You are on page 1of 2

4/22/2021 Facebook

Habakabaka : Inona no ilana ireny fikarohana sy fandehanana eny ambony lavitra eny
Fanontaniana mipetraka amin'ny zanak'olombelona hatrany ny hoe, avy aiza isika ity, ahoana ny fiforonan'ny
Tany, ny fiforonan'ny Olombelona, isika irery ve no zava-manan'aina eto amin'ity Galaxie ity, sa misy
olombelona na zavatra hafa, ahoana sy inona avy ireo planeta tsy takatry ny maso.
Mipetraka ihany koa ny fanontanian'ny maro, atao inona no mahafantatra an'izany, nahoana no andaniana
fotoana sy vola be izany, ny eto an-tany aza tsy hita izay anaovana azy, ka andany andro any amin'ny tsy hita
maso any, ny eto aza tsy voatrandraka ny harena rehetra ka hikaroka lavitra aiza.
Misy aza moa ny mamarana ny adihevitra fotsiny hoe, Andriamanintra no nanao ny zava-drehetra tsy takatry
ny sain'ny Olombelona.
Amin'ny maha fikarohana siantifika azy, dia tsy voatery hisy vokany na tombontsoa eo no ho eo ny
fikarohana, fa amin'ny ankapobeny ny fikarohana eny anabakabaka dia ahafantarana bebe kokoa momba ny
Tany izay onenantsika ity.
Mihevitra isika fa lehibe ny Tany, fa raha ny marina ao anaty Galaxie lehibe izay ahitana ny Système solaire, na
ny Masoandro, izay singa kely iray anatin'io Galaxie io, ahitana ny Tany, ny Volana, ny Marsa sy ireo planeta
maromaro miodina manodidina ny Masoandro io.
Ny fiakaran'ny olombelona eny amin'ny habakabaka izany, dia ahafahana sahady mahita avy alavitra ny Tany,
ny fahasimban'ny tontolo iainana, ny fivakisan'ny Tany samihafa, ny fihetsiky ny ranomasina, ny gilasy sy
ranomandry amin'ny faritra mangatsiaka, ny fifehezana amin'ny ampahany ny toetr'andro, ny volkano, ny
horohoron-tany.
Ahafahana izany mahita sy manatsara ny fomba fambolena, ny teknlojia, ny indostria, ny fifandraisan-davitra,
ny televizionina, ny satelita, ny téléphone, ny fakana sary...
Anisan'ny vokatsoa goavana nateraky ny fikarohana mandeha eny anabakabaka ohatra ny fahitana ny micro-
processeur na ny circuit intégré, izay piesy elektronika kely mandravona zavatra maro, izay feno azy ny
téléphone tsika izao, ny machine à laver, ny frigidaire, ny micro-onde, ny télé, ny fiarakodia sy ireo fitaovana
ampiasaintsika andavanandro.
Hitatsika ihany koa ireny couche bébé na serviette hygénique ampiasaintsika isan'andro ireny, izay vokatry ny
fikarohana natao ho an'ireo Mpanamory sambondanitra satria tsy afaka mi pipy isaky ny mihetsika izy ireo
mandritra ny fotoana andehanana eny anabakabaka eny.
Vokatra lehibe izay ampiasaina eo anivon'ny fiainantsika ihany koa ny plaque solaire, satria ny fikarohana
herinaratra ampandehanana ireo fitaovana marobe eny ambony eny no nanatsarana hatrany ny famokarana
herinaratra avy amin'ny masoandro, satria ny masoandro no mpanome herijika lehibe indrindra eny ambony
eny.
Eo ihany koa ny vokatra azo amin'ny fitsaboana satria dia ampiasaina ety an-tany ireo vokatra fitsaboana an-
davitra izay ampiasaina amin'ireo mpanamory sambondanitra ireny, toy ny fitiliana ny fahasalamana, ny
fanaovana fandidiana avy alavitra, ny fihetsiky ny vatan'ny olombelona raha tsy misy ny sinton'ny tany na ny
pesanteur.
Anisan'ny lehibe ihany koa ny famokarana sy fikajiana ny rano sy ny rivotra, satria ireo no singa tsy maintsy
ilain'ny vatan'ny olombelona ahavelona azy, nefa eny anabakabaka eny sady tsy misy rivotra iainana no tsy
misy rano sotroina, ka dia izay fomba rehetra amokarana rivotra sy rano izany dia natao avokoa, ka na ny
hatsembohana, ny fofon'aina, ny pipi dia nampiasana ny teknolojia avokoa ahafahana mamadika izany ho
rano azo sotroina sy ivelomana.
Afaka nampiasaina izany teknolojia izany ho an'ny faritra tsy misy rano, na ho sotroina na anaovana
fambolena.

