You are on page 1of 20

NY FIOMPIANA

AKOHO
FAKANA NOFO
I. FAMPAHALALANA ANKAPOBENY

1. Tombotsoa azo avy amin’ny fiompiana akoho fakana nofo



  vahana ny filàna ny akoho fakana nofo eo amin’ny tsena anatiny na
Mihamahazo
ivelany
 
Asa mampidi-bola nefa mora atao ny fiompiana azy

2. Ireo tsara ho fantatra mialoha ny hanaovana ny fiompiana


 
 Ny tsena: lalam-barotra
 
 Ny fahaiza-manao ara-teknika
 
 Ny hoenti-manana: olona, vola, akora, fitaovana


Ny tontolo manodidina ny tetik’asa (mpanjifa, mpifaninana, mpamatsy akora,
 mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-pitaovana, fanjakana)


II. MOMBA NY AKOHO FAKANA NOFO
Karazana akoho voafantina hitombo haingana sady malemy ny “akoho fakana nofo”.

Mizara roa ny karazany:


fitomboana haingana fa maivana ( 45 hatramin’ny 50 andro dia
Misy ireo izay manana
 mahazo 2,5kg – 3kg)

 miadana saingy mavesatra (50 hatarmin’ny 60 andro
Misy koa ny manana fitomboana
dia mahazo 3kg no mihoatra)

Maro ny karazan’akoho fakana nofo (souche chair) toy ny Hubbard, Starbro, Shaver, Isa,
Hybro, Ross, Arbor, Acrres, Cobb, Red Pack, sns,

Miloko fotsy ny akoho fakana nofo amin’ny ankapobeny

III. TOERAM-PIOMPIANA-TRANO-FITAOVANA

1. Toeram-piompiana
 
 Avo, tsy mora dibo-drano na mando lava , Azon’andro, Azo vatsiana rano
 
 Mitokana sy malalaka ary maina tsara
 
Malalaka sy azo hanaovana fanitarana any aoriana

2. Trano
Fepetra:
 
 Afaka miaro ny akoho amin’ny toetr’andro sy fahavalo
 
Mora diovina, tsara rivotra sy hazavàna

Ireo miarakaamin’nytranon’akoho:
 
 Tranao fanatobiana ny sakafo sy fanafody
 
Lava-pako sy fandorana ny maty

Hakitroka:

Akohokely

Andro Akohokely isaky ny 1m2 Refin’ny trano


Herinandro voalohany 30-40 Eferina jiafotsy na isorel
Herinandro faha 2 20-30 1/3 ny toerana fiompiana
Herinandro faha 3 20 ½ ny toeram-piompiana
Herinandro faha 4 15 2/3 ny toeram-piompiana
Andro 10 Manenika ny toeram-piompiana
rehetra

3. Fitaovana
Tavy fihianana lavalava (linéaire)

(1-14) andro 30cm X 5cm X 5cm


(1530 )andro 40cm X 10cm X
5cm
Lehibe 65cm X 15cm X
12cm

Tavy fihianana boribory(trémie)

Akoho 50-65 isa Tavy fihinana boribory 25 litatra 01


Tavy fisotroan-drano

Tavy boribory 10 litatra 1 ho an’ny akoho 50 isa

Fitaovam-pamanàna

Ny akohokely indrindra dia tena mila hafanana mba hampitombo azy

Andro Hafanana ilaina manodidina ny


fitaovana (°C)
1-14 30-35
15 sy ny mihoatra 27-29

Amin’ny fiompiana akoho fakana nofo dia kely kokoa ny fotoana ampiasana ny fatana
famanana noho izy mora maniry volo. Manomboka tapa-bolana eo ho eo dia feno volo izy.

