izany, ry rahalahy mizahà fito
lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba
hotendrenay hitandrina izany raharaha izany Fa izahay kosa haharitra amin’ ny
fivavahana sy hy fampianarana
80
Narahina io toro-hevitra io, ary natokana tamin’ ny fomba manetri-ketrika
tamin’ ny fivavahana sy ny fametrahan-tanana ireo olona fito voafidy hanao ny
adidiny amin’ ny maha-diakona azy.
Fitahiana lehibe ho an’ ny Fiangonana ny nanendrena ireo fito lahy ireo
hanara-maso ny asa voafaritra tsara. Samy voakarakaran’ ireo mpiandraikitra ireo
tsara avokoa, na izay ilain’ ny isam-batan’olona, na ireo tombontsoa ara-bola
ankapoben’ ny fiangonana, ka ny fahaizany mitantana amim-pahendrena sy ny
ohatra tsara izay nomeny, dia fanampiana lehibe ho an’ ireo mpiandraikitra niara-
niasa taminy teo amin’ ny fampiraisana «eo tombontsoa samihafa ao amin’ ny
fiangonana ho vondrona iray.
Nabaribarin’ ny voka-tsoa hita mivaingana avy hatrany ny maha
fandaminana avy amin’ Andriamanitra an’ io dingana io, « Dia nandroso ny tenin’
Andriamanitra ary nihamaro indrindra ny isan’ ny mpianatra tany Jerosalema, ary
maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana». Io fanangonana fanahy io dia
noho ny fahafahana bebe kokoa teo amin’ ny apostoly sy noho ny hafanam-po sy
ny fahefana nasehon’ ireo diakona fito lahy. Ny nanendrena an’ ireo rahalahy ireo
hanao asa manokana hijery izay ilain’ ny mahantra dia tsy nanakana azy tsy
hampianatra ny finoana tsy akory. Ny mifanohitra amin’ izany no izy. Nanana ny
fahaizana feno nilaina izy ho entina mampianatra ny hafa amin’ ny fahamarinaha,
ary nanao izany asa izany tamin-kafanam-po sy fahombiazana lehibe.
Asa miha-mivelatra hatrany no nankinina tamin’ ny fiangonana
voalohany, dia ny hanangana foiben’ ny fahazavana sy fitahiana, na taiza na taiza
nisy fanahy naniry marina ny hanolotra ny tenany hanompo an’ i Kristy. Tokony
hihitatra hanerana an’ izao tontolo izao ny fitoriana ny filazantsara, ary tsy afaka
hanantena hana-tanteraka io asany lehibe io ireo mpitondra hafatry ny hazo
fijaliana ireo, raha tsy miray eo amin’ ny fatoran’ ny firaisana kristiana, ka
nasehony tamin’ izao tontolo izao tamin’ izany fa iray amin’i Kristy ab amin’
Andriamanitra izy. Moa ve tsy nivavaka tamin’ ny Ray, Ilay Andriamanitra
Mpitarika Azy Izy nanao hoe; «Tehirizo ireo amin’ ny anaranao izay nomenao
Ahy mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika». Ary moa ve tsy
nanambara tamin’ ny mpianany Izy hoe: «Ary halan’ izao tontolo izao izy, satria
tsy naman’ izao tontolo izao? » Moa ve tsy nifona tamin’ ny Ray Izy mba ho
fanteraka ho iray izy? «mba hinoan’ izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy
»2. Niankina tamin’ ny fifandraisana
3) Jaona 17 : 11, 14, 23 , 21
6 — Vavolombelona Mahery 81
ety tamin’ Ilay naniraka azy hitory ny filazantsara ny fiainany sy ny heriny ara-
panahy.
Ny firaisany amin’ i Kristy ihany no nahazoan’ ny mpianatra nanantena ny
herin’ ny Fanahy Masina hiaraka aminy sy ny fiaraha-miasan’ ireo anjelin’ ny
lanitra. Ny fanampian’ ireo iraka avy any an-danitra ireo no ahazoany maneho
amin’ izao tontolo izao manda-tehezana miray, ka hampandresy azy eo arnin’ ny
ady tsy maintsy hatrehiny tsy an-kijanona amin’ ny herin’ ny maizina. Raha miray
hatrany izy eo amin’ ny asany, dia hialoha azy ireo mpitondra hafatry ny lanitra.
hanokatra ny lalana, ka ho voaomana ny fo handray ny fahamarinana, ary maro
no ho azo ho an’ i Kristy. Raha mbola mijanona ho iray izy, dia handroso ny
fiangonana «tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro, sady
mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva»3. Tsy misy na inona
na inona afaka hanakana ny fandrosoany hatrany. Hiroso avy amin’ ny fandresena
ho amin’ ny fandresena ny fiangonana, ka hanatanteraka amin’ ny fomba be
voninahitra ny hafatra avy amin' Andriamanitra hitory ny filazantsara amin’ izao
tontolo izao.
Ny fandaminana tao Jerosalema dia natao ho ohatra amin’ ny fandaminana
ny fiangonana eo amin’ ny toerana hafa rehetra ahazoan' ireo mpitondra hafatry
ny fahamarinana, olona niova fo ho amin’ ny filazantsara. Izay nomena
andraikitra hanara-maso ny fiangonana amin’ ny ankapobeny dia tsy hanjakazaka
amin’ ny lovan’ Andriamanitra, fa, amin’ ny maha-mpiandry ondry hendry azy,
dia «hiandry ny ondrin’ Andriamanitra ... ho fianaran’ ny ondry»4. Koa ny
diakona dia tokony ho «tsara laza, sady feno ny Fanahy sy fahendrena». Tokony
hiray hina hiandany amin’ ny marina ireo olona ireo ka ho mafy sy hohentitra
hitana izany. Amin’ izay dia hiray ny hery miasa mangina avy aminy eo amin’
ny andian’ ondry manontolo.
Taty aoriana, teo amin’ ny tantaran’ ny fiangonana voalohany, rehefa
nivondrona ho fiangonana ireo antokon’ ny mino maro teo amin’ ny faritra
samihafa eo amin’ izao tontolo izao, dia nohatsaraina indray ny fandaminana ny
fiangonana, mba hilamina sy hirindra hatrany ny asa. Namporisihina ny mambra
tsirairay hanao tsara ny anjarany. Samy tokony hampiasa tsara ny talenta
nankinina taminy
3) Ton. K. 6 : 10 4)1 Pet. 5 : 3
82
ny tsirairay. Nisy nomen’ ny Fanahy Masina fanomezam-pahasoavana
manokana. «Voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra,
manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti
manasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra»5.
Nefa tokony hirindra ny asa ataon’ ireo antokon’ asa rehetra ireo.
«Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny
Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny
Tompo dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra
dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin’ ny olona rehetra. Ary izy
rehetra dia samy nomena ny fampi-sehoana ny Fanahy hahasoa. Fa ny anankiray
nomen’ ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany
Fanahy izany ihany, ary ny anankiray finoana, amin’ izany Fanahy izany ihany,
ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-manasitrana, amin’ izany
Fanahy iray izany ihany, ary ny anankiray manao fahagagana, ary ny ahankiray-
ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny
anankiray ny miteny amin’ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny
mandika fiteny tsy fantatra. Ireo rehetra ireo dia asan’ ny Fanahy iray ihany,
zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony. Fa tahaka ny tena iray ihany,
anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro
aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy»6.
Miezinezina ireo andraikitra mipetraka amin’ izay antsoina ho Mpitarika
ao amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra eto an-tany. Tamin’ny andro naha-
mpanjaka mivantana an’ Andriamanitra, raha niezaka ny hitondra samirery ny
entana mavesatra indrindra i Mosesy, dia nampilofika azy izany; notoroan’ i Jetro
izy hanao drafitra hizarana ny andraikitra amim-pahendrena. «Aoka hianao ho
alalan’ ny olona amin’ Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin’Andria-
manitra», hoy ny toro-hevitr’ i Jetro, «ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna
hianao sy hampahalala azy ny làlana izay mety halehany sy ny asa izay mety
hataony». Taty aoriana dia nanoro-hevitra i Jetro mba hifidy lehilahy hanao ny
asan’ ny «mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimampolo ary mpifehy
folo», «lehilahy mahay sy matahotra an’ Andriamanitra, dia lehilahy
5)1 Kor. 12 : 28 6) IKor. 12 : 4 - 12

83
marina izay tsy tia kolikoly», izy ireo. «Hitsara ny olona mandrakariva
izy», ka hanamaivana ny asan’ i Mosesy amin’ ny andraikitra entiny, dia ny
fanomezana toerana lehibe ny ady madinidinika mety ho voalamin’ ny
mpanampy voatokana amim-pahendrena.
Ny andro sy ny herin’ ireo napetraky ny fitondran’ Andriamanitra eo amin’
ny andraikitra hitarika eo amin’ ny fiangonana, dia tokony ho laniana amin’ ny
zavatra mavesa-danja kokoa izày mitaky fahendrena manokana sy fahalalaham-
po. Tsy araka ny fandaminan’ Andriamanitra raha antsoina ny olona toy izany
handamina olana madinidinika izay hain’ ny hafa karakaraina. «Ny ady
lehibe rehetra no aoka ho entina aminao», hoy ny soso-kevitr’ i Jetro tamin’ i
Mosesy, «fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho
maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo. Raha
manao araka izany zavatra izany hianao, ka hilaza izay didy aminao
Andriamanitra, dia haharitra hianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga
soa aman-tsara any amin’ ny taniny».
Araka io drafitra io, dia «nofidin’ i Mosesy izay lehilahy mahay tamin’ ny
Isiraely rehetra ka nataony lohan’ ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo
sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo. Dia hitsara
ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin’ i
Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany»7.
Taty aoriana, rehefa nifidy ireo loholona fitopolo hifampizara aminy ny
andraikitry ny fitondrana i Mosesy, dia nitandrina fatratra izy tamin’ ny
fifidianana izay ho mpanampy azy, olona manana fahamendrehana, saina lalina
sy fanandramana. Raha nanafatrafatra azy ireo izy tamin’ ny fotoana nanokanana
azy, dia nasongadiny ireo toetra ilaina amin’ ny olona hahatonga azy ho
mpanapaka Hendry ao amin’ ny fiangonana. «Henoy ny adin’ ny rahalahinareo,
hoy Mosesy, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny
eo aminy. Aza mizaha tavan’ olona amin’ ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny
lehibe; aza matahotra olona akory, fa an’ Andriamanitra ny fitsarana»8
Tamin’ ny andron’ i Davida mpanjaka, taty amin’ ny faramparan’ ny andro
nanjakany, dia nametraka adidy miezinezina tamin’ ireo nizaka ny andraikitry ny
asan’ Andriamanitra izy. Novoriany tao
7) Eks. 18 : 19, 26 8) Deot. 1 : 16, 17
84
Jerosalema «ny lehibe rehetra tamin’ ny Isiraely, dia ny lohan’ ny firenena
sy ny komandin’ ny antokony izay nanompo ny andria-manjaka, ary ny mpifehy
arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbamin’ ny fananana
rehetra an’ ny mpanjaka sy ny zanany mbamin’ ny tandapa sy ny lehilahy mahery,
dia ny lehibe rehetra». Nanafatrafatra ireo tamin’ ny fomba nanetriketrika ilay
mpanjaka efa antitra hoe: «eto anatrehan’ ny Isiraely rehetra, fiangonan’ i
Jéhovah sy eto anatrehan’ Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin’ i
Jéhovah Andriamanitrao rehetra»9.
Nanaovan’ i Davida hafatrafatra manokana i Solomona tamin’izy
nantsoina ho eo amin’ ny toerana iandraiketany ny fitondrana; hoy izy: «Ary
hianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatraa Andriamanitry ny rainao, ka
manompoa Azy amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jéhovah dia
mpandinika ny fo rehetra; ary ny fieritrerelana rehetra dia fantany avokoa. Raha
mitady Azy hianao, dia habita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa hianao, dia
hariany mandrakizay. Koa mitandrema; fa Jéhovah efa nifidy anao... dia
mahereza ka mahefa» 10
Ireo foto-kevitry ny fitiavam-bavaka sy ny fahamarinana nitarika ireo
mpanapaka teo amin’ ny vahoakan’ Andriamanitra tamin’ ny andron’ i Mosesy
sy Davida dia mbola narahin’ ireo nasaina nanara-maso ny fiangonan’
Andriamanitra vao nalamina, tamin’ ny fanaparitahana ny filazantsara. Ny
tarigetra ambony momba ny fitondrana voasoritra ao amin’ ny Testamenta Taloha
no nolazain’ ny Apostoly teo amin’ ny asa fandaminana nataony tao amin’ ny
fiangonana rehetra. Notanany ny foto-kevitra milaza fa izay antsoina hitana,
toerana miandraikitra fitondrana ao amin’ ny fiangonana dia «tsy maintsy ho tsy
manan-tsiny, fa mpitandrina ny an’ Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy
mora tezitra, tsy mpimamo lian’ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto, fa
mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po,
mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina mba hahaizany hananatra
amin’ ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra»11.
Ny fandaminana notazonina tao amin’ ny fiangonana kristiana voalohany
dia nahazoany nandroso tamin’ ny fomba hentitra toy ny, tafika tsara fehy mitafy
ny fiadian’ Andriamanitra. Na dia niparitaka
9) 1 Tant. 28 : 1, 8 10) 1 Tant. 28 : 9, 10 11) Titosy 1 : 7 – 9
85
tamin’ ny faritany malalaka aza ireo antokon’ ny mpino dia samy rantsan’ ny tena
iray ihany; samy nandroso izy rehetra niray feo sy niara-nirindra. Rehefa nisy
disadisa tao amin’ ny fiangonana iray, tahaka izay nitranga tany Antiokia sy
tamin’ ny toeran-kafa, ka tsy afaka nifanaraka ny mpino, dia tsy navela hiteraka
fisaraham-bazana tao amin’ ny fiangonana ny zavatra toy izany, fa nakarina tany
amin’ny filan-kevitra foibe misahana ny fitambaran’ ny mpino rehetra; solon-
tena notendren’ ireo fiangonana isany izany no tao amin’ izany filan-kevitra
izany, niaraka tamin’ ny apostoly sy ireo loholona niandraikitra fitondrana.
Tamin’ izay dia nosetrain’ ny fiarahana nientanan’ ny rehetra ny ezaka nataon’ i
Satana hamely ny fiangonana tamin’ ny toerana nitokantokana, ka rava ny drafitra
nataon’ ny fahavalo hampisaraka sy hanimba.
«Fa Andriamanitra tsy tompon’ ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana.
Araka ny fanaon’ ny fiangonan’ ny olona masina rehetra»12. Angatahiny arahina
ny fandaminana sy ny rafitra eo amin’ ny fitantanana ny raharaham-piangonana
ankehitriny, koa tsy latsaka noho ny tamin’ ny andro teo aloha izany. Tiany raha
ampandrosoina amin’ ny fitadiavana ny fahatanterahana eo amin’ ny antsipiriany
indrindra ny asany, mba hahazoany mametraka ny tombokaseny ho
fankasitrahana izany. Tokony hiray amin’ ny kristiana ny kristiana, ny fiangonana
amin’ ny fiangonana, ka ny asa maha-olombelona dia tokony hifandrindra sy
hiara-miasa amin’Andriamanitra; samy milefitra amin’ ny Fanahy Masina ny
mpiasa rehetra, ary samy miara-mientana mba hanome ny vaovao mahafalin’
ny fahasoavan’ Andriamanitra ho an’ izào tontolo izao.

12) 1 Kor. 14 : 33

86
10

Ilay maritiora
voalohany

Stefana, ilay voalohany indrindra tamin’ ny diakona fito, dia lehilahy


nariana fitiavam-bavaka lalina sy fmoana lehibe. Na dia Jiosy aza izy ara-
pirazanana, dia nahay teny grika sy nifankazatra tamin’ ny fomba amam-panaon’
ny grika. Noho izany dia nahita fotoana mety hitoriana ny filazantsara tao amin’
ny synagoga Jiosin’ ny Grika izy. Nazoto dia nazoto teo amin’ ny asan’ i Kristy
izy ary nitory ny finoany tamin-kasahiana. Niady hevitra taminy ampahi-
bemaso ireo raby avara-pianarana sy ireo mpahay lalàna, ka nanantena sy natoky
ny hahazo fandresena mora foana. Nefa «tsy nahatohitra ny fahendrena sy fanahy
izay nitenenany ireo». Tsy tamin’ny herin’ ny Fanahy Masina fotsiny no
nitenenany, fa nazava koa fa nandinika ny farninaniana izy sady nahay izay
rehetra mikasika ny lalàna. Havanana tamin’ ny fiarovana ireo fahamarinana
nalahany izy ka nandresy tanteraka ireo mpanohitra azy. Ho azy dia tanteraka ny
teny fikasana manao hoe: «Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihe- vitra rahateo
izay havalinareo; fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ ny
fahavalonareo rehetra valiana na resena»1.
Rehefa hitan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ny hery nanampy ny
toritenin’ i Stefana, dia feno fankahalana mangidy izy. Tsy nilefitra tamin’ ny
zavatra mazava nasehony izy ireo, fa nanapa-

Mifototra amin’ ny Asan’ ny Apostoly 6 : 5 - 15 sy 7 ity toko ity


1) Lio, 21 : 14, 15
87
kevitra kosa hampangina ny feony tamin’ ny famonoana azy ho faty. Imbetsaka
izy no nanambitamby ny fahefana Romana tsy hitsikera ireo fitsarana izay
nàndraisan’ ny Jiosy an-tanana ny lalàna ka nitsarany, nanamelohany sy
namonoany ho faty mpifatotra araka ny fomban’ ny fireneny. Fantatr’ ireo
fahavalon’ i Stefana tsara, fa tsy ho azony atao ny fihetsika toy izany, ka tsy
hiharan-doza izy. Tapa-kevitra ny hizaka izay mety ho vokany anefa izy.
Noho izany dia nosamboriny i Stefana ka nentiny teo anatrehan’ny Synedriona
hotsaraina.
Nantsoina izay Jiosy manam-pahaizana tany amin’ ny faritra manodidina
mba hamaly ny fonjan-kevitra haroson’ ny mpifatotra. Tao i Saoly avy any
Tarsosy, ka nitarika ny antoko nanohitra an’ i Stefana. Navesa-danja ny fahaizana
mikabary nasehony sy ny fahaizan’ ny raby nandahatra, nentiny mba handresy
lahatra ny vahoaka, fa nitory fampianarana mamitaka sy nampidi-doza i Stefana.
Nefa olona nanana fahalalana feno ny amin’ ny fikasan’ Andriamanitra eo amin’
ny fanaparitahana ny filazantsara amin’ ny firenena hafa no hitany teo amin’ i
Stefana.
Satria tsy naharesy ny fahendrena mazava sy tony teo amin’ i Stefana ireo
mpisorona sy mpanapaka, dia nanapa-kevitra izy fa hataony anatra ho an’ ny hafa
ny famaizana an’ i Stefana; koa amin’ izay sady ho afa-po ny fankahalany sy ny
fitiavany hamaly faty, no ho voasakana koa ny hafa tsy handray ny finoany, noho
ny tahotra. Nisy vavolombelona nokaramaina handainga, ka hilaza fa nandre azy
niteny ratsy ny tempoly sy ny lalàna. «Efa renay izy nilaza, hoy ireto
vavolombelona, fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy
hanova ny fomba izay natolotr’ i Mosesy antsika ».
Raha nifanatrika tamin’ ny mpitsara azy i Stefana hamaly ny fiampangàna
azy ho niteny ratsy, dia namirapiratry ny fahamasinana ny tavany, ka «izay
rehetra nipetraka teo amin’ ny Synedriona, raha nandinika an’ i Stefana, dia
nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’anjely». Maro tamin’ ireo nibanjina io
fahazavana io no tora-kovitra ka nanakona ny tavany, nefa tsy nihontsona ny tsy
finoana sy ny hevitra nibahana tao an-tsain’ ny mpanapaka mafy hatoka.
Rehefa nanontaniana i Stefana ny amin’ ny fahamarinan’ ny fiampangana
azy, dia nanomboka niaro-tena tamin’ ny feo mazava nampangitakitaka izy, izay
nikarantsana eran’ ny efitrano filan-
88
kevitra. Liana ka tsy naha-loa-bava ny mpivory nandré ny teniny, raha
nanomboka namelabelatra ny tantaran’ ny vaboaka nofidin’ Andriamanitra izy.
Nasehony fa fantany tsara ny fomba fivavahana Jiosy ary hainy ny fanazavana
izany amin’ ny lafiny ara-panaby araka izay aseho ao amin’ i Kristy ankehitriny.
Naveriny ny tenin’ i Mosesy izay nanambara mialoha ny Mesia hoe «Mpaminany
no hatsangan’ Andriamanitra bo anareo avy amin’ ny rahalahinareo, tahaka ahy,
izy no hohenoinareo». Nasehony mazava ny toetrany mahatoky amin’
Andriamanitra sy amin’ ny finoana Jiosy, nefa nasehony koa fa tsy afaka namonjy
an’ ny Isiraely ho afaka amin’ ny fanompoan-tsampy, ny lalàna izay nitokisan’
ny Jiosy hahazoany famonjena. Nampifandraisiny tamin’ ny tantaran’ ny Jiosy
manontolo Jesosy Kristy. Noraisiny ny momba ny nanorenan’ i Solomona ny
tempoly sy ireo tenin’ i Solomona sy Isaia nanao hoe: «Kanefa ny Avo Indrindra
tsy mitoetra ao amin’ izay nataon-tànan’ olona; araka ny nolazain’ ny mpaminany
boe: Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro; koa trano
manao ahoana no hataonareo ho Ahy hoy Jehovah, ary manao ahoana no ho
fitoerana fitsaharako? Tsy ny tànako va no nanao izao zavatra rehetra izao? »
Rehefa tonga teo i Stefana, dia nihorakoraka ny vahoaka. Rehefa
nampifandraisiny tamin’ ny faminaniana Kristy ka niteny momba ny tempoly toy
izay nataony izy, dia notriarin’ ny mpisorona ny fitafiany, satria, hono, tsiravina
izy. Izany fihetsika izany ho an’ i Stefana dia famantarana fa kely sisa dia
hampanginina mandrakizay ny feony. Hitany ny fanoherana ny teniny ka fantany
fa izao no hijoroany farany ho vavolombelona. Na dia mbola nisasaka aza ny
toriteniny dia notapahiny tarangana.
Najanony tampoka ny fizotry ny tantara narahiny, dia nitodika tany amin’
ireto mpitsara azy romotry ny hatezerana izy ka niantso-antso hoe: «Ry olona
mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, hianareo manohitra ny Fanahy Masina
mandrakariva; tahaka ny nataon’ ny razanareo ihany no ataonareo koa. Iza no
mpaminany izay tsy nenjehin’ ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany
ny fihavian’ Ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono
Azy hianareo, dia olona izay nahazo ny lalàna tamin’ ny nandaharan’ ny anjely
azy, nefa tsy nankatô izany ». Teto dia tsy nahafehy tena noho ny hatezerana
intsony ny mpisorona sy ny mpanapaka. Toy ny biby masiaka fa tsy toy ny
olombelona ny fihetsiny, nirohotra nànkeo amin’ i Stefana, nihidy

89
vazana. Hitan’ ilay mpifatotra teo amin’ ireo endrika vinitra nanodidina azy ny
ho anjarany; tsy nihontsona anefa izy. Ho azy dia efa foana ny tahotra
fahafatesana. Tsy nampahatahotra azy ireo mpisorona romotra sy ireto vahoaka
misafoaka. Nanjavona teo imasony ny zavatra natrehiny. Ho azy dia nidanadana
ny vavahadin’ny lanitra, ary raha nampifantoka ny fijeriny tao izy, dia hitany ny
voninahitry ny lapan’ Andriamanitra sy Kristy, vao avy nitsangana teo amin’ ny
seza fiaindrianany, mijoro, vonona hanohana ny mpanompony. Teny fandresena
no nataon’ i Stefana hoe: «Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’ olona
mitsangana eo an-kavanan’ Andriamanitra».
Raha nilaza ireo toe-javatra be voninahitra nifantohan’ ny masony izy dia
tsy zakan’ ireto mpanenjika azy intsony. Notampenany ny sofiny mba tsy
handrenesany ny teniny intsony, sady nihorakoraka sy niantsoantso izy nisafoaka
niara-nirohotra teo aminy ka «nandroaka azy ho eny ivelan’ ny tanàna». Dia
notorahany vato i Stefana izay niantso an’ Andriamanitra ka nanao hoe: « Ry
Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko. Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ ny feo
mahery hoe: Tompo o, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza
izany izy dia nodi-mandry».
Tsy nisy didim-pitsarana ara-dalàna natao tamin’ i Stefana, fa novidiana
tamin’ ny volabe ny manam-pahefana Romana mba tsy hanadihady momba ireo
toe-javatra ireo.
Latsaka lalina tao am-pon’ izay rehetra nanatri-maso ny naha-fatesan’ i
Stefana ho maritiora. Ny fahatsiarovana ny famantarana avy amin’ Andriamanitra
teo amin’ ny endriny, ny teniny izay nanohina ny fanahin’ izay nihaino azy
indrindra, dia nijanona tao an-tsain’ ireo nijery azy, ka vavolombelon’ ny
fahamarinaria notoriny. Fitsapana mahery vaika tamin’ ny fiangonana ny
fahafatesany, nefa ny vokany dia naharesy lahatra an’ i Saoly, izay tsy afaka
nikosoka tao an-tsainy ny finoana sy ny toetra mahatoky teo amin’ ilay maritiora,
ary ny voninahitra izay naharitra teo amin’ ny endriny.
Raha nanatrika ny fitsarana sy ny fahafatesan’ i Stefana i Saoly dia toa
feno hafanam-po mirehitra. Taty aoriana dia sosotra tamin’ ny tenany izy, satria
nisy faharesen-dahatra miafina tao am-pony, fa nomen’ Andriamanitra
voninahitra i Stefana tamin’ ny fotoana indrindra nanalan’ ny olona baraka azy.
Notohizan’ i Saoly ny fanenjehana ny fiangonan’ Andriamanitra, nohazainy,
nosamboriny

90
tany an-tranony ary netiny teo amin’ ny mpisorona sy ny mpana-paka izy ireny
mba hatao any an-tranomaizina sy hovonoina. Nampihorohoro ny kristiana tany
Jerosalema ny hafanam-pony nampandroso izany fanenjehana izany. Tsy nanao
ezaka manokana ny manam-pahefana Romana hampitsahatra io asa lozabe io, ary
nanampy mangina ny Jiosy aza izy mba hifandraisany aminy sy hahazoana
sitraka aminy.
Rehefa maty i Stefana, dia voafidy ho anisan’ ny Synedriona i Saoly ho
fankasitrahana ny anjara noraisiny tamin’ izany. Nisy fotoana izay nahatonga azy
ho fiasana mahery vaika teo am-pelatanan’ i Satana hanatanteraka ny fikomiany
amin’ ny zanak’ Andriamanitra. Nefa tsy ela dia nampiasaina hanorina ny
fiangonana izay norotidrotehiny ilay mpanenjika tsy nety sasatra. Nisy mahery
noho i Satana efa nifidy an’ i Saoly handray ny toeran’ i Stefana novonoina
ho maritiora, hitory sy hijaly noho ny anarany, ary hanaparitaka lavitra sy hatraiza
hatraiza ny vaovao mahafalin’ ny famonjena amin’ ny alalan’ ny rany.

91
11

Ny filazantsara
tany Samaria

Taorian’ ny nahafatesan’ i Stefana dia nisy fanenjehana tsy an-kiato


indrindra namely ny mpino tao Jerosalema ka «niely tany amin’ ny tany Jodia sy
Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany». «Fa Saoly nampahory mafy ny
fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny
vehivavy, ka nataony tao an-trano-maizina...» Izao no nolazainy mikasika
ny hafanam-pony tamin’ io asa loza be io taty aoriana: «Ary izaho efa nihevitra
tao am-poko tokoa, fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran’
i Jesosy avy any Nazareta, sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona
masinà no nohidiako tao an-trano-maizina... ary nampijaly azy matetika teo amin’
ny Synagoga rehétra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria very saina tamin’
ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin’ny tanàna any ivelany
koa aza». Hita eo amin’ ny tenin’ i Saoly fa tsy i Stefana irery tsy akory no niaritra
fahafatesana; «ary raha hovonoina ireny dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa
aho»1.
Tamin’ io fotoana nisian’ ny loza io no nandroso tsy tamin-tahotra i
Nikodemosy naneho ny finoany ny Mpamonjy nohomboina tamin’ ny hazo
fijaliana. Anisan’ ny Synedriona i Nikodemosy ary voatariky ny fampianaran’ i
Jesosy niaraka tamin’ ny hafa koa izy. Rehefa nanatri-maso ny asa mahagaga
nataon’ i Kristy izy, dia
Mifototra amin’ ny Asa 8 ity toko ity.
1) Asa 26 : 9 - 11
93
tafaorina mafy tao an-tsainy ny faharesen-dahatra fa io Ilay
nirahin’Andriamanitra. Be avona loatra izy ka tsy afakahiaiky ampahibemaso
ny firaisani-pony amin’ Ilay Mpampianatra Galiliana; noho izany dia nitady izay
hihaonana taminy mangingina. Tamin’ io resaka nifanaovany io dia novelarin’ i
Jesosy teo anatrehany ny drafitry ny fanavotana sy ny asa nanirahana Azy teto
amin’ izao tontolo izao. Nefa mbola nisalasala ihany i Nikodemosy. Nafeniny tao
am-pony ny fahamarinana, ary nandritra ny telo taona dia kely ny vokatra hita
niharihary. Tsy nanaiky an’ i Kristy ampahibemaso i Nikodemosy, nefa kosa tao
amin’ ny fivorian’ ny Synedriona dia nanakana matetika ny tetika nataon’ ny
mpisorona hamonoana Azy izy. Rehefa nasandratra teo amin’ ny hazo fijaliana
Kristy nony farany dia tsaroan’ i Nikodemosy ny teny nataony taminy teo amin’
ny tendrombohitra Oliva: «Ary tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana
tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’ olona»2; koa hitany teo
amin’ i Jesosy ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao. Nikodemosy sy Josefa avy
any Arimatia no nizaka ny lany tamin’ ny nandevenana an’ i Jesosy. Natahotra
ny hiseho mazava ho mpanaraka an’ i Kristy ny mpianatra, fa Nikodemosy
sy Josefa kosa tonga nanampy azy tamin-kasahiana. Nilaina tokoa ny fanampian’
ireo olona manan-karena sy manan-kaja ireo tamin’ izao ora maizina izao. Izy
ireo no afaka nanao, ho an’ Ilay Mpampianany maty, izay tsy ho azon’ ireto
mpianatra mahantra ireto hatao mihitsy; koa ny harenany sy ny hery mi asa
mangina avy aminy no niaro azy betsaka tamin’ ny haratsiam-panahin’ ny
mpisorona sy ny mpanapaka.
Ankehitriny rehefa niezaka ny hamono ilay fiangonana mbola zaza ny
Jiosy, dia nandroso hiaro azy i. Nikodemosy. Tsy maodi-maody sy be
fanontaniana intsony izy, fa nampahery ny finoan’ ny mpianatra, ka nampiasa ny
harenany amin’ ny fanampiana sy ny fanohanana ny fiangonana tany jerosalema
sy ho amin’ ny fampan-drosoana ny asan’ ny filazantsara. Ny olona izay feno
fanajana azy teo aloha, ankehitriny dia nanaraby sy nanenjika azy, ary nanjary
nahantra teo amin’ ny haren’ izao tontolo izao izy, nefa tsy nihozongozona teo
amin’ ny fiarovana ny finoany.
Vokatry ny fanenjehana nihatra tamin’ ny fiangonana tao Jerosalema dia
nisy dingana lehibe nampandroso ny asan’ ny filazantsara. Nisy fahombiazana ny
asa fitoriana ny Teny teo amin’ io toerana io,

2) Jao. 3 : 14
94
ka nanandindona ny mpianatra ny loza fa mety hitaredretra ela
loatra eo izy, ka tsy mahatsiaro ny iraka nampanaovin’ ny Mpamonjy, handeha
manerana an’ izao tontolo izao. Nanadino izy fa ny asa fanoinpoana manafika no
ahazoana tsara indrindra ny hery hoenti-manohitra ny ratsy, ka nanomboka
nihevitra izy fa tsy misy asa lehibe toy ny miaro ny fiangonana ao Jerosalema
amin’ ny famelezan’ ny fahavalo. Tsy nanabe ny vao niova fo hitondra ny
filazantsara amin’ izay tsy nandre izany izy, fa notandindomin-doza kosa amin’
ny fizorana amin’ ny lalana izay hitarika azy rehetra ho afa-po amin’ izay rehetra
efa vita. Mba hanaparitahany ireo solontenany ho any ivelany any amin’ izay
ahazoany miasa ho an’ ny hafa, dia navelan’ Andriamanitra hihatra aminy ny
fanenjehana. Voaroaka avy tao Jerosalema ireo mpino dia «nandeha nitory teny
tontolo eny».
Tao amin’ ireo nirahin' ny Mpamonjy hoe: «Koa mandehana hianareo, dia
ataovy mpianatra ny firenena rehetra»3, dia nisy maro avy tamin’ ny lalam-
piainana tsotsotra, lehilahy sy vehivavy efa nianatra ny ho tia ny Tompony sy
nanapa-kevitra ny hanaraka ny ohatry ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena
nasehony. Ireny olona ambany ireny, toy ireo mpianatra rahateo koa izay efa
niaraka tamin’ ny Mpamonjy nandritra ny asany teto an-tany, ireny no
nametrahana fitokisana sarobidy. Hitondra ny vaovao mahafalin’ ny famonjena
amin’ ny alalan’ i Kristy izy.
Rehefa naparitaky ny fanenjehana izy dia nandroso ka feno hafanam-po
misionera. Tsapany ny halehiben’ ny andraikitra eo amin’ ny asa nanirahana azy.
Fantany fa teo am-pelatanany ny mofon’ aina ho an’ izao tontolo izao maty
noana; koa noteren’ ny fitiavan’ i Kristy izy hizara io mofo io ho an’ izay rehetra
mila izany. Niasa tamin’ ny alalan’ ireo ny Tompo. Na taiza na taiza nalehany,
dia sitrana ny marary ary notorina tamin’ ny mahantra ny filazantsara
hampanan-karena azy.
Anisan’ ny tafavoaka avy tao Jerosalema i Filipo, iray amin’ ireo diakona
fito lahy. «Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an’ i Kristy
tamin’ ny olona tao. Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay
nolazain’ i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony. Fa ny fanahy
maloto... dia nivoaka tamin’ ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin ny
paralysisa sy ny mandringa no nositraniny. Dia nisy fifaliana lehibe tao amin’
izany tanàna izany ».
3) Mat. 28 : 19
95
Nitondra vokatra ny asa nentin’ i Kristy ho an’ ilay vehivavy samaritana
izay teo amin’ ny fantsakan’ i Jakoba. Rehefa avy nihaino ny teniny ravehivavy
dia nandeha nankany amin’ ireo lehilahy tao an-tanàna ka nanao hoe: «Andeha
hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra, Izao
angamba no Kristy? » Niaraka taminy izy ireo, dia nihaino an’ i Jesosy ka nino
Azy. Naniry mafy handre bebe kokoa izy ka nangataka Azy hijanona. Nitoetra
teo aminy roa andro Izy, «ary maro koa no nino noho ny teniny»4
Ary rehefa tafavoaka avy tào Jerôsalema ny mpianany dia nisy nahita
fialofana azo antoka tao Samaria. Noraisin’ ny Samaritana tsara ireto
mpitondra’hafatry ny filazantsara, ary vokatra sarobidy no nangonin’ ireo Jiosy
niova fo tamin’ ireo fahavalony nasiaka indrindra fahiny.
Nisy fahombiazana lehibe ny asan’ i Filipo tao Samaria, ary rehefa nahazo
fampaherezana toy izany izy, dia nankany Jerôsalema nitady fanampiana. Azon’
ny Apostoly tamin’ny fomba feno kokoa izao ny dikan’ ny tenin’ i Kristy hoe:
«Ary ho vavolombeloko any Jerôsalema sy eran’ i Jodia sy Samaria ary hatramin’
ny faran’ ny tany»5.
Raha mbola tany Samaria i Filipo, dia nisy mpitondra hafatra avy tany an-
danitra nitarika azy hoe: «mandehana ho any Atsimo ho any amin’ ny làlana
midina avy any Jerôsalema mankany Gaza... dia nitsangana izy ka lasa nandeha».
Tsy nametra-panontaniana momba ny antso izy, na nisalasala ny hankato, efa
nianatra ny lesona amin’ ny fanarahana ny sitrapon’ Andriamanitra mantsy izy.
«Ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan’ i Kandasy,
mpanjakavavin’ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny. rehetra, ary tonga tany
Jerôsalema izy mba hivavaka dia nody izy ka nipetraka teo anatin’ ny kalesiny
ary namaky teny tao amin’ Isaia mpaminany», Olona tsara laza sy nanan-kery
miasa mangina tamin’ ny maro izy, Hitan’ Andriamanitra fa rehefa voaova fo izy
dia hanome ny faha-zavana noraisiny amin’ ny hafa, ka hisy hery lehibe hiasa
mangina ho an’ ny filazantsara avy aminy. Niandry ity mpikatsaka fahazavana
ity ny anjelin’ Andriamanitra, ka voatarika ho eo amin’ ny Mpamonjy izy.
Nentin’ ny Tompo hifandray amin’ ny olona iray izay afaka hitarika azy eo amin’
ny mazava tamin’ ny alalan’ ny asan’ ny Fanahy Masina izy.
4) Jao. 4 : 29, 41 5) Asa 1 : 8
96
Voatarika ho eo amin’ ilay Etiopiana i Filipo ka nanazava taminy ny
faminaniana izay novakipy; «Andeha manatona, hoy ny Fanahy, ka mankanesa
amin’ io kalesy io». Raha nanatona i Filipo dia nanontaniany ilay tandapa hoe;
«Moa fantatrao va izay vakinao ? Fa hoy izy : Hataoko ahoana no fahay, raha tsy
misy mampianatra ahy ? Ary izy nangataka an’ i Filipo hiakatra sy hipetraka eo
aminy ». Ny teny izay novakiny dia ny faminanian’ Isaia mikasika an’ i Kristy.
«Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, ary tsy niloa-bava, tahaka ny zanak’
ondry moana eo anoloan’ ny mpanety azy. Ny fietren-tena no nanaovana Azy
resy lahatra; ary iza no hahalaza ny amin’ ny niara-belona tamiay ? Fa ny ainy
nesorina tamin’ ny tany».
«Iza moa no lazain’ ny mpaminany amin’ izany ? hoy ilay tandapa
nanontany. Ny tenany va, sa olon-kafa ? Ary Filipo niloa-bava, dia nanombpka
teo amin’ izany Soratra Masina izany nitory an’ i Jesosy taminy».
Nangitakitaka sy liana ny fon-dralehilahy raha nohazavaina taminy ny
Soratra Masina ; ary rehefa vita ny fampianaran’ ilay mpianatra, dia vonona
handray ny fahazavana nomeni ilay tandapa. Tsy nataony ho antony handavana
ny filazantsara ny toerana, ambony notanany teo amin’ izao tontolo izao. «Ary
raha nandeha teny an-dàlana izy, dia tonga teo amin’ izay nisy rano; ary hoy
ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa ? Dia
nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay- tandapa, nidina
ho eo amin’ ny rano; dia nataony batisa izy...
«Ary rehefa niakatra avy teo amin’ ny rano izy roa lahy, dia
nentin’ ny Fanahin’ ny Tompo Filipo ka tsy hitan’ ilay tandapa intsony ; fa
nandeha tamin’ ny nalehany izy sady nifaly. Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory
ny filazantsara tany amin’ ny tany rehetra izay nalehany ambara-pahatongany
tany Kaisaria».
Mampiseho antokon’ olona maro izay müa ampianarin’ ny misionera toa
an’ i Filipo io Etiopiana io - olona izay handre ny feon’ Andriamanitra ka handeha
any amin’ izay hanirahana azy. Misy olona maro mamaky ny -Soratra Masina
izay tsy rnahazo ny tena maha-zava-dehibe azy. Manerana an’ izao tontolo izao,
dia misy lehilahy sy vehivavy manopy maso mitsiriritra ny lanitra. Tonom-
bavaka sy ranomaso ary fanontaniana no miakatra avy amin’ ny fanahy feno
faniriana mitady fahazavana, fahasoavan’ ny Fanahy
7 — Vavofombelona Mahery 97
Masina. Maro no eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny fanjakana miandry fotsiny
ny hangonina ho ao.
Nisy anjely nitarika an’ i Filipo ho eo amin’ ny anankiray izay nitady
fahazavana sy vonona ny handray ny filazantsara. Ary ankehitriny, ny anjely dia
hitarika ny dian’ ny mpiasa izay hamela ny Fanahy Masina hanamasina ny lelany
sy hanamboatra ary hanandratra ny fony. Ho afaka nanao ny asan’ i Kristy tao
amin’ilay Etiopiana ilay anjely nirahina teo amin’ i Filipo; tsy izany anefa
no fomba fiasan’ Andriamanitra. Ny sitrapony dia ny hiarahan’ ny olona miasa
amin’ny mpiara-belona aminy.
Samy manana anjara amin’ ny andraikitra napetraka tamin’ ny mpianatra
ny mpino amin’ ny fotoan’ andro rehetra. Izay renetra nandray ny Filazantsara
dia nomena fahamarinana masina hozaraina amin’ izao tontolo izao. Misionera
manafika hatrany ny vahoakan’Andriamanitra, mahatoky ka manokana ny
fananany ho voninahitr’Andriamanitra ary mampiasa amim-pahendrena ny
talentany ho amin’ ny fanompoana Azy.
Tokony ho ohatra sy ainga ho antsika ny asa tsy misy fitiavan-
tena nasehon’ ny Kristiana tamin’ ny lasa. Tokony hafana fo amin’ ny asa tsara
ny mambra ao amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra, misaraka amin’ ny fanirian’
izao tontolo izao ary manaraka ny dian’ Ilay nandehandeha nanao soa. Tokony
hiray fo amin’ izay mila fanampiana izy, ka hangoraka azy raha mandeha miasa
ho azy sy mitondra ny fahalalana ny fitiavan’ ny Mpamonjy eo amin’ ny mpanota.
Mitaky ezaka mafy ny asa toy izany, nefa kosa mitondra valisoa sarobidy. Izay
miditra amin’ izany amin’ ny fikasana madio dia hahita fanahy azo ho an’ ny
Mpamonjy, satria mantsy tsy azo toherina ny hery mangina izay miasa eo amin’
ny fanatanterahana ny iraka ampanaovin’ Andriamanitra.
Tsy ny mpitandrina voahosotra ihany no ipetrahan’ ny andraikitra handeha
hanatanteraka io baiko io. Izay rehetra nandray an’ i Kristy dia antsoina hiasa ho
famonjena ny mpiara-belona aminy. «Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe;
Avia; ary aoka izay mandre hanao hoe: Avia»6. Mahafaoka ny fiangonana
manontolo ny hafatrafatra momba io fiantsoana io. Izay rehetra mandre io
fiantsoana io dia tokony hampanako ny hafatra mamakivaky ny havoana sy ny
lohasaha ka hanao hoe: «Avia».

6) Apok. 22 . 17
98
Fahadisoan-kevitra mitera-doza ny mihevitra fa miankina amin’ny
mpitandrina fotsiny ny asa famonjem-panahy. Ny mpino tsotra manokan-tena
izay nametrahan’ ny Tompon’ ny tanimboaloboka andraikitra momba ny fanahy
dia tokony hampaherézin’ ny olona izay nametrahan’ i Jéhovah andraikitra
lehibebe kokoa. Izay mpitàrika eo amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra dia tokony
hahatsapa fa omena an’ izay rehetra mino ny anarany ny iraka nampanaovin’ ny
Mpamonjy. Handefa olona maro ao amin’ ny tanimboalobony Andriamanitra,
izay tsy nohosorana ho mpitandrina tamin’ ny fametrahan-tanana.
Anjatony, eny, anarivony ireo nandre ny hafatry ny famonjena no mbola
mipetrapetraka eny an-tsena, nefa tokony hiditra amim-pahazotoana eo amin’ ny
faritra iray. Hoy Kristy amin’ ireo hoe: «Nahoana hianareo no mitoetra foana eto
mandritra ny andro? » dia ampiany hoe: « Mandehana koa hianareo mankany
amin’ny tanim-boaloboko»7. Nahoana no maro no mbola tsy mamaly ny
antso? Mihevitra ny tenany ho afa-tsiny ve izy noho izy tsy mijoro eo amin’ ny
polipitra? Aoka Hazava aminy fa misy asa lehibe tokony hatao ivelan’ ny
polipitra, ho an’ ny mambra tsotra anarivony.
Efa ela Andriamanitra no niandry ny hanjakan’ ny toe-tsaina vonona
hanompo amin’ ny fiangonana manontolo, ka hiasa ho azy araka ny fahaizany
avy ny tsirairay. Rehefa manao ny asa notendrena ho azy ny mambra ao amin’ ny
fiangonan’ Andriamanitra, eo amin’ny saha mila izany eo an-toerana sy avy
ivelany, ka manatanteraka ny asan’ ny filazantsara nampanaovina azy, dia
vetivety dia handre izao tontolo izao manontolo ary hiverina eto an-tany amin-
kery sy voninahitra lehibe Jesosy Tompo. «Ary hotorina amin’ izao
tontolo izao ity filazantsaran’ ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ ny
Firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany»8.

7) Mat. 20 : 6, 7 8) Mat. 24 : 14

99
12

Mpanenjika nanjary
Mpianatra

Niavaka indrindra teo amin’ ny mpitarika Jiosy izay tezitra mafy noho ny
fahombiazan’ ny fitoriana ny filazantsara i Saoly avy any Tarsosy. Olom-
pirenena Romana i Saoly raha ny nahaterahany, na dia izany aza dia Jiosy ara-
pirazanana izy sady nobeazin’ ny raby ambony indrindra tao Jerosalema. «Avy
amin’ ny fototr’ Isiraely, dia avy amin’ ny firenen’ i Benjamina» i Saoly ka
«Hebreo sady avy amin’ ny Hebreo; araka ny lalàna, dia Fariseo; araka ny zotom-
po, dia nanenjika ny Fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin’ ny lalàna, dia
tsy nanan-tsiny»1. Tovolahy nantenain’ ny raby izy ary nandrandraina fatratra ho
mpiaro havanana sy nafana fo, ny finoana nentin-drazana. Ny nanandratana azy
ho anisan’ ny synedriona dia nametraka azy teo amin’ ny toeram-pahefana.
Nandray anjara lehibe teo amin’ ny fitsarana sy ny fanamelohana an’ i
Stefana i Saoly, ary ny porofo mazava ny amin’ ny fanatrehan’Andriamanitra ilay
maritiora dia nitarika an’ i Saoly hisalasala ny amin’ ny fahamarinan’ ny foto-
kevitra nankamamiany tamin’ny nanenjehany ireo mpanaraka an’ i Kristy.
Voahetsika lalina ny sainy. Very hevitra izy ka nanatona ireo nitokisany tanteraka
izay feno fahedrena sy fahaizana mitsara. Farany dia naharesy lahatra azy ny
fonjan-kevitra nentin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka fa mpiteny ratsy

Mifototra amin’ ny Asa 9 : 1 - 18 ity toko ity. 1) Fil. 3 : 5, 6


101
an’ Andriamanitra i Stefana, Kristy izay notorian’ ilay mpianatra maty martiora
dia mpamitaka ary tsy maintsy marina ny hevitr’ ireo manao asa fanompoana
masina.
Tsy nialan’ ny ady mafana i Saoly vao tonga teo amin’ io fehin-kevitra io.
Nony farany anefa, ny fanabeazana noraisiny sy ireo hevitra nibahana tao am-
pony, ny fanajany ireo mpampianatra azy teo aloha, ary ny fireharehany tamin’
izy mamim-bahoaka, dia nampahery azy hikomy amin’ ny fieritreretany sy ny
fahasoavan’Andriamanitra. Koa rehefa nanapa-kevitra feno i Saoly fa marina
ny an’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia nanjary nangidy dia nangidy
tokoa izy teo amin’ ny. fanoherany ireo foto-pinoana nampianarin’ ny mpianatr’i
Jesosy. Nitondra alahelo sy andro manjombona teo amin’ ilay fiangonana vao
naorina ka nahatonga ny maro hitady fialofana amin’ ny fandosirana ny asa
nataony, tamin’ny nitarihany ny olona masina, lahy sy vavy, ho eo amin’ ny
fitsarana, ka ny sasany voaheloka hatao am-ponja ary ny sasany aza voaheloka
ho faty, noho ny amin’ ny finoany an’i Jesosy fotsiny ihany.
Izay tafavoaka avy tao Jerosalema noho io fanenjehana io dia « nandeha
nitory teny tontolo eny »2. Anisan’ ny vohitra nalehan’ izy ireo i Damaskosy, izay
nahazoana olona maro niova fo ho amin’ ny finoana vaovao
Nanantena ny mpisorona sy ny mpanapaka fa ho foanan’ ny ezaka eo
amin’ ny fanaraha-maso sy ny fanenjehana masiaka ny hevi-diso. Tsapany izao
fa tsy maintsy entiny amin’ ny toerana hafa koa ireo fepetra henjana noraisina tao
Jerosalema hoenti-manohitra ny fampianarana vaovao. Nanolo-tena i Saoly
hanao ny asa manokanavtian’ izy ireo hatao any Damaskosy. «Nifofofofo
fandrahonana sy famonoana tamin’ ny mpianatry ny Tompo izy», dia «nankao
amin’ ny mpisoronabe ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ ny synagoga
any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany
momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy». Koa «nitondra fahefana sy
teny izay efa azony tamin’ ny lohan’ ny mpisorona»3 i Saoly avy any Tarsosy,
tao anatin’ ny herin’ ny maha-lehilahy matanjaka sy nentanin-kafanampo tsy izy
azy, no indro nanao ilay dia tsy, hay hadinoina, izay nisehoan’ ny toe-
javatrà hafahafa nifanehatra taminy tamin’ izany ka nanova ny fizo-
tran’ ny fiainany.
2) Asa 8 : 4 3) Asa 26 : 12
102
Tamin’ ny andro farany, «tamin ny mitataovovonana», raha nanatona an’
i Damaskosy ireto mpandeha efa sasatra, dia indro taza-maso ny tany lemaka
mahavokatra midadasika, zaridaina tsara tarehy sy saha feno voankazo,
notondrahan’ ny renirano mangatsia-tsiaka, avy tamin’ ny tendrombohitra
manodidina. Rehefa avy nandeha tamin’ ny faritra makiana sy lao dia tena
velombelona tokoa mahita toe-javatra toy izao. Raha nitazana sy nidera ilay
lohasaha mahavokatra sy ilay tanàna kanto teo ambaniny i Saoly sy ireo mpiara-
dia taminy, dia indro nanelatrelatra «tampoka» araka ny nambarany tatÿ aoriana,
«manodidina ahy mbamin’ izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry
ny masoandro» «mazava avy tany an-danitra», be voninahitra loatra ka tsy zakan’
ny mason’ny olombelona mety maty. Jamba sy badenina i Saoly ka lavo
niankohoka tamin’ ny tany.
Raha mbola namirapiratra manodidina azy ireo ny mazava dia nandre
«feo... tamin’ ny teny hebreo i Saoly» nanao hoe: «Saoly,Saoly, nahoana hianao
no manenjika Ahy? Ary hoy izy; Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo:
Izaho no Jesosy Izay enjehinao. Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny
fanindronana»4.
Raiki-tahotra sady mila ho jamban’ ny herin’ ny fahazavana ireto mpiara-
dia tamin’ i Saoly, nahare feo izy nefa tsy nahita olona. Saoly kosa nahazo ny
teny nolazaina, ary nambara mazava taminy Ilay niteny, dia ny Zanak’
Andriamanitra mihitsy. Hitany teo amin’Ilay be voninahitra nijoro teo anoloany
Ilay nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana. Vita sokitra mandrakizay tao amin’
ny fanahin’ ilay Jiosy voakapoka ny sary nahitany ny endriky ny Mpamonjy.
Nandratra ny ati-fony tamin-kery mahatsiravina ny teny nambara. Nitosaka tao
amin’ ireo efitra feno haizina tao an-tsainy ny riam-pahazavana, ka nampiseho ny
tsy fahalalana sy ny hevi-diso teo amin’ ny fiainany teo aloha ary ny ilàny ny
fanazavana avy amin’ny Fanahy Masina ankehitriny.
Hitan’ i Saoly izao fa raha ny tena izy dia nanao ny asan’ i Satana izy
tamin’ ny nanenjehany ireo mpanaraka an’ i Jesosy. Hitany fa ny nekeny ho
marina sy ho adidiny dia niankina betsaka tamin’ ny fitokiana efa tao am-pony
an’ ireo mpisorona sy mpanapaka. Ninoany izy ireo raha nilaza taminy fa tantara
tsara rafitra nataon’ ny mpianatra ny momba ny fitsanganana tamin’ ny maty.
Ankehitriny
4) Asa 26 . 14
103
anefa Jesosy mihitsy no niseho taminy, ka resy lahatra ny amin’ ny
maha-marina ireo fitakiana nataon’ ny mpianatra i Saoly.
Tamin’ io ora nahazoany ny fahazavan’ ny lanitra io dia niasa tamin’ ny
fahafainganana mahagaga ny sain’ i Saoly. Nosokafana ho azony ireo tatitra ara-
paminaniana ao amin’ ny Soratra Masina. Hitany fa ny nandavan’ ny Jiosy an’ i
Jesosy, ny nanomboana Azy teo amin’ ny hazo fijaliana, ny nitsanganany tamin’
ny maty sy ny niakarany tany an-danitra, dia efa nambaran’ ny mpaminany
mialoha, ka nanaporofo fa Izy Ilay Mesia nampanantenaina. Tafiditra
tamin-kery tao an-tsain’ i Saoly ny toriteny nataon’ i Stefana tamin’ny nanaovana
azy ho maritiora, ka tsapany fa tena nibanjina «ny voninahitr’ Andriamanitra»
tokoa ilay maritiora raha niteny izy hoe; « Indro, hitako ny lanitra misokatra ary
ny Zanak’ olona mitsangana eo an-kavanan’ Andriamanitra »5. Nolazain’ ny
mpisorona fa fitenenan-dratsy an’ Andriamanitra ireo teny ireo; fantatr’ i Saoly
kosa ankehitriny fa marina izany.
Fanambarana manao ahoana izany ho an’ ilay mpanenjika! Fantatr’ i Saoly
ho zava-misy azo antoka izao fa efa tonga teto amin’ity tany ity Ilay Mesia
nampanantenaina dia Jesosy avy any Nazareta, ary nolavina sy nohomboan’ ireo
nahatongavany hovonjena Izy. Fantany koa fa nitsangana tamim-pandresena avy
tao amin’ ny fasana ny Mpamonjy ka niakatra ho any an-danitra. Tamin’ ny
fotoana nanaovan’ Andriamanitra fanambarana taminy dia tora-kovitra i Saoly
nahatsiaro fa natao sorona noho ny fanohanana nataony i Stefana, izay nijoro ho
vavolombelon’ ny Mpamonjy nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana sy
nitsangana tamin’ ny maty; ary taty aoriana, tamin’ ny alalan’ ny tenany no
nizakan’ ny mpanaraka an’ i Jesosy maro hafa feno fahamendrehana,
fahafatesana vokatry ny fanenjehana masiaka.
Niteny tamin’ i Saoly tamin’ ny alalan’ i Stefana ny Mpamonjy, ary tsy
azo niadian-kevitra ny fandaharany mazava. Nahita ny tarehin’ ilay maritiora
nitaratra ny fahazavan’ ny voninahitr’ i Kristy ilay Jiosy ambony fahaizana, dia
«tarehy tahaka ny tarehin’ anjely»6. Nahita maso ny faharipon’ i Stefana tamin’
ny fahavalony sy ny namelany ny helony izy. Nahita maso koa ny herim-po sy
ny fileferana am-pifaliana teo, amin’ ireo olona maro nampijaliany sy
nampahoriany izy. Nahita ny sasany nahafoy ny ainy sady niravoravo noho ny
amin’ finoany koa izy.

5) Asa 7 : 55, 56 6) Asa 6 : 15


104
Antso mahery vaika tamin’ i Saoly avokoa izany rehetra izany ka
indraindray dia nanery ny sainy hiaiky, noho ny faharesen-dahatra mila tsy ho
voatohitra, fa Jesosy no Mesia nampanantenaina. Tamin’ny fotoana toy ireny dia
nitolona mafy nandritra ny alina manontolo maro izy hapoherany io faharesen-
dahatra io, ary niafara mandra-kariva tamin’ ny filazany ny finoany izany fa tsy
Mesia Jesosy ary mpandray amtendrony voafitaka ny mpanaraka Azy.
Kristy izao no efa niteny tamin’ i Saoly tamin’ ny alalan’ ny feony mihitsy
nanao hoe: «Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy? » Ary iny feo iny
ihany no namaly ny fanontaniana hoe; «Iza moa hianao Tompoko?» tamin’ ny
hoe: «Izaho no Jesosy Izay enjehinao». Nampiray ny tenany tamin’ ny vahoakany
Kristy. Tamin’ ny nanenjehany ireo mpanaraka an’ i Kristy i Saoly dia namely
mivantana ny Tompon’ ny lanitra. Raha niampanga lainga sy nijoro ho
vavolombelona mandainga hamely azy ireo izy, dia niampanga lainga sy nijoro
ho vavolombelona hamely ny Mpamonjin’ izao tontolo izao.
Tsy nisy fisalasalana niditra tao an-tsain’ i Saoly fa Jesosy avy any
Nazareta no niteny taminy, dia Ilay Mesia efa nirina ela, Ilay Mpampionona sy
Mpanavotra an’ ny Isiraely. Tora-kovitra sady gaga izy nanontany hoe:
Tompoko, inona no tianao hataoko? Dia namaly ny Tompo ka nanao hoe:
«mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety
hataonao».
Rehefa niala ny voninahitra dia nitsangana avy tamin’ ny tany i Saoly ka
indro jamba tanteraka izy. Nahery loatra ho an’ ny mason’olombelona ny
famirapiratan’ ny voninahitr’ i Kristy; ary rehefa niala izany, dia ny haizin’ ny
alina no teo amin’ ny masony. Nino izy fa famaizana avy tamin’ Andriamanitra
izao fahajambana izao noho ny fanenjehana masiaka nataony tamin’ ireo
mpanaraka an’ i Jesosy. Nandadilady tao anatin’ ny haizina mahatsiravina izy,
sady natahotra no nitola-gagà ny mpiara-dia tamin; «nitantana azy ka
nitondra azy ho any Damaskosy ».
Ny marainan’ io andro nisehoan-javatra maro io, raha nanakaiky an’ i
Damaskosy i Saoly, dia nahatsapa fahafaham-po tamin’ ny tenany noho ny
fitokisana napetraky ny mpisoronabe taminy. Andraikitra lehibe no nankinina
taminy. Nirahina izy mba hampandroso ny tombon-tsoan’ ny fivavahana Jiosy
amin’ ny fanakanana, raha azo atao, ny fiparitahan’ ny fmoana vaovao any

105
Damaskosy. Nanapa-kevitra izy fa hosatroham-pahombiazanà ny iraka
nampanaovina, azy, ka efa nobanjininy mialoba, sady tsy andriny, ireo
fanandramana izay nantenainy fa teo anoloany.
Samibafa manao aboana amin’ ny zavatra noheveriny anefa ny nidirany
tao an-tanàna! Lasa jamba izy, malemy tsy manan-kery, nokaikerin’ ny nenina,
tsy fantany izay famaizana voatabiry ho azy. Nitady ny tranon’ i Jodasy mpianatra
izy, izay aliazoany manana fotoana malalaka hieritreretana sy hivavahana amin’
ny fahanginana.
Nandritra ny hateloana i Saoly dia «tsy nahita sady tsy nihinana na
nisotro». Tahaka ny taona maro ho azy ireo andro niatrehan’ ny fanahiny ady
mihatra aman’ aina. Niverimberina tao an-tsainy, ary nampitebiteby azy ny anjara
noraisiny tamin’ ny nahafatesan’ i Stefana ho maritiora. Tsiravina izy nieritreritra
ny heloka vitany tamin’ ny namelany ny tenany hofehezin’ ny haratsiam-panahy
sy ny hevitra nibahana tao an-tsain’ ny mpisorona sy ny mpanapaka, eny, na dia
tamin’ ny fotoana nampabazava ny tavan’ i Stefana tamin’ ny famirapiratan’ ny
lanitra aza. Nalahelo izy sady vaky ny fony namisavisa ireo fotoana imbetsaka
nanakimpiany ny masony sy nanampenany ny sofiny tsy hanaiky ny porofo
mazava indrindra, ka namporisihany tsy an-kiato ny fanenjehana ireo mpino an’
i Jesosy avy any Nazareta.
Lany teo amin’ ny fitokanana sy ny fanginana ireo andro nandinihany tena
akaiky sy nampietreny ny fony. Efa nahazo fampi-tandremana ny mpino ny amin’
ny fikasan’ i Paoly momba ny diany ho any Damaskosy, koa natahotra izy sao
dia fihetsika mifono fitaka no ataon’ i Saoly, mba hahazoany mamitaka azy
moramora kokoa; nihatakataka àry izy ireo, ary nandà ny hampiseho firaisam-po
taminy. Tsy nanam-paniriana hiantso ireo Jiosy tsy niova fo izy, izay nanaovany
drafitra hiray hina amin’ ny fanenjebana ny mpino; fantany mantsy fa tsy hihaino
na dia ny tantarany aza izy. Tamin’ izany izy dia toa voafefy tsy hisy olombelona
hiray fo taminy. Ny hany anantenany fanampiana dia Andriamanitra mamindra
fo ary Izy no nantsoiny raha torotoro ny fony.
Nandritra ireo ora lava naha-irery an’ i Saoly tamin’ Andriamanitra, dia
tsaroany ireo teny maro ao amin’ ny Soratra Masina mikasika ny fiavian’ i Kristy
voalobany. Narahiny tamim-pitandre-

106
Misy foto-kevitra lehibe omena antsika eo amin’ ny tantaran’ ny fiovam-
pon’ i Saoly — foto-kevitrà izay tokony hotehirizina ao an-tsaina mandrakariva.
Nentiny mivantana teo anatrehan’ i Kristy i Saoly. Olona nofidin’ i Kristy ho
amin’ ny asa lehibe indrindra izy, «fanaka voafidy» ho Azy; tsy nambaran’ i
Jéhovah taminy avy hatrany anefa ny asa notendreny ho azy. Nosakanany teo
amin’ ny lalany izy ary noresena lahatra ny amin’ ny fahotany; rehefa
nanontany Azy i Saoly hoe: «Inona no tianao ataoko?» dia nampifandraisin’ ny
Mpamonjy tamin’ ny fiangonany ilay Jiosy nanontany; ao no ahazoany fahalalana
ny amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra mikasika ny tenany.
Asan’ i Jéhovah no nahatonga ilay fahazavana mahagaga namirapiratra tao
amin’ ny haizina nisy an’ i Saoly; nefa nisy koa asa izay tokony hataon’ ny
mpianatra ho azy: Kristy no nanatanteraka ny asa fanambarana sy fandresen-
dahatra; ary ankehitriny izy nibebaka ka tonga 'eo amin’ ny toe-po ahazoany
mandray ny fahamarinana nentin’ ireo nirahin’ Andriamanitra hampianatra azy.
Raha nitohy nivavaka sy nitaraina samirery tao an-tranon’ i Jodasy i Saoly,
dia niseho tamin’ ny fahitana tamin’ ny «mpianatra anankiray tany Damaskosy,
atao hoe Ananiasy» ny Tompo, ka nilaza taminy fa mivavaka i Saoly avy any
Tarsosy ary mila fanampiana. «Mitsangàna, ka mandehana any amin’ ny làlana
atao hoe Imahitsy», hoy ilay mpitondra hafatra avy any an-danitra, «ka
izahao ao an-tranon’ i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa
indro efa mivavaka izy; ary izy efa nahita lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy
niditra ka nametra-tànana taminy, mba hahiratra indray ny masony».
Sarotra tamin’ i Ananiasy ny hino ny tenin’ ny anjely; efa niparitaka
hatraiza hatraiza mantsy ny tatitra momba ny fanenjehana mangidy nataon’ i
Saoly tamin’ ireo olona masina tany Jerosalema. Sahisahy namaly izy hoe;
«Tompoko, efa reko tamin’ ny maro ny haben’ ny ratsy nataon’ izany lehilahy
izany tamin’ ny olona masina tany Jerosalema. Ary manana fahefana koa avy
tamin’ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
Hentitra anefa ny baiko; «Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny
anarako eo anatrehan’ ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’ Isiraely ».

108
Fantatra tamin’ ny maha-mpiaro mafana fo ny fivavahana Jiosy
azy i Paoly teo aloha, sy mpanenjika tsy mety sasatra ireo mpanaraka
an’ i Kristy. Be herim-po, tsy mba miankin-doha ary manana faha-
retana izy; ary ny talentany sy ny fahaizana noraisiny dia ho nahafahany nanao
amim-pahombiazana saika ny zavatra rehetra. Afaka mandahatra ny heviny amin’
ny fomba mazava mahagaga izy, ary ny fanesoesoany mahamaina dia mametraka
ny mpanohitra-azy ho eo amin’ ny toerana tsy mahatsiriritra hitarafana azy.
Hitan’ ny Jiosy anefa izao fa niray tamin’ izay nenjehiny ity tovolahy nampa-
nantena ho avy mamirapiratra ity, ka mitory tsy amin-tahotra ny
anaran’ i Jesosy.
Ny jeneraly maty an’ ady dia very ho an’ ny tafika misy azy,
nefa tsy mitondra fanampin-kery ho an’ ny fahavalony ny fahafatesany.
Mifanohitra amin’ izany kosa, rehefa misy olona manana ny maha-izy azy
miandany amin’ ny herin’ ny mpanohitra, dia tsy hoe very fotsiny ny asa vitany,
fa mahazo tombony mazava koa ireo izay iandaniany. Raha ho any Damaskosy
Saoly avy any Tarsosy, dia nety ho faty mora foana izy tamin’ ny kapoka nataon’
i Jéhovah azy, ka ho betsaka ny hery niala tamin’ ny fahefana
nanenjika. Nefa tsy ny ain’ i Saoly ihany no narovan’ ny fitondran’
Andriàmanitra, fa'novany koa ny fony, ka tamin’ izany dia namindra
kalazatahy hiala avy tamin’ ny antokon’ ny fahavalo ho eo amin’ ny
antokon’ i Kristy Izy. Mpandaha-teny mahay sy mpitsikera sarotiny i Paoly ary
ny toetra nilaina indrindra tao amin’ ny fiangonana voalohany no hita teo amin’
ny fikasany hentitra sy ny herim-pony tsy resy.
Raha nitory an’ i Kristy tany Damaskosy i Paoly dia talanjona izay rehetra
nandre azy ka nanao hoe: «Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana
izany tany Jerosalema? ary tonga aty koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any
amin’ ny mpisoronabe?» Nambaran’ i Paoly fa tsy fihetseham-po na fandraisana
an-tendrony no nanosika azy hiova fo, fa porofo azo tsapain-tanana no nahatonga
izany. Niezaka ny hampiseho mazava ireo faminaniana mikasika ny fiavian’ i
Kristy voalohany izy teo amin’ ny famelabelarany ny filazantsara. Nàsehony ho
fehin-teny fa tanteraka ara-bakiteny tao amin’ i Jesosy avy any Nazareta ireo
faminaniana ireo. «Ny teny azo antoky ny faminaniana» no fototra iorenan’ ny
finoany.
Raha nitohy niantso ireo mpihaino azy nitolagaga i Paoly «mba hibebaka
sy hiverina amin’ Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana»3 dia
mainka nihanahery, dia nandresy
4) Asa 26 : 20
112
lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no
Kiisty. Betsaka anefa no nanamafy ny fony, ka nandà ny hihaino ny hafatra
nentiny ary vetivety dia nivadika fankahalana lalina toy izay efa nasehony tamin’
i Jesosy ny fahagagany nahita ny fiovam-pony.
Nihanasiaka indrindra ny fanoherana ka tsy navela hanohy ny asany tao
Damaskosy i Paoly. Nisy mpitondra hafatra avy any an-danitra nibaiko azy hiala
aloha kà «lasa nankany Arabia»4 izy tany no nahitany fialofana azo antoka. Tany
an’ efitra samirery tany i Paoly dia nanana fotoana mety malalaka hianarana sy
handinihan-tena tamim-panginana. Niverenany nodinihina tamim-pahatoniana
ny fanandramany tamin’ ny lasa sy ny nirosoany tamin’ ny asa fibebahana
marina. Nitady an’ Andriamanitra tamin’ ny fony rehetra izy, ka tsy nitsahatra
raha tsy fantany fa azo antoka_ny nanekena ny fibebahany sy ny namelana ny
helony. Niriny mafy ny hahazo toky fa hiaraka aminy Jesosy eo amin’ ny asany
ho avy. Nofoanany tao am-pony ny hevitra nibahana sy ny lovan-tsofma izay
namefy ny fiainany hatramin’ izao ary nandray baiko avy amin’ ilay loharanon’
ny fahamarinana izy. Niray fo taminy sy nampitombina azy tao amin’ ny finoana
Jesosy ka nandrotsaka taminy fatram-pahendrena sy fahasoavana mitafotafo.
Rehefa mifandray amin’ ny sain’ Andriamanitra ny sain’olom-belona,
rehefa mifandray amin’ ny tsy voafetra ny voafetra, dia tsy hay tombanana ny
vokatr’ izany eo amin’ ny vatana sy ny saina ary ny fanahy. Ny firaisana toy izany
no ahitana ny fanabeazana ambony indrindra. Izany no fomba ampiasain’
Andriamanitra hampivelatra ny tsilon-tsaina ao amin’ ny olona. «Mifankazara
amin’ ny Tsitoha hianao»5; izany no hafatra alefany ho an’ ny taranak’
olombelona.
Niha-nitambesatra teo amin’ ny fony hatrany ilay hafatrafatra miezinezina
nomena azy fony izy nihaona tamin’ i Ananiasy. Ho valin’ ny teny hoe: «Ry
Saoly, rahalahy, mahirata», dia voalohany no nibanjinan’ i Paoly ny endrik’ i
Ananiasy, lehilahy tia vavaka, izay notsindrin’ ny Fanahy Masina ka niteny
taminy hoe: «Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny
sitrapony sy hahita ny Iray Masina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;
fa ho vavolombelony amin’ ny olona rehetra hianao ny amin’ izay efa hitanao sy
renao. Ary ankehitriny inona no mampijanona anao?
4) Gal. 1:17 5) Joba 22 : 21
8 — Vavolombelona Mahery
113
Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa hianao
ka hosasana ho afaka amin’ ny fahotanao » 6.
Nifandrindra tamin’ ny tenin’ i Jesosy ireo teny ireo, tamin’ ny nanakanany
an’ i Saoly teo amin’ ny diany ho any Damaskosy ka nanaovany hoe: «izao no
nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny
amin’ izay efa nahitanao Ahy sy izay hisenoako aminao, hamonjy anao avy
tamin’ ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, hampahiratra ny
masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’ i
Satana ho amin’ Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’
izay nohamasinina noho ny finoana Ahy»7.
Raha nandanjalanja izany tao am-pony i Saoly dia azony mazava-zava
kokoa ny dikan’ ny fiantsoana azy «ho Apostolin’ i Jesosy Kristy noho ny
sitrapon’ Andriamanitra»8. Tonga ny antso ho azy, tsy avy tamin’ olona, na
tamin’ ny alalan’ ny olona, fa tamin’ ny «alalan’ i Jesosy Kristy sy Andriamanitra
Ray»9. Nitarika azy handinika betsaka ny Soratra Masina ny halehiben’ ny asa
teo anatrehany mba hahazoany mitory ny filazantsara «tsy tamin’ ny teny fahen-
drena, fandrao ho foana ny hazo fijalian’ i Kristy», fa «tamin’ ny fanehoan’ ny
Fanahy sy ny hery, mba tsy hiorenan’ ny finoanareo amin’ ny fahendren’ ny
olona, fa amin’ ny herin’ Andriamanitra ihany»10.
Raha nandinika ny Soratra Masina i Paoly dia hitany fa nandritra ny
taonjato nifandimby dia «tsy firy no olornhendry araka ny nofo, tsy firy no olona
mhery, tsy firy no avo razana; fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’
Andriamanitra mba hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’ izao
tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery , ary ny iva
razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’ Andriamanitra, dia
ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo
mirehareha eo anatrehan’ Andriamanitra»11. Ary raha nahita ny fahendren’ izao
tontolo izao teo amin’ ny fàhazavan’ ny hazo fijaliana i Paoly dia «ninia tsy
hahafantatra zavatra hafa... afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy
voahombohamin’ ny hazo fijaliana»12.
Nandritra ny asa nataony taty aoriana, dia tsy very teo imasony mihitsy
Ilay loharanon’ ny fahendrena sy ny hery. Henoy izy taona maro taty aoriana raha
nilaza hoe: «Fa Kristy no anton’ ny
6) Asa 22 : 13 - 16 7) Asa 26 : l6 -18 8) 1 Kor. 1 ; 1
9) Gal. 1 : 1 10) 1 Kor. 1 : 17 ; 2 : 4, 5 11) 1 Kor. 1: 26 - 29
12) 1 Kor. 2 : 2
114
ahavelomako»13 Ary koa; «Fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra
noho ny fihoaran’ ny hatsaran’ ny fahalalana an’ i Kristy Jesosy Tompoko, Izay
niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra... mba hahazoako an’ i Kristy; ary mba
ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin’ ny lalàna, fa
izay avy amin’ ny finoana an’ i Kristy, dia ny fahamarinan’ Andria-
manitra amin’ ny finoana, eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ ny fitsanganany
tamin’ ny maty ary ny fiombonana amin’ ny fijaliany ka hampitovina amin’ ny
endriky ny fahafatesany»14.
Ary tany Arabia i Paoly dia «niverina ho any Damaskosy indray»15 ka
«nitory tamin-kahasahiana ... tamin’ ny anaran’ i Jesosy». Tsy afaka nanohitra ny
fahendren’ ny fonjan-kevitra nentiny ny Jiosy ka «nihendry hamono azy».
Nambenana tsara ny vavahadin’ny tanàna andro aman’ alina mba hanakanana azy
tsy handositra. Nitarika ny mpianatra hitady an’ Andriamanitra tamin-kafanam-
po io zava-tsarotra io, ary tamin’ ny farany dia «naka azy nony alina ka nampidina
azy tamin’ ny sobiky avy eo amin’ ny manda»16
Rehefa nandositra avy tao Damaskosy i Paoly dia nankany Jerosalema,
tokony ho telo taona taorian’ ny fiovam-pony. Ny tena an ton’ io diany io, araka
ny nambarany taty aoriana, dia ny «hamangy an’ i Kefasy » l7. Raha tonga tao an-
tanàna izay nampahalaza azy tamin’ ny anarana hoe «Saoly mpanenjika» izy, dia
«nitady hiray tamin’ ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino
azy ho mpianatra». Sarotra ho azy ny hino fa Fariseo tia vavaka diso toerana toy
izao izay efa nahavita asa betsaka mba hanimbana ny fiangonana, no mety ho
tonga mpanaraka an’ i Jesosy marina tokoa. « Fa Barnabasy naka azy ka nitondra
azy ho any amin’ ny Apostoly dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy
ny nitenenany taminy tany an-dàlana ary ny fahasahiany nitory ny anaran’ i
Jesosy tany Damaskosy ».
Rehefa nandre izany ny mpianatra, dia nandray azy ho anisany. Vetivety
dia nanana porofo be dia be izy ny amin’ ny maha-tena izy ny fanandramana
kristiana nataony. Tao amin’ ny tanàna nitoeran’ny maro amin’ ireo mpiara-
miasa taminy teo aloha izao ilay ho apostolin’ ny jentilisa, ary niriny tokoa raha
niriny ny hanazava amin’ ireo mpitarika Jiosy ireo ny faminaniana mikasika ny
Mesia, izay efa tanteraka tamin’ ny niavian’ ny Mpamonjy. Tsapan’ i Paoly
fa madio fo sy marin-toetra tahaka azy koa ireto mpampianatra

13) Filip. 1 : 21 14) Filip 3 : 8 - 10 15) Gal. 1 : 17


16) Asa 9 : 25 17) Gal. 1 : 18
115
ao Isiraely ireto. Diso fihevitra ny toe-tsain’ ireo rahalahiny izy; noho ny
fanantenany azy ireo hiova fo haingana dia tratran’ ny fahadisoam-panantenana
mangidy izy. Na dia «nitory tamin’ ny anaran’ ny Tompo tamin’ ny fahasahiana
ary niresaka sy niady hevitra tamin’ ny Helenista» aza izy, dia nandà ny hino azy
ireo izay teo amin’ ny lohan’ ny fiangonana Jiosy, «fa ireo nitady hahafaty azy».
Feno alahelo ny fony. Ho nafoiny an-tsitrapo ny ainy raha izany no fomba
ahazoany mitondra fahalalana ny fahamarinana. Menatra izy mieritreritra ny
anjara noraisiny tamin’ ny namonoana an’i Stefana ho maritiora, ary ny
mampitebiteby azy izao dia ny hikosoka ny loto mitoetra amin’ ilay nampangaina
lainga toy izany, ka niezaka ny hiaro ny fahamarinana izay nahafoizan’ i Stefana
ny fiainany izy.
Nanindry ny fon’ i Paoly ny amin’ ireo nandà ny hino raha nivavaka tao
amin’ ny tempoly izy, araka izay nijoroan’ izy tenany ho vavolombelona tatÿ
aoriana, fony izy azon’ ny tsindrimandry; nisy mpitondra hafatra avy any an-
danitra niseho teo anatrehany ka nanao taminy hoe; «Maladia hianao, ka mivoaha
faingana an’ I Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy izy »18.
Te hijanona ao Jerosalema i Paoly; afaka hiatrika ny fanoherana
izy tao. Toa hakanosana aminy izany mandositra, raha mety handresy lahatra ny
sasany amin’ ireo Jiosy mafy lohany fijanonany fa marinany hafatry ny
filazantsara, eny, na dia hihatra amin’ ny ainy aza ny fijanonany. Noho izany dia
namaly izy hoe: «Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao
an-trano-maizina sady nokapohiko tao amin’ ny Synagoga rehetra; ary raha
nalatsaka ny ran’ i Stefana maritioranao, izàho koa dia mba nitsangana teo ka
nanaiky sady nitandrina ay fitafian’ izay namono azy». Tsy nifandrindra tamin’
ny fikasan’ Andriamanitra anefa ny hanaovany ny ainy ho vivery amin’ ny tsy
antony; dia namaly ilay mpitondra hafatra avy any an-danitra hoe: «Mandehana,
fa Izaho haniraka anao lavitra any amin’ ny jentilisa»19.
Raha nandre ny amin’ io fahitana io ireo rahalahy dia nanafaingana ny
fandosiran’ i Paoly an-tsokosoko avy tao Jerosalema, noho ny fahatahorany ny
hamonoana azy. «Dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny
ho any Tarsosy ». Nampiato kely ny fanoherana mahery vaika nataon’ ny Jiosy
ny nandehanan’ i Paoly, ary nisy fotoana niadanan’ ny fiangonana, ka betsaka no
nanampy ny isan’ ny mpino.
18) Asa 22 : 18 19) Asa 22 : 19 – 21

116
14

Mpikatsaka ny
fahamarinana

Nandeha namangy ireo mpino tany Lyda ny apôstoly Petera tamin’ ny asa
fanompoana nataony. Nanasitrana an’ i Enea izy tao, izay efa nandry valo taona
teo am-parafara, fa mararin’ ny paralysisa. «Ry Enea, manasitrana anao Jesosy
Kristy; hoy ny apostoly, mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana
niaraka tamin’ izay izy. Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy
Sarôna, ka dia niverina ho amin’ ny Tompo»,
Tany Joda, izay akaikin’ i Lyda, dia nisy vehivavy iray natao hoe Dorkasy
izay nankasitrahana indrindra noho ny asa tsara nataony. Mpianatr’ i Jesosy
mendrika izy, ary feno asam-pitiavana ny fiainany. Eantany izay nila fitafiana
mafana sy izay nila firaisam-po, ary nalala-tanana tamin’ ny mahantra sy ny tra-
pahoriana izy. Ireo rantsan-tanany kinga dia nahery niasa kokoa noho ny lelany.
«Ary narary izy tamin’ izany andro izany, ka dia maty». Tsapan’ ny
fiangonana tany Jopa ny fatiantoka teo aminy, ka raha reny fa tao Lyda i Petera,
dia nandefa iraka ho any aminy ny mpino «hangataka azy hoe; Aza misalasala
hankaty aminay. Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony
tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra
nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay
nozairin’ i Dorkasy fony fahavelony». Raha, nahita ny fiainam-

Mifototra amin’ ny Asa 9 : 32 ka hatramin’ ny Asa 11 : 18 ity toko ity.


117
panompoana niainan’ i Dorkasy izy ireo dia tsy mahagaga raha nitomany, tsy
mahagaga raha nafana ny ranomaso nirotsaka teo amin’ ilay vatana tsy nisy aina.
Voatohina ny fon’ ny apostoly raha nahita ny alahelo ka nangoraka azy.
Dia nasainy navoaka ireo havana aman-tsakaiza «nitomany, dia nandohalika izy
ka nanao vavaka mafana tamin’ Andriamanitra mba hamerina ny aina tamin’ ilay
vatana mangatsiaka ka nanao hoe: «Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny
masony; ary raha nahita an’ i Petera izy, dia niarina». Nahavita soa betsaka tamin’
ny fiangonana i Dorkasy, ary hitan’ Andriamanitra fa mety ny hamerenana azy
avy amin’ ny tanin’ ny fahavalo, mba ho tonga fitahiana ho an’ ny hafa ny
fahaizany sy ny herim-pony, ary mba hitombo hery ny asan’ i Kristy amin’ ny
alalan’ ny fanehoana ny heriny toy izany.
Raha mboia tany Jopa i Petera dia nantsoin’ Andriamanitra hitondra ny
filazantsara ho any amin’ i Kornelio any Kaisaria izy.
Kapiteny roinana i Kornelio. Lehilahy manan-karena sy ambony
firazanana izy ary toeram-pitokisana sy toeram-boninahitra no notazoniny.
Jentilisa izy raha ny nahaterahany sy ny fitaizana ary ny fanabeazana noraisiny,
na dia nahazo fahalalana an’ Andriamanitra aza izy tamin’ ny nifandraisany
tamin’ ny Jiosy, ka nanompo Azy tamin’ ny fony marina, ary nasehony tamin’ ny
fangorahana ny mahantra ny fahatsoran’ ny fony. Fantatry ny akaiky sy ny lavitra
izy tamin’ ny fahalemem-panahiny, ka nahatonga azy ho tsara laza
teo amin’ ny Jiosy sy ny jentilisa ny fiainany marina. Fitahiana ho an’ izay rehetra
nifandray taminy ny hery miasa mangina avy taminy. Lazain’ ny Soratra Masina
fa «mpivavaka tsara sady natahotra an’ Andriamanitra izy mbamin’ ny
ankohonany rehetra, ka nanao fiantrana be tamin’ ny olona sady nivavaka tamin’
Andriamanitra mandrakariva ».
Nino i Kornelio fa Mpamorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra ka
nanaja Azy izy, nanaiky ny fahefany, ary nitady toro-hevitra taminy tamin’ ny
toe-javatra rehetra teo amin’ ny fiainany. Nahatoky tamin’ i Jéhovah izy teo amin’
ny fiainan-tokantranony sy teo amin’ ny asa aman-draharahany. Nanangana
alitara ho an’ i Jéhovah tao an-tokantranony izy, satria tsy sahy nanatanteraka
ny drafitra nataony na nandray andraikitra izy raha tsy nisy ny fanampian’
Andriamanitra.

118
Na dia nino ny faminaniana aza i Kornelio ka nibanjina ny fiavian’ ny
Mesia, dia tsy nanana fahalalana ny filazantsara araka izay naseho teo amin’ ny
fiainana sy ny fahafatesan’ i Kristy izy. Tsy mambra tao amin’ ny fiangonana
jiosy izy ka ho noraisin’ ny raby ho jentilisa sy tsy madio. Nefa Ilay Masina
nitsinjo an’i Abrahama ka nanao hoe: «Fantatro izy», dia nahafantatra an’ i
Kornelio koa ka naniraka mpitondra hafatra mivantana avy any an-danitra ho azy.
Niseho tamin’ i Kornelio ny anjely raha mbola nivavaka izy. Rehefa ren’
i Kornelio fa nisy niantso azy tamin’ ny anarany dia natahotra izy. Fantany anefa
fa avy tamin’ Andriamanitra ilay mpitondra hafatra ka hoy izy hoe: «Ahoana,
Tompoko?» Namaly ny anjely hoe: «Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa
tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’ Andriamanitra. Koa ankehitriny
maniraha olona hankany Jopa ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa
Petera; mitoetra ao amin’ i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina
ny tranony ».,
Ny antsipiriany amin’ ireo baiko ireo, izay nanononana na dia ny asa
ataon’ ilay olona nipetrahan’ i Petera aza, dia maneho fa fantatry ny lanitra ny
tantara sy ny asa aman-draharahan’ ny olona eo amin’ ny ambaratongan’ ny
fiainana rehetra. Mahazatra an’ Andriamanitra ny fanandramana sy ny asan’ ny
mpiasa tsotra, toy ny ataonyamin’ ny asan’ ny mpanjaka eo amin’ ny seza
fiandrianan’ ny mpanjaka.
«Maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anan-kiray».
Nasehon’ Andriamanitra mazava tamin’ izany ny fanarahany maso ny asan’ ny
filazantsara sy ny fiangonany voalaminy. Tsy nalefa hilaza ny tantaran’ ny hazo
fijaliana tamin’ i Kornelio ny anjely. Olona tahaka ilay kapiteny koa, izay
ambanin’ ny ziogan’ ny fahalemen’ ny olombelona sy ny fakam-panahy, no
hilaza aminy ny tantaran’ ny Mpamonjy nohomboina tamin’ ny hazo fijaliana sy
nitsangana tamin’ ny maty.
Tsy nifidy anjely tsy mbola lavo mihitsy Andriamanitra ho solontenany eo
anivon’ ny olona, fa olombelona, olona manana fironana tahaka ireo iezahany
hovonjena ihany. Nitafy ny maha-olombelona Kristy mba hahazoany mahatratra
ny maha-olombelona. Mpamonjy sady olombelona no Andriamanitra no nilaina
hitondra famonjena ho an’ izao tontolo izao. Ary nankininy tamin’ ny lehilahy

119
sy ny vehivavy ny hafatra masina hampahafantatra «ny haren’ i Kristy tsy hita
lany »1.
Noho ny fahendren’ Andriamanitra, dia entiny ireo izay mikatsaka ny
fahamarinana hifandray amin’ ny mpiara-belona aminy izay mahafantatra ny
fahamarinana. Ny drafitry ny lanitra dia izao: izay nandray ny fahazavana no
mizara izany amin’ izay mitakizina ao amin’ ny haizina. Ny taranak’olombelona
nigoka avy amin’ Ilay Loharanon’ ny fahendrena dia manjary fitaovana,
elanelana manao ny asa izay entin’ ny filazantsara hampihatra ny heriny manova
eo amin’ ny saina sy ny fo.
Faly i Kornelio nankato ny fahitana. Rehefa lasa ny anjely, dia «niantso
roa lahy tamin’ ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan’
izay nanaraka azy isan’ andro. Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany,
dia naniraka azy hankany Jopa izy».
Rehefa avy niresaka tamin’ i Kornelio ny anjely, dia nankany amin’ i
Petera any Jopa izy. Nivavaka teo an-tampon’ ny trano nipetrahany i Petera
tamin’ izay, ary izao no vakintsika hoe; «noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha
mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy». Tsy sakafo ara-nofo
fotsiny no nahanoana an’ i Petera. Raha nitazana ny tanànan’ i Jopa sy ny
manodidina azy teo an-tampon-trano izy, dia naha-noana azy ny famonjena ny
mpiray tanindrazana taminy. Naniry mafy ny haneho aminy ireo faminaniana
mikasika ny fahoriana sy ny fahafatesan’ i Kristy ao amin’ ny Soratra
Masina izy.
Hitan’ i Petera tao amin’ ny fahitana «ny lanitra misokatra, sady nisy
zavatra nidina toa lamba lehibe nampidinina tamin’ ny zorony efatra ho amin’ ny
tany; ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-
mandady sy mikisaka ety an-tany ary ny voro-manidina. Ary nisy feo nanao
taminy hoe: «Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano. Fa hoy Petera: Sanatria,
Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. Fa hoy ilay feo
taminy fanindroany: Izay efa nodiovin’ Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
Ary intelo no nanaovana izany dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin’ izay
ilay zavatra».
Sady nanome tsiny no nampianatra an’ i Petera ity fahitana ity. Nanambara
taminy ny fikasan’ Andriamanitra izany, izay milaza fa ho tonga mpiara-
mandova ireo fitahian’ ny famonjena amin’ ny
1) Efes. 3 : 8
120
Jiosy ny Jentilisa amin’ ny alalan’ ny fahafatesan’ i Kristy. Tsy mbola nisy
mpianatra nitory ny filazantsara tany amin’ ny Jentilisa. Tao an-tsainy dia mbola
nisy ilay rindrim-pisarahana efa nazeran’ ny fahafatesan’ i Kristy, ary noferany
tamin’ ny Jiosy ny asany satria noheveriny ho tsy mahazo anjara amin’ ny
fitahian’ ny filazantsara ny Jentilisa. Izao kosa ny Tompo dia niezaka
hampianatra an’ i Petera ny fitaran’ ny drafitra nataon’Andriamanitra hanerana
an’ izao tontolo izao.
Betsaka ny Jentilisa no mpihaino liana dia liana ny amin’ ny toritenin’ i
Petera sy ireo apostoly hafa, ary betsaka ny Jiosy helenista no nanjary mpino an’
i Kristy, fa ny fiovam-pon’ i Kornelio no fiovam-po voalohany navesa-danja teo
anivon’ ny Jentilisa.
Tonga ny fotoana hidiran’ ny dingana vaovao tanteraka eo amin' ny
Fiangonan’ i Kristy. Ny varavaran’ ireo Jiosy niova fo, izay nikatona tsy idiran’
ny Jentilisa, dia hivoha midanadana izao. Ary horaisina hitovy lenta amin’ ny
mpianatra jiosy ireo Jentilisa nianaiky ny filazantsara, ary tsy zavatra tsy maintsy
ilaina tsy akory ny fana-rahany ny fombafomba momba ny famorana.
Akory izany fikarakaran’ ny Tompo ny asany hoenti-mandresy ny hevitra
nibahana sy tafalentika lalina tao an-tsain’ i Petera, noho ny fanabeazana Jiosy
noraisiny hoenti-manohitra ny Jentilisa! Ny fahitana momba ny lamba sy ny tao
anatiny dia niezahany hamily ny sain’ ny apostoly hiala amin’ io hevitra nibahana
io sy hampianatra azy ny fahamarinan-dehibe milaza fa tsy misy fizahan-tavan’
olona any an-danitra; fa samy sarobidy eo imason’ Andriamanitra ny Jiosy sy ny
Jentilisa; fa mety ho tonga mpiray amin’ ny fitalriana sy ny tombontsoan’ ny
filazantsara ny Jentilisa-amin’ ny alalan’ i Kristy.
Raha teo am-pieritreretana ny dikan’ ny fahitana i Petera, dia tonga tao
Jopa ireo olona nalefan’ i Kornelio, ka nijoro teo am-baravaran’ ny trano
nitoeran’ i Petera. Dia niteny taminy ny Fanahy hoe: «Indreo, misy telo lahy
mitady anao; fa mitsangàna hianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy,
ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy ».
Fitsapaha ho an’ i Petera izany baiko izany, ary tsy narisika izy nanao ny
dingana tsirairay hanatanterahana ny adidy napetraka taminy; tsy sahy tsy
nankatô anefa izy. Nidina tany amin’ ireo olona ireo izy ka nanao hoe; « Inty aho
izay tadiavinareo; inona

121
no antony nahatongavanareo aty?» Nambarany taminy ny iraka hafa kely
nampanaovina azy hoe; «Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an’
Andriamanitra ka tsara laza amin’ ny firenen’ ny Jiosy rehetra, dia efa natoron’
ny anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy
aminao».
Ho fankatoavana ny baiko vao noraisiny tamin’ Andriamanitra,
dia nampanantena ny hiaraka amin’ ireo olona ireo ny apostoly.
Ny ampitso maraina dia nankany Kaisaria izy niaraka tamin’ ny
rahalahy enina. Ho vavolombelon’ izay rehetra holazainy sy hataony
ireo rahâ mamangy ny Jentilisa izy; fantatr’ i Petera niantsy fa hampamoahina izy
ny amin’ ny fandikana mivantana toy izao ny fampianarana jiosy.
Raha niditra tao an-tranon’ i Kornelio i Petera, dia tsy niarahaba azy toy
ny mpamangy tsotra izy, fa toy ny olona be voninahitra nalefan’ Andriamanitra
teo aminy. Fomba tatsinanana ny miankohoka eo anatrehan’ ny andriandahy na
ny manam-boninahitra hafa, ary fomban’ ny ankizy ny miankohoka eo anatrehan’
ny ray aman-dreny; fa Kornelio kosa, heniky ny fanajana an’ ilay nirahin’
Andriamanitra hampianatra azy, dia niankohoka teo an-tongotry ny apostoly,
sady nitsaoka azy. Tsiravina i Petera, ka nampitsangana azy nanao hoe: «
Mitsangàna, fa izaho dia olona ihany ».
Raha nandeha tany amin’ ny nanirahana azy ireo mpitondra hafatr’ i
Kornelio, dia «nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany» kosa i Kornelio,
mba ho afaka hihaino ny fitoriana ny filazantsara tahaka azy koa izy ireo. Rehefa
tonga i Petera, dia olona marobe niandry dia niandry tokoa ny hihaino ny teniny
no hitany.
Ny momba ny fomban’ ny Jiosy aloha no nambaran’ i Petera tamin’ izay
nivory teo, ka nolazainy fa noheverina ho fandikan-dalàna ho an’ ny Jiosy ny
mifangaro amin’ ny Jentilisa eo amin’ ny fiaraha-monina, fa midika ho
fahalotoana eo amin’ ny fombam-pivavahana izany. «Hianareo mahalala fa fady
amin’ ny Jiosy ny hanamdraharaha na hiantrano amin’ ny olona hafa firenena;
nefa izaho efa nampahafantarin’ Andriamanitra fa tsy misy olona azoko
atao hoe fady na tsy madio. Ary amin’ izany dia tsy nandà ny hankaty aho, raha
nampanalaina; koa manontany aho; Ahoana mba no nampanalanareo ahy? »
Dia notantarain’ i Kornelio ny fanandraraana nataony sy ny tenin’ ny
anjely, ary izao no fehin-teny nolazainy: «Koa niaraka tamin’ izay dia naniraka
tany aminao aho; ary nanao soa hianao
122
no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan’ Andriamanitra
hihaino izay rehetra nandidian’ ny Tompo anao».
Hoy i Petera: «Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona
Andriamanitra; fa amin’ ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao
ny marina no ankasitrahany ».
Dia nitory an’ i Kristy tamin’ ireto olona nivory nanongilan-
tsofina nihaino ny apostoly, dia ny momba ny fiainany, ny fahagagana nataony,
ny namadihana sy ny nanomboana Azy teo amin’ ny hazo fijaliana ny
nitsanganany tamin’ ny maty sy ny niakarany any an-danitra ary ny asany any an-
danitra amin’ ny maha-solontenan’ ny olona sy mpisolovava Azy, Rehefa
natodik’ i Petera tamin’ i Jesosy ho hany fanantenana ho an’ ny mpanota ireo
nanatrika teo, dia nazava tamin’ ny tenany kokoa ny dikan’ ny fahitana hitany, ka
nampiredareda ny fony ny fanahin’ ny fahamarinana izay nasehony.
Tapaka tampoka ny toriteny noho ny filatsahan’ ny Fanahy Masina. «Raha
mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’ izay rehetra nandre ny
teny ny Fanahy Masina. Ary talan-jona ny mino isan’ ny voafora izay niaraka
tamin’ i Petera, satria nilatsaka tamin’ ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny
Fanahy Masina. Fa nandre azy niteny tamin’ ny fiteny tsy fantatra sy nanka-
laza an’ Andriamanitra izy».
«Dia namaly Petera ka nanao hoe: Moa misy olona mahazo mandrara ny
rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika
koa? Dia nasainy natao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy izy».
Toy izany no nitondrana ny filazantsara tamin’ ireo izay vahiny sy
mpivahiny, ka nahatonga azy «ho mpiray fanjakana amin’ ny olona masina sy
ankohonan’ Andriamanitra». Voaloham-bokatra amin’ izay mbola hangonina i
Kornelio sy ny ankohonany. Avy ao amin’ io ankohonana io dia nisy asan’ ny
fahasoavana niparitaka lavitra tao amin’ io tanàna jentilisa io.
Ankehitriny Andriamanitra dia mitady fanahy novonjena, na eo amin’ ireo
olona ambony, na eo amin’ ireo ambany amin’ izao tontolo izao. Betsaka no
tahaka an’ i Kornelio, dia olona izay irin’ i Jéhovah hifandray amin’ ny asany eo
amin’ izao tontolo izao. Mifandray am-po àmin’ ny vâhoakan’ ny Tompo izy,
nefa mitana azy mafy

123
ny fatorana mamatotra azy amin’ izao tontolo izao. Mitaky herim-panahy aminy
ny fiandaniana amin’ i Kristy. Tokony hisy ezaka manokana atao ho an’ ireny
fanahy ireny izay tandindomin-doza be tokoa, noho ny andraikitra tazoniny sy ny
fikambanana misy azy.
Miantso mpiasa mafana fo sy tsotra Andriamanitra, izay hitondra ny
filazantsara amin’ ny saranga ambony kokoa. Hisy fahagagana hampiova fo
marina, dia fahagagana izay tsy hay hazavaina hatramin’ izay. Tsy hoe tsy
voafaokan’ ny herin’ Ilay Andriamanitra manao fahagagana tsy akory ny olona
ambony indrindra eo amin’ izao tontolo izao! Raha mahay manararaotra ny
fotoana mety ny olona miara-miasa Aminy, ka manao ny adidiny amin’ ny fony
sy amim-pahatokisana, dia hanova ny fon’ ny olona izay mitana toerana be
andraikitra Andriamanitra, olona avara-pianarana sy manana hery miasa mangina
avy aminy. Betsaka no hanaiky ireo foto-kevitra avy amin’ Andriamanitra amin’
ny alalan’ ny herin’ ny Fanahy Masina. Niova fo ho amin’ ny fahamarinana izy,
ka ho tonga fiasana eo am-pelatanan’ Andriamanitra hampita fahazavana hafa ao
amin’ ity saranga natao antsirambina ity. Hatokana ho an’ ny asan’ i Jéhovah ny
fotoana sy ny vola, ka hisy fahombiazana sy hery vaovao hanampy ny
fiangonana.
Saina velona teo amin’ ny fankatoavana ny baiko rehetra efa noraisiny i
Kornelio, dia nalamin’ Andriamanitra ny toe-javatra mba handraisany ny
fahamarinana bebe kokoa. Nisy mpitondra hafatra avy tany amin’ ny lapan’ ny
lanitra nalefa tany amin’ ny manam-boninahitra Romana sy Petera, mba
hahafahan’ i Kornelio mifandray amin’ olona izay afaka hitarika azy amin’ ny
fahazavana lehibe kokoa.
Betsaka ny olona eto amin’ izao tontolo izao misy antsika no akaikin’ ny
fanjakan’ Andriamanitra mihoatra noho ny iheverantsika azy. Manana vatosoa
sarobidy maro ny Tompo eto amin’ ity izao tontolo izao maizin’ ny fahotana ity,
ary tarihiny ho amin’ ireo ny mpitondra hafatra nalefany. Hatraiza hatraiza dia
misy ireo hiandany amin’ i Kristy. Betsaka no hankafy ny fehendren’
Andriamanitra mihoatra noho ny tombontsoa ara-nofo, ka ho tonga mpitondra
fahazavana mahatoky. Teren’ i Kristy izy, ka hanery ny hafa koa hanatonaAzy.
Rehefa ren’ ireo rahalahy tany Jodia fa nankany amin’ ny tranon’
ny Jentilisa i Petera, ka nitory tamin’ ny olona tafavory tao, dia gaga sy
tafintohina izy ireo. Natahotra izy sao hisy vokany ho fanoherana

124
ny fampianarana ataony izao fomba izay noheveriny fa ho fahasahisahiana foana
izao. Rehefa nahita an’ i Petera izy dia nanome tsiny azy mafy nanao hoe: «Efa
niantrano tany amin’ ny olona tsy voafora hianao sady niara-nihinana taminy ».
Novelarin’ i Petera teo anatrehany ny zavatra rehetra. Notantarainy ny
fanandramana nataony mikasika ny fahitana, ary noha-zavainy fa nibaiko azy tsy
hitandrina intsony ny fanavahana ny voafora sy ny tsy voafora araka ny lalàna
seremoniely izany, na hihevitra ny jentilisa ho tsy madio. Nambarany taminy ny
baiko nomena azy ho any amin’ ny jentilisa, ny nahatongavan’ ireo mpitondra
hafatra, ny diany tany Kaisaria, sy ny fihaonany tamin’ i Kornelio. Nolazainy ny
votoatin’ ny resaka nifanaovany tamin’ ilay kapiteny izay nitantarany tatÿ
aoriana, ny fahitana izay nampaniraka azy hampaka an’ i Petera.
«Ary raha vao niteny aho, hoy izy nitantara ny fanandramany, dia nilatsaka
taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny. Dia nahatsiaro ny tenin’
ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin’ ny rano fa hianareo
kosa dia hatao batisa amin’ ny Fanahy Masina. Koa raha mba nomen’
Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an’ i Kristy
Tompo, dia iza moa aho nohahasakana an’ Andriamanitra? »
Raha nandre io tatitra io ny rahalahy dia nangina. Resy lahatra izy fa
fanatanterahana mivantana ny drafitra nataon’ Andriamanitra ny nataon’ i Petera,
ary ny hevitra nibahana tao an-tsainy, fa azy samirery ny famonjena, dia
mifanohitra tanteraka tamin’ ny toe-tsain’ ny filazantsara. Koa nankalaza an’
Andriamanitra izy manao hoe: «Efa nomen’ Andriamanitra ny jentilisa koa ny
fibebahana hahazoany fiainana ».
Toy izany no naharava ny hevitra nibahana tao am-po, nefa tsy nisy
adihevitra; nialana ny fiheverana ho an’ ny tena samirery ny famonjena, tarazo
napetraky ny fomba amam-panao nandritra ny andro maro nifandimby, ary
nisokatra ny lalana hitoriana ny filazantsara amin’ ny jentilisa.

125
15

Afaka avy tao


an-tranomaizina

«Ary tamin’ izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany


hampahory ny sasany tamin’ ny fiangonana ».
Ny fitondram-panjakana tao Joda tamin’ izay dia teo am-pelatanan’ i
Heroda Agripa, teo ambanin’ ny fahefan’ i Klodio, Amperora romana. Nitana ny
toeran’ ny mpitondra tany Galilia koa i Heroda. Raha araka ny finoany dia
mpanaraka ny finoana jiosy izy, ary ny fahitana azy dia sarotiny mihitsy teo amin’
ny fanatanterahana ireo fombam-pivavahana teo amin’ ny lalàna jiosy.
Naniry ny hahazo fankasitrahana amin’ ny Jiosy izy, ary nanantena tamin’ izany
fa ho azony antoka ny toerana sy ny voninahiny, koa notohizany ny
fanatanterahana ny fanirian’ izy ireo tamin’ ny fanenjehana ny fiangonan’ i
Kristy, tamin’ ny fandrobana ny trano sy ny fananan’ ny mpino, sy tamin’ ny
fanaovana am-ponja ireo mambra mpitarika ao amin’ ny fiangonana. Nataony
tany an-trano-maizina i Jakoba rahalahin’ i Jaona, ary nandefa olona izy hamono
azy amin’ ny sabatra, tahaka ny nataon’ ilay Heroda anankiray nampanapa-doha
an’ i Jaona. Hitany fa nahafaly ny Jiosy izany ezaka izany, dia nataony tao an-
tranomaizina koa i Petera.
Nandritra ny Paska no nanaovana ireo habibiana ireo. Nankalaza ny
fahafahany avy tany Egypta ny Jiosy, ary naneho hafanam-po be mikasika ny
lalàn’ Andriamanitra izy; niaraka tamin’ izany anefa

Mifototra amin’ ny Asa 12 : 1 - 23 ity toko ity.


127
dia nandika ny foto-kevitra rehetra eo amin’ ny lalàna izy amin’ ny fanenjehana
sy ny famonoana ny mpino an’ i Kristy.
Nahatonga alahelo be sy nahavery hevitra ny mpino ny naha-fatesan’ i
Jakoba. Rehefa natao an-tranomaizina koa i Petera dia nifady hanina sy nivavaka
ny fiangonana iray manontolo.
Niteha-tanana ny Jiosy rehefa nampamono an’ i Jakoba i Heroda, na dia
nisy nitaraina aza fa takontakona no nanaovana izany. Noheverin’ izy ireo mantsy
fa hampatahotra bebe kokoa ny mpino sy ireo miray fo aminy ny famonoana
ampahibemaso. Notazonin’ i Heroda tao an-tranomaizina àry i Petera; nikasa ny
hanome faha-faham-po bebe kokoa ny Jiosy izy amin’ ny famonoana ampahi-
bemaso azy. Nisy nanao soso-kevitra taminy anefa fa tsy mety raha
vonoina eo imason’ ny vahoaka tafavory tao Jerosalema tamin’ izay ilay apostoly
efa zokiolona. Nahiana sao hahatonga ny olona hango-raka ny fahitana azy entina
hovonoina.
Natahotra koa ny mpisorona sy ny loholona sao dia manao ireny antso
mahery vaika ireny indray i Petera, izay nanainga matetika ny olona handinika
ny fiainana sy ny toetra amam-panahin’ i Jesosy — antso izay tsy hain’ izy ireo
notoherina tamin’ ny- fonjan-kevitra rehetra nentiny. Efa nitarika olona maro
hiandany amin’ ny filazantsara ny hafanam-pon’ i Petera hiaro ny momba an’ i
Kristy, ka natahotra ny mpanapaka sao homena fotoana mety hiarovany
ny finoany izy eo anatrehan’ ny vahoaka marobe izay tonga hivavaka
tao an-tanàna, ary amin’ izany dia mety hisy hangataka ny fandefasana azy amin’
ny mpanjaka.
Noho ny antony maro samihafa, dia nahemotra ho any aorian’ny Paska ny
famonoana an’ i Petera, ka nanam-potoana ny fiangonana handinihan-tena lalina
sy hanaovana vavaka mafana. Nivavaka tsy an-kijanona ho an’ i Petera izy;
tsapany mantsy fa tsy ho azo sarahina amin’ ny asan’ Andriamanitra izy. Nazava
taminy fa tonga teo amin’ ny toerana izay mety hahapotika ny fiangonan’ i Kristy
izy raha tsy nisy fanampiana manokana avy amin’ Andriamanitra.
Tamin’ izany fotoana izany dia nisy mpivavaka avy tamin’ ny firenena
rehetra nizaha ilay tempoly natokana ivavahana amin’Andriamanitra.
Nanjelanjelatry ny volamena sy ny vato sarobidy izany, ary sarin’ ny hatsaran-
tarehy sy fahalehibeazana. Tsy hita intsony tao amin’ io lapa mahate ho tia io
anefa Jéhovah. Nisaraka
128
tamin’ Andriamànitra Isiraely amin’ ny maha-firenena azy. Raha nijery farany ny
tao anatin’ ny tempoly Kristy, taty akaikin’ ny fiafaran’ ny asany teto an-tany dia
hoy Izy hoe: «Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo»1. Hatramin’ izao dia
nataony hoe tranon’ ny Rainy ny tempoly; fa rehefa nivoaka ireo rindrina ireo
kosa ny Zanak’ Andriamanitra, dia niala mandrakizay tsy ho eo amin’ ny tempoly
natsangana ho voninahiny intsony ny fanatrehan’ Andriamanitra.
Farany dia notondroina ny andro hamonoana an’ i Petera, nefa mbola
nisandratra ho any an-danitra ihany ny vavaky ny mpino; ary raha nivondrona ny
hery sy ny fitiavana rehetra ho antso mafana mitady fanampiana, dia nanatri-maso
ilay apostoly tao an-trano-maizina ireo anjelin’ Andriamanitra.
Nahatsiaro ny nandosiran’ ireo apostoly avy tao an-tranomaizina i Heroda
ka nataony indroa heny ny fitandremana tamin’ ity indray mitoraka ity. Mba
hialana amin’ izay mety handosirany dia napetraka ho andraikitry ny miaramila
enina ambin’ ny folo i Petera, izay nifandimby niambina. azy andro aman’ alina
tamin’ ny fotoana fiambenana samihafa. Tao amin’ ny efitra tery nisy azy dia
nape-traka teo anelanelan’ ny miaramila roa izy ary nafatotra tamin’ ny
rojo vy roa, ny rojo tsirairay mifatotra mafy amin’ ny hato-tanan’ ny
miaramila iray. Tsy afaka nihetsika izy ka tsy ho fantatr’ iretsy. Nihidy mafy sy
azo antoka ny varavaran’ ny tranomaizina, ary nisy mpiambina matanjaka teo
anoloany, koa foana avokoa ny irika rehetra ahazoany mamonjy tena na
mandositra amin’ ny alalan’ ny olombelona. Nefa eo amin’ ny fotoana izay tsy
ahazoan’ ny olombelona manao na inona na inona intsony no fotoana mety amin’
Andriamanitra.
Natao tao amin’ ny toerana tery nolavahana tao amin’ ny vatolampy i
Petera; nisy boloky sy tsivalamby ny varavaran’izany; ary ny miaramila niambina
teo no nampamoahina ny amin’ ny mahatsara ambina an’ ilay mpifatotra. Nefa
kosa ny boloky sy ny tsiva-lamby sy ny mpiambina Romana izay tena manafoana
ny fahazoana ny fanampiana rehetra avy amin’ ny olombelona raha ny tena izy,
dia natao hahafeno kokoa ny fandresen’ Andriamanitra teo amin’ ny fanafahana
an’ i Petera. Nanandratra ny tanany hanohitra ny Tsitoha i Heroda, ary ho resy
tanteraka izy. Hampiasa ny heriny Andriamanitra aiy hamonjy ilay aina sarobidy
nokendren’ ny Jiosy hopotehina Izy.
1) Mat. 23 : 38

9— Vavolombelona Mahery

129
Ny alina farany mialoha ny fikasana hamonoana an’ i Petera dia nisy anjely
mahery nalefa avy tany an-danitra hamonjy azy. Nivoha tsy nisy fanampian’
olombelona ilay varavarambe izay nanidiana ilay masin’ Andriamanitra. Niditra
teo amin’ ireo varavarana ny anielin’ ny Avo Indrindra dia nihidy moramora tao
an-damosiny izany. Niditra tao amin’ ilay toerana tery nisy azy izy, ary indro eo
Petera mandry eo, matoiy amin’ ny torimasom-piadanana noho ny fahatokisana
tanteraka.
Nameno ilay toerana tery ny faliazavana manodidina ilay anjely, fa tsy
nanaitra ny apostoly. Raha tsy nahatsapa ny tanan’ ny anjely nikasika azy sy
nandre ny feo manao hoe; «Mitsangàna faingana» izy, dia tsy nifoha tsara habita
fa hazavain’ ny fahazavan’ ny lanitra ny toerana tery nisy azy, ary misy anjely be
voninahitra nijoro teo anatrehany. Toa milina izy mankatô ny teny atao aminy,
ary rehefa mitsangana izy ka manandratra ny tanany dia tsapany manjavozavo
fa latsaka avy teo amin’ ny hato-tanany ny rojo.
Mibaiko azy indray ny feon’ ilay mpitondra hafatra avy any an-danitra
manao hoe; «Misikina, ary fehezo ny kapanao»; toa milina ihany indray i Petera
mankato, ny masony mi tory hagagana mifantoka amin’ ilay mpamangy azy ary
mihevitra izy fa manonofy na mahita fahitana ny tenany. Nibaiko indray ny anjely
hoe; «Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy». Mandroso mankany amin’ ny
varavarana izy, arahin’ ilay Petera be resaka raha ny fombany, nefa ankehitriny
moana noho ny hagagany. Nihoarany ny mpiambina ary tonga eo amin’ ilay
varavarana misy boloky mavesatra izy, izay mivoha ho azy samirery ary
mikatona avy hatrany, ny mpiambina avy ao anatiny sy avy ao ivelany amin’
izany samy tsy mihetsika eo amin’ ny toerany avy.
Tonga teo amin’ ny varavarana faharoa izay nisy niambina avy ao anatiny
sy avy ao ivelany koa ry zareo. Nivoha toy ilay voalohany koa izany, tsy nisy
naneno ny saviliny na nidridroka ny boloky vy. Nandalo ry zareo dia nihidy
moramora indray ny varavarana. Tamin’ny fomba toy izany koa no nandalovany
ny varavarana fahatelo ary indro fa tonga teo an-dalambe izy. Tsy misy miteny;
tsy re ny famindrany. Nisosa nandeha tsimoramora eo anoloana ny anjely,
voahodidin’ ny fahazavana mamirapiratra mahajambena, ary i Petera kosa toa
indrakindrafana ary mbola mihevi-tena ho manonofy ihany, manaraka ilay
mpanafaka azy. Nipoitra teo amin’ ny arabe iray izy rehefa izany, ary satria vita
ny iraka nampanaovina ilay anjely, dia nanjavona tsy hita tampotampoka teo izy.

130
Levona ilay fahazavana avy any an-danitra ka nahatsiaro ny tenany ho tao
anatin’ ny haizina lalina i Petera; nefa rehefa zatra ny haizina ny masony, dia
mihena miandalana ny haizina, ka indro izy fa irery teo amin’ ny arabe mangina,
ary mitsoka amin’ ny handriny ny rivo-mangatsiaky ny alina. Tsapany
ankehitriny fa afaka izy, ary eo amin’ ny faritra iray mahazatra ao an-tanàna:
fantany ny toerana misy azy, dia ilay efa nalehany matetika ary
noheveriny handalovana farany ny ampitson’ io.
Niezaka ny hahatsiaro ny toe-javatra vao niseho haingana izy. Tsaroany
izy soandrian-tory, nifatotra teo anelanelan’ ny miaramila roalahy, nalany ny
kapany sy ny fitafiany ivelany. Nodinihiny ny tenany ka hitany fa manao ny
akanjony rehetra sady misikina. Ireo hato-tanany mivonto noho ireo vy lozabe
nentiny, dia tsy nisy gadra intsony. Tsapany fa tsy fitaka, tsy nofy na fahitana ny
fahafahany. Ny marainan’ ny andro izay tokony ho nitondrana azy ho any amin’
ny fahafatesana, dia indro, nisy anjely nanafaka azy avy tamin’ ny tranomaizina
sy ny fahafatesana. «Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe:
«Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka
namonjy ahy tamin’ ny tànan’ i Heroda sy ny fanantenan’ ny Jiosy rehetra».
Nandeha avy hatrany ho any amin’ ny trano izay nivorian’ ireo rahalahiny
sy nanaovany vavaka mafana ho azy izy tamin’ io fotoana io. « Ary raha
nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo
hihaino. Ary rehefa nahalala ny feon’ i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady
noho ny hafaliany, fa lasa nihaza-kazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no
mijanona eo am-bavahady. Fa hoy ny olona taminy; Very saina hianao. Fa izy
nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany».
Fa Petera naharitra nandondona ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy
ireo ka talanjona. Fa izy nanofa tànana azy mba hangina, dia nanambara taminy
izay namoahan’ ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina». Ary Petera «lasa
nankany amin’ ny fitoerana hafa». Fifaliana sy fiderana no nameno ny fon’ ny
mpino satria efa nihaino Andriamanitra ary efa namaly ny fivavahany ka
nanafaka an’ i Petera teo am-pelatanan’ i Heroda.
Nony maraina dia vahoaka be no nitangorona mba hanatri-maso ny
famonoana ny apostoly. Nandefa manam-pahefana tany an-tranomaizina i
Heroda haka an’ i Petera izay hoentina miaraka

131
amin’ ny fampivelarana ny fiadiana sy ny miaramila betsaka, tsy hisorohana izay
mety ho fandosirany fotsiny, fa hampitahorana koa ireo izay rehetra miray fo
aminy sy hanehoana ny herin’ ny mpanjaka.
Rehefa hitan’ ny mpiambina teo anoloan’ ny varavarana fa nandositra i
Petera dia tora-kovitra izy. Efa nambara mazava tsara fa ny ainy no manefa ho
takalon’ ny aina nankinina taminy ary noho io antony io dia nitandrina tamin’ ny
fomba manokana izy. Rehefa tonga haka an’ i Petera ireto manam-pahefana, dia
mbola teo am-baravaran’ ny tranomaizina ny miaramila, mbola nihidy
mafy ny boloky sy ny tsivalamby, mbola nifatotra tsara teo amin’ ny hato-tanan’
ny miaramila ny gadra; kanefa ny mpifatotra lasa nandositra.
Rehefa nentina teo amin’ i Heroda ny tatitra momba ny nandosiran’ i
Petera dia romotry ny hatezerana mafy izy. Nohelohiny ho tsy nahatoky tamin’
ny asany ireto mpiandry tranomaizina ka nasainy novonoina ho faty. Fantatr’ i
Heroda fa tsy fahefan’ olombelona no nanafaka an’ i Petera, nefa nanapa-kevitra
ny tsy hanaiky izy fa nanafoana ny fikasany ny herin’ Andriamanitra, ka
nametraka ny tenany hanao fiantsiana sahisahy foana an’ Andriamanitra.
Fotoana fohy taorian’ ny nanafahana an’ i Petera tao an trano-maizina dia
nankany Kaisaria i Heroda. Raha tao izy dia nanao lanonambe mba hitarihana ny
vahoaka hihoby sy hankalaza azy. Ny mpitia fahafinaretana avy amin’ ny fari-
bohitra rehetra no tonga nanatrika ny lanonana, ary nisy. fihinanam-be sy
fisotroan-divay tao. Tamin’ ny firentirentena sy famirapiratana no nisehoan’ i
Heroda teo anatrehan’ ny vahoaka ka nanaovany kabary tsara lahatra, Nitafy
fitafiana mamirapiratry ny volafotsy sy ny volamena izy, izay nandray ny
tanamasoandro teo amin’ ny fivalombalonany nanjelan-jelatra ka nahajambena
ny mason’ ireo mpitazana, olona jefijefy manao haingon’ adala no fisehony. Ny
endrim-piandrianana hita teo amin’ ny fomba fisehoany sy ny herin’ ny teniny
tsara fantina dia nisy asany mahery vaika teo amin’ ny mpivory. Efa simban’ ny
hanimpy sy ny fisotroan-divay ny retsiny ka nahajambena azy ny haingon’ i
Heroda ary nahasarika azy ny fihetsiny sy ny kabariny; koa nentanin-kafanam-po
tsy voafetra izy naneho fanindrahindrana adala azy, nilaza fa tsy misy olombelona
mety maty afaka hiseho toy izao na hahay mandahatra amin’ ny fomba manaitra
toy izao. Nambarany koa ankoatra izany fa raha nihevitra azy hatrany ho
mpifehy izy, hatramin’ izao kosa dia hivavaka aminy ho toy ny andriamanitra.

132
Nisy tamin’ ireo feo izay re ankehjtriny manome voninahitra mpanota
ratsy no nanandratra ny antsoantso tamin-kafanam-po hoe; «Roahy Jesosy!
Homboy, homboy! taona vitsivitsy talohan’ izao. Nandà ny handray an’ i Kristy
izay nanana fïtafiana tsotra sy matetika voaloton’ ny dia lavitra, nefa nanarona fo
feno fitiavan’ Andriamanitra ny Jiosy. Tsy afaka hahafantatra Ilay Tompon’ ny
aina sy ny voninahitra ny masony teo amin’ ny fisehoana feno fahatsorana ivelany
nanaovany, na dia naseho teo anatrehany aza ny herin’ i Kristy tamin’ ny asa izay
tsy mety ho vitan’ ny olon-tsotra. Vonona ny hanao andriamanitra ity mpanjaka
mirehareha ity izay manao fitafiana feno volafotsy sy volamena mirentirenty nefa
mana-nana fo maloto sy lozabe izy, ka hiankohoka eo anatrehany.
Fantatr’ i Heroda fa tsy mendrika ny fiderana sy ny fankalazana natao
taminy izy na dia iray aza, nefa dia nekeny ho tokony ho azy ny fanompoan-
tsampy nataon’ ny vahoaka. Nentanentanin’ ny fandresena ny fony, ary boramena
noho ny avonavona ka afa-po ny endriny raha nandre ny antsoantso nisandratra
izy hoe; « Feon’Andriamanitra izany fa tsy feon’ olona».
Tsy tapitapitr’ izay anefa dia nisy fiovana mahatsiravina teo aminy.
Nanjary hatsatra tahaka ny maty ny endriny sady nifandriro-drirotra noho ny
fialan’ aina. Hatsemboham-be no nivoaka ny masonkodiny. Nijoro fotoana fohy
izy toa voatrabaky ny fanain-tainana sy ny horohoro, dia natodiny tany amin’
ireto sakaizany raiki-tahotra ny endriny fotsy sy hatsatra; niantsoantso tamin’ ny
feo toa avy any an-davaka nitory famoizam-po izy, nanao hoe: Ilay
nasandratrareo ho andriamanitra dia tratran’ ny fahafatesana.
Nampijalian’ ny tebiteby nampahory indrindra izy raha nentina niala teo
amin’ ny sehatry ny filibana sy ny fisehosehoana. Fotoana fohy talohan’ izao dia
nirehareha handray ny fiderana sy ny fianko-hofan’ ireto vahoaka betsaka izy;
tsapany izao fa eo am-pelatanan’ ny mpifehy ambony noho ny tenany izy.
Nanaikitra azy ny nenina; tsaroany ny fanenjehany tsy an-kijanona ireo
mpanaraka an’ i Kristy; tsaroany ny baikony feno halozana nampamono an’ i
Jakoba tsy manan-tsiny, sy ny fikasany hampamono ny apostoly Petera;
tsaroany ny valifaty tsy voahevitra nampanaranany ny fony tamin’ireo mpiandry
tranomaizina, tao anatinin’ ny hamenarany sy ny haromontany vokatry ny
fahadisoam-panantenana. Tsapany fa Andriamanitra izaotno mifampiraharaha
aminy, dia izy ilay mpanen-

133
jika tsy mety sasatra. Tsy nahita fampitonena ny fijaliana ara-nofo izy, na ny
tebiteby eo amin’ ny ara-tsaina, ary tsy nanantena izany mihitsy.
Nanana fahalalana ny lalàn’ Andriamanitra izay manao hoe: «Aza manana
andriamani-kafa, fa Izaho ihany»2 i Heroda; ary fantany fa nahafeno ny fatran’
ny faharatsiany izy tamin’ ny nanekeny ny fiankohofan’ ny olona taminy, ka
nitondra ny fahatezeran’ Andriamanitra ara-drariny teo aminy.
Ilay anjely avy teo amin’ ny lapan’ ny lanitra namonjy an’ i Petera ihany
no iraky ny fahatezerana sy ny fitsarana ho an’ i Heroda. Nikapoka an’ i Petera
ilay anjely mba hampitsangana azy avy amin’ ny torimaso; kapoka hafa no
nikapohany ity mpanjaka ratsy fanahy, ka natsirarany ambany ny avonavony ary
nahatrany taminy ny famaizana avy amin’ ny Tsitoha. Maty tao amin’ ny ady
nihatra aman’ aina be teo amin’ ny sainy sy ny nofony i Heroda teo ambanin’ ny
fitsaran’ Andriamanitra azy.
Hery mahery vaika niasa mangina teo amin’ ny vahoaka io fanehoana ny
fahamarinan’ Andriamanitra io. Ny vaovao izay milaza fa afaka tamin’ ny tomba
mahagaga avy tao an-tranomaizina sy tamin’ ny fahafatesana ny apostolin’ i
Kristy, nefa ny mpanenjika azy nianjadian’ ny fahafatesana noho ny ozona avy
amin’ Andriamanitra, dia naely tany amin’ ny tany rehetra ka nanjary fomba
nitarihana ny maro hino an’i Kristy.
Ny fanandramana nataon’ i Filipo, notarihin’ ny anjely avy any an-danitra
handeha ho any amin’ ny toerana hihaonany amin’ ny olona mitady ny
fahamarinana; ny fanandraman’ i Kornelio, novangian’ ny anjely nitondra hafatra
avy amin’ Andriamanitra: ny fanandraman’ i Petera, tao an-tranomaizina sy
nomelohina ho faty, notarihin’ ny anjely ho amin’ ny toerana azo antoka, ireo
rehetra ireo dia samy maneho avokoa ny maha-ety ny firaisan’ ny lanitra sy ny
tany.
Tokony hitondra tanjaka sy herim-po ho an’ ny mpiasan’ Andriamanitra
ny fitantarana an’ ireny famangiana ataon’ ny anjely ireny. Tahaka ny tamin’ ny
andron’ ny apostoly koa, ankehitriny dia mifa-mezivezy mitety ny tany amin’ ny
sakany sy ny lavany ny mpitondra hafatra avy any an-danitra, miezaka ny
hampionona ny mijaly, hiaro

2) Eks. 20 : 3
134
ny tsy mety mibebaka, hahazo ny fon’ ny olona ho an’ i Kristy Tsy afaka hahita
azy ny tenantsika, nefa miaraka amintsika izy na dia izany aza, mitarika, manoro
hevitra, miaro.
Manjary akaiky ny tany ny lanitra amin’ ny alalan’ io tohatra mifono zava-
miafina io, izay tafaorina mafy eto an-tany ny fotony, ary ny zana-tohatra farany
mahatratra ny seza fiandrianan’ ny Tsy voafetra. Miakatra sy midina
mandrakariva amin’ io tohatra mamira-piratra sy manjelanjelatra io ny anjely,
mitondra ny vavaky ny sahirana sy ny tra-pahoriana ho an’ ilay Ray any ambony,
ary mitondra fitahiana sy fanantenana, herim-po sy fanampiana ho an’ ny zanaky
ny olona. Mamorona rivo-piainan’ ny lanitra manodidina ny fanahy ireo anjelin’
ny mazava ireo, ka manandratra antsika ho any amin’ ny tsy hita sy ny
mandrakizay. Tsy afaka habita ny bikany isika amin’ ny masontsika ara-nofo; ny
fahitana ara-panahy ihany no ahazoantsika mahita ny zavatry ny lanitra. Ny
sofina ara-panahy ihany no afaka mandre ny firindran’ ireo feo avy any an-
danitra.
«Ny anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka
mamonjy azy»3; Irahin’ Andriamanitra ny anjeliny hamonjy ireo nofidiny ho
afaka amin’ ny antambo, hiaro azy amin’ ny «areti-mandringana mandeha amin’
ny maizina» sy «ny fandringanana mandripaka amin’ ny mitataovovonana»4.
Impiry impiry no miteny amin’ ny olona tahaka ny olona miteny amin’ ny
sakaizany ny anjely, ka mitarika azy ho eo amin’ ny toerana azo antoka. Impiry
impiry ireo teny fampaherezana ataon’ ny anjely no nanavao ireo fanahy
mitanondriky ny olona mahatoky ka mitondra ny sainy ho ambonin’ ny zavatra
eto an-tany, ary maha-tonga azy hibanjina amin’ ny finoana ny fitafiana fotsy, ny
satro-boninahitra, ny sampan-drofian’ ny fandresena, izay horaisin’ ny
mpandresy rehefa manodidina ilay seza fiandrianana fotsy lehibe izy.
Asan’ ny anjely ny manatona akaiky ireo mandalo fisedrana, ireo mijaly,
ireo alaim-panahy. Miasa tsy mety sasatra ho an’ ireo izay nahafatesan’ i Kristy
izy. Rehefa misy mpanota tarihina hanolo-tena ho an’ ny Mpamonjy, dia
mitondra ny vaovao any an-danitra ny anjely ary misy fifaliam-be any an-danitra
ao amin’ ny tafiky ny lanitra'. «Hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’
ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ ny olona marina sivy

135
amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany»5. Misy tatitra entina any an-
danitra momba ny ezaka rehetra nahomby ataontsika hampisava ny haizina sy
hanaparitaka ny fahalalana an’ i Kristy. Rehefa tantaraina eo anatrehan’ ny Ray
izany, dia mampientanentana ny tafiky ny lanitra manontolo ny fifaliana.
Manara-maso ny ady izay ataon’ ny mpanompon’ Andriamanitra
indraindray ny amin’ ny toe-javatra mahakivy ireo fahefana sy herin’ ny lanitra.
Misy fandresena vaovao azo, misy voninahitra vaovao, raha ny kristiana mivory
manodidina ny fanevan’ Ilay Mpanavotra azy no mandroso miady ny ady tsaran’
ny finoana. Ny anjelin’ ny lanitra rehetra dia manompo ny vahoakan’ Andria-
manitra tsotra sy mino; ary rehefa mihira hira fiderana ny tafiky ny mpiasan’ i
Jéhovah eto an-tany, dia miara-mihira aminy ny antoko mpihira any ambony
manandratra fiderana ho an’ Andriamanitra sy ny Zanany.
Ilaintsika ny hahafantatra bebe kokoa mihoatra noho izao ny asa
nanirahana ny anjely. Ho tsara ny mahatsiaro fa miara-miasa amin’ ny tena zanak’
Andriamanitra marina rehetra ny any an-danitra. Misy tafiky ny mazava sy ny
hery manampy ny madio fo sy manetri-tena mino sy mitaky ireo teny fikasan’
Andriamanitra. Mijoro eo an-tanan’ ankavanan’ Andriamanitra ny kerobima sy
ny serafima, sy ny anjely mahery indrindra, samy «fanahy manompo, nirahina
hanao fanompoana ho an’ izay handova famonjena»6.

5) Lio. 15 : 7 6) Heb. 1 : 14
136
16

Ny hafatry ny
Filazantsara
tany Antiokia

Rehefa noroahina hiala tao Jerosalema noho ny fanenjehana ny mpianatra


dia niparitaka haingana nanenjika ny faritra ankoatra ny Palestina ny hafatry ny
filazantsara; ary maro ireo antokon’ ny mpino vitsivitsy niforona tao amin’ ny
tanàna lehibe. Nisy tamin’ ny mpianatra «nandeha hatrany Foinika sy Kyprosy
ary Antiokia» nitory ny teny. Araka ny fanao, ny asany dia voafetra tamin’ ny
Hebreo sy ny Grika Jiosy, izay nanao andiany maro teo akaikin’ ny
tanàn-dehibe rehetra eo amin’ izao tontolo izao tamin’ io fotoana io.
Anisan’ ny toerana voalaza fa nandray ny filazantsara tamim-pifaliana i
Antiokia, renivohitr’ i Syria, tamin’ izany fotoana izany. Ny varotra nandroso hita
tao amin’ io foibe be mponina io dia nisarika olona maro avy amin’ ny firenen-
tsamihafa tao an-tanàna. Ankoatra izany, dia nalaza fatratra i Antiokia amin’ ny
maha-toerana fitadiavana fiadanana sy fahafinaretana azy, noho izy mahasalama,
noho ny hakanton’ ny toerana manodidina azy, sy noho ny harena, ny kolotsaina
ary ny fomba fiaina hita tao. Nanjary tanànan’ ny zavatra mahafinaritra ny nofo
sy ny fahavetavetana izy tamin’ ny andron’ ny apostoly,
Mpianatra avy any Kyprosy sy Kyrena, izay «nitory an’ i Jesosy Tompo»
no nampianatra ampahibemaso ny filazantsara tany Antiokia. «Ary ny tànan’ ny
Tompo nomba izay nataony». «Maro no isan’izay nino sy niverina ho amin’ny
Tompo».
Mifototra amin’ ny Asa 11 : 19 - 26 ; 13 : 1 - 3 ity toko ity.