https://www.facebook.com 1/2
4/22/2021 Facebook

Mipetraka hatrany ihany koa ny fitantanana ireo fako sy maloto vokarin'ny olombelona, ka eny anabakabaka
lavitra eny, dia mipetraka ny olana, atao aiza sy atao inona ireo fako tsy ilaina, ny kaka na ny diky avoakan'ny
olombelona.
Dia nampiasaina ihany koa ny teknolojia ahafahana mitantana izany, ka misy ireo ariana eny anabakabaka
lavitra eny, ka rehefa miditra ny faritry ny atmosfera dia mirehitra, misy kosa ny ahafahana mandrafitra ny
fomba hitantanana sy andrindrana ny fako ety an-tany, satria dia olana lehibe eo amin'ny fiarahamonina ny
fitantanana ny fako, atao inona, atao aiza, satria misy ny fako andavanandro, izay azo avadika zezika, azo
avadika herinaratra, azo anamboaran-dalana, fa misy koa ireo fako simika sy nokleary izay mbola mametraka
olana.
Anisan'ny mametraka olana goavana eny anabakabaka izao ireo fako aterak'ireo satelita maro be izay efa
tapitra fetrandro ka dia miriaria mameno ny habakabaka eny ambony eny, misy indraindray no mienjera ety
an-tany, misy ny mifandona amin'ny satelita hafa izay amperinasa, misy kosa ireo mirehitra vao tafiditra ety
amin'ny atmosfera latsaky ny 80-600km miala amin'ny tany.
Anisan'ny zavatra lehibe nateraky ny fikarohana anabakabaka ihany koa ny fifandraisan'ireo firenena lehibe,
izay nifaninana teo aloha hiakatra eny ambony eny, fa ankehitriny dia lasa miara-miasa akaiky ary mifanakalo
teknolojia ampahomby ny fikarohana, anisan'ny lehibe amin'izany ny Station spatiale internationale na ISS,
izay hifandrombonan'ny Amerikanina, ny Rosianina, ny Eoropeanina, ny Kanadianina, ny Japoney ary ireo
firenena maro mifanome tanana amin'izany. Ka ilay fifaninana an'ady nokleary dia mifandanja amin'ny
fifandraisana ara-diplomatika sy ara-tsiantifika.
Misy ireo astéroïde na potika planeta hafa eny anabakabaka eny, misy 8000 eo no fantatra fa mety hifandona
amin'ny tany ary mety animba azy mihitsy, izay iarahan'ireo firenen-dehibe ireo manara-maso sy hitadiavana
hevitra amotehana ireny vatobe mety hamotika ny tany ireny raha mifandona aminy.
Tsy azo adinoana ny tantaran'ny Tany fa nisy fahafatesan'ny 75% n'ny zava-mananaina tampoka tany amin'ny
65 tapitrisa taona lasa tany vokatry ny fianjeran'ny Astéroïde nirefy 12km ny sakany teto amin'ny Tany, ka
nahafaty ireo dinosaure, izay mbola hitatsika amin'izao ety an-tany ny taolan'izy ireny. Zavatra mety hitranga
tampoka eto amin'ny Tany ny toy ireny ka ilaina hatrany ny mamantatra ny anton'ny nisian'izy ireny.
Raha isika eto Madagasikara no zahana dia faritra eo anivon'ny ilabolan-tany atsimo manana ny toerany raha
resaka fikarohana anabakabaka, satria dia mandalo eto amintsika ny Tropique du Capricorne, izay faritra
mifanandrify tsy misy takona amin'ny masoandro amin'ny fotoana sasany, zenith.
Eto amintsika ihany koa no azo ametrahana ireny sahafa lehibe fihainoana na fijerena ireny zanabolana na
planeta anisan'ny lavitra ireny.
Eto amintsika ihany koa no azo andefasana zanabolana izay tafiditra amin'ny lalana mampifandray mivantana
amin'ny lalan'ny planeta hafa.
Fa ankoatran'izany dia efa afaka misitraka ireo teknolojia, izay azon'ny rehetra ampiasaina, libre de droit,
amin'ireny voka-pikarohana ara-tsiansy nentin'ireny fiakarana eny amin'ny zanabolana na planeta hafa ireny,
raha tsy hiresaka ny GPS, ny teknolojia mahakasika ny fambolena, ahitana ny aretina, ny fahasalaman'ny
fambolena, ny fitrandrahana harena ambanin'ny tany, anaty ranomasina, izay azo jerana amin'ny zana-bolana,
ny fitrandrahana sy famokarana rano sy herinaratra...
Maro ireo firenena afrikanina no efa nampiakatra zana-bolana eny ambony eny, ary mandray anjara
amin'ireny fikarohana anabakabaka lavitra ireny.
Mirary soa e
Patrick
(Sary nin

https://www.facebook.com 2/2

You might also like