You are on page 1of 13

Faly RAVOAHANGY

👉TSY KETRAKA IZAHAY!👈

Eo amin'ny and.16, dia namerina ny zavatra nolazainy tamin'ny fanombohan'ny toko i Paoly. Ka
ambarany eto ny antony mahatonga azy hanompo an'Andriamanitra na dia eo aza ny fahalemeny sy ny
sedra maro amin’ny asa fanompoana.

Manome fampitahiana 3 mamintina ny fomba fiainany izy ka mametraka ho antsika laharam-


pahamehana 3 izay tokony hananan’ny mpino an’I Jesosy Kristy Tompo:

👉 Mila mametraka ny ara-panahy alohan'ny ara-batana isika. Isika dia "vilany tany". Ny
vatan'olombelona dia mora azon’ny aretina, mora reraka ary miha simba. Samy hiatrika ny fahafatesana
isika rehetra. Mizotra amin'ny fahanterana isika koa miatrika zava-tsarotra noho izany (Mpitoriteny 12:
1-3). Mety miatrika fanenjehana ihany koa isika, mety matahotra, sahirana amin’ny fifandraisana
amin’ny hafa, misy namana mamitaka, sns.

Ny fiainantsika ara-batana dia miha ringana.

Mifanohitra amin'izany kosa ny ao anaty hoy i Paoly. Nohavaozina isan'andro izy. Sarotra ny fiainan’i
Paoly, kanefa izy natanjaka sy nanana firehetam-po isan'andro. Niandry ny fotoana hahazoany vatana
vaovao amin'ny fitsanganana amin'ny maty, ka nahazo fampiononana sy fifaliana tamin'ny fanavaozana
ny ao anatiny nohon’ny fiasan’ny Fanahy Masina izy (Efe. 3:16). Ny ao anaty no tena maha izy azy
antsika. Io no atao hoe fo, na fanahy; io no ampahany amintsika izay hiaina mandrakizay. io no
ampahany amintsika izay nohavaozina sy izay onenan'ny Fanahy Masina. Ny Baiboly dia miantso azy io
ho "toetra vaovao" (Efe. 4:24). I Paoly dia nahavita niaritra na inona na inona amin’ny ara-batana, satria
izy dia nanahy kokoa ny ara-panahiny.

➡ Mety ho tanora sy matanjaka ara-batana isika, kanefa raha tsy matanjaka ny ara-panahy, dia tsy afaka
ampiasain’Andriamanitra isika. Tsy mitady izay miseho azy ho manam-pahaizana na mahery ny Tompo,
fa ireo izay mahatsapa ny tsy fahaizany ary miankina amin'ny heriny (Fit. 3: 21-24; Isa 40: 28-31).

🤜 Ary hizaha toetra ny fiainantsika ara-batana Andriamanitra indraindray mba hitomboan’ny hery ara-
panahintsika. Ny fahoriana dia mifandray mivantana amin'ny fitomboana ara-panahy. Raha izany ny
fijerinao ny fahoriana, dia tsy ho kivy na ho ketraka ianao na oviana na oviana.

👉 Mila mametraka ny ho avy alohan'ny ankehitriny isika. Na dia tsy dia kely aza ny fitsapana
nandalovan'i Paoly (2 Kor. 4: 8-12; 6: 4-10; 11: 23-33), raha ampitahainy amin'ny voninahitra
mandrakizay izay ho azy indray andro any, dia hitany ho malefaka sy mandalo. Hoy ny Salamo 30: 5b hoe
"amin’ ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; fa nony maraina kosa dia misy
fihobiana.” Nibanijna izany teny fikasana izany i Paoly.

Hitan'i Paoly ho maivana ny fahoriany raha ampitahaina amin'ny fijalian'i Kristy. Ary ny ankamaroantsika
koa dia tsy maintsy miaiky fa raha oharina amin'ny fahoriana mahazo ny hafa eran-tany, dia maivana ny
fahoriantsika.

Hitan'i Paoly ho maivana ny fahoriany raha ampitahaina amin'ny antony lehibe kokoa ny fandrosoan’ny
Fanjakana.

Ary hitan'i Paoly ho maivana ny fahoriany raha ampitahaina amin'ny voninahitra sy ny valisoa miandry
azy, satria Andriamanitra tsy manadino fa mahita ny hiaretan’ny mino (Rom. 8: 17-18). Nianatra ny tsy
miaritra ny fitsapana fotsiny i Paoly; fa nianatra nankasitraka izany koa izy. Tsy nahafinaritra azy ny
fijaliana, fa fantany fa hitondra voninahitra mandrakizay izany.

🔥Miangavy anao aho, diniho tsara anie izany lazainy eto izany e: Arakaraka ny fitsapana atrehantsika
eto an-tany, ary arakaraka ny hankatoavantsika Azy mandritry ny fahoriana, no fisian’ny voninahitra
bebe kokoa miandry antsika any an-danitra!