IV. SAKAFO

1. Rano
 
 Rano fisotro madio
 
Rano fisotro ara-pahasalamana

Ny rano ilain’ny akoho

Andro Lanjan’akoho (g) Fatran-drano(ml/akoho/andro)


1-5 120 33
6-10 271 60
11-15 504 105
16-20 816 157
21-25 1170 206
26-30 1530 247
31-35 1930 283
36-40 2335 313
41-45 2738 340
46-50 3163 353
2. Fatra-tsakafo
Andro Sakafo (g/andro) Andro Sakafo (g/andro) andro Sakafo (g/andro)

1 13 16 79 31 135
2 17 17 85 32 135
3 20 18 91 33 137
4 23 19 97 34 137
5 27 20 103 35 138
6 30 21 109 36 140
7 33 22 115 37 140
8 36 23 120 38 144
9 40 24 122 39 144
10 45 25 124 40 150
11 50 26 134 41 152
12 55 27 130 42 152
13 61 28 130 43 160
14 67 29 132 44 162
15 73 30 132 45 165
TOTALLY 590 TOTALY 1693 TOTALLY 2191

3. Filàna ara-tsakafon’ny akoho fakana nofo


Ilaina ny fahafantarana ny filàna ara-tsakafon’ny akoho fakana nofo mba ahafahana misafidy
ireo akora azo ampiasaina amin’ny fanamboarana ny “provandy”. Miova arakaraka ny
taonan’ny akoho fakana nofo na ny dingam-pamokarana ny filàna ara-tsakafo.

Otrik’aina FANOMBOHANA FITOMBOANA FAMARANANA


(demurrage) (croissance) (finition)
1-15 andro 16-30 andro 31-45 andro
Hery (kcal) 3100 3150 3200
Zary nofo (%) 22,5 21,5 20
Sokay (%) 1 0,95 0,90
Faosiforo (%) 0,45 0,40 0,40
Lysine (%) 1,3 1,2 1,1
Méthionine (%) 0,8 0,75 0,7
Ny fifangaroan’ny akora maromaro izay ahitana ireo otrik’aina voalaza etsy ambony ireo
no mandrafitra nhy atao hoe “provandy”.

Araka izao manaraka izao dia samy manana ny otrik’aina entiny ny akora tsirairay ary
samy manana ny asany ny otrik’aina tsirairay.

Otrik’aina Asany Akora ahitana azy


Hery fiasana na “kaloria” Fahavirihana Voa madinika (vary, apemba,
Manome hafanana katsaka), mangahazo, vomanga,
apombo
Hery fanorenana na “protida” Fitomboan’ny vatana Trondro, vovotrondro, patsa,
na “zary nofo” Famoronana atody rakena, soja, voanjo na taim-
boanjo, faikan-dandihazo,
ramilamina,, sahona, kakana,
olitra
Hery fiarovana na “vitamine” Tsy mora handairan’aretina Vilo-maitso na zava-maitso sy
Manamafy ny atody (Vit C) anana isan-karazany, CMV
(fanampin-tsakafo misy
vitaminina sy mineral)
Mineraly Fitomboana Vovontaolana may, akorandrika
Fiforonan’ny taolana voatoto, vovo-trondro, CMV
Manamafy ny kiran’atody

Ny entin’ny akora isaky ny 1kg

Hery Zary Lysine Méth Ca Phos Cellul Mat.Gras


(Kcal) nofo (%) (%) (%) (%) (%) (%)
(%)
Katsaka 3465 8,5 0,25 0,19 0,01 0,05 2,2 3,95
Mangahazo 3150 2,7 0,07 0,02 0,16 0,02 12,6 1,2
Apombo:
Vary malemy 2310 11 0,48 0,19 0,1 0,14 12 13
Varimbazaha 1911 15 0,62 0,23 0,17 0,46 8,9 3,5
Soja 3990 37 2 0,42 0,15 0,28 2 20
Torto:
Soja 2362,5 42,5 2,7 0,59 0,3 0,1 7,4 1,8
Voanjo 3675 41 1,2 0,34 0,13 0,07 8 16,3
Landihazo 2205 47 1,8 0,61 0,22 0,11 11,5 5,5
Coprah 2310 16 0,5 0,25 0,19 0,07 10 17
Vovodronono 3460 34 2,8 0,78 0,14 0,1 0 7,97
Vovotrondro
Thon 3360 61,5 4,69 2,21 6,5 4,21 0 4
Tsotra 2525 40 2,84 1,11 7 3,5 0 1,1
Vovotaolana 0 0 0 0 33,4 13 0 0
may
Akorandriaka 0 0 0 0 34,6 0 0 0
Sira 0 0 0 0 0 0 0 0
Méthionine 6037,5 58,7 0 99 0,2 0 0 0
Lysine 5218,5 95,6 79 0 0 0 0 0

