You are on page 1of 15

FIFAMPIZARANA MIKASIKA NY « 

HETSIKA TOKATRANO MPITARIKA »

Mpanamora: Ny Solotenan’ny Kaominina, ny Solotenan’ny RANO WASH


Mpandray Anjara: Mpanetsika Ifotony na Promoteurs Locaux (PL)
Faharetany : 2 andro
Fanamarihana mialohan’ny hanombohan’ny fifampizarana:
o Hajaina ny elanelana 1 metatra farafahakeliny mandritra ny fifampizarana
o Voafetra ny isan’ny mpivory – tsy mihoatra ny 50
o Tsy mifandray tànana,
o Manao arotava avokoa,
o Tsy maintsy misy DLM sy savony azo ampiasaina matetika mandritra ny fiofanana ary tsy maintsy manasa tànana ny rehetra
miditra ny toerana fivoriana
o mila manaraka ny fepetra apetraky ny tompon’andraikitra eny an-toerana mikasika ny fanatanterahana ny fiofanana
o Diovina amin’ny rano sy savony raha azo atao ireo fitaovana ampaisaina mandritra ny fiofanana, mialoha sy aorian’ny fampiasana
azy, indrindra ny “markers” izay ifandimbiasan’ny tanan’olona maro

ANDRO VOALOHANY
TANJONA LOHAHEVITRA Faharetana Fandehan’ny fifampizarana Fitaovana
FIZARANA VOALOHANY :FANOMBOHANA NY FIFAMPIZARANA
1. Amin’ny faran’ny Fifankafahantarana – 8h - 9h30 - Teny Fampidirana avy amin’ny Solotenan’ny FlipChart -
fizarana dia mahay Fifampizarana tanjona – Kaominina Marker
ireo TANJONA Fametrahana ireo
fototry filatsahany an- fitsipika ifampitondrana Lalao ifankafahantarana : ohatra : manao boribory
tsehatra ny PL mandritra ny 2 andro mifanatrika tsara, dia samy milasa ny anarana + ny
ifampizarana zavatra tiana + ny zavatra tsy tiana

Fizarana ireo tanjon’ny Kaominina sy ny


PCDEAH , ataon’ny STEAH, ary voafintina mialoha
amin’ny Flipchart

Fizarana ireo tanjon’ny 2 andro fifampizarana,


ataon’ny Teknisianina RANO WASH, voasoratra
amin’ny Flipchart ; asaina vakian’ny PL tsirairay ireo
tanjona ireo ary anontaniana azy ireo ny fomba
fahazoany azy, mialohan’ny hanazavana izany
aminy :
Tanjona 1 : Mahazo ny tanjon’ny Kaominina momba
ny fanatanterahan’ ny mponina ireo fihetsika ara-
pahasalamana RFF sy ny fanjifana ireo tolotra
matihanina mifandray amin’zany, ireo PL

Tanjona 2: Mahafehy ny teknika rehetra hanaovana


tantsoroka ny tokantrano ireo PLs
Tanjona 3 : Manaiky ho modely sy mpitarika ny
fiaraha-monina amin’ny fanatanterahan ireo fihetsika
ara-pahasalamana RFF ireo PL
- Fizarana amin’ny mpandray anjara ny
fandaharam-potoana mandritra ny 2 andro

- Fifanarahana mikasika ireo fitsipika


ifampitondrana mandritra ny 2 andro

Fotoana fametrahana fanontaniana na fanamarihana


avy amin’ny mpandray anjara

FAKAN-DRIVOTRA (09:30-10:00)
FIZARANA FAHAROA : NY TETIK’ASA RANO WASH
2. Amin’ny faran’ny Ny Tetik’asa RANO 10 :00-11 :00 (i) TANJON’NY RANO WASH
fizarana dia mahalala WASH - Manao « brainstorming » : maka ny hevitry ny
Flipchart –
ny tetik’asa RANO mpandray anjara mikasika izany hoe tetik’asa
Marker – Boky
WASH sy ny fomba RANO WASH (tsy mamaky ny boky torolalana)
Torolalana ho
fiasany mba
an’ny mpanetsika
hanatanterahan’ireo - Sokafana ny Boky Torolalana , vakian’ny PL ny
ifotony (PL)
mponina anaty tanjona tsirairay, ary zarain’izy ireo ny fahazoany
kaominina ireo azy :
fihetsika ara- 1) Hampitombo ny fahaiza-mitantana ny “Rano-
pahasalamana Fanadiovana sy Fidiovana” na RFF eo amin’ny
mikasika ny RFF sy Kaominina mba hahazoan’ny mponina tsy
hanjifan’izy ireo ireo ankavanaka tolotra RFF maharitra
tolotra RFF eo an- 2) Hamporisika ireo mpivarotra sy ny “sehatra
tanàna ny PL tsy miankina” mba hamorona sy hivarotra tolotra
“Rano-Fanadiovana sy Fidiovana” matihanina sy
mara-penitra.
3) Hanazatra ny fiaraha-monina hanatanteraka
ireo fihetsika RFF azo antoka sy mahasalama ary
hampiasa ireo tolotra RFF matihanina sy manara-
penitra