137
«Ary ren’ ny sofin’ ny fiangonana tany Jerosalema ny amin’ireo, dia
naniraka an’ i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia». Rehefa tonga tao amin’
io salia io i Barnabasy dia nahita fa efa notanterahin’ ny fahasoavan’
Andriamanitra ny asa, dia «faly izy ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’
ny Tompo amin’ ny fo minia fatratra».
Notahiana fatratra ny asa nataon’ i Barnabasy tany Antiokia ka betsaka no
nanampy ho isan’ ny mpino tao. Raha nitombo ny asa, dia nahatsapa i Barnabasy
fa mila olona mifanaraka amin’izay ilainy hanampy azy mba hahazoany
mandroso eo amin’ ny varavarana nosokafan’ ny fitondran’ Andriamanitra, koa
nankany Tarsisy izy hitady an’ i Paoly, izay niasa tany Syria sy Kilikia
«mitory ny finoana izay noravany fahiny»1, rehefa niala tao Jerosalema fotoana
fohy talohan’ izao. Nahita soamantsara an’ i Paoly i Barnabasy ka nandresy
lahatra azy hiverina miaraka aminy ho mpiara-dia aminy eo amin’ ny asa.
Nahita saha iasana tsara indrindra i Paoly tao amin’ ity tanàna be mponina
ao Antiokia ity. Nanana hery mahery vaika niasa tamin’ ny mponina sy ireo
mpiverivezy tao amin’ io tanànan’ ny kolotsaina io ny fahaizany, ny fahendreny
ary ny hafanam-pony; koa izy indrindra ilay mpanampy nilain’ i Barnabasy.
Nandritra ny roa taona dia niara-niasa akaiky tamim-pahatokiana ireo mpianatra
roa lahy, ka nitondra olona maro ho eo amin’ ny fahalalana mahavonjy an’ i
Jesosy avy any Nazareta, Ilay Mpanavotra an’izao tontolo izao.'
Tao Antiokia no niantsoana voalohany ny mpianatra hoe kristiana.
Nomena izany anarana izany izy ireo noho Kristy fototry ny lahan-kevitra
asehony eo amin’ ny toriteniny, eo amin’ ny fampianarany sy eo amin’ ny resaka
ataony. Averimberiny tsy an-kijanona ny toe-javatra nitranga nandritra ny andro
niasany teto an-tany, fony ny mpianatra nandray fitahiana tamin’ ny fanatrehany
ara-batana. Tsy nety sasatra izy nandinika ny fampianarany sy ny fahagagana
nentiny nanasitrana. Nipararetra ny molony ary nanganohano ny masony raha
nilaza ny amin’ ny ady nihatra aman’ aina niaretany tao amin’ ny saha, ny
namadihana Azy, ny fitsarana sy ny namonoana Azy, ny fiaretany sy ny fietreny
izay nizakany ny ompa sy ny fampijaliana nahatran’ ireo fahavalony taminy,
sy'ny fangorahana izay mampitovy Azy amin’ Andriamanitra, nentiny nivavaka
ho an’ izay nanenjika Azy. Ny nitsanganany tamin’ ny

1) Gal. 1 : 21 - 23
138
maty sy ny niakarany tany an-danitra, ary ny asany any an-danitra amin’ ny maha-
Mpanalalana Azy ho an’ ny olombelona lavo, dia resaka nahafaly azy ny naharitra
tamin’ izany. Azon’ ny Jentilisa tsara nomena anarana hoe kristiana izy, satria
nitory an’ i Kristy ary nanandratra ny fivavahany tamin’ Andriamanitra tamin’
ny alalany.
Andriamanitra no nanome anarana azy hoe kristiana. Anarana mendrik’
aildriana izany, nomena izay rehetra nanatona azy ireo ho eo amin’ i Kristy. Ny
amin’ io anarana io no nanoratan’ i Jakoba taty aoriana hoe: «Moa tsy ny mpanan-
karena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin’
ny fitsarana? Tsy izy koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana
anareo? »2 Hoy i Petera hoe: «Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy
ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’ Andriamanitra amin’ izany anarana izany».
«Sambatra hianareo, raha haratsiana, noho ny anaran’i Kristy; fa ny Fanahin’ ny
voninahitra, dia ny Fanahin’ Andriamanitra, mipetraka ao aminareo»3.
Tsapan’ ireo mpino tany Antiokia fa te hiasa tao amin’ ny fiainany
Andriamanitra, «na ny fikasana na ny fanaovana haha-tanteraka ny sitrapony»4.
Koa satria izy mivelona teo anivon’ ny olona izay toa tsy nikarakara firy ny
zavatra manana tombambidy maharitra mandrâkizay, dia niezaka ny hisintona ny
sain’ ireo olona madio am-po, sy ny hijoro ho vavolombelona tsara mikasika Ilay
tiany sy tompoiny. Tao amin’ ny asa fanompoana tsotra nataony dia nianatra ny
hiankina amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina izy mba hampanan-kery ny tenin’ ny
fiainana. Ary toy izany, teo amin’ ireo dingana samihafa teo amin’ ny fiainana,
dia nijoro ho vavolombelona isan’ andro ny amin’ ny finoana an’ i Kristy izy.
Ny ohatra nomen’ ireo mpanaraka an’ i Kristy tany Antiokia dia tokony
hanainga ny mpino rehetra velona ao amin’ ny tanàn-dehibe eto amin’ izao
tontolo izao ankehitriny. Fandaminana avy amin’ Andriamanitra ny hametrahana
mpiasa voafidy manolo-tena sy manan-talenta eo.amin’ ny foibe be mponina mba
hitarika ezaka ho an’ ny besinimaro; fikasany koa anefa raha ny mambra
mipetraka ao amin’ ireny tanàna ireny no hampiasa ireo talenta nomen’ Andria-
manitra azy eo amin’ ny asa ho famonjena fanahy, Misy fitahiana sarobidy
voatahiry ho an’ izay milefitra tanteraka amin’ ny antson’ Andriamanitra, Raha
miezaka ny hahazo fanahy ho an’ i Jesosy
2) Jak. 2 : 6, 7 3)1 Pet, 4 : 16, 14 4) Fil. 2 : 13

139
ireny mpiasa ireny, dia ho hitany fa maro ireo izay tsy ho takatr’ antso mihitsy
amin’ ny fomba hafa na inona na inona, no vononà ny hamaly ny ezaka ataon’ ny
tsirairay amim-pahendrena.
Mila solontena velon’ ny fahamarinan’ ny Baiboly ny asan’Andriamanitra
eto an-tany ankehitriny. Ireo mpitandrina voahosotra samirery dia tsy ampy ho
amin’ ny andraikitra fampitandremana izay voatendry manokana ataony amin’
ireo tanàn-dehibe. Tsy ny mpitandrina ihany no antsoin’ Andriamanitra, fa ao koa
ny dokotera, ny mpitsabo, ny mpampiely boky, ireo mpampianatra Baiboly sy
ireo mambra laika manolo-tena hafa, manana talenta samihafa izay mahalala ny
tenin’ Andriamanitra ary mahafantatra ny herin’ny fahasoavany; antsoin’
Andriamanitra ireo mba handinika izay ilain’ ireo tanàn-dehibe tsy nahazo
fampitandremana. Lasa haingana ny andro, ary betsaka ny tokony hatao. Tsy
maintsy ampiasaina amim-pahendrena hahavita ny asa, izay rehetra azo
hararaotina.
Nampahery an’ i Paoly teo amin’ ny faharesen-dahatra fa niantso azy ho
amin’ ny asa manokana ho an’ izao tontolo izao Jentilisa ny asa nataony tany
Antiokia niaraka tamin’ i Barnabasy. Tamin’ ny fotoana niovan’ i Paoly fo dia
nilaza ny Tompo fa hatao mpiasa any, amin’ ny Jentilisa izy, mba « hampahiratra
ny masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’
I Satana ho amin’ Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka
sy lova eo amin’ izay nohamasinina noho ny finoana Ahy»5. Izao no tenin’ ilay
anjely niseho tamin’ i Ananiasy ny amin’ i Paoly: «fanaka voafidy izy ho
fitondrana ny anarako eo anatrehan’ ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’
Isiraely »6. Ary i Paoly mihitsy tatÿ aoriana, tao amin’ ny fanandramana kristiana
nataony, no novangian’ ny anjely avy tany an-danitra, raha nivavaka tao amin’
ny tempoly tao Jerosalema izy, ary nibaiko azy io hoe: «Mandehana, fa Izaho
haniraka anao handeha lavitra any amin’ ny jentilisa»7
Tamin’ izany fomba izany no nanomezan’ i Jehovah ny asa nanirahana
azy, dia ny hiditra amin’ ny saha misionera midadasika eo amin’ izao tontolo izao
Jentilisa. Mba hanomanana azy ho amin’ io asa midadasika sy sarotra io, dia
nentin’ Andriamanitra hifandray Aminy amin’ ny fomba ety izy ary novelariny
teo imasony ravoravo ireo sary kanto sy be voninahitry ny lanitra. Izy no
nametrahana ny asa ampahafantatra «ny zava-miafina» izay «voàfina hatry ny

5) Asa26 : 18 6) Asa 9 : 15 7) Asa 22 : 21


140
fony fahagola»8, «dia ny zava-miafin’ ny sitrapony»9, «izay tsy
inbola nampahafantarina ny zanak’ olombelona tamin’ ny taranalâ
lasa tahaka ny fanambaran’ ny Fanahy ankehitriny amin’ ny Apostoly inasina sy
ny mpaminany, dia ny ahatongavan’ ny jentilisa ho nipiray lova sy ho tena iray
ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’ i Kristy Jesosy noho ny
filazantsara,izay nanaovana ahy ho mpanompo, hoy i Paoly, . . .Eny, izaho, izay
kely noho ny kely indrindra amin’ ny olona masina rehetra, no nomena izao
fahasoavana izao, dia ny hitory amin’ ny jentilisa ny haren’ i Kristy tsy hita lany,
ary hampa- hazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-
miafina, dia ilay voàfina hatramin’ ny nanaovana an’ izao tontolo izao tao amin’
Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra ; mba' hampahafantarina ireo
fanapahana sy fahefana any an-danitra amin’ izao ankehitriny izao ny mahamaro
samy hafa ny fahendren’ Andriamanitra amin’ ny fitondrany ny fiangonana,
araka riy fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin’ i Kristy Jesosy
Tompon-tsika»10.
Nitahy be dia be ny asan’ i Paoly sy Barnabasy Andriamanitra nandritra
ny taona nijanonany tamin’ ireo mpino tany Antiokia. Nefa izy mirahalahy dia
samy tsy mbola natokana mivantana ho amin’ ny fitoriana ny filazantsara. Tonga
teo amin’ ny fotoana iray teo amin’ ny fanandramany amin’ ny maha-kristiana
azy izy izao, izay hanankinan’ Andriamanitra aminy asa fitoriana sarotra, ka
ilana ny tombontsoa rehetra mety ho azo amin’ ny alalan’ ny fiangonana ny
fanohizana izany.
«Ary teo «amin’ ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy
mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio kyreniana
sy Menahema ... ary Saoly. Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny
Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy
Barnabasy sy Saoly hanao ny asa, izay efa niantsoako azy ». Talohan’ ny
nanirahana azy ho misionera any amin’ izao tontolo izao jentilisa, dia natokana
tamin’ ny fomba manetriketrika ho an’ Andriamanitra ireo Apostoly ireo tamin’
ny alalan’ ny fifadian-kanina sy ny vavaka ary ny fametrahan-tanana. Toy izany
no nahazoany alalana tamin’ ny fiangonana, tsy ny hampianatra ny fahamarinana
fotsiny, fa ny hanao batisa sy ny handamina fiangonana koa rehefa nomena
fahefana feno amin’ ny maha-mpitondra fivavahana azy.

8) Rom. 16 : 25 9) Efes. 1 : 9 10) Efes. 3 : 5 - 11


141
Niditra tamin’ ny dingana lehibe ny fiangonana kristiana tamin' io fotoana
io. Hotohizana amin-kery izao ny asa fitoriana ny filazantsara any amin’ ny
Jentilisa, ary ho vokatr’ izany dia hahazo hery ny fiangonana amin’ ny
fanangonana fanahy betsaka. Mety ho tratran’ ny fanahiahiana, ny hevitra
mibahana ao an-tsaina sy ny fialonana ny Apostoly voàtendry hitarika an’ io asa
io. Ny fampia-narany mikasika ny fandrodanana ny «efitry ny fisarahana »11.
izay nampisaraka ela an’ izao tontolo izao Jiosy sy Jentilisa dia mazava fa
hiampangana azy ho manao fampianaran-diso, ka hisy fanontaniana hataon’ ireo
Jiosy mafana fo mitana ny finoany mikasika ny fahefany amin’ ny maha-
mpitandrina azy. Tsinjon’ Andriamanitra mialoha ireo zava-tsarotra izay
hosetrain’ ny mpanompony, koa nomeny ny fiangongna tamin’ ny alalan’ ny
fanambarana, ny baiko hanokana azy ireo ampahibemaso ho amin’ ny asa
fanompoana mba tsy hisian’ ny adihevitra mikasika ny asa. Fanekena ampahi-
bemaso ny nanendren’ Andriamanitra azy hitondra ny vaovao, mahafalin’ ny
filazantsara ny nanosorana azy.
Samy efa nandray ny asa nanirahana azy avy tamin’ Andriamanitra avokoa
i Paoly sy Barnabasy ary tsy nanampy fahasoavana vaovao na fahaizana
manokana ho azy tsy akory ny nametrahana tanana taminy. Fomba fanekena ny
nanendrena azy ho amin’ ny asa voafaritra tsara sy ho fanekena ny fahefan’ ny
olona iray ao amin’ io asa io izany. Nametraka ny tombdkasen’ ny fiangonana
teo amin’ ny asan’Andriamanitra izany.
Navesa-danja tamin’ ny Jiosy izany. Rehefa mitahy ny zanany ny raim-
pianakaviana Jiosy, dia mametraka ny tanany amim-panajana eo amin’ ny lohan’
izy ireo izy. Rehefa misy biby natokana hatao fanahtra, dia napetraka teo amin’
ny lohan’ ilay biby hovonoina ny tanan’ ny olona iray nomena fahefana ho
mpisorona. Ary rehefa nametraka ny tanany teo amin’ i Paoly sy Barnabasy ireo
mpitandrina tao amin’ ny fiangonan’ ny mpino tany Antiokia, dia nangataka
tamin Andriamanitra izy, tamin ny alalan’ izany fihetsika izany, handrotsaka ny
fitahiany amin’ ireo apostoly voafidy noho ny fitiavany vavaka, hanao asa
manokana izay efa nanendrena azy.
Taty aoriana dia tafahoatra loatra ny fampiasana io fombam-pivavahana
io; nasiana lanjany tsy antonona azy izy io ka noheverina fa misy hery tonga avy
hatrany amin’ izay mandalo amin’ izany,

11) Efes. 2 : 14
142
ka avy hatrany dia afaka manao ny asa rehetra ataon’ ny mpitandrina izy na inona
na inona. Nefa teo amin’ ny fanokanana an’ ireo apostoly roa ireo, dia tsy nisy
tatitra milaza fa nisy hery nozaraina tamin’ ny fametrahana fotsiny ny tanana.
Tatitra tsotra fotsiny momba ny nanokanana azy sy ny ho vokatr’ izany eo amin’
ny asany amin’ ny ho avy no misy.
Ireo toe-javatra mifandray amin’ ny nanokanan’ ny Fanahy Masina an’ i
Paoly sy Barnabasy hanao asa fanompoana voafaritra tsara dia mampiseho
mazava fa miasa amin’ ny alalan’ ireo voatendriny ao amin’ ny fiangonana
voalamina Andriamanitra. Taona maro talohan’ izao, raha nasehon’ ny tenan’ ny
Mpamonjy an’ i Paoly voalohany ny fikasan’ Andriamanitra ny aminy, dia
nentina avy hatrany hifandray amin’ ny mambra tao amin’ ilay fiangonana
vao naorina tao Jerosalema izy. Ankoatra izany dia tsy navela tao amin’ ny
haizina intsony ny fiangonana teo an-toerana mikasika ny fanandramana
manokana nataon’ ilay Fariseo. Ary izao, rehefa hotanterahina amin’ ny fomba
feno kokoa ny baikon’ Andriamanitra nomena tamin’ izay fotoana izy, dia
napetraky ny Fanahy Masina izay nijoro ho vavolombelona indray ny amin’ ny
nifidianana an’ i Paoly ho faka voafidy hitondra ny filazantsara any amin’ ny
Jeatilisa, ny asa hanokana an’ i Paoly sy ilay mpiara-miasa aminy.
« Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny Tompo sy nifady
hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina; « Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly
hanao ny asa izay efa niantsoako azy».
Nataon’ Andriamanitra fantsona hitondra fahazavana ny fiangonany ety
an-tany. Tsy nanome fanandramana manokana tsy miankina amin’ ny
fanandraman’ ny fiangonana na ny mifanohitra amin’ izany ho an’ ny
mpanompony Izy. Tsy nanome koa fahalalana ny amin’ ny sitrapony ho an’ ny
fiangonana manontolo tamin’ ny dona iray Izy, nefa ny fiangonana izay tenan’ i
Kristy, dia avela ao amin’ ny haizina. Noho ny fitondrany mahasoa dia napetrany
hifandray amin’ ny fomba ety amin’ ny fiangonany ny mpanompony, mba hihena
ny fahatokisan-tenany ary hitombo kosa ny fahatokisany ny hafa izay tarihiny
hampandroso ny asany.
Misy foana'ao amin’ ny fiangonana ireo izay mirona mandrakariva hitady
fahafahana ho an’ ny tenany (tsy hiankina amin’ ny hafa). Toa tsy afaka
mahatsapa izy fa izany fahafahana tadiaviny izany dia mety hitarika azy hatoky
loatra ny tenany, ka hitoky amin’ ny hevitra entin’ ny tenany mitsara, fa tsy hanaja
ny torohevitra avy
143
amin’ ny ralalahiny sy tsy hanam-panajana ny fitsarana ataon’ izy ireo, indrindra
amin’ ireo izay eo amin’ ny toerana notendren’Andriamanitra hitarika ny
vahoakany. Nomen’ Andriamanitra fahefana sy hery mapokana ny fiangonany,
ka tsy ananan’ ny olona zo hamavoina, na iza izy na iza, satria manamavo ny
feon’ Andriamanitra izay manao izany.
Tandindomin-doza lehibe izay manana fironana hihevitra fa ambony
indrindra ny hevitry ny tenany. Ezaka imasoan’ i Satana ny mampisaraka ny
olona toy izany amin’ ireo izay hiasan’ Andriamanitra ho mpitondra fahazavana
mba hanorenana sy, hanitarana ny asany eto an-tany. Ny manao antsirambina na
ny manao tsinontsinona ireo izay notendren’ Andriamanitra hitondra andraikitra
hitarika eo amin’ ny fampandrosoana ny fahamarinana, dia mitsipaka ny fomba
napetrany ho fanampiana sy fampaherezana ary fanomezana hery ny vahoakany.
Fa na iza na iza mpiasa ao amin’ny asan’ i Jéhovah miala amin’ izany ary
mihevitra fa tsy afaka handalo amin’ ny fantsona hafa ny fahazavana raisiny raha
tsy izay mivantana avy amin’Andriamanitra irery ihany, dia mametraka ny
tenàny eo amin’ ny toerana izay ahazoan’ ny fahavalo mamitaka azy ary
handreseny azy.
Noho ny fahendren’ Andriamanitra dia misy fandaminana nataony fa
amin’ ny alalan’ ny fifandraisana ety izay tokony hisy amin’ ny mpino rehetra,
dia hifandray amin’ ny kristiana ny kristiana ary amin’ ny fiangonana ny
fiangonana. Amin’ izany dia ho afaka hiara-miasa amin’ Andriamanitra ny
fiasana eo amin’ ny maha-olombelona. Ho eo ambanin’ ny fanapahan’ ny Fanahy
Masina ny mpiasa rehetra ary hiray ao amin’ ny ezaka voarafitra sy tsara rindra
ny mpino rehetra, mba hitondra ny vaovao mahafalin’ ny fahasoavan’
Andriamanitra eto amin’ izao tontolo izao.
Noraisin’ i Paoly ho manamarika fiantombohan’ ny fotoana vaovao lehibe
eo amin’ ny asany mandritra ny fiainany ny fanosorana azy ara-dalàna. Hatramin’
io fotoana io no nanisany ny fiantombohan’ny naha-apostoly azy tao amin’ ny
fiangonana kristiana.
Raha namirapiratra tao Antiokia ny fahazavan’ ny filazantsara, dia nisy asa
lehibe kosa notohizan’ ireo apostoly nijanona tao Jerosalema. Isan-taona, tamin’
ny andro firavoravoana, dia maro ny Jiosy avy tamin’ ny tany maro nankao
Jerosalema tonga hivavaka ao amin’ ny tempoly. Nisy tamin’ ireo mpivahiny ireo
no olona tia

144
vavaka sy mpianatra mazoto ny faminaniana. Nibanjina ny fiavian’Ilay Mesia
nampanantenaina sy naniry mafy an’ izany izy, dia Ilay fanantenan’ ny Isiraely.
Raha feno an’ ireo vahiny ireo i Jerosalema dia tsy ketraka nitory an’ i Kristy
tamin-kerim-po tsy nilefitra ny apostoly, na dia fantany aza fa mampidi-doza
mandrakariva ny ainy izy amin’ ny fanaovana izany. Nametraka tombo-kase teo
amin’ ny asany ny Fanahin’ Andriamanitra. Betsaka no niova fo ho amin’ ny
finoana; ary rehefa niverina ho any amin’ ny ankohonany any amin’ ny faritra
samihafa eo amin’ izao tontolo izao ireny, dia nanaparitaka ny voan’ ny
fahamarinana teo amin’ ny firenena rehetra sy ny sokajin’ olona rehetra eo amin’
ny fiaraha-monina.
Niavaka tamin’ ireo apostoly niditra tao amin’ io asa io ry Petera sy Jakoba
sy Jaona, izay natoky fa efa nanendry azy hitory an’ i Kristy any amin’ ireo
mpiray tanindrazana aminy Andriamanitra. Niasa tamim-pahatokiana sy tamim-
pahendrena, nijoro ho vavolombelona ny amin’ izay efa hitany sy reny, ary
nampiasa «ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa»12 izy teo amin’ ny ezaka
nataony handresy lahatra ny « taranak’ Isiraely ... fa iny Jesosy... iny dia efa
nataon’ Andriamanitra ho Tompo sy Kristy», dia Ilay «nohomboan’ ny Jiosy
tamin’ ny hazo fijaliana»13.

12) 2 Pet. 1 : 19 13) Asa 2 : 36


10 — Vavolombelona Mahery
145
17

Mpitondra hafatry ny
Filazantsara

«Aty rehefa nirahin’ ny Fanahy Masina i Paoly sy Barnabasy», ka natokan’


ireo rahalahy tany Antiokia, «dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-
tsambo teo hankany Kyprosy». Toy izany no nanombohan’ ny apostoly ny dia
misionera voalohany nataony.
Anisan’ ny toerana izay nandosiran’ ny mpino avy tany Jerosalema i
Kyprosy tamin’ ny fanenjehana nanaraka ny nahafatesan’ i Stefana. Avy tao
Kyprosy no nisy olona nankany Antiokia « nitory an’ i Jesosy Tompo»1.
Barnabasy koa dia «avy any Kyprosy»2; ary izao izy sy Paoly, niaraka tarrfin’ i
Jaona Marka, havan’ i Barnabasy, dia lasa namangy io nosy io hitory ny
filazantsara.
Niova fo ho amin’ ny fivavahana krisfiana ny renin’ i Marka ary fialofana
ho an’ ny mpianatra ny tokantranony tany Jerosalema. Azony antoka fa sâdy ho
raisina tsara izy ao no hahita fialan-tsasatra koa. Nandritra ny iray tamin’ ireo
famangiana nataon’ ny apostoly tao amin’ ny reniny no nilazan’ i Marka tamin’
i Paoly sy Barnabasy ny faniriany hiaraka amin’ izy ireo amin’ ny dia
misionera ataony. Tsapany ny fahasoavan’ Andriamanitra tao am-pony, ka naniry
mafy ny hahokana manontolo ny tenany ho amin’ny asa fanompoana eo amin’ ny
filazantsara izy.

Mifototra amin’ ny Asa 13 : 4 - 25 ity toko ity.


1) Asa 11 : 20 2) Asa 4 : 36
147
Rehefa tonga tao Salamisy ny apostoly dia «nitory ny tenin’Andriamanitra
teny amin’ ny synagogan’ ny Jiosy. Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany
Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady
mpaminany sandoka, izay nitoetra tao amin’ i Sergio Paolo, governoran’ ny tany
sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an’ i Barnabasy sy Saoly hankao aminy
ka naniry mba hahare ny tenin’ Andriamanitra. Fa Elyma, mpanao ody (fa izany
no anarany, raha adika) nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny
governora tsy hahaiky ny finoana».
Tsy navelan’ i Satana tsy hisy tolona ny nananganana ny fanjakan’
Andriamanitra teto an-tany. Mivondrona hanao ady tsy miato hoenti-manohitra
ireo fiasana notendrena hanaparitahana ny filazantsara hy herin’ ny ratsy, ary
miasa amin’ ny fomba manokana ireny herin’ ny maizina ireny rehefa torina eo
anatrehan’ ny olona tsara laza sy fantatra ho mahitsy toetra ny fahamarinana. Toy
izany raha nihaino ny hafatry ny filazantsara i Sergio Paolo governora tao
Kyprosy. Nampaka ny apostoly ilay governora mba hahafantarany ny hafatra
nentin’ izy ireo. Niasa tamin’ ny alalan’ i Elyma mpanao ody anefa ny herin’ ny
ratsy, ka niezaka ny hampitodika azy hiala amin’ ny finoana, sy hanakana ny
fikasan’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny soso-kevitra mampidi-doza.
Toy izany hatrany no fomba fiasan’ ilay fahavalo efa lavo mba hihazonany
eo amin’ ny laharana misy azy ireo olona manan-kery miasa mangina, izay mety
hahavita asa mahomby ho an’ Andriamanitra raha miova fo. Tsy tokony hatahotra
sao resy eo am-pelatanan’ ny fahavalo ny mpiasa mahatokin’ ny filazantsara,
tombon-tsoa ho azy ny fitahian’ ny hery avy any ambony mba hahatoherany
ny hery rehetra miasa avy amin’ i Satana.
Na dia notafihin’ i Satana mafy aza i Paoly, dia nanana herim-po hoenti-
manohitra ilay niasan’ ny fahavalo. Feno ny Fanahy Masina ny Apostoly, «dia
nibanjina azy ka nanao hoe: lalahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafatesana
rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ ny fahamarinana rehetra, tsy
hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin’ ny Tompo va ialahy? Ary, indro,
ankehitriny ny tànan’ ny Tompo hamely an’ ialahy, dia ho jamba ialahy ka
tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin’

148
izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy
izy. Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin’
ny fampianaran’ ny Tompo».
Nanakimpy ny masony tsy habita ny fahamarinana mazava ao amin’ ny
filazantsara ilay mpanao ody, koa tamin' ny fahatezerana ara-drariny nasehon’ ny
Tompo no nahatonga ny masony ara-nofo hikimpy, ka nanala taminy ny
fahazavan’ ny andro. Tsy nitohy ho raikitra anefa io fahajambana io, fa nandritra
ny fotoana fohy ihany, ho fampitandremana azy ka hibebahany sy hitadiavany
famelan-keloka amin’ Andriamanitra izay nampalaheloviny toy izao. Ny
fifanjevoana nisy azy toy izao dia tsy nampisy heriny ny hafetsena miafina
nentiny nanohitra ny fampianaran’ i Kristy. Ity izy voatery nitsapatsapa noho ny
fahajambana dia nanaporofo tamin’ ny rehetra, fa ny herin’ Andriamanitra no
nahavitana ireo fahagagana notanterahin’ ny Apostoly, izay nampangain’ i Elyma
ho fahakingan’ ny fanova-maso. Resy lahatry ny fahamarinan’ ny fampianarana
nataon’ ny Apostoly ilay governora ka nanaiky ny filazantsara.
Tsy olona nandia fianarana i Elyma, nefa nanana fahafahana manokana
hanao ny asan’ i Satana. Hisetra ny hafetsen’ ny fahavalo amin’ ny endrika maro
ireo izay mitory ny fahamarinan’ Andriamanitra. Indraindray dia olona nahita
fianarana, nefa matetika kokoa olona tsy manam-pahalalana no ampiasain’ i
Satana ho fitaovana mahomby hamitahana fanahy. Adidin’ ny mpanompon’ i
Kristy ny mijoro ho mahatoky eo amin’ ny toerany, amin’ ny fahatahorana
an’ Andriamanitra sy amin’ ny herin’ ny fahefany. Amin’ izay dia afaka
hahatonga fifanjevoana ao amin’ ny tafik’ i Satana izy ary afaka handresy amin’
ny anaran’ i Jéhovah.
Nanohy ny diany ho any Perga any Pamfylia i Paoly sy ny namany. Sarotra
ny lalany, sady voahodidin’ ny lozahatrany hatrany, teo amin’ ny tanàna sy ny
vohitra nolalovany, teo amin’ ny lalambe mangina noteteziny, dia voahodidin’ ny
loza hita maso sy tsy hita maso izy. Nefa efa nianatra ny hatoky ny herin’
Andriamanitra mahàvonjy i Paoly sy Barnabasy. Feno fttiavana mafana ho an’ ny
fanahy eo am-pahaverezana ny fony. Mpiandry ondry mahatoky izy, mitady ny
ondry very ka tsy nihevitra izay hampiadana ny tenany. Nanadino ny «izaho» izy,
ka tsy nangozohozo rehefa vizana na noana sy nangatsiaka. Zavatra iray loha
ihany no tao an-tsainy — dia ny famonjena ireo izay naniasia lavitra ny vala.

149
Tao no resin’ ny tahotra sy ny fahakiviana i Marka, ka nisy fotoana
nisalasalany tamin’ ny fikasany hanolo-tena amin’ ny fony manontolo ho an’ ny
asan’ ny Tompo. Tsy zatra zava-tsarotra izy ka nahakivy azy ny loza sy ny
fihafiana' teny an-dalana. Nahita fahombiazana teo amin’ ny asany izy raha
nanampy azy ny toe-javatra; ankehitriny kosa, rehefa teo anivon’ ny fanoherana
sy ny loza izay manafika matetika ny mpamaky lay eo amin’ ny asany
izy, dia tsy naharitra ny zava-tsarotra toy ny miaramila tsaran’ ny hazo fijaliana.
Mbola tokony hianatra ny hiatrika ny loza sy ny fanenjehana ary ny fahoriana
amin-kerim-po izy. Raha nandroso ny Apostoly ka nitombo hatrany ny zava-
tsarotra natrehiny, dia natahotra i Marka ka very ny herim-pony rehetra; nandà
ny handeha lavidavitra kokoa izy ka lasa niverina ho any Jerosalema.
Izany fandaozana ny laharana izany no nahatonga an’ i Paoly hanao
fitsarana tsy misy fankasitrahana sy henjana an’ i Marka indray mandeha. I
Barnabasy kosa tetsy an-daniny dia nirona ny hanala tsiny azy noho ny tsy
fananany fanandramana. Nampitebiteby azy ny hialan’ i Marka amin’ ny asan’
Andriamanitra; hitany mantsy fa nisy toetra manokana. teo aminy izay nety
hahatonga azy ho mpiasa mahasoa ho an’ i Kristy. Taona maro taty aoriana dia
nisy valiny sarobidy ny fikarakarany izay hahasoa an’ i Marka, satria nanolo-tena
tsy nisy fepetra ho an’ ny Tompo ilay tovolahy, ka nirotsaka ho amin’ny asa
fitoriana ny filazantsara tany amin’ ny saha misy olana. Noho ny fitahian’
Andriarnanitra sy ny fanabeazana feno fanandramana nataon’ i Barnabasy, dia
nanjary mpiasa manana ny lanjany izy.
Taty aoriana dia vita fihavanana tamin’ i Paoly i Marka ka noraisiny ho
mpiara-miasa aminy izy. Nanolotra azy ho an’ ny Kolosiana koa i Paoly amin’
ny maha-mpiara-miasa azy ao «amin’ny fanjakan’ Andriamanitra» sady «
fampiononana»3 ho azy. Taloha kelin’ ny nahafatesany dia mbola nolazainy
indray i Marka fa «mahasoa» azy «amin’ny fanompoana»4.
Rehefa lasa i Marka dia namangy an’ i Antiokia any Pisidia i Paoly sy
Barnabasy ary tamin’ ny Sabata dia nankao amin’ ny synagogan’ ny Jiosy izy ka
nipetraka. «Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny
mpanapaka ny synagoga dia namplaza taminy ka nanao hoe; Ry rahalahy, raha
misy fananarana hataonareo amin’ ny olona, dia ataovy ». Rehefa nasaina niteny

3) Kol. 4 : 11 4) 2 Tim. 4 : 11
150
toy izany i Paoly dia « nitsangana, dia nanofa tànana azy ka nanao hoe; Ry
lehilahy Isiraely sy hianareo izay matahotra an’ Andriamanitra, mihainoa». Dia
notohizany tamin’ ny lahateny mahavariana izany. Nanomboka nitantara ny
fomba nifandraisan’ i Jéhovah tamin’ny Jiosy hatramin’ ny fotoana nanafahana
azy tamin’ ny fanandevozana tany Egypta izy, sy ny nampanantenana azy ny
hiavian’ ny Mpamonjy, ary notohizany tamin’ ny filazana ny taranak’ i Davida
ny teniny, ka nambarany tamin-kasahiana hoe: «Avy tamin’ ny taranak’ izany
lehilahy izany no nitondran’ Andriamanitra an’ i Jesosy araka ny teny fikasana
ho Mpamonjy ny Isiraely, rehefa notorin’ i Jaona tamin’ ny olona Isiraely rehetra
aloha ny batisan’ ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy. Ary Jaona, rehefa
nadiva ho nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza
moa aho? Tsy Izy aho; fa indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy
miendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory». Tamin-kery toy izany no
nitoriany an’ i Jesosy Mpamonjy ny olona, dia Ilay Mesia voalazan’ny
faminaniana.
Rehefa nanao io fanambarana io i Paoly dia niteny hoe: «Ry rahalahy,
taranak’ i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an’ Andriamanitra,
dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin’ izao famonjena izao. Fa izay monina
any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon’ ny
mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka, izany tamin’
ny nanamelohany Azy ».
Tsy nisalasala i Paoly nilaza mazava ny fahamarinana mikasika ny
nandavan’ ireo mpitarika Jiosy ny Mpamonjy. «Ary na dia tsy hitany aza izay
tokony hanamelohany Azy ho faty, hoy ny Apostoly, dia nangataka tamin’ i
Pilato ihany izy hamonoana Azy. Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra
voasoratra ny amin’ i Jesosy izy, dia manaisotra Azy tamin’ ny hazo ka nandevina
Azy tao am-pasana. Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ ny maty.
Ary Izy niseho andro maro tamin’ izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho
any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin’ny olona ankehitriny,
»Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, hoy ny Apostoly mbola
nanohy, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin’ ny razana, dia ny nahatanterahan’
Andriamanitra izany tamin’ ny zanatsika, raha nanangana an’ i Jesosy Izy, araka
ny voasoratra eo amin’ ny Salamo faharoa hoe: «Zanako Hianao, Izaho no
niteraka anao

151
androany». Ary ny amin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty, ka tsy hiverina
ho ainin’ ny lo intsony Izy, dia izao no voalazany; «Homeko anareo ny
famindrampo mahatoky nampanantenaina an’ i Davida». Fa hoy Izy eo amin’ ny
Salmo hafa koa; «Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lo Hianao». Fa
Davida, rehefa naha-tanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra hahasoa ny olona
niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin’ ny razany izy
ary tratry ny lo; fa Izay natsangan’ Andriamanitra no tsy mba tratry ny lo ».
Ary izao, rehefa niteny mazava ny amin’ ny fahatanterahan’ireo
faminaniana mahazatra mikasika ny Mesia i Paoly, dia nitory ny amin’ ny
fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ ny alalan’ ny fahamendrehan’ i Jesosy
Mpamonjy azy: «Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, hoy izy, fa izany Lehilahy
izany no itoriana famelan-keloka aminareo; ary ao aminy no anamarinana izay
rehetra mino ho afaka amin’ ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo
tamin’ ny lalàn’ i Mosesy ».
Manampy ny teny nolazain’ i Paoly ny Fanahin’ Andriamanitra ka
voahetsika ny fo maro. Ny antso nataon’ ny Apostoly mikasika ireo faminaniana
ao amin’ ny Testamenta Taloha sy ny fanambarany fa ireny rehetra ireny dia efa
tanteraka avokoa nandritra ny asa izay nataon’ i Jesosy avy any Nazareta, dia
nitondra fiovam-po tamin’ iry fanahy maro izay efa naniry fatratra ny fisehoan’
Ilay Mesia nampa-nantenaina. Ary ny teny feno tokin’ ilay mpanambara, fa « ny
vaovao mahafalin’ ny fanavotana dia sady natolotra ny Jiosy no nomena
ny Jentilisa koa, dia nitondra fanantenana sy fifaliana tao amin’ ireo izay tsy mba
anisan’ ny taranak’ i Abrahama ara-nofo.
«Ary rehefa nivoaka (ny Synagoga) izy, dia nangatahiny holazaina aminy
indray izany teny izany amin’ ny Sabata manaraka». « Ary rehefa nirava ny
fiangonana, dia maro tamin’ ny Jiosy sy ny proselyta», izay nanaiky fa teraka ho
azy ireo ny vaovao mahafaly, «no nanaraka an’ i Paoly sy Barnabasy, izay niteny
taminy ka namporisika azy haharitra amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra».
Nanaitra ny fahalianan’ ny mponina tany Antiokia any Pisidia ny toritenin’
i Paoly, ka « tamin’ ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-
tanàna rehetra hihaino ny tenin’Andriamanitra. Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita
ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana, ka nanohitra ny teny nolazain’ i Paoly
sady niteny ratsy.

152
«Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin’ ny fahasahiana ka nanao hoe:
Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’ Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà
izany hianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana
mandrakizay, dia, indro, mitodika mankany amin’ ny jentilisa izahay ; fa izao no
nandidian’ ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan’ ny Jentilisa Aho,
mba ho famonjena hatrany amin’ ny faran’ ny tany Hianao.
«Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin’
Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay dia nino».
Feno mitafotafo ny fifaliany satria nanaiky azy ireo ho zanak’ Andriamanitra
Kristy, ka tamin’ ny fo feno fankasitrahana no nihainoany ny teny notorina
taminy. Tamim-paharisihana fatratra no nampitan ireo izay nino ny filazantsara
tamin’ ny hafa, ka dia «naely eran’ ny tany rehetra ny tenin’ ny Tompo».
Taonjato maro talohan’ izao no efa nanambaran’ ny Soratra Masina izany
fahavononam-panahy nisy tao amin’ ny Jentilisa izany. Nefa dia mbola
nanjavozavo ihany ny fandraisana ny hevitr’ ireo teny faminaniana. Izao no
nolazain’ i Hosea : «Kanefa, na dia izany aza,"ny isan’ ny Zanak’ Isiraely dia ho
betsaka toy ny fasika amin’ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo
isaina; ary any amin’ ny tany izay nilazana taminy hoe; Tsy oloko hianareo, dia
any no hanaovana aminy hoe: Zanak’ Andriamanitra velona hianareo». Ary
indray koa; «Dia hàfafiko ho Ahy amin’ ny tany izy; ary hamindra fo amin’ i Lô-
rohama Aho sady hanao amin’ i Lo-amy hoe: Oloko hianao; ary izy kosa hanao
hoe: Andriamanitro Hianao»5.
Ny Mpamonjy mihitsy koa, nandritra ny asany teto an-tany, no nanambara
mialoha ny fitaran’ ny filazantsara eo anivon’ ny Jentilisa. Hoy Izy tamin’ ireo
Jiosy tsy nety niova fo, tao amin’ ny fanoharana momba ny tanimboaloboka:
«Hesorina aminareo ny fanjakan’ Andriamanitra ka homena izay firenena
mahavokatra ny voany»6. Ary rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy, diananiraka
ny mpianany handeha «any amin’ izao tontolo izao» ka «hampianatra ny firenena
rehetra». Tsy misy na dia iray aza anefa tsy voairaka hitory «ny filazantsara amin’
ny olombelona rehetra»7.

5) Hos. 2 : 1, 25 6) Mat. 21 : 43
7) Mat. 28 : 19; Mar. 16 : 15
153
Raha nitodika tany amin’ ny Jentilisa tany Antiokia any Pisidia i Paoly sy
Barnabasy dia tsy nitsaliatra ny niasa ho an’ny Jiosy, fa na taiza na taiza nisy
fotoana mety mba hahazoan’ ny olona mihaino azy, dia nohararaotiny izany. Taty
aoriana, tao Tesalonika, tao Korinto, tao Efesosy, sy tao amin’ ny foibe lehibe
hafa, dia nitory ny filazantsara tamin’ ny Jiosy sy ny Jentilisa i Paoly sy ireo
mpiara-dia taminy teo amin’ ny asa, Saingy ny herim-pony lehibe indrindra
hatramin’ izao dia nifantoka tamin’ ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra
any amin’ ny faritany Jentilisa, eo amin’ny firenena izay tsy mahalala afa-tsy
kely, na tsy manam-pahalalana mihitsy aza, ny momba an’ Andriamanitra sy ny
Zanany.
Voatarika ny fon’ i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy mba hanasoa ireo
izay «tsy nanana an’ i Kristy, olon-ko azy tamin’ ny fanjakan’ ny Isiraely ary
vahiny tamin’ ireo faneken’ ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady
tsy nanana an’ Andriamanitra teo amin’ izao tontolo izao». Noho ireo asa nataon’
ny apostoly tamin’ny Jentilisa ka tsy nahalalany hasasarana, no
nampahafantarany fa nampanakeken’ ny ran’ i Kristy izy’izay «vahiny sy
mpivahiny», «lavitra fahiny», ary nahafantatra fa amin’ ny alalan’ ny finoana ny
fanati-panavotana nataon’ i Kristy dia mety ho tonga «tompon-tany, mpiray
fanjakana amin’ ny olona masina sady ankohohan’ Andriamanitra »8.
Nandroso ny fmoan’ i Paoly ka niasa tsy an-kijanona ho amin’ny
fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra teo amin’ ireo izay nataon’ ireo
mpampianatra tao Isiraely antsirambina izy. Nanandratra mandrakariva an’ i
Kristy Jesosy Ilay «Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo»9 izy, ka
namporisika ny mpino «hamaka tsara sy hiorina mafy ao aminy ary ho tafatoetra
amin’ ny finoana»10.
Fanorenana azo antoka ho an’ izay mino Kristy. Eo amin’ io vato velona
io ny Jiosy sy ny Jentilisa no samy afaka manorina. Midadasika izany ka ampy
ho an’ ny rehetra, ary matanjaka izany ka afaka hizaka ny lanja sy ny enta-
mavesatr’ izao tontolo izao manontolo. Zavatra neken’ i Paoly mazava izany.
Tamin’ ny andro faramparany teo amin’ ny asany, raha niteny tamin’ ny mpino
vitsivitsy Jentilisa izay nijanona ho mahatoky tamin’ ny fitiavany
ny fahamarinan’ ny filazantsara ny apostoly Paoly, dia nanoratra

8) Efes. 2 : 12, 13, 19 9) 1 Tim. 6 : 15 10) Kol. 2 : 7


154
hoe: «Natsangana teo ambonin’ ny fanorenan’ ny Apostoly sy ny mpaminany
(hianareo), ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra»11.
Niely tany Pisidia ny hafatry ny filazantsara, fa ireo Jiosy tsy mpino tany
Antiokia kosa, jamban’ ny hevitra nibahana tao an-tsainy, ka «nampitaitra ny
vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga
fanenjehana tamin’ i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin’ ny
taniny ».
Tsy nahakivy ny Apostoly anefa io fihetsika io; tsaroany ny tenin’ ny
Tompony hoe: «Sambatra hianareo, raha haratsian’ ny olona sy enjehiny ary
asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia
sy mieavoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy
izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo »12.
Nandroso ny hafaty ny filazantsara ary nisy antony maro nampahery ny
apostoly. Nisy fitahiana lehibe tokoa ny asany teo amin’ ireo mponina tao Pisidia
any Antiokia, ary ireo mpino izay navelany hanohy irery ny asa, dia «feno
fifaliana sy ny Fanahy Masina».

11) Efes. 2 : 20 12) Mat. 5 : 11, 12


155
18

Nitory teo
amin’ ny Jentilisa

Niainga avy tao Antiokia any Pisidia i Paoly sy Barnabasy dia nankany
Ikonioma. Tao amin’ io toerana io, tahaka ny tany Antiokia, dia tao amin’ ny
synagonan’ ny mpiray firenena taminy, no nanombohany ny asany. Nahita
fahombiazana lehibe izy; «olona betsaka no nino, na Jiosy na Jentilisa». Tao
Ikonioma koa, tahaka ny tao amin’ ny toerana hafa niasan’ ny Apostoly, «ny Jiosy
izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra ny
rahalahy».
Na dia izany aza, dia tsy niala tamin’ ny asa nanirahana azy ny apostoly,
satria betsaka no nanaiky ny filazantsaran’ i Kristy. Teo anoloan’ ny fanoherana,
ny fialonana sy ny hevitra nibahana tao an-tsainy, dia notohizany ny asany,
«nitory tamin’ ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo»; ary
Andriamanitra «nanome vavolombelona hahamarina ny tenin’ ny fahasoavany
ka nampanao azy roalahy famantarana sy fahagagana». Nanan-kery lehibe niasa
mangina tamin’ izay nanokatra ny sainy ho amin’ ny fandresen-dahatra ireo
porofo mazavan’ ny fankasitrahan’ Andriamanitra, ary nitombo ireo niova fo
amin’ ny filazantsara.

Mifototra amin’ny Asa 14 : 1 - 26 ity toko ity.


157
Nitombo ny fitiavan’ ny vahoaka ny hafatra nentin’ ireo apostoly, koa
nahatonga fialonana sy fankahalana teo amin’ ireo Jiosy tsy mino izany, ka tapa-
kevitra ny hampijanona ny asan’ i Paoly sy Barnabasy avy hatrany izy. Tamin’
ny alalan’ ny tatitra diso sy nihoa-pampana, dia notarihiny ireo manam-pahefana
hatahotra sao tandindomin-doza ho voatarika hikomy ny tahàna manontolo.
Nambarany fa olona marobe no niray fo tamin’ ny apostoly. ka notoroany hevitra
fa antony maizimaizina sy hitera-doza izany.
Vokatr’ izany fiampangana izany, dia nentina niverimberina teo
anatrehan’ ny manam-pahefana ny mpianatra; nefa nazava sy azo tsapain-tanana
indrindra ny fiarovan-tenany, ary tony sy mivantana amin’ ny saina ny
fanambarany, hany ka nisy hery miasa mangina lehibe ho azy. Na dia nisy hevitra
nibahana aza tao an-tsain’ ireo mpitsara noho ny filazànadiso reny, dia tsy sahy
hanameloka azy ireo izy, Tsy afaka ny tsy hanaiky izy fa ny fampianaran’ i Paoly
sy Barnabâsy dia mitarika ny olona ho tonga olom-pirenena tsara toetra,
manaja ny lalàna, ary hihatsara ny fitondran-tenan’ ny olona-sy ny filaminana ao
an-tanàna raha ekena ireo fahamarinana nampianarin’ny Apostoly.
Na dia teo aza ireo fanoherana nosetrain’ ny mpianatra, dia nandroso
lazabe ny hafatry ny fahamarinana; hitan’ ny Jiosy fa ny hany vokatry ny ezaka
nataony hanakanana ny asan’ ireo mpampianatra dia nampitombo be dia be ny
isan’ ireo manaraka ny finoana vaovao. «Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-
tsaina ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly».
Romotry ny hatezerana ireto mpitarika Jiosy noho ny fiovan’ny toe-javatra
ka nanapa-kevitra ny hampiasa hery hahatongavany amin’ ny fikasany. Notairiny
ny fironana ambany indrindra tao amin’ ireo vahoaka tsy manam-pahalalana sy
be tabataba, dia nahomby izy ka nahatonga korontana izay nolazainy fa vokatry
ny fampianaran’ ireo mpianatra. Io fiampangana sandoka io no nantenainy
hahazoana ny fanampian’ ireo mpitsara ho fanatanterahana ny fikasany. Nanapa-
kevitra izy ireo fa tsy homena fotoana mety ny Apostoly mba hahazoany miaro-
tena, ary ny vahoaka koa dia tokony handray anjara amin’ ny fitoraham-bato an’
i Paoly sy Barnabasy, ka izany no hamarana ny asany.
Na dia tsy mpino aza ireo sakaizan’ ny apostoly, dia nampitandrina azy ny
amin’ ny fikasan-dratsin’ ireo jiosy izy, ka namporisika azy tsy hisetra tsy amin’
antony ny faharomotan’ ny vahoaka.

158
fa handositra kosa hanavotra ny ainy. Niala mangingina tao Ikonioma i Paoly sy
Barnabasy araka izany, ka navelany tamin’ ny mpino aloha ny fanohizana
samirery ny asa. Tsy hoe tsy hiverinà intsony anefa izy, fa nanapa-kevitra ny
hiverinà kosa raha vao tony ny tabataba ka hamita ny asa efa natombony.
Amin’ ny fotoan’ andro rehetra sy any amin’ ny tany rehetra dia antsoina
ny mpitondra hafatr’ Andriamanitra hisetra fanoherana mangidy avy amin’ ireo
izay nikiry nifidy ny handà ny fahazavan’ ny lanitra. Matetika, noho ny filazana
lainga sy ny fihatsarambelatsihy, no toa andresen’ ny fahavalon’ ny filazantsara,
ka manidy ny varavarana izay mety ho nahazoan’ ny mpitondra hafatr’ Andria-
manitra mankeo amin’ ny vahoaka. Tsy hijanona hikatona mandrakariva anefa
ireny varavarana ireny, fa matetika, rehefa afaka kelikely ka miverina ny
mpanompon’ Andriamanitra hanohy ny asany, dia nahatsapa fa niasa tamin-kery
ho azy ny Tompo, ka nahazoan’ izy ireo nanangana tsangambato ho voninahitry
ny anaran’ Andriamanitra.
Noho ny fanenjeliana tao Ikonioma dia niala tao ny apostoly ka nankany
Lystra sy Derbe any Lykaonia. Jentilisa nanjakan’ ny finoanoam-poana ny
ankabeazan’ ny mponina tao amin’ ireo tanàna ireo; nisy tamin’ ireo anefa
vonona ny hihaino sy hanaiky ny hafatry ny filazantsara. Nanapa-kevitra nÿ hiasa
ao amin’ ireo toerana ireo sy amin’ ny faritra manodidina azy ny apostoly, ka
nanantena fa ho afaka amin’ ny hevitra nibahana tao an-tsain’ ireo Jiosy sy ny
fanenjehana.
Tsy nisy synagoga Jiosy tao Lystra, na dia nisy Jiosy vitsivitsy aza
nipetraka tao an-tanàna. Maro tamin’ ny mponina tao Lystra no nivavaka tao
amin’ ny tempoly natokana ho an’ i Jopitera. Rehefa niseho tao an-tanàna i Paoly
sy Barnabasy ka nanangona nanodidina azy ny mponina tao Lystra, dia nanazava
ireo fahamarinana tsotra momba ny filazantsara. Maro tamin’ izy ireny no
niezaka nampifandray ireo fampianarana ireo tamin’ ny finoanoam-poana
nananany ny amin’ ny fivavahana amin’ i Jopitera.
Niezaka ny hizara fahalalana an’ Andriamanitra Mpamorona
sy fahalalana ny Zanany, Mpamonjin’ ny taranak’ olombelona tamin’ireo
mpanompo sampy ireo ny apostoly. Notarihiny aloha ny sainy ho amin’ ny asa
mahagaga nataon’ Andriamanitra — ny masoandro, ny volana sy ny kintana, ny
filaharana kanto hita eo amin’ ny fifandimbiasan’ ny fizaran-taona, ireo
tendrombohitra lehibe rakotry

159
ny ranomandry, ny hazo mijoalajoala sy ireo zavaboary maha-talanjona isan-
karazany hafa, izay maneho fahaizana tsy takatry ny sain’ olombelona. Tamin’
ny alalan’ ireo asan’ ny Tsitoha ireo no nitarihan’ ny apostoly ny sain’ ny jentilisa
hibanjina Ilay Lehibe mifehy an’ izao tontolo izao.
Rehefa hasehony mazava ireo fahamarinana fototra mikasika ny
Mpamorona, dia nambarany tamin’ ny mponina tao Lystra ny amin’ ny Zanak’
Andriamanitra, Izay nidina avy any an-danitra ho eto amin’ izao tontolo izao misy
antsika noho ny fitiavany ny zanak’olombelona. Nolazainy ny amin’ ny fiainany
sy ny asany, ny nandavan’ ireo izay nahatongavany hovonjena, ny nitsarana sy
ny nanomboana Azy tamin' ny hazo fijaliana, ny nitsanganany tamin’ ny maty sy
ny niakarany any an-danitra hanao ny asan’ ny mpisolovava ho an’ ny olona. Toy
izany no nitorian’ i Paoly sy Barnabasy ny filazantsara tany Lystra tamin’ ny
Fanahy sy ny herin’ Andriamanitra.
Indray mandeha, raha nilaza tamin’ ny olona ny asan’ i Kristy amin’ ny
maha-mpanasitrana. ny marary sy ny tra-pahoriana Azy i Paoly, dia nahita
malemy tongotra iray tamin’ ireo mpihaino azy, izay nampifantoka ny masony
taminy ary nandray sy nino ny teny. Nangoraka ity lehilahy mahantra ny fon’ i
Paoly, ary hitany teo aminy fa «nanam-pinoana hositranina izy». Teo anatrehan’
ny mpivory mpanompo sampy no nibaikoan’ i Paoly ilay malemy
tongotra hijoro tsara amin’ ny tongony. Hatramin’ izao dia ny mipetraka ihany
no azon’ ilay lehilahy mahantra natao; nefa ankehitriny dia nankato avy hatrany
ny baikon’ i Paoly izy ary voalohany izao tamin’ ny fiainany no nijoroany tamin’
ny tongony. Tonga niaraka tamin’ ny ezaky ny finoana ny tanjaka, ka «niantsà-
mbotsambotra sy nitsangantsangana » ilay malemy tongotra.
«Ary nony hitan’ ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon’ i Paoly, dia
nanandratra ny feony ka nanao tamin’ ny fîtenin’ i Lykaonia hoe: Efa nidina
nankatyamintsika ny andriamanitra maka endrik’ olona! » Nifandrindra tamin’
ny lovan-tsofina teo aminy izany filazana izany, fa mamangy ny eto an-tany ny
andriamanitra indraindray. Nataony hoe Jopitera, naman’ iréo andriamanitra
i Barnabasy, noho ny bikany mendrika, noho ny fihetsiny mihaja, ary noho ny
halemem-panahy sy ny fitiavana hita soritra teo amin’ny endriny. Ninoany ho
Merkory i Paoly «satria izy no mpitarika ny teny nalahatra», mafana fo sady
mihetsiketsika, mahay mandahatra amin’ ny teny mitondra fananarana sy
famporisihana.

160
Nafana fo hampiseho ny fankasitrahany ireto mponina tao Lystra, ka
nitaona ny mpisoron’ i Jopitera hanome voninahitra ny apostoly « dia nitondra
ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho eo am-bavahady ka nikasa hanao
fanatitra» niaraka tamin’ ny vahoaka. Nitady fahanginana sy fialan-tsasatra i
Paoly sy Barnabasy ka tsy nahatsikaritra ireo fiomanana ireo. Vetivety anefa dia
voasariky ny feon-java-maneno sy ny antsoantso feno hafanam-po nataon’ ny
vahoaka marobe nanatona ny trano nitoerany izy.
Rehefa fantatry ny apostoly mazava tsara ny anton’ izao famangiana izao
sy ny horakoraka niaraka tamin’ izany, «dia nandriatra ny fitafiany izy ka
nitsarapaka nankeo afovoan’ ny olona», nanantena fa hanakana ny dingana
manaraka. Feo avo sy mikarantsana, mafy noho ny antsoantson’ ny vahoaka no
nentin’ i Paoly nangataka ny hihainoana azy; nitsahatra tampokà ny tabataba, dia
hoy izy hoe: «Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo
ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin’ izao
zava-poana izao hanatona an’ Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny
tany ary ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny, Izay namela ny firenena
rehetra handeha tamin’ ny làlana tiany haleha tamin’ ny andro lasa. Kanefa
tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy,
mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ ny lanitra ho anareo sady manome
taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ ny hanina sy ny fifaliana».
Na dia teo aza ny fandavana mazava nataon’ ny apostoly fa tsy
andriamanitra izy, ary na dia teo aza ny fiezahan’ i Paoly hitarika ny sain’ ny
olona ho eo amin’ Ilay Andriamanitra marina hany mendrika hivavahana, dia
saika tsy azo natao ny nanodina ny sain’ireto jentilisa hiala amin’ ny fikasàny
hanao fanatitra. Mafy orina indrindra ny fmoany fa tena andriamanitra ireto olona
ireto, ary lehibe loatra ny hafanam-pony, hany ka nalaina indrindra izy
hanaiky ny fahadisoany. Lazain’ ny tatitra fa «saiky tsy nahasakana ny olona» i
Paoly.
Hoy ny fihevitry ny mponina tao Lystra: ny masonay mihitsy no nahita ny
hery manao fahagagana nampiasain’ ny apostoly. Nahita malemy tongotra izay
mbola tsy afaka nandeha mihitsy izy, izay navitrika sy faly noho ny fahasalamana
sy ny tanjaka feno azony. Raha tsy nandresv lahatra lalina i Paoly sy nanazava
tsara ny

11 — Vavolombelona Mahery
161
mikasika ny asa nanirahana azy sy Barnabasy amin’ ny maha-solontenan’ ny
Andriamanitry ny lanitra azy sy ny lanany, Ilay Mpanasitrana lehibe, dia tsy nety
niala tamin’ ny fikasany ny olona.
Tapaka tampoka ny asan’ i Paoly sy Barnabasy tany Lystra noho ny
haratsiam-panahin’ ny «Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonionia», izay nandre
ny fahombiazan’ ny asa nataon’ ny apostoly teo amin’ ny Lykaoniana, ka
namapa-kevitra ny hanaraka sy hanenjika azy. Rehefa tonga tany Lystra ireo
Jiosy ireo dia vetivety dia nahomby tamin’ ny fanaingana ny vahoaka hanana koa
ny toe-tsaina feno fangidiana izay niasa teo amin’ ny sain’ izy ireo. Tamin’ ny
alalan’ ny fanendrikendrehama sy ny fanosoram-potaka azy no nahatonga an’
ireo izay vao nihevitra an’ i Paoly sy Barnabasy ho andriamanitra, ho resy lahatra,
fa raha ny tena izy dia ratsy noho ny mpamono olona ny apostoly ka mendrika ny
ho faty.
Ny fahadisoam-panantenana nihatra tamin’ ny mponina tao Lystra tamin’
ny tsy nanekena ny hanolorany fanatitra ho an’ ny apostoly, dia nanomana azy
ireo hiodina tamin’ i Paoly sy Barnabasy tamin-kafanam-po nifanahaka tamin’
izay niarahabany azy ho andriamanitra. Namporisika azy ny Jiosy ka nanao
drafitra hamelezana ny apostoly amin’ ny alalan’ ny hery. Nohafatrafaran’ ny
Jiosy izy tsy hanome fotoana ahazoan’ i Paoly mitory, fa hoy izy, raha omena
izany tombon-tsoa izany izy dia hamabo ny fon’ ny vahoaka.
Vetivety dia notanterahina ny fikasan’ ireto fahavalon’ ny filazantsara
hamono olona. Nilefitra tamin’ ny herin’' ny ratsy ireto mponina tao Lystra ka
nanjakan’ ny haromotan’ i Satana; noraisiny i Paoly dia tsy nananany antra fa
notorahiny vato. Noheverin’ ny apostoly fa tonga ny ora farany. Niverina mazava
tao an-tsainy ny nanaovana maritiora an’ i Stefana sy ny anjara feno habibiana
noraisiny tamin’ io fotoana io. Rakotry ny ratra sy reraky ny fanaintainana izy ka
lavo tamin’ ny tany, ary ireto vahoaka romotra dia «nitarika azy ho eny ivelan’
ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy».
Nijanona ho mahatoky sy marina tamin’ io ora maizina sy fizahan-toetra
io ireto antokon’ ny mpino tao Lystra, izay niova fo ho amin’ ny finoana an’ i
Jesosy tamin’ ny alalan’ ny asan’ i Paoly sy Barnabasy. Ny fanoherana tsy misy
an tony mitombina sy ny fanenjehana feno habibiana nataon’ ireo fahavalony dia
tsy nisy

162
vokany afa-tsy ho fanamafisana ny finoan’ ireto rahalahy tia vavaka ireto; ary
ankehitriny, niatrika ny loza sy ny fanesoana izy ka nasehony ny toetrany
mahatoky tamin’ ny nandraisany tamin’alahelo ny vatan’ ilay noheveriny fa
maty.
Akory ny hagagany, fa raha mbola nitomany izy ireo, dia nitraka tampoka
ny apostoly ary nijoro tamin’ ny tongony, niaraka tamin’ ny fiderana an’
Andriamanitra teo am-bavany. Ho an’ ireo mpino dia fahagagana avy amin’ ny
herin’ Andriamanitra io fanasitrahana tsy nampoizina ny mpanompony io ary toa
famantarana avy amin’ ny lanitra izay manaiky ny fiovana teo amin’ izay
ninoany. Diboky ny hafaliana tsy hay lazaina izy ka nidera an’ Andriamanitra
tamin’ ny finoana nohavaozina indray.
Tamin’ ireo niova fo tao Lystra, sy nahita maso ny fijalian’ i Paoly, dia
nisy iray izay nanjary mpiasa miavaka ho an’ i Kristy, niara-nizara ny fitsapana
sy ny fifaliana tamin’ i Paoly teo amin’ny asan’ ny mpamaky lay tany amin’ ny
saha nahitana zava-tsarotra. Tovolahy natao hoe Timoty izany. Rehefa notarihina
nivoaka ny tanàna i Paoly, dia anisan’ ireo izay nijoro teo anilan’ ilay vatana
toa tsy nisy aina intsony ity mpianatra tanora ity, ary nahita azy nitsangana
mangamangana sy nihosin-dra, nefa fiderana an’ Andriamanitra no teo am-
bavany noho ny namelany azy hijaly ho an’ i Kristy.
Ny andro manaraka ny nitoraham-bato an’ i Paoly, dia niainga ho any
Derbe ny apostoly; notahiana ny asany tany ka maro ny fanahy no voatarika
handray an’ i Kristy ho Mpamonjy azy. Nefa «rehefa nitory ny filazantsara tamin’
izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro», na i Paoly na i Barnabasy dia
tsy mba nionona fotsiny tamin’ ny fanombohana asa na taiza na taiza, raha tsy
nanamafy ny finoan’ ny mpino izay tsy maintsy navelany samirery teo amin’ ny
toerana vao niasany vao haingana. Koa tsy natahotra ny loza izy «fa niverina
nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray, nampahery ny fanahin’ ny
mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana». Betsaka no efa nanaiky
ny Vaovao mahafalin’ ny filazantsara ka hiharan’ ny fanomezan-tsmy sy ny
fanoherana noho izany. Niezahan’ ny apostoly naorina-tamin’ ny finoana ireny
mba hitoetra ny asa efa vita.
Zava-dehibe teo amin’ ny fitomboana ara-panahin’ ny olona vao niova fo
ny fikarakaran’ ny apostoly, azy sy ny fametrahana manodidina azy ny
famdaminana ara-pilazantsara mba hiaro azy;

163
Nisy fiangonana nalamina tamin’ ny fotoana nilàna azy indrindra teo amin’
ny toerana rehetra nisy ny mpino tao Lykaonia sy Pisidia. Nisy tompon’
andraikitra notendrena isam-piangonana, ary napetraka ny fandaminana sy ny
rafitra sahaza hitondrana ny raharaha rehetra mikasika ny mpino eo amin’ ny
lafiny ara-panahy.
Nifandrindra tamin’ ny drafitry ny filazantsara izany tamin’ ny
fampiraisana ny mpino rehetra ao amin’ i Kristy ho tena iray, ary narahin’ i Paoly
akaiky io drafitra io teo amin’ ny asany. Izay rehetra voatarika handray an’ i
Kristy ho Mpamonjy tamin’ ny alalan’ny asa nataony na taiza na taiza, dia
nalaminy ho fiangonana tamin’ ny fotoana mety. Na dia vitsy ihany aza ny mpino
dia natao izany. Nampianarina hifanampy ny kristiana tamin’ izay, sy hahatsiaro
ny teny fikasana manao hoe: « Fa na aiza na aiza no iangonan’ ny roa na telo
amin’ ny anarako, dia ao afovoany Aho»1
Ary tsy hadinon’ i Paoly ireo fiangonana natsangany toy izany.
Nanindry mafy ny fony toy ny entana mihamavesatra hatrany ny
fikarakarana ireny fiangonana ireny. Na dia vitsy aza ny mpikambana, dia
nokarakarainy tsy an-kijanona ireny. Narahiny maso tamim-pitiavana ireo
fiangonana madinika kokoa, noho ny fahatsapany fa mila fikarakarana manokana
izy ireny mba ho tafatoetra tsara amin’ ny fahamarinana ny mambra ao aminy,
ary mba hampianarina hanao ezaka mafana sy tsy misy fitiavan-tena amin’ izay
manodidina azy.
Tamin’ ny fiezahana rehetra nataony dia nanao izay hanarahany ny ohatr’
i Kristy i Paoly sy Barnabasy, dia ohatra fanoloran-tena an-tsitrapo sy fahatokiana
ary hafanam-po teo amin’ ny asa ho an’ ny fanahy. Niambina mandrakariva,
nafana fo, tsy nety sasatra, tsy nijery izay nironan’ ny tenany na izay nahasoa azy
izy ireo, fa tamin’ ny vavaka mafana sy asa tsy an-kijanona no namafazany ny
voan’ ny fahamarinana. Sady namafy ny voa ny apostoly no nanome koa
fampianarana sarobidy loatra sy azo ampiasaina avy hatrany ho an’ izay handray
ny toerany eo amin’ ny filazantsara. Nisy vokany maharitra mikasika ny maha-
zava-dehibe ny hafatry ny filazantsara teo amin’ ny sain’ ireto mpianatra vaovao
io toe-tsaina mafana fo sy matahotra an’ Andriamanitra io.
Rehefa nisy olona niova fo nanana ho avy mamirapiratra sy talenta be
tahaka an’ i Timoty, dia niezahan’ i Paoly sy Barnabasy
1) Mat. 18 : 20
164
ny haneho aminy ny maha-ilaina ny hiasana eo amin’ ny lanim-
boaloboky ny Tompo. Ary rehefa nifindra ho amin’ ny toeran-kafa ny apostoly,
dia tsy maty akory ny finoan’ ireo olona ireo, fa vao mainka mitombo aza.
Nampianarina tsara teo amin’ ny lalan’ ny Tompo izy, ary notarihina teo amin’
ny fomba fiasa tsy misy fitiavan-tena, fa amin-kafanam-po, amim-pikirizana, ho
famonjena ny mpiara-belona aminy. Zava-dehibe teo amin’ ny fahombiazana
mahagaga teo amin’ i Paoly sy Barnabasy io fanazarana sy fikarakarana fatratra
ny olona vao niova fo io, raha nitory ny filazantsara tany amin’ ny tany jentilisa
izy.
Efa kely sisa dia hifarana ny dia misionera voalohany. Nankinin’ny
apostoly tamin’ ny Tompo ireo fiangonana vao nalamina, dia lasa nankany
Pamfylia izy, «ary nony efa nitory ny teny tany Perga izy, dia nidina nankany
Atalia. Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia».

165
19

Jiosy sy Jentilisa

Rehefa tonga tany Antiokia tany Syria izay toerana niaingany hanao Ry
asa nanirahana azy i Paoly sy Barnabasy, dia nohararaotiny ny fotoana niety
voalohany mba hanangonany ny mpino hilazany «izay rehetra nataon’
Andriamanitra tamin’ ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho
an’ ny jentilisa»1 Fiangonana lehibe sady nitombo ny fiangonana tany Antiokia.
Sady foiben’ ny asa misionera tao no anisan’ ny lehibe indrindra tamin’ ny
antokon’ ireo mpino kristiana koa. Sokajin’ olona maro avy tamin’ ny Jiosy
sy ny Jentilisa ny mambra tao.
Raha niara-niasa tamin’ ny mpitandrina sy ny mambra tao Antiokia ny
Apostoly, ka nanao ezaka mafana ahazoana fanahy maro ho an’ i Kristy, dia nisy
mpino Jiosy avy any Jodia «izay isan’ ny antokon’ ny Fariseo» nahazo vahana
tamin’ ny fametrahana fanon-taniana izay hanjary adihevitra be tao amin’ ny
fiangonana sy nahavariana ireo mpino jentilisa vao niova fo. Tamim-pahatokiana
lehibe no nanantitranteran’ ireto mpampianatra fatra-panaraka ny fampianarana
jiosy ireto, fa tsy maintsy mifora sy mitandrina ny lalàna rehetra momba ny
fanompoam-pivavahana ny olona mba ho voavonjy.

Mifototra amin’ ny Asa 15 : 1 - 35 ity toko ity.


1) Asa 14 : 27
167
Tamim-pahakingana no nanoheran’ i Paoly sy Barnabasy io fampianaran-
diso io ary nosakanany ny fampidirana izany any amin’ ny Jentilisa. Teo andanin’
izany dia betsaka ny Jiosy nino tao Antiokia no nankasitraka ny hevitr’ ireo
rahalahy vao tonga avy tany Jodia.
Raha tamin’ ny ankapobeny dia tsy nirona firy handroso haingana araka
ny lalana nosokafan’ Andriamanitra ireo Jiosy niova fo. Nazava fa noho ny
vokatry ny asa mafy nataon’ ny Apostoly teo anivon’ ny Jentilisa dia nihoatra
lavitra noho ny Jiosy niova fo ireo Jentilisa niova fo raha ny isany no jerena.
Natahotra ny Jiosy sao ho very anjavona, amin’ ny farany, ka tsy ho hita eo amin’
izay nandray ny hafatry ny filazantsara ireo toetra nampiavaka azy tamin’
ny firenena hafa hatramin’ izay, raha tsy atao fepetram-piangonana tsy maintsy
harahin’ ny Jentilisa ny fanarahana sy ny fanajana ny lalànany.
Nireharehan’ ny Jiosy mandrakariva ireo fanompoam-pivavahana
notendren’ Andriamanitra hataony, ary betsaka ireo niova fo ho amin’ ny finoana
an’ i Kristy no mbola nahatsapa fa sarotra ekena ny hamelan’ Andriamanitra ny
hisian’ ny fanovana tamin’ izay nambarany, satria efa nosoritany mazava ny
fomba fanompoam-pivavahana jiosy. Nanantitrantitra ny hampidirana ny lalàna
sy ny fanonipoam-pivavahana jiosy ao amin’ ny fomba fivavahana kristiana izy.
Niadana ny fahazoany ny hoe: tandindon’ ny faha-fatesan’ ny Zanak’
Andriamanitra avokoa ireo fanompoam-piva-vahana fanatitra, ary teo no nihaona
ny tandindona sy ny tena izy, ary taorian’ izany dia tsy lalàna mamatotra intsony
ireo fomba fombam-pivavahana sy ny fanompoam-pivavahana nomen’ i Mosesy.
Talohan’ ny niovan’ i Paoly fo, dia nihevitra ny tenany ho tsy nanan-tsiny
izy raha «ny fahamarinana avy amin’ ny lalàna»2. Nefa hatramin’ ny niovany fo
dia nazava taminy ny asa nanirahana ny Mpamonjy amin’ ny maha-Mpanavotra
ny taranak’ olombelona manontolo Azy, na ny Jéntilisa izany na ny Jiosy, ary
nianarany koa ny maha-samihafa ny finoana velona sy ny fombafomba ivelany
tsy misy aina. Nihavao sy nihalalina ny dikan’ ireo fomba amam-panao sy ireo
fanompoam-pivavahana taloha nankinina tamin’ ny Isiraely rehefa nohazavain’
ny filazantsara.

2) Filipiana 3 : 6
168
Niseho izay naha-tandindona azy ary afaka amin’ ny fankatoavana izany
izay velona amin’ ny fotoana fitoriana ny filazantsara. Na dia izany aza dia mbola
notandreman’ i Paoly ihany ny zava-kendrena sy ny teny voasoratra ao amin’ ny
didin’ Andriamanitra izay tsy azo ovana, dia ny Didy Folo izany.
Niteraka adihevitra sy adilahy maro ny resaka momba ny famorana tao
amin’ ny fiangonana tany Antiokia. Natahotra ireo mambran’ ny fiangonana nony
farany sao hizarazara izy ireo raha mitohy hatrany hatrany izao adihevitra izao,
ka nanapa-kevitra ny handefa an’ i Paoly sy Barnabasy ho any Jerosalema izy,
miaraka amin’ ny tompon’ andraikitra sasany avy ao amin’ ny fiangonana,
mba hitondra ny olana eo anatrehan’ ny apostoly sy ny loholona. Any izy ireo no
hihaona amin’ ireo solon-tena avy amin’ ny fiangonana maro samihafa izay
hankany Jerosalema hanatrika ny andro firavoravoana efa manakaiky. Eo am-
piandrasana izany dia tsy maintsy hajanona ny adilahy rehetra mandra-
pahatongan’ ny fanapahan-kevitra farany omen’ ny fivoriambe. Hoeken’ ny besi-
nimaro any amin’ ny fiangonana samihafa manerana ny tany io fanapahan-kevitra
io.
Teny an-dalana ho any Jerosalema ny apostoly dia namangy ny mpino tao
amin’ ireo tanàna nolalovany, sy nampahery azy tamin’ ny fitantarana ny
fanandramana nataony teo amin’ ny asan’Andriamanitra sy ny fiovam-pon’ ny
Jentilisa.
Rehefa tonga tany Jerosalema ireo solontena avy tany Antiokia dia nihaona
tamin’ ireo rahalahy avy tamin’ ny fiangonana samihafa, izay tonga hanatrika ny
fivoriambe, ary notantarainy taminy ny fahombiazany teo amin’ ny asa
fanompoana nataony tany amin’ ny Jentilisa. Dia nosoritany mazava ny
korontana vokatry ny nataon’ ireo Fariseo niova fo sasantsasany nankany
Antiokia izay nilaza, fa mba hamonjena ny Jentilisa niova fo, dia, tsy maintsy
hoforana sy hitandrina ny lalàn’i Mosesy izy.
Nafana ny adihevitra momba io resaka io tao amin’ ny fivoriambe. Nisy
toe-javatra maro hafa koa nitaky fandinihana lalina izay nifandray akaiky tamin’
ny olana mikasika ny famorana. Anisan’izany ny olana momba ny fihetsika
tokony hatao mikasika ny fampiasana ny hena naterina ho an’ ny sampy. Betsaka
ny Jentilisa niova fo no niverina teo anivon’ ny olona tsy manam-pahalalana
sy minomino foana, izay nanao fanatitra sy fanomezana matetika

169
ho an’ ny sampy. Nandroso tokoa ny varotra nataon’ ireo mpisorona ao amin’ io
fivavahana manompo sampy io noho ny fanompoana nataon’ ny Jentilisa tamin’
ireo fanatitra nentina teo aminy, koa natahotra ny Jiosy sao hanala baraka ny
fivavahana kristiana ny Jentilisa niova fo amin’ ny fividianany izay efa naterina
ho an’ ny sampy, ka ho azo lazaina fa mankasitraka ny fomba amam-panaon’
ny mpanompo sampy izy amin’ izany.
Izao koa, zatra mihmana ny nofon’ ny biby maty nokendaina ny Jentilisa,
fa ny Jiosy kosa nahazo toro-lalana avy amin’ Andriamanitra fa rehefa vonoina
hohanina ny biby, dia misy fitandremana manokana tokony hatao mba ho afaka
amin’ ny tenan’ ny biby ny ra; raha tsy izany dia tsy tokony heverina ho madio
ny hena. Nomen’ Andriamanitra ny Jiosy ireo toro-marika ireo mba hiaroyana
ny fahasalamany. Fahotana tamin’ ny Jiosy ny mampiasa ny ra ho sakafo.
Fantany mantsy fa aina ny ra, ary ny fandatsahan-dra dia vokatry ny fahotany.
Ny Jentilisa kosa nifanohitra tamin’ izany, fa nananty ny ra nalatsaka avy
tamin’ ny fanatitra, ka nampiasa izany tamin’ ny fanamboarana sakafo. Tsy eken’
ny sain’ ny Jiosy fa tokony hanova ny fomba noraisiny tamin’ ny fitarihana
manokana avy tamin’ Andriamanitra izy. Nefa kosa, araka ny fandehan-javatra,
raha tahiny ka miara-misakafo eo amin’ ny latabatra iray ny Jiosy sy ny Jentilisa,
dia ho sorena sy ho tafintohina iretsy noho ny ataon’ ireto.
Malotoloto fihetsika ny Jentilisa, indrindra fa ny Grika ka nisy loza
nahiana, dia ny hisian’ ny tsy niova fo hanambara ny finoany, nefa tty hiala amin’
ny fomba ratsy fanaony. Tsy azon’ ny Jiosy kristiana nekena ny fitondrantena tsy
mendrika izay tsy noheverin’ny Jentilisa ho heloka akory. Noho izany dia
notanan’ ny Jiosy ho zava-dehibe sy mety raha atao hitsapana ny fahadiovam-po
sy ny fitiavam-bavaky ny Jentilisa niova fo ny fampanekena azy ny famo-
rana sy ny fampitandremana azy ny lalàna mikasika ny fombam-pivavahana.
Ninoany fa amin’ izany fomba izany dia ho voasakana izay tehiditra ao amin’ ny
fiangonana, nefa tsy nandalo fiovam-po marina, ka mety hanomezan-tsiny ny
anaran’ Andriamanitra atÿ aoriana, noho ny fitondran-tena tsy mendrika sy ny
fanao tafahoatra.
Ny andinindininy samihafa teo amin’ ilay olana fototra dia toa nitondra
zava-tsarotra tsy hay setraina teo amin’ ny filan-kevitra. Nefa, raha ny tena izy,
dia efa nalamin’ ny Fariahy Masina sahady

170
io toe-javatra io; toa niankinan’ ny fahombiazan’ ny fiangonana kristiana, na ny
fisiany mihitsy aza, ny fanapahan-kevitra momba izany.
«Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao
taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin’ ny ela Andriamanitra dia efa
nifidy teo aminareo fa amin’ ny vavako no handrenesan’ ny jentilisa ny tenin’ ny
filazantsara ka hinoany». Nohazavain’ i Petera fa efa nanapa-kevitra momba io
adihevitra io ny Fanahy Masina tamin’ ny nirotsahany tamin-kery mitovy tamin’
ny Jentilisa tsy voafora sy tamin’ ny Jiosy voafora. Notantarainy ny fahitana
hitany, izay nanehoan’ Andriamanitra azy lamba feno ny karazam-biby manan-
tongotra efatra rehetra, ka nasainy novonoina sy nohanina. Rehefa nandà izy, ka
nilaza fa tsy afaka hihinana mihitsy izay tsy madio, dia izao no valinteny azony;
«Izay efa nodiovin’ Andriamanitra dia aza ataonao ho fady»3.
Nambaran’ i Petera ny dika mazavan’ ireo teny ireo, izay nomena azy avy
hatrany talohan’ ny baiko noraisiny handeha any amin’ ilay kapiteny, sy
hampianatra azy ao amin’ ny finoana an’ i Kristy. Nasehon’ io hafatra io fa tsy
mizaha tavan’ olona Andriamanitra fa mandray sy manaiky izay rehetra
matahotra Azy. Nolazain’ i Paoly ny hagagany rehefa avy nitory ny teny
fahamarinana tamin’ ireo tafavory tao an-Jranon’ i Kornelio izy, ka nahita maso
ny nirotsahan’ ny Fanahy Masina tamin’ ny mpihaino azy, na ny Jentilisa na ny
Jiosy. Ny fahazavana sy ny voninahitra izay namira-piratra tamin’ ny Jiosy
voafora, dia io ihany koa no namirapiratra teo amin’ ny endriky ny Jentilisa tsy
voafora. Io no fampitandremana nataon’ Andriamanitra milaza fa tsy misy tokony
ho heverin’ i Petera ho ambany kokoa, satria afaka manasa ny tsy fahadiovana
rehetra ny ran’ i Kristy.
Talohan’ izao dia efa nanazava tamin’ ny rahalahiny mikasika ny fiovam-
pon’ i Kornelio sy ny namany ary ny mpiara-dia taminy i Petera. Raha nitantara
ny fomba nirotsahan’ ny Fanahy Masina tamin’ ny Jentilisa izy tamin’ izay dia
hoy izy hoe; «Koa raha mba nomen’ Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka
antsika fony isika vao nino an’ i Jesosy Kristy Tompo, dia iza moa aho no haha-
sakana an’ Andriamanitra ?»4 Tamin-kafanam-po sy tamin-kery

3) Asa 10 : 15 4) Asa 11 : 17
171
mitovy no nilazany indray hoe: «Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia
vavolombelony tamin’ ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;
fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin’ ny finoana ny fony.
Koa nahoana hianareo no maka fanahy an’ Andriamanitra amin’ ny
fametrahanareo zioga amin’ ny vozon’ ny mpianatra, izay tsy zakan’ ny
razantsika na isika ho entina ? »
Tsy ny Didy Folo akory io zioga io, araka ny fanantitranterana ataon’ ireo
izay manohitra ny fifehezan’ ny lalàna sy ny fitakiany. Ny Talàna momba ny
fanompoam-pivavahana no ambaran’ i Petera eto, izay foana sy tsy nanan-kery
intsony tamin’ ny nanomboana an’ i Kristy tamin’ ny hazo fijaliana. Ny tenin’ i
Petera dia nitarika ny olona nivory ho afaka hihaino tamim-paharetana an’ i Paoly
sy Bamabasy izay nitantara ny fanandramany teo amin’ ny asa nataony ho an’ ny
Jentilisa. «Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an’ i Bamabasy sy Paoly, izay
nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin’ Andriamanitra azy tany
amin’ ny jentilisa».
Nijoro ho vavolombelona koa i Jakoba nanambara fa fikasan’
Andriamanitra ny handrotsaka amin’ ny Jentilisa tombon-tsoa sy fitahiana mitovy
amin’ izay nomena ny Jiosy.
Hitan’ ny Fanahy Masina fa tsara ny tsy hanerena ny Jentilisa niova fo
hitandrina ny lalàna mikasika ny fombafombam-pivavahana, ary ny fiheveran’
ny apostoly mikasika io toe-javatra io dia mitovy amin’ ny an’ ny Fanahin’
Andriamanitra. Jakoba no nitarika ny filan-kevitra, ary izao no fanapahan-keviny
farany; « Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana
ny avy amin’ ny jentilisa izay miverina ho amin’ Andriamanitra». Namarana ny
adi-hevitra izany.
Eto isika dia manana izay hoenti-manohitra ny fampianarana tanan’ ny
Fiangonana Katolika Romana, izay milaza fa i Petera no lohan’ ny fiangonana.
Ireo izay mihambo ho mpandimby an’ i Petera, toy ny papa, dia tsy manana tenin’
ny Soratra Masina hoenti-manorina ny fihamboany. Tsy misy ao amin’ ny
fiainan’ i Petera manamarika ny filazana fa nasandratra ambonin’ ny rahalahiny
ho solontenan’ ny Avo Indrindra izy. Raha iieo izay milaza ho mpandimby an’ i
Petera no nanaraka ny ohatra navelany, dia ho nianina fotsiny amin’ ny fitoviana
laharana amin’ ny rahalahiny izy.

172
Tamin’ io fotoana io i Jakoba no toa voafidy hilaza ny fanapahan-kevitra
farany tao amin’ ny filan-kevitra. Fehezan-teniny no nanam-bara fa ny lalàna
mikasika ny fombam-pivavahana, ary amin’ ny fomba manokana ny didy momba
ny famorana, dia tsy tokony hanerena ny Jentilisa na haroso aminy akory aza.
Niezaka i Jakoba handatsaka tao an-tsain’ ny rahalahiny fa nisy fiovana be tao
amin’ ny fiainan’ ny Jentilisa tamin’ ny fitodihany tamin’ Andriamanitra. Noho
izany dia tokony hisy fitandremana be tsy hanorisory azy amin’ ny fanontaniana
mahavery hevitra sy miteraka fisalasalana tsy dia misy antony firy, sao kivy izy
amin’ ny fanarahana an’ I Kristy.
Nefa na dia izany aza, dia hiala amin’ ny fomba tsy mifanaraka amin’ ny
foto-kevitry ny fivavahana kristiana ireo Jentilisa niova fo. Noho izany dia neken’
ny apostoly sy ny loholona ny hampianatra ny Jentilisa ara-bakiteny ny hifady ny
hena naterina ho an’ ny sampy, ny fijangajangana, ny fihinanana biby nokendaina
sy ny ra. Namporisihina izy hitandrina ny didy sy hanana fiainana masina.
Fanampin’ izany, nomena toky koa izy fa ireo olona nanambara ny lalàna mifehy
ny famorana ho tsy maintsy tandremana, dia tsy nonsen’ ny apostoly fahefana
hanao izany.
Natolotra azy ireo ho olona nanao vivery ny ainy ho an’ ny Tompo i Paoly
sy Barnabasy. Nalefan’ ireo Apostoly ireo i Joda sy Silasy hitondra am-bava ny
fanapahan-kevitry ny filan-kevitra tamin’ ny Jentilisa; «Fa sitraky ny Fanahy
Masina sy izAay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy
maintsy hotandremana izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’
ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha
mahatandrin-tena hifady izany hianareo, dia ho soa». Nirahina ho any Antiokia
ireo mpanompon’ Andriamanitra efatra ireo, nitondra ny epistily sy ny hafatra
izay hamarana ny adihevitra rehetra; feon’ ny fahefana ambony indrindca eto an-
tany izany.
Ny filan-kevitra nanapaka momba izany dia nahitana ireo apostoly sy
mpampianatra izay niavaka tamin’ ny fananganana fiangonana Jiosy sy Jentilisa,
ary ireo solontena avy tamin’ ny toerana samihafa. Ireo loholona avy tany
Jerosalema sy ireo solon-tena avy tany Antiokia dia nanatrika tao koa, ary ireo
fiangonana nanana hery miasa mangina be indrindra dia nanana solontena tao.
Araka ny tolo-tsalna nomen’ Andriamanitra no niasan’ ny filan-kevitra, sy tamin’
ny fahamendrehan’ ny fiangonana naorin’ ny

173
sitrapon’ Andriamanitra. Ho vokatry ny fanadihadiana nataony dia hitan’ ny
rehetra fa Andriamanitra no namaly ny fanontaniana nipetraka, tamin’ ny
nanomezany ny Fanahy Masina tamin’ ny Jentilisa. Koa dia fantany àry fa
anjarany ny manaraka ny fitarihan’ny Fanahy.
Tsy ny fiangonana iray manontolo tsy akory no nasaina nandatsa-bato
momba io fanontaniana io. Ny «Apostoly sy ny loholona», olona nanan-kery
miasa mangina sy saina mandanjalanga, no nandrafi-tra sy namoaka ny fitsipika,
izay neken’ ireo fiangonana Kristiana tamin’ ny ankapobeny, nanomboka tamin’
io. Tsy ny rehetra anefa no faly tamin’ ny fanapahan-kevitra. Nisy antokona
rahalahy behambom-po sy natoky tena tsy nanaiky izany. Niditra nanao ny asa
tamin’ ny andraikitry ny tenany ihany ireo olona ireo. Nampa-narampo ny
fimonomononana sy ny fanomezan-tsiny betsaka izy sy nanolotra drafitra vaovao
ary nitady izay handrodanana ny asan’ ny olona efa nohosoran’ Andriamanitra
hampianatra ny hafatry ny filazantsara. Hatrany am-piandohany ny fiangonana
no nisetra zava-misakana toy izany, ary hifanehatra amin’ izany mandrakariva
izy hatramin’ ny faran’ ny andro.
Renivohitry ny Jiosy i Jerosalema, ary tao no nahitana ny fitoko-tokoana
sy ny fitiavam-bavaka diso toerana lehibe indrindra. Tsy mahagaga raha namela
ny sainy hiverina amin’ ny tombontsoa taloha nananan’ ny Jiosy tamin’ ny naha-
firenena azy ireo Kristiana jiosy velona teo amin’ izay nahazoany nanatri-maso
ny tempoly. Rehefa hitany fa niala tamin’ ny fombam-pivavahana sy ny lovan-
tsofîna teo amin’ ny fivavahana Jiosy ny fiangonana Kristiana, ka tsinjony fa efa
ho very tsy ho eo imaso intsony ny maha-voatokaha ny fomba amam-panao Jiosy,
izay nampiavaka azy rehefa miatrika ny fahazavan’ ny finoana vaovao, dia maro
no tezitra tamin’ i Paoly izay nahatonga ny fanovana amin’ ny lafmy maro. Na
dia ny mpianatra aza dia tsy voaomana daholo hanaiky an-tsitrapo izay
tapaky ny filan-kevitra. -Nisy ireo izay nafana fo ho an’ ny lalàna mikasika ny
fanompoam-pivavahana, no tsy nankasitraka an’i Paoly, satria noheveriny fa
goragora ireo foto-kevitra notanany mikasika ny tsy maintsy hankatoavana ny
lalàna Jiosy.
Ny fanapahan-kevitra malalaka sy mahataka-davitra noraisin’ ny filan-
kevitra lehibe dia nitondra fahatokisana teo amin’ ny lâharan’ ny Jentilisa mpino,
ary nandroso ny asan’ Andriamanitra.

174
Ny fiangonana tany Antiokia dia nahazo tombon-tsoa tamin’ny
fanatrehan’ i Joda sy Silasy, mpitondra hafatra manokana naverin’ ny Apostoly
avy tany amin’ ny fivoriana tany Jerosalema. «Ary satria mpaminany Joda sy
Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin’ ny teny maro izy ka nampaheiy azy».
Nitoetra elaela tany Antiokia ireo lehilahy nanana toe-panahy araka an’
Andriamanitra ireo. «Ary Paoly sy Barnabasy kosa nitoetra tany Antiokia; dia
nampianatra sy nitory ny tenin’ ny Tompo izy roa lahy mbamin’ ny maro koa ».
Taty aoriana, rehefa namangy an’ i Antiokia i Petera, dia nahazo ny
fitokisan’ ny maro izy noho ny fitondrany tamim-pahendrena ny Jentilisa niova
fo. Nisy fotoana izay niasany araka ny fahazavana nomena avy tany an-danitra.
Resiny tamin’ izany ny hevitra efa nibahana rahateo tao am-pony, ka nipetraka
niray latabatra tamin’ ny Jentilisa niova fo izy. Nefa rehefa nisy Jiosy nafana fo
ny amih’ ny lalàna mikasika ny fanompoam-pivavahana tonga avy tany
Jerosalema, dia novan’ i Petera tsy tamim-piheverana ny fihetsiny tamin’ ireo
niova fo avy tamin’ ny fanompoan-tsampy. Nisy Jiosy maromaro « niara-
nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan’ ny
fihatsarambelatsihiny koa»5. Namela ratra lalina tao am-pon’ ny Jentilisa mpino
io fisehoan’ ny fahalemena io teo amin’ireo izay nohajaina sy notiavina amin’ ny
maha-mpitarika azy. Notandindomin’ ny fisarahana ny fiangonana. Nefa hitan’ i
Paoly ny hery manimba niasa mangina avy tamin’ ny zavatra tsy mety nihatra
tamin’ ny fiangonana, vokatry ny zava-droa loha nataon’ i Petera, ka
noteneniny mivantana izy ary nasehony tamin’ izany izay tena fihetseham-pony
marina. Teo anatrehan’ ny fiangonana no nilazany tamin’ i Petera hoe: «Raha
hianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ ny jentilisa, fa tsy tahaka
ny fanaon’ ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon’ ny
Jiosy?»6.
Hitan’ i Petera ny fahadisoana nahalatsaka azy, ary avy hatrany dia
nataony araka izay azon’ ny heriny natao izay hanamboarana ny ratsy efa vitany.
Andriamanitra, Izay mahalala ny farany hatramin’ny voalohàny, no namela io
fahalemen-toetra teo amin’ i Petera io hiseho, mba hahitan’ ilay apostoly voazaha
toetra fa tsy misy na inona na inona azony hireharehana ao aminy. Na dia ny
olona tsara indrindra aza, raha avela samirery, dia ho diso àmin’ ny fiheverany.

5) Gal. 2 : 13 6) Gal. 2 : 14
175
Hitan’ Andriamanitra koa fa amin’ ny andro ho avy dia hisy ho diso hevitra
indrindra, ka hitaky ho an’ i Petera sy ireo nihambo ho mpandimby azy ireo, ny
haja sy hy zo izay an’ Andriamanitra irery. Io tatitra momba ny fahalemen’ ny
apostoly io dia porofon’ ny mety maha-diso an’ i Petera, sy zava-misy mampiseho
fa tsy ambonin’ ny apostoly hafa izy.
Fampitandremana miezinezina ho an’ ny olona napetraka eo amin’ ny
toeram-pitokisana ao amin’ ny asan’ Andriamanitra ny tantaran’ io fialana tamin’
ny foto-kevitra marina io, mba tsy hiala amin’ ny toetra marina izy, fa hifikitra
mafy kosa amin’ ny foto-kevitra. Arakaraka ny maha-lehibe ny andraikitra
napetraka tamin’ ny olombelona, sy arakaraka ny maha-betsaka ny fotoana
ahazoany mibaiko sy mifehy, dia arakaraka izany koa ny habetsahan’ ny ratsy
azo antoka fa ho vitany raha tsy manaraka akaiky ny lalan’ i Jéhovah izy, ary tsy
miasa amin’ ny fomba mifandrindra amin’ ny fanapahan-kevitra voaray avy
tamin’ ny fikambanamben’ ny mpino nivory tao amin’ ny filàn-kevitra miray.
Taorian’ ny fahadisoana rehetra nataon’ i Petera, taorian’ ny fahalavoany
sy ny famerenana azy indray, taorian’ ny asa fanompoana ela nataony, ny
fifandraisany ety dia ety tamin’ i Kristy, ny fahalalany tanteraka ny lala-mahitsy
fanarahan’ ny Mpamonjy ny foto-kevitra marina; taorian’ ny toro-marika rehetra
noraisiny, ny fanomezana sy ny fahalalana ary ny hery miasa mangina rehetra
tamin’ ny fitoriana sy ny fampianarana ny Teny dia tsy mahagaga ve raha
nanafma sy nandositra ny foto-kevitry ny filazantsara izy noho ny fahatahorany
ny olona, na ho fitadiavana sitraka aminy? Tsy mahagaga ve raha nangozohozo
izy teo amin’ ny fanarahana ny marina? Andriamanitra anie hanome ny olona
tsirairay ny fahatsapana ny fahalemeny, ny tsy fahaizany mitondra ny sambony
amin’ ny lala-mahitsy sy azo antoka ho eo amin’ ny seranana!
Matetika no voatery hijoro samirery i Paoly teo amin’ ny asa fanompoana
nataony. Nampianarin’ Andriamanitra tamin’ ny fomba manokana izy, ary tsy
sahy nampandefîtra izay mikasika ny fotokevitra. Navesatra ny entana
indraindray, nefa nijoro tsy azo nohozongozonina tamin’ ny marina i Paoly.
Tsapany fa tsy tokony hoentina eo ambanin’ ny fifehezan’ ny fahefan’
olombelona na oviana na oviana ny fiangonana. Tsy tokony haka ny toeran’ ny
fahamarinana efa nambara ny lovan-tsofina sy ny hain-tenin’ olombelona. Tsy
tokony hisakana ny fandrosoan’ ny hafatry ny filazantsara ireo hevitra mibahana
ao an-tsain’ ny olona sy ao am-pony, na toy inona na toy inona toerany ao amin’
ny fiangonana.

176
Efa nanokana ny tenany sy ny heriny rehetra ho amin’ ny fanompoana an’
Andriamanitra i Paoly. Nandray ny fahamarinan’ ny filazantsara mivantana avy
any an-danitra izy, ary nandritra ny asa fanompoana nataony dia notanany ny
fifandraisany velona tamin’ireo iraky ny lanifra. Nampianarin’ Andriamanitra
mikasika ireo enta-mavesatra tsy ilaina namatotra ny Kristiana Jentilisa izy. Koa
rehefa nampidirin’ ireo mpino fatra-pitana ny fivavahana Jiosy tao
amin’ ny fiangonan’ i Antiokia ny olana mikasika ny famorana, ary satria fantatr’
i Paoly ny saina avy tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra mikasika ny fampianarana
toy izany, dia nandray fanapahan-kevitra hentitra sy tsy azo nampileferina izy,
izay nanafaka ny fiangonana tamin’ ny fomba sy ny fanompoam-pivavahana
Jiosy,
Na dia nampianarin’ Andriamanitra manokana aza i Paoly dia tsy nanana
hevitra mivaona mikasika ny andraikitry ny tenany. Raha nitodika tany amin’
Andriamanitra nitady fitarihana mivantana izy, dia vonona mandrakariva kosa
hanaiky ny fahefana nomena ny fikambanan’ ny mpino eo amin’ ny firaisan’ ny
fiangonana. Tsapany fa ilainy ny torohevitra, ary rehefa misy zava-dehibe
mitranga, dia nahafaly azy ny nitondra izany teo anatrehan’ ny fiangonana, sy
niray hina tamin’ ny rahalahiny hitady an’ Andriamanitra hahazoana fahendrena
hoenti-mandray fanapahan-kevitra hendry. «Ary ny fanahin’ ny mpaminany, hoy
izy, dia manaiky hozakain’ izy mpaminany. Fa Andriamanitra tsy tompon’ ny
fikotranana, fa tompon’ ny fiadanana»7. Niaraka nampianatra tamin’ i
Petera izy fa izay rehetra miray ao amin’ ny fiangonana dia tokony « hifanompo
» 8.

7) 1 Kor. 14 : 32, 33 8) 1 Pet. 5 : 5


12 — Vavolombelona Mahery
177
20

Manandratra ny
hazo fijaliana

Rehefa nandany fotoana misimisy tamin’ ny asa tany Antiokia i Paoly, dia
nanolotra hevitra tamin’ ny mpiara-miasa taminy fa handeha hanao dia misionera
vaovao. Hoy izy tamin’ i Barnabasy: « Andeha isika hiverina hamangy ny
rahalahy any amin’ ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin’ ny Tompo,
hahitantsika izay toetrany».
Paoly sy Barnabasy dia samy nanara-maso tamim-pitiavana ireo izay vao
nanaiky ny hafatry ny Filazantsara tamin’ ny asa nataony, ary niriny mafy ny
hahita azy ireny indray. Tsy vérin’ i Paoly na oviana na oviana io toetra fatra-
piahy io. Na dia tany amin’ ny saha lavi-toerana aza izy, lavitra ny faritra niasany
voalohany, dia mbola nanindry tao am-pony ihany ny enta-mavesatra ho
famporisi-hana ireto niova fo mba hitoetra ho mahatoky, «ka hahatanteraka
ny fahamasinana amin’ ny fahatahoran.a an’ Andriamanitra»1. Niezaka ny
hanampy azy ireo tsy an-kijanona izy ho tonga kristiana manam-pitokisana,
mitombo, matanja-pinoana, mafana fo ary manolo-tena tanteraka ho an’
Andriamanitra sy ho an’ ny asa fampandrosoana ny fanjakany.

Mifototra amin’ ny Asa 15 : 36 - 41 ; 16 : 1 - 6 ity toko ity.


1) 2 Kor. 7 : 1
179
Vonona ny hiaraka amin’ i Paoly i Barnabasy, nefa niriny koa ny hitondra
an’ i Marka izay nanapa-kevitra indray fa hanokan-tena ho amin’ ny asa
fanompoana. Nandà izany i Paoly. «Nataony fa tsy tokony hoentina miaraka
aminy » intsony izay nandao azy tamin’ ny fotoana sarotra nandritra ny dia
misionera voalohany nataony. Tsy vonona ny hanalatsiny ny fahalemen’ i Marka
izy tamin’ ny nandaozany ny àsa, ka nanakalozany izany tamin’ ny fiainana azo
antoka sy miadana tao an-tokantrano. Nantitranteriny fa ny olona kely hery
tahaka izany dia tsy afaka hisahana asa mitaky faharetana, fahafoizan-tena,
faherezana, fitiavam-bavaka, finoana ary faha-vononana ny fanaovana sorona, na
dia ny aina aza raha ilaina izany. Mafy indrindra ny adihevitra ka nisaraka i Paoly
sy Barnabasy, ary ity faharoa nitana ny heviny ka nitondra an’ i Marka niaraka
fatniny. «Ary Barnabasy nitondra an’ i Marka, dia niondrana an-tsambo
nankany Kyprosy. Fa Paoly kosa nifidy an’ i Silasy, dia niainga, rehefa natolotiy
ny rahalahy ho amin’ ny fahasoavan’ ny Tompo izy ».
— Dia nandeha namaky an’ i Syria sy Kilikia i Paoly sy Silasy ka
nampahery ny fiangonana tany, ary tonga tany Derbe sy Lystra tany amin’ ny
faritr’ i Ikonioma. Tao Lystra i Paoly no notoraham-bato; nefa hitantsika indray
eo amin’ ny toerana nahatraran’ ny loza azy tamin’ ny voalohany izy izao.
Nampitebiteby azy ny hahita ny fizakan’ ireo nanaiky ny filazantsara tamin’ ny
alalan’ ny asany ny fisedrana sy ny fitsapana. Tsy diso fanantenana izy, satria
nahita ny mpino tao Lystra nijoro tsy azo nohozongozonina teo anatrehan’ ny
fanoherana mahery vaika.
Tafahaona tamin’ i Timoty indray i Paoly teto, izay vavolombelon’ ny
fijaliany tamin’ ny fiafaran’ ny famangiana voalohany nataony tao Lystra.
Nihalatsaka lalina tao am-pony araka ny fandroson’ ny andro izany mandfa-
paharesy lahatra azy, fa adidiny ny hanolotra tanteraka ny tenany hanao ny asa
fanompoana. Nifamatotra ny fony sy ny an’ i Paoly, ary naniry indrindra hiara-
mizaka ny asa mafy nataon’ ny apostoly izy amin’ ny fanampiany azy isaka ny
misy fotoana azony anaovana izany.
Mpiasa voazaha toetra i Silasy mpiara-dia tamin’ i Paoly teo amin’ ny asa,
sady nanana ny fanomezam-pahasoavan’ ny fanahin’ny faminaniana; nefa lehibe
indrindra ny asa hovitaina, ka nilaina ny hanazatra mpiasa maro hafa ho amin’
izany. Hitan’ i Paoly tao amin’ i Timoty ny toetry ny olona anankiray nahatsapa
ny faha-

180
masinan’ ny asan’ ny mpitandrina, izay tsy ketraka teo anatrehan ny fahoriana sy
ny fanenjehana hihatra, ary izay vonona ny hampianarina. Nefa tsy nanao
anjoanjo ny apostoly, ka nandray ho andraikitra ny hitaiza an’ i Timoty izay
tanora tsy mbola voazaha toetra, ho amin’ ny asa fanompoana eo amin’ ny
filazantsara, raha tsy afa-po tanteraka tamin’ ny famakafakana ny toetra amam-
panahiny sy ny fiainany teo aloha.
Grika ny rain’ i Timoty ary Jiosy ny reniny. Nahalala ny Soratra Masina
hatramin’ ny fahazazany izy. Madio sy azo tsapain-tanana ny fitiavam-bavaka
hitany tao amin’ ny fiainan-tokantranony. Nampahatsiaro azy mandrakariva ny
fitahiana raisina amin’ ny tanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra ny finoan’ ny
reniny sy ny renibeny ny Soratra Masina. Ny tenin’ Andriamanitra no fitsipika
nentin’ ireto vehivavy roa nanana toe-panahy araka an’ Andriamanitra ireto
nitarika an’ i Timoty. Nitahiry azy ho madio fiteny sy tsy ho voaloton’ ny hery
miasa manginan’ ny ratsy manodidina azy ny hery ara-panahy tamin’ ny lesona
noraisiny tamin’ ireo. Toy izany no niarahan’ ireto mpanabe azy niasa tamin’
Andriamanitra hanomana azy ho amin’ ny asa mafy iandraiketany.
Hitan’ i Paoly fa mahatoky i Timoty, mazoto, ary marin-toetra, koa nifidy
azy ho mpiara-miasa sy ho mpiara-dia taminy izy. Novahan-tsoa ireo izay
nampianatra an’ i Timoty tamin’ ny faha-zazany raha nahita ny zanaka
nokolokoloiny nifamatotra akaiky tamin’ ilay apostoly lehibe. Mbola tanora dia
tanora i Timoty raha nofidin’ Andriamanitra ho mpampianatra, nefa tsara orina
indrindra ny foto-kevitra nananany noho ny fanabeazana noraisiny tamin’ ny
fahazazany, ka afaka nandray ny toerany amin’ ny maha-mpanampy an’ i Paoly
azy izy. Ary na dia tanora aza izy, dia tsy nampiova ny fahatsoram-pony ny
andraikitra lehibe nankinina taminy.
Ho fepetra fitandremana, dia notoroin’ i Paoly tamim-pahendrena i Timoty
mba ho forana — tsy noho ny fangatahan’ Andriamanitra anefa izany, fa mba
hanafoanana ao an-tsain’ ny Jiosy izay mety ho fisakanana ny asa maha-
mpitandrina an’ i Timoty. Teo amin’ ny asany dia nitety tanàna sy tany maro i
Paoly, ary matetika dia nisy fotoana nahazoany nitory an’ i Kristy tao amin’ ny
Synagoga Jiosy, tahaka ny tao amin’ ny toeram-pivoriana hafa koa. Raha fantatra
fa ny anankiray amin’ ny mpiara-miasa aminy dia tsy voafora, dia ho
voasakantsakana tokoa ny asany noho ny hevi-diso sy ny fitiavam-bavaka diso
toerana tao amin’ ireo Jiosy. Nisetra fanoherana hentitra sy fanenjehana mafana
hatraiza hatraiza

181
ny apostoly. Niriny ny hitondra fahalalana ny filazantsara ho an’ ny rahalahiny
Jiosy sy ho an’ ireo Jentilisa koa, ary noho izany, dia niezaka izy, raha mifanaraka
amin’ ny finoana, ny hisoroka izay anton-javatra rehetra mety ho fanoherana.
Nefa na dia nandefitra betsaka tamin’ ny hevitra nibahana tao an-tsain’ ny Jiosy
aza izy, dia nino kosa sady nampianatra fa tsinontsinona na ny famorana
na ny tsy famorana, fa ny filazantsaran’ i Kristy ihany no zava-dehibe.
Tia an’ i Timoty, «tena zanany amin’ ny finoana»2 i Paoly. Matetika ilay
apostoly lehibe no nanambitamby ity mpianatra tanora, nanontany azy mikasika
ny tantaran’ ny Soratra Masina, ary raha nifindrafindra toerana izy, dia
nampianariny azy tsara ireo fepetra hahitam-pahombiazana eo amin’ ny asa.
Paoly sy Silasy dia samy niezaka tamin’ ny fifandraisany rehetra tamin’ i Timoty,
ny handatsaka lalina kokoa tao am-pony izay efa tao rahateo, dia ny fahamasinana
sy ny maha-zava-dehibe ny asan’ ny mpitory ny filazantsara.
Nitady mandrakariva ny torohevitra sy ny toromarika avy tamin’ i Paoly i
Timoty teo amin’ ny asany. Tsy fihetseham-po no nanosika azy hiasa, fa
fiheverana voafehy sy fisainana tony, ka nahatonga azy hanontany tena isaka ny
indray mandingana hoe; ity ve no lalan’ i Jéhovah? Ny Fanahy Masina dia nahita
tao aminy, olona izay azo novolavolaina sy namboarina ho tempoly itoeran’ ny
fanatrehan’ Andriamanitra.
Rehefa averimberina ao amin’ ny fiainana andavanandro ny leson’ ny
Baiboly, dia manana hery mahataona miasa lalina sy maharitra eo amin’ ny toetra
amam-panahy. Nianaran’ i Timoty sy nampiariny ireo. Tsy nanana talenta
mamirapiratra manokana izy, nefa nisy vidiny ny asany satria nampiasainy ho
amin’ ny fanompoana ny Tompo ny fahaizana nomen’ Andriamanitra azy.
Ny finoany mafy orina no nampiavaka azy tamin’ ireo mpino hafa
sy nanome hery azy.
Tsy maintsy manana fahalalana an’ Andriamanitra lalina kokoa, feno
kokoa sy mazava kokoa noho izay mety ho azo amin’ ny ezaka tsotra, izay miasa
ho an’ ny fanahy. Tsy maintsy manokana ny heriny rehetra eo amin’ ny asan’ ny
Tompo izy. Nantsoina ho amin’ ny asa ambony sy masina izy, ary raha fanahy
no azony ho valin-kasasarany, dia tsy maintsy mamikitra mafy amin’
Andriamanitra izy, ka mandray isan’andro ny fahasoavana sy ny hery avy amin’
Ilay Loharanon’ ny
2) 1Tim 1 : 2

182
fitahiana rehetra. «Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay famonjena
ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’
Andriamanitra sy ny filan’ izao tontolo izao ary ho velona amin’ ny onony sy ny
marina ary ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ izao fiainana
ankehitriny izao, miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ ny
voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy,
Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka
amin’ ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ ny tenany, sady ho mazoto
indrindra amin’ ny asa tsara izany »3.
Talohan’ ny nandrosoany ho any amin’ ny faritra vaovao, dia namangy
ireo fiangonana izay naorina tany Pisidia sy ireo faritra manodidina i Paoly sy
ireo mpiara-dia taminy. «Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony
hotandreman’ ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany
Jerosalema. Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan’ andro ».
Tsapan’ ny apostoly fa manana andraikitra lehibe amin’ ny fikarakarana
ireo fanahy niova fo nandritra ny asany izy. Ambonin’izany rehetra izany, dia
niriny mafy ny hahatonga an’ izy ireny ho mahatoky, «mba hisy ho reharehako
amin’ ny andron’ i Kristy, hoy izy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra
foana»4. Nampangovitra azy ny vokatry ny asany. Tsapany fa na ny famonjena
ny tenany aza dia mety ho tandindomin-doza raha tsy mahatanteraka ny adidiny
izy sy raha tsy miara-miasa aminy koa ny fiangonana eo amin’ ny asa famonjena
ny fanahy. Fantany fa tsy ampy hanabeazana ny mpino hamikitra ny tenin’ ny
fiainana ny toriteny fotsiny. Fantany fa tsy maintsy hampianaripa, didy
hanampy didy, fitsipika hanampy fitsipika, kely etsy, kely ery izy ho
fampandrosoana ny asan’ i Kristy.
Fitsipika manerana an’ izao rehetra izao ny hoe: na iza na iza mandà ny
hampiasa ny talenta nomen’ Andriamanitra azy, dia ho simba sy ho levona izany.
Ny fahamarinana izay tsy ivelomana, izay tsy zaraina, dia mapary ny hery
manome aina sy ny hery manasitrana ao aminy. Izany no natahoran’ i Paoly sao
tsy mahomby izy raha manambara fa ny olona tsirairay dia mety ho tanteraka
ao amin’ i Kristy. Nihamaloka ny fanantenan’ i Paoly ny fiainana mandrakizay
rehefa nijery ny fahadisoana vitany izy, izay hisy vokany eo amin’ ny fanomezana
ny fiangonana lasitra avy amin’
3) Tit. 2 : 11-14 4) Fil. 2 : 16

183
olombelona fa tsy avy amin’ Andriamanitra. Ny fahalalany, ny fahaizany
mandahatra, ny fahagagana nataony, ny fahitany ireo toe-javatra tany an-danitra
raha nakarina ho any amin’ ny lanitra fahatelo izy — izany rehetra izany dia tsy
hahasoa raha diso amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra noho ny toetrany tsy,
mahatoky eo amin’ ny asany ireo izay niasany. Koa dia niangavy tamin’ ny
toriteny sy tamin’ ny taratasy, ireo izay efa nanaiky an’ i Kristy izy, mba hanohy
ny diany hahatonga azy ho «tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ... dia zanak’
Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ ny firenena meloka sy maditra, izay
isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’ izao tontolo izao, mitana ny tenin’ ny
fiainana»5.
Izay rehetra tena mpitandrina marina dia mahatsapa andraikitra
mavesatra amin’ ny fandrosoan’ ny ara-panahin’ ireo mpino napetraka taminy
hokarakarainy, ary mahatsapa faniriana lalina ny hahatongavan’ izy ireo ho
mpiara-miasa amin’ Andriamanitra. Tsapany fa miankina betsaka amin’ ny
fanatanterahana amim-pahatokiana ny asa nomen’ Andriamanitra ataony ny
fandrosoan’ ny fiangonana. Mafana fo sy tsy mety sasatra izy manainga ny
faniriana ao amin’ ireo mpino hahazo fanahy ho an’ i Kristy, ary tsaroany fa ny
tsirairay amin’ ny mambra vaovao manampy isa ny fiangonana dia fitaovana iray
indray koa, ho amin’ ny fanatanterahana ny drafitry ny fanavotana.
Rehefa avy namangy ireo fiangonana tany Pisidia sy ny faritra manodidina
niaraka tamin’ i Timoty i Paoly sy Silasy, dia nandroso ho any «Frygia sy ireo
faritra any Galatia», ka nitory tamin-kery ny vaovao mahafalin’ ny famonjena.
Fatra-mpanompo sampy ny Galatiana; nefa rehefa nitory taminy ny apostoly, dia
naharavoravo azy ny hafatra izay nampanantena fahafahana avy amin’ ny
fanjakan’ ny fahotana. Nitory ny fanamarinana amin’ ny finoana tamin’ ny
alalan’ ny sorona manavotra nataon’ i Kristy i Paoly sy ireo mpiara-miasa taminy.
Nasehony Kristy, amin’ ny maha-Ilay nahita ny toetran’ ny taranaka lavo tsy
afaka manampy ny tenany Azy, ka tonga hanavotra ny lehilahy sy ny vehivavy
tamin’ ny alalan’ ny fiainam-pankatoavany ny didin’ Andriamanitra sy tamin’ ny
fandoavany ny sazin’ ny tsy fankatoavana. Koa teo amin’ ny fahazavan’ ny
hazo fijaliana, dia maro ireo tsy nahalala an’ Andriamanitra marina talohan’ izao,
no nanomboka nahafantatra ny fahalehibeazan’ ny fitiavan’ ny Ray.

5) Fil. 2 : 15, 16

184
Toy izany no nampianarana ny Galatiana ireo fahamarinana fototra
mikasika an’ «Andriamanitra Ray», sy «Jesosy Kristy Tompontsika, Izay
nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’ izao miara-
belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’ Andriamanitra Raintsika». Tamin’
ny «fitoriana ny finoana» no nandraisany ny Fanahin’ Andriamanitra sy naha-
tonga azy ho «Zanak’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Kristy Jesosy»6.
Fatratra aoka izany ny fomba fiainan’ i Paoly raha teo anivon’ ny Galatiana
izy, ka afaka niteny izy tatÿ aoriana hoe: «Mangataka aminareo aho, aoka ho
tonga tahaka ahy hianareo»7. Nokasihin’ ny vain’ afo mivaivay avy tamin’ ny
alitara ny molony, ka afaka misandratra ambonin’ ireo fahosaha ara-batana izy,
ary naneho an’ i Jesosy ho hany fanantenana ho an’ ny mpanota. Izay nandre azy
dia nahalala fa efa niaraka tamin’ i Jesosy izy. Voahosotry ny hery avy any
ambony izy ka afaka nampitaha ny zavatra ara-panahy tamin’ ny ara-panahy sy
nandrodana ny tanàna mimandan’ i Satana. torotoro ny fo tamin’ ny fanehoany
ny fitiavan’ Andriamanitra izay naseho tamin’ ny nanaovany sorona ny
Zananilahy Tokana, ary maro no voatarika hametraka izao fanontaniana izao hoe;
Inona no ataoko mba hovonjena aho?
Io fomba fanehoana ny filazantsara io dia nampiavaka ny apostoly
nandritra ny asa nataony teo amin’ ny Jentilisa. Nobanjinin’izy ireo mandrakariva
ny hazo fijalian’ i Kalvary: «Fa tsy ny tenanay no torinay», hoy izy taty amin’ ny
taona faramparany niainany, «fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay dia
mpanomponareo noho ny amin’ i Jesosy. Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe;
Aoka ny mazava hahazava ao amin’ ny maizina, no nampahazava ny fonay
ho amin’ ny fahazavan’ ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra eo amin’ ny
tavan’ i Jesosy Kristy »8.
Ireo mpitondra hafatra voatokana tamin’ ny fiandohan’ny fivavahana
kristiana hitondra ny vaovao mahafalin’ ny famonjena ho an’ izao tontolo izao
very, dia tsy nanaiky ho resin’ ny fisainana fanandratan-tena, izay mety hanimba
ny fanehoany an’ i Kristy sy Izy voahombo tamin’ ny hazô fijaliana. Tsy
nitsiriritra fahefana na toerana ambony izy. Nanafina ny izaho tao amin’ ny
Mpamonjy izy, ka nanandratra ny drafitra lehiben’ ny famonjena, sy ny fiainan’i
Kristy, Izay Tompon’ ny drafitra sy Mpanefa izany. Kristy, Ilay tsy miova omaly
sy anio ary mandrakizay, no votoatin’ ny fampianarany.

6) Gal. 1 : 3, 4 ; 3 : 5, 26 7) Gal. 4:12 8) 2 Kor. 4 : 6


185
Raha manandratra ny hazo fijalian’ i Kristy ambony kokoa ary ambony
kokoa hatrany ireo izay mampianatra ny tenin’ Andria- manitra ankehitriny, dia
hahomby be lavitra ny asa fanompoany. Raha azo tarihina hanopy maso amim-
pitiavana ny hazo fijaliana ny mpanota, raha afaka manao indray mijery Ilay
Mpamonjy voahombo amin’ ny hazo fijaliana izy, dia ho tsapany ny halalin’
ny famindrampon’ Andriamanitra sy ny maha-fahotana ny fahotana.
Manaporofo ny fitiavan-dehiben’ Andriamanitra ny olona ny fahafatesan’
i Kristy. Antoky ny famonjena antsika izany. Ny manala ny hazo fijaliana amin’
ny kristiana dia toy ny mikosoka ny masoandro amin’ ny lanitra. Mitondra antsika
ho eo akaikin’ Andriamanitra ny hazo fijaliana ka màmpihavana antsika Aminy.
Amin’ny fitiavana feno fangoraham-pon’ ny Ray no entin’ i Jéhovah mijery ny
fahoriana izay niaretan’ ny Zanany, mba hamonjena ny taranak’ olombelona avy
amin’ ny fahafatesana mandrakizay, ka hanekeny antsika ao amin’ Ilay Malala.
Raha tsy nisy ny hazo fijaliana, dia tsy afaka hanana firaisana amin’ ny
Ray ny olombelona. Miankina amin’ io ny fanantenantsika rehetra. Avy eo no
mamirapiratra ny fahazavan’ ny fitiavan’ ny Mpamonjy; ary rehefa eo am-pototry
ny hazo fijaliana ny mpanota, ka manandratra ny fijeriny eo amin’ Ilay maty
hamonjy azy, dia afaka hifaly tanteraka, satria voavela ny helony. Izay
mandohalika amim-pinoana eo amin’ ny hazo fijaliana no mahatratra ny toerana
avo indrindra mety ho tratran’ ny olombelona.
Amin’ ny alalan’ ny hazo fijaliana no ahafantarantsika fa tia antsika amin’
ny fitiavana tsy voafetra ny Ray any an-danitra. Ho gaga ve isika raha miteny i
Paoly hoe; «Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian’
i Jesosy Kristy Tompon-tsika»9. Tombontsoa ho antsika koa ny mirehareha ny
amin’ ny hazo fijaliana, tombontsoa ho antsika ny manolo-tena tanteraka ho
an’ Ilay nanolotra ny tenany ho antsika. Rehefa izàny, amin’ ny fahazavana
mikoriana avy eo Kalvary izay mamirapiratra eo amin’ny endritsika, dia
azontsika atao ny maneho io fahazavana io amin’ izay ao amin’ ny haizina.

9) Gal. 6 : 14

186
21

Any amin’ ireo


faritra lavitra

Tonga ny fotoana itoriana ny filazantsara any amin’ ny toerana ankoatra


ny faritry Azia Minora. Voaomana ny lalana hiondranan’ i Paoly sy ny mpiara-
miasa aminy ho any Eoropa. Tao Troasy, teo amin’ ny sisin’ ny Ranomasina
Méditéranea, dia nisy fahitana niseho tamin’ i Paoly nony alina: «Koa, indro, nisy
lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty
Makedonia, ka vonjeo izahay! »
Hentitra ny antso, tsy misy hatak’ andro. «Ary nony nahita ny fahitana
izy», hoy i Lioka izay niaraka tamin’ i Paoly sy Silasy ary Timoty tamin’ ny diany
tany Eoropa, «dia nitady handeha niaraka tamin’ izay hankany Makedonia
izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny
filazantsara amin’ny olona any. Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy
izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.
Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin’ ny
zara-tanin’ i Makedonia sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin’ izany tanàna
izany- andro vitsivitsy izahay. Ary tamin’ ny andro Sabata», hoy ihany i Lioka,
«dia nivoaka teo ivelan’ ny vavahady izahay nankeny amoron’ ony, izay nataonay
fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay

187
ka, niresaka tamin’ ny vehivavy vory teo. Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia,
mpivarotra lamba volomparasy. avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavàka tamin’
Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony ».
Nandray ny fahamarinana tamim-pifaliana i Lydia. Niova fo sy natao
batisa izy sy ny fianakaviany ary niangaviany ny apostoly handroso ao an-
tokantranony.
Raha nanohy ny asa fampianarana nataony ireo mpitondra ny hafatry ny
hazo fijaliana, dia nisy vehivavy nanana fanahy mahavaly nanaraka azy ka
niantsoantso hoe; «Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ Andriamanitra Avo
Indrindra, izay manoro anareo làlam-pamonjena. Ary nataony tamin’ ny andro
maro izany».
Fiasana manokana teo am-pelatanan’ i Satana io vehivavy io, ary
nahazoan’ ny tompony vola be tamin’ ny teny tsara lahatra nataony. Nanampy ny
fanamafisana ny fanompoan-tsampy ny hery miasa mangina avy taminy. Fantatr’
i Satana fa hisy hanafika ny fanjakany, ka nampiasainy io fomba io hoenti-
manohitra ny asan’ Andriamanitra, ary nantenainy fa hifangaro ny fampianaran-
disony sy ny fampianarana nentin’ ireo nitory ny hafatry ny filazantsara.
Nanimba ny asan’ ny fahamarinana ny teny nataon’ ity vehivavy ity, fa nampiala
ny sain’ ny olona amin’ ny fampianaran’ ny apostoly sy nanala-baraka ny
filazantsara, ka tamin’ ny alalan’ ireo teny ireo dia maro no voatarika hino fa
fanahy mitovy amin’ ilay ao amin’ ny irak’ i Satana no mampiasa ireo lehilahy
miteny amin’ny Fanahy sy ny Herin’ Andriamanitra.
Andro maro no niaretan’ ny apostoly io fanoherana io; rehefa izany dia
nanindry an’ i Paoly ny Fanahy Masina ka nibaiko ny fanahy ratsy hiala amin’
ilay vehivavy izy. Nanaporofo ny maha-mpanompon’Andriamanitra ny apostoly
ny fahanginana avy hatrany ary nanaiky azy ho toy izany koa ny demonia ka
nankato ny baikony.
Afaka tamin’ ny fanahy ratsy ravehivavy sady nody indray ny sainy
mazava, dia nifidy ny ho tonga mpanaraka an’ i Kristy izy. Dia natahotra ny amin’
ny fidiram-bolany ny tompony tamin’izay. Hitany fa hifarana ny fanantenany
rehetra hahazo vola avy amin’ ny fankatovana sy ny fanandroana ataon’ ity
vehivavy ity,
Mifototra amin’ ny Asa 16 : 7 - 40 ity toko ity.
188
ary tsy ho ela koa dia ho ritra tanteraka ny loharanom-bolany raha avela hanohy
ny asan’ ny filazantsara ny apostoly.
Nisy maro hafa koa tao an-tanàna nandray tombontsoa tàmin’ny fahazoana
vola tamin’ ny alalan’ ny fitak’ i Satana. Natahotra ny herin’ ny fahefana izay
niasa mangina ka afaka nampijanona tanteraka ny asany ireo, ka nanandratra
antsoantso mafy hanohitra ny mpanompon’ Andriamanitra. Nentiny teo
anatrehan’ ny mpitsara ny apostoly ka nampangainy hoe; «Ireto lehilahy Jiosy
ireto mampi-tabataba ny tanànantsika loatra ka mampianatra fanao tsy mety
horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika».
Voatariky ny fanetsiketsehana mafana ny vahoaka marobe ka nitsangana
nanohitra ny mpianatra. Nahery tokoa ny toe-tsain’ireo vahoaka iréo ka neken’
ny manampahefana izay nandriatra ny fitafian’ ny apostoly sy nibaiko ny
hikapohana azy tamin’ ny hazo. «Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy,
dia nataony tao an-trano-maizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiàndry
trano-maizina. Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin’
ny trano-maizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin’
ny boloky hazo ».
Niaritra fahoriana mafy dia mafy ny apostoly noho ny toerana mampijaly
nandaozana azy, nefa tsy nimonomonona izy. Fa ny nataony kosa, tao anatin’ ny
haizina nikitroka sy ny fahorian’ ny tranomaizina, dia ny nifampahery tamin’ ny
tonom-bavaka sy ny hira fiderana an’ Andriamanitra, satria fantany fa mendrika
ny hizaka henatra noho ny anarany izy. Faly ny fony noho ny fitiavana lalina
sy mafana ny Mpanavotra azy. Nahatsiaro ny fanenjehana izay niaretan’ ny
mpianatr’ i Kristy i Paoly, izay izy mihitsy no nampitondra azy izaijfy, koa nifaly
izy fa nosokafana ny masony hahita, ary ny fony hahatsapa ny herin’ ireo
fahamarinana be voninahitra izay nohamavoiny teo aloha.
Gaga ireo mpifatotra sasany nandre ny vavaka sy ny hira fiderana avy tao
amin’ ny tranomaizina anatiny indrindra. Zatra nandre kiakiaka sy fimono-
mononana, ozona sy teny ratsy mamakivaky ny fahanginan’ ny alina izy, fa tsy
mbola nandre mihitsy teny mivavaka sy midera niakatra tamin’ ireo efitra
mampahory ireo. Nitolagaga ny mpiambina sy ny mpigadra ka nifanontany hoe;
iza ireo olona ireo izay mangatsiaka, noana sy nampijaliana, kanefa afaka mifaly.

189
Nandritra izany fotoana izany, dia niverina tany an-tranony ireo governora,
nidera tena noho ny fepetra mailaka sy hentitra noraisiny nentiny nampitsahatra
ny tabataba. Teny an-dalana anefa izy dia nandre zavatra hafa manokana, izay
mikasika ny toetra amam-panahy sy ny-asan’ ireto olona namoahany didy
hokapohina sy hatao an-tranomaizina ireto. Hitany ilay vehivavy nafahana tamin’
ny herin’ i Satana ka nanaitra azy ireo ny fiovan’ endriny sy ny fihetsiny.
Nampikorontana betsaka ny tanàna izy io teo aloha; izao anefa izy dia tony sady
azo ihavanana. Rehefa tsapany ny nampiharany ny lalàna Romana hentitra tamin’
ny olona roa tsy manan-tsiny, dia sosotra tamin’ ny tenany izy ka nanapa-kevitra
fa hibaiko ny handefasana mangingina ny apostoly ny maraina, ka asiana olona
manaraka, hanatitra azy hivoaka ny tanàna, mba tsy ho tratran’ ny loza noho ny
herisetran’ ny vahoaka.
Raha lozabe sy mpamaly faty ny olona, na manao heloka bevava noho ny
an-tsirambina ataony eo amin’ ny andraikitra miezinezina nankinina taminy,
Andriamanitra kosa tsy nanadino ny mandrotsaka ny fahasoavany ho an’ ny
mpanompony. Nahaliana ny lanitra manontolo ireto olona nijaly noho ny
fitiavana an’ i Kristy ireto, ka nisy anjely nirahina hamangy ny tranomaizina.
Nampi-hovitrovitra ny tany ny famindrany. Nivoha nidanadana ireo varavaran’
ny tranomaizina nihidy mafy; latsaka ny gadra sy ny fatoranà teny amin’ ny
tanana sy ny tongotry ny mpifatotra ; ary fahazavana namirapiratra no nanenika
ny tranomaizina.
Nahazendana ny mpiandry tranomaizina ny nandre ny vavaka sy ny hiran’
ireo apostoly voafonja. Raha nampidirina tao an-trano-maizina izy ireo, dia
hitany ny ratra nivonto sy nivoa-dra taminy, ary izy mihitsy aza no namatotra ny
tongony tao amin’ ny boloky hazo. Nihevitra ny handre fimenomenonana sy
fanozonana izy, kanjo hiram-pifaliana sy hira fiderana no reny. Izany feo izany
no nandrotsirotsy azy, ka dia renoka izy; ary taitra tamin’ izany torimàsony izany
noho ny horohorontany sy ny fihozongozon’ ny rindrin’ ny tranomaizina.
Tafatsangàna noho ny hatairana izy, ka kivy raha nahita fa nivoha ny
varavaran’ ny tranomaizina' rehetra, ary nitselatra tao, am- pony ny tahotra fa lasa
nandositra ny mpifatotra. Tsaroany ny hafatrafatra mazava natao tamin’ ny
nanankinana an’ i Paoly sy Silasy tarniny ny alina talohan’ izao, ary azony antoka
fa faha-fatesana no ho sazin’ izao toetra toa tsy mahatoky nasehony izao. Nangidy
indrindra ny tao am-pony, ka noheveriny fa tsara kokoa
190
ho azy ny hamonc tena toy izay hanaiky famonoana manala baraka. Notsoahiny
ny sabany, ka handeha hamoiio-tena izy, raha nandre ny feon’ i Paoly nia'ntso
tamim-pitiavana hoe: «Aza mamono tena fa ato ihany izahay». Teo amin’ ny
toerana nisy azy avy ny olona rehetra, notazonin’ ny herin’ Andriamanitra niasa
tamin’ ny alalan’ ny mpifatotra namany.
Tsy niteraka fahatezerana teo amin’ ny apostoly ny fahasiahana nataon’ ny
mpiandry tranomaizina taminy, satria Fanaliin’ Andriamanitra no tao amin’ i
Paoly sy Silasy, fa tsy toe-tsaina mamaly faty. Tsy nisy toerana ho an’ ny
fankahalana ireo mpanenjika azy ny fony, fa feno ny fitiavan’ ny Mpamonjy.
Nalatsak’ ilay mpiandry tranomaizina ny sabany, ka nangataka jiro izy, ary
nihazakazaka ho any amin’ ny tranomaizina anatiny. Tiany ho hita izany olona
mamaly halemem-panahy ny habibina natao taminy izany. Rehefa tonga teo
amin’ ny toerana nisy ny apostoly izy, dia niankohoka teo anatrehany, ka
nangataka famelana taminy. Dia nitondra azy nivoaka tao antokotany izy ka
nanontany hoe: «Tompoko, inona no mety hataoko, mbahovonjena aho ?»
Nangovitra ilay mpiandry tranomaizina raha niseho tao amin’ny
horohorontany ny fahatezeran’ Andriamanitra; rehefa noheveriny fa nandositra
ny mpifatotra, dia vonona ny hamono ny tenany izy; nefa izao dia toa tsy nisy
dikany firy ireo zavatra rehetra ireo raha ampitahaina amin’ ity toe-javatra
vaovao, hafahafa sy mahatahotra izay mampisaritaka ny sainy, sy ny faniriany
hanana ny fahatoniana sy ny fifaliana nasehon’ ny apostoly tao anatin’ ny
fahoriana sy ny herisetra. Hitany teo amin’ ny endrik’ izy roalahy ny fahazavan’
ny lanitra ; fantany fa nisalovana tamin’ ny fomba mahagaga Andriamanitra
hamonjy ny ain’ izy ireo, ka niverina tamin-kery manokana tao an-tsainy ny
tenin’ ilay vehivavy nanana fanahy mahavaly hoe: «Ireo lehilahy ireo dia
mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo làlam-
pamonjena».
Tamim-panetren-tena lalina no nangatahany ny apostoly haneho aminy ny
lalan’ ny fiainana. «Minoa an’ i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny
ankohonanao», hoy ny valintenin’ izy ireo. Ary «nitory ny tenin’ ny Tompo
taminy sy tamin’ izay rehetra tao an-tranony» izy roalahy. Dia nosasan’ ilay
mpiandry tranomaizina ny ratran’ ireo apostoly sady nikarakara azy izy ; rehefa
izany dia natao batisa izy sy ny ankohonany. Nisy hery nahamasina niparitaka
teo amin’ izay tao anatin’ ny tranomaizina, ka nisokatra ny sain’ ny rehetra
hihaino ny
191
fahamarinana nambaran’ ny apostoly. Resy lahatra izy ireo fa Ilay Andriamanitra
tompoin’ ireto olona ireto no nanafaka azy tamin’ ny fanandevozana tamin’ ny
fomba mahagaga.
Naharaiki-tahotra mafy ny mponina tao Filipy ilay horohoron-tany, ary
nony maraina, raha nambaran’ ireo tompon’ andraikitra tao an-tranomaizina
tamin’ ny governora ny zava-nitranga nandritra ny alina, dia taitra ireo ka
naniraka ny mpitan-defona hampandeha ny apostoly. Nefa hoy i Paoly taminy: «
Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ ny miharihary izahay, kanefa Romana
izahay, ka nataony an-trano-maizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay
mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany no hankaty hamoaka anay ».
Romana ny apostoly ary tsy ara-dalàna ny mikapoka Romana
raha tsy nahavita heloka bevava izy, na ny manala ny fahafahany raha tsy misy
fitsarana mazava. Natao an-tranomaizina am-pahibemaso i Paoly sy Silasy, koa
ankehitriny dia mandà ny havoaka mangingina izy raha tsy misy fanazavana ara-
dalàna avy amin’ ny governora.
Rehefa nentina teo amin’ ny manampahefana io teny io, dia taitra sady
natahotra izy sao mitaraina any amin’ ny amperora ny apostoly, ka nankany an-
tranomaizina avy hatrany izy sady niala tsiny tamin’ i Paoly sy Silasy noho ny
tsy rariny sy ny habibiana natao taminy, ary izy ireo mihitsy no nitarika azy
nivoaka ny tranomaizina, ka niangavy azy handao ny tanàna. Natahotra ny hery
mahataonan’ ny apostoly hiasa aminy ireo governora, ary natahorany koa Ilay
Fahefana Izay nisalovana hamonjy ireto tsy manan-tsiny.
Araka ny baiko nomen’ i Kristy dia tsy nijanona teo amin’ ny toerana tsy
naniriana azy ny apostoly. «Dia niala tao an-trano-maizina izy ka niditra tao an-
tranon’ i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa
nandeha».
Tsy noheverin’ ny apostoly ho very maina ny asa tao Filipy. Nisetra
fanoherana sy fanenjehana betsaka izy; nefa noheveriny ho mihoatra noho ny
fahafaham-baraka sy ny fijaliana niaretany ny pidiran’ ny Fitondran’
Andriamanitra an-tsehatra hamonjy azy, sy ny fiovam-pon’ ilay mpiandry
tranomaizina sy ny ankohonany. Fantatra eran’ io faritra rehetra io ny vaovao
momba ny fanaovana am-ponja azy tsy ara-drariny sy ny nanafahana azy tamin’
ny fomba mahagaga, ary izany dia nahatonga ny asan’ ny apostoly ho fantatry
ny olona maro izay tsy nety ho tratra raha tsy noho io toe-javatra io.
192
Fananganana fiangonana no vokatry ny asan’ i Paôly tany Filipy ary
nitombo haingana ny isan’ ny mambra tao aminy. Ny hafanam-pony sy ny
fitiavam-bavaka tao aminy, ary ambonin’ ny zavatra rehetra, ny fanekeny an-
tsitra-po hijaly ho an’ i Kristy, dia latsaka lalina sy naharitra tao am-pon’ ireo
niova fo. Nankafiziny ireo fahamarinana sarobidy izay nanaovan’ ny apostoly
fandavan-tena be toy izany, ka nanolo-tena tamin’ ny fo feno fitiavana ho an’ ny
Mpanavotra azy izy.
Asehon’ i PaoIy ao amin’ ny-taratasy nalefany ho an’ ny Filipy fa tsy afaka
tamin’ ny fanenjehana io fiangonana io. Hoy izy: «Fa hianareo efa nomena noho
ny an’ i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny
aminy, dia manana izany ady izany hianareo, izay hitanareo teo amiko sady
mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny». Nefa fatratra ny fijoroan’ izy
ireo teo amin’ ny finoana ka hoy izy hoe: «Misaotra an’ Andriaimanitra amin’ ny
fahatsiarovako anareo mandrakariva aho amin’ny fivavahako rehetra ho anareo
rehetra, ka mangataka amin’ny fîfaliana, noho ny firaisanareo hampandroso ny
filazantsara hatramin’ ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny»1.
Mafy ny ady nifanaovan’ ny herin’ ny tsara sy ny ratsy tao amin’ ireo
faritra lehibe niantsoana ny mpitondra hafatry ny fahamarinana hiasa: «Fa isika
tsy mitolona amin’ ny nofo aman-dra, fa amin’ ny fanapahana sy amin’ ny
fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana izao»2, hoy i Paoly.
Hatramin’ ny faran’ny andro dia hisy ady amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra sy
ireo eo ambanin’ ny fahefan’ ny anjely ratsy.
Nantsoina matetika hisetra ny herin’ ny fahamaizinana ireo Kristiana
voalohany. Niezaka ny hampiodina azy hiala amin’ ny finoana marina tamin’ ny
alalan’ ny fampianaran-diso sy ny fanenjehana ny fahavalo. Ankehitriny, raha
manatona haingana dia haingana ny fiafaran’ ny zavatra rehetra eto an-tany,
Satana dia manao fara-ezaka hamandrihana an’ izao tontolo izao. Mamisavisa
drafitra maro izy hitanana ny saina sy hampihodinana azy tsy hifantoka amin’
ireo fahamarinana tena ilaina amin’ ny famonjena. Miasa mafy ny anjeliny any
amin’ ny tanàn-dehibe rehetra hampivondrona ireo izay manohitra ny lalàn’
Andriamanitra. Miasa ilay mpamitaka raindahiny mba hampiditra fikorontanana
sy fikomiana ao amin’
1) Filipiana 1 : 29, 30, 3 - 5 2) Efesiana 6 : 12
13 — Vavombelona Mahery
193
ny fiainan’ ireo izay entanin’ ny hafanam-po tsy mifanaraka amin’ ny fahalalana.
Tafakatra amin’ ny faritra avo tsy mbola tratrany hatramin’izay ny
faharatsiana, nefa maro ny mpitoty ny filazantsara no miantsoantso hoe «Miadana
sy mandry fahizay». Tokony handroso amin-kafanam-po amin’ ny asany anefa
ny mpitondra hafatra mahatokin’ Andriamanitra. Mitafy ny fiadian’ ny lanitra
rehetra izy, ary tokony handroso tsy amin-tahotra sy amim-pandresena, ka tsy
hampitsahatra mihitsy ny ady ataony raha tsy mandre ny hafatry ny fahamarinana
ho amin’ izao andro izao ny fanahy tsirairay izay mety ho tratrany.

