You are on page 1of 8

DOCUMENT 5S

Année 2014
Par RAMANANTSOA S. Doda
FOTO-KEVITRA 5S
Teny fanolorana :

1-Ny Tantarany

2-Tombon-tsoa azo avy amin ny fampiharana ny 5S .eo amin nysehatry ny Asa

3- Famaritana : Famantarana ny singa nandrafitra azy

4-Ny firotsahana an-tsehatra sy ny fampiharana :

Teny Fanolorana Amin ny izao vaninandron ny fandrosoana sy ny firehan ny rehetra hiaro ny ton-
tolo iainana , dia anisan ny tsy azo ihodivirana eo amin ny tontolon ny orinasa sy ny indostria ny 5s. Koa
ndeha ary ho fantarintsika amin ny ankapobeny ity fomba iray ity , dia ho ezahin-tsika ampiharina amin ny
tontolon ny Asa misy antsika .

I NY TANTARANY
Avy amin ny foto-kevitra sy kolotsaina Japoney entina hampivoatra eo amin ny fiainana an-
davan andro ny mpiasa tao amin ny Orinasa Toyota no niantombohan ny 5S. Ny filoha mpanorina ny

Toyota (S.TOYODA) no namoaka ilay Boky ESPRIT TOYOTA tena manazava sy mamaritra ity fomba fanao
ity . Ny 5S t@ izany dia nosokajiana toy ny method de nettoyage fotsiny ihany ,nefa rehefa nojerena ny
fototry ny olana miteraka ny loto sy ny tsy zavatra tsy nety rehetra dia HITA NY VAHAOLANA ; Nanomboka
teo no nametrahana fitsipika nifanarahan ny mpiasa ny hitandrovana ny fitaovana kirakirain ny mpiasa sy
ny toerana

Nahitam-pahombiazana sy nampiroborobo ny orinasa ny nampiharana izany ,satria nanjary nirindra sy ni-


lamina ary dia nitombo fatratra ny vokatra .

2- Ny TANJONA sy ny TOMBON-TSOA azo avy @ fampiharana ny 5S.


Ny TANJONA dia ny hiovan ny fomba fiasainana sy ny fomba fiasa: FAHADIOVANA SY FILAMINANA ary

Ho lasa fahazarana ny fomba fiasa manara-penitra

Miara mandray andraikitra ny tsirairay avy ( hitovy ny fijery sy ny fisainana)

-Ho mora ny fanatanterahana ny asa satria hahafinaritra ny Toeram-piasana

- Hihena ny fotoana lany amin ny fanatanterahana asa iray ary hihatsara ny vokatra

-Ho afa-po ny Mpanjifa satria mihatsara ny Kalitaon ny asa(demarche qualité)

- Hampihena ny Loza satria miha-malalaka ny toerana iasana sady milamina

Avy @ alalan ny 5S no ahazoana ny tanjona tiana hapetraka eo @ orin asa .( Sécurité ,Qualité, produc-
tivité,Coût ,ressources Humaines,Environnement)
3- FANAZAVANA sy FAMARITANA ny 5S( Ny singa mandrafitra azy):
Inona ary no mandrafitra azy io .? Hitantsika eo ambany ny Kisary sy ny tabilao manazava azy ankapobeny,
ary avy eo dia horaisina tsirairay hanazavana azy.

Japonais TraductionLittérale Traduction utile Traduction US MALAGASY


SEIRI Débarrasser Supprimer Sorting out Sivanina,avahana sy fanesora-
l inutile na ny tsy ilaina
SEITON Ranger Situer les Choses Systematique Fikilasiana sy fampirimana
arrangement
SEISO Nettoyage Scintiller Spic and Span Fanadiovana
SEIKETSU Stansardiser Standardiser Standardizing Fametrahana ny fitsipika irai-
sana
SHITSUKE Rigeur et ameliora- Suivi Self-discipline Fanajana ny fitsipika sy fana-
tion rahamaso , fampivoarana sy
fanatsarana
3-1 Ny Svoalohany ( Premier S )

SEIRI / débarrasser

Eto @ ity S voalohany ity dia ny fanadiovana sy ny fanalalahana ny toerana iasana no tan-
jona .
Manana fahazaran-dratsy isika ny hanangona , sy mitahiry zavatra eritreretin-tsika mety ho ilain-tsika , na
ny naman-tsika, hany ka miteraka korontana sy tsy filaminana izy ireny .