Hazavain’ny mpanamora avy ao amin’ny RANO


WASH amin’ny fomba tsotra ny mikasika ireo
tanjona 3 ireo

(ii) FOMBA FIASAN’NY RANO WASH MBA


HANATANTERAHAN’NY MPONINA EO
AMINY IREO FIHETSIKA ARA-
PAHASALAMANA RFF SY HANJIFAN’IZY
IREO IZAY TOLOTRA RFF EO AN-TOERANA

- Brainstorming - Anontaniana ny mpandray anjara


ity fanontaniana ity: « Inona avy ireo fomba
mahomby raha te-hitarika ny mponina
hanatanteraka zavatra na asa iray? » (Tsy
mijery boky)
- Hazavaina ireo fomba fiasa heverin’ny RANO
WASH fa mahomby ka hanohanany ny
kaominina :
1) Ny FTTF (CLTS) na Fanadiovana Tanteraka
Tarihin’ny Fokonolana: hetsika iray entina
hanairan’ny tompon’andraikitra avy eo amin’ny
Kaominina sy ny mpiara-miasa aminy ny
fokonolona anaty Tanana iray hiala amin’ny
fangerena ankalamanjana ka hanjary “tanana
afaka amin’ny fangerena ankalamanjana” na
“ODF”
2) Ny “Andrim-panjakana SAKAIZAN’NY RFF”
toy ny Sekoly sy Tobim-pahasalamana: manabe
sy mitsabo izy ireo, ary ivezivezen’ny mponina,
noho izany dia zava-dehibe ny fanajana ny
fahadiovana amin’ireny toerana ireny. Manohana
ara-teknika ireo andrim-panjakana ireo ihany koa
ny tetik’asa.
3) Ny Fampiroboroboana ny varotra vokatra sy
tolotra RFF eny anivon’ny Kaominina:
fanofanana ireo olona te-hamokatra sy hivarotra
tolotra RFF (kabone – salaka azo sasaina), ary ho
an’ireo kaominina voafaritra manokana,
fanohanana ireo orinasa mpamatsy rano madio
any an-tokantrano.
4) Ny Fampiasana ireo haino aman-jery hanairana
ny mponina eo anivon’ny kaominina,
hanatanteraka ireo fihetsika RFF sy hanjifa ireo
tolotra RFF, amin’ny alalan’ny afisy – radio, sns.
5) Ny Hetsika “TOKANTRANO MPITARIKA”,
izany hoe tokantrano mitarika eo amin’ny
Fahadiovana eny anivon’ny Kaominina. Hetsehina
manokana ireo Tokatrano.

(iii) Fotoana fametrahana fanontaniana na


fanamarihana avy amin’ny mpandray anjara

FIZARANA FAHATELO : NY MIKASIKA NY MPANETSIKA IFOTONY NA PROMOTEUR LOCAL


3. Amin’ny faran’ny Ny mikasika ny 11h00 - 12h00 - Vakian’ny mpandray anjara ny boky Boky Torolalana
fizarana dia mpanetsika ifotony - ny “torolalana ho an’ny PL”ao amin’ny pejy faha- ho an’ny PL
mahafantatra sy andraikiny - ny fomba 2 – izany hoe : Ny mikasika ny mpanetsika
mahatsapa ny fanatanterahany azy ifotony & ireo andraikitra tanterahany sy ny
andraikiny amin’ny fomba fanatanterahany azy
maha-mpanetsika
ifotny azy ny PL - Hazavaina avy eo

- Fampiharana amin’ny alalan’ny


kilalao (akatona ny boky):

Mitsangana sy manao boribory ny PL


mandritra ny fampiharana, eo afovoany ny
mpanamora

Tononina tsirairay ireo fehezanteny anaty


tabilao ao amin’ny pejy fahatelon’ny
torolalana ho an’ny PL, ka anjaran’ny
mpandray anjara no mamantatra hoe “ Asa
tanterahina? sa Tadidiana? Sa Fadiana?”