194
22

Tesalonika

Rehefa hiala tao Filipy i Paoly sy Silasy dia niroso ho any Tesalonika.
Nomena tombontsoa hiteny tamin’ ny olona marobe tao amin’ ny synagogan’ ny
Jiosy izy tao. Mbola hita miharihary teny amin’ ny tenany ny holatry ny fihetsika
mahamenatra vao nahatra taminy, ka nilàna fanazavana izay nitranga tamin’ izy
roalahy. Tsy nentiny nanandratra ny tenany izany fa nanomezany voninahitra Ilay
nanatanteraka ny fanafahana azy.
Raha nitory tamin’ ny Tesaloniana i Paoly dia nampiasa ireo faminaniana
ao amin’ ny Testamenta Taloha mikasika ny Mesia. Nanokatra ny sain’ ny
mpianany ho amin’ ireo faminaniana ireo Kristy tamin’ ny asa fanompoana
nataony. «Dia nanomboka hatramin’ i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka
nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ ny Soratra Masina
rehetra»!. Raha nitory an’ i Kristy i Petera dia naka porofo tao amin’ ny
Testamenta Taloha. Nanao toy izany koa i Stefana. Paoly koa, nandritra ny asany,
dia nampiasa ny Soratra Masina izay manambara mialoha ny nahaterahan’ i
Kristy, ny fijaliany, ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ ny maty sy ny
niakarany anyan-danitra. Noporofoiny mazava tamin’ ny alalan’ ny teny vavo-
lombelona azon’ i Mosesy sy ireo mpaminany tamin’ ny tsindri-

Mifototra amin’ ny Asa 17 : 1 - 10 Ity toko ity.


195
mandry ny maha-iray an’ i Jesosy avy any Nazareta sy ny Mesia, ary nasehony
fa hatramin’ ny andron’ i Adama dia ny feon’ i Kristy no niteny tamin’ ny alalan’
ny patriarka sy ny mpaminany.
Faminaniana tsotra sy manokana no nomena mikasika ny fisehoan’ Ilay
Nampanantenaina. Nomena an’ i Adama ny fanomezan-toky ny amin’ ny fiavian’
ny Mpanavotra. Ny teny natao tamin’ i Satana hoe «Dia hampifandrafesiko
hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny
lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony »2, no teny fikasana
momba ny fanavotana hotanterahina ao amin’ i Kristy, natao tamin’ ireo
ray aman-drenintsika.
Nomena an’ i Abrahama ny teny fikasana fa avy amin’ ny taranany no
hiavian’ ny Mpamonjin’ izao tontolo izao: «Ary amin’ny taranakao no hitahiana
ny firenena rehetra ambonin’ ny tany». « Tsy lazainy hoe; Ary ho an’ ny taranaka,
toy ny milaza ny maro ; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an’ ny taranakao,
dia Kristyizany » 3.
Teo an-katoky ny fiafaran’ ny asan’ i Mosesy tamin’ ny naha-mpitarika sy
mpampianatra ny Isiraely azy, no nanambarany ny faminaniana mazava ny amin’
ny Mesia ho avy. «Mpaminany avy eo aminao», hoy izy tamin’ ny tafik’ Isiraely
tafavory, «dia avy amin’ ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’ i Jéhovah
Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo». Dia nanome toky ny
Isiraely i Mosesy fa Andriamanitra mihitsy no nilaza izany taminy raha teo amin’
ny tendrombohitra Horeba izy, ka niteny hoe; « Mpaminany no hatsangako ho
azy avy amin’ ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataôko ao am-bavany ny teniko,
ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy » 4.
Taranak’ andriana no hisy ny Mesia satria izao no tenin’ ny Tompo ao
amin’ ny faminaniana nambafan’ i Jakoba: «Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’
i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’
i Silo, ka hanoa Azy ny firenena»5.
Hoy ny faminaniana nataon’ Isaia: «Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’
ny fototr’ i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin' ny fàkany ». «Atongilano ny
sofinareo, ka mankanesa aty amiko,
2) Gen. 3 : 15 3) Gen. 22 : 18 ; Gal. 3 :16
4) Deot. 18 :15, 18 5) Gen. 49 : 10
196
mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay
aminareo Aho, dia ny ,famindrampo mahatoky nampà-nantenaina an’ i Davida.
Indro, nataoko vavolombelona ho an’ ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy
amin’ ny firenena. Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena
izay tsy nahalala anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin’ i Jéhovah
Andriamanitra, sy ny Iray Masin’ ny Isiraely, fa nomehy voninahitra Hianao»6.
Jeremia koa dia nijoro ho vavolombelon’ ny Mpanavotra ho avy, Izay
Andriana ao amin’ ny fianakavian’ i Davida, «ka hanjaka Izy sady ho hendry ary
hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ ny tany. Amin’ ny androny no hamonjena
an’ i Joda, sy handrian’ ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana
Azy: JEHOVAH FAHAMARINANTSIKA». Ary koa: «Fa izao no lazain’ i
Jéhovah: Davida tsy ho diso zanakalahy hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’
ny taranak’ Isiraely; ary ny Levita mpisorona tsy ho diso zanakalahy eo
anatrehako, mba hanaterany mandrakariva fanatitra odorana sy fanatitrahohanina
ary fanatitra hafa alatsa-dra»7.
Na dia ny toerana ahaterahan’ ny Mesia aza dia voalaza mialoha; «Fa
hianao, ry Betlehema Efrata, izay kely tsy tokony ho isan’ ny arivon’ i Joda akory,
dia avy ao aminao no hivoahan’ Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’
ny Isiraely; hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay »8.
Voasoritra mazava tsara ny asa tsy maintsy ataon’ ny Mpamonjy
teto an-tany: «Ary ny Fanahin’ i Jéhovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ ny
Fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny Fanahin’ ny fanoloran-tsaina sy ny
faherezana; ny Fanahin’ ny fahalalana sy ny fahatahorana an’ i Jéhovah; ary ho
hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’ i Jéhovah». Ilay nohosorana toy
izany no «nitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra;... hanasitrana ny
torotoro fo ... hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-
maizina ho amin’ ny mazava, history taona ankasitrahan’ i Jéhovah sy andro
famalian’Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra, hanolotra ho an’ ny
malahelo ao Ziona, - Eny, hanome azy hamama ho solon’ ny lavenona, sy diloilo
fifaliana îio solon’ ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ ny fanahy
reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon’ ny fahamarinana, nambolen’ i
Jéhovah ho fampisehoam-boninahitra»9.
6) Isa 11: 1; 55 : 3 – 5 7) Jer 23 : 5, 6; 33 : 17, 18
8) Mika 5 : 1 9) Isa 11 : 2, 3; 61 : 1 – 3
197
«Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky
ny foko; napetrako tao aminy ny Fanahiko; hamoaka fitsipika ho an’ ny jentilisa
Izy. Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana
ny feony eny an-dàlana. Tsy hotapàhiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny
ny lahin-jiro manetona; hamoaka izay tena rariny tokoa Izy. Tsy ho reraka
na ho kivy Izy, mandra-panoriny nv rariny amin’ nv tany ary ny
nosy hiandry ny lalàny »10
Hery mandresy lahatra no nentin’ i Paoly nanambara avy tamin’ny
Testamenta Taloha manao hoe: «Tsy maintsy mijaly Kristy ary mitsangana
indray amin’ ny maty». Moa ve tsy naminany koa i Mika hoe: «Mamely tsorakazo
ny takolaky ny mpitsaran’ ny Isiraely izy»?11 Ary moa ve Ilay nampanantenaina
tsy naminany ny amin’ ny tenany ihany tamin’ ny alalan’ ny mpaminany Isaia
hoe: «Ny lamosiko natolotra ho amin’ ny mpikapoka, ary ny takolako. ho amin’
izay manongo-baoka; ny tavako tsy nafeniko tamin’ ny henatra sy ny rora»?12
Tamin’ ny alalan’ ny mpanao Salamo no nanambaran’ i Kristy mialoha
izay hataon’ ny olona Aminy: «Ary Izaho... dia fandatsan’ny olona sy
fanevatevam-bahoaka. Izay rehetra mahita Ahy dia manaraby Ahy; manondro
molotra izy sady mihifikifidoha ka manao hoe: Ankino amin’ i Jéhovah, dia aoka
Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy».
«Mahisa ny taolako rehetra aho - ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
Mizara ny fitafiako ho azy izy, ary ny akanjoko ilokany». «Efa vahiny amin’ ny
rahalahiko aho. Eny, efa olon-ko azy amin’ ny zanak’ ineny aho. Fa ny firehetako
ny amin’ ny tranonao no nahartra aina ahy; ary ny latsa nataon’ izay nandatsa
Anao dia nihatra tamiko». «Ny latsa dia nanorotoro ny foko, ka reraka indrindra
aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony, fa tsy nahita»13.
Mazava tsy misy diso ireo faminanian’ Isaia ny amin’ ny fijalian’ i Kristy
sy ny fahafatesany! « Iza no nino ny teny nampi-tondraina anay?» hoy ny
fanontanian’ ny mpaminany, «ary iza no nampisehoana ny sandrin’ i Jéhovah?
Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-
kazo

11) Mika 4 : 14 10) Isa. 42 : 1 - 4


12) Isa. 50 : 6 13) Salamo 22 : 6 - 8; 17, 18; 69 : 8, 9, 20
198
amin’ ny tany karankaina. Tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; ary raha
nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. Natao
tsinontsinona sy nolavin’ ny olona Izy; Lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, ary
tahaka izay tsy tian’ ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy
mba nahoantsika.
»Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahorian-tsika; kanjo
isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahorina.
Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny
helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy, ary ny
dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
» Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho
amin’ ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’ i Jéhovah nihatra taminy avokoa
ny helotsika rehetra. Nampahoriana Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia
tahaka ny zanak’ ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo
anatrehan’ny mpanety azy, - eny, tsy niloa-bava Izy. Ny fampahoriana sy
ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’ ny niara-belona taminy no
nihevitra fa nofongorana niala tamin’ ny velona Izy, ka ny fahadisoan’ ny oloko
no nikapohana Azy ?»14
Na dia ny fomba hahafatesany aza dia efa voalazan’ ny faminaniana
mialoha. Tahaka ny nanandratana ny menarana varahina tany an-efitra, no
hanandratana koa Ilay Mpanavotra ho avy, «mba tsy ho very izay rehetra mino
Azy, fa hanana fiainana mandra-kizay»15.
«Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin’ ny tànanao itony?
Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon’ ny sakaizako ireny16
«Ary nokasaina hatao tao amin’ ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin’
ny mpanan-karena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady
tsy nisy fitaka teo am-bavany. Nefa sitrak’ i Jéhovah ny hanorotoro sy
hampangirifiry Azy »l7.
Nefa Ilay niaritra fahafatesana teo am-pelatanan’ ny ratsy fanahy, dia
hitsangana indray amin’ ny maha-mpandresy ny fahotana sy ny fasana Azy.
Nahazo tsindrimandry avy amin’ ny
14) Isa. 53 : l – 8 15) Jao. 3:16
17) Isa. 53 : 9, 10 16) Zak. 13 : 6
199
Tsitoha I1ay Mpihira mamin’ ny Isiraely, nijoro ho vavolombelon’ ny
voninahitry ny fltsanganana amin’ ny maty. «Izany no ifalian’ ny foko sy
iravoravoan’ ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy. Fa tsy
ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao
ho latsaka ao amin’ ny lavaka Hianao»18.
Nasehon’ i Paoly ny nampifandraisan’ Andriamanitra akaiky dia akaiky
ny fanompoam-pivavahana fanatitra amin’ ireo faminaniana mikasika Ilay
«nentina tahaka ny zanak’ ondry hovonoina». Hanolotra ny ainy «ho avotra noho
ny fahotana» ny Mesia. Raha nitazana namakivaky ny taonjato ny mpaminany
Isaia ka nahita; ireo toe-javatra teo amin’ ny fanavotana nataon’ ny Mpamonjy,
dia nilaza mazava fa ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra dia « naidiny
ho amin’ ny fahafatesana ny ainy, aty natao ho isan’ ny mpanota Izy; eny, Izy no
nitondra ny fahotan’ ny maro sady manao fifonana ho an’ ny mpanota »19.
Tsy mpanjaka ara-nofo hanafaka ny firenena Jiosy amin’ ireo
mpampahory azy eto an-tany no hiavian’ ny Mpamonjy voalazan’ny
faminaniana, fa ho olona eo anivon’ ny olona, hiaina amin’ ny fiainan’ny
fahantrana sy ny fanetren-tena, ary amin’ ny farany dia hamavoina sy ho lavina
ary hovonoina. Nambaran’ ny Mpamonjy mialoha ao amin’ ny Testamenta
Taloha fa hanolotra ny tenany ho fanavotana ho an’ ny taranaka lavo Izy, ka izany
no hahatanteraka izay rehetra takian’ ny lalàna nodikaina. Tafahaona
teo Aminy ny fanatitra tandindona sy ny tena izy, ary nampisy lanjany ny
fandaminana rehetra teo amin’ ny Jiosy ny fahafatesany teo amin’ ny hazo
fijaliana.
Nambaran’ i Paoly tamin’ ireo Jiosy tany Tesalonika ny hafanampony
tamin’ ny voalohany mikasika ny lalàna seremoniely sy ny fanandramana
mahagaga tsapany teo amin’ ny vavahadin’ i Damaskosy. Talohan’ ny niovany
fo dia mbola niaina tamin’ ny fombam-pivavahana nentin-drazàna izy, nefa dia
nivelona teo amin’ny fanantenana sandoka. Tsy niorim-paka tao amin’ i Kristy
ny finoany; nrtoky tamin’ ny endrika ivelany sy ny fombafombam-
pivavahana izy. Tsy nisy lanjany intsony ny hafanam-pony hanaraka ny lalàna,
satria tsy nentanin’ ny finoana an’ i Kristy izany. Raha nirehareha izy fa tsy azo
nokianina teo amin’ ny fana-tanterahana ny asan’ ny lalàna, dia nolaviny kosa
Ilay mampisy vidiny izany.
18) Sal. 16 : 9, 10 19) Isa. 53 : 7, 10, 12
200
Niova anefa ny zavatra rehetra tamin’ ny fotoana niovany fo. Niseho teo
anatrehany amin’ ny maha-Mesia nampanantenaina Azy Jesosy avy tany
Nazareta, Izay nohenjehiny. Hitan’ ilay mpanenjika amin’ ny maha-Zanak’
Andriamanitra Azy Izy, dia Ilay tonga teto an-tany ho fanatanterahana ny
faminaniana sy Ilay nahafeno izay voalazan’ ny Soratra Masina rehetra teo amin’
ny fiainany. Tamin- kasahiana no nitorian’ i Paoly ny filazantsara tao amin’ ny
synagoga tany Tesalonika, ary tamin’ izay dia nisy fahazavana natosaka
mba hampahafantarana ny tena dikan’ ireo fomba amam-panao sy ny
fombafombam-pivavahana nifandray tamin’ ny tabernakely. Nentiny any
ankoatry ny fanompoam-pivavahana teto an-tany sy ny fanompoana ataon’ i
Kristy any amin’ ny fitoerana masina any an-danitra ny sain’ ireo mpihaino azy,
ka amin’ ny fotoana izay hahavitany ny asa fanelanelanana ataony, dia hiverina
amin-kery sy voninahitra lehibe Kristy, ka hanangana ny fanjakany eto
an-tany. Nino ny fiavian’ i Kristy fanindroany i Paoly; nasehony
tamin’ ny fomba mazava sy maheiy vaika ny fahamarinana momba io toe-javatra
io, hany ka voasokitra tao am-pon’ ny maro izay nihaino izany ka tsy ho
voakosoka intsony.
Nandritra ny Sabata telo misesy dia nitory tamin’ ny Tesaloniana i Paoly,
niady hevitra taminy, araka izay voalazan’ ny Soratra Masina, mikasika ny
fiainana, ny fahafatesana, ny fitsanganana amin’ ny maty, ny asan’ i Kristy sy ny
voninahiny ho avy, dia Ilay «Zanak’ ondry Izay voavono hatramin’ ny
nanorenana izao tontolo izao»20. Nanandratra an’ i Kristy izy; ny fahazoana
mazava ny asan’ i Kristy no fanalahidy manokatra ny Testamenta Taloha ary
nanome lalana ho amin’ ny hareny sarobidy.
Rehefa notorina tamin-kery toy izany tao Tesalonika ireo fahamarinan’ ny
filazantsara, dia voasintona ny sain’ ny mpivory. «Ary ny sasany tamin’ ireo dia
nino ka nanampy ho isan’ ny mpianatr’ i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin’
ny Grika izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin’ ny vehivavy nanan-kaja».
Tahaka izay niseho tamin’ ireo toerana nidirany teo aloha, dia nisetra
fanoherana mafy ny apostoly. «Nialona» ireo Jiosy tsy nino. Tsy nankasitrahan’
ireo Jiosy ireo ny fahefana Romana, satria tsy ela talohan’ izao, dja nitarika
fikomiana tao Roma izy ireo. Nahiahina mandrakariva izy ireo, ary azo lazaina
fa voafetra ny fahafahany. Nahita fotoana mety izy izao hanararaotana ny
toe-javatra ka hamerina aminy indray ny fankasitrahan’ ny Romana
20) Apok. 13 : 8
201
azy, ary amin’ izay fotoana izay koa no hanomezany tsiny ny apostoly sy ireo
niova fo ho kristiana.
Niray tsikombakomba tamin’ ny «olona ratsy fanahy teny an-tsena» izy,
izay nahazoany «nampitabataba ny tanàna». Nanantena ny hahita ny apostoly izy
ka «namely ny tranon’ i Jasona», nefa tsy hitany na i Paoly na i Silasy. Ary «raha
tsy nahita azy roa lahy» ny vahoaka dia diso fanantenana ka «nisarika an’ i
Jasona sy ny rahalahiny sasany ho eo amin’ ny lehiben’ ny tanàna ka niantso mafy
hoe: Tonga atÿ koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo; ary efa
nampandrosoin’ i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin’ i Kaisarâ,
satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy ».
Rehefa tsy hita i Paoly sy Silasy dia nasain’ ny lehiben’ ny tanàna
nofatorana ny mpino voampanga mba hitandrovana ny filaminana. Natahotra izy
sao hitombo ny herisetra, koa «dia nampandehanin’ ny rahalahy niaraka tamin’
izay nony alinahankany Beria» i Paoly sy Silasy.
Ireo izay mampianatra fahamarinana tsy mamim-bahoaka ankehitriny, dia
tsy tokony ho kivy raha tsy mahita fandraisana tsara mandrakariva na dia eo amin’
izay milaza ny tenany ho kristiana aza, mihoatra noho izay hitan’ i Paoly sy ireo
mpiara-miasa taminy teo amin’ ny vahoaka izay niasany. Aoka ireo mpitondra
hafatry ny hazo fijaliana handroso amim-pinoana sy amin-kerimpo omban’ ny
fiambenana sy ny fivavahana, ka hiasa mandrakariva amin’ ny anaran’ i Jesosy.
Tsy maintsy manandratra an’ i Kristy amin’ ny maha-mpanelanelana ho an’ ny
olona Azy any amin’ ny fitoerana masina any an-danitra izy, dia Ilay Anankiray
izay nifantohan’ ireo fisoronana rehetra tao amin’ ny Testamenta Taloha, Ilay
mety ahitan’ ireo mparidika ny didin’ Andriamanitra fiadanana sy famelan-
keloka amin’ ny alalan’ ny fanavotana nataony.

202
23

Beria sy Atena

Tao Beria i Paoly dia nahita Jiosy vonona ny hanadihady ireo


fahamarinana nampianariny. Hoy ny tatitra nataon’ i Lioka momba azy ireo: «Ary
ny toe-panahin’ ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny
tamin’ ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan’ andro,
na marina izany, na tsia. Koa maro tamin’ ireo no nino, ary tsy vitsy tamin’ ireo
vehivavy Grika nanan-kaja sy ny lehilahy ».
Tsy mba nisy hevitra nibahana nanery ny sain’ ireo mponina tao Beria.
Vonona ny handalina ny fahamarinan’ ireo foto-pinoana notorin’ ny apostoly izy.
Nandinika ny Baiboly izy ireo, tsy noho ny fitiavana hahalala zavatra anefa, fa
ny mba hahazoany mahafantatra izay voasoratra mikasika Ilay Mesia
nampanantenaina. Isan’ andro dia nanadihady izay voalaza avy tamin’ ny tsindri-
mandrin’ Andriamanitra izy, ary raha nampitahainy tamin’ ny Soratra Masina ny
Soratra Masina, dia teo anilany ny anjelin’ny lanitra, nanazava ny sainy sy
nanohina ny fony.
Na taiza na taiza itoriana ny fahamarinan’ ny filazantsara, dia voatarika
hazoto handinika ny Soratra Masina izay maniry hanao ny tsara. Amin’ izao toe-
javatra mamarana ny tantaran’ ny tany

Mifototra amin’ ny Asa 17 : 11 - 34 ity toko ity.


203
izao, raha manaraka ny ohatr’ ireo Beriana ireo izay itoriana ny fahamarinana ho
fisedrana azy, ka mandinika Soratrà Masina isan’ andro, sy mampitaha ny hafatra
nentina ho azy amin’ ny tenin’ Andriamanitra, dia hisy olona maro kokoa amin’
izao fotoana izao no hahatoky amin’ ny foto-kevitry ny lalàn’ Andriamanitra, eo
amin’ ny toerana izay azo lazaina fa vitsy ihany ankehitriny. Saingy
rehefa haseho ireo fahamarinana tsy dia ankafizim-bahoaka ao amin’ ny Baiboly,
dia betsaka no mandà tsy hanao izany fanadihadiana izany. Na dia tsy afaka
hanohitra ny fampianarana mazava ao amin’ ny Soratra Masina aza izy, dia
mampiseho fahalainana tanteraka handinika ireo fahamarinana natolotra azy.
Misy mihevitra fa na dia marina tokoa aza ireny foto-pinoana ireny, dia tsy
mampaninona .na mariaiky ny fahamarinana vaovao izy na tsia, ka mamikitra
amin’ ny angano, mahafinaritra izay ampiasain’ ny fahavalo mba hitarihana
lavitra ny fanahiny. Amin’ izany dia jamban’ny hevi-diso ny sainy ka manjary
tafasaraka amin’ ny lanitra.
Samy hotsaraina araka ny fahazavana nomena azy ny rehetra. Maniraka ny
masoivohony ny Tompo hitondra ny hafatry ny famonjena, ary izay mandre dia
horaisiny ho tompon’ andraikitra amin’ ny fomba nitondrany ny tenin’ ny
mpanompony. Izay mitady ny marina amin’ ny fony rehetra dia hanadihady lalinà
ireo foto-pinoana aseho azy, amin’ ny fahazavan’ ny tenin’ Andriamanitra.
Feno fialonana sy fankahalana ny apostoly ireo Jiosy tsy nino tao
Tesalonika, ka tsy afa-po ny nandroaka azy hivoaka ny tanàna izy, fa nanaraka
azy hatrany Beria ka namoha ireo fihetseham-po mora tairina teo amin’ ny
antokon’ olona ambany, hanohitra azy ireo. Natahotra ny herisetra mety atao
amin’ i Paoly ireo rahalahy raha mijanona ao izy, ka nalefany tany Atena izy,
niaraka tamin’ny Beriana sasany vao nanaiky ny finoana.
Toy izany no nanenjehana hatrany ireo mpampianatry ny fahamarinana
avy amin’ ny tanàna iray ho amin’ ny tanàna iray. Tsy afaka nanakana ny
fandrospan’ ny filazantsara ireo fahavalon’i Kristy, fa ny nahombiazany kosa dia
teo amin’ ny fanasarotana mafy dia mafy ny asan’ ny apostoly. Na dia niatrika
fanoherana sy ady aza anefa i Paoly, dia nandroso haingana tamin-kerimpo
izy, ary tapa-kevitra ny hanatanteraka ny fikasan’ Andriamanitra araka izay
naseho azy tao amin’ ny fahitana tany Jerosalema. «Mandehana, fa Izaho
haniraka anao handeha lavitra any amin’ ny jentilisa»1.
1) Asa 22 : 21

204
Satria nianga tampoka tao Beria i Paoly dia tsy nanam-potoana
hamangiana ireo rahalahy tany Tesalonika araka izay nokasainy izy.
Rehefa tonga tany Atena ny apostoly, dia nalefany niverina ireo rahalahy
tany Beria hitondra hafatra ho an’ i Silasy sy Timoty mba ho any aminy avy
hatrany. Nankany Beria talohan’ ny niaingan’ i Paoly i Timoty, ary niara nijanona
tamin’ i Silasy izy mba hamita ny asa efa tsara fanombohana tao, sy hampianatra
ireo mpino vaovao ny amin’ ny foto-kevitry ny finoana.
Foiben’ ny fanompoan-tsampy ny tanànan’ i Atena. Tsy vahoaka bado na
minomino foana tahaka ny tany Lystra no hitan’ i Paoly tao, fa olona malaza ny
amin’ ny faharanitan-tsainy sy ny kolotsaina nananany. Hatraiza hatraiza dia
ahitan’ ny maso tsangambaton’ ny andriamaniny sy ireo olo-malaza natsangana
ho andriamanitra" ao amin’ ny tantara sy ny haisoratra, raha ireo rafi-trano sy ireo
hoso-doko kanto dia kanto kosa maneho ny voninahitry ny firenena "Sy ny
fivavahana amin’ ireo andriamanitra jentilisa. Nampienta-nentana ny vahoaka ny
hasoan’ ny zava-kanto sy ny hatsarany. Hatraiza hatraiza dia nahitana fitoerana
masina sy tempoly mijoalajoala izay nandaniana vola tsy toko tsy forohana.
Notsarovana tamin’ny alalan’ ny sokitra, ny alitara, ny takela-batd tsara tarehy
ny fandresena an’ ady azon’ ny tafika grika sy ny asa vitan’ ireo olo-malaza. Izany
rehetra izany dia nahatonga an’ i Atena ho sehatra midadasika nivelaran’ ny zava-
kanto.
Raha nijery ny zava-kanto miezinezina nanodidina azy i Paoly, ka nahita
fa nanaram-po tanteraka tamin’ ny fanompoan-tsampy ny tanàna, dia netsehin’
ny hasarotam-piaro amin’ Andriamanitra ny fanahiny. Hitany fa nalaim-baraka
hatraiza hatraiza Andriamanitra. Nangoraka ny vahoaka tao Atena ny fony, izay
tsy nahalala an’Andriamanitra marina na teo aza ny kolotsaina nananany.
Tsy voafitak’ izay hitany teo amin’ ity foiben’ ny fahalalana ity ny
apostoly. Velona sy voasintona ho amin’ ny zavatra any an-danitra loatra ny ara-
panahiny, ka tsy nisy vidiny teo imasony ny rendrarendra sy ny famirapiratana
miezinezina nanodidina azy teo anatrehan’ ny fifaliana sy ny voninahitry ny
harena tsy ho levona mandrakizay. Raha nahita ny hatsaran-tarehin’ i Atena izy
dia tsapany ny heriny manangoly ireo mpankafy zavakanto sy siansa, ka latsaka
lalina tao am-pony ny maha-zava-dehibe ny asa nanoloana azy.

205
Nitambesatra tamin’ i Paoly ny fahatsapany ho irery teo amin’io tanàn-
dehibe izay tsy nivavahana tamin’ Andriamanitra io, ka naniry mafy ny firaisam-
po sy ny fanampian’ ireo mpiara-miasa taminy izy. Raha momba ny fisakaizana
amin’ ny maha-olombelona no resahina, dia nahatsapa ny tenany ho irery mihitsy
izy. Nambarany izany fihetseham-pony izany tao amin’ ny epistiliny ho an’ ny
Tesaloniana ka hoy izy hoe: «hilaozana hitoetra irery tany Atena»2.
Niseho teo anatrehany ny sakana izay toa tsy azo ihoarana, ka saika tsy nisy
fanantenana ho azy ny hahatratra ny fon’ ny vahoaka.
Tsy nitomoe-poana i Paoly raha niandry an’ i Silasy sy Timoty. «Niadi-
hevitra tamin’ ny Jiosy sy ny proselyta tao amin’ ny synagoga sy tamin’ izay
tafàvory tany an-tsena isan’ andro» izy. Nefa ny vaindohan’ ny asany tao Atena
dia ny hitondra ny vaovao mahafalin’ ny famonjena ho an’ izay tsy nanana
fahalalana an’ Andriamanitra, sy ny amin’ ny fikasany mikasika ny taranaka lavo.
Efa hisetra ny fanompoan-tsampy eo amin’ ny endriny miafina sy manintona
indrindra izao ny apostoly.
Tsy ela dia ren’ ireo ngezalahy tao Atena ny fisian’ ny mpampianatra hafa
kely tao an-tanànany, izay namelatra foto-pinoana vaovao sy hafahafa. Nisy
tamin’ ireo olona ireo niady an’ i Paoly ka niresaka taminy. Vetivety dia nisy
vahoaka marobe nitangorona hihaino azy. Nisy nivonona ny hanao hy apostoly
ho fihomehezana amin’ ny maha-ambany azy eo amin’ ny lafiny fiaraha-monina
sy ny ara-tsaina, ka nifanao vazivazy hoe: « Inona no tian’ io mpibedibedy io
holazaina?» Ny sasany kosa nanao hoe: «Toa mitory andriamani-
baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan’ ny maty no notoriny».
Tamin’ ireo nihaona tamin’ i Paoly teo an-tsena dia nisy «olon-kendry
tamin’ ny Epikoriana sy ny Stoika »; nefa vetivety dia tsapan’ireo izay nifandray
taminy fa lehibe noho ny azy ireo ny tahirim-paha-lalany. Ny fahamboniany ara-
tsaina no nifehy ireo olon-kendry ireo hanaja azy, fa ny fahaizany manamarina
hevitra amin-kafanam-po kosa, sy ny heriny teo amin’ ny fahaizanÿ mandahatra,
dia nampitampim-bava ny mpihaino rehetra. Tsapan’ izy ireo fa tsy mpiana-
draharaha izy, fa afaka hifandahatra amin’ ny antokon’olona rehetra amin’ ny
fonjan-kevitra mandresy lahatra, mba hanohanana ny foto-pianarana nentiny.
Koa dia nijoro tsy azo nohozongozonina ny apostoly, rehefa nifanehatra tamin’
ireto
2) 1 Tes. 3 : 1
206
mpanohitra Azy teo amin’ ny tany misy azy ihany, ka fahaizana mandamin-
kevitra nosetrainy fahaizana mandamin-kevitra, fîlozofia nosedrainy filozofia,
fahaiza-mandahatra nosetrainy fahaiza-mandahatra.
Ireo jentilisa mpanohitra azy dia nitarika ny sainy tamin’ izày nanjo an’ i
Sokraty, izay nitondra andriamanitra hafahafa, ka voaheloka ho faty, ary nanoro-
hevitra an’ i Paoly izy tsy hanao mosalahy ny ainy amin’ ny fomba toy izany koa.
Nitana ny sain’ny vahoaka anefa ny lahateny nataon’ i Paoly, ka nibaiko fanajana
sy fanomezam-boninahitra ny fahendrena tsy nisy olakolaka teo aminy. Tsy
nampangina azy na ny fahaizana na ny fanazimbazimbaha nasehon’ ireo mpanao
hevi-tsaina; ary satria nampiaiky ireo mpihaino azy izy, fa na ahoana na ahoana,
dia tapa-kevitra ny hanatanteraka ny diany teo aminy sy hilaza aminy ny
tantarany izy, ka dia vonona ny hihaino azy tsara izy ireo.
Noho izany dia nentina teny amin’ ny havoan’ i Martsa izy. Io no anisan’
ny toerana masina indrindra eran’ i Atena manontolo, ary fatratra indrindra ireo
rakitra inampahatsiaro ny tantarany, ka dia niteraka fanajana niharo finoanoam-
poana izany, ary nahatonga tahotra tao an-tsain’ ny sasany mihitsy aza. Teo amin’
io toerana io matetika, no nandinihana akaiky ny momba ny fivavahana; olona
nanao ny asan’ ny mpitsara amin’ ny dingana farany ny amin’ ny olana lehibe eo
amin’ ny fiainana ara-pitondran-tena sy eo amin’ ny fiainam-pirenena no
niandraikitra izany.
Teo amin’ io toerana io, izay lavitra ny tabataba sy ny lalambe feno
sakantsakana, ary lavitra ny korontandrotana noho ny adi-hevitra manodidina, no
nahazoan’ ny apostoly nandaha-teny tsy nisy mpanelingelina. Nanodidina azy ny
mpanao tonon-kira, ny mpiangaly zava-kanto, ny mpandalina hevi-tsaina, ny
avara-pianarana sy ny olon-kendry tao Atena, izay niteny taminy hoe; «Moa mba
mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay? Fa
mampandre ny sofmay zavatra hafahafa izay tsy fantatray hianao; koa tianay ho
fantatra izay hevitr’ izany zavatra izany ».
Tony sady nahafehy tena ny apostoly tamin’ io ora nivesarany andraikitra
miezinezeina io. Nitambesatra tao am-pony ny hafatra lehibe, ary nandresy
lahatra ny mpihaino azy ny teny nivoaka ny vavany, fa tsy mpibedibedy foana
izy. «Ry lehilahy Ateniana, hoy

207
izy, hitako fa amin’ ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ ny
andriamanitrareo indrindra hianareo. Fa raha nandeha aho ka nandinika izay
zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anarikiray misy izao soratra izao: HO
AN’ IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo,
kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo». Na dia nanana saina sy
fahalalana nivelatra aza izy, dia tsy nahafantatra an’ Andriamanitra izay
namorona an’ izao rehetra izao. Nisy anefa izay naniry mafy ny hahazo faha-
zavana bebe kokoa. Niezaka fatratra ny hahafantatra ny Tsy Voafetra izy.
Nahinjitr’ i Paoly nanondro ny tempoly feno sampy ny tanany, dia
noborahiny ny enta-mavesatra tao amin’ ny fanahiny ary naharihariny ny
fahadisoan’ ny fivavahana Ateniana. Gaga ny Hendry indrindra tamin’ ny
mpihaino azy teo anatrehan’ ny fahainy mana-marina ny foto-keviny. Nasehony
fa nahazatra azy ny zava-kantony, ny haisorany sy ny fivavahany. Sady nanondro
ny sarivongany sy ny sampiny izy, no nanambara fa tsy azo ampitoviana amin’
ny endrika novisavisain’ olombelona Andriamanitra. Tsy afaka haneho ny voni-
nahitr’ i Jéhovah, na dia anrin’ ny fomba faran’ izay manjavozavo aza, ireny sary
voasokitra ireny. Nam.pahatsiahiviny aza fa tsy misy aina ireny sary ireny, fa
fehezin’ ny herin’ ny olombelona fotsiny, ka tsy mihetsika raha tsy tanan’
olombelona no mampihetsika azy; ary noho izany, izay mivavaka aminy dia
ambony lavitra amin’ ny lafiny rehetra noho izay ivavahany.
Notarihin’ i Paoly ny sain’ ireo mpihaino azy mpanompo sampy hihoatra
ny faritry ny fivavahana diso narahiny, sy habita marina Ilay Andriamanitra izay
nomeny anarana hoe «Ilay Andriamanitra tsy fantatra». lo Andriamanitra tsy
fantatra io, izay ambarany amin’izy ireo ankehitriny, dia tsy miankina aman’
olona, tsy mila na inona na inona avy amin’ ny tanan’ olombelona mba hanampy
hery sy Voninahitra Azy.
Nampiaiky ny vahoaka ny hafanampon’ i Paoly sy, ny fahaizany
nandamin-kevitra tamin’ ny nanehoany ny toetran’ Andriamanitra marina - hery
nentiny namorona sy ny fisian’ ny fitondrany mifehy ny zava-drehetra. Tamin’
ny fahaizarta mandaha-teny hentitra sy mafana no nanambaran’ ny apostoly hoe:
«Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no
Tompon’ny lanitra sy hy tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-
tànana, sady tsy mba tompoin’ ny tànan’ olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no
manome izao rehetra izao aina sy fofon’ aina ary

208
ny zavatra rehetra». Na ny halehibean’ ny lanitra aza tsy ampy itoeran’
Andriamanitra, koa mainka ireo tempoly nataon’ ny tanan’olombelona!
Tamin’ io fotoana nisian’ ny fizarazarana isaka ny sokajin’ olona io, raha
matetika natao tsinontsinona ny zon’ olombelona, no nanambaran’ i Paoly ny
fahamarinana lehibe momba ny firahalahin’ ny olombelona, ka nolazainy fa «ny
firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ ny tany
rehetra». Eo imason’ Andriamanitra dia mitovy daholo ny rehetra, ary tokony
hiandany feno sy tanteraka amin’ ny Mpamorona ny olombelona rehetra. Dia
nasehon’ ny apostoly fa misosa tahaka ny tady volamena ny fikasan’
Andriamanitra eo amin’ ny fahasoavany sy ny famindrampony amin’ ny alalan’
ny fifandraisany rehetra amin’ny olona. «Efa notendreny ny fotoan’ andro sy ny
faritry ny fonenany, mba hitady an’ Andriamanitra izy, raha tahiny hahatsapa
ka habita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy».
kana nanondro ireo karazan’ olona ambony manodidina azy izy, dia
nindrana ny tenin’ ny mpanao tononkalo tao aminy izay nanehoany an-tsary an’
Andriamanitra tsy voafetra ho Ray, ary ireo no zanany. «Fa Izy no ivelomantsika
sy ihetsehantsika ary iainantsika, hoy izy, araka ny nataon’ ny mpanao tonon-kira
sasany teo aminareo hoe: «Fa terany koa isika». Ary satria terak’ Andria-
manitra isika, dia tsy mety raha ny fomban’ Andriamanitra no ataontsika ho
tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’
olombelona.
»Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ ny tsi-fahalalana; fa
ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’ izao tontolo izao hibebaka».
Tamin’ ny andron’ ny fahamaizinana nialoha ny fihavian’ i Kristy dia namela
tamim-pitiavana ny heloky ny fanompoan-tsampin’ ny Jentilisa Ilay
Andriamanitra Mpifehy; fa ankehitriny kosa, amin’ ny alalan’ ny Zanany, dia
mandefa ny fahazavan’ny fahamarinana ho an’ ny olona Izy; ary manantena ny
rehetra ho tonga amin’ ny fibebahana ho amin’ ny famonjena Izy, tsy ny
olo-mahantra sy ny olon-tsotra ihany, fa ny mpanao filozofia mirehareha sy ireo
andrianan’ ny tany koa. «Satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao
tontolo izao amin’ ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny Lehilahy iray
voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy
tamin’ ny; nananganany Azy tamin’ ny maty». Raha nilaza ny amin’ ny

14 - Vavolombelona Mahery
209
fitsanganana amin’ ny maty i Paoly dia « nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa
nanao hoe; Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’ izany zavatra izany ».
Toy izany no niafaran’ ny Asan’ ny Apostoly tao Atena, izay foiben’ ny
fahaizana amam-pahalalana jentilisa, fa ireo Ateniana kosa, izay nikiry hifikitra
tamin’ ny fanompoan-tsampiny, dia niala tamin’ ny fahazavan’ ny fivavahana
marina. Rehefa afa-po tanteraka ny amin’ ny fahalalana ananany ny olona iray,
dia tsy misy azo antenaina firy ny aminy. Na dia nirehareha ny amin’ ny
faliaizany sy ny fahaizany niaina aza ny Ateniana, dia nihasimba hatrany ary
niha-afa-po hatrany tamin’ ny zava-miafina maro teo amin’ ny fanompoan-
tsampy.
Tamin’ ireo izay nihaino ny tenin’ i Paoly dia nisy resy lahatra tamin’ ny
fahamarinana naseho, nefa tsy nety nanetry tena hanaiky an’ Andriamanitra sy ny
drafitry ny fanavotana. Tsy ny fahaizana mandaha-teny, na ny lanjan’ ny fonjan-
kevitra no afaka manova ny mpanota. Ny herin’ Andriamanitra ireiy no afaka
hampihatra ny fahamarinana ao amin’ ny fo. Izay mikiry hiala amin’ izany hery
izany dia tsy ho voakasik’ io fahamarinana io. Nitady fahendrena ny Grika, nefa
dia fahadalana ho azy ny hafatry ny hazo fijaliana satria notombanany ambony
lavitra noho ny fahendrena avy any ambony ny fahendren’ ny tenany.
Ny fireharehany eo amin’ ny ara-tsaina sy ny faliendren’olombelona
nananany no mety ho antony naha-kely nÿ vokatra teo amin’ ny Ateniana. Ny
olon-kendry araka izao tontolo izao izay manatona an’ i Kristy amin’ ny maha-
mpanota mahantra azy, dia hahazo fahendrena hitarika azy ho amin’ ny
famonjena; fa ireo izay manatona amin’ ny maha-olona ambony azy kosa, ka
manan-dratra ny fahendren’ ny tenany, dia tsy handray ny fahazavana sy ny
fahalalana izay Izy irery ihany no afaka manome izany.
Toy izany no nisetran’ i Paoly ny fanompoan-tsampy tamin’ny androny.
Tsy very maina tanteraka akory ny asany tao Atena. Nanaiky ny filazantsara ary
niray tanteraka tamin’ ny mpino i Dionysio, anankiray tamin’ ny Grika ambony
indrmdra sy ny maro hafa koa.
Nomen’ ny tsindrimandry avy amin’ Andriamanitra ho antsika io indray
mitopy maso eo amin’ ny fiainan’ ny Ateniana io, izay mbola nilentika tao amin’
ny haratsiam-pitondrantena na dia teo

210
aza ny fahalalany rehetra sy ny fahaizany zava-kanto, mba haseho amin’ ny
alalan’ ny mpanompony ny fandavan' Andriamanitra ny fanompoan-tsampy sy
ny fahotan’ ny olona mirehareha sy mihevi-tena ho ampy. Ny teny nataon’ ny
apostoly sy ny filazana ny toetrany sy ny manodidina azy àraka izay nomen’ ny
tsindri-mandrin’ Andriamanitra, dia haTindra amin’ ny taranaka mandimby
rehetra, ka hitondra vavolombelona ny amin’ ny fahatokiany tsy azo
hozongozohina, amin’ ny herim-pony teo amin’ ny naha-irery azy sy teo amin’
ny zava-tsarotra, ary amin’ ny fandresena azony ho an’ ny fivavahana kristiana
eo anivon’ ny fanompoan-tsampy indrindra.
Harem-pahalalana sarobidy ho an’ ny fiangonana ny tenin’ i Paoly. Teo
amin’ ny toerana izay nety nahazoany nilaza mora foana teny izay nampahatezitra
ireto mpihaino azy be rehareha izy, ka nampiditra azy tamin’ ny zava-tsarotra
izany, Raha namely mivantana ny andriamanitra sy ny olona ambony ao dn-
tanàna ny teniny, dia ho tandindomin-doza hitovy fiafarana amin’ i Sokraty koa
izy. Nefa noho ny fahaizana toetran’ olona nateraky ny fitiavan’ Andriamanitra,
dia notarihiny tamim-pahendrena ny sain’ ireo Ateniana hiala atnin’ ireo
andriamanitra jentilisa, tamin’ ny tianambarany taminy Ilay Andriamanitra
marina Izay tsy fantany.
Ankehitriny dia tokony hoentina eo anatrehan’ ny olona ambony eo amin’
izao tontolo izao ireo fahamarinan’ ny Soratra Masina, mba hahazoany misafidy
na harikato ny lalàn’ Andriamanitra izy na hiandany amin’ ny andrianan’ ny ratsy.
Apetrak’ Andriamanitra eo anatrehany ny fahamarinana mandrakizay —
fahamarinana izay hahatonga azy ho hendry ho amin’ ny famonjena; nefa tsy
manery azy handray izany Izy. Fa raha mandà izany fahamarinana izany izy, dia
avelan’ Andriamanitra handeha amin’ izay tiany, ka hijinja ny vokatry ny
nafafiny.
«Fa ny teny ny amin’ ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’ izay ho very,
fa herin’ Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. Fa voasoratra hoe:
«Hofoanako ny fahendren’ ny hendry, ary holaviko ny fahalalan’ ny mahalala».
«Fa ny adala amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra
ny hendry; ary ny malemy amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra
hampahamenatra ny mahery; ary ny iva razana amin’ izao tontolo izao sy izay
fanevateva no nofidin’ Andriamanitra, dia ny atao ho

211
tsy misy aza, mba hahafoana ny misy»3. Betsaka amin’ ireo manam-pahaizana
ambony sy mpitondra fanjakana, ireo olona ambony indrindra eo amin’ izao
tontolo izao, no hiala amin’ ny fahazavana amin’ izao andro farany izao, satria
tsy mahalala an’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny fahendren’ izao tontolo izao.
Tokony hanararaotra ny fotoana mety rehetra anefa ny mpanompon’
Andriamanitra hampita ny fahamarinana amin’ ireny olona ireny. Misy hanaiky
ny tsy fahalalany momba an’ Andriamanitra ka handray ny toerana amin’ ny
maha-mpianatra feno fanetren-tena azy eo an-tongotr’i Jesosy, Ilay
Mpampianatra Lehibe.
Mila finoana matanjaka izay miasa ho an’ Andriamanitra eo amin’ ny
ezaka rehetra ataony ahatrarana ny antokon’ olona ambony. Mety manakana ny
fisehoana ety ivelany, nefa misy fahazavana ao ambony ao amin’ ny ora maizina
indrindra. Havaozina isan’ andro ny herin’ izay tia sy manompo an’
Andriamanitra. Mipetraka hanampy azy ny sain’ Ilay tsy voafetra mba tsy ho diso
lalana ireo eo amin’ ny fanatanterahana ny sitrapony. Aoka ireo mpiasa
ireo hihazona ny fitokisany ho mafy orina hatramin’ ny voalohany ka hatramin’
ny farany, ka hotsaroany fa tokony hamirapiratra ao anatin’ ny haizina izay
manarona an’ izao tontolo izao ny fahamarinan’ Andriamanitra. Tsy tokony hisy
fahakiviana mifandray amin’ ny asan’ Andriamanitra. Tokony hahajoro amin’ ny
fisedrana rehetra miantraika aminy ny finoan’ ny mpiasa voahosotra. Azon’
Andriamanitra atao sady iriny koa ny handrotsaka amin’ ny mpanompony ny hery
rehetra ilainy, sy hanome azy ny fahendrena izay takian’ ny asany. Hanao
mihoatra noho ny fanatanterahana ny faniriana ambony indrindra antenain’ izay
mametraka ny fitokisany Aminy Izy.
3) 1 Kor. 1 : 18. 19. 27. 28

212
24

Korinto

Nandritra ny taonjato voalohany tamin’ ny andro kristiana, dia anisan’ ny


tanàna nalaza, tsy tao amin’ ny tanin’ ny Grika fotsiny ihany, fa teo amin’ izao
tontolo izao mihitsy koa i Korinto. Nameno ny arabeny ny Grika, ny Jiosy sy ny
Romana, niaraka tamin’ ny vahiny avy amin’ ny tany rehetra, revo dia revo tamin’
ny varotra sy ny fahafinaretana. Nisy foibe fifanakalozam-barotra lehibe teo
amin’ ny toerana tsy saro-dalana ho an’ ny faritra rehetra teo amin’ny fanjakana
Romana, dia toerana lehibe azo anorenana tsangambato ho an’ Andriamanitra sy
ny fahamarinany izany.
Anisan’ ireo Jiosy nanorim-ponenana tao Korinto i Akoila sy Prisila izay
mpiasa mafana fo ho an’ i Kristy tatÿ aoriana. Rehefa nahalala ny toetra amam-
panahin’ ireo olona ireo i Paoly dia «nitoetra tao aminy».
Tamin’ ny fiantombohan’ ny asany tao amin’ ity dig lavitra ity dia nahita
sakana lehibe tamin’ ny fandrosoan’ ny asany hatraiza hatraiza i Paoly. Saika
tafaraikitra manontolo amin’ ny fanompoan-tsampy ny tanàna Korinto. «Vénus»
no andriamani-bavy voalohàny indrindra ary nisy fomba sy fanompoam-
pivavahana maro manimba ny fitondran-tena nifandray tamin’ izany. Nanjary
niavaka ny Korintiana na dia teo amki’ ny Jentilisa aza, noho ny faharatsiam-

Mifototra amin’ ny Asa 18 : 1 - 18 ity toko ity.


213
pitondran-tenany mivandravandra. Toa tsy noheveriny sy tsy nokaralcarainy firy
izay ankoatra ny mahafinaritra sy ny mamalifaly amin’ izao fotoana izao.
Nampiasa fômba hafa noho izay mampiavaka ny asany tany Atena ny
postoly raha nitory ny filazantsara tany Korinto. Talohan’izao dia niezaka izy
hampifanaraka ny fomba fiasany amin’ ny toetra amam-panahin’ ny mpihaino
azy; nosetrainy fahaiza-mandamin-kevitra ny fahaiza-mandamin-kevitra,
nosetrainy fahalalana ny fahalalana, nosetrainy hevi-tsaina ny hevi-tsaina. Raha
nandinika ny fotoana lany toy izany izy, ka nahatsapa fa kely ihany ny
vokatry ny fampianarany tany Atena, dia nanapa-kevitra ny hanaraka drafitra
hafa izy amin’ ny asany any Korinto eo amin’ ny ezaka ataony hitazonana ny
sain’ ny tsy miraharaha sy ny tsy miraika. Tapa-kevitra hanafoana ny fonjan-
kevitra sy ny adi-hevitra izy ary «tsy hahalala zavatra hafa» teo amin’ ny
Korintiana «afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra Izy voahombo amin’ ny hazo
fijaliana». Hitory aminy « tsy tamin’ ny fahendrena mahataona, fa tamin’ ny
fanehoan ny Fanahy sy ny hery »1.
Jiosy ambany firazanana nobeazina tao amin’ ny tanàna nalaza noho ny
haratsiam-panahiny Jesosy Ilay hoentin’ i Paoly eo anatrehan’ ny Grika tany
Korinto amin’ ny maha-Kristy Azy. Nolavin’ny fireneny Izy ary tamin’ ny farany
dia natolony hohomboana tamin’ ny hazo fijaliana toy ny olo-meloka. Nino ny
Grika fa ilaina ny hanandratra ny taranak’ olombelona; nefa ny fianarana ny
filozofia sy ny siansa no noheveriny ho hany fomba ahatrarana ny fisandratana
sy ny voninahitra marina. Ho azon’ i Paoly atao ve ny hitarika azy hino fa ny
finoana an’ ity Jiosy tsy fanta-daza ity dia hanandratra sy hahamendrika ny herin’
ny fahalalany rehetra?
Eo amin’ ny olona maro miara-belona amintsika ankehitriny, dia
voahodidina fahatsiarovana masina ny hazo fijalian’ i Kalvary. Misy hevitra
masina mifandray amin’ ireo toe-javatra teo amin’ ny hazo fijaliana. Nefa tamin’
ny andron’ i Paoly, ny hazo fijaliana dia narahin’ ny fihetseham-po mitory
faharikorikoana sy horohoro. Tsy mahagaga raha mitarika fanarabiana sy
fanoherana ny fanan-dratana Lehilahy iray Izay maty teo amin’ ny hazo fijaliana
ho ny Mpamonjin’ ny taranak’ olombelona.
Fantatr’ i Paoly tsara ny fomba handraisan’ ny Jiosy sy ny Jentilisa any
Korinto ny hafatra nentiny: «fa izahay kosa mitory an’ i Kristy voahombo tamin’
ny hazo fijaliana, hoy ny teny nekeny, dia fahatafintohinana amin’ ny Jiosy ary
fahadalana amin’ ny Grika»2. Betsaka amin’ ireo mpihaino Jiosy no ho sosotra
amin’ny hafatra izay hotoriany. Teo amin’ ny fiheveran’ ny Grika dia tena
fahadalana tsotra fotsiny ny teniny. Horaisina ho tsy ampy saina izy amin’ ny
fiezahany haneho fa misy ifandraisana amin’ ny fanandratana ny taranak’
olombelona, na amin’ ny famonjena azy ny hazo fijaliana,

1) 1 Kor. 2 : 2. 4 214
Nefa ho an’ i Paoly dia zavatra ambony indrindra ny hazo fijaliana.
Hatramin’ ny nanakanana azy teo amin’ ny maha mpanenjika ireo mpanaraka an’
Ilay Nazareana nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana azy, dia tsy mbola nitsahatra
ny nanome voninahitra ny hazo fijaliana izy. Tamin’ io fotoana io dia nomena
azy ny fanambarana momba ny fitiavan’ Andriamanitra tsy voafetra araka izay
ambaran’ ny fahafatesan’ i Kristy. Tao amin’ ny fiainany dia nisy fiovana
mahagaga tanteraka izay nampirindra ny drafitra sy ny fikasany rehetra tamin’ ny
lanitra. Nanomboka tamin’ io ora io dia nanjary olom-baovao ao amin’ i Kristy
izy. Fantany tamin’ny alalan’ ny fanandiamana manokana, fa rehefa misy
mpanota mibanjina ny fitiavan’ ny Ray, araka izay hita ao amin’ ny Zanany
natao sorona, ka milefitra eo amin’ ny herin’ Andriamanitra miasa mangina, dia
misy fiovana eo amin’ ny fo, ary manomboka hatreo dia Kristy no zavatra rehetra
sy ao amin’ ny zavatra rehetra.
Tamin’ ny fotoana niovan’ i Paoly fo, dia feno ny faniriana lalina hanampy
ny mpiara-belona aminy hibanjina an’ i Jesosy avy any Nazareta izy, amin’ ny
maha-Zanak’ Andriamanitra velona Azy izay manan-kery hanova sy hamonjy.
Manomboka hatreo ny fiainany dia voatokana tanteraka hiezaka haneho ny
fitiavana sy ny herin’ Ilay voahombo teo amin’ ny hazo fijaliana. Nangoraka sy
niray fo tamin’ ny antokon’ olona rehetra izy: «Ananan’ ny Grika sy ny
firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho»3, hoy izy. Ny
fitiavana ny Tompon’ ny voninahitra izay nohenjehiiiy tsy an-kijanona teo amin’
ny tenan’ ireo olo-masiny, no foto-kevitra mibaiko ny fihetsiny sy hery manosika
azy. Raha mihena aza ny hafanam-pony eo amin’ ny lalan’ ny adidy, indray
mitopy maso eo amin’ ny hazo fijaliana sy eo amin’ ny fitiavana mahagaga izay
ambarany, dia ampy hampahery ny sainy ka handrosoany eo amin’ ny lalan’ ny
fahafoizan-tena.
Banjino ny apostoly mitory ao amin’ ny synagogan’ i Korinto, manao
fanazavana avy amin’ ny bokin’ i Mosesy sy ny mpaminany, ka mitarika ny
mpihaino azy ho eo amin’ ny fotoana niavian’ Ilay

2) 1 Kor. 1 : 23 3) Rom. 1 : 14

215
Mesia nampanantenaina. Henoy izy mametraka mazava ny asan’Ilay Mpanavotra
amin’ ny maha-Mpisoronabe lehibe ho an’ ny taranak’ olombelona Azy, — dia
Ilay nanao sorona ny ainy mba hanao fanavotana indray mandeha ho an’ ny
rehetra, ary rehefa izany, dia nakarina any amin’ ny fitoerana masina any an-
danitra hanao ny asa fanompoany. Nampahalalaina ny mpihaino an’ i Paoly fa
efa tonga Ilay Mesia Izay nirina indrindra ny fiaviany ; nampahalalaina azy fa
naneho ny fahafatesany ireo fanatitra sy fisoronana rehetra, ary ny asa
fanompoana ataony any amin’ ny fitoerana masina any an-danitra no zava-dehibe
eo anoloana, izay arahin’ ny tandindona ka mitondra fanazavana mikasika ny asa
fanompoana nataon’ ny mpisorona Jiosy.
Nambaran’ i Paoly tamin’ ny Jiosy «fa Jesosy no Kristy». Nasehony avy
tao amin’ ny Testamenta Taloha fa araka ny faminaniana sy ny fanantenan’ ny
Jiosy hatraiza hatraiza, dia ho taranak’ i Abrahama sy Davida ny Mesia. Dia
notanisainy ny niavian’ i Jesosy hatrany amin’ i Abrahama patriarka ka hatramin’
ilay mpanjaka mpanao salamo. Novakiny ny teny vavolombelona nataon’ ireo
mpaminany mikasika ny toetra amam-panahy sy ny asan’ Ilay Mesia
nampanantenaina, ny nandraisana Azy sy ny natao taminy, teto an-tany, dia
nasehony fa tanteraka tao amin’ ny fiainan’ i Jesosy avy any Nazareta sy ny asany
ary ny fahafatesany ireo teny voambara mialoha rehetra ireo.
Nasehon’ i Paoly fa tonga Kristy hanolotra famonjena, voalohany
indrindra aloha, ho an’ ny firenena izay niandry ny fiavian’ ny Mesia ho
fanatanterahana sy ho voninahitry ny fisian’ ny fireneny. Nefa notsipahin’ io
firenena io Ilay nanome aina azy, ka nifidy mpitarika hafa izy, izay hifarana amin’
ny fahafatesana ny fanjakany. Niezaka ny hampiditra izao zavatra izao tao am-
pon’ ireo mpihaino azy izy; ny fibebahana ihany no afaka hamonjy ny firenena
jiosy amin’ ny fahafatesana manandindona azy. Naharihariny ny tsy fahalalany
ny dikan’ ny Soratra Masina izay nataony rehareha sy voninahitra fa azony
tanteraka. Nomeny tsiny ny toetrany araka izao tontolo izao, ny fîtiavany toerana,
anaram-boninahitra sy fisehosehoana, ary ny fitiavan-tenany tsy voafehy.
Tamin’ ny herin’ ny Fanahy no nitantaran’ i Paoly ny fiovam-po mahagaga
teo amin’ ny fiainany sy ny fahatokiany ny Testamenta Taloha izay tanteraka
tamin’ ny fahafenoany teo amin’ i Jesosy avy any Nazareta. Nataony tamin-
kafanam-po fatratra ny teny, ka tsy afaka ny tsy hahita ny mpihaino azv fa tia
tamin’ ny fony rehetra

216
Ilay Mpamonjy nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana sy nitsangana tamin’ ny
maty izy. Hitany fa nifantoka tamin’ i Kristy ny sainy, ary ny fiainany manontolo
dia nifamatotra tamin’ ny fiainan’ ny Tompony. Latsaka lalina indrindra tao am-
po ny teniny, ka ireo izay feno fankahalana mangidy indrindra ny fivavahana
kristiana ihany no tsy voahetsiketsika.
Nanakimpy ny masony tsy hahita izay nasehon’ ny apostoly mazava anefa
ireo Jiosy tany Korinto, ka nolaviny ny hihaino ny antsony. Ny toe-tsaina izay
nitarika azy handà an’ i Kristy, dia nameno hatezerana sy haromotana ny fony
tamin’ ny mpanompony; ary raha tsy niaro azy tamin’ ny fomba manokana
Andriamanitra, mba hahazoana manohy ny fitondrana ny hafatry ny filazantsara
any amin’ ny Jentilisa, dia ho notaperiny teo ny aihy.
«Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka
nanao taminy hoe Aoka ho eo an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin’ izao
sisa izao dia hankany amin’ ny jentilisa aho. Ary raha niala teo izy, dia niditra tao
an-tranon’ ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin’
Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin’ ny synagoga».
Tonga avy tany Makedonia i Silasy sy Timoty hanampy an’ i Paoly, ary
niara-niasa ho an’ ny Jentilisa izy ireo. Ny Jentilisa sy ny Jiosy dia samy nitorian’
i Paoly sy ireo mpiara-dia taminy, ny amin’ i Kristy izay Mpamonjin’ ny taranaka
lavo. Niala tamin’ ny fanazavana sarotra sy lalim-paka ireo mpitondra hafatry ny
hazo fijaliana, fa nanantitrantitra kosa ny toetra mampiavaka ny Mpamorona an’
izao tontolo izao, Ilay Mpifehy an’ izao rehetra izao ambony indrindra. Namaivay
tao am-pony ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny Zanany ka niantso ny jentilisa
hibanjina Ilay sorona tsy voafetra natao ho an’ ny olona izy. Fantany fa raha afaka
mahita fotsiny ny fahazavana mitobaka avy eo amin’ ny hazo fijalian’ i
Kalvary ireo izay nandadilady tao amin’ ny haizin’ ny fahajentilisana, dia ho
voatarika ho eo amin’ ny Mpamonjy izy; «Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’
ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy»4.
Tsapan’ ireo mpiasan’ ny filazantsara tany Korinto ny loza lehibe
mananontanona ny fanahin’ ireo izay niasany mafy; ary tao amin’ ny fahatsapany
an’ izany andraikitra izany no nanehoany

4) Jaona 12 : 32
217
ny fahamarinana araka izay ao amin’ i Jesosy. Tsotra, mazava sy hentitra ny
hafatra nentiny, hanitry ny fiainana ho amin’ ny fiainana, na hanitry ny
fahafatesana ho amin’ ny fahafatesana.5 Ary tsy tamin’ ny teny ihany, fa teo amin’
ny fiainana andavanandro koa no nanehoana ny filazantsara. Niara-niasa taminy
ny anjely, ary niseho teo amin’ ny fiovampon’ ny maro ny fahasoavana sy ny
herin’ Andriamanitra. «Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin’ ny
ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre,
dia nino ka natao batisa».
Nitombo izao ny fankahalan’ ny Jiosy ny apostoly hatramin’izay. Ny
vokatry ny fiovam-pon’ i Krispo sy ny batisany dia nampirongatra ny hatezeran’
ireto mpanohitra mafy hatoka fa tsy nandresy lahatra azy. Tsy afaka nitondra
fonjan-kevitra hanoherana ny toritenin’ i Paoly izy, ary noho ny tsy fisian’ ny
porofo mazava toy izany, dia fitaka sy famelezana masiaka no nampiasainy.
Niteny ratsy ny filazantsara sy ny anaran’ i Jesosy izy. Jamban’ ny hatezerana izy
ireo ka tsy nisy teny mangidy loatra, na hafetsena ambany loatra ka tsy
nampiasainy. Tsy azony nolavina fa nanao fahagagana Kristy; nambarany kosa
fa tamin’ ny alalan’my herin’ i Satana no nanaovany izany; ary noantjntranteriny
tamin-kasahiana fa io hery io ihany koa no nanaovan’ i Paoly ireo asa mahagaga
ireo.
Na dia azo lazaina fa nahita fahombiazana aza i Paoly tany Korinto, dia
saika nahakivy azy ny faharatsiana hitany sy reny tao amin’ io tanàna maloto io.
Ny faharatsiam-pitondrantena hitany teo amin’ ny Jentilisa, ny fanaovana
tsinontsinona sy ny fitenenan-dratsy azony avy tamin’ ny Jiosy dia nampitebiteby
azy. Nisalasala izy, sao tsy fahendrena ny manandrana manorina fiangonana
amin’ny fitaovana nisy tao.
Raha nanao drafitra hiala ny tanàna ho any amin’ ny saha mahabe
fanantenana kokoa izy, ka niezaka mafy hahafantatra ny adidiny, dia niseho
taminy tamin’ ny fahitana ny Tompo ka nanao hoe: «Aza matahotra fa mitenena
ihany, ka aza mangina; fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao
hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin’ ity tanàna ity Aho». Fantatr’ i
Paoly fa baiko mampijanona azy ao Korinto izany, sady antoka fahampi-
tombo ny voa nafafiny ny Tompo. Nahazo hery sy tanjaka izy ka nanohy ny asany
tamin-kerim-po sy fikirizana.
Tsy voafetra tamin’ ny fitoriana ampahibemaso ny ezaka nataon’ny
apostoly; betsaka no tsy nety ho tratra tamin’ ny alalan’ izany
5) 2Kor. 2:16
218
fomba izany. Nandany totoana maro tamin’ ny asa fitsidihana isan-tokantrano
izy, ka nahita tombony ho an’ ny tenany teo amin’ny fifandraisana tamin’ ny
fianakaviana tao an-tokantrano. Namangy ny maraiy sy ny malahelo izy,
nampahery ny tra-pahoriana, ary namelombelona-ny ampahoriana. Ary tamin’
izay rehetra nolazainy sy nataony dia nanome voninahitra ny anaran’ i Jesosy izy.
Tamin’izany izy dia niasa tao amin’ ny «fahalemena sy ny fahatahorana
ary ny fangovitana be»6. Nangovitra izy sao maneho ny dian-tanan'
olombelona fa tsy ny an’ Andriamanitra ny fampianarany.
«Anefa milaza fahendrena amin’ ny efa matanjaka izahay, hoy izy taty
aoriana, fa tsy ny fahendren’ izao tontolo izao, na ny an’ny mpanapaka izao
tontolo izao, izay olona miha-levona; fa milaza ny fahendren’ Andriamanitra
izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’
Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ ny nanaovana izao tontolo izao; ary tsy
nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy
nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana ny Tompon’ ny voninahitra. Fa araka ny
voasoratra hoe: «Izay tsy mbola hitan’ ny maso ary tsy mbola ren’ ny sofina, na
niditra tao am-pon’ ny olona, na inona na inona no efa namboarin’ Andriamanitra
ho an’ izay tia Azy», dia isika no nanambaran’ Andriamanitra izany tamin’
ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina
izay an’ Andriamanitra aza. Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon’ olona, afa-
tsy ny fanahin’ ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy
mahalala ny ao am-pon’ Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany.
»Fa isika tsy nandray ny fanahin’ izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy
amin’ Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’ Andriamanitra
antsika. Izany koa no lazainay, tsy amin’ ny teny ampianarin’ ny fahendren’
olona, fa amin’ ny teny ampianarin’ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin’
izay olona araka ny Fanahy izahay »7.
Tsapan’ i Paoly fa tsy avy amin’ ny tenany ny fahaizany, fa avy amin’ ny
fanatrehan’ ny Fanahy Masina, izay nameno ny fony tamin’ny herin’ ny
fahasoavany miasa mangina, ka nampilefitra ny eritreritra rehetra tamin’ i Kristy.
Raha milaza ny amin’ ny tenany izy dia nanao hoe; «mitondra ny fahafatesan’ i
Jesosy mandrakariva ao amin’ ny tena izahay, mba haseho ao amin’ ny tenanay
koa ny fiainan’ i Jesosy»8. Kristy no foibe teo amin’ ny fampianaran’ ny apostoly:
6) 1 Kor. 2 : 3 7)1 Kor. 2 : 6 - 13 8) 2 Kor. 4 : 10
219
«Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko»9, hoy izy.
Voafina ny « izaho»; Kristy no miseho sy asandratra.
Mpandaha-teny mahay i Paoly. Talohan’ ny niovany fo dia matetika izy
no niezaka handatsaka tao am-pon’ ny mpihaino azy ireo teny misosa sy tsara
lahatra. Izao anefa dia navelany ny zavatra rehetra. Tsy nanaram-po tamin’ ny
teny mirindra sy ny angolan- kevitra izay mety mahafaiy ny retsika sy mamelona
ny saina, nefa mety stsy hikasika ny fanandramana andavanandro i Paoly, fa
niezaka kosa hampiasa ny teny tsotra hitondra ao am-pon’ ny olona ireo
fahamarinana iankinan’ ny aina izy. Mety mahatonga fahatalanjonana izany
fahamarinana, aseho amin’ ny angolan-kevitra izany, nefa matetika no tsy
mitondra ny hanina ilaina hampahery sy hampaha-tanjaka ny mpino amin’ ny ady
amin’ ny fiainana ny fahamarinana aseho amin’ izany fomba izany. Ny zavatra
avy hatrany dia ilain’ ny fanahy mitolona sy ny fitsapana mihatra aminy
ankehitriny dia tsy maintsy atrehina amin’ ny “fampianarana azo antoka sy azo
ampiharina ny amin’ ireo foto-kevitra iorenan’ ny fivavahana kristiana.
Tsy hoe tsy nisy vokany tsy akory ny ezaka nataon’ i Paoly tao Korinto.
Betsaka no niala tamin’ ny fivavahana tamin’ ny sampy ka nanompo an’
Andriamanitra velona. Koa nisy fiangonana lehibe niditra ho eo ambanin’ ny
fanevan’ i Kristy. Nisy voavonjy avy tamin’ ireo sarotra entina indrindra teo
amin’ ny Jentilisa, ka nanjary tsangambato vavolombelon’ ny famindrampon’
Andriamanitra sy ny fahazoan’ ny ran’ i Kristy manadio ho afaka amin’ ny
fahotana. Nanainga ny Jiosy tsy mpino ho amin’ ny fanoherana hentitra kokoa
ny fahombiazan’ i Paoly nitombo hatrany teo amin’ ny fanehoana an’ i Kristy.
Niray hina izy ireo ka «niray tetika hisambotra an’ i Paoly, ary nitondra azy
nankeo amin’ ny fitsaran’ i Galio, izay gevernora tany Akaia. Nanantena izy ireo
fa ho tahaka ny teo aloha, ka hiandany aminy ireo manam-pahefana; koa
niantsoantso sy tezitra izy nitondra fitarainana ny amin’ ny apostoly hoe: «Ilehio
mampanaiky ny olona hivavaka amin’ Andriamanitra, nefa tsy araka ny lalàna».
Teo ambanin’ ny fiarovan’ ny fahefana Romana ny fivavahana Jiosy ary
nihevitra ireo mpiampanga an’ i Paoly fa raha azony atao ny manamafy ny
fiampangana azy. ho mandika ny lalàn’ ny fivavahany, dia ho azo antoka fa
hoentina hotsaraina sy homelohina
9) Galatiana 2 : 20

220
izy. Nananlena izy tamin’ izany fa hahatonga ny fahafatesany. Nefa olo-marina i
Galio ka nandà ny hiray tetika tamin’ ny Jiosy be fialonana sy fiokoana.
Nahatsiravina azy ny fitiavam-bavaka diso toerana nasehon’ ireo sy ny fitiavan-
tenany, ka tsy noraharahainy ny fiampangana an’ i Paoly. Raha niomana ny hiaro
tena i Paoly, dia nilaza taminy i Galio fa tsy ilaina izany. Dia nitodika tamin’
ireo mpiampanga azy tezitra izy ka nanao hoe: «Ry Jiosy, raha misy heloka, na
zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo aho; fa raha ady hevitra
sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara
izany raharaha izany, ary nandroaka azy hiala teo anoloan’ ny fitsarana izy ».
Samy niandry fatratra ny fanapahan-kevitr’ i Galio ny Jiosy sy ny Grika.
Tamin’ ny fandavany avy hatrany ny momba an’ i Paoly, dia nampiseho i Galio
fa tsy mahaliana azy io toe-javatra io. Famantarana ho an’ ireo Jiosy izany fa
tokony hisintona izy, sady very hevitra no tezitra. Nanokatra ny mason’ ireto
vahoaka nihorakoraka izay namporisika ny Jiosy ny fihetsika hentitra nasehon’
ny governora. Sambany tamin’ ny asa nataon’ i Paoly tany Eoropa, no niandany
taminy ny vahoaka; teo ambanin’ ny mason’ ny governora mihitsy, nefa tsy nisy
fidirana an-tsehatra avy aminy, no nanafihan’ ny vahoaka tamin-kerisetra ireo
niavaka indrindra tamin’ny mpiampanga ny apostoly; «Ary izy rehetra
nisambotra an’ i Sostena, mpanapaka ny synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan’
ny fitsarana. Nefa tsy nahoan’ i Galio izany zavatra izany». Toy izanv
no nahazoan’ ny fivavahana kristiana fandresena miezinezina.
«Ary Paoly mbola nitoetra teo andro maromaro ihany». Raha voatery niala
tao Korinto ny apostoly tamin’ io fotoana io dia ho toerana nampidi-doza no nisy
ireo vao niova fo ho amin’ ny finoana an’ i Jesosy. Ho niezaka ny hampitohy ny
tombontsoa azony ny Jiosy, eny, na dia hamongorany ny fivavahana Kristiana ao
amin’ io faritra io aza izany.

221
25

Ireo taratasy
ho an’ny Tesaloniana

Nandritra ny nipetrahan’ i Paoly tany Korinto, dia nahafaly dia nahafaly


azy tokoa ny fahatongavan’ i Silasy sy Timoty avy tany Makedonia. Nitondra
«vaovao mahafaly» ny amin’ny «finoana sy ny fitiavan’» ireo izay nanaiky ny
fahamarinana tamin’ny dia voalohany nataon’ ireo mphondra hafatry ny
filazantsara tany Tesalonika izy ireo. Naneho fitiavana sy firaisam-po tamin’ ireo
mpino, izay nijanona ho mahatoky tamin’ ny fahamarinana teo anivon’ ny
fitsapana sy ny fahoriana i Paoly. Niriny mafy raha ny tenany mihitsy no
hamangy azy ireo, nefa satria tsy azo natao izany tamin’ izay, dia nanoratra ho
azy izy.
Naneho ny fankasitrahany an’ Andriamanitra ny apostoly tao amin’ ity
taratasy ho an’ ny fiangonana ity, noho ireo vaovao mahafaly milaza ny
fitomboan’ ny finoany; «Ry rahalahy, hoy izy nanoratra, dia nampionbna anay
teo amin’ ny fahaterenay sy ny fahorianay rehetra ny finoanareo; fa ankehitriny
velona izahay, raha tomoetra tsara ao amin’ ny Tompo hianareo. Fa manao
ahoana no saotra azonay havaly an’ Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana
rehetra izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan’ Andriamanitray, amin’ ny
fangatahanay fatratra andro aman-alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka ny
tsy ampy amin’ ny finoanareo?»

Mifototra amin’ ny Epistily ho an’ nv Tèsaloniana ity toko ity.


223
«Misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka
manonona anareo amin’ ny fivavahanay, sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny
asanareo amin’ ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ ny fitiavana sy ny
faharetanareo amin’ ny fanantenana an’ i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason’
Andriamanitra Raintsika ».
Betsaka ireo mpino tany Tesaionika no «niala tamin’ ny sampy mba
hanompo an’ Andriamanitra velona sy marina». «Nandray ny teny tamin’ ny
fahoriana be » izy; ary feno ny « hafaliana avy amin’ ny Fanahy Masina» ny fony.
Nilaza ny apostoly fa «tonga fianarana ho an’ ny mino rehetra any Makedonia sy
Akaia» izy raha ny fahatokiany teo amin’ ny fanarahana ny Tpmpo. Tsy hoe
tsy mendrika ireo teny fiderana ireo, satria, hoy izy, «fa avy taminareo no
nanenoan’ ny tenin’ ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny
tontolo eny no nielezan’ ny lazan’ ny finoanareo an’ Andriamanitra».
Tena misionera marina ireo mpino tao Tesaionika. Nirehitry ny hafanam-
po ho an’ ny Mpamonjy ny fony, dia Ilay nanafaka azy tamin’ ny tahotra «ny
fahatezerana ho avy». Noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia nisy fahazavana
mahagaga teo amin’ ny fiainany, ary narahin-kery ny tenin’ ny Tompo nambara
tamin’ ny alalany. Nisy fo azo tamin’ ny fahamarinana naseho, ary nisy, fanahy
maro nanampy ny isan’ ny mpino.
Nilaza ny amin’ ny fomba fiasany teo amin’ ny Tesaloniana i Paoly ao
amin’ ity epistily voalohany ity. Nambarany fa tsy mitady ny hahazo olona niova
fo tamin’ ny alalan’ ny fitaka ha ny hafetsena izy. «Fa tahaka ny nankasitrahan’
Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka
izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin’ olona, fa amin’
Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay. Fa tsy nanao teny mandrobo akory
izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsara-
velatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona); ary tsy nitady
voninahitra tamin’ olona izahay, na taminareo, na tamin’ny sasany, na dia nanam-
pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay maha Apostolin’ i Kristy anay.
Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany
naterany, dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra,
hanome anareo, tsy ny fîlazantsaran’ Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa
aza, satria efa nialalanay hianareo.

224
»Hianareo no vavolombelona, hoy izy nanohy ihany, ary Andriamanitra
koa, fa masina sy marina ary tsy manan-tsiny tokoa ny fiitondrantenanay teo
imasonareo izay mino, toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin’ ny zanaka no
namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy
anareo, mba handehananareo miendrika an’ Andriamanitra, Izay miantso anareo
ho amin’ ny fanjakany sy ny voninahiny.
»Ary noho izany izahay koa dia tsy initsahatra misaotra an’ Andriamanitra,
satria rehefa nandray ny tenin’ Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy
noraisinareo ho tenin’ olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’ Andriamanitra,
izay miasa ao anatinareo izay mino koa... Fa inona moa no fanantenanay, na
fifalianay, na satroboninahitra reharehanay? Moa tsy hianareo eo anatrehan’ i
Jesosy Tompontsika amin’ ny fihaviany va? Fa hianareo no voninahitray sy
fifalianay».
Ao amin’ ny epistily voalohany ho an’ny mpino tany Tesalonika, dia
niezaka hampianatra azy ireo ny momba ny tena toetry ny maty i Paoly. Lazainy
fa matory ny maty — tsy mahatsiaro-saina «Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry
rahalahy, ny amin’ izay nodimandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny
sasany izay tsy manana fanantenana. Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady
efa nitsangana indray, dia toy izany koa no itondran’ Andriamanitra izay efa nodi-
mandry tao amin’ i Jesosy hiaraka aminy. Fa izao no lazainay aminareo amin’ ny
tenin’ ny Tompo; isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ ny
Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. Fa ny tenan’ ny
Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny
arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty ao amin’ i Kristy no
hitsangana aloha: ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra
no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ ny rahona hitsena ny Tompo any amin’
ny habakabaka; dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika ».
Efa notazonin’ ny Tesaloniana tamin-kafanam-po ny hevitra milaza fa ho
avy Kristy hanova ny velona mahatoky, ary hitondra azy ho any Aminy.
Notandremany fatratra anefa ny ain’ ny sakaizany, sao maty izy ka very ny
fitahiana izay banjininy ho azo amin’ ny fiavian’ ny Tompony. Nefa nifandimby
lasa tsy teo aminy intsony ireo malalany, ka nitebiteby ny Tesaloniana nijery
farany ny endrik’ ireo olony maty, ary saika tsy sahy nanantena akory ny hihaona
aminy any amin’ ny fiainana ho avy.
15 - Vavolombelona Mahery
225
Rehefa nosokafana sy novakina ny epistilin’ i Paoly, dia fifaliambe sy
fampiononana ho an’ ny fiangonana no nentin’ ireo teny manambara ny tena
toetiy ny maty. Nasehon’ i Paoly fa tsy hitsena ny Tompo alohan’ ireo matory ao
amin’ i Jesosy ny velona rehefa hiverina Kristy. Ho ren’ izay matory ny feon’ ny
ArikanjeJy sy ny trompetran’ Andriamanitra, ka ny maty ao amin’ i Kristy no
hitsangana aloha, alohan’ ny hanomezana ny tsy fahafatesana ho an’ ny velona.
« Ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina
hiaraka aminy ho eny amin’ ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ ny
habakabaka; dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika. Koa dia
mifampionona hianareo amin’ izany teny izanv «
Tsy tsapantsika firy ny fanantenana sy ny fifaliana izay nentin’io toky io
tamin’ ilay fiangonana tanora tao Tesalonika. Ninoany sy nankafiziny ny taratasy
nampahery nalefan’ ny rainy ao amin’ ny filazantsara ho azy, ka nanjary feno
fitiavana azy ny fony. Efa nambarany taminy ireo zavatra ireo taloha, nefa tamin’
izany fotoana izany, ny sainy dia niezaka ny handray fampianarana toa vaovao
sy hafahafa. Tsy mahagaga àry raha tsy latsaka lalina tao am-pony ny lanjan’ ny
foto-kevitra sasany. Noana ny fahamarinana anefa izy ireo, ka ho azy, ny
epistilin’ i Paoly dia nanome fanantenana sy hery vaovao, finoana mafy orina
kokoa sy fitiavana lalindalina kokoa ho an’ Ilay nitondra ny aina sy ny tsy
fahafatesana eo amin’ny mazava.
Ankehitriny dia faly izy amin’ ny fahalalaira fa hitsangana amin’ny maty
mba ho velona mandrakizay ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ireo mpino
sakaizany. Nisava nyhaizina nanaronany toerana fialan-tsasatry ny maty. Nisy
famirapiratana vaovao teo amin’ ny satroboninahitry ny finoana Kristiana, ary
hitany fa nisy voninahitra vaovao teo amin’ ny fiainan’ i Kristy sy ny fahafatesany
ary ny fitsanganany.
«Toy izany koa no hitondran’, Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao
amin’ i Jesosy hiaraka tàniny», hoy i Paoly. Betsaka no manazava io teny io ka
milaza fa lioentin’ i Kristy miaraka Aminy avy any an-danitra izay efa nodi-
mapdry; nefa izao no lazain’ i Paoly: tahaka ny nitsanganan’ i Kristy tarhin’ ny
maty, dia tahaka izany koa no hiantsoan’ Andriamanitra ireo izay efa nodi-
mandry hitsangana hivoaka ny fasany, ka hakarina hiaraka Aminy any an-danitra.
Fampiononana sarobidy loatra! fanantenana be voninahitra! tsy

226
ho an’ny fiangonana tao Tesalonika ihany, fa ho an’ ny Kristiana rehetra na aiza
na aiza misy azy.
Raha niasa tany Tesalonika i Paoly, dia novelariny manontolo ny momba
ireo famantarana amin’ ny andro farany, ka nambarany ireo toe-javatra hiseho
mialoha ny fiavian’ ny Zanak’ olona eo amin’ny rahon’ ny lanitra; tsy noheveriny
fa ilaina ny hanoratra betsaka mikasika io loha hevitra io. Na dia izany aza dia
nanondro mivantana ireo fampianarany teo aloha izy: « Fa ny amin’ ny andro sy
fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria
hianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ ny alina ny
andron’ ny Tompo. Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia
hanjo azy tampoka ny fandringanana.
Misy maro ankehitriny eo amin’ izao tontolo izao no manakimpy ny
masony tsy habita ireo porofo mazaya izay nomen’ i Kristy hampitandremana ny
olona ny amin’ ny fiaviany. Miezaka ny hampitony ny fanahiana rehetra izy, nefa
miaraka amin’ izany dia tanteraka haingana ireo famantarana ny farany, ary
mirimorimo ho any amin’ ny fotoana hisehoan’ ny Zanak’ olona eo amin’ ny
rahon’ ny lanitra izao tontolo izao-. Mampianatra i Paoly fa fahotana ny tsy
miraika amin’ ireo famantarana mialoha ny fiavian’ i Kristy fanindroany ireo.
Izay meloka amin’ io antsirambina io dia antsoiny hoe zanaky ny alina sy ny
haizina Mampahery ny olona miambina sy mitandrina izy amin’ ny alalan’ ireto
teny ireto: «Fa hianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ ny maizina, mba hahatratra
anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa hianareo rehetra dia zanaky
ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ ny alina na an’ ny maizina isika. Koa dia
aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena».
Zava-dehibe manokana ho an’ ny fiangonana amin’ izao andron-tsika izao
ny fampianaran’ ny apostoly mikasika izany zavatra izany. Ho an’ ireo izay
velona eo an-katok’ izao fahalevonana lehibe izao, dia tokony hambara amin-
kery ny tenin’ i Paoly manao hoe: «Fa satria an’ ny andro isika, dia aoka hahonon-
tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana
ny famonjena ho fiarovan-doha. Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’
ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy
Tompontsika, Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona àminy isika, na
mahatsiaro na matory».

227
Ny Kristiana miambina dia Kristiana miasa sy miezaka ny hampiasa amin-
kafanam-po izay rehetra eo amin’ ny heriny ho fampandrosoana ny filazantsara.
Tahaka ny fitombon’ ny fitiavany ny Mpanavotra azy, dia toy izany koa ny
fitiavany ny mpiara-belona aminy. Mandalo fitsapana mahamay tahaka ny
Tompony izy, nefa tsy avelany ahasorisorena ny fony na hanimba ny
fiadanan-tsainy ny alahelo. Fantany fa raha zakaina amin-kerim-po ny fitsapana,
dia hanamboatra sy hanadio azy, ka hitondra azy ho akaiky kokoa an' i Kristy.
Izay mandray anjara amin’ ny fahorian’ i Kristy dia handray anjara koa amin’ ny
fampiononany, ary amin’ny farany, amin’ ny voninahiny.
«Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, hoy i Paoly manohy ny
taratasiny ho an’ ny Tesaloniana, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo
sy mitondra anareo amin’ ny Tompo ary mananatra anareo, ary mba hohajainareo
indrindra amin’ ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara».
Nahasorena fatratra ireo mpino tany Tesalonika ny olona tonga teo aminy
nitondra hevitra sy fàmpianarana miborioka any amin’izay tsy izy. Misy «tsy
mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa miverivezy foana miraharaha ny an’ ny
olona». Efa nalamina tsara ny fiangonana ary nisy tompon’ anjara notendrena ho
mpitandrina sy diakona. Nisy sasany anefa, be sitrapo sy mahery fihetsika,
nandà ny hilefitra amin’ izay mitana toeram-pahefana ao amin’ ny fiangonana.
Tsy ny hanao fanakianana mangina ihany no zo notakiny, fa ny hitondra ny fomba
fijeriny eo amin’ ny fiangonana mihitsy. Teo anatrehan’ izany i Paoly dia
nisiritona ny sain’ ny Tesaloniana tamin’ ny fanajana sy ny fanomezam-
boninahitra tokony homena izay mitana toeram-pahefana ao amin’ ny
fiangonana.
Noho ny tebiteby ta habita ny mpino tany Tesalonika handeha eo amin’ ny
fahatahorana an’ Andriamanitra, dia nitalaho taminy ny apostoly mba
hampiharany ny toetra amam-panahy araka an’Andriamanitra eo amin’ ny
fiainany andavanandro.
«Mangataka aminareo, ry rahalahy, hoy izy nanoratra, sy mananatra
anareo ao amin’ i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay
izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’ Andriamanitra — dia
araka ny andehananareo ihany — no hitomboanareo bebe kokoa. Fa fantatrareo
ny didy nomenay anareo avy tamin’ i Jesosy Tompo. Fa izao no sitrapon’
228
Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana ...
Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ ny fahalotoana fa amin’ ny
fahamasinana ».
Tsapan’ ny apostoly fa lasa lavitra ny maha-tompon’ andraikitra azy ny
amin’ ny fahasalafnana ara-panahin’ ireo niova fo nandritra ny asany. Ny
faniriany ho azy dia ny hitomboany amin’ ny fahalalana Ilay hany Andriamanitra
marina, sy Jesosy Kristy, izay nirahiny. Teo amin’ ny asany dia matetika izy no
nihaona tamin’ ny antokon’ olona vitsy, lehilahy sy vehivavy izay tia an’ i Jesosy,
ka niara-niondrika nivavaka taminy, nangataka an’ Andriamanitra hampianatra
azy ny fomba ihazonana ny fifandraisana velona Aminy. Mazàna no nila hevitra
taminy izy hanontany ny fomba fizaràna tsara indrindra ny fahazavan’ ny
fahamarinana eo amin’ ny filazantsara amin’ ny hafa. Ary matetika koa izy,
rehefa tafasaraka tamin’ ireo niasany toy izany, no nitalaho tamin’ Andriamanitra
mba hiarovany azy ireo amin’ ny ratsy sy hanampiany azy ho tonga
misionary mafana fo sy mazoto.
Ny anankiray amin’ ny porofo matanjaka indrindra ny amin’ ny fiovam-
po marina dia ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olona. Izay manaiky an’ i
Jesosy ho Mpanavotra ny tenany dia manàm-pitiavana lalina sy mhrina ho an’ ny
hafa izay manana finoana sarobidy tahaka izany koa. Toy izany ireo mpino tany
Tesalonika. «Fa ny amin’ ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy, hoy ny apostoly
nanoratra, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia
ampianarin’ Andriamanitra hifankatia. Fa manao izany ihany hianareo amin’ ny
rahalahy rehetra eran’ i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry
rahalahy, mba hitombo bebe kokoa, ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra sy
hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ ny tànanareo araka ny nandi-
dianay anareo, mba handehananareo amin’ izay fitondrantena maha-mendrika
amin’ ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory hianareo».
«Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ ny
fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa,
mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny ny amin’ ny fahamasinana eo
anatrehan’ Andriamanitra Raintsika amin’ ny fihavian’ i Jesosy Tompontsika
mbamin’ ny masiny rehetra».

229
«Ary mananatra anareo izahay, ry lahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara;
omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ ny olona
rehetra. Tandremo tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady
izay tsara, na amin’ ny namanareo na amin’ ny olona rehetra. Mifalia
mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin’ ny zavatra rehetra;
fa izany no sitrapon’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy ho anareo ».
Nananatra ny Tesaloniana tsy hanao tsinontsinona ny fanomezam-
pahasoavan’ ny faminaniana ny apostoly tamin’ ny alalan’ ny teny manao hoe;
«Aza mamono ny Fanahy. Aza manao tsinontsinona ny faminaniana. Fantaro ny
zavatra rehetra; hazôny mafy zay tsara». Nohizingizininy ny hisian’ ny fan av ah
an a mazava eo amin’ ny fampisarahana ny dise sy ny marina. Niangavy azy izy
«hifady ny fanao ratsy rehetra»; ary nofaranany ny taratasiny tamin’ ny vavaka
mba hanamasinan’ Andriamanitra azy manontolo manao hoe: «Aoka harovana
avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-
tsiny amin’ ny fihavian’ I Jesosy Kristy Tompontsika. Mahatoky Izay miantso
anareo, hoy indray izy, sady Izy ihany no hanefa izany».
Nifandrindra tanteraka tamin’ ny fampianarany teo aloha ny anatra
nalefan’ i Paoly ho an’ ny Tesaloniana tao amin’ ny epistily voalohany
nosoratany mikasika ny fiavian’ i Kristy fanindroany. Nefa diso fandray ny teniny
ny rahalahy Tesaloniana sasany. Noheveriny fa i Paoly dia nampiseho ny
fanantenany ho isan’ ireo velona, ka hanatri-maso ny fiavian’ ny Mpamonjy.
Nampitombo ny hafanam-pony sy. ny fifaliany io finoana io. Ireo izay nanao
antsirambina ny adidy aman’ andraikiny talohan’ izao, dia nitodika bebe kokoa
ankehitriny teo amin’ ny fanantitranterany ny fomba fijeriny diso.
Niezaka ny hanitsy ny fandraisana diso ny fampianarany i Paoly tao amin’
ny epistiliny faharoa, sy haneho azy ireo ny tena heviny marina. Nambarany
indray ny fitokiany ny toetrany mahatoky, sy ny fankasitrahany ny finoany
matanjaka, ny fitomboan’ ny fifankatiavany izy samy izy ary koa ny fitiavany
asan’ ny Tompony. Nolazainy taminy fa nasehony teo amin’ ny fiangonana
hafa izy ireo ho ohatry ny finoana maharitra sy feno fikirizana, izay mijoro amin-
kerim-po eo anatrehan’ ny fanenjehana sy ny zava-tsarotra, koa dia notarihiny ny
sainy ho any amin’ ny fotoanan’ ny

230
fiavian’ i Kristy fanindroany, rehefa hitsahatra amin’ ny ahiahy sy ny tebiteby ny
vahoakan’ Andriamanitra.
«Reharehan’ ny tenanay hianareo, hoy izy, eny amin’ ny fiangonan’
Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ ny fanenjehana
rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo ... ary ny hanome
fitsaharana anareo izay ampahoriana kosa mbamin’ ny tenanay, raha hiseho
Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ ny anjelin’ ny heriny, amin’ ny afo
midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’ Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny
filazantsaran’ i Jesosy Tompontsika, dia olona izay hiharan’ ny famaliana marina,
dia fahaverezana mandrakizay, avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo sy ny
voninahitry ny heriny. . . . Ary izany no hangatahinay mandrakariva ny aminareo,
mba hataon’ Andriamanitra ho miendrika ny fiantsoana hianareo, ary hotante-
rahiny amin’ ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan’ ny
finoana, mba hankalazaina ao aminareo ny anaran’ i Jesosy Tompon-
tsika, ary hianareo ao aininy kosa araka ny fahasoavan’ Andriamanitra sy Jesosy
Kristy Tompo».
Nefa- alohan’ ny fiavian’ i Kristy dia hisy zavatra miseho lehibe izay
nambaran’ ny faminaniana mialoha eo amin’ izao tontolo izao ara-pivavahana.
Hoy ny apostoly; «mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ ny saina na
hampitahorina hianareo, na amin’ ny fanahy, na amin’ ny teny, na amin' ny
epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron’ ny Tompo. Aza
mety hofitahin’ olona akory hianareo ; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga
aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ ota, dia ilay zanaky ny faha-
verezana, ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe
Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin’ ny tempolin’
Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra».
Tsy tokony ho diso ny fandraisana ny tenin’ i Paoly. Tsy tokony
hampianarina fa mampitandrina ny Tesaloniana ny amin’ ny fiavian’i Kristy
mananfomotra izy, tamin’ ny alalan’ ny fanambarana manokana. Hiteraka
fifangaroana eo amin’ ny finoan’ ny mpino ny hevitra toy izany; ny fahadisoam-
panantenana mantsy dia matetika mitarika amin’ ny tsy finoana. Noho izany dih
nampitandrina ny rahalahy ny apostoly mba tsy handray hafatra toy izany toy ny
avy aminy; dia nanomboka nanantitranfitra ny amin’ ny fahefana papaly
voalazan’ i Daniela mpaminany amin’ ny fomba mazava izy, izay

231
hitsangana sy hiady amin’ ny vahoakan’ Andriamanitra aloha. Mandra-
pahavitan’ io fahefana io ny asany mitondra fahafatesana sy fitenenan-dratsy an’
Andriamanitra, dia ho sasa-poana ny fiangonana hanantena ny fiavian’ ny
Tompo. «Tsy tsaroanareo va, hoy i Paoly nanontany, fa fony mbola teo aminareo
aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo? »
Mafy ireo fitsapana nianjady tamin’ ny fiangonan’ Andriamanitra marina.
Na dia tamin’ ny andro nanoratan’ ny apostoly aza dia efa nanomboka niasa «ny
zava-miafin’ ny tsi-fankatoavan-dalàna». Ny fitomboan’ ny zava-miseho amin’
ny ho avy dia « araka ny fiasan’ i Satana amin’ ny hery sy ny famantarana sy ny
fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana
amin’ izay ho very».
Manetriketrika loatra ny tenin’ i Paoly mikasika ireo izay mandà ny
handray ny « fitiavana ny fahamarinana!» « Koa izany, hoy izy mikasika izay
rehetra minia mitsipaka ireo hafatry ny fahamarinana, no ampanateran’
Andriamanitra fiàsan’ ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany lainga, mba
hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, ka nankasitraka ny tsy
marina».Tsy azon’ ny olona atao ny mitsipaka ny fampitandremana alefan’
Andriamanitra ho azy noho ny famindrampony, ka tsy ho voaheloka. Esorin’
Andriamanitra amin’ izay mikiry hiala amin’ ireny fampitandremana ireny
ny fanahiny, ka avelany eo amin’ ny fitaka izay tiany izy.
Toy izany no nanoritan’ i Paoly ny asa mitera-doza eo amin’ilay herin’ ny
ratsy izay hitohy mandritra ny' taonjato lava feno haizina sy fanenjehana alohan’
ny fiavian’ i Kristy fanindroany. Nanantena fanafahana avy hatrany ireo mpino
tao Tesalonika; nananatra azy i Paoly handray ny asa eo anatrehany amin-kerim-
po sy amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra. Nohafaran’ ny apostoly
izy tsy hanao antsirambina ny adidiny na hampEefitra ny tenany hitomoe-poana
eo am-piandrasana ny fiavian’ i Kristy. Rehefa nitazana ny fanafahana azy avy
hatrany tao anatin’ ny famirapiratana izy, dia toa indroa heny ny fahasorenany
amin’ ny fihodinkodinan’ ny fiainana andavanandro sy ny fanoherana tsy maintsy
setrainy. Noho izany dia nanarina izy hijoro tsara amin’ ny finoana:
«Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazôny ny fampianarana natolotra izay
nampianarina anareo, na tamin’ ny teninay, na

232
tamin’ ny epistilinay. Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra
Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy
fanantenana tsara amin’ ny fahasoavana, no hampionona ny fonareo anie sy
hampahery anareo amin’ ny asa sy ny teny tsara rehetra». «Fa mahatoky ny
Tompo, izay hampahely sy hiaro anareo tsy ho azon’ ny ratsy. Fa izahay matoky
anareo ao amin’ ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady
mbola hataonareo ihany koa. Ary ny Tompo anie hanitsy làlana ny fonareo ho
amin’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ho amin’ ny faharetan’ i Kristy ».
Andriamanitra no nanome ny asan’ ny mpino. Amin’ ny firaiketany amin’
ny fahamarinana amin’ ny fomba mahatoky no hanomezany ho an’ ny hafa ny
fahazavana izay efa noraisiny. Nibaiko azy tsy ho sasatra amin’ ny fanaovan-tsoa
ny apostoly, ary nasehony ny ohatry ny tenany teo amin’ ny fahazotoany raha
ny momba ny ara-nofo tamin’ izy niasa mafy sy nafana fo tsy nety sasatra teo
amin’ ny asan’ i Kristy. Nomeny tsiny izay nanolo-tena ho amin’ ny fahakamoana
sy ny fahataitairana tsy misy an tony, ka notoroany hevitra «mba hiasa tsara amin’
ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany». Namporisihiny koa ny fîangonana hisa-
raka amin’ izay rehetra mikiribiby hanao tsinontsinona ny baiko nomen’ ireo
mpitandrin’ Andriamanitra. «Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy'ny
rahalahy».
Faranan’ i Paoly amin’ ny vavaka koa ity epistily ity mba ho fiononana sy
ho fampaherezana ho azy ny fiadanan’ Andriamanitra sy ny fahasoavan’ i Kristy
Tompo eo anivon’ ny fandrika sy ny fitsapana eo amin’ ny fiainana.

233
26

Apolosy tany Korinto

Rehèfa niala tao Korinto i Paoly dia Efesosy no toerana manaraka niasany.
Teny an-dalana ho any Jerosalema izy mba hanatrika ny andro firavoravoana izay
efa nanakaiky, ka tsy maintsy ho fohy ny fotoana nijanonany tao Efesosy. Niady
hevitra tamin’ ny Jiosy tao amin’ ny synagoga izy, ary tsara indrindra ny zavatra
tsapan’ izy ireo taminy, hany ka niangavy azy izy hanohy ny asany
teo aminy. Nampitaredretra azy ny drafitra nataooy hitsidika an’ i Jerosalema,
nefa nampanantena azy ireo izy fa hiverina «raha sitrapon’ Andriamanitra».
Niaraka taminy tany Efesosy Akoila sy Prisila, dia navelany tao izy ireo hanohy
ny asa efa natortbony.
Tamin’ io fotoana io no «nisy Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay
teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin’ ny
Soratra Masina», tonga tany Efesosy. Efa nandre ny hafatr’ i Jaona Mpanao batisa
izy sy nandray ny batisan’ ny fibebahana, ary vavolombelona velona fa tsy very
maina tsy akory ny asan’ ny mpaminany. Ny filazana ao amin’ ny Soratra
Masina momba an’ i Apolosy dia milaza fa «efa nampianarina ny lalàn’ ny
Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin’ i
Jesosy, kanefa ny batisan’ i Jaona ihany no fantany».

Mifototra amin’ ny Asan’ ny Apostoly 18 : 18 - 28 ity toko ity.


235
Raha tany Efesosy i Apolosy dia «niteny tamin’ ny fahasahiana teo amin’
ny synagoga». Anisan’ ny mpihaino azy Akoila sy Prisila izay nahita fa tsy mbola
nandray ny fahazavana feno teo amin’ ny filazantsara izy, «dia nandray azy
hankeo aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ ny lalàn’
Andriamanitra». Tamin’ny alalan’ ny fampianaran’ ireo no nandraisany
fahalalana mazava kokoa ny Soratra Masina sy nahatonga azy ho anankirdy amin’
ny mpiaro kinga indrindra ny finoana kristiana.
Naniry ny handeha tany Akaia Apolosy, «dia namporisika azy ny rahalahy
sady nanoratra taratasy ho any amin’ ny mpianatra mba handray azy tsara» ho-
mpampianatra mifandrindra tanteraka amin’ ny fiangonan’ i Kristy. Nankany
Korinto izy ka niasa ho an’ ny besinimaro sy nitety tokantrano, dia «nahery
nandresy lahatra ny Jiosy teo imason’ ny olona ka naneho marimarina tamin’ ny
Soratra Masina fa Jesosy no Kristy». Namboly ny voan’ ny fahamarinana
i Paoly; Apolosy izao no manondraka azy. Ny fahombiazana hitan’ i Apolosy teo
amin’ ny fitoriana ny filazantsara dia nitarika ny mpino sasany hanandratra ny
asany ambony noho ny an’ i Paoly. Io fampitahana olombelona amin’ ny
olombelona io dia nampiditra toe-tsaina fiandaniana tao amin’ ny fiangonana, ary
loza mananon- tanona hanakana ny fandrosoan’ ny filazantsara.
Nandritra ny herintaona sy tapany nolanian’ i Paoly tany Korinto dia
niniany naseho teo amin’ ny fahatsorany ny filazan- tsara, «tsy tonga tamin’ ny
teny sy fahendrena marevaka» teo amin’ ny Koritiana izy fa «tamin’ ny
fahatahorana sy ny fangovitana be» sy «tamin’ ny fanehoan’ ny Fanahy sy ny
hery» no nanambarany ny «vavolombelon’ Andriamanitra», «mba tsy hiore-
nan’ ny finoanareo amin’ ny fahendren’ ny olona, fa amin’ ny herin’
Andriamanitra ihany »1.
Tsy maintsy narindran’ i Paoly tamin’ ny toetry ny fiangonana ny fomba
fampianarany. «Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo teny taminareo tahaka ny
amin’ izay araka ny Fanahy, fatahakany amin’izay mbola nofo, dia tahaka izay
mbola zaza ihany ao amin’i Kristy. Ronono no nomeko anareo fa tsy ventin-
kanina, satria tsy mbola natanjaka hianareo; eny, mbola tsy natanjaka mandraka
ankehitriny aza»2. Betsaka tamin’ ireo mpino Korintiana no votsa fandray ny
lesona niezahan’ i Paoly nampianarina azy. Tsy arakaraka

1) 1 Korintiana 2 : 1, 4, 5 2) 1 Korintiana 3 : 1, 2
236
ny tombontsoany sy ny fotoana mety nananany ny fandrosoany teo amin’ ny
fahalalana ara-panahy. Tokony ho lasa lavitra izy teo amin’ ny fanandramana
kristiana, ary tokony ho afaka hahatsapa sy hampihatra ireo fahamarinana
lalindalina kokoa ao amin’ ny teny, nefa teo amin’ ny toerana nisy ny mpianatra
izy fony Kristy niteny taminy hoe: « Mbola manana zavatra maro holazaina
aminareo Aho; nefa tsy zakanareo ankehitriny »3. Ny fialonana, ny fiahiahiana sy
ny fiampangana dia nanidy ny fon’ ny mpino korintiana maro tsy handray ny asa
feno ataon’ ny Fanahy Masina, izay «mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny
saina lalina izay an’ Andriamanitra aza»4. Na toy inona na toy inona mety ho
fahendreny eo amin’ ny fahalalana araka izao tontolo izao, dia zaza ihany izy eo
amin’ ny fahalalana an’ i Kristyo
Asan’ i Paoly ny nampianatra ny Korintiana momba ny fototra tsotran’ ny
finoana kristiana, dia ny abidia mihitsy. Voatery nampianatra azy toa an’ ireo tsy
nahalala ny fiasan’ ny herin’ Andriamanitra amin’ ny fo izy. Tamin’ izany
fotoana izany dia tsy afaka nahatakatra ireo zava-miafin’ ny famonjena izy, satria
«ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’
Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy
no hamantarana izany»5. Efa niezaka i Paoly hamafy ny voa, izay tsy maintsy
tondrahan’ ny hafa. Izay nandimby azy dia tsy maintsy mampandroso ny asa,
mianga eo-amin’ ny toerana namelany azy, ka manome fahazavana sy fahalalana
ara-panahy amin’ ny fotoany, araka izay mety ho zakan’ ny fiangonana.
Rehefa nandray ny asany tao Korinto ny apostoly, dia tsapany fa tsy
maintsy hitandrina fatratra izy hampiditra ireo fahamarinana lehibe tiany
hampianarina. Fantany fa teo amin’ ireo mpihaino azy dia nisy mpino nirehareha
tamin’ ny laha-kevitry ny olombelona, sy tamin’ ny fanehoana ireo rafi-
pivavahana sandoka. Jamba izy ireo ka niraparapa, nanantena ny hahita foto-
kevitra ao amin’ ny bokin’ ny zavaboary izay hanohitra ny ' zava-misy eo amin’
ny fiainana ara-panahy sy ara-pitondran-tena araka izay asehon’ ny Soratra
Masina. Fantatr’ i Paoly koa fa hiezaka ny mpaninintsiny hanohitra ny
fanazavana ataon’ ny Kristiana momba ny teny nambara, ka handray ny
filazantsaran’ i Kristy ho fanarabiana sy ho fihomehezan’ ny mpisalasala.

3) Jaona l6 : 12 4) 1 Korintiana 2 : 10 5) andininy 14

237
Raha niezaka ny hitarika fanahy eo am-pototry ny hazo fijaliana i Paoly
dia tsy sahy nanome tsiny mivantaha izay manao baranahiny eo amin’ ny ara-
pitondrantena, na nampiseho tamin’ izy ireo fa maharikoriko eo imason’
Andriamanitra masina ny fahotany. Nasehony teo anatrehany kosa ny tena zava-
kendren’ ny fiainana ary niezaka izy handatsaka ao an-tsainy ireo lesona nomen’
Ilay Andriamanitra mpampianatra. Raha nandray ireo lesona ireo izy,
dia hanandratra azy hiala amin’ ny toetra araka izao tontolo izao izany, sy hiala
amin’ ny fahotana ka handray ny fahadiovana sy ny fahamarinana.
Noantitranterin’ ny apostoly manokana ny toe panahy araka an’ Andriamanitra
sy ny fahamasinana iainana, izay tsy maintsy ho tratran’ izay heverina ho
mendrika hahazo toerana ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Niriny mafy ny
habita ny fahazavan’ ny filazantsaran’ i Kristy managorobaka ny haizina ao
an-tsainy, mba hahitany fa maharikoriko loatra eo imason’ Andriamanitra ny
fomba fiainany tsy madio. Noho izany, Kristy, ary Izy nohomboina tamin’ ny
hazo fijaliana, no navesa-danja teo amin’ ny fampianarana nataony teo aminy.
Niezaka izy nampiseho taminy fa ny zotom-pony lehibe indrindra eo amin’ ny
fianarana sy ny fifaliany lehibe indrindra dia tsy maintsy mikasika ny
fahamarinana mahagaga momba ny famonjena amin’ ny alalan’ ny fibebahana
amin’ Andriamanitra sy ny fmpana an’ i Jesosy Kristy Tompo.
Niala tamin’ ny fahazavan’ ny famonjena ny mpandalina hevi-tsaina,
satria mametraka ireo laha-kevitra hireharehany ho henatra izany; mandà ny
handray izany izay araka izao tontolo izao, satria hampisaraka azy amin’ ny
sampiny eto an-tany izany. Hitan’ i Paoly fa tsy maintsy mazava amin’ ny olona
ny toetra amam-panahin’ i Kristy vao afaka ho tia Azy na habita ny hazo fijaliana
amin’ ny mason’ ny finoana izy. Eo no tsy maintsy manomboka ny fianarana
izay ho siansa sy ho hiran’ ny voavotra mandritra ny mandrakizay. Ny fahazavan’
ny hazo fijaliana ihany no azo anombanana ny tena tombambidin’ ny fanahin’ ny
olombelona.
Manova ny fironana efa ao amin’ ny olona rahateo ny hery miasa manavao
ao amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra. Ho an’ ny saina ara-nofo dia tsy maha-
te hanana ny lanitra; tsy misy manintona ny fo ara-nofo sy tsy nohamasinina
amin’ io toerana madio sy masina io, ary raha azony atao ny miditra any dia tsy
habita na inona na inona mety ho tian’ ny tenany izy. Tsy maintsy milefitra amin’
ny fahasoavan’ i Kristy ireo fironana izay mifehy ny fo ara-nofo, vao
ho afaka hiditra ny lanitra sy hahita fifaliana amin’ ny fiaraha-

238
monina amin’ ireo anjely madio sy masina ny olombelona lavo. Rehefa maty ny
amin’ ny fahotana ny olona ka miaina amin’ ny fiainam-baovao ao amin’ i Kristy,
dia mameno ny fony ny fitiavan’Andriamanitra; hamasinina ny sainy; migoka eo
amin’ ny loharanon’ ny fifaliana sy ny fahalalana tsy mety ritra izy, ka
mamirapiratra eo amin’ ny lalany ny fahazavan’ ny andro maharitra mandrakizay,
fa miaraka aminy mandrakariva ny Fahazavan’ ny fiainana.
Niezaka nandatsaka tao an-tsain’ ireo rahalahiny Korintiana i Paoly fa izy
sy ireo mpiara-miasa taminy dia olona nirahin’ Andriamanitra ihany hampianatra
ny fahamarinana, fa samy niditra tao amin’ ny asa iray ihany izy rehetra, ary samy
niankina tamin’Andriamanitra, ho fahombiazana amin’ ny asany. Tsy araka ny
fandaharana nataon’ Andriamanitra ny adihevitra niseho tao amin’ ny fiangonana
mikasika izay azo lazaina hoe fahamendrehan’ ireo mpanompo samihafa, fa
vokatry ny fankamamiana ny toetry ny fo ara-nofo. «Fa raha hoy ny anankiray:
Izaho an’ i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an’ i Apolosy, moa tsy olona
ihany va hianareo? Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly?
mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny
nomen’ ny Tompo azy avy. Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra
no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa
Andriamanitra Izay mampitombo no izy »6
Paoly no voalohany nitory ny filazantsara tany Korinto sy nandamina ny
fiangonana tao. lo no asa napetraky ny Tompo taminy. Tatÿ aoriana, araka ny
fitarihana nataon’ Andriamanitra, dia nisy mpiasa hafa nentina, hijoro eo amin’
ny anjarany sy ny toerany. Tsy maintsy lemana ny voa voafafy, ary Apolosy no
hanao izany. Nandimby an’ i Paoly izy teo amin’ ny asany, hanome toro-marika
bebe kokoa, sy hanampy ny voa voafafy hitombo. Nahazo ny fon’ ny vahoaka
izy, nefa Andriamanitra no nampitombo. Tsy herin’ olombelona fa herin’
Andriamanitra no manova ny toetra amam-panahy. Tsy mahatonga ny voa haniry
na izay mamboly na izay mandena; miasa eo ambanin’ ny fitarihan’
Andriamanitra izy, amin’ ny maha-mpiasa notendreny azy, miara-miasa Aminy
eo amin’ny asany. An’ ny Tompon’ ny asa ny haja sy ny voninahitra vokatry
ny fahombiazana.

6) 1 Kor. 3 : 4 - 7

239
Tsy manana fanomezam-pahasoavana mitovy ny mpanompon’
Andriamanitra, nefa samy mpiasany avokoa izy rehetra. Samy tokony hianatra
amin’ Ilay Mpampianatra lehibe ny tsirairay, ary samy hizara izay nianarany.
Samy nomen’ Andriamanitra asa manokana ny tsirairay: Samy hafa ny
fanomezam-pahasoavana, nefa tokony hisy firindrana eo amin’ ny fifangaroan’
ny mpiasa rehetra, fehezin’ ny hery miasa mangina izay manamasina avy amin’
ny Fanahy Masina. Raha mampahafantatra ny filazantsaran’ ny famonjena izy
ireo, dia maro no ho resy lahatra sy ho voaovan’ ny herin’ Andriamanitra. Voafina
miaraka amin’ i Kristy ao amin’ Andriamanitra ny olombelona natao fiasana, ka
Kristy no miseho amin’ ny maha-mpifehy ambony ind'rindra Azy amin’ ireo
vahoaka an’ aliny maro, dia Ilay hany mendrika hanokanana ny fitiavana rehetra.
« Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mandena; nefa samy handray izay
valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy. Fa mpiara-miasa amin’ Andriamanitra
izahay; ary sahan’ Andriamanitra sy trano arafitr’ Andriamanitra hianareo»7.
Mampitaha ny fiangonana amin’ ny saha fambolena ny apostoly eo amin’
ity toko sy andininy ity, saha izay hiasan’ ny mpamboly, mikarakara ny
tanimboaloboky ny Tompony; nisy koa trano narafitra ho an’ i Jéhovah.
Andriamanitra no Lehiben’ ny Mpiasa, ary nomeny anjara asa ny tsirairay avy
amin’ ireo mpiara-miasa aminy. Samy tokony hiasa eo ambanin’ ny fanarahany
maso ny rehetra, ka mamela Azy hiasa ho an’ ny mpiasany sy amin’ ny alalany.
Omeny azy ny talenta hahatonga azy ho mahay sy havanana, ary raha mihaino ny
toro-marika avy Aminy izy, dia hosatrohiny voninahitra sy fahombiazana ny
ezaka nataony.
Tokony hiara-miasa amim-pirindrana sy amim-pitiavana ao anatin’ ny
fifanajana sy ny filaminana ny mpanompon’ Andriamanitra, «mitariha lalana
amin’ ny fifanomezam-boninahitra»8. Tsy tokony hisy fanakianana tsy amim-
pitiavàna sy fanapotehana ny asan’ ny hafa; ary tsy tokony hisy fitokotokoana.
Samy manana ny asany manokana ny olona tsirairay izay nanankinan’ ny Tompo
hafatra, ary samy manana ny maha-izy azy manokana izay tsy tokony ho takona
ao amin’ ny maha-izy ny olon-kafa. Nefa samy tokony hanao asa mirindra
miaraka amin’ ny rahalahiny avy ny tsirairay avy. Tokony ho tena iray ny
mpiasan’ Andriamanitra eo amin’ ny asa fanompoana ataony. Tsy misy tokony
hametraka ny tenany

7) andininy 8, 9 8) Romana l2 : 10
240
ho ohatra, ka hanao teny tsy misy fanajana ny mpiara-miasa aminy na hihevitra
azy ho ambany kokoa. Eo ambanin’ ny fijerin’ Andriamanitra dia samy tokony
hanao ny asa nanendrena azy ny tsirairay, ka mba hahatsapa fa hajain’ ny mpiara-
miasa aminy, tiany sy ampahereziny. Tokony hiaraka hampandroso ny asa
hatramin’ ny faha-fenoany izy.
Antitranterin’ i Paoly ao amin’ ny taratasy voalohany ho an’ ny fiangonana
Korintiana ireo foto-kevitra ireo. Milaza ny amin’ ny «mpanompon’ i Kristy» ny
apostoly izay «nampitandrina ny zava-miafina, izay an’ Andriamanitra » ary hoy
izy ny amin’ ny asany: «Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina dia
tokony ho olona mahatoky. Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana,
na hotsarainareo aho, na hotsarain’ olona; fa ny tenako aza tsy mitsara ahy. Fa tsy
hitako izay tsiniko, tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no mpitsara ahy; koa
amin’ izany asa mitsara na inona na inona alohan’ ny fotoana, dia ny fihavian’ ny
Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ ny maizina ka hampiseho
ny fikasan’ ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin’Andriamanitra izy
rehetra»9.
“Tsy nomena ny olombelona ny hitsara ireo mpanompon’Andriamanitra
samihafa. Jéhovah irery no mpitsara hy asan’ ny olona, ary hanome ny tsirairay
ny valin’ asa antonona azy Izy.
Tohizan’ ny apostoly ny teniny ka ny mikasika mivantana ireo
fampitahana natao tamin’ ny asany sy ny an’ i Apolosy no lazainy. «Ary izany
zavatra izany, ry rahalahy, nataoko oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny
aminareo, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho ny voasoratra, mba tsy
hisy hireharehanareo hanka- laza ny anankiray, fa haneyateva liy anankiray kosa.
Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao?
Fa raha nandray ihany hianao? nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?»10
Nasehon’ i Paoly mazava teo anatrehan’ ny fiangonana ireo loza sy ireo
zava-tsarotra izay niaretany niaraka tamin’ ireo mpiara-miasa taminy teo amin’
ny fanompoana an’ i Kristy. «Mandraka ankehitriny izao dia noana sy
mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-
ponenana izahay; ary

9) 1 Korintiana 4 : 1 - 5 10) Romana l2 : 10


16 — Vavolombelona Mahery
241
misasatra miasa amin’ ny tànanay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra,
raha enjehina, dia miaritra; raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa;
atao toy ny faditr’ izao tontolo izao izahay, dia faikan’ ny olona rehetra, mandraka
ankehitriny. Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany,
fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho. Fa na dia manana
mpampianatra iray alina ao amin’ i Kristy aza hianareo, dia tsy maro ray hianareo;
fa izaho no niteraka anareo ao amin’ i Kristy Jesosy tamin’ ny filazantsara »11.
Ilay naniraka ny mpiasan’ ny filazantsara ho ambasadaorony dia afa-
baraka, rehefa misy amin’ ireo mpino manana firaiketam-po lalina indrindra
amin’ ny mpitandrina anankiray ankasitrahana manokana, hany ka misy tsy
faharisihana hanaiky ny asan’ ny mpampianatra hafa. Mandefa fanampiana amin’
ny vahoakany ny Tompo, tsy araka izay fidin’ izy ireo mandrakariva, fa araka
izay ilainy; fohy mantsy ny fisainan’ ny olona ary tsy afaka mahita izay
tena mahasoa azy indrindra izy. Zavatra saro-tadiavina izany hoe mpitandrina
iray manana ny toetra ilaina rehetra hahatanteraka ny fiangonana eo amin’ izay
rehetra fitakian’ ny fivavahana kristiana noho izany, matetika Andriamanitra dia
mandefa mpitandrina hafa ho azy, ka ny tsirairay avy amin’ ireo dia samy manana
toetra izay banga eo amin’ ny hafa.
Tokony hoeken’ ny fiangonana sy hankasitrahany ireny mpanompon’ i
Kristy ireny, tahaka ny ho fanekeny ny Tompo mihitsy. Tokony hiezaka izy
hisintona ny tombon-tsoa rehetra mety ho azo izay azon’ ny mpitandrina tsirairay
omena azy avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Tokony hoekena sy
hankasitrahana amim-pahalemem-panahy sy amim-panetren-tena ireo
fahamarinana entin’ny mpanompon’ Andriamanitra, fa tsy misy mpitandrina
tokony hatsangana ho sampy.
Amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ i Kristy dia atao ho mpitonara hafatry ny
fahazavana sy ny fitahiana ny mpitandrina eo amin’ ny asan’ Andriamanitra.
Raha mahazo ny fanosoran’ ny. Fanahy Masina amin’ ny alalan’ ny fivavahana
ikirizana izy, ka màndroso mitondra ny enta-mavesatry ny famonjem-panahy ny
fony feno hafanam-po hampitatra ny fandresen’ ny filazantsara, dia-hahita ny
vokatra ny asa mafy ataony izy. Raha minia manda ny hidera ny fahendren’
olombelona na hanandratra ny «izaho» izy, dia hahavita asa izay

11) I Kor. 4 : 11 - 15
242
hahatohitra ny tanafihan’ i Satana. Maro ny fanahy no Hiodina hiala amin’ ny
maizina ka hitodika amin’ ny mazava, ary maro ny fiangonana hatsangana. Nisy
olona voaova fo, tsy ho an’ ny olombe- lona natao fiasana, fa ho an’ i Kristy. Ho
voatahiry eo amin’ ny laharana aoriana ny «izaho»; Jesosy irery, Ilay Lehilahin’
i Kalvary, no hiseho.
Izay miasa ho an’ i Kristy ankehitriny dia afaka haneho ireo toetra kanto
indrindra mampiavaka an’ ireo nitory ny filazantsara tamin’ ny andron’ ny
apostoly. Ankehitriny dia vonona Andriamanitra hanome hery ny mpanompony
tahaka ny fony Izÿ nanome hery an’ i Paoly sy Petera, Jakoba ary Jaona.
Tamin’ ny andron’ ireo apostoly ireo dia nisy olona voatarika ho amin’ ny
lalan-diso, ka nihambo ho mino an’ i Kristy, nefa nandà ny haneho fanajana ireo
ambasadaorony. Nilaza izy fa tsy nanaraka olombelona mpampianatra, fa
nampianarin’ i Kristy mivantana tsy nisy fanampian’ ny mpitandrina mitory ny
filazantsara. Nanana toe-tsaina tsy niankina sy tsy nanaiky ny hilefitra tamin’ ny
feon’ ny fiangonana izy. Ny olona toy izany dia tandindomin-doza be ho
voafitaka.
Izay napetrak’ Andriamanitra ao amin’ ny fiangonana ka notendreny ho
mpanampy Azy dia olona manana talenta samihafa, ka tamin’ ny alalan’ny
fitambaran’ ny fahendren’ ny maro no nahazoana nandray ny Fanahy Masina. Ny
olona izay miasa araka ny toetrany hita soritra mazava, ka mandà ny hiray zioga
amin’ ny hafa izay efa manana fanandramana lava ny amin’ ny asan’ Andria-
manitra, dia ho jamban’ ny fahatokian-tenany, ka tsy afaka hanavaka ny marina
sy ny diso. Tsy tsara ny hifidianana olona toy izany ho mpitarika ao amin’ ny
fiangonana; hanaraka ny hevitry ny tenany sy ny drafitra nataony izy, ary tsy
hijery ny hevitry ny rahalahiny. Mora ho an’ ny fahavalo ny miasa amin’ ny
alalan’ ny olona izay mbola mila toro hevitra isaky ny mandingana, kanefa
mandray ho andraikitra ny fitandremana ny fanahy amin’ ny alalan’ ny herin’ nv
tenany, nefa tsy nianatra ny fanetren-tenan’ i Kristy
Tsy ampy ho mpitarika azo antoka eo amin’ ny adidy ny hevitra azo avy
amin’ ny fientanam-po fotsiny. Mandresy lahatra matetika ny olona ny fahavalo
fa Andriamanitra no mitarika azy, nefa ny tena marina dia fihetseham-pon’
olombelona ihany no arahiny. Nefa raha mitandrina fatratra isika, ka mandray
torokevitra amin’ ny rahalahintsika, dia homena antsika ny fahafantaraira ny
sitrapon’
243
ny Tompo; hoy mantsy ny teny fikasana hoe: «Mitarika ny mpandefitra amin’ ny
marina Izy ary mampianatra ny mpandefitra ny làlany»12.
Tao amin’ ny fiangonana Kristiana voalohany dia nisy nandà tsy hanaiky
an’ i Paoly na an’ i Apolosy, fa nitana an’ i Petera ho mpitarika azy kosa.
Antitranteriny fa i Petera no akaiky an’ i Kristy indrindra fony tetÿ ambonin’ ny
tany ny Tompo, fa i Paoly kosa nanenjika ny mpino. Voafatotry ny hevitra
nibahana tao am-pony ny fomba fijeriny sy ny fihetseham-pony. Tsy nasehony
ny fahalalahan-tsaina, ny fahalalahan-tanana, ny halemem-panahy izay
manambara fa mitoetra ao am-pony Kristy.
Nisy loza nananontanona, satria mety hiteraka ratsy lehibe ho an’ ny
fiangonana kristiana io toe-tsaim-piandaniana io. Koa nomen’ ny Tompo baiko i
Paoly hanao teny fampitandremana mafana sy manetriketrika; Ireo izay milaza
hoe: «Izaho an’ i Paoly, na: izaho an’ i Apolosy, na: izaho an’ i Kefasy, na izaho
an’ i Kristy», dia anontanian’ ny apostoly hoe: « Voazarazara va Kristy? Paoly
va no voahombo tamin’ ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin’ ny anaran’
i Paoly no nanaovam-batisa anareo?». « Ka dia aza misy manao olona ho
reharehany, hoy ny fiangaviany; fa anareo ny zavatra rehetra; na Paoly, na
Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny
zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany; ary
hianareo an’ i Kristy ary Kristy an’ Andriamanitra »13.
Nifandrindra tanteraka ny fiainan’ i Paoly sy Apolosy. Diso fanantenana
sy nalahelo Apolosy noho ny ady tao amin’ ny fiangonana tao Korinto; tsy
nandraisany tombony ny fitiavana manokana naseho azy, ary tsy namporisika an’
izany koa izy, fa nialany haingana ny saha nisian’ ny ady. Taty aoriana rehefa
namporisika azy hitsidika indray an’ i Korinto i Paoly, dia nandà izy, ary tsy
niverina niasa tao intsony raha tsy ela be tatÿ aoriana, rehefa nahatratra faritra
ara-panahy tsara kokoa ny fiangonana.

12) Sal. 25 : 9
13) 1 Kor. 1 ; 12, 13 ; 3 : 21 - 23

244
27

Tany Efesosy

Raha mbola tany Korinto i Apolosy, dia niverina tany Efesosy kosa ny
Apostoly Paoly, araka ny nampanantenainy rahateo. Niato kely andro vitsivitsy
tao Jerosalema izy vao nankany Antiokia, sa tria tany no nanaovany asa fitoriana
voalohany indrindra. Avy tany izy dia namakivaky an’ i Asia Minora, «dia lasa
nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra»1.
Tamin’izany no namangiany ny fiangonana izay efa natsangany ka nampa-
herezany ny finoan’ ny kristiana.
Fantatra ho faritany Romana ny ilany andrefana tamin’ i Asia Minora
tamin’ ny andron’ ny apostoly. Ary Efesosy, izay foibe nandrosoan’ ny varotra,
no renivohitra. Nifamoivoy tao amin’ ny seranany ireo sambo maro avy tamin’
ny faritra samihafa, ary nameno ny arabeny ny vahoaka avy tamin’ ny Firenena
maro. Tanàna nantenaina hahavokaran’ ny asa fitoriana tahaka an’ i Korinto koa
i Efesosy.
Samy niandry ny hiavian’ ny Mesia ny Jiosy niely patrana tany amin’ ny
tany rehetra. Ka rehefa nitoriteny i Jaona Mpanao batisa dia maro tamin’ ireo izay
nankany Jerosalema mba hanatrika ny fety fanao isan-taona, no tonga nihaino azy
teo amoron’ ny ony Jordana. Teo no nandrenesany fa Jesosy no Mesia
nampanantenaina, ka naely eran’ izao tontolo izao izany vaovao izany. Toy izany
no nanomanan’Andriamanitra lalana hiasan’ ny apostoly.

Mifototra amin’ ny Asa 19 : 1 - 20 ity toko ity.


