You are on page 1of 1

MINISTERE DE L’ENSEIGNEMENT SUPERIEUR BACCALAUREAT DE L’ENSEIGNEMENT GENERAL

ET DE LA RECHERCHE SCIENTIFIQUE
SECRETARIAT GENERAL
DIRECTION GENERALE DE L’ENSEIGNEMENT SUPERIEUR SESSION 2012
DIRECTION DE L’ENSEIGNEMENT SUPERIEUR
Service d’Appui au Baccalauréat
Série : C-D Epreuve de : MALAGASY
Durée: 03 heures 30 minutes
Code matière : 005 Coefficient : 3
********************************
NB: - Tsy maintsy atao ny Laza Adina I
- Isafidianana ny Laza Adina II
LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao (isa06)

Fanontaniana
1- Manomeza tara-kevitra telo lehibe nisongadina tamin’ny vanim-potoana mitady ny very.
2- Milazà antony telo mahatonga ny Malagasy hanome lanja ny fananan-taranaka.

LAZA ADINA II : Isafidianana ny A sy B (isa14)


A- FAMAKAFAKAN- KEVITRA

Hoy RAKOTOHOVA Clet ao amin’ny Fokonolona sy fivoarana:


“Ny fanahy dia tsy eritreritra na ahiahy fotsiny, fa ilay toetra ambony sy mihaja
indrindra maha olona ny olona ka iavahany amin’ny biby”.
Fakafakao.

B- FANADIHADIANA LAHATSORATRA

- Fa angaha misy lehilahy matanjaka tsy miasa atỳ ? hoy i Feno gaga.
- Misy be dia be, hoy ny navalin’ i Voavy. Hitan’ialahy ireny tovolahy maloto
fitafiana eny an-tsena, mitangorona eny an-tsisin-dalana, na manao iray dia eny amin’ny
arabe ireny, tsy misy miasa ireny.
- Fa nahoana?
- Tsy ampy ny olona rehetra eto Antananarivo aloha ny asa misy eto. Afa-tsy izany,
anefa, misy tsy te hiasa mihitsy izy ireny fa dia falin’ny miriorio fotsiny amin’izao.
- Ka inona no ivelomany? Hoy i Donga .
- Velombelom-poana amin’izao eny izy: mikarama mitaona entana indraindray,
mangarom-paosy, manao hala-boty, mihinan-kanina amin’izay trano hitany eny, ary
rehefa tsy misy mihitsy dia mijanona amin’izao.
Izay i Feno vao nahita fa misy fahantrana tsy takaitra tonga ho azy na vokatry ny
fiaraha-monina misy zara vilana, fa aretina novolen’ny tompony ary iniana tsy sitranina.
Tsy marina intsony eto, na tsy marina manontolo, ny noheveriny ho tsy rariny nahatonga
ny olona sasany ho manana ary ny sasany ho tsy manana. Misy dia misy tokoa araka
izany ny olona manana ary tokony hanana, sy ny olona tsy manana ary tsy mendrika ny
hanana.
ANDRY ANDRAINA
Mitaraina ny tany, tak.148
Hadihadio io lahatsoratra io.

========================

You might also like