Ka izay mihevitra hoe asa tanterahina dia


manangana ny tanana havia, izay mihevitra
hoe “tadidiana” dia manangana ny tanana
havanana, ary izay mihevitra hoe « fadiana »
dia manao tanana an-damosina.

Afaka miady hevitra fohy ny mpandray anjara


eto.
- Fotoana fametrahana fanontaniana na
fanamarihana avy amin’ny mpandray anjara

SAKAFO ATOANDRO (12 :00 – 14 :00)

FIZARANA FAHAEFATRA : FIHETSIKA ARA-PAHASALAMANA RFF : IREO FIHETSIKA 4 FOTOTRA SY FIHETSIKA


FAHADIMY FANAMPINY
4. Amin’ny faran’ny - Ireo fihetsika ara- 14 :00 - 16 :00 - Fifampizarana mikasika ny lalan’ny tay Flipchart –
fizarana dia mahafehy pahasalamana RFF mankany amin’ny vava: Marker – Boky
ireo fihetsika RFF sy tolotra mifandray  Atao sary amin’ny Flipchart ny ao amin’ny Torolalana PL
ara-pahasalamana sy amin’izany Boky Torolalana Pejy faha-4, ary mbola tsy
ireo tolotra mifandray aseho ny mpandray anjara
amin’izany ny PL  Anontaniana ny mpandray anjara hoe,
“ahoana ny lalana mety ahatongavan’ny
Tay tsy fidiny any amin’ny vava?”
 Avy eo aseho ny sary amin’ny Flipchart, ary
hazavaina amin’izy ireo
 Marihina avy eo fa hanapahana io lalan’ny tay
any amin’ny vava, sy lalan’ny loto hafa no
antom-pisian’ireo fihetsika 4 fototra.
 Manaraka azy aoriana avy eo rehefa lasa
tokantrano mpitarika noho ireo fihetsika 4
fototra ny fihetsika faha-5 fanampiny.

- Fifampizarana mikasika ireo fihetsika 4 fototra


sy fihetsika 5 fanampiny :
 Zaraina tarika 5 ny mpandray anjara
 Omena marker sy flipchart isaky ny tarika
 Omena fihetsika iray isaky ny tarika
 Asaina asehon’izy ireo an-tsary ilay
fihetsika – araka ny voasoratra anaty boky
 Asaina asongadiny amin’izany ihany koa
ny endrika maha-MIRALENTA ilay
fihetsika.
- Tolotra RFF mifandray amin’ny fihetsika iray:
 Samy manampy sarin’izay tolotra
mifandray amin’ilay fihetsika nataony sary
ny tarika tsirairay
- Mifandimby mampiseho sy manazava ny
fihetsika sy ny tolotra RFF anaty sary nataony ny
tarika tsirairay
- Manampy fanazavana ny mpanamora sady
mampifandray ny FIHETSIKA sy ny
FELAMBONINKAZO, ka marihiny amin’izany
fa:
 Fihetsika 1 = Felam-boninkazo 1
 Tokantrano mpitarika= afovoan’ny
voninkazo
 Misy fihetsika fototra 4 , ka izay
manatanteraka ny fihesika fototra efatra
dia tokantrano mpitarika, izany hoe felam-
boninkazo 4 fototra = mahazo ny
afovoan’ny voninkazo
 Ny fihetsika fahadimy fanampiny, dia
hamporisihana ilay Tokantrano mpitarika
raha tanterany ireo fihetsika 4 fototra

- Fanontaniana sy Fanamarihana avy amin’ny


mpandray anjara

- Fanaovana tomban’ezaka ny andro voalohany:


Ny METY sy ny TOKONY HOHATSARAINA
(soratan’ny mpandray anjara amin’ny FlipChart)

