You are on page 1of 7

SATA FOTOTRA

FIKAMBANANA AMBOHIJOKY

LOHATENY I – FEPETRA ANKAPOBENY

Andininy 1 – LALANA FOTOTRA


a- Natsangana ho an’ireo olona vonona hampandroso ny tanànan’Ambohijoky ka manana
hetaheta ny hifanome tanana amin’ireo hafa izay vonona toa azy.
b- Ny fikambanana dia mijoro amin’ny foto-kevitra fampandrosoana tsy misy fepetra eo
amin’ny sehatra rehetra.
c- Tsy manao politika ny fikambanana. Tsy azo atao tohatra hiakarana amin’ny fitondrana
ny fikambanana.
d- Tsy voafetra ny faharetany.

Andininy 2 – IVON-TOERANA
MBOLA TSY FANTATRA.

Andininy 3 – ANTONY
a- Ny antom-pisian’ny fikambanana dia ny hampandroso ny tanànan’Ambohijoky.
b- Hanabe amin’ny lafiny rehetra ny mponina eny Ambohijoky mba ho olom-banona
hanantanteraka ny tena atao hoe fampandrosoana, hanofana azy ireo mba handray
anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana.
c- Hanantanteraka ny hevitra sy tetik’asa an’ireo mponina.
d- Hitoetra ho mpanelanelana amin’ny mponina sy ny solotenam-panjakana eny an-
toerana. (Collectivités territoriales décentralisées)
Andininy 4 – TENY FILAMATRA
Ny teny filamatry ny antoko dia : « Hiova tanteraka amin’izay AMBOHIJOKY ». Mifototra
amin’ny fandrosoana sy fitiavan-tanindrazana ny fikambanana. Fandrosoana tena izy miainga
avy amin’ny fitiavana avy amin’ny vahoaka ho an’ny tany.

Andininy 5 – SATA FOTOTRA SY FITSIPIKA ANATINY


Ny fandaminana sy ny fomba fiasan’ny fikambanana dia voafaritr’ity sata fototra ity. Ny
fitsipika anatiny no mamaritra ny pitsopitsony amin’ny fampiharana azy.

Andininy 6 – SOATOAVINA SY ETIKA


Ny fikambanana dia manana soatoavina sy etika mila arahan’ny mpikambana ao aminy ary
hankatoaviny ka hanaja ireto soatoavina ireto :
ny mangarahara, ny firaisan-kina, ny fitiavan-tanindrazana, ny fandraisana andraikitra, ny
fanetren-tena, ny fahalala, ny fahamarinana, ny fifanajana ary ny fanajana ny fomba
Malagasy.

Andininy 7 – TSY FIVADIHANA


Ny mpikambana rehetra dia :
- manaiky sy manome toky fa hanaja ny sata fototra, ny fitsipika anatiny, ireo soatoavina ary
ireo fanapahan-kevitry ny antoko.

LOHATENY II – IREO MPIKAMBANA SY IREO


VONONKANAMPY
Toko 1: Ireo Mpikambana
Andininy 8 – FIDIRANA HO MPIKAMBANA
a- Ny mponina ao amin’ny kaominina Ambohijoky rehetra, ireo lehibe teny ka nanoy
fianarana tany an-kafa, ireo mpila ravinahitra, ireo voamarina fa manana tantara
hiraisana amin’ny Ambohijoky na eo amin’ny lafin’ny asa na ny lafim-pianakaviana,
mihoatra ny 18 taona, namaky tsara ka manaiky ny sata fototra, ny fitsipika anatiny ary
ireo soatoavina rehetra, dia afaka mangataka ny hiditra ho mpikambana.
b- Ny fangatahana hiditra ho mpikambana dia alaina any amin’ny mpikambana amin’ny
biraon’ny fikambanana na koa alaina amin’ny tambazotran-tserasera ( mp, mail …)
c- Atao tsirairay fa tsy vondron’olona
d- Azo ekena nefa koa, azon’ny komity mpanadihady lavina ny fangatahana
Andininy 9 – KARAZANA MPIKAMBANA
Misy karazany 2 ny mpikambana : - Mpikambana mpanorina sady mpikambana anaty birao
mpanatanteraka - Mpikambana tsotra

a- Mpikambana mpanorina sady mpikambana anaty birao mpanatanteraka dia ireo rehetra
nikaon-doha sy nandrafitra tamin’ny famoronana sy fananganana ny fikambanana. Ireo
mpikambana ireo dia manana zo hijery sy hanara-maso ny fiasa sy ny làlana izoran’ny
fikambanana. Raha misy tranga manokana, ireo mpikambana mpanorina sady mpikambana
ao anaty birao mpanatanteraka dia afaka mandray fepetra mba hitandrovana ny soatoavina
rehetra.
b- Mpikambana tsotra ireo rehetra nahafeno fepetra takian’ny Andininy faha-8 : fidirana ho
mpikambana.