➡ Ny voninahitra ho antsika mandrakizay dia refesina araka ny fahavononantsika hiatrika fahoriana


ankehitriny (1 Pet 1: 6-7). Mahagaga e? Hafa ihany ny ao amin’ny Tompo e? Ny fijaliako aza dia
mampitombo ny valisoako! Azoko atao ny manao ho fifaliana avokoa, raha iharan’ ny fakam-panahy
samy hafa aho (Jakoba 1: 2), satria tsy hoe mahafinaritra ny mijaly, fa satria fantatro ny valisoa izay
miandry ahy.

🤜Ny fifaliana sy ny fanantenana dia tsy avy amin'ny fijaliana akory fa avy amin'ny fatokisana ny
nampanantenain'Andriamanitra ho vokatr’izany (1 Pet 4:13; 5:10).

👉 Mila mametraka ny maharitra mandrakizay alohan'ny mandalo isika. Ny famonjena tsy hita maso
ankehitrny fa ho avy dia ho an’ny vatana sy ny fanahy. Nianatra nijery amin’ny mason'ny finoana i Paoly,
mihoatra ny zava-hita maso ankehitriny. Raha ny zava-tsarotra, ny ota ary ny famoizam-po no
hifantohana, dia ho kivy haingana isika. Fa raha mifantoka amin'ny famonjena ho avy ao amin'i Kristy
isika, dia mahita hery eo anatrehan'ny fahadisoam-panantenana sy zava-tsarotra eo amin'ity fiainana ity.
Tsy hoe akory tsy miraharaha ny sedra mahazo antsika amin'ity fiainana ity isika, fa misafidy ny
mibanjina sy mihazona hatrany ny mandrakizay isika. Ity fiainana ity dia fotoam-piomanana amin'ny
fiainana ho avy.

➡Aza mitoetra amin'izay hitanao; mifantoha amin'izay tsy hita maso! Mifantoha amin'ny ho avy!
Atrakaho ny lohanao!
Satria nanao izany i Paoly, dia nanolo-tena izy hampiasa ny heriny rehetra hamokorana voa maharitra
mandrakizay eo amin'ny fiainany ary hitondra olona maro ho amin'ny famonjena. Tsy nety nitoetra tao
amin'ny fanaintainana sy ny fahasarotam-piainana izy. Te hanao izay rehetra azony atao izy amin'ny
fiainana ankehitriny, mba hanomezam-boninahitra sy hankalazany an'i Kristy amin'ny fiainana ho avy.

Hoy i CT Studd hoe "Fiainana iray ihany; ho lasa tsy ho ela,

Ny zavatra natao ho an'i Kristy ihany no haharitra."

🔥Ry rahalahy sy anabavy, azontsika atao ve ny milaza izany amin'i Paoly? "TSY KETRAKA IZAHAY"

Tsy very ny herim-ponay; tsy reraka izahay, tsy miala izahay! Hanohy hanompo an'i Jesosy Kristy Tompo
izahay! Amena!🔥

Fitahiana ho ahy ny nizara ny sasany amin'ireo famporisihana azoko tamin'ny fandalinana ny 2


Korintiana 4. Namelombelona sy nampionona ahy tokoa ity toko ity. Na inona na inona ny atrehantsika
eo am-panarahana ny Tompo, dia tsy maintsy mibanjina an’Ilay Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy
isika. Ny fahavalo dia hanohitra, hanakivy, fa isika kosa, tsy ho ketraka.

Azonao atao ny mijery ny fizarana rehetra taloha amin'ireto rohy ireto:

2 Kor 4:1-4

https://www.facebook.com/photo?fbid=10159090541356112&set=a.494258641111

2 Kor 4:5-7

https://www.facebook.com/photo?fbid=10159092261611112&set=a.494258641111

2 Kor 4:8-12

https://www.facebook.com/photo?fbid=10159094308816112&set=a.494258641111

2 Kor 4:13-15 https://www.facebook.com/photo?fbid=10159096307246112&set=a.494258641111

🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥👉
AZA KETRAKA, AMBARAO HATRANY IZY !👈
✝️❤️Ny 1 Korintianina 13:13 dia manome ny andry telo lehibe eo amin'ny fiainana Kristiana, “Ary
ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no
lehibe amin’ ireo.”

Mampalahelo fa ity andininy ity dia nangalarin'ireo mpanao politika eto Madagasikara, fa isika, ny
fiangonan’Andriamanitra Velona, dia tokony hamerina izany amin'ny tokony fampiasa azy ary hiaina azy.
Ny Kristiana dia manana finoana tsy miovaova ao amin'Andriamaniny. Ny Kristiana dia manana
fanantenana tsy voaozongozona amin'ny ho aviny. Ary ny Kristiana dia mihaina ao anaty fifankatiavana
tsy manam-paharoa. Tsy tokony ho hisy izany Kristiana tsy manam-pitiavana izany sahala amin'ny tsy
fisian’ny masoandro mangatsiaka. Ny finoana, ny fanantenana sy ny fitiavana dia marika ny maha izy azy
ny Kristiana. Ny fanambarana ny Filazantsara ihany koa.