Ohatra fomba fanamboarana praovandy

Andro 1-15 16-30 31-45


Katsaka 38 36,8 43
Apombo malemy 22,6 25,1 21,9
Faika voanjo 28 30 30
Thon 5 3,40 1,50
Vovo-trondro 3,60 1 0
Vovo-taolana 0,4 1,9 1,6
CMV 0,2 0,2 0,2
Akorandriaka 0,7 5 0,4
Sira 0,5 0,5 0,5
Meth. 0,45 0,5 0,45
Lys. 0,55 0,6 0,45
Totaly 100 100 100
Ny sakafo tetezamita

Manolona ny fanovana ny sakafon’ny akoho, mba tsy hanampoka azy ka hampisy ny


fikorontanana ara-pandevonan-kanina eo amin’ny izay mety hiafara amin’ny fahafatesany
dia ampiasaina ny sakafo tetezamita. Toy izao ny fomba fanovana tsikelikely ny sakafon’ny
akoho iray eny fa na dia mitovy karazana aza ilay sakafo fa samy hafa kosa ny
nanamboarana azy.

Andro Sakafo teo aloha Sakafo vaovao


1 100% 00%
2 75% 25%
3 50% 50%
4 25% 75%
5 00% 100%

Maharitra herinandro eo ho eo ity fanaovana tetezamita amin’ny sakafo ity, ka azo atao
tsara ny mampiasa “anti-stres” (fangarona vitamina samihafa) mialoha na mandritra izany.

V. FITONDRANA NY FIOMPIANA
Rehefa tomombana ny trano, ny fitaovana rehetra ka vonona ny sakafo dia miroso
amin’ny fiompiana. Ambony lafika no anaovana izany ary andiany iray (akoho miara-foy
mitovy karazana) no miara-miditra sy mpiara-mivoaka.

1. Fikarakarana mialohan’ny hahatongavan’ny akohokely


Ireto avy ny asa fanomanana atao alohan’ny hidiran’ny akohokely

Nytrano

Mila amboarina sy lalorina ny rindrina samba. Diovina ny trano sy ny fitaovana ary


asiana fanafody miady amin’ny bibikely sy ny otrik’aretina.

Nylafika

Natao hiaro ny akohokely amin’ny hatsiaka sy ny hamandoana ny lafika. Raha any


amin’ny tany mafana dia tsy ialaina atao matevina be.
Taimbakon ahazo fotsy (kesika) maina tsara no ampiasaina ka 8-10sm ny hateviny.
Ampiana isaky ny roa na telo andro arakaraka ny hamandoana ary tsy esorina raha tsy
mivoaka ny akoho.

Nyfatana

Hamarinina ny fatana ary amboarina raha manary setroka. Atao vonona ny fitaovna
mampandeha azy ary alefa 1 andro alohan’ny ahatongavan’ny akoho. Rariana biriky
manodididna mba tsy hiparitahan’ny vain’afo sy tsy hahamay ny akohokely ary
saromana lamba tsy lena ny varavarakely mba hitazona ny hafanana.

Nyfaneferanana“cercle dedemarrage”

Eferina amin’ny jiafotsy na lamba tsy lena na baoritra na isorel ny efitrano ka hitarina
arakaraka ny fitomboan’ny akohokely araka ny fepetra momba ny hakitroka voalaza
tetsy ambony.