Andininy 10 – ADIDIN’NY MPIKAMBANA


a- Ny mpikambana rehetra matoa niditra ho mpikambana dia tokony manaiky ny
tanjona sy ny antony nananganana ny fikambanana ; sy ireo sata fototra, fitsipika
anatiny ary ny soatoavina rehetra napetraka.
b- Afaka manolo-kevitra ny mpikambana fa tsy maintsy kosa manaraka ny fepetra
rehetra, toromarika ary fanapahan-kevitra noraisin’ny birao mpanatanteraka.
c- Ny mpikambana rehetra dia mitandrina amin’ny zavatra rehetra ataony mba tsy
hifanipaka amin’ny fototra ijoroan’ny fikambanana.
d- Ny mpikambana rehetra dia tsy tokony hisy sakana na henatra eo amin’ny
manodidina azy (fianakaviana, asa sns…) amin’ny maha mpikambana azy ato
anatin’ny fikambanana. Tokony ho reharehany izany.
e- Ny mpikambana rehetra dia tokony handray anjara mavitrika amin’ny lafiny rehetra
ho fampandehanana ny asa aman-draharahan’ny fikambanana.

Andininy 11 – ZON’NY MPIKAMBANA


a- Ny mpikambana rehetra dia manana zo hahalala ny vaovao rehetra ara-potoana, sy
fandaharam-potoanan’ny fikambanana.
b- Ny mpikambana rehetra dia mahazo manontany ny birao izay tiany ho fantatra
momban’ny fikambanana sy ny fitantanana azy.
c- Ny mpikambana rehetra dia manana zo hanatrika ny karazana fiofanana izay ho
karakarain’ny fikambanana.

Andininy 12 – FAHAVEREZAN-JON’NY MPIKAMBANA


Very zo ny mpikambana raha misy fahafatesana, na fanesorana na fialàna tsotra izao.
a- Fanesorana : Ny tsy fanajana ny fepetra sy fitsipika mifehy, ny fanohintohinana ny
hasin’ny fikambanana dia mitarika fanesorana avy hatrany ka maha very zo ny
mpikambana.
b- Fialàna : Ny fialàna na fametraham-pialàna dia malalaka ho an’ny rehetra.

Toko 2 : Ireo naman’ny fikambanana


Andininy 13 – Ny atao hoe naman’ny fikambanana dia ireo vonon-kanampy an-tsitrapo
manolotra ny tenany, na fahaizana, na fitaovana, na vola, na fanomezana hafa ho
fanatanterahana ny tanjona apetraky ny antoko. Izy ireo dia tsy mpikambana anatin’ny
fikambanana ary tsy voatery avy any Ambohijoky.

LOHATENY III : ny rafitra anatin’ny fikambanana sy ny


fomba fiasany
Andininy 14 – Ny Birao mpanatanteraka
a- Ny atao hoe Birao mpanatanteraka dia ireo rehetra voafidy sy voatsongo tao anatin’ny
maro mba hanantanteraka ny tetik’asa sy ny fanapahan-kevitra tapaka na any anaty
fivorian’ny birao na any anaty tambazotran-tserantsera miaraka amin’ireo mpikambana
tsotra.
b- Ny mpikambana rehetra ao anaty Birao mpanatanteraka dia afaka miteny ary tokony
hiteny amin’ny anaran’ny fikambanana any anaty haino aman-jery sy eo anivon’ny
tontolo hiasana. Afaka manendry mpikambana teknisianina ny Birao mpanatanteraka,
hiteny sy hiresaka raha misy resaka teknika mifanaraka amin’ny traikefa ananan’io
mpikambana tsotra io.
c- Araka ny rafitra (organigramme) dia :
Birao mpanatanteraka = Filohan’ny fikambanana 1 + Filoha lefitra 3 + Mpitam-bola 1 +
Tompon’andraikitra amin’ny serasera 1
d- Mivory in-dray mandeha isam-bolana ny birao mpanatanteraka. Ny Filoha na ny 2/3 n’ny
mpikambana anaty Birao mpanatanteraka no afaka mampiantso fivorian’ny Birao
mpanatanteraka tsy ara-potoana.
e- Raha misy fahabangan-toerana ao anaty Birao mpanatanteraka dia ny mpikambana
ambiny ao anaty Birao ihany no manendry olona hisolo azy.

Andininy 15 – NY FILOHAN’NY FIKAMBANANA


a- Ny Filohan’ny fikambanana dia:
- tompon’antoka feno amin’ny fampandehanana ny fikambanana araka ny tokony ho izy.
- miseho amin’ny anaran’ny fikambanana amin’ny fiainana andavanandro indrindra fa eo
amin’ny sehatra sosialy.
- manantanteraka sy mandrindra ny tetik’asa rehetra miaraka amin’ireo filoha lefitra
tompon’andraikitra amin’izany.
- mitarika ny fivoriana na ara-potoana na tsy ara-potoana.

b- Ny Filohan’ny fikambanana dia otronin’ny filoha lefitra 3 amin’ny fanatanterahana ny


asany.
Andininy 16 - IREO FILOHA LEFITRA
a- Ireo filoha lefitra dia manampy ny Filohan’ny fikambanana amin’ny fanatanterahana ny
asany.
b- Ny filoha lefitra tsirairay dia samy manana ny andraikiny manokana :

