You are on page 1of 2

ENY, SAMBATRA IANAO

Eny, sambatra ianao, ry vonin-draozy vao maraina


Maneho ny hakantonao sy ny hatsaranao anivon’ny zava-boahary
Fa afa-mamelana anatin’ny zaridaina
Ho fanomezana voninahitra ilay mpahary

Eny, sambatra ianao, Jesoa, raha samy sambatra


Ry Mpanjakan’ny hazavana, mamiratra, manazava ny zava-boahary
Fa afa-mamiratra anatin’ny sasak’alina
Mba hiseho tokoa ny voninahitri’ilay mpahary

Maria ô! Tena sambatra ianao


Nitondra folo volana ilay zanak’Andriamanitra
Maro ireo mpaminany naniry sy nanantena mba
Hahita ilay mpamonjy teraka

Anio ilay andro manan-daza


Nahaterahan’i Jesoa Kristy
Eny, sambatra isika fa hameno
Ny fontsika izao ny fahasoavany

Enga anie ny fahasoavan’ny Noely


Hirotsaka tsy miato ao am-pontsika
Ka ny fiadanan’izy Tompo anie
Homba antsika mandrakizay

Eny, sambatra ianao, ô ry kintana fitarikandro


Fa manjopiaka ianao anaty haizina, mitsena ny maraina
Fa mbola hafa ihany ianao, ry kintan’ny Noely
Izay manambara fa teraka i Jesoa zazakely

Sambatra isika mankalaza


Ny nahateran’i Jesoa ilay zanak’Andriamanitra

Auteur – Compositeur – Arrangeur : FETY Michel


Thème approprié  : Noël
Mitsaoka anao izahay, mihoby anao izahay, Jesoa
Fa ianao ilay mpamonjy izao tontolo izao

Auteur – Compositeur – Arrangeur : FETY Michel


Thème approprié  : Noël

You might also like