2. Fitaizana ny akohokely (0-15 andro)


Ny fitaizana akohokely no miantoka ny fahombiazan’ny fiompiana. Amin’ny tapa-bolana
voalohany io no mora maty indrindra ny akoho. Mila arahina araka izany ireo fepetra
momba ny hafanana, sakafo, vaksiny, hakitroka ary fahadiovana.

Fandraisananyzanak’akoho
 
 Tokony hilanja 30-35 g, salama ary tsy sembana ny akohokely

Ranon-tsiramamy (15g/l) misy vitamina C (1g/l) no omena azy mandritra ny 2 n 3
andro voalohany.
Hazavana:

Atao tsy tapaka hazavana ny akoho andro aman’alina mandritra ny herin’andro voalohany.

Toy izao ny fandaharam-potoan’ny hazavana tokony ho hita ao anaty trano:

Taona Fe-potoana hanazàvana ny trano sy hamafin’ny hazavàna


1-4 andro 24ora- 5watt/m2
4-8 andro 24 ora-4watt/m2
Herinandro faha 3 22ora-3war/m2 sy 2 ora – 0,3watt/m2
Herinandro faha 4 10 ora-1watt/m2 sy 14ora-O,3watt/m2
Aorian’ny 24 ora- 0,3 watt/m2
herinandro faha 4
Hafanana:

Mila arahi-maso ny fihetsiky ny akohokely. Tairina matetika izy sao sondriana matory ka tsy
misakafo. Arahi-maso ihany koa ny maripanan’ny trano: tsy hangatsiaka na hahamay loatra.
Ajanona ny fampiasana ny famanana afaka 7 andro eo ho eo arakaraky ny toetr’andro.

Toy izao ny fomba ahafantarana ny hafanana ao anaty tranon’akoho

Ny fivoaran’ny hafanana mandritra ny fitaizana ny akohokely

herinandro Hafanana ilaina eo amin’ny Trano


akoho
2-3 andro voalohany 37°C-38°C 38°C
1 36°C-34°C 28°C
2 33°C-29°C 28°C
3 30°C-29°C 28°C
4 25°C-28°C 25°C
Mihidy tanteraka ny efitrano amin’ny andro voalohany ary sokafana tsikelikely ny
varavarankely avy eo nefa tandramana mba tsy hisy rivotra mifamaly.

3. Fitomboana (15-30andro)
Efa feno volo ny akoho eto ary tokony ho ara-dalana ny fitombony.

Miha-mitady rivotra ny akoho eo am-pitomboana ary hitarina tsikelikely ny efitra misy azy.

Hajaina hatrany ny hazavana ka ampirehetina adiny 2 amin’ny hariva aorian’ny


filentehan’ny masoandro ary adiny 2 alohan’ny fiposahan’ny masoandro ny jiro mba
ahitan’ny akoho ny fitaovana misy ny sakafo sy ny rano.
4. Famarànana
Miha-mitombo ihany ny filan’ny akoho rivotra ka sokafana tanteraka ny varavarankely
na amin’ny alina aza.

Arakaraka ny hitomboan’ny akoho no mahamora maloto ny lafika ka ampiana isaky ny hita


fa miha-mando mba hisorohana ny aretina izay mety hitranga. Mahatratra 90 gony no lany
amin’ny lafika mandritra ny 2 volana ho an’ny trano mirefy 100m2 (akoho miisa 1000).

Ampiana ny isan’ny fitaovam-pihinana sy fisotroana ary atao mifanandrify


amin’ny lamosin’ny akoho ny haavony.

5. Famonoana
Ny fanaovana “ Diète hydrique”

Tsy omena sakafo ny akoho 6 ora alohan’ny hamonoana azy mba hanatsara ny fialan’ny ràny
sy hanatsara ny kalitaon’ny hena.

Ny fomba fisamborana ny akoho



  ny trano ary mampiasa takelaka hanakanana azy eo amin’ny
Atao maizimaizina
kihon-trano.
 
Samborina amin’ny tongony ny akoho ary atsingolika.
Ny fitaterana ny akoho

Mora sempotra ny akoho rehefa lehibe ka ilaina fitandramana ny fitaterana azy. Tandremana
mba tsy hihiboka loatra. Misy ireo garaba vita amin’ny plastika afaka hitaterana ny akoho,
toy ny hita amin’ny sary manaraka.