1) Asa 18 : 23
245
Raha tonga tao Efesosy i Paoly dia nahita roa ambin’ ny folo lahy izay
mpianatr’ i Jaona Mpanao batisa tahaka an’ i Apolosy, ka nandray fahalalana
sasantsasany momba ny asan’ i Kristy taminy, tahaka an’ i Apolosy ihany koa.
Tsy mba nanana ny fahaiza-mandaha-teny tahaka an’ i Apolosy akory izy, kanefa
kosa nentanin’ ny finoana sy ny hafanampo nananany, ka niezaka hampiely ny
fahalalana voarainy. Tsy nahafantatra na inona na inona ny amin’ ny asan’ ny
Fanahy Masina ireo olona ireo. Ka rehefa nanontanian’ i Paoly izy raha efa
nandray ny Fanahy Masina, dia namaly hoe; «Tsy renay akory fa efa nomena ny
Fanahy Masina». Dia mbola nanontany ihany i Paoly nanao hoe; « Ho amin’
inona ary no nanaovana batisa anareo?» Diahoy izy; «Ho amin’ ny batisan’ i
Jaona».
Tamin’ izay àry dia novelabelarin’ i Paoly taminy ireo fahamarinana lehibe
iorenan’ ny fanantenana kristiana. Noresahiny taminy ny amin’ ny fîainan’ i
Kristy teto an-tany sy sy ny amin’ ny namonoana Azy tamin’ ny fomba feno
hasiahtma sy fanalam-baraka. Notantarainy taminy ny nivoahan’ Ilay Andrianan’
ny fiainana tamim-pandresena avy tao amin’ ny fasana, tamin’ ny nitsanganany
tamin’ ny maty. Nampahatsiaroviny azy ny andraikitra natolotr’ i Kristy ny
mpianany hoe; « Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-
tany; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny Firenena rehetra, manao
batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina»2.
Nampahafantariity azy ny teny fikasan’ i Kristy haniraka ho eo aminy ny
Mpananatra, izay hanomè azy fahefana hanao famantarana sy fahagagana; dia
nohazavainy taminy tamin’ ny fomba mahatalanjona ny nahatanterahan’ io teny
fikasana io tamin’ ny andro Pentekosta.
Nahaliana fatratra ny mpianatra tokoa izany tenin’ ny apostoly Paoly
izany, ka nohenoiny tamim-pifaliana sy tamim-pankasitrahana ary tamim
pitalanjonana. Noraisiny tamim-pinoana ny fahamarinana mahagaga momba ny
nanateran’ i Kristy ny tenany ho fanavotana ny mpanota, ka nekeny ho
Mpanavotra ny tenany Izy. Dia natao batisa tamin’ ny anaran’ i Jesosy izy, ary
rehefa «nametrahan’ i Paoly tànana izy» dia nandray ny batisan’ ny Fanahy
Masina, ka niteny tamin’ ny fiteny tsy fantatra sady naminany. Toy izany no
nanosorana azy ho mpitory tany Efesosy sy teny amin’ ny manodidina azy. Azony
natao koa ny nandeha nitory ny filazantsara tany Asia Minora.

2) Mat. 28 : 18, 19
246
Noho ny nananany toelra feno lanetren-tena sady naniry fatratra hahalala
ny marina, dia nanao fanandramana izay nahazoany niasa ho fampandrosoana ny
fanjakan’ Andriamanitra izy. Maneho lesona sarobidy dia sarobidy tokoa amin’
ny Kristiana ny ohatra nasehony. Maro no tsy afaka handroso firy eo amin’ ny
fiainany ara-panahy satria feno avonavona loatra ka tsy tehikatsaka fahalalana.
Afa-po amin’ ny fahalalana ivelambelany fotsiny momba ny Tenin’ Andria-
manitra izy, ary tsy mba manam-paniriana akory hanova ny finoany na ny
fahazarany. Koa noho izany dia tsy miezaka hahazo fahazavana bebe kokoa izy.
Fa raha mba nikatsaka fahefidrena tamin-kafanampo kokoa ny mpianatr’ i
Kristy, dia no nahita toerana mora andairan’ ny fahamarinana, izay tsy fantany
hatramin’ izao. Hahazo fitarainana avy amin’ ny Tompo izay manolo-tena
tanteraka eo Aminy. Mety ho tsotsotra ny fiaviany, ary mety tsy hanana
fahalalana firy izy. Kanefa kosa, raha mankato ny sitrapon’ Andriamanitra amin’
ny fo tia sy tsotra izy, diahodiovin’ ny Fanahy ny fahalalany, sy hohatsarainy ary
hohatanjahiny, ka hampitomboina ny fahombiazany. Ho tolorana andraikitra
masina izy rehefa milofo hampitombo ny fahafantarany ny fahendrena araka an’
Andriamanitra. Ho fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra ny fiainany, ary
ho loharanom-pitahiana ho an’ izao tontolo izao. «Mahazava ny famoahana ny
hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ ny kely saina»3.
Maro tokoa ankehitriny ny olona izay tsy mahafantatra ny asan’ ny Fanahy
Masina eo amin’ ny fo, tahaka ireo mpino tany Efesosy. Kanefa tsy misy
fahamarinana voaseho mibaribary toy izany ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra.
Samy nanizingizina ny amin’ io fahamarinana io na ny mpaminany na ny
apostoly. Kristy koa aza efa nitarika ny saintsika handinika ny fitomboana eo
amin’ ny zava-maniry, mba hanehoana ny asan’ ny Fanahy eo amin’ ny fiainan’
ny olona ara-panahy. Trohin’ ny fakan’ ny voaloboka ny tsiron-tany ka
miely any amin’ny sampany rehetra, mba hampitombo azy sy hisehoan’ ny felany
ary hamoazany voa. Toy izany koa no anomezan’ny Mpamonjy ny hery
mamelona avy amin’ ny Fanahy Masina, izay miditra ao amin’ ny fanahin’ ny
olona, ka manavao ny fihetseham-pony sy ny fitiavany, ary mampilefitra ny sainy
hankato ny sitrapon’Andriamanitra, ka hahazoany mitondra voa sarobidy eo;
amin’ ny asa masina tontosainy.

3). Salamo 119 : 130


247
Tsy hita maso ny Fanahy izay miteraka izany fiovana izany, ary tsy takatry
ny saina ny fomba fihazonany io herim-panahy io, ka tsy hain’ ny fahalalan’
olombelona. Miasa mandrakariva amin’ ny alalan’ ny Tenin’ Andriamanitra
anefa ny Fanahy Masina. Toy izay hita eo amin’ ny zavaboary, dia toy izany koa
no fiasan’ ny Fanahy ao amin’ ny olona. Arovan’ ny herin’ Andriamanitra isan’
ora isan’ora ny zavaboary; kanefa kosa tsy amin’ ny fanaovana fahagagana
mivantana no iarovan’ Andriamanitra antsika, fa amin’ ny alalan’ ny fitahiana
mifanesisesy izay ataony eo amin’ ny lalantsika mba hahazoantsika mandray
ireny. Toy izany indrindra ny amin’ ny fiainana ara-panahy; amin’ ny alalan’ ny
fampiasana ireo fitaovana atolotr’ Andriamanitra no ahazoana mitahiry azy. Raha
irin’ ny mpianatr’ i Kristy ny hahatratra ny fenitry ny maha-lehilahy lehibe
azy, ka hahatongavany eo amin’ ny «ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i
Kristy»4, dia tsy maintsy mivelona amin’ ny mofon’ aina sy hisotro eo amin’ ny
loharanom-pamonjena izy, Tsy maintsy miambina, sy mivavaka, sy miasa, ary
mitandrina tsara amin’ ny zavatra rehetra izy, ka manaraka ny torolalana omen’
ny Tompo ao amin’ny Teniny.
Mbola misy lesona hafa koa azontsika tsoahina avy amin’ ny
fanandramana nataon’ ireo Jiosy niova fo tany Efesosy. Rehefa nandray ny
batisan’ i Jaona izy, dia tsy mbola fantany tsara ny amin’ ny asan’ i Kristy izay
nilonjo ny fahotan’ izao tontolo izao. Mbola nifikitra tamin’ ny fahadisoan-
kevitra bevava sasan-tsasany izy. Nefa kosa, rehefa nanaiky ny fahazavana bebe
kokoa izy, dia nandray an’ i Kristy tamim-pifaliana ho Mpanavotra azy.
Rehefa nandroso teo amin’ ny, ara-panahy toy izany izy, dia vonona hiantsoroka
adidy vaovao. Nihanadio ny finoany, ary niova toy izany koa ny toe-piainany. Ho
fanehoana izany fiovana izany, sy ho porofon’ ny finoany an’ i Kristy, dia natao
batisa indray tamin’ ny anaran’ i Jesosy izy.
Toy ny fanao mahazatra an’ i Paoly, dia nanomboka ny asany tany Efesosy
izy tamin’ ny fitoriana ny Tenin’ Andriamanitra tao amin’ ny synagogan’ ny
Jiosy. Nanohy ny asany nandritra ny telo volana izy, sy «niady hevitra ... ka
nampanaiky ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra». Nankasitrahan’ ny olona izy
tamin’ ny voalohany; kanefa tsy ela akory dia nisetra fanoherana mafy, toy ny
hitany tany amin’ ny toerana hafa niasany koa. «Nikiribiby ny sasany

4) Efes. 4 : 13
248
ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason’ ny olona
maro». Ary rehefa nikiribiby handà ny fampianaran’ ny Filazantsara izy, dia tsy
nitory tao amin’ ny synagoga intsony ny apostoly Paoly.
Niasa tamin’ ny alalan’ i Paoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka nahazoany
nampianatra ireo mpiray tanindrazana taminy. Azony natao ny nampiseho porofo
ampy mba hampiaiky an’ izay rehetra naniry tamin’ ny fony tokoa hahafantatra
ny filazantsara. Fa ireo maro hafa kosa izay nogiazan’ ny fahateren-tsainy sy ny
tsy finoany, dia nandà ny asan’ ny fahamarinana na dia nibaribary tokoa aza
izany. Koa dia natahotra ny Apostoly Paoly sao dia ho simban’ ny fifaneraserana
betsaka amin’ ireo tsy mpino ny finoan'ny kristiana. Ka dia nisaraka taminy izy,
ary novoriny tao amin’ ny trano sekolin’ i Tyrano koa ireo mpino izay
nampianariny —Tyrano dia mpampianatra nanan-daza tokoa.
. Hitan’ i Paoly tamin’ izay fa «varavarana lehibe no voavoha» ho azy mba
hahazoany «miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra»5. Tsy tanàna tsara tarehy
indrindra fotsiny i Efesosy, fa izy koa no tanana feno faharatsiana indrindra tany
Asia. Nanjakan’ ny finoa- noampoana sy ny fanaranampo tamin’ ny fahalotoani-
pilondran-tena ireo vahoaka sesehena nonina tao. Teny amin' ny toerana
manodidina ny tempoliny no nisehoan’ ny fanaovana heloka bevava maro, sy
nanaranana fo tamin’ ny fahalotoam-pitondran-tena mahavoafady indrindra.
Toerana nalaza tamin’ ny fivavahana tamin’ i Diana andriamani-bavy i Efesosy.
Niely patrana tany Asia manontolo ary saika eran’ izao tontolo izao mihitsy ny
lazan’ ilay tempoly kanto loatra natokana ho an’ i «Dianan’ ny Efesiana».
Voninahitra lehibe, tsy ho an’ ny tanàna ihany, fa ho an’ ny firenena manontolo,
ny hatsaran-tarehiny tsy nanam-paharoa. Araka ny lovan-tsofina dia nilatsaka avy
tany an-danitra, hono, ilay sampy notehirizina tao amin’ io tempoly io. Ary
ninoana ho nanana hery miafina ireo endrika tandindona nandravahana azy. Nisy
boky nosoratana mba hanazavana ny hevitr’ ireo tandindona ireo sy ny
soa azo avy aminy.
Mpanandro marobe no nandany andro nandinika an’ ireo boky lafo vidy
ireo, ka nisy fiantraikany mafy tamin’ ny sain’ ny mpivavaka tamin’ ilay sampy
izany.
5) 1 Kor. 16 : 9

249
Nandritra ny nitoeran’ny apostoly Paoly tany Efesosy no nandraisany
mari-pankasitrahana manokana avy tamin’ Andriamanitra. Nomba ny ezaka
nataony Ilay heiy avy tany ambony, ka nahasitrana marary maro izy. « Ary ny
tànan’ i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro, ka dia ny
mosara sy ny fiaron’ akanjo teny aminy no nentina hatao amin' ny marary,
dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy». Ireny fisehoan'
ny hery tsy fahita ireny dia namirapiratra lavitra noho izay hita tany Efesosy; ary
nisongadina mihitsy izany fahalehibeazany izany ka tsy azon’ ny ombiasy halain-
tahaka, na dia izay nanao azy ho kalazalahy indrindra aza.
Ary satria natao amin’ ny anaran’ i Jesosy avy any Nazareta ireny
fahagagana ireny, dia tsapan’ ny olona fa ny Andriamanitry ny lanitra no nanan-
kery be lavitra noho ny mpimasy sy ny mpivavaka tamin’ ny andriamani-bavy
Diana. Toy izany no nanandratan’ ny Tompo ny mpanompony ho ambony noho
ireo mpanompo sampy, ary nihoatra lavitra noho ny mpimasy mahery
sy mamim-bahoaka indrindra. Kanefa Ilay maharesy ny fanahy ratsy rehetra, sy
nanome fahefana ny mpanompony, no hampietry sy hampahamenatra an’ ireo
izay maniratsira sy manala baraka ny Anarany Masina.
Voararan’ ny lalàn' i Mosesy ny tanandroana, ka izay manao izany dia
nohelohina ho faty. Na dia izany aza, indraindray diambola nisy nanao izany
ihany tamin’ ny mangingina, anisan’ izany ireo Jiosy nihemotra. Tamin’ ny
fotoana naha-tao Efesosy an’ i Paoly, dia «nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka
fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran’ i Jesosy Tompo koa teo ambonin’
ny manana fanahy ratsy». Ary nisy «fito mirahalahy zanak’ i Skeva Jiosy lohan’
ny mpisorona» no nanao izany. Dia nihaona tamin’ ny lehiiahy iray
nanana demonia izy, ka nanao taminy hoe: Mandidy anao amin’ ny anaran’ i
Jesosy aho, mivoaha aminy. «Ary ny fanahy ratsy namely ka nanao taminy hoe;
Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba izao kosa moa hianareo? Ary ny
lehiiahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin’ ireo ary nahery ka
naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin’ izany trano izany ireo sady
nitanjaka no voaratra».
Toy izany no nisehoan’ ny porofo mibaribary ny fahamasinan’ ny anaran’
i Kristy sy ny loza manandindona izay miantso io Anarana io, kanefa tsy mino ny
maha-avy amin’ Andriamanitra ny asany. «Dia

250
raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran’ i Jesosy Tompo».
Ny toe-javatra niafma teo aloha dia nanjary nahariharin’ ny fahazavana
izao. Rehefa nandray ny finoana kristiana ny mpino sasany dia tsy mbola nafoiny
tanteraka ny finoanoam-poana. Mbola notohizany ihany, tamin’ ny tomba
sasantsasany ny fanandroana. Ary rehefa niaiky ny fahadisoany ny maro tamin’
izay nino, dia indreo fa nanao fanambarana ampahibemaso ny amin’ izay
nataony. Nitatra hatrany amin’ ireo mpimasy na mpanao ody ny vokatry
ny asa tsara tao amin’ ny fiainan’ ireo tena niova fo. «Ary maro ny mpanao ody.
no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ ny olona rehetra; ary nony
voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany. Fatratra toy
izany no fandroson’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny heriny ».
Ny nandoroan’ ny Efesiana ny boky fanandroany dia nampiseho fa
nankahala tanteraka ny ody izay nitokiany teo aioha ny olona niova fo. Tamin’
ny hilalaovany ody no tena nanoherany indrindra an’ Andriamanitra sy nahatonga
loza tamin’. ny fanahiny. Koa noho izany no nanehoany. miharihary ny tena
faharikorikoany izany fahalalana maizinà izany, ka nabaribariny fa tena nandalo
tamin’ny fiovam-po tokoa izy.
Nisy fitsipika sy fomba fanao voasoratra tao amin’ ireny boky fanandroana
ireny, izay nahazoany nifandray tamin’ ny fanahy ratsy. Tsy inona izany fa
fitsipika arahina amin’ ny fivavahana amin’ i Satana, toro lalana itakiana ny
fanampiany, ary fomba andraisana ny toro hevitra omeny. Raha tahiny ka mbola
nihazona ireny boky ireny ny mpino, dia ho fakam-panahy lalandava ho azy
izany. Ary raha ohatra koa ka namidiny ireny, dia ho nametraka ny rahalahiny
teo amin’ ny lalan’ ny fakam-panahy izy. Efa nolaviny ny fanjakan’ ny haizina,
ary nopotehiny ny fahefany, ka dia tsy nisalasala hanao ny fandavan-tena rehetra
izy. Toy izany no nandresen’ ny fahamarinana ny hevi-diso sy ny fitiavam-bola.
Izany fanehoana ny herin’ i Kristy izany no fandresena lehibe azon’ ny
fivavahana kristiana ka nandrodanany ny mandan’ ny finoanoam-poana. Nisy
fiantraikany lasa lavitra tokoa mihoatra noho izay nampoizin’ ny apostoly Paoly
aza ny vokatr’ izany zava-niseho izany. Nitatra lavitra ny vaovao re tao Efesosy,
ka nahatonga fandrosoana lehibe ho an’ ny asan’ i Kristy. Elabe taorian’ ny

251
nahavitan’ ity apostoly ity ny fihazakazahany, dia mbola velona, tao an-tsain’ ny
maro ihany ny zava-niseho, ary nanampy tamin' ny fahazoam-panahy ho an’ ny
filazantsara izany.
Tsy marina ny filazana fa foana tsy misy intsony ny fitokisana ny ody
amin’ izao taonjato faha 20 izao. Ahariharin’ ny Tenin'Andriamanitra sy
voaporofo amin’ ny zava-misy fa mbola misy tokoa mandraka ankehitriny ny
filalaovana ody toy ny tamin’ ny andron’ ireo mpanao izany fahiny. Ny fototra
iorenan’ ny filalaovana ody ankehitriny tokoa mantsy dia ny spiritisma, na ny
fiantsoana sy ny fifaneraserana amin’ izay heverina ho fanahin’ ny maty.
Mahita lalana ao amin’ îiy sain’ ny olona anarivony maro i Satana, amin’ ny
fisehoany amin’ izy ireny ho toy ny fanahin’ ny olon-tiany efa nodimandry.
Ambaran’ ny Soratra Masina anefa fa « ny maty. . . tsy mba mahalala na
inona na inona»6. Fa samy efa levona avokoa na ny fitiavany na ny fankahalany,
na ny fialonany «sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin’ izay atao
aty ambanin’ ny masoandro izy». Kanefa kosa, satria mbola mitana ny fitaka
voalohany nataony i Satana, dia mbola mampiasa io fitaovana io izy mba
hanjakany amin’ ny fanahin’ ny olona. Amin’ ny alalan’ ny fiantsoam-panahy no
ifandraisan’ ny marary maro sy ny olon’ ory, ary ny mpanao fikarohana rehetra
amin’ ny fanahy ratsy. Izay rehetra mitonantonana miditra amin’ izany
fanandramana izany dia ho tafahitsoka eo amin’ ny toerana mampidi-doza.
Ambaran’ ny Teny fahamarinana ny fomba fiheveran’ Andriamanitra azy.
Tamin’ny andro taloha, dia nanao fanamelohana mahery vaika tamin’ ny
mpanjaka iray izay nandeha hila saina tamin’ ny mpiantso fanahy Andriamanitra.
«Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin’ny Isiraely va, no mandeha
hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona hianareo? Koa noho
izany dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao hianao, fa ho faty
tokoa»7. Mbola ny mpimasy teo aloha tamin’ ny andron’ ny jentilisa ihany
no hita ao amin’ ny mpiantso fanahy sy ny mpanandro, ary ny mpisikidy mpilaza
vintana ankehitriny. Ilay feo hafahafa re tany Endora sy tany Efesosy dia mbola
mitarika ny zanak’ olombelona ho amin’ ny lalana tsy marina. Raha mba azo atao
mantsy ny manainga ny voaly manakona ny masontsika, dia ho tazantsika
ireo anjelin’ i Satana mampiasa ny fahaizany rehetra mba hami-
6) Mpitoriteny 9 : 5
7) 2 Mpanj – 1 : 3, 4
252
tahana antsika sy hitarihana antsika ho amin’ ny tahaverezana. Mampiasa
fomba manodoka ny devoly na aiza na aiza ahazoany mampiasa hery
hambaboana ny sain’ ny olona hanadinoany an’ Andriamanitra. Izay manaiky
hiasan’ izany hery mampidi-doza izany, dia diso lalana ka manirtiba ny fanahiny.
Mbola tokony hampiharina amin’ ny vahoakan’ Andriamanitra ankehitriny koa
ny fananarana nataon’ ny apostoly Paoly tamin’ ny fiangonana tany Efesosy hoe:
«Ary aza miray amin’ ny asan’ ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra
izany »8.

8) Efes. 5 : 11

253
28

Tolona narahin’ ny
fizahan-toetra

Nandritra ny telo taona no nanaovan’ ny apostoly Paoly an’ i Efesosy ho


foiben’ ny asa fitoriany. Tafaorina tao ny fiangonana iray nandroso fatratra, ary
avy tao amin’ io tanàna io no nipariahan’ny filazantsara nanerana ny faritanin’ i
Asia, na teo amin’ ny Jiosy na tao amin’ ny Jentilisa.
Nanam-pikasana handeha hanao asa fitoriana tany amin’ ny toeran-kafa
indray ny apostoly izao. «Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an’ i
Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema». Rehefa tonga any aho, hoy
izy, dia tsy maintsy hahita an’ i Roma koa. Araka ny fikasany àry dia «roa lahy
tamin’izay nanompo azy, dia Timoty sy Erasto no nirahiny nankany
Makedonia»; nefa noho ny fahatsapany fa mbola nilaina ny fanatrehany ny asan’
Andriamanitra tany Efesosy, dia nanapa-kevitra izy fa mbola hijanona any
mandra-pahatongan’ ny Pentekosta. Kanjo tsy ela akory dia nisy toe-javatra
hiseho izay naha-voatery azy hiala faingana.
Fanao isan-taona ny nankalaza tamin’ ny fomba manetriketrika ny
andriamani-bavy Diana. Nahatarika vahoaka betsaka avy tany amin’ ny faritany
rehetra manodidina izany andro firavoravoana izany. Nandritra io vanim-
potoana. io dia tena nitalakotrokotroka mihitsy ny firavoravoana, izay natao
tamin’ ny fomba marevaka tokoa.

Mifototra amin’ ny Asa 19 : 21 - 41; 20 : 1 ity toko ity.

255
Niteraka fitsapana mahamay ho an’ izay vao niova ho kristiana ireo andro
firavoravoana ireo. Nampiseho endrika nifanohitra tamin’ny firavoravoan’ ny
vahoaka mantsy ny fivorian’ ny mpino tao amin’ny sekolin’ i Tyrano, ka
nahatonga ompa variraraka sy faniniana ary fanesoana tsy roa aman-tany tamin’
ny mpianatra. Nisy fiantraikany mafy tamin’ireo mpanompo sampy ny
fampianarana nataon’ i Paoly araka ny filazantsara, satria hita miharihary fa
nahatonga fitambotsorana teo amin’ ny mpanao fety izany, sy niteraka
fangatsiahana tamin’ ny hafanam-pony, ary niantefa hatrany amin’ ny olona tsy
voakasiky ny filazantsara akory aza. Maro ny Efesiana, izay tsy mbola sahy
niseho ho mpanaiky ny fampianaran’ i Paoly, no nandray ny fahazavana tamin-
kafanampo, ka nanjary very ny fitokisana an’ ireo andriamani-kafa notompoiny.
Nisy antony hafa koa nahatonga ny fahasorenana. Tao Efesosy mantsy dia
nisy fanefena sy fivarotana sary vongana madinika vita sokitra, nalain-tahaka
tamin’ ny andriamani-bavy Diana, ary koa sarin’ ny tempoliny natao
madinidinika. Niroborobo tokoa izany taozavatra izany, izay nampidi-bola
sesehena ho an’ ny mpanao azy. Tsapan’ izay rehetra nahita tombontsoa tamin’
io taozavatra io fa nihena ny tombom-barotra azony, ka dia niray tetika izy hilaza
fa ny asa fitoriana nataon’ i Paoly no nahatonga izao fitambotsoran’ ny taozavany
izao, ka tsy azony leferina mihitsy.
Notaoinin’ i Demetrio mpanao sarin’ ny tempoly volafotsy ireo mpiasa tao
amin’ ny orinasany, ka hoy izy taminy: «Tompoko-lahy, fantatrareo fa amin’ izao
tao-zavatra izao no ahazoantsika harena. Ary hifanareo sy renareo fa tsy eto
Efesosy ihany, fa saiky manerana an’ i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka
izany Paoly izany ka mampivily ny sainy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay
zavatra nataon-tànana. Ka dia tsy izao raharaha ataontsika izao
ihany no ahina hatao ho zava-poana, fa ny tempolin’ i Diana, andriamani-bavy
lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan’ i
Asia rehetra sy izao tontolo izao». Nampirongatra ny sain-dratsin’ ny olona izany
teny izany. Feno hatezerana izy, ka niantsoantso hoe: «Lehibe Dianan’ ny
Efesiana»
Niely haingana io kabary io, ary voalazan’ ny Soratra Masina fa
«manerana ny tanàna ny tabataba». Dia notadiavina i Paoly. nefa tsy hita izay
nisy azy. Ireo mpianatra izay natahotra sao vonoin’ ny olona izy, dia nitondra azy
haingana nandositra ny tanàna. Naniraka ny anjeliny koa Andriamanitra mba
hiaro an' I Paoly, satria tsy mbola tonga ny fotoana hahafatesany ho maritiora.
256
Rehefa tsy nahita ilay anton’ ny faharomotany ireo mpanao
fihetsiketsehana, dia nisambotra an’ i Gaio sy Aristarko Makedoniana, izay niara-
dia tamin’ i Paoly, ka «niray saina niriotra nankao an-trano filalaovana».
Tsy lavitra loatra avy eo ny toerana nieren’ i Paoly, ka tsy ela dia fantany
ny loza nananontanona ireo rahalahy malalany ireo. Tsy nihevitra hiaro ny tenany
izy fa handeha hitsarapaka ao amin’ny trano filalaovana mba hiteny amin’ ny
vahoaka lian-dra. Nefa nosakanan’ ny mpianatra tsy hanao izany izy. Ary tsy i
Gaio na i Aristarko no olo-meloka nokatsahin’ ny vahoaka, ka dia tsy nisy
loza natahorana hihatra taminy. Fa raha ny endrika efa hatsatry ny apostoly Paoly
kosa no niseho teo, dia ho romotry ny hatezerana ny vahoaka, ka tsy hisy herin’
olombelona hahavonjy ny ain’ i Paoly.
Naniry fatratra hiaro ny fahamarinana teo anatrehan’ny vahoaka i Paoly,
nefa nisy hafatra fampitandremana àvy tao amin’ ny trano filalaovana tonga teo
aminy. «Ary ny lehibe sasany tany Asia, izay sakaizany, dia nampitondra teny
nananatra azy, mba tsy ho sahy hiditra ao amin’ ny trano filalaovana». Vao
mainka nitombo ny tabataba. «Ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa
zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala
izay antony niangonany teo». Ary satria i Paoly sy ny namany sasany nanana
firazanana hebreo, dia vao mainka naha-tonga ny Jiosy haniry hampiseho ny
fankahalany azy sy ny asa fitoriany izany. Koa dia navoakany avy teo amin’ ny
vahoaka ny anankiray taminy mba hanazava amin’ ny vahoaka ny anton’ izao
tabataba izao. Nofidiny tamin’ izany Aleksandro mpanefy volamena mahay, izay
nambaran’ i Paoly tafy aoriana hoe «nanisy ratsy ahy be loatra»1. Kingalahy tokoa
i Aleksandro, ka hainy ny nampirehitra ny hatezeran’ ny vahoaka tamin’ i Paoly
sy ny namany. Kanjo rehefa fantatry ny vahoaka fa Jiosy i Aleksandro, dia tsy
nety nihaino azy izy. Dia «niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe:
«Lehibe Dianan’ ny Efesiana! »
Rehefa ela ny ela dia nangina ihany ny tabataba, satria efa sasatra ny olona,
ka nisy fanginana kely. Tamin’ izay ilay mpitahiry ny didy dia nahay nampangina
ny olona hihaino azy, satria nanana lahefana vokatry ny asa nataony izy. Teo
amin’ ny tanin’ ny olona ihany no nisamborany azy, ka nasehony taminy fa tsy
misy dikany
1) 2 Tim. 4 : 14
17 — Vavolombelona Mahery
257
akory izao tabataba izao; nitaona azy hieritreritra izy kananao hoe: «Ry lehilahy
Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan’ ny Efesiana no mpitahiry an' i
Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin’ i Jopitera? Ary satria tsy
azo toherina izany, dia tokony hangina hianareo ka tsy hanao na inona na inona
an-kamehana. Fa nentinareo ety ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na
niteny ratsy ny andriamanitsika. Koa raha manan-teny hifamaliana amin' olona
Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy. fa misy ihany
ny andro hitsarana, azy ao ihany koa ireo governora. Fa raha mitady zavatra hafa
kosa hianareo, dia hotsaraina amin’ izay fivoriana voatendrin’ ny lalàna.
Fandrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho
androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao. Ary rehefa nilaza
izany izy, dia nampirava ny olona vory teo».
Tao amin’ ny kabariny anefa i Demetrio dia nilaza fa «tandindomin-doza
ny tao-zavatra ataontsika». Izany teny izany no tena anton’ ny tabataba tao
Efesosy, ary koa antony nanenjehana an’ i Paoly sy ny namany. Nazava tamin’ i
Demetrio sy ireo mpiara-miasa aminy, fa ny fitoriana ny filazantsara no tsy
maintsy nampi-tambotsotra ny zava-kanto fanaony, ka tsy maintsy ho voa ny
loharanon-karen’ ny mpisorona jentilisa sy ny mpanao taozavatra mahay. Izany
no antony nanaovany fihetsiketsehana faran’ izay mahery vaika hanoherana an’ i
Paoly.
Ny fanapahan-kevitr’ ilay mpanoratra lalàna sy ireo lehibe tao an-tanàna
no nahatonga ny vahoaka hihevitra an’ i Paoly ho tsy manan-tsiny eo anatrehan’
ny lalàna. Dia nahazo fandresena ny hevi-dison’ ny finoanoam-poana indray ny
finoana kristiana. Nanendry mpahay lalàna manan-daza Andriamanitra mba hiaro
ny mpanompony, ary hisakana ny faharomotan’ ny vahoaka. Niboiboika
fankasitrahana an’ Andriamanitra ny fon’ i Paoly. Noho ny Aminy no
nahavoavonjy ny ainy, ary tsy voarodan’ ny tabataban’ ny vahoaka tany Efesosy
ny fivavahana kristiana.
Rehefa nitsahatra ny tabataba, dia namory ny mpianatra i Paoly, ka
nampahery azy, sy nanao velona azy, ary lasa nankany Makedonia. Nandritra ny
diany no niarahan’ ny mpianatra roa taminy tany Efesosy, dia i Tikiko sy
Trofimo.
Vita ny asan’ i Paoly tany Efesosy. Asa be tsy nisy fitsaharany no nataony
tao amin’ io tanàna io, sady niharan’ ny fitsapana maro

258
sy fahoriana mafy izy. Nitory ny filazantsara tamin’ ny vahoaka sy isan-
tokantrano izy, ka nampianatra ny mpino sy nananatra azy tamin-drahomaso.
Nifandona mandrakariva tamin’ ny fanoheran’ ny Jiosy, izay nanararaotra ny
fotoana rehetra mba hampirohotra ny vahoaka hankahala azy i Paoly.
Fa raha nisetra fanoherana toy izany i Paoly, ka nampiseho herimpo tsy
nety sasatra ho fampandrosoana ny filazantsara, ary niaro ny tombontsoan’ ny
fiangonana izay mbola herotrerony teo amin’ ny finoana, dia nolanjainy teo an-
tsorony koa ny enta-mavesatry ny fiangonana hafa rehetra. Vonton’ alahelo mafy
izy raha nandre fa tratran’ ny fihemorana ny fiangonana sasany naoriny.
Natahotra izy ndrao very maina ny ezaka nataony hananganana ireny. Impiry
impiry akory izy no nandany ny alina manontolo nivavaka sy nandinika ny Tenin’
Andriamanitra, rehefa reny fa nisy tetika nampiasaina mba hisakanana ny asany.
Raha vao nanam-potoana kosa izy, ary tsapany fa ilaina izany, dia nanoratra
tamin’ny fiangonana ary tsy nitsitsy toro hevitra taminy, na koa naneho
faniniana, na fampaherezana. Raha nanoratra ny epistiliny i Paoly dia tsy nataony
ho mavesa-danja ny fitsapana nihatra tamin’ ny tenany, kanefa kosa, rehefa
nilaina izany, dia mba nampiseho ihany ny ilany kely tamin’ ny asa mafy nataony
sy ny fahoriana niaretany teo am-panaovana ny asan’ i Rristy izy. Samy niaretany
noho ny fitiavana ny filazantsara, na ny kapoka, na ny tranomaizina, na
ny hatsiaka, ny hanoanana, ny hetaheta, ny loza teo an-tanety sy teny amin’ ny
ranomasina, tany an-tanàn-dehibe sy tany an’efitra, avy tamin’ ny mpiray
tanindrazana aminy, avy tamin’ ny jentilisa, avy tamin’ ny ralahy sandoka.
«Nohelohina» izy, «nozonina», «natao ho fanevatevan’ ny maro», «nenjehina»
hatraiza hatraiza, «voageja tamin’ny fomba samihafa», «notandindomin-doza
isan’ora», ary «natolotra ho amin’ ny fahafatesana noho ny amin’ i Jesosy».
Nifanehatra lalandava tamin’ ny fanoherana izy, tamin’ ny fanozonan’ ny
fahavalo, tamin’ ny fandaozan’ ny sakaizany – izany rehetra izany dia saika
nampilofika ny fon’ ilay apostoly tsy manan-tahotra. Nefa rehefa nanopy ny
masony teo Kalvary izy dia nahazo herimpo vaovao hitory an’ Ilay Andriamanitra
voahombo. Tsy nisy nataony afa-tsy ny nanaraka ny dian-tongotra nitetevan’ ny
ran’ i Kristy izay nialoha lalana azy. «Tsy nitsoak’ ady izy, satria tapa-
kevitra hiady hatramin’ ny andro izay tsy maintsy hametrahany ny fiadiany eo
an-tongotry ny Mpanavotra azy.

259
29

Fananarana
sy torohevitra

Tamin’ ny faramparan’ ny nitoeran’ i Paoly tany Efesosy no nanoratany


ny epistily voalohany ho an’ ny Korintiana. Tsy nisy fiangonana nandrian’ ny
sainy mihoatra noho ny tany Korinto, ka dia nifofotra mafy niasa tao amin’ io
tanàna io izy. Nandritra ny herintaona no niezahany nitory ny Tompo voahombo
sy nitsangana indray ho fomba tokana hahazoam-pamonjena; namporisika
fatratra ny mpihaino azy izy mba hitolo-batana tanteraka amin’ ny
herim-pahasoavana mitondra fanavaozana.
Talohan’ ny nandraisan’ i Paoly ho mambran’ ny fiangonana ny olona
milaza ny tenany ho Kristiana dia niezaka nampianatra azy ny amin’ ny zô sy ny
adidin’ ny Kristiana izy, sady nikely aina koa nanampy azy ho mahatoky amin’
ny voady nataony tamin’ ny batisany.
Fantatr’ i Paoly marimarina ny ady tsy maintsy hatrehiny ho fanoherana
ny herin’ ny ratsy, izay nikendry mandrakariva mba hamitaka sy hahavery ny
fanahy. Noho izany no niezahany hampahery ny finoan’ izay vao niova fo.
Namporisihiny hanolo-tena tanteraka amin’ ny Tompo ireny, sa tria fantany tsara
fa amin’ izany ihany no hahazoany manohitra ny fahotana, sy ny filàna ary ny
fironana ho amin’ ny ratsy, izay mikendry mandrakariva handresy ny fanahiny,
ary koa mba hahazoany manohitra ny fakam-panahy izay mahatonga
fikorontanana ao amin’ ny fieritreretana.

Mifototra amin’ ny Korintiana voalohany ity toko ity.

261
Tsy maintsy ho manontolo ny fanoloran-tena amin’ ny Tompo. Aoka ny
fanahy mivembena rehetra, ianjadian’ ny tolona sy ny fisalasalana, hitolo-batana
tanteraka amin’ Andriamanitra; amin’izany no hananany firaisana mivantana
amin’ ny hery any ambony, izay hahazoany mandresy. Hanatona azy ny lanitra,
ary hahazo fanohanana sy fampaherezana avy amin’ ny anjely eo amin’ ny
fitsapana rehetra mahazo azy izy, sy amin’ izay rehetra ilàny vonjy.
Velona teo anivon’ ny fanompoan-tsampy sy ny fahalovana ny Kristiana
tany Korinto, ary tamin’ ny endrika feno famitahana no nisehoan’ izany. Raha
mbola niara-nitoetra teo aminy ny apostoly, dia azony natao ny niala tamin’ ny
hery ratsy avy tamin' ny manodidina. Ny finoana tsy azo hozongozonina tao
amin’ ny apostoly Paoly koa mantsy, sy ny fitoriana mirehitra nataony, ary
mihoatra noho izany rehetra izany, ny fiainany voatolotra tanteraka ho an’ ny
Tompo, no nanampy ireo Kristiana ireo hahatohitra ny tenany, ka hanolo-tena
tanteraka ho an’ ny asan’ i Kristy, ary handositra kosa ny fahafinaretan’ izao
tontolo izao. Nefa rehefa lasa i Paoly, dia nisy zava-tsarotra lehibe niseho, ka
nipoitra ny tsimparifary nafafin’ ny fahavalo, izay niseho ho voa tsara, nefa
tsy ela akory dia nitondra voa ratsy. Vanim-potoana nisian’ ny fahoriana lehibe
ho an’ ny fiangonana tany Korinto izany. Tsy teo amin’ ny mpino intsony ny
apostoly mba hamelona ny zotom-pony sy hampahery azy hivelona araka an’
Andriamanitra. Maro no nihanangatsiaka tsikelikely, ka niverina teo amin’ ny
fironany fahiny. Tsy teo intsony ilay nampahery azy lalandava hanatratra
ny fara tampon’ ny fahadiovana sy ny fahitsiana. Koa noho izany dia maro ny
mpino, izay nahafoy ny fahazaran-dratsiny tamin’ny fotoana niovany fo, no
niverina teo amin’ ny fahotana maha-voafadin’ ny fanompoan-tsampy indray.
Nisy teny fohy nosoratan’ i Paoly tamin’ ny Korintiana, nanafatrafarany
azy mba tsy «hanana fifandraisana» amin’ izay mikiribiby eo amin’ ny
fahalotoana; kanjo nisy mpino maro nanova endrika ny hevitr’ i Paoly, ka
nanolana ny teniny ary naniratsira ny fampianarany.
Dia nandefa taratasy tany amin’ ny apostoly ny fiangonana mba hanontany
izay heviny ny amin’ ny loha hevitra samihafa, fa nafeniny kosa ny fiharatsian’
ny fitondrantena hita teo amin’ ny mambra sasany. Nàmpahafantarina mazava
tamin’ i Paoly tamin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina anefa izay nafenina taminy
ny amin’ ny tena toetran’ ny fiangonana tany Korinto, ka ny taratasy nalefan’

262
ny Korintiana taminy dia niezahan’ izy ireo hampilaza amin’ i Paoly, hevitra izay
mety ho fanatanterahana ny fikasan’ ny olo-meloka.
Tokony ho tamin' izany fotoana izany no nahatongavan’ ny ankohonan’ i
Kloa avy tany Efesosy, izay fianakaviana kristiana tsara laza tany Korinto. Dia
namototra azy ny amin' ny toetran’ ny Korintiana ara-panahy Paoly. ka tamin'
izany no nandrenesany fa voasamatsamaky ny fizarazafan-kevitia ny Kristiana.
Vao mainka nihamafy ny fisarahana rehefa tonga i Apolosy. Nisy mpanipianatra
sandoka namporisika ny mpino handà ny fampianaran' i Paoly; novana endrika
ny foto-pinoana sy ny fitsipika nambaran’ ny filazantsara. Nitatra be dia be teo
aminy ny fiavonavonana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fanaranam-po tamin’
ny fahavetavetana; kanefa ireo olona tratran’ izany, dia ireo indrindra no
nampiseho hafanam-po kristiana fatratra tamin’ ny voalohany.
Rehefa nahare izany ny apostoly Paoly dia nazava taminy fa mbola
nihoatra lavitra noho izay nampoizina ny tena zava-misy. Tsy nety kivy anefa izy
ka hihevitra fa foana tanteraka ny asa nataony. Tamin' ny fony tokoa no
nitolomany tamim-bavaka narahin-dranomaso be, ka niantsoany vonjy tamin’
Andriamanitra.
Tiany ny handeha avy hatrany amim-pifaliana ho any Korinto raha hitany
fa mety ny hanaovana izany. Nefa kosa tsinjony mialoha fa tsy hahita soa amin’
ny fananarany ny Kristiana raha ohatra ka nandeha tany avy hatrany izy. Koa
noho izany no nanirahany an’ i Titosy, mba hanomana ny famangiana hataon’ i
Paoly aoriana. Niniany tsy nambara ny hevitry ny tenany ny amin’ ny fitondran-
tena mahamenatra nananan’ ny mambra sasany tao amin’ ny fiangonana, fa
nankininy tamin’ Andriamanitra kosa ny teny nambarany tamin’ ny Korintiana,
ka ny epistily nalefany tamiiry no anisan’ ny feno ventin-kevitra indrindra, sady
feno fananarana ary feno fitiavana tokoa tamin’ ny epistily rehetra nosoratany.
Tamin’ ny fiteny mazava sy mahatalanjona no namaliany ny fanontaniana
samihafa napetraka taminy; ary rehefa vita izany dia natorony azy ny fitsipika
ankapobeny tokony harahina, mba hisondrotana ho amin’ ny fiainam-panahy
ambony indrindra. Notandindomin-doza ny Kristiana tany Korinto, ka mba tsy
hiharan’ny tsy fahombiazana, dia niezaka ny apostoly hampahery ny fony
hiatrika ny fotoana sarotra indrindra. Nampitandrina azy fatratra ny amin’ ny loza
manandindona azy izy, ary nananatra azy noho
263
ny fahotany. Namponsihiny hibanjina indray an’ i Kristy izy, ary nataony izay
hamelona ao amin’ ny fanahiny indray ny hafanam-po tamin’ ny andro vao
ninoany.
Hita teo amin’ ny fiarahabana feno fitiavana nataon’ i Paoly tamin’ ny
fiangonana ny halehiben’ ny fitiavany ny Korintiana. Nampahatsiaroviny azy ny
fiovam-po efa nananany izay nampiendaka azy tamin’ ny fanompoan-tsampy, ka
nivavahany sy nanompoany an’ Andriamanitra marina. Noresahiny taminy ny
amin’ ny fanomezana ny Fanahy Masina izay efa noraisiny, sy ny tombontsoa
nomena azy hitombo lalandava ao amin’ ny fiainana kristiana, mba hahatrarany
ny fahadiovana sy ny fahamasinan’ i Kristy. «Misaotra an’ Andriamanitra
mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena
anareo ao amin’ i Kristy Jesosy, dia ny nampananana harena anareo ao aminy
amin’ ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra, araka ny
niorenan’ ny filazana an’ i Kristy teo aminareo, ka dia tsy latsaka amin’ ny
fanomezam-pahasoavana rehetra hianareo, miandry ny fisehoan’ i Jesosy Kristy
Tompontsika».
Nambaran’ i Paoly miharihary ny amin’ ny fisaraliana nanjaka tao amin’
ny fiangonana tany Korinto, ka namporisika ny mambra izy mba hampitsahatra
ny adilahy teo aminy. «Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, hoy i Paoly, amin’
ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy
hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray
saina sy hevitra». Tsy nafenin’ i Paoly ny fomba nahafantarany izao fisarahana
misy ao amin’ ny fiangonana izao, ary nambarany izay olona nandrenesany izany.
«Fa efa voalazan’ ny avy amin’ ny ankohonan’ i Kloa tamiko ny amin’ ny
toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo ».
Nahazo tsindrimandry ny apostoly Paoly. Noraisiny tamin’ ny alalan’ ny
«fahitana» ny faharaarinana notoriny. Tsy mba nampahafantarin’ ny Tompo
taminy mandrakariva anefa ny toetra tena hita teo amin’ ny olona. Fa tamin’ izao
dia ireo rahalahy izay naniry ny handrosoan’ ny fiangonana tany Korinto no
nampahafantatra ny apostoly Paoly ny amin’ ny fahotana tafatsofoka tao amin’
ny fiangonana. Ary io apostoly io, araka ny fanambarana mivantana noraisiny
tamin’ Andriamanitra teo aloha, dia afaka nandanjalanja ny tena zava-misy!
Kanefa kosa, na dia tsy nandray fahitana avy tamin’ ny Tompo ny amin’ ny toe-
javatra niseho teo amin’ ny fiangonana aza izy, dia nanaiky ny hafatra nalefany
ireo izay
264
nikatsaka marina ny fahamarinana, ary noraisiny ho hafatra avy tamin’ ny
Fanahin’ i Kristy izany. Nasehon’ Andriamanitia taminy ny zava-tsarotra sy ny
loza izay hipoitra tao amin’ ny fiangonana; koa noho izany dia nekeny ny fisian'
ny fahotana izay nitombo tany Korinto. Notendrena hiaro ny fiangonana izy, sy
hiambina ny fanahy, satria fantany fa hampamoahina eo anatrehan’ Andria-
manitra ny amin’ ireo izy. Moa ve tsy ara-drariny ny handinihany tsara ny amin’
ny tatitra nomena azy ny amin’ ny fikorontanana sy ny fisarahana nanjaka tao
amin’ ny mpino tany Korinto? Eny tokoa, satria ny faniniana nataony taminy dia
tsindrimandry avy tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra, toy ny epistily hafa rehetra
nosoratany koa.
Tsy nokasihin’ ny apostoly akory ny amin’ ireo mpampianatra sandoka
izay niezaha hanapotika ny vokatry ny fikelezan’ ainy, satria mbola nanjaka teo
amin’ny fiangonana ny fahamaizinana sy ny fisarahana, ka dia naleon’ i Paoly
tsy nampahatsiaro azy ireo ny amin’ io toe-javatra mampalahelo io, izay nety ho
nampiendaka ny sasany tamin’ ny fahamarinana koa. Nampaha-tsiaroviny azy
ny asa notontosaina teo aminy. Toy ny mpità-marika mahay no nametrahany ny
fototra izay nandrafetan’ ny hafa teo amboniny. Nefa tsy nirehareha ny amin’
izany izy, satria izao no teniny: «Fa mpiara-miasa amin’ Andriamanitra izahay».
Tsy nilaza izany na oviana na oviana ho vokatry ny fahendreny izy; fa nekeny
kosa fa ny herin’ Andriamanitra ihany no nahafahany nanambara ny
fahamarinana tamin’ ny fomba mahafinaritra. Nanana fiombonana tamin’ i Kristy
izy, dia Kristy Ilay Mpampianatra ambony indrindra, no nahazoan’ i Paoly
nanome lesona ny amin’ ny fahendren’ Andriamanitra tao amin’ ny sain’ ny olona
- lesona izay takatry ny sain’ ny sokajin’ olona rehetra, ka ny fampiharana izany
dia azo tanterahina ho amin’ ny vanim-potoana rehetra, sy any amin’ ny tany
rehetra, ary amin’ ny toe-java-misy rehetra.
Ny fahotana ratsy indrindra nitombo tao amin’ ny fiangonana tany
Korinto, dia ny fiverenan’ ny olona indray teo amin’ ny fahazarana mampietry
fanahy araka ny fomba jentilisa. Nisy mpino iray izay tratran’ ny fihemorana
lalina indrindra, ka nanjary naneho fitondrantena nanafintohina, noho ny
fanitsakitsahany ny fitsipika nankatoavin’ ny jentilisa izay efa nanana toe-panahy
efa ambany dia ambany rahateo. Dia niangavy ny Kristiana i Paoly mba tsy
hifandray amin’ ny olona mihemotra toy izany. «Tsy mety ny fireharehanareo.
Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana

265
rehetra? Esory ny masirasira ela mba ho vongana vaovao hianareo araka izay tsy
maha-misy masirasira anareo».
Nisy faharatsiana tena mahatsiravina koa teraka tao amin’ ny
fiangonana tany Korinto, satria nifampitory ny mpirahalahy mpiray
finoana. Efa nisy fananarana maro anefa nomena azy, mba ho izy
samy izy ihany no handamina ny tsy fifanarahana eo aminy. Kristy
koa aza efa nampiseho mazava ny lokony ho fifampitondran’ ny samy Kristiana:
«Ary raha manola aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehetra
mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao
izy dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento
miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny
rehetra amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo. Ary raha tsy mety mihaino
ireo izy dia ambarao amin’ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny
fiangonana koa izy dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra
izy. Lazaiko aminareo marina tokoa; Na inona na inona fehezinareo ety ambonin’
ny tany dia hofehezina any an-danitra ; ary na inona na inona vahanareo etÿ
ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra»1.
Tsy nataon’ i Paoly manjavozavo ny anatra nataony tamin’ ny Kristiana
tany Korinto, izay efa nanadino ireo toro hevitra mazava ireo. Fa hoy izy taminy:
«Misy aminareo ve manana ady amin’ ny namany, sahy handeha hotsarain’ ny
olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ ny olona masina? Sa tsy fantatrareo fa ny
olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao
hianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika va hianareo? Tsy
fantatrareo va fa hitsara anjely isika ? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana
izao. Koa raha misy hotsarainareo ny amin’ ny momba izao fiainana izao, moa
izay ataon’ ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara?
Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry
aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ ny
rahalahiny? Fa ny rahalahy mandeha hiady amin’ ny rahalahiny, na dia hotsarain'
ny tsi-mino aza. Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin’
ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza hianareo ?
Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza hianareo ? Kanjo hianareo indray
no manao izay tsy marina ka manambaka na ny rahalahinareo aza.
1) Mat. 18 :15 - 18
266
Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova
ny fanjakan’ Andriamanrtra ?»
Satana dia milofo mafy hampiditra ao amin’ ny vahoaka Andrimanitra ny
tsy fitokisana, ny korontana, ny hafetsena Angamba mety halaim-panahy hino
isika fa voahosihosy ny zo tokony hananatsika kanefa tsy manana rariny akory
isika hihambo hanana izany hevitra izany. Izay mitady sitraka bebe kokoa ho an’
ny tenany fa tsy maneho fitiavana bebe kokoa ho an’ i Kristy sy ny asany dia
hametraka ny tombontsoa ho an’ ny tenany ho laharam-pahamehana ary
hampiasa ny tetika rehetra mba hiarovany izany tombotsohany izany.
Amin’ ireo Kristiana toa manana endrika ho tena niova fo no ahitana olona
maromaro anjakan’ ny avonavona sy ny fiheveran-tena ho marina, ka manda tsy
handeha hitady fihavanana amin’ny rahalahiny izay heveriny fa meloka. Tsy te
hiteny aminy ao amin’ ny sain’ i Kristy izy, na hiara-mivavaka aminy mba
hampilamina ny hifandirana. Misy koa sasany mihevitra azy ho nataon’ ny
rahalahany tsindry hazo lena, ka mitady hitory azy any amin’ny fitsarana, ary
nanadino ny fitsipika nomen’ i Tompo.
Tsy tokony hitady hotsarain’ ny fitsaran’ ny tany ny Kristiana mba
handaminana ny olana eo aminy. Ny rahalahy ihany no tokony handamina ny
zava-tsarotra mety hisy eo aminy, na ny fiangonana koa aza, ka hanao izany araka
ny fitsipika nomen’ny Tompo. Na dia nisy ratsy nataon’ ny sasany tamin’ ny tena
aza, ny mpianatr’ Ilay Tompo malemy fanahy dia hifidy ny hendahina», toy izay
hanaiky ny hamboraka eo anatrehan’ izao tontolo izao ny fahotan’ny rahalahiny.
Fanalam-baraka ny fahamarinana ny ady ifanaovan’ ny samy Kristiana.
Ny mpino mifampitory any amin’ ny fitsarana dia manao izay hahafa-baraka ny
fiangonana eo anatrehan’ ny jentilisa. Ary manome fandresena ho an’ ny herin’
ny haizina. Ratrainy indray ny ferin’ i Kristy, ka saronany fahafaham-baraka
mibaribary. Izay mitsipaka ny fahefan’ ny fiangonana dia maniratsira an’ Andria-
manitra izay nanome fahefana azy.
Tao amin’ ny epistily voalohany ho an’ ny Korintiana ity no niezahan’ ny
apostoly Paoly hitarika ny sain’ny Korintiana hibanjina ny herin’ ny Mpamonjy,
izay hany afaka hiaro azy amin’ ny fahotana. Fantany fa raha tian' ireo ny
hanaraka ny fitsipika araka ny Soratra

267
Masina, dia homen’ ny Tsitoha hery izy. Mba hanampy azy hiala
amin’ ny fandriky ny ota sy mba hahafeno ny fahamasinany ao amin’ ny
fahatahorana ny Tompo, dia niezaka i Paoly mba hana rahan’ ireo ny fitsipika
nanolorany ny fiainany fony izy vao niova fo; «Fa an’ i Kristy hianareo ... ka tsy
tompon’ ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo, koa dia mankalazà
an’ Andriamanitra amin’ ny tenanareo».
Nasehon’ ny apostoly fa rehefa ilaozana ny toetra madio sy masina dia tsy
maintsy lasa mivarina any amin’ ny fomban’ ny mpanompo sampy ny tena, «Aza
mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny
mpaka vadin’ olona sy ny sodomita sy ny mpahgalatra sy ny mpierina sy ny
mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova
ny fanjakan’ Andriamanitra». Niangavy azy hifehy ny filàn-dratsiny izy. «Moa
tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ ny Fanahy Masina, Izay ao
anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra? ka tsy tompon’ ny tenanareo
hianareo».
Tsy nanana talenta ara-tsaina mahatalanjona fotsiny ny apostoly Paoly, fa
nanana fahendrena mahagaga koa; ary izany no nahazoany namantatra ny toetran’
ny namany, ka nanehoany fitia taminy ary nahazoany koa nampifoha tao aminy
ny saina mendrika indrindra, ary nitaomany azy ireny koa haniry hanatratra ny
tanjona avo indrindra amin’ ny fiainana kristiana. Niboiboika fitiavana ho an’ ny
mpino tany Korinto ny fony. Niriny fatratra ho azy ireny ny hananany finoana ao
anaty izay hampahery azy eo amin’ ny tolona ataony amin’ ny fakam-panahy.
Fantany fa isaka ny indray mandingana dia tsy maintsy hisetra fanoherana avy
amin’ ny tafik’ i Satana izy, ka tsy maintsy hitolona isan’ andro isan’ andro. Tsy
maintsy mailo ny tena mba tsy ho voajokon’ io fahavalo mahery io,
izay hanery azy hiverina eo amin’ ny fahazaran-dratsy teo aloha, ho amin’ ny
fironana malaky mahazo; ka izany no tokony hiambenany lalandava ao amin’ ny
fivavaliana.
Fantatr’ i Paoly fa tsy hahatratra ny fenitra ambony indrindra ny Kristiana
raha tsy mivavaka tsy mitsahatra, ary miambina lalandava. Niezaka izy mba
hampiditra ao an-tsain’ ny mpino izany fijoroana ara-panahy izany. Fantany
ihany koa fa ao amin’ i Kristy voahombo amin’ ny hazo fijaliana no ahitana ny
hery ampy hanova ny fanalry sy hahazoany manohitra ny fakam-panahy. Rehefa
mitafy ny fiadian’ ny finoana sy miaina ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra izay
sabatry

268
ny fanahy ny Kristiana, dia hitafy hery hahazoany manosika ny fanafihan’ ny
fahavalo. Nilain’ ireo mpino tany Korinto ny hanao fanandramana lalina kokoa
ny amin’ ny zavatr’ Andriamanitra. Tsy mbola tena takatry ny sainy ny hevitry
ny hoe mibanjina ny voninahitr’ Andriamanitra sy tonga olom-baovao. Mbola
vao ny taratra voalohany amin’ ny fipoak’ andro maraina fotsiny momba
an’ io voninahitra io no voarainy.
Nirin’ i Paoly ny hahafeno ny Korintiana amin’ ny fahafenoan’
Andriamanitra, sy ny hiezahany hahafantatra an’ Ilay ho avy indray, izay efa eo
am-piomanana hiseho toy ny tara-pahazavana mamira-piratry ny maraina; niriny
ny hitohizan’ ny fandraisan’ ireo ny anatra avy amin’ Andriamanitra, mba ho
voataona ho eo amin’ ny fahazavana feno ao amin’ ny finoana tanteraka izy.

269
30

Antsoina hanatratra
tanjona ambony lavitra

Mba hahazoan’i Paoly hanaitra ny sain’ ny Krisfiana hahafantatra ny


maha-zava-dehibe ny fiainana voafehy tsara sy mahonon-tena ary manam-
paniriana miredareda hiasa ho an’ i Kristy, dia nanao fampintahana ao amin’ ny
epistily voalohany nosoratany ho an’ ny Korihtiana izy, - fampitahana ny ady
ataon’ ny Kristiana amin’ ny ratsy, sy ny fifanalana hazakazaka malaza fanao
tany Korinto amin’ ny vanim-potoana sasantsasany.
Amin’ ireo kilalao fanaon’ ny Grika sy ny Romana dia ny hazakazaka an-
tongotra no tranainy sy ankafizina indrindra. Samy nanatrika izany fifaninanana
izany, na ny mpanjaka, na ny Andriana, na ireo mpanao raharaham-panjakana.
Nandray anjara tamin’ izany ny zatovo avy amin’ ny fianakaviana ambony, ka
tsy nitsitsy aina mihitsy, ary vonona hanaraka ny fitsipika mba hahazoany ny
loka.
Tsy nananana indrafo mihitsy ny fampiharana ireo fitsipi-pifehezana, ary
ny fanapahan-kevitra navoaka dia tsy azo novana. Tsy maintsy nifehy tena hanao
fanazaran-tena henjana izay naniry hihazakazaka. Nofadina tanteraka avokoa ny
fihinanana tafahoatra mbamin’ ny filàna rehetra nety hanipihena ny herin’ ny tena
sy ny saina. Tsy maintsy manana vatantena matanjaka sy mailaka izay
naniry hahazo loka tamin’ izany hazakazaka nilàna hery sy hafainganam-pandeha
izany. Tsy maintsy ho voakendry tsara ny fihetsika rehetra, ary ny dingana dia ho
mailaka sy tsara petraka; ny tanjaka sy ny herim-batana tsy maintsy ho
tomombana tanteraka. Rehet'a aseho
Mifototra amin’ ny Korintiana Voalohany ity toko ity.

271
eo anatrehan’ ny mpijery ny mpifaninana, dia tononina ny anarany ary ambara
ampahibemaso ny fitsipiky ny lalao. Dia miara-miainga izy rehetra, ka ny
fànohanan’ ny mpijery no mamporisika azy handrombaka ny loka. Mipetraka eo
anilan’ ny faritra fahatongavana ny mpitsara mba hahazoany manara-maso
tanteraka ny hazakazaka hatramin’ ny voalohany ka hatramin’ ny farany, ka
hanomezany ny loka ho an’ izay tena mpandresy. Raha sendra misy mpihaza-
kazaka-iray tonga voalohany eo amin’ ny fetra, nefa tsy nanara-dalàna, dia tsy
homena loka izy.
Nisy loza nety nihatra tamin’ ny mpihazakazaka. Misy mpihazakazaka
sasany tsy tafaverina intsony ny fahasalamany, rehefa avy nanao ezaka mafy dia
mafy teo am-pihazakazahana. Ary matetika no ahitana mpifaninana potraka eny
am-pihazakazahana, ka miboba ra ny vavany sy ny orony. Indraindray koa aza
maty tsy tra-drano ny mpihazakazaka eo am-pahazoany ny loka indrindra. Kanefa
lehibe tokoa ny voninahitra atolotra ny mpandresy, ka tsy misy mpihazakazaka
manampo ny harary sy tsy ho sitrana intsony, na koa hiharan’ ny fahafatesana
aza.
Rehefa tonga eo amin’ ny fetra ny mpihazakazaka, dia mirefodrefotra ny
tehaka ataon’ ny mpanatrika, ka re hatraiza hatraiza izany, eny, mianfefa eny
amin’ ny tendrombohitra manodidina ny akony. Amin’ izay ny mpitsara dia
manolotra ho an’ ny mpandresy, eo anatrehan’ ny mpijery rehetra, ny lokan’ ny
fandresena azony: satroboninahitra no atao eo amin’ ny lohany, ary sampan-
drofia no eo amin’ ny tanany ankavanana. Ankalazaina any amin’ ny tany
rehetra ny fiderana azy; heni-boninahitra koa ny ray aman-dreniny, ary na ny
tanàna nonenany aza dia nitafy laza, satria namoaka mpandresy mamirapiratra
toy izao.
Noraisin’ i Paoly ho sary hampisehoana ny fiainana kristiana izany kilalao
izany, ka nohizingizininy ny tsy maintsy hanaovana fanazaran-tena henjana, sy
hifehezan-tena momba ny sakafo, mba hahazoana ny loka. «Ary ny
mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ ny zavatra rehetra», hoy izy. Tsy
maintsy mifady izay rehetra mety hampihena ny herim-batany ny
mpihazakazaka; ary avy amin’ ny fifehezan-tena henjana sy tsy misy fiatoany, no
anaovany fanazaran-tena hampatanjaka ny hozatra rehetra ao amin’ ny tenany.
Rehefa tonga ny andro hihazakazahana, dia azony atao ny hampiasa ny heriny
rehetra. Mbola lehibe lavitra noho izany ny ezaka tokony hataon’ ny Kristiana,
satria ny ho aviny mandrakizay no banjininy, ka tsy maintsy mahafehy tena

272
amin' ny filàna izy, ary tsy handevozin’ ny faniriany. Samy ho fehezin’ ny
fitsipika henjana ny fahazarany rehetra, ka ny saina hazavain' ny fampianarana
ao amin' ny Tenin’ Andriamanitra sy tarihin’ ny Fanahy Masina, no mihazona ny
familiam-piainany. Rehefa voatafy fiadiana toy izany ny Kristiana dia hanao izay
farany tratran’ ny heriny izy mba hahazoany ny loka. Tamin’ ny hazakazaka natao
tany Korinto, dia ny dingana faramparany no tsy maintsy ezahina mafy indrindra
mba tsy hampihena ny hafainganam-pandeha efa vita. Toy izany koa, ny
Kristiana izay efa manakaiky ny fetra, dia tsy maintsy manezaka mafy ary tapa-
kevitra mihitsy hanao mihoatra noho ny nataony tamin’ ny voalohany.
Asehon’ i Paoly ny fahasamihafana misy eo amin’ ny loka mety lo
natolotra ny mpandresy tamin’ ny kilalao fahiny, sy ny lokam-boninahitra
mandrakizay atolotra ny kristiana mandresy hatramin’ny farany. «Ny
mpihazakazaka rehetra ... hoy izy, dia mitady satroboninahitra mety lo ihany».
Tsy nitandro hasasarana mihitsy ny mpihazakazaka Grika, mba hahazoany ny
satroboninahitra mety lo. Ary isika kosa, miady mba hahazoana loka tsara lavitra,
dia ny lokan’ ny fiainana mandrakizay. Koa noho izany, dia tokony ho vohbna
hiatrika ny fahafoizan-tena sy fandavan-tena lehibe indrindra isika, mba hahazo
fandresena ao amin’ io tolona io.
Asehon’ ny Epistily ho an’ ny Hebreo ny fetra tokana izay tokony
hampiavaka ny fihazakazahan’ ny Kristiana izay manam-paniriana hahazo ny
fiainana mandrakizay. «Aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra
amintsika mbamin’ ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika
hihazakazaka amin’ ny faharetana amin’ izao fihazakazahana filokana napetraka
eo anoloantsika izao, mijery an' i Jesosy, Tompon' ny finoantsika sy mpanefa azy
1
».
Ny fitsiriritana, ny haratsiam-panahy, ny eritreri-dratsy, ny fifosana, ny
fieremana dia samy enta-mavesatra avokoa, jzay tokony harian’ ny Kristiana eo
amin’ ny fihazakazahany, mba hahazoany ny fiainana mandrakizay. Ny
fahazarana sy ny fihetsika rehetra mitarika ho amin’ ny fahotana dia samy manala
voninahitra an’ i Kristy, ka tokony hafoy, na toy inona na toy inona haben’ ny
fandavan-tena tsy maintsy iaretana.
1) Heb. 12 : 1, 2
18 — Vavolombelona Mahery
273
Tsy azo omena izay mandika ny fitsipik’ Andriamanitra mandra-
kizay ny fitahiana avy any ambony. Fahotana iray monja kobonina ao am-po dia
afaka hanimba ny toetra manontolo sy hamitaka ny olona. «Ary raha ny tànanao
no manafintohina anao, hoy Jesosy, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra
kilemaina any amin’ ny fiainana noho ny manana tànana roa, nefa hariana any
amin’ ny helo»2. Raha tsy maintsy hotapahina ny tanana iray na ny tongotra iray,
eny, na dia tsy maintsy hopotsirina aza ny maso iray mba hamonjena ny tena
manontolo, - dia vao mainka moa ny ilan’ ny Kristiana ny hahafoy ny fahotana
izay mamery ny fanahiny!
Na dia efa nanao fifehezan-tena henjana dia henjana aza ny
mpihazakazaka teo amin’ ny lalao fahiny, dia mbola mety tsy hahazo
ny fandresena ihany izy, «Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ ny
tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no
mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo». Na mafy toy
inona aza ny tolona, dia iray ihany no nahazo ny loka. Tanana iray monja no
mahazo mandray ny satro-boninahitra nohirifan’ ny maro. Tsy mba toy izany ny
amin’ ny ady atrehin’ ny Kristiana. Tsy hisy diso fanantenana, ka tsy hahazo
loka, izay rehetra maharitra mihazakazaka. Tsy mba fifaninana hafainganana na
fifampitahan-kery ny hazakazaka kristiana. Na ny olona masina malemy
indrindra, na ny matanjaka indrindra eo amin’ ny ara-nofo dia samy afaka
handrombaka ny satroboninahitra mandrakizay. Izay rehetra niasan’ ny
fahasoavan’ Andriamanitra, ka mampifanaraka ny fiainany amin’ ny sitrapon’ ny
Tompo, dia samy afaka hahazo fandresena. Mazàna hamaivanin’ ny olona ireo
fitsipika voarakitra ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra, ka heveriny ho tsy ilaina
hampiharina eo amin’ ny fiainana andavanandro; heveriny ho tsy tokony
hifantohan’ ny saina betsaka ny amin’ireny. Nefa kosa, mba hahazoana ny
fandresena, dia tsy misy tokony hamaivanina ny zavatra ara-nofo mety hisakana
ny fahazoana izany. Ny asa rehetra dia samy misy lanjany avokoa hampitongilana
ny lela-mizana, ka ho antony hahazoana na tsy hahazoana ny fandresena farany.
Arakaraka ny firehetam-po sy ny ezàka natao hitolomana ny haben’ny valim-pitia
homena ny mpandresy.
Mampitaha ny tenany amin’ ny mpihazakazaka eo amin’ ny tany
filalaovana koa ny Apostoly Paoly, ka manao ny ezaka rehetra mba hahazoany
ny loka. «Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa
2) Marka 9 : 43, 44
274
tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely
ny rivotra; fa asiako mafy ny tenako ho mangana, ka andevoziko, fandrao na dia
efa nitory tamin’ ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako». Mba tsy
hihazakazahana foana ao amin’ ny fifaninanana kristiana, dia nanao fanazaran-
tena henjana tokoa ny apostoly Paoly. Ny teniny hoe «Andevoziko ny tenako»,
dia midika ara-bakiteny hoe: Toheriko amin’ ny fifehezan-tena henjana ny
faniriako rehetra, ny fironan’ ny saiko rehetra, sy ny filàko rehetra.
Izay tena natahoran’ ny apostoly dia ny holavina ny tenany rehefa avy
nitory tamin’ ny sasany izy. Fantany fa raha tsy ampi-hariny amin’ ny fiainana
andavanandro ny teny toriny, dia tsy hisy vokatra na inona na inona ny asa ataony
ho an’ ny hafa. Tokony ho hita eo amin’ ny fomba, firesany sy ny hery avy aminy,
ny fanoherany ny fakam-panahy ka tsy finoana ivelambelany fotsiny ny
fivavahany, fa tena firaisana velona sy maharitra amin’ Andriamanitra. Ny fenitra
tokana napetrany teo anoloany, izay niriny fatratra ho tratrarina, dia ny «
fahamarinana avy Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana»3.
Eantatr’ i Paoly fa tsy hitsahatra ny ady ataony amin’ ny ratsy raha tsy efa
maty izy. Fantany fa tsy maintsy manao fifehezan-tena henjana sy maharitra izy
mba tsy handresy ny fiainany ara-panahy ny fitsiriritana an’ izao tontolo izao.
Noho izany no nito-lomany tamin’ ny heriny rehetra ho fanoherany ny fironana
mpahazo azy. Nibanjina mandrakariva ny fenitra nokendreny hotratrarina izy; ary
mba hahatrarany izany, dia niady izy ka nankato tamim-pifaliana ny didin’
Andriamanitra. Teo ambany fifehezan’ ny Fanahy Masina, na ny fiteniny, na ny
asany, na ny fitiavany, — ny fiainany manontolo.
Io fenitra tokana io izay niezahan’ i Paoly hotratrarina mba hahazoany ny
fiainana mandrakizay, no niriny koa mba ho fenitra hotratrarin’ ny Korintiana.
Fantany fa mba hahazoany manahaka an’ i Kristy dia tsy maintsy hanao tolona
tsy hisy fiketrahana mihitsy izy. Noho izany no namporisihany azy ireo mba
hiady mifanaraka amin’ ny didin’ Andriamanitra isan’ andro isan’ andro, ka
hikatsaka ny toetra araka an’ Andriamanitra sy ny fahatante-rahana ara-panahy.
Niangavy azy ireny hiala tamin’ ny enta-mavesatra izy, ka hihazakazaka
hanatratra ny fahatanterahana ao

3) Filipiana 3 : 9
275
amin’ i Kristy. Nasehon’ i Paoly ho ohatra ho an' ny Kristiana tany Korinto ny
amin’ ny Zanak’ Isiraely izay nandray fitahiana betsaka rehefa nahatoky tamin’
Andriamanitra, ary nofaizina kosa rehefa nandika ny didiny. Nampahatsiaroviny
azy ny fahagagana nataon’ Andriamanitra raha nivoaka avy tany Egypta ireny;
notantarainy ny fïarovana azy tamin’ ny alalan’ ny andri-rahona tamin’ ny
antoandro, ary tamin’ ny andri-afo tamin’ ny alina. Toy izany koa ny
nahatongavany teo amin’ ny Ranomasina Mena izay nidirany, nefa tsy nisy maty
izy na iray aza ; fa ny Egyptiana kosa, izay nanandrana niditra teo amin’ ny lalana
nandalovan’ nv Zanak’ Isiraely, dia maty natelin’ ny rano avokoa.
Nasehon’ Andriamanitra tamin’ ireny fahagagana ireny fa nekeny ho
fiangonany ny firenena Isiraely. «Izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray
ihany, ary izy rehetra nisotra ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotra tamin’ ny
vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany». Io
Mpamonjy io no nitarika ny Isiraely nandritra ny fivahiniany. Ilay vatolampy
nokapohina no nampiseho indrindra an’ i Kristy izay tsy maintsy noratraina noho
ny fahotan’ ny olona, mba hikoriana ho an’ nv olona rehetra ny loharanom-
pamonjena.
Na dia nandrotsaka ny fitahiany ho an’ ny Hebreo aza Andriamanitra, dia
niharan’ ny fitsaran’ ny lanitra izy ireo, noho izy nalahelo ny tombontsoa
sasantsasany nananany tany Egypta, ka nofaizina noho ny fahotany sy ny
fikomiany izy.
Namporisihin’ i Paoly ny Korintiana mba handray fianarana avy amin’
izay nihatra tamin’ ny Isiraely fahiny. «Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra,
hoy i Paoly, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ ny faran’
izao tontolo izao». Nohazavainy taminy fa ny firobohana ao amin’ ny
fahafinaretana sy ny fitadiavana fiainana miadana no namboatra lalana ho amin’
ny fahotana izay nahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra hihatra taminy.
Rehefa nipetraka hihinana sy hisotro ny Zanak’ Isiraely, ka nitsangana hilalao,
dia tamin’ izany no nandavany ny faha-tahorana an’ i Jéhovah - dia ilay tahotra
tsapany teo aloha rehefa nanonona ny didiny Andriamanitra. Noho izany no
nanaovany sarin-janak’ omby volamena sy niankohofany teo anatrehany.
Rehefa avy niravoravo taorian’ ny nanaovany fety ho fankalazana ny Bala-
peora Isiraely, dia maro taminy no niroboka tao amin’ ny fahavetavetana. Dia
nirehitra taminy ny fahatezeran’
276
Andriamanitra, ka nisy telo arivo sy roa aima no naringana tao anatin’ ny
indray andro monja.
Toy izao no hamporisihan’ i Paoly ny Korintiana: «Koa izay inanao azy fa
efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo». Raha feno avonavona
izy, ka matoky tena ho marina, ary manao tsirambina ny fiambenana sy ny
fivavahana, dia amin’ izany indrindra no hahalavo azy ao amin’ ny faliotana
lehibe, ka hianjeran’ ny fahalezeran’ Andriamanitra eo aminy. Tsy tian’ i
Paoly ny hampamoy fo ny Korintiana na dia tsy maintsy nanao teny mahery
taminy aza izy. Noho izany no nanomezany azy izao teny feno toky izao: «Tsy
misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ ny olombelona; nefa
mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela ànareo halaim-panahy mihoatra noho
izay zakanareo fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana haltafahanareo
koa mba hahazakanareo izany ».
Namporisika ny rahalahy i Paoly mba handinika sao mampiseho ohatra
ratsy ho an’ ny hafa ny fiteniny sy ny asany. Nanariny izy tsy hanao na inona na
inona izay hanahafany ny mpanompo sampy, na koa handratrany ny sain’ ny
malemy finoana, «Koa amin’ izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona
na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra izany rehetra
izany ».
Ny anatra nataon’ i Paoly ho an’ ny tiangonana tany Korinto dia azo
ampiharina koa amin’ ny vanim-potoana rehetra, indrindra ho antsika
ankehitriny. Raha nilaza ny amin’ ny fanompoan-tsampy izy, dia tsy ny tenà
sampy ihany no tiany holazaina, fa ny fitiavan-tena koa, ny fikatsahana fiainana
mora, ny fanaranam-po amin’ ny filàna isan-karazahy. Tsy ampy hahafantarana
ny olona ho Kristiana ny filazany ny tenany ho mpino an’ i Kristy, na ny
fihamboany ho mahalala ny fahamarinana. Ny fivavahana tia dokadoka, na fatra-
pikatsaka fahafinaretana, dia tsy azo ekena, ho an’i Kristy.
Tena nety tokoa ny nampitahan’ i Paoly ny fiangonana tamin’ny
vatantenan’ ny olona, mba hampisehoany ny fifandraisana akaiky sy ny
firindrana tokony hisy eo amin’ ny samy mambra. «Ary isika rehetra dia efa
nampisotroina ny Fanahy iray. Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro. Raha
ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tànana aho dia tsy mba momba ny tena, — amin’
izany dia tsy momba ny tena va izy ? Ary raha ny sofina hanao

277
hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena, koa amin’ izany dia tsy
mba momba ny tena va izy? Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay
fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanamboloana? Fa
Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena samy ho eo amin’ ny
tena araka ny sitrapony. Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray
monja, aiza intsony izay tena? Fa. maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray
ihany. Ary ny maso tsy mahazo manao amin'ny tànana hoe Tsy mila anao aho,
ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin’ ny tongotra hoe: Tsy mila anareo
aho. Fa mainka ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao hoe malemitemy kokoa
noho ny sasany. Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa
dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa; ary izay tsy misy haja amin’ ny momba
ny tenantsika no hajaintsika kokoa; fa tsy mila izany izay efa misy haja rahateo
amin’ ny momba ny tenantsika. Fa tamin’ ny nanamboaran’ Andriamanitra
ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa, mba tsy
hisy fisarahana eo amin’ ny tena, fa mba hifam-piahy ny momba ny tena rehetra.
Ary raha mijaly ny anankiray amin’ ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa
izay rehetra momba ny tena; ary raha omem-boninahitra kosa ny anankiray
amin’ ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena».
Manaraka izany no nanambaran’ i Paoly ny amin’ ny loharano ipoiran’ ny
aingam-panahy sy ny fampaherezana iray ho an’ ny mpino. Na tamin’ ny andron’
ny apostoly Paoly, na ho an’ ny olona ankehitriny, dia nampiseho ny maha-zava-
dehibe ny fitiavana izy. Io fitiavana io no tokony hokatsahin’ ny mpianatr’ i
Kristy; «Na dia miteny amin' ny fitenin’ ny olona sy ny anjely aza aho,
kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona
mikarantsana aho. Ary na dia manana ny faminaniana aza aho ka mahalala ny
zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny
finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanela tsy manana
fitiavana, dia tsinon-tsinona aho. Ary na dia omeko hohanin’ ny malahelo aza ny
fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako kanefa tsy manana
fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany».
Na dia mendrika toy inona aza ny finoan’ ny Kristiana iray raha tsy
miboiboika fitiavana an’ Andriamanitra ny tony, ary tia ny namany, dia tsy tena
mpianatr’ i Kristy izy. Mety hanana finoana goavana izy, ka hahavita fahagagana,
netaraha tsy manana fitiavana

278
izy, dia tsinontsinona ny finoany. Raha niampiseho fahalalahan-tanana
fatratra izy, nefa tsy entanin’ ny tena fitiavana eo am-pizarany
ny fananany ho an’ ny malahelo, dia tsy hahazoany sitraka amin’Andriamanitra
ny asam-piantrana ataony. Noho ny hafanampony hanao ny asan’ i Kristy, dia
rnety hiharan’ ny fanenjehana ho maritiora izy; nefa raha tsy ny fitiavana no tena
manosika azy,dia ho toy ny manao hafanampo tsy misy antony izy ary ho toy ny
mpihatsaravelatsihy no ijeren’ Andrianianitra azy.
«Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsymialona, tsy
mirehareha, tsy mieboebo».
Ny fitiavana tonga lafatra dia mipoitra avy ao amin’ ny fanetrentena lalina.
Ny toetra matanjaka sy mendrika indrindra dia miorinaeo amin’ ny fahari-po sy
ny fitiavana ary ny fileferana eo ambanin’ ny sitrapon’ Andriamanitra.
Ny fitiavana «tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy tsy mora
sosotra, tsy manao otri-po». Ny fitiavana mitovy amin’ ny an’ i Kristy no mitady
ny lafin-tsarany mandrakariva eo amin’ ny asa sy ny fikasana, ataon’ ny namany.
Tsy mba milaza tsy amin’ antony ny kileman’ ny hafa izy, ary tsy manongilan-
tsofina «amin’ ny fifosana, fa miezaka kosa hitarika ny sain’ ny mpihaino
hijery ny toetra tsara eo amin’ ny hafa.
Ny fitiavana «tsy mifaly amin’ ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ ny
fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra,
manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra». «Ny fitiavana tsy ho
levona mandrakizay». Tsy mety hihem-bidy izy satria toetran’ Andriamanitra.
Izay manana izany no hiditra any amin’ ny lapan’ ny lanitra, ka hiravaka io zava-
tsoa sarobidy io.
«Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra; ny tmoana, ny fanantenana,
ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ ireo».
Nisy Kristiana sasany tany Korinto, izay nitambotsotra, ny fiainany ara-
panahy ka niala tamin’ ny fitsipika fanorenan’ ny finoana. Maro tamin’ izy ireny
aza no tsy nino ny fitsanganana amin’ ny maty. Nanohitra izany hevi-diso izany
i Paoly, ka nanaporofo mazava tsara ny fahamarinana momba ny fitsanganana
amin' ny maty.
Nambarany fa taorian’ ny nahafatesan' i Kristy dia «nitsangana (tamin’ ny
maty Izy) tamin’ ny andro fahatelo araka ny Soratra
279
Masina; ary niseho tamin’ i Kefasy Izy, dia vao tamin' ny roa ambin'ny folo lahy
koa. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny ralialahy tsy omby diman-jato Izy,
ny ankamaroan’ ireny dia nibola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa
nodi-mandry. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ i Jakoba Izy, dia tamin’ ny
apostoly rehelra. Ary faran’ izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza.
dia mba nisehoany koa. Fa izaho dia ambany indrindra amin’ ny Apostoly».
Tamin’ ny fomba mampiaiky tokoa no nanambaran’ ny Apostoly ny
fahamarinana lehibe momba ny fitsanganana amin’ ny maty. «Fa raha tsy misy
fitsanganan’ ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; ary raha tsy
natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo. Ary
dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin’ Andriamanitra izahay, satria efa
nilaza fa Andriamanitra no nanangana an’ i Kristy; nefa raha tsy hatsangana
ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; ary raha tsy natsangana Kristy,
dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin’ ny fahotanareo ihany hianareo; dia
very koa izay efa nodi-mandry ao amin’ i Kristy. Raha izao fiainana izao ihany
no anantenantsika an’ i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra,
isika. Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ ny maty tokoa Kristy ho
santatr’ izay efa nodi-mandry».
Nentin’ i Paoly an’ eritreritra hiatrika ilay maraina mamira-piratry ny
fitsanganana amin’ ny maty ny Kristiana tany Konnto, ka nambarany fa ny marina
nodimandry dia mbola hifoha ho amin’ ny fiainana mandrakizay miaraka amin’
ny Tompo. «Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa
isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra
farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofma ny trompetra, ary ny maty
hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana. Fa ity mety lo ity dia tsy maintsy
hitafy ny tsi-fahalôvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-
fahafatesana. Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalovana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsi-
fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny
fahafatesana noresena ka levona. Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry
fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?... Fa isaorana anie Andriamanitra, izay
nanome antsika ny fandresena amin’ ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika».
Fandresena be voninahitra manao ahoana no miandry ny Kristiana mahatoky!
Fantatr’i Paoly izay tena nilain’ ireo Korin-

280
tiana, ka dia nitarika ny sainy ho amin’ izay mampisandratra ny fanahiny izy, sy
hiala amin’ ny fitiavan-tena sy ny fahafinaretan’ny nofo, ka hanandratra ny
fiainana kosa sy hitory fanantenana ny amin’ ny fitsanganana amin’ ny maty.
Niangavy azy izy hitoetra ho mahatoky amin’ ny fiantsoana kristiana voarainy:
«Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary
mahefà be mandrakariva amin’ ny asan’ ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana
tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ ny Tompo».
Tamin’ ny alalan’ ny fanazavana tsy azo toherina no niezahany hanitsy ny
hevi-diso sy ny fanao mampidi-doza izay nanjaka tao amin’ ny fiangonana tany
Korinto. Nivantana tsy nisy olakolaka ny fomba fiteniny, satria feno fitiavana ny
rahalahiny izy. Ny faniniana sy ny fananarana nomeny azy dia notarafin’ ny faha-
zavan’ Andriamanitra izay nitsontsorika avy teo amin’ ny seza fiandrianan’ ny
voninahiny. Toy izany no namotsipotsirany ny fahotana miafina nanala baraka
azy ireo.
Fa nanao ahoana kosa no nandraisan’ ny Korintiana io epistily io? Rehefa
nandefa ny epistily i Paoly, dia nanahy izy ndrao dia hanafintohina an’ ireo izay
tokony handray tombontsoa avy amin’ ny fampianarany izany. Natahotra izy sao
dia haharitra ela ny tsy maha-eo azy, ka saika niriny aza ny hanafoana indray ny
teniny.
Izay mahatsapa tena, tahaka an’ i Paoly, fa miantsoroka andraikitra lehibe
amin’ ny fiangonana, na amin’ ny sampan’ asa iray izay tena ankafiziny tokoa,
dia afaka hahalala ny fahoriantsain’ i Paoly sy ny fanenenany. Ankehitriny dia
mahatsapa fanandramana toy izany koa ny mpanompon’ Andriamanitra izay
miasaho Azy. Izy ireny koa no miasa sy miaritra fijaliana tahaka an’ io
apostoly malaza io.
Ny nahitan’ i Paoly ny fisarahan-tsaina tao amin’ ny fiagonana. ny tsy fahaiza-
mankasitraka, ary ny famadihana aza izay hita teo amin’ ireo nikatsaka
fangorahana sy famonjena, no naha-tazanany ny loza nanandindona ny olona izay
niroboka tao amin’ny faharatsiana. Satria voatery hanome tsiny tsy misy indra-fo
ny fahotana izy, dia natahotra kosa ndrao dia nahery vaika loatra ny fiteniny. Koa
noho izany dia tamin-tebiteby fatratra no niandrasany ny filazana momba ny
fomba nandraisan’ ny Kristiana ny hafatra nampitondrainy ho azy.

281
31

Noraisina
tamim - pankasitrahana
ny hafatra

Rehefa niala tao Efesosy i Paoly dia niomana hanao dia fitoriana vaovao
indray. Naniry ny hiverina tany amin’ ireo tany any Eoropa, any amin’ ny toerana
izay efa niasany izy. Koa dia niondrana an-tsambo izy ka nijanona fotoana
vitsivitsy tany Troasy, «noho ny amin’ ny filazantsaran’ i Kristy ». Tao no
nahitany olona vitsivitsy vonona handray ny hafatra. «Namoha varavarana ho ahy
ny Tompo», hoy izy taty aoriana raha nilaza ny asa nataony tao amin’ io tanàna
io izy. Kanefa na dia noraisina tsara tokoa toy izany aza izy, dia tsy nitoetra
naharitra tao. «Ny fiahiana ny fiangonana rehetra», ary indrindra ny tany Korinto,
dia nitambesatra tao amin’ny fony. Nanantena ny hihaona tamin’ i Titosy tany
Troasy izy mba hahafantarany ny fomba nandraisana ny teny fananarana
sy faniniana nataony tamin’ ny Korintiana, kanjo diso fanantenana. «Tsy nahita
fiadanan-tsaina mihitsy aho, hoy izy, satria nahita an’ i Titosy rahalahiko». Koa
noho izany dia niala tao Troasy izy, ka nandalo tany Makedonia, ary nizotra
nankany Filipy izay nihaonany tamin’i Timoty.
Na dia nitebiteby tatratra ny amin’ ny fiangonana tany Korinto aza izy, dia
mbola nanana fanantenana mahafinaritra tokoa. Kanjo nisy alahelo be
nampitanondrika azy indraindray noho ny fihe-

Mifototra amin’ ny 2 Korintiana ity toko ity.


283
verany fa sao dia noraisin’ ny olona teo amin' ny lafi-ratsiny ny torohevitra
nomeny sy ny famporisihana nataony. «Tsy nisy hiainan’ ny nofonay, hoy ny
teny nosoratany, fa nampahorina tamin'ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady,
tao anatiny nisy tahotra. Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny mpandefitra, no
efa nampionona anay tamin’ ny fahatongavan’ i Titosy».
Nitondra vaovao mahafaly tokoa momba ny Kristiana tany Korinto io
mpanompon’ Andriamanitra mahatoky io, satria tena niova tanteraka ny
fitondrantenan’ ireo. Maro no nanaraka ny torohevitra voarakitra tao amin’ ny
epistily nalefan’ i Paoly, ka nibebaka tamin’ ny fahotany. Tsy fahafabam-baraka
ho an’ ny finoana kristiana intsony ny fiainany, fa nanjary nijoro kosa ho
vavolombelon' ny toe-panahy masina izay nivelomany isan’ andro izy.
Dibo-kafaliana ny fon’ ny apostoly ka nanoratra epistily faharoa ho an’ ny
Korintiana izy mba haneho aminy ny fahafahampony noho ny fiovana hita tao
amin’ izy ireo. «Na dia nampalahelo anareo tamin’ ny epistily aza aho, hoy izy.
dia tsy manenina» ny amin’ izany.
Nijaly eritreritra i Paoly noho ny fahatahorany sao tsiratsirain’ ny Korintiana
ny teny nosoratany, ka indraindray aza toa latsa-panenenana izy noho ny
nahasahiany nanoratra taminy tamim-pahenjanana sy tamim-pahasahiana. «Ary
mifaly kosa aho ankehitriny, hoy izy, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo,
fa noho ny nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampalahelovina
araka an’ Andriamanitra hianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin’ inona
na amin’ inona. Fa ny alahelo araka an’ Andriamanitra miasa fibebahana ho
famonjena tsy hanenenana». Io fibebahana vokatry ny asan’ ny fahasoavan’
Andriamanitra io no mitaona ho amin’ ny fiaiken-keloka sy ho amin’ ny
fahafoizana izany. Toy izany ny vokatra nambaran' i Paoly fa hitany tamin’
ireo mpino tany Korinto.
Toy izao no nosoratan’ i Paoly ny amin’ io fibebahana io: «Fahazotoana
manao ahoana tao aminareo! eny, fialantsiny manao ahoana fahatezerana manao
ahoana! fahatahorana manao ahoana! faniriana manao ahoana! zotom-po manao
ahoana!»
Nisy fotoana nahavelon’ ahiahy mafy an’ i Paoly ny amin’ ny fiangonana ary tena
navesatra mihitsy ny tebitebiny ka nila tsy ho zakany. Nisy mpampianatra
sandoka niezaka handrava ny asany teo amin’ ireo mpino, izay nanery azy ireo
hanaraka ny fampianarany
284
ho solon’ ny filazantsara. Hita amin’ ireto teniny ireto ny fahasahiranan-tsainy sy
ny fahakiviany; «Fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka
dia efa nafoinay na dia ny ainay aza; eny, tsy nanampo ny ho velona intsony
izahay». Nisinda anefa izao ny ahiahy rehetia. Rehefa reny fa noraisina tsara
ny epistily nalefany ho an’ ny Korintiana, dia toy izao ny hafaliana
hita teo amin’ i Paoly; «Isaorana anie Andriamanitra Rain’ i Jesosy Kristy
Tompontsika, Rain’ ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana
rehetra, Izay mampionona anay amin’ ny fahorianay rehetra mba hahaizanay
mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ ny fampiononana izay
ampiononan’ Andriamanitra anay. Fa araka ny haben’ ny fijalian’ i Kristy mihatra
aminay no haben’ ny fampiononana anay kosa amin’ ny alalan’ i Kristy. Ary raha
ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha
ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin’ny
fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin’ izay entinay. Ary miorina tsara
ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo
ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa».
Sady naneho ny hafaliany amin’ ny fiovam-po teo amin’ ny Kristiana tany
Korinto sy noho ny fitomboany tao amin’ ny fiainana kristiana i Paoly, no
nisaotra an’ Andriamanitra koa, Izay nahatonga izao fiovampo izao; «Fa isaorana
anie Andriamanitra, hoy indray izy, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’ i
Kristy toy ny fanaon’ izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny
fahalalana Azy eny tontolo eny izahay. Fa hanitr’ i Kristy ho an’ Andriamanitra
izahay amin’ izay hovonjena sy izay ho very».
Fomba fanao fahizay, rehefà avy mandresy ny Jeneraly iray ny mitondra babo
miaraka aminy. Misy olona tendrena hitondra zava-manitra amin’ izany fotoana
izany, ery raha mbola milahatra amim-pandresena ilay tafika nahery, ny foforra
manitra dia nampiseho ny hanitry ny fahafatesana ho an’ ireo babo ireo. Izany no
famantarana ho azy fa tonga ny ora hamonoana azy. Ho an’ ireo babo hafa kosa
anefa, izay nahazo famindrampo avy tamin’ ny mpandresy, ka tsy mba
hovonoina, dia hanitry ny fiainana ho azy izany fofona manitra izany, sady
famantarana ho azy koa fa efa manakaiky ny ora hanafahana azy.
Feno finoana sy fanantenana i Paoly izao. Azony antoka fa tsy haharesy ny
asan’ Andriamanitra tany Korinto i Satana. Niboiboika avy tao am-pony ny teny
fisaorana sy fankasitrahana.
285
Hiara-mankalaza ny fandreseny izy sy ireo mpiara-miasa aminy satria lesiny
tokoa ireo fahavalon’ i Kristy tamin’ ny nampielezany tamin-kerimpo vaovao ny
fahalalana ny Mpamonjy. Toy ny fofona manitra ny hanitry ny filazantsara ka tsy
maintsy aely eran’ izao tontolo izao. Ho an’ izay manaiky an’ i Kristy dia ho
hanitra fiainana ho azy ny hafatra torina aminy, fa ho an’ izay mikiribiby eo amin’
ny tsy finoana kosa, dia ho hanitry ny fahafatesana hitondra fahafatesana ho azy
izany.
Tsapan’ i Paoly ny vesatry ny adidy mipetraka eo an-tsorok’izay mitory ny
filazantsara. Dia hoy ny antsony hoe: «Koa iza moa no antonona ho amin’ izany
zavatra izany?» Iza no afaka history ny amin’ i Kristy, ka tsy hahitan’ ny fahavalo
hirika haniratsirana ny hafatra sy ny mpitondra hafatra? Nirin’ io apostoly io ny
mpino mba ho feno ny fahatsapana ny adidy masina hitory ny famonjena. Amin’
ny fananana toetra mahatoky eo amin’ ny fitoriana ny filazantsara ihany, sy ny
fananana toetra masina mifanaraka amin’ ny Teny torina, no hahatonga ny asan’
ny mpitory hankasitrahan’ Andriamanitra, sy hahavokatra izany eo amin’ ny
mpino. Ireo mpitory ny Tenin’ Andriamanitra ankehitriny izay mahatsapa
ny halehiben’ ny adidiny, no hiara-miaiky amin’ ny apostoly Paoly koa, ka hanao
hoe; « Fa iza moa no antonona ho amin’ izany zavatra izany ?»
Nisy nanameloka an’ i Paoly ho nanao izay hampalaza ny tenany tamin’
ny epistily voalohany nosoratany. Tsikaritr’ i Paoly izany fanendrikendrehana
azy izany, ka namototra ny mambran’ ny fiangonana izy raha izany tokoa no
fiheveran’ ireo azy; «Moa ve hankalaza ny tenanay indray izahay, ka hampiseho
ny fahalehibiazanay eo aminareo? Sa ilainay koa, tahaka ny tadiavin’ ny sasany,
ny hanananay taratasy fanolorana eo aminareo, na avy aminareo ?» Rehefa misy
Kristiana mifindra fonenana dia mitondra taratasy fanolorana mandrakariva avy
amin’ ny fiangonana nisy azy teo aloha izy; fa ny filoha sy ny mpanorina ireny
fiangonana ireny kosa dia tsy mba nita taratasy fanolorana azy, satria ireo
Kristiana korintiana izay nandao ny fanompoan-tsampy ireo, ka nandray ny
finoana ny filazantsara, no efa taratasy velona rahateo ho fanolorana ny
apostoly eo amin’ ny fiangonana. Ny naneken’ ireny ny fahamarinana, sy ny
fiovana hita teo amin’ ny fiainany no efa vavolombelona mibaribary rahateo ny
amin’ ny asa tsara nataon’ ny apostoly Paoly taminy, sy ho porofon’ ny fahefana
ananany mba hananatra sy hanitsy ary hamporisika ny mpino araka ny maha-
mpitory filazantsara azy. «Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay

286
sady fantatra sy vakin' ny olona rehetra; eny, aseho ho epistilin’ i Kristy izay
entinay hianareo, tsy nosoratana tamin’ ny ranomainty anefa, fa tamin’ ny
Fanahin’ Andriamanitra velona, tsy teo amin' izay tena vato fisaka, fa teo amin’
izay vato fisaka nofo, dia ny fo».
Ny fiovampon’ ny mpanota sy ny fanamasinana azy amin’ny alalan’ ny
fahamarinana no porofo miharihary fa voantso ho amin' ny asa fitoriana ny
mpanompon’ Andriamanitra iray. Voasoratra ao ampon’ ny olona niova fo ny
antso natao taminy ho anisan’ny mpitory; hita taratra eo amin’ ny toe-piainany
izany, dia ny toe-piainana nanjary vaovao. Kristy no velona ao anatiny ho «fanan-
tenana ny voninahitra». Rehefa miorina tsara eo amin’ ny adidiny toy izany ny
mpitory ny Filazantsara dia mahazo hery lehihe hanohana azy.
Mbola azo ampiharina amin’ ny mpitory ny Filazantsara ankehitriny koa ny
fijoroan’ ny Kristiana tany Korinto ho vavolom-belon’ ny asa nataon’ i Paoly.
Nefa vitsy loatra ny mpiasa tena manam-pahaizana sy voatokana ho an’ ny
Tompo tokoa, dia olona feno ny fitiavan’ i Kristy. Ny fireharehana, ny fiheveran-
tena ho ampy ny fitiavana an’ izao tontolo izao, ny faninintsiniana, ny fangidiana,
sy ny fialonana, dia samy voa ratsy hita eo amin’ ny ankamaroan’ ireo milaza azy
ho mpanaraka ny fivavahan’ i Kristy. Ny fiainany mifanipaka tanteraka amin’ ny
fiainan’ i Kristy, no mazàna fanalam-baraka ny lazan' ny asa fitoriana ny
filazantsara.
Tsy misy fahasambarana lehibe kokoa ho an’ ny olona iray mihoatra noho ny
ankasitrahan’ Andriamanitra azy ho mpitory ny filazantsara. Fa izay mandray
fitahiana avy amin’ ny Tompo eo amin’ ny asa ataony dia tsy mba mieboebo
amin’ ny asa vitany. Fantany mantsy fa miankina tanteraka amin’ Andriamanitra
izy, ary ekeny fa tsy afaka hanao na inona na inona amin’ ny heriny samirery izy.
Miray feo amin’ i Paoly izy hoe; «Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy
aminay hihevitra na amin’ inona na amin’inona izahay; fa ny fahaleovanay dia
avy amin’ Andriamanitra».
Ny tena mpitory marina dia manatontosa ny asan’ ny Tompo; tsapany ny
halehiben’ ny andraikiny, ary tsapany fa ny asa ataony eny ivelany sy ao am-
piangonana dia asa toy izay nataon’ i Kristy. Miezaka tsy mahalala sasatra izy,
hitaona ny mpanota hanana fiainana mendrika kokoa sy ambony kokoa, mba
handraisan’ ireny ny lokan’ ny mpandresy. Avy teo amin’ ny molony voakasiky
ny vain’ afo teo amin’ ny alitara, no anandratany an’ i Jesosy ho hany
287
fanantenana ho an’ ny mpanota. Tsapan’ izay mihaino azy fa efa nanakaiky an’
Andriamanitra tamin’ ny alalan’ ny fivavahana tamin-kafanampo izy. Nidina teo
aminy ny Fanahy Masina, ary nirehitry ny afo velona avy tany an-danitra ny
fanahiny, ka azony atao ny manavaka ny fiainam-panahy tena misy vidiny.
Natolotra azy ny hery rehetra handrodanany ny mandan’ i Satana. Rehefa
mitory ny fitiavan’ ny Mpamonjy izy, dia torotoro ny fo mihaino azy, ka voataona
ireny hametra-panontaniana hoe: «Inona no tokony hataoko mba hovonjena
aho?» «Ary amin’ izany, hoy i Paoly, satria manana izany fanompoana izany
izahay, araka ny nahazoanay famindrampo, dia tsy ketraka. Fa efa nolavinay ny
zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ ny fihendrena, na manatsatso
ny tenin’ Andriamanitra izahay; fa amin’ ny fanehoana ny marina no ideranay
tena amin’ ny fieritreretan’ ny olona rehetra eo imason’ Andriamanitra. Fa raha
miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin’ izay ho very izany, izay
nohajambain’ny andriamanitr’ izao tontolo izao, dia ny sain’ ny tsy mino, mba
tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny filazantsaran’ ny voninahitr’ i Kristy, Izay
endrik’ Andriamanitra. Fa tsy ny tenanay no torinay, fa Kristy Jesosy Tompo, ary
izahay dia mpanomponareo noho ny amin’ i Jesosy. Fa Andriamanitra izay
nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ ny maizina, no nampahazava
ny fonay ho amin’ ny fahazavan’ ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra.
eo amin’ ny tavan’ i Jesosy Kristy».
Toy izany no nanandratan’ ny apostoly ny famindrampo sy ny fahasoavan’
Andriamanitra, naseho teo amin’ ny asa masina izay nanolorana azy mba ho irak’
i Kristy.
Nahazo fanohanana tamin’ ny zava-tsarotra sy ny fahoriana ary ny loza i
Paoly sy ireo rahalalriny, noho ny harem-pamindrampo natosak’ Andriamanitra
teo aminy. Tsy finoana na toriteny notefitefena no nataony mba hahafa-po ny
fanirian’ ireo mpihaino azy, sady tsy nafeniny ireo fahamarinana fototra mba
hahatpnga ny fampianarany ho mahasintona kokoa. Fa notoriny tamim-paha-
tsorana kosa ny fahamarinana, sady nohazavainy tsara, ary nangataka tamin’
Andriamanitra izy mba hisy fanahy ho tapa-kevitra sy hiova fo. Ary niezaka koa
izy mba hampifanaraka ny fitondrantenany tamin’ ny teny nampianariny, mba
hanan-kery eo amin’ ny fahahin’ ny olona ny fahamarinana. «Fa manana izao
rakitra izao amin’ ny vilany tany izahay, mba ho an’ Andriamanitra ny halehi-
ben’ ny hery, fa tsy ho avy aminay». Ho azon’ ny Tompo natao ny nanendry ny
anjely hitory ny Teniny, satria tsy mba nanota izy

288
ireny; kanefa tsy izany no planany. Olombelona no nofidiny, olombelona manana
ny fahalemeny. Toy izany no nametrahany ny harem-bevavan’ ny fahamarinana
tao amin’ ny vilany tany. Tamin’ ny alalan’ ny olona no nandrotsahany ny
fitahiany eran’izao tontolo izao; tamin’ ny alalany no hamirapiratan’ ny voni-
nahitr’ Andriamanitra eo anivon’ ny haizim-pahotana. Entanin’ny fitiavana ny
asan’ Andriamanitra ireny olona ireny, ka mandeha hikatsaka fanahy hotarihina
ho eo am-pototry ny hazo fijaliana. Eo amin’ ny asa rehetra ataony no anomezany
voninahitra sy haja ary fiderana an’ Ilay eo ambonin’ izao rehetra izao, na manan’
aina na tsy manan’ aina.
Nampahatsiarovin’ i Paoly azy ny fanandramana nataon’ny tenany, ka
nasehony fa raha nifidy ny hanompo an’ i Kristy izy, dia tsy ny fitiavan-tena no
nanosika azy tamin’ izany, satria feno fitsapana sy fakam-panahy ny lalana
rehetra nodiaviny. «Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery, hoy izy; very
hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina nefa tsy nafoy; potraka, nefa tsy maty;
mitondra ny fahafatesan’ i Jesosy mandrakariva ao amin’ ny tena izahay, mba
haseho ao amin’ ny tenanay koa ny fiainan’ i Jesosy. Fa izahay izay velona dia
atolotra ho amin’ ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’ i Jesosy, mba
haseho ao amin’ ny nofonay mety maty koany fiainan’ i Jesosy».
Nampahatsiarovin’ i Paoly ny rahalahiny fa, noho ny maha-irak’ i Kristy
azy, dia notandindomin-doza mandrakariva izy sy ireo mpiara-miasa aminy.
Nampihena ny heriny ny fahoriana nianjady taminy. «Fa izahay izay velona dia
atolotra ho amin’ ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’ i Jesosy, mba
haseho ao amin’ ny nofonay mety maty koa ny fiainan’ i Jesosy. Koa ny
fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo». Nijaly teo
amin’ ny ara-nofo ireny mpanompon’ i Kristy ireny ka niharan’ ny fangirifiriana
isan-karazany, nihafy sady nanao asa mandreraka, ary atolotra ho amin’ ny
fahafatesana tahaka ny Tompony. Nefa izay nahatonga fahafatesana tao aminy,
dia naha-tonga fahasalamana ara-panahy kosa tao amin’ ny Korintiana, izay
nandray anjara tamin’ ny fiainana mandrakizay, satria nandray ny fahamarinana
izy. Koa noho izany, ny mpianatr’ i Jesosy dia tsy tokony hampitombo ny zava-
tsarotra sy ny fitsapana ho an’ ny mpitory ny filazantsara, amin’ ny fanaovany
antsirambina ny fiainany ara-panahy, na amin’ ny ifanaovany adilahy. «Ary satria
manana izany. fanahin’ ny finoana izany indrindra izahay, hoy ny
19 — Vavolombelona Mahery
289
apostoly, araka ny voasoratra hoe: Nino aho ka dia niteny, dia mino koa izahay
ka miteny ».
Noho ny ninoan’ i Paoly tanteraka ny fahamarinana naseho azy dia tsy
azony natao, na ny hanova ny hevitry ny Tenin’ Andriamanitra, na ny hanafina
ny zavatra voatsapan’ ny tenany. Afa-tsy izany, tsy nikatsaka na harena na
voninahitra na fahafinaretana araka izao tontolo izao izy. Ary na dia
nananontanona azy mandrakariva aza ny fampijaliana ho maritiora noho ny
nitoriany ny fahamarinana tamin’ ny Korintiana, dia tsy natahotra akory izy,
satria fantany fa Ilay efa maty, nefa nitsangana indray, dia afaka hamoaka azy
avy ao am-pasana, mba hiseho eo anatrehan’ ny Ray. «Fa ny zavatra rehetra dia
natao noho ny aminareo, hoy izy, mba hitomboan’ ny fisaorana ho voninahitr’
Andriamanitra noho ny fitombon’ny fahasoavana amin'ny maro».
Tsy ny hahazoan’ ny apostoly tombontsoa ho an’ ny tenany no nitoriany
ny filazantsara, fa ny fanantenany hamonjy fanahy. Izany no nanosika azy
hanolotra ny fiainany hanao ny asan’ Andriamanitra, sady nanohana azy koa teo
am-panatontosana ny adidiny, ka nahazoany niatrika ireo loza nananontanona azy
sy ny fijaliana mafy indrindra. «Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza
ny toetray ivelany, dia havaozina isan’ andro isan’andro kosa ny toetray anatiny»,
hoy indray ny teny matotra nambarany.
Fantatr’ i Paoly tsara ny herin’ ny fahavalo; nefa nà dia nihena aza ny
herim-batany, dia mbola nitory ny Tenin’ Andriamanitra tamin-kerimpo tsy hay
tohaina sy tamin’ ny finoana tsy azo nohozongozonina ihany izy. Nitafy ny
fiadiana mahery avy tamin’ Andriamanitra io, miaramilah’ ny hazo fijaliana io
ka niroso tsy nihambahamba teo an-tany fiadiana. Tamin’ ny feo ravoravo no
nanambarany fa hahazo fandresena ao amin’ ny tolona izy. Toy izao no antsom-
pandresena nataony teo am-pibanjinana ny loka nampanantenaina ho an’ ny
mahatoky: «Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa
fatratra indrindra ka maha-tanteraka voninahitra mavesatra maharitfa
mandrakizay ho anay, raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia
ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay».
Mampientanentana sy mampihetsi-po tokoa ny antso nalefan’ i Paoly
ho an’ ny Korintiana mba hibanjinan’ ireo indray ilay fitiavana tsy manan-
tsahalan’ ny Mpanavotra azy! «Fa fantatrareo ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy
Tompontsika, hoy izy, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho
ny aminareo, mba hampanan-karena

290
anareo ny alahelony». Fantatrareo, hoy indray izy, ny nidinan’ i Kristy ambany
dia ambany; ka rehefa niditra tao amin’ izao fiainana izao Izy, dia nandà ny
tenany, ary vonona ny hatao sorona, ka tsy nihemotra na dia teo anatrehan’ ny
fahafatesana aza. Tsy nisy fitsaharana mihitsy teo aminy, hatreo amin’ ny hazo
fijaliana, ka hatrany amin’ ny seza fiandrianana.
Nantitranteriny fatratra ny amin’ io fitiavana tsy manan-tsahala io, mba ho
takatry ny sain’ ireo mpamaky ny epistiliny ny fietrena mahatalanjona neken’ i
Kristy hatao ho azy ireo. Naverin’ ilay Apostoly notantaraina indray ny fiainan’
ny Mpamonjy, izay, na dia nanam-pitoviana tamin’ Andriamanitra aza, ka
niankohofan’ny anjely, dia nanaiky hisotro ny kapoaka mangidy hatramin’ ny
faikany.
Azon’ i Paoly antoka fa raha vitany ny hampahafantatra tsara ny fanoloran-
tena mahatalanjona neken’ Ilay Andrianan’ ny lanitra hatao, dia hisinda hiala
amin’ ny fiainan’ ireo mpino ny fireharehana. Nohizingizininy ny
fahalehibeazan’ ny Zanak’ Andriamanitra, izay nandao an-tsitrapo ny voninahitry
ny lanitra, ka nilefitra hitovy tena amin’ ny olona; satria nanetry tena Izy, ka tonga
mpanompo, ary ho mpankatô hatramin’ ny fahafatesana, dia «ny fahafatesana
tamin’ ny hazo fijaliana»1, mba hahazoany manandratra ny olona hiala amin’ ny
fahalavoany, ka handray kosa ny fanantenana be voninahitry ny lanitra.
Raha mandinika ny toetra maha-Andriamanitra an’ i Kristy eo amin’ ny
fahazayan’ ny hazo fijaliana isika, dia hitantsika mamirapiratra eo ny
famindrampo sy ny hatsaram-panahy ary ny famelan-keloka, ary ho tazantsika eo
koa anefa ny rariny sy ny hitsiny. Eo anivon’ ny seza fiandrianan’ ny voninahitra
no ahatazanana ny Tompo, mitondra eo amin’ ny tanany sy ny tongony ary eo
amin’ny lanivoany ny holatry ny fijaliana tsy maintsy niaretany mba
hampihavana ny olona amin’ Andriamanitra. Banjinin’ ny masontsika ho
mandrakizay ny Ray, voahodidin’ ny fahazavana mamirapiratra, vonona handray
antsika noho ny fahamendrehan’ ny Zanany. Ny rahon’ ny famaliana, izay tokony
hitondra antsika ho amin’ ny fahoriana sy ny famoizam-po, no indro fa
ampamirapiratin’ ny hazo fijaliana, ka azontsika vakina eo ireto Tenin’
Andriamanitra ireto: «Mitsangàna ry mpanota, mitsangàna hianareo izay
mibebaka,

1) Filipiana 2 : 8
291
ry fanahy mino. mitsangàna! Nandoa onitra ho anareo rehetra A…
Eo amin’ ny fibanjinantsika an i Kristy no ahatsapantsika ilay fitiavana tsy
manam-petra. Tsy ampy ny fiteny hanambarana izany. Efa mampiaiky volana
antsika ny fiainany tety an-tany, ny nanolorany tena ho antsika, ny asany any an-
danitra amin’ ny maha-Solovava Azy, ny fitoerana amboariny ho an’ izay tia Azy,
ka tsy misy azontsika atao afa-tsy ny miantso hoe: Endrey ny halalin’ ny
fitiavan’ i Kristy!
Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’ Andriamanitra, fa ny nitiavany
antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika». «Endrey! manao
ahoana ny fitiavana nasehon’ ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe
zanak’ Andriamanitra, sady izany tokoa isika»2.
Ao amin’ ny tena mpianatr’ i Kristy, io fitiavana io dia mirehitra eo amin’
ny alitaran’ ny fo, toy ny afo masina. Tety an-tany no nanehoan’ i Kristy ny
fitiavan’ Andriamanitra. Ety an-tany koa no tokony hamirapiratan’ ny zanak’
Andriamanitra eo amin’ ny fiainany tsy misy pentina. Amin’ izany no hahazoana
mitaona ny mpanota hankeo amin’ ny hazo fijaliana tany Kalvary, mba hibanjina
Ilay Zanak’ ondrin’ Andriamanitra.

2) 1 Jao. 4 : 10 ; 3 : 1
292
32

Fiangonana malala-tanana

Tao amin’ ny epistily voalohany nosoratan’ i Paoly ho an’ i Korinto dia


nanome torohevitra momba ny fitsipika ankapobeny momba ny fanohanana ny
asan’ Andriamanitra ety an-tany tamin’ny mpino izy, Raha nitantara ny asa
nataony ho azy ireo izy dia nametraka izao fanontaniana izao;
«Iza no mandeha manafika ka mivelona amin’ ny haren’ ny tenany? Iza no
manao tanimboaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry
aman’ osy ka tsy mihinana ny rononony? Moa araka ny fihevitry ny olona va no
itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa? Fa voasoratra eo amin’ ny
lalàn’ i Mosesy hoe; Aza manakonibona ny vavan’ ny omby mively vary. Ny
omby va no ahin’ Andriamanitra Sa noho izahay mihitsy no nanaovana izany teny
izany? Eny, fa noho izahay indrindra no nanoratana izany, satria izay miasa tany
dia tokony hiasa amin’ ny fanantenana, ary izay mively vary dia tokony hively
amin’ ny fanantenana hahazo.
»Raha izahay namafy izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va
raha mbâ mijinja izay anananareo araka ny nofo kosa izahay? Raha ny hafa aza
manana izany fahefana izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy
nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin’ ny zavatra rehetra,
fandrao hisakana ny filazantsaran’ i Kristy. Tsy fantatrareo va fa izay manompo
amin’ ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly ary izay manompo
eo amin’ ny alitara dia miombona amin’ny

293
alitara? Toy izany koa no nandidian’ ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara
dia hahazo fivelomana amin’ ny fîlazantsara » 1.
Nasehon’ ny apostoly tamin’ izany ny planan’ Andriamanitra amin’ ny
fiantohana ny fiveloman’ ny mpisorona izay miasa ao amin’ ny tempoly. Ny
rahalahiny izay izaràny ny fitahiana ara-panahy no miantoka an’ ireo izay
voatokana hanao asa masina. «Ary izay avy amin’ ny taranak’ i Levy ka mandray
ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin’ ny olona araka
ny lalàna, dia amin’ ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon’ i Abrahama aza
ireny»2. Ny taranak’ i Levy dia nofidin’ i Jéhovah hanao asa masina momba ny
tempoly sy ny fisoronana. Izao no voalaza ny amin’ riy mpisorona: « Fa izy sy
ny taranany no nofidin’ i Jéhovah Andriamanitrao tamin’ ny firenenao rehetra
hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin’ ny anaran’ i
Jéhovah»3. Notakin’ i Jéhovah ho Azy ny ampahafolon’ny tombontsoa rehetra
voaray; ary ny fihazonana ny ampahafolony dia heveriny ho fandrobana Azy.
Ny amin’ izany planan’ ny fiantohana ny asa izany no nahatonga ny tenin’
ny apostoly Paoly hoe; «Toy izany koa no nandidian’ ny Tompo, fa izay mitory
ny fîlazantsara dia hahazo fivelomana amin’ ny filazantsara». Taorian’ izany dia
hoy koa izy tamin’ i Timoty: «Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany»4
Mbola sombiny kely ihany amin’ ny planan’ Andriamanitra ho fanohanana
ny asany ny fandoavana ny ampahafolony. Mbola nisy koa fanomezana sy
fanatitra maro izay nobaikoin’ Andriamanitra hatao. Nampianarina hanana saina
malala-tanana ny vahoaka Jiosy mba hanphanana ny asan’ Andriamanitra sy ho
fanampiana ny sahirana. Amin’ ny fotoana manokana sasantsasany dia asaina
manao fanatitra an-tsitrapo izy. Rehefa mamory ny vokatry ny voaloboka indray
izy dia natokana ho fanatitra ho an’ i Jéhovah ny voaloham-bokatra eny an-tsaha,
na varimbazaha, na voaloboka na diloilo. Izay notsimponina tamin’ ny
latsadatsaka avy amin’ ny mpijinja, sy ny faritra sasany eo amin’ ny saha dia
natokana ho an’ ny malahelo. Natokana ho an’ i Jéhovah toy izany koa ny
voaloham-bokatra amin’ ny volon’ ondry raha vao hetezana ny ondry, ary ny
voam-bary voangona voalohany rehefa mikapo-bary. Toy izany koa ny voalohan-
teraky ny biby rehetra, ka nisy vola naloa ho fanavotana ny lahimatoan’ ny olona.
Haterina eo anatrehan’ i Jéhovah ao amin’ ny fitoerana masina ny voaloham-
1) IKor. 9 : 7 – 14 2) Heb. 7 :5 1) Deot. 18 : 5 4) 1 Tim. 5 ; 18
294
bokatra, ka tamin’ izany no nanokanana azy hiantohana ny fiveloman’ ny
mpisorona.
Tamin’ izany fomba fahalalahan-tanana izany no niezahan’ i Jéhovah
hampianatra ny Isiraely fa Izy no tokony ho laharam-pahamehana amin’ ny
zavatra rehetra. Tamin’ izany no nahatsiarovan’ ireo fa Jéhovah no tompon’ ny
sahany, sy ny andian’ ondry aman’ osiny, ary ny ombiny, satria Izy no mandefa
ho azy ny hazavan’ ny masoandro sy ny orana izay mampitombo sy
mampahamasaka ny vokatra. Azy ny zavatra rehetra nananan’ ny Jiosy, fa
mpitahiry fotsiny ny fananany ireo.
Tsy tian’ Andriamanitra raha ny Kristiana izay nahazo tombontsoa be
lavitra noho ny firenena Jiosy no hanome kely kokoa noho ny fanomen’ ny
Isiraely. «Fa izay nomena be, hoy ny Tompo, dia be no hotadiavina aminy»5.
Natokana hanasoavana ny firenena Hebreo ny fahalalahan-tanana notakina
taminy; ankehitriny kosa dia mitatra eran’ izao tontolo izao ny asan’
Andriamanitra. Napetrak’ i Kristy teo am-pelatanan’ ny mpanaraka Azy ny
haren’ ny filazantsara, ary teo an-tsorony no nametrahany ny andraikitra hitory
ny vaovao mahàfaly eran’ izao tontolo izao. Hita marina fa ny «adidintsika dia
lehibe lavitra noho izay nananan’ ny Isiraely fahizay.
Arakaraka ny hitaran’ ny asan’ Andriamanitra no hanaovana antso
matetika kokoa hatrany mba hahazoana fanampiana. Ho famaliana ireny antso
ireny no tokony hihainoan’ ny Kristiana ny baiko hoe: «Entonareo ny fahafolon-
karena rehetra ho ao amin’ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-
tranoko»6. Raha mahatoky izay mitondra ny anarana hoe Kristiana ka manatitra
ao amin’ ny tranon’ Andriamanitra ny ampahafolony sy ny fanatitra, dia ho feno
ny trano fïraketan’ i Jéhovah. Ary tsy ilaina intsony ny hanao vokatra, na laoteria,
na lanonana hafa mba hahazoana vola hanohanana ny fitoriana ny filazantsara.
Alaim-panahy hampiasa ny volany ho amin’ ny fahafinaretan’ny nofo, na ho
amin’ ny fanaranam-po amin’ ny fihinanana, na ho amin’ ny fihaingoana, na
amin’ ny fanatsarana ny tokantranony ny olona. Misy mambra sasany izay tsy
mihambahamba mihitsy mandany vola amin’ ireny, eny, manobatoba mihitsy
aza. Nefa rehefa angatahina mba hanome ho an’ ny trano firaketan’ ny Tompo
izy, ho fampandrosoana ny asany ety an-tany, dia mimonomonona. Angamba
noho ny fahalalany fa tsy afa-miala amin’ izany
5) Lio. 12 :48 6) Mal. 3 : 10
295
izy, dia vola kely lavitra noho izay laniny amin’ ny fanaranam-po tsy ilaina no
atolony ho an’ ny Tompo. Tsy manana fitiavana marina ny asan’ i Kristy izy, na
faniriana vokatry ny fo hamonjy fanahy. Koa tsy mahagaga raha tsy vanona sady
farofy ny fiainana ara-panahin’ ny Kristiana toy izany.
Izay manana fo mirehitry ny fitiavan’ i Kristy dia tsy hihevitra izany ho
adidy fotsiny fa ho tena fahafinaretana mihitsy. Tombontsoa manao ahoana ny
mandray anjara amin’ ny fampandrosoana ny asa ambony indrindra sy masina
indrindra natolotra hotontosain’ olombelona, dia ny asa hampisehoana amin’ izao
tontolo izao ny haren’ ny hatsaran’ Andriamanitra sy ny famindrampony ary ny,
fahamarinany!
Ny fitiavam-bola no mitarika olona maro hihazona ho an’ ny tenany ny
fananana izay tena marina fa an’ Andriamanitra; ary izany toe-tsaina izany dia
tena fandrobana an’ i Jéhovah, toy ny nanomezan’ ny mpaminany tsiny mafy dia
mafy ny Isiraely hoe: «Handroba an’ Andriamanitra va ny olona, no mandroba
Ahy hianareo? Nefa hoy hianareo: Amin’ inona moa no androbanay Anao?
Amin’ ny fahafolon-karena sy ny fanatitra. Voaozona amin’ny ozona hianareo,
nefa Izaho no robainareo, dia izao hianareo rehetra iray firenena izao»7.
Ny saina malala-tanana kosa dia toe-tsain’ ny lanitra. Nibaribary indrindra
tao amin’ ny nanoloran’ i Kristy ny tenany teo amin’ ny hazo fijaliana izany. Ho
antsika no nanomezan’ ny Ray ny Zananilahy malala; ary Kristy koa, rehefa
nanolotra izay rehetra Azy, dia nanolotra ny Tenany mba hahazoan’ ny mpanota
famonjena. Tokony handre antso fahalalahan-tanana avy eo amin’ ny hazo
fijaliana ny mpanaraka ny Mpamonjy tsirairay avy. Ny hanome, ny hanome ihany
no fitsipika tokony harahina. «Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy
maintsy mandeha toy izay nande-hanany koa »8.
Ny mifanohitra amin’ izany kosa dia ny fitiavan-tena, izay tsy inona fa toe-
tsain' i Satana. Ny fitsipika iainan’ izao tontolo izao dia ny faniriana hanangona,
ny haka, eny,haka ho an’ny tenany. Amin’izany no antenainy fa hahazoany
fahasambarana sy fiadanana: kanjo fahoriana sy fahafatesana no vokatr’izay
nafafiny.
7) Mal. 3 : 8, 9 8) 1 Jao 2 : 6
296
Rehefa hitsahatra tsy hitahy ny zanany intsony Andriamanitra vao
hahatsapa-tena hamerina eo Aminy izay Azy ireo. Tsy hamerina izay an’
Andriamanitra any aminy fotsiny izy, fa hoentiny koa ho ao amin’ ny trano
firaketany, ho fanati-pisaorana, ny fanomezana entanin’ ny fahalalahan-tanana.
Amin’ ny fo ravoravo àry no hanokanany ho an’ ny Mpahary ny voaloham-
bokatry ny sahany, ny fananany voafantina indrindra, ary ny fanompoany kanto
sy masina indrindra. Amin’ izany no handraisany fitahiana safononoka; ary
Andriamanitra mihitsy no hahatonga ny fanahiny hitovy amin’ ny tanimboly
vonton-drano izay tsy ho ritra na oviana na oviana. Ary rehefa vorina ny vokatra
farany, dia ny amboara izay azony hatolotra ny Tompo no valisoa ho azy noho
ny tsy nampiasany ny talenta nampindramina azy ho fitiavan-tenany fotsiny.
Ny iraka voafidin’ Andriamanitra, izay miezaka manao ny asany dia tsy
tokony ho voatery hilonjy irery ny fandaniana rehetra, ka tsy hahazo fanampiana
vokatry ny fo entanim-pitiavana avy amin’ ny rahalahiny. Anjaran’ ny mambran’
ny fiangonana ny hampiseho fahalalahan-tanana amin’ ireo izay nandao ny asa
fivelomany ara-nofo, mba hanokana ny androny manontolo hanao ny asan’
Andriamanitra. Rehefa mahazo hery mantsy ny mpanompon’ Andriamanitra dia
mandroso fatratra ny asany. Kanefa kosa, rehefa hazonina ny vola tokony
hanohanana azy, noho ny fitiavan-tenan’ny mambra, dia manjary miraviravy
tanana izy ireny, ary tena voasakana mihitsy ny asa betsaka tokony ho vitany.
Mirehitra amin’ izay milaza azy ho mpanaraka an’ i Kristy ny fahatezeran’
Andriamanitra, satria misy mpiasa tena voatokana tokoa, nefa tsy manana izay
ivelomany, ao amin’ ny asa lehibe ataony ho an’ ny Tompo. Tsy maintsy
hampamoahina ireny mambra tia tena ireny, tsy noho ny fihazonany ny fananan’
ny Tompo fotsiny, fa noho ny fahakiviana sy ny aretim-po izay mihatra amin’ ny
mpanompo mahatoky, noho ny toetra tsy mahatoky nananany. Izay voantso
hanao asa fîtoriana, ka iangaviana hahafoy izay rehetra ananany mba hirotsahany
ao amin’ ny asan’ Andriamanitra, dia handray vàlim-pitia avy amin’ ny Tompo
ho fanohanana ny tenany sy ny ankohonany, satria nanao ezaka tamim-pandavan-
tena izy.
Omena karama be ny mpiasa mahatoky eo amin’ ny sampan’ asa misy azy,
na ara-batana izany, na ara-tsaina. Moa ve tsy misy lanjany be lavitra ny asa
fampielezana ny fahamarinana sy ny fitarihana fanahy ho an’ i Kristy, mihoatra
noho ny asa aranofo? Ary moa ve tsy mendrika handray fivelomana ampy ireo
izay manao ny asany
297
amin’ ny fony tokoa? Toy ny fahasamihafan’ ny lanitra amin’ ny tany no
ahazoantsika manombana koa ny lanjan’ ny asa ara-panahy sy ny asa ara-nofo.
Mba hisian’ ny vola ampy ao amin’ ny trano firaketana ho fanohanana ny
asa, sy mba hahazoana mamaly ny fangatahana fanampiana avy any amin’ ny
tany itoriantsika, dia ilaina mihitsy ny hanomezan’ ny olon’ Andriamanitra
amim-pifaliana sy amim-pahalalahan-tanana. Misy andraikitra lehibe
iantsorohan’ ny mpitory mba hanehoany eo anatrehan’ ny fiangonana ny vola
ilain’ ny asan’Andriamanitra, sy ny hitaizany ny mambra halala-tanana. Raha
atao antsirambina izany, ka tsy manome ho fanampiana ny hafa ny fiangonana,
dia tsy ny asan’ Andriamanitra ihany no hijaly, fa tsy homen’ ny lanitra ho an’
ny mambra tsy mahatoky koa ny filahiana tokony ho azy...
Na dia izay sahirana indrindra aza dia tokony hitondra ny fanatiny amin’
Andriamanitra. Tokony ho mpizara joy fahasoavan’ I Kristy voarainy izy, ka
hahafoy tena hanampy izay sahirana kokoa noho ny tenany. Miakatra toy ny
fofona mamerovero eo anatrehan’Andriamanitra ny fanomezana atolotry ny
mahantra, satria vôkatry ny fandavan-tenany izany. Ary vao mainka
mampatanjaka ny toe-tsaina feno fahalalahan-tanana ny fihetsika rehetra entanin’
ny fandavan-tena, sady mitarika azy hanana firaisana akaiky dia akaiky
amin’ Ilay nanan-karena, nefa nanjary malahelo noho ny amintsika, mba
hampanan-karena antsika ny alahelony.
Ny fanatitra nataon’ ilay vehivavy mpitondratena nandatsaka variraiventy
roa, — dia ny fananany rehetra — tao amin’ ny fana-tazan-drakitra, dia voatahiry
ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra mba ho fampaherezana an’ izay mitoiona ao
amin’ ny fahotrana, kanefa manam-paniriana hanolotra ny fananany ho
fanampiana ny asan’ Andriamanitra. Notarihin’ i Kristy hijery ilay vehivavy
izay «nanolotra ny fananany rehetra»9, ny mpianatra. Nambaran’ i Kristy fa ny
fanomezana natolotr’ io vehivavy io dia betsaka lavitra noho izay narotsak’ ireo
nanome, nefa tsy vokatry ny fandavan-tenany. Sombiny tamin’ ny harena be
nananany no nomeny. Ilay vehivavy mpitondratena kosa nahafoy na izay tena
nilainy hivelomany aza, mba hahazoany manao fanatitra, satria natoky
an’ Andriamanitra izy fa hanome azy izay ilainy ny ampitso. Ny aminy no
nanambaran’ ny Mpamonjy hoe: « Lazaiko aminareo marina tokoa, fa io
mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka

298
be noho izay rehetra nandatsaka tao amin ny fandatsahan-drakitra»9. Nasehony
tamin’ izany fa ny hasarobidin’ ny fanatitra dia tsy miankina amin’ ny
fahabetsahany, fa amin’ ny haben’ ny ampahany natolotra sy amin’ ny tœ-tsaina
nanosika hanolotra azy.
Tsy nanasatra ny apostoly Paoly mihitsy, nandritra ny asany teo amin’ ny
fiangonana, ny nampiditra ao ampon’ izay vao niova fo ny faniriana hanao
fanolorana betsaka ho an’ ny asan’ Andriamanitra. Matetika no namporisihiny
hanao fanazaran-tena amin’ ny fahalalahan-tanana izy ireny. Raha niteny tamin’
ireo loholona tany Efesosy izy, ka nitantara ny asa voalohany nataony tany, dia
hoy izy: « Efa nasehoko anareo tamin’ ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy
izany koa hianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’ i Jesosy
Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray»10
Ary koa: «Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be
kosa no hojinjany»10.
Nahantra ny ankamaroan’ ny mpino tany Makedonia, nefa kosa niroborobo
teo amin’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny faha-marinany ny fony, ka tamim-
pifaliana no nanomezany ho fanohanana ny fitoriana ny filazantsara. Rehefa nisy
fanangonam-bola lehibe natao tamin’ ny fiangonana Jentilisa ho fanampiana ireo
mpino Jiosy, dia azo noraisina ho ohatra ho an’ ny fiangonana hafa ny
fahalalahan-tanan’ ireo Jentilisa vao niova fo tany Makedonia ireo. Nanoratra
tamin’ ny mpino tany Korinto ny apostoly Paoly ka nitarika ny sainy handinika
ny Fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena tao amin’ ny fiangonana tany
Makedonia, «fa tamin’ ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ ny
hafaliany, aiy ny hamafin’ ny fahantrany no nampitombo ny haren’ ny hitsim-
pony. Koa vavolombelona aho, fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany
aza, sady araka ny sitrapony ihany no nanomezany, sady nangataka mafy taminay
koa izy mba havelanay hikambana amin’ izany fanompoana ho an’ ny olona
masina izany; ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an’ ny
Tompo aloha, dia vao ho anay koa noho ny sitrapon’ Andriamanitra»11
Noho ny fanoioran-tena tanteraka nataon’ ireo mpino tany Makedonia no
nahavonona azy hanao fandavan-tena. Netsehin’ ny Fanahin’ Andriamanitra izy,
ka «ny tenany no natolpny ho an’ ny Tompo aloha»12, ary manaraka izany dia
vonona izy hanome
9) Marka 12 : 44; and 43 10) Asa 20 : 35; 2 Kor 9 : 6, 7
11) 2 Kor 8 : 1 – 5 12) 2 Kor 8 : 5
299
an-kalalahana hanohanana ny fitoriana ny Filazantsara. Tsy nilaina akory ny
namporisika azy hanome, fa fifaliana ho azy ny nanana tombontsoa hanao
fandavan-tena. na dia amin’ izay zavatra tena ilain’ ny tenany aza mba
hanampiany ireo sahirana. Raha nikasa hisakana azy ny apostoly Paoly, dia
nanery azy izy ireo mba hanaiky handray ny fanomezany. Tao amin’ ny
fahatsoram-po sy noho ny fitiavan-drahalahy no nanaovany fahafoizan-tena
tamim-pifaliana ka nanomezany mihoatra noho izay zakany aza.
Raha naniraka an’ i Titosy tany Korinto i Paoly mba hampahery ny mpino
tany, dia nohafarany izy hitaiza io fiangonana io ho amin’ ny fahalalahan-tanana.
ary toy izao koa no teniny tao amin’ ny epistily-nosoratany ho an’ ny mpino; «Fa
araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, hoy izy, na amin’ ny finoana,
na amin’ ny teny, na amin’ ny fahalalana, na amin’ ny fahazotoana rehetra, na
amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’
izao fahasoavana izao». «Ataovy tanteraka ary izany, ka tahaka ny
nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa ny haha-
tanterahanareo azy araka izay anananareo. Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka
izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany». «Ary
Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba
hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo
amin’ ny asa tsara rehetra ... dia hanan-karena amin’ ny zavatra rehetra hianareo
ka handroso amin’ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an’ Andriamanitra
»13.
Nahatonga fifalian-dehibe ho an’ ny fiangonana voalohany ny fahalalahan-
tanana nananany, satria fantany fa ny ezaka nataony no nandraisany anjara amin’
ny fitoriana ny hafatry ny filazantsara any amin’ ny tany maizina. Hita teo amin’
ny fahalalahan-tanany fa tsy nandray foana ny fahasoavan’ Andriamanitra izy.
Inona moa no nahatonga izany fahalalahan-tanana izany afa-tsy ny fanamasinan’
ny Fanahy? Fahagagana vitan’ ny fahasoavana izany teo anatrehan’ ny mpino sy
ny tsy mpino.
Miankina be dia be amin' ny fahalalahan-tanan’ ny Kristiana ny
fandrosoany eo amin’ ny ara-panahy. Tôkony hifaly noho ny tombontsoa
ananany ny mpanaraka an’ i Kristy, eo amin’ny fanolorany ny ainy ho
fankatoavana ny Mpanavotra azy. Raha manome ho an’ ny Tompo izy dia azony
antoka fa miaioha lalana azy any amin’ ny lapan’ ny lanitra ny harena natolony.
13) 2 Kor. 8 : 7, 11, 12; 9 : 8 - 11
300
Tian’ ny mpino ve ny hametraka ny fananany eo amin’ ny toerana azo
antoka? Aoka hapetrany eo am-pelatanan’ Ilay mitondra ny holatry ny
nohomboana izany! Moa tiany va ny habita tombontsoa amin’ ny fananany ?
Aoka hampiasainy izany hanampiana ny mahantra sy ny mijaly! Tiany ve ny
hampitombo ny hareny? Aoka hohenoina izao famporisihana avy amin’ ny
Tompo izao; «Mankalazà an’ i Jéhovah amin’ ny fanananao sy amin’ izay
voaloham-bokatrao rehetra; ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao,
ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ ny vata fanantazanao»14. Raha
hazonina hampiasaina amin’ ny fitiavan-tena kosa ny fananany dia ho
fahaverezana mandrakizay ho azy izany. Aoka kosa hatolony ny Tompo ny
hareny, dia hasian’ Andriamanitra izao tombo-kase izao: tsy hisy fiovana izany.
Hoy Andriamanitra: «Sambatra izay mamafy eny ambonin’ ny rano
rehetra»15. Ireo fitahiana tsy manam-pitsaharana omen’ ny Tompo antsika, raha
entintsika hanohanana ny asany sy ireo olona mila fanampiana, dia mampanan-
karena antsika fa tsy mampahantra. «Misy mahafoy, nefa mitombo fananana
ihany; ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany»16.
Mampitombo ny voa afafiny ny mpamafy, amin’ ny fanaparitahany azy eny
rehetra eny. Toy izany koa Izay mahatoky amin’ ny fanolorana ho an’ ny
Tompo. Arakaraka ny ahafoizany no andraisany fitahiana bebe kokoa. «Omeo,
dia mba homena hianareo». Efa nanome toky Andriamanitra fa «fatra tsara sady
ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny eo am-pofoanareo. Fa izay fatra
hataonareo no hamarana ho anareo kosa »l7.

