You are on page 1of 1

Katsaka

KATSAKA
1. FEPETRA ILAINA:
ƒ Tany lonaka, tsara firafitra misy roka sy sokay, manana tahiry ampy
amin’ireo kasinga fototra (N, P, K).
ƒ Tany ahitana rotsakorana ampy.
ƒ Tany tsy miandrondrano.
ƒ Toerana talaky masoandro.
ƒ Tany nisy voly hafa mpisava lalana (Tsy fanao amin’ny vakitany).

2. FIFANTENANA NY TANY:
ƒ Baiboho.
ƒ Tany tsy misolampy loatra (≤12%), Voajary manaraka ny tsipi-
mira haabo.

3. FIKARAKARANA NY TANY:
ƒ Vadibainga 20 andro alohan’ny famafazana farafahatarany
ƒ Vakibainga
ƒ Fandravonana
ƒ HItondrana zezi-pahitra 20-40 sarety/Ha amin’ny fotoanan’ny
vadibainga
ƒ Hitondrana fandonahana “Dolomita” (250Kg/Ha) isan-taona

Marihina fa ny fanomanana tsara ny tany araka ny tokony ho izy dia efa miantoka
sahady ny 50% fahombiazan’ny vokatra azo.

4. FAMAFAZANA
ƒ Masomboly voafantina vokarin’ny toeram-pamokarana manokana.
ƒ Fatrany 15 à 20kg/ha.
ƒ Fafy isan-davaka manara-tsipika ka ny elanelan-tsipika 70 cm, ny
elanelan’ny Voa isan-tsipika 40cm.
ƒ Hitondrana zezika DAP manaraka ny raraboa -150Kg/ha.
ƒ Atao rehefa azo antoka ny rotsakorana.

5. FIKOJAKOJANA
ƒ Fiavana sy fievona: 15 andro aorian’ny fitsimohana.
ƒ Hitondrana zezika siramamy (50KG/Ha ).
ƒ Fiavana sy fanotofam-boly 15 andro aorian'ny fiavana 1.
ƒ Hitondrana zezika siramamy (50Kg/ha).
ƒ Raha misy bibikely mpanimba dia ampiasaina ny fanafody sy ny
ady gasy (Consoude, Nyme, Bouze de vache,…)

6. FIOTAZANA SY FANAMAINANA
ƒ Mitsingoloka ny babiny manamarina fa matoy ny katsaka ka tokony
hotazana.
ƒ Hotazana rehefa tsy voakikin’ny hoho intsony ny voany.
ƒ Atapy andro ho maina ny babiny.

Atrikasa fampifanarahana ny tekinika sy voambolana ho an’ny Faritra Bongolava


natao ny 29/30 Novambra-Desambra 2006

You might also like