Ao amin'ny 2 Korintiana 4: 13-15, i Paoly dia manondro an’ireo marika 3 ireo izay mampiavaka ny
Kristiana mba amporisihina ny fiangonana any Korinto hanohy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly:

👉 Manambara ny Vaovao Mahafaly amin'ny androm-piainantsika rehetra sy amin’ny herintsika rehetra


isika satria mino an'Andriamanitra isika (and.13). Raha tena misy ny finoana, dia miseho amin’ny
fahatokiana ny zavatra nampanantenain'Andriamanitra izany. Io fahatokisana io dia aseho amin'ny teny
ambara sy amin'ny toe-tsaina maneho finoana. Nanonona ny Salamo 116: 10 avy amin'ny dikanteny
grika ny Testamenta Taloha (septante) i Paoly eto. Io salamo io dia vavaka fitalahoana (and. 1-11) ary
fisaorana (and. 12-19) amin'Andriamanitra noho ny fanafahana amin'ny fahoriana. Midera
an'Andriamanitra ny mpanao salamo satria matoky sahady izy fa hanafaka azy Andriamanitra: "Nino" izy.
Ka tsy afaka nangina izy. Ary tsy afaka an'i Paoly. Nino izay voasoratra izy, dia nino ny
fampanantenan'Andriamanitra, ka tsy hangina izy (1 Kor 9: 16b).

Ny Fihirana Fanampiny 7 dia milaza hoe “Tsy hainay ny hangina ka tsy hankalaza ny Avo, nameno
fitahiana ka tsy mba namela ho lavo.”

➡ Ry rahalahy sy anabavy ao amin'ny Tompo, raha mino izany ianao, dia aza mangina. Aza misalasala,
manàna fatokisana tsy miovaova an'Andriamanitra. Raha mino ny Fahamarinana ianao dia tsy maintsy
manambara izany. Ny finoana dia mitaky fijoroana vavolombelona. Eto an-tany isika hitory ny
Filazantsara. Mino izany Vaovao Mahafaly izany isika; ka manambara izany isika. Mino izany isika; ka
miaina araka izany ary manova ny fiainantsika araka izany.

👉 Manambara ny Vaovao Mahafaly amin'ny androm-piainantsika rehetra sy amin’ny herintsika rehetra


isika satria manana fanantenana (and.14). Fa manantena inona? Eto amin’ity andalana ity: ny
Fitsanganana amin'ny maty. Nino i Paoly fa na dia eo afovoan'ny fijaliana lehibe dia hanafaka ny
mpanompony Andriamanitra. Na dia maty aza izy ireo dia tsy maninona, Andriamanitra hanangana azy
ireo amin'ny maty. Hoy i Paoly hoe "vonona ny hiatrika loza sy fahoriana eo amin’ny fiainako aho satria
tsy maintsy hitory ny faharesen-dahatra ananako. Tsy maninona amiko izay mety hieritreritra ny olona
izay mandà ny fahamarinana. ‘…Noho ny amin’ ny olom-boafidy, mba hahazoan’ ireny koa famonjena…’,
dia hitory ny fahamarinana aho (2 Tim 2:10). Noho ny fanamasinana ny tenan'i Kristy dia hitory ny
fahamarinana aho. Tsy afaka manao zavatra betsaka kokoa amiko ny fahavalo hafa tsy ny mamono ahy.
Kanefa, raha manao izany izy, dia hanangana ahy ny Tompo ary hahazoako tombony izany.” (Fil 1:21)

➡ Ny tenin'Andriamanitra dia mampanantena antsika fa hatsangana koa isika any amin’ny farany. Moa
ve isika miaina miandrandra ny fiainana mandrakizay sy ny valisoa maharitra mandrakizay tahaka ny
nataon'i Paoly? Indray andro any, ho avy ny fanenjehana, ary ho avy koa ny fahafatesana. Matahotra
an’izany andro izany ve ianao? Sa miaina ny fiainanao amin'ny fanantenana an'io andro io, satria
hihaona amin'ny Tompo sy Mpamonjinao ianao?

Vonona ny hanolotra ny fiainany i Paoly noho ny fanantenan'ny lanitra. Ahoana izaho sy ianao?

👉 Manambara ny Vaovao Mahafaly amin'ny androm-piainantsika rehetra sy amin’ny herintsika rehetra


isika satria tiantsika ny fanahy ny hafa (ary.15). Ho an'i Paoly sy ny Kristianina rehetra, ny fiderana sy ny
fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no tanjona faran-tampony. Ary raha te hahatratra izany
tanjona izany isika, dia tsy maintsy mifantoka amin'ny fitondrana olona maro ao amin'ny Fanjakany.
Rehefa miha-maro ireo navotana, dia mitombo ihany ko any isan’ireo manome voninahitra
an'Andriamanitra (2 Kor. 1:11).