14) Ohabolana .3 : 9, 10 15) Isaia 32 : 20; Oha. 11 : 24


16) Oha. 11 : 24 17) Lioka 6 : 38
301
33

Miasa ao anatin’ ny
fotoan-tsarotra

Raha nikely aina fatratra ny apostoly Paoly mba hampiseho amin’ ny


mpino ny fampianarana mazava ao amin’ ny Soratra Masina momba ny
hahazoan’ ny asan’ Andriamanitra mianto-tena ara-bola, dia nitaky kosa izy,
araka ny maha-mpitory ny filazantsara azy, mba hanana fahefana hahazo
fivelomana.1 Kanefa koa nandritra ny fotoana sasany nanaovany ny asa maha-
mpitory azy, dia voatery niasa tamin’ ny tanany izy, tany amin’ ny tanàn-dehibe
niroborobo tamin’ ny fandrosoana, mbahahazoany vola hivelomany.
Teo amin’ ny firenena Jiosy dia tsy noheverina ho zavatra hafahafa na ho
mahafa-baraka ny manao asa ara-batana. Nozarina hanao taozavatra sasantsasany
ny zanaky ny Hebreo tamin’ ny andron’ i Mosesy, ka noheverina ho fahotana ny
namela ny ankizy hihalehibe, nefa tsy mahay manao asa-tanana. Na dia ny zaza
nobeazina hanao asa masina aza, dia nilaina mihitsy ny nampahafantatra azy ny
fiaimpiainana andavanandro. Samy nampianarina hahay asa-tanana iray ny
tanora, na manan-karena na mahantra ny ray aman-dreniny. Ny ray aman-dreny
nanao antsirambina ny fanofanana ny zanany ho amin’ izany dia noheverina ho
niala tamin’ ny torolalana nomen’ ny Tompo. Ho fanarahana izany fomba izany
no nampianarana an’ i Paoly hahay manao lay.
Nanana toerana ambony ivelan’ ny asa-tanana nataony hahazoam-
pivelomana i Paoly talohan’ ny naha-mpianatr’ i Kristy azy, ka
1) 1 Kor. 9 : 6

303
tsy nilainy ny mankina tamin’ ny fanaovana lay. Tato aoriana anefa, rehefa
nampiasa ny fananany rehetra ho fampandrosoana ny asan’ i Kristy izy, dia
voatery nanamboatra lay indraindray, mba hahazoany fivelomana. Tsy maintsy
nataony izany, indrindra rehefa niasa teo amin’ ny toerana izay tsy nankasitrahana
ny fitoriana nataony izy.
Tany Tesalonika no nahitantsika an’ i Paoly niasa tamin’ ny tanany
voalohany indrindra mba hiantohany tena teo am-pitoriana ny filazantsara. Raha
nanoratra tamin’ ny mpino tany izy, dia nampahatsiaroviny azy fa niezaka izy
mba tsy «hahavaky tratra» azy ireo, ka dia izao no teny nambarany manaraka
izany: «Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay, fa
niasa andro aman-alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory
taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran’ Andriamanitra taminareo»2. Ary
mbola nampiany indray tao amin’ ny epistily faharoa nosoratany taminy, fa izy
sy ny mpiara-miasa aminy dia «tsy nihinana foana izay hanin’ ny olona», raha
mbola teo aminy. « Fa niasa andro aman-alina tamin’ ny fikelezan-aina sy ny
fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza; tsy noho
ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray âminareo ho fianaranareo ny
tenanay»3.
Tafahaona tamin’ ny olona tsy nety niasa tamin’ ny tanany i Paoly fony izy
tany Tesalonika. Ho an’ ireny olona ireny no nanoratany tany aoriana hoe «Fa
renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa
mivezivezy foana miraharaha ny an’ olona. Ary izay manao toy izany no didianay
sy anarinay ao amin’ i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin’ny fiadanana
ka hihinana izay azy ihany». «Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia
nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy »4.
Nandritra ny fotoana rehetra no nitadiavan’ i Satana hanakan-tsakana ny
ezaka ataon’ ny mpanompon’ Andriamanitra, ka nampi-dirany toe-tsaina kirina
amin’ ny heviny. Toy izany indrindra tamin’ny andron’ i Paoly, ary toy izany koa
nandritra ireo taonjato maro nifandimby, hatramin’ ny andron’ ny Reformasiona
notontosain’ i Wycleff sy Lotera, ary ny maro hafa koa, izay fitahiana ho an’ izao
tontolo izao noho ny herim-pinoany. Nifanehatra mandrakariva tamin’ ny
hafetsen’ ny fahavalo izay nitarika ny olona ho amin’ ny
2) 1Tes. 2 : 6, 9 3) 2 Tes. 3 : 8, 9 4) 2 Tes. 3 : 11. 12, 10

304
zotom-po tafahotra sy tsy voalanjalanja satria nentanin’ ny saina tsy manana
fahamasinana izy ireo. Misy olona sasany, diso fihevitra ka nampianatra fa, mba
hahatrarana ny tena fahamasinana, dia tsy tokony hiraharaha mihitsy ny momba
ny eto an-tany ny saina, hany ka nahatonga ny olona nandray izany fampianarana
izany tsy hiasa. intsony. Misy koa aza olona izay sodokan’ ny teny sasany ao
amin’ny Soratra Masina, ka nampianatra fa tena fahotana mihitsy ny miasa, ka
ny Kristiana, hono, dia tsy tokony hihevitra ny hikatsaka fiadanana eto an-tany,
na ho an’ ny tenany, na ho an’ ny ankohonany, fa nahokana ny fiainany
manontolo kosa ho amin’ ny zavatra ara-panahy. Nanohitra izany ny
fampianarana sy ny ohatra nasehon’ ny apostoly Paoly.
Tsy niantehitra fotsiny tamin’ ny vokatry ny asan’ ny tanany
i Paoly raha tany Tesalonika. Nanoratra tamin’ ny Filipiana izy
taty aoriana, ho fisaorana noho ny fanomezana voarainy tamin’
ireo, ka notsahiviny ny asa mafy nataony teo aloha tany Tesa-
lonika: «Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho
ahy indray mandeha amana indroa hianareo hamonjy ahy»5.
Na dia efa nandray izany fanampiana izany aza izy, dia niezahany
ny hampiseho tamin’ ny Tesaloniana ny asa nataon’ ny tenany
mba ho ohatra halainy tahaka, ka tsy hisy hiampanga azy ho
fatra-pitia vola, ary mba hahatsapa ny tenany ho diso koa ireo
izay tery saina ka mandrara ny asa atao amin’ ny herin-tsandry
Raha namangy voalohany an’ i Korinto ny apostoly Paoly dia tafalatsaka
teo anivon’ ny vahiny izay nanana firehan-tsaina hafahafa. Mpandraharaha kinga
tokoa ireo Grika nipetraka teo amoron-dranomasina. Efa ela no nanazarany tena
hanao raharaham-barotra nahomby, ka nanjary nino izy fa araka an’
Andriamanitra ny fahazoana tombony; ary mba hahazoana vola, hono, dia samy
azo atao avokoa, na ny mitady izany amim-pahamarinana, na ny mampiasa
fisolokiana. Nampahafantarina an’ i Paoly izany toe-tsainy izany, ka dia nataony
izay tsy hiheveran’ ireo azy ho nanao ny fitoriana ny filazantsara hahazoana
harena ho an’ ny tenany. Rariny ny namporisihany ny Korintiana hanohana azy;
kanefa vonona ny tsy hanao izany fitakiana izany izy, mba tsy homen-tsiny ny
asa nikelezany aina sy ny fahombiazana azony teo amin’ny fitoriana ny
filazantsara, ka tsy hiheveran’ ny sasany fa ny hahazoana tombontsoa ho an’ ny
tenany no nitoriany ny filazan-
5) Filipiana 4 : 16
20 — Vavolombelona Mahery
305
tsara. Nohalaviriny ny fihetsika rehetra maty hahadiso fihevitra ny mpijery, mba
tsy ho very ny herin’ ny hafatra notoriny.
Raha vao tonga tany Korinto i Paoly, dia tafahaona tamin’ ny Jiosy
anankiray natao hoe Akoila, teraka tany Ponto, ary tato aoriana dia tonga avy tany
Italia koa i Prisila vadiny. Niray sambo taminy izy ireo. Noho ny didy navoakan’
i Klaodio, izay nibaiko ny Jiosy rehetra hiala tany Roma, dia voatery nankany
Korinto i Prisila sy Akoila, ka tao no nanorenany taozavatra tamin’ ny
fanamboarana lay. Namotopototra ny amin’ izy mivady i Paoly, ary reny fa
natahotra an’ Andriamanitra izy ireo, ka niezaka handositra ny hery ratsy
nanodidina azy. Ka dia niara-nitoetra taminy izy, ary niara-niasa taiminy. «Ary
niady hevitra isan-tsabata tao amin’ ny synagona izy ka nampanaiky ny Jiosy sy
ny jentilisa»6, fa Kristy no Mpamonjy.
Taty aoriana dia nanaraka an’ i Paoly tany Korinto i Silasy sy Timoty.
Nitondra fanampiana avy tamin’ ny fiangonana tany Makedonia ho fanohanana
ny asa izy roalahy ireo.
Tao amin’ ny epistily faharoa nosoratany ho an’ ny mpino tany Korinto,
izay nosoratany taorian’ ny nananganany fiangonana matanjaka tany, dia
nampahatsiaroviny azy ny fomba fiasany teo aminy: «Diso va aho, hoy izy, raha
nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran’
Andriamanitra taminareo? Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama
hanompoako anareo. Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba
nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy,
dia nomeny ahy izay niiaiko; ary tamin’ ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara
izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany. Raha ato
anatiko koa ny fahamarinan’ i Kristy dia tsy hisy hahafoana izany reharehako
izany any amin’ ny tany Akaia»7
Nambaran’ i Paoly fa izany sori-dalana izany ihany no narahiny tany
Korinto mba tsy homen-tsiny ny fanompoana, «fa izay ataoko no mbola hataoko
ihany, mba hampitsaharako ny famelezan’ izay mitady hamely»8. Fa na dia niasa
nanao lay aza izy dia niasa tamim-pahatokiana koa tamin’ ny fitoriana ny
filazantsara. Toy izao indrindra no filazany ny amin’ ny asa nataony: «Ny faman-
tarana mah’Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin’ ny
faharetana- rehetra, tamin’ ny famantarana sy ny fahagagana àry
6) Asa 18 : 2 - 4 7) 2Kor. 11 : 7 – 10 8) 2Kor. 11:12
306
tamin’ ny asa lehibe. Fa inona moa no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana
sasany, afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ahy ary amin’ izany
fahadisoana izany... Ary izaho dia faly indrindra hàndany sy holanina hahasoa ny
fanahinareo, na dia araka ny fitomboan’ ny fitiavako anareo aza no fihenan’ ny
fitiavanareo ahy»9.
Rehefa niasa naharitra ela tany Efesosy i Paoly, ka nandritra ny telo taona
mipaka no nanaovany fitoriana mafy tao amin’ io faritany io, dia lasa nanao ny
asa fanaovana lay indray izy. Nahafaly an’ i Paoly mihitsy ny niarahany, niasa
tamin’ i Prisila sy Akoila na tany Efesosy na tany Korinto, satria niaraka taminy
ireo raha niverina nankany Asia izy ho famàranana ny dia misionera faharoa
nataony.
Nisy mantsy olona sasany nanome tsiny an’ i Paoly tamin’ ny nisasarany
nanao asa-tanana, ka nampangainy ho tsy nifototra tsara teo amin’ ny fitoriana ny
filazantsara izy. Nahoana moa i Paoly, hoy izy, izay voantsô hanao asa ambony,
no manao asa-tanana izay nampiarahany tamin’ ny fitoriana ny fîlazantsara? Moa
ve tsy mendrika handray ny karamany ny mpiasa? Nahoaria no nolaniana
tarnin’ ny fanaovana lay ny fotoana izay tokony hampiasaina amin’ny antony
tsara kokoa ?
Tsy noheverin’ i Paoly ho fotoana very foana anefa ny nolaniny tamin’
izany. Raha niara-niasa tamin’ i Prisila sy Akoila teo imason’ Ilay Mpampianatra
Lehibe izy, dia tsy nisy fotoana navelany handalo fotsiny ka tsy nijoroany ho
vavolombelon’ ny Mpamonjiny, sy nanampiany izay rehetra sahirana. Nifantoka
mandrakariva teo amin’ ny zavatra ara-panahy ny sainy. Nomeny torohevitra ara-
panahy ireo mpiara-miasa taminy, sady nasehony niaraka tamin’ izany koa fa tsy
maintsy miasa ny tenany, ary hanao izany tanteraka tokoa. Tanteraka teo aminy
ilay teny manao hoe; «Mazotoa fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ ny
fanompoana ny Tompo»10 Tamin’ ny asa taozavatra nataon’ i Paoly no nahazoany
nifampikasoka tamin’ ny antokon’ olona izay tsy nety ho hitany tamin’
ny fomba hafa. Nasehony tamin’ ireo mpiara-miasa taminy fa ny anaovana tsara
ny asa dia fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay manome
fahendrena hanao ny asa amim-pahamalinana. Nasehony azy ireo. fa na dia eo
amin’ ny asa mafy atao isan’ andro aza dia ahazoana manome voninahitra an’
Andriamanitra
9) II Kor 12 : 12, 13 10) Romana 12 : 11
307
Tsy nampihena velively ny heriny hitory amin-kery lehibe ny filazantsara ny asa
mafy nataony tamin’ ny tanany.
Indraindray niasa andro aman’ alina mihitsy i Paoly, tsy ny mba
hiantohany'ny tenany fotsiny, fa ny mba hanampiany ireo mpiara-miasa aminy
koa. Nozarainy tamin’ i Lioka ny tombom-barotra azony, ary nampiany toy izany
koa i Timoty. Indraindray naleony ny tenany mihitsy no noana, mba hahazoany
manome ny sahirana. Fiainana feno fandavan-tenà toy izany ny azy. Rehefa
nanakaiky ny hifaranan’ ny asa fitoriana nataony, ka nanao veloma ireo loholona
tany Efesosy izy, sy ireo tany Mileto koa, dia azony natao ny nanandratra teo
imason’ ireo ny tanany marokorokon’ny asa, ka hoy izy: «Tsy mba naniry
volafotsy na volamena na lamban’ olona aho. Fa fantatrareo ihany fa ireto tànako
ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay. Efa
nasehoko anareo tamin’ ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa hianareo,
mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’ i Jesosy Tompo, izay manao
hoe: Mahasambatra ko koa ny manome noho ny mandray »11.
Raha misy mpitory ny filazantsara mitaraina noho ny hasarotan’ ny asa sy
ny fihafiana ao amin’ ny asan’ Andriamanitra, dia aoka izy handefa fisainana
hamangy ny trano fiasan’ i Paoly. Aoka ho ao an-tsain’ ireo fa ity olom-boafidin’
Andriamanitra ity dia nanamboatra lay, tsy ny mba hahazoany izay hohaniny
ihany, sady manana ny rariny hahazo izany izy, fa ny mba hanatontosany ny
asa maha-apostoly azy koa.
Ny miasa dia fitahiana fa isy ozona. Mandrava ny maha-mpivavaka ny toe-
tsaina kamo sady mampalahelo ny Fànahy Masin’ Andriamanitra. Mahatonga
aretina ny rano miandrona, fa ny rano madio kosa, sy ny renirano mikoriana tsara
dia mahatonga fahasalamana sy fahasambarana ho an’ ny tany. Fantatr’ i Paoly
fa tsy maintsy mihamalemy izay tsy manao asa ara-batana. Tiany ny hampianatra
ny mpitory tanora fanahy fa amin’ ny fiasany amin’ ny tanany, ary ny fampiasany
ny nofo sy hozatra amin’ ny tenany no hahatonga azy hatanjaka ka hahazaka ny
tolona sy ny fihafiana miandry azy eo amin’ ny sahan’ ny filazantsara. Ho tsapany
koa fa na ny fampianarany aza dia tsy hisy aina na hery raha tsy
tehiriziny ao amin’ ny fahasalamany ny ftritra rehetra amin’ ny
tenany amin’ ny fanaovany fampiasan-tena ara-drariny.

11) Asa 20 : 33 - 36
308
Ny olona midonana-poana dia tsy afaka handray ny fitahiana sarobidy avy
amin’ ny fanatontosana tsara ny andraikitra fanao andavanandro. Tsy vitsy fa
anarivony ny olona tsy manana zavatra kendrena afa-tsy ny hitsentsitra ny
tombontsoa omen’ Andriamanitra azy, fa hadinony ny manolotra fanati-pisaorana
ho Azy noho ny harena natolony azy. Aoka tsy hohadinoiny fa rehefa
mampitombo ny talenta natolotra azy izy, dia tsy maintsy mamokatra koa fa
tsy ho mpihinana fotsiny. Tsy hiala ny andraikitra natolotra azy ny olona raha
fantany ny anjarany eo amin’ ny asan’ Andriamanitra. Miankina be dia be amin’
ny fomba anatanterahan’ ny tanora voantso hanao ny asan’ Andriamanitra ny
anjara asa ataony. Izay nofidin’ Andriamanitra ho mpitoriteny dia tokony haneho
fa nandray antso avy tany ambony izy, ka hikaroka ny fomba rehetra
hahatonga azy ho mpiasa mahomby. Hiezaka hanana toetra izay hahazoany
mamolavola sy mandamina ary manatanteraka izay tokony hataony izy. Tsapany
ny hamasinan’ ny adidy niantsoana azy, ka miezaka izy hanahaka bebe kokoa
hatrany ny Tompony, amin’ ny fifehezan-tena ataony, ka halemy fanahy sy ho be
fitiavana ary ho marina tahaka Azy. Hanohana azy amin’ ny fanampiana
mazava ny Fiangonana rehefa maneho fahazotoana hampiasa ny talentany izy.
Tsy tokony hampanantenaina hahazo fanampiana ara-bola maharitra avy
hatrany avy amin’ ny fiangonana ny mpiasa mahatsapa ny tenany ho voantso.
Tena manimba zavatra tokoa mantsy ny manao fampanantenana tsy voahevitra
amin’ ny olona tsy mbola za-draharaha, ka hamporisika azy hiantehitra tanteraka
amin’ny hafa, sady tsy mampahafantatra azy fa izy koa dia tsy maintsy mba
manao ny anjarany ho an’ ny fiangonana, araka ny tokony ho izy.
Tsy tokony holaniana foana amin’ ny olona tsy afaka history raha tsy
mahazo karama, ny ampahafolony izay voatokana hanitarana ny asan’
Andriamanitra. Satria ho fanomezana faha-fahampo ny hambom-pony fotsiny
izany, sady hananany fiainana misosa ho azy.
Hahita ohatra halain-tahaka teo amin’ ny fiainan’ i Paoly tany Tesalonika
sy Efesosy, sy tany amin’ ny tany hafa koa ny tanora izay maniry hampiasa ny
talentany ho an’ ny asan’ Andriamanitra. Na dia nahay nandaha-teny fatratra aza
i Paoly, sady efa nofidin’Andriamanitra rahateo hanao asa manokana, dia tsy
nanao tsinontsinona ny asa-tanana izy; nifofotra mafy izy mba hahazoany
manatontosa ny asa izay tiany sy nanolorany nv tenany. Fa hoy

309
izy: «Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy
sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay; ary misasatra miasa
amin’ ny tànanay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina dia
miaritra; raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa ; atao toyny faditr’
izao tontolo izao izahay, dia faikan’ ny olona rehetra mandraka ankehitriny »12.
Toy izany no nanatanterahan’ ity olona anisan’ ny manain-pahaizana
indrindra teto an-tany ity tamim-pifaliana ny asa ambony indrindra, toy ny
nanatanterahany koa ny asa ambany indrindra. Niroboka an-tsitrapo nanao ny
asa-tanana fanaony izy rehefa toa nilaina teo amin’ ny fiainany izany. Kanefa
kosa, vonona mandrakariva hamela izany izy raha vao nisy fahavalon’ ny
filazantsara nifanehatra taminy; na koa mba hanararaotany fotoana sendra
iniserana izay nahazoany namonjy fanahy iray ho an’ i Jesosy.
Ny asa betsaka nataony sy ny hafanampony dia faniniana miharihary an’
izay kamo sy fatra-pitady tany malémy hanorenam-pangady. Tian’ i Paoly ny
hanohitra, tamin’ ny alalan’ ny asa-tanana, ny toe-tsaina nihanahazo vahana tao
amin’ ny fiangonana, dia ny fiheverana fa tsy ahitana fahombiazana ny fitoriana
ny filazantsara raha tsy amin’ ny alalan’ ireo izay tsy voafatotry ny asa-tanana
ihany. Nasehon’ ny apostoly tamin’ ny fiainany mihitsy ny toetra tokony
hananan’ ny mpino na aiza na aiza ahitany olona tsy mbola mahafantatra ny
fahamarinana ao amin’ ny filazantsara. Nanoro hevitra an’ ireo mpiasa tso-piaina
hanana faniriana hampandroso ny asan’ Andriamanitra ny toetra nasehon’ i
Paoly, ka sady nanao ny asa fahazoam-pivelomana izy no nanatontosa koa ny asa
fitoriana. Tsy nantsoina hanokana ny androny manontolo history ny filazantsara
i Prisila sy Akoila; kanefa azon’ Andriamanitra natao; ny nampiasa ireo
mpanompo tso-piaina ireo mba hampiseho miharihary kokoa tamin’ i Apolosy ny
lalan’ ny fahamarinana.
Mampiasa fomba samihafa ny Tompo mba hanatanterahana ny fikasany.
Indraindray Kristiana manan-talenta no antsoiny hampianatra sy hitory ny
filazantsara; indraindray kosa olona tsotra, izay tsy mbola nanao ny asa fitoriana
akory no antsoiny hanatontosa andraikitra lehibe ao amin’ ny famonjena fanahy.
Misy asa midadasika misokatra eo anoloan’ ny mpanompon’ Andriamanitra izay
mivelona amin’ ny asan’ ny tenany ihany. Fantatra fa maro ny mpitory ny
filazantsara no afaka hanao asa-
12) 1 Kor. 4 : 11 - 13
310
tanana iray, nefa hahatsapa fanandramana feno fahombiazana koa eo amin’ ny
fitoriana ny filazantsara. Misy mpitoriteny sasantsasany izay azo ofanina amin’
izany fomba izany, mba hahatonga azy ho mpanompo mahasoa any amin’ ny saha
andrenesana fiantsoana maika.
Ny mpanompon’ Andriamanitra manolotra ny fiainany manontolo kosa
hitory ny filazantsara dia mitondra enta-mavesatra ao am-pony. Tsy mandala
fotoaaa hanaovana izany izy. Tsy misy fiantraikany aminy eo amin’ ny asa
fitoriana ataony ny fivelomana raisiny, ary tsy mampihemotra azy eo amin’ ny
adidiny ny faha-sarotana mitranga. Avy any an-danitra no nandraisany ny baiko,
ary any koa no ifantohan’ ny fijeriny mba handraisany ny valisoa, rehefa tontosa
soa aman-tsara ny asa nankinina taminy.
Irin’ Andriamanitra raha ny mpiasa toy izany no tsy avela ho voaelingelin’
ny zavatra tsy mahasoa, mba hahazoany mankato ny torohevitra nomen’ i Paoly
an’ i Timoty hoe: «Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina
fatratra amin’ izany, mba hiseho amin’ ny olona rehetra ny fandrosoanao.13
Tokony hitandrina tsara àry ny mpitorin’ Andriamanitra mba hitahiry ny
Jenany sy ny sainy ao amin’ ny fahatanjahana tanteraka, sy amin’ ny fanaovany
fampiasan-tena antonona; nefa kosa aoka tsy ho voatery hanokana ny
ankamaro.an’ ny fotoanany hanao asa ara-nofo izy.
Satria mantsy na dia nanokana ny tenany hanao ny asan’
Andriamanitra aza ireny mpanompo mahatoky ireny, dia mbola azon’ ny fakam-
panahy hatonina ihany izy, Raha sendra zava-tsarotra izy, satria tsy afaka hanome
fiyelomana azy intsoriy ny fiangonana, dia hilofo hanakivy azy ilay mpaka-
fanahy. Afa-tsy izany, rehefa tsinjony fa tsy ankasitrahana loatra ny asany, dia
latsaka ao amin’ ny faha-kiviana izy. Koa ny hany fanantenany dia ny andro
fitsarana izay hanomezana valim-pitia ara-drariny ho azy. Izany fanantenana
izany no manohana azy; kanefa alohan’ izany dia tsy maintsy mihinana sy mitafy
ny fianakaviany. Raha tsapany fa tokony handao ny asa fitoriana niantsoana azy
izy, dia aoka hiverina an-tsitrapo eo amin’ ny asa-tanana; fantany kosa anefa fa
an’ Andriamanitra ny androny, na dia tsy tsapan’ ireo izay tokony hanohana azy
ara-pivelomana aza izany. Tsy ho resin’ ny fitaoman’ ny fakam-panahy hanao
asa hahazoany miaina amin-kalalahana izy, fa hanohy kosa ny asa mafy ataony
ho fampandrosoana hy filazantsara, satria izany indrindra no tena sarobidy ao
amin’ ny fiainany.
311
Indraindray kosa anefa voatery haka tahaka an’ i Faoly ny mpanompon’
Andriamanitra ka hanokana fotoana sasany hanaovana asa-tanana, sady
hanatontosa ny asa maha-mpitandrina azy koa. Tsy ny tombontsoa ho an’ ny
tenany anefa no ataony vain-dohan-draharaha amin’ izany, fa ny hampandroso
ny asan’ Andriamanitra.
Misy mpanompon’ Andriamanitra sasany tsy manana ny ampy mba
hanaovany asa matanjaka sy maharitra, ka manjary mihevitra fa tsy hahatontosa
na oviana na oviana ny asa natolotra azy. Ny hafa kosa indray dia manahy sao
misakana azy tsy hanefa ny adidiny ny tsy fananany vola ampy. Nefa kosa raha
samy mandroso amim-pinoana ireo karazan’ olona roa ireo, dia ho voatory amin’
ny mpanota ny lalam-pamonjena, ka handroso ny asan’ Andriamanitra. Ilay
nibaiko ny mpianany hitory hatrany amin’ ny faran’ ny tany no hiantoka izay
ilain’ ireo mankatô ny teniny ka mitory ny filazantsara amin’ ny fony tokoa.
Tsy asehon’ ny Tompo miharihary mandrakariva amin’ ny mpanompony
izay tokony hataon’ ireo, eo amin’ ny fitantanana ny asany. Indraindray mizaha
toetra azy Izy, ka mandefa fahoriana eo aminy, izay mitaona azy handroso amim-
pinoana. Matetika no arosony handeha eo amin’ ny lalana ety sy sarotra izy, ka
baikoiny handroso, ary amin’ izany ny tongony efa miroboka ao amin’ ny
reniranon’ i Jordana. Raha mbola misandratra amin-kafanampo any an-danitra ny
fitarainan’ ireo mpanompo mandala fitsapana ireo, dia amin’ izany indrindra no
hanokafan’ Andriamanitra lalana eo anatrehany, izay hitarika azy any amin’ ny
toerana malalaka.
Rehefa mahatsapa ny andraikiny ao amin’ ny tanimbolin’ ny Tompo ny
mpanompony, ka mamaly ny antso avy amin’ ny toerana mila vonjy maika
indrindra, sady miasa tsy mijanona ho fitaomana ny fanahy hanolo-tena avy
amin’ ny alalan’ ny Fanahin’ ny Tompo, dia hamboatra lalana hizorany ny anjely,
ka hanome azy ny vola ilaina ho fampandrosoana ny fanjakan’ Andriamanitra.
Izay ampamirapiratin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra no hanome malalaka
ho fanohanana ny asa, satria izy ihany no hahazo tombon-tsoa amin’ izany.
Hamaly amin-kalalahan-tanana ny antso fitadiavana fanampiana amam-bola izy,
ka hampirehetin’ ny Fanahin’ Andria-

312
manitra ny fony mba hiezaka Hampandroso ny asan’ ny Tompo, tsy eo amin’ ny
toerana misy azy ihany, fa any an-tany lavitra koa. Koa dia hotolorana hery
vaovao ny mpitory mandeha hiasa any amin’ ny tany hafa, sy handroso araka ny
baiko nomen’ ny Tompon’ ny asa azy.

313
34

Asa feno fanoloran-tena

Tao amin’ ny fiainan’ i Kristy sy ny fampianarany no nanehoan ohatra


tonga lafatra amin’ ny asa feno fandavan-tena izay niandoha tany amin’
Andriamanitra. Tsy mivelona ho an’ ny tenany Andriamanitra. Ny antony
namoronany izao tontolo izao sy mbola ihazonany ny zavatra rehetra dia ho
fanasoavana lalandava ny olona. «Izy dia mampiposaka ny masoandrony amin’
ny ratsy fahahy sy ny tsara fanahy ary mampirotsaka ny ranonorana amin’ ny
marina sy ny tsy marina»1 Nafindran’ ny Ray ho eo amin’ ny Zanany izany fenitra
ambony izany. Najoro ho Lohan’ ny taranak’ olombelona Kristy mba hampiseho
ohatra aminy ny fomba fiasa. Nofehezin’ny lalàm-panompoana ny fiainany
manontolo. Nanompo ny rehetra Izy, ary niasa ho an’ ny rehetra.
Niezaka matetika hampiditra io fitsipika io tao an-tsain’ny mpianany
Jesosy. Raha nangataka ny homena toerana voalohany ao amin’ ny fanjakany i
Jakoba sy Jaona, dia izao no navalin’ ny Tompo azy; «Fa izay te-ho lehibe
aminareo dia ho mpanompo anareo; àry izay te-ho ambony indrindra aminareo
dia ho mpanomponareo. Fa tahaka izany, ny Zanak’ olona tsy tonga mba
hotompoina, fa mba hanompo, ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro»2.
Natolotr’ i Kristy tamin’ ireo solontena nofidiny tetÿ an-tany ny asa fanavotana
nataony, rehefa niakatra ho any an-danitra Izy. Tamin’ ny alalan’ ireo no mbola
nitenenany tamin’ ny zanak’
1) Matio5 : 45. 2) Matio 20 :26 - 28
315
olombelona, ka nikarakarany izay nilainy. Olona voahosotr’Andriamanitra hanao
ny asany no notoloran’ Ilay Filohan’ ny Fiangonana ny andraikitra hitory ny
famonjena.
Andraikitra lehibe no mipetraka eo an-tsorok’ izay nantsoin’Andriamanitra
hitory ny teniny sy hampianatra ny finoany ho fanorenana ny fiangonany.
Solontenan’ i Kristy izy, ka hiangavy ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra
hihavana amin’ Andriamanitra; nefa tsy ho tontosany izany asany izany raha tsy
mandray fahendrena sy hery avy any ambony izy.
Ireo irak’ i Kristy ireo no mpiambina ara-panahy eo amin’ ny olona atolotra
hokarakarainy. Azo ampitahaina amin’ ny asan’ ny mpitily ny asany. Tamin’ ny
andro fahiny dia nitoetra tany an-tampon’ ny mandan’ ny tanàna ny mpitily, ka
teny ambony teny no nametrahana azy ho mpiambina, mba hampandrenesany ny
mponina raha misy fahavalo manatona. Niankina tamin’ ny fahatokisany eo
amin’ ny fanatanterahana ny adidiny ny fandriam-pahalemana ho an’ ny olona
tao an-tanàna. Misy fotoana ifampiantsoan’ izy samy mpiambina, mba ho azo
antoka fa samy mifoha avokoa izy, ka tsy hisy loza hihatra amin’ ny vahoaka.
Misy antso fiarahabana sy fampitandremana ifanaovan’ izy rehetra, ka samy
mamerimberina izany izy amin’ ny feo manakoako manodidina ny tanàna.
Izao no tenin’ ny Tompo amin’ ny mpitory tsirairay avy; «Koa hianao, ry
zanak’ olona dia efa notendreko ho mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely, ka raha
mandre ny teny aloaky ny vavako hianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
Raha hoy Izaho amin’ ny ratsy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa hianao!
nefa tsy mety mananatra azy hianao hiala amin’ ny alehany, fa ho fatin’ ny helony
ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny rany dia hadiniko amin’ ny tànanao. Fa raha
mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa hianao hiala amin’ ny làlany ratsy; fa izy
no tsy mety miala amin’ izany, dia ho fatin’ ny helony ihany izy, nefa voavonji-
nao ny ainao»3.
Nasehon’ ny mpaminany tamin’ izany ny andraikitra goavana ho an’ ireo
izay voatendry ho mpiambina ny fiangonan’ Andriamanitra, sy ho mpitantana ny
zava-miafin’ Jéhovah. Tsy maintsy hijoro toy ny mpitily eo amin’ ny mandan’ i
Ziona izy, mba
2) Ezek. 33 : 7 – 9

316
hampandre ny feo fanairana raha manakaiky ny fahavalo. Tandindomin-doza ho
lavon’ ny fakam-panahy ny fanahy niaro, ka ho very izy ireny raha tsy mahatoky
eo amin’ ny asany ny irak’ Andriamanitra. Raha dombo ny sainy ara-panahy noho
ny antony iray ka; sy hainy intsony ny mamantatra ny fiavian’ ny fahavalo, ary
tsy nampahafantariny ny olona ny loza hianjera aminy, dia hotakin’
Andriamanitra aminy ny ran’ ireo izay ho very.

Tombontsoa ho an’ ny mpitily eny amin’ ny mandan’ i Ziona kosa ny


honina eo anilan’ Andriamanitra akaiky dia akaiky, sy ny fahazoan’ ny Fanahy
Masina miasa aminy mora foana, ka amin’izany dia ho azon’ Andriamanitra atao
ny mampandre ny mpanota ny loza, mba hiantsoana azy ireny hiery eo amin’ ny
toerana azo antoka. Tsy maintsy hasehony miharihary aminy ny tena vokatry
ny tsy fankatoavana, ary tsy maintsy ho mahatoky eo amin’ ny fiarovana ny aim-
panahin’ ny fiangonana izy. Tsy tokony havelany hiketraka na oviana na oviana
ny fiambenany. Asa ilàna fampiasana ny talentany rehetra io asany io. Toy ny
trompetra no hanandratany ny feony, ka tsy tokony ho re avy aminy mihitsy
ny feo misalasala na tsy azo antoka. Tsy ny hahazoana karama no iasan’ny
mpiasan’ Andriamanitra, fa ny fahatsapany kosa fa ho amin’izany indrindra no
niantsoana azy, ary koa ny fahafantarany fa misy ozona mety hihatra aminy raha
tsy mahatanteraka ny fitoriana ny filazantsara izy. Andriamanitra no nifidy azy,
sy nanisy tombo-kase azy tamin’ ny ran’ ny fanoloran-tena, ka ny adidiny
dia ny hamonjy ny lehilahy sy ny vehivavy tsy hiharan’ ny loza mananontanona.

Ny mpitory mpiara-miasa amin’ i Kristy dia tsy maintsy mahatsapa fa


masina indrindra ny asany sy ny tolona ary ny fandavan-tena ilaina hanatontosany
izany amim-pahombiazana. Tsy izay momba ny tenany, na ny hananany fiainana
milanto no katsahiny, fa tokony hanadino ny tenany aza izy. Eo amin’ ny
hafanampony hitady ny ondry very no tsy hahatsiarovany ny hasasarana, na ny
hatsiaka, na ny hanoanana mahazo azy. Tokana ihany no zavatra kendreny, dia
ny hamonjy ny fanahy very Izay miasa eo ambany faneva voapentin-dran’ i
Imanoela dia tsy maintsy hahatsapa fa mila ezaka feno hasahiana sy fiaretana
ny mafy izy. Ny miaramilan’ ny hazo fijaliana dia mijoro tsy azo hozongozonina
manatrika ny ady. Ka raha manafika azy ny fahavalo, dia mitodika eo amin’ Ilay
mampahery azy izy, ka hampahatsiaro ny Tompo ny teny fikasany ao amin’ ny
Teniny.

317
amin’ izay dia voatafy hery avy any ambony izy. Tsy mitabna azy hieboebo ny
fandresena azony, fa vao mainka mitaona azy hiantehitra bebe kokoa amin’ ny
herin’ ny Tsitoha. Amin’ izany hery izany no iankinany, ka azony atao ny mitory
ny hafatry ny famonjena amin-kery lehibe indrindra, ka mampihovitrovitra ny
sain’ ny hafa.

Izay mampianatra ny Teny dia tsy maintsy mivelona ao amin’ny firaisana


azo antoka isan’ ora amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny fivavahana sy ny
fandinihana ny Teniny, satria ao no loharanon’ny heriny. Hanafy hery ny ezaka
ataon’ny mpitory mihoatra lavitra noho ny fitorian-teniny ny firaisany amin’
Andriamanitra. Tsy ho kivy na oviana na oviana izy raha manana izany hery
izany. Amin’ ny hafanam-po fatratra no hitarainany amin’Andriamanitra mba
hanome hery azy sy hanatanjaka ny fanahiny hiatrika adidy sy fitsapana, ka ho
voatendrin’ ny afo velona ny molony. Malemy loatra ny fihazonan’ ny
solontenan’ i Kristy ny; fahamarinana mandrakizay. Raha miara-mandeha amin’
Andriamanitra izy, dia hanafina azy ao « an-tsefatsefaky ny harambato»
Andriamanitra. Ao amin’ izany fiereny izany no hahitany an’Andriamanitra, toy
ny nahitan’ i Mosesy Azy fahiny. Avy amin’ ny hery sy ny fahazavana omen’ ny
Tompo azy no hitomboan’ ny fahalalany sy hahavitany asa mihoatra lavitra noho
izay heveriny eny, na izay toa tsy ho azony tanterahina mihitsy aza.

Mahita fahombiazana indrindra eo amin’ izay mora kivy ny hafetsen’ i


Satana. Rehefa mila ho resin’ ny hakiviana ny mpitory, dia aoka ho loarany eo
anatrehan’ Andriamanitra izay ilainy. Tamin’ ny fotoana nahatazanan’ i Paoly ny
lanitra ho toy ny varahina mirehitra no tena nitokisany tanteraka an’
Andriamanitra. Fantany mihoatra noho ny oiona hafa rehetra ny an ton’ ny
fahoriana. Henoy kely ange ny antsom-pandresena nataony, rehéfa niatrika
fakam-panahy na fahoriana izy, teo am-pizoran’ ny diany hiakatra any ambony:
«Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra
indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho
anay, raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana,
fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay»4. Nibanjina mandrakariva ny tsy
hita sy ny mandrakizay ny mason’ i Paoly. Noho ny fahalalany fa miady amin’
ny hery tsy hita maso izy no naroetrahany ny fitokisany teo amin’ Andriamanitra,
ka tamin’ izany na nahazoany

4) 2Kor. 4 ; 17, 18
318
hery. Ny fahitany Ilay tsy hita maso no nampahatanjaka sy nampahery ny
fanahiny, sady nandreseny koa ny hery ety an-tany izay mangeja ny saina «sy
mandrava ny toetra.

Tsy maintsy mifangaro amin’ ny vahoaka iasany ny mpitory satria amin’


ny fifankazarany aminy no hahafantarany ny fomba hampifandraisana ny
fampianarany amin’ izay ilain’ ireo indrindra. Rehefa mitory teny ny mpiasa iray,
dia vao fiandohan’ ny asany izany; mbola misy asa tsy maintsy hataony
mivantana amin’ ny olona. Tsy maintsy hamangy azy any an-tokantranôny izy,
ka hidini- dinika sy hivavaka miaraka aminy amin-kafanampo sy amim-
panetren-tena. Misy fianakaviana izay tsy ho voakasiky ny fahamarinan’
Andriamanitra mihitsy raha tsy miditra any an-tranony ireo mpizara ny
fahasoavany, satria amin’ izany ihany no hahazoany manoro azy ny lalana
marina. Ny fon’ izay manao izany asa izany anefa dia tsy maintsy miara-mitepo
amin’ ny fon’ i Kristy.

Tokony ho takatry ny saintsika ny tena herin’ ny baiko hoe: «Mandehana


ho eny amin’ ny lalambe sy ny sisim-boly ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno
ny tranoko»5. Aoka àry ny mpitory hampianatra ny fahamarinana any an-
tokantrano, ka hifanatona akaiky amin’ ireo izay itoriany, satria amin’ izany
fiarahany miasa amin’ Andriamanitra izany no hanafiany azy herim-panahy.
Hitarika ny asany Kristy, ka hanome azy ny teny tokony hambarany, — teny izay
hivantana ao am-pon’ ny mpihaino. Tombontsoa ho an’ ny mpitory tsirairay avy
ny ho afaka hiteny tahaka an’ i Paoly hoe: «Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko
taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr’ Andriamanitra». «Ka tsy mba
nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ ny
olona ary tao amin’ ny isan-trano; ary nambarako tamin’ ny Jiosy sy ny jentilisa
koa ny fibebahana amin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy Kristy
Tompontsika»6.

Nitety trano koa ny Mpamonjy, ka nanasitrana ny marary, nampionona


izay mitomany, nampahery izay nampahorina, ary nitory fiadanana tamin’ izay
ory. Nitrotro ny zazakely teny amin’ny sandriny Izy ka nitahy azy, ary nanao teny
ho fanomezana fanantenana sy fampaherezàna ho an’ ny reny torovana. Tamim-
pitiavana tsy nahalala sasatra feno hatsaram-panahy no nihaonany tamin’ ny
karazam-pahoriana sy ny fahavoazana nihatra tamin’ ny olona. Tsy ho Azy fa ho
an’ ny hafa no niasany mafy. Nanompo
5) Lioka 14 : 23 6) Asa 20 : 27, 20, 21
319
ny olona rehetra Izy. Ny hanin-ko haniny sy ny rano fisotrony dia ny nitondra
fanantenana sy hery ho an’ izay rehetra nifampikasoka taminy. Ka rehefa nihaino
ny fahamarinana nambarany ireo lehilahy sy vehivavy maro, - fahamarinana izay
hafa lavitra noho ny lovan-tsofma sy ny fampianaran’ ny raby, - dia nisy
fanantenana niboiboika tao am-pony. Tamim-pitiavana fatratra mantsy no
nitenenan’ i Kristy ka nisy hery nambabo niantefa tao am-pon’ ny mpihaino.

Tokony hianatra ny fomba fiasan’ i Kristy ny mpiasan’Andriamanitra, mba


hahazoany mamoaka avy ao amin’ ny firaketan’ny Tenin’ Andriamanitra ny
herim-panahy ilain’ ny olona itoriany. Amin’ izany ihany no hahatanterahany ny
adidiny. Ny Fanahy izay nitoetra tao amin’ i Kristy, raha nanome ny mpianany
ny fampianarana izay noraisiny tsy an-kijanona avy, any an-danitra Izy,
no tokony ho loharanon’ ny fahalalany sy ho tsiambaratelon’ny hery hoentiny
mitory ny filazantsara eo amin’ izao tontolo izao.

Misy mpiasa sasany tsy nahita tahommazana teo amin’ ny asany satria tsy
nanolotra tanteraka ny tenany ho amin’ ny asan’ ny Tompo. Tsy tokony hisy
zavatra hafa hambabo ny sain’ ny mpitory afa-tsy ny asa lehibe natolotra azy
ihany, dia ny fitaomana ny fanahy hankeo amin’ ny Mpamonjy. Ireo mpanarato
nantsoin’ i Kristy dia nandao ny haratony avy hatrany ka nanaraka an’ i Kristy.
Tsy afaka hahavita asa araka ny tadiavin’ Andriamanitra aminy ny mpitory raha
misahana raharaha lehibe hafa ho an’ ny tenany. Manadombo ny fanahiny ny
manana fo mizarazara toy izany. Satria ho voababon’ ny zavatry ny tany ny sainy
sy ny fony, ka manjary hataony an-kilabao ny asan’ i Kristy. Amin’ ny fotoana
sendra mahafaka azy fotsiny no iasany ho an’ Andriarnanitra, kanefa tokony ho
ny asan’ Andriamanitra no hibahana amin’ ny fotoanany rehetra.

Mila ny heriny rehetra ny mpitory mba hahavitany ny asa ambony


njantsoana azy. Andriamanitra no tompon’ ny heriny tsara indrindra. Tsy tokony
hiditra amin’ ny raharaham-barotra izy na amin’ ny asa hafa izay hampihataka
azy amin’ ny asa lehibe iandraiketany. «Ny miaramila manafika dia tsy mba misy
maningo-tena amin’ ny raharahan’ izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa
nifidy azy ho miaramila»7. Toy izany no nanizingizinan’ i Paoly ny tsy maintsy
hanoloran’ ny mpitory ny tenany manontolo ho

7) 2 Tim. 2 : 4
320
amin’ ny asan' ny Tompo. Ny nipitory manolo-tena tanteraka amin’
Andriamanitra dia tsy hanaiky hanao asa hafa izay mety misakana azy tsy
hiroboka tanteraka eo amin’ ny andraikitra masina niantsoana azy- Tsy mikatsaka
voninahitra na haren’ ny tany izy; fa ny hany iriny dia ny hitory ny Mpamonjy
amin’ ny hafa, izay nanolotra ny Tenany mba hizara ny haren’ ny fiainana
mandrakizay ho an’ ny taranak’ olombelona. Ny faniriany ambony indrindra dia
tsy ny hamftraka ny hareny eto an-tany, fa ny hitarika ny sain’ ny mpanota ho eo
amin’ ny fahamarinana inandrakizay. Mety hisy hitaona azy hanao asan’ izao
tontolo izao izay hahazoany tombom-barotra betsaka, kanefa tsotra ny teny
avaliny amin’izany, fa hoy izy: «Inona moa no soa azon’ny olona. Raha mahazo
izao tontolo izao izy, kanefa very ny ainy?»8
Hevitra toy izany koa no naroson i Satana tamin' i Jesosy, satria fantany
mantsy fa raha manaiky hanao izany Izy, dia tsy ho voavotra na oviana na oviana
izao tontolo izao. Arikehitriny koa dia mampiasa fomba samihafa izy mba hakany
fanahy ny mpitory ny filazantsara amin’ izany lafiny izany ihany koa, satria
raha afaka mamitaka azy ireny izy dia tsy hahavita ny asa niantsoana azv ireo
mpiasan’ Andriamanitra ireo.
Tsy tian' Andriamanitra raha mikatsaka ny haren’ ny tany ny mpitoriny.
Toy izao indrindra no nosoratan’ i Paoly tamin’ i Timoty: «Fa ny fitiavam-bola
no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily
niala tamin’ ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ ny alahelo be. Fa hianao
kosa, ry lehilahin’ Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha
hitady fahamarinana, toe-panahy araka an’ Andriamanitra, finoana, fitiavana,
faharetana, fahalemem-panahy». Tamin’ny ohatra nasehon’ ny solontenan’ i
Kristy, ary koa amin’ ny fitoriana ataony no tokony hananarany ny «mpanan-
karena amin’ izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny
harena miovaova», fa hametraka ny fiainany eo am-pelatanan’Andriamanitra
kosa, dia «Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba
hifaliantsika, mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ ny asa tsara, hazoto
manome sy miantra, ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ ny tenany ho amin’ ny
andro ho avy mba hihazonany ny tena fiainana.9
Ao amin’ ny fiainana tonga lafatra nananan i Paoly, sy ny fampianarany
mikasika ny fahamasinan’ ny asan’ ny mpitory ny
8) Mar 8 : 36 9)1 Tim. 6 : 10, 11, 17 - 19
21 — Vavolombefona Mahery

321
Tenin’ Andriamanitra no tokony hanovozan’ ny mpitory toharanon-kevitra sy
fanampiana sarobidy. Niredaredan’ ny fitiavana ny mpanota ny fon’ io apostoly
io, ka noho izany no nampiasany ny heriny rehetra hahazoany ireny mpanota
ireny ho an’i Kristy. Tsy mbola nisy na oviana na oviana mpanompoh
Andriamanitra feno fandavan-tena sy faharetana tahaka azy. Ny fitahiana
noraisiny dia noheveriny ho tombontsoa sarobidy noraisin’ ny tenany ka tiany
hozaraina tamin’ ny hafa. Tsy nisy fotoana navelany handalo fotsiny ka tsy
niresahany ny amin’ ny Mpamonjy, sy mba hanampiana ireo tratran’ ny
fahasahiranana. Nitety toerana maro izy, nitory ny filazantsara sy nanabe ny
fiangonana. Na taiza na taiza nahazoany niteny, dia tsy maintsy nanohitra ny ratsy
izy, ary niezaka hitarika ny dian’ ny mpanota hizotra eo amin’ ny lalan’ny
fahamarinana.
Tsy nohadinoin’ i Paoly ny fiangonana efa natsangany. Rehefa avy
nandeha nitory izy sy Barnabasy dia niverina indray mba hamangy ny mpino, ka
tamin’ izany no nifidianany olona azo nofanina ho mpitory ny filazantsara.
Loharanom-pahalalana ho an’ny mpitory ny filazantsara ankehitriny tokoa
izany asa lehibe notontosain’ i Paoly izany! Fantatr’ i Paoly fa tokony hanofana
ny tanora ho mpitory izy. Nentiny niaraka taminy tany amin’ ny fitoriana rehetra
nalehany ireny tanora ireny, ka tamin’ izany no nahazoany fanandramana
handray andraikitra ao amin’ ny fiangonana. Rehefa tafasaraka tamin’ireny
tanora ireny izy, dia nandefa epistily taminy toy ny nataony tamin’ i Timoty sy
Titosy, ka nasehony azy ny faniriany fatratra hahombiazany amin’ ny asany.
Ankehitriny koa, ireo mpiasa efa trotraka dia tokony hamindra nv andraikiny
amin’ ny mpiasa mbola tanora.
Tsy niala tamin’ ny sain’ i Paoly na oviana na oviana ny adidy nitambesatra
taminy araka ny maha-mpitorin’ i Kristy azy. Fantany fa raha sanatria misy
fanahy very noho ny fanaovany an-tsirambina, dia mbola hampamoahin’
Andriamanitra ny amin’ izany izy indray andro any: «Ny fiangonany, izay
nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran’ Andriamanitra nomena ahy ho
anareo, hanatanteraka ny fitoriana ny tenin’ Andriamanitra, dia ny zava-miafina
ilay voàfina hatramin’ ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho amin’ ny
olony masina, izay efa tian’ Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren’ ny
voninahitr’ ity zava-miafina ity any amin’ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo,
Izay fanantenana ny voni-
322
nahitra; Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin’ny fahendrena
rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’ i Kristy izy
rehetra. Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako àina kosa sy iezahako fatratra
araka ny fiàsan’ny herin’ Ilay miasa mahery ato anatiko»10
Azon’ ny mpanompon’ i Kristy raisina ho azy izany teny feno fananarana
izany - dia ny mpitory izay eo ambany fitarihan’ i Kristy, mba hianatra isan’ andro
isan’ andro ny lesona omeny ao amin’izany sekoliny izany. Tsy hita fetra ny hery
azon’ny Tompo homena; ka ny mpanompo maniry hanana firaisana tanteraka
Aminy dia mahazo matoky fa handray ny «hanitry ny fiainana eo Aminy.
Voaseho ao amin’ ny epistilin’ i Paoly fa tokony ho ohatra halain-tahaka
ny mpiasan’ Andriamanitra, hahay manazava ny fahamarinana ampianariny; «Fa
tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’ inona na amin’ inona, mba tsy
homen-tsiny ny fanompoana; fa amin’ ny zavatra rehetra dia hampiseho ny
tenanay ho mpanompon’ Andriamanitra izahay, dia amin’ ny faharetana be,
amin’ ny fahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ny fahantrana, amin’ ny kapoka,
amin’ ny fatorana, amin’ ny tabataba, amin’ ny fisasarana, amin’ ny tsi-fahitan-
tory, amin’ny fifadian-kanina, amin’ ny fahadiovana, amin’ ny fahalalana, amin’
ny fahari-po, amin’ ny fahamoram-panahy, amin’ ny Fanahy Masina, amin’ ny
fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, amin’ ny teny fahamarinana, amin’ ny herin’
Aridriamanitra, amin’ ny fiadian’ny fahamarinana, na amin’ ny ankavanana na
amin’ ny ankavia, amin’ ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin’ny
lazaratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka nefa marina ihany; tahaka ny tsy
fantatra, nefa fantatra tsara ihany; tahaka ny efa ho faty, nefa indro velona ihany;
tahaka ny faizana nefa tsy atao maty; tahaka ny ampalahelovina, nefa faly
mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny
tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra»11.
Izao koa no nosoratany tamih’ i Titosy: «Ny lehilahy tanora fanahy koa
anaro hahonon-tena; ka amin’ ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho
fianarana ny asa tsara, amin’ ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny
fahamaotinana, ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra
izay manohitra, satria sy hisy ratsy hitenenany anareo»12.

10) Kol 1 : 25 – 29 11) 2 Kor 6 : 3 – 10 12) Tit 2 : 6 - 8


323
Tsy misy sarobidy eo imason’ Andriamanitra toy ny mpitoriny mandeha
manafika ny faritany midadasika eto amin’ izao tontolo izao, izay amafazana ny
fahamarinana, mba hahazoany mijinja vokatra betsaka. Tsy misy afa-tsy Kristy
irery no afaka hahatsapa tsaratsara kokoa ny fitiavana mampihetsi-po asehon’
ireo mpitory mikatsaka ny fanahy very. Atolony azy ireny ny Fanahiny Masina,
ary noho ny fahasoavany no itodihan’ ny mpanota hiala amin’ ny ratsy ka
hikatsaka ny tsara.

Antsoin’ Andriamanitra handao ny famboleny na ny asa hafa nataony ny


olona sasany, ary raha ilaina aza dia handeha handao ny vady aman-janany mba
hirotsaka ho misionera. Aoka hovaliana ny antso toy, izany. Firifiry akory ny
olona ambony toetra, izay voahetsiky ny fitiavan’ i Kristy sy ny antson’ ny
mpanota mila vonjy, ka nandao ny fiadanany tao amin’ ny tokantranony, ny
fahasambarana teo anivon’ ny ankohonany, ny fitiavan’ ny sakaizany, eny, na dia
ny fitiavan’ ny vady aman-janany aza, mba handeha any an-tany lavitra, any
amin’ ny mpanompo sampy sy ny olon-dia, hitory ny hafatry ny famindrampo!
Maro tamin’ireny vavolombelon’ i Kristy ireny no namoy ny ainy tao amin’
ny fanefana io adidy masina io; kanefa indreny mbola misy hafa indray,
nohetsehin’ ny Fanahin’ Andriamanitra, ka manohy ny asa. Toy izany no
nandrosoan’ ny asa fitoriana ny filazantsara miandalandalana hatrany, ka ny voa
nafafy tamin-dranomaso dia namokatra be dia be. Niely hatraiza hatraiza ny
fahalalana an’Andriamanitra, ka voaorina tany amin’ ny tany jentilisa ny
fanevan’ ny hazo fijaliana.

Hampiasa ny heriny rehetra ho famonjena ny mpanota iray monja ny


mpanompon’ Andriamanitra. Tsy hita fetra ny tombam-bidin’ ny fanahy iray
noforonin’ ny Mpahary ary navotan’ i Kristy, ka sesehena ny azo ampiasana azy,
sy ny tombontsoa azo avy aminy, ny talenta rehetra azony ampitomboina, raha
velombelomin’ny Tenin’ Andriamanitra izy, ary koa ny tsy fahafatesana izay
hatolotra azy avy amin’ ny fanantenana mipoitra avy ao amin’ ny filazantsara. Fa
raha nandao ny ondry sivy amby sivifolo Kristy mba hikatsaka ilay anankiray
very, moa ve ho afa-tsiny isika raha latsaka noho izany ny asa ataontsika? Moa
tsy fanaovana tsirambina mahameloka ve ny tsy miasa tahaka ny niasany, sy ny
tsy nahafoy tena toy ny nahafoizany tena? Fitenenan-dratsy an’ Andriamanitra
ny tsy fanatontosana ny andraikitra masina natolotra antsika.

324
Miredaredan’ ny fitiavana hamonjy fanahy ny fon’ ny tena mpanompon’
Andriamanitra. Hampiasa ny androny rehetra sy ny heriny rehetra hanaovana io
asa mendrika io izy. Tsy mba mitarain-tana-miepaka izy, satria ny iriny dia ny
hampandre amin’ ny hafa ny fahamarinana izay efa nahatsapany fifaliana sy
fiadanana ary fahasambarana ho an’ ny fanahiny. Mitoetra eo aminy ny Fanahin’
i Kristy. Mikarakara tsara ny fanahy novonjeny izy, satria fantany fa mbola
hampamoahina ny amin’ izany ny tenany. Mibanjina ny hazo fijaliana tany
Kalvary izy, ka mijery ny Mpamonjy. Miantehitra amin’ ny fahasoavany izy,
satria matoky fa homba azy mandra-pahatongan’ ny farany ny Tompo, ka Izy
no ho ampingany, sy heriny, mpamonjiny ao amin’ ny asa ataony ho an’
Andriamanitra. Miezaka hamonjy fanahy ho an’i Kristy izy amin’ ny
famporisihana sy amin’ny antso ampifandraisiny amin’ ny fitiavan’
Andriamanitra; ka rehefa tonga ny fafany dia ho anisan’ ny «voantso sy voafidy
ary mahatoky»13 izy, ka hampidirina any an-danitra.

13) Apokalypsy 17 : 14

325
35

Ny famonjena
ho an’ny Jiosy

Rehefa avy nampihemotra ny diany i Paoly dia tonga tany Korinto nony
farany: Tao no niasany teo aloha, ka nitebitebeny fatratra ny amin’ ireo mpino
izay nokarakarainy tamim-pitiavana tokoa. Nahafaly azy anefa ny nahatsapa fa
ireo mpino azony tamin’ny niantombohany niasa dia mbola naneho fitiavana
ihany ho an’ilay nitondra teo aminy ny fahazavan’ ny filazantsara. Dia
niarahaba ireo mpianany izy sady faly nahita ny toetra mahatoky nananany sy ny
fahazotoany, sady nahatsiaro sambatra koa izy satria tsy foana ny asa nataony
tany Korinto.
Nanatanjaka ny finoan’ ireo mpino tany Korinto izy, izay saika nanadino
ny andraikitra masina natolotr’ i Kristy azy. Hita teo amin’ ny fiteniny sy ny asany
ny hery manova avy amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, ka zary manda
namaharan’ny fahamarinana indray izy teo anivon’ny fahajentilisana sy ny
finoanoam-poana. Niaraka tamin’ i Paoly ireo mpanampy malalany sy ireo mpino
ahatoky, ka nahita fialan-tsasatra ny fanahiny izay efa nijaly sy torovana.
Nandritra ny nitoerany tany Korinto, dia nanam-potoana hamolavolana
hevitra hiasana any amin’ ny faritra midadasika kokoa i Paoly. Tsy niala tao an-
tsainy ny faniriana hankany Roma, satria nanantena ny hankany izy indray andro
any. Tena niriny fatratra tokoa mantsy ny hahatonga ny finoana kristiana ho
tsara fanorenana ao amin’ io tanàna io, izay anisan’ ny fanta-daza

Mifototra amin’ ny eptstily ho an’ ny Romana ity toko ity

327
indrindra eran-tany. Efa nisy fiangonana naorina tao, ka nantenainy ny
fanampian’ireo mpino efa tao rahateo tnba hanaovana ny asah’ Andriamanitra
any Italia sy eo amin’ ny manodidina azy. Ho fanomanana ny asa ka samy hatao
amin’ ireo rahalahy, izay tsy mbola fantany ny sasany, dia nanoratra taratasy
taminy izy hanambara aminy ny fikasany hankao amin’ io renivohitra io, sy ny
fanantenany hanorina ny fanevan’ ny hazo fijaliana any Espaina.
Nambaran’ i Paoly tamm ny epistily nosoratany ho an’ny Romana ny
fitsipika lehibe iorenan’ ny filazantsara. Nasehony ny heviny ny amin’ ny olana
nisy teo amin’ ny Jiosy sy ny Jentilisa. Nabaribariny fa ny fanantenana sy ny teny
fikasana izay natao ho an’ny Jiosy ihany teo aloha, dia atolotra ny Jentilisa koa
ankehitriny. Tamin’ ny fomba mazava sy mafonja tokoa no nanazavany ny amin’
ny fanamarinana avy amin’ny finoana an’ i Kristy. Nantenaina fa mba hahazo soa
amin’ ny fampianarana nataony ho an’ ny Kristiana tany Roma koa ny fiangonana
hafa; kanefa mbola nampisalasala azy mafy raha mety hahataka-davitra ny teny
nambarany. Nandritra ny vanim-potoana rehetra dia nasandratra ho toy ny
fanilon-drahomasina mazava ny fahamarinana lehibe momba ny fanamarinana
amin’ ny finoana, ka izany no nitarika ny mpanota nibebaka hizotra eo amin’ ny
lalan’ ny fiainana mandrakizay. Io fahazavana io no nampisinda ny haizina
nanarona ny sain’i Lotera; io fahamarinana io no nampiseho taminy ny herin’ny
Ran’i Kristy manamarina ny mpanota. Mbola io faha-zavana io koa no nitarika
ny mpanota anarivony maro hankeo amin’ ny tena loharanon’ nv famelan-keloka
sy ny fiadanana.
Tokony hisaotra an’ Andriamanitra ny Kristiana noho ny fahamarinana
lehibe vparakitra ao amin’ ny epistily ho an’ ny Romana. Nasehon’ i Paoly
miharihary ny alahelony ny amin’ ny Jiosy. Naniry fatratra ny hanampy azy ireny
izy hatramin’ ny niovany fo, mba hahalalany ny hevitry ny hafatry ny
filazantsara. «Ny fanirian’ ny foko sy ny fangatahako amin’ Andriamanitra, hoy
izy, dia ny hahavoavonjy azy ireny». Tsy nitsahatra nitalaho tamin’
Andriamanitra izy mba hahazoany miasa ho famonjena ny mpiray tanindrazana
aminy, izay tsy nanaiky an’ i Jesosy avy any Nazareta ho Ilay Mesia
nampanantenaina. «Milaza ny marina ao amin’ i Kristy aho, fa tsy mandainga,
sady miara-milaza amiko ao amin’ ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako, fa
mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ ny foko. Fa efa saiky
niriko aza ho voaozona ho afaka tamin’ i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny

328
rahalahiko, havako araka ny nofo, izay Isiraelita sady manana ny fananganan-
anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny
fombam-pivavahana ary ny teny fikasana; azy koa ny razana, sady avy taminy
araka ny nofo Kristy, Izay ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana
mandrakizay"
Ny Jiosy no firenena nofidin’ Andriamanitra sy nokendreny ho fitahiana
ho an’ izao tontolo izao. Maro ny mpaminany nipoitra avy tao aminy. Samy
nanambara mialoha ny hiavian’ ny Mpanavotra ireny, izay holavin’ ny Jiosy ka
hohomboany amin’ ny hazo fijaliana - kanefa ireo Jiosy ireo indrindra no tokony
hanaiky Azy voalohany indrindra ho Ilay Mesia nampanantenaina.
Efa nambaran’ i Isaia anjato taonany maro mialoha fa samy holavina
avokoa ny mpaminany hifandimby rehetra, ary farany dia Jesosy Kristy mihitsy
no holavina. Araka ny tsindrimandry voarainy dia nolazainy fa ny olona ivelan’
ny zanak’ Isiraely no handray Azy. Toy izao no filazan’ i Paoly ny amin’ io
faminaniana io; « Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan’ izay tsy nitady
Ahy Aho, ary niseho tamin’ izay tsy nanontany Ahy».
Kanefa na dia naniratsira ny Zanak’ Andriamanitra aza ny Zanak’ isiraely,
dia tsy narian’ Andriamanitra izy. Henoy ny tenin’ i Paoly milaza ny amin’ izany:
«Dia hoy izaho: Sao narian’ Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! Fa
izaho koa mba Isiraelita, taranak’ i Abrahama ihany, avy amin’ ny firenen’ i
Benjamina. Andriamanitra tsy nanary ny olony, izay efa fantany rahateo. Sa tsy
fantatrareo izay lazain’ ny Soratra Masina eo amin’ ny tantaran’ i Elia, dia ilay
fitarainany tamin’ Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe: Jéhovah ô, efa
namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany
no sisa, ka mitady ny aiko koa izy? Fa ahoana no navalin’ Andriamanitra azy?
Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy nandohalika amin’ i Bala. Dia
toy izany koa amin’ izao andro ankehitriny izao, misy sisa ihany araka ny
fifidianana amin’ ny fahasoavana ». Tafintohina Isiraely ka lavo; kanefa mbola
azony atao ny miarina. Toy izao no namalian’ i Paoly ny fanontaniana hoe: «Sao
dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Dia hoy izy: Sanatria izany! Fa ny
fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an’ ny jentilisa mba hampialona
azy. Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren’ izao tontolo izao, ary ny
nihenany no tonga haren’ ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany. Fa hianareo
jentilisa no itenenako. Koa satria apostolin’ ny jentilisa aho, dia
329
mankalaza ny fanompoako, raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-
tsinay amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy. Fa raha ny fanariana azy no
farapihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin’ ny maty va ny
fandraisana azy?
Tao anatin’ ny fikasan’ Andriamanitra ny hanehoana ny fahasoavany, tsy
amin’ ny Isiraelita ihany, fa amin’ ny jenlilisa koa. Voambara mazava tao amin’
ny faminaniana ao amin’ ny Testamenta Taloha izaay. Misy sasantsasany amin’
ireny noraisin’ i Paoly raha niady ho an’ ny mpiray firenena taminy izy: «Ny
mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin’ ny tanimanga, ka ny vongany iray
ihany no anaovany zavatra samy hafa; ny iray hohajaina, ary ny iray hatao
tsinontsinona? Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny
fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra
tamin’ izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, mba hampahafantarina
koa ny haren’ ny voninahiny amin’ izay fanaky ny famindrampo, izay
namboariny rahateo hahazo voninahitra, dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy
amin’ ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ ny jentilisa koa, araka izay lazainy eo amin’
i Hosea hoe : Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho ; ary ilay tsy malala hoe malala;
ary any amin’ ny_ tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko hianareo, dia any no
hiantsoana azy hoe zanak’ Andriamanitra velona»1.
Na dia lavo amin’ ny maha-firenena azy aza Isiraely, dia mbola misy Jiosy
maro maniry hovonjena. Raha tety an-tany Kristy dia nisy fanahy tsotra izay
nandray tarnin-kafaliana ny hafatr’ i Jaona Mpanao batisa, ka voataona handinika
indray ireo faminaniana momba ny Mesia. Rehefa voaorina ny fiangonana
voalohany, dia ireny Jiosy mpino ireny no mambra tao — dia ireo Jisoy nanaiky
an’ i Jesosy avy any Nazareta ho Ilay Mesia nirina fatratra. Ho azy ireny no
nitenenan’ i Paoly raha nanoratra hoe izy: «Raha masina ny santatra, dia masina
koa ny vongany; ary raha masina ny fàkany, dia masina koa ny sampany».
Nampitahain’ i Paoly tamin’ ny hazo oliva mijaridina iray ny sisa amin’ ny
Isiraely, ka ny sampany sasany dia nesorina. Ny Jentilisa kosa nampitahainy
tamin’ ny sampan’ oliva maniry ho azy, izay natsofoka tao amin’ ny hazo oliva
tsara. « Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary hianao izay tahaka ny. hazo
oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy ka mba niombona ny fàkan’ ny

1) Romana 9 : 21-26
330
menaky ny hazo oliva, dia aza mirehareha amin’ ny sampany; fa raha mirehareha
hianao, tsy hianao no mitondra ny fàkany, fa ny fàkany no mitondra anao. Ary
hianao dia hanao hoe; Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy. Marina
ihany izany: ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny fmoanao kosa no
itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora; fa raha ny tena sampan aza tsy
navelan’ Andriamanitra, dia tsy havelany koa hianao»
Nanapaka tanteraka ny fifandraisany tamin’ Andriamanitra ny firenena
Isiraely, noho ny tsy finoany sy ny nandavany ny planan’Andriamanitra
hamonjena azy. Kanefa kosa ny sampan izay notapahina hiala tamin’ ny hazo
oliva tsara dia mbola azo natsofoka indray eo amin’ ny tena foto-kazo, dia
Isiraely, dia ireo sisa nahatoky tamin’ Andriamanitra sy tamin’ ny finoan’ ny
razany. «Ary ireny kosa, hoy ny apostoly, raha tsy mikikitra eo amin’ ny
tsi-finoany, dia hatsofoka ihany; fa azon’Andriamanitra atsofoka indray izy. Fa
raha notapahina tamin’ ny hazo oliva naniry ho azy hianao ka natsofoka tamin’
ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no
hatsofoka amin’ ny hazo oliva nanapahana azy. Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo
izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry
hianareo), fa efa misy fahamafisam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry
ny hafenoan’ ny jentilisa; ary amin’ izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely
rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, ary
hampiala ny haratsiam-panahy amin’ i Jakoba Izy; ary izao no fanekeko aminy,
raha manaisotra ny fahotany Aho. Raha ny amin’ ny filazantsara dia fahavalo izy
noho ny aminareo; fa raha ny amin’ ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny
amin’ny razana. Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra
dia tsy misy hanenenany. Fa tahaka anareo izay tsy nanaiky an’Andriamanitra
fahiny, nefa ankehitriny, ny tsi-faneken’ ireny no nahazoanareo famindrampo,
dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindrampo
ankehitriny noho ny famindrampo azonareo. Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra
tamin’ ny tsi- fanekena, mba hamindrany fo amin’ izy rehetra. Endrey ny halalin’
ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Ny fitsarany tsy hita
lany, ary ny làlany tsy azo fantarina! Fa iza no nahalala ny sain’ i Jéhovah, ary
iza no mpanolo-tsaina Azy? Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray?
Fa Izy no nihavian’ izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy
ko; no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay»

331
Nasehon’ i Paoly tamin’ izany fa manan-kery hanova ny fon’ny Jiosy
Andriamanitra, toy ny ahazoany manova ny fon’ ny jentilisa, ka hanome an’ izay
rehetra manatona an’ i Kristy ny fitahiana nampanantenaina ny Isiraely. Naverin’
ny apostoly indray ny fanambaran’i Isaia momba ny Isiraely: «Na dia toy ny
fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Zanak’Isiraely, dia izay sisa
ihany no hovonjena; fa amin’ny fahatanterahana faingana no hanefan’ i Jéhovah
ny teniny ambonin’ ny tany, ary araka izaynolazain’ i Isaia fahiny hoe: Raha tsy
Jéhovah, Tompon’ ny maro, no namela taranaka ho antsika, dia efa tonga tahaka
an’ i Sodoma sy tonga tahaka an’i Gomora isika».
Rehefa noravana i Jerosalema, ka nirodana ny tempoly, dia nisy Jiosy
anarivony maro namidy ho andevo tany amin’ ny tany jentilisa. Toy ny olona
vaky sambo niantsona teo amin’ ny tany efitra tsy fantany izy, ka naely tany amin’
ny firenena vahiny. Nandritra ny sivinjato sy arivo taona eo ho eo dia nirenireny
tany amin’ny tany samihafa eran’ izao tontolo izao ny Jiosy. Noteva-
tevaina izy, nankahalaina, nenjehina nandritra ny taonjato maro, ka tsy nanana
anjàra lova afa-tsy ny fijaliana ihany.
Na dia nampiharina tamin’ ny firenena Isiraelita aza ny didim-pitsarana
mahatsiravina tamin’ ny fotoana nandavany an’ i Jesosy avy any Nazareta, dia
nisy kosa Jiosy nanana fo mendrika sy natahotra an’ Andriamanitra, izay niaritra
fijaliapa tamim-panginana nandritra ny taona maro nifandimby. Nampahery ny
fanahiny nampahoriana Andriamanitra, ary niondrika tamim-pangorahana teo
amin’ ny fijaliana mafy nihatra taminy. Reny ny fivavahana tamim-pitolokoana
mafy nataon’ ireo izay nikatsaka tamin’ ny fony rehetra ny fahalalana ny Tenin’
Andriamanitra. Tamin’ ireny olona nampijaliana ireny, dia nisy sasany izay naha-
fantatra fa ity Nazareana feno fanetren-tena ity, izay nolavina sy nohomboan’ ny
razany teo amin’ ny hazo fijaliana, no Ilay tena Mesia nandrasan’ ny Isiraely. Ka
raha teo am-pandinihana ny faminaniana nahazatra azy izy, ka ny sainy efa
nodomboin’ny lovan-tsofina sy ny fanazavana diso ny Tenin’ Andriamanitra
nandritra ny fotoana ela, dia diboky ny hafaliana kosa ny fony nisaotra an’
Andriamanitra noho ny fanomezana tonga lafatra omeny ny olona rehetra mba
hanaiky an’ i Kristy ho Mpamonjy ny tenany.
Ny amin’ izany sokajina kristiana izany no nambaran’ i Isaia raha hoy izy
hoe: «Ny sisa ihany no hovonjena». Hatramin’ ny

332
andron’i Paoly ka mandraka ankehitriny, dia samy nantsoin’Andriamanitra
tamin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina na ny Jiosy na ny jentilisa, «Satria tsy misy
fizahan-tavan’ olona eo amin’ Andriamanitra», hoy i Paoly. Nahatsapa ny tenany
ho mpitrosa tamin’ ny Grika sy ny baribariana, sy ny Jiosy koa izy; nefa tsy
hadinony mihitsy ny tombontsoa nananan’ ny Jiosy mihoatra noho ny hafa. Toy
izao no nosoratany taminy: « Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’
Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ ny Jiosy aloha, dia
vao amin’ ny jentilisa koa. Fa amin’ izany no anehoana fahamarinana avy
amin’ Andriamanitra avy amin’ ny fmoana sy ho amin’ ny finoana, araka ny
voasoratra hoe: Ny marina amin’ ny finoana no ho velona». Ny amin’ io
filazantsara io, izay sady natao ho an’ ny Jiosy no natao koa ho an’ ny jentilisa,
no nitenenan’ i Paoly hoe «fa tsy menatra ny filazantsara aho».
Vitsy ny mpitandrina mahatsiaro ny tenany ho voantso hiasa ho an’ ny
firenena Jiosy; kanefa tsy maintsy torina amin’ ireo izay natao ankilabao ela
loatra koa ny hafatry ny famindrampo sy ny fanantenana ao amin’ i Kristy.
Rehefa torina amin’ izao andro farany izao ny filazantsara, dia hanetsika
mpanompo maro handray anjara. amin’ ny fitoriana manokana ho an’ ny Jiosy
miely patrana eran’ izao tontolo izao Andriamanitra.
Ary satria miray feo ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao
amin’ ny fanambarana ny fikasan’ Andriamanitra mandrakizay, dia maro ny Jiosy
hahita izany ho toy ny fiposaky ny famoronana vaovao, dia ny fitsanganan’ ny
fanahy amin’ ny maty indray. Rehefa tsinjony ao amin’ ireo pejin’ ny Testamenta
Taloha Kristy torin’ ny filazantsara, rehefa hitany mibaribary ao amin’ny
Testamenta Vaovao ny fanazavana ny Testamenta Taloha, dia hifoha avy ao
amin’ ny torimasony izy, ka hanaiky an’ i Kristy ho Mpamonjy izao tontolo izao.
Dia ho tanteraka aminy ity teny ity: «Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny
hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany». Maro amin’
ny Jiosy no tahaka an’ i Paoly avy any Tarsisy ka mahery ao amin’ny Soratra
Masina. Hitory amin’ ny hery mahatalanjona ny tsy fiovan’ ny didin’
Andriamanitra izy. Ny Andriamanitry ny Isiraely no hanao izay hahatanteraka
izany amin’ izao androntsika izao, satria tsy nihafohy akory ny sandriny, fa mbola
manan-kery mamonjy.
«Koa ny amin’ ny taranak’ i Jakoba dia izao no lazain’ i Jéhovah, Izay
nanavotra an’ i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba,

333
ary tsy hivaloarika intsony ny tavany. Fa raha ny zanany mahita
ny asan’ ny tànako ao aminy, dia hanamasina ny anarako izy, eny,
hanamasina ny Iray Masin’ i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan’
Andriamanitry ny Isiraely. Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana;
ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena»3.

3) Isa 29 : 22 – 24
334
36

Ny fihemorana
tany Galatia

Nandritra ny nitoeran’ i Paoly tany Korinto, dia feno fanahiana fatratra izy
ny amin’ ireo fiangonana izy natsangany. Vetivety mantsy dia nahazo laka tao
amin’ ny mpino tany Galatia ny fisaraham-bazana sy ny fahadisoan-kevitra ary
ny fahafinaretana ara-nofo noho ny asa ratsy nataon’ ireo mpampianatra sandoka
izay nitsofoka tao anivon’ ny mpino tany Jerosalema. Nampifangaroin’ ireny
mpampianatra sandoka ireny tamin’ ny fahamarinan’ ny filazantsara ny lovan-
tsofma Jiosy. Tsy fantany ny fana- pahan-kevitra noraisiny tamin’ ny fivoriana’
tany Jerosalema, ka dia notereny ireo olona vao niova fo avy teo amin’ izao
tontolo izao mba hankato ny lalàna seremoniely.
Ratsy ny toe-javatra! Nety ho nahavery ny fanahin’ ireo fiangonana tany
Galatia mihitsy ny fahadisoan-kevitra tafiditra tao amin’ ny fiangonana. Nijaly
mafy tokoa ny sain’ i Paoly faha nahita izany toè-javatra izany, ary ory ny
fanahiny nahatsapa ny fihemorana teo amin’ ireo izay nampianariny fatratra ny
filazantsara. Dia nanoratra avy hatrany tamin’ ny Kristiana diso lalana
toy izany izy mba hanazava ny sainy hahay manavaka ny fampia- naran-diso
noraisiny, ary nanariny mafy ireo izay nihataka tamin’ny finoana. Rehefa avy
niarahaba ny Galatiana tamin’ ireto teny ireto izy hoe: «Ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy
Tompontsika», dia nandefa taminy izao teny faniniana mafy izao izy:

Mifototra amin’ ny epistily ho an’ ny Galatiana ity toko ity.

335
«Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao hianareo, hiala amin’ Izay efa niantso
anareo tamin’ ny fahasoavan’ i Kristy ho amin’ ny filazantsara hafa, izay tsy
filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-
hamadika ny filazan- tsaran’ i Kristy. Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra
aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo,
aoka ho voaozona izy».
Nifanaraka tamin’ ny Soratra Masina ny fampianaran’ ny- apostoly Paoly,
ary naneho ny fankasitrahany ny asany ny Fanahy Masina; koa noho izany dia
azon’ i Paoly natao ny nananatra ny Galatiana tsy hiraika amin’ ny fampianarana
rehetra mifanohitra amin’ ny fahamaripana efa nampianariny azy. Nasainy
nandinika tsara ny amin’ ny toe-tsaina nanetsika azy izy: «Ry Galatiana, adala,
hoy izy, iza no nanimba anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana
marimarina an’ i Jesosy Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana? Izao ihany no
tiako holazainareo amiko: Moa ny asan’ny lalàna-va no nandraisanareo ny
Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana? Adala toy izany va hianareo? Rehefa
nanomboka tamin’ ny Fanahy hianareo, dia hahatanteraka amin’ny nofo va
ankehitriny? Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia
foana tokoa izany? Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe
eo aminareo, moa avy amin’ ny asan’ ny lalàna va izany, sa avy amin’ ny fitoriana
ny finoana? »
Nampifanatrehan’ i Paoly tamin’ ny fitsaran’ ny feon ny fieritreretany ny
Galatiana, tamin’ ny fiezahany hampiova toetra azy ireo. Niankina tamin’ ny hery
tsitoha an’ Andriamanitra Mpamonjy izy, ka nandà tsy hanaiky ny fampianaran’
ireo mpampianatra sandoka nihemotra tamin’ ny finoana. Niezaka izy
hampahafantatra ny mpino fa tena voafitaka mafy mihitsy izy ireo, fa raha
miverina eo amin’ ny finoany taloha kosa izy dia mety hampandamôka ny planân’
i Satana. Nasehony miharihary ny fijoroany teo amin’ ny rariny sy ny hitsiny; ka
rehefa nahita ny finoany tsy azo nohozongozonina sy ny fitokisany ny hafatra
notoriny ireo izay niala tamin’ ny filazantsara, dia namporisika azy ireo izany
mba hiverina eo amin’ny Mpamonjy indray.
Endrey ny fahasamihafan’ ny teny nataon’ i Paoly tamin' ny mpino tany
Korinto sy izay nataony tamin’ ny Galatiana! Nananatra ny Korintiana tamim-
pandeferana sy tamim-pahalemem-panahy izy, fa faniniana mivaivay kosa no
nataony tamin’ ireo Galatiana
336
Voataonan’ ny fakam-panahy ny Korintiana. Voafitaky ny fampianarana
manodoka nataon’ ireo mpampianatra sandoka izy, izay nampianatra hevi-diso
toa marina taminy. Nampisafo-tofoto ny sainy izany, ka nahatonga azy ho diso
fihevitra. Koa mba hanampy azy hahay manavaka ny marina amin’ ny diso,
dia tsy maintsy nampisehoana halemem-panahy sy fahari-po izy. Satria raha teny
tsy voalanjalanja tsara na mahery vaika loatra no natao taminy, dia ho nandrava
ny hery tsara avy tamin’ i Paoly ho fampaherezana ny mpino sasany izany.
Naka ny toeran’ ny hafatry ny filazantsara ny fahadisoan-kevitra nibaribary
tafiditra tao amin’ ny fiangonana tany Galatia. Tena nailika tsy ho ao amin’ ny
fivavahana mihitsy Kristy, Ilay fototra marina amin’ ny finoana, ka ny
fampianarana lany andro teo amin’ ny fmoan’ ny Jiosy no nanjaica. Fantatr’ i
Paoly fa mba hahazoana mamonjy ny Galatiana tsy hanjakan’ ny loza mananon-
tanona azy, dia tsy maintsy nampiasa fomba haingana dia haingana sy fanoherana
mahery vaika indrindra izy.
Ohatra tokony halain’ ny mpitondra fiangonana tahaka izany raha te
hiezaka hampifanandrify ny asany amin’ ny toe-piainan’ny mpino ao aminy izy.
Samy ilainy avokoa na ny fanehoam-pitiavana, na ny fahari-po, na ny fahaizana
manapa-kevitra haingana, na ny fahenjanana, kanefa tokony hitandrina tsara izy
amin’ny fampiharana izany. Mba hisian’ ny hery tsara hiasa eo amin’ny toetra
samihafa, eo anivon’ ny toe-javatra samihafa, dia tsy maintsy miasa amim-
pahendrena izy, ka hanana saina mahiratra sy nohamasinin’ny Fanahin’
Andriamanitra.
Raha nandefa ny epistiliny ho an’ ny Galatiana i Paoly dia nampahatsiaro
azy vetivety ny amin’ ireo zava-niseho nisongadina indrindra teo amin’ ny
niovany fo, sy ny fanandramana nataon’ny tenany tamin’ ny fotoana vao
niandohan’ny fiainana maha-Kristiana azy. Tiany ny nampiseho tamin’ ireo, fa
avy tamin’ny fisehoan’ ny hery manokana noraisiny tamin’ Andriamanitra no
nahavoataona azy hahita sy handray ny fahamarinana lehibe ao amin’ny
filazantsara. Torohevitra noraisiny tamin’Andriamanitra no nananaran’ i Paoly
ny Galatiana sy nanomezany tsiny azy tamin’ ny fomba mahery vaika sady
hentitra dia hentitra. Tsy nisy fisalasalana mihitsy tao aminy, na fiahotrahorana
raha nanoratra taminy izy, fa tena nanana fahatokiana kosa izay niorina teo amin’
ny fahalalana mari-pototry ny hafatry ny filazan-

22 — Vavolombelona Mahery
337
tsara. Nabaribariny ny fahasamihafan' ny fampianarana avy amin'ny olona sy ny
fampianarana noraisiny mivantana avy tamin’ i Kristy.
Nitalaho tamin’ ny Galatiana mihitsy i Paoly mba hisaraka amin’ny
mpampianatra sandoka izay nandiso lalana azy, ka hiverina kosa eo amin’ ny
finoana voalohany, dia ny fînoana izay nitahian’Andriamanitra azy tamin’ ny
fomba mamirapiratra tokoa. Nasehony taminy fa ireo olona izay tsy nanana
zavatra kendrena afa-tsy ny hampiala azy amin’ny filazantsara, dia tsy inona fa
mpihatsaravelatsihy, maloto fo, ary vetaveta saina. Niorina teo amin’ ny fombam-
pivavahana ivelany fotsiny ny fampianarany, ary noheveriny fa rehefa
mahatandrina tanteraka ireny fombafomba ireny izy dia hahazo ny fankasitrahan’
Andriamanitra. Tsy nilainy ny filazantsara mitaky fanarahana ireto teny ireto:
«Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia
tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra»!. Noheveriny fa mitaky
fandavan-tena be loatra ny fampianaranatoy izany, ka naleony nitoetra tao amin’
ny hevi-diso, mba hamitahany ny sasany koa, ka hiara-very aminy.
Amin’ ny androntsika ankehitriny koa dia ny endrika ivelany eo amin’ ny
fivavahana no ankasitrahan’ ny olona tsy niova fo, toy ny tamin’ ny andron’ ireo
mpampianatra teo amin’ ny Jiosy, satria heveriny fa ny fanarahana izany no
hahatongavany eo amin’ny fahamasinan’ ny fo sy ny fiainana. Toy ny fahiny koa
no isian’ny mpitarika ara-panahy ankehitriny, izay manome fampianaran-diso
ankafizin’ny olona sasantsasany. Avilin’i Satana ny saina hiala tamin’ ny
fanantenana ny famonjena izay azo avy amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy sy
amin’ ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra. Nandritra ny fotoan-dasa
rehetra no niezahan’ ilay, andrianan’ ny maizina hampifanandrify ny fakam-
panahy alefany amin’ ny toe-tsaina mitompo teny fantatra sy amin’ ny fironana
efa misy rahateo amin’ ireo mpihaino azy. Tamin’ ny andron’ ny apostoly dia
namporisihiny ny Jiosy hanindrahindra ny lalàna seremonialy, ka hitsipaka an’ i
Kristy. Ankehitriny koa, ho toy ny fanajana an’ Andriamanitra, hono» dia
amporisihiny ny Kristiana sasany mba handà ny lalàna moraly, ary hampianatra
kosa fa azo atao ny manao fanahy iniana handika ny fitsipika iorenan’ izany
lalàna izany. Adidin’ny mpanompon’ Andriamanitra tsirairay avy ny hiady amin-
kerim-po sy amin’ ny fahatapahan-kevitra hentitra amin’ ireny mpanimba

338
fanany ireny, ka hampibaribary tsy amin-tahotra avy amin’ny teny fahamarinana
ny fahadisoan-keviny.
Koa mba hiverenan’ ny fitokisan’ ireo rahalahy tany Galana an’ i Paoly,
dia taraim-pahakingana fatratra no niarovany ny maha-apostolin’ i Kristy azy.
Nilaza ny tenany ho apostoly mihitsy izy, tsy avy tamin’ ny fanendren’ ny olona,
fa avy tamin’ ny fiantsoan’ i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray azy, izay
nanangan; an’i Kristy tamin’ ny maty. Tsy avy tamin’ny olona ny niantsorohany
fa avy tamin’ Ilay Andrian’ ny lanitra. Neken’ny fivoriambe tany Jerosalema ny
asan’ i Paoly, ka hatramin’izany dia tsy nitsahatra nampifandrindra ny
fampianarany tamin’ny fanapahan-kevitra noraisina tany izy.
Tsy ho fanandratan-tena no niarovan’ i Paoly tena teo anatrehan'ireo izay
nisalasala ny maha-apostoly voantso azy, fa ho fanandratana ny fahasoavan’
Andriamanitra. Nambarany fa « tsy misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly
ambony indrindra ireo»2. Nitsangan-ko fahavalon’ i Kristy ireo izay nitady
hampietry ny fiantsoana voarainy tamin’ Andriamanitra sy ny asa niandraiketany,
satria hita miharihary teo amin’ ny fiainany ny fahasoavana sy ny herin’ i Kristy.
Voatery naneho fijoroana hentitra teo anatrehan’ ny fahavalony ny apostoly Paoly
mba hiarovana ny maha-izy azy sy ny fahefany.
Niangaviany ireo izay efa nahatsapa teo aloha ny herin'ny Mpanavotra mba
hiverina indray eo amin’ ny fitiavany voalohany. Tamin’ ny fonjan-kevitra tsy
azo notoherina no nampaha-tsiarovany azy ny tombontsoa nomen’ Andriamanitra
azy tamin’ny fahafahana azony tamin’ ny alalan’ i Kristy. Avy tamin’ ny
nanoloran’ i Kristy ny Tenany, hoy izy, no ahazoan’ izay rehetra manolo-tena
tanteraka eo aminy ny hotafina amin’ ny akanjom pahamarinany. Nolazainy fa
na iza na iza mâniry famonjena dia tsy maintsy manao fanandramana ho an’ ny
tenany hivelona» araka an’ Andriamanitra.
Ny fiangaviana tamin-kafanampo nataon' i Paoly dia tsy vary maina akory.
Niasa mafy tao am-pony ny Fanahy Masina, ka izay efa nirenireny teo amin’ ny
lalan’ny fahadisoan-kevitra dia niverina indray ho eo amin’ ny fînoana ny
filazantsara. Hatramin’ izay dia nijoro tsara tao amin’ ny. fahafahana tao amin’ i
Kristy ny
1) 2 Kor 11 : 5

339
Galatiana, ka hita teo amin’ ny fiainany «ny vokatry ny Fanahy», dia «fitiavana,
fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
fahalemem-panahy, fahononam-po»3. Nomem-boninahitra indrayAndriama-
nitra, ka maro ny olona nanampy ho anisan’ ny mpino tao amin’ ny faritra rehetra
nisy azy.

2) Gal 5 : 22

340
37

Ny dia farany nataon’


i Paoly tany Jerosalema

Naniry fatratra hankany Jerosalema alohan’ny Paska i Paoly, mba


hahazoany tnihaona amin’ ny Isiraelita avy any amin’ny vazan-tany efatra tonga
hankalaza io andro firavoravoana io. Tsy niala tao an-tsainy ny hanao ezaka
lehibe hiadiana amin’ ny hevitra taloha nofikirin’ ireo tsy mpino iray tanindrazana
aminy mba haneken’ireo ny fahazavan’ny filazantsara. Naniry hihaona tamin’
ny Kristiana tany Jerosalema koa izy mba hanolotra aminy ny fanomezana nalefa
ho an’ny sahirana tany Jodia, izay nampitondrain’ny fiangonana jentilisa.
Nantenain’i Paoly fa ho tanteraka amin’izany fitsidihany izany ny fampiraisana
ny Jiosy niova fo sy ny jentilisa vao niova ho Kristiana.
Rehefa vita ny asany tany Korinto, dia nanapa-kevitra izy fa hiondrana an-
tsambo hankany amin’ ny seranana iray any Palestina. Rehefa natao ny
fiomanana rehetra, ka efa hiondrana an-tsambo izy, dia nisy nampahafantatra azy
fa nisy Jiosy nanao fiokoana hamono ny ainy. Hatramin’ izao mantsy izy ireo dia
tsy mbola nahita fahombiazana mihitsy tamin’ ny fihendreny handrava ny
asan’ i Paoly.
Nampirehitra indray ny fahatezeran’ ny Jiosy ny fahombiazan’ ny fitorian-
teny nataony. Avy tany amin’ ny faritra rehetra tokoa mantsy no nandraisana
tatitra momba ny fitaran’ io fampianarana vaovao io izay nanafoana ny fombam-
pivavahana teo aloha, sady

Mifototra amin’ ny Asa 20 : 4 - 21 ; 16, Ity toko ity.

341
nianamafy ny fampitovian-tsarangan’ ny Jiosy sy ny Jentilisa. Tamin’ny toriteny
nataon’i Paoly tany Korinto no nanizingizinany ireo fonjan-kevitra efa najorony
teo aloha tao amin’ ny epistily nosoratany. Henjana tokoa ny fanambarany: «Tsy
misy intsony na Grika na Jiosy, na voafora na tsy voafora»1. Ary izany dia
hoheverin’ ireo fahavalony ho fitenenan-dratsy mahafa-baraka; ka dia tapa-
kevitra izy ireo fa tsy maintsy hatao izay fomba rehetra hampanginana azy.
Rehefa ren’ i Paoly izany fiokoana hamono azy izany, dia noheveriny fa
mety kokoa ny mandalo any Makedonia. Koa dia nofoanany ny fikasany hamonjy
ny Paska any Jerosalema, ka nahemony ho amin’ny Pentekosta kosa vao
hamangy io tanàna io indray izy. Niaraka tamin’ i Paoly sy Lioka i «Sopatera,
zanak’i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary
Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia». Nitondra
vola be tany Jerosalema ny apostoly Paoly, vola voangon’ ny fiangonana tany
amin’ ny jentilisa. Nokasainyhatolotra an’ ireo mpitarika ny asan’ Andriamanitra
tany Jodia io vola io. Noho izany no nitondrany ireo rahalahy niaraka
taminy, satria ireo no solontenan’ ny fiangonana nanolotra ny fanomezana.
Nijanona tany Filipy i Paoly mba hankalaza ao ny fetin’ ny Paska. I Lioka
irery no nijanona teo aminy, fa ny sisa tamin’ny mpiara-dia taminy dia nandalo
tany Troasy mba hiandry azy any. Ny Kristiana tany Filipy no tena be fitiavana
sy tso-po indrindra tamin’ny olona voataonan’ i Paoly; ka nahafaly azy ny niara-
nipetraka taminy tao amin’ ny filaminana tanteraka nandritra ny valo andro
naharetan’ny fety.
Rehefa afaka dimy andro dia tafahaona tamin’ ireo namany tany Troasy i
Paoly sy Lioka. «Nivory namaky mofo ny mpianatra» tamin’ ny alina farany; ary
satria fantany fa efa vonon-kiainga ilay apostoly tiany indrindra, dia tafavory
maro mihoatra noho ny fanaony ny mpino. Tao amin’ ny efitrano ambony iray
no nivoriany, tany amin’ ny rihana fahatelo. Tao no nitorian’ i Paoly teny tamin’
ny fitiavana miredareda sy ny fitsimbinana mampihetsi-po fahita teo aminy, ka
naharitra hatramin’ ny misasak’ alina izany fivoriana izany.
Nipetraka teo amin’ ny varavarankely iray ny zatovolahy natao hoe Eotika.
Tratran’ ny torimaso teo amin’ io toerana mampidi-

342
doza io izy ka nianjera tany an-tokotany, ary nahatonga fisavoritahana sy tabataba
tamin’ ny mpivory izany. Maty ilay zazalahy, ka nitangorona teo aminy ny olona,
nikiakiaka sy nitomany. Indro kosa ny apostoly Paoly nanavatsava teo amin’ ireo
vahoaka very hevitra, ka nandray ilay zaza, ary nanao vavaka mafy tamin’
Andriamanitra mba hampiverenany ny ainy indray. Nohenoin’Andriamanitra
izany vavaka izany. Vetivety dia nahasarona ny fikiakiakin’ny olona nitoloko sy
nitomany ny feon’i Paoly, fa hoy izy: «Aza mihorakoràka hianareo, fa mbola
misy aina ihany izy». Diboky ny hafaliana ny Kristiana ka lasa niakatra
indray tany amin’ ny efitrano ambony. Nandray ny Fanasan’ny Tompo izy, ary i
Paoly dia «niresaka ela ambara-pahamarainan’ny andro».

Hizotra hanatona ny ranomasimbe ny sambo nitaingenan’i Paoly sy ny


namany, ka dia niondrana haingana hanohy ny diany ireo. Naleon’ i Paoly kosa
anefa nandeha an-tanety nihazo ny lalana fohy indrindra avy tao Troasy hankany
Aso. Tao amin’ io tanàna io no nihaonany tamin ireo mpiara-miasa aminy, ka
nandray fotoana kely nandinihana ny Tenin’ Andriamanitra sy nivavahana
izy. Nisy ahiahy nitambesatra tamin’ ny sainy, dia ireo zava-tsarotra sy loza
hihatra aminy amin’ ny famangiana kasainy hatao any Jerosalema; nampanahy
azy ny ho fandraisan’ ny fiangonana azy, ary koa ny toetran’ny fiangonana any
amin’ ny tany hafa niasany. Nohararaotiny io fotoana manokana niatoany kely
tao Aso io mba nangatahana hery sy fitarihana avy amin’ Andriamanitra.
Raha nisosa tao atsimon’ i Aso ny sambo nitondra ireto mpandeha, dia
nandalo tany Efesosy izay tanàna niasan’ i Paoly ela dia ela izy ireo. Naniry
fatratra hamangy ny fiangonana tao amin’ io tanàna io i Paoly, satria betsaka ny
fampianarana mavesa-danja sy ny torohevitra tiany homena azy. Kanefa, rehefa
tena nandinika izy, dia naleony nandalo fotsiny, «fa maika izy, raha azony hatao,
hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema».
Kanjo nony tonga tao Mileto izy, izay tokony ho dimampolo kilaometatra
hatreo Efesosy, dia reny fa azony atao ny hihaona amin’ ny fiangonana ao amin’
io tanàna io, alohan’ ny hiangan’ny sambo indray. Koa dia nandefa hafatra
haingana nankany amin’ny loholona izy, hiantso azy hankany Mileto, mba
hifankahita aminy indray alohan’ ny hanohizany ny diany. Tamim-pifaliana
tokoa no namalian’ ireo loholona izany antso izany, ka afaka namela hafatra
farany taminy ny apostoly Paoly, tamin’ ny

343
fiteny feno fitiavana hoe: «Fantatrareo hatramin’ny andro voalohany
nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondrantenako taminareo tamin’ izany
andro rehetra izany, dia ny nanompoako ny Tompo tamin’ ny fanetren-tena
rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin’ ny fano-
trehan’ ny Jiosy, ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy
nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano; ary
nambarako tamin’ ny Jiosy sy nyjentilisa koa ny fibebahana amin’ Andriamanitra
sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika».

Tsy nitsahatra nanandratra ny lalàn’Andriamanitra i Paoly, sady


nohizingizininy koa anefa fa tsy mahavonjy ny olona ho afaka amin’ ny
fanamelohana ny lalàna. Tsy maintsy mibebaka izay nanao ratsy, ka hanetry tena
eo anatrehan’Andriamanitra, izay nampahatezeriny noho ny nandikany ny didiny.
Tsy maintsy haneho ny finoany ny Ran’ i Kristy mahavotra azy izy, satria
izany ihany no fomba tokana hahazoany famelan-keloka. Nanolotra ny ainy ho
fanavotana azy ny Zanak’Andriamanitra, ka niakatra any an-danitra hifona ho azy
eo anatrehan’ ny Ray. Amin’ny fibebahana sy ny finoana no hahafaka azy amin’
ny fanamelohana vokatry ny ota; ary amin’ ny alalan’ny fahasoavan’ i Kristy
no hahazoany mankato ny didin’ Andriamanitra. « Ankehitriny, indro, tery am-
panahy hankany Jerosalema aho, hoy i Paoly, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy
any, afa-tsy izay ambaran’ny Fanahy Masina amiko amin’ ny isan-tanàna, fa hisy
famatorana sy fahoriana hanjo ahy. Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny
aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy
Tompo hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra, Ary, indro,
ankehitriny, fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony hianareo rehetra izay
nalehako nitoriako ny fanjakana».

Tsy fikasan’ i Paoly ny hanao izany fanambarana izany tamin’ ny Kristiana


tao Efesosy; kanefa, raha mbola teo am-pitenenana izy dia nidina teo aminy ny
Fanahy Masina, ka nanamafy taminy fa tsy maintsy hihatra aminy tokoa izay efa
nahiny rahateo raha nihaôna farany tamin’ ny rahalahy izy: «Koa manambara
aminareo aho anio fa afaka amin’ ny ranareo rehetra aho. Fa tsy nafeniko anareo,
fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr’ Andriamanitra». Tsy
natahotra ny handratra ny fon’ izy ireo i Paoly; ary koa tsy naniry handray
fanehoam-pitiavana sy fandokafana mety ho nataon’ ireo taminy, satria
Andriamanitra

344
no nanery azy hilaza aminy ny teny ho fampianarana sy ho fananarana na ho
fanomezan-tsiny koa aza. Mangataka ny mpanompony hitory ny teniny
Andriamanitra, ka tsy hatahotra, fa hampianatra amin-kerimpo ny fitsipiky ny
fanjakan’ ny lanitra. Tsy tokony hianina amin’ ny fampisehoana ny fahamarinana
maha-te hihaino amin’ ny mpihaino azy fotsiny izy, ka hampangina kosa ireo
fahamarinana mety handratra ny fony. Fa tsy maintsy mitandrina fatratra ny
fomba fanabeazany ny toetrany izy. Raha tazany fa misy ondry sasany mania ka
miala amin’ireo andiany tandremany, dia tsy maintsy mampiseho ny maha-
mpiandry tsara azy izy, ka hamerina azy ireny ho eo amin’ny fitsipika marina
indray. Raha tsy izany dia ho tompon’ andraikitra amin’ ny fahaverezan’ ireny
ondry mania ireny izy, raha tsy mananatra azy. Tsy maintsy hampianatra tsara
tokoa ny fitsipiky ny finoana kristiana manontolo ny mpitandrina te
hanatanteraka ny adidiny. Hasehony azy ny toetra tokony hananany eo amin’ny
fiainany, mba ho hita tsy manan-tsiny amin’ny andro fitsarana izy. Izay mitoetra
ho mahatokv amin’ ny fampianarana ny fahamarinana ihany no afaka hiteny
tahaka an’ i Paoly, rehefa hifarana ny asany, ka hanao hoe: «Afaka amin’ ny
ranareo rehetra aho». «Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay
nanaovan’ ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiango-
nan’ Andriamanitra, izay novidiny tamin’ ny rany».
Raha mba takatry ny sain’ ny mpitory ny filazantsara mantsy fa miasa
amin’ny anaran’ i Kristy izy, dia ho tsapany bebe kokoa ny halalina sy ny
halehiben’ny adidiny. Hitandrina ny fitondran-tenany izy, sy hitandrina tsara ny
ondry andrasany. Ho ohatra harahin’ ny hafa ny toetrany ary vao mainka hampisy
lanjany ny fampianarany izany. Satria izy no hanoro ny mpino ny
fitondrantena tokony hananany, dia tsy tokony havelany hahita hirika
haniratsirana ny fahamarinana ny fahavalo. Noho ny maha-solontena mahatoky
azy, dia tokony ho tandroviny amin’ ny fony tokoa ny voninahitry ny anaran’
Andriamanitra. Amin’ ny finoany sy ny fahadiovan’ ny fiainany, sy amin’ ny teny
fanabeazana tononiny no hisehoany ho mendrika ny asa ambohy natolotra azy.
Naseho an’ i Paoly ny loza nananontanona ny fiangonan'i Efesosy.
«Fantatro, hoy izy, fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo
aminareo izay tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo no hiposahan’ ny olona
sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy».

345
Raha namisavisa ny ho avin’ io fiangonana io i Paoly, dia raiki-tahotra
mihitsy izy, satria fantany ny famelezana hataon’ ny fahavalo azy na avy ao
anatiny na avy any ivelany. Koa dia nampahery azy ireo izy mba ho matotra sy
ho mailo mandrakariva. Nasehony azy ho ohatra harahiny ny asa tsy nisy
fitsaharana nataony teo aminy; «Koa miambena, hoy izy, ary tsarovy fa telo taona
mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman-alina tamin’ny
ranomaso. Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy
ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova
anareo eo amin’ izay rehetra nohamasinina. Tsy mba naniry volafotsy na
volamena na lamban’olona aho ».
Nisy mpanankarena vitsivitsy tao amin’ ny fiangonan’ i Efesosy, kanefa
tsy nitady izay hitakiana fanampiana avy taminy mihitsy i Paoly. Tsy tao
anatin’ny laminasany ny haneho amin’ ny sasany ny tsy fahampiany amam-bola.
« Fantatrareo, hoy izy, fa ireto tànako ireto no niasa mba hahazoako sy izay
niaraka Tamiko izay nilainay ».
Tsy ny fivelomana ho an’ ny tenan’ i Paoly ihany no vokatry ny asa mafy
nataony sy ny dia lavitra nalehany, fa mba ho fanam-piana ny mpiara-miasa
aminy koa, sy ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny mahantra mendrika
hampiana. Tamin’ny asa tsy nahalalana hasasarana ihany sy tamin’ny fitsitsiana
mafy no nahatrarany izany fenitra izany. Rariny ny nilazany ny tenany ho
ohatra, fa hoy izy: «Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra, fa tokony
hiasa toy izany koa hianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’ i
Jesosy Tompo, izay manao hoe: Maha-sambatra kokoa ny manome noho ny
mandray».
«Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin’
izy rehetra. Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon’ i Paoly ka
nanoroka azy, sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy habita ny tavany
intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy».
Avy tao Mileto izy ireo, dia nanaraka ny morontsiraka andrefan’ i Asia
Minora, «ary nony nahita sambo nita ho any Foinika... dia nifindra sambo teo ka
lasa nandehà».
Tany Tyro no nahitany mpianatra sasany ka nijanonany nandritra ny
hafitoana, satria teo no tsy maintsy nampidinana ny
346
entana nentin’ ilay sambo. Nandray fampitandremana avy tamin’ny Fanahy
Masina ireo rahalahy ireo ny amin’ ny loza lehibe hihatra amin’ i Paoly, ka
nandrara mafy azy izy mba «tsy hiakatra any Jerosalema». Nefa tsy nety niova
tamin’ ny heviny i Paoly, na dia tao aza ny tahotra fahoriana sy fifatorana mety
hihatra aminy.
Rehefa nifarana ny herinandro nitoerany tany Tyro, dia nanatitra an’ i
Paoly hatreny amin’ ny sambo, niaraka tamin’ ny vady aman-janany ireo rahalahy
ireo. Talohan’ ny niondranany, dia mbola nandohalika teo amorontsiraka i Paoly,
ka niara-nivavaka taminy.
Nianatsimo ny dian’ ny sambo ka tonga tany Kaisaria, «ary niditra tao an-
tranon’ i Filipo evanjeiista, izay anankiray tamin’izy fito lahy, dia nitoetra tao
aminy izahay», hoy i Lioka. Nandany andro vitsivitsy tao aminy i Paoly ka nahita
filaminana sy fahasambarana, sady izany no andro sisa nananany fahafahana.
Raha nitoetra tany Kaisaria i Paoly, «dia nisy mpaminany anankiray atao
hoe Agabo nidina avy tany Jodia. Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny
ny fehin-kibon’i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan’ny tenany, dia
hoy izy; Izao no lazain’ ny Fanahy Masina; Toy izao no hamatoran’ ny Jiosy ny
tompon’ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan’ ny jentilisa izy».
Dia mbola notohizan’ i Lioka ny fitantarana; «Ary raha vao renay izany,
dia nangataka taminy izahay, mbamin’ izay nonina teo mba tsy hiakarany any
Jerosalema. Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana hianareo no mitomany ka
mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho, tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty
any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’i Jesosy Tompo. Ary nony
tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon’ny Tompo
no hatao».
Vetivety foana no nijanonan’ i Paoly tao Kaisaria; ary nisy rahalahy sasany
nanolo-tena hiara-dia taminy hankany Jerosalema. Samy vonton’ alahelo ny fony
noho ny fahalalany mialoha ny loza tsy maintsy hihatra.
Tsy mbola nangorohoro toy izao i Paoly raha nanatona an’i Jerosalema;
fantany fa Vitsy ny sakaiza ho hitany ao fa ny fahavalo kosa no ho maro. Tonga
tao amin’ilay tanàna nandà sy namono ny Zanak’ Andriamanitra izy, tanàna izay
nianjeran’ny fahatezeran’ Andriamanitra. Tsaroan’ i Paoly tamin’ izay ny
347
hasiahana nampihariny tamin’ ny Kristiana fahiny, mba hijoroany teo amin’ ny
heviny; ary nahatsapa fangorahana mafy an’ireo inpiray tanindrazana diso lalana
ny fony. Nefa tsy nahita fomba hamonjena azy ireo izy! Ny hatezerana jamba
izay nampirehitra ny fony fahiny, no niteraka fankahalana feno haromotana,
nasetrin’ny firenena manontolo azy amin’ izao fotoana izao.
Samy tsy azony nianteherana na ny fitiavana na ny fanampian’ireo
rahalahiny amin’ny finoana. Tsy naharitra ela akory dia niely eran’ i Jerosalema,
na am-bava na an-tsoratra ny tatitra maha-tsiravina nambaran’ ny Jiosy tsy mpino
ho fanendrikendrehana an’i Paoly, satria nanaraka akaiky ny fizotran’ny diany
ireo. Ary tamin’ ireo apostoly sy loholona aza dia nisy nino izany tatitra feno
lainga izany, ka tsy mba nitady akory izay hanoherana azy, na hikatsaka
marimaritra iraisana amin’ i Paoly apostoly.
Na dia tao anatin’ izany anton-javatra mahakivy rehetra izany aza i Paoly,
dia mbola nanantena ihany. Fantany fa ilay feo nikarantsana tao amin’ny fony dia
mba hiteny koa amin’ ireo mpiray tanindrazana aminy. Fantany koa, fa hain’ ny
Tompo ny hampiray ireo mpiara-miasa aminy, hiara-manatontosa ny asa fitoriana
maminy sy notontosain’ ireo namany.

348
38

Nofatorana
i Paoly

«Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin’ ny
fifaliana ny rahalahy. Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin’ i Jakoba
izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra».
Noharàraotin’ i Paoly izany fotoana izany mba hanolorana tamin’ny
loholona ny fanatitra voavory hanampiana ny malahelo tao amin’ ny renim-
piangonana - fanatitra hangonin’ ny fiangonan’ny jentilisa. Tsapan’ i Paoly sy
ireo namany fa nandaniana fotoana betsaka sy ahiahy ary hasasarana ny
famoriana izany fanatitra izany. Nihoatra lavitra noho izay nampoizin’ ny
loholona ny fanampiana voangona, ary fantatra fa tsy maintsy nitaky
fandavan-tena lehibe sy fihafiana mafy izany.
Ireny fanatitra an-tsitrapo ireny no porofon’ ny toetra mahatoky nananan’
ny jentilisa niova ho Kristiana; ary natokana hanaovana ny asan’ Andriamanitra
eran-tany izany. Ampoizina fa tamim-pankasitrahana lehibe no nandraisan’ ny
maro ireny fanomezana ireny. Tsapan’ i Paoly sy ireo namany anefa, fa tamin’
ireo rahalahiny niantranoany, dia nisy sasany izay tsy nahay nankasitraka akory
ny fitiavan-drahalahy izay namporisika hahavitana fanampiana lehibe toy izany.
Rehefa nanomboka nitatra tany amin’ ny tany jentilisa ny filazantsara, dia
tsy vonona hiara-miasa tamim-paharisihana tamin’ i

Ity toko ity dia mifototra amin’ ny Asa 21 : 17 - 23 : 35.


349
Paoly sy ny namany ny filoha sasany tao amin’ ny fiangonana tany Jerosalema,
satria mbola nifikitra mafy -tamin’ ny heviny manokana sy ny lovan-tsofina izy.
Tsy tazan’ ny masony ny fitahiana nirin’ Andriamanitra homena azy, na ho an’
ny tenany na ho an’ny asa nankamaminy, satria nikiribiby hitahiry ny fombam-
pivavahana tsy misy dikany izy, ary nokasainy havondrona tamin’ izany koa ny
faritra rehetra teo amin’ny asan’ ny Tompo.
Na dia tao an-tsainy aza ny hiaro ny tombontsoa tsara indrindra ho an’ ny
fiangonana, dia tsy nahay nampifanaraka ny fiainany tamin’ ny teny fikasan’
Andriamanitra izy; ary teo amin’ny fiankinany tamin’ ny fahendren’ olombelona,
no niezahany hampi-ditra fepetra maro tsy mahasoa tao amin’ ny asan’ ny
mpanompon’Andriamanitra.
Koa noho izany dia nisy antokon’ ny mpino sasan-tsasany nilaza ny tenany
ho manana ny fahefana rehetra hitarika ny hevitry ny rahalahy voatendry hiasa
tany amin’ ny jentilisa, ka hanoro azy ireny ny fomba fiasa tokony hataony.
Kanefa ireny mpino ireny tsy nahafantatra kely akory ny amin’ ny zava-tsarotra
sy ny tena ilain’ny mponina any amin’ ny tany lavitra. Noheveriny fa araka
ny fiheverany azy ihany no tokony hitoriana ny filazantsara.
Taona maro no lasa vao vitan’ ny Kristiana tany Jerosalema sy ireo
solontenan’ ny mponina tany amin’ ny tanàn-dehibe hafa ny nanala olana ny
zava-manahirana maro nipoitra teo am-pandinihana ny fomba mety indrindra
hanaovana ny asa any amin’ny tany jentilisa. Nanapa-kevitra ny rahalahy, izay
nandray anjara tamin’io fivoriambe io, fa hanome ny fiangonana ny toromarika
mazava mikasika ny fombam-pivavahana sy ny fanao sasany, anisan’ izany ny
famorana. Tamin’izany fotoana izany koa no nifanarahan’ ny mpino hanafatra ny
fiangonana handray an’i Barnabasy sy Paoly, izay mpanompon’ Andriamanitra
mendrika hitokisana tanteraka. Nisy rahalahy sasany, izay nanatrika io
fiheveran-draharaha io, naninitsiny mafy ny fomba fiasan’ ny apostoly tany amin’
ny tany jentilisa. Kanjo kosa, nihanahiratra ny masom-panahiny nandritra ny
fivoriana, satria hitany niharihary ny fikasan’ Andriamanitra momba ny asany,
ka da niray hina tamin’ ny hafa izy mba handray fanapahan-kevitra hampi-
vondrona indray ny mpino rehetra.
Taorian’ izany, raha nitombo haingana ny isan’ny mpino avy tamin’ ny
jentilisa, dia indreo fa nanomboka niaro ny hevitra
350
nijoroany fahiny indray ny mambra manan-daza sasany tao amin’ny fiangonana
tao Jerosalema, ka nomeny tsiny mafy indray ny fomba fiasan’ i Paoly sy ny
namany. Vao mainka nahazo laka ireny hevitra nohizingizinina, ireny, arakaraka
ny fandrosoan’ny fotoana; ary tena nitatra tokoa izany ka nisy filoham-
piangonana sasany nanapa-kevitra fa araka izay fomba noheveriny ihany no
tokony hitoriana ny filazantsaia. Raha nanaiky hanaraka ny fomba fiasa natoron’
i Paoly izy, dia ho nanohana ny asan’ i Paoly; fa raha tsy izany dia tsy handray
fankasitrahana na tohana avy aminy izy. Hadinon’ ireny mpino ireny fa ny Tompo
irery no Mpitarika ara-panahy ny vahoakany, ka tsy maintsy samy hanao
fanandramana ho an’ny tenany ny mpanompon’ Andriamanitra tsirairay avy,
sady hanaraka Ilay Tompo Andriamanitra, fa tsy hirona kosa amin’ny hevitr’
olombelona; ary farany, mba ho voatarika sy ho voatefy ny mpitory rehetra, tsy
araka ny hevitry ny olona, fa araka ny Fanahin’ Andriamanitra.
Tsy nankinin’ i Paoly tamin’ ny « teny fahendrena mahataona, fa tamin’
ny fanehoan’ ny Fanahy sy ny hery» ny fitoriana nataony nandritra ny asany. Ny
Fanahy Masina no nampahafantatra an’ i Paoly ny fahamarinana tokony hotoriny,
satria ny Fanahy, hoy izy, no mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny zava-
miafin’Andriamanitra aza. « Fa iza no olona mahafantatra ny ao am-pon’ny
olona, afa-tsy ny fanahin’ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy
misy mahalala ny ao am-pon’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra
ihany»1.
Nandritra ny asany, i Paoly dia tsy nila fitarihana hafa afa-tsy izay avy
amin’ Andriamanitra ihany, ka ny nilofosany dia ny hanaraka ny fomba fiasa
notapahina tany amin’ ny fivoriambe tany Jerosalema. «Ary nihanahery finoana
ny fiangonana, sady nihamaro isan-andro»2.
Na dia tsy nankasitraka an’ i Paoly aza ny rahalahy sasany, dia tsy nety
ketraka teo amin’ ny fanatontosany ny adidiny izy. Nampitomboiny tao amin’ ny
mpianany koa ny toetra mahatoky sy malala-tanana, nentanin’ ny fitiavan-
drahalahy; ary niseho tamin’ny fanolorana fanatitra betsaka napetraka teo an-
tongotry ny loholona tany Jerosalema izany toe-tsaina izany.
Rehefa avy nanolotra ireo fanatitra ireo i Paoly, «dia nilaza tsirairay ny
zavatra rehetra izay efa nampanaovin’ Andriamanitra
1) I Kor. 2 : 11 2) Asa 16 : 5
351
azy tany amin’ ny jentilisa izy». Nampiaiky an’ ireo rahalahy rehetra ireo ny
fitantarany ny asany, na dia ireo izay nanana fisalasalana momba azy aza; neken’
izy rehefa fa nitahy an’i Paoly tokoa Andriamanitra. «Ary rehefa nandre izany
ireo, dia nankalaza an’Andriamanitra». Nazava taminy fa nandray ny tombo-
kasen’ ny fankasitrahan’ Andriamanitra ny fomba fiasan’i Paoly. Vao mainka
nanampy lanja ny tatitra nataony ny habetsahan’ny fanatitra napetraka teo
anoloany ary nekeny fa tena nanana saina mahatoky tokoa ny jentilisa. Nanjary
niova ny fijerin’ ireo mpitarika ny asa tany Jerosalema izay nikasa hamehi-
fehy ny asan’ i Paoly apostoly. Niaiky izy fa tsy mety ny nataony tamin’i Paoly,
satria voafatotry ny lovan-tsofin’ ny Jiosy loatra izy. Noho izany dia
voaelingelina betsaka mihitsy ny fitoriana ny filazantsara noho ny nikirizany tsy
hino fa efa noravan’ny fahafatesan’ i Kristy ny efitra nampisaraka ny Jiosy sy ny
jentilisa.
Fotoana tokana azon’ ireo loholona hararaotina hanekena amim-
pahatsoram-po ny fahombiazan’i Paoly izany, ka niaiky ny fahadisoany izy,
tamin’ny nanomezany alalana ny fahavalon’ ny apostoly hampitsiry saim-
pialonana sy fonkahalana azy.
Kanefa tsy nifanara-tsaina hanome rariny ilay efa nenjehiny izy ireo, fa
notoroany hevitra kosa i Paoly, ary tamin’ izany no nahitana ny tena toe-tsaina
nananany. Mbola notanany ho tompon’andraikitra amin’ ny hevitra nikirizany
ihany i Paoly. Tsy ny hitsangana amim-pahamendrehana hiaro azy no nataon’
ireo mba hampahamenatra ny fahavalony, fa notadiaviny kosa izay marimaritra
niraisana. Koa dia niteny teo imason’ny vahoaka i Paoly mba ho fanoherana
amin’ ny fomba hentitra ny fiheveran-diso nanjaka tao an-tsain’ ny olona momba
azy. Fa hoy izy: «Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino;
ary fatra-pitana ny lalàna izy rehetra, sady efa novokisan’olona ny aminao, fa
hianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin’ny jentilisa hahafoy
an’ i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana.
Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao. Ary noho
izany dia ataovy izay Jazainay aminao izao: Misy efa-dahy aty izay nivoady; raiso
ireo ka manâdiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany,
mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona
izay zavatra namokisana aizy ny aminao; fa hianao aza mandeheha manaraka
ny lalàna koa. Fa ny amin’ ny jentilisa izay efa mino, dia efa
352
nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin’ ny sampy
sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana».
Nantenain’ ireo loholona fa hanaraka ny toroheviny i Paoly ka
hampitsahatra ny fanendrikendrehana azy. Nomeny toky izy fa mbola manah-
kery ny hevitra notinapaka tany Jerosalema momba ny jentilisa sy ny lalàna
seremonialy. Nefa kosa ny toro hevitra nomeny azy tamin’ izao dia tsy nifanaraka
tamin’ny hevitra tapaka akory. Tsy mba avy amin’ ny Fanahy Masin’
Andriamanitra ny torohevitra toy izany izay maneho hakanosana. Fantatr’ ireo
loholona fa raha tsy arahina ny fomba fivavahana seremonialy, dia hianjadian’ ny
fahatezeran’ ny Jiosy ny Kristiana ka tsy maintsy henjehiny. Ny Synedriona
tokoa mantsy dia nanao izay azony natao mba hisakana ny fandrosoan’ ny
filazantsara. Nisy olona notendrena mba hitsongo dia ny apostoly, indrindra
fa i Paoly, mba hanohitra ny asany amin’ ny fomba rehetra. Fa raha melohin’ io
fitsarana io ho toy ny mandika lalàna ny mpianatr’ i Kristy, dia tsy maintsy
hampiharina aminy ny famaizana haingana sady mafy noho izy nandao ny
finoana Jiosy.
Maro ny Isiraelita nanaiky ny filazantsara no mbola nifikitra tamin’ ny
lalàna seremonialy; nitady marimaritra niraisana tsy hendry izy mba hihazonany
ny fitokisan’ ny mpiray firenena aminy. Hiezaka hanafoana ny hevitra nofikirin’
ireny i Paoly mba hahazo azy kosa ho amin’ ny fmoana an’ i Kristy, Mpanavotra
izao tontolo izao.
Tsapan’ i Paoly fa raha mbola mitana hevitra hafahafa ny aminy ihany ireo
mambra filoha tao amin’ ny fiangonana tany Jerosalema, dia mbola hiezaka ihany
ireny hisakana ny asany amin’ny fanaovany asa mifanohitra amin’izany.
Noheveriny fa, raha manaiky fiekena ara-drariny ny fahadisoany izy, dia ho
azony atao ny hitaona azy ireny ho amin’ny fahamarinana, ka ho foana
amin’ izany ny zava-misakana ny fandrosoan’ny filazantsara any amin’ny tany
hafa. Nefa tsy navelan’Andriamanitra hanao izany firaisana tsikombakomba
izany i Paoly, na dia noterena hanao izany aza izy.
Raha mba saintsainintsika mantsy ny fanirian’ i Paoly fatratra hiarà-belona
amim-piadanana amin’ ny rahalahiny, sy haneho fitiavana feno fangorahana ireo
malemy amin’ ny finoana, ary koa mba hanehoany fanajana ireo apostoly niara-
belona tamin’i Kristy, sy ho an’i Jakoba rahalahin’ ny Tompo, ary koa amin’ ny
23 — Vavolombelona Mahery
353
faniriany hanolo-tena tanteraka ho an’ ny rehetra, kanefa tsy hiala amin’ ny
fitsipika, dia tsy hahagaga antsika loatra ny mahita azy voatery hanova ny
fihetsiny izay efa narahiny hatramin’ izay.
Tsy ny fetra niriny hotratrarina anefa no tratrany, dia ny niezahany
handrindra fihavanana amin’ ny hafa, fa vao mainka nahatonga olana mafy
taminy izany, ary nanafaingana ny fijaliana voalaza mialoha, ary farany aza, dia
nanjary tafasaraka tamin’ny rahalahiny i Paoly. Nanjary tsy nanana ilay andry
tsara indrindra niankinany ny fiangonana, ka nahatonga alahelo lehibe tao amin’
ny fon’ ny Kristiana eran-tany izany.
Ny ampitso maraina sahady, dia lasa nidodododo nanatanteraka ny
torohevitry ny loholona i Paoly. Dia nentiny tao amin’ ny tempoly ireo efa-dahy
nanao voady3, mba hanaovany fidiovana sy hahalalany ny andro tokony
hanaterana fanatitra ho azy tsirairay avy. Tsy maintsy mbola nanatitra fanatitra
be vidy koa izy ho mariky ny fidiovany.
Ireo izay nanoro hevitra an’ i Paoly hiditra amin’ izany lalana izany dia tsy
nahataka-tsaina ny loza nampidirany azy. Tamin’izay fotoana izay tokoa mantsy
dia nisy vahoaka mpivavaka betsaka tao Jerosalema, avy tamin’ ny vazan-tany
efatra, mba hankalaza ny Pentekosta. Nahatoky tamin’ ny andraikitra nomen’
Andriamanitra azy i Paoly ka nitory ny hafatry ny filazantsara tamin’ ny jentilisa,
ary tamin’ izany no namangiany tanàn-dehibe maro. Koa dia nahafantatra azy ny
mpanao fivahiniana masina anarivony maro. Ny sasany tamin’ ireny nikotrika
fankahalana miridiridy an’i Paoly, ka mety hiharan-doza ny ainy raha miditra
ao amin’ ny tempoly izy manohitra ny andro firavoravoana. Azony natao ny
nifanerasera nandritra ny andro maro tamin’ireo mpivavaka tamin’ i Jéhovah,
kanefa tsy nisy nahamarika azy. Kanjo rehefa nifaramparana ny fanaovana voady,
raha sendra niresaka tamin’ ny mpisorona ny amin’ ny fanatitra hâteriny izy,
dia fantatry ny Jiosy avy tany Asia Minora.
Nentanin’ ny hatezeran’ ny demonia izy ireny ka nirohotra nankeo amin’i
Paoly, sady niantso hoe: «Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra
ny olona rehetra ombieni-ombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity
fitoerana ity». Ka rehefa nirohotra nanatona ny vahoaka raha nandre izany
3) Jereo Nomery 6
354
antso izany, dia nisy fiampangana faharoa nanampy indray «Nampiditra jentilisa
teo an-kianjan’ ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masina ity». Araka ny
lalàn’ ny Jiosy mantsy dia heloka mahafaty ny mampiditra jentilisa ao amin’ ny
kianja anatiny amin’ ny fitoerana masina.
Tazan’ ny olona teny amin’ ny araben’i Jerosalema niaraka tamin’i
Trofimo avy tany Efesosy i Paoly, ary noheverin’ny olona fa nampidiriny tao
amin’ ny tempoly io jentilisa io. Nefa tsy nanao izany akory i Paoly. Fa izy kosa,
amin’ny maha-jiosy azy, dia niditra tao ka tsy nandika lalàna.
Kanefa na dia diso tanteraka aza ny fiampangana natao an’i Paoly, dia
nampifoha kosa ny fahateren-tsain’ ny Jiosy izany. Ka raha mbola nanakoako ny
antso fanairana, ka tonga hatrany amin’ny kianjan’ ny tempoly, dia romotry ny
hatezerana mafy ny vahoaka tafangona tao. Niely nanerana an’ i Jerosalema ny
akon’izany toe-javatra izany. «Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna
rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona». Misy ve mpamadika an’ny Isiraely
sahy mandoto ny tempoly, amin’ ny fotoana ivorian’ny mpanao fivahiniana
masina anarivony avy any amin’ ny vazan-tany efatra toy izào? Moa tsy ampy
hampirehitra ny faharomotan’ny vahoaka va izany? « Ary Paoly dia nosamboriny
ka nosarihiny hiala eo an-kianjan’ ny tempoly; ary niaraka tamin’izany dia
narindrina ny vavahady. Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny
nakarina tany amin’ ny mpifehy arivo tamin’ ny antokon’ nv miaramila nilaza fa
mikotaba avokoa Jerosalema rehetra.
Fantatr’ i Klaodio Lysia tsara izay tokony hataony eo anatrehan’ny
tabataba be toy izao. «Niaraka tamin’ izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka
nihazakazaka niditra nankeo aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny
miaramila ny olona, dia nitsahatra tsy nikapoka an’ i Paoly». «Ary ny mpifehy
arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra azy tamin’
ny gadra roa, dia nanontany hoe; Iza moa izy, ary inona moa no nataony? Ary ny
sasany tamin’ ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa
zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana,
dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly. Ary rehefa tonga teo amin’ny
ambaratonga izy, dia nobetain’ ny miaramila noho ny fifanosehan’ny olona; fa
ny olona maro nanaraka ka nanao hoe; Vonoy ilehio »

355
Paoly kosa tony sy feno fahatokiana teo anivon’ izany tabataba izany. Nanankina
ny sainy tamin’Andriamanitra izy, ka fantany fa manodidina azy ny anjely. Tsy
tiany ny hiala teo amin’ ny tempoly raha tsy efa nitory ny fahamarinana tamin’
ny mpiray tanindrazana aminy. Ary satria efa hampidirina tao anaty manda izy,
dia nangataka tamin’ny mpifehy arivo hoe: «Mahazo miteny aminao va aho?
Dia hoy izy: Mahay teny Grika va hianao? Moa tsy hianao va ilay Egyptiana, izay
nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy mpitondra lefom-
pony nankany an-efitra? Dia namely Paoly hoe: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any
Kilikia, tompon-tany amin’izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra hianao, aoka
aho mba hiteny amin’ny olona. Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo
amin’ ny ambaratonga ka nanofa tànana tamin’ny olona». Rehefa nanofa tanana
i Paoly dia vonona hihaino azy ny olona, satria maha te hanaja ny fomba fisehony.
Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin’ ny teny Hebreo izy ka
nanao hoe: «Ry rahalahy sy hianareo ray, henoy ny teny halahatro aminareo
ankehitriny hanala tsiny ny tenako. Ary nony ren’ny olona fa teny Hebreo no
nitenenany taminy, dia mainka nangina izy; ary hoy Paoly: Izaho lehilahy Jiosy,
teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin’ ity tanàna ity no nahabe ahy teo
anilan’ ny tongotr’i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin’ny
razana aho, ary nazoto indrindra ho an’Andriamanitra tahaka anareo rehetra
ankehitriny». Tsy nisy afaka nanohitra ny teny nambaran’ i Paoly, satria fantatry
ny olona rehetra nonina tany Jerosalema tsara ny zavatra notantarainy. Dia
nambarany indray ny hafanampony nanenjika ny mpianatr’ i Kristy, ka
nitondrany azy ireny hovonoina. Nampahatsiaroviny ny tantaran’ny niovany fo,
ka nambarany tamin’ ny mpihaino ny fomba nahatonga ny fony feno avonavona
teo aloha, hanjary feno fanetren-tena teo anoloan’i Kristy voahombo. Raha tahiny
nanandrana niady hevitra tamin’ ny fahavalony i Paoly mba hanamarinany tena,
dià ho nandà mafy tsy hihaino azy ireo. Nefa kosa noho ny fitantarany
ny zavatra voatsapan’ny tenany dia nohenoina fatratra izy ka toa voatohina sy
voababo vetivéty ny fon’ny mpihaino.
Tamin’ izany dia niezalra i Paoly hanazava tamin’ny mpihaino azy fa tsy
avy tamin’ ny safidiny ny asa nataony tany amin’ ny jentilisa. Nanam-paniriana
tokoa mantsy izy hiasa amin’ ny mpiray tanindrazana taminy; nefa raha mbola
tao amin’ ny tempoly izy dia niteny taminy tamin’ny fahitana Andriamanitra fa
lalan-kafa no tokony halehany. «Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha
lavitra, any amin’ ny jentilisa».
356
Hatreo dia mbola nihaino azy tsara ny vahoaka; nefa rehefa nanomboka
nilaza ny amin’ ny asa maha-solontenan’i Kristy azy any amin’ny jentilisa i
Paoly, dia nirehitra indray ny fahatezeran’ny vahoaka. Efa zatra ny nihevitra ny
tenany ho hany firenena ankasitrahan’Andriamanitra ny Jiosy, ka tsy tantiny raha
mba mandray tombontsoa heveriny fa ho azy irery ny jentilisa. Dia nanandratra
ny feony izy, mba hanarona ny feon’ i Paoly, ka niantso hoe: «Esory amin’ ny
tany Ilèhio, fa tsy tokony hovelomina izy! Ary raha niantso sy niala lamba ary
nanipy vovoka ho amin’ny rivotra izy, dia nasain’ ny mpifehy arivo ho entina any
anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina amin’ny kapoka mba hahafantarany izay
fototry ny nanakoran’ ny olona azy toy izany. Ary raha namatotra azy tamin’ ny
kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin’ny kapiteny izay nitsangana teo: Mety
aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola nohelohina? Ary ny
kapiteny nony nahare, dia lasa nilaza tamin’ny mpifehy arivo ka nanao hoe: Inona
izao hataonao izao? fa Romana io lehilahy io. Dia nankeo aminy ny mpifehy
arivo ka nanao taminy hoe: Romana va hianao? Dia hoy izy: Eny. Ary ny mpifehy
arivo namaly hoe: Vola be no nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly:
Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka. Dia nandao azy faingana
ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa,
rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy. Ary nony
ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan’ny Jiosy azy ny mpifehy
arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan’ ny mpisorona sy ny
Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany».
Hotsarain’ ny tribonaly izay nisy azy talohan’ ny niovany fo izao i Paoly.
Tony tanteraka izy raha nijoro teo anatrehan’ny mpitsara azy, ary hita taratra teo
amin’ ny endriny ny fiadanan’i Kristy. «Ary Paoly dia nibanjina ny Synedriona
ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo an’ Andriamanitra tamin’ ny fieri-
treretana tsara mandraka andro-any». Rehefa nandre izany teny izany izy ireo dia
nirehitra ny fahatezerany. «Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay nitsangana
teo hamely ny vavany. Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao,
ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa hianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna,
nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho? Ary izay nitsangana teo dia nanao
hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben’Andriamanitra? Ary hoy Paoly: Tsy
fantatro fa mpisoronabe izy, ry

357
rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao.»
«Ary rehefa fantatr’ i Paoly fa ny Sadoseo sasany, ary ny sasany kosa
Fariseo, dia niantso teo amin’ ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho
dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin’ny fanantenana sy ny fitsanganah’ ny
maty no itsaranan ahy. Ary rehefa nilaza izany izy dia nifanditra ny Fariseo sy ny
Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro. Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy
fitsanganan’ ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky
izany avokoa». Dia rafitra niady hevitra ny amin’ izany ireo antoko roa ireo, ka
nanjary nisinda ny fahatezerany tamin’ i Paoly. «Ary ny mpanora-dalàna sasany,
izay isan’ ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe:
Tsy hitanay izay helok’ io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.
Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra hy mpifehy arivo fandrao
hifandroritan’ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny
miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy
ho any anati-rova».
Taorian’ izany, raha nandinika ny toe-javatra nampangirifiry niseho tamin’
iny andro iny i Paoly dia velom-panontaniana tam-pony raha nankasitrahan’
Andriamanitra ny fihetsiny na tsia. Moa ve tsy nisy fahadisoana nataony raha
nankany Jerosalema izy? Moa ve tsy ny faniriany fatratra hifanara-tsaina tamin’
ny rahalahiny no nahatonga taminy izao loza izao? Nahatonga fijalian-tsaina
mafy tamin’ i Paoly ny toetra nasehon’ny Jiosy teo anatrehan’izao tontolo izao
tsy mpino, kanefa firenena nofidin’Andriamanitra ho azy izy. Nihambo ho
nivavaka tamin’ i Jéhovah izy, ary niandraikitra ny fanompoana masina; kanefa
moa ve tsy nampiseho haromotam-pahatezerana mafy tamin’ i Kristy izy? Ary
moa ve tsy efa saika namono ireo rahalahiny tsy nitovy hevitra taminy aza
izy? Ary moa ve tsy novany ho tany fiadiana, nitrangan’ ny fisavoritahana
mahatsiravina indrindra, ny kianja masina fanaovana dinik’asa? Hitan’ i Paoly fa
nalaim-baraka teo anatrehan’ ny jentilisa ny anaran’ ny Tompony.
Naiditra am-ponja izy izao, ary fantany fa hampiasa ny tetika rehetra
hamonoana azy ireo fahavalony lian-dra. Moa ve dia hifarana sahady ny adidiny
eo amin’ ny fiangonana, ka ho tafiditra ao ireo amboadia masiaka? Nahavelon-
tebiteby azy izay hihatra amin’ny asan’i Kristy, ary tamin’ ahiahy mafy no
niheveran’ ny

358
fanenjehana tsy maintsy hihatra amin’ ny mpino miely patrana, rehefa
hifanandrina amin’ ny olona mitovy amin’izay nifanatrehany tao amin’ ny
Synedriona ireo. Novesaran’ ny alahelo sy ny hakiviana i Paoly ka nitomany teo
am-pivavahana.
Tamin’ izany ora manjombona izany anefa dia tsy nanadino ny
mpanompony Andriamanitra. Efa niaro azy tamin’ ny vahoaka lian-dra teo an-
kianjan’ ny tempoly Izy; ary tsy nandao azy raha tao anati-rova izy; fa niseho
taminy koa Izy ho valin’ ny fivavaltana mafy nataony, ka nanoro azy ny lalana
tokony hizorany. «Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin’ iny alina iny ka
nanao hoe Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola
hanambaranao Ahy any Roma koa».
Efa fanirian’ i Paoly tokoa ny ho tonga any Roma mba history any ny
amin’i Kristy, kanefa toa noheveriny tsy ho tanteraka izany fikasany izany, noho
ny fahasiahan’ ny Jiosy. Tsy tao amin’ ny eritieriny mihitsy fa eo am-pifatorana
no hahatongavany any.
Raha mbola nampahery ny mpanompony Andriamanitra, ireo fahavalon’i
Paoly. kosa efa nanao tetika hamono azy. «Ary nony maraina dia niray tetika ny
Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an’i
Paoly. Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany». Izany no karazan’ny
fifadiana nomelohin’ i Isaia; «Indro, ny hiady sy hifanditra no antony ifadianareo
ary ny hamely amin’ ny totohondrin’ ny faharatsiana; izao fifadianareo izao dia
tsy andrenesana ny feonareo any amin’ ny avo»4
Dia lasa nankany amin’ ny mpisoronabe sy ny loholona ireo mpanao teti-
dratsy ireo ka nanao hoe: «Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-
javatra na inona na inona mandra-pamononay an’i Paoly. Koa ankehitriny dia
milazà amin’ny mpifehy arivo hianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy
hankaty aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin’izay
nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky
izy».
Tsy nanome tsiny izany fikasana mahatsiravina izany ny mpisorona sy ny
loholona, fa vao mainka nankasifraka azy; ka marina mihitsy ny teny nambaran’
i Paoly raha niseho teo anatrehan’i Anasy izy fa fasana milalotra fotsy io
mpisoronabe io.
4) Isaia 58 : 4
359
Niditra an-tsehatra hamonjy an’ i Paoly anefa Andriamanitra. «Ary nony ren’ ny
zanak’ anabavin’ i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anati-rova izy ka nilaza
tamin’ i Paoly. Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao
hoe: Ento mankany amin’ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny
holazaina aminy izy. Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any
amin’ ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo
aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny
holazaina aminao, hono, izy. Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa
nitokana tao amin’ny mangingina izy, dia nanontaniana hoe: Inona moa no teny
holazainao amiko Dia hoy ilay zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao
hampiditra an’i Paoly ho any amin’ ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina
azy marimarina kokoa. Koa aza manaiky azy hianao, fa misy tsy omby efa-polo
lahy izy manotrika hisambotra an’ i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy
hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka
miandry ny teny avy aty aminao. Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay
zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin’olona fa efa nilaza izany tamiko
hianao».
Dia nanapa-kevitra avy hatrany ny mpifehy arivo hampandefa an’ i Paoly
any amin’ i Feliksa governora, mba hitsarany azy. Romotry ny hatezerana mafy
mihitsy ny Jiosy ka mazàna no nisy fisavoritanana niseho. Nety ho nitrangan-
javatra mahatsiravina ny fitoeran’i Paoly ela loatra tany Jerosalema - loza izay
mety hihatra amin’ny tanàna, eny, na amin’ ny governora mihitsy aza.
Koa noho izany dia niantso kapiteny roalahy izy, ka nilaza taminy hoe:
«Manomàna miaramila roan-jato làhy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona
roan-jato hankany Kaisaria anio dina amin’ny ora fahatelo ; ary itondray biby koa
hitaingenan’ i Paoly hitondra-azy soa amandsara ho any amin’ ny Feliksa
mpanapaka». Tsy azo natao mihitsy ny nitaredretra tamin’ ny famoahana an’ i
Paoly hiala an’i Jerosalema. «Dia nalain’ny miaramila Paoly araka ny nandidiana
azy ka nentiny tamin’ iny alina iny hankany Antipatria». Avy tany dia nanohy ny
diany niaraka tamin’ ilay mpifatotra hatrany Kaisaria ireo miaramila mpitaingin-
tsoavaly ireo, fa izy efa-jato lahy kosa niverina tany Jerosalema».
Dia natolotr’ ilay manamboninahitra niandraikitra ny fitondrana an’ i Paoly
an’i Feliksa ity mpifatotra ity, ary koa ny taratasy nalefan’ny mpifehy arivo
taminy:

360
«Klaodia Lysia miarahaba an’ i Feliksa mpanapaka tsara indrindra. Ity lehilahy
ity dia nosamborin’ ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana
izy, dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy. Ary satria ta-hahalala tsara
izay niampangany azy aho, dia nentiko nidina ho eo amin’ny Synedriona izy; dia
hitako fa adi-hevitra ny amin’ ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy
niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy. Ary rehefa voalaza
tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana
hitondra azy aty aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko nilaza aty
anatrehanao izay iampangany azy».
Rehefa nandinika izany tatitra izany Feliksa dia namototra ny amin’ ny
tany niavian’ ity mpifatotra ity, ary efa nambara taminy fa avy any Kilikia izy,
dia izao no teniny: «Hihaino tsara ny teninao aho rehefa tonga aty ny mpiampanga
anao, dia nasainy nambenana tao an-dapan’ i Heroda izy ».
Tsy vao voalohany izao no nanafenana ny mpanompon’Andriamanitra tao
amin’ ny, tanin’ ny jentilisa mba hiarovana azy amin’ ny teti-dratsin’ ny Jiosy.
Noho ny hatezerany tamin’i Paoly dia mbola nampiany hafa koa ny heloka
bevava nataony ho fanampin’ izay rehetra efa nasehony tamin’ ny lasa, fa mbola
nanamafy ny fony tsy handray ny fahamarinana indray izy, ka tainin’ izany no
namerany ny ho aviny.
Vitsy ny mpino mahatakatra ny hevitry ny tenin’ i Kristy, raha tao amin’
ny synagogan’ i Nazareta Izy, ka niseho ho Ilay Voahosotra nambaran’ i Isaia
mialoha. Nambarany fa tonga Izy hampionona sy hitahy ary hamonjy ny mpanota
sy izay ampijaliana. Rehefa hitany fa nanjaka tao am-pon’ ny mpihaino azy ny
avonavona sy ny tsy finoana, dia nampahatsiarovin’ i Jesosy tamin’ireny fa
nampiodina ny Tavany tamin’ io firenena voafidy io Andriamanitra fahiny, satria
tsy nino izy sady nikomy taminy; ka dia tany amin’ny jentilisa indray no
nisehoany satria ireny tsy mba nandà ny fahazavan’ ny lanitra. Nampifanaraka ny
fiainany tamin’ny fahazavàna voarainy na ilay vehivavy mpitondratena
tany Zarefata, na i Namana Syriana. Eo imason’ Andriamanitra dia nanana
fahamarinana kokoa noho ny firenena voafidy izy ireo, Satria io firenena io dia
nivadika taminy, ka nanary ny finoany mba hifandraisany tendro amin’ ny
fisainana sy ny voninahitry ny tany.