ANDRO FAHAROA
FIZARANA FAHADIMY : IREO TOKANTRANO ANAOVANA TANTSOROKA MANDRITRA NY HETSIKA « TOKANTRANO
MPITARIKA”
5. Amin’ny faran’ny Ny fisafidianana 08 h-00 - - Fampahatsiahivana ny zava-bita sy ny Boky Torolalana
fizarana dia mahay tokantrano 08h30 tomban’ezaky ny ANDRO VOALOHANY
misafidy ireo
tokantrano anaovany - Famakian’ny mpandray anjara ny mikasika ny
tantsoroka ny PL tokantrano anaovana tantsoroka (boky torolalana
p.12)

- Fanazavana sy Fanontaniana avy amin’ny


mpandray anjara

- Fanazavana avy amin’ny mpanamora


(TA/STEAH)
FIZARANA FAHA-ENINA : IREO FOMBA ENTINA HANAOVANA TANTSOROKA SY HAMPORISIHANA NY TOKANTRANO
6. Amin’ny faran’ny Ny Fampiasana ny 08h30-10h00 (i) Ny Boky fanamorana Impression en
fizarana dia mahafehy Boky fanamorana Noir et Blanc sur
ireo fomba hanaovana A4 : pejy misy
- Ny Dinika anaty - Famakian’ireo mpandray anjara ny ao amin’ny
tantsoroka ny ireo fihetsika 4
vondron’olona pejy faha-16 sy 17 ny Boky torolalana ho an’ny
tokantrano ny PL fototra sy
PL, izay mikasika ny Boky Fanamorana
– Ny vangivangy fahadimy
arahin-dinika na Visite fanampiny
- Fanazavan’ny mpanamora
à Domicile

- Fampisehoana izany amin’ny alalan’ny


ampahan’ny boky (ohatra : pejy mikasika ny
fampiasana Kabone natao impression noir et
blanc, ary aseho hoe atodika any amin’ny
tokantrano ny pejy misy sary, ary mitodika any
amin’ny PL ny pejy misy tari-dresaka)

(ii) Ny dinika anaty vondrona (1 ora)


- Fampisehoana an-tsehatra ny fandehan’ny dinika
anaty vondrona: Mangataka mpandray anjara 1
hanao mpanamora – Ny ambiny kosa no vondron-
tokantrano - atolotra ny mpanamora ilay
ampahan’ny Boky miresaka kabone mba ho
ampiasainy – asaina arahin’ny mpanamora ireo
paika– atomboka ny dinika mandritra ny 15
minitra – ajanona ny dinika ary anontaniana ny
mpanamora ny tsapany fa efa mety sy mbola ilany
ezaka, avy eo, anontaniana ny vondron-tokantrano
hoe « inona tao antin’ny dinika no tena mahatonga
azy ho faly mandray anjara / maneho hevitra?
inona kosa no mahatonga azy malaina handray
anjara/haneho hevitra ? » - soloina indray ny
mpanamora ka toy izay hatrany – Tohizana
mandritra ny adiny 1 ora ny fanehoana an-tsehatra
ny dinika

- Mila manaraka ny dingana fanatanterahana DAV


izay ao anaty Torolàlana. Mety azo atao anaty
flipchart mora hita maso mandritra ny
fiofanana ireo dingana ireo

FAKANA RIVOTRA (10h00-10h30)


10h30-12h00 (iii) Ny vangivangy arahin-dinika (1ora) Impression en
Noir et Blanc sur
- Fanehoana an-tsehatra ny VAD : - tsinjaraina A4 : pejy misy
ho tarika 3 ny mpandray anjara , ka ny 1 hiresaka ireo fihetsika 4
fampiasana kabone sy fanasana tanana, ny 1 kosa fototra sy
hiresaka fahadiovan’ny sakafo sy fampiasana rano fahadimy
voadio azo antoka, ary ny 1 hiresaka fandrindrana fanampiny
fahadiovana mandritra ny fadimbolana; anaty
Rano madio sy
tarika 1 dia misy mpanamora 1 ary solon-tenan-
savony 1
tokatrano ny ambiny, ka ifandimbiasana ireo
anjara ireo mandritra ny adiny 1 ora;
- Fanamarihana avy amin’ny TA RANO WASH:
ny anaovana ny resaka dia akaikin’izay toerana
hanatanterahana ilay fihetsika ao amin’ilay
tokantrano mampiatrano – ary ny VAD dia azo
atrehin’ny tokatrano anankiroa (1 VAD = 1 à 2
ménages).