Mampitodika ny olona any amin'Andriamanitra ny olona satria tiantsika izy ireo, ary onena azy isika.
Raha tena tia olona isika, dia ny fanahiny no tiantsika indrindra. Manao izay rehetra azontsika atao isika
mba tsy ho lasa any amin'ny fahaverezana mandrakizay ny fanahiny. Vonona ny hanome izay rehetra azo
omena mba hitondra olona betsaka kokoa ao amin'I Kristy i Paoly. Vonona ny hatolotra ho faty izy mba
hahafahan'izy ireo manana fiainana. Nihevitra ny an’ny hafa izy fa tsy ny azy ihany.

➡ Ry rahalahy sy anabavy, mila manana ny firehetam-po sy ny fiheverana ny hafa izay nananan'i Paoly
isika! Ny ezaka rehetra sy ny fanompoana ataontsika dia tsy maintsy mifantoka amin'ny fanaovana
mpianatra an'i Kristy, izany hoe mitarika ny olona hibebaka, hino ary hanamasinana ny tenany mba ho
tonga amin’ny fahamatorana amin'ny finoana. Ary manao izany isika mba hihamaro ny olona tafiditra
amin'ny tafiky ny lanitra mihira ho an'Andriamanitsika mandrakizay.

🔥 Ry rahalahy sy anabavy, izany no hiombonantsika ao amin'i Kristy: Miara-mijaly isika, miara-miasa,


miara-mino, miara-manantena, mifankatia, ary eo am-panaovana izany dia mitory an'i Jesosy Kristy,
indrindra fa Izy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana isika (1 Kor 2:2). Hafa ihany ny ao amin'ny Tompo
e? 🔥

🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥

👉AZA KETRAKA RY HIHARAM-PAHORIANA A!👈


Sarotra ho an'ny olona rehetra ny fiainana, ho an'ny mpino sy ny tsy mino. Ny fijaliana sy ny fahoriana
dia tena misy eto amin'ity tontolo voakasiky ny ota ity. Fa hafa ny hihainan’ny Kristiana ny fahoriana.

🎁 Hiharam-pahoriana isika satria " efa nomena noho ny an’ i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny
hiharam-pahoriana koa noho ny aminy." (Fil 1:29) Andininy mahatalanjona izany. Ny famonjena dia
fanomezana noho ny fahasoavana ("Charidzomai" @ teny fototra). Ary ny fahoriana ho an'i Kristy dia
fanomezana nohon'ny fahasoavana koa. Andriamanitra dia nifidy anao hiharam-pahoriana.

Rehefa mamaky ny zavatra nahazo an'i Paoly ao amin'ny 2 Kor 11:23-28 isika, toa tsy dia misy dikany ny
olona andalovantsika e? Na izany aza, hoy i Paoly hoe ireo rehetra ireo dia fanomezana avy
amin'Andriamanitra noho ny fahasoavany. Ahoana no ahafahan'ny fahoriana ho fanomezana? Inona no
tsy mampitovy ny fahorian’ny zanak’Andriamanitra?

Hafa ihany ny hiharam-pahoriana ao amin'ny Tompo satria:

👉 Ny fahoriana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra nohon'ny fahasoavany mba hanomezany


antsika sehatra hitoriana (and.6-8). Ny hazavana ao anatintsika dia tsy hita raha tsy rehefa tresaka, vaky
na misokatra ny vilany tany. Voageja, very hevitra, enjehina, potraka. Saingy tsy manelingelina antsika
izany satria amin'izany dia mivoaka ny hazavan'ny Tompo ary mandrava ny haizina.
Avelan’Andriamanitra handia ny fotoam-pahoriana isika mba hahafahan'ny hazavan'I Kristy Zanany
hibaliaka mazava kokoa eo amin'ny fiainantsika.

Ovaho ny fomba fijerinao ny fahorianao. Ny fahoriana dia sehatra hanehoanao ny Filazantsara inoanao.

👉 Ny fahoriana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra nohon'ny fahasoavany mba hampisehoana ny


heriny mihazona sy mitahiry antsika (and.7b-8). Nambarany fa izay manompo ny Tompo dia ho voageja
manodidina. Hitondra sedra amin'ny endriny isan-karazany ny fahavalo. Raha tapa-kevitra ny hanompo
ny Tompo ianao, dia ho henjehina (2 Tim 3:12). Mety ho fanoheran-kevitra, ny fanapahana ny
fifandraisana, ny fampatahorana, ny fitokanana na ny fanafihana ara-batana sy ara-panahy ihany koa.

Nefa na dia izany aza, TSY HO RESY mihitsy isika hatramin'ny farany! TSY HAHARESY mihitsy vavahadin’
ny fiainan-tsi-hita (Mat 16:18)! Nandresy i Kristy ary manoatra noho ny mpandresy isika amin’ ny alalan’
ilay tia antsika (Rom 8:31, 37)!