Ezahina atomboka @ faritra kelikely ny asa anavahana sy fanasivanina : Iarahana @ ireo olona niavian ny
entana ahafahana manavaka ny ilaina sy ny tsy ilaina

Ny zavatra ilaina (Fampiasa isan andro): Ampirimina @ tokony hitoerany

Ny zavatra tsy dia miasa firy ( isan-kerinandro / isam-bolana ohatra ) : Tehirizina @ magazay ary asiana
Etiquette ( Tokony ho kilasiana araka ny filana azy).

Ny Zavatra tsy ilaina (Simba na tsy mety ampiasaina intsony) : Ariana

Ny zavatra mampisalasala : Atao amin ny toerana iray ary asiana famantarana (ETIQUETTE JAUNE), ary misy
ny fanazavana sy ny antony (olana ) ; ., apetraka @ toerana vofaritra ( ZONE JAUNE )

FAMINTINANA:

Fitaovana tena ilaina AMPIRIMINA

Fitaovana tsy ampiasaina intsony ARIANA

Fitaovana mampisalasala ETIQUETTE JAUNE

Zone JAUNE

Zone JAUNE ( entreposage temporaire ): Toerana ametrahana ireo entana mbola iandrasana vahaolana

Etiquette JAUNE : Midika ho fisiana olana ara-pandaminana (Problème d organisation) mandritra ny hetsika
fanavahana .

Tokony ho hita eo @ etiquette jaune : DATY , N° , Anaran ilay zavatra(Objet) ary ny olana misy
3-2 Ny «S» FAHAROA (Deuxième S)

SEITON/ RANGER
Rehefa avy navahana ary ireo fitaovana ilaina ALAMINA (Arranger pour situer) ; Io dia fomba iray mba tsy
handaniana fotoana be loatra eo @ fikarohana ny fitaovana na ny zavatra ilaina .

Ny tsotra indrindra dia ny fanakilasiana ny fitaovana araka ny fampiasana sy ny filana azy matetika ( fré-
quence d utilisation) :Isaky ny ora iray, isan andro, isan-kerinandro,isam-bolana : Izay zavatra ilaina mateti-
ka dia omen any toerana akiky sy mora raisina , ny zavatra tsy dia miasa firy ( indray mandeha isam-bolana
ohatra) dia somary atao anatiny na ambony ary asiana famantarana foana.

Ny Tanjona : UNE PLACE POUR CHAQUE CHOSE ET CHAQUE CHOSE A SA PLACE

FANAMARIHANA : Eo ampanatanterahina ny fandaminana dia ilaina foana ny fijerena ny SECURITE

(Ny Zava- maranitra, n any zavatra mavesatra dia tsy azo atao @toerana ambony . Ny foto-kevitra eto@ S
faharoa ity dia fitandrovana ny santé/sécurité)

Ohatra iray ahitantsika mivantana ny rangement (30s ihany dia azo ny zavatra ilaina)

3-3 Ny S Fahatelo (Troisième S):

SEISO/ NETTOYER
Ny fanadiovana sy ny fahadiovana dia tokony atao fahazarana : Raha madio ny toerana iasanao dia ho mo-
ra aminao ny mahatsikaritra ny zavatra tsy mety manodidina anao .Noho izany ezahina hatrany ny mitan-
dro ny manodidina hadio ( Raha misy loto napetrakao nandritra ny niasanao t@ toerana iray dia diovy toa
izay alohan ny ialana teo ).

Eto dia tsy tsy misy afa-tsy ny FAMETRAHANA HO BAIKOM-PITOLOMANA ny FANAJANA NY FAHADIOVANA
no mety ahitana ny fahombiazana . Noho izany , apetraka ny plan de nettoyage ;

Mila fantarina ary fongorina ny fototry ny loto rehetra .