361
Nanambara fahamarinana mahatsiravina tamin’ ny mponina tany Nazareta
Kristy, raha nolazainy taminy fa tsy misy fiarovana ho an’ ny mpanompo
mahatokin’ ny filazantsara eo anivon’ny vahoaka manohitra ny marina. Tsy nisy
nankasitrahan’ ireo na ny fahamendrehan’i Kristy, na ny asa nataony. Na dia
nihambo ho nanome voninahitra an’ Andriamanitra sy tia ny fireneny aza ireo.
mpanapaka tao amin’ ny Jiosy, dia tsy hafa izy ireo fa fahavalon’ny namany avy.
Noho ny fampianarany sy ny ohatra nasehony no nanosehany ireo mpiray
tanindrazana aminy tsy hankato an’Andriamanitra; koa dia tsy azon’ ny
Mpamonjy natao intsony ny namonjy azy tamin’ ny androm-pahoriany.
Ny faniniana nanamelohan’ ny Tompo ny mponina tao Nazareta dia azo
nampiharina koa, tsy ho an’ ny Jiosy tsy mpino ihany, fa ho an’ ireo rahalahiny
ao amin’ ny finoana koa, toy izay niseho tamin’ i Paoly. Fa raha mba niala tamin’
ny toe-tsaina feno fangidiana hankahala an’ i Paoly ireo mpitari-pivavahana ireo,
ka nanaiky azy ho mpanompo voatendrin’ ny Tompo hitory any amin’ny jentilisa,
dia ho navelany hiasa teo aminy izy. Tsy sitrapon’Andriamanitra ny hamarana
haingana toy izany ny asan’ i Paoly; kanefa kosa tsy nanao fahagagana hisakana
ny fizotran’ ny tetika nokotrehin’ny filoham-piangonana Izy.
Toy izany koa ny amintsika ankehitriny. Mbola io toe-tsaina io ihany
matetika no hita amin’ izao fotoana izao. Raha tsy raharahaina sy tsy hararaotina
ny fisehoan’ ny fahasoavan’Andriamanitra, dia ny fiangonana no tsy mahazo ny
fitahiana mitafotafo. Impiry impiry akory ny Tompo no te hampaharitra
kokoa ny asan’ ny mpanompony mahatoky, raha mba fantatry ny olona ny
fikelezan’ aina ataon’ ireny. Fa raha avelan’ ny mpino hanadombo ny sainy kosa
i Satana, mba hanova endrika ny teny sy ny asan’ ny mpianatr’ i Kristy, ka ho
sahy hisakana ny asany izy, dia ho foanan’ ny Tompo ny fitahiana efa nomeny
azy.
Miasa tsy an-kijanona amin’ ny alalan’ ny mpanompony i Satana, mba
hanakivy sy hahavery ireo izay nofidin’ Andriamanitra hanatontosa asa lehibe sy
mendrika. Na dia vonona hanolotra ny ainy aza ireny mpanompo ireny ho
fampandrosoana ny asan’ i Kristy, dia mbola azon’ilay fahavalo ratsy atao ihany
ny hampiditra fisalasalana ao am-pon’ny olona, ny amin’ ireny mpanompon’
Andriamanitra ireny. Ka rehefa mikiribiby ao amin’ ny fisalasalana ny Kristiana
dia tsy hino intsony ny fahamarinan’ ny mpitory izy, ka ho voasakana ny ezaka
tokony
362
hataony. Matetika azon’ i Satana atao ny mandentika ireny mpitory ireny ao
amin’ ny fahakiviana mafy; nefa kosa mamonjy azy Andriamanitra ka manome
azy fialan-tsasatra.
Rehefa miforitra tsy fidiny eo ambonin’ ny tratra tsy misy fo mitepo
intsony ny tanana, ka mangina ny feo nanambara fanairana sy fampaherezana,
amin’ izay dia ho tsapan’ ilay nanamafy ny fony ny hasoan’ ny fitahiana natobaka
teo aminy, nefa nariany. Koa dia ny fahafatesana no manatanteraka eo aminy izay
tsy vitany fony fahavelony.

363
39

Ny fitsarana
tany Kaisaria

Rehefa tonga dimy andro tany; Kaisaria i Paoly, dia tonga tany Jerosalema
ireo mpiampanga azy, niaraka tamin’ i Tertylo, izay mpandaha-teny nalain’ izy
ireo ho mpisolovava sy mpanolo-tsaina azy.
Vetivety foana dia vita ny famotorana an’i Paoly, ka nentina teo amin’ ny
lapa ny voampanga, ary nanomboka «niampanga azy» i Tertylo. Noheveriny fa
ny fandokadokafana an’ilay mpitsara romana no hisy vokany kokoa noho ny
famelabelarana amim-pahatsorana ny tarehin-javatra. Koa noho izany dia
nanomboka nideradera an’ i Feliksa ity mpandaha-teny fetsilahy ity: «Hianao no
ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nantpandry tsara ity firenena
ity; koa raisinay amin’ ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry
Feliksa tsara indrindra ô».
Nanao lainga marivo tototra i Tertylo, satria i Feliksa dia lehilahy ratsy
fanahy sady tsy maha te hanaja. Voalazan’ny tantara nosoratan’ i Tacite, fa ity
Feliksa ity dia « sady nampiseho hasiahana lozantany sy faharatsiam-
pitondrantena mahatsiravina, no nanao fitondrana toy ny toe-tsaian’ andevo na
dia teo amin’ ny toeran’ny mpanjaka aza»1.
Mifototra amin’ ny Asan’ ny Apostoly 24 ity toko ity.
1) Tacite, Hist., chap. V, par. 9

365
Tsy sarotra tamin’ ireo nihaino an’ i Tertylo ny nilaza fa tsy nisy marina ny teny
feno fandokafana nataony tamin’ i Feliksa: nefa nahery tao an-tsainy noho ny
fitiavana ny fahamarinana ny hampanaiky an’ i Feliksa hanameloka an’ i Paoly.
Nampangain’ i Tertylo tao amin’ ny lahateniny i Paoly «fa tena ratsy
fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny; ary izy no tari-dàlan’
ilay antoko atao hoe Nazarena. Izy io koa nitady handoto ny tempoly; dia
nosamborinay izy». Manaraka izany dia nohazavain’ i Tertylo fa i Lysia, izay
komandin’ ny tafika tany Jerosalefna, dia niaro an’ i Paoly tsy ho azbn’ ny Jiosy,
tamin’ny fotoana saika hitsarany azy indrindra araka ny lalàna ara-pivavahana,
ary izany no naha-voatery azy hitondra ny raharaha eo anatrehan’ i Feliksa. Ny
nokendreny tamin’ izany fanambarana izany dia ny hamporisika ny mpitsara
hanolotra an’ i Paoly hotsarain’ny Jiosy.
Samy nanizingizina nanamarina ny fiampangana ny Jiosy rehetra nanatrika
teo, ka mora taminy ny nampiseho ny fankahalany an’ ity mpifatotra ity.
Feliksa kosa nahira-tsaina ka nahafantatra avy hatrany ny fikasana sy ny
toe-tsain’ireo mpiampanga. Fantany ny antony nanaovana teny fandokafana azy,
mba tsy hidirana amin’ ny an-tsipiriany teo amin’ ny fiampangana an’ i Paoly.
Dia nitodika tany amin’ ny voampanga izy ka nibaiko azy hiteny. I Paoly kosa
tsy mba nandany andro nandokadoka an’ i Feliksa, fa nambarany tamim-
pahatsorana fa manana fahasahiana hiaro tena eo anatrehan’i Feliksa izy, satria
fantany fa mpitsara efa za-draharaha izy io, koa noho izany dia nahafantatra tsara
ny fomba sy ny lalàn’ ny Jiosy. Nohazavainy àry fa tsy nisy nitombina ny
fiampangana rehetra natao taminy, fa tsy nanetsika fikomiana na oviana na
oviana izy tao Jerosalema, na nandoto ny tempoly. «Tsy nisy nahita ahy niady
hevitra tamin’ olona teo an-kianjan’ ny tempoly, na nampitabataba ny vahoaka
tao amin’ny synagoga, na tao an-tanàna, ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao
izay zavatra iampangany ahy ankehitriny». Nambarany, «fa araka ny fampia-
narana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an’ Andriamanitry ny razako,
sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin’ny lalàna sy ny mpaminany». Ary
mino ny fitsanganan’ ny maty aho, hoy izy, araka ny fampianaran’ ny Soratra
Masina. Ary nolazainy fa ny fitsipi-piainana arahiny dia ny «hanana fieritre-

366
retana tsy manameloka ahy na amin’ Andriamanitra na amin’olombelona
mandrakariva ».
Nohazavainy tamin’ ny fomba tsotra sy mazava ny antony niakarany tao
Jerosalema, sy ny fomba nisamborana azy. «Nony afaka taona maro, hoy izy, dia
tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an’ ny fireneko. Ary tamin’ izay dia
hitany voadio teo an-kianjan’ ny tempoly aho, tsy tamin’ ny olona maro anefa
na tamin’ ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia, tokony hiseho eo
anatrehanao ireo, mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangâny ahy.
Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany, raha nitsangana teo
anatrehan’ny Synedriona aho, afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay
nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin’ny fitsanganan’ ny maty
no itsarana ahy eto anatrehanareo anio».
Ny apostoly Paoly dia niteny tamim-pahasahiana sy fahatsoram-po
tanteraka, ka nitafy hery mahataona mahatalanjona ny fiteniny. Raha nanoratra
ho an’ i Feliksa i Klaodia sy Lysia dia toy izany koa no fomba nilazany ny amin’i
Paoly. Afa-tsy izany, i Feliksa dia nahafantatra betsaka ny amin’ ny fivavahan’
ny Hebreo, fa tsy araka ny fiheveran’ ny sasany azy.
Ny fanazavana nibaribary nataon’ i Paoly ny amin’ ny toe-javatra itsarana
azy no nahafantaran’i Feliksa mora foana nyantony nahatonga ny Jiosy
hiampanga azy ho mpampisara-bazana ny firenena sy mampikomy vahoaka. Koa
dia tsy tian’ ilay governora ny hamela ny Jiosy hanameloka tsy an-drariny ity
lehilahy manana zo Romana ity. Tsy tiany ihany koa ny hanolotra an’ i Paoly
eo am-pelatanan’ ny fahavalony, ndrao dia vonoiny ho faty izy, kanefa tsy mbola
voatsara ara-dalàna akory. Ny tena marina anefa dia izao; matoa nanao toy izany
i Feliksa dia ny fitadiavany tombontsoa ho an’ny tenany, satria fatra-pitady
dokadoka sy fisondrotam-boninahitra izy. Na dia tsy te hanafintohina ny Jiosy
aza izy, dia tsy nisy azony natao afa-tsy ny nanome rariny ity lehilahy fantany fa
tsy manan-tsiny ity. Noho izany dia nanapa-kevitra izy fa harnpihemotra ny
fitsarana mandra-pahatongan’i Lysia, ka hoy izy; «Rehefa tafidina aty Lysia, dia
hofotorako tsara ny raharahanareo ».
Koa dia mbola nifatotra ihany i Paoly; nefa kosa nobaikoin’i Feliksa ny
kapiteny mpiambipa azy, mba hanome fahalalahana azy, ary tsy handrara ny
havany izay ho avy hanompo azy.
367
Nony afaka fotoana vitsivitsy dia nampiantso an’i Paoly i Feliksa sy
Drosila vadiny mba hamototra azy manokana ny amin’ny finoana an’i Kristy.
Naniry mafy hahafantatra ny amin’io fampianarana vaovao io izy — dia io
finoana io, izay angamba tsy hisy fotoana handrenesany fanazavana ny aminy
intsony, kanefa hampamoahana azy amin’ny andro fitsarana, raha mikiribiby
handà azy izy.
Noheverin’ i Paoly fa lahatra avy tamin’ Andriamanitra mihitsy io fotoana
io, ka dia nataony izay hanararaotana izany tanteraka. Fantany fa teo anatrehan’
ilay manana fahefana feno hampamono na hanafaka azy izy; kanefa tsy nanao
teny fandokafana an’ I Feliksa na Drosila mihitsy izy na kely aza. Fantany fa ny
teny ambarany dia ho hanitra hitondra fiainana na fahafatesana. Tsy nitady izay
hanindrahindrana azy i Paoly, fa nataony kosa izay hahatakaran’ ny sain’ izy
mivady ny amin’ ny loza mananontanona azy.
Fantatr’ i Paoly fa manana fahefana amin’ ny olona rehetra mihaino azy ny
Filazantsara, ka indray andro any, i Feliksa sy Drosila dia, na ho anisan’ ny olo-
marina sy masina hijoro eo anoloan’ny seza fiandrianana fotsy lehibe, na ho
anisan’ ireo izay hilazan’ny Tompo hoe: «Mialà amiko hianareo mpanao
meloka»2. Azony antoka fa mbola hifanatrika amin’ ny mpihaino azy rehetra eo
anatrehan’ ny fitsaran’ny lanitra izy, ka izy Paoly dia hampamoahina, tsy noho
ny asa sy ny teny rehetra nataony ihany, fa noho ny toe-tsaina nanaovany izany
koa.
Lehilahy nasiaka sy lozabe mantsy i Feliksa, ka vitsy ny olona sahy tahaka
an’i Paoly hanome tsiny ny fitondrantenany sy ny toetrany. Tsy natahotra olona
anefa i Paoly, fa nambarany ampahi-bemaso ny finoany an’ i Kristy sy ny antony
ijoroany amin’ izany. Koa dia azony natao ny nanambara manokana ny amin’ ny
toetra mampiavaka ny Kristiana - toetra tsara izay niharihary fa tsy mba nananan’
ireto mpivady feno rehareha ireto.
Nasehony tamin’ i Feliksa sy Drosila ny toetran’ Andriamanitra, ny
fahamarinany, ny fahitsiany, ny tsy fanaovany fanavakavahana, ary koa ny
toetran’ ny lalàny. Nohazavainy taminy, tamin’ ny fomba mampiaiky volana, fa
ny adidin’ ny olona dia ny hivelona ao amin’ ny fahononana sy amin’ ny
fifehezan-tena, ka hametraka, ny filany eo ambany fifehezan’ ny rariny, dia ny
lalàn’ Andriamanitra, ary koa ny hitahiry ny herim-batany sy ny herim-panahiny
ao amin’ ny fahafènoany.
368
Ho avy ny andro, hoy izy, izay hitsârana ny olona rehetra, «araka ny asany
avy». Ho hitany amin’ izany fotoana izany fa tsy misy hahazoany sitraka amin’
Andriamanitra, na hanafaka azy amin’ny ota, na ny harena, na ny toerana, na ny
voninahitra. Nasehon’i Paoly fa ity fîainana ity dia tokony ho fotoam-piomanana
ho amin’ ny fiainana ho avy. Raha ataony an-tsirambina ny tombontsoa ananany
ety an-tany ankehitriny, dia hihatra aminy ny fahafatesana mandrakizay, ka tsy
hisy famonjena ho azy mihitsy.
Nohizingizinin’ i Paoly indrindra ny amin’ ny tokony hankatoavana ny
didin’Andriamanitra. Afaka hitsofoka ao anatin’ ny olona lalina indrindra ny
lalàna, ary afaka hanazava izay rehetra, tsy hitan’ ny maso na takatry ny saina.
Izay azon' ny tanana atao, na. azon’ny lela ambàra, mbamin’ny fisehoan’ny
fiainana rehetra eo ivelany, dia tsy mbola ahitana tanteraka ny toetran’ ny olona
iray. Fa ny lalàna kosa mandinika ny fieritreretàna sy ny toe-tsaina ary ny
fikasana. Ny filàn-dratsy izay tsy hitan’ny hafa, ny fialonana, ny fankahalana, ny
fimatimatesana amin’ny fahafinaretana, ny hambom-po, ny asa ratsy izay
mitampify any amin’ny faritra miafina indrindra amin’ ny fanahy, kanefa
tsy notanterahina noho ny tsy fisian’ ny fotoana tokony ho nanaovana azy - ireny
rehetra ireny dia samy melohin’ny lalàn’Andriamanitra.
Niezaka i Paoly mba hàmpifantoka ny sain’ ireo mpihaino azy ho eo amin’
Ilay nanolotra ny ainy hisolo ny mpanota. Nampaha-tsiaroviny azy ny amin’ ireo
fombam-pivavahana izay tandindon’ny zavàtra ho avy, ka nabaribariny fa Kristy
no notandindomin’ireny fombam-pivavahana aloka rehetra ireny, sady Izy ihany
no hany loharanom-panantenana sy fiainana ho an’ny olom-bery. Ireo olona
tamin’ny andro taloha dia novonjena noho ny fanantenany ILay hovonoina atÿ
aoriana; teo am-pàndinihana ny fialan’ ain’ny biby novonoiny natao fanatitra no
nahitany mialoha an’Ilay Zanak'ondrin’Andriamanitra izay ho avy hanaisotra ny
fahotan’ izao tontolo izao.
Rariny raha mitaky fitiavana sy fankatoavana avy amin’ny voahariny
Andriamanitra. Nomeny azy tao amin’ ny lalany ny fitsipika mahitsy tànteraka.
Maro loatra anefa no manadino ny Mpahary ka manaraka ny sitrapon’ ny tenany,
kanefa tena mifanohitra tanteraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izany. Aleony

24 — Vavolombelona Mahery
369
ny fankahalana toy izay ny fitiavana — dia ilay fitiavana midadasika noho ny
voahary manontolo, ary avo noho ny lanitra. Tsy azon’Andriamanitra atao ny
hampietry ny lalàny hitovy lenta amin’ny faharatsian’ ny olona; ary ny olona koa
dia tsy afaka hanatanteraka izay tadiavin’ny lalàna amin’ ny herin’ny tenany
irery. Amin’ny finoana an’ i Kristy ihany no ahazoan’ny mpanota fanadiovana
amin’ny fahotany sy ahazoany mankato ny didin’ny Mpahary. Noho izany no
nanizingizinan’i Paoly, mpifatotra, ny amin’ ny tokony hankatoavana ny Didy
Folo, na ho an’ny Jiosy na ho an’ ny jentilisa; ka nasehony kosa fa Jesosy avy
any Nazareta, izay notsiratsirain’ny olona, no Zanak’Andriamanitra sy
Mpanavotra izao tontolo izao.
Fantatr’ i Drosila tsara ny fahamasinan’ny lalàn’Andriamanitra satria
andriambavy Jiosy izy; ary tsapany fa nandika izany an-kitsirano izy; nefa
nanamafy ny fony ny fiheverany diso an’Ilay maty tao Kalvary, ka tsy nety
nandray ny Tenin’Andriamanitra izy.
Feliksa kosa dia tsy mbola nandre ny fahamarinana hatramin’izay, ka
rehefa niasan’ ny Fanahin’ Andriamanitra izy, dia velon’eritreritra mafy, ka raiki-
tahotra. Niloa-bava mihitsy aza izy, rehefa nifoha ny fieritreretany, ka tsapany fa
marinat avokoa ny Tenin’Andriamanitra nambara taminy teo. Nitamberina tao
an-tsainy ny fiainany feno ota tamin’ ny lasa; hivandravandra teo anatrehany ireo
fanaranam-po tamin’ ny fitondrantena maloto sy ny faharatsiana rehetra vitany
fony mbola tanora, ary koa ireo asa ratsy mahavoafady nataony vao haingana.
Nihanjahanja teo amin’ny tena faharatsiany izy, lozabe, liandra, fatra-pitia
harena. Tsy mbola nisy fotoana nahatafiditra lalina tao am-pony ny
fahamarinana toy izao. Ary na oviana na oviana koa tsy mbola feno hovitra toy
izao ny fanahiny. Ny fahafantarany fa ny fiainany feno heloka bevava dia
nibaribary teo anatrehan’ Andriamanitra, ary tsy maintsy hotsaraina araka ny
asany izy, no nampangitakitaka azy.
Nefa tsy nitolo-batana tao amin’ ny fibebahana izy, fa nitady lalana kosa
hampihataka ny sainy amin’ ny fahamarinana manorisory. Notapahiny tampoka
ny resaka, ka hoy izy: «Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao
indray aho».
Endrey ny fahasamihafan’ ny toetran’ i Feliksa sy ny an’ilay mpiandry
tranomaizina tany Filipy! Nentina teo anatrehan’ilay mpiandry tranomaizina ny
mpanompon’ Andriamanitra voagadra.
370
tahaka an’i Paoly nentina teo anatrehan’i Feliksa. Notohanan’ny herin’
Andriamanitra ireo mpanompony nifatotra ireo. Ny fifaliana tao amin’ ny
fijaliana sy ny fanevatevana azy, ny herim-po nasehony rehefa nihorohoro ny
tany, ny toe-tsaina kristiana nabaribariny tamin’ ny namelany ny heloky ny
mpamatotra azy dia nampiaiky ny fon’ny mpiandry ny tranomaizina. Niaiky ny
fahotany tamim-pangovitana izy, ka nahazo famelan-keloka.
Nangovitra koa i Feliksa, nefa kosa tsy nety nibebaka. Ilay mpiandry ny
tranomaizina nandray haingana ny Fanahy Masina, niaraka tamin’ny
ankohonany. I Feliksa kosa nibaiko Ilay irak’Andriamanitra mba hihataka aloha.
Ny iray nifidy ny ho tonga zanak’Andriamanitra sy ho mpandova ny lanitra; ary
ilay iray kosa nifidy ny hampiray ny anjarany amin’ ny «mpanao ratsy».
Nandritra ny roa taona dia tsy nisy fangatahana hanafahana an’i Paoly, fa
mbola nitoetra ho mpifatotra ihany izy. Namangy azy matetika i Feliksa, ary
nohenoiny tamim-pahalianana ny teniny kanefa ny tena anton’ izany fanehoam-
pifankatiavana izany dia ny faniriany hahazo vola avy tamin’i Paoly.
Nampahafantariny an’i Paoly tokoa mantsy fa raha mety hanome vola azy izy,
dia hafahany madiodio. Nanana fahamendrehana ambony loatra anefa i Paoly ka
tsy te hanao tsikombakomba hahazoany fahafahana. Tsy nisy ratsy nataony, ka
tsy tiany ny hietry ka hampiasa fomba tsy marina. Sady izy koa tsy manana na
inona na inona, ka tsy afaka handoa onitra be toy izany; ary na dia nihevitra ny
hanao izany aza izy, dia tsy azony natao ny niangavy ny fitiavana sy
ny fahalalahan-tanan’ ny olony voataonany ho Kristiana mba hanao tetika
maizina hahafaka azy tamin’ ny fifatorana. Fantatr’i Paoly fa teo am-pelatanan’
Andriamanitra ny ainy, ka tsy tiany ny hiditra amin’ ny « lalana ambanin’ ny tany
» toy izany mba hahafaka azy.
Nony farany dia voantso tany Roma i Feliksa noho ny fampijaliana nataony
tamin’ny Jiosy. Ka talohan’ ny nialany tany Kaisaria, dia navelany mbola
hohazonin’ny Jiosy ihany i Paoly, mba hilany sitraka amin’ ireo. Nefa tsy nàtoky
azy intsony ny Jiosy, fa naetry voninahitra izy, ka i Festosy indray no nandimby
toerana azy.
Nisy tara-pahazavan’ ny lanitra niantefa tao ampon’ i Feliksa raha nitory
taminy ny amin’ ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy ny
apostoly Paoly. Tamin’ io fotoana nomanin’ Andriamanitra io no nampiharihary
taminy ny fahotany
371
sy ny tokony hibebahany. Kanefa izao no teniny tamin’ny irak’Andriamanitra:
« Mandehàna angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho». Tsy
noraharahainy io fotoana tokana niangavian’ ny fahasoavan’ Andriamanitra azy
io, ka tsy nandre antso avy tamin’Andriamanitra na oviana na oviana intsony izy
taorian’ izany.

372
40

Nangataka hotsaraina
teo anatrehan’ i Kaisara i
Paoly

«Ary Festosy, nony tonga teo amin’ ny zara-fanapatiany, dia niala tany
Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana. Ary ny lohan’ ny
mpisorona sy ny olona manan-kaja tamin’ ny Jiosy nanambara taminy izay
niampangany an’i Paoly, sady niangavy taminy ka nangataka azy hohelohina,
mba hampanalainy Hankany Jerosalema».
Izay notetehin’ ny Jiosy tamin’ izany tolo-kevitra narosony izany dia ny
hanotrika eo amin’ ny lalana mankany Jerosalema» mba hamonoany an’i Paoly.
Nahatsapa ny halehiben’ ny andraikiny kosa i Festosy, ka nolaviny tamim-
panajana ny handefasana an’i Paoly, ka hoy izy: «Tsy fanaon’ny Romana ny
manolotra olona, raha tsy mbola mifanatrika ny ampangaina sy ny mpiampanga,
ka mahazo mandahatra manala tsiny ny tenany ny amin’izay niampangan’
ireo azy izy ». Ary nambarany fa na ny tenany koa azà dia hankany Kaisaria ato
ho ato. «Koa izay manam-pahefana eto aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midina
amiko, ka hiampanga an-dralehilahy, raha manan-keloka izy».
Tsy nampoizin’ny Jiosy ho toy izany mihitsy ny fandehan-javatra, satria
tsy hadinony ny tsy fahombiazanà efa nihatra taminy teo aloha. Ny fiarovan-tena
tamin’ ny fahatonian-tsaina nataon’i Paoly sy ny hevitra mafonja tsy azo
notoherina nambarany dia nifanipaka loatra tamin’ ny saim-petsy nananan’ ireo,
sy ny fiampangana tsy mari-pototra najorony izay nihanjahanja ny tsy
Mifototra amin’ ny Asa 25 : 1 - 12 ity toko ity.

373
fetezany. Koa dia nikiry izy ireo ny handefasana an’i Paoly tany Jerosalema mba
hotsaraina any. I Festosy kosa tsy azo nahodina tamin’ny heviny ny amin’ ny
hanaovana fitsarana ara-dalàna an’i Paoly any Kaisaria. Noho ny fiarovan’
Andriamanitra dia nanohana ny fanapahan-kevitr’i Festosy Izy mba hiarovana ny
ain’i Paoly.
Rehefa tsy nahomby ny tetik’ ireo manampahefana teo amin’
ny Jiosy, dia niomana avy hatrany hiampanga an’ i Paoly eo
anatrehan’ ny mpanapaka izy. Rehefa tafaverina avy tany Jero-
salema i Festosy ka tonga tany Kaisaria, «dia nipetraka teo amin’
ny fitsarana izy, ka nasainy halaina Paoly. Ary nony tonga izy,
dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izày nidina avy tany
Jerosalema, ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohama-
rinina akory, no niampangany azy». Tsy nanana mpisolovava mantsy
ny Jiosy, ka naleony izy ihany no hanangana fiampangana an’ i
Paoly. Ka nony efa nandroso ny fitsarana, dia hita miharihary teo
amin’ ny endrika tony sy milamina nananan’ i Paoly fa tsy marina
avokoa ny zavatra niampangana azy.
Nazava tamin’ i Festosy fa momba ny fivavahan’ ny Jiosy
fotsiny ihany no fototry ny fiampangana, ka rehefa nandinika tsara
ny toe-javatra izy, dia hitany fa tsy nisy fiampangana azo nekena
hanamelohana an’ i Paoly ho faty, eny, na dia ny hampidirana azy
am-ponja fotsiny ihany aza. Fantany kosa fa hisy firehetam-paha-
tezerana amin’ ny Jiosy raha tsy helohina ho faty i Paoly, na tsy
hatolotra eo am-pelatanan’ ireo, sady izy koa « ta-hahazo sitraka
tamin’ ny Jiosy», dia nitodika teo amin’ i Paoly izy ka nanontany
azy raha tiany ny hoentina any Jerosalema, eo ambany fiarovany,
mba hotsarain’ ny Synedriona any.
Fantatr’ i Paoly kosa fa tsy manantena ny hahazo rariny mihitsy eo amin’
ny vahoaka izy, satria ireo efa nanao heloka bevava ka tsy maintsy hianjeran’ ny
fahatezeran’ Andriamanitra. Fantany fa toy izay nihatra tamin’ i Elia mpaminany,
dia eo amin’ny jentilisa no hahavoaro azy kokoa noho ny eo anatrehan’ireo Jiosy
izay nandà ny fahazavan’ny lanitra ka nanamafy ny fony. Efa trotraky ny tolona
maro izy, ka na dia nanana saina mavitrika aza, dia tsy nahatanty intsony ny
fampihemorana tsy misy farany ny fitsarana sy ny famatorana azy; koa noho
izany dia tapa-kevitra izy fa hihazona ny zo maha-vahoaka romana azy, ka
hangataka hotsarain’ i Kaisara.
374
Ho valin’ ny fanontaniana napetrak’i Festosy taminy dia izao no
nambaran’ i Paoly: «Eto amin’ ny fitsaran i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy,
no itsanganako. Tsy nanisy ratsy ny Jiosy akory aho, ary na hianao aza dia
mahafantatra izany marina. Koa raha mpanao ratsy aho, na nanao izay tokony
hahafaty ahy, dia tsy mandà ho faty aho; fa. raha tsy marina kosa izay zavatra
iampangan’ ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo manolotra ahy ho amin’ ny
sitrapony. Handahatra eo anatrehan’ i Kaisara aho».
Tsy nahafantatra velively ny fanotrehan’ny Jiosy mantsy i Festosy, dia ny
fahatapahan-keviny hamono azy eny an-dalana ho any Jerosalema, ka gaga izy
nahare an’ i Paoly nangataka hotsarain’ i Kaisara. Ka dia nifarana hatreo ny
fitsarana. azy. «Ary rehefa niresaka tamin’ ny mpanolo-tsaina Festosy, dia
namely hoe: efa nifidy ny handahatra any anatrehan’ i Kaisara hianao, ka dia ho
any amin’ i Kaisara ihany hianao».
Hita teto indray koa àry fa nitady fialofana tany amin’ny jentilisa ny
mpanompon’ Andriamanitra, noho ny fankahalan’ny Jiosy azy, izay nikiribiby
tamin’ ny heviny sy niantehitra tamin’ny fahamarinan’ ny tenany.
Niharan’ny fankahalana toy izany koa ny mpaminany Elia, ka lasa nitady
fierena tany amin’ ilay vehivavy mpitondrantena tany Zarefata; toy izany koa ireo
mahery fon’ ny filazantsara izay voatery niala tamin’ ny Jiosy ka nitodika hitory
ny filazantsara tany amin’ ny jentilisa. Amin’izao androntsika izao koa, ny
vahoakan’Andriamanitra dia tsy maintsy hiharan’ ny fankahalana, satria mbola
ao dia ao ny avonavona, ny fisehoana ivelany ho mpivavaka sy ny fitiavan-tena
nisy teo aloha ary mbola hita ao amin’ny Kristiana sandoka ankehitriny; mbola
misy koa ny toe-tsaina te hanjakazaka izay nibahan-toerana lehibe tao amin’ ny
fon’ny Jiosy fahizay. Tsy ho ela akory dia hisy olona hilaza ny tenany ho
solontenan’i Kristy, kanefa hanao fihetsika toy izay hita teo amin’ ny mpisorona
sy ny mpitsara an’i Kristy sy ny apostoly fahiny. Hisy fizahan-toetra mahamay
handalovan’ ny zanak’Andriamanitra, ka tsy maintsy hisetra fahamafisam-po sy
hasiahana ary fankahalana miridiridy toy ny teo aloha koa izy.
Mila fahasahiana sy fijoroana ary fahalalana lalina an’Andriamanitra sy ny
Teniny izay rehetra te hanompo ny Tompo amin-kerim-po, ka hanaraka ny
baikon’ ny feon’ny fieritre- retany, rehefa tonga ny andro sarotra. Tsy maintsy
henjehina mantsy izay te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’ Andria-

375
manitra. Hoendrikendrehina ho mpanao ratsy izy, ary ny fikasana tsara indrindra
kendreny hotanterahina dia havadika ho ratsy; ary na ny anarany aza dia hosoram-
potaka. Hampiasa hery mamitaka i Satana mba hangejany ny fo sy
hanamaizinany ny saina, ka ny ratsy dia hasehony ho tsara. ary ny tsara hasehony
ho ratsy.
Vao mainka hahery sy hamirapiratra ao amin’ ny fahadiovana kosa ny
finoan’ ny vahoakan’ Andriamanitra; ary vao mainka ho tapa-kevitra hijoro amin’
ny fankatoavana Azy izy. Nefa arakaraka izany koa no hahamafy ny ady hataon’
i Satana aminy ka hamporisihiny ny fahavalo hirohotra hampihatra fahatezerana
aminy, - dia fahavalo izay mihambo ho marina, nefa manitsakitsaka ny didin’
Andriamanitra. Tsy maintsy haneho fitokisana tsy azo hozongozonina an’
Andriamanitra ireo izay te hihazona ny finoany, dia ny finoan’ny olona masina,
ary tsy maintsy hanao fanapahan-kevitra faran’izay feno hasahiana tokoa izy.
Tian’ny Tompo raha manan-kery hiatrika ny fanenjehana mafy tsy maintsy
hihatra aminy afo ho ato ny vahoakan’ Andriamanitra. Na ho vonona izy, na tsy
ho vonona, dia tsy maintsy hiatrika izany. Izay manana fiainana manahaka ny
toetran’ Andriamanitra ihany no hahay hijoro rehefa tonga ny andro fizahan-
toetra sy fitsapana mahamay.
Rehefa mifandray tendro amin’ ny filoha eto an-tany ny filoha ara-
pivavahana ka mamoaka didy hanafoanana ny fahalalahana ara-pivavahana, dia
ho fantatra amin’ izay ireto tena matahotra sy manompo marina ny Tompo. Amin’
ny fotoana hahamainty ny haizina indrindra no hamirapiratan’ ny fahazavan’
Andriamanitra. Rehefa mirodana ny fanantenana rehetra, dia hiharihary kosa ireo
izay manana fahatokiana tsy azo hozongozonina ao amin’ Andriamanitra.
Rehefa indreny fa miambina eny rehetra eny ny fahavalon’ny
fahamarinana mba handringana ny mpanompon’Andriamanitra, ny Tompo kosa
hiaro azy ireny, ka hanisy soa azy. Ho «alo-batolampy lehibe amin’ ny tany
mahana» ho azy ny Tompo.

376
41

«Ataonao ve
fa mora toy izany
no ampanekenao ahy? »

Satria nifidy ny hotsarain’ i Kaisara i Paoly, dia tsy nisy azon’ i Festosy
natao afa-tsy ny nàndefa azy tany Roma. Tsy maintsy mbola niandry kelikely
anefa izy vao hahita sambo tsara. Afa-tsy izany, satria nisy mpifatotra hafa koa
tsy maintsy nampiarahina tamin’i Paoly, sady nilaina ny mbola handinihana ny
momba azy ireo tsirairay avy, dia nahemotra ela ny fiaingana. Nahazoan’io
apostoly io namelabelatra ny fitsipika ny finoany tamin’ ireo manampahefana tao
Kaisaria izany, indrindra koa tamin’i Agripa mpanjaka, izay solontenan’ i Heroda
farany indrindra.
«Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kaisaria Apripa
mpanjaka sy Berenika hiarahaba an’ i Festosy. Ary rehefa nitoetra teo andro maro
izy, dia nambaran’ i Festosy tamin’ ny mpanjaka ny amin’i Paoly, ka hoy izy:
Misy mpifatotra iray ato navelan’ i Feliksa, koa tamin’izaho tany Jerosalema, ny
mpisorona sy ny loholon’ny Jiosy niampanga azy ka nangataka izay hana-
melohana azy». Dia nohazavain’ i Festosy ny anton-javatra naha-voatery an’ilay
mpifatotra hangataka hotsarain’ i Kaisara. Noresahiny taminy ny fitsarana farany
natao ary nohazavainy fa tsy nisy fiampangana mavesa-danja nanamelohan’ ny
Jiosy azy, afa-tsy «adi-hevitra taminy ny amin’ny fivavahany ihany sy ny
amin’ Izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain’ i Paoly ho velona».

Ity toko ity dia mifototra amin’ ny Asa 26 : 13 - 27; 26.


377
Raha mbola nanao izany tatitra izany i Festosy, dia maneho faniriana
fatratra i Agripa, fa hoy izy: «Izaho koa mba te handre izay lehilahy izay. Ary
hoy Festosy: Rahampitso ary dia handre azy ihany hianao».
«Ary nony ampitso, dia tonga Agripa sy Berenika niseho tamin’ ny
voninahitry ny fiandrianany ka niditra teo amin’ny trano fihaonana niaraka tamin’
ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nentina nankeo Paoly araka ny
didin’i Festosy». Ho fanomezam-boninahitra ny vahiny, dia nohararaotin’i
Festosy izany fotoana izany mba hampisehoana zava-kanto mahatalanjona. Samy
nanampy ny, famirapiratan’ny lanonana na ny fitafiana mirentirenty nanaovan’
ny mpanapaka sy ny vahininy, na ny sabatra teo an-tanan’ ny miaramila, na ny
fanamiana marevaka nisaloran’ ireo manamboninahitra ara-tafika.
Indro ary i Paoly, izay mbola nifatotra, niseho teo anatrehan’ny mpivory.
Endrey ny fahasamihafan’ ny zava-niseho! Nanana ny fahefana sy ny
fahalehibeazana i Agripa sy Berenika, ka tototry ny voninahitra. Nefa kosa tsy
teo aminy ny toetra ambony ara-panahy, izay hany ankasitrahan’ Andriamanitra.
Nandika ny didin’ ny Avo Indrindra izy, satria nanana fo ratsy sady niaina
tao amin’ ny fahalotoam-pitondrantena. Fahavetavetana teo anatrehan’
Andriamanitra ny fihetsiny rehetra.
Ilay mpifatotra kosa, efa antitra, voafatotra miaraka amin’ny mpiambina
azy, tsy mba nanana na inona na inona mety hahasintona ny voninahitr’ izao
tontolo izao. Nefa kosa, io lehilahy toa tsy nana-namana io, tsy nanam-pananana,
tsy nanana anaram-boninahitra, fa voafatotra kosa noho ny finoany ny Zanak’
Andriamanitra, dia nobanjin’ ny lanitra manontolo. Ny anjely no niambina azy;
ka raha mba niseho vatana teo ny iray amin’ireny iraka be voninahitra ireny, dia
ho vasoka eo anatrehany ny rentirenty sy ny fiandrianan’ ny mpanjaka. Ny
mpanjaka sy ny mpanotrona azy ho lavo amin’ ny tany, toy ireo miaramila
romana niambina ny fasan' i Kristy.
Dia nanolotra an’ i Paoly tamin’ ny mpivory i Festosy, ka hoy izy: «Ry
Agripa mpanjaka sy izay rehetra eto amintsika, hitanareo io lehilahy io, izay
notarainin’ ny Jiosy rehetra tamiko na tany Jerosalema na teto koa, ka nataony
antso avo hoe: Tsy tokony hovelomina intsony ilehio. Nefa nony hitako fa tsy
nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany no ta-handa-

378
hatra amin’ ny mpanjaka, dia nanaiky hampanatitra azy aho; Ny amin’ io lehihy
io tsy hitako izay tena marina hosoratako amin’ny tompoko, koa dia nentiko eto
anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba
hadinina izy, ka dia hohitako izay hosoratako. Fa ataoko fa tsy mety ny
mampanatitra mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy».
Dia nasain’ ny mpanjaka Agripa niteny i Paoly. Samy tsy nampiraika an’io
apostoly io, na ny lanonana mahajemby maso, na ny firentirentin’ ny mpivory,
satria fantany fa na ny harena eto amin’ izao tontolo izao, na ny toerana be
voninahitra indrindra dia samy tsy misy vidiny firy. Tsy nampihena ny herimpo
sy ny fahasahian’i Paoly na kely aza ny famirapiratana sy ny fahefan’ny tany. Dia
hoy izy: «Ny amin’ ny zavatra rehetra iampangan’ny Jiosy ahy, ry Agripa
mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny
ny tenako eto anatre-hanao anio, indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny
ady hevitra rehetra amin’ ny Jiosy; koa trarantitra hianao, mba mahareta hihaino
ahy».
Dia notantarain’ i Paoly ny niovany fo, izy izay nanenjika tamin’ny fony
rehetra ny finoana an’ i Jesosy avy any Nazareta, kanefa Mpanavotra an’ izao
tontolo izao. Dia notantarainy ny fahitana azôny avy tany an-danitra, izay
nahatonga tahotra mafy taminy aloha, nefa nony avy eo dia nanjary loharanom-
piononana lehibe ho azy. Fanehoana taminy ny voninahitr’ Andriamanitra
izany, satria niseho taminy, nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany, Ilay
notsiratsirainy sy nankahalainy, ary notadiaviny haripaka mihitsy aza ny
mpianany rehetra. Dia nambaran’i Paoly fa hatramin’ izay fotoana izay dia
nanjary olom-baovao izy, Kristiana mafana fo sy manana fahatsoram-po, satria
novan’ny fahasoavan’i Jesosy.
Tamin’ ny fomba mazava sy tamin’ ny fahefana mahatalanjona no
nitantaran’ i Paoly teo anatrehan’ i Agripa ireo zava-dehibe mikasika ny fiainan’
i Kristy teto an-tany. Nambarany fa efa tonga teto an-tany ny Mesia voalazan’ ny
faminaniana, ary tsy iza izany fa ny tenan’ i Jesosy avy any Nazareta.
Nambaran’ ny Testamenta taloha mialoha fa tsy maintsy ho tonga ety an-
tany ny Mesia, ho toy ny olombelona rehetra; ary tanteraka tao amin’ ny fiainan’
i Jesosy ny faminaniana rehetra
379
nambaran’ i Mosesy sy ny mpaminany. Mba ho famonjena izao tontolo izao very;
dia niaritra ny hazo fijaliana ny Zanak’Andriamanitra ka niharan’ny
fahafambaraka; nefa kosa niakatra any an-danitra rehefa avy nandresy ny
fahafatesana sy ny fasana.
Nahoana, hoy i Paoly tamin’ ireo mpihaino azy, no heverina ho tsy azo
inoana ny fitsanganana amin’ ny maty? Na ny tenany koa aza fahiny, dia nihevitra
izany ho tsy azo tanterahina; néfa ahoana no mbola hahazoany mandà izany ihany
rehefa nahita sy nandre Azy izy? Niseho taminy teo amin’ ny vavahadin’ i
Damaskosy Ilay Mpamonjy vôahombo, nefa nitsangana, indray tamin’ ny maty,
dia io Mpamonjy io izay nitety ny araben’ny Jerosalema, no efa novonoina tany
Kalvary, nefa nanapatapaka ny gadran’ny fahafatesana, ary niakatra ho any an-
danitra. Eny, niteny taminy tokoa Kristy, toy ny nitenénany tamin’ i Kefasy
sy Jakoba sy Jaona ary tamin’ny maro hafa koa. Nobaikoiny izy hitory ny vaovao
mahafalin’ ny nitsangaitany tamin’ny maty. Ataon’i Paoly ahoana no tsy fankato
Azy? Fa na tany Damaskosy na tany Jerosalema, manerana an’ i Jodia sy tany
amin’ ny faritra lavitra indrindra, no nijoroany ho vavolombelon’i Jesosy
voavono, sy nitoriany ny fibebahana sy ny fiovam-po tamin’ ny olona rehetra, ka
nitaomany azy ireny «hanao asa miendrika ny fibebahana».
«Ary izany, hoy izy, no nisamboran’ ny Jiosy ahy teo an-kianjan’ny
tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy. Ary noho ny fitahian’ Andriamanitra ahy
dia mbola maharitra mandrake androany aho ka manambara na amin’ ny kely na
amin’ ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain’ ny
mpaminany sy Mosesy fa ho avy, fa Kristy tsy maintsy mijaly, ary ho voalohany
hitsangana amin’ ny maty ka hitory fahazavana amin’ny olona Isiraely sy amin’
ny jentilisa».
Nihaino tamim-pieritreretana fatratra ny olona, satria voababon’ ny tantara
nataoh’ i Paoly, ka samy gaga nihaino ny fanandramana mahatalanjona niainany
amin’ ny maha-Kristiana azy. Izay tena nivalamparan’ i Paoly indrindra dia ny
foto-kevitra maminy, ka tsy nisy nisalasala ny amin’ ny fahamarinan’ izay
nambarany ny mpihaino azy rehetra. Nefa raha mbola nafana fo tamin’ ny
fandaharan-teny mampiaiky volana i Paoly, dia nanapaka tampoka ny teniny i,
Festosy ka nilaza hoe: «Ry Paoly ô, very saina hianao; ny fianarana be loatra no
efa nahavery saina anao». Fa hoy Paoly:
380
«Tsy very saina aho, ry Fèstosy tsàra indrindra, fa mandahatra tenin’ ny
fahamarinana sy ny fahononana. Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka
dia miteny amin’ ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina
aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin’ ny takona izany». Dia
nitodika tany amin’i Agripa mpanjaka izy ka niteny taminy mivantana
hoe; «Mino ny mpaminany va hianao.? Fantatro fa mino hianao».
Nentanin’ ny fihetseham-po lalina i Agripa, ka nanadino vetivety ny fisian’
ireo nanodidina azy sy ny toerana ambony nananany. Niaiky ny fahamarinan’ ny
teny reny izy, ka tsy nisy hitany, teo anatrehany intsony afa-tsy ilay mpifatotra
manetry tena, ilay solontenan’ Andriamanitra, ka tsy nampoiziny akory dia niteny
taminy izy hoe: «Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho
Kristiana». Amin’ ny dikan-teny hafa dia izao no teniny: «Efa saika resinao
lahatra aho lahy, ka hiova ho Kristiana».
Novalian’ i Paoly haingana izany, ka hoy izy: «Mangataka amin’
Andriamanitra aho, fa na amin’ ny mora na amin’ny sarotra, tsy hianao ihany, fa
izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin’ ireto gadra ireto
ihany».
Tokony ho i Festosy sy Agripa ary Berenika no hitondra ny gadran’ i Paoly,
satria samy nahavita heloka bevava izy ireo. Reny tamin’ io andro io ny antso
handray ny famonjena amin’ ny anaran’ i Kristy; ary ny anankiray tamin’ ireo dia
efa saika voababon’ny fahasoavana sy ny famelan-keloka natolotra azy; nefa
nolaviny izany fahasoavana izany, ary tsy nanaiky hitondra ny hazo fijalian’ny
Mpanavotra izy.
Afa-po tamin’ izay reny ny mpanjaka, ka nitsangana niala tamin’ny seza
fiandrianany ary nanambara fa mifarana ny fivoriana. Ka raha nirava ny mpihaino
dia nifampilaza hoe: «Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy
akory izany lehilahy izany».
Na dia Jiosy aza i Agripa dia tsy mba niray hevitra tamin’ny fahateren-
tsain’ ny Fariseo izy. Satria izao no teniny tamin’i Festosy: «Azo nalefa ihany io
lehilahy io; saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan’ i Kaisara izy». Nefa
satria i Paoly nangataka fitsarana ambony tany Roma, dia tsy afaka hitsara
azy intsony na i Festosy na i Agripa.
381
42

Ny dia nankany Roma


sy ny faharendrehan’
ny sambo

Farany dia nizotra hankany Roma i Paoly. «Ary rehefa voadidy hiondrana
an-tsambo hiala hankany Italia izahay, hoy i Lioka, Paoly sy ny mpifatotra sasany
dia natolotra tamin’ ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin’ ny antokon’ i Aogosto.
Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny
sisin-tanin’i Azia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko
Makedoniana avy any Tesalonika».
Tamin’ ny taonjato voalohany amin’ ny taona kristiana, dia
notandindomin-doza lehibe mandrakariva ny fandehanana an-tsambo. Ny
fipetraky ny masoandro sy ny kintana no nitarihan’ ny mpiantsambo ny diany, ka
rehefa saron-drahona ny lanitra, sady voalaza fa hisy tafio-drivotra, dia tsy sahy
nandeha izy ireny. Misy fotoana tsy nahazoana nandeha an-tsambo mihitsy
nandritra ny volana maromaro, satria tsy azo natao mihitsy izany. Koa dia tsy
maintsy hiharan’ ny fitsapana mahamay ity Apostoly mpifatotra ity, mandritra ny
dia manasatra sy tsy misy farany mankany Italia.
Nihamaivana ihany anefa ny fahoriany, satria navela hiaraka taminy i
Lioka Sy Aristarko. Tao amin’ ny epistily nosoratany ho an’ ny Kolosiana no
nilazany ny amin’i Aristarko, ilay namany teo am-pifatorana. Sitrapon’ ity
namany ity mihitsy ny hiara-mitondra ny fifatorana amin’ i Paoly, satria te
hanampy azy teo amin’ny fahoriana hiaretany izy.

Ity toko ity dia mifototra amin’ ny Asa 27 ; 28 : 1-10.


383
Tsara dia tsara ny fiandohan’ ny dia; tonga tany Sidona ny ampitson’ iny
ny sambo. Rehefa ren’ i Jolio kapiteny, izay «nitondra tsara» an’i Paoly, fa nisy
Kristiana tao amin’ io tanàna io, dia «navelany hankany amin’ ny. sakaizany izay
hiahy azy izy». Nanohina ny fon’ i Paoly tokoa izany tombontsoa nomena azy
izany, satria niharan’ ny tsy fahasalamana rahateo izy.
Rehefa niala tao Sidona ny sambo, dia nisetra rivotra izay nampiadana ny
fandehany. Raha tonga tany Myra any Likia izahay, dia nahita sambo lehibe
makedoniana iray izay hankany Italia ny kapiteny, ka nafmdrâny tao niaraka
tamin’ izay ny mpifatotra rehetra. Nefa mbola nitsoka nanohitra ny -fandehan’ ny
sambo hatrany ny rivotra ka nanakantsakana ny fizotrany. Toy izao no fitantaran’
i Lioka izany: «Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay, ka saiky tsy
tonga tandrifin’ i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia nanara-morona an’i
Kreta tamin’ny ilany takon-drivotra tandrifin’ i Salmona izahay; ary nony
sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo amin’ ny tany anankiray atao hoe
Tsara-fitodian-tsambo; akaikin’ izany ny tanàna Lasea».
Tsy maintsy niato nandritra ny fotoana vitsivitsy tao Tsara-fitodian-tsambo
izy mba hiandry rivotra tsara kokoa. Nihananakaiky ny ririnina, ka mety hiharan-
doza ny fandehanana. Tsy nanampo ny ho tonga any amin’izay nokasaina haleha
mihitsy alohan’ ny hahatongavan’ ny fizaran-taona ratsy ireo mpitondra ny
sambo. Ny hevitra nodinihina izao dia ny handaniana ny ririnina ao Tsara-
fitodian-tsambo, na hiezaka kosa hanatratra toerana ahitana fialofana. Niadian-
kevitra fatratra ny amin’izany, ka farany dia izay hevitr’ i Paoly no nasaina
nanontanian’ ny kapiteny, satria saiky nanaja azy na ny mpiantsambo na ny
miaramila. Koa dia nanoro hevitra azy i Paoly mba hitoetra ao Tsara-fitodian-
tsambo. Hoy izy: «Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao
dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin’ny entana sy ny sambo
ihany, fa ny aintsika koa aza. Kanefa ny kapiteny nino ny mpitondra sy ny
tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain’i Paoly»... satria, hono, «tsy tsara
hitoerana amin’ny ririnina» ny fitodian-tsambo nisy azy, «dia nataon’ny maro fa
tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina
any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy
mianavaratra-andrefana».
384
Nanaraka ny hevitry ny maro ny kapiteny, ka raha vao « nitsoka malemy
ny rivotra avy any atsimo», dia niala tao Tsara-fitodian-tsambo izy, ary nanantena
ny hahatratra ny seranana nokendreny hiantsongna. Kanefa vetivety foana dia
nisy «tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona» nifofofofo teo amin’ ilay
nosy. Voapaoky ny rivotra ny sambo ka tsy nahatohitra azy», ary indro fa
nanatona ny nosy Kaoda, ary raha mbola nialoka tao izy, dia mbola nanampo loza
lehibe noho izany ny matilo.
Ny lakan’ aina, izay hany hahitana vonjy raha sendra rendrika ny sambo,
dia notarihina tao ambodi-sambo, ary nety ho potehin’ny rivotra mahery. Koa dia
nampiakarin’ ny matilo teny amin’ny sambo izy. Natao ny fitandremana rehetra
mba hahazoan’ny sambo manohitra ny rivo-doza. Tsy afaka nitoetra ela teo amin’
ilay nosy izahay, satria tsy ela akory dia niharan’ ny rivotra mahery indray ny
mpandeha. Nandritra ny alina no nampahery indrindra ny rivotra; ary na dia natao
aza ny fitandremana rehetra, dia nidiran’ ny rano ihany ny sambo. Ny ampitso
dia nariana tany anaty ranomasina ny entana. Tonga indray ny alina, nefa mbola
nifofofofo ihany ny rivotra. Nihovitrovitra mafy ny sambo, tapaka ny andry,
rovitra ny lay, ary niantonta teo aminy ny onja vaventy nalefan’ ny ranomasina
nisamboaravoara. Efa nidridridridry mafy ny vatan-tsambo, toa hitresaka mihitsy
aza; satria natambalambalan’ny rivo-mahery. Nihafeno rano ny sambo.
Samy niezaka hanary rano na ny mpandeha na ny matilo, ka tsy nisy nitomoe-
poana. Tamin’ny andro fahatelo, hoy i Lioka, dia «narian’ny tànany ihany ny
fanaka teo amin’ ny sambo; fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana
hatramin’ ny andro maro ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena
ho voavonjy intsony izahay».
Nandritra ny efatra ambin’ ny folo andro no nianjerazeran’ny onja vaventy
izy, ary tsy nahitana na masoandro na kintana teo amin’ny lanitra mainty. Na dia
tratran’ ny tsy fahasalamana aza i Paoly, dia niezaka mandrakariva hanome teny
fampanantenana sy fampaherezana izy nandritra ireo ora maro nampihoron-
koditra, ka vonona hanampy amin’ ny zavatra rehetra mety hitranga. Niankina
tamim-pinoana teo amin’ ny sandrin’ ny Tsitoha izy ary nampiondaniny teo
amin’ ny fon’ny Rainy ny fony. Tsy nisy natahorany mihitsy ny amin’ ny tenany,
satria azony antoka fa hataon’ ny Tompo izay hahatongavany any Roma mba
hitory any ny amin’i Kristy. Nampalahelo azy anefa ireo mpandeha nàmany.
25 — Vavolombelona Mahery
385
mpanota mahantra, tsy nanana hifaharana, tsy vonona hiatrika fahafatesana. Ka
raha nitaraina tamin’ Andriamanitra izy mba hiarovany ny ain’ ireo, dia nisy
anjely niseho taminy, ka nanambara taminy fa nohenoina ny fivavahany.
Rehefa niatoato kely ny tafio-drivotra, dia nohararaotin’i Paoly izany
mba hiakarany teo amin’ ny tokotanin-tsambo mba hampaherezany ny matilo sy
ny mpandeha. Niantso mafy izy ka nanao hoe: «Ry Tompokolahy ô, tsara raha
ho nihaino ahy hianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana na izao
fahasimbana sy fatiantoka izao. Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba
hatoky; fa tsy hisy ho faty hianareo, fa ny sambo ihany no ho very. Fa nisy anjelin’
Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halina ka
nanao hoe: «Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’ i
Kaisara hianao; ary, indro efa nomen’ Andriamanitra anao ny olona rehetra izay
miaraka aminao. Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an’ Andriamanitra aho
fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany. Nefa tsy maintsy ho fefika ihany
eo amin’ ny nosy anankiray isika».
Nitambelona indray ny fanantenan’ ny olona rehetra rehefa nandre izany
teny izany. Samy afak’ ahiahy ny mpandeha rehetra sy ny matilo. Nefa mbola
betsaka no tokony hatao, ka tsy maintsy natao ny ezaka rehetra handosirana ny
loza.
«Ary tamin’ ny alina fahefatra ambin’ ny folo, raha navezim-bezina tany
Adria izahay, nony mamatonalina dia nataon’ny matilo fa efa manakaiky tany
izy; dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoapolo refy; ary nony nandrosoroso
kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin’ ny folo refy.
Dia natahotra izahay, fandrao hidona amin’ ny harambato, ka dia nandatsaka
vatofantsika efatra teo am-bodi-sambo ary naniry ny andro ho maraina».
Raha vao mangiran-dratsy dia indro tazana ny moron’ny tany iray efa disaky ny
tafio-drivotra, nefa tsy fantatray io tany io. Ary nampahonena mihitsy ny endrik’
izany morontsiraka izany, ka nitady lalana handosirana ireo matilo sasany tsy
nanam-pinoana intsony fa tratran’ ny hakiviana. «Nody handatsaka vatofantsika
eo an-doha-sambo » izy, kanjo efa nalatsany tao amin’ ny rano ny salopy.
Tsinjon’i Paoly anefa ny fikasana ratsin’izy ireo, ka niteny tamin’ ny kapiteny
sy ny miaramila izy hoe; «Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo dia tsy azo
vonjena hianareo». Koa «dia
386
notapahin’ ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin’ ny salopy ka navelany ho
latsaka» tany amin’ ny ranomasina izany.
Satria mbola ho avy ny fotoana sarotra indrindra, dia nanao teny
fampaherezana ny olona indray i Paoly, ka niangavy azy rehetra na matilo na
mpandeha, mba hihinan-kanina. «Anio no fahefatra ambin’ ny folo andro
niandrasanareo, sady nahari-noana hianareo ka tsy nihinana. Koa mananatra
anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan’ ny hamonjena anareo; ary tsy hisy
ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza. Ary rehefa nilaza
izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an’Andriamanitra teo anatrehan’ny
olona rehetra, ary rehefa novakiny, dia nihinana izy. Dia nahazo toky izy rehetra
ka nihinana koa».
Tamin’ izay ireo mpandeha dimy amby fito-polo amby roanjato izay efa
trotraka sy reraka ary kivy, ka saika namoifo mihitsy aza, raha tsy teo i Paoly, dia
niara-nihinana taminy. «Ary rehefa voky izy, dia nanariany ho any anaty
ranomasina ny hanina mba hanamaivana ny sambo».
Efa niposaka ny andro, nefa tsy nisy nahalala ilay tany niantsonany. «Fa
nahita helodrano anankiray tsara niorona (izy), ka teo no nokasainy hampidonana
ny sambo, raha azony atao. Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia
navelany ho any an-dranomasinà, ary novahany koa ny kofehin’ ny familian-
tsambo, dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon’ ny rivotra ka nanatona ny
tany. Ary raha tonga teo amin’ izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany
hidona tamin’ ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy
nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon’ny herin’ ny onja».
Mbola misy loza lehibe lavitra noho ny faharendrehan’ny sambo anefa
niandry an’ i Paoly sy ny mpifatotra hafa rehetra. Natahotra ny miaramila sao tsy
afaka hiambina ny mpifatotra izy rehefa midona eo amin’ ny tanety ny sambo.
Samy nanao izay hamonjena ny ainy mantsy ny tsirairay avy; kanefa raha sendra
misy mandositra ny anankiray amin’ ny mpifatotra, dia ny ain’ny mpiambina no
manefa. Koa dia nanapa-kevitra ny miaramila fa hamono ny mpigadra rehetra.
Neken’ ny lalàna romana izany fomba feno hasiahana izany; kanjo kosa tsy
notanterahin’ny miaramila avy hatrany ny fikasany noho ny amin’ i Paoly izay
nohajan’ izy rehetra. Fantatr’i Jolio kapiteny fa noho ny amin’i

387
Paoly no namonjena azy rehetra. Fantany koa fa nomba an’ i Paoly ny
Tompo, ka tsy sahiny ny hanisy ratsy azy. Koa noho izany, «izay nahay nilomano
no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin’ ny tany, ary ny sisa dia
samy hanao izay hahafaka azy na amin’ ny hazo fisaka, na avy amin’ ny zavatra
avy amin’ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra».
Noraisin’ ireo mponina tao Melita tamim-pitiavana ny mpandeha tra-boina
rehetra, ka nasainy namindro teo amin’ ny afo lehibe « fa namelona afo izy, hoy
i Lioka ... satria nilatsaka tamin’ izay ny ranonorana, sady nangatsiaka ny andro».
I Paoly kosa niezaka hanampy sy hampahery ny sasany. Nanangona «kitay hazo
iray trotroana Paoly ka nanohoka izany teo amin’ ny afo; ary nisy menarana
nivoaka avy tamin’ ny afo ka niraikitra tamin’ ny tànany». Tora-kovitra ireo
mponina tao Melita, ka rehefa tazany ny gadra teny amin’ ny tanan’ i Paoly, ka
fantany fa mpifatotra izy, dia nifampiresaka hoe izy; «Mpamono olona tokoa io
lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin’ ny ranomasina aza izy, tsy avelan’ ny
todin’ aina ho velona». Kanjo nakifik’ i Paoly ilay menarana ka latsaka tao anaty
afo, ary tsy nahatsiaro narary izy na kely aza. Nampoizin’ ny mpijery fa
hikarapoka avy hatrany izy, satria fantany ny herin’ ny poizina ao amin’ io biby
io; « fa rehefa niandry ela izy ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo
an’ i Paoly, dia niova saina izy ka nanao hoe: andriamanitra io».
Nandritra ny teo volana nitoeran’ ireo tra-boina ireo tao amin’ io nosy io
dia nohararaotin’ i Paoly sy ny namany ny hitory ny Fîlazantsara. Nanao
fahagagana tamin’ ny alalany ny Tompo. Noho i Paoly no nikarakarana tsara ny
mpandeha rehetra. Nomena izay rehetra nilainy izy, ka rehefa niala tao Melita dia
nampi-tondrainy vatsy be dia be hoentiny mandeha. Notantarain’i Lioka avokoa
ireo zava-dehibe niseho tao amin’ io nosy io nandritra ny nitoerany tao;
«Teo akaikin’ io, hoy i Lioka, dia nisy sahan’ i Poplio, mpana-paka ny
nosy, izay nandray anay ka nampiantrano anay tsara hateloana. Ary nararin’ ny
tazo sady nivalan-dra ny rain’ i Poplio ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka
sady nametra-tànana taminy, dia nahasitrana azy. Ary rehefa vita izany dia tonga
koa ny sasany izay narary teo amin’ ny nosy, ka dia sitrana. Ary voninahitra» be
no nomen’ ny olona anay; ary rehefa handeha izahay, dia novatsiany tsara».

388
43

Tonga tany Roma i Paoly

Rehefa hita fa azo natao ny mandeha an-tsambo, dia niondrana ny kapiteny


sy ny mpifatotra, ka sambo avy any Aleksandria natao hoe Kastora sy Poloksa no
niondranany. Nizotra niakandrefana ny diany rehefa avy nandany ny ririnina tao
Melita. Ary na dia niatoato kefy aza ny. diany noho ny rivotra nanohitra azy,
dia nizotra tsy nisy nanelingelina ny dia, ka tao amin’ ny helo-drano tsara tarehy
tany Pozola, morontsirak’ i Italia, no nandatsaka vatofantsika izy.
Nisy Kristiana vitsivitsy tao izay niangavy ny apostoly Paoly hiara-
mitoetra aminy mandritra ny hafitoana. Neken’ ny kapiteny homena azy izany
tombontsoa izany.
Hatramin’ ny nandraisan’ ireo ny epistily nosoratan’ i Paoly ho an’ny
Romana, dia dodona ny hahita an’ i Paoly hamangy azy izy. Tsy nampoiziny ho
mifatotra no handraisany an’i Paoly; kanefa vao mainka nampitombo ny fitiavany
azy ny fijaliana nihatra taminy.
Tsy nisy afa-tsy dimy amby roapolo sy roanjato kilaometatra monja ny dia
nandehanan’ ny sambo avy tao Pozola nankany Roma, ary nisy fifaneraserana
matetika tamin’ ny renivohitra io seranana io. Rehefa nahare ny nahatongavan’ i
Paoly ny Kristiana tany Roma dia naniraka mambra sasantsasany hitsena azy.

Mifototra amin’ny Asa 28 : 11 - 31 ity toko ity.

389
Havaloana taorian’ ny niantsonan’ny sambo dia nizotra nankany amin’ ny
renivohitra ilay kapiteny nitondra an’i Paoly sy ireo mpifatotra hafa. Nomen’i
Jolio an’i Paoly ny tombontsoa rehetra azony nomena azy; kanefa samy azony
natao, na ny hanafaka azy tsy ho mpifatotra, na ny hampiala eny aminy ny
gadra nampifamatotra azy tamin’ ny miaramila. Nitambesaran’alahelo ny fon’i
Paoly raha nanatona ny renivohitr’izao tontolo izao izy, izay efa niriny hatramin’
ny ela ny hamangy azy. Hafa lavitra noho izao mantsy no nantenainy
hahatongavàna tao amin’io tanàn-dehibe io. Amin’ny fomba ahoana no
hahazoany mitory ny filazantsara ao, amin’ izao fifatorany sy fahafaham-baraka
mihatra aminy izao? Toa rava mihitsy ny fanantenany hitaona fanahy ho amin’
ny fahamarinana ao amin’ ny tanànan’ i Roma.
Nony ela ny ela dia tonga teo amin’ny sehatra any Apio ireo mpandeha,
tokony ho enimpolo kilaometatra avy eo amin’ ny renivohitra. Raha namakivaky
ny lalambe feno olona nifamoivoy ity lahiantitra efa fotsy volo ity, sady niara-
nifatotra tamin’ ireo olon-dratsy mafy hatoka, dia fijery maneso sy feno
fandatsana mahery vaika no niantefa taminy. Kanjo, tsitapitapitrizay, injany nisy
hiaka feno hafaliana re tampoka: Indro lehilahy iray, nivoaka avy tao amin’ ny
vahoaka, ka niantoraka teo amin’ ny vozon’ ilay mpifatotra, ka nanoroka azy
tamin-dranomasom-pifaliana, toy ny zanaka iray mihaona amin’ny rainy
tafasaraka taminy elabe. Niseho matetika izany tarehin-javatra izany; toa nanjary
nahiratra noho ny fiandrasana ela ireo fijery maro, ka nahatazana tao amin’ ity
mpifatotra ity ilay lehilahy tany Korinto sy tany Filipy ary tany Efesosy, nitory
ny teny fiainana tamin’ny mpino.
Raha mbola nanodidina ny rainy ara-panahy teo ny mpianatra, ka
nangorakoraka fatratra, dia tafajanona, na ny antokon’ ny miaramila, na ny
andian’ny mpifatotra. Na dia dodona hanohy ny diany aza ny miaramila
mpiambina dia tsy sahy nanapaka io fihaonana mampihetsi-po io, satria izy koa
mba efa raiki-pitia sy nahay nanaja an’ i Paoly. Tsinjon’ ireo Kristiana teo amin’
ny tava mahia sady nijaly teo amin’ ity mpifatotra ity ny endrik’i Kristy.
Nambarany tamin’ i Paoly fa tsy nanadino azy izy, na nitsahatra tsy ho tia azy,
satria avy taminy no nahazoany ny fanantenana mahafinaritra nameno ’ny
fiainany, ka nahazoany fihavanana tamin’ Andriamanitra. Noho ny hafanampony
dia

390
toa te hilanja an’ i Paoly teo an-tsorony mihitsy aza izy nandritra izao tapany
farany tamin' ny lalana izao, raha azony natao izany.
Vitsy ny olona mahatakatra ny tena hevitry ny tenin’i Lioka raha nitantara
ny amin’i Paoly nihaona tamin’ ny rahalahiny izy, fa «nisaotra an’Andriamanitra
izy, sady nahazo toky». Teo anivon’ireo mpino izay naneho ny fitiavany tamin’
ny fotoan-tsarotra, ary tsy nienatra velively akory noho ny gadra namatotra
an’ i Paoly, teo anivon’ireo Kristiana ireo no nanandratan’ny apostoly ny feony
nisaotra an’Andriamanitra. Nisinda ny rahon’alahelo nitambesatra teo amin’ ny
fanahiny. Nifamahofaho tao amin’ny fiainana maha-Kristiana azy ny fitsapana,
ny fijaliana ary ny fahadisoam-panantenana; fa tamin’io ora io kosa dia
tsapany fa nionitra be dia be izay rehetra niaretany. Koa dia notohizany tamin-
toky nentanin’ ny fo feno hafaliana ny diany. Tsy niferinaina ny amin’ ny lasa
izy, ary tsy natahotra ny ho avy. Samy niandry azy, na ny tranomaizina, na ny
fankahalana, fantany tsara izany; nefa fantany koa fa noho ny nataony
no nahafaka fanahy maro tamin’ny fatorana mahatsiravina lavitra noho izay
mihatra amin’ ny tenany, ka dia nifaly tao amin’ny fijaliany izy noho ny fitiavan’i
Kristy.
Rehefa tonga tany Roma, dia natolotry ny kapiteny Jolio tamin’ny
manamboninahitra mpiaro ny amperora ny mpifatotra rehetra. Noho ny tatitra
mahafatra-po nataony ny amin’ i Paoly, sy noho ny taratasy nampitondrain’ i
Festosy, dia nentin’ny kapiteny tamim-pahamorana i Paoly. ka tsy naiditra am-
ponja akory izy, fa navela hitoetra tao amin’ny trano iray nofany.
Ary na dia nifamatotra tamin’ ny mpiambina mandrakariva aza izy, dia afaka
nandray tamin’ ny fomba malalaka ny sakaizany, ka niasa ho fampandrosoana ny
fanjakan’ Andriamanitra.
Maro ny Jiosy izay noroahina tany Roma taona vitsivitsy lasa izay, no
nahazo alalana hiverina indray, ka nisy Jiosy marobe tao amin’ io tanàna io.
Nanapa-kevitra hiteny taminy i Paoly, ka nitantara taminy ny momba ny fiainany
sy ny asany taloha. Niriny ny hihaona amin’ izy ireny alohan’ny hamporisihan’ny
fahavalony azy ireny hitsangana hanohitra azy. Telo andro taorian’ny
nahatongavany dia nampiantso ireo loholona malaza indrindra tamin’ ny Jiosy
nonina tany Roma izy, ka nanazava taminy tamin’ny fomba tsotra sy mazava ny
antony naha-tongavany tao amin’io tanàna io toy ny mpifatotra.

391
«Ry rahalahy, hoy izy, izaho dia mpifatotra avy tany Jerosalema natolotra
teo an-tànan’ ny Romana, na dia tsy diso tamin’ny firenentsika aza; na tamin’ ny
fanaon-drazana; ary rehefa nanadina ahy mafy ireo, dia saiky nandefa ahy ihany,
satria tsy nisy nataoko izay tokony hahafaty ahy. Fa raha notoherin’ny
Jiosy izany, dia tery aho ka nilaza fa handahatra amin’i Kaisara, nefa tsy mba toy
ny manana teny hiampangako ny fireneko tsy akory. Ary izany zavatra izany no
nampanalako anareo sy hiresahako aminareo, fa noho ny fanantenan’ ny Isiraely
no ifatorako amin’ ity gadra ity».
Tsy nilaza ny amin’ny fampijaliana ny Jiosy taminy mihitsy izy, na ny
fiokoana. matetika nataon’ireo mba hamonoana azy. Feno fahendrena ny teniny
sady feno fahatsaram-panahy. Tsy nitady izay hitarihana ny sain’ny mpihaino
hifantoka amin’ny tenany izy, na nitady ny fangorahan’ireo azy akory; fa
ny nokendreny dia ny hiaro ny fahamarinana sy ny voninahitry ny filazantsara.
Nambaran’ ireo mpitsidika azy fa tsy naharay na inona na inona
hiampangana azy izy, na taratasy avy tamin’ ny vahoaka, na avy tamin’ny olon-
tokana, ho nanao ratsy na iray aza. Nasehony taminy fa faniriany fatratra ny
hihaino azy hamelabelatra ny anton’ny finoany an’ i Kristy. «Satria fantatray,
hoy izy, fa ity antokon’ny kristiana ity dia efa ratsy laza eny tontolo eny».
Ho fanatanterahana ny fanirian’ ireo dia nangataka azy i Paoly hanendry
andro iray mba hanehoany aminy ny fahamarinan’ny filazantsara. Ka rehefa
tonga ny andro voatondro «dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary
izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan’Andriamanitra hatramin’ ny maraina
ka hatramin’ny hariva, ary ny teny eo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany
no nitaomany azy hino an’ i Jesosy». Nohazavain’i Paoly taminy fa tsy fomba
ivelany fotsiny na fanao mirentirenty na ara-tandindona fotsiny ny fivavahana.
Fa raha izany, dia ho hain’ny olona ianarana amin’ny boky_ izany, toy ny
ianarany ny zavatra hafa rehetra. Fa ny fivavahana, hoy izy, dia hery iainana
andavanandro sady mahavonjy, fitsipika araka an’Andriamanitra tanteraka,
fanandramana ataon’ny tena ny amin’ ny hery manavao avy amin’Andriamanitra
miasa ao amin’ny fanahy.

392
Notantarainy ny amin’ ny nanambaran’i Mosesy tamin’ny zanak’Isiraely
fa Kristy no ilay Mpaminany tokony hohenoiny, sy ny nanambaran’ ny
mpaminany rehetra an’ Ilay nirahin’Andriamanitra hamonjy ny olombelona; izay
na dia tsy nanan-tsiny mihitsy aza, dia tsy maintsy nitondra ny fahotan’ ny olo-
meloka. Tsy nanome tsiny azy noho ny hafanampony amin’ ny fomba ivelany i
Paoly, fa nohazavainy taminy kosa fa sady nanaony fanaterana fanatitra tamin’ny
fomba marina tanteraka ireo, nefa koa nandà Ilay notandindomin’ ireny fanatitra
rehetra ireny.
Nohazavain’ i Paoly taminy, fa talohan’ny niovany fo, dia tsy mbola
nahafantatra an’ i Kristy izy, satria hafa no niheveran’ny tenany ny amin’ ny
toetra sy ny asan’ ny Mesia nampanantenaina. Nandà an’i Jesosy avy tany
Nazareta izy, ka nilaza Azy ho mpamitaka, satria tsy hita teo Aminy izany
fiheveran’ny Jiosy ny toetran’ ny Mesia izany. Nefa amin’ izao fotoana izao
dia ambony lavitra ny fiheverany ny Mesia sy ny asa nanirahana Azy, izay tena
ara-panahy fa tsy ara-nofo araka ny nanantenan’ny Jiosy azy. Koa tsy Kristy
araka nv nofo no nasehon’i Paoly azy ireo.
Nahita an’i Jesosy i Heroda fony Izy nitafy nofo. Ana koa nahita Azy, toy
izany koa i Pilato sy ny miaramila romana, ary ny mpisorona sy ny mpisoronabe.
Kanefa tsy nisy na iray aza tamin’ ireny nahita Azy tamin’ ny masom-pinoana,
izany hoe ho Ilay Mpanavotra nasandratra. Mampitsiriritra lavitra ny hahita
an’ i Kristy amin’ ny finoana, ka hanana fahalalana Azy amin’ny finoana, ka
hanana fahalalana Azy amin’ ny ara-panahy, noho ny nahita Azy ara-batana raha
mbola velona tety an-tany Izy. Manana fiombonana akaiky lavitra tamin’ ny
Mpamonjy i Paoly izao, sady maharitra kokoa, noho ny nanakekezan’ ny olona
Azy fony Izy teto an-tany.
Raha mbola teo am-pitantarana izay zavatra fantany i Paoly, ka nijoro ho
vavolombelona ny amin’ izay fantany ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, Ilay
fanantenan’ ny Isiraely, dia nandray ny fahamarinana ireo izay nikatsaka izany
tamin’ ny fony tokoa, rehefa nandre ny fanambarana mampiaiky volana nataon’i
Paoly. Nisy olona sasantsasany ihany, voahetsiky ny fampianarana nataon’i
Paoly, satria namela dindo saro-bonoina tao amin’ny sainy izany. Fa nisy kosa
sasany nihirim-belona tao amin’ ny

393
fandavany tsy hino ny fanambarana mazava ny Soratra Masina, na dia Kristiana
nandray fahazavana manokana avy tamin’ny Fanahy Masina tahaka an’ i Paoly
aza no niteny taminy. Tsy afaka nanohitra ny hevitra noroson’ i Paoly izy, nefa
tsy nety nandray fanapahan-kevitra hanaraka izany.
Volana maro no efa lasa hatramin’ny nahatongavan’i Paoly tany Roma,
kanefa tsy mbola nametraka ny fiampangany azy ihany ny Jiosy tany Jerosalema.
Nisy mpanohitra hatrany hatrany ny fikasany. Ary satria tonga ny fotoana
hisehoan’io apostoly io teo anatrehan’ ny fitsarana ambony indrindra ao amin’ny
fanjakana, dia tsy te hiharan’ny tsy fahombiazana teo aloha indray izy ireny.
Samy niaiky ny tsy fananan’ i Paoly tsiny na i Loisa, na i Feliksa, na i Festosy,
na i Agripa. Koa noho izany tsy nisy fomba nantenain’ny fahavalony hamaharana
afa-tsy ny fikarohana izay fomba hambaboana ny sain’ ny amperora ka hanekeny
ny fiampangana hataon’ireo. Satriny aza nahemotra ela ny fitsarana mba
hananany fotoana hanamboarana tsara ny fiampangany alohan’ny handrosoany
an’izany. Izany no antony niandrasany ela vao avy hanolotra ny fiampangany an’i
Paoly izy. Vao mainka nahazoana fotoana nitoriana ny filazantsara anefa izany
halavam-potoana izany, ka azo lazaina ho fandaharana avy any ambony. Hita
tokoa, fa noho ny fitsimbinana nataon’ny mpiambina an’ i Paoly, dia afaka
nipetraka tao amin’ny trano tsara izay nahazoany nandray ny sakaizany izy, ka
roa taona ngarangidina no nahazoany niasa toy izany: «nitory ny fanjakan'
Andriamanitra ary nampianatra ny amin’ i Jesosy Kristy Tompo tamin’ ny
fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana» izy. Tsy hadinony, mandritra izany
fotoana izany, ireo fiangonana naoriny tany rehetra tany. Fantatr’i Paoly
tsara ny loza nananontanona ireo Jiosy vao niova ho Kristiana ireo,
ka niezahany izay hanomezana fahafahampo azy amin’ny fandefasana epistily
fampaherezana taminy sy torohevitra teo amin’ ny lafiny ara-piaraha-miaina.
Avy tany Roma no nandefasany mpitory, tsy ho any amin’ny fiangonana fotsiny,
fa handeha any amin’ny toerana izay tsy mbola nalehany koa aza. Toy ny
mpiandry mahatoky no nandehanan’ ireny iraka ireny hanamafy orina ny asa izay
efa natomboky ny apostoly tsara tokoa. Nanana fifandraisana tsy tapaka tamin’
ny fiangonana i Paoly, ka nahafantatra ny toetran’ ireny, sy ny loza nety nihatra
taminy, ka dia azony natao ny niambina fatratra ny fanahiny.

394
Raha araka ny fijery eo ivelany dia toa tsy afaka hiasa mihitsy i Paoly,
kanefa vao mainka nisy vokatra be lavitra sy naharitra lavitra ny asany, mihoatra
noho izay vitany fony izy mbola afaka namangy ny fiangonana teo aloha aza. Ary
satria noho ny Tompo no naha-mpifatotra azy, dia vao mainka nihamafy ny
fatoram-pitiavana nisy teo aminy sy ny rahalahiny. Nahatonga fihetseham-po be
lavitra sy fanajana lehibe an’i Paoly ny teny izay nosoratany teo am-pifatorana,
mihoatra noho ny fandraisan’ ny olona ny teniny raha mbola teo anivon’ ny
mpino izy.
Taorian’ ny nahalasanan’ ny apostoly vao tsapan’ ny Kristiana ny vesatry
ny andraikitra nentiny noho ny amin’ ireo. Hatramin’izay dia toa nihatakataka
tamin’ ny adidy tokony hosahaniny izy, satria tsy mbola nanana ny fahendren’i
Paoly sy ny fahakingany, na ny firehetam-po tsy azo nofehezina teo amin’io
apostoly io izy. Fa amin’ izao kosa, tsy voafatotry ny tsy fahalalany intsony izy,
fa tsy maintsy hianatra ny lesona tsy nekeny hianarana teo aloha, ka nanjary
nankafiziny ny torohevitra sy ny fampianarana nomen’i Paoly. fa teo aloha tsy
hainy akory ny nahafantatra ny tena lanjan’ ny asa nataon’i Paoly nivantana teo
aminy. Ny heripon’i Paoly sy hy finoany nandritra ny fotoana maro nama-
torana azy, no nanosika ny mpino hanana toetra mahatoky kokoa sy hazoto
fatratra hampandroso ny asan’Andriamanitra.
Tamin’ ireo nanampy an’ i Paoly tany Roma dia nisy koa ireo sasantsasany
tamin’ ny mpanampy azy fahiny. Mbola teo anilany i Lioka, « mpanao fanafody
malala » izay nanaraka azy avy tany Jerosalema, sy tany Kaisaria, ary niara-
nitondra ny fifatorany nandritra ny roa taona, sady niaraka taminy nandritra ny
dia feno loza hankany Roma. Nampahery azy tamin’ ny teniny koa i Timoty. Toy
izany koa i «Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin’ ny
Tompo», izay nitoetra teo anilany tamim-pahamendrehana, toa an’ i Demasy sy
Marka koa. Ary farany, i Adstarko sy Epafra izay «mpiara-mifatotra»1 taminy.
Hatramin’ ireo taona voalohany niasany araka ny maha-apostoly azy, dia
nihanazava tamin’ i Marka ny atao hoe fiainana tena kristiana. Nodinihiny akaiky
dia akaiky ny asa sy ny fahafatesan’i Kristy, ka tamin’ izany no nahazoany
fahalalana mazava ny amin’ny asan’ny Mpamonjy, sy ny tolona nataony, ary ny
fahoriana niaretany. Nanjary hitany teo amin’ ny holatry ny nohomboana
1) Kol. 4 : 7 – 14
395
tamin’ny tanana sy ny longotr’ i Kristy ny porofon’ ny fanoloran-tena nataony ho
an’ny taranak’olombelona, sy ny fahafoizan-tena nataony hamonjy ny mpanota.
Nirin’i Marka ny hanarakany Mpamonjy teo amin’ ny lalan’ ny fandavan-tena.
Ary amin’izao andraisany anjara amin’ ny fifatoran’ i Paoly izao, dia nazava
taminy kokoa mihoatra lavitra noho ny taloha rehetra ny tombontsoa amin’ ny
fanoloran-tena eo amin’i Jesosy, ary fantany koa fa ny fandraisana ny toetran’
izao tontolo izao dia ho fahaverezana ho an’ ny fanahiny dia io fanahy io izay
navotan’ny ran’ i Kristy. Na dia niaritra fitsapana sy fanoherana aza i Marka dia
tsy azo nohozongozonina ny heviny, fa mbola nitoetra teo anilan’i Paoly ihany
izy, toy ny mpanompo mahatoky sady malala.

Demasy kosa, izay mba nahatoky ihany nandritra ny fotoana vitsivitsy, dia
nandao ny asan’ ny Tompo. Toy izao no nosoratan’ i Paoly ny aminy; «Fa
Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy»2. Ny soa sy kanto
indrindra no nafoin’ i Demasy. Hadalana re izany! Na dia nanana ny harena sy
ny voninahitry ny tany aza izy dia tsy inona fa lehilahy mahantra. Fa i Marka
kosa, izay nifidy ny hijaly noho ny fitiavany an’i Kristy, no nanana ny harena
mandrakizay, satria neken’ ny lanitra ho mpandova an’ Andriamanitra sy mpiray
lova amin’ i Kristy izy. Anisan’ ireo nanolotra ny fony ho an’ ny Tompo noho ny
asa nataon’ i Paoly taminy, ny andevo jentilisa iray nifatotra, natao hoe
Onesimosy, izay nandositra ny tokantranon’ i Filemona, izay Kristiana tany
Kolosia. Nisy fahadisoana nataony tamin’ ny tompony, ka lasa izy niery tany
Roma. Noho ny hatsaram-panahin’ i Paoly dia niezaka izy hanamaivana ny
fahorian’ io mpandositra mampahonena io, ka nampamirapiratiny tao amin’ ny
hamaizinan’ ny sainy ny fahazavan’ ny filazantsara. Nihaino ny teny fiainana i
Onesimosy, ary niaiky ny fahotany ka niova ho Kristiana.
Raiki-pitia tamin’ i Onesimosy i Paoly noho ny fahitany ny toe-panahiny
sy ny faliatsoram-pony, raha nikarakara azy tamim-pitiavana io lehilahy io, sady
naneho fahazotoana fatratra teo amin’ny asan Andriamanitra. Tazan’i Paoly tao
aminy ny toetra ambony izay mety, hahatonga azy ho misionery azo antoka.

2) 2 Timoty 4 ; 10

396
Nanoro hevitra azy i Paoly mba hiverina haingana any amin’i Filemona mba
hahazoany famelan-keloka aminy, sy hiara-midinika aminy ny fikasana amin’ ny
ho avy. Nanome toky i Paoly fa izy no hiantoka ny vola nangalarin’ ilay andevo;
ary satria teo am-piomanana handefa hafatra ho an’ ny fiangonana samihafa
any Asia Minora izy, izay nampitondrainy an’ i Tykiko, dia nampiarahiny taminy
i Onesimosy. Fitsapana mafy ho an’io lehilahy io izany hitolo-batana eo amin’
ny tompony izay nasiany ratsy; kanefa efa nanolotra ny fony ho an’i Jesosy
izy, ka tsy niamboho adidy.
Nampitondrain’i Paoly taratasy ho an’i Filemona i Onesimosy ka nasehony
tao amin’io taratasy io ny hatsaram-panahiny sy ny fahendrena nananany
mandrakariva, raha nifona ho an’ ity andevo nibebaka ity izy; nambarany koa ny
faniriany hitana azy mba ho mpiasan’Andriamanitra amin’ny ho avy. Natombony
tamin’ ny hafatra feno fitiavana ny taratasy nalefany ho an’ i Filemona, ilay
sakaizany sy mpiara-miasa aminy:
«Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva aho, hoy izy, raha nahatsiaro
anao amin’ ny fivavahako, satria reko ny fitiavanao sy ny finoanao izay anananao
ho an’i Jesosy Tompo sy ho an’ ny olona masina rehetra, mba hiasa mafy ho an’i
Kristy ny fiombonana avy amin’ny finoanao amin’ny fahalalana tsara ny zavatra
rehetra izay ao anatinareo». Nampahatsiarovin’i Paoly an’i Filemona fa ny
fikasana tsara rehetra nananany sy ny toetrany tsara rehetra, dia ny fahasoavan’ i
Kristy no nahazoany izany. Amin’ izany ihany no tsy itoviany amin’ ny ratsy
fanahy sy ny mpanota. Io fahasoavana io no mahatonga ny olona ratsy fanahy
hanjary zanak’Andriamanitra, sy ho mpanompo mahatokin’ny Filazantsara.

Ho azon’i Paoly natao ny nanizingizina ny amin’ny adidin’ny Kristiana


tokony hotontosain’i Filemona, kanefa naleony nampiasa teny fiangaviana. Fa
hoy izy: «Nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady
mpifatotra an’i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao. Eny,
miangavy aminao aho ny amin’ny zanako, izay naterako teto-amin’ny fifatorako,
dia Onesimosy, ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika,
dia hianao sy izaho; izay nampodiko indray, dia ilay sombin’ ny aiko». Noho ny
fiovam-pon’i Onesimosy, dia azon’i Paoly natao ny niangavy an’i Filemona

397
mba handray an’io andevo nibebaka io ho toy ny zanany, ka haneho fitiavana
aminy, rehefa miverina eo amin’ ny tompony taloha izy, «tsy toy ny andevo
intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa
ho ahy, mainka fa ho anao, na amin’ ny nofo, na amin’ny Tompo». Afa-tsy
izany, dia nasehony koa ny faniriany hihazona an’ i Onesimosy mba hanompoany
azy eo amin’ ny fifatorany, toy izay ho nataon’ i Filemona raha ohatra ka izy no
teo; nefa vonona ny hahafoy ny fanampian’ i Onesimosy azy izy, raha toa tsy
manaiky hamotsotra azy i Filemona.
Fantatr’i Paoly loatra ny hasiahana itondran’ny tompo ny andevony. Ary
fantany tsara ny firehetan’ny fahatezeran’i Filemona tamin’i Onesimosy; noho
izany dia niezaka izy hampifoha tao aminy ny toe-tsaina maha-Kristiana azy, izay
voarakitra lalina tao am-pony sady sarobidy indrindra. Nanjary rahalahy ao
amin’ ny finoana ho an’i Filemona io andevo niova fo io, ka hisy fiantraikany
amin’ny tenan’ i Paoly ny famaizana mety hahatra amin’io jentilisa niova ho
Kristiana io.
Nambaran’i Paoly fa izy no handoa ny trosan’i Onesimosy, mba tsy
hampiharina amin’ity olo-meloka ity ny fahafaham-barakan’ ny famaizana, sy
mba hahazoany indray ny tombontsoa nananany teo aloha. «Koa raha ataonao ho
namanao aho, dia raiso toa ahy izy. Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy,
na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany; izaho Paoly no manoratra izany amin’ ny
tànako, izaho no handoa izany ».
Ohatra kanto loatra hanehoana ny fitiavan’i Kristy ny mpanota mibebaka
izany! Tsy hanonitra na inona na inona ho an’ny tompony izay nobaboiny ilay
mpanompo. Toy izany koa ny mpanota izay namadika ny Tompony tamin’ ny tsy
nanompoany Azy nandritra ny taona maro, kanefa tokony ho nataony izany tsy
misy na inona na inona azony atao hanonerana ny trosany. Fa Jesosy kosa no
milatsaka ho mpanelanelana ny mpanota sy Andriamanitra, ka miteny hoe:
« Izaho no handoa ny trosany. Izaho no hanao izany. Omeo famindrampo izy,
fa Izaho no hivesatra ny helony».

Rehefa nanolo-tena handoa ny trosan’i Onesimosy i Paoly, dia


nampahatsiaro an’i Filemona fa izy koa mba ananan’i Paoly trosa. Paoly tokoa
mantsy no fiasana teo am-pelatanan’ Andria-

398
manitra hahatonga fiovam-po tao aminy. Ka tamin’ ny fitarainana mafana
nentanim-pitiavana no niangaviany an’ i Filemona ho fototry ny fifaliany sy
hampilamina ny sainy, toy ny nampilaminany ny sain’ ny olona masina tamin’ny
fitiavana nasehony. «Noho ny fahatokiako fa hanaiky hianao no anoratako
aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza hianao».
Hita ao amin’ny epistily nosoratan’i Paoly ho an’i Filemona ny asan’ ny
filazantsara eo amin’ ny fifampitondran’ ny tompo sy ny mpanompo. Tafaraka
tao amin’ny ankamaroan’ny fiangonana naorin’i Paoly tokoa mantsy ny
mpanompo sy ny tompo tamin’ny fotoana nanapahan’ ny fanjakana romana an’
izao tontolo izao. Mazàna maro isa noho ny olona afaka ny isan’ ny mpanompo
nonina tany amin’ny tanàn-dehibe, ka nisy lalàna henjana dia henjana nilaina
hampiharina mba hifehezan’ny tompony azy ireny. Mety hanana andevo anjatony
maro ny Romana mpanankarena iray, ary sokajin’ olona samihafa izy ireny, avy
amin’ ny firenen-tsamihafa, ary samy manana ny toetrany avy. Azon’ny tompony
natao ny nampihatra tamin’ ireny olona nampijaliana ireny ny famaizana tiany
hampiharina aminy, satria nanana fahefana feno teo aminy izy. Raha sendra nisy
iray tamin’ireny, te hamaly faty ny tompony na te hiaro tena amin’ny
fampijaliany, ka sahy nikasi-tanana ny tompony, dia ny fianakaviana
manontolon’ilay andevo mihitsy no hiharan’ny famonoana mahatsiravina
indrindra. Ary na kely toy inona aza ny fahadisoana nataony, na dia antony
maivan-danja indrindra aza, na fanaovana antsirambina bitika indrindra, dia tsy
maintsy nandraisany famaizana tsy nisy famindrampo. Nisy kosa tompo sasany,
tsara fanalay noho ny hafa, izay naneho famindrampo tamin’ ny mpanompony.
Nefa kosa ny ankamaroan’ny mpanan-karena sy ny andriana, izay niaina tao
amin’ny fahalotoam-piton-drantena sy ny filan-dratsy ary ny faniriana maloto
rehetra, dia nampihatra teo amin’ ny andevony ny fahavetavetany sy ny
hasiahany. Nandentika ny andevo tao amin’ny fahambaniana mampahonena
indrindra izany fitondrana izany.
Tsy adidin’ny apostoly Paoly ny handrava amin’ny fomba miangatra na
amin’ny fomba mitratrevatreva izany fahazarana teo amin’ ny mpiara-monina
izany. Satria raha nanandrana nanao izany izy, dia ho voasakana ny fandrosoan’
ny fitoriana ny filazantsara. Tamin’ ny fampianarany kosa no nanehoany
mibaribary ny faharatsian’ ny fanandevozana, ka raha narahina ireny toro-

399
heviny ireny dia tsy maintsy hirodana ho azy io fanandevozana io. Fa hoy izy:
«Ary izay itoeran’ ny Fanahin’ ny Tompo no itoeran’ ny fahafahana »3.
Rehefa niova fo ny andevo dia manjary tenan’i Kristy, ka tiavina sy entina
toy ny rahalahy, mpiara-mandova amin’ ny tompony ny fitahian’ Andriamanitra
sy ny tombontsoa omen’ny filazantsara. Afa-tsy izany, tokony hanao ny adidiny
ny mpanompo, «tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka
amin’ olona, fa tahaka ny mpanompon’i Kristy manao izay sitrapon’
Andriamanitra amin’ny fo».
Asehon’ny finoana kristiana fa misy fifamatorana ety dia ety eo amin’ny
tompo sy ny mpanompo, eo amin’ny mpanjaka sy ny vahoakany, eo amin’, ny
mpitory ny filazantsara sy ny mpanota tsy mendrika izay nandray famelan-keloka
teo amin’i Kristy. Nodioviny tao amin’ny Ra iray izy rehetra, nahazo
famelombelomana avy tamin’ ny Fanahy iray, ary iray ihany ao amin’i Jesosy
Kristy.

400
44

Ny ankohonan’i Kaisara

Teo aminy ny antokon’olona tsotsotra indrindra no nahazoan’ny


filazantsara fandresena lehibe indrindra. Raha niteny tamin’ ireo voantso i Paoly
dia nanao hoe: «Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry lahalahy, fa tsy firy no olon-
kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery tsy firy no avo razana»1, Iza akory
no nanampo fa tamin’ ny fisamborana voalohany nahatra tamin’i Paoly, dia
hahasintona ny sain’ireo mpanankarena sy olo-malaza tao amin’ ny tanànan’i
Roma ity mpifatotra mahantra sy manirery ity. Amin’ ireny olona ireny mantsy
ny fahotana dia miseho amin’ny endrika manintona fatratra, ka mora foana ny
ahalavoany amin’ izany. Fa amin’ ireo voan’ ny tsindrihazolena kosa, eny,
amin’ireo andevo mahantra aza, dia maro no mahita fahasambarana eo amin’ny
fihainoana ny tenin’i Paoly. Tao amin’ny finoana an’ i Kristy no nahitany
fanantenana sy fiadanam-po izay nampionona azy tao amin’ ny anjara ratsiny.
Kanefa na dia niandoha teo amin’ ny olona ambanimbany aza ny asan’i
Paoly, dia nisy fiantraikany hatrany amin’ ny lapan’ny Amperora ny vokatry ny
fitoriana ny filazantsara nataony.
Renivohitr’ izao tontolo izao i Roma tamin’ izay fotoana izay. Namoaka
lalàna hankatoavin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny

1) 1 Kor. 1 : 26

26 — Vavolombelona Mahery
401
tany ireo Kaisara be hambom-po. Tsy nisy nahafantatra ny fisian’Ilay Nazareana
nanetry tena, na ny mpanjaka, na ny tandapany, ary tsy izany ihany fa nampiseho
fankahalana sy faniratsirana Azy koa izy. Kanjo kosa, tao anatin’ny roa taona
latsaka, dia niainga avy tao amin’ ny efitrano tsotsotra nitoeran’ilay mpifatotra
ny Filazantsara ka tafatsofoka hatrany amin’ ny lapan’ny amperora. Nofatorana
toy ny mpanao ratsy tokoa i Paoly, «nefa ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba
voafatotra»2.
Teo aloha dia efa nitory ampahibemaso ny finoana an’i Kristy tamin’ny
fonjan-kevitra tsy azo notoherina io apostoly io, izay nampombain’
Andriamanitra famantarana sy fahagagana, ary tamin’ izany no nanomezany
porofo mibaribary ny amin’ ny maha-avy amin’ Andriamanitra an’ io finoana' io.
Tamin’ ny saina matotra mahate hanaja no nitenenany tamin’ Ireo olon-kendry
Grika, ary noho ny fahalalana ambony sy ny fahaiza-mandaha-teny nananany, no
nandreseny lahatra ny hevi-petsy manodoka nireharehan’ izy ireo fatratra.
Tamin-kerimpo tsy laitra tonena no nijoroany teo anatrehan’ny mpanjaka
sy ny mpanapaka, ka nitoriany ny amin’ ny fahamarinana sy ny fahononana ary
ny fitsarana ho avy, ka nahatora-kovitra ny mpanjaka mpirehareha indrindra, izay
toa nahatsapa sahady fa tsy maintsy hiatrika ny andro lehiben’ i Jéhovah izy.
Tsy nanana fotoana toy izany intsony ny apostoly Paoly, satria voafefin’ny
rindrina efatry ny toerana nametrahana azy izy, ka tsy misy azony natao intsony
hitoriana ny fahamarinana afa-tsy amin’ ireo olom-bitsy tonga namangy azy. Tsy
mba nandray ny baikon’ Andriamanitra, tahaka an’ i Mosesy sy Arona, hiseho eo
anatrehan’ ny mpanjaka ratsy fanahy izy, ka hiteny amin’ny anaran’ Ilay IZAHO
IZAY IZY, mba hamotsipotsitra ny hasiahana sy ny halozana nataon’ izany
mpanjaka izany. Kanefa, tamin’ izao fotoana izao indrindra, raha toa voafatotra
tsy afaka hanao na inona na inona teo amin’ ny vahoaka ity mpisolovava malaza
ity, no nahazoan’ ny filazantsara fandresena mamirapiratra indrindra, satria nisy
tamin’ ny ankohonan’ i Kaisara nanampy ho anisan’ ny fiangonana, dia ireo
nonina tao amin’ ny lapan’ny Amperora indrindra.

2) 2 Tim. 3 : 9

402
Fantatra anefa fa tsy misy toerana ankahalana bebe kokoa ny fivavahana kristiana
tahaka ny ao amin’ ny lapa tany Roma. Toa nokosehin’ i Néron tsy hisy tao amin’
ny fanahiny intsony ny asa farany azon’Andriamanitra natao taminy, eny, tsy nisy
hita teo aminy intsony na dia ny toetra maha-olona azy aza. Fa toa ny fitombok’
i Satana mihitsy no hita teo aminy. Nitovy toetra taminy koa na ny mpanompony,
na ny tandapany, fa samy lozabe ireo, ratsy fanahy, lo tanteraka. Toa tsy azo
eritreretina mihitsy raha ny filazantsara no ho tafatsofoka tao amin’
ny lapan’i Néron.
Kanjo hita teo sy tamin’ ny toerana hafa koa ny fahamarinan’ny
fanambarana nataon’i Paoly fa «tsy avy amin’ ny nofo ny fiadian’ ny tafikay, fa
mahery amin’ Andriamanitra handrava fiarovana mafy»3. Tao amin’ny
ankohonan’i Néron mihitsy no nandrombahan’ny hazo fijaliana babo. Nisy
tandapa ratsy fanahy, tao ambany fifehezan’ny tompo ratsiratsy kokoa noho
izy, izay voataona ho an’i Kristy, ka nanjary zanak’ Andriamanitra. Tsy afa-po
ny nanaraka amin’ ny fomba miafina ny finoana kristiana fotsiny izy, fa nataony
miharihary izany, satria tsy menatra ny finoany izy.
Fomba manao ahoana àry no nahazoan’i Paoly nampiorina ny finoana
kristiana tao amin’ ny toerana izay tsy azon’ny tenany nidirana akory? Tao amin’
ny epistily nosoratany ho an’ ny Filipiana, dia nambarany fa teo amin’ ny
fifatorany no nahitany fahombiazana teo amin’ ny ankohonan’ i Kaisara. Ary
noho ny tahony sao hisakana ny fandrosoan’ ny Filazantsara ny fijaliany dia hoy
izy: « Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga
fampandrosoana ny filazantsara kosa»4.
Tamin’ ny voalohany indrindra nandrenesana tany amin’ny fiangonana fa
tsy maintsy hankany Roma i Paoly, dia efa nampoizina fa hahita fohombiazana
mamirapiraira any ny Tenin’Andriamanitra. Nambaran’i Paoly tany amin’ny tany
maro izany vaovao mahafaly izany, ary efa notoriny tany amin’ny tanàn-dehibe
maro koa. Moa ve tsy hahita fahombiazana ao amin’ny renivohitr’ izao tontolo
izao koa ity mahery fon’ny finoana ity ka hambabo fanahy ho an’ i Kristy? Kanjo
nirodana

3) 2 Kor. 10 : 4 4) Fil 1 : 12

403
ny fanantenana rehetra, rehefa re fa nentina am-patorana tany Roma i Paoly.
Nantenaina mafy mihitsy, fa rehefa tafatoetra ao amin’ io foibe goavana io ny
filazantsara, dia hiely haingana any amin’ny tany hafa rehetra, ary ho herin’
Andriamanitra hifehy an'izao tontolo izao. Kanjo akory ny hadisoam-
panantenana nahazo ny mpino! Kanefa kosa, raha levona ny fanantenan’
olombelona, dia mbola tao ny fikasan’ Andriamanitra.

Tsy tamin’ ny alalan’ny lahateny, fa tamin’ ny gadra namatorana an’i Paoly


no nisintonany ny sain’ireo mponina tao an-dapa ho amin’ ny herin’ny
filazantsara. Teo am-pifatorana no nanafahan’i Paoly fanahy maro ho afaka amin’
ny gadram-pahotana nahazo azy. Mbola mihoatra noho izany no nambarany, fa
hoy izy: «Ary ny ankabiazan’ ny rahalahy dia efa matoky ao
amin’ ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny Tenin’
Andriamanitra tsy amin-tahotra»5.
Toy ny toriteny tsy nisy fahatapahany ny faharetana sy ny herimpo
nasehon’ i Paoly nandritra ny namatorana azy tsy an-drariny sady ela dia ela, toy
izany koa ny firedaredan’ny finoany. Tsapa teo amin’ ny toe-tsaina nananany,
izay hafa noho ny an’ izao tontolo izao, fa nisy hery mihoatra noho ny eto
an-tany nitoetra tao anatiny. Naka tahaka azy ireo Kristiana ka nanjary narisika
hanao asa bebe kokoa ho an’ ny filazantsara, satria hitany fa tsy afaka hitory
amin’ ny vahoaka intsony’ i Paoly. Toy izany no nisian’ ny hery niantefa teo
amin’ ny manodidina an’i Paoly noho ny fifatorana nahazo azy; ka araka ny fijery
azy eo ivelany dia toa tsy mahasoa eo amin’ ny sahan’ny Tompo intsony izy,
kanjo nisy vokatra betsaka kosa notazany tao amin’ny toerana nisy azy — vokatra
hatolotra an’i Kristy. Noho izany no nahazoany niteny teo amin’ny fifaranan’ny
taona faharoa nifatorany hoe; «Ao amin’i Kristy ny fifatorako dia fantatry
ny mpiambina andriana rehetra mbamin’ ny olona hafa rehetra». «Manao veloma
anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan’ i Kaisara»6.
Samy nandresy na ny faharetana na ny herimpo. Samy ahazoana mitaona
fanahy ho an’i Kristy na eo amin’ny halemem-panahy amin’ny fizahan-toetra, na
eo amin’ny fahasahiana amin’ny fanefana ny adidy. Ny Kristiana maneho
faharetana sy fijoroana

5) Filipiana 1 : 14 6) Filipiana 1 : 13 ; 4 : 22

404
tsy azo hozongozonina ao amin’ny fahoriana sy ny fijaliana, izay misetra ny
fahafatesana amim-piadanana sy eo amin’ny fahatonian-tsaina tsy azo
hozongozonina, no mahasoa lavitra ho an’ny filazantsara noho ny fananana
fiainana lanina manontolo eo amin’ ny fitozoana amin’ny asa. Mazàna rehefa tsy
eo amperin’asa intsony ny mpanompon’Andriamanitra, no vao mainka iasan’ny
hery miafina avy amin’ny Tompo, ka maha-tanteraka asa izay tsy ho vitany
mihitsy teo aloha.
Aoka àry ny mpianatr’i Kristy, izay tsy afaka hampiasa ny heriny intsony
hanaovana ny asan’ Andriamanitra sy hitorina ny fahamarinana, tsy hihevitra fa
tsy manana asa hatao intsony izy ka tsy hanana voa hotazana intsony. Ny tena
vavolombelon’ny Mpamonjy dia tsy mba apetraka ho lamban’ ny mpiasa na
oviana na oviana. Na salama izy, na marary, na mbola velona izy na efa maty, dia
mbola afaka hampiasa azy Andriamanitra.
Raha henjehina koa ny mpanompon’i Kristy noho ny haratsian’i Satana,
ka tsy afaka hiasa intsony, satria nalatsaka an-tranomaizina, na entina hotapahin-
doha, na hodorana velona, dia izany indrindra no hisehoan’ny fandresen’ny
fahamarinana amin’ny fomba mamirapiratra. Ary izany tokoa, fa rehefa manisy
tombo-kase ny maha-vavolombelona azy amin’ny fahalatsahan-dra ny
mpanompo mahatoky, dia hahatonga fanapahan-kevitra ho an’ ny fanahy
miahotrahotra sy misalasala izany, ka hampahasahy azy handray ny finoan’ i
Kristy, ary hiroso amin-kasahiana hanaraka ny Tompony. Misy vokatra sesehena
ho an’ Andriamanitra tokoa mantsy avy amin’ ny lavenon’ ny maritiora nodorana
velona.
Faniniana mivaivay ho an’ny mpitory tsy manana hafanam-po ny finoana,
ny fahazotoana sy ny toetra mahatoky nananan’i Paoly sy ny namany, ary koa ny
finoana sy ny fankatoavan’izay voaova ho Kristiana tamin’ ny fomba faran’ izay
mahatsiravina.
Mety ho nihevitra i Paoly sy ny namany fa ho herim-po very maina ny
fitaomana ny mpanompon’ i Néron ho amin’ ny fibebahana sy ho amin’ ny
finoana kristiana, raha nijery ny fakam-panahy mahery vaika izy, sy ny olana
saro-bahana, ary ny fano-herana feno hasiahana. Satria mantsy na dia hiaiky ny
fahamarinana aza ireny mpanompo ireny, amin’ ny fomba manao ahoana moa no
hankatoavany azy? Tsy nety ho voasakan’ izany toe-javatra
405
izany i Paoly, satria nisy tamin’ ireo nihaino azy no tapa-kevitra hijoro eo amin’
ny marina na inona na inona hihatra aminy.
Sahy nisetra ny zava-tsarotra sy ny loza teo anoloany izy, ka nanaiky ny
fahazavan’ny filazantsara ary nanolo-tena tamin’Andriamanitra mba hanampiany
azy hampamirapiratra ny filazan-tsara teo amin’ ny manodidina azy. Tsy fiovam-
po ihany no hita tao amin’ ny ankohonan’i Kaisara, fa rehefa niova fo ireo, dia
mbola nitoetra tao amin’ny lapan’ny Amperora ihany. Tsaroany fa tsy maintsy
mitoetra eo amin’ ny toeram-piasany izy, na dia nankahalaina aza. Teo no
nahitany ny fahamarinana, ka nitoetra teo izy, nijoro ho vavolombelon’ny hery
mampiova toetra avy amin’ny finoana kristiana, izay nahatonga fiovana tanteraka
tao amin’ny fiainany sy ny toetrany.
Moa ve misy milaza fa noho ny zava-tsarotra manodidina azy no antony
tsy ahitany fahombiazana eo amin’ ny fitoriana ny filazantsara? Aoka hihevitra
ny toe-javatra sarotra nisy ny mpianatra tao amin’ ny lapan’ ny Kaisara izy, dia
ny faharatsiam- pitondrantenan’ ny Amperora sy ny fimatimatesana teo amin’
ny fanirian’ ny nofo nanjaka tao amin’ ny lapa nitoerany! Tsy takatry ny saintsika
ny hisian’ ny toerana ratsiratsy kokoa noho izany, izay vato misakana ny fiainam-
pivavahana. Tsy maintsy nanao fandavan-tena lehibe tokoa mantsy ireo vao niova
fo ho Kristiana ireo izay nisetra fanoherana mivaivay. Kanefa - na dia tao aza ny
zava-tsarotra sy ny loza dia nitoetra ho mahatoky tamin’ny filazantsara izy. Mety
ho azon’ ny Kristiana iray atao ny tsy hankato ny fahamarinana, amin’ ny filazany
fa be loatra ny zava-tsarotra misakana azy; nefa fialan-tsiny maivana foana izany.
Fa eo amin’ny fanalany tsiny ny tenany toy izany no iampangany
an’Andriamanitra ho manao ny tsy rariny, satria hoy izy mametraka fepetra
sarotra hahazoam-pamonjena eo anoloan’ ny zanany izay tsy ho vitany na oviana
na oviana Andriamanitra.
Izay tapa-kevitra hanompo ny Tompo kosa dia habita fomba mandrakariva
hijoroana ho vavolombelona. Tsy manaiky ho voasakan’ ny zava-tsarotra ny
fanahy tapa-kevitra hikatsaka mialoha ny fanjakan’ Andriamanitra. Avy amin’ ny
hery raisiny amin’ ny fivavahana sy ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra no
hikatsahan’ ny mpanota ny toetra tsara, ka hanariany ny toetra ratsy. Hibanjina
an’i Jesosy, Tompon’ ny finoany sy Mpanefa azy, izay niaritra ny fanoheran’ ny
mpanota ny Kristiana, ka

406
hisetra koa ny fanaratsiana sy ny tanesoana. Hatolotra azy amin’ny fotoana
rehetra ny vonjy sy ny famindrampo avy amin’Ilay mahatoky amin’ ny teny
nomeny, satria hisakambina izay miantoraka hila vonjy eo aminy ny sandriny.
Azontsika atao ny hitoetra tsy manana ahiahy eo ambany fiarovany ka hiteny hoe:
«Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho»7. Hanatontosa ny teny
fikasany amin’ izay rehetra miantoraka eo aminy Andriamanitra.
Nasehon’ ny Tompo teo amin’ny fiainany fa azon’ny mpianany atao ny ho
eo amin’izao tontolo izao, nefa tsy ho naman’ izao tontolo izao. Tonga Izy, tsy
ny handray anjara amin’ny fifaliana aloka ety an-tany akory, na haka tahaka ny
fomba sy ny fanaon’ ny olona, fa mba hanao kosa ny sitrapon’ny Rainy, dia ny
hitady sy hamonjy ny very. Raha manana izany hevitra izany ao am-pony koa ny
Kristiana, dia ho voaro amin’ny hery ratsy rehetra na manao ahoana na manao
ahoana ny toe-javatra manodidina azy. Na toy inona na toy inona mahazo azy,
na manao ahoana na manao ahoana ny toerana misy azy, na ambany izany na
ambony, dia azony atao ny hijoro ho vavolombelona amin’ ny fanatontosana tsara
ny asany, sy ho vavolombelon’ ny herin’ ny finoana marina. Tsy eo amin’ ny
toerana lavitra ny zava-tsarotra no ivoaran’ ny toetran’ ny Kristiana, fa tena ao
amin’ ny fitsapana mihitsy. Rehefa miatrika ny tolona sy ny zava-tsarotra ny
mpianatr’ i Kristy vao mampiseho fiambenana tsara; hipololotra avy ao amin’ ny
fanahiny ny fivavahana mafy mba hiangavy fanampiana avy amin’ ny Tsitoha.
Rehefa zakaina ao amin’ ny fanampian’ ny Tompo ny fizahan-toetra
mahamay dia hitombo ny faharetana, ny fiambenana, ny herim-po ary ny
fitokisana lalina sy tsy azo hozongozonina an’ Andriamanitra. Fandresena manao
ahoana no azon’ ny finoana rehefa avelany hihatra amin’ ny tena mpianatra
marina ny fijaliana, ka hijoroany ho matanjaka am-panahy, sy handefitra, nefa
handresy, hamono lalandava ny «izaho», nefa kosa handroso eo amin’ ny fiainana
ka hilanja ny hazo fijaliana isan’ andro mba ho mpandova ny satroboninahitra!

7) Salamo 56 : 4

407
45

Epistily
avy tany Roma
Raha vao niova ho Kristiana ny apostoly Paoly dia nahazo tombotsoa
sasantsasany avy tamin'Andriamanitra izy, mba hampahafantarina azy izay
tadiavin’i Jesosy aminy. araka ny maha-mpianany azy. Ohatra, «nakarina ho any
amin ny lanitra fahatelo... ho any Paradisa izy, ka nandre teny tsy azo tenenina
sady tsy (tokony holazain’olona». Nilaza koa izy fa nahazo «fahitana
sy fanambaran’ ny Tompo. ary «tsy latsaka noho ireo apostoly ambony indrindra
ireo»1 izy. Fantany tsara ny «sakany sy lavany ary hahavony sy halalin’ ny
«fitiavan' i Kristy. izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra»2.
Tsy sahiny nainbara anefa izay zavatra rehetra naseho azy tamin’ny
fahitana ndrao dia hataon' ny mpihaino sasany dika-vilana izany. Nefa kosa izay
naseho azy dia ampy hiasany toy ny filoha sy mpampianatra ampy fahalalana, sy
hahazoany manoratra epistily nampitondrainy ho an’ ny fiangonana. Nanjohy azy
hatraiza hatraiza ny fihetseham-po nahazo azy rehefa nandray fahitana izy ary
tamin’ izany no nahafantarany marina ny toetra tokony hananan’ ny Kristiana.
Tamin' ny teny notoriny mivantana sy tamin’ ny epistily nalefany no
nampielezany hafatra hofanampiana sy ho fampaherezana ny fiangonan’
Andriamairitra. Hita miharihary amin’ izany hafatra izany ny loza
mananontanona ny mpino ankehitriny, ary koa ny hevi-diso tsy maintsy atrehiny.

Ity toko ity dia mifototra amin’ ny epistily ho an’ ny Kolosiana sy ny


Filipiana

1) 2 Kor. 12 : 2, 4, 1, 11 2) Etes. 3 : 18, 19

409
Izay nirin’ i Paoly ho an’izay rehetra nandefasany torohevitra sy
fananarana dia ny hahatonga azy ireny «tsy ho zaza intsony... ka ahilangilana sy
ampitamboliimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ ny
saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny
famitahana;» fa «mba ho tonga amin’ ny fahalalana tsara ny Zanak’
Andriamanitra izy, ka ho lehilahy lehibe mahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny
fahafenoan’i Kristy». Namporisika ny mpianatra izy mba «tsyhandeha intsony
tahaka ny fandehan’ny jentilisa amin’ ny fahafoanan’ ny sainy; fa efa tonga
maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ ny fiainan’Andriamanitra ireny, noho ny
hamafm’ny fony». «Tandremo tsara, hoy izy, izay fandehanareo, mba tsy
hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro
azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao»3. Namporisihiny ny Kristiana
hiandry ny andron’ i Kristy, izay «tia ny fiangonana ka nanolotra ny tenany
hamonjy azy», «mba horaisiny ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy
misy pentimpentina na fiketronana na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy
misy tsiny izy»4
Mirakitra lesona tokony hodinihin’ ny olona rehetra izany teny izany, izay
voasoratra tamin’ny hery tsy avy tamin’olombelona fa avy tamin’Andriamanitra,
ary tokony haverimberintsika ny fandinihana azy hahasoa antsika. Voaseho
mibaribary ao amin’ny epistily nosoratan’i Paoly ny fitsipika tokony harahin’ny
fiangonana rehetra, sy ny lalana voasoritra mazava tokony hizorany hankany
amin’ny fiainana mandrakizay.
Tao amin’ ny epistily ho an’ny Kolosiana, izay nosoratan’i Paoly tao amin’
ny tranomaizina tany Roma, ka nalefany ho an’ny « olona masina... dia ny
rahalahy mahatoky ao amin’i Kristy», no nanehoany ny hafaliany noho ny
fandrenesany ny toetra mahatoky nananan’ ny rahalahy araka ny tatitra nataon’i
Epafra. Toy izao no nosoratany momba izany: «Epafra... efa nanambara taminay
koa ny fitiavanareo ao amin’ ny Fanahy. Ary noho izany izahay koa hatramin’ ny
andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba
hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony hianareo amin’ny fahendrena sy ny
fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo miendrika
ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny

3) Efes. 4 : 14, 13, 17, 18; 5 : 15, 16 4) Efes. 5 : 25, 27

410
zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ ny asa tsaia rehetra sady mitombo amin’
ny fahalalana tsara an’ Andriamanitra, ary ampahatanjahina amin’ ny hery rehetra
araka ny herin’ ny voninahiny ho amin’ ny faharetana. rehetra sy ny fandeferana
amin’ny hafaliana».
Toy izany ny fanirian’i Paoly ho an’ ny fiangonana tany Kolosia. Endrey
ny hasoan’ny fenitra ambony apetraka eo anoloan’ny mpianatr’i Kristy! Akory
ny hakanton’ny fahombiazana ho vitany! Asehon’ ireo teny ireo amintsika fa tsy
misy fetrany ny fitatafiana omen’Andriamanitra ny zanany. Tsy hitsahatra ny
fitomboany amin’ ny fahalalana an’Andriamanitra; hitombo ny fiainany maha-
Kristiana azy; handray hery vaovao lalandava izy, ary hananika haavo vaovao
hatrany mandra-pahazoany «anjara amin’ny lovan’ ny olona masina», noho ny
«hery be voninahitra» hatolotr’Andriamanitra azy.
Nankalaza an’i Kristy ny apostoly Paoly, satria tamin’ny alalany no
namoronan’Andriamanitra «ny zavatra rehetra» sy nanavotany ny olona.
Nambarany fa ny tanana mihazona ny zavatra rehetra eny amin’ ny habakabaka,
ka nametraka filaminana teo amin’ izy rehetra, no tanana koa izay nofantsihana
teo amin’ny hazo fijaliana ho fisoloana ny mpanota tany Kalvary. «Fa tao
aminy (Kristy), hoy izy, no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety
ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na
fanapahana, na fahefana, Izyno nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany.
Ary Izy no talohan’ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ny zavatra
rehetra... Ary hianareo izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin’ ny sainareo
noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny tao amin’ny
tenan’ny nofony, tamin’ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-
tsiny amam-pondro eo anatrehany».
Nidina ho ambany ny Zanak’Andriamanitra mba hampitsangana izay lavo.
Ho azy ireny no nandaozany ny lanitra, dia «ireo ondry sivy amby sivifolo» izay
tia Azy rahateo, ka naha-tongavany tety an-tany mba ho «voalefona noho ny
fahadisoan-tsika sy notorotoroina noho ny helotsika)5.
5) Isaia 53 : 5

411
Nampitovina tamin’ny rahalahiny tamin'ny zavatra rehetra Izy ka nitafy ny
nofontsika. Nianatra fijaliana tamin’ny hetaheta sy ny hanoanana ary ny
hasasarana Izy. Toy ny olona hafa rehetra, dia tamin'ny fihinanana sakafo sy
tamin’ ny torimaso no namerenany indray ny heriny. Vahiny sy mpivahiny teto
an-tany Izy, ary teto amin’ izao tontolo izao, nefa tsy naman' izao tontolo izao.
Nalaim-panahy isan' andro tahaka antsika Izy. kanefa tsy nisy ota tao amin’ ny
fiainany. Be fitiavana Izy, niaraka ory, nahatsapa ny fahoriantsika, ka vonona ny
handefitra mandrakariva ho an’ ny hafa; toy izany no nanehoany ny toetran’
Andriamanitra. «Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tamintsika ... feno faha-
soavana sy fahamarinana»6.
Voahodidin’ ny fanao sy ny hery ratsin’ny fanompoan-tsampy ny Kristiana
tany Kolosia, ka natahorana sao hihataka amin’ny fahatsoran’ny filazantsara.
Nampitandrina azy ny apostoly Paoly mba tsy hiharan’izany loza izany. ka
namporisihiny izy hanaraka an'i Kristy, hany anpitarika tsy mety diso. «Fa tiako
ho fantatrareo, hoy izy, ny hamafin’ ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia
mbamin’ izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin’ ny nofo mba hampifaliana
ny fony amin’ ny ampiraisana azy amin’ ny fitiavana sy lio amin’ ny haren’ ny
fahatokiana be avy amin’ ny fahazavan-tsaina. ho amin' ny fahalalana tsara ny
zava-miafina izay an’Andriamanitra, dia Kristy, Izay iafenan’ny rakitry ny
fahendrena sy ny fahalalana rehetra. Ary izany no lazaiko fandrao hisy
hampahadiso hevitra anareo amin’ ny teny tsy marina... Koa tahaka ny
nandraisanareo an’i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany
koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ ny finoana,
toy ny efa nampianarana anareo ka mazoto amin’ ny fisaorana. Tandremo fandrao
misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka
ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo
izao, fa tsy araka an’ i Kristy. Fa ao amin’ ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’
ny fomban’Andriamanitra rehetra; ary hianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy
no Lohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra».
Efa nilaza mialoha Kristy fa hisy «mpaminany sandoka maro hitsangana
ka hamitaka ny maro Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia
hihamangatsiaka ny fitiavan’ ny maro»7

6) Jaona 1 : 14 7) Mat. 24 : 11, 12


412
Nampitandrina ny mpianalra Izy ny amin' ny loza niananontanona ny fiangonana,
izay hahatonga fanimbana be lavitra noho ny fanenjehana hataon’ny fahavalony
aza. Nambaran’i Paoly ny fiangonana ny voka-dratsin’ireny fanipianarana
sandoka ireny. Tokony hiaro tena amni’izany loza izany izy, mihoatra noho
ny loza hafa rehetra aza, satria ny fandraisany ny nipampianatra sandoka no
hampivoha varavarana hampidiran'i Satana hevi-diso izay hampalemy ny
fiainany ara-panahy, ary handrava ny fito-kisany ny finoana atolotry ny
filazantsara.
Ny Mpamonjy no sedra itsapana ny fampianarana rehetra aroson'ireny
mpampianatra sandoka ireny. Tokony ho tsipahin’ny mpianatra izay rehetra tsy
mifanaraka amin' ny fampianaran’i Kristy. Ny fahalalana ny famonjena tokony
ho fantany sy hotoriny, dia Jesosy Kristy voahombo noho ny fahotana, sy
natsangana tamin’ ny maty, ary nakarina ho any an-danitra.
Atolotra antsika ankehitriny koa ny fananarana omen’ny Tenin’
Andrianianitra momba ny loza mananontanona ny fiangonana. Toy ny tamin’ ny
andron’ny apostoly ireo mpampianatra sandoka dia niezaka handevona ny
finoana ny Soratra Masina tamin’ny lovan-tsofina sy ny filozofia, dia toy izany
koa ankehitriny miezaka izy ireny mba hialantsika amin ny Baiboly amin’ny
alalan’ ny ataony hoe: «fitsikerana ambony», sy ny fampianarana momba ny
evolisiona. ny fiantsoam-panahy ny fampianarana mihambo ho mandray aingam-
panahy avy any an-koatra ny fampianarana izay milaza fa andriamanitra koa ny
zavaboary sy ny olona -izany dia fanoherana ny fahaniarinana, atao hahavery ny
fanahy. Heverin’ny maro ho toy ny fanilo tsy mila solika ny Baiboly, satria
manaraka lalana mitondra ho amin’ ny fisavoritahan-tsaina sy ny fahadisoan-
kevitra izy ireny. Ny asan’ny «fitsikerana ambony», dia ny mandrava sy
mampihevaheva, ary mandevona ny finoana ny maha-tsindrimandrin’
Andriamanitra ny Baiboly. Fandrombahana amin’ ny tenin’ Andriamanitra ny
fahefany hitarika sy hanandratra ary hanolo-tsaina ny olombelona ny fanarahana
ireny fampianaran-diso ireny.
Ampianarin’ ny spiritisma ny olona maro fa ny faniriana no fanoitra
mahery indrindra, ka samy mahazo manao izay tiany hatao ny olona, ary tsy
tompon’ andraikitra afa-tsy ho an’ny tenany ihany ny tsirairay avy.