Tsy mamoy fo mihitsy isika. Izany hoe tsy ho fatiantoka, tsy ho very fanantenana ary tsy ho very.
Ny Tompontsika dia nandresy ny fahavalo rehetra, ny fakam-panahy ary ny sedra rehetra. Izy dia tsy
handao antsika na hanary antsika!

Mila mianatra hatoky Azy amin'ny fotoana rehetra isika, indrindra fa rehefa malemy sy hiharam-
pahoriana isika.

👉 Ny fahoriana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra nohon'ny fahasoavany mba hamantarana


antsika ho mpanara-dia an'i Kristy (and.10). Nolazain'i Jesosy tamin'ny vahoaka tao amin'ny Lioka 9:23 "
Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan-andro ka
hanaraka Ahy." Tokony ho vonona ny handà ny tenantsika isika, ka maty ara-bakiteny amin'ny filana sy
ny fanirian'ny nofo. Tokony ho vonona amin’ny ny fiombonana amin’ ny fijalian’I Kristy (Fil 3:10). Tsy
mora mihitsy izany. Ireo izay vonona ny hitondra ny hazofijaliana sy hanaraka ny Tompo dia tsy maintsy
hiatrika ny fahoriana (Jao 15:21).

Raha nijaly noho ny amintsika manokana isika, ary raha tsy nanana fanantenana ny fiainana ankoatry ny
fasana, dia mampalahelo izany. Kanefa, manana tombontsoa sy andraikitra isika satria miombona amin'i
Kristy sy nantsoina hanome voninahitra Azy amin'izay rehetra ataontsika, anisan'izany ny fomba
hiainantsika ny fahoriana.

👉 Ny fahoriana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra nohon'ny fahasoavany mba hanova antsika ho
toa an'i Kristy (and.11). Misy fiovana eo amintsika izay tsy tanteraka raha tsy ao anaty fahoriana. Tsy
nilaza i Paoly fa mora io dingana io, saingy fantany fa mahasoa izany. Ireo izay maty ho an'ny tena, dia
manamasina ny tenany ao amin'ny Tompo. Rehefa mamono ny fanirian'ny nofo ao anaty isika, miseho
ato amintsika ny fiainan'i Jesosy, arakaraka ny ahafantarantsika ny fahoriany, arakaraka ny hiainantsika
tahaka Azy ary ny hisaintsainantsika Azy eo amin'ny fiainantsika (Gal 2:20).

Kristy dia tonga nofo, nefa tsy voasariky ny filan'ny nofo mihitsy. Tokony miaina tahaka ny nataony isika,
ary homboina isan'andro ny nofontsika!

👉 Ny fahoriana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra nohon'ny fahasoavany mba hampitombo sy


hamporisika ny hafa ao amin'ny Tompo (and. 12). Amporisihintsika izy ireo rehefa manampy azy ireo
hanana fomba fijery tsara momba ny fiainana eto an-tany. Mandalo ity fiainana ity. Tsy haharitra
mandrakizay ny fiainana eto an-tany syn y ny fahoriana misy eto. Izay ao amin'i Kristy dia manana ny
teny fikasana sy ny fahatokiana ny fiainana mandrakizay miaraka amin'ny Tompo. Mampirisika ny hafa
ao amin'i Kristy koa isika rehefa “mahay" miatrika fahoriana. Na dia tamin'ny fahoriany aza i Paoly dia
nitory an'i Kristy. Ny faharetany tamin'ny fijaliana dia fijoroana ho vavolombelona tsy azo lavina ny
fahasoavan'Andriamanitra. Mora ny manompo ny Tompo rehefa mandeha tsara ny fiainana, saingy
tsikaritr’izao tontolo izao ny mpanompon’Andrimanitra mahatoky ao anatin'ny fahoriana. Ireo karazam-
pino ireo dia ho fitaovana sy famporisihana ho an’ny hafa izay lasa te hanaraka ny ohatra nomeny. Ny
tsy mino indray kosa dia mandinika sy talanjona amin’izany fitondran-tena mendrika eo anivon’ny
fahoriana izany.

Tsy nampanantena antsika fiainana tsy misy olana na fahoriana ny Tompo. Fa ny fiainana nomeny
antsika dia fianana feno fiadanana ary fifaliana tsy miankina amin'ny toe-javatra iainantsika sy ny
olantsika.

🔥 Rehefa matoky ny maha-Andriamanitra Azy isika, dia takatsika fa tsy misy na inona na inona amin'ny
fahoriantsika izay ho very fotsiny, fa avelany hitranga amin'ny fiainantsika nohon'ny fahasoavany mba
hamolavolana antsika hitovy endrika amin’ny Zanany. Hafa ihany ny ao amin’ny Tompo e? 🔥

❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️

👉 AZA KETRAKA RY VILANY TANY ISANY A! 👈

Ao amin'ny 2 Korintiana 4: 5-7, dia manohy manazava ny vokatr'izany Filazantsara izany teo amin'ny
fiainany i Paoly ary manome antony fanampiny ho antsika, mba hilazantsika hatrany hoe "Hafa ihany ny
ao amin'ny Tompo".

