You are on page 1of 3

Famintinana

Ny sikaji’Idadabe dia tantara nitranga tao anatin’ny fanjanahan-tany.Resy tamin’ny ady nifanaovana
tamin’ny frantsay ny Malagasy koa dia nambara an-kabary fa zanatany frantsay i Madagasikara, ary
ny olona dia mitovy zo eo ambany fanapahan’ny frantsay izay didy navoaka ny 26 septambra
taona1896.

Sombim-piaraha-monina sy fiaina hita taratra tao anatin’izany fotoana namaivay nihaina ny


fanjanahan-tany, izay niainan’ny Malagasy no asongadin’ANDRIAMIADANARIVO ato amin’ny boky.
Ny marina kokoa dia ny tantaran’i Goaibe no fototra tena iorenan’ny tantara.

Hita ato anatin’ity boky SIKAJIN’IDADABE ity ny tantaran’i Goaibe: Tsy mba notezaina tamin’ny
fianarana tany an-tsekoly fa nobeazina tamin’ny fomba amam-panao sy ny fahendrena malagasy,
nobeazina tao amin’ny ray aman-dreniny, Ny fahendrena zay voalohan-karena, ny adidy sy fitiavana,
ary fifanoherany tamin’ireo hery samihafa, ny lanjan’ny herin-tsaina eo amin’ny fiatrehana ny onjam-
piainana. Lehilahy sahy misedra izay tsy zakan’ny olona. Izay lazain’Idadabe fa tena lehilahy.

“Tsy laitra i Goaibe” hoy ny teny filamatra ato amin’ny tantara.

Ny tantara dia nanomboka tao Antabohobe, tanana kely nipetrahan’ireo ray aman-drenin’i Goaibe
izay nanabeazana azy ho lehilahy hisedra ny mafy.

Toy ny:

 Fanompoana tao amin’ vazaha B. Vazaha voanjo tao andrefan’ i Moramanga. Nitevy ala
madinika novolena karazan-kanina. Mafy ny asa fanompoana

“Ny mitevy mora fa ny mando fototra sarotra”. Lasa filohan-tsokaky tsy satry izy noho ny hery sy
fisedrana ny mafy ka nolazaina fa “Rendrika vao nahazo amalona”. Tamin’ny fiatrehana ireo
senegaly nahazo baiko.

 Tsy hadino koa ny fisedrana ny herin’ny maizina niaraka tamin’ireo mpamosavy hafahafa, toa
olon-dratsy nefa mpanao soa.Toa nifankatia tsy satry tamin’ireto olona miendrika
mpamosavy hafa karazana, mitondra sakafo sy manoro hevitra, mpanao asa soa tsy
mitonona anarana.

“Izay tiako rehetra dia notiaviko, noho ny didim-pitiavana, izany hoe nisy baiko mazava nanery ny
foko nanao izany. Toa fitiavana avy tamin’ny “tsy maintsy” no hany haiko. (…)

Fa ahoana kosa ary itony olona manao asa fangorahana sy misahirana fatratra amin’ny olona tsy
fantany itony? Inona kosa ary no nanery azy? Fitiavana hafa noho izay fantatro? Avo loatra angamba
sa lalin-doatra ka tsy takatro?”.

 Tao koa ny “ronono an-tavy” nataon’ny namana mpamadika satria “Trafon-kena no atao
toko”.

Sedra tsy maintsy natao mba handresena ny andian-jiolahy naman’i Ndremba, tany akaikin’i
Morafenobe
 Mafy ny ady tamin’ny menarana tao anaty lavaka izay tsy misy afatsy ny herin-tsaina nahay
nanararaotra ny zava-misy sy ny fahalala ny fombafomban’ny menarana no nanampy ny
heriny ka nazahoany fandresena lehibe.

 Fandresena ireo Malagasy mpisolelaka, olon-dratsy nampiasan’ny vazaha, ireo sahy


mitonona no solon-tenam-panjakana ka nanangona ny vola ratsy rehetra tsy an-drariny.

Olona marani-tsaina sy liam-pivoarana i Goaibe ka fotoana fohy dia nahay namaky sy nanoratra ny
teny frantsay, ary ampinga netiny niady tamin’ny fitsarana.Natolotra ho tsaraina izy, ary teo no
nahafantarana azy fa olona vonona sy sahy mamaly ny tsy rarany atao amin’ny olo-meloka.

Hoy indrindra i Goaibe:

 ….Raha tsy mahadiso Tompokolahy mpitsara dia mba vakio amiko ny anaran’ny mpiapanga.

 Olona vita fianarana sady itokisan’ny fanjakana, hoy ny fitrerony.

 Ny anarany Tompokolahy mpitsara, hoy ihany aho.

Nisy tara-tsaina nahaliana sy nankafizin’ i Goaibe ihany ny fanjanahan-tany fa tsy dia ratsy daholo
akory, toy ity manam-boninahitra ity.

“Ny kapiteny Cadet dia nikiry hanatitra ahy tany an-tananay ho entiny taingin-droa amin’ny soavaly
aho, nandà mafy aho nefa nolazainy fa tsy maintsy, nalaina tamin’ny fahafaham-baraka hono aho ka
aterina amim-boninahitra.

Hagagana moa ny an’ny olona nandre ahy mba nifampiboredika teny frantsay tamin’ny vazaha.”

Raha fintinina ny tantara dia ny hafatra nataon’ i Goaibe tamin’ny zafikeliny no famaranana
ny Sikajin’ Idadabe.

Ny tena lehilahy

 “Olona tahaka ny kapiteny Cadet manam-boninahitra ambony sady lalim-pahaizana nefa tsy
mba nanosihosy ny madinika fa nahavatra niondrika sy nampitraka izay voahitsaka. Olon’ny
fandriam-pahalemana, ary tsy nanaiky hampanjakana ny fahefana amin’ny tsy rainy, olona
mazava saina marina ka sady saro-piaro amin’ny voninahitry ny fireneny no nitsimbina koa ny
an’ny firenen-kafa na dia firenena resiny aza.

 “….Olona tahaka an’i Goaibe, zatra ny mafy hatramin’ny androm-pahazazany ka mafy toto,
tsy mati-panala, tsy lanaky ny hain’andro, tsy resin’ny sarotra, tsy mohaky ny miadana,
vonon-kisetra izay tsy sahin’ny olona nosetraina.

 Olona tahaka an’Ingahy:feno fahendren’ny ntaolo, nanam-panahy handalàna, nivelona


tamin’ny soratra masiny ka sady tia an’Andriamanitra no antra olona .Olona raikitra telo ka
sady manam-panahy andalàna tahaka an’Ingahy no ambony saina tahaka ny Kapiteny Cadet
ary matanjaka ara-batana toa an’i Goaibe.”
Raha fintinina dia manoro hevitra ny mpamaky aho ho an'izay te handala ny TANTARA sy
LITERATIORA malagasy tsara soratra tsara rindra sy tambatra. Mahavariana ny tantara ary fotoana
iray hiverena indray ny boky tamin’ny fahazazana ny Sikajin’Idadabe.

Hamaky azy ianao! Hitsara ihany koa, ary ataovy ao antsaina fa ny fahalalana ny fiaina nentin’ireo
ntaolo fahiny no taratra tsara iorenana eo amin’ny fiaraha-monina.

You might also like