- Filoha lefitra tompon’andraikitra fanitarana ny fikambanana sy misahana ny


mombamomba ny mpikambana. (Expansion rurale et ressources humaines)
- Filoha lefitra tompon’andraikitra loharanom-bola (mobilisation de fonds)
- Filoha lefitra tompon’andraikitra ny fanatanterahana ny tetik’asa (responsable de
projet)

Andininy 17 – NY TOMPON’ANDRAIKITRA AMIN’NY SERASERA


Mandrindra ny serasera anatin’ny fikambanana manontolo (communication interne),
mandrindra ny serasera ivelan’ny fikambanana (communication externe), mpitondra tenin’ny
fikambanana.
Andininy 18 – NY MPITAM-BOLA
Ny mpitam-bola no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanana ny volan’ny
fikambanana. Ka noho izany manao tatitra isakin’ny telo volana eo anatrehan’ny birao
mpanatanteraka.
Andininy 19 – NY MPIKAMBANA AO AMIN4NY BIRAO MPANATANTERAKA DIA TSY
MANDRAY KARAMA NA INONA ANTONY NA INONA.

LOHAHEVITRA IV : NY FIOVAN’NY MPIKAMBANA AO


AMIN’NY BIRAO MPANATANTERAKA
Ny mpikambana ao anaty birao dia mpanorina ny fikambanana avokoa. Ka noho izany tsy
hisy ny fiovan’ny mpikambana ao amin’ny birao mpanatanteraka raha tsy noho ny antony
mazava izay eken’ny 2/3 ao amin’ny birao : toy ny tsy fanatanterahana ny asa izay tokony
sahaniny ka mahatonga ny tetik’asa mihisatra, toy ny korontana izay mety hateraky ny
fietsika tsy mety
na teny tsy mifanaraka amin’ny soatoavina (fifanajana), toy fivadihana amin’ny fikambanana
ka mikonokonona sy mitady handrava an-kolaka ny fikambanana, toy ny fampiasana ny
fikambanana hanatanterahana ny tombotsoa manokana.

LOHATENY V – LOHARANOM-BOLA
Andininy 20 – LOHARANOM-BOLA ANATINY
- Ny olon’Ambohijoky dia tsy mandoa sarany hidirana ho mpikambana. Ny
olon’Ambohijoky dia tsy mandoa latsakemboka. KANEFA KOSA rehefa tafiditra ho
mpikambana dia mandray anjara amin’ny fidiram-bolan’ny fikambanana amin’ny
alalan’ny fandoavana vola fidirana amin’ny hetsika ara-kolotoraly, ara-javakanto, ara-
panatanjahantena karakarain’ny birao mpanatanteraka any Ambohijoky. Ho an’ireo
mpikambana izay tsy afaka manatrika ny hetsika na lanonana noho ny fahalaviran -
toerana na noho ny antony maro samihafa dia afaka manampy amin’ny fidiram-
bolan’ny fikambanana amin’ny alalan’ny fandefasana mivantana ny vola anaty
kitapom-bolan’ny fikambanana.

Andininy 21 – LOHARANOM-BOLA IVELANY


- Famatsiana avy any ivelan’ny kaominina
- Fanampiana avy amin’ireo tsara sitra-po kanefa tsy mpikambana akory

LOHATENY VI – FANAVAOZANA NY SATA FOTOTRA SY


NY FITSIPIKA ANATINY
Andininy 22 – NY SATA FOTOTRA
a- Ny Birao mpanatanteraka no mandrafitra ny fanavaozana ny sata fototra raha misy
fiovana tokony atao mifanaraka hatrany amin’ny soatoavin’ny hijoroan’ny fikambanana .
b- Ny mpikambana tsotra rehetra, tsy an-kanavaka, dia afaka mandefa soso-kevitra
fanavaozana ny sata fototra any amin’ny Birao mpanatanteraka.
Andininy 23 – NY FITSIPIKA ANATINY
a- Ny Birao mpanatanteraka no mandrafitra ny fanavaozana ny fitsipika anatiny raha toa ka
hilaina izany.
b- Ny mpikambana tsotra rehetra, tsy an-kanavaka, dia afaka mandefa soso-kevitra
fanavaozana ny fitsipika anatiny any amin’ny Birao mpanatanteraka.

LOHATENY VII – FAHARAVAN’NY FIKAMBANANA


Andininy 24 – Raha mety ho tonga amin’ny faharavana ny fikambanana, noho ny antony
samihafa, dia ny Birao mpanatanteraka no miroso amin’izay faharavana izay amin’ny
alalan’ny fivoriana farany ka manao tsangan-tanana ka tokony ho lany zato isan-jato ny
fandravana ny fikambanana. Raha misy ny faharavana, ny fananan’ny fikambanana rehetra
dia ny birao no manapaka izay hanaovana azy.

You might also like