Ohatra iray @fandaminana sy fanadiovana


3-4 Ny S Fahaefatra (Quatrième S)

SEIKETSU/ STANDARDISER
Ny FAMETRAHANA NY FITSIPIKA IRAISANA dia ho fanatanterahana ireo S telo voatanisa teo aloha
.Matetika moa ny fampiharana azy ity dia ny tery avy @ lehibe ( Contrainte hiérarchique). Ny tena tsara
indrindra dia ny fandraisan ny rehetra anjara @ fametrahana izay fitsipika iraisana izay ka hanamora ny
fampivoarana .

Ny Sheiketsu dia manamora ny fahazoana ny zava-misy sy fomba fiasa (Procédure) eo @ poste iray sy ny
manodidina azy , @alalan ny zavatra hita maso sy voasoratra ( Ny fametahana Affichage Ohatra .)

3-5 Ny S Fahadimy ( Cinquième S)

SHITSUKE/ RIGUEUR ET AMELIORATION


Farany dia ny Fampiharana ,fanajana sy ny fanaraha-maso ary ny fanatsarana sy fampivoarana ireo lamina
napetraka t@ S efatra teo aloha no apetraka . Mila arahimaso matetika ny fampiharana ireo fitsipika , am-
pahatsiahivina matetika , ary ahitsy sy hatsaraina izay hita fa tsy nahomby . Rehefa tafapetraka tsar any 5S
dia mila atao fahazarana sy hiainana isan andro ,

SORATANA IZAY TOKONY


ATAO : DOCUMENTS , PROCE-
DURES .

ATAO IZAY VOASORATRA


REHE-
TRA:Enregistrement, Re-

HATSARAINA IZAY
TSY METY REHETRA
Amin ny Alalan ny AUDIT izay atao matetika no fomba Tsara hanaraha-maso ny asa natao t@ fampiharana

Tokony hivoatra sy handroso hatrany ny 5S, manaraka ny FOMBA PDCA (Plan-Do-Check-Action) :


P : Plan PLANIFIER Mametraka sy mamaritra ny tanjona hotratrarina

Asa azo tanterahina

Fomba enti-manatanteraka sy ny mety ilaina (Ressources )

Faminavinana ny mety ho loza mety hitranga (Risque)

D : Do Faire Fanatanterahina ny asa rehefa vory avokoa ny ho enti-manana

C : Check Contrôler Fanarahamaso ny asa vita (Mifanaraka tsara t@ tanjona napetraka ve?)

A : Act Action corrective Fanatsarana ,fampivoarana ary fanitsiana raha nisy tsy nety na tsy

nifanaraka t@ tanjona napetraka tany am-piandohana

Fanamarihana: Tsy azo adinoina ny mametraka ny daty nanaovana ny asa .

FAMPIHARANA :

Ny fanatanterahana ny 5S dia mila fandaminana matotra .

Fisian ny tompon Andraikitra ( Coordonateur)

Ilaina ny fahaizana miserasera sy ny fihainoana ny hevitry ny hafa ( Communication , écoute )

Ny fananana nofinofy sy ny tanjona itovizana ( Vision,objectifs )

Tohana ara-pahalalana (Formation )

Mizara ho ekipa maromaro ary asiana mpitarika matotra izay mahafehy tsar any Ekipa tarihiny .

Zaraina toa izany ihany koa ny toerana , ary atomboka @ toerana kelikely araka ny voalaza tery ambony

( Jereo ny 3.1 ) . Izany hoe ny atao ety dia ny fandraisan ny daholobe ao anaty ekipa ny andraikiny avy

(Implication personnelle au sein de l organisation) .

Ny AUDIT dia atao matetika ary asiana tabilao ho hitan ny be sy ny maro ho fampitahana , ahafana man-
drefy ny dingana vita (Jereo ny Tabilao 1 ery ambany )
Tabilao 1

TABLEAU D ACTIVITE 5S

Le coordonateur : -Mr X AUDIT DU : .. MEMENTO D AMELIORATION

L Equipe : -Equipe 1
DIAGRAMME RADAR E1 : Plan A
-Equipe 2

- Equipe 3

Vision , Mission , ..autres ?


PROCHAIN AUDIT: STANDARD DE L EQUIPE :

- Equipe 1
- Equipe 2
LISTE ( Attente Décision) - Equipe 3
PHOTO

PROGRAMME DE NETTOYAGE

R
ROOU
UGGEE JJAAU
UNNEE
AVANT APRES

You might also like