You are on page 1of 1

IREO TONON-TAONA EFATRA LALOVAN’NY TOKANTRANO

Tonontaona efatra no nampianarin’i Gary Chapman azy saingy ny roa amin’ireo ihany no tena
hita eto Madagasikara ka ireo no horesahintsika. Marobe ny milaza fa rehefa Kristiana isika dia
ampy izay, Jesosy no manao ny zavatra rehetra, mifankatiana foana satria Izy eo mampifankatia.
Raha izany dia tsy nisy Kristiana nisy olana ara-tokantrano mihitsy, tsy nisy Kristiana nisaraka
mihitsy. Fa satria misy ireo dia misy zavatra pratika tsy maintsy fantatrao momba ny
fanambadiana.

Mandalo fiovaovana toy ny fiovan’ny tonon-tanona ny fanambadiana. Raha eto Madagasikara


izao dia ny fahavaratra no manomboka azy amin’ny Janoary. Mafana ny andro, misy oram-
baratra mivatravatra, velona daholo ny zava-maniry rehetra, maitso. Ity no vanim-potoana
mahafinaritra indrindra eo amin’ny mpifankatia, hoatran’ny paradisa kely, na ny fiteny aza feno
teny mamy, fifanajana, sns. Tena vaky vava mihitsy hoe: “tsara lehiretsy izany manambady”.
Mety maharitra ela ity fotoana ity, ary mety haharitra fotoana fohy. Mety miverimberina koa izy
mandritra ny androm-piainana.

Ny faharoa dia ny ririnina. Mangatsiaka, mamirifiry ny andro, malazo ny zava-maniry, mijaly ny


tontolo rehetra manodidina satria tsy misy orana. Raha eo amin’ny fifankatiavan’ny mpivady dia
mangatsiaka ny fifandraisan’ny mpivady, lasa mifanalavitra, very ireo fiteny mamy sns. Fotoana
mahavery fanantenana, indrisy fa marobe ireo rehefa tonga eto no tsy mahita vahaolana afatsy ny
fisarahana. Mety ho volana vitsivitsy aorian’ny mariazy dia miseho izany, mety ho taona
maromaro, ary mety haharitra 30 taona aza…

Mandalo olana (krizy) daholo ny tokantrano rehetra, mandainga izay milaza fa fahavaratra sy
lohataona hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Raha mbola olombelona no natambatra
dia tsy maintsy mandalo ireo. Ny vaovao Mahafaly dia izao: azo atao tsara ny miaina ny
tokantrano haharitra ny dona entin’ireo fiovaovana ireo. Ny voalohany amin’izany dia ny
hanekenao fa zavatra iainan’ny rehetra ireo fa tsy ianao irery no mandalo izany. Na hisaraka
amin’io olon-tianao io aza ianao dia tadidio fa mbola handalo ireo koa ianao any amin’ilay
vaovao, noho izany dia ffampitaizana, fifampiresahana, mividiana akanjo mafana tsara
hiatrehana ny ririnina… Antsoy Ilay Tena Fitiavana hiara-monina ao aminareo!

You might also like