- Fizarana ny zavatra tsapa taorian’ny


fampiharana Dinika sy VAD

- Famakiana ireo Paika manokana isaky ny


fihetsika:
 Fampiasana kabone madio sy ara-pahasalamana :
paika ( pejy 6)
 Fanasana tanana amin’ny rano madio sy savony:
paika (pejy 8)
 Fampiasa rano voadio azo antoka : paika (pejy 10)
 Fanajana ny fahadiovan’ny sakafo : paika (pejy
11)

- Fizaran’ny TA RANO WASH ny lisitry ny


mpivarotra/mpamokatra tolotra RFF eo amin’ny
kaominina sy hevitra mikasika ny fifandraisana
amin’izy ireo – famakiana ny pejy 21 anaty boky
Torolalana PL

- Fiaraha-manasa tanana : araka ny ao amin’ny


boky torolalana pejy faha-7
SAKAFO ATOANDRO (12h00-14h00)
FIZARANA FAHAFITO : NY FISY FENOINA SY NY « FELAM-BONINKAZO”
7. Amin’ny faran’ny - Fisy sy felam- 14h00-16h00 (i) Fisy mikasika ireo tokantrano Mpitarika Impression des
fizarana dia mahay boninkazo amin’ny Rano-Fanadiovana sy Fidiovana fiches sur papier
mameno fisy ny PL ary A4 ( 2 fiche
mahay mampifandray - Famakian’ny mpandray anjara ny boky torolalana ménage par
ny famenoana ny fisy pejy faha-18 sy 19 sy 20 participant)
sy ny fanomezana - Fanazavan’ny mpanamora
felam-boninkazo
(ii) Ny felam-boninkazo Impression de
- Famakian’ny mpandray anjara ny boky torolalana ronds jaunes et
pejy faha-15 sy 16 oranges
- Fanazavan’ny mpanamora

(iii) Fampiharana
- Zaraina fisin-tokantrano 2 ny mpandraya anjara
iray ary omena boribory mavo 2 (felana
fampiasana kabone madio sy ara-pahasalamana)
sy boribory volomboasary 2 (Felana fanasana
tanana amin’ny rano madio sy savony)
(a) Mitantara ity tantran’ny tokantrano anankiroa
ity ny mpanamora: «  Mpivady i Bina sy Soa.
Tapa-tongotra i Soa ka mitondra tehina
rehefa mamindra. Mana-janaka an’i Fara, 1
taona sy tapany sy i Jao, 5 taona, izy ireo.
Manana kabone izy ireo, misy fanasana
tanana sy misarona tsara, ary ny
tokantranon’izy ireo ihany no tompon’ny
kabone. Mitaraina i Soa fa sarotra ho azy ny
mankany an-kabone satria mideza loatra ny
lalana mankany. Etsy an-daniny, mazoto
manasa tanana amin’ny rano madio sy savony
ery I Jao fa takany ny fanasana tanana sady
natoron’ny Ray aman-dreniny azy ny
fampiasana azy. Manasa tanana izy ireo
mandritra ny fotoana 5 fototra
nifampizaran’ireo tokantrano namany taminy.
Mahavatra mihitsy I Bina sy Soa, mameno
rano madio sy mametraka savony akaikin’ilay
fanasana tanana tsara tarehy vita amin’ny
bidon mavo. Mifanolo vody rindrina amin’izy
ireo I Maria, anabavin’I Bina, vehivavy tsy
manambady, manan-janaka an’I Toto, 1
taona. Efa voahajan’I Maria avokoa ny fenitry
ny Kabone azo antoka ato anaty fisy,
nampian’I Bina izy tamin’izany mba tsy
hihindramany ny kabonen’I Bina intsony fa
hananany azy manokana.Nividy fanasana
tanana koa izy, ary misy rano madio ao
anatiny, sy savony eo akaikiny, ary isaky ny
fotoana 5 fototra dia manasa ny tanany sy ny
tanan-janany amin’ny rano madio sy savony
eo amin’io fanasana tanana io izy. Manana
fanasana tanana anankiroa izy, ka napetrany
tamin’ny toerana mety ho azy sy ny vahininy
rehetra ireo fanasana tanana ireo.”
- Asaina fenoin’ny mpandray anjara ny fisin’ireo
tokantrano roa ireo
- Anontaniana ny mpandray anjara ny felam-
boninkazo tokony ho azon’ny tokantrano tsirairay
ary asaina atsangany ambony.

(iv) Fanontaniana sy Fanamarihana


(v) Fandaminana ny asa
(vi) Fanaovana Tomban’ezaka

You might also like