413
Handre fampianarana «manodoka» ny mpianatr’i Kristy ary ny amin’ ireny
indrindra no ampitandreman’i Paoly ny mpino tany Kolosia. Tsy maintsy
hifanandrina amin’ ny mpanao fanazavana sandoka ny Soratra Masina izy nefa
tsy haharesy azy ireny. Hàtaony “antso avo kosa ny fahamarinana” mandrakizay
raketin’ny Tenin’Andriamanitra. Hifantoka eo amin’i Kristy ny masony, ary
hizotra amin’ny lalana nosoritan’ ny Mpamonjy izy, ka handâ ny hevitra rehetra
mifanipaka amin’ ny fampianarany. Ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra
ihany no hobanjininy sy hosaintsaininy. Ekeny ho feo avy any ambony miteny
mivantàna aminy ny Baiboly. Amin’izany no handraisany fahendrena avy
amin’Andriamanitra.
Ny fahalalana an’Andriamanitra voaseho ao amin’ i Kristy no tokony
hananan’ izay rehetra te-hovonjena. Io fahalalana io ihany no afaka hanova ny
toetra. Rehefa tafiditra ao amin’ny fiainana tokoa mantsy izy, dia hanavao ny
fanahy hitovy endrika amin’i Kristy. Miantso ny zanany hanaiky izany fahalalana
izany Andriamanitra, satria raha miolotra aminy ny fahalalana hafa
rehetra dia zava-poana sy tsinontsinona.
Hatramin’ ny taranaka taloha rehetra sy any amin’ ny tany rehetra, dia ny
fitsipiky ny Tenin’Andriamanitra no tena fototra marina hanorenana ny toetra.
Ny manao izay asain’ Andriamanitra atao no fitsipi-pitondrantena tokony
harahina, izany ihany no tsy mety diso. «Mahitsy ny fandidian’ i Jéhovah». «Izay
mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay»8. Tamin’ ny alalan’
ny Soratra Masina no nanoheran’ ny apostoly ny fampianaran-diso tamin’ ny
androny. Nohizingizinina fa «Tsy misy mahay manao fanorenana hafa, afa-tsy
izay natao, dia Jesosy Kristy»9.
Rehefa niova fo sy natao batisa ny mpino tany Kolosia dia nanapa-kevitra
hanary ny finoana sy ny fanao niainany hatramin’izay, ary hijoro ho mahatoky ao
amin’ i Kristy. Nampahatsiahivin’i Paoly azy izany voadiny izany tao amin’ ny
epistiliny, ka niangaviany azy tsy hanadino ny fanekena nataony, satria avy amin’
izany no hananany hery hiady amin’ ny ratsy izay nitady hifehy azy. «Koa raha
niara-natsangana tamin’ i Kristy hianareo, hoy izy, dia katsaho ny zavatra any
ambony, any amin’ ny itoeran’ i Kristy, Izay mipetraka eo an-tànana ankavanan’
Andriamanitra. Saino

8) Sal. 19 : 8 ; 15 : 5 9) 1 Kor. 3 : 11
414
ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany. Fa efa maty hianareo, ary
ny fiainanareo miara-miafma amin’ i Kristy ao amin’Andriamanitra». «Koa raha
misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha,
indreo, efa tonga vaovao ireo»10.
Avy amin’ny herin’i Kristy no anapahan’ny mpanota ny gadran’ny
fahazaran-dratsy namatotra azy. Nafoiny ny fizahozahoana. Manjary tia vavaka
ny olon’ izao tontolo izao teo aloha, ny mpimamo manjary mahafehy tena; ny
mpijangajanga manjary olo-marina. Voaova hitovy endrika amin’ i Kristy ny
fanahy izay nitondra ny endrik’i Satana teo aloha. Izany fiovana izany no
tena fahagagana mihoatra noho ny _ fahagagana rehetra. Vokatry ny Tenin’
Andriamanitra izany, ary fanehoana ny iray amin’ny zava-miafina lalina
indrindra raketiny. Tsy takatry ny saintsika izany. Ny hany azontsika atao dia ny
mino araka ny ambaran’ ny Soratra Masina fa Kristy ao anatintsika, «fanantenana
ny voninahitra».
Rehefa mitarika ny saina sy ny fon’ny olona ny Fanahin’Andriamanitra,
dia misy hira vaovao hisandratra avy amin’ny fanahiny, satria tsapany fa
nanatontosa ny teny fikasana nataony taminy Andriamanitra, ka voavela ny
helony, ary voaisotra ny fahotany. Naneho ny fibebahany noho ny nandikany ny
didin’Andriamanitra ny olona niova fo, ka manambara ny finoany an’ i
Kristy izay maty ho fanamarinana ny mpanota: «Koa amin’izany, satria efa
nohamarinina tamin’ ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’
Andriamanitra amin’ ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika»11.
Kanefa kosa raha efa nanao izany fanandramana izany ny Kristiana dia tsy
tokony hamihin-tanana fotsiny, ka ho afa-po amin’ izay notanterahina ho azy.
Satria izay nanapa-kevitra hiditrà ao amin’ ny fanjakan’ny lanitra dia habita tsy
ho ela fa ny hery rehetra, sy ny filàna namatotra ny fiainany fony tsy mbola niova
fo, izay nohamafisin’ny herin’ny fanjakan’ ny maizina, dia nitsangan-kanohitra
azy. Koa dia tsy main tsy manavao ny fanoloran-tenany isan’ andro amin’ny
Tompo izy, ka hiady amin’ny ratsy. Hirohotra hanao izay hifehezana azy ny
fahazaran-dratsy teo aloha, sy ny fironana ho amin’ny ota nolovany. Koa dia tsy
maintsy miambina mandrakariva tsy ho azon’ ny fahavalony izy,
10) Kol. 3 : l - 3 ; 2Kor. 5 : 17 11) Rom. 5 : 1

415
ka hampiasa ny fiadian' i Kristy mba hahazoany fandresena. Hoy i Paoly: «Koa
vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany… Koa mitafia famindrampo sy
fiantrana, fahamoram-panahy fanetren-tena, tahalemem-panahy. fandeferana.
araka ny olomboafidin’ Andrianianitra sady masina no malala. Mifandefera
ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka
ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary
aoka ho ambonin’ izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ ny fahatanterahana
izany. Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho
amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana
hianareo».
Feno anatra sarobidy indrindra ny epistily ho an’ ny Kolosiana, ary natao
ho an' izay rehetra nianao ny asan’ i Kristy izany — anatra maneho ny fahatsorana
sy ny fahamendrehan’ ny fikasana izay tokony ho hita eo amin' ny fiainan' izay
vavolombelona mendrika ny Mpamonjy.
Tsy maintsy hafoin' ny Kristiana ny zavatra rehetra mety hisakana azy
amin’ ny fanohizana ny diany miakatra, toy izany koa izay rehetra mety
hampivily lalana azy hiala amin’ ny lalana tery; aoka ho hita isan’ andro eo amin’
ny fiainany andavanandro ny famindrampo, ny hatsaram-panahy, ny fanetren-
tena, ny hale- mem-panahy ny faharetana, ny fitiavana an’ i Kristy.
Ilaintsika loatra ny hanana fiainana madio, mendrika kokoa ambony
kokoa. Fatra-pihevitra loatra ny tany isika, ary tsy ampy ny fiheverantsika ny
fanjakan’ ny lanitra.
Tsy tokony ho resin’ ny famoizampo ny Kristiana miezaka hanatratra ny
fenitra ambony omen’ Andriamanitra, satria ampanantenaina ho an’ny tsirairay
avy ny fahatanterahana eo amin’ny toetra sy ny fairalty noho ny fahasoavana sy
ny herin’i Kristy. Kristy no loharanon’aina. Mitaona antsika hankeo amin’
ny Teniny Izy, ka manolotra amintsika ny ravin’ny hazon’aina, mba
hanasitranana ny fanahintsika noratrain’ ny ota. Mitarika antsika hankeo amin’
ny seza fiandrianaïf Andriamanitra Izy ka apetrany eo amin’ ny molotsika ny
fivavahana hananantsika fiombonana ety dia ety eo Aminy. Ampiasainy ho
antsika ny faherezan'ny herin’ny lanitra. ka ampifandraisiny amin’ ny
heriny mamelombelona isika isaky ny indray mandingana eo amin’ny lalam-
pahamasinana izorantsika.
416
Tsy asian’ny Tompo fetrany ny hamenoana izay rehetra manam-paniriana
«hahalala tsara ny sitrapony amin’ny fahéndrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra
avy amin’ ny Fanahy». Amin’ny fivavahana sy ny fiambenana ary ny fitomboana
ao amin’ ny fahalalana an’ Andriamanitra, no ampaherezana azy amin’ ny zavatra
rehetra, avy amin’ ny hery be voninahitra. Amin’izany no hahazoany miasa ho
an’ny namany. Irin’ ny Mpamonjy ho sandry hamonjy ny hafa ny olona voadio
sy nohamasinina. Aoka hisaotra an’Andriamanitra isika noho izany tombontsoa
goavana izany « Izay nampamendrika antsika hanana anjara amin’ ny lovan’ ny
olona masina eo amin’ ny mazava, sady nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ ny
maizina ka namindra antsika ho amin’ ny fanjakan’ny Zanany malalany, Izay
ananantsika fanavotana, dia niy famelana ny helotsika».
Nosoratan’i Paoly tany am-pifatorana tany Roma toy ny epistily ho an’ny
Kolosiana koa ny epistily ho an’ny Filipiana. Nandefa fanomezana ho an’i Paoly
ny fiangonana tany Filipy ka nampitondrainy an’i Epafrodito, izay nanaovan’i
Paoly izao fanambarana izao: «Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko
hankaty aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila
namako ary irakareo, sy mpanompo hanome izay nilaiko. Fa manina anareo
rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy. Eny, fa narary saiky
maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany,
fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho. Koa nazoto kokoa
haniraka azy aho, mba hifalianareo, fehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka
alahelo kokoa aho. Koa raiso ao amin’ny Tompo izy amin’ ny fifaliana indrindra,
ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany; fa saiky maty izy noho ny
asan’i Kristy sady nanao. ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo
tamin’ny fanompoana ahy».
Nandefa taratasy fisaorana ho an’ny Filipiana i Paoly, izay nampitondrainy
an’i Epafrodito - fisaorana noho ny fanomezana nampitondrainy ho azy. Ny
fiangonana tao Filipy no tena nalala-tanana indrindra mihoatra noho ny
fiangonana hafa rehetra. «Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ ny
niandohan’ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana
nanan-draharaha tamiko ny amin’ ny fanomezana sy fandraisana afa-tsy hianareo
ihany. Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha
amana indro hianareo
27— Vavolombelona Mahery
417
hamonjy ahy. Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no ilazako izany; fa mitady
ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho. Fa manana ny zavatra rehetra aho
sady mariana amby aza; feno aho, rehefa nandray tamin’ i Epafrodito ilay zavatra
nampi-tondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian’Andriamanitra sady
ankasitrahany. Fa Andriamanitro hahatanterakaizay rehetra tokony ho anareo
araka ny hareny amin’ ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy».
«Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin'Andriamattitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. Misaotra an’
Andriamanitra amin’ ny fahatsiarovana anareo mandrakariva aho amin’ ny
fivavahako rehetra ho anareo, ka mangataka amin’ny fifaliana, noho ny
firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin’ ny andro voalohany ka
mandraka ankehitriny; ary matoky indrindra aho fa- Izay nanomboka asa tsara-
tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ny andron’i Jesosy
Kristy; fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-
poko hianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako hianareo rehetra, na amin’
ny fîfatorako, na amin’ ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny
fampianarako haha- mafy orina azy. Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa
manina anareo rehetra indrindra aho amin’ ny famindrampon’i Kristy Jesosy. Ary
izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavana bebe kokoa amin’ ny
fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra, mba hamantaranareo izay zavatra
tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ ny andron’i
Kristy hianareo, sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i
Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra».
Ny fahasoavan’Andriamanitra no nanohantohana an’i Paoly tany am-
pifatorany, ka nahazoany nifaly na dia tao amin’ny fahoriana aza. Tamin’ ny
finoana sy ny fahatokiana mahatalanjona no nanoratany tamin’ ny Filipiana fa ny
fifatorany no nanampy ho fampandrosoana ny fanjakan’ Andriamanitra. Hoy izy:
«Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia
efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa; ka ao amin’i Kristy ny fifatorako
dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin’ ny olona hafa rehetra; ary
ny ankabiazan’ ny rahalahy dia efa matoky ao amin’ ny Tompo noho ny
fifatorako ka miha-sahisahy kokoa hitory ny Tenin’ Andriamanitra tsy amin’ ny
tahotra ».

418
Harem-pahalalana safononoka ho antsika ny fitsapana nihatra tamin’i
Paoly, sa tria hitantsika eo ny fiasan’Andriamanitra. Azon’ny Tompo atao ny
mampamirapiratra ny fandreseny eo amin’izay heverintsika ho fihemorana sy
faharesena. Alaim-panahy hanadino an’Andriamanitra isika, ka hijery ny
zavatra hita, fa tsy mijery amin’ny masom-pinoana ny zavatra tsy hita. Rehefa
mianjera amintsika ny fahoriana sy ny loza, dia vonona avy hatrany hiampanga
an’ Andriamanitra ho nahafoy antsika isika, na koa hihevitra Azy ho lozabe
amintsika. Raha heveriny ho ilaina ny tsy hampiasa antsika amin’ ny fotoana
sasantsasany, dia velon-taraina ery isika, ka tsy mahafàntatra fa soa ho antsika no
nanaovany izany. Ilaintsika ny hahafantatra fa ny fitsapana dia ao anàtin’ ny plana
midadasika volavolain’Andriamanitra; ka amin’ ny tsorakazon’ ny fangirifïriana
no hahatonga ny Kristiana hahasoa kokoa ho an’ny Tompo noho ny amin’ ny
fotoana mbola ahazoany miasa ho Azy.
Namporisihin’ i Paoly hanahaka ny ohatr’ i Kristy ny Filipiana, «Izay, na
dia nanana ny endrik’ Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikirina
mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ ny nakany
ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ ny
olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky
hatramin’ ny fahafatesana dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana».
«Koa amin’ izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy
fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho,
miasa amin’ ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa
Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana
hahatanteraka ny sitrapony. Ataovy ny zavatra rehetra amin’ ny tsi-
fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan- tsiny sady tsy misy
fitaka hianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena
meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo
izao, mitana ny tenin’ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin’ny andron’ i
Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana».
Nosoratana ho fampaherezana izay «ehetra mitolona izany teny izany.
Nasehon’ i Paoly ny fahambonian’ ny fahatanterahana,

419
ary natorony ny fomba hahatrarana izany: «Miasà amin’ ny tahotra sy ny hovitra
hahatanteraka ny tamonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na
ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony».
Ao amin’ ny firaisan-kina sy ny fiaraha-miasa no ahatan-teraka ny asam-
pamonjena. Misy fiaraha-miasa eo amin’Andriamanitra sy ny mpanota
mibebaka; ilaina izany, mba hiforonan’ny fitsipika mifehy ny toetra. Tokony
hiady amim-pikirizana isika mba handresena ny zavatra misakana antsika tsy
hahatratra ny fahatanterahana. Kanefa miankina tanteraka amin’ Andria-
manitra isika mba hahitantsika fahombiazana.
Tsy ampy ny ezaka ataon'ny tena fotsiny, satria raha tsy eo ny fanampian’
Andriamanitra dia tsy mahavita na inona na inona izany. Tsy maintsy miara-
miasa Andriamanitra sy ny olona. Tsy maintsy ho hita eo amin’ ny olona ny
fanoherana ny fakam-panahy, ary ao amin’ Andriamanitra no anovozany ny
heriny. Eo an-daniny ny fahendrena tsy hita lany sy ny fitiavana ary ny herin’
Andriamanitra, ary eo ankilany kosa ny fahalemena, ny faharatsiana ary ny tsy
fananana hery na kely aza eo amin’ ny olona.
Irin’ Andriamanitra ny hahazoantsika mifehy tena. Kanefa tsy afaka
hanampy antsika Izy raha tsy sitrapontsika izany, na raha tsy vonona hiara-miasa
Aminy isika. Amin’ ny alalan’ny hery sy ny fahavitana atolotra ny olona no
fomba iasan’ ny Fanahin’Andriamanitra. Raha isika ihany dia tsy afaka
hemetraka ny fikasantsika sy ny faniriantsika, ny fironan’ny saintsika hifanaraka
amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra; kanefa kosa raha ekentsika ny hanao izany,
dia ny Mpamonjy no hanatanteraka izany ho antsika:
« Fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana
hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra
hanaiky an’i Kristy»12.
Tokony hitolo-batana tanteraka eo am-pelatanan’i Kristy sy hanokan-tena
ho Azy izay te hanana toetra matanjaka sy voarindra tsara, ka ho tonga Kristiana
marim-pototra, satria tsy eken’ny Mpanavotra mihitsy ny hananantsika fo
mizarazara. Hianarany isan’ andro isan’ andro ny atao hoe mandà tena».
Hianarany ny Soratra Masina, ho takatry ny sainy ny tena heviny.

12) 2Kor. 10 : 5
420
hankatoaviny ny fitsipiny; amin’izany no hahatrarany ny faha-tanterahana
kristiana.
Hiara-miasa amin’ny olona isan’andro isan’andro Andriamanitra mba
hanamboatra ny toetrany ho tanteraka, sy mba hahazoany miseho eo anatrehany
amin’ ny fizahan-toetra farany. Haseho ny mpino isan’andro isan’andro, eo
anatrehan’izao tontolo izao sy ny anjely amin’ ny fanandramana ataony, ny
vokatry ny asan’ ny filazantsara eo amin’ ny mpanota lavo. Fa hoy i Paoly: «Ry
rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no
ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo
aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny
fiantsoan’ Andrianianitra any ambony ao amin’ i Kristy Jesosy».
Nisahana adidy maro ny apostoly Paoly. Hatramin’ ny andro nankatoavany
ny Mpamonjy, dia nisahana adidy betsaka izy. Noteteziny ny tanàna maro sy ny
tany maro, nitory an’ i Kristy voahombo izy, ka nambabo fanahy ho an’ ny
filazantsara, sy nanorina fiangonana. Nahatonga ahiahy lalandava tao aminy
ireny fiangonana ireny, ka dia nandefa epistily maro ho fampianarana azy izy.
Indraindray izy manao ny asa-tanana mba hahazoany fivelomana. Kanefa na
inona na inona nataony dia tsy niala teo anatrehany mihitsy ny tanjona tena
nokendreny, dia ny hahazo ny lokan’ny fiantsoana voarainy avy any ambony, sy
ny hijoro ho mahatoky amin’Ilay niseho taminy raha teo am-bavahadin’i
Damaskosy izy. Tsy nisy mihitsy zavatra hafa navelany hanelingelina azy. Ny
hanandratra ny hazo fijaliana tany Kalvary no fanoitra nambabo azy tanteraka sy
nanome aingam-panahy azy tamin’ ny teniny sy ny asany.
Tokony hanentana ny mpanompon'Andriamanitra hanolo-tena tanteraka
amin’ ny asany koa ny tanjona voalohany nanosika an’i Paoly handroso, ka
hiatrika ny loza sy ny tebiteby nahazo azy. Hiseho eo anatrehany hampiala ny
sainy tsy hibanjina ny Mpamonjy ny tany sy ny zava-mahatsiriritra eo aminy;
kanefa aoka hiezaka hanatratra ny marika efa nokendreny hotratrarina izy.
Hasehony amin’ izao tontoio izao sy amin’ny olona ary amin’ny anjely, fa ny
fahasambarana hahita ny tavan’Andriamanitra dia mendrika hanaovana ny
fandavan-tena rehetra ilaina ho fahatanterahan’izany fanantenana izany.

421
Na dia nifatotra aza i Paoly, dm tsy nahakivy azy izany, fa vao mainkà koa
antsom-pandresena no nikarantsana tao amin’ny epistly tehetra nosoratany tany
Roma ka nalefany ho an’ny fiangonana. «Mifalia mandrakariva amin’ ny Tompo;
hoy izaho indray; Mifalia... Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana
sy ny fifonana mbamih’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny
fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ nyzavatra rehetra. Ary ny fiadanan’
Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny
hevitrareo ao amin’ i Kristy Jesosy. Farany, ry rahalahy, na inona na inona
marina, na inoma na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na
inona madio, na inona na inona maha-te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha
misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany ... Ary ho aminareo
ny Andriamanitry ny fiadanana».

422
46

Nafahana tamin’
ny fatorana i Paoly

Raha notahin’Andriamanitra ny asan’i Paoly tany Roma, ka nitombo isa


ny olona niova ho Kristiana, ary nihamafy orina tao amin’ ny finoana ny mpino,
dia nisy rahona nitambatra teny amin’ny faravodilanitra, ka natahorana hanimba
ny fiarovana an’ i Paoly, sady mety hanakantsakana ny fandrosoan’ny fiangonana
koa. Nitraka, teo ambany fiarovan’ny manamboninahitra iray mpiambina ny
amperora izy raha vao tonga tao amin’io renivohitra io. Lehilahy marina sy
mahitsy io manamboninahitra io, ka nampiseho halemém-panahy ary namela an’i
Paoly hanana fahalalahana teo amin’ ny asany. Kanjo aloha kelin’ ny nifaranan’
ny roa taona nahavonfonja azy, dia nosoloana mpandraharaha hafa ilay manam-
boninahitra, izay tsy nantenain’ i Paoly hitsimbina azy mihitsy.
Vao mainka romotry ny hatezerana mihoatra noho ny tamin’ny lasa rehetra
ny Jiosy teo amin’ ny fanenjehany an’ i Paoly, ary nanampy azy fatratra ny vady
faharoan’ i Néron, — vehivavy ratsy fitondrantena, jiosy fiaviana, izay nampiasa
ny heriny rehetra mba hahamora ny fikasana hampamono ilay maherifon’ ny
finoana kristiana.
Tsy nanantena firy ny amin’ ny rariny hataon’ i Kaisara izay nangatahiny
mba hitsara azy i Paoly. Néron dia ratsy fitondrantena sy vetaveta ary lozabe
mihoatra noho ny Amperora talohany. Tsy mbola nisy nitana ny fahapahana ka
henjana fitondra tahaka azy. Tamin’ny taona voalohany nanjakany dia
nanapoizina ny
423
rahalahiny izay mpandova ara-dalàna ny seza fiandrianana izy. Ny haratsiam-
panahiny no mbola nitarika azy hahavita heloka bevava, ka nampivarimbarina
azy tany amin’ ny hantsana, ary na ny reniny aza novonoiny, toy izany koa ny
vadiny. Vitany avokoa ny karazam-pahasahiana rehetra, ary tsy nampisalasala
azy ny nanao ny asa faran’ izay maharikoriko, hany ka- samy nanevateva sy
nankahala azy ny olona manan-tsaina mendrika rehetra.
Tsy misy teny mahalaza ny haratsiana nanjaka tao amin’ny lapa, satria
nahatsiravina loatra izany, sady naharikoriko. Naha-tonga faharikorikoana sy
fankahalana ny toetra tsivalahara nananan’ny Amperora; ka na dia ireo noterena
handray anjara amin’ny heloka bevava nataony aza dia tsy nahatanty izany.
Velon’ahiahy lalandava izy ireny teo am-pieritreretana ny fahabibiana nasaina
hataony. Kanefa na dia nanao izany heloka bevava izany aza i Néron dia tsy
nihena ny fankatoavan’ ny vahoakany azy. Nekena ho mpanapaka tsy refesi-
mandidy an’ izao tontolo izao izy; ary mihoatra noho izany aza, natondraka teo
aminy ny haja tokony ho an’Andriamanitra, satria noheverina ho andria-
manitra izy.
Araka ny fiheveran’ olombelona dia azo antoka fa tsy maintsy ho
voaheloka ho faty i Paoly raha mpitsara toy izany no hanapa-kevitra ny aminy.
Fantatr’ i Paoly anefa, fa raha mbola mitoetra ho mahatoky amin’ ny Tompo koa
izy, dia tsy misy hatahorany. Ilay efa niaro azy matetika tamin’ ny lasa no mbola
hahay mampandresy azy ny haratsiam-panahin’ ny Jiosy sy ny herin’ i Kaisara.
Nomba ny mpanompony tokoa Andriamanitra. Tsy neken’ny mpitsara ny
fiampangana natao azy teo amin’ ny fitsarana; ka tsy ny fanamelohana ho faty
izay narapoizina no re notononin’ity mpanjaka tsy manana hevitra matotra ity, fa
ntjmbaran’i Néron kosa fa tsy manan-tsiny ilay mpifatotra. Koa dia nihintsana ny
gadra teny aminy, ary nanjary olon’ afaka izy.
Raha mbola nahemotra lavidavitra kokoa ny fitsarana azy, na koa, raha
naharitra ho amin’ ny taona manaraka ny fihazonana azy noho ny antony tsy
fantatra, dia tsy maintsy ho novonoina ihany izy nandritra ny fanenjehana izay
nihatra tamin’izay fotoana izay.

424
Nandritra ny nitanana am-ponja an’ i Paoly dia nitombo isa indrindra ny
mpino tany Roma ka nahasarika ny sain’ ny manam-pahefana izany, ary
nampihetsika ny fahatezerany. Ny hatezeran’ny Amperora no tena nirehitra
indrindra tamin’ ireo ankohonany niova ho Kristiana, ka tsy ela akory dia nahita
hevitra hampiharana habibiana tsy misy indrafo tamin ny Kristiana izy.
Sahabo ho tamin’ izay fotoana izay indrindra no nisy hain-trano
mahatsiravina niseho tany Roma, ka nandevona saika ny an-tsasaky ny tanàna.
Niely ny tsaho fa i Néron mihitsy, hono, no nahatonga izany hain-trano izany; ka
mba hialany amin’ ny ahiahy napetraka taminy, dia naneho fahalalahan-tanana
lehibe tamin’ ireo tsy nanan-kialofana sy very fananana izy. Nefa mbola nitoetra
teo aminy ihany ny fiampangana. Tezitra mafy sady romotry ny hasosorana ny
vahoaka, ka mba hanamarinan’ i Néron ny tenany, sy mba hana-foanany tsy hisy
ao an-tanàna ireo mpivavaka kristiana natahorany sady halany, dia naviliny
nankany amin’ ireo ny fanendrikendrehana ho nahatonga ny hain-trano.
Nahomby ny teti-kadiny, ka anarivony maro ny Kristiana, na lehilahy na
vehivavy, na ankizy, no nampa-monoiny tamin’ ny tomba mahatsiravina
indrindra. Tsy mba tratran’ izany fanenjehana izany i Paoly, satria rehefa
hafahana tamin’ ny gadra izy dia niala tao Roma ary nanararaotra io fotoana
farany nananany fahafahana io mba hanaovana asa fitoriana goavana.
Niezaka hampisy fifandraisana akaiky kokoa amin’ny fiangonana grika sy
ny fiangonana Tandrefana izy, ka nampitandrina ny Kristiana tsy ho voan’ ny
fampianarana sandoka izay niely betsaka tokoa ary saika nandevona ny finoana
mihitsy aza.
Nahatonga ny toe-pahasalaman’ i Paoly ho simba ny fizahan-toetra sy ny
ahiahy nihatra taminy. Tsapany fa nihena ny heriny noho ny fahanterany; ary
tsapany fa efa mby eo amin’ ny fotoana farany azony iasana izy; ary satria
tsinjony fa nihafohy ny fotoanaazony niasana, dia vao mainka nirehitra ny
fahazotoany miasa. Toa tsy azo notohaina mihitsy ny fahazotoany. Hentitra ny
fikasany, vetivety ny nanatontosany azy, nahery ny finoany, raha nandeha nitety
ny fiangonana rehetra tany amin’ ny tany sami-hafa izy, ka niezaka hampatanjaka
ny finoan’ ny mpino, mba hahavitan’ ireny asa mamokatra ho an’ ny Tompo; ka
na dia handalo fitsapana aza izy ireny dia tsy ho azo hozongozonina amin’ny
fifikirany amin’ny filazantsara sy ny fijoroany ho vavolombelon’ i Kristy.

425
47

Ny nisamborana indray
an’ i Paoly

Tsikaritry ny fahavalo ny asa nataon’i Paoly indray tany amin’ny


fiangonana, rehefa nafahana tamin’ny gadrany izy. Noheveriny ho tsy mendrika
ho velona ny Kristiana rehetra na taiza na taiza hatramin’ ny niandohan’ ny
fanenjehana nataon’ i Néron. Nony afaka kelikely tokoa mantsy dia nahita hevitra
ireo Jiosy tsy Kristiana, ka nanendrikendrika an’i Paoly ho fototra niavian’ny
hain-trano tany Roma. Fantany tsara fa tsy tompon’ andraikitra tamin’izany i
Paoly; nefa hitany kosa fa raha io zavatra io no iampangana azy, na dia tsy misy
azo itanana azy kely akory ho nanao izany aza dia io no tsy maintsy hamonoana
azy. Koa dia vitany ny nampisambotra an’ i Paoly indray, ka tsy tapitapitr’izay
dia naiditra am-ponja indray izy ary tsy ho tafavoaka avy tao intsony.
Tamin’ ny dian’ i Paoly fanindroany tany Roma, dia narahin’ny mpiara-
miasa aminy maromaro izy. Ny sasany te hiombom-pahoriana aminy tokoa nefa
tsy navelan’i Paoly hampdi-doza ny ainy izy treny. Fantany fa ratsy lavitra noho
ny tamin’ny namatorana azy tamin’ ny voalohany ny toe-javatra atrehiny
ankehitriny.
Nampihena be dia be ny isan’ny Kristiana ny fanenjehana nataon’i Néron
tany Roma. Anarivony tamin’ ireny mantsy no nampijaliana sy novonoina noho
ny finoany; maro koa no nandao an’io tanàna io, ary izay sisa tavela tao dia
nivelona tamin-tahotra ka tratran’ ny hakiviana.

427
Rehefa tafaverina tao an-drenivohitra i Paoly dia nampidirina tao amin’ny
fonja maizina iray ary tao no nitoerany mandra-pahafatiny. Noho ny
niampangana azy ho nanao tetika handrava tanàna sy nanao heloka bevava
tamin’ny firenena, dia nanjary nankahala azy avokoa ny vahoaka Romana
rehetra.
Nanomboka nahafoy ny Apostoly na dia ireo sakaizany vitsy sisa niaraka
ory taniiny aza; ny sasany noho ny hakanosany, fa ny sasany kosa lasa nanohy ny
asa tany aniin’ ny fiangonana. Figela sy Herimogena no voalohany nandao azy.
Manaraka izany dia i Deniasy. Izy koa, izay natahotra ny rahona nanambara ny
hiavian’ ny fanenjehana sy ny loza nitrahotraho teny amin’ ny faravodilanitra, dia
nandao an’ i Paoly teo am-pifatorana. Gersoma kosa nirahin’ i Paoly hankany
amin’ ny fiangonana tany Galatia, Titosy tany Dalmatia, Tykiko tany Efesosy.
Nanoratra tamin’i Timoty i Paoly ka nampahafantatra azy ny toe-javatra mampa-
honena mahazo azy. Fa hoy izy; «Lioka irery sisa no eto amiko»1. Tsy mbola nisy
fotoana nanirian’ i Paoly ny fanatrehan’ ny rahalahiny azy toy izao, satria efa
trotraky ny fahanterana izy, reraky ny asa mafy, tsy afa-nihetsika fa nahiboka tao
amin’ ity fonja mando sady maizina tany Roma ity.
Nampahery fatratra an’ i Paoly ny nanampian’ i Lioka dokotera malalany
azy; tamin’ ny alalany no mbola nahazoany nifandray tamin’ ny rahalahy tany
ivelany.
Ny famangiana matetika nataon’ i Onesiforosy no nampahery an’i Paoly
tao amin’ ny fitsapana mahamay nihatra taminy. Nanao izay tratran’ ny heriny
mba hanamaivana ny fahoriany teo am-pifatorana io rahalahy be herimpo avy
tany Efesosy io. Fantany fa noho ny fitiavana ny fahamarinana no nampigadia ity
mpampianatra tena malalany ity; kanefa izy mpianany kosa niaina tao amin’ ny
fahafaliana tanteraka ; koa dia tsy nitsitsy ny ezaka rehetra tokony hataony izy
mba hanamaivana ny fiainan’ ity mpifatotra ity. Nilaza ny amin’ io mpianatra
mahatoky io i Paoly raha nanoratra ny epistily farany: «Homen’ny Tompo
famindrampo anie ny ankohonan’i Onesiforosy, satria namelombelona ny
fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako; fa raha tany Roma izy,
dia nitady ahy fatratra ka nahita. Ny Tompo anie hampahita azy famindrampo
amin’ ny Tompo amin’ izay andro izay»2
1) 2Timoly 4 : ll 2) 2 Tim. 1 : 16-18

428
Andriamanitra no namboly tao am-pon’ ny olona ny fitadiavana fitiavana
sy fangorahana. Raha niady mafy tao Getsemane Kristy dia nangetaheta ny
fiaraha-miory tamin’ ny mpianany Izy. Toy izany koa i Paoly, na dia toa tsy
nampaninona azy firy aza ny fankahalana sy ny fampahoiiana nahatra taminy, dia
mba niriny fatratra koa ny hisian' ny namana haneho fitiavana taminy tao amin’
ny fonja maizina nitoerany. Ny famangiana matetika nataon’i Onesiforosy, izay
naneho ny toetra mahatoky nananany, no nitondra fifaliana sy fampaherezana. ho
an ilay mpifatotra, nanirery sady nafoy, kanefa nandany ny androny
manontolo ho fanompoana ny hafa.

429
48

Paoly teo anatrehan’ i Néron

Rehefa nantsoina hiseho teo anatrehan’i Néron mba hotsaraina i Paoly dia
azony antoka fa tsy maintsy hahatra aminy ny hanamelohana azy ho faty. Navesa-
danja mantsy ny heloka niampangana azy, ary mafy loatra ny fankahalana ny
Kristiana tamin’izany fotoana izany ka tsy nisy fanantenana firy hahafahany
amin’ io fitsarana io intsony.
Nomena fahefana hanana mpisolovava ny voampanga mba hiaro azy eo
amin’ ny fitsarana araka ny fomban’ ny Grika sy ny Romana. Raha nahay niaro
io mpisolovava io, ka nahay nandaha-teny, sady vonona ny hanao fitarainana
amin-dranomaso koa ho an’ilay voampanga dia mazàna mahomby ny fiarovana
ataony; ary na dia misy fanamelohana tsy maintsy nihatra aza, dia niezaka
izy mba hanalefaka izany. Nefa kosa rehefa notsaraina teo anatrehan’ i Néron i
Paoly, dia tsy nisy sahy nijoro hiaro azy. Tsy nisy namany na iray aza izay tokony
ho nampahafantatra antsika ny fiampangana nampiharina tamin’ i Paoly, na koa
mba hitantara amintsika ny valintenin’ i Paoly mba hiarovany tena.
Tsy nisy tamin’ ireo Kristiana tany Roma na dia iray aza no mba niara-
nijoro taminy tamin’ io ora hanamelohana azy io. Paoly ihany no nanome antsika
ny hany fitantarana marina izay zava-niseho. «Tamin’ ny nandaharako voalohany
hanala tsiny ny tenako dia Tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra
(aza mba isaina ho helony anie izany). Kanefa ny Tompo

431
nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin’ny
ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren’ny jentilisa rehetra izany; ary izaho
novonjena teo ambavan’ny liona »1.
Nijoro teo anatrehan’i Néron àry i Paoly. Endrey ny faha-samihafana
niseho! Ilay mpanjaka lozabe, izay tsy maintsy nihaino ny teny nataon’ io
inpanompon’Andriamanitra io ho fiarovana ny finoany, dia nahatratra ny fara-
tampon'ny fahefany teto an-tany, sy ny fanapahana sy ny harena mbamin’ny
hantsandalin’ny heloka bevava sy ny faharatsiana mihoa-pampana. Tsy nisy
afaka nanohitra ny heriny na handà ny sitrapony. Nametraka ny satroboninahiny
teo an-tongony ny mpanjaka tao ambany fifehezany; ary nandroso nanaraka ny
baikony ny tafika mahery indrindra, ka nitory ny fandresena azony ny sainam-
pirenena nihofahofa teo amin’ ny andilan-tsambony. Napetraka tao amin’ny
tokotanim-pitsarana ny sary vongany, ary ny volavolan-kevitra naroson’ ny
loholom-pirenena, sy ny fanapahan-kevitry ny mpitsara dia tsy inona fa akon’ ny
sitrapony. Vahoaka an-tapitrisany maro no niankohoka teo anatrehany ka
nanatanteraka ny baikony. Nampihorohoro izao tontolo izao ny anarany. Raha
nisy sendra nankahalainy dia sady very fananana no very fahafahana, eny,
very aina koa aza. Raha sendra mitopy eo aminao ny maso vilana ataony dia
mampihoron-koditra noho ny pesta izany.
Tsy nanan-tsakaiza, tsy nanam-bola, tsy nanana mpisolovava ilay
lahiantitra nijoro teo anatiehan’ ny Amperora. Hita teo amin’ny fijerin’ ity
mpitsara liandra ity ny toetra mahafa-baraka vokatry ny filan-dratsy niboiboika
tao am-pony. Fa ny tavan’ilay voampanga kosa nahitana taratry ny fiadanana feno
avy tamin’ Andriamanitra.
Ny fahantrana no nifamahofaho tamin’ ny fiainan’i Paoly. Tsy niala taminy
ny fandavan-tena sy ny fahoriana. Na dia niezaka hanakivy azy aza ny fahavalony
tamin’ ny ompa nataony taminy sy ny fandrahonana, ny fanendrikendrehana
namelezany azy matetika, dia tsy nitsahatra nanandratra avo tamin-kasahiana ny
fanevan’ ny hazo fijaliana io apostoly io. Mpivahiny tsy nanan-kialofana toy ny
Tompony izy, nefa kosa loharanom-pitahiana lalandava ho an’ ny taranak’
olombelona ny fiainany. Ataon’i Néron lozabe sy vonton’ny filàn-dratsy,
voafatotry ny fahalotoam-

1) 2Tim. 4 : 16, 17
432
pitondrantena ahoana no hahafantatra sy hankasitraka ny toetra, sy ny antony
maha-toy izao io olon’Andriamanitra io ?
Vahoaka marobe te hahita sady nihotakotaka no nameno ny lapan’ny
fîtsarana nijoroan’i Paoly, ka efa dodona ery nifanesika teo ambony rihana mba
hahita sy handre ny zavatra hiseho. Samy nifanitsa-kitro tao, na olona ambony,
na oiona ambany, na mpanan-karena na mahantra, na manam-pahaizana na
zazabodo, na ireo mpirehareha na ny olon-tsotra, - izy rehetra samy tsy
nahafantatra ny fahazavana tokony hitarika ny fiainany ho amin’ ny famonjena.
Naverin’ny Jiosy indray ny fiampangana nataony teo aloha tamin’i Paoly,
dia ny heloka bevava, ny fitaomana ny vahoaka hikomy, ary ny fampielezany
fampianaran-diso. Niray hevitra tamin’ny Romana izy amin’ ny fiampangana an’i
Paoly ho antony nahatonga ny hain-trano nandoro ny tanàna. Na dia natambesatra
tamin’i Paoly aza izany fiampangana mavesatra izany dia naha-tahiry saina tony
dia tony izy. Samy talanjona na ny mpitsara na ny vahoaka nahita azy toy izany.
Efa maro ny fitsarana olon-dratsy natrehiny, kanefa tsy mbola nahita olona
nanana fiadanam-po tanteraka tahàka an’ ity mpifatotra ity izy. Nahazatra ny
mpitsara ny nahita teo amin’ ny salovan-tavan’ny olona notsarainy ny
hevitra nokotrehiny tao am-pony; fa sahirana kosa izy. Nikatsaka teo amin’ ny
tavan’ i Paoly ny porofon’ ny fahamelohany.
Rehefa navela hiaro ny tenany i Paoly, dia nanongilan-tsofina fatratra ny
mpanatrika rehetra. Mbola azon’ i Paoly natao indray ny nanandratra ny fanevan’
ny hazo fijaliana teo anatrehan’ ireto vahoaka liana sady talanjona. Nibanjina ireo
vahoaka ireo i Paoly, ka nandinika ireo Jiosy sy Grika sy Romana nifangaro
tamin’ny vahiny avy tamin’ny firenen-tsamihafa, ka nanam-paniriana
fatratra tao am-pony hamonjy azy ireo izy.
Hadinony ny zava-misy atrehiny, sy ny loza nanandindona azy, mbamin’
ny anjara mahatsiravina miandry azy. T.sy nahita afa-tsy Jesosy irery, Ilay
Mpanelanelana ambony izay miady ho an’ny mpanota eo anatrehan’
Andriamanitra, izy, ka dia nasehony tamin’ny teny hentitra sy feno hery ny
fahamarinana. Notoriny tamin’ ireo mpihaino azy ny fanoloran-tena lehibe
neken’i Kristy hatao ho fanavotana ny taranaka very; nambarany koa ny amin’
ny avotra sarobidy nanavotana ny olona, sy ny lalana nosokafana
mba hahazoan’ ny mpanota mandova ny seza fiandrianan’ Andria-
28 — Vavolombelona Mahery
433
manitra. Nampiraisina tamin’ ny tany ny lanitra tamin’ny alalan’ny anjely, ary
samy naseho miharihary teo imason’Ilay Mpitsara mandrakizay ny asan’ny olona
rehetra na tsara na ratsy.
Toy izany ny fanambarana nataon’ilay mpiaro ny fahamarinana. Nahatoky
teo afovoan’ ny tsy mahatoky izy, nijoro teo amin’ ny fahamarinana teo anivon’
ny tsy marina, ary niseho ho solontenan’Andriamanitra. Toy ny mitsontsorika
avy tany an-danitra ny feony. Tsy nahitana tahotra, na alahelo, na fahaketrahana
tao amin’ny fiteniny sy ny endriny. Natoky ny tsy fananany tsiny izy, sady nitafy
ny fiadian’ny fahamarinana, ka nifaly amin’ny maha-zanak’Andriamanitra azy.
Toy ny hiram-pandresena nanako-ako tao amin’ ny tany fiadiana ny teniny. Ny
asa nanokanany ny fiainany, hoy izy, no ady tsy maintsy mandresy. Na dia tsy
maintsy ho faty aza ny tenany, dia tsy mba ho faty ny filazantsara, satria velona
Andriamanitra, ka handresy koa ny. fahamarinany.
Toy ny anjely no fijerin’ny olona rehetra an’ i Paoly tamin’io andro io. Izao
no voâlohany nandrenesan’ ny mpanatrika teny toy izany. Nanjary nangoro-
vitsika na dia izay mafy fo indrindra aza, ka tazany ho nilofika teo anatrehan’ ny
fahazavana mampiaiky volana teo amin’ny fahamarinana ny hevi-diso.
Namirapiratra tao an-tsain’ny maro ny hazavana, ary ireny dia nanaraka tamim-
pifaliana izany mazava izany taty aoriana. Ny firenen-tsamihafa mihitsy no
voahozongozon’ny fanambarana ny fahamarinana natao tamin’io andro io;
namakivaky ny taonjato maro nifandimby izany ka nisy fiantraikany teo amin’
ny fon’ny olona, kanefa ny molotra nanonona azy efa voahidy ao amin’ ny fasan’
ny maritiora.
Tsy mbola nisy fotoana nandrenesan’ i Néron ny fahamarinana toy ny
tamin’ io andro io. Tsy mbola nisy fotoana tahaka an’ io izay nahatsapany ny
heloka mavesatra teo amin’ny fiainany. Tafatsofoka tany amin’ny efitra maizina
indrindra tao amin’ hy fanahiny ny fahazavan’ny lanitra, ka tora-kovitra izy raha
nieritreritra ny amin’ny fitsarana tsy maintsy hampiharina aminy, dia izy
tompon’izao tontolo izao, kanefa tsy maintsy hotsaraina mba handraisany ny
valiny sahaza ny asa ratsy nataony. Noho ny fahatahorany an’ Andriamanitra sy
ity Apostoly ity dia tsy sahy nanao didim-pitsarana hanameloka azy izy, satria tsy
nisy nitombiha ny fiampangana rehetra natao taminy. Toa tsy afa-nihetsika
nandritra ny fotoana vitsivitsy ny sainy liandra. Nivelatra teo anoloan’ ny
fanahiny vesaran-keloka, nefa mafy fo, ny lanitra
434
manontolo; ary toa naniry hahazo ny fiadanana avy any ambony, sy ny
fahadiovan’ ny lanitra izy. Nisy antso feno famindrampo nampandrenesin’ ny
Fanahy tamin’ io lehilahy mampahonena io tamin’izay minitra izay; kanjo levona
vetivety ny faniriana ho voavela heloka nananany vao teo. Nanome baiko izy
hamerina ilay lahiantitra ho ao an-tranomaizina; kanjo, tamin’ ny fotoana
fanakatonana ny varavaran’ ny tranomaizina indrindra no nibaikoan’ny lanitra
koa hanakatonana ny varavarana mankeo amin’ny fibebahana ho an’ i Néron.
Hatreo dia tsy nisy tara-pahazavana avy tany an-danitra intsony nanavatsava ny
haizina nanodidina ny fanahiny. Ary tsy ela dia tsy maintsy niharan’ ny
fahatezeran’Andriamanitra koa izy.
Taoriana kelin’ izany, dia lasa niondrana an-tsambo hanafika tany Grisia i
Néron, kanjo nahatonga fahafaham-baraka noho ny fitondrantenany ambany sy
maharikoriko izany. Niverina tany Roma tamin’ ny fomba mirentirenty fatratra
izy, nohodidinin’ny tandapany ka niroboka tao amin’ ny fahavetavetana tsy hita
holazaina intsony. Kanjo tao afovoan’izany fanaranampo tamin’ny ratsy izany,
dia injany nisy feo nitabataba re tany amin’ny arabe. Nirahina ny olona iray mba
hamantatra ny an tony, ary niverina izy ka nanambara vaovao mahatsiravina, fa
indro i Galba nitondra tafika nivatravatra nankao Roma. Efa nipoaka tao
an-tanàna ny fikomiana. Feno olona nirohotra tsy azo notohaina ntsony ny arabe
izay nizotra nanatona ny lapan’ ny Amperora, ka nilaza fa tonga hamono ny
Amperora sy ny mpomba azy rehetra izy ireo.
Tamin’izany fotoana nisehoan’ ny loza izany, dia tsy mba nanana
Mpamonjy mahery sy be indrafo azony nianteherana tahaka an’ i Paoly i Néron.
Ary satria natahotra ny hampijalian’ny vahoaka ity olon-doza ratsy fanahy ity,
dia nanapa-kevitra hamono tena izy. Kanjo nony hanao izany indrindra izy dia
tsy sahy. Tsy hitany intsony izay hatao, ka lasa izy nandositra sady afa-baraka
niala ny tanàna ary nitady fierena tao amin’ ny trano iray tany ambanivohitra,
tokony ho kilaometatra vitsivitsy avy tao Roma. Nefa tsy afaka namonjy ny ainy
izy. Vetivety dia sarona ilay toerana niereny; ary raha mbola nanenjika azy ireo
mpitaingin-tsoavaly, dia niantso mpanompo iray izay nasainy namono nahafaty
azy izy. Toy izany no nahafaty an’ herotrerony an’ i Néron, ilay lozabe. raha vao
roa amby telopolo taona monja.

435
49

Ny Epistily farany
nosoratan’ i Paoly

Rehefa naiditra am-ponja indray i Paoly, taorian’ ny fitsarana natao


taminy, dia tsapany fa fotoana fohy sisa no nomena azy. Fantany fa tsy hitsahatra
ireo fahavalony raha tsy efa tanteraka ny famonoana azy. Fantany koa anefa fa
nisy fotoana nahazoan’ny fahamarinana fandresena. Fandresena manap ahoana
tokoa moa no azony raha niteny teo anatrehan’ ny vahoaka maro izay nihaino
fatratra ny teniny izy, ka nitory ny amin’ ny Mpamonjy nohomboana, nefa
natsangana indray! Nisy asa natomboka teo, asa izay hitatra hihalehibe sy
hihamafy orina hatrany, ka ho foana ny ezaka hataon’ i Néron sy ny fahavalon’ i
Kristy rehetra hisakanana na handevonana izany.
Nitoetra tao amin’ ny tranoniaizina mampahory nasiana azy izy, ka
nahafantatra fa raha vao misy teny kely na fihetsika hataon’i Néron dia hifarana
hatreo ny andro iainany. Lasa tany amin’i Timoty ny fisainan’ i Paoly, ka tapa-
kevitra izy fa hiantso azy ho eo anilany. Tsy afaka niara-dia tamin’ i Paoly izy
tamin’ny diany farany nankany Roma, satria napetraka teo am-pelatanany ny
fiangonana tany Efesosy. Hatramin’ny niovany ho Kristiana, dia niara-niasa sy
nitondra ny fahorian’ i Paoly izy; Nisy fifankatiavana lalina tsy fahita
mandrakariva teo amin’ izy mianaka, izay vao mainka nihamafy orina sy
nihamasina isan’
Mifototra amin’ ny 2 Timoty ity toko ity.

437
andro isan’andro. Ny fîfamatoram-pitiavana sy fanajana azon’ny zanakalahy iray
atao amin’ny rainy, no hita teo amin’ i Timoty tamin’ ny fifandraisany tamin’ity
apostoly antitra sy sasa-dahasa ity. Koa dia mazava ho azy ny firedaredan’ny
fanirian’i Paoly manirery hahita indray ny zanany.
Kanefa, na azo notanterahina tsara aza izany raha mbola nisy ny fotoana,
dia voatery niandry volana maromarô i Timoty vao afaka niala tany Azia Minora
mba hankany Roma. Fantatr’i Paoly fa efa voaisa ny androny, ka nanahy izy sao
ho tratra aoriana ny fahatongavan’ ilay mpianany tanora fanahy. Nanana toro-
hevitra lehibe homena azy izy, sy torolalana manokana ilain’io tovolahy io eo
amin’ny fanefana ny andraikitra mavesatra natolotra azy. Koa sady namporisika
azy ho avy haingana izy, no nahambara taminy koa ny faniriany farany, ndrao dia
tsy ho azony hatao am-bava, mifanatrika aminy intsony izany. Nitady izay fomba
hampidirana ao an-tsain’ i Timoty ny maha-zava-dehibe ny hananana toetra
mahatoky amin’ ny asa masina natolotra azy ny apostoly Paoly, ka tamin’ ny
fanahy vontom-pitiavana ny zanany ara-panahy sy ny fiangonana notantanany no
nanoratany ny epistiliny.
Toy izao teny izao no nanombohany ny taratasiny: «Mamangy an’i
Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary
ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
Misaotra an’Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon’ny razako amin’
ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao
amin’ny fivavahako andro aman’alina».
Manaraka izany, namporisika azy i Paoly mba hijoro tsara ao amin’ny
finoana. «Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny
fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra, izay ao anatinao tamin’ ny
fametrahàko ny tànako. Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy
mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. Koa aza menatra ny ho vavolom-
belon’ ny Tompontsika, na ahy mpifatony hianao; fa aoka hianao ho mpiombona
ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin’Andriamanitra». Niangavy an’
i Timoty i Paoly mba hahatsiaro «ny fiantsoana masina natao taminy» mba hitory
ny herin’i Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin’ ny faha-
fatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana

438
sy ny tsy fahalovana mandrakizay; ny amin’ io filazantsara io no nanendrena ahy
ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra. Ary noho izany koa no iaretako izao
zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa
Izy dia maha-tahiry ilay zavatra natolotra Azy mandra-pihavin’ izay andro izay».
Nahatoky mandrakariva tamin’ ny Mpamonjiny i Paoly nandritra ny
fotoana lava niasany ho Azy. Na taiza na taiza nijoroany: na teo anatrehan’ ireo
Fariseo feno fandrahonana, na teo anatrehan’ny manam-pahefana Romana, na
koa teo anatrehan’ny vahoaka romotry ny hatezerana tany Lystra, na teo
anatrehan’ny mpanota mafy hatoka, na tany amin’ny fonja tany Makedonia, na
niady hevitra tamin’ireo matilo raiki-tahotra teo amin’ ny sambo tra-doza, na
niseho teo anatrehan’ i Néron mba hiaro ny ainy, dia tsy mba menatra ny hijoro
hiaro ny finoana notanany izy. Ny tanjona tokana sady lehibe nokendreny hotra-
trarina tao amin’ ny fiainany dia ny hanompo an’ Ilay notsiratsirainy ny anarany
teo aloha; ka na nisy fanoherana na nisy fanenjehana, tsy nisy nampiala azy
tamin’ izany tanjona izany. Ny finoany, nohamafisin’ ny tolona sy nodiovin’ ny
fandavan-tena, no nanohantohana sy nampahery azy.
«Tano amin’ ny finoana sy ny fitiavana ao amin’ i Kristy Jesosy ny mariky
ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko». «Koa hianao, anaka, dia aoka
hihahery amin’ny fahasoavana izay ao amin’ i Kristy Jesosy. Ary izay zavatra efa
renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona
mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa. Miaraha miaritra ny mafy
amiko hianao tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy». Tsy mandositra
fahoriana na andraikitra ny tena mpanompon’Andriamanitra.
Izay mikatsaka marina tokoa ny herin’Andriamanitra, no hanovo eo amin’
ny loharano tsy mety ritra. Eo no anovozany ny hery hahazoany misetra ny tolona
amin’ ny fakam-panahy, sy handreseny azy, ary hanefany ny adidiny eo amin’ ny
Tompo. Mitombo ny fahalalany an’ Andriamanitra sy ny Zananilahy noho
ny fahasoavana izay raisiny. Maniry amin’ny fony tokoa hanompo ny Tompony
izy, ary eo amin’ny fandrosoany amin’ny lalan’ny fiainana kristiana no
itomboan’ny heriny ao amin’ i Kristy Jesosy. Io fahasoavana io no ahazoany
mijoro ho vavolombelona mahatoky ny amin’ ny zavatra efa reny; ary tsy ataony
tsirambina na tsira-

439
tsirainy ny fahalalana efa azony tamin’Andriamanitra, fa zarainy amin’ny hafa
izany, ary ireo indray no mampianatra ny namany avy.
Tao amin’ ny epistily farany ho an’i Timoty no nampisehoan’i Paoly
tamin’ ity mpanompo tanora ity ny tanjona ambony kendren’ny fitoriana ny
filazantsara, ary koa ny andraikitra iantsorohana amin’ izany. «Mazotoa
manolotra ny tenanao amin’ Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa
tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana... Fa mandosira ny
filan’ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana finoana, fitiavana,
fihavanana amin’ izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio. Fa mandava ny
fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.
Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’
ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra
amin’ ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana
hahalalany tsara ny marina, ka hody ny sainy ho afaka amin’ny fandriky ny
devoly, izay nanao azy sambo-belona nanao ny sitrapony».,
Nampitandrina an'i Timoty koa izy mba tsy ho voataonan’ny
mpampianatra sandoka izay nitady lalana hitsofohana tao amin’ny fiangonana.
«Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny
olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy
manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana,
mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara...
manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa mandà ny
heriny; ireny koa dia halaviro». «Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanololy kosa dia
handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina. Fa hianao kosa dia
mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao
izay nampianatra anao izany; fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala
ny Soratra Masina, izay nampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny
finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen’ny
tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-
dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ ny fahamarinana, mba
ho tanteraka ny olon’Andriamanitra ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara
rehetra».
Efa voaoman’ Andriamanitra ny fomba rehetra hahazoan’izay miady
amin’ny ratsy fandresena. Ny Baiboly no fiadiana tokony
440
hotafintsika. «Sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafiany rariny ho
fiarovan-tratra... Ary ho fanampin’ izany rehetra izany dia tano ny finoana ho
ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika mirehitra rehetra izay
alefan’ ilay ratsy. Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’
Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy». Amin’ izany ho hahazoantsika miala
amin’ny fisakanana sy ny fandriky ny ota.
Fantatr’ i Paoly fa misy loza lehibe manandindona ny fiangonana, ka misy
asa mahatoky sy henjana tsy maintsy hataon’ireo izay notolorana ny adidy hitory
amin’ ny maro, ka toy izao no teniny: «Eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy
Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ny fisehoany sy
ny fanjakany, no ananarako anao mafy; mitoria ny teny, mazotoa na amin’ ny
fotoana na tsy amin’ ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy
amin’ ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra ».
Izany famporisihana hentitra izany, izay natao tamin’ny mpanompo
mahatoky tahaka an’ i Timoty, dia maneho amintsika amin’ny fomba mahery fa
zava-dehibe tokoa ny fitoriana ny filazantsara." Ampanatrehin’i Paoly ny
fitsaran’Andriamanitra i Timoty, ka nodidiany tsy hanaraka ny fomba sy ny
fitsipika fanaon’ny olona, amin’ny fitoriana ny Tenin’ Andriamanitra;
mandidy azy izy mba ho vonona ho vavolombelon’ Andriamanitra, raha tonga ny
fotoana hilàna izany, eo anatrehan’ ny fivoriana lehibe, toy ny eo anatrehan’ ny
antokon’ olona vitsy koa, na eny an-dalambe na eo amorom-patana, na eo
anatrehan’ ny sakaiza na rehefa manoloana fahavalo, na eo amîn’ ny toerana azo
antoka na rehefa manatrika loza sy fahoriana, sy fandatsana, ary fihafiana.
Nanahy i Paoly sao hanao tsirambina ny andraikiny sasantsasany i Timoty noho
izy malemy fanahy loatra sy vonon-kandefitra. Koa noho izany dia namporisihiny
izy ho matotra eo anatrehan’ ny mpanota, ka hananatra azy mafy, raha lavo amin’
ny fahadisoana lehibe izy ireny. Kanefa kosa tsy maintsy «hiaritra ny
fahoriana izy», ka hanatontosa tsara ny asany. Tokony ho hita eo aminy ny fahari-
po sy ny fitiavan’ i Kristy, sady haharihariny koa ny faniniana tokony hataony
amin’ ny fampianarany ny Tenin’ Andriamanitra.
Sady hankahalaina no ho tsinina ny fahotana; nefa koa haseho miaraka
amin’ izany ny fitiavana sv ny fangorahana ny mpanota;

441
hita marina fa adidy sarotra izany. Rehefa tapa-kevitra marina hanatratra ily
fahamasinana isika, ka efa miharihary amintsika ny haratsian’ ny ota, dia tsy
hisalasala hanome tsiny ny fihatahana rehetra amin’ ny lalana marina isika.
Tokony hitandrina tsara isika mba tsy hampiseho hasiahana tafahoatra amin’ ny
olona mania; nefa koa tsy maintsy mailo isika satria feno hafetsena tokoa ny ratsy.
Asehoy ny mpanota ny fahari-po sy ny fitiavan’i Kristy; nefa kosa aoka tsy
haneho fanafefahana ny fahadisoana nataony, satria manjary heveriny ho tsy
tokony hatao aminy sady tsy rariny rahateo ny fananarana hatao aminy aty
aoriana.
Fahadisoana bevava indraindray no ataon’ ny pasitora izay mampiseho
famindrampo be loatra amin’ izay ho very. Manjary milefitra amin’ ny fahotana
izy, ary azo lazaina no miray tsikomba-komba amin’ izany mihitsy aza. Hanjary
alany tsiny ny ota, nefa Andriamanitra kosa manameloka. Ary farany,
hohajambaina ny sainy ka manjary omeny rariny indray ireo izay asain’ Andria-
manitra ho melohiny.
Ny mpitory ny filazantsara izay_efa trafran’ ny haizina ny saina amam-
panahiny noho ny fandeferany amin’ ny ratsy, dia tsy haharitra ela akory dia
hahavita ota ratsy. toy izany koa, amin’ ny fampisehoany fahasiahana sy
fahenjanana amin’ ireo mpino ankasitrahan’ Andriamanitra.
Izay rehetra mitondra ny anarana hoe kristiana, ka mihevi-tena ho
mpampianatra ny hafa, dia tsy hahita fahombiazana raha maneho fiavonavonana
ka manao tsinontsinona ny herin’ny Fanahy Masina sy ny fahamarinana
raketin’ny Tenin’ Andriamanitra. Nambaran’i Paoly tamin’i Timoty « fa ho avy
ny andro izay tsy hahazakan’ ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa
hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filàny;
ary hampiala ny sofiny amin’ ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny
anganongano».
Tsy ny olona miseho mibaribary ho mpankahala ny fivavahana no
ambaran’ i Paoly eto, fa ireo manao azy ho Kristiana, kanefa ny filàny no ataony
fitsipi-piainana, ka manjary andevozin’ ny tenany izy. Ny sasany tsy mandray
afa-tsy fampianarana mandrotsirotsy ny fahotany sy ny fanaranam-pony amin’
ny fahafinaretana. Tsy zakany hy fampianarana tsy misy kilema omen’ ny
mpanompo mahatokin’ i Kristy, ka aleony mamory mpampianatra mandokadoka
sy manindrahindra azy.
442
Amin’ ireo manora-tena ho mpitory, dia misy ny sasany mampianatra
hevitr’ olombelona fa tsy mitory ny Tenin’Andriamanitra. Tsy mahatoky amin’
ny andraikitra nomena azy izy, ka mampivily lalana an’ ireo izay mihevitra azy
ho mpitarika ara-panahy.
Nanome fitsipi-piainana tanteraka ao amin’ ny fitsipiky ny lalàny masina
Andriamanitra, ary nambarany, fa mandra-pahatongan’ ny faran’ izao tontolo
izao dia tsy hisy fiovana izany lalana izany na dia tendron-tsoratra iray aza, fa
hifehy kosa ny olona rehetra. Tonga hanome voninahitra ny lalàna Kristy, ary
nasehony fa miorina eo amin’ny fototra azo antoka ny fitiavan’Andriamanitra sy
ny fitiavana ny namana izany, ka adidin’ny olona ny mankatô ny fitsipiny. Kristy
mihitsy no nanome ohatra amin’ny fankatoavana. Nasehony, tamin’ ilay toriteny
teo an-tendrombohitra, fa mihoatra lavitra noho ny fanaovana hita maso ny
Ota ny ambaran’ny lalàna, fa na dia ny eritreritra sy ny fikasana ao am-po fotsiny
ihany aza dia efa fandikana azy sahady. Ny olona te hankato ny didin’
Andriamanitra dia tokony «handà izay toe-panahy tsy araka an’ Andriamanitra
sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ ny onony sy ny marina ary
ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ izao fiainana ankehitriny izao»1.
Kanjo nanandevo an’ izao tontolo izao izay fahavalon’ ny fahamarinana,
ka nanosika ny olona handika ny Didy Folo. Efa nambaran’ i Paoly mialoha fa
maro no hiala amin’ ny fampianarana marina ka hivily ho amin’ ny anganongano
mandrotsirotsy ny sofiny. Hitsakitsahina ny didin’ Andriamanitra, ary samy
manao izany na ny mpitory na ny olon’ izao tontolo izao. Tsiratsiraina toy izany
koa ny Mpahary, ka i Satana no mahazo fandresana, satria tanteraka ny fikasany.
Arakaraka ny aniratsirana ny lalàn’Andriamanitra, no itomboan’ny tsy
finoana an’Andriamanitra, sy ny avonavona, ny fimatimatesana amin’ny
fahafinaretana, ny tsy fanoavana ray aman-dreny, ary ny fitiavan-tena miseho
amin’ ny endriny rehetra. Koa dia re hatraiza hatraiza ny antso fitarainan’ny olona
velon’ahiahy manao hoe: «Inona re no hatao mba hisakanana izao ratsy
mampitebiteby izao?» Ny valin’ izany dia ao amin’ny famporisihana nataon’ i
Paoly tamin’ i Timoty: «Mitoria ny
1) Titosy 2 : 12
443
teny». Ao amin’ ny Baiboly tokoa mantsy no ahitana ny fitsipika hany mijoro,
satria fanehoana ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny fahendreny izany. Ny Baiboly
no mamaha ao amin’ ny sain’ny olona ny olana goavana eo amin’ ny fiainany,
ary izy ihany no mpitarika tsy mety diso ho an’ izay vonona hanaraka ny fitsipiny.
Nampahafantatra antsika ny sitrapony Andriamanitra. Hadalan’ ny olona
ny maneho tsy finoana ny Teny notononin’ny molotr’Andriamanitra. Rehefa
niteny ny fahendren’ Andriamanitra, dia hadalana ny mampipoitra fanontaniana
maneho fisalasalana, na manorina hevitra diso. Izay hany tadiavin’Andriamanitra
amin’ ny olona, dia ny hanaiky ny sitrapony manontolo ka hankato izany. Ny
fankatoavana no fitsipika tanteraka indrindra ho an’ ny rariny sy ny fieritreretana.
Dia mbola notohizan’i Paoly ny fampaherezany hoe: «Fa hianao kosa
mahonôna tena amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ ny
evanjelista tanteraho ny fanompoanao ».
Efa madiva ho tapitra ny fihazakazahan’io apostoly io, ka niriny raha i
Timoty no handimby toerana azy amin’ny fiarovana ny fiangonana tsy hiharan’ny
anganongano na ny hevi-diso aroson’ny fahavalo eo aminy, mba hampiala azy
amin’ ny fahatsoran’ny filazantsara. Niangavy azy izy mba tsy ho voababon’ ny
asa hafa, na ny fiheverana ny nofo izay hisakana azy tsy hanolo-téna
tanteraka amin’ny asan’Andriamanitra; ary koa hizaka amim-pifaliana ny
fanoherana, ny tsy fifanarahana, sy ny fanenjehana izay mety hihatra aminy, ka
hijoro ho vavolombelona mahatoky amin’ ny fiantsoana azy, sy hampiasa ny
fomba rehetra hanaovan-tsoa amin’ izay rehetra nanoloran’i Kristy ny ainy.
Hita taratra teo amin’ ny fiainan’ i Paoly ny fahamarinana notoriny, ary
tamin’ izany no nisian’ ny heriny. Fantany tsara ny hevidalin’ ny andraikitra
niantsorohany, noho izany no niasany teo amin’ ny firaisana tanteraka tamin’
Andriamanitra, loharanom-pahamarinana sy famindrampo. Nifikitra teo amin’ ny
hazo fijaliana tany Kalvary izy, satria io ihany no fototry ny fahombiazany.
Ny fitiavana ny Mpamonjy no fitsipika velona nanohantohana azy teo amin’ ny
ady natrehiny: ady nataony tamin’ ny ténany, sy tamin’ ny ratsy nandritra ny asa
nataony, satria izao tontolo izao mpankahala sy fahavalo masiaka no natrehiny.
Izay ilain’ ny fiangonana amin' izao andro feno hotakotaka ankehitriny
izao, dia ny hanana andiam-piasa mpitory ny filazantsara.
444
tsara ofana tahaka an’i Paoly, mpiasa nanao fanandramana lalina ny amin’
Andriamanitra, ary miasa amin-joto sy hafanampo lalina ny olona nohamasinina
sy vonona handà tena, olona izay tsy mihemotra na eo anoloan’ ny fitsapana, na
eo anoloan’ ny andraikitra; olona sahy sy tso-po. manana an’ i Kristy ao am-pony
ho «fanantenana ny voninahitra», manana molotra voakasiky ny «vain’ afon’ny
alitara, ka vonona hitory ny Teny».
Mandringa ny asan’Andriamanitra satria tsy misy ny olona toy izany. Toy
ny poizina mahafaty ny fahadisoan-kevitra, manimba ny fanahin’ny olona, ka
mampilofika ny fanantenan’ny ankamaroan’ ny taranak’ olombelona.
Iza no hijoro hisolo toerana ireo mpitondra ny fanevan’i Kristy, dia ireo
mpanompo mahatoky trotraky ny asa mafy, ka nanolotra ny ainy noho ny
fitiavana ny fahamarinana? Moa ve ireo tanorantsika handray eo antsorony ny
rakitra masina natolotry ny zokiny azy? Moa ve hiomana hameno ny banga
vokatry ny fahafatesan’ ireo mpitory talohany izy? Moa hohenoina ve ny
famporisihan’ i Paoly, ka hisy handray andraikitra, satria hita fa mambabo mafy
ny fon’ ny tanora ny fitiavan-tena?
Nofaranan’i Paoly tamin’ny hafatra natolony ny olo-mahatoky
sasantsasany ny epistiliny, ka nohizingizininy ny faniriany mafy hahalongavan’ i
Timoty tany aminy — alohan’ ny ririnina, raha azo atao. Nilaza ny mahirery azy
izy, satria nahafoy azy ny sakaizany sasany, ary ny sasany kosa tsy maintsy
nandao azy noho ny antony ara-drariny. Ary satria nahiny sao tsy sahy mandao
ny fiangonana i Timoty, dia nanome toky azy izy fa efa nirahiny hisolo azy i
Tykiko.
Rehefa avy nilaza ny fitsarana azy teo anatrehan’ i Néron izy, sy ny
nahafoizan’ ny sakaizany azy, ary ny famindrampo nasehon’Andriamanitra
taminy kosa izay nanohana azy tao amin’ny fitsapana nihatra taminy, dia
natolotr’i Paoly teo am-pelatanan’Ilay Mpiandry lehibe i Timoty zanany malala,
Izay hiahy ny ondriny na dia tsy maintsy hiharan’ ny famonoana aza ireo
mpanompony mahatoky.

445
50

Nohelohina ho faty

Raha natao ny fitsaràna farany an’i Paoly, dia mbola nangatak’andro i


Néron ny amin’ ny didim-pitsarana tokony hahatra aminy, satria tsy sahiny natao
na ny nanafaka azy na ny nanameloka azy. Nafonja loatra mantsy ny fiarovan-
tenan’ i Paoly ka tena nahavery hevitra azy mafy dia mafy. Tsy ela anefa dia
nirongatra indray ny fahasiahany. Noho ny fahakiviany tamin’ ny tsy nananany’
hery hanafongana ny fandrosoan’ ny fivavahana kristiana, izay tafatsofoka
hatrany amin’ ny lapan’ ny amperora aza, dia nanapa-kevitra izy fa hampamono
an’ io apostoly io raha vao mahita antony marim-pototra hamelezana azy.
Taoriana kelin’ izany ary dia namoaka ny didim-pitsarana hanameloka an’ i Paoly
ho faty maritiora izy.
Fanapahan-doha no tsy maintsy natao tamin’ ny olona manana zo Romana
raha hita fa meloka izy, fa tsy azo atao ny mampijaly azy. Dia nentina
antsokosoko nankeo amin’ ny toerana hamonoana azy i Paoly ka olona vitsy
foana no navela hanatrika izany. Tena natahoran’ ny mpanenjika azy tokoa
mantsy ndrao misy olona sasantsasany ho tapa-kevitra hiditra ho Kristiana rehefa
manatrika ny fahafatesan’ i Paoly. Kanjo, na dia ny miaramila izay azo lazaina
ho mafy fo aza, izay nasaina niambina an’ ilay voaheloka, dia nihaino tamim-
pahalianana ny teniny, ary talanjona nahita ny herim-pony, eny, ny fifaliany aza
teo ampànatrehany ny fahafatesana.

447
Ireo nanatrika ny famonoana azy, raha nandre ny fangatahana famelan-
keloka nataon’ i Paoly ho an’ ny mpamono azy, sy nahita ny fahatokiany tsy azo
nohozongozonina an’i Kristy hatramin’ny minitra farany indrindra, dia nahatsapa
«hanitra ho amin’ny nainana».
Maro no nanaiky ny Mpamonjy notorin’ny apostoly Paoly taminy, ka tsy
ela akoiy dia voatery nandatsaka ny rany tamin-kerinipo ho fijoroana amin’ ny
finoany. Voaporofo teo amin’ny fiainan’ i Paoly hatramin’ ny ora farany ny
fahamarinan’ ny teny nosoratany ho an’ ny Korintiana:
«Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’
ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny
voninahitr’Andriamanitra eo amin’ ny tavan’ i Jesosy Kristy. Fa manana izao
rakitra izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny
halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay. Voageja manodidina izahay, nefa
tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy; potraka, nefa
tsy maty; mitondra ny fahafatesan’ i Jesosy mandrakariva ao amin’ ny tena
izahay, mba haseho ao amin’ ny tenanay koa ny fiainan’ i Jesosy. Fa izahay izay
velona dia atolotra ho amin’ ny fahafatesana. mandrakariva noho ny amin’i
Jesosy, mba haseho ao amin’ny nofonay mety maty koa ny fiainan’i Jesosy»1.
Tsy tao amin’i Paoly rahateo izany filaminan-tsaina izany fa avy tamin’ ny
Fanahy Masina izay nanenika ny fanahiny, ka nampanaiky ny fisainany tamin’ny
sitrapon’i Kristy. Izao nonambaran’ ny mpaminany; «Ny saina tsy miovaova dia
harovanao ao amin’ ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy»2. Tsy
vitsy ny olona voababon’ ny filazantsara ny fony raha nahatazana io fiadanana
avy any ambony hita taratra teo amin’ ny endrik’i Paoly io.
Nisy rivotry ny lanitra niainan’io apostoly io. Samy nahatsapa lalina ny
fiombonan’i Paoly tamin’i Kristy izay rehetra nifampikasoka taminy. Ary satria
fanehoana ny fitsipika nampianariny ny fitondrantenany, dia nisy hery nampiaiky
tokoa tao amin’ ny toriteniny. Ao amin’ izany indrindra tokoa mantsy no

1) 2 Kor. 4 : 6 - 10 2) Isaia 26 : 3

448
itoeran’ ny herin’ ny fahamarinana. Ny hery miafina, vokatry ny fiainana masina,
no toriteny mahataona indrindra ho amin’ny finoana kristiana. Na mampiaiky toy
inona aza ny fandaharan-teny, dia mbola azo toherina ihany; nefa kosa ny toe-
piainana tsy misy kilema dia manana hery tsy azo toherina mihitsy.
Noho ny fiheveran’i Paoly fatratra an’ reo izay hilaozany dia hadinony ny
fijaliana niandry azy. Ny nalehan’ny sainy dia ny endrikendrika sy ny
fankahalana mbamin’ ny fanenjehana hihatra amin’ izy ireo. Niezaka izy
hampahery sy hanatanjaka ny fmoan’ireo Kristiana vitsivitsy nanara-dia azy
hatreo amin’ ny toerana namonoana azy, ka naverimberiny taminy ny teny
fikasana natao ho an’ny maritiora izay enjehina noho ny fahamarinana. Nomeny
toky izy ireo fa ho tanterahin’ny Tompo avokoa izay rehetra nampanantenainy
ho an’ ny zanany mahatoky mandalo amin’ny fitsapana... Tsy maintsy hisetra
fakam-panahy maro izy ireny, ary angamba horombahina hiala aminy ny hareny
ara-nofo, kanefa hahazo hery kosa izy noho ny fitokisany fa mahatoky Andria-
manitra, ka azony hatao ny hiteny hoe: «Fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa
Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin’ izay andro izay»3.
Kelikely sisa dia hisinda ny alin’ny fizahan-toetra sy ny fijaliana; hiposaka kosa
ilay maraina mamirapiratra, manambara androm-piadanana sy fahasambarana
tanteraka.
Nibanjina ny any ankoatra ilay apostoly ka tsy nisy tahotra na horohoro teo
aminy, fa nanana fanantenana mahasambatra kosa izy ka tsy andriny ny
hahatanterahan’izany. Nijoro teo amin’ny toerana handatsahany ny rany izy, ka
samy tsy hitany na ny sabatr’ ilay mpandatsa-dra, na ny vovoka izay hirarahan’
ny rany. Nanandratra ny masony tany an-danitra izy, dia ilay lanitra madio sy
manga fahita amin’ ny andro tsaran’ ny lohataona, ka tazany tamin’ izany ny seza
fiandrianan’ Andriamanitra.
Tazan’ ity lehilahy be finoana ity ilay tohatr’ i Jakoba izay nampiseho an’i
Kristy nampiray ny tany tamin’ ny lanitra, dia Ilay Lehilahy tonga lafatra ao
amin’ Andriamanitra tsy hita fetra. Nampahery azy ny fahatsiarovany ny
patriarka sy ny mpaminany izay nametraka ny fitokisany teo amin’ Ilay afaka
hampionona sy hanohana ny finoany; ho Azy koa no nanolorany ny ainy
3) 2 Tim. 1 : 12
29 — Vavolombelona Mahery
449
izao. Nandova ny fahatokiana an’ Ilay Andriamanitra mahatoky tamin’ ireo olona
masina ireo izy, dia ireo izay nijoro tamin’ny finoany nandritra ny taona maro
nifandimby.
Ireny namany ireny, apostoly tahaka azy, izay nitory ny filazan-tsaran’i
Kristy, dia tsy maintsy nisetra ny fahateren-tsaina ara-pivavahana sy ny
finoanoam-poana jentilisa, niaritra koa ny fanenjehana sy ny eso, ireo rehetra izay
nanao ny ainy tsy ho zavatra, fa niezaka kosa hampamirapiratra ny hazavan’ ny
hazo fijaliana teo anivon’ny faharatsiana,- izy ireny koa, dia toa reny
nanambara taminy fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjy izao tontolo
izao.
Toa nikarantsana tao an-tsofiny, avy teo amin’ ny toerana fanapahan-doha,
sy avy tao an-tranomaizina, avy teo amin’ny kodiarana fampijaliana, avy tany an-
dava-tany sy avy tany an-dava-bato, ny antsom-pandresen’ ny maritiora. Reny ny
Kristiana manambara amim-pahamendrehana sy amin-kasahiana ny finoany
na dia nampijaliana sy nampahorina, sy nafoy aza, ka sahy nilaza hoe: «Fantatro
Izay inoako». Ireny maritiora ireny, izay namoy ny ainy, dia manambara eo
anatrehan’ izao tontolo izao fa afaka hamonjy azy ny Tompo izay nametrahany
ny fitokisany.
Azon’i Paoly antoka fa sarobidy eo imason’ny Mpanavotra azy ny
fanahiny satria efa navotan’ny ran’i Kristy izy, ka voasasa ho afaka amin’ny
fahotany, ary nampitafina ny fahamarinan’i Kristy. Voafina «miaraka amin’i
Kristy ao amin’ Andriamanitra» ny fiainany, ary matoky izy fa afaka hitahiry ilay
zavatra nampi-tehiriziny Azy Ilay nandresy ny fahafatesana: « Izaho hanangana
azy amin’ny andro farany»4. Nifantoka tany amin’ny fiavian’i Kristy fanindroany
ny sainy sy ny fanantenany. Ka rehefa nianjera teo aminy ny sabatry ny
mpamono, ka nanodidina ilay maritiora ny aloky ny fahafatesana, dia nibanjina
ny ho avy ny fisainany farany, ary toy ny tonga teo aminy sahady ny fifohazana
amin’ny fitsanganana amin’ ny maty, ka niarahabany an’Ilay Loharanon’aina, dia
Ilay handray azy amin’ ny firavoravoana miaraka amin’ny voavotra rehetra.
Efa roa arivo taona izao no lasa hatramin’ ny nanasian’ny apostoly Paoly
tombo-kase ny fanambarany ny Tenin’Andriamanitra sy ny Mpamonjiny tamin’
ny rany, tamin’ ny fotoana
4) Jaona 6 : 40
450
nihilanan’ny androny. Tsy nisy diam-penina afaka nitantara ny zavatra niseho
tamin’ ny fotoana farany niainan’ io olona masina io, ho an’ ny taranaka
nifandimby. Toy ny feom-pandresena avy amin’ ny trompetra nanakoako
nandritra ny taonjato maro nifandimby, ka nampitambelona ny herimpon’ ny
vavolombelon’i Kristy anarivony maro ity antsom-pandresena feno hafaliana ity:
«Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mby akaiky ny andro fialako. Efa niady
ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho;
hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’
ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’ izay andro izay; ary tsy ho ahy
ihany, fa ho an’ izay rehetra tia ny fisehoany koa»5.

5) 2 Tim. 4 : 6 - 8
451
51

Mpiandry mahatoky

Ao amin’ ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia tsy misy filazana firy ny


amin’ ny asan’ ny apostoly Petera nandritra ny taona faramparany niainany. Ny
asa nataony taorian’ ny nirotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ ny andro Pentekosta
no nahitana azy nanao fiezahana manokana mba hiasa tamin’ ireo Jiosy tonga
tany Jerosalema tamin’ ny andro firavoravoana.
Raha nitombo fatratra ny isan’ny mpianatra tao amin’io tanana io, ka niely
patrana tany amin’ ny faritra rehetra ny iraky ny hazo fijaliana, dia tena sarobidy
tamin’ ny fiangonana voalohany tokoa ny toetra ambony nananan’ i Petera. Niely
hatraiza hatraiza ny herin’ ny fampianarany ny amin’i Jesosy avy any Nazareta.
Roa sosona ny andraikitra notanany; Nanambara ny amin’ny Mesia tamin’ ny tsy
mpino izy, izay niriny fatratra ho taomina ho Kristiana, ary nosahaniny koa ny
nanatanjaka ny finoan’ny Kristiana an’ i Kristy.
Rehefa voataona handà ny tenany sy hitolo-batana tanteraka tao ambany
fifehezan’ ny herin’ Andriamanitra izy vao nandray ny iraka ho mpiandry. Izao
no tenin’ i Kristy taminy talohan’ny nandavany Azy. «Ary rehefa mibebaka
hianao, dia ampaherezo ireo fahalahinao»1. Nisy heviny izany teny izany raha
jerena ny andraikitra goavana napetraka taminy hiasa ho an’ ny tsy mpino.

1) Lioka 22 : 32
Mifototra amin’ ny epistily voalohany nosoratah’ i Petera ity toko ity.
453
Ny fanandramana nataon’ i Petera, fony izy nanota, ka nijajy saina, nefa
nibebaka, no nampiomana azy ho amin’ io asa io. Raha tsy, mbola nahatsapa ny
fahalemeny mantsy izy, dia tsy ho fantany ny ilàn’ ny mpino ny fiankinana amin’
i Kristy. Nefa kosa tao anivon’ ny herin’ ny fakam-panahy maro nanodidina
azy no nahatsapany bebe kokoa fa tsy mety hahita famonjena ny olona raha tsy
miala tànteraka amin’ ny fitokisany tena, ka miantehitra tanteraka kosa amin’ ny
Mpamonjiny.
Rehefa nivory farany teo amoron’ ny ranomasina Kristy sy ny mpianany,
ka notsapain’ ny Tompo ny toetran’ i Petera tamin’ny nametrahany fanontaniana
intelo hoe; «Moa tia Ahy va hianao? »2 dia tamin’ izany no nandraisana azy ho
anisan’ ny roa ambin’ny folo lahy indray. Nambara taminy ny asa hataony:
fa hamahana ny ondrin’ny Tompo izy. Ary satria efa niova fo izy izao, sady
naverina teo amin’ny toerana naha-apostoly azy, dia tsy ny hiezaka hamonjy izay
any ivelan’ ny vala ihany no adidiny, fa ny ho mpiandry ny ondry efa ao anatiny
koa.
Nasehon’ i Kristy tamin’i Petera ny fepetra ilaina mba haha-vitany ny
asany, raha nametraka taminy ny fanontaniana hoe Izy: « Moa tia Ahy va
hianao?» Ny fitiavana tokoa mantsy no zava-dehibe indrindra. Na dia nanana ny
toetra tsara hafa rehetra aza i Petera, dia tsy ho mpiandry mahatoky ny andian’
ondrin’Andriamanitra izy raha tsy manana ny fitiavan’i Kristy. Ny fahalalana, ny
hatsaram-panahy, ny fahaiza-mandaha-teny mbamin’ny fahazotoana dia samy
ilaina mba hahavitana asa tsara; nefa kosa raha tsy ao ny fitiavana, dia tsy maintsy
miafara amin’ ny tsy fahombiazana ny asan’ ny mpitory.
Tsy fihetseham-po sendra miserana ny fitiavana an’ i Kristy, ka fitsipika
iainana tsy maintsy miseho eo ivelany, sy hery mitoetra ao am-po. Fa raha
fanehoana ny fahamarinana torin’ny mpiandry ny toetra sy ny fitondrantenany,
dia hametraka ny tombo-kasen’ny fankasitrahany eo amin’ ny asany ny Tompo.
Iray ihany, ny mpiandry sy ny ondry andrasany, samy mpiombona ao amin’ ny
fanantenana ao amin’ i Kristy ireo.
Ny fanehoam-pitiavana nataon’ i Kristy tamin’ i Petera dia misy lesona ho
an’ io mpianatra io sy ho an’ ny namany koa. Na dia nandà ny Tompony intelo
aza i Petera, dia tsy nihena na oviana na oviana ny fitiavana nasehon’ i Kristy
taminy, Tokony
2) Jaona 21 :15 - 17
454
hampiseho amin’ ny mpanota fahari-po sy fitiavana ary famindra-po toy izany
koa i Petera rehefa mampianatra ny tenin’ Andriamanitra. Nitaona azy haneho ny
nitiavan’i Kristy azy ny faha-tsiarovany ny fahalemeny sy ny faniavany, ka mba
hataony amin’ ny ondry sy ny zanak’ondry alototra hokarakarainy koa izany
fitiavana izany.
Vonona hanao fitondrana henjana amin’ny mpania malemy, ny
olombelona voafatotry ny ratsy. Tsy mahay mandinika ny fo izy, ka tsy
mahafantatra ny adim-panahy sy ny fahoriana mianjady amin’ ireny fanahy very
ireny. Tsy maintsy hianatra hampihatra famaizana amim-pitiavana izy, ka
hikapoka nefa hanasitrana, hanameloka nefa hitondra fanantenana.
Niambina tsara ny ondry natolotra azy tokoa i Petera nandritra ny fotoana
niasany, ka hita ho mendrika handray ny adidy napetraky ny Tompo taminy.
Nitory fiderana lalandava an’ i Jesosy avy any Nazareta izy, ka nampiseho Azy
ho fanantenan’ny Isiraely sy Mpamonjy ny taranak’olombelona. Nampihariny
tamin’ny tenany ny fifehezan-tena hitany teo amin’ny Tompony. Nanao
fiezahana tamin’ny fomba rehetra takatry ny sainy izy mba hanamboatra ny
toetran’ny Kristiana, sy hanomana azy ireny hanao ny asan’ ny Tompo. Ny ohatra
masina nasehony sy ny asa tsy nisy fitsaharana nataony no namporisika ireo
tanora dimbin’ny ala hanolo-tena tanteraka ho amin’ ny asa fitoriana.
Arakaraka ny fandrosoan’ ny haona niainany no vao mainka nitomboan’ny
hery tsapa teo amin’io apostoly io amin’ ny maha-filoha sy mpitaiza azy. Tsy
niala tamin’ny masony mihitsy ny adidy tsy maintsy nefainy teo amin’ ny Jiosy;
nefa nandeha nitory tany amin’ny tany maro hafa koa izy, ka nampahery ny
finoan’ny vahoaka voababon’ ny filazantsara.
Tamin’ny faramparan’ny andro niasany, dia nomen’ny Fanahy
tsindrimandry hanoratra ho an’ny mpino «monina any am-pielezana any Ponto,
Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia» ny apostoly Petera. Nampitambelona ny
herimpo sy nanatanjaka ny finoan’ ireo izay nandalo tamin’ ny fitsapana sy ny
fampahoriana ny epistily nalefany, sady nanavao ny asa tsara nataon’ny mpino,
izay nianjadian’ny fakam-panahy maro, ka saika very finoana an’ Andriamanitra.
Tsapa tao amin’ ny famakiana ny epistiliny fa tena nandray anjara tamin’ ny
fahorian’ i Kristy tokoa izy — ka hita fa tena voaovan’ny fahasoavana tanteraka

455
tokoa, ary nijoro tsy azo nohozongozonina ny fanantenany ny fiainana
mandrakizay.
Natombok’ io mpanompo antitr’ Andriamanitra io tamin’ny fiderana sy ny
fisaorana ny Tompony ny epistily voalohany nosoratany. «Isaorana anie
Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy, Tompontsika, Izay niteraka antsika indray
araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ ny fanantenana velona tamin’ ny
nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ ny maty, ho amin’ ny lova tsy mety simba, tsy
misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo, izay arovan’ ny
herin’ Andriamanitra amin’ny finoana ho amin’ ny famonjena efa vonona haseho
any am-parany ».
Nampiravorano ireo Kristiana voalohany ny fanantenana ny lova voatahiry
ho azy any amin’ ny Tany vaovao, na dia niharan ny fitsapana sy ny fahoriana
aza izy. Fa hoy izy: «Izany ne iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety
ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza hianareo, raha tsy
maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny
fizahan-foetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba,
na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza), dia amin’ ny hisehoan’i Jesosy Kristy;
Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo
ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy
azo tononina sady be voninahitra, mandray ny anton’ny finoanareo, dia ny
famonjena ny fanahy».
Natao ho fitaizana ny mpino amin’ny fotoana rehetra ny teny nosoratan’i
Petera tamin’izany fotoana izany; ary manana heviny manokana ho an’ izay
velona «amin’ ny fahantombran’ny fiafaran’ny zavatra rehetra». Ilain’ny fanahy
tsirairay izay maniry hitahiry ny finoany ny fampaherezana sy ny fampi-
tandremana nataon’ i Petera, satria manampy azy hijoro hatramin’ny farany
izany3.
Niezahan’ io apostoly io ny hampiseho amin’ ny mpino – fa tena zava-
dehibe tokoa ny hitandremana ny saina tsy hirona amin’ny zavatra voarara, na ny
handany ny -fotoana amin’ny fanontaniana adaladala. Izay tsy te ho babon’i
Satana dia tokony hiambina tsara ny fanahiny, ka tsy hikasika boky ratsy, na
hijery na hihaino zavatra mety hampiditra fisainana maloto ao amin’
3) Heb. 3 : 14
456
ny eritreriny. Aoka tsy hampifantoka ny sainy eo amin’ ny hevitra aroson’ny
fahavalon’ny fahamarinana izy.
Aoka harovantsika tsara ny fontsika, ndrao dia fohazin’ny fahavalo eny
ivelany ny filàna ratsy ao anaty, ka hampiraparapa antsika ao amin’ny haizina.
«Koa amin’ izany, hoy i Petera, sikino ny sainareo, dia mahonôna tena, ka
antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ ny hisehoan’i Jesosy
Kristy; tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo
fahiny tamin’ ny tsi-fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo,
dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria
voasoratra hoe: Ho masina hianareo, satria masina Aho».
Mitondra tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny
fivahinianareo ety; fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny
volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala,
izay azonareo tamin’ ny nentin-drazana, fa ny ra soan’ i Kristy, toy ny ran’ ny
zanak’ondry tsy misy kilema- ary tsy misy pentipentina; Izay fantatrareo rahateo,
fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, fa efa naseho tamin’izao andro
farany izao noho ny aminareo, izay mino an’Andriamanitra amin’ ny alalany, dia
Ilay nanangana Azy tamin’ ny maty ka nanome voninahitra Azy, — mba
hiorenan’ ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’ Andriamanitra».
Raha ohatra ka ampy hanavotana hy taranak’olombelona ny volafotsy sy
ny volamena, dia ho mora foana ny hahazoana famonjena araka ny fanambaran’
Ilay niteny hoe: « Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena »4. Nefa kosa tsy azo
avotana afa-tsy amin’ny alalan’ ny Ran’ ny Zanak’Andriamanitra ihany ny
mpanota. Niorina teo amin’ ny fanoloran-tena ny planan’ny famonjena. Hoy ny
apostoly Paoly hoe: «Fa fantatrareo ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba
hampanan-karena anareo ny alahelony»5. Nanolotra ny tenany ho antsika
Kristy, mba ho fanadiovana antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Ary ny fahasoavana ambony indrindra atolotry ny famonjena, dia ny «fiainana
mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ao amin’i
Kristy Jesosy Tompontsika»6.
4) Hagay 2 : 8 5) 2 Kor. 8 : 9 6) Rom. 6 : 23

457
Toy izao indray no nanohizan’i Petera ny epistiliny: «Satria efa
nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ ny
fitiavan-drahalahy tsy miangatra, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo; fa efa
teraka indray hianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo fa tamin’ ny tsy mety ho lo,
dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sady maharitra». Avy tany an-danitra no
niavian’ izany fitiavana izany, ary avy aminy no ipoiran’ny fihetsika mendrika
indrindra sy ny asa feno fandavantena indrindra.
Rehefa manjary fitsipika iainana isan’ andro ny fahamarinana, dia ateraka
indray ny fanahy, «tsy tamin’ ny voa mety ho lo, fa tamin’ ny voa tsy mety ho lo,
dia ny tenin’ Andriamanitra, izay velona sahy maharitra». Avy amin’ ny
fandraisana an’ i Kristy no mahatonga izany fahaterahana indray izany, sy ny
fanekena Azy ho Tenin’Andriamanitra. Rehefa voasikotra ao am-po noho
ny asan’ ny Fanahy Masina ny tenin’ Andriamanitra, dia miteraka fisainana
vaovao sy tqetra tsara vaovao ao amin’ ny Kristiana toetra izay natoritory tao
aminy teo aloha, nefa manjary manova azy hahay miara-miasa amin’ ny Tompo
aty aoriana.
Izany indrindra no tanteraka teo amin’i Petera sy ny mpiara-miasa aminy.
Nasehon’ ny Mpamonjy, sady nafafiny tao am-pon’ ny olona ny voa tsy mety ho
lo. Kanjo tsy takatry ny sain’ny olona ny ankamaroan’ ny lesona sarobidy nomen’
Ilay Mpampianatra mahay. Rehefa niakatra ho any an-danitra kosa Izy, ka
nampaha-tsiarovin’ny Fanahy Masina tamin’ny mpianatra ny fampianarany,
dia nifoha ny saina renoky ny torimaso tao aminy. Nampihiratra ny sainy ny
hevitr’ ireny fampianarana ireny, ka toy ny fahitana tampoka taminy ny nisehoan’
ny fahamarinana tao amin’ ny fahadiovana tanteraka. Nanjary fiainany ny
fiainan’ ny Tompo. Nandroso ny fîtoriana ny Teny noho izany. Toy izao no
fomba filazan’i Jaona azy: «Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika;
ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahimatoa avy
tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavanasy fahamarinana»7.
Koa dia namporisihin’i Petera ny Kristiana mba hianatra ny Tenin’
Andriamanitra, ka rehefa mahafantatra tsara ny hevitry ny teny izy dia- ho afaka
hanangana asa marim-pototra haharitra mandrakizay. Fantatr’ i Petera fa mba
hahazoana ny fandresena farany, dia tsy maintsy misetra ady sy fahoriana mafy
ny Kristiana
7) Jaona 1 : 14
458
tsirairay avy; fantany koa anefa fa ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra no
hahazoan’ izay mandalo fakam-pànahy, teny fikasana hampahery ny fanahiny ary
hampijoro tsara ny finoany. «Ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary izay mety
ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ny ahitra. Malazo ny ahitra ka mihintsana
ny voniny; fa ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin’ny
filazantsara izay notorina taminareo. Ary esory ny lolompo rehetra sy ny fitaka
rehetra sy ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny faharatsiana rehetra, fa
tahaka ny zaza vao teraka dia maniria rononom-panahy tsy misy fitaka mba
hitomboanareo amin’izany ho amin’ ny famonjena, raha tahiny nanandrana
hianareo fa tsara ny Tompo».
Niaina teo anivon’ny jentilisa ny ankamaroan’ny mpino nandefasan’ i
Petera ny epistiliny, ka tena nilaina tokoa ny hananany toetra mahatoky amin’ny
asa masina niantsoana azy. Nohizingizinin’ny apostoly indrindra ny amin’ny
tombontsoa izay nananany amin’ny maha-mpianatr’i Kristy azy. «Fa
hianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakam-pisorona, firenena masina, olona
nalain’ Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanàreo. ny hatsaran’ Ilay
niantso anareo niala tamin’ ny maizina ho amin’ ny fahazavany mahagaga; dia
hianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon Andriamanitra;
izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo.
» Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny hianareo,
fadio ny filan’ ny nofo, fa miady amin’ ny fanahy ireny; ary aoka ho tsara ny
fitondrantenanareo eo amin’ ny jentilisa, mba hankalazany an’ Andriamanitra
amin’ ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay
anendriken-drehany anareo ho mpanao ratsy».
Nasehon’ i Petera miharihary tsara ny toetra tokony hananan’ ny mpino eo
anatrehan’ ny manam-pahefana. «Ary noho ny Tompo, dia meneke izay rehetra
voatendrin’ ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy, na ny mpanapaka, satria
nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara. Fa toy
izany no sitrapon’Andriamanitra hampanginanareo ny tsi-fahalalan’ny olona
adala amin’ ny fanaovan-tsoa; fa olona afaka hianareo, nefa aza mitondra ny
fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon’Andriamanitra.
Manaja ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’Andriamanitra. Manajà
ny mpanjaka».

459
Manoro hevitra ny mpanompo koa i Petera mba ho mahatoky amin’ ny
tompony. « Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin ny fahatahorana
rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa. Fa izao no
ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina
noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra. Fa inona no laza raha
tàhiny kapohina amin’ ny fahadisoana hianareo ka mandefitra amin’izany? Fa
raha tàhiny manao soa kosa hianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia
izany no sitrak’Andriamanitra. Fa ho amin’ izany no niantsoana anareo; fa Kristy
aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanaraha-
nareo ny diany; Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany; raha
notevatevaina Izy dia tsy mba nanevateva; raha nijaly dia tsy nandrahona, fa
nanolotra ny adiny ho amin’ ny Mpitsara marina; ary Izy nitondra ny fahotantsika
teo amin’ny tenany teo ambonin’ ny hazo, mba ho faty ny amin’ ny ota isika, fa
ho velona ny amin’ny fahamarinana, ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana
anareo. Fa efa nania toy ny ondry hianareo, nefa ankehitriny dia efa niverina ho
amin’ ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo».
Namporisika ny vehivavy mpino izy mba ho madio fitondran-tena, sy
maotona eo amin’ ny fomba fitafiny. «Ary aoka ny fivavahanareo tsy ho zavatra
eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bofamena na ny fiakanjoana;
fa aoka ho toetra miafma ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy
sady miadana, izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra».
Nanome famporisihana ny mpino rehetra velona tamin’ny vaninandro
rehetra koa io apostoly io. «Ka dia ny voany, hoy Kristy, no hahafantaranareo
azy»8. Sarobidy tokoa ny fihaingoana anaty, dia ny fananana fanahy malemy sy
miadana, Ny fiakanjoana ivelany ataon’ny Kristiana dia tokony hifanaraka
amin’ny fiadanam-po sy ny fahamasinana ao anaty. « Raha misy ta-hanaraka
Ahy, hoy Kristy, aoka izy handa ny tenany sy hitondra'ny hazo fijaliany ka
hanaraka Ahy»9
Ny fandavana ny tena sy ny fahafoizana ny tombontsoa ho an’ny tena no
toetra tokony hampiavaka ny fiainan’ ny mpino. Eo amin’ ny fomba fitafin’ ny
Kristiana sy ny fiovan’ny safidiny momba izany no ahafantarana fa tena niova fo
tokoa izy. Tsara ny fiezahana hanana fahatsaran-tarehy, ary irina fatratra koa
8) Matio 7 : 20 9) Matio 16 : 24
460
izany; nefa izay angatahin’Andriamanitra amintsika dia ny hikatsaka ny tsy mety
simba aloha. Tsy misy firavahana eo ivelany azo ampitahaina amin ny fanahy
malemy sy miadana, na koa amin’ny «fitafiana rongony fotsy madinika sady
madio no manga-tsakatsaka»10, izay hotafin’ ny Kristiana rehefa mby any amin’
ny Tany Vaovao izy.
Ety an-tany dia efa hahatsara tarehy sy haha-maha-te ho tia azy sahady
izany fitafiana izany; ary rahatrizay kosa dia ho famantarana hahazoany miditra
any amin’ ny lapan’ ny Mpanjakan’ny Mpanjaka izany. Toy izao ny teny fikasan’
Andriamanitra: « Ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria
miendrika izy»11.
Fantatr’ i Petera ara-paminaniana mialoha ny loza hihatra amin’ ny
fiangonan’ i Kristy amin’ ny ho avy, ka dia namporisika ny Kristiana izy mba
hijoro tsara eo anoloan’ ny fitsapana sy ny fahoriana. «Ry malala, aza gaga noho
ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao
ho zavatra mahagaga manjo anareo izany»
Anisan’ny fanabeazana omena ao amin’ny sekolin’ i Kristy ny fizahan-
toetra; ary natao ho fanadiovana ny mpino izany, sy mba hampiala aminy ny
loton’ izao tontolo izao. Noho ny fikara-karan’Andriamanitra ny zanany no
ampandalovany azy amin’ny fizahan-toetra, satria ny fahoriana no fomba
fitaizana nofidiny, sy fitaovana ho fanasoavana izay tiany. Mahafantatra ny
fahalemen’ny tsirairay avy Ilay mahay mamaky ny ao am-po tsy miloaka, ary
mihoatra noho ny fahalalan’ireo ny fahalemen’ ny tenany izany. Hitany koa ny
fahaizana ananan’ ny tsirairay avy, ary fantany fa raha voatantana tsara izany dia
azo ampiasaina ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra. Noho ny
fitondran’Andriamanitra no itaomany ny olona maro avy any amin’ ny firenena
samihafa izay samy manana ny maha-izy azy mba hahatsapa ny kilemany,
izay mety tsy ho fantany akory. Atorony azy ny fomba hiovany toetra, mba
hahatonga azy ho vonona hanao ny asan’ ny Kristiana.
Indraindray avelan’Andriamanitra hihatra amin’ny fanahin-tsika ny memy
afon’ ny fahoriana mba ho fanadiovana azy. Tsy mitsahatra mikarakara ny lovany
Izy, ary tsy misy avelany hihatra amin’ny zanany afa-tsy izay hahazoany soa
ihany, tsy any amin’ny mandrakizay ihany, fa amin’izao andro ankehitriny izao
koa aza. Ny fizahan-toetra rehetra, sy ny fahoriana rehetra izay avelany
10) Apok. 19 : 8 11) Apok. 3 : 4
461
hihatra amintsika dia samy kendreny hanatanjaka ny fanahintsika sy hampahery
ny finoantsika mba hahazoana mampandresy ny hafatry ny hazo fijaliana. Tian’
ny Tompo ny hanadio ny fiangonany, toy ny nanadiovany ny tempoly tao
Jerosalema fahiny raha mbola nanao ny asany tety an-tany Izy.
Nisy fotoana tsy nahatakaran’ ny sain’ i Petera ny asan’ ny hazo fijaliana
tao amin’ ny fiainan’ ny Mpamonjy. Raha nanambara tamin’ ny mpianany Jesosy
fa efa nanantomotra ny hampijaliana sy ny hamonoana Azy, dia loa-bolana i
Petera ka nanao hoe: «Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa
izany!
Sarotra mihitsy tamin’ ny sain’ ny mpianatra ny hanaiky fa ny lalana tsy
maintsy hizoran’ i Kristy dia handalo ao amin’ ny fijaliana sy ny fahafaham-
baraka. Rehefa nandalo ao amin’ ny memy afon’ ny fitsapana mangidy izy ireo
vao hahafantatra izany. Nihanalefaka ihany ny firehetam-pony taty aoriana rehefa
nandalo teo aminy ny asa mafy sy ny vesatry ny taona maro niainany, ka
nahazoany niantso hoe: «Fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’ i Kristy dia
mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ ny voninahiny koa ».
Niteny tamin’ ny loholona indray izy ka nanao hoe: « Andraso ny ondrin’
Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ ny sitrapo
(araka an’Andriamanitra); tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ ny
zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho
fianaran’ny ondry. Ary rehefa miseho ny Lohan’ny mpiandry, dia hahazo ny
satroboninahitra tsy mety simba hianareo».
Tokony hiambina fatratra ny ondry napetraka hiadidiany ny olona
voatendry ho mpitandrina, tsy ho mpanjakazaka anefa fa ho mpampahery sy ho
mpanatanjaka ary ho mpampisandratra ny fanahy. Tsy fitorian-teny fotsiny no
asan’ ny evanjelisitra, fa tsy maintsy misy ezaka mafy ataon’ ny tenany koa.
Mambra malemy sy mivembena maintsy no ao amin’ny fiangonana, ka amin’ ny
fikelezan’ aina tsy manam-piatoana no ahazoana manabe azy hanaiky ny
fitsipika, sy hahazoany manantena handray anjara indray andro any, amin’ ny
voninahitra sy ny tsy fahafatesana.
Izay ilaina dia mpitandrina mahatoky, tsy ho mpandokadoka foana ny
ondry andrasany, na koa hanao fitondrana masiaka aminy,
12) Matio 16 : 22
462
fa hizara aminy kosa ny mofon’aina. Tokony hoentanin’ny hery manova avy
amin’ ny Fanahy Masina izy, ka haneho fitiavana lalim-paka sy fandavan-tena
amin’ izay rehetra eo ambany fitan-dremany.
Ilàna fitandremana fatratra ny asan’ ny mpiandry, satria tsy maintsy
misetra fankahalana sy fangidiana ary fialonana avy amin’ny fiangonany izy, ka
tsy maintsy ilainy tokoa ny Fanahin’i Kristy mba hahazoany mampiravona ny
zava-tsarotra rehetra. Tsy maintsy hananatra izy, hampitandrina, hanitsy ny
toetran’ny ondry andrasany, tsy avy eny ambony polipitra ihany, fa amin’
ny alalan’ ny asa ataon’ ny tenany mivantana eo anilan’ny fanahy karakarainy
koa. Angamba mety hitsipaka ny anatra atao aminy ny mpanota, ary mety ho
voaendrikendrika sy ho voatsiny ny mpanompon’Andriamanitra. Aoka ho
tsaroany rehefa miseho izany fa «ny fahendrena avy any ambony dia madio aloha,
ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa,
tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy. Ary ny vokatry ny fahamarinana dia
afafy amin’ ny fihavanana ho an’ izay mampandroso ny fihavanana.13
Ny adidin’ ny mpitandrina dia ny «hampahazava ny olona rehetra mba
hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voàfina hatramin’ ny
nanaovana izao tontolo izao tao amin’Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra
rehetra»14. Raha misafidy ny «tany malemy hanorenam-pangady » ny mpiasan’
Andriamanitra, ka afa-po amin’ ny fitorian-teny fotsiny, fa ny asa sisa rehetra dia
avelany hataon’ ny hafa, dia tsy hahazo sitraka avy amin’ ny Tompo izy. Ho very
ireo fanahy nanoloran’ i Kristy ny ainy, satria tsy nisy ezaka mivantana sy
mirindra tsara natao taminy.
Ny mpitandrina tsy vonona hanao ny ezaka ilaina hanasoavana ny andian’
ondry dia tsy mendrika ny fiantsoana azy.
Ny fanadinoana ny « izaho » no tokony hampiavaka ny mpiandry
mahatoky; aoka hohadinoiny ny tenany ka hiroboka manontolo ao amin’ ny asan’
Andriamanitra izy. Amin’ny alalan’ ny fitoriana ny Teny, sy ny famangiana ny
ondriny no ahafantarany izay ilain’ ireo sy ny zava-tsarotra manokana mahazo
azy ary ny fïzahan-toetra mihatra aminy. Hiaraka ory aminy izy, hampahery ny
fon’ izay ory, hamahana ny fanahiny noana, ary hambabo azy ho an’i
13) Jak. 3 : 17, 18 14) Efes. 3 : 9
463
Kristy. Amin’izany no hiarahany miasa amin’Ilay nilonjitra ny enta-mavesatra
rehetra. Mahazo manantena ny fanampian’ny anjely izy amin’izany asa izany, ary
mahazo fitarihana manokana avy amin’ny fahamarinan’Andriamanitra izay
mampahahendry azy ho amin’ ny famonjena.
Raha nanome ny torohevitra ilaina tamin’ireo mpitandrina fiangonana i
Petera, dia nisy fitsipika ankapobeny nomeny azy ka tokony harahin’ ny mpino.
Namporisihiny ireo mambra tanora tao amin’ ny andian’ondry mba hanaraka ny
ohatra navelan’ ny zokiny ary hanana fanetren-tena kristiana. «Ary hianareo izay
mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-
tena hianareo ka mifanompo; fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa
manome fahasoavana ho an’ ny manetry tena. Koa amin’ izany, manetre tena
ambanin’ ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny
fotoan’ andro; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy
anareo. Mahonona tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha
tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin’
ny finoana hianareo».
Tamin’ ny fotoana nandalovan’ ny Kristiana tamin’ ny fizahan-toetra
mahamay no nanoratan’ i Petera ny epistiliny. Maro ny mpianatra efa «nandray
anjara sahady tamin’ ny fahorian’ ny Mpamonjy», ary tsy ela akory dia hisy
fanenjehana mahatsiravina hianjady amin’ny mpino. Tsy ela akory koa dia tsy
maintsy hanolotra ny ainy noho ny filazantsara ireo izay efa voatondro ho
mpampianatra sy filoha tao amin’ny fiangonana. Tsy ela akory dia hisy amboadia
masiaka hiditra ao am-bala, ka tsy hiantra ny ondry. Tsy nitondra hakiviana
tamin’ izay nametraka ny fanan-tenany tao amin’i Kristy anefa izany ho avy
manjombona izany; fa tamin’ny teny fampaherezana sy fampanantenana no
niezahan’i Petera hitaona ny Kristiana tsy hampifantoka ny sainy teo
amin’ny fitsapana mihatra aminy na ankehitriny na amin’ ny ho avy, fa mba
hibanjinany kosa ny «lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona». Ka
toy izao indray ny teny nambarany ho fanampin’ izany: «Ary Andriamanitry ny
fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ ny voninahiny
mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo,
dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. Ho Azy anie ny
fanjakana mandrakizay mandrakizay Amena».
464
52

Mijoro
hatramin’ ny farany

Tao amin' ny epistily faharoa nosoratany ho an’ireo mpiray finoana taminy


no nanehoan’i Petera ny fikasan’Andriamanitra hampitombo ny toetra kristiana.
Hoy izy; « Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana
amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika. Efa
nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana
sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ ny fahalalana Ilay niantso antsika
tamin’ ny voninahiny sy ny faha-tsarany; ary izany no nahatanterahany amintsika
ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray
amin’ ny fomban’Andriamanitra amin’ izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny
fahalotoana izay eo amin’ izao tontolo izao noho ny filana; koa noho izany dia
manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin’ ny finoanareo dia
manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia
fahalalana, ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ ny
fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ ny fàharetanareo dia toe-panahy
araka an’ Andriamanitra, ary amin’ny toe-panahinareo araka an’ Andriamanitra
dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana
ny olona rehetra. Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo
betsaka, dia isy avelan’ izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo amin’ ny
fahalalana tsara an’ i Jesosy Kristy Tompontsika».

Mifototra amin’ nv 2 Petera ity toko ity


30 — Vavolombelona Mahery
465
Misy fampianarana sarobidy maro ao amin’ izany teny izany ka
mikarantsana toy ny hiakam-pandresena. Nohazavain’ i Petera tamin’ ny mpino
fa azo oharina amin’ ny tohatra iray ny fandiosoana eo amin’ ny toetra ara-
panahy, ka ny zanatohatra tsirairay avy dia mitondra ho amin’ ny fahalalana an’
Andriamanitra; tsy tokony hisy fiatoana izany fiakarana zanatohatra izany. Ny
finoana, ny fahatanjahan-tsaina, ny fahalalana, ny fahononam-po, ny faharetana,
ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra ary ny fitiavana ny rahalahy sy ny
fitiavana ny olona rehetra dia samy zanatohatra hanihina avokoa. Amin’ ny
fananihantsika ireo zana-tohatra rehetra ireo no hahazoantsika famonjena, satria
amin’izany no hiakarantsiha ambonimbony kokoa hatrany ho fanatrarana ny
haavo atolotr’ i Kristy hotratrarintsika. Ho amin’ izany no nanaovana Azy ho «
fahendrena, sy fahamarinana sy fanamasinana ary fanavotana» ho antsika.
Miantso ny zanany hanatratra ny voninahitra sy ny toetra tsara
Andriamanitra. Miseho eo amin’ny fiainan’izay rehetra tena manana firaisana
arniny izany. Manjary mpiray fomba amin’ ny lanitra izy, ka miezaka hanatratra
ny fahatanterahana satria «arovan’ ny herin’Andriamanitra amin’ ny finoana»1.
Voninahitr’Andriamanitra ny manome hery ny zanany, satria iriny ny hahatraran’
ireo ny tanjona ambony indrindra eo amin’ny fiainana ara-panahy. Rehefa
mandray amin’ ny finoana ny herin’ i Kristy izy, ka mino fa tsy maintsy tanteraka
ny teny fikasany, ary takiny ho azy izany; eny, rehefa mikatsaka amin’ ny fony
tokoa ny fanampian’ ny Fanahy Masina izy, dia amin’ izany no hananany
fahatanterahana.
Rehefa nanaiky ny filazantsara ny Kristiana dia tokony ho faniriany avy
hatrany ny hanana toe-panahy marina. Amin’izany no hananany fahadiovam-po
sy hiomanany handray ny fahalalana an’ Andriamanitra. Io no fototra marina
anorenana ny fanabeazana rehetra sy ny fanompoana marina an’ Andriamanitra.
Io no fomba tokana hiarovan-tena amin’ny fakam-panahy, sady hahatonga ny
toetra hifanahaka amin’ ny an’Andriamanitra. Amin’ny fahalalana ny Ray sy ny
Zanaka dia Jesosy Kristy, no hanomezana antsika ny zavatra rehetra mba
hananantsika fiainana araka an’ Andriamanitra.
Tsy misy fanomezan-tsoa holavina ka tsy homena an’izay maniry marina
hahazo fanamarinana ao amin’Andriamanitra.
1) 1 Pet 1 : 5
466
Hoy Kristy: «Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny maha fantatra
Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy izay efa
nirahinao»2. Nanambara koa ny mpaminany Jeremia fa: «Aoka ny hendry tsy
hirehareha amin’ ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ ny
heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin’ny hareny; fa izay te-
hirehareha dia aoka hirehareha amin’ izao: dia ny fahendreny sy ny fahalalany
Ahy hoy Jéhovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary
fahamarinana ety ambonin’ ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jéhovah»3
Sarotra amin’ny sain’ olombelona ny hahatakatra ny habe sy ny halalina
ary ny hahavon’ny harena ara-panahy ananan’ izay mahazo izany fahalalana
izany.
Tsy tokony hisy tsy hahatratra eo amin’ny faritra misy azy ny hakanton’
ny fiainana ao amin’i Kristy. Atolotra ny zanak’Andriamanitra tsirairay avy,
tamin’ ny alalan’ny fanavotana nataon’i Kristy, «ny zavatra rehetra mba
hananany ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ».
Nasehon’ i Kristy fony Izy nitafy nofo fa noho ny fiaraha-miasa eo amin’
Andriamanitra sy ny olona no ahatraran’ ny olona ny fahatanterahana. Azontsika
antoka ary fa hatolotra antsika koa ny hahazo fandresena tanteraka.
Atolotra ny mpino tsirairay avy ny hahazoany mankato ny didy rehetra
tahaka ny nataon’i Kristy, ary tena mahafinaritra izany fahombiazana izany. Tsy
vitan’ ny olona velively amin’ ny herin’ ny tenany samirery ny hahatratra izany
fenitra izany, satria ny fahamasinana tokony ho tratrany mba hahazoana ny
famonjena dia ambaran’ny Tenin’Andriamanitra fa vokatry ny asan’ny
fahasoavan’Andriamanitra, arakaraka ny ileferan’ny olona ao amin’ ny hery avy
amin’ny Fanahin’ny fahamarinana.
Tsy mety ho tanteraka ny fankatoavana raha tsy amin’ny alalan’ny
fahamarinan’i Kristy ihany. Ny adidin’ny Kristiana dia ny hanana faharetana eo
amin’ ny fandresena ny fironan’ny sainy ho amin’ ny ratsy. Tokony hivavaka
lalandava amin’ny

2) Jao. 17 : 3 3) Jer. 9 : 22, 23)


467
Tompo izy mba hanasitrana ny fanahiny voan’ny aretim-pahotana. Samy tsy
ananany na ny fahendrena na ny hery hahazoany fandresena. Andriamanitra
ihany no tompon’izany toetra ambony izany, nefa omeny an’izay rehetra
mangataka famonjena aminy izany, dia izay mitalaho Aminy amin’ ny fo torotoro
sy manetry tena.
Mandritra ny andro iainana ny faharetan’ny asa fanavaozana atao ho an’ny
mpanota mikatsaka fahamasinana. Miasa ho fana-masinana ny Kristiana isan’
andro isan’andro Andriamanitra; kanefa tokony hiara-miasa Aminy ny mpanota,
ka hiezaka amim-paharetana hanana fahazarana tsara, sy hikely aina hampitombo
fahasoavana hatrany, hatrany. Ka rehefa mampitombo ny ezaka ataony toy izany
izy, dia hikely aina koa mba hahabetsaka izay azony. Vonona hihaino sy hamaly
mandrakariva ny fivavahana ataontsika ny Mpamonjy, raha miloatra avy ao
amin’ ny fo torotoro izany. Ampitomboiny ho an’ ny zanany ny fahasoavana sy
ny fiadanana. Amim-pifaliana no izarany fitahiana aminy satria fantany
fa ilainy tokoa izany mba hiadiany amin’ ny ratsy malaky mahazo azy.
Mampalahelo anefa fa misy olona sasany miezaka samirery hananika ireo
zanatohatra ho amin’ ny fahatanterahan’ ny toetra kristiana ireo, ka mametraka
ny fitokisany eo amin’ ny herin’olombelona. Manjary tsy tazan’ny masony
intsony Jesosy, Ilay Tompon’ny finoany sy Mpanefa azy, ka indro fa tsy misy
vokatra ny ezaka ataony, ary votsotra mbamin’izay efa teo am-pelatanany
aza. Mampahonena tokoa ny olona trotraky ny zava-tsarotra eny am-pandehanana
ka voarombaky ny fahavalo ny fahasoavana ara-panahy izay mba efa nitsiry kely
tao anatiny. «Fa izay tsy manana izay zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy
mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin’ny fahotany fahiny
izy».
Nanana fanandramana lava ny amin’ny fiarahany tamin’Andriamanitra ny
apostoly Petera. Nihanatanjaka ny fianteherany tamin’ ny hery mamonjy ao
amin’i Kristy nandritra ny taona maro niainany, ka rehefa ela ny ela dia
noporofoiny fa tsy rnety ho lavo intsony izay mandroso ao amin’ ny finoana, ka
mananika hatrany hatrany, sy amin’ny fomba matotra, ireo zanatohatra mitondra
hatrany amin’ ny vavahadin’ny lanitra.
Nandritra ny taona maro no nampisehoan’ i Petera tamin’ny Kristiana ny
tokony hitomboany lalandava ao amin’ny faha-
468
soavan’Andriamanitra sy amin’ny fahalalana ny marina. Fantany fa tsy ela
intsony dia hihatra aminy ny fahafatesan’ny maritiora noho ny finoana tanany;
koa dia nitarika ny sain’ny Kristiana izy hibanjina indray ireo tombontsoa
mahatalanjona atolotra azy. Tamim-pinoana matotra no namporisihan’ity
apostoly antitra ity ireo rahalahiny tamin’ny fitenenany taminy hoe: «Ary
amin’izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny
fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho
tafintohina akory mandrakizay; fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo
ny fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay». Fanomezan-toky kanto
loatra izany! Ho avy mamirapiratra manao ahoana ho an’ny Kristiana izay
mandroso amim-pinoana hanatratra ny haavon’ny fahatanterahana!
«Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin’izany zavatra
izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin’ ny fahamarinana
izay efa eo aminareo. Fa raha mbola eto amin’ ity trano-lay ity aho, dia ataoko fa
mety ny hampifoha anareo amin’ ny fampahatsiarovana anareo, satria fantatro fa
ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon’i
Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa. Ary dia hataoko izay zakako mba hisy
hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva, rehefa maty aho».
Tena sahaza an’ i Petera tokoa ny hanambara ny sitrapon’Andriamanitra
amin’ ny olona, satria nahita zavatra betsaka sy nandre zavatra maro ny amin’ ny
fanjakan’ Andriamanitra izy nandritra ny niarahany niasa tamin’i Kristy. «Fa tsy
nanaraka izay anganongano noforonin’ny fahafetsen’ny saina izahay, raha
nampa-hafantatra anareo ny hery sy ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompon-
tsika; fa efa hitan’ ny masonay ny fiandnanany. Fa nahazo laza amam-boninahitra
tamin’Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ ny voninahitra
lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: Ity ny Zanako malalako izay sitrako. Ary
renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrom-
bohitra masina izahay».
Na dia manamafy orina ny fanantenan’ ny mpino aza izany zavatra azo
antoka izany, dia mbola misy zavatra hafa koa izay mbola azo antoka mihoatra
noho izany, dia ny faminaniana, izay toy ny vato fantsika mampiorim-paka lalina
ny finoan’ ny Kristiana. «Ary

469
manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika
izany hianareo dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana
maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ ny andro, ka miposaka ao am-ponareo
ny fitarik’andro; fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny
faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny
ihany, fa tsy nisy faminaniana avy tamin ny sitrapon’ ny olona tany aloha rehetra,
fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ ny
Fanahy Masina azy ».
Fa raha nanandratra avo ny teny faminaniana azo antoka toy izany izy, izay
mpitarika tsy mety diso amin’ny fotoan-tsarotra, dia nampitandrina fatratra ny
fiangonana koa io apostoly io, mba tsy ho voafitaky ny mpaminany sandoka sy
ny mpampianatra sandoka. Izy ireny mantsy dia «hahatonga mangingina sain-
diso mahavery», ary «handà ny Tompo izay nividy azy ka hahatonga
fahaverezana tampoka ho an’ ny tenany». Nampitahain’ ny apostoly tamin’ ny
«loharano ritra, sy zavona entin’ny tafio-drivotra izy ireny, ka efa tehirizina ho
azy ny fahamaintisan’ ny maizina». Dia mbola nampiany indray hoe: «Ny farany
dia ratsy noho ny voalohany. Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny làlan’ ny
fahamarinana toy izay hiala amin’ ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala
izany izy».
Manaraka izany dia nanopy ny masony ho amin’ny ho avy i Petera rehefa
tonga ny fifaranan’ ny zavatra rehetra, ka nambarany mialoha ny toe-javatra hisy
eo amin’izao tontolo izao alohan’ny hiverenan’i Kristy. «Fa fantatrareo
voalohany indrindra, hoy izy, fa amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy
haniratsira, mandeha araka ny filàny ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny
amin’ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ ny razana mandry dia maharitra tsy
miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao aza».
Kanefa kosa hoy ny Teny: «Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry
fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy
raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy»4.
Tsy dia ny olona rehetra akory no ho lavo ao amin’ ny fandrik’i Satana;
satria rehefa manakaiky ny farany dia ho hain’ izay mijoro
4) 1 Tes. 5 : 3

470
ho mahatoky ao amin’ny Tompo ny hamantatra ny famantarana ny andro. Ka raha
ho marobe ny Kristiana sandoka hiantehitra amin’ny asa vitany, dia hisy kosa
«sisa» hijoro tsy azo hozongozonina hatramin’ ny farany.
Velona tao am-pon i Petera mandrakariva ny fanantenana ny hiverenan’i
Kristy, ka noho izany no nanomezany toky ny fiangonana fa tsy maintsy ho to ny
teny fikasan’ ny Mpamonjy: «Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo
Aho, hoy Jesosy, dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ka
izay itoerako no hitoeranareo koa»5.
Toy izao indray ny fanizingizinana nataon’i Petera ho an’ireo izay mandalo
ao amin’ ny fizahan-toetra ka toa mila halaim-panahy hilaza fa maharitra ela vao
ho avy ny Tompo; «Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ ny
sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba
ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny
andron’ ny Tompo, ary amin’ izany ny lanitra dia ho lasa amin’ ny firimorimoana
mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny
tany sy ny asa izay eo aminy ».
«Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony
hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy
araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ ny
andron’ Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy
hampiempo ny tenan’ ny zavatra rehetra! Kanefa isika, araka ny teny fikasany,
dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana. Koa
amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany Irianareo, dia
mazotoa mba ho hita tsy manamtsiny amam-pondro eo anatrehan’ ny Tompo
amin’ ny fihavanana. Ary ny fahari-pon’ ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena,
tahaka ny voasoratr’i Paoly, rahalahy malalantsika taminareo koa araka ny
fahendrena nomena azy... Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia
tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy hianareo ka ho
lavo hiala amin’izay iorenanareo; fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny
fahalalana an’ i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy».
5) Jao. 14 : 3

471
Noho ny fitahian’ Andriamanitra dia azon’i Petera natao ny namita ny
asany tany Roma. Nandidy ny hampidirana am-ponja azy tao amin’ io tanàna io
i Néron, tokony ho tamin’ ny fotoana nisamborana farany an’i Paoly koa. Toy
izany no nahatonga ireo menavazana roalahy ireo, izay nifanalavitra tokoa teo
amin’ ny toerana niasany, nefa tafahaona teo amin’ny renivohitr’izao tontolo
izao, noho ny nijoroany hatramin’ny farany hanambara ny finoany an’i Kristy, ka
handatsaka ny rany hamonto ny vovoka iray ihany, izay ho toy ny voa nafafy
hanjary vokatra sesehena hojinjaina, dia olona masina sy maritiora maro hanara-
dia azy aty aoriana.
Hatramin’ny nanavaozan’i Petera ny fanoloran-tenany taorian’ny
nandavany ny Tompony, dia hita porofo teo amin’ny fiainany fa nanana herim-
po mahatalanjona teo amin’ny fitoriana an’i Kristy voahombo sy natsangana
indray ary nakarina ho any an-danitra izy. Ary raha nitoetra irery tao am-ponja
nanidiana azy izy dia tsaroany ny teny nataon’i Kristy taminy hoe: «Lazaiko
aminao marina dia marina tokoa; Raha mbola tanora hianao, dia nisikina ka
nandeha tamin’izay tianao; fa rehefa antitra kosa hianao, dia haninjitra ny
tànanao, ary olon-kafa no hanikina anao, ka hitondra anao amin’ izay tsy tianao»6.
Toy izany no nanehoan’i Kristy tamin’ io mpianatra io ny fomba hahafatesany,
dia ny haninjirany ny tapany hihombo eo amin’ ny hazo fijaliana.
Araka ny maha-Jiosy sy vahiny an’i Petera dia voaheloka ho-kapohina sy
hohomboana izy. Lasa tany amin’ ny fahotana lehibe nataony ny sainy raha
nametsovetso izany fiafarana mahatsiravina niandry azy izany izy, dia ny
nandavany ny Tompony teo am-pitsarana Azy. Ka raha nankahalainy fatratra ny
hazo fijaliana teo aloha, dia noheveriny ho fifaliana kosa ny hanolotra ny ainy
noho ny filazantsara. Noheveriny ho voninahitra lehibe loatra ho azy ny hihombo
amin’ny hazo fijaliana toy ny fomba nanombôana ny Tompony, na dia efa
nibebaka tamin’ny fahotany tamin’ ny fony rehetra aza izy, sady fantany fa efa
namela ny helony Kristy. Ary moa ve tsy efa hitany porofo izany famelan-keloka
izany tamin’ny nanoloran’i Kristy azy ny fiandrasana ny ondriny sy ny
hamahanany ny ondrikely?
Tsy nety afaka tao an-tsain’i Petera mihitsy ny haratsian’ny fahotana
nataony, ka noheveriny fa tokony hampiharina aminy
6) Jao. 21 : 18
472
tokoa ny fampijaliana mafy indrindra, na dia efa nokekerin’ny nenina mafy aza
izy, sady efa nibebaka tamin’ ny fony tokoa. Koa dia niangavy ireo mpamono
azy izy mba hatsingoloka ny fomba hanomboana azy eo amin’ny hazo fijaliana,
ka ny lohany no ambany. Nekena ny faniriny, ka teo amin’izany fomba
mampihoron-koditra izany no nahataperan’ ny ain’ity apostoly malaza ity.