✅ Raha ny hiodidin’ireo andalan-tsoratra ireo no jerena, dia notafihan'ny olon-kafa i Paoly ka nilaza izy
ireo fa tsy mendrika ny ho apostoly izy. Ireo nanohitra azy tao amin'ny fiangonana tao Korinto dia
nirehareha tamin’ny fahaizany, ny fahalalana ara-panahy sy ny fahatakarana manokana nolazainy fa
nananany. Fantatr'i Paoly anefa ny fahalemeny. Fantany ny fahasembanany ara-batana, fantany fa tsy
tsara tarehy ary tsy manintona olona izy, ary fantany tsara ny fetrany amin'ny fahaiza-miteny (1 Kor 2:3-
4). Koa ho famintinana azy rehetra, dia mamaritra ny tenany ho vilany tany izy.

🧉Vilany tany. Tanimanga masaka. Tsy misy lanjany, mora vidy, matetika fahita, azo soloina. Saingy azo
ampiasaina hitondrana zavatra sarobidy, na hanehoana voninkazo tsara tarehy. Tsy misy zavatra manan-
danja momba ilay fitoeran-javatra. Ny sandan'ny vilany tany dia tsy avy aminy, fa avy amin’ny fomba
fampiasa azy, na avy amin'ny zavatra ao anatiny. Midika izany fa raha mahatsapa fa tsy dia mahavita azy
loatra isika amin'ny fiainana andavanandro, raha toa ka mahatsiaro tsy mahavita ny
nasain'Andriamanitra hataontsika isika indraindray, dia tsy tokony hahagaga antsika izany! Tian'i Paoly
hahatsapa isika fa namolavola antsika Andriamanitra ho vilany tany.

Hafa ihany ny ao amin’ny Tompo satria ao Aminy isika dia ampiasainy ho voninahiny:
👉 Nataony tsotra isika mba hahafahantsika manome voninahitra an'i Kristy (and. 5-6). Isika dia
tanimanga fotsiny izay mampihena tena mba afahan’i Kristy mitombo, misandratra. Navotsotra isika ka
tsy voatery hiezaka ny hahazo laza na fiderana avy amin’ny olona. Miaina isika mba tsy hisarika ny olona
hijery antsika, fa velona hanondro an'i Kristy ka haneho ny voninahiny eo amin'ny fiainantsika. Nomena
ny fahalalana ny tena voninahitra isika, nisokatra ny masontsika, ary nomena fiainana vaovao isika. Avy
amin'Andriamanitra daholo izany, tsy misy avy amin’ny maha-olona antsika.

🤜 Ilaintsika ny mahatsapa fa ny antom-pisiantsika dia ny hanondro sy hanandratra an’Ilay Mpamonjy


Lehibe, ny Tompontsika izay ampy ho an’ny tsirairay sy ny hetahetany rehetra.

👉 Nataony foana ary tsy manan-danja isika mba hitondrantsika rakitra be voninahitra (and.7). Malemy,
tsy lavorary, tsotra isika. Kanefa manana "izao rakitra izao” anefa isika. Inona ilay “rakitra”? " ny
fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra eo amin’ ny tavan’ i Jesosy Kristy." (and.6b). Ingiahy Spurgeon
dia nampitaha ny kristiana amin’ny oitira; mety ho ratsy endrika ivelany, kanefa mitondra perla tsara
tarehy sady sarobidy ao anaty ny sasany. Ilay “perla” dia ny Tompo Jesosy Kristy, harena lehibe sy
sarobidy tokoa.

Eny, tsy manana lanja na fahamendrehana samirery isika. Saingy nomena rakitra goavana isika amin'ny
alàlan'ny filazantsara: Andriamanitra mitoetra ao anatintsika.

Ny tanjon'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika dia ny hoe rehefa mijery antsika ny olona dia lasa
miteny hoe: "Tsy azoko. Inona ity mahazo an’ity olona ity? Inona no mahatonga ireo fiovana eo amin'ny
fiainany? Nahoana no misy zavatra mahatalanjona mitranga amin'ny fiainany? Nefa izy oatrany tsotsotra
iny ... "

🤜Izay rehetra voavonjy dia avy amin'ny finoana an'i Kristy irery ihany. Ny fahasoavan'Andriamanitra dia
nampamirapiratra ny fahazavan'i Kristy dia tao am-pony. Izany no rakitra azon'ny rehetra izay nanatona
an'i Kristy tamin'ny finoana, ny fibebahana amin'ny ota ary ny fahafantarana fa tena mila Mpamonjy izy.

👉 Nataony tsy manan-kery isika mba hahafahantsika mamela ny heriny irery ihany hanao ny asa. Ny
tanjon'Andriamanitra dia ny hanehoana ny heriny manokana amin'ny alàlan'ny Filazantsara.
Andriamanitra dia manao ny asany amin'ny alàlan'ny vilany tany izay mamela ny rakitra ao anatiny
mihamamiratra. Malemy ny vilany tany saingy misy hery mahery vaika izay manova ny olona ao aminy.