Raha sobika no hitaterana azy dia tokony tsy hifatratra be loatra ary ampy rivotra tsara.

Ny famonoana sy fanomanana ny akoho

Rehefa tonga eny amin’ny toeram-panomanana dia atao anaty “saignoir” ny akoho
ka atsongoloka mba hahamora ny fandatsahana ny rany.

Avela hiala daholo ny rà vao alona anaty rano mafana 70°C mandritra ny 1 minitra eo ho eo.
Mora volosana amin’ny tanana ny poulet de chair. Ny tena haingana dia ny mampiasa
fitaovana famolosana antsoina hoe « plumeuse » izay misy karazany maro ary tsara
ananana rehefa maro ny akoho indray volosana.

Ambony latabatra ny fanalana ny taovany ary sasana amin’ny rano madio ka atao afaka tsara
ny rà sy ny vaingan-drà ary atsika hiala ny rano farany. Tokony ho maina tsara ny akoho vao
fonosina na entina amidy.

Raha tsy misy vata fampangatsiahana hitahirizana ny akoho vonona amidy dia tsara
raha amin’ny alina no vonoina ny akoho ary amidy vao maraina.

VI. FAHADIOVANA SY FAHASALAMANA

1. FAHADIOVANA SY FANADIOVANA
Amin’ny toeram-piompiana iray dia maro ireo karazan’aretina mety hitange na dia eo aza
ny fisian’ny fisorohana sy ny fitsaboana. Anisan’ny fototra miteraka ireny aretina ireny ny
tsy fahalavorarian’ny fahadiovana eo amin’ny toeram-piompiana iray.

a. Fahadiovana

Ny fahadiovana tiana holazaina eto dia ny fitambaran’ireo fiarovana maro isakan-


karazany tokony ho hita ao anatin’ny toeram-piompiana iray:
 
 Fivezivezen’ny olona sy ny biby:

 Fefena ny manodidina ny tranon’akoho mba hiarovana amin’ireo biby na olona
mivezivezy ao anaty ny faritra hiompiana;
 
 Diovina ny manodidina ny trano ialan’ireo biby izay miery ao anaty lobolobo;
 
 Fahadiovan’ny olona miasa eo amin’ny toeram-piompiana
 
 Manasa Tanana tsara


 mishy akanjo sy kiraro voatokana ampiasaina ao anaty
Raha azo atao dia efa
toeram-piompiana;
 
Fampiasana “Pédiluve”
 
 Fahadiovan’ny fitaovana sy ireo akoran-javatra ilaina:
 
 Arahina maso tsara ny fahadiovan’ny rano ampiasaina sy ny sakafon’ny akoho;
 
 Diovina tsara foana ny fitaovana isaky ny misy akoho mivoaka
 
 Arahina maso tsara ny fahadiovan’ny rano ampiasaina sy ny sakafon’ny akoho
 
 Diovina tsara foana ny fitaovana isaky ny misy akoho mivoaka


 
Atao lavitra ivelan’ny toeram-piompina ny lafika avy nampiasaina fa tsy avela
hijanojanona ao anaty ny faritry ny toeram-piompiana;
 
Fanajana nyn fanaovana “vide sanitaire”
b. Fanadiovana
 
Fandiovana ny trano sy fitaovana

Diovina ny trano aorian’ny akoho. Raha misy bibikely (hao, tsingaokaotra, parasy…)) dia
vonoina amin’ny ranom-panafody mba tsy hilentehany anaty lavaka. Esorina ny fitaovana
rehetra , diovina ny molaly , ny vovoka, ny tranon-kala,eny amin’ny rindrina sy ny tafo ary
ny lavaka rehetra(varavarankely ,lavakombarika) izay vao hesorina ny lafika. Tsy aparitaka
ny lafika maloto,

Raha tany voatoto no fanambanin’ny trano dia sorohana ny tany masaka ary rarahana “soude
caustique” 1%, izany hoe mampiasa 10g amin’ny rano 1litatra ary mampiasa 5OO litatra ho
an’ny 100m2.

