You are on page 1of 3

ILY

 MPANJONO  NANA-­‐KARENNA  (hoaodina  ho  horonam-­‐peo  3mn)  


Angano  avy  any  amin’ny  faritra  Avaratra  andrefan’i  Madagasikara  
 
Feon-­‐kira,  rivodrivotra  sy  onjan-­‐dranomasina  
Indray  andro  hono  ,  rankizy  ,  araka  ny  angano  sakalava  avy  ao  ami’ny  faritanin’i  
Mahajanga,  dia  nisy  lehilahy  iray  mahantra.  Manjono  sy  mamitana  izy  mba  hamelomany  
ny  vady  aman-­‐janany.  Haranjono  iray  sy  lakana  iray  no  mba  fananany  amin’izany.  
Vao  maneno  ny  sahona  dia  efa  eny  amoron-­‐dranomasina  izy  ary  tsy  mody  raha  tsy  alina.  
Tsy  fantany  anefa  fa  any  anaty  ranomasina  any  dia  misy  mponina  ka  ny  mpanjakany  
niteraka  anakiray.    
 
Feo  any  ambany  ranomasina  
Indray  andro  narary  io  zazavavy  kely  io  ary  nilaza  ny  ombiasy  fa  tsy  ho  sitrana  io  
zazavavy  kely  io  raha  tsy  mihinam-­‐bary.  Sarotra  no  ahitana  vary  atao  fanafody  ;  nanaiky  
anefa  ilay  mpiasan’ny  mpanjaka  hitady  ka  niakatra  an-­‐tanety  nanaraka  ny  moron-­‐
dranomasina.  
 
Feon-­‐kira  (gitara  arahina  dobok’aponga),  onjan-­‐dranomasina  
Balahazo  no  sakafon’ilay  mpanjono  ary  indraindray  ihany  vao  mba  mihinam-­‐bary,  izay  
izy  ihany  no  mahandro  azy.  Hitan’ilay  iraka  io  ka  nangatahany  dia  nomenilay  mpanjono  
azy  ny  ambim-­‐bary.  Nositranin’ilay  ombiasy  tamin’ireo  voambary  masaka  amin’izay  ilay  
zazavavy  kely  zanaky  ny  mpanjaka,  …efatra  andro  dia  sitrana.  
Faly  ny  mpanjaka  sy  ny  vahoakany,  avy  eo  namono  akoho  izy.  
Tapa-­‐tenda  ny  akoho  raha  vao  mifanena  amin’ny  hafalian’olombelona.  
Nanome  baiko  ny  mpanjaka  fa  hotolorana  valisoa  ilay  mpanjono.  
«  Aleo  omentsika  valisoa  izany  mpanjono  izany  fa  tena  tsara  ny  nataony  !»  
 
Feon-­‐kira  mifampitady  (action)  
Raha  vao  nandeha  ilay  iraka  tao  anaty  ranomasina  nahita  ny  toto  dia  nisambotra  avy  
hatrany.  Ilay  mpamintana  kosa  nisintona  satria  nihevitra  fa  hisy  trondro  vaventy  
hiakatra.  
Tafavoaka  nanaraka  ny  lelam-­‐pintana  ilay  iraka  sady  niteny  hoe  :  
«  Akory  valy  !  Hamaly  soa  anao  ny  mpanjaka.  Ireo  voambary  nomenao  ahy  dia  
nentiko  hitsaboana  ny  zanaky  ny  mpanjaka,  ka  amin’izao  fotoana  izao  dia  sitrana  
io  zazavavy  kely  io.  »  
Dia  gaga  sy  gina  ilay  mpanjono  
«  maninona  tsara  ???  »  
«  ..ndao  hoa  fa  mitady  anao  ny  mpanjaka!  »  
Nandà  aloha  ilay  mpamintana.  Nilaza  indray  ity  iraka  hoe  :    
«  Ataovy  izay  tsy  anomezan’ny  mpanjaka  drala  anao  fa  aleo  omeny  ny  fahaizana  
mamantatra  ny  feon’ny  zava-­‐manan’aina  rehetra  nataon’i  Zanahary  
ianao….Ndao  !!!»  
Ary  avy  hatrany  dia  nahohok’ilay  iraka  ny  lakana  ary  nosontoniny  tamin’ny  tanany  ka  
nentiny  tany  anaty  ranomasina  tamim-­‐pahakingàna  ilay  mpanjono.  
«  AHHHHHH  !!!!!  »  
…miampy  feona  mijoboka  anaty  rano  
 