Ny famonjena antsika amin'ny ota sy ny mandrakizay any amin'ny helo dia mihoatra noho izay mendrika
ho azontsika. Ny fananana fiainana mandrakizay eo anatrehan’ny Tompo dia voa maika tsy takatry ny
saina, nefa tsy izany ihany no ankafizintsika. Ny mpino tsirairay dia manana ny Fanahy Masina sy ny
heriny ao anatiny.
🤜Andriamanitra dia maka vilany tany mendrika ny ho potehana, dia apetrany ao anatiny ny Fanahiny,
ary manatanteraka zavatra mahagaga noho ny heriny Izy! Tombontsoa tokoa izany! Hafa Ihany ny ao
amin'ny Tompo e!

Na inona na inona no hitantsika fa manan-danja maharitra eo amin'ny fiainantsika, dia tanteraka


amin'ny alàlan'ny herin'Andriamanitra izany. Ny fahalemena, ny tsy fahombiazana ary ny tsy
fahatanterahana no nisafidianan’Andriamanitra antsika mba hampiasainy hanatanterahany ny fikasany
masina.

🔥Mpanota isika voavonjy amin'ny fahasoavana mba ho vilany tany eo am-pelatanan’ny Tompo
Mahagaga!🔥

❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️👉 AZA KETRAKA! 👈

Ry rahalahy sy anabavy malala ao amin'ny Tompo,

Matetika isika no mandre na mampiasa ny fehezanteny hoe "Hafa ihany ny ao amin’ny Tompo". Ary
marina izany. Ary tokony ho hita miharihary tokoa izany amin'izao fotoan-tsarotra hiainantsika izao.

Noho ny fahasoavan'Andriamanitra, tratra ny valan’aretina indray izahay mivady 2 herinandro lasa izay,
raha efa narary tamin'ny taon-dasa tamin'ny volana Jolay. Nositranin’ny Tompo hatrany izahay. Tsy
mbola sitrana tanteraka izahay fa mbola mora reraka be, fa efa mihatsara. Ny dera dia ho Azy irery
ihany! Maro amin'ireo namantsika sy fianakaviantsika no resin'ny valanaretina ka ny sasany mbola
miatrika izany. Mivavaka ho an'ireo rehetra voakasik'izany hatrany izahay. 🙏🏽

Iray amin'ireo andalan-tsoratra masina izay nampahery ahy manokana tao anatin’ity fitsapana ity dia ny
2 Korintiana 4.

Te-hizara aminareo aho mandritry ny andro vitsivitsy manaraka eo, avy amin'io andalan-teny io, hoe
maninona ary ahoana no ahafahantsika milaza hoe "Hafa ihany ny ao amin'ny Tompo".

Mivavaka aho mba hampahery anao koa izany ary tsy ho ketraka ianao.
Ao amin'ny 2 Korintiana 4: 1-4, dia hitantsika fa:

➡ Hafa ihany ny ao amin'ny Tompo satria manana ny antom-pivelomana lehibe indrindra isika (and. 1).
Noforonina isika ary novonjen'Andriamanitra mba hanompo Azy sy hanome voninahitra Azy. Ny
Kristiana tsirairay dia nahazo fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ary tompon'andraikitra
amin'ny fampiasana izany ho soa ny fiangonana sy ho voninahitr'Andriamanitra. Betsaka ny olona
manontany tena ny antom-pisiany eto an-tany, ka sahirana izy ireo hahita antony tokony hanohizany ny
hiady isan'andro, fa isika kosa, fantatsika ny antony iainantsika.

Saingy manana adidy hotanterahina koa isika noho izany, isika rehetra. Tsy ny pasitera fotsiny no nahazo
asa fanompoana, fa ireo mpikambana ao amin'ny vatan'i Kristy rehetra. Hoy ny 1 Kor 12: 7 fa " Ary izy
rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa." Tsy misy afaka miala. Manana
fanomezana avy amin'Andriamanitra ianao, ary tsy tokony atao tsinontsinona izany.

🤜 Ampiasao ho soa ny fiangonana sy ho voninahitr'Andriamanitra! Aza ketraka!

➡ Hafa ihany ny ao amin'ny Tompo satria nandray ny famindrampony isika mba hitoriantsika ny
famindrampony (and. 1-2). Nahazo ny fiainana mandrakizay ao aminy isika, ary tsy nisy avy amintsika
izany. Raha zanak'Andriamanitra ianao, dia fantaro fa ny fahasoavana sy ny famindram-
pon'Andriamanitra ihany no namonjena antsika sy nanomezany antsika ny sehatra hizarana ny
Filazantsara. Tsy mila mamorona hafatra isika, ny hanamboatra na hanova azy; ny hany tokony
hataontsika dia ny fitoriana izany satria miaraka amin'ny vavantsika syn y fiainantsika iray manontolo.