Tokony hampiasa fitaovana fandiovana sy famonoana bibikely sahaza ny habean’ny trano;

Rehefa madio ny trano dia tifirina ranom-panafody mamono otrikaretina ny rindrina sy


ny tafo ary ny fanambanin’ny trano ka arahina tsara ny fatra momba ny fandranoana ny
fanafody;

Hidina ary ampakana aina mandritra ny 15 andro ny tranon’akoho rehefa vita


ny fandraharahana fanafody, izay atao hoe “vide sanitaire”

Telo andro alohan’ny ahatongavan’ny akohokely dia tokony rarahana ranom-


panafody fandroany indry ny trano indrindra raha nisy aretina nandalo
Fandiovana ny fitaovana rehetra izay mbola ilaina amin’ny andian’akoho
manaraka indrindra ny tavy isan-karazany:
 
 Manokana toerana iray atao fanadiovana ireo fitaovana ireo

 Avela hilona ao anaty koveta na brika
be misy ranon-javela (detergent) mandritra ny
15 minitra mialoha ny fikosehana azy
 
Ampandalovina amin’ny rano madio tsotra indray avy eo

2. VAKSINY
Tsy maintsy atao vaksiny ny akoho mba hampitombo ny hery fiarovana ao anatiny.

Ireto avy izany: vaksiny fiarovna amin’ny pesta sy fiarovana amin’yny gumboro.

Misy ireo fepetra tokony arahina mba hampahomby ny vaksiny:


 
 Vaksiny tsy lany andro no ampiasaina
 
 Atao ara-dalana ny fepetra fitondrana ny vaksiny (vata mangatsiaka)
 
 Akoho salama ihany no atao vaksiny


 
Tsy atao vaksiny ny akoho “stressé” na voakorontana: andro mafana be na amin’ny
fotoana amindrana azy any amin’ny trano hafa;
 
 Mampiasa fitaovana madio: tavy fisotroana,”seringue”
 
 Tsy azo ampiasaina ny tavy fisotroina vita amin’ny vy
 
 “Serum physiologique” na “eau distilé” ihany no azo anapohana ny vaksiny
 
 Adiny roa raha be indrindra dia tsy hanan-kery ny vaksiny voakarakara
 
Avela hangetaheta tsara ny akoho alohan’ny hanomezana vaksiny azy

3. FAHASALAMAN’NY AKOHO
Miankina amin’ny fahasalaman’ny biby ny fahombiazan’ny fiompiana.
Ireto misy aretina mateti-pitranga eo amin’ny akoho fakan nofo;

Fikorotana Fikorotananan Fikorotanan’ Fikorotanan’ Hafa


na ara- ’ny fisefoana ny ny taovam-
tsaina fandevonan- pananahana
kanina
VIROSY Miolan- Semposempotra Mivala- Malaikomana
PESTA(Newcast tenda Tsy Mamoaka maitso ary ary lasa
ele) afa- tsiranoka mety ahitana mitsangatsang
Paramyxovirus mihetsika amin’ny maso rà ihany koa am-bolo
1 Mandringa sy ny orona ary
Fahafatesana 0 sy toy ny mety ahitan rà
hatramin’ny lasa adala
100% ny akoho
Akoho marary
100% amin’ny
taona rehetra
GUMBORO Mivalan Mitsangambol
Mahazo ny akoho manomboka betsaka o sy lasa
eo amin’ny 3-8 herinandro Miloko fotsy malemilemy
Fahafatesana : mandritra ny 3-7 ny fivalanany ny akoho
andro ary mahatratra hatamin’ny Tsy mety
10% n’ny akoho (Matetika dia misotro rano
miaraka amin’ny aretina Tsy ampy rano
“Coccidioses” ity aretina ity) Mivembena ny
akoho
BAKTERIA Misefosefo ny Mivalan Mivonto sy
PASTEURELLOSE fiainan’ny miloko mavo mangana ny
Na “Cholera aviare” akoho ny akoho sangany
Manjoretra sy
malaimihetsika