473
53

Jaona ilay mpianatra malala

Navahana tamin’ny apostoly hafa rehetra i Jaona, satria izy no natao hoe:
«ilay mpianatra tian’i Jesosy»1. Ary toa nanana tombony teo amin’ny fitiavan’ny
Tompo tokoa izy, ka matetika no nahazo mari-pitokisana sy mari-pitiavana
manokana. Anisan’ny mpianatra telolahy nahazo tombontsoa hanatrika ny nano-
mezam-boninahitra an’i Kristy teo an-tendrombohitra fiovan-tarehy izy, ary koa
anisan’ ny nanatrika ny tolona nataony tao amin’ ny tanimbolin’i Getsemane. Izy
no notoloran’ny Mpamonjy ny fikarakarana an-dreniny tamin’ ny ora farany
nijaliany teo ambonin’ ny hazo fijaliana.
Novalian’i Jaona fitiavana lalim-paka koa izany nitiavan’i Jesosy azy
izany. Sahy nisetra ny loza io apostoly io raha notsaraina Jesosy, ary izy koa no
naharitra ela indrindra teo am-pototry ny hazo fijaliana noho ny fitiavany ny
Tompony. Rehefa re fa nitsangana tamin’ny maty Kristy, dia nihazakazaka
nankany amin’ ny fasana izy, ka nihoarany i Petera ilay mpianatra mirehidrehitra.
Manome ohatra ho an’ ny fiangonana kristiana ny fitiavana feno toky sy
ny fahazotoana feno fandavan-tena nasehon’i Jaona tao amin’ ny fiainany, ary
harena sarobidy ho an’ny fiangonana izany. Tsy tao amin’i Jaona rahateo akory
izany hatsaran-toetra hita taratra teo aminy tamin’ny fifaramparanan’ny asa
nataony izany. Nanana kilema lehibe tokoa izy, tsy mpiavonavona sy be
1) Jao. 21 : 20
475
hambom-po ihany izy, fa nirehidrehitra koa sady mpila voatsiary. Nomena
anarana izy sy ny rahalahiny ka natao hoe « zana-baratra ». Nanana toetra mora
tezitra izy sady te hamaly faty no mpanini- tsiny ny hafa. Nefa kosa na dia tao
aza izany fahambanian-toetra izany, dia tsinjon’ ny Tompo fa nanana firehetam-
po feno fahatsorana sy nentanim-pitiavana izy. Nananatra azy ny Tompo noho ny
fitiavan-tenany sy ny hambom-pony, ka nozahany toetra ny finoany. Nasehony
azy izay nokatsahin’ ny fanahiny fatratra, dia ny hakanton’ ny fahamasinana sy
ny fitiavana manan-kery hanova.
Nibaribary matetika ny kileman’i Jaona teo amin’ny fifandraisany tamin’
ny Mpamonjiny. Indray andro nandefa iraka nialoha Azy tany amin’ny vohitry
ny Samaritana Kristy mba hangataka ny mponina ao hanomana efitra ho Azy sy
ny mpianany. Kanjo raha nanakaiky ilay vohitra Izy, dia mody nandalo fotsiny
toa hizotra hankany Jerosalema. Nahatonga fialonana tao am-pon’ny
Samaritana izany fihetsika izany, ka tsy naniry ny hiantranoan’ny Tompo tao
aminy izy, fa na ny fiarahabana fanao amin’ ny vahiny sendra mandalo aza tsy
nataony akory.
Tsy nanao an-terisetra ny handraisana Azy Jesosy, hany ka tsy azon’ ireo
mponina tao Samaria ny fitahiana tokony ho noraisiny raha tahiny niangavy ny
Tompo hiantrano tao aminy izy.
Fantatry ny mpianatra fa tombontsoa ho an’ ny Samaritana ny
hahatongavan’ ny Mpamonjy ao aminy. Koa noho izany dia sady nahagaga no
nampikomy azy ny fangatsiahana, sy ny fialonana ary ny tsy fanajana nasehony
taminy. Nanafintohina an’ i Jakoba sy Jaona mihitsy izany. Satria Ilay nohajainy
fatratra dia tsy noraharahain’ ny Samaritana, ka ny fiheverany an’ izany dia tena
fanabantiana ny Mpampianatra mihitsy, ka mendrika azy ireo ny hampiharana
aminy miaraka amin’ ny vava ny famaizana mafy indrindra. Noho ny hasosorany
dia hoy izy: «Tompo ô, tianao ve raha hangataka afo avy any an-danitra izahay
mba handevona azy? » Ny tao an-tsainy tamin’ izany dia ny amin’ ireo kapiteny
tao Samaria sy ny miaramila feheziny izay nolevonin’ny afo raha nitady
hisambotra ny mpaminany Elia.
Gaga izy raha nahita fa nampalahelo an’ i Jesosy ny teniny, ary ny vao
mainka nahagaga azy dia ny nahazoany ny faniniana

476
nataon’ ny Tompo taminy hoe; «Tsy fantatrareo ny toetry ny fanahy izay anareo.
Fa ny Zanak’olona tsy tonga hahavery ny ain’olona, fa hamonjy azy»2.
Tsy mifanentana amin’ ny asa nanirahana an’i Kristy ny hanery ny olona
handray Azy. Satana sy ny olona manaiky entanin’ ny devoly no te hifehy ny
fieritreretan’ny sasany. Lazain’ny ratsy fanahy fa araka ny rariny sy ny hitsiny no
ifandraisany amin’ny anjely ratsy mba handentika ao amin’ ny fahoriana lalina
izay rehetra tiany hoterena hanaraka ny heviny. Kristy kosa naneho famindrampo
mandrakariva ary vonona lalandava hambabo ny fanahy amin’ny alalan’ ny
fitiavana. Tsy azony ekena ny hananan’ i Satana fahavalo toerana ao an-tsain’ ny
mpianany; tsy sitrany ny manao fanompoana mizarazara. Izay tadiaviny dia ny
hanompoana Azy ap-tsitrapo, sy ny hanolorana manontolo ny fo ho voababon’ny
fitiavany.
Indray andro i Jakoba sy Jaona naniraka an-dreniny hangataka amin’i
Jesosy mba hamandrika ho azy roalahy ny toeram-boninahitra ambony indrindra
ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Na dia efa nampianarin’i Kristy matetika
aza ny toetran’io fanjakana io, dia mbola nokotrehin’ izy roalahy ireo tao am-
pony ihany ny hanorenan’ny Mesia fanjakana ara-nofo ka hisandratany
eo amin’ ny seza fiandrianana, mba hanome fahafaham-po ny fanirian’ ny
olombelona, dia ny hiorenan’ ny fahefana ara-nofo. Dia hoy ny renin’ izy roalahy,
izay nitsiriritra ny hahazoan’ ny zanany toeram-boninahitra ao amin’io fanjakana
io: «Mandidia mba hipetrahan’ ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo
amin’ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ny ankavianao,
ao amin’ ny fanjakanao».
Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: «Tsy fantatrareo izay angatahinareo:
hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay efa hisotroako, na ny hatao batisa
amin’ ny batisa izay anaovana Ahy batisa? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay
ihany». Tsaroany ny teny feno zava-miafina nambaran’ ny Tompo momba ny
hanomboana Azy sy ny hijaliany; kanefa dia namaly tamin-kasahiana ihany izy
ka nanao hoe: «Hainay ihany». Tsy fantany mantsy fa ny voninahitra lehibe
indrindra dia ny hijoro ho mahatoky amin’ ny Tompony, ka handray anjara
amin’ny fijaliana rehetra tsy maintsy hihatra Aminy.

2) Lio. 9 : 52 - 56
477
Dia hoy Jesosy; «Hisotro amin’ ny kapoakako tokoa hianareo; ary hatao
batisa amin’ ny batisa hatao Ahy». Ny hazo fijaliana tao Kalvary tokoa mantsy
no teo anatrehan’i Kristy fa tsy mbola ny seza fiandrianana akory, ka
hohomboana eo anelanelan’ny jiolahy roalahy Izy, ny anankiray eo amin’ ny
ankavanany, ny anankiray eo amin’ ny ankaviany. Tsy maintsy handray anjara
amin’ny fijalian’i Kristy i Jakoba sy Jaona aloha; ary marina tokoa fa tsy ela
akory dia notapahin-doha tamin’ ny sabatra ny anankiray taminy, ary ny faharoa
kosa dia ilay mpianatra niara-dia ela indrindra tamin’ ny Tompony ka niasa mafy,
nianjadian’ny ozona, sy fanenjehana. «Fa ny hipetraka eo an-tànako anka-
vanana sy eo an-tànako ankavia, hoy Kristy, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay
nanamboaran’ ny Raiko izany no homena»3.
Fantatr’ i Jesosy ny toe-tsaina nanosika an’ ireo mpianatra ireo hangataka
izany, ka dia nanome tsiny ny fitiavan-tenany sy ny hambom-pony Izy. Fa hoy
Izy: « Fantatrareo fa ny andrianan’ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny
lehibeny manapaka azy fatratra. Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho
lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho àmbony indrindra
aminareo dia ho mpanomponareo. Fa tahaka izany, ny Zanak’ olona tsy tonga
mba hotompoina, fa mba hanompo, ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny
maro»4.
Tsy mba manan-toerana any amin’ ny fanjakan’ny lanitra ny fizahan-
tavan’olona. Ny fahazoana miditra any dia sady tsy avy amin’ ny ezaka nataon’ny
tena na atolotra amin’ny saina miangatra. Ny fananana toetra tsara no ahazoana
izany. Ny fahaizana mifehy tena avy amin ny herin’ny fahasoavan’i Jesosy Kristy
no hahazoana ny satroboninahitra sy ny seza fiandrianana.
Efa elabe taty aoriana, rehefa nanana firaisana akaiky dia akaiky tamin’ i
Kristy i Jaona, ka niara-niaritra fahoriana taminy, vao nasehon’ ny Tompo taminy
ny fepetra tsy maintsy tanterahina mba ho vahoakan’ny fanjakany... « Izay
maharesy, hoy Izy, dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza
fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’
ny Raiko eo ambonin’ny seza fiandrianany »5. Ny mpino mivelona eo anilan’i
Kristy akaiky indrindra no maneho miharihary ny toe-tsaina feno fandavan-tena
entanim-pitiavana, dia ilay fitiavana

3) Mat. 20 : 23 4) Matio 20 : 25 - 28 5) Apok. 3 : 21 6) 1 Kor. 13 : 4, 5


478
« tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra... tsy manao
otri-po»6. Izany fitiavana izany no manery ny mpianatra toy ny anereny ny
Tompo koa, mba hanome ny zavatra rehetra, ka hivelona, hiezaka ary hanolo-
tena hatramin’ny fahafatesana aza ho famonjena ny taranak’ olombelona very.
Tamin’ ny niandohan’ny asa fitoriana nataon’i Jakoba sy Jaona dia
tafahaona tamin’ny lehilahy iray izay tsy fantatra ho mpianatr’i Kristy izy, nefa
namoaka demonia tamin’ ny anarany. Koa dia noraran’izy roalahy izy tsy hanao
izany, ary noheveriny fa mety ny nataony tamin’ ny nandrarany azy. Kanjo rehefa
notantarainy tamin’ny Tompo izany, dia nanome tsiny azy Izy ka nanao hoe:
«Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ ny anarako ka
hahateny ratsy Ahy vetivety»7. Tsy misy azo atosi-bohon-tanana izay rehetra
milaza azy ho mpisakaiza amin’ i Kristy. Tsy tokony hampiseho fahateren-
tsaina ny mpianatra, fa haneho fitiavana malalaka kosa toy izay efa hitany tao
amin’ ny Tompony. Noheverin’i Jakoba sy Jaona fa hahazo sitraka tamin’ny
Mpamonjy izy tamin’ ny nandrarany an’io lehilahy io tsy hanao fahagagana
tamin’ ny anaran’i Jesosy; kanjo hitany tamin’ny tenin’ ny Tompo fa fitadiavam-
boninahitra ho an’ny tenany no tena antony nanaovany izany fandrarana
izany. Tsapany ny fahadisoany, ary nekeny ny faniniana nataon’ny Tompo
taminy.
Tsapan’ i Jaona ny maha-sarobidy ny lesona nomen’i Jesosy azy tamin ny
fahalemem-panahy sy ny fanetren-tena ary ny fitiavana. Nekeny izany ho
fitsipika tsy maintsy harahina mba hitomboana ao amin’ ny fahasoavana sy mba
hahavitana ny asan’i Kristy. Noraisiny ho tombontsoa ho an’ny tenany ny lesona
tsirairay nomena azy, ka niezahany hivelomana isan’ andro mba hanahafany ny
ohatr’ Andriamanitra. Nony farany vao tena nankafiziny ny «voninahitra
miendrika ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy
fahamarinana»8, fa tsy nahoany intsony ny rendrarendra sy ny fahefan’ ny eto an-
tany. Ny halalina sy ny hafanan’ ny fitiavan’i Jaona ny Tompony dia tsy ho
filan-tsitraka amin’ny Mpamonjy, fa vokatry ny nitiavan’ny Tompo azy. Naniry
hitovy tamin’ ny Tompony i Jaona, ka avy amin’ ny hery manovan’io fitiavana
io no nahatonga azy ho manetry tena sy malemy fanahy. Voasarona tao amin’ i
Kristy
7) Marka 9 : 39 8) Jaona 1 : 14
479
ny maha-izy azy. Nitolo-batana tanteraka hiasan’io hery maha-talanjona io
mihoatra noho ny namany rehetra i Jaona, fa hoy indrindra izy: «Fa efa naseho
ny fiainana, ary efa nahita azy izahay dia tonga vavolombelona ka manambara
aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ny Ray kanefa naseho
taminay»9. «Fa tamin’ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia
fahasoavana anampy fahasoavana»9.
Tamin’ ny fanandramana nataon’i Jaona no nahafantarany ny Mpamonjy.
Voasikofra tao amin ny fony ny lesona noraisiny taminy, ka rehefa nijoro ho
vavolombelon ny fahasoavana namonjena azy izy, dia akory ny herin’ ny teniny
nambara tamim-pahatsorana, satria nipololotra avy tamin’ ny fitiavana
izany ka niparasaka avy tao amin’ ny tenany manontolo.
Izany fitiavany fatratra an’i Kristy izany no nanosika azy hankeo anilany
akaiky dia akaiky. Samy tian’ny Mpamonjy izy roa ambin’ ny folo lahy, fa i Jaona
kosa no vonon-kandray indrindra ny fitiavana natolotra azy. Izy no zandriny
indrindra, ka noso-kafany hidiran’i Jesosy ny fony nifamatotra tamin’ ny
finoan’ny fahatanorana. Noho izany no nananany fiombonana akaiky indrindra
tamin’ ny Mpamonjy; ka tamin’ ny alalany no nanomezan’ny Mpamonjy ho an’
izao tontolo izao ny fampianarana ara-panahy ambony indrindra.
Tian’ i Kristy izay olona maneho ny toetran’ ny Ray, ary i Jaona dia afaka
nanambara ny fitiavan’ ny Ray mihoatra lavitra noho ny hafa rehetra. Naposany
tamin’ ny hafa izay tsapany tao amin’ ny fony, sady nasehony teo amin’ ny
fiainany ny toetran’Andriamanitra ambony indrindra. Nampamirapiratin’ ny
voninahitry ny Tompo ny tavany. Namirapiratra avy teo amin’ ny salovan-tavany
ny hakanton’ ny fahamasinana izay nahatonga azy ho olom-baovao, toy izay hita
taratra teo amin’ ny tenan’ i Jesosy. Tamim-piankohofana nentanim-pitiavana no
nibanjinany ny Mpamonjy, mandra-pahatongan’ ny hany faniriany hitovy aminy
ho tanteraka, ka hanarahany Azy. Taratry ny toetran’ ny Tompony ny toetra hita
teo aminy. «Endrey! hoy izy, manao ahoana ny fitiavana nasehon’ ny Ray, ho
antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’ Andriamanitra, sady izany tokoa
isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy maha-
9) 1 Jao. 1 : 2 ; Jao. 1 : 16

480
lala Azy izy. Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’ Andriamanitra isika. nefa tsy
mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho
tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.10

10) 1 Jao. 3 : 1, 2
31 — VavolomWelona Mahery

181
54

Vavolombelona Mahatoky

Rehefa lasa niakatra tany an-danitra Kristy, dia nasehon’i Jaona ny maha-
mpanompo voatokana sy mahatoky azy teo am-panefana ny asan'ny Tompo.
Fifaliana ho azy, sy ny mpianatra hafa koa ny nanatrika ny nampidinana ny
Fanahy Masina tamin’ny androPentekosta. Ka tamim-pahazotoana sy tamin-kery
nohavaozina no nanohizany ny fitoriana tamin’ ny olona ny Teny fiainana.
sady niezahany koa hitarika ny fisainana ho any amin’ ny tsy hita.
Mpitoriteny manan-kery sady mafana fo no tena feno fahatsorana i Jaona.
Mahafinaritra ery ny mihaino azy, amin’izato feony toy ny mozika, rehefa
nitantara ny fampianarana sy ny asan’i Jesosy izy, ka nampiasa teny nampihetsi-
po ny mpihaino azy. Ny fahatsoran’ny fitenenany, ny hery mahatalanjona tafin’
ny fahamarinana notoriny, ny firehetam-po teo am-panaovana ny toriteniny, dia
samy nahazoany nitsofoka tany amin’ ny karazan’ olona rehetra.
Nifanaraka tamin’ ny fampianarany ny toe-piainany. Ny fitiavan’i Kristy
izay nampiredareda ny fony, no nanosika azy hahavita asa goavana sady
maharitra izay nataony tamin ny namany, indrindra ho an’ ireo rahalahiny tao
amin’ny ftangonana kristiana.

Mifototra amin’ ny epistily nosoratan’ i Jaona ity toko ity.


483
Nohafatrafaran’i Kristy ny mpianany mba hifankatia, tahaka ny nitiavany
azy. Amin’izany no anehoany fa ao anatiny ny Mpamonjy, dia Kristy
«fanantenana ny voninahitra ». «Didy vaovao no omeko anareo, hoy Izy, dia ny
mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba
hifankatiavanareo kosa »1.
Raha notononin’i Kristy izany teny izany dia tsy mbola takatry ny sain’ny
mpianatra ny tena heviny. Nefa kosa rehefa avy nanatrika ny fijalian’ i Kristy izy,
sy taorian ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana, ny nitsanganany
tamin’ny maty, ny niakarany ho any an-danitra ary ny nampidinana ny Fahahy
Masina tamin’ny andro Pentekosta, dia nazava taminy kokoa ny amin’ny
fitiavan’ Andriamanitra, sy ny tokony hifankatiavan’izy samy izy koa. Noho
izany no nahazoan’ i Jaona nilaza tamin’ny mpiara-miasa aminy hoe: « Izao no
fitiavana: tsy ny nitiavan-tsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka
nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika. Ry malala, raha izany
no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika».
Taorian’ ny nilatsahan’ ny Fanahy Masina tamin’ ny andro Pentekosta, dia
lasa ny mpianatra nitory ny amin’ ny Mpamonjy nitsangana tamin’ ny maty tany
amin’ izao tontolo izao, ka ny zavatra tokana nameno ny sainy dia ny hamonjy
ny fanahy. Nahatsapa fifaliana tao amin’ ny hamamian’ ny fiombonan’ ny
olona masina izy; nahay naneho fangorahana ny hafa izy, nifampitsimbina,
nahafoy teny ary naniry hanolotra ny ainy ho an’ny faha- marinana. Nasehony
teo amin’ny fiainany andavanandro ny fitiavana nohafaran’i Kristy hovoleny, ary
tamin’ ny teny sy ny asa fanaovan-tsoa tamim-pahalalahan-tanana no niezahany
hampitsiry izany fitiavana izany tao amin’ ny fon’ny hafa koa.
Tokony hanana io fitiavana miasa io mandrakariva ny Kristiana, ka
handroso eo amin’ ny fitandremana ny didy vaovao. Eo amin’ ny fiombonana
tanteraka amin’i Kristy no ahazoany manatanteraka ny baikony. Ho fankalazana
ny herin’ ny Mpamonjy ny fiainany, dia Kristy mpanamarina izay manatona Azy.
Vetivety anefa dia nisy fiovana miandalana niseho: nanomboka nitsikera
ny kileman’ ny namany ny Kristiana. Ny fitantarana ny

1) Jaona 13 : 34
484
fahadisoana nataon’ireny no nataony raharaha, ary nahazatra azy ny nanome tsiny
tamim-pahasiahana. Toy izany no tsy nahatazanany intsony ny Mpamonjy sy ny
fitiavany. Ny fombafomba ivelany no nanjary nahasarotiny azy, ary nanjary
sarotra taminy ny nanaraka ny fitsipiky ny finoana. Satria ny hanameloka ny hafa
no nimati-matesany, ka dia tsy hitany ny fahadisoana ataon’ny tenany.
Hadinony ny nampihatra ny fifikatiavan’ny mpirahalahy izay nanafatrafaran’ny
Tompo azy hataony; ary izay tena nampalahelo aza dia ny tsy nahafantarany
akory fa efa nivily lalana izy. Tsy fantany fa efa niala tamin’ny fiainany ny
fahasambarana sy ny fifaliana; ka rehefa niala tsy ho ao am-pony ny fitiava-
namana, dia tsy ela akory dia hirenireny ao amin’ ny haizina izy.
Rehefa tazan’i Jaona izany fihemorana ara-panahy tao amin’ny fiangonana
izany. dia noantitranteriny tamin’ny Kristiana ny tsy maintsy hanehoany
fifankatiavan’ny mpirahalahy mandrakariva. Izao no foto-kevitra misongadina ao
amin’ ny epistily nosoratany; «Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy
amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra
sady mahalala an’Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’
Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. Izao no nanehoana ny fitiavan’
Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy tokana tamin’
izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ ny alalany. Izao no fitiavana: tsy
ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany
ho avotra noho ny fahotantsika. Ry malala, raha izany no nitiavan’ Andriamanitra
antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika».
Tian’ i Jaona ny hitarika ny sain’ny mpino ho amin’ ny endrika manokana
isehoan’ny fitiavana, ka hoy izy: « Ry malala, tsy didy vaovao no soratako
aminareo, fa didy ela, izay efa nanananareo hatramin’ ny voalohany. Ny didy ela
dia ilay teny efa renareo. Ary koa, didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra
marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava no
mahazava ankehitriny. Izay milaza fa ao amin’ ny mazava izy, kanefa mankahala
ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ ny maizina ihany. Izay tia ny rahalahiny no
mitoetra ao amin’ ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy». «Izày efa
nambara taminareo, sady efa renareo hatramin’ny voalohany, dia ny tokony
hifankatiavantsika». «Izay rehetra mankahala ny. rahalahiny dia mpamono olona;
ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona

485
manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. Izao no ahafan-tarantsika ny
fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba
tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy».
Tsy ny fanoherana avy eny ivelany no tena loza lehibe ho an’ ny
fiangonana, fa ny ota kobonina ao am-pon’ny Kristiana. Hitondra azy ho amin’
ny faharavana izany fahotana izany, ary koa hampi-taredretra ny fandrosoan’ ny
asan’Andriamanitra. Tsy misy fomba azo antoka kokoa hanalefahana ny fiainana
ara-panahy toy ny fikotrehana fialonana sy fiahiahiana, sy fitsikerana ary ny tsy
fitokisana ny hafa.
Fa ny mifanohitra amin’ izany kosa, ny fifanarahan-tsaina sy ny firaisan-
kina ao amin’ ny olona samy manana ny maha-izy azy, ary samy mambra ao
amin’ny fiangonana iray, dia porofo mampiaiky volana indrindra fa efa naniraka
ny Zanany ho amin’izao tontolo izao Andriamanitra. Izany toe-tsaina izany dia
tokony ho hita miharihary ao amin’ ny mpianatr’i Kristy tsirairay avy. Kanefa
mba hahazoana manambara izany dia tsy maintsy ho eo ambany fifehezan’ny
Mpamonjy izy, ka hampitovy lasitra ny toetrany amin’ ny toetran’ Andriamanitra,
ary ny sitrapony ho vita lasitra amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra.
«Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka
ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa»2. Teny
mahatalanjona manao ahoana re izany, kanefa mahalana loatra no ahitana azy ao
amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra! Mampalahelo fa tena tsy hita ao amin’ ny
Kristiana ankehitriny intsony izany fifankatiavan’ ny mpirahalahy izany. Maro
amin’ ireo milaza azy ho tia ny Mpamonjy no tsy tia ny namany akory. Mandinika
azy ny tsy mpino, mba hahitany raha manamasina ny fiainany ny finoana tanany,
ary mailaka ery izy ireny hampivoitra ny fahadisoana tazany eo amin’ ny toetran’
izay manao azy ho Kristiana sy ny tsy fahamarinan’ ny asany.
Tokony hitandrina fatratra ny Kristiana mba tsy hotsikerain’ny fahavalo
toy izany. Aoka tsy ho azon’izy ireny atao ny hilaza ny Kristiana hoe: «Jereo ange
ireto olona milahatra eo ambany fanevan’i Kristy, fa mifankahala ».
2) Jaona 13 : 34

486
Samy momba ny ankohonana iray ny Kristiana rehetra, samy zanaky ny Ray
anankiray, ary samy manana fanantenana handova ny tsy fahafatesana. Tokony
ho mafy ny kofehy mampifamatotra azy rehetra.
Manao antso faran’izay mampangorakoraka ny fitiavan’Andriamanitra,
mitaona antsika haneho fitiavana toy izay nitiavan’i Kristy antsika. Izay maneho
ao amin’ ny fiainany ny fitiavana feno fandavan-tena hanasoa ny hafa, no manana
ny tena fitiavan’Andriamanitra. Tsy azon’ ny tena Kristiana atao ny mamela ny
rahalahiny hitonantonana ao amin’ ny lalana feno loza, ka tsy hampandre azy.
Tsy afaka hihataka amin’ ny mpanota milentika lalina ao amin’ ny fahotana sy
ny famoizampo izy, ary tsy maintsy vonjeny izay efa ho lavo eo amin’ ny tany
fiadian’i Satana. Tsy afaka hitarika ny hafa ho eo amin’ ny loharanon’aina izay
tsy mbola nanandrana na oviana na oviana ny fitiavana mamy sy feno
fangorahana nananan’i Kristy. Ny fitiavan’ ny Mpamonjy no misy hery afaka
hanery ny olona hampiseho ny Tompo ao amin’ny fomba firesany, ao amin’ ny
fiarahany miory amin’ izay mitomany, ary ao amin’ ny finiavany hanao soa amin’
ny manodidina azy. Tsy maintsy mahafantatra ny fitiavan’i Kristy ny mpa-
nompon’Andriamanitra maniry habita fahombiazana eo amin’ ny asany. Ny
fomba itsapana ny lanjan-talentany any an-danitra dia ny fahazoany mitia tahaka
ny nitiavan’i Kristy azy, sy ny hiasany toy ny niasan’i Kristy. «Aoka tsy ho tia
amin’ ny teny na amin’ny lela isika, hoy ny apostoly, fa amin’ny asa sy amin’ ny
marina». Tratra ny fahatanterahan’ ny toetra rehefa tsapan’ny Kristiana lalandava
ny faniriana hanampy ny hafa sy hanisy soa azy. Ny herin’io fitiavana miboiboika
avy ao amin’ny fanahiny io no andraisany ny «hanitry ny fiainana hanome aina»,
ka ahazoan’Andriamanitra mitahy ny asany.
Ny fanomezana tsara indrindra azontsika raisina avy amin’ny Raintsika
any an-danitra, dia ny fitiavana ambony asehontsika Aminy sy ny fitiavana feno
fandavan-tena ataontsika amin’ ny hafa. Tsy fihetseham-po vetivety izany
fitiavana izany, fa fitsipika mitoetra sy iainana avy amin’ Andriamanitra. Tsy
afaka hitsiry ao amin’ ny fo tsy voaova izany. Ao amin’ny fo anjakan’ i Kristy
ihany no ahitana azy. «Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha». Io no fitsipika
mifehy ny toetran’izay nohavaozin’ ny faha- soavan’ Andriamanitra. Manova ny
toetra izany, mifehy ny fihe-

487
tseham-po ary manome fahamendrehana ny fitiavana. Rehefa tehirizina ao amin’
ny fanahy izany dia manome hamamiana ny fiainana sy mampiely hery manadio.
Niezaka hampahafantatra ny tombontsoa tokony ho azon’ny Kristiana i
Jaona raha vonona hanampy ny hafa izy ireo. Tokony hifehy ny fihetsika rehetra
ny fahefan’i Kristy Mpanavotra, ka hampisandratra ny fiainana kristiana eo
ambonin’ ny hery manimba eo amin’ izao tontolo izao. Ka rehefa mampiasahery
lehibe ao aminy io fitiavana io, ka manjary fanoitra mampihetsika ny fiainany,
dia hahatratra ny fahatanterahan’ny fitokisana sy ny fahatokiana an’
Andriamanitra izy eo amin’ ny andaniny, ary hahatanteraka koa ny fifandraisan’
Andriamanitra aminy eo ankilany. Ho azony atao amin’ izay ny manatona Azy
amin’ny finoana feno toky, satria fantany fa ho voarainy avy Aminy izay rehetra
ilainy mba hananany fahasambarana ankehitriny ary fiainana mandrakizay
amin’ ny ho avy. « Izany no soratako aminareo, izay mino ny anaran’ ny Zanak’
Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay hianareo.
Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra
araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; ary raha fantatsika fa mihaino
antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika
izay angatahintsika Aminy».
«Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ ny Ray isika, dia
Jesosy Kristy, Ilay Marina; ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho
ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa». Tsotra sady ara-drariny
ny fepetra ilaina mba hahazoana ny famindrampon’Andriamanitra. Tsy mitaky
zava-tsarotra amintsika ny Tompo mba hamelany ny helotsika. Tsy ilaintsika
akory ny hanao fivahinianana masina any an-tany lavitra, na ny hampiharantsika
famaizana sy fampahoriana amin’ny tenantsika mba hahazoana sitraka amin’
Andriamanitra, sy mba hanesorana ny fahotantsika. «Izay manafina ny fahotany
tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo»3.
Mifona ho an’ny fiangonany any amin’ ny lapa any an-danitra Kristy;
mifona ho an’izay navotany tamin’ ny Rany Izy. Tsy mihen-danja na oviana na
oviana ny fanavotany ny olony na dia ho an’ny taranaka aty aoriana lavitra aza.
Tsy misy mahasaraka
3) Ohabolana 28 : 13
488
antsika amin’ ny fitiavan’Andriamanitra antsika ao amin’i Kristy, na fiainana, na
fahafatesana, na hery avy ambony, na hery avy ety ambany. Tsy noho isika
manatona Azy no itiavany antsika, fa satria Izy no efa nanatona antsika akaiky
dia akaiky. Raha ohatra ka nankinina tamin’ ny ezaka ataontsika ny famonjena,
dia tsy ho voavonjy na oviana na oviana isika. Tsia, fa miankina tanteraka
amin’Ilay mitana ny teny nambarany izany. Mety halemy sady kely ny mety ho
vitantsika ho Azy; kanefa kosa ny fitiavany antsika dia toy ny fitiavan’ ny zoky
iray. Raha mbola tnanana firaisana aminy koa isika, dia tsy hisy haharombaka
antsika amin ny tanany.
Arakaraka ny androsoan’ny taona maro sy itomboan’ny isan’ny mpino no
vao mainka niasan’i Jaona tamin-joto feno fahatokiana mitombo hatrany.
Notandindomin-doza lehibe ny fiangonana; manao fandravana hatraiza hatraiza i
Satana. Tamin’ny fiampangana lainga sy tamin’ ny fitaka maro no niezahan’ ireo
irak’i Satana hanamafy ny fanoherany ny fampianaran’ny Mpamonjy. Taty
aorian’ izany dia ny tsy fifanarahan-tsaina sy ny fitsitokotokoana no loza
nananontanona ny fiangonana. Nisy ny sasany nanao azy ho mpianatr’ i Kristy,
kanefa sahy nilaza fa ny fitiavan’i Kristy, hono, no nanome alalana azy tsy
hitandrina ny didin’ Andriamanitra. Afa-tsy izany dia nisy hafa koa nampia-
natra fa tsy maintsy tandremana avokoa ny fombafomba sy ny fitsipika ara-
pivavahana jiosy, ary tsy ilaina, hono, ny hino ny Ran’i Kristy ho mahavonjy, fa
na dia sombiny kely amin’ ny lalàna aza no voatandrina dia ampy hahazoana
famonjena izany. Ny hafa indray mihevitra an’i Kristy ho olona ambony fotsiny
fa tsy Andriamanitra. Mbola misy hafa koa mihambo ho mahatoky amin’
Andriamanitra kanefa tena mpamitaka, satria mandà ny Mpamonjy sy ny
filazantsarany eo amin’ ny fiainany andavanandro. Mivelona ao amin’ ny
fahotana ireny, ka mampiditra hevi-diso ao amin’ny fiangonana. Noho izany dia
maro no nirenireny ara-pinoana ka nampalahelo an’i Jaona ny nahita azy
voapoizin’ ny fampianaran-diso. Fantany fa loza nananontanona ny fiangonana
izany, ka dia nataony izay hisakanana izany haingana.
Hita taratra ao amin’ny epistilin’i Jaona ny toe-tsaina feno fitiavana
nananany, ary tamin’ ny fo diboky ny fitiavana no nanoratany ny epistiliny. Nefa
kosa rehefa nifanandrina taniin’izay ninia nanitsakitsaka ny didin’Andriamanitra
izy, dia tsy nihambahamba nampitandrina azy. Nanoratra tamin’ ny vehivavy
iray nalaza sy nanampahefana izy, izay nahavita soa lehibe tamin’
489
ny asa fitoriana ny Filazantsara: «Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’ izao
tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy. Izy
no mpamitaka sy antikristy. Mitandrema hianareo, fandrao mahavery izay
namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka. Izay rehetra
mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’
Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ny fampianarana, dia izy no manana ny
Ray sy ny Zanaka. Raha misy olona mankao aminareo ka tsy mitondra izao
fampianarana izao, aza mampian-trano azy akory; fa izay miarahaba azy dia
miombona amin’ny ratsy ataony».
Azontsika atao ny hiray hevitra amin’i Jaona apostoly Malala ny
fiheverany an’ireo mihambo ho mpianatr’i Kristy, nefa manitsakitsaka ny didin’
Andriamanitra. Mbola manandindona ny fiangonana ankehitriny koa ireo loza
nanelingelina ny fandrosoan’ny filazan-tsara tao amin’ny fiangonana voalohany;
koa noho izany dia tokony harahina tsara ny fampianarana nomen’ny apostoly.
«Tokony haneho fitiavana hianareo», izany no antso tokony ho re hatraiza
hatraiza, indrindra amin’ ireo izay mihambo ho masina. Madio loatra anefa ny
tena fitiavana ka tsy afaka hanarona ny fahotana tsy ifonana. Na dia tiantsika
tokoa aza ireo fanahy nanoloran’i Kristy ny ainy dia tsy tokony hiray
tsikombakomba amin’ ny ratsy na oviana na oviana isika. Tsy azontsika atao ny
hifandray tendro amin’ ny mpikomy, ka mody hanao asam-piantrana kristiana.
Angatahin’Andriamanitra ny olony ankehitriny mba ho mahatoky tahaka an’i
Jaona teo amin’ ny ady nataony tamin’ ny hevi-diso mahavery.
Ampianarin’i Jaona antsika fa sady tokony hahay manaja olona isika araka
ny maha-Kristiana antsika, no azontsika atao koa ny hanohitra amin’ ny fontsika
rehetra ny fahotana sy ny mpanota. Ny fandeferana amin’ ny ota dia tsy mahay
mifanindran-dalana amin’ ny tena fitiavana. «Izay rehetra manota no mandika
ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. Ary fantatrareo fa Izy no naseho
hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. Izay rehetra manota dia tsy
nahita na nahalala Azy ».
Vavolombelon’i Kristy i Jaona ka tsy niditra tamin’ny adihevitra na ny
adinteny tsy mahasoa. Izay reny sy hitany no nambarany. Nanana firaisana
tanteraka tamin’ ny fiainan’ ny Tompo izy, ka nihaino ny fampianarany sy
nanatrika ireo fahagagana

490
mahatalanjona nataony. Vitsy no nanana tombontsoa nibanjina ny hakanton’ny
toetran’ i Kristy tahaka azy. Efa nisinda ny haizina teo anatrehan’ io apostoly io,
ary namirapiratra teo aminy kosa ny tena fahazavana, ka nazava sy nibaribary
tokoa ny fanambarana nataony ny amin’ny fiainana sy ny fahafatesan’ny
Mpamonjy. Nisy teny tsy azon’ny herin’ izao tontolo izao notohaina nipololotra
avy tao amin’ny fony. «Izay hatramin’ ny voalohany, hoy izy, dia izay renay, izay
efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tànanay, dia ny
amin’ny Teny Fiainana, fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia
tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao
amin’ ny Ray ka efa naseho taminay, izay efa hitanay sy renay ho ambaranay
aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminy koa; ary ny firaisanay dia amin’ny
Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany».
Koa noho izany, ny tena Kristiana dia afaka hanambara koa,
araka ny fanandramana kristiana efa nataony «fa marina Andriamanitra»4, sy
hilaza ny amin’ izay hitany, sy reny ary notsapain’ny tanany, dia ny herin’i Kristy
niasa tao aminy.

4) Jaona 3 : 33
491
55

Voaovan’
ny fahasoavana

Ohatra marina momba ny fanamasinana ny fiainan’i Jaona apostoly


Nandritra ireo taona maro nananany firaisana akaiky tamin’i Kristy, dia nandray
anatra fampitandremana matetika avy taminy izy, izay nekeny mandrakariva.
Arakaraka ny nisehoan’ny toetran’ ny Mpamonjy teo aminy, no nahatsapany kosa
ny kileman’ny tenany, ka nanetry tena noho izany izy. Voasintona hankeo
amin’ny Mpamonjy isan’ andro isan’andro ny fony, ka nahatonga azy hanadino
ny tenany noho ny fitiavany ny Tompony. Nahatalanjona azy tokoa ny nahita ny
hery sy ny fahalemem-panahy ny fiandrianana sy ny fanetren-tena, ny
fahamboniam-panahy sy ny faharipo hitany isan’ andro teo amin’Ilay Zanak’
Andriamanitra. Nilaozany ny toe-tsaina mora tezitra sady be hambom-po,
ka noraisiny kosa ny hery manova toetra tao amin’i Kristy, sy ny fitiavana
notanterahin’ ny Ray tamin’ ny alalany, izay nahatonga fanavaozana tanteraka
tao amin’ ny fiainany.
Endrey ny fahasamihafana nisongadina teo amin’ ny fiainan’i Jaona sy ny
toetra mahamenatra nananan’ i Jodasy mpiara-miasa taminy! Izy ity dia nihambo
ho mpianatr’ i Kristy koa. Kanefa tsy nanana ny endriky ny maha-mpivavaka azy
akory. Tsy hoe tsy nampiraika azy ny hatsaran’ ny toetran’i Jesosy, satria nanaiky
mihitsy izy fa marina ny nambaran’ ny Tompo rehefa nihaino Azy

493
nitoriteny izy; kanefa tsy nekeny mihitsy ny hampietry ny fony na hiaiky ny
fahotany. Tamin’ ny fanoherany ny asan’ ny Fanahy tao aminy no nanalany
baraka ny Tompo izay nolazainy fa tiany. Jaona dia niady mafy tamin’ ny
fahalemeny; fa i Jodasy kosa nampangina ny feon’ ny fieritreretany, ka nanaiky
ho resin’ ny fakam-panahy, sady vao mainka niorim-paka lalina tao amin’ ny
fahazaran-dratsiny aza. Nifanohitra tamin’ ny fampianarana fahamarinana
nataon’ i Kristy ny fisainana sy ny fikasan’ i Jodasy, tsy foiny mihitsy ny fihevitry
ny tenany, ary notsipahiny ny fahendrena avy any ambony. Tsy nandeha teo
amin’ ny fahazavana izy, fa naleony nanaraka ny haizina. Nokoboniny tao am-
pony ny fanirian-dratsy, ny fitiavam-bola, ny fisainana maizina sy be zava-
miafina, hany ka voababon’ i Satana tanteraka ho andevony izy.
Izay rehetra milaza ny tenany ho mpanompon’i Kristy no hita sary eo
amin’i Jaona sy Jodasy. Samy nanana fotoana hianarana sy hakana tahaka ny
toetran’ Andriamanitra ireo mpianatra roalahy ireo. Samy nanana firaisana akaiky
tamin’ i Jesosy izy, ary samy nanana tombontsoa hihaino ny fampianarany. Samy
nanana kilema lehibe izy roalahy, ary sahy nahazo alalana handray ny
fahasoavan’Andriamanitra izay hanova ny fiainany; ny iray nandray tamim-
panetren-tena ny fampianaran’ ny Tompo, ary ny iray kosa tsy nampihatra teo
amin’ ny fiainany ny Tenin’Andriamanitra, fa zary mpihaino fotsiny. Ny
voalohany namono isan’ andro ny filany sy nandresy ny fahotana, ary nanamasina
ny tenany tamin’ ny fahamarinana; fa ny faharoa kosa nanohitra ny hery
manavaon’ny fahasoavana, fa namela ny fitiavan-tenany hanjaka, ka nanjary
nandevozin’i Satana.
Avy amin’ ny fananana firaisana akaiky amin’ i Kristy ihany no ahazoana
fiovana toy izay hita teo amin’ ny fiainan’ i Jaona. Mety hisy fahadisoana miseho
eo amin’ ny toetra; kanefa kosa rehefa tonga tena mpianatr’ i Kristy ilay olona,
dia ny fahasoavan’ Andriamanitra no manavao sy manamasina azy. Ny Kristiana
izay mijery toy ny amin’ ny fitaratra ny voninahitra ny Tompo no handray fana-
vaozana, amin’ ny voninahitra avy amin’ ny voninahitra mandra-pitoviany amin’
Ilay ivavahany.
Jaona no mpitory ny amin’ ny fahamasinana, ka nisy fitsipika tsy mety diso
nambarany tao amin’ ny epistiliny mba ho fitsipipiainan’ ny Kristiana rehetra.
«Ary izay rehetra manana izany
494
fanantenana miorina ammy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka
Azy»1.
Nampianatra koa i Jaona fa tokony hadio ao amin’ny fiainany sy ao am-
pony ny Kristiana, ka tsy ho afa-po amin’ ny fisehoana ivelany ho mpivavaka.
Satria masina ao amin’ ny misy Azy Andriamanitra, dia ho masina ao amin’ ny
faritra misy azy koa ny olona manana fmoana an’ i Kristy. Hoy ny apostoly Paoly:
«Fa izao no sitrapon’ Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo»2.
Io fanamasinana io no fenitra kendren’Andriamanitra eo amin’ny
fifandraisana rehetra amin’ ny olony. Nifidy ny zanany mba ho masina
mandrakizay Izy. Nomeny ny Zanany mba hanolotra ny ainy ho azy ireo, ka
rehefa afaka amin’ny faharatsiany rehetra izy dia handray fanamasinana amin’ ny
fankatoavana ny fahamarinana. Takiny ho setrin’ izany kosa ny hanaovana asa
feno fandavan-tena. Tsy homem-boninahitra avy amin’ ny toetran’ izay milaza
azy ho mpino Andriamanitra, raha tsy efa hita taratra eo amin’ny fiainany ny
endrik’ Andriamanitra, ka manaiky ho tarihin’ny Fanahiny izy. Amin’ izay no
ampahafantarany amin’ny hafa ny asan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra tao
aminy, rehefa mijoro ho vavolombelona izy.
Amin’ ny fanoavana ny fitsipi-pitiavana no ahazoana ny tena fanama-
sinana. «Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ ny fitiavana no
mitoetra ao amin’ Andriamanitra.3 Ny fiainan’izay onenan’i Kristy ao am-pony
no afaka haneho marina ny tena maha-mpivavaka azy. Ho voadio ny toetrany,
hasandratra sy homena fahamendrehana ary homem-boninahitra izy.
Hifanindran-dalana amin’ ny fanaovana asam-pahamarinana ny fampianarana
madion’ny Filazantsara; ary hifandrindra tanteraka amin’ny fitsipik’
Andriamanitra ny, fiainana masina iainana andavanandro.
Izay maniry hahatratra ny fahamasinana dia tsy maintsy mianatra ny amin’
ny atao hoe fahafoizan-tena aloha. Ny hazo fijalian’ i Kristy no andry lehibe
iankinan’ ny «voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay». «Raha misy olona
ta-hanaraka Ahy, hoy Kristy, aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo
fijaliany ka hanaraka Ahy»4. Ny hanitra mameroveron’ ny fitiavantsika ny
1) 1 Jao. 3 : 3 ; 2 : 6 2) 1 Tes. 4 : 3
3) 1 Jao. 4 : 16 4) 2 Kor. 4 : 17 ; Mat. 16 : 24

495
namantsika no porofon’ ny fitiavantsika an Andriamanitra. Ny faharetana ao
amin’ ny fanompoana no ahazoana fiadanam-panahy. Ny asa manetry tena sy
atao amim-pahazotoana sy amim-pahatokiana no antoky ny fandrosoan’ ny
fiangonana. Manohana sy mampahery izay maniry hanaraka ny lalana mankeo
amin’i Kristy Andriamanitra.
Tsy vita amin’ ny fotoana fohy ny fanamasinana, na ho vita ora iray, na
andro iray, fa mandritra ny fiainana manontolo. Tsy amin’ny fihetseham-po
miserana no ahazoana azy, fa avy amin’ny fahafatesana marina ny amin’ ny ota
sy ny fiombonam-piainana miaraka amin’i Kristy. Ny ezaka malemilemy sy
mitsitapitapy dia tsy afaka hanitsy ny fahadisoana, na hiteraka fanavaozana
amin’ ny toetra. Fa avy amin’ ny filofosana maharitra sy mateza ihany, sy amin’
ny fifehezan-tena henjana ary amin’ny tolona mafy, no hahazoantsika fandresena.
Tsy mety ho fantatsika anio ny fahenjanan’ny tolona hatao rahampitso. Raha
mbola manjaka koa i Satana, dia tsy maintsy hahay mampilefitra ny « izaho »
isika, sy handresy ny otantsika. Fa raha mbola miaina koa isika dia tsy
hanam-pitsaharana ny ezaka mba ho tena Kristiana. Tsy azontsika atao na oviana
na oviana ny hilaza hoe; «Efa nahatratra ny fenitra aho». Satria ny fahamasinana
dia vokatry ny fiainam-pankatoavana mandritra hy andro iainana.
Tsy misy apostoly na mpaminany na iray aza sahy nidoka tena ho tsy
manam-pahotana. Izay nivelona akaiky an’Andriamanitra indrindra, ka nifidy ny
hahafoy ny ainy aza, mba tsy hanao asa tsy marina, ka nomen’Andriamanitra
voninahitra tamin’ny fahazavana natolony azy, sy nandray ny heriny, no
nahatsapa koa ny naha-meloka azy. Tsy nametraka ny fitokisany teo amin’ ny
nofo izy, na nirehareha tamin’ ny fahamarinan’ ny tenany, fa niantehitra
tanteraka kosa tamin’ ny fahamarinan’i Kristy.
Toy izany no toetra tokony hananan’ izay mibanjina an’i Jesosy. Arakaraka
ny anakekezantsika Azy no ahatazanantsika ny hadion’ny toetrany sy
hampiharihary amintsika koa ny haratsian’ny fahotana; amin’izay dia ho tapa-
kevitra mihoatra noho ny tamin’ny lasa rehetra isika, hanondro-boninahitra ny
maha-izy antsika. Hangetaheta lalandava an’Andriamanitra ny fanahintsika,
ho tsapantsika ao anatin’ny fontsika ao fa ilaintsika mandrakariva ny hiaiky
heloka sy hanetry tena eo anatrehan’Andriamanitra. Arakaraka ny androsoantsika
eo amin’ ny fiainana kristiana no

496
hangataka betsaka, satria tsy misy fetrany ny teny fikasan’Andriamanitra. Tsy
mba vavolombelon’ny tena fahamasinana azo avy amin’ ny fankatoavana’ny
marina ny Kristiana toy izany. Irin’ny Tompo raha sàiny hanana fahasambarana
sy fiadanana eo amin’ny fankatovana ny zanany rehetra. Amin’ny fampiasany ny
finoany no handraisan’ny Kristiana fitahiana. Avy amin’ny finoana no
anavaozana ny fahabangana rehetra ao amin’ny toetra, sy anadiovana’ ny
fahalotoana rehetra, anitsiana ny fahadisoana rehetra, ary ampitomboana ny
fahatanterahana rehetra.
Ny fivavahana no fomba mahomby hafatrafaran’ny lanitra mba
hampitomboana ny toetra sy hahazoana miady amin’ny ratsy. Ny herin’
Andriamanitra tsapa ao am-po rehefa mivavaka Aminy amim-pinoana no antoka
ho an’ny Kristiana fa homena azy izay rehetra nangatahiny. Azontsika atao ny
mangataka famelan-keloka sy handray ny Fanahy Masina; azontsika atao ny
mitalaho mba hananana toetra toy ny an’i Kristy, ary koa ny fahendrena sy ny
hery hamitana ny asany; izay rehetra nampanantenain’Andriamanitra dia homeny
antsika. Hoy indrindra mantsy Izy hoe; « Hahazo hianareo ».
Raha niaraka tamin’Andriamanitra teo an-tendrombohitra Sinay i Mosesy
dia afaka nandinika ilay planan-trano kanto loatra izay hisehoan’ ny voninahitr’
Andriamanitra. Amin’ ny fiarahana amin’ Andriamanitra ao amin’ ny toerana
mangina ka ihaonana aminy samirery no ahazoantsika mibanjina ny tarigetra be
voninahitry ny Mpamonjy izay hotontosainy ho an’ny taranak’ olombelona.
Tamin’ny fotoana lasa rehetra, dia teo amin’ny firaisana tamin’ ny lanitra sy ny
fanehoana miandalandalana ny fampianaran’ny fahasoavana, no nahatanterahan’
ny fikasan’ Andriamanitra ny amin’ ny zanany. Ny fomba ampahafantaran’
Andriamanitra ny fahamarinany amintsika dia voaseho amin’ireto teny ireto:
«Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany»10. Izay mankeo amin’ny toerana azon’
ny Tompo hanazavana azy, no miala avy eo amin’ ny haizina ka mankeo amin’
ny fahazavana mampaha-jambenan’ ny mitataovovonana.
Ny tena fahamasinana dia midika ho fitiavana tanteraka, fankatoavana
tanteraka, fifanarahana tanteraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny
fankatoavana ny fahamarinana no ahazoantsika fahamasinana, ary ny (feon’ ny
fieritreretantsika dia voadio ho afaka amin’ny asa maty mba hanompoantsika
an’Andriamanitra velona.
10) Hosea 6 : 3
499
Tsy mbola nahatratra ny fenitry ny fahatanterahana isika; nefa kosa azontsika
atao ny mandao ny fitiavan-tena sy ny fahotana. Azon’ ny olona rehetra atao ny
hanatratra ny fenitra ambony sy ny fanatanterahan’ ny toetra mendrika sy masina.
Ny antony mahatonga ny maro ankehitriny tsy afaka handroso ara-panahy
dia satria heveriny ho ny sitrapon’ny tenany no sitrapon’Andriamanitra koa. Tsy
mitolona hanohitra ny filàn’ny tenany izy.
Misy kosa sasany toa mahomby ihany amin’ ny fotoana vitsivitsy ka
maharesy ny faniriany feno fitiavan-tena, izay hahazoany, fiainana mora sy
mahafjnaritra. Tso-po tokoa izy, sady mahatoky; kanefa tsy mitozo hanao ezaka
maharitra, mba ho faty isan’ ahdro amin’ny ota, ary hivelona ao amin’ ny ady
sarotra tsy misy farany. Aleony mipetrapetraka, fa tsy zakany ny hamono ny
faniriany. Akimpiny ny masony efa milondolondo, ka indro izy fa mivarina
indray ao amin’ ny ota ka resin’ ny fakam-panahy, fa tsy afaka hanohitra azy.
Tsy eken’ ny fepetra ao amin’ ny Soratra Masina'mihitsy ny hanao volo
ngita mifandray tendro amin’ ny ratsy. Nanome toky ny Zanak’Andriamanitra fa
hitaona ny olona rehetra hanatona Azy. Tonga Izy, tsy ny hampaharenoka ny
taranak’ olombelona, fa ny hanoro azy ilay tanàna any an-danitra. Tokony hanara-
dia Azy isika, araka ny maha-zanany antsika, ka hitolona maharitra hanohitra ny
tenantsika na toy inona na toy inona ny fandavan-tena takin’ izany, amin’ny
fahafoizana ny fiainana migalabona sy ny faniriana feno fitiavan-tena; eny —
tokony hanao izany isika na toy inona na toy inona hamafin’ ny tolona tsy maintsy
hatao, na ny fijaliana tsy maintsy hiaretana.
Ny fiderana lehibe indrindra azon’ny olona atao amin’Andriamanitra, dia
ny hanolorany tena ho fitaovana masina eo am-pela-tanan’Andriamanitra.
Mirimorimo ho any amin’ny mandrakizay ny fotoana. Aoka tsy hohazonina ho
an’ny tenantsika izay an’Andriamanitra. Na dia tsy mendrika aza ny zavatra
atolotsika Azy dia aoka hatolotra Azy ihany, ndrao dia hahatonga fahaverezana
ho antsika ny fihazonana izany. Izay tadiaviny dia ny fontsika manontolo, ka aoka
hatolotra Azy, satria azy rahateo, satria Izy no nahary sy nanavotra azy. Ilainy ny
fahaizantsika, atolory Azy izany, satria Azy rahateo. Takiny amintsika ny
volantsika, omeo Azy izany, aa tria Azy rahateo. «Tsy tompon’ny tenanareo
hianareo,
500
hoy ny apostoly, Fa olom-boavidy hianareo»11. Hoy ny dikan-teny anankiray hoe:
« Navotan-dafo hianareo».
Fo tsotra vonon-kiasa amin’ny finoana sy entanim-pitiavana no tian’
Andriamanitra hanompoana sy hanajana Azy. Apetrany eo anoloantsika ny
fenitra mendrika indrindra, izay miantefa hatrany amin’ny fahatanterahana aza.
Angatahin’i Kristy ho Azy manontolo isika eto amin’izao tontolo izao, toy ny
maha-an’ Andriamanitra manontolo Azy any ambony.
«Fa izao no sitrapon’ Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo»12. Moa
ve tsy izany indrindra koa no fanirianao? Mety ho toy ny tendrombohitra
miavovona eo anatrehanao ny fahotanao, ka mampietry ny fonao hianao, ary
miaiky ny fahadisoanao, ka mametraka ny fitokisanao amin’ ny fahamendrehan’
ny Mpamonjy voahombo sy natsangana indray, dia hanome anao famelan-keloka
Andriamanitra, hanadio anao ho afaka amin’ny faharatsianao rehetra. Ny
angatahiny dia ny hankatoavanao tanteraka ny didiny. Izao teny izao no ambarany
aminao mivantana amin’ny vavany: «Aoka ho masina hianao, hihamasina
hatrany hatrany». Katsaho ny fahafenoan’ny fahasoavan’i Kristy. Aoka haniry
mafy tokoa ny fahamarinany ny fonao, satria avy amin’izany no ahazoantsika
fiadanana mandrakizay, araka ny Teniny. Arakaraka ny anirian’ny fanahinao an’
Andriamanitra no ahazoanao mibanjina ny harem-pahasoavany tsy hita fetra. Ho
azonao izany harena izany, izay haneho aminao ny fahamendrehan’ ny fanoloran-
tenan’ny Mpamonjy, ny tombontsoan’ny fahamarinany, ny hafenoan’ny
fahendreny, ka amin’ny heriny no hahazoanao miseho eo anatrehan’ny Ray «tsy
manan-tsiny amam-pondro»13.

11) 1 Kor. 6 : 19, 20 12) 1 Tes. 4 : 3 13) 2 Pet 3 : 14

501
56

Nosy Patmo

Efa dimampolo taona mahery no lasa hatramin’ny fotoana nanaovana ny


rafi-pandaminan’ ny fiangonana. Notoherina lalandava ny hafatry ny filazantsara
nandritra izany fotoana izany. Tsy nampiato ny ezaka nataony mihitsy ireo
fahavalony, ka farany aza dia afaka nampiasa ny herin’ny amperora romana izy
mba hanenjika ny Kristiana. Raha nirehitra ny fanenjehana mahatsiravina
indrindra dia nampiasa ny heriny rehetra i Jaona apostoly mba hampahery
ny finoan’ ny mpino. Nanao fanambarana izay tsy azon’ ireo fahavalo notoherina
izy, ka nanampy ny rahalahy hitolona amin-kerimpo sy amim-pahatokiana amin’
ny fahavalo izay nampijaly azy. Rehefa toa nivembena ny finoan’ ny Kristiana
noho ny fanoherana mahery vaika tsy maintsy natrehiny, dia mbola name-
rimberina ihany ny fampaherezany ilay mpianatra malalan’ ny Tompo, na dia efa
lahiantitra sy trotraky ny fitsapana aza izy, ka tamin’ ny fiteny feno hery
inahatalanjona no nitantarany ny amin’ Ilay Mpamonjy nohomboana nefa
natsangana indray. Nijoro tsy azo nohozongozonina ny finoany, ary avy teo amin’
ny molony no nipololotra matetika ireto teny kanto loatra ireto: «Izay
hatramin’ ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ ny masonay, izay efa
nojerenay sady efa notsapain’ny tànanay, dia ny amin’ny Teny Fiainana, ary efa
nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana
mandrakizay izay tao amin’ ny Ray ka efa naseho taminay »1.
1) 1J aona 1 : 1, 2

503
Efa antitra dia antitra tokoa i Jaona. Nanatrika ny nandravana an’i
Jerosalema sy ny nandevonana ilay tempoly miezinezina izy. Ary satria izy no
sisa velona tamin’ireo mpianatra nanana firaisana tanteraka tamin’i Kristy fony
fahavelony, ny toriteny nataony izay nampiseho fa Jesosy no Mesia sy
Mpanavotra izao tontolo izao, dia nisy hery lehibe tamin’izay rehetra nihaino azy.
Tsy nisy nisalasala ny amin’ ny fahatsoram-pony, ka maro no niova fo rehefa
nihaino azy.
Romotry ny hatezerana tokoa ireo filoha Jiosy raha nahita an’i Jaona
apostoly nijoro ho vavolombelon’i Kristy tsy azo nohozongozonina. Vaky barara
ireo fa tsy misy na inona na inona azony nanoherana ny Kristiana raha mbola re
mikarantsana ao an-tsofin’ny olona ihany ny fanambaran’i Jaona. Koa dia
nihevitra izy fa mba hanadinoana ny fahagagana sy ny fampianaran’i Kristy dia
tsy maintsy hampanginina ny feon’ity vavolombelona tsy manantahotra ity.
Koa dia nobaikoina hankany Roma i Jaona mba hotsaraina any ny amin’ny
finoany. Novan’ny manam-pahefana romana hanana endrika ratsy ny
fampianaran’i Jaona tao amin’io tanàna io. Nisy vavolombelona mandainga
niampanga azy ho nampianatra finoana diso hampikomy vahoaka. Nantenain’ ny
fahavalo fa avy amin’ ireny fiampangana lainga ireny no hahazoana manameloka
ho faty ilay mpanompon’ Andriamanitra.
Nahay niaro tena i Jaona tamin’ ny fomba mamirapiratra sy nampiaiky
tokoa, nefa tamim-pahatsorana fatratra, hany ka nisy vokatra mahery teo amin’
ny mpanatrika ny teniny. Tsy nahefa na inona na inona ireo mpihaino azy noho
ny fahendren’i Jaona sy ny fahaizany mandahatra. Kanefa arakaraka ny
nampahery vaika ny fanambarany no vao mainka naharomotra ny fankahalan’ny
fahavalony. Tena romotry ny hatezerana mihitsy ny amperora Domitien, satria
tsy nisy azony notoherina ny teny mavesa-danja nambaran’ity Mpisolo-
vavan’zerrr i Kristy ity; tsy azony natao koa ny nifaninana tamin’ ny hery izay
nomba ny fanambarana ny fahamarinana nataony; kanefa dia tapa-kevitra izy fa
tsy maintsy hanao izay hahafaty azy.
Natsipy tao anaty vilany nisy solika mahamay i Jaona apostoly; nefa niaro
ny ain’ ity mpanompony mahatoky ity ny Tompo, toy ny

504
niarovany ny ain’ireo tovolahy hebreo telo lahy tsy ho main’ny afon’ny lafaoro.
Fa raha notononina ny teny hoe: «Toy izany no nandringanana izay rehetra
nino an’i Jesosy Kristy mpamitaka avy any Nazareta», dia toy izao kosa no
fanambaran’i Jaona: «Niaretan’ny Tompoko tamim-paharetana izay rehetra
takatry ny sain’i Satana sy ny anjeliny hanalana baraka sy hampijaliana Azy.
Nanolotra ny ainy hamonjy izao tontolo izao Izy. izaho kosa nahazo voninahitra
hiaritra fijaliana noho ny fitiavako Azy; Sady malemy aho no mpanota; fa Kristy
kosa masinA sy tsy manan-tsiny ary madio. Tsy nahitana ota na fitaka teo am-
bavany».
Nisy fiantraikany mafy izany teny nambaran’ i Jaona izany, ka dia navoaka
avy tao anaty vilany be izy, tsy naninon-tsy naninona, ka ireo nanipy azy tao
ihany no namoaka azy indray.
Mbola nianjady mafy dia mafy ihany anefa ny fanenjehana. Araka ny
baikon’ny amperora, dia nalefa ho sesitany tany amin’ny Nosy Patmosy izy,
voaheloka «noho ny Tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy»2.
Nampoizin’ny. fahavalo fa rehefa mitoka-monina any izy dia tsy afaka hampita
hery amin’ny Kristiana intsony fa ho fatin’ ny mosary sy ny famoizam-po any.
Patmosy, nosy be harambato sady efitra, dia tao amin’ ny ranomasina Egée
no nisy azy, ka io no nofidin’ny fanjakana romana ho toerana famarinana ny
olona nahavita heloka bevava. Kanefa kosa izany toerana fanaovana sesitany
izany no nanjary vavahadin’ny lanitra ho an’ ity mpanompon’Andriamanitra ity.
Tafasaraka tamin’ny hotakotaky ny fiainana izy tao, ary tsy niharan’ny
fihetsiketsehan’ny taona maro lasa intsony, fa nahita kosa firaisana tamin’
Andriamanitra sy tamin’i Jesosy ary tamin’ny anjely; ary tao no nandraisany
hafatra ho an’ ny fiangonana ho avy aty aoriana. Naseho azy ny toe-javatra hiseho
amin’ ny faran’izao tontolo izao, ka ireny fahitana noraisiny ireny no
notantarainy. Na dia tsy re intsony aza ny feony ho fampaherezana ireo fanahy
tiany? sy notompoiny, ny hafatra noraisiny teo amin’ io Nosy karankaina
io kosa no nampisongadina ny fikasan’ny Tompo mibaribary ny amin’ ny
Firenena tsirairay avy eto an-tany izay hanjary fanilo mamirapiratra.
2) 1 Jaona 1 : 9

505
Teo amin’ ny hantsan’ny harambaton’ ny Nosy Patmo no nananan’i, Jaona
firaisana tamin’ ny Tompony. Nitodika ny lasa izy, ka nametsovetso ireo
fitahiana nilomanosany sy ny fiadanana izay nanaeno ny fony. Ny fiainana
kristiana nivelomany no nahazoany niteny hoe: «Fantatsika fa efa tafafindra niala
tamin’ ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika, satria tia ny rahalahy»3.
Tsy mba toy izany kosa ny nahazo ilay amperora nandefa azy ho sesitany; tsy
mba azony natao ny nahita, raha nitodika ny lasa izy, afa-tsy tany fiadiana sy
fandringanana, tokantrano fongana, mpitondratena sy kamboty mitomany, —
izany rehetra izany no vokatry ny filàny be hambo hanampatra fahefana.
Tao amin’io toerana nahirery an’i Jaona io no nahazoany nianatra
lalindalina kokoa ny fisehoan’ ny herin’Andriamanitra, araka ny fisehoany teo
amin’ ny bokin’ny natiora sy ny pejin’ny Teny tsindrimandry. Firavoravoana ho
azy ny nandinika ny amin’ny asa famoronana sy ny nibanjinany Ilay
Andriamanitra Mpahary. Nandritra ireo taona nialoha, dia nahazatra ny masony
ny nijery ireo havoana voasaron’ala, sy ireo lohasaha maitso mavana ary
ireo tany lemaka rakotra voankazo vokatra; ary teo am-pibanjinana ny zavaboary
kanto loatra, dia fahafinaretana ho azy ny nandefa ny fisainany hankany amin’ ny
fiandohan’ny fahendrena sy ny herin’ ny Mpahary. Amin’ izao kosa izy eo
anivon’ ny toerana iray izay mety heverin’ny hafa ho manjombona sy tsy misy
itiavana azy; nefa kosa ho an’i Jaona, dia hafa lavitra no fijeriny azy.
Mety ho mariry sy karankaina ny zavatra atrehin’ ny masony; nefa kosa ny
hamangan’ ny lanitra nobanjininy dia nadio sy namirapiratra toa an’i Jerosalema
malala. Nandray lesona sarobidy teo avinon’ ny harambato karankaina izy, sy teo
anoloan’ny hantsana mangitsokitsoka, teo anatrehan’ny hakanton’ny
habakabaka. Samy nitory hafatra feno voninahitra sy ny herin’Andriamanitra
izany rehetra izany.
Teo amin’ ny manodidina azy no nandrenesan’i Jaona ny hafatry ny onjan-
drano manarona ny vohon’ny tany, tamin’ ny andron’ ny Safo-drano, satria sahy
nanitsakitsaka ny didin’Andriamanitra ny mponina teo aminy. Nirava teo
amin’ny harambato ny fisasasasan’ ny onja vaventy niainga avy tany amin’ny
ranomasina lalina, ka naverin’ ny morontsiraka indray. Nampahatsiaro azy ny
firehitry ny fahatezerana mahatsiravina nampiharin’ Andriamanitra tamin’ ny
tany izany.
3) 1 Jaona 3 : 14
506
Tamin’ ny feon’ireo onja, dia ireo onja nifampiantso, no nandrenesan’i
Jaona mpaminany ny feon’ny Mpahary. Ny ranomasina niantefan’ny herin’ ny
rivo-mahery kosa no nampiseho ny hatezeran’Andriamanitra notsiratsiraina.
Rehefa niantonta mafy ireny onja mahery ireny, kanefa voafefin’ny tanana tsy
hita tsy hihoatra ny fefy, dia nampiseho tamin’i Jaona ny fifehezana ataon’ Ilay
Hery tsy manam-petra. Ary tsapany kosa, teo ankilan’izany ny halemena sy ny
hadalan’ ny mety maty, izay, na dia toy ny kankana aza, dia mieboebo ny amin’
ny fahendreny sy ny heriny, nefa olona mety maty manana fo manohitra Ilay
Tompon’izao rehetra izao, ka mihevi-tena hitovy saranga Aminy.
Nampahatsiaro an’i Jaona an’i Kristy ireo harambato ireo, harambato tsy
mihetsika, izay azony nialofana tsy amin-tahotra. Natao sesitany teo amin’ io
Nosy karankaina io izy; nefa hainy ny nampiakatra tany amin’ Andriamanitra ny
fivavahany feno hafanampo indrindra.
Mampiseho miharihary ny fomba ahazoan’ny Tompo mampiasa ny
mpanompony efa antitra ny tantaran’i Jaona. Rehefa natao sesitany io apostoly io
dia maro no nihevitra fa efa vita hatreo ny asany, ka ny fijery azy dia toy ny
volotara antitra folaka, ka hidaraboka raha vao voaronjina kely foana. Hafa noho
izany anefa ny hevitr’Andriamanitra. Na dia nalefa lavitry ny toerana niasany
teo aloha aza izy, dia tsy nitsahatra nanambara ny fahamarinana. Na tany Patmo
aza dia nahitany sakaiza izay notarihiny ho amin’ny fiovam-po. Hafa-pifaliana
no notoriny, nanambarany an’Ilay Mpamonjy natsangana tamin’ny maty, Ilay
Mpamonjy mifona ho an’ny mpanota any an-danitra, mandra-pahatongan’
ny andro hiverenany indray mba handray ny olony ho any aminy. Rehefa
nofotsin’ny fanompoany ny Mpamonjy izy vao nahazo fifandraisana be lavitra
tamin’ ny lanitra, mihoatra noho izay efa azony nandritra ny andro niainany.
Tokony hanehoana fitiavana lehibe tokoa ireo izay nanokana ny fiainany
hanaovana ny asan’ny Tompo. Nahatoky teo anivon’ny tafio-drivotry ny fizahan-
toetra ireny mpanompo efa zokiolona ireny. Angamba misy fahosana mahazo.
azy, nefa kosa mbola misy ao aminy ny talenta izay mbola ahazoany mitana
toerana ao amin’ny asan’Andriamanitra. Na dia efa trotraka sy tsy afaka
hiantsoroka intsony adidy mavesatra mbola zakan’ny tanora aza izy, dia tena
sarobidy tokoa ny toro hevitra azony omena.

507
Mety ho nisy fahadisoana vitany, nefa ny tsy fahombiazany no nahazoany
lesbna hialana amin’ny fahadisoan-kevitra sy ny loza mety ho nihatra taminy.
Moa ve ary tsy antonona mihitsy hanome toro hevitra feno fahendrena izy?
Niaritra ny fizahan-toetra sy ny loza nihatra taminy izy, ary na dia efa tola aza ny
heriny, dia tsy manilikilika azy ny Tompo, fa tolorany fahasoavana sy fahendrena
manokana izy.
Ireo izay nanompo ny Tompony tao amin’ ny fahamafisan’ny asa, ka
niaritra fahantrana, nefa nijoro ho mahatoky, fony izy mbola vitsy teo amin’ ny
fampielezana ny fahamarinana, dia tokony homena haja sy voninahitra.
Irin’ ny Tompo raha mba hahazo fahendrena sy hery ary fahamatoran-
tsaina ny mpiasa tanora, eo amin’ ny fiarahany miasa amin’ ireo zokiny mahatoky
ireo. Aoka ho tsapany ny tombontsoa ananany amin’ ny fananany olona toy ireny
hiara-miasa aminy. Aoka homeny toeram-boninahitra ao amin’ ny fiheveran-
draharahany izy.
Arakaraka ny anatonany ny fiafaran’ny asa fitoriana ataony ety an-tany, no
handraisany fatra-Panahy bebe kokoa, ary ho zarainy amin’ ny rahalahiny ny
fanandramana nataony, satria efa nandany ny androny rehetra hanaovana ny asan’
i Kristy izy. Ny fitantarana ny zava-mahagaga nataon’ny Tompo tamin’ny olony,
sy ny hatsaram-panahy lehibe nanafahany azy ireny tamin’ny fitsapana nihatra
taminy hatrany hatrany, dia tokony haverimberina ho fantatry ny olona vao niova
fo. Irin’Andriamanitra raha mbola mijanona eo amin’ny toerana nisy azy ireny
mpanompo efa antitra sy nandalo fitsapana ireny, ka hanao asa mavitrika eo amin’
ny famonjena fanahy. Tiany raha mitafy ny fiadiany mandra-pahatongan’ ny
fotoana ibaikoan’ ny Tompo azy hametraka ireny izy.
Misy lesona mahatalanjona ahazoana hery sy tanjaka avy amin’ ny zava-
niseho mahatsiravina rehefa niharan’ ny fanenjehana i Jaona. Tsy sakanan’
Andriamanitra tsy hanao tetika maizina ny ratsy fanahy, fa ahodiny kosa ny
fikasan-dratsiny ho soa ho an’ ireo ianjadian’ ny fahoriana sy iharan’ ny tolona
hitahiry ny finoany sy ny fahamarinany.
Mazàna eo anivon’ny ranonoram-baratry ny fanenjehana no anatontosan’
ny mpitory ny filazantsara ny asany, ary ao anatin’

508
ny fanoherana feno habibiana sy fampilaliana no ijoroany ho vavolombelona.
Aoka ho tsaroany amin’ izany andro izany fa ny fandramana azo tao anatin’ ny
memy afon’ ny fitsapana sy ny fahoriana dia mendrika ny fijaliana niaretana mba
hahazoana azy.
Toy izany no iantsoan’ Andriamanitra ny zanany hanakaiky Azy mba
hanehoany aminy ny heriny ho solon’ ny fahalemeny. Mampianatra azy hiankina
Aminy izy, ary manomana azy amin’izany fomba izany hiatrika ny fotoan-
tsarotra, mba hahazoany mandray toerana ilana olo-mahatoky, sy hanatanteraka
ny andraikitra nanomezana talenta manokana azy»
Niharan’ny fanaratsiana mandrakariva sy tamin'ny fanenjehana noho ny
fitiavana ny fahamarinana ny vavolombelon’ i Jéhovah. Nampijaliana sy natao
an-tranomaizina i Josefa, satria nijoro ho mahatoky sy ho marina. Nohazain’ ny
fahavalony toy ny bibidia kosa i Davida, ilay iraka voafidin’ i Jéhovah. Natsipy
tao amin’ ny lavaky ny liona i Daniela noho ny toetra mahatoky nananany tamin’
Andriamaniny. Nofonganana tsy hisy teo amin’i Joba avokoa ny fananany rehetra
tety an-tany, ary tena nijaly mafy indrindra tamin’ny aretina nahazo ny tenany
izy, ka nanjary naharikoriko ny fianakaviany sy ny sakaizany; nefa kosa nijoro
tsy azo nohozongozonina. Tsy azon’i Jeremia natao ny namihina ny vavany tsy
hiteny ny hafatra nampitondrain’Andriamanitra azy, ary nahatonga firehetam-
pahatezerana mafy indrindra tamin’ny mpanjaka sy ny andriandahy ny teniny, ka
natsipiny tao amin’ ny lavaka fantsakana nisy fotaka maimbo izy. Novonoina i
Stefana satria nitory ny amin’ i Kristy Ilay Mpamonjy voahombo. Notoraham-
bato sy naiditra am-ponja koa i Paoly, ary farany dia nohelohina ho faty, satria
mpilaza hafatra mahatoky ayy tamin’Andriamanitra ho an’ny Jentilisa. Ary i
Jaona dia natao sesitany tao amin’ny nosy Patmosy noho «ny tenin’
Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy».
Samy manambara ny fitiavan’ ny Tompo ireny ohatry ny fijoroan’ny olona
nitory ny fitiavan’ ny Mpamonjy ireny; ary porofo fa teo anivony lalandava Izy,
nizara ny fahasoavany mamelombelona. Nasehon’ ireny fa azon’ ny finoana atao
ny hisetra ny herin’izao tontolo izao. Amin’ ny alalan’ ny finoana no ahazoan-
tsika mitoetra ao amin’ Andriamanitra amin’ ny ora manjombona indrindra, ka
hahatsapa, na dia iharan’ ny fahoriana mafy aza sy iantefan’ny tafio-drivotra, fa
ny Raintsika any an-danitra no mitana ny familian-tsambo. Ny mason’ ny finoana
ihany no mahay
509
mitazana any ankoatry ny herin’ izao tontolo izao, ny tena hasaro-bidin’ny harena
mandrakizay.
Tsy nampanantena ny mpianany hahazo ny voninahitra sy ny haren’ny
tany Jesosy, na koa hanana fiainana lavitry ny fitsapana. Fa antsoiny kosa izy,
hanaraka Azy eo amin’ ny lalan’ ny fandavan-tena sy ny fahafaham-baraka.
Ilay tonga hanavotra an’ izao tontolo izao dia tsy maintsy nisetra ny
herin’ny ratsy rehetra namelezana Azy. Nivondrona mafy hanohitra ny
Andrianan’ny fiadaaana ny ratsy fanahy sy ny anjely ratsy. Nefa ny teny nataon’
ny Tompo sy ny asa notontosainy dia samy naneho hy famindrampony, sy ny tsy
fifandraisany amin’izao tontolo izao, izay nampiseho fankahalana faran’izay
masiaka indrindra taminy.
Toy izany koa no hihatra amin’izay rehetra te ho velona ao amin’ ny
fanompoana ny Tompo Jesosy Kristy. Efa miandry ny Kristiana rehetra onenan’
ny Fanahin’ ny Mpamonjy ny fankahalana. Miova endrika arakaraka ny fotoan’
andro ny endriky ny faharetana; nefa kosa ny fitsipika sy ny toe-tsaina
mampiavaka azy - dia tsy miova toy izay hita hatramin’ ny andron’i Abela, dia
ny namonoana ny olom-boafidin’ny Mpamonjy.
Tamin’ ny fotoan-dasa rehetra dia nanenjika ny zanak’Andriamanitra i
Satana, ka nampijaly azy, ary namono azy; kanefa kosa tamin’ny fahafatesan’
ireny, no vao mainka nahatonga azy ho mpandresy. Nijoro ho vavolombelon’ ny
herin’ Ilay mahery noho i Satana izy. Azon’ ny olona lozabe atao ny mampijaly
sy mamono ny tena, fa tsy azony atao kosa ny mampihatra ny heriny amin’
ny fiainana voafina ao amin’ i Kristy any amin’ Andriamanitra. Azony atao ny
mandatsaka am-ponja voahodidin’ ny manda metevina ny lehilahy sy ny
vehivavy maro; nefa tsy azony atao ny mamatotra ny fanahiny. Vao mainka
mibaribary avy amin’ ny fitsapana sy ny fahoriana iaretany ny voninahitry ny
toetran’Andriamanitra ao aminy.
Izay mino ny Tompo, ka ankahalain’izao tontolo izao sy enjehiny, no
miofana sy_ beazina ao amin’ ny sekolin’i Kristy. Mandeha eo amin’ ny lalana
tery izy. Diovina ao amin’ ny memy afon’ny fampijaliana izy, nefa manaraka ny
Mpamonjy ao amin’ ny tolona feno fahasiahana, ka miaritra fahafoizan-tena, ary

510
mandalo amin’ny fahadisoani-panantenana mahatsiravina. Amin’izany kosa
anefa no ahatsapany ny maha-ratsy sy ny maha-ozona ny fahotana, ka ankahalany
azy tanteraka.
Amin’ny fiombonany amin’ny fahorian’i Kristy, no ahazoany mibanjina
ny voninahiny ao ankoatra, ny alahelo maizina mihatra aminy, ka ahazoany
miteny tahaka an’ i Paoly hoe: «Fa ataoko fa ny fahoriana amin’izao andro
ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ ny voninahitra izay haseho
amintsika»4.

4) Rom. 8 : 18
511
57

Ny Apokalypsy

Nanana firedaredana sy hafanam-po ny Kristiana tamin’ny andron’ny


apostoly. Ary tamin’ ny fiezahana fatratra mihitsy no niasany ho an’ny Tompony,
ka tao aiiatin’ ny fotoana fohy monja, na dia nisy fanoherana mafy tsy maintsy
nosetrainy aza, dia nanakoako eran’izao tontolo izao ny fitoriana ny filazantsara.
Voarakitra tao amin’ny Soratra Masina ny fahazotoana nananan’ ny mpianatr’ i
Kristy tamin’ izany fotoana izany, mba ho fampaherezana ny Kristiana amin’ ny
vanim-potoana rehetra.
Toy izao no fanambaran’Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina ny
amin’ ny fiangonana Efesosy izay no raisin’ny Tompo ho ohatra hampiseho ny
fiangonana tamin’ ny andron’ ny apostoly; «Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao
aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary hianao efa
nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao
fa mpandainga izy; ary manana faharetana hianao ka niaritra noho ny anarako,
sady tsy reraka»1.
Tamin’ ny niandohan’ny Fiangonana tao Efesosy dia nanana toetra tsotra
sady mirehitra toy ny an’ ny zazakely tokoa izy. Nazoto nankato ny Tenin’
Andriamanitra manontolo ny mambra tao aminy, ary hita soritra teo amin’ ny
fiainany ny fitiavana Mina sy feno fahatsorampo an’i Kristy. Faly nahao ny
sitrapon’Andriamanitra izy, satria tsapany fa teo aminy mandrakariva ny
1) Apokalypsy 2 : 2, 3
513
33 — Vavolombelona Mahery
Mpamonjiny. Safononoka mihitsy ny fitiavany ny Mpanavotra azy, ary ny
filamatra ambony indrindra nananany dia ny hahazo fanahy. Tsy nofihininy ho
azy ireiy ny raki-tsarobidin’ny fahasoavana. Fantany fa lehibe ny fiantsoana
voarainy sy ny hafatra nampi-tondraina azy hoe: «Fiadanana ety ambonin’ ny
tany amin’ny olona ankasitranany», ka niredareda tao am-pony ny faniriana
hitondra ny vaovao mahafalin’ny famonjena hatrany amin’ny faran’ny tany. Toy
izany no nahafantaran’ny olona an’ireo izay niara-belona tamin’i Jesosy.
Notarihin’ny Zanaka ho eo amin’ny Ray ny mpanota mibebaka sy voavela
heloka, ary voadio sy nohamasinina. Nanana firaisam-po teo amin’ ny fiaraha-
miasa ny Kristiana. Ny fitiavany ny Mpamonjy no rojo volamena nampi-
famatotra azy tamin’ny namany. Mbola notohizany ihany ny fanarahana an’i
Kristy, ka tamin’izany no nitomboan’ ny fahalalana Azy bebe kokoa, ka hita
taratra teo amin’ny fiainany ny hafaliana sy ny fiadanan’ny Tompo. Novanginy
tao amin’ny fahoriany ny mpitondratena sy ny kamboty, ary narovany ny
fanahiny tsy ho voapentin’izao tontolo izao, ka tsapany fa raha tsy mitandrina
izany zavatra izany izy, dia tsy hifanaraka amin’ny fitsipika notanany ary handà
ny Mpanavotra azy aza amin’ izany fomba izany.
Nitohy tany amin’ ny tanàna rehetra ny asa; niova fo ny mpanota, ary samy
nahatsapa fa tsy maintsy mamindra amin’ ny hafa ny harem-bevava voarainy koa
izy. Tsy nahita fitsaharana izy raha tsy efa fantany fa efa namirapiratra feo amin’
ny hafa koa ny fahazavana nampamirapiratra ny fanahiny. Marobe ny tsy mpino
nahafantatra ny anton’ny fanantenan’ ny Kristiana; nisy antso mivantana avy
tamin’ ny Tompo, sady nirehitra fatratra, natao tamin’ izay diso lalana, na
voaozona, ary koa tamin’ ireo izay nilaza azy ho mahafantatra ny fahamarinana,
nefa tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra.
Kanjo rehefa afaka totoana vitsivitsy monja dia nitambotsotra ny
fahazotoan’ ny mpino sy ny fitiavany ny Tompo sy ny namany. Tafatsofoka tao
am-piangonana ny fangatsiahana. Maro no nanadino ny fomba mahatalanjona
nahafantarany ny fahamarinana. Indreny koa fa nifandimby nopaohin’ ny
fahafatesana ireo mpiambina antitra nanana fenitra ambony. Nisy sasantsasany
tamin’ny mpanompon’Andriamanitra mbola tanora fanahy, izay naira-
niantsoroka ny adidy tamin’ ireo mpamaky lay, no niofana mba ho tonga
mpitarika hendry, kanjo tsy nifikitra intsony tamin’ ireny fahama-
514
rinana fantatra loatra ireny. Zavatra tsy mbola fahita sy marevaka jerena no
notadiaviny; koa dia niezaka izy mba hampiditra zava-baovao mamim-bahoaka,
kanefa tsy mifanaraka velively amin’ny fitsipika fototra ao amin’ny filazantsara.
Noho ny hamaizinan’ny fanahiny sy ny fitokisany tena dia tsy fantany fa ireny
fampianarana vaovao nomeny ireny dia hiteraka fisalasalana ny amin’ ny
maha-marim-pototra ny fanandramana natao tamin’ny lasa, sady hahatonga
fisavoritahana sy tsy finoana.
Fa raha notorina ireny fampianaran-diso ireny, dia nisy tsy fitovian-kevitra
nipoitra, ka maro ny Kristiana no tsy nibanjina an’i Jesosy intsony ho «tompon’
ny finoany sy Mpanefa azy». Nameno ny fotoana sarobidy tokony hitoriana ny
filazantsara ny adihevitra momba ny zavatra tsy misy dikany, sy tamin’ ny faha-
finaretana hihaino anganongano mahafinaritra noforonin’ny sain’olombelona.
Natao tsirambina ny fampitandremana ny maro tamin’ny fanehoana mazava ny
fahamarinana.
Nihena haingana ny fitiavam-bavaka, ary toa efa resin’i Satana mihitsy aza
ireo izay nilaza azy ho mpianatr’i Kristy. Tamin’ izany fotoana sarotra teo amin’
ny tantaran’ ny fiangonana izany no nanamelohana an’i Jaona hatao sesitany. Tsy
mbola nisy fotoana nilan’ ny fiangonana bebe kokoa handre ny ny feony mihoatra
noho ny tamin’ izany fotoana izany. Saika maty maritiora avokoa ireo mpanampy
an’i Jaona rehetra, ka tsy maintsy nisetra fanoherana henjana ny mpino sisa.
Araka ny fijery teo ivelany dia toa tsy lavitra intsony ny fotoana hahazoan’ ny
fahavalon’ ny fiangonana fandresena. Kanefa kosa niasa mangina ny sandrin’ ny
Tompo. Noho ny fitondran’Andriamanitra dia napetrany teo amin’ny toerana
hahazoan’ i Kristy hanome fahitana mahatalanjona ny amin’ny fahamarinan’
Andriamanitra i Jaona mba hahazoany mampianatra ny fiangonana. Noheverin’
ny fahavalon’ ny fiangonana fa rehefa nandefa an’i Jaona ho sesitany izy, dia
hangina tanteraka ny feon’io vavolombelona mahatokin’Andriamanitra io. Kanjo
tao Patmosy no nandraisany hafatra izay hanan-kery hampatanjaka ny fiangonana
hatramin’ ny faran’ izao tontolo izao.
Na dia tsy afa-tsiny amin’ny asa mahatsiravina nataony aza ireo izay
nandefa an’i Jaona ho sesitany, dia fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra
kosa izy mba hahatanteraka ny fikasan’ ny lanitra. Ary ny tolona nataon’ izy ireo
mba handevonana ny hazavana dia vao mainka nomena endrika mahatalanjona
ho an’ ny fahamarinana.
515
Tamin’ ny andro Sabata no nisehoan’ny Tompon’ny voninahitra tamin’ilay
apostoly natao sesitany. Notandreman’i Jaona tanteraka tokoa ny Sabata tao
amin’ ny nosy Patmosy, toy ny nataony tany amin’ny tanàna sy ny vohitra rehetra
tany Jodia, fony izy nitory ny filazantsara tamin’ireny toerana ireny- Notakiny
ho an’ny tenany ny teny fikasana sarobidy izay nampombaina io andro io.
«Voatsindrin’ ny Fanahy tamin’ ny andron’ny Tompo aho, hoy izy, ka nahare feo
mahery teo ivohoko, toy ny feon’ny trompetra nanao hoe: Izaho no Voalohany
sy Farahy... Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika
aho dia nahita fanaovan-jiro volamena fito; ary teo afovoan’ny fanaovan-jiro dia
nisy Anankiray tahaka ny Zanak’olona»2.
Nandray fitahiana safononoka io mpianatra malala io. Efa hitany teo aloha
ny fahorian-tsaina nahazo an’ i Jesosy, ary nanatrika ny tolona nataony tao amin’
ny tanimboly Getsemane izy, raha nipotrapotraka tamin’ ny tany ny ra tamin’ ny
hatsembohany. Hitany « ny tarehiny... simba ka hoatra ny tsy tarehin’ olombelona
akory»3. Hitany Izy nokapohin’ ny miaramila romana, nampitafiany lamba jaky,
ho fanarabiana Azy, nosatrohana tsilo, ary nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana.
Tombontsoa ho an’i Jaona ny nahita indray ny Tompony izao, kanefa
manao ahoana kosa ny fiovany! Tsy Ilay «Lehilahy ory sady zatra ny fahoriana»
intsony, ka nesoina sy nafoin’ ny olona, fa indro kosa Izy manao fitafiana
mamirapiratra. «Ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon’ondry fotsy,
dia tahaka ny orampanala, ary. ny masony tahaka ny lelafo; ary ny tongony
tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio tamin’ny fandrendrehana
iny»; ary ny feony toy ny firohondrohon’ny rano be. Ary nitana kintana fito teny
an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo
am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’
ny heriny. Ny sabatra roa lela dia mampiseho ny herin’ ny Tenin’Andriamanitra.
Namirapiratry ny Mpamonjy natsangana indray ny nosy Patmosy. «Ary raha
nahita Azy aho, hoy i Jaona, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloari’
ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin’ ny tànany ankavanana ka nanao hoe;
Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany»4.
2) Apok. 1 : 10, 17, 12, 13. 3) Isaia 52 : 14
4) Apok. 1 : 14 – 16 4) Apok. 1 : 17
516
Notolorana hery i Jaona mba tsy hahafaty azy eo anatrehan’ny
Mpamonjiny mitafy voninahitra. Alohan’ ny nandraisany io fahitana lehibe,
nomena azy io, dia naseho taminy ny voninahitry ny lanitra- Navela hibanjina ny
seza fiandrianan’Andriamanitra izy, ary hitazana any ankoatra ny ady maro
hiseho eto an-tany, ny andian’ ireo voavotra marobe mitafy akanjo fotsy. Reny
ny hiran’ny anjely, sy ny hobim-pandresen’izay «naharesy noho ny ran’ny
Zanak’ondry sy ny teny filazana Azy».
Tao amin’ny fahitana naseho azy no nahitany ny fisehoan’ireo zavatra
nampihetsi-po momba ny tantaran’ ny vahoakan’Andriamanitra, ary hitany
taratra ny amin’ ny fiainan’ny fiangonana mandra-pahatongan’ ny farany. Nisy
zava-dehibe naseho azy tamin’ny endriky ny sary sy ny tandindona, ka ireny
zava-baventy naseho azy ireny no nosoratany, mba hahazoan’ny vahoakan’
Andriamanitra tamin’izany andro izany sy amin’ ny ho avy hahita amin’ny fomba
mibaribary ny loza sy ny ady tsy maintsy hatrehiny.
Izany Fanambarana izany ny Apokalypsy dia nomena mba ho mpitarika
sy mpampahery ny fiangonana mandritra ny fahavelomany ety an-tany. Misy
mpandinika ny Baiboly, izay milaza fa ny boky Apokalypsy dia boky mihidy, ka
tsy mety ho fantatra ireo zava-miafina raketiny. Koa noho izany dia maro no
tsy niraharaha ny teny faminaniana, ka tsy nety handalina ny zava-miafiny. Tsy
tian’ Andriamanitra raha toy izany no iheveran’ny olony an’io boky io. «Io no
fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hasehony
amin’ ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana». «Sambatra
izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ ity faminaniana ity ka mitandrina izay
voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro»5. «Izaho dia manambara amin’
izay rehètra mandre ny tenin’ny faminaniana amin’ ity boky ity; Raha misy
manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ity boky
ity ho azy; ary raha misy manaisotra amin’ ny teny amin’ity bokin’ ity
faminaniana ity, dia hesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ ny hazon’ aina sy
amin’ny tanàna masina, dia izay_ zavatra voasoratra eto anatin’ ity boky ity»?
«Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia,
Jesosy Tompo »6

5) Apok. 1 : 1, 3 6) Apok. 22 : 18 - 20

517
Voavelatra ao amin’ny Apokalypsy ireo zava-dalina momba an’Andriamanitra.
Ny anarana ilazana io boky io hoe Fanambarana dia manohitra sahady ny
filazan’ny sasany fa boky mihidy izy io. Ny Fanambarana dia zavatra mety ho
fantatra. Ny Tompo mihitsy no nanambara tamin’ ny mpanompony ny zava-
miafina raketin’io boky io, ary ny iriny dia ny hahatakaran’ ny sain’izay rehetra
te hahafantatra izany. Natao ho an’ izay velona amin’ ny andro farany ireo
fahamarinana ireo, toy ny nanokanana azy ho an’ ireo niara-belona tamin’i Jaona
koa. Mikasika ny lasa ny faritra sasantsasany amin’ ity boky faminaniana ity, ny
sasany dia miseho eo imason-tsika ankehitriny; ary misy kosa ny sasany
mampiseho amintsika mialoha ny hiafaran’ny ady goavana ifanaovan’ ny herin’
ny maizina sy ny Andrianan’ny lanitra, ary ny farany manambara ny fandresena
sy ny fifalian’ ny voavotra any amin’ ny tany noha-vaozina. Izay mihevitra fa tsy
mety ho fantany ny hevitry ny tandindona sasany ao amin’ ny Apokalypsy, dia
hilaza fa tsy misy soa azo amin’ ny fandinihana io boky io mba hahafantarana ny
fahamarinana raketiny. Ilay nanambara ireny zava-miafina ireny tamin’i Jaona no
hanome koa santatra sahady ny amin’ ny zavatry ny lanitra ho an’ izay miezaka
mafy tokoa hahafantatra azy. Izay manana fo vonona handray no hahazo
fanampiana hahafantatra ny fampianarany, ary homena azy ny fitahiana
nampanantenaina an’ izay «mamaky sy ny mihaino ary mitandrina izay
voasoratra ato anatin’ ity boky faminaniana ity ».
Voafintina sy mifarana ao amin’ ny boky Apokalypsy ny boky rehetra ao
amin’ ny Baiboly, ary mifameno amin’ ny bokin’i Daniela izy. Faminaniana ny
bokin’ i Daniela, fanambarana ny bokin’ ny Apokalypsy. Ilay boky nasiana
tombo-kase dia tsy ny Apokalypsy, fa ny fizarana amin’ ny faminanian’ i Daniela
izay manambara indrindra ny amin’ ny andro farany. Izao no baikon’ny anjely:
«Ary hianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy
mandra-pihavin’ ny andro farany»7.
Kristy no nibaiko an’ i Jaona hanoratra izay hasehony aminy: «Izay zavatra
efa hitanao dia soraty eo amin’ ny boky, ka ampi-tondray ho any amin’ ny
fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smirna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy
sy Filadelfia ary Laodikia». «Efa maty Aho, nefa, indro velona mandrakizay
mandrakizay... Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay
7) Daniela 12 : 4
518
zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay, dia ny zava-miafina
ny amin’ ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tànako ankavanana sy ny
fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ ny fiangonana fito,
ary ny fanaovan-jiro fito dia ny fiangonana fito»8
Ny anaran’ireo fiangonana fito ireo dia fampisehoana hy fiangonan’i
Kristy nandritra ny vanim-potoana samihafa nolalovany teo amin’ ny taona
kristiana. Milaza fahatanterahana ny isa fito, ka manambara izany fa ny hafatra
raketiny dia ho an’ ny taranaka rehetra hatramin’ny faran’ ny andro, mba hiseho
amin’ ny alalan’ ireo sary sy tandindona ireo ny toetran’ ny fiangonana nandritra
ny taonjato maro nifandimby tao amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao.
Teo afovoan’ ny fanaovan-jiro volamena no nahitana an’i Kristy, ary sary
mampiseho ny fifandraisany amin’ ny fiangonany izany. Marina tokoa fa manana
fifandraisana tsy tapaka amin’ny vahoakany Izy. Fantany ny tena toetrany, ary
dinihiny ny rafitra ijoroany, ny fiainam-bavaka ivelomany, ny fanolorany tena.
Na dia Mpisoronabe sy Mpanalalana any amin’ ny fitoerana masina any an-
danitra aza Izy, dia aseho koa ho mifanerasera amin’ ny fiangonana ety an-tany.
Amin’ ny fikarakarana tsy miketraka na oviana na oviana, no iambenany fatratra
sao dia mihamalefaka na maty mihitsy aza ny fahazavan’ny mpitiliny sasany.
Raha natolotra teo am-pelatanan’ ny olona ny fitandremana ny fanaovan-jiro dia
hitsilopilopy ny lelafony, ary ho faty mihitsy aza; nefa kosa Izy izay tena mpitilin’
ny tranon’i Jéhovah, Ilay tena mpiambina ny kianjan’ ny tempoly, Ilay
Loharanon’ aina sy fahazavana, no mikarakara sy manasoa azy lalandava. Aseho
koa ho mihazona ireo kintana fito eo amin’ ny tanany ankavanana Kristy. Fano-
mezan-toky ho antsika izany fa raha misy fiangonana mahatoky amin’ ny
andraikitra napetraka taminy, dia tsy tokony hatahotra sao tsy hahavita ny asany
izy; satria ny kintana rehetra apetraka eo ambany fiarovan’ ny Tsitoha dia tsy ho
voarombaky ny fahavalo na oviana na oviana avy eo am-pelatanan’i Kristy.
«Izao no lazain’ Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana,
sady mandeha eo afovoan’ ny fanaovan-jiro volamena fito»9 Toky natao ho an’ny
mpitandrina izany, dia ireo

8) Apokalypsy 1 : 11, 18 – 20 9) Apok. 2 : 1


519
izay notoloran’Andriamanitra andraikitra mavesatra. Miankina amin’ny
mpitandrina ny hery mamy tokony hanjaka ao amin’ ny fiangonana. Tsy maintsy
ho hita taratra eo aminy ny fitiavan’i Kristy. Eo ambany fitarihan’ny Tompo ny
kintana. Izy no mitarika ireny, ary mandrindra ny fihetsiny; fa raha tsy izany dia
hirenireny ao amin’ny haizin’ny alina izy. Toy izany koa ny mpanompon’
Andriamanitra. Izy ireny dia fitaovana eo am-pelatanan’Andriamanitra, ka ny soa
rehetra mety ho vitany dia avy amin’ny hery atolotr’Andriamanitra azy.
Ampamirapiratin’Andriamanitra amin’ ny alalan’ireny ny fahazavany. Ao
Aminy no hanovozany ny heriny. Raha mibanjina azy ny mpanompony, tahaka
ny ibanjinan’i Kristy ny Rainy, dia hahazo hery hahavita ny asa nomena azy
hataony izy. Ka rehefa Andriamanitra no mitarika azy, dia hatolotra azy ny
fahazavan’ ny lanitra, ary avy eo aminy kosa no hipariahan’ ny fahazavana ho
an’ izao tontolo izao.
Hatramin’ ny niandohan’ ny fiangonana no efa nanao ny asa ratsiny ny
zava-miafin’ ny tsi-fankatoavan-dalàna izay efa nambaran’ ny apostoly mialoha.
Nitory fampianaran-diso ireo mpampianatra sandoka izay nampitandrèman’i
Petera ny mpino, satria efa nisy mpino maro no diso lalana noho ny fampianaran-
diso nataon’ izy ireny. Nisy sasany nivembena rehefa niharan’ny fitsapana, ka
saika nandà ny finoany.
Tamin’ ny fotoana nanoratan’i Jaona ny Apokalypsy, dia efa nisy maro no
nandao ny fitiavany voalohany ny fahamarinan’ny filazantsara. Nefa noho ny
famindrampon’Andriamanitra dia tsy navelany haharitra ela tao amin’ny
fihemorany ny fiangonana. Nasehony taminy, tamin’ny alalan’ ny hafa-pitiavana
mitafotafo, ny fitiavany sy ny faniriany hanaovany asa haharitra mandrakizay.
«Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny
asa voalohany»10.
Nanana fahadisoana ny fiangonana; nila fananarana sy fanomezan-tsiny
mivaivay izy. Nomen’ Andriamanitra tsindrimandry i Jaona mba hanambara
fananarana sy fampitandremana ho an’ ireo izay nahafoy ny fitsipika fototry ny
fiangonana, ka nampidi-doza ny fanahiny. Nefa kosa tamin’ny fitiavana feno sy
tamin’ ny teny fikasana mitory fihavanana no nanononan’Andriamanitra teny
faniniana izay fantany fa tokony hatao. «Indro, efa mitsangana
10) Apok. 2 : 4
520
eo am-baravarana Aho ka mandondona; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha
ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy
amiko»11.
Ary ho an’ireo izay hodidinin’ny fanenjehana kanefa mihazona ny finoany
an’ Andriamanitra, dia nomen’ny Tompo teny fampanàntenana, sady teny
fankasitrahana koa i Jaona hoe; «Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako
varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy)... Satria efa
nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana hianao, Izaho kosa hiaro anao ho
voavonjy amin’ ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’ izao tontolo izao
ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany. Ho avy faingana Aho; tano mafy
izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao»12.
Tamin’ny alalan’ilay niteny hoe «rahalahy sy mpiombona fahoriana»13, no
nanehoan’i Kristy tamin’ny fiangonana ny fahoriana tsy maintsy hiaretany noho
ny fitiavana Azy. Raha nanopy ny masony tamin’ ireo taonjato maro nanjakan’
ny haizina sy ny finoanoam-poana ity lahy antitra natao sesitany ity, dia tazany
kosa ireo marobe maty maritiora noho ny fitiavany ny fahamarinana
fantatr’ i Jaona koa anefa fa Ilay efa nanohana ireo vavolombelona maro teo aloha
no tsy hahafoy ny mpianany mandritra ny fotoam-panenjehana izay tsy maintsy
hiaratany mandra-piavin’ ny farany. «Aza matahotra izay efa hiaretanao; hoy
Kristy, indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba
ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky
hatramin’ ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra
fiainana»14
Manaraka izany dia ren’i Jaona ny teny fikasana natao ho an’izay
mahatoky ka miady hanohitra ny ratsy. «Izay maharesy, hoy Izy, dia havelako
hihinana ny avy ny avy amin’ny hazon’aina izay eo amin’ny Paradisan’
Andriamanitra... Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy
hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny
anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ ny anjeliny... Izay maharesy dia
havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako, dia
tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ ny
11) Apok.3 : 20 12) Apok. 3 : 8, 10, 11
13)Apok.1 : 9 14)Apok. 2 : 10
521
Raiko eo ambonin’ ny seza fiandrianany. Ho avy faingana Aho; tano mafy izay
anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao»15.
Hitan’i Jaona ny famindrampo sy ny fangorahana ary ny fitiavan’
Andriamanitra niaraka tamin’ ny fahamasinany, sy ny fahamarinany ary ny
heriny. Hitany ireo mpanota nandray an’Andriamanitra ho Rainy, izay nampiseho
taminy ny fankahalany ny fahotana. Ary raha mbola nijery ny fiafaran’ ilay ady
goavana izy, ka nibanjina an’i Ziona, dia nahatazana izay naharesy...
nitsangana teo amoron’ ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan’Andriamanitra,
ary nihira ny fihiran’ i Mosesy sy ny Zanak’ondry »16.
Naseho an’ i Jaona ho toy ny «Liona avy amin’ ny firenen’i Joda» ny
Tompo ary toy ny «zanak’ ondry tahaka ny efa voavono»17. Hita amin’ izany sary
izany ny fifandraisan’ ny hery lehibe indrindra miaraka amin’ ny fitiavana
voahombo. Ilay lionan’i Joda, izay mampahatahotra ny fijery azy, no hanjary
zanak’ ondrin’Andriamanitra mizara fahasoavana ho an’izay rehetra mahatoky
amin’ ny fankatoavana Azy. Ilay andry afo izay mampiseho ny hatezerana sy ny
horohoro ho an’ ny mpandika lalàna, dia fahazavana kosa, antoky ny fahasoavana
sy ny fanafahana ho an’ izay manaraka ny fitsipik’ Andriamanitra.
Ilay sandry mahery mamaly heloka ny mpikomy, no ho sandry mahery koa
hanafaka ny olona marina. Samy ho voavonjy avokoa izay rehetra mahatoky.
«Ary amin’ ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary
hangonin’ ireo ny olom-boafidy avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny
faravodilanitra rehetra»18.
Raha ampitahaina amin’ ireo olona antapitrisany maro eto an-tany ny olon’
Andriamanitra, dia ho antokony kely no fijery azy, satria toy izany mandrakariva
izy. Nefa kosa raha maharitra ao amin’ny fahamarinana izy, araka ny ampise-
hoana izany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ho fialofana ho azy
Andriamanitra; hiaro azy ny ampinga lehiben’ ny Tsitoha. Fa izay omban’
Andriamanitra dia manana ny heriny. Rehefa re ny feon’ ny trompetra

15) Apok. 2 : 7; 3 : 15; 3 : 21; 3 : 11 16) Apokalypsy 15 : 2, 3


17) Apok. 5 : 5, 6 18) Matio 24 : 31
522
farany, ka handresy ny fahamarinana, ary hotononina ireto teny ireto: « Ry
fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny
fanindronanao?»19, amin’izay dia hiaraka amin’Andriamanitra ny olom-boafidy,
hiaraka amin’i Kristy, hiaraka amin’ ny anjely sy hiaraka amin’ ny olona
mahatoky sy marina rehetra hatrizay hatrizay, dia ho hita fa ireo no ho maro an’
isa indrindra.
Ny tena mpianatr’i Kristy marina dia manaraka Azy ao amin’ny ady mafm’
ny fiainana; mandà ny tenany izy, ary sahy misetra ny fanoherana mafy indrindra.
Nefa ireny zava-tsarotra ireny dia vao mainka mampahafantatra azy ny
faharatsian’ny fahotana, ka manjary miseho eo anatrehany ao amin’ny
faharatsiany tanteraka ny ota. Nandray anjara tamin’ ny fijalian’ i Kristy izy, ka
handray anjara amin’ ny voninahiny koa. Nomena fahitana maha-finaritra loatra
i Jaona, raha naseho azy ny fandresena ho azon’ny «sisa» amin’ ny fiangonan’
Andriamanitra. Ka hoy izy: «Ary nahita aho, fa, indro, toa ranomasina fitaratra
miharo afo, ary izay naharesy, ka afaka tamin’ ny bibi-dia... dia nitsangana teo
amoron’ny ranomasina fitaratra nitana lokangan’ Andriamanitra. Ary mihira
ny fihiran’ i Mosesy sy ny Zanak’ ondry izy manao hoe:
Lehibe sy mahatalanjona ny asanao,
Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha;
Mahitsy sy marina ny làlanao,
Ry Mpanjaka mandrakizay. . .
Fa Hianào ihany no masina,
Ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao;
Fa efa nàharihary ny fitsarana marina nataonao.20

«Ary hitako fa, indro, ny Zanak’ ondry nitsangana teo an-tendrombohitra


Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy
manana ny anarany sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ ny handriny»21.
Voatolotra an’Andriamanitra ny fisainany tety ambonin’ ny tany, ary nanompo
Azy tamin’ ny fahalaiany sy ny fony izy, ka dia azon’ ny Tompo atao kosa izao
ny nametraka ny anarany eo amin’ ny handriny. «Ary hanjaka mandrakizay
mandrakizay izy»22. Tsy hikarokaroka etsy sy eroa, toy. ny mitady toerana izy, fa
ho anisan’ ireo izay hitenenan’ i Kristy hoe: «Avia hianareo izay notahin’ ny
Raiko,
19) 1 Kor. 15 : 55 20) Apok. 15 : 2 - 4 21) Apok. 14 : 1
22) Apok. 22 : 5
523
mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo
izao». Raisin’ Andriamanitra ho zanany izy, ka samy itenenany hoe: «Midira ao
amin’ ny fifalian’ ny tomponao»23.
«Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no
navotana avy tamin’ny olona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny
Zanak’ondry»24, Hitan’i Jaona tao amin’ ny fahitana ireo voavotra nijoro teo
amin’ ny tendrombohitra Ziona, vonona ho amin’ ny fanasana ka nitafy «rongony
fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka, ary izany rongony fotsy
madinika izany dia ny asa marina ataon’ny olona masina». Kanefa ireo izay
hanaraka ny Zanak’ ondry any an-danitra dia tsy maintsy ho efa nanaraka Azy
tety an-tany aloha, tsy amin’ ny faneriterena, na vokatry ny fihetseham-po
vetivety, fa avy amin’ ny fankatoavana an-tsitrapo, nentanin’ny fitiavana sy ny
toetra mahatoky, toy ny andian’ ondry manaraka ny mpiandry.
« Ary ny feo izay reko dia tahaka ny an’ ny mpitendry lokanga mitendry
ny lokangany. Ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra
arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala avy tamin’ ny tany... Ary
tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy panan-tsiny izy»25.
«Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina
avy tany- an-danitra tamin’ Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina
mihaingo hihaona amin’ ny vadiny... Ny famirapirany dia tahaka ny vato soa
indrindra, dia tahaka ny vato jaspy, manganohano toy ny vato krystaly; ary
manana mânda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin’ ny folo izy, ary eo amin’
ny vavahady dia misy anjely roa ambin’ ny folo, ary misy anarana voasoratra eo,
dia ny an’ ny firenena roa ambin’ ny folo amin’ ny Zanak’ Isiraely... Ary ny
vavahady roa ambin’ ny folo dia pèrila roa ambin’ ny folo, pèrila iray avy ny
isam-bavahady; ary ny làlambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra
manganohano. Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra,
dia ny Tsitoha, sy ny Zanak’ ondry no tempoliny. Ary ny tanana tsy mba mila ny
masoandro na' ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’ Andriamanitra
no nanazava azy, ary ny Zanak’ondry no fanazavana azy»26
23) Matio 25 : 34, 21 24) Apok.14 : 4 25) Apok. 14 : 2 - 5
26) Apok. 21 : 2, 11, 12, 21, 22
524
«Ary izy naneho ahy onin’ ny ranon’aina, manganohano tahaka ny vato
krystaly, nivoaka avy teo amin’ ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’
ondry teo afovoan’ ny làlambeny, ary teo andaniny roa amin’ ny ony nisy hazon’
aina mamoa voa roa ambin’ ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny
ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro »27.
«Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ ny
hazon’ aina sy hidirany amin’ ny vavahady ho ao an-tanàna»28.
«Ary nahare feo mahery avy teo amin’ ny seza fiandrianana aho nanao hoe:
Indro, ny tabernakelin’ Andriamanitra
dia eo amin’ ny olona
Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony,
ary Andriamanitra hitoetra eo aminy,
dia ho Andriamaniny»29

27) Apok. 22 : 3 – 5 28)Apok. 22 : 1, 2, 14 29) Apok. 21 : 3

525
58

Ny fiangonana
mandresy

Efa taonjato sivy ambiny folo mahery izao no lasa hatramin’ny


nitsaharan’ny apostoly tamin’ny asany; kanefa kosa ny tantaran’ ny fijaliany sy
ny fandavan-tena nananany dia mitoetra ho fananana sarobidy indrindra ho an’ny
fiangonana. Avy tamin’ny tsindrimandrin’ny Fanahy Masina no nanoratana izany
tantara izany, mba hamporisika ny Kristiana amin’ ny vanim-potoana rehetra
hampiseho zotom-po miredareda hatrany, sy fanoloran-tena lehibebe kokoa ho
amin’ ny asan’ ny Mpamonjy.
Notontosain’ ny mpianatra tanteraka ny adidy natolotr’i Kristy azy; ka raha
nampiely ny vaovao mahafalin’ ny famonjena izy, dia namirapiratra teo amin’ ny
olona nihoatra lavitra noho ny teo aloha ny voninahitr’Andriamanitra. Noho ny
fanampian’ny Fanahy Masina no nahazoany nanatontosa ny asa izay nampi-
hozongozona an’izao tontolo izao. Tao anatin’ ny taranaka iray monja dia voatory
tany amin’ ny firenena rehetra ny filazantsara.
Endrey ny hakanton’ ny vokatra azon’ny apostoly! Raha vao nanomboka
ny asany izy ireo, dia nisy sasany taminy tsy nanana fiofanana ara-tsaina akory;
kanefa noho ny fanoloran-tenany tanteraka ho amin’ ny asan’ ny Tompo, sy noho
ny fampianarana voarainy, dia nahazo fiofanana mendrika ny asa ambony
natolotra azy izy.
Ny fahasoavana sy ny fahamarinana no fanoitra mandrakariva nanainga
azy hiasa. Voafina tao amin’ i Kristy tany amin’ Andria-

527
manitra ny fiainany, ka na ny tenany aza nohadinoiny, satria difotra tanteraka tao
amin’ ny onja lalin’ny fitiavana mandrakizay izy.
Olona niteny nivavaka tamim-pahatsoram-po ny mpianatra, lehilahy
notohanan’ ny herin’ ny Isîraely. Teo anilan’Andriamanitra akaiky dia akaiky no
nitoerany, ka nifamatotra tamin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra ny
voninahitry ny tenany. Jéhovah no Andriamaniny; ny hajan’Andriamanitra no
hajan’ ireo mpianany koa; ary ny fahamarinan’Andriamanitra no fahamarinany
koa. Toy ny ratra nampandeha ra ny fanahiny ny famelezana rehetra natao tamin’
ny filazantsara, nefa nitolona tamin’ ny heriny rehetra ireo ho fampandresena ny
asan’ i Kristy. Afaka nitory ny Teny fiainana izy, satria efa nandray hosotra avy
tany an-danitra. Nanam-po vokatra betsaka izy, ka noho izany dia sahy nanao asa
betsaka.
Niseho taminy Kristy, ary ny mason’ ireo kosa nibanjina Azy mba haha-
lalany ny lalana tokony halehany. Arakaraka ny faha-tanterahan’ ny fanahafany
ny sitrapon’ny Tompo no nahatakarany koa ny hevitry ny fahamarinana, sy
nitomhoan’ny heriny hisetra fankahalana. Ny amin’i Jesosy, fahendrena sy
herin’Andriamanitra, no fototry ny fampianarany rehetra. Nanandratra ny
anarany izy, dia ilay anarana hany natolotra ny olona ho famonjena azy. Ka raha
nitory ny fahafenoan’ i Kristy, ilay Mpamonjy nohomboana izy, dia nanohina ny
fo ny teny notoriny, ka maro ny lehilahy sy ny vehivavy voataonan’ ny
filazantsara. Nisy vahoaka maro, izay nanevateva ny anaran’ ny Mpamonjy teo
aloha, sady naniratsira ny heriny, no nilahatra teo ambany fanevan’ i Kristy
voahombo izao.
Tsy tamin’ ny herin’ ny mpianatra no nahatanterahany ny asa nanirahana
azy, fa tamin’ ny herin’ Andriamanitra velona. Tsy mora ny asany. Mazàna
niharan’ ny fitsapana mafy ny Kristiana voalohany. Voatery niady lalandava tao
anatin’ ny fihafiana, sy ny fialonana ary ny fanenjehana izy; nefa tsy nahoany ny
ainy; fa vao mainka niravoravo aza izy rsiha navela hanana anjara tamin’ ny
fijalian’ i Kristy. Tsy mba hita teo amin’ ny asany, na ny tsy fahatapahan-kevitra,
na ny fiahotrahorana, na ny fisalasalana. Ny hany faniriany dia ny hanolo-tena
mba hanompo. Ny fahatsapany ny andraikiny, izay nambabo azy tanteraka, no
nampanan-karena sy nanadio ny fiainany; hany ka hita taratra teo amin’ ny
fandresena azony ho an’ i Kristy ny fahasoavan’ ny lanitra. Niasa
528
tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra mba hampandresena ny filazantsara. Teo
ambonin’ny fototra naorin’i Kristy no nandrafetany ny fiangonana. Aseho
mandrakariva ao amin’ny Soratra Masina ny endriky ny fanorenana ny tempoly,
satria sary mampiseho ny fanabeazana ny fiangonana izany. Ny amin’i Kristy no
tian’i Zakaria hambara raha nilaza ny amin’ny Rantsana izay hanorina ny
tempolin’ny Israely izy. Lazainy ko any ny amin’ireo jentilisa hanampy, dia ireo
“izay lavitra, nefa ho avy hiasa ho fanorenana ny tempolin’i Jehovah.” Ary hoy
koa Isaia: “Ny hafa firenenana no hananganana ny mandanao.1”
Izao no nosoratan i Petera ny, amin’ny fanorenana ny tempoly; «Izay
hatoninareo toy ny vato velona, nolavin’ny olona fa voafidin’Andriamanitra sady
soa, ka dia atsangana koa hianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho
fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan'i
Jesosy Kristy»2.
Niasa teo amin'ny fihadiam-baton’ny Jiosy ny jentilisa sy ny apostoly mba
hitrandraka ny vato narafiny teo ambonin'ny fanorenana. Hoy i Paoly tao amin'ny
epistily nosoratany ho an’ny mpino tany Efesosy: «Koa dia tsy mba vahiny sy
mpivahiny intsony ianareo fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona
masina sady ankohonan’Andriamanitra, natsangana teo ambonin’ny
fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro
indrindra; ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho
tempoly masina ao amin'ny Tompo. Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo
ho fonenan’Andriamanitra amin’ny fanahy»3. Toy izao indray no nosoratany ho
an’ny Korintiana: «Araka ny fahasoavan’Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny
fanaon'ny mpita-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa
mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo
amboniny. Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia
Jesosy Kristy. Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara,
na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ny fanorenana, dia haseho avokoa ny
asan'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’ny afo
izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin'ny afo ny asan’ny olona rehetra»4.
1) Zakaria 6 : 11, 15 ; Isaia 60 : 10 2) 1 Petera 2 : 4, 5
3) Efesiana 2 : 19 – 22 4) 1 Kor. 3 : 10 – 13
34 - Vavolombelona Mahery
529
Nanorina teo ambonin'ny fototra mafy sy teo amin’ ny vatolampy
mandrakizay ny apostoly. Vato norombahina teo amin’izao tontolo izao no
narafiny teo. Tsy mora akory ny asan' ny mpandrafitra; fa nihasarotra indrindra
izany noho ny fanoheran'ny fahavalon’i Kristy. Tsy maintsy niady tamin' ny
fizahozahoana sy ny fankahalan’ny olona izay nanao fanorenana teo amin' ny
fototra sandoka izy. Maro amin’ ireo niara-niasa taminy teo amin’ny fanorenana
ny fiangonana no azo nampitahaina tamin’ny mpanorina ny mandan’ i Jerosalema
tamin’ ny andron’ i Nehemia izay nanjbara hoe: «Dia nanao ny asa izahay, ary
ny antsasany kosa nitan-defona hatramin’ny mazava ratsy »3.
Samy nitady handrava ny tempolin’i Jéhovah, na mpanjaka, na governora
na mpisorona, na filoha hafa. Nefa notohizan’ ny mpanompo mahatoky ihany ny
asa satria tsy natahorany na ny tranomaizina, na ny fampijaliana na ny
fahafatesana. ka indro nitombo ny rafitra sady nirindra tsara no nifanentana tokoa.
Indraindray jambenan' ny zavon’ ny finoanoam-poana izay nitombo betsaka teo
amin’ ny manodidina azy ireo mpanompon’ Andriamanitra. Indraindray toa efa
mila hidaroboka mihitsy izy noho ny herisetran’ ny fahavalo… kanefa dia mbola
notohizany tamin'ny finoana tsy azo nohozongozonina sy ny herim-po voasedra
ihany ny asany.
Indreny fa nifandimby voazeran’ ny fahavalo ireo mpandrafitra mahay
indrindra. Notoraham-bato i Stefana. novonoina tamin' ny sabatra i Jakoba.
notapahin-doha i Paoly. nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana i Petera. nalao
sesitany i Jaona. Nefa mbola nihalehibe ihany ny fiangonana. Nisy mpiasa maro
nandimby toerana ireny, ka nametraka vato nitombo isa hatrany hatrany. Toy
izany no niorenan’ ny fiangonan’ i Kristy tsimoramora.
Nisy fanenjehana mafy nanoherana ny fiorenan' ny fiangonana Kristiana
nandritra ny taonjato maro taorian’ izany. kanefa nisy kosa olona nihevitra
mandrakariva fa ny fanorenana ny tempolin’ Andriamanitra dia sarobidy noho ny
ain’ olombelona aza. Toy izao no voalaza ny amin’ ireny: «Ary ny sasany niaritra
fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy trano-maizina koa; notoraham-bato
izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ ny sabatra. Dia nirenireny
nitafy hoditr’ ondry sy hoditr’ osy; efa lao, ory, fadira-
5) Nehemia 4 : 15)
530
novana, (nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory); dia nirenireny
tany an-efitra sy tany an-tendrombohitra sy tany an-johy aty tao an-dava-tany
izy»6
Nampiasa ny heriny rehetra ilay fahavalon ny fahamarinana mba
hisakanana ny asan’ireo mpanorina ny tempolin’ ny Tompo. Nefa tsy nitsahatra
naneho ny heriny Andriamanitra.7 Nisy mpanompo mahay nijoro hiaro ny
finoana, izay natolotra indray mandeha monja no an’ny olona masina. Voarakitra
ao amin’ny tantara ny fahasahiana sy ny herimpon’ ireny olona ireny. Maro
no lavon-tsabatra, toy ny apostoly koa, nefa mbola nandroso ihany ny fanorenana
ny tempoly. Naringana ireny mpiasa ireny, nefa tsy nahasakana ny fandrosoan'
ny asa izany. Ireo Vaudois, Wiclef, Huss sy Jérôme, Lotera sy Zwingle, Granmer,
Latimer sy Knox, ireo Huguenots. Jean sy Charles Wesley. ary ny vahoaka maro
hafa koa dia samy nitondra ny anjara-vatony izay haharitra mandrakizay. Ary
tamin’ ireo taona nanaraka ihany dia nisy koa niezaka hampiely ny
Tenin’Andriainanitra eny avy tany amin’ ny tany jentilisa aza, izay namboatra
lalana hitoriana ny hafatra lehibe farany. Niara-niasa koa ireny mba hanafaingana
ny fanurenana ny tempoly fanahy.
Hatramin’ ny andron' ny apostoly, dia tsy nitsahatra nitombo ny fanorenana
ny tempolin’ Andriamanitra. Raha mitodika ny lasa isika dia hahatsiaro ireo vato
velona nampidirina tao amin’ ny rafitry ny tempoly izay toy ny tara-pahazavana
namirapiratra teo afovoan’ny haizina sy ny finoanoam-poana. Mandritra ny
mandrakizay no hamirapiratan’ ny vatosoa sarobidy ary hitombo hatrany hatrany
ny famirapiratany ho fankalazana ny herin’ ny fahamarinan’ Andriamanitra.
Habaribarin’ ny endrika ma-mirapiratra eo aminy ny faha-samihafana misy amin’
ny fahazavana sy ny haizina, ny mahasamihafa ny volamenan’ ny fahamarinana
sy ny taindrendriky ny fahadisoan-kevitra.
Samy nandray anjara tamin’ ny fanorenana ny tempoly na i Paoly, na ny
apostoly hafa koa; toy izany koa ireo olo-marina rehetra velona hatramin’ izay.
Mbola tsy vita anefa ny fanorenana io tempoiy io. Isika izay velona ankehitriny
dia manana anjara koa eo amin’ny famitana ny fanorenana azy. Aoka hoentintsika
ny anjara-vatontsika harafitra eo amin’ izay efa nataon’ ireo taloha. Tsy maintsy
hosedraina amin’ ny afo ireny, na volamena izy, na
6) Hebreo 11 : 36 - 38
7 ) Isaia 14 : 17
531
volafotsy, na vatosoa, izay voapaika tsara hampidirina ao amin’ny
lapan’andriana.8 Ho an'ireo izay manorina ho an’Andriamanitra toy izany no
nanomezan’i Paoly ireto teny fampitandremana sy fampaherezana ireto: «Raha
maharitra ny asan'ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia
izy. Raha ho levon’ny afo ny asan'ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany
kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy amin'ny afo ihany izy». Ny Kristiana mitory
ny Teny fiainana amim-pinoana, dia mitarika lehilahy sy vehivavy maro eo
amin’ny lalan'ny fahamasinana sy ny fiadanana, dia hitondra vato haharitra
mandrakizay, ary homem-boninahitra izy rehefa tonga any amin'ny fanjakan'ny
lanitra satria mpandrafitra hendry.
Toy izao no voasoratra ny amin'ny apostoly: «Fa izy ireo kosa dia lasa ka
nitory teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy, ka nanamarina ny
teny tamin'ny famantarana izay nomba azy»10. Toy ny nandefasan’i Kristy ny
mpianatra fahizay, dia toy izany koa no anirahany ny mambran'ny fiangonany
ankehitriny. Ny fahefana nananan'ireny mpianatra fahiny ireny no mbola omena
ny mambra ankehitriny koa. Raha raisiny ho heriny ny Tompo, dia homba azy
Izy, ka tsy hiasa foana izy ireo, ary ho hitany fa nandray ny tombon
kasen'Andriamanitra ny asa niantsorohany. Hoy Jéhovah tamin’i Jeremia: «Aza
manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao
hianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. Aza matahotra azy
ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jéhovah, dia naninjitra ny tanany
Jéhovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jéhovah tamiko: Indro, efa nataoko eo
am-bavanao ny teniko, ary indro Aho manendry anao izao andro anio izay hanam-
pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy
handrodana ary hanorina sy hamboly»11.
Notoloran'i Kristy asa masina ny fiangonana. Tokony ho fantsona hampita
amin'izao tontolo izao ny harem- pahasoavan’Andriamanitra ny mambra tsirairay
avy. Irin’ i Kristy fatratra ny hanana mpanompo haneho ny toetrany sy ny
fitiavany, satria ilain’izao tontolo izao loatra ny hahita ny fitiavan'ny Mpamonjy
hiseho eo aminy. Miandry fatratra ny lanitra manontolo mba hahita lehilahy sy
vehivavy azon'Andriamanitra ampiasaina haneho ny heriny.
9) 1 Kor. 3 : 14, 15 8) Salamo 144 : 12 11) Jeremia 1 : 7 - 10
10) Marka 16 : 20
532
Ny fiangonana no fitaovana ampiasain'Andriamanitra mba hitoriana ny
fahamarinana, satria hanao izany asa manokana izany no nanofanana azy. Koa
raha mahatoky izy, ka Mankato ny didy rehetra, dia hitoetra ao aminy ny
hatsaran'ny fahasoavan' Andriamanitra. Raha manome voninahitra ny Tompo izy,
dia tsy hisy hery hahatohitra azy.
Ny fahazotoana ho an’Andriamanitra sy ho an’ny asany no nanosika, ny
mpianatra hanambara tamin-kery ny filazantsara. Moa ve ny zotom-po toy izany
tsy tokony mba hanosika antsika koa mba ho tapa-kevitra hampahafantatra ny
tantaran'ny fitiavan'i Kristy voahombo? Tombontsoa ho an'ny Kristiana tsirairay
avy, tsy ny hanantena ihany, fa ny hampahafaingana ny fiverenan'ny Mpamonjy
koa.
Rahatian’ny fiangonana ny hitafy ny akanjom-pahamarinan'i Kristy, ka
hisaraka tanteraka amin'izao tontolo izao, dia hamirapiratra eo anoloany ny andro
miposaka mamirapiratra sady be voninahitra. Maharitra mandrakizay ny teny
fikasana nataon’Andriamanitra ho azy. Tiany ny hahatonga azy ho tanteraka ho
mandrakizay sy ho loharanom-pifaliana ho an'ny taranaka maro mifandimby.
Tsy maintsy handresy ny fahamarinana na dia maro aza ny maniratsira sy mandà
azy. Ary na toa voasem-bantsem-bana aza ny fandrosoany indraindray, dia tsy
mbola niato na oviana na oviana izany. Rehefa misetra fanoherana ny hafatry ny
filazantsara, dia toloran'ny Tompo fanampin-kery izy mba hahazoany miasa bebe
kokoa. Amin'ny alalan’izany herin’Andriamanitra izany no handrodanany ny
manda mafy indrindra sy handreseny ny zava-misakana rehetra.
Ny fikirizan’ny Zanak'Andriamanitra hamonjy fanahy no nanohantohana Azy
nandritra ny asa mafy sy ny fandavan-tena nataony. «Noho ny fisasaran'ny
fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po». Nanopy ny masony tany amin'ny
mandrakizay Izy, dia indro tazany mialoha sahady ny fahasambaran'ireo mandray
famelan-keloka sy fiainana mandrakizay noho ny nanetren'i Kristy ny tenany.
Toa reny sahady ny olom-boafidy nihira ny fihiran'i Mosesy sy ny
Zanak’ondry.
Azontsika atao ny miatrika sy mahita amin’ny masom-pinoana ny ho avy
sy ny fahasambaran'ny lanitra. Omen’ny fahitana

533
voarakitra ao amin’ny Baiboly ho antsika ny santatry ny voninahitra ho avy.
Sarobidy amin' ny fiangonana tokoa ireny fanehoana mialoha ny zavatra ho avy
ireny izay nosoratan’ ny tanan' Andriamanitra mihitsy. Amin’ ny alalan’ ny
finoana no ahazoantsika mijoro eo amin’ ny tokonam-baravaran ny tanàna
masina, ary handre sahady ny fandraisana feno fandresena tehirizina ho an izay
nanantena an’ i Kristy tamin’ izao fiainana izao, ary nihevitra ny fiaraha-
mitondra fahoriana Aminy ho toy ny voninahitra.
Raha mbola re izao teny izao hoe: «Avia hianareo izay notahin’ ny Raiko»,
dia indreo ny voavotra fa mainetraka ny satroboninahiny eo an-tongotry ny
Mpanavotra, ka mihiaka hoe: «Ny Zanak’ ondry Izay novonoina, dia miendrika
handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary
saotra ... Ho an’ Ilay mipe-traka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy ho an’ ny
Zanak’ ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana
mandrakizay mandrakizay.12
Amin’ izay fotoana izay dia hiarahaba amim-pihobiana fatratra an’ ireo
izay nitaona azy ho eo amin’ ny Mpamonjy ny olom-boafidy, ka hiara-miredona
hanao hira fiderana an’ Ilay maty mba hahazoan’ ny olona fiainana tsy mety maty
inlsony toy ny an’ Andriamanitra.
Mifarana hatreo ilay ady goavana. Tapitra ny fahoriana sy ny ady rehetra.
Manakoako eran’ ny lanitra ny hiram-pandresena rehefa manandratra ny feony
hanao izao hiram-piravoravoana izao ny voavotra: «Voninahitra anie ho an’ ny
Zanak’ ondry izay efa novonoina, nefa velona indray, voninahitra ho an’ Ilay
mpandresy mahery ».
«Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo
isaina avy tamin’ ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny
samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’
ny Zanak’ ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-
tànany, dia niantso tamin’ ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie
ho an’ Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, sy ho
an’ny Zanak’ondry »13.
12) Apok. 5 : 12, 13 13) Apok. 7 : 9, 10

534
Ny fiangonana no fitaovana ampiasain’Andriamanitra mba hitoriana ny
fahamarinana, satria hanao izany asa manokana izany no nanofanana azy. Koa
raha mahatoky izy, ka Mankato ny didy rehetra, dia hitoetra ao aminy ny
hatsaran'ny fahasoavan’ Andriamanitra. Raha manome voninahitra ny Tompo
izy, dia tsy hisy hery hahatohitra azy.
Ny fahazotoana ho an’Andriamanitra sy ho an’ny asany no nanosika, ny
mpianatra hanambara tamin-kery ny filazantsara. Moa ve ny zotom-po toy izany
tsy tokony mba hanosika antsika koa mba ho tapa-kevitra hampahafantatra ny
tantaran’ny fitiavan'i Kristy voahombo? Tombontsoa ho an’ny Kristiana tsirairay
avy, tsy ny hanantena ihany, fa ny hampahafaingana ny fiverenan’ ny Mpamonjy
koa.
Rahatian'ny fiangonana ny hitafy ny akanjom-pahamarinan'i Kristy, ka
hisaraka tanteraka amin'izao tontolo izao, dia hamirapiratra eo anoloany ny andro
miposaka mamirapiratra sady be voninahitra. Maharitra mandrakizay ny teny
fikasana nataon'Andriamanitra ho azy. Tiany ny hahatonga azy ho tanteraka ho
mandrakizay sy ho loharanom-pifaliana ho an’ny taranaka maro mifandimby.

535
Nadika avy tamin'ilay boky anglisy mitondra ny
lohateny hoe,
THE ACTS OF THE APOSTLES.

Toko : 1 - 12 : Nadikan-dRamatoa Rasamoely


Emilienne
13 - 58 : Nadikan’Andriamatoa Rabarijoël
Jérôme

536
1 FIZAHAN-TAKELAKA
Toko Pejy
Sasin-teny -------------------------------------------------------------5
1 Ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny fiangonany-----------------11
2 Ny fanomanana azy roa ambin'ny folo lahy---------------------17
3 Ilay iraka lehibe-----------------------------------------------------25
4 Ny Pentekosta-------------------------------------------------------33
5 Ny fanomezan'ny Fanahy -----------------------------------------43
6 Teo amin'ny vavahadin'ny tempoly------------------------------53
7 Fampitandremana amin'ny fihatsaram-belatsihy---------------65
8 Teo anatrehan'ny Synedriona ------------------------------------71
9 Ny diakona fito ----------------------------------------------------79
10 Ilay maritiora voalohany----------------------------------------87
11 Ny filazantsara tany Samaria ----------------------------------93
12 Mpanenjika nanjary mpianatra--------------------------------101
13 Andro fiomanana -----------------------------------------------111
14 Mpikatsaka ny fahamarinana----------------------------------117
15 Afaka avy tao an-tranomaizina--------------------------------127
16 Ny hafatry ny Filazantsara tany Antiokia--------------------137
17 Mpitondra hafatry ny Filazantsara----------------------------147
18 Nitory teo amin'ny Jentitisa -----------------------------------157
19 Jiosy sy Jentilisa ------------------------------------------------167
20 Manandratra ny hazo fijaliana --------------------------------179
21 Any amin'ireo faritra lavitra -----------------------------------187
22 Tesalonika--------------------------------------------------------195
2 FIZAHAN-TAKELAKA
23 Beria sy Atena ---------------------------------------------------203
24 Korinto------------------------------------------------------------213
25 Ireo taratasy ho an'ny Tesaloniana----------------------------223
26 Apolosy tany Korinto-------------------------------------------235
27 Tany Efesosy-----------------------------------------------------245
28 Tolona narahin'ny fizahan-toetra------------------------------255
29 Fananarana sy toro hevitra-------------------------------------261
30 Antsoina hanatratra tanjona ambony lavitra-----------------271
31 Noraisina tamim-pankasitrahana ny hafatra-----------------283
32 Fiangonana malala-tanana-------------------------------------293
33 Miasa ao anatin'ny fotoan-tsarotra----------------------------303
34 Asa feno fanoioran-tena----------------------------------------315
35 Ny famonjena ho an'ny Jiosy----------------------------------327
36 Ny fihemorana tany Galatia -----------------------------------335
37 Ny dia farany nataon'i Paoly tany Jerosalema --------------341
38 Nofatorana i Paoly----------------------------------------------349
39 Ny fitsarana tany Kaisaria-------------------------------------365
40 Nangataka hotsaraina teo anatrehan'i Kaisara i Paoly-----373
41 Ataonao ve fa mora toy izany no ampanekenao ahy?-----377
42 Ny dia nankany Roma sy ny faharendrehan'ny sambo----383
43 Tonga tany Roma i. Paoly ------------------------------------389
44 Ny ankohonan'i Kaisara ---------------------------------------401
45 Epistily avy tany Roma----------------------------------------409
46 Nafahana tamin'ny fatorana i Paoly--------------------------423
47 Ny nisamborana indray an'i Paoly----------------------------427
3 FIZAHAN-TAKELAKA
48 Paoly teo anatrehan'i Néron -----------------------------------431
49 Ny Epistily farany nosoratan'i Paoly-------------------------437
50 Nohelohina ho faty---------------------------------------------447
51 Mpiandry mahatoky--------------------------------------------453
52 Mijoro hatramin'ny farany------------------------------------465
53 Jaona, ilay mpianatra malala ---------------------------------475
54 Vavolombelona mahatoky------------------------------------483
55 Voaovan’ny fahasoavana-------------------------------------493
56 Nosy Patmo-----------------------------------------------------503
57 Ny Apokalypsy-------------------------------------------------513
58 Ny fiangonana mandresy--------------------------------------527
Natonta tamin'ny volana Oktobra
1992 tamin'ny milina Offset
Trano fanontam-printy Advantista
Soamanandrariny - Antananarivo
Isan'ny natonta: 2.000
Voatolotra ara-dalana Oktobra 1992
laharana 238

You might also like