🤜 Rehefa mandinika izay rehetra nataon'i Kristy ho antsika isika, moa ve ho kivy na ho ketraka ve? Misy
fotoana izay hiatrehana ny fahakiviana sy ny fisalasalana, fa tsy tokony ho ketraka isika!

➡ Hafa ihany ny ao amin'ny Tompo satria nisokatra ny masontsika (and.3-4). Noho ny faniriantsika anaty
amin’ny maha mpanota ary noho ny asa mavitrik'i Satana, dia jamba isika fahiny. Nanova an'izany anefa
Andriamanitra. Nataony nahita ny hatsarany teo amin’ny tavan'i Kristy isika. Manana ny vahaolana
amin'ny haizina eto an-tany iska, dia ny fahazavan'i Jesosy Kristy! Ny masoandro ao amin'ny voninahiny
rehetra dia tsy misy dikany raha ampitahiana amin’ny fahazavan'i Kristy. Ny fahazavany dia afaka
manazava ny ao anaty fo ary manova ny maizina ho mazava. Ny fahazavan 'i Kristy dia afaka mitondra ny
olona hiala amin'ny fanjakan’ny maizina ary mitondra azy amin’ny fahazavan' ny famonjena sy ny
fampihavanana!

🤜 Ary manana izany hazavana izany isika! Aza ketraka! Hafa ihany ny ao amin'ny Tompo. Mitondra ny
fahazavan'i Kristy eto amin'izao tontolo izao isika.
🔥 Andao ary isika hanao izany hatrany ka tsy ho ketraka! 🔥

❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️Andao isika hiombom-bavaka ka hifampitondra ny mavesatra


amin’ireo izay mitolona amin’ny aretina sy ny tsy fisiana manoloana ny toe-java mitranga eto amin’ny
firenena izao. Hivavaka ho an’ireo miady sarotra sy mandalo fahoriana. Ireto ary misy santionany vitsy
fotsiny @ zavatra hiainan’ny olona izay nangataka vavaka :

1- hoy ity vehivavy iray ity: “Misaotra mitolona am-bavaka ho ahy.Tsapako ny fiasan'Andriamanitra
Mahery tamiko tam zao tsy fahasalamako izao. Nanao scanner aho d efa étendue hono ny
fahavoazan'ny poumons ko sady évolutive ono lay izy, Izaho anefa tena tsy sempotra fa reradreraka d
nivalana, tsy nety nanohy ny traitement tsony ny dr fa oe tonga d manatona hôpital, nitady hôpital tsy
nisy nandray fa feno kanjo nisy clinique iray ety Analamahitsy nantsoiko d nilaza fa vao nisy nivoaka tao
aminy d misy toerana libre,tonga d niditra d nandray an-tanana ahy zareo. Tsy manana O2 zareo fa
bouteille 1 fotsiny ono ny anjarany d milahatra mi-charge nefa n'y any am fanjakana no priorité.Fa ny
tena nahagaga d 98% ny saturation n'a O2 ko dia tsy nila O2 mihitsy aho. Efa tsara ny état ko zao.

Tena tsara ny Tompo! Deraiko mandrakariva ny Anarany Masina 🙏🙏"

2- Vehivavy hafa indray no nizara: “Marary za. Raha ny tenin'ny dokotera omaly dia miracle no mbola
ahafahako miresaka ohahtr'izao. Deraina Jesosy. Efa harivariva manko vao nahatafidirana fanafody ny
vatako ny talata satria efa nivaingana ny ra t@ veines.Lany tsy misy intsony anefa ny Lovenox. tsisy eny
@ farmasia. Ny vavaka angatahiko dia ny hanohizan'ny Fanahy Masina hankahery sy hampatanjaka ahy
ka hananako foana ilay fiadanana ato anatiko ao anatin izao aretina izao. Mangataka ko za ny ahazo
fanasitranana tanteraka @ fomba mahagaga avy Aminy."

3- Namana iray akaikin’ny fianakaviana iray rom-pahoriana : “Ento am-bavaka i S sy S. Maty taminy 01
Aprily ny maman'izy 2 vavy kely, ary maty androany ny papany ka lasa kamboty izy ireo... 😭😭😭"

Manana andraikitra tokoa isika ny hanao izay rehetra azontsika atao hanampiana ny mpiara-belona
amintsika (Mat 7:12; 1 Jao 3:16-18; 2 Pet 1:5-7).

Fa ho antsika Kristiana, ny andraikitra voalohany izay tena tsy ambanin-javatra fa adidy sy tombontsoa
dia ny fifampitondrana am-bavaka (1 Tes 5:17; Efe 6:18; Rom 12:12; Fil 1:3-5). Ary afaka manao izany
daholo isika izay efa vita fiavanana amin'Andriamanitra ao amin'i Jesosy Kristy (Heb 4:14-16). Koa aoka
re isika hifampivavaka hatrany.
Ary ny Tompo anie hanome fahendrena antsika rehetra amin'izay fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra
izay tandrifintsika tsirairay avy. Amen

#iombonakoaminao

❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️❤️

You might also like