Ankoatra ireo aretina voalaza etsy ambony ireo dia misy ihany koa ny aretina azo
avy amin’ireo parasite isan-karazany:
KANKANA

Milana sy mihamahia ny akoho, matsatso lokon’ny sangany ary indraindray aza dia tsy afa-
mihetsika ny tongony

Fiarovana amin’ny alalan’ny fanadiovana ny tranon’akoho no tena tsara indrindra.


Raha hitsabo kosa dia odi-kankana no ampiasaina.

Nefa tiana ny manamarika fa tsy tokony homena ody kankana ny akoho fakana nofo
satria ny fanalana kankana voalohany dia atao rehefa eo amin’ny 06 herin’andro eo izy.

COCIDIOSES

Marihina fa tsy miseho fotsiny amin’izao ny “coccidisoes” fa misy fepetra tsy voahaja
tao matoa mitranga io aretina io eo amin’ny toeram-piompiana iray, toy ny:
 
 Tsy fanajan ny hakitroka
 
 Fandalovan’ny aretina ta amin’ny toeram-piompiana
 
 Fisian’ny trangan’aretina
 
 Tsy fahampian’ny lafika, na maloto na mando lava
 
 Tsy fanaovana ny vide sanitaire
 
 Tsy natao tsara ny fanadiovana ny tranon’akoho
 
Fifangaroan’ny akoho samy hafa taona na karazana amin’ny toerana iray.

Fombafifindrany:

Mifindra amin’ny alalan’ny kiraro, na biby, na zavatra mivezivezy ao amin’ny


tranon’akoho sy ny fitsaigohan’ny akoho ny lafika misy azy

Fisehoan’nyaretina:
 
 Mibareraka ny elany
 
 Mitsangana ny volony indrindra eo amin’ny faritry ny hatony
 
 Malaikomana ny akoho ary tsy mety misotro rano
 
Mivalana volotsôkola ary mety hisy rà indraindray
Fiarovanasyfitsaboana:

Tsy tratran’io aretina io ny akoho vao foy hatramin’ny 4 na 5 andro;

Azo atao tsara ny manao fiarovana amin’ny alalan’ny fanomezana fanafody atao
amin’ny sakafo

Rehefa miseho ny aretina dia tsara ny mampiasa fanafody atao amin’ny rano

Misy koa ny aretina mifandray amin’ny sakafo: maro ny mety ho antony


mahatonga izany toy ny:

o Poizina tafiditra anaty sakafo: sakafo hotehirizina ela lasa bobongolo miteraka poizina,
o Tsy fifandanjanan’ny otrik’aina: tsy mifandanja ny hery sy ny zarinofo ka miteraka
korontana eo amin’ny fandevonankanina
o Tsy fahampian’ny otrikaina: tar any fitomboana noho ny tsy fahampianan’ny
vitaminina

4. NY ATAO RAHA MARARY NY AKOHO


 
 Atoka-monina ny marary mba tsy hamindra amin’ny sasany

Manantona teknisianina na dokotera mpitsabo raha vantany vao misy akoho
 manjoretra

 rehetra ary ampisehoy azy koa ny takela-
Hazavao aminy ny zava-mitranga
 pamokarana (fiche d’élevage)


Azo atao ko ny manisy ranom-panafody (désinfection) ny efitrano amin’ny akoho,
misy fanafody efa fampiasa amin’izany*

VII. LAFINY FITANTANANA

1. Famaritana ny “Fitantanana”
Ny fitantanana dia vofaritry ny fanantanterahana ireo asa samy hafa kanefa mifameno
ireto: fanadihadiana, faminavinana, fandaminana, fandrindrana, fitandroana ny fiaraha-
monina sy ny tontolo iainana, serasera, fampandehanan-draharana, fanatanterahana sy
fanaraha-maso, tomban’ezaka.
2. Toetra sy fepetra takian’ny fitantanana
Ireto avy ireo toetra sy fepetra takian’ny fitantanana: fananana vina na “vision”, tia
fandrosoana, fanana toe-tsaina miabo mahita ny lafitsaram-piaianana,fanana fahasalamana sy
fahavitrihana amin’ny asa, fanana faharetana, fitiavana miatady vola, fahaizana miserasera
sy mifandraharaha, fahaizana mijery ny antsipirihany, tia fandaminana,tia manovo
fahalalana,tia mitsitsy, fahaizana mamakafaka sy mandinika.