Feo  any  ambany  ranomasina,  …milamina  tsara  
Vao  nahita  ity  mpamintana  ny  mpanjaka  dia  gaga  satria  mitovy  aminy  :  manana  maso  
roa,  sofina  roa,  orona  misy  lavaka  roa.  Ny  mampiavaka  kely  ny  olombelona  eto  an-­‐tany  
dia  izy  mijoro  mahitsy  ,  fa  ireo  mponina  anaty  ranomasina  kosa  somary  manjoko  sady  
mikivilivily  ny  tanany.  
 
Feona  farantsa  mikarantsana  
Notoloran’ny  mpanjaka  drala  maro  izy  nefa  nolaviny.  
«  Te  hiara-­‐monina  amin’ny  zavaboahary  mananaina  rehetra  sy  te  hahalala  ny  
teniny  ve  ianao  ?  »  
hoy  ny  mpanjaka.  
«  Eny  tompoko»    
hoy  ilay  mpanjono.  
Feo  majika  
Lasa  niverina  nankany  an-­‐tanànany  ity  mpamintana.  
 
***  
Feon-­‐drivodrivotra  malefaka  ambody  hazo  
Vizana  izy  dia  nitsotra  sady  natory  hiala  sasatra  teo  ambodimanga.  Tamin’izay  fotoana  
izay,  indreo  ireo  goaika  mpangala-­‐katsaka  fa  nifampiresaka.  
Mody  natory  Iabany  teo  ambodimanga  izay  ..efa  mahalala  ny  tenin’ireo  goaika  ,  hainy  ny  
resak’izy  ireo.  
Nanao  nierotra  izy  ka  nasehony  ny  nifiny.  Niteny  amin’izay  ny  goaika  iray  :    
«  Torimaso  re  izany  !!!  »  
 
Hoy  ny  goaika  faharoa  :    
«  Fantatro  fa  Antendrovolo  na  Olombelona  izay  tena  fetsy  indrindra  amin’ny  
Voahay  nataoni  Zanahary  io.  Aleo  hidinako  eo  amin’ny  kibony,  hokikisako  ny  
masony,..  hahahaha  »  
Arak’ilay  mpamintana  anefa  ny  fihaviny  ,  ka  avy  dia  nosamboriny  tampoka  ity  goaika  ka  
taitra  sy  natahotra  ,  ary  avy  dia  niteny  tamin’ilay  goaika  namany  :    
«  Fantatro  fa  tena  tia  vola  ny  olombelona  ka  hatoroko  azy  ireo  vola  miafina  anaty  
siny  tany  ao  am-­‐pototry  ny  hazo  madiro  ao  avara-­‐tanànany.  
 
Vao  henonity  mpamintana  izany,  nitsiky  izy  sady  nalefany  Ragoaika.    
«  …ialaaaaooooo  !!!!!  »  
 
Vao  maraina  be  ,  indro  ity  mpamintana…ho  any  Ambodimadiro  …ka  nahita  siny  tany  fito  
feno  vola  farantsa.  
Feona  farantsa  mikarantsana  
Naka  siny  telo  izy  dia  nomeny  ny  vadiny.  Tsara  vintana  izy  ary  nahatsiaro  sambatra  
nahazo  volabe  sady  nahay  ny  tenin’ny  zava-­‐mananaina  zataon’i  Zanahary.  
 
 
 
Angano,  angano  ,  arira,  arira  !  
Izaho  mpitantara,  ianareo  mpihaino  !  
 
 
Tantara  :  Marthe  Rasoa  
©ONG  Madagasikara  Namako  
 
 
 
 

You might also like