3. Antony ilaina ny fitantanana


Ny fitantanana mahomby no antoky ny fahombiazan’ny orin’asa tsirairay. Raha ratsy
ny fitantanana dia tsy haharitra ny orin’asa.

4. Dingana lalovana amin’ny fitantanana


Mba hahazoan’ny orin’asa na tetik’asa fahombiazana dia ireto avy ireo dingana tsy
maintsy lalovana amin’ny fitantanana:
 
 Fanadihadiana ny tsena
 
 Faminavinana
 
 Fanatanterahana sy fanaraha-maso
 
Tomban’ezaka

5. Ireo ilàna fitantanana ao anatin’ny orin’asa


Ireto avy no ilaina fitantanana ao anatin’ny orinasa: olona, fitaovana, akora, vola, fotoana,
vokatra.

6. Fitaovana ilaina amin’ny fitantanana ny fiompiana


Ireto avy ireo fitaovam-pitantanana fototra ilaina amin’ny fiompiana;
 
 Fandaharam-pamokarana
 
 Kahier momba ny fiompiana na “ fiche d’élevage”
 
 Fisy tahiry na “ fiche de stock”
 
 Fisy fanisana entana na “ fiche d’inventaire”
 
 Fisy mpividy na « fiche de client »
 
 Fisy mpamatsy na « fiche fournisseur »


 
 Boky fividianana entana (journal d’achat)
 
 Boky fitantanana ny kaontim-bolan’ny fikirakira (journal de caisse)
 
 Boky fitantanana ny kaontim-bola any amin’ny bankyy (journal de banque)
 
Faktiora, rosia, bon de livraison

Ireo tokony ho hita ao amin’ny fiche d’élevage”


 
 Mombamomba ny mpiompy sy ny fiompiana: anarana, adiresy,…
 
 Daty nidiran’ny biby, NY niaviany
 
 Isan’ny niditra
 
 Isan’ny maty + Antony
 
 Sakafo
 
Fikarakarana natao

Ohatra fisim-pamokarana ho an’ny poulet de chair

Karazan’akoho:

Isan’ny nampidirina:

Daty nampidirana:

Andro Lanja-tsakafo Salan’isan’ny Isan’ny maty


lanjan’akoho velona
(g)
Herinandro Fitambarany Herinandro Fitambarany
1
2
Totaly

TETIANDROM-PAMOKARANA NA “PLANING DE PRODUCTION”

NY fananana tetiandrom-pamokarana dia ahafahana mamaritra:


 
 Ireo kasinga ilaina amin’ny fifampiraharahana ara-barotra sy ara-pamatsiana
 
 NY isan’ny mpiasa ilaina, ny toetrany takiana aminy, ny fari-pahalalàny,
 
 NY fampiasana ny trano




IREO KASINGA MAMARITRA NY MASONKARENA

Masonkarena=fandaniana=fandaniana mivantana +fandaniana tsy mivantana

Fandaniana mivantana:
 
 Vidin’ny akohokely
 
 Vidin’ny sakafony
 
 Vidin’ny fanafody sy vaksiny
 
Karaman’ny mpiasa (ao anatiny ny an’ny tompon’ny orinasa)

Fandaniana tsy mivantana


 
 Sara-pitanterana
 
 Saram-pifandraisana
 
 Jiro
 
Rano

TOMBOM-BAROTRA = Totalin’ny vidim-bokatra – ny totalin’ny